Fiahiana ireo ankizy “autistes”: maro ny tranga tsy manaja ny zo maha olona

News - Fiahiana ireo ankizy “autistes”: maro ny tranga tsy manaja ny zo maha olona

News - Fiahiana ireo ankizy “autistes”: maro ny tranga tsy manaja ny zo maha olona

Maro ny tranga izay tsy manaja ny zo mahaolombelona ny ankizy «autistes » sy ireo ray aman-dreniny. Nisongadina izany tamin’ny iraka nataon’ny Dr Pierre Sans, manampahaizana momba ny fahasalaman’ny saina, teto amintsika, ny 6 hatramin’ny 24 jolay teo, niaraka tamin’ny mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Autisme Madagascar.

Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Opération Blue » ity iraka, natao teto Analamanga sy tany Atsinanana ary Analanjirofo, ity. Votoatin’ny tetikasa ny hanao fitiliana maimaimpoana ny « autisme » eto amintsika, rehefa tsapa fa olana ny tsy fahafahan’ny ray aman-dreny manao izany, rehefa mahita fa manana olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina ny zanany.

Miisa 22 ny ankizy vita « diagnostics » teto Analamanga, 11 tany Toamasina ary 9 tany Fenoarivo Atsinanana. Nandritra ireo asa ireo, tsapan’ny Dr Pierre Sans sy ny ekipa niaraka taminy fa betsaka ny “diagnostics” tsy marina sy ny fanafody tsy mifanaraka amin’ny aretina manjo ilay zaza na koa mihoatra ny tokony ho izy. Tsy vitsy koa ny fitsirihana ara-pahasalamana na “examens médicaux” tsy mifanaraka sy mihoatra ny tokony ho izy, toy ny fanaovana “scanners” sy “EEG”.

Tsy ireo ihany fa hitan’ity mpitsabo ity koa ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso ny fanafody homena ny zaza sy ny tsy fahampian’ny fanazavana homena ny ray aman-dreny. Manampy ireo ny fanomezan-tsiny ny ray aman-dreny ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana.  Nohamafisin’ny Dr Pierre Sans fa vao mainka sakana amin’ny fandraisana an-tanana ny zaza “autistes” ireo rehetra ireo.

Manoloana ireo, nanolotra vahaolana ny Autisme Madagascar, hanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo zaza “autistes”. Anisan’izany ny fanaovana fanadihadiana manerana ny Nosy momba ireo tranga fanaovana tsinontsinona ireo olona sembana ara-tsaina na manana fikorontanana eo amin’ny fihetsika. Tokony harahina fepetra avy hatrany izy ireny.

Landy R.

 

Article tiré de Newsmada

L’article Fiahiana ireo ankizy “autistes”: maro ny tranga tsy manaja ny zo maha olona a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 26/07/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Minisitra Lalatiana A. : “Tsy manao jadona isika”

“Nanapa-kevitra hiroso amin’ny fifidianana loholona ny fitondram-panjakana. Satria izay no voalazan’ny lalàna, fa tsy hoe manao didy jadona hanao fifidianana loholona ny fitondrana. Tapitra amin’ny 2 febroary 2021 ny fe-potoam-piasan’ny loholona, ankehitriny. Zava-misy izay fa tsy hoe foronin’ny fitondram-panjakana”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, i Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Tsy maintsy atomboka dieny izao ny dingana fanatanterahana ny fifidianana fa tsy hoe tapitra ny fe-potoam-piasan’ireo loholona fa vao hojerena izany. Rehefa tonga ny 2 febroary 2021, efa tokony hanana loholona vaovao i Madagasikara.Ho toy ny tamin’ny 2015 ny fifidiananaAmin’ny 11 desambra ny fifidianana loholona. Adihevitra ny hoe tsy feno ny mpifidy vaventy fa tsy mbola natao ny fifidianam-paritra, araka ny lalàna. Toy izany koa ny amin’ny olom-boafidy eo anivon’ny faritany. “Tsy nisy anefa izany tamin’ny fifidianana loholona tamin’ny 2015, fa natao ihany ny fifidianana loholona”, hoy izy.Eo koa ny tsy fahafenoan’ny mpifidy vaventy toy ny ben’ny Tanàna, mbola manao fangatahana fandravana didy eo anivon’ny Filankevi-panjakana. Ny didim-panjakana noraisin’ny filankevitry ny minisitra: iray volana mialoha ny fifidianana, ny 11 novambra, vao mikatona ny lisitry ny mpifidy amin’io fifidianana io.Raha amin’izao no misy ben’ny Tanàna manao fangatahana eny anivon’ny Filankevi-panjakana, efa milamina izany amin’ny 11 novambra.R.Nd.L’article Minisitra Lalatiana A. : “Tsy manao jadona isika” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Norbert Lala Ratsirahonana : “Ara-dalàna ny fifidianana na iza tsy hanao”

“Izao no zavatra lazaiko amin’izay milaza fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana loholona. Amin’ny didy fakan-tahaka manerana an’izao tontolo izao, na hanao ny tena na tsy hanao: rehefa mandeha ny fifidianana, izay mandray anjara eo no manao azy.”Io ny fanehoan-kevitry ny mpahay lalàna efa filoham-panjakana teo aloha, i Norbert Lala Ratsirahonana, manoloana tsy fandraisana anjaran’ny mpanohitra amin’ny fifidianana loholona hatao amin’ny 11 desambra ho avy izao. Tsy misy hoe tsy ara-dalàna io fifidianana io, satria tsy mandray anjara ny tena.Izay ny didy fakan-tahaka. Raha tsy mandray anjara ny tena, tsy mandray anjara izany fa ny hafa mandray anjara. Tsy eto Madagasikara ihany izay fa didy fakan-tahaka manerana an’izao tontolo izao. Rehefa mandeha ny fifidianana: manao izay mandray anjara, tsy manao izay tsy mandray anjara.Diso adiresy ireo loholonaTsy any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) izay no tokony handefasana ny fitoriana ny hoe tsy maha ara-dalàna io fifidianana loholona io. Na amin’ny fomba ahoana na ahoana,  fanapahan-kevitry ny governemanta iny. Tsy misy  afa-mandrava ny didim-panjakana fihaikana mpifidy, na ny Filankevi-panjakana na ny HCC. Izay ny lalàna sy ny zava-misy. Tsy misy fanemorana indray ny fihaikana ny mpifidy amin’ny fifidianana izany.R.Nd.L’article Norbert Lala Ratsirahonana : “Ara-dalàna ny fifidianana na iza tsy hanao” a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fitantananam-bola

Hisokatra amin’ny 23 septambra ka hatramin’ny 27 septambra ho avy izao any Pretoria (Afrika Atsimo) ny fampiofanana momba ny fanatsarana ny fitantanam-bola sy ny fiatraikan’ny fahaiza-mitantana eo amin’ny lafiny tetibola. Hisolo tena ny fanjakana malagasy amin’izany ny minisitry ny Vola sy ny Tetibola ka tanjona kendrena ny hahafahana mahazo traikefa mba hoentina manatsara ny fomba fitantanana ny volam-panjakana sy hisian’ny vokatra mivaingana amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina. L’article Fitantananam-bola est apparu en premier sur AoRaha.

News - Sport - Ao Raha

HAZAKAZA-PIARAKODIA – RUN :: Voahosotra ho tompondaka fanindiminy i Vazaha

Nivoaka ny didy. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara fanindiminy teo amin’ny hazakaza-piarakodia sokajy ProRun i Jean de Dieu Rafanomezantsoa na i Vazaha, mpanamory Subaru Impreza. Io no fanapahan-kevitra noraisin’ny mpanara-maso ny fifaninanana eo anivon’ ny Federasiona malagasin’ ny hazakaza-piarakodia, taorian’ny tsy nahavitan’ny dingana farany ho an’ny fifaninanam-pirenena tamin’ny 2 desambra lasa teo noho ny fiavian’ny orana tampoka. Talohan’io dingana fahenina io dia nanana isa 112 i Vazaha, raha 103 ny an’i Jaona Randriarimalala na i Jaona Elite, nanamory Smart Dragster. Samy nojerena ny isa azon’ny tsirairay, teo amin’ny fitsaharan’ny fifa-ninanana vokatry ny orana tamin’ny 2 desambra lasa teo ka nahazo fanampin’isa 25 i Vazaha niampy isa telo ka tafakatra ho 140. Nandritra ny dimy taona nisesy (2014 – 2018) dia voahosotra foana izy. Teo amin’ny sokajy Run indray dia voahosotra ho tompondaka i Tony Razafintsalama, nitondra ny Renault Super 5. Azony avokoa ny laharana voalohany tamin’ireo dingana rehetra nanamarika ny fifaninanam-pirenena tamin’ity taona ity. L’article HAZAKAZA-PIARAKODIA – RUN :: Voahosotra ho tompondaka fanindiminy i Vazaha est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Tenisy – Roland Garros: norombahin’i Nadal fanin-13 ny amboara

Nifarana ny alahady lasa teo, tany Frantsa ny Roland Garros, taranja tenisy. Nisongadina ilay espaniola, i Rafael Nadal, izay nandrombaka fanin-13 ity “Internationaux de France”, ity. Fanin-20 kosa ny nahazoany ny “Grand chelem”. Raha tsiahivina, resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny seta 3 no ho 0 (6/0 ; 6/2 ; 7/5) ilay Serbe i Novak Djokovic. Tsy mbola nisy toa ity vokatra azon’i Nadal ity, hatramin’izay, teo amin’ny Roland Garros. Mitovy amin’ny zava-bitan’ilay Soisa, i Roger Federer izany izao ity azon’i Rafael Nadal ity. Samy nandrombaka in-20 ny “Grand chelem”, izy mirahalahy ireo. Mijanona eo amin’ny 17 kosa ny an’i Djokovic. Marihina fa efa 34 taona i Nadal amin’izao fotoana izao.Teo amin’ny vehivavy indray, lasan’ilay Polonezy, i Iga Swiatek ny fandresena rehefa nandresy ilay Amerikanina, i Sofia Kenin, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6-4 ;  6-1) izy. Ho an’ny olon-droa miaraka lehilahy dia i  Krawiets sy i Mies ny nandrombaka ny amboara raha i Kristina Mladenovic sy i Timea Babos kosa teo amin’ny vehivavy.Tompondaka L’article Tenisy – Roland Garros: norombahin’i Nadal fanin-13 ny amboara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Raharahan’ Ambodihazinina: mbola misy olona 40 hafa hosamborina

Andim-pamantaran’ andro telo, ny alatsinany 10 desambra teo no nanaovana famotorana teo anivon’ny mpitsara zokiolona, nanao ny fanadihadiana lalina ireo 19 mianandahy mianaka voarohirohy tamin’ny fitsarambahoaka, nahafatesana polisy inspektera telo lahy, tao amin’ny tananan’ Ambodihazinina fokontany Mahatsara, kaominina ambanivohitra Ambatoharanana disitrikan’ i Fenoarivo atsinanana, ny 24 oktobra lasa teo.Nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara fa mbola misy olona hatramin’ny 40 hosamborina amin’ ity raharaha ity. Ny famotorana sy ny fanadihadina lalina rahateo mbola tsy mifarana ka tsy maintsy ho tazonina sy aiditra am-ponja vonjimaika avokoaireo olona 18 raha nivadika ho vavolombelona kosa ny vehivavy iray.Andaniny, amin’ izay mbola fisian’ny olona 40 isa hosamborina izay, re eo anivon’ny polisy hatrany fa kasain’ izy ireo tanterahina amin’ny andro fety ny fidinana tampoka hanaovana ny fisamborana. Teo anivon’ireto farany ihany no nahalalana fa tsy nitranga iny raharaha iny raha tsy nisy polisy nifampiantso tamin’ilay raim-pianakaviana izay nalehan’ ireo inspektera telo lahy ireo. Antso izay nilaza fa “ireny lasa any ireny ny polisy namanay”.  Ilain’ny rehetra ny hisian’ny fanadihadina ihany koa momba izay polisy namoaka vaovao izay.Sajo sy Yves S.L’article Raharahan’ Ambodihazinina: mbola misy olona 40 hafa hosamborina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Orange Madagascar: olona telo alefany hijery ny «Can 2019»

 Mpanjifa telo mirahalahy ny alefan’ny Orange Madagascar hijery ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra (Can 2019), any Egypta. Taorian’ireo fifaninanana mahakasika ity fifaninanana ity nokarakarainy ny nahazoana izany. Natolotry ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, i Michel Degland, omaly tetsy Ankorondrano, ho an’ireo mpandresy, ny tapakila handehanany hiatrika izany. Nanotrona izany ny solontenan’ny minisitry ny Serasera, Rakotondrazafy Lalatiana.Raha tsiahivina, anisan’ireo nahazo izany Ralaivao Fety Harimanana, nahazo ny loka teo amin’ny fakana ny sarin’ny mpanohana na ny “Fan Of my country”. Teo koa Ramarosandy Marline Zosahaza, nahay nitantara, tamin’ny fandraisam-peo, ireo baolina mendrika tafiditra nandritra ny Can, tany aloha, na “Best of commentator”.Hanainga, rahampitso alarobia, izy mirahalahy ireo, ary hipetraka amin’ny hotely kintana efatra, ny 27 – 30 jona ho avy izao. Hanatrika ny lalao hifandonan’ny Barea sy i Borondi izy ireo.Mpandresy fahatelo Ralainaivo Herilanto Mamitiana Rayan, nandrombaka ny amboara tamin’ny “Tournoi national Orange Esport Experience» sy teo amin’ny «Tournoi PES 2019», natao ny asabotsy 15 jona. Ny 16 jolay ho avy izao izy no handeha ary hiatrika ny famaranana ny “Panafricaine Orange Esport Experience”, hatao ny 17 sy 18 jolay ho avy izao. Hijery ny famaranana ny “Can 2019” kosa izy. Hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny ORTM amin’ny fandefasana ny lalaon’ny Barea, eny Mahamasina sy eny Soarano ary any amin’ny faritra maro.Ankoatra izay, hisy ny “Tournoi Orange kitra”, ho an’ireo ekipam-pokontany 24, hatao etsy Mahamasina, isaky ny asabotsy sy ny alahady. Fihaonana efa nanomboka ny 22 jona lasa teo. TorcelinL’article Orange Madagascar: olona telo alefany hijery ny «Can 2019» a été récupéré chez Newsmada.

News - Politique - News Mada

Boriborintany II: kandidà depiote Rabenandrasana

Nampahafantatra ny maha kandidà azy, ao amin’ny boriborintany II, amin’ny fifidianana depiote, omaly teny Ambohipo, Rabenandrasana Lalao François. Mpikambana ao amin’ny Akademia malagasy (sampana haifiaina sy fitondra), mpanoratra, mpikabary ary mpandala ny fomba amam-panao malagasy ny tena ahafantarana azy. Nambarany fa  natosiky ny fitiavan-tanindrazana hanompo vahoaka  ny tenany ka nanapa-kevitra ny ho kandidà depiote  amin’ny anaran’ny tsy miankina. « Tsy mpanao lalana na fotodrafitrasa samihafa ny depiote, izay mitaky olona vonona hanolotra ny fahendreny sy mahafantatra ny zavatra tadiavin’ny vahoaka ka vonona hisolo vava azy eny amin’ny Antenimierampirenena, ary hamadika izany ho lalàna », hoy ny kandidà Rabenandrasana Lalao.Lafim-piainana fito, mahakasika ny fiarahamonina, no hitan’ity kandidà ity fa mila asa goavana avy amin’ny fitondram-panjakana. Misongadina amin’izany ny famohazana indray ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy. « Mora mirodana ny firenena tsy manandratra ny kolontsainy… Manjaka amin’izao fotoana izao ny fanolanana sy ny herisetra feno habibiana…», hoy Rabenandrasana Lalao. Izany tranga rehetra izany, porofon’ny tsy fanajana intsony ireo soatoavina sy kolontsaina maha Malagasy antsika.Ankoatra ireo, hifantoka amin’ny fitondrana ny hetahetan’ny vahoaka momba ny tontolon’ny asa sy ny karama mendrika, ny fananan-tany sy ny trano sahaza ny maha olona, ny fandriampahalemana, ny tontolo iainana mirindra, ny fanabeazana maimaimpoana ary ny fanamorana ny fahafahan’ny Malagasy miahy ny fahasalamany sy mitsabo tena ny vaindohan-draharahan’ny kandidà Rabenandrasana Lalao.Randria.  L’article Boriborintany II: kandidà depiote Rabenandrasana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

I Tonton Pa, Rampal, i José Hasina: hoentina an-tsehatra ny “Vazon’ny tanàna”

 Mpihira efa tsy zovina amin’ny maro intsony no hitondra ny “Vazon’ny tanàna” eny an-tsehatra, etsy amin’ny Le By Pass, ahitana an-dry Tonton Pa, Rampal ary i José, tarika Hasina. Seho aman-danonana hotanterahina anio zoma 9 oktobra manomboka amin’ny 5 ora hariva.Mpihira anisan’ny nanamarika ny fahazazan’ny tanora maro, ankehitriny, izy ireto ary azo lazaina ho mpihira tsy lefy laza. Nahatety vanim-potoana maro rahateo ireo vazo hirainy. Samy manana ny hanitra ho azy, indrindra eo amin’ny lafiny feo sy ny famoronan-kira, izy telo mirahalahy ireto. Hovetsoina ao avokoa ireo hira nanamarika azy ireo teo amin’ny tontolon’ny mozika.… Anisan’izany ny “Babonao”, ny “Fonjan’i neny” (José); ny “Mbola tsy mora”, ny “Dia ahoana?” (Tonton Pa); ny “Cyclone”, ny “Tsy misy Nenina” (Rampal), sns. Efa manomboka miverina tsikelikely ny hetsika sy fampisehoana an-tsehatra isan-karazany amin’izao, saingy kosa mila manaja ny fepetra ara-pahasalamana tsy hiparitahan’ny valanaretina Coronavirus indray!NarilalaL’article I Tonton Pa, Rampal, i José Hasina: hoentina an-tsehatra ny “Vazon’ny tanàna” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Antananarivo-Renivohitra: mitobaka ny fako, tsy hita ihany izay kamiaon’ny Samva

Efa ho roa herinandro izao no nanaovana resabe ny fahazoan’ny Samva ny kamiao be 16  hitaterana ny fakon’Antananarivo. Hatramin’izao, tsy mbola hita mihaodihaody izany. Mivangongo ny fako, manapaka lalana mihitsy izany amin’ny toerana sasany. Maimbo ny tanàna, sempotry ny loto sy ny fofona ratsy ny mponina. Nolazaina tany aloha fa ny tsy fahampian’ny kamiao miasa hitatitra fako no olana tsy hahafahana maka ny fako mitoby amin’ireo dabam-pako maro eto Antananarivo. Efa misy anefa ireo kamiao lehibe ireo, saingy toa malaza tsy hihinanana. Nilaza ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ravalomanana Lalao, omaly fa noho ny antony ara-taratasy tsy mbola tomombana no tsy hahafahan’ireo kamiaobe miasa araka ny resaka nifanaovany tamin’ny minisitry ny rano. Andraikitry ny Samva no manala ny fako eto Antananarivo. Raha ny rafitra, mifandray mivantana amin’ny minisiteran’ny rano ny Samva fa tsy miankina amin’ny kaominina velively. Miteraka loza ara-pahasalamana ho an’ny mponina ny tsy fandraisana andraikitry ny Samva amin’ny tsy fandraofana ny fako. Mizaka ny fanomezan-tsiny avy amin’ny vahoaka ny kaominina amin’ny tsy fahaiza-miasan’ny Samva. Tokony hazavaina ny antony tsy hahafahan’ny Samva manao ny asany fa tsy manempoka fotsiny toy izao, hoy ny avy ao amin’ny CUA. Ny kaominina rahateo mandoa ny “redevance sur les ordures menagères (Rom) ho an’ny Samva tsy tapaka. Efa loza mihatra ho an’ny mponin’Antananarivo ny fitobian’ny fako amin’izao fotoana indrindra ao anatin’izao vanim-potoan’ny fahavaratra izao. Entin’ny riaka any anaty lakandrano ny fako ka manentsina izany ary mitarika ny fiakaran’ny rano rehefa mikija ny orana. Tatiana AL’article Antananarivo-Renivohitra: mitobaka ny fako, tsy hita ihany izay kamiaon’ny Samva a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

KAOMININA AMPITATAFIKA : « Mitombo ny vola miditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina »
24/10/2020

Tombony lehibe. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 23 oktobra 2020 ny tsena vaovao, ny lalana Ambohimangidy Ankaditany mirefy  iray kilometatra sy 400 metatra. Noho ny tetikasa FIAM(Fivoarana ifotony ao anatin’ny mangarahara) iarahan’ny kaominina Ampitatafika sy Alakamisy Fenoarivo miaraka amin’ny fikambanana MSIS Tatao ary vatsian’ny Vondrona Eraopeanina  ireo foto-drafitr’asa tanteraka ireo. « Vokatr’izay mitombo ny vola miditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina izay no tena tombony ngeza be, ahafahanay miasa, manatsara ity tsena ity », hoy  i Rado Ramparaoelina,  Ben’ny tanàna ny kaominina Ampitatafika, nanazava ny tombony tamin’ny fanamboarana ny tsena vaovao.  Araka ny fanazavany fa mahazaka hatrany amin’ny 250 mpivarotra io tsena io. Nohamafisiny fa tao anatin’ny mangarahara ny fanatanterahana ny foto-drafitr’asa. « Nomena sehatra ny mpivarotra hiteny izay hetahetany, natao mangaraharaha ny fitantanana », hoy izy Nambaran’ny Tale mpantanteraky ny MSIS Tatao, Andriamoraniaina Harijaona fa ny mangarahara,  fomba fampisitrahana ny olom-pirenena tokony hisitraka ny foto-drafitr’asa na fomba fitantanana ny enti-manana amin’ny fanatanterahana ny foto-drafitr’asa no tena zavatra lehibe mampiavaka ny tetikasa FIAM. « Rehefa manana antontam-baovao ny olona eny ifotony dia mandray anjara na amin’ny fikojakojana aza », hoy izy. Asa ataon’ny fikambanana ihany koa ny fanomezana tantsoroka ny fomba fiasa, ny fanamafisana orina ny fahaiza-manaon’ ireo mpiantsehatra  rehetra na ny fiaraisamonim-pirenena na ny eo anivon’ny kaominina manatsara kokoa ny fampiasana ireo foto-drafitr’asa. Lynda A. Cet article KAOMININA AMPITATAFIKA : « Mitombo ny vola miditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina » est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article KAOMININA AMPITATAFIKA : « Mitombo ny vola miditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina » a été récupéré chez Délire Madagascar.

Ho avy ny fotoam-pahavaratra: nandray kifafa nanadio ireo faritra dibo-drano ny Tafika
29/10/2020

  Hitsinjovana sahady ny fahasahiranan’ireo mponina sy ireo mpivarotra eny amin’ny fokontany Besarety, Anjanahary ary Mahavoky, izay toerana dibo-drano rehefa fotoam-pahavaratra dia miezaka misoroka izany ny teo anivon’ny Tafika Malagasy. Nisy, araka izany, ny fidinana ifotony tamin’ny alalan’ny fanadiovana teny amin’ireo faritra ireo sady nanentanana ny mponina hanadio ny manodidina azy. Ho fanomezan-tanana ireo mponina, nidina teny amin’ireo fokontany ireo ny miaramila avy ao amin’ny vondron-tafika mitoby eny Ampahibe (CPC, 1°RG, RAS ary R3A), omaly, notarihin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety, ny Jly Rakotoniaina Jean Aimée, niaraka tamin’ireo lehiben’ny Rezimanta tsirairay efatra avy. Nodiovin’ny miaramila avokoa ireo toerana mety hiangonan’ny fako toy ny lakandrano, lalan-kely, ny tsena ary namendrahana ranom-panafody ihany koa ireo toerana maro, isan’izany ny trano fidiovana ary ny sekoly eny an-toerana. Tsy vitan’izay fa mbola notolorana fitaovana fanondrahana fanafody miisa 10 miaraka amin’ny ranom-panafody koa ireo fokontany ireo mba hanohizan’izy ireo ny fisorohana amin’ny valanaretina.Jean ClaudeL’article Ho avy ny fotoam-pahavaratra: nandray kifafa nanadio ireo faritra dibo-drano ny Tafika a été récupéré chez Newsmada.

SALON DE L’ETUDIANT – SPECIAL TOAMASINA : Natao ho an’ny mpianatra maniry hanohy fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony
23/10/2020

Hatrany amin’ny fahazoana “stage”. Vita soamantsara ny fanadinana bakalorea 2020. Maro amin’ireo mpiadina no maniry ny hanohy ny fianarany eny amin’ny ambaratonga ambony. Nanokana hetsika ho an’ny mpianatra any Toamasina ny Mada Jeune ho fanampiana azy ireo amin’ny fitadiavana sekoly ambaratonga ambony na ivon-toeram-pampiofanana mifanaraka amin’ny lalam-piofanana mahaliana azy ireo. Ny zoma 30 sy ny sabotsy 31 oktobra 2020 ao amin’ny Foyer Tranovato Fjkm Anjoma no hanatanterahana ny “salon de l’étudiant-spécial Tamatave” andiany fahatelo. “ Natao hanampiana ireo vao afaka bakalorea amin’ny fahazoana antotam-baovao momba ny anjerimanontolo eto Madagasikara sy any ivelany ity hetsika ity. Ho amin’ity taona ity dia handray mpianatra anarivony izahay ary ao anatin’ny fanajàna ny fepetra ara-pahasalamana izany”, hoy ny mpikarakara. Nambarany fa am-polony ny trano heva. Mandritra ny roa andro dia hanome ny andinidininy momba ny sampam-piofanana, ny saram-pianarana, ny antontan-taratasy ilaina, ny fomba ahazoana fanazaran’asa  ireo mpandray anjara toa ny sekoly ambaratonga ambony tsy miankina IEP- ESMIA – IMT – ISMATEC – CEFOMAR – ALLIANCE FRANCAISE DE TAMATAVE CAMPUS France – ESCM – ATOUT TOURISME – STUDYDAS – CURTIN MAURITIUS – CNTEMAD ESTIIM – MCCI Mauritius – ZAFIMANE INSTITUT – MALAGASY INITIATIVE – VATEL MADAGASCAR… Lynda A. Cet article SALON DE L’ETUDIANT – SPECIAL TOAMASINA : Natao ho an’ny mpianatra maniry hanohy fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article SALON DE L’ETUDIANT – SPECIAL TOAMASINA : Natao ho an’ny mpianatra maniry hanohy fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony a été récupéré chez Délire Madagascar.

Saron’ny polisy teny Sadabe, Talatavolonondry: mahavita hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo jiolahy
29/10/2020

   Voasambotry ny polisy ny talata teo, ary efa naiditra am-ponja avy hatrany ny lehilahy iray ao anatina fikambanan-jiolahy mpanao vola sandoka efa nokarohana hatramin’ny taona 2018.Araka ny tatitra nampitain’ny polisy avy ao amin’ny Brigade criminelle, sakelika fahefatra nandray an-tanana ity raharaha ity, efa kalaza amin’ny fanaovana vola sandoka tokoa ity lehilahy iray ity. Anisan’ny ao anatin’ny Fikambanan-jiolahy malaza mpanao vola sandoka, izay efa nokarohin’ny polisy hatrany amin’ny taona 2018 izy io, saingy izao vao sarona. Loharanom-baovao azon’ny BC 4 avy tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana ny toerana misy azy, eny Sadabe, Talatavolonondry. Nosokafana ny fanadihadiana sy famotorana ary nidina ifotony avy hatrany teny an-toerana ireto farany, ny talata 27 oktobra teo. Hita tokoa ilay trano voalaza fa misy ireo jiolahy mpanao vola sandoka, saingy tamin’io fotoana nahatongavan’ny polisy teny, efa tsy nisy olona intsony tao an-toerana.Milina avo lenta…Na izany aza, niroso tamin’ny sava hao ilay trano ny polisy ka nandritra izany no nahasaronana ireo fitaovana maro samihafa. Anisan’izany, ohatra, ny ordinatera, “imprimante” izay tena avo lenta tokoa, raha ny voalaza, ankoatra ny singa sy kojakoja hafa fampiasany. Fantatra tamin’izany, fa ahavitan-dry zalahy hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo fitaovana ireo, izay efa nahatratra enina gony be izao. Nogiazana avy hatrany ireo entana ary nentina eny amin’ny biraon’ny BC4 hatao porofo atolotra ny fitsarana. Ilay lehilahy iray, naman’ilay tompon-trano moa, araka ny voalaza ery ambony no voasambotra tamin’io fotoana io, ary efa naiditra any am-ponja taorian’ny nanolorana azy ny fampanoavana. Tsy mijanona hatreo, araka ny voalaza, ny fanadihadiana sy famotorana ataon’ny polisin’ny BC 4 mikasika ity raharaha ity fa mbola hitohy.M.RL’article Saron’ny polisy teny Sadabe, Talatavolonondry: mahavita hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo jiolahy a été récupéré chez Newsmada.

Maro ny kolontsaina very: mari-pandrefesan-javatra maro ny Coronavirus
28/10/2020

 Ankoatra ny maha valanaretina azy, mari-pandrefesana zavatra maro ny Coronavirus. Nandrefesana ny fahalalana, ny fahaizana, ny finoana, sns, ananan’ny tsirairay sy misy eo amin’ny firenen-tsamihafa. Fa anisan’ny goavana natsinkafon’ity valanaretina ity, ny nahenoina fa misy amin’ny Malagasy no tsy manana tanin-drazana ka tsy afaka niala ny toerana misy azy na mba te handositra ny covid-19 aza.Raha adika tsotsotra, misy amin’ny Malagasy no tsy manana ambanivohitra, toerana nipoirana, tany navelan’ny razana, tranon-drazana, sns. Sanatria, mety tsy hanana fasan-drazana ihany koa aza angamba ! Misy ny tratry ny tsy fidiny no tsy nananany tanin-drazana fa ny an’ny hafa mba ahoana ? Tao ireo nivarotra, misy ny zara fa manao tsidi-pahitra ka tsy fantatr’olona any an-toerana intsony ny fisiany, tsy vitsy koa ireo tsy miraharaha tsotra izao ny toerana nipoiran’ny razany.Efa ampy hamantarana ny zava-manjo sy mihatra amin’ny Malagasy sy ny kolontsainy ireo. Tokony hifanaraka amin’izay ihany koa ny vahaolana raha toa ka heverina fa olana ny Malagasy tsy manana tanin-drazana. Sa ve efa mizotra amin’ny lalan’ny « fandrosoana » izao ka tsy misy ilàna izay kolontsaina ?HaRy RazafindrakotoL’article Maro ny kolontsaina very: mari-pandrefesan-javatra maro ny Coronavirus a été récupéré chez Newsmada.

Betafo: nahitana rongony 1 118 fototra
26/10/2020

Tra-tehaky ny zandary avy ao Betafo, ny asabotsy teo tao Tsarazafy, fokontany Ambohimalaza, kaominina Mahaiza, ao Betafo, ny sahan-drongony iray hekitara. Angom-baovao voaray avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny nahitana ity toerana ity.Nahitana fototra rongony 1 118 isa nataona roa lahy mpianaka izany. « Midadasika ny toerana ary mody ampiarahina amin’ny voly anana ireo zava-mahadomelina teo an-toerana », hoy ny fanazavan’ny Zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao. Vokany, nandraisana avy hatrany fepetra ireo mpamboly sy ireo voly nataony. Nongontana avokoa ireo fototra rongony ka nentina tao Betafo nanaovana famotorana sy nodorana. Ireo mpianaka tompon’antoka amin’ny fambolena kosa, notanana sy natao fanadihadiana. Fantatra fa mpamatsy rongony ireo olon-dratsy izy mianaka ireo. Hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana. Nanentana ny mponina ny zandary fa voarara ary mahavoasazy ny fambolena toy ireny. Henintsoa Hani L’article Betafo: nahitana rongony 1 118 fototra a été récupéré chez Newsmada.

Kaominina fito ao Amboasary: omena sakafo ireo olona 70 000 reraky ny hanoanana
24/10/2020

Velom-panantenana fa ho afaka amin’ny tsy fanjarian-tsakafo miteraka hanoanana lalina sy fahiazana ho an’ny ankizy ny ao Amboasary rehefa nahita ny fahatongavan’ny sakafo avy amin’ny Pam. Hisitraka izany ireo kaominina fito ao an-toerana. Tonga tsikelikely any amin’ny distrikan’Am­bo­asary any atsimon’ny Nosy ny sakafo avy amin’ny Pam entina hamatsiana ireo mponina efa reraky ny hanoanana any an-toerana. Miisa 70 000 ireo olona omena sakafo isan’andro ao anatin’ny kaominina fito ao anatin’izany distrikan’Amboasary izany. Anisan’ny misitraka ny sakafo entin’ny Pam ny kaominina Maromby, i Ranobe, i Elonty, i Tomboarivo, i Ma­ro­tsi­raka, i Mahabo ary i Tra­no­maro. Tokantrano miisa 14 000 ao anatin’ireo kaominina ireo no hizarana sakafo. Ahitana vehivavy bevohoka sy mampinono miisa 3 500 ary ankizy eo anelanelan’ny 6 ka hatramin’ny 23 volana tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mivaivay ny hahazo izany. Ity fanampiana vonjimaika entin’ny Pam any atsimo ity dia tohin’ny fanairana voarain’izy ireo indray hatramin’ny herinandro ambony iny. Efa mihatrana eny an-toerana ireo ekipa mpandrindra rehetra mitsinjara izany sakafo mi­tondra hery ho an’ireo mponina any Amboasary izany. Mitondra fanantenana sy hery ho an’ireo olona 70 000 any Amboasary, araka izany, ny fahatongavan’ny fanampi­a­na ary mifandraika amin’ny filana any an-toerana manolo­ana ny hamehana ara-tsakafo mihatra amin’ny mponina. Marihina fa nanomboka ny alatsinainy 19 oktobra, efa nisitraka sakafo mafana ara-pahasalamana mitondra hery ny mponina ao amin’ireo kaominina fito ireo. Any amin’ny fokontany Andavabazaha ko­sa, ankizy efa tena mahia sy reraky ny hanoanana noho ny tsy fahampian-tsakafo any an-toerana no nahazo hery indray rehefa notohanana sakafo. Rehefa nahazo fanairana ny Pam mikasika ireo ankizy marefo tanteraka ireo, nidina nijery haingana sy nitondra ny sakafo mitondra hery. Raha ny tatitra, mahia sy tsy ampy sakafo avokoa ny 41%-n’ny ankizy ao amin’ny kaominina 16 ao Amboasary ka anton’izao hamehana any atsimo izao.Tatiana AL’article Kaominina fito ao Amboasary: omena sakafo ireo olona 70 000 reraky ny hanoanana a été récupéré chez Newsmada.

Andro iadiana amin’ny lefakozatra : tokony hotohizana ny fanaovam-baksiny faobe
24/10/2020

Efa afaka tamin’ny valanaretina lefakozatra i Ma­da­ga­sikara, araka ny fanamarinana nomen’ny Sampan­dra­ha­rahan’ny Firenena mikambana (OMS), ny taona 2018, noho ny ezaka nataon’ny fi­ton­drana sy ny mpiray om­bon’antoka tamin’ny fanaovam-baksiny faobe nandritra ny taona maro. “Mbola ahitana ny “poliomyélite sauvage” kosa any Pakistan sy eny Afghanistan ka tokony mbola hitandrina hatrany ny rehetra ka hanohy ny fanaovam-baksiny miaro ny ankizy”, hoy ny mpikambana ao amin’ny Ro­tary. Mitaky volabe ny fividianana vaksiny sy ny fanetsehana ny mpiasa manao vaksiny amin’ny toerana maro, indrindra any amin’ny faritra lavitra. Mpiray ombon’antoka lehibe manampy amin’ny vola ampiasaina amin’ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra ny fikambanana Rotary maneran-tany. Miara-mikarakara hetsika hanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina lefakozatra, anio eny amin’ny Parvis Analakely, ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Ro­tary mandritra ny tontolo andro. Fandraisana ny tolo-tanana amin’ireo rehetra na­saina sy ireo malala-tanana ton­ga eny an-toerana no ho­tontosaina. Misy koa fampahafantarana ny ezaka vita vo­katry ny fifarimbonan’ny so­jakin’olona sy ny sampandraharaha maro.Vonjy A.L’article Andro iadiana amin’ny lefakozatra : tokony hotohizana ny fanaovam-baksiny faobe a été récupéré chez Newsmada.

Fiatrehana ny fifidianana loholona: tsy hokitihina intsony ny lisitry ny mpifidy…
29/10/2020

   Efa mipetrapetraka avokoa. Nambaran’ny mpampaka-teny eo anivon’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, omaly fa hofaranana ny 11 novambra izao ny lisitry ny mpifidy vaventy, hifidy ireo loholona.Noferana ho iray volana mialoha ny 11 desambra, hanatanterahana ny fifidianana izany. « Tsy azo kitihina intsony ny lisitry ny mpifidy, aorian’io daty io », hoy izy, teny Alarobia, omaly. Mialoha izany, hotanterahina ny zoma izao ny an-tsapaka amin’ny laharan’ny kandidà amin’ny bileta tokana sy ny eny amin’ny peta-drindrina. Eo koa ny ho filaharan’izy ireo amin’ny fampielezan-kevitra amin’ny haino aman-jerim-anjakana (TVM/RNM).Miandry tsikera ny CeniNanteriny fa mandala hatrany ny fisokafana sy ny mangarahara ny eo anivon’ny Ceni ka hisy ny sehatra ifampidinihana amin’ny alarobia 4 novambra ho avy izao. « Iarahana amin’ireo mpisehatra rehetra, ahitana ny kandidà izany, ifampizarana ny vaovao sy ny fanomanana rehetra amin’izany fifidianana izany. Andrasana koa ny tsikera samihafa  », hoy ihany izy. Hitohy any amin’ny distrika izany fifampizarana izany.Kandidà tokana, tsy misy mpifanandrinaTsiahivina fa miisa 14 ireo lisitra kandidà hifaninana amin’ity fifidianana ity. Miisa telo avy ny kandidà eto Antananarivo sy Antsiranana ary Toamasina. Roa avy kosa ireo kandida nirotsaka any Fianarantsoa sy Toliara ary iray, tsy manana mpifaninana ny kandidà any Mahajanga.Synèse R.L’article Fiatrehana ny fifidianana loholona: tsy hokitihina intsony ny lisitry ny mpifidy… a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa: hanome vatsim-pianarana ry zareo Bengalis
23/10/2020

Hiompana kokoa eo amin’ny fampianarana sy ny fanabeazana. Nihaona tamin’ny ambasadaoron’i Madagasikara atsy Maorisy, ny Jly Camille Vital, ny ambasadaoro ny Repoblika entim-bahoakan’i Bangladesh, tamin’ity herinandro ity. Notanterahina tany Nosy Maorisy izany fihaonana izany. Samy miasa sy monina ao an-toerana ny roa tonta.  Voaresaky ny andaniny sy ankilany ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Bangladesh. Anisan’izany ny hitondrana fampandrosoana amin’ny sehatra maromaro. Tafiditra ao anatin’izany ny lafiny fanomezana fiofanana ho an’ny mpampianatra. Eo koa fanoloran’izy ireo vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra ho mpitsabo eto amintsika. Manampy izany ny momba nyfiaraha-miasa eo amin’ny indostrian’ny fanenoman-damba, anisan’ny manavanana ny any Bangladesh ary mampivoatra ny toekaren’izy ireo.Tsiahivina fa any Azia ity firenena ity ary mifanolo-bodirindrina amin’i Birmania sy ny any Inde.Synèse R. L’article Fiaraha-miasa: hanome vatsim-pianarana ry zareo Bengalis a été récupéré chez Newsmada.

Hetsika RF2 sy ny Himo: nodiovina ny lakandrano hiatrehana ny fahavaratra
29/10/2020

 Mitohy ny asa fanadiovana eny anivon’ny fokontany, tanterahin’ny CUA ho fitsinjovana ny mponina sy ny tanàna, mialoha ny fahavaratra. Notanterahina tamin’ny alalan’ny asa tana-maro (Himo)  miaraka amin’ny RF2 ny dingana voalohany, natao amin’ny fokontany  IIIG Hangar sy ny eny Amboditsiry ary Manarintsoa Isotry. Nodiovina tamin’izany ny lakan-drano sy ny tatatra ary ireo faritra feno loto. Hifarana ny 31 oktobra izao izany raha nanomboka ny 21 oktobra teo. Hitohy amin’ny  fokontany hafa,  Andranomanalina Centre, Anatihazo Isotry, Anjezika II, AntetezanafovoanyII  ary 67 ha Avaratra Atsinanana ny hetsika.Tafiditra indrindra ao anatin’ny PIAA “Projet Intégré d’Assainissement d’Antananarivo “ sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny “Positive Planète” izao tetikasa izao.Etsy an-daniny, nanomboka omaly koa ny fampiofanana ireo RF2 momba ny teknika amin’ny fanentanana momba ny fehezam-pitsipika mikasika ny fikolompahasalamana (CMH). Notanterahina tetsy amin’ny BMH Isotry izany ka miisa 61 ny fitambaran’ireo fokontany  anaovan’ny “Positive Planète” ny tetikasa fanadiovana.Synèse R.L’article Hetsika RF2 sy ny Himo: nodiovina ny lakandrano hiatrehana ny fahavaratra a été récupéré chez Newsmada.

Eran-tany
24/10/2020

Nametraka laminasa mazava ny mpanjaka Mohamed VI any Maraoka, ho fanarenana ny toekarem-pirenena sy ho fiarovana ny sosialy noho ny Coronavirus. Manodidina ny 13 miliara dolara ny hiatrehana izany: antoka sahanin’ny fanjakana sy ny tahiry fampiasam-bola ho fampandrosoana fototra. Laharam-pahamehana ny fanarenana ny indostria, ny fanajariana ny sehatra tantanan’ny fanjakana, tahiry Mohamed VI ho fampiasam-bola. Ny fahitan’ny mpanjaka Mohamed VI any an-toerana ny fahasahiranan’ny mponina ny nahatonga azy nandray fepetra maro, indrindra ho fanarenana ny toekarena.Miara-tonga ny revolosiona indostrialy sy ny Corona­virus, manova zavatra betsaka eo amin’ny tontolon’ny asa, ny mpiasa sy ny mpampiasa. Manolo asa 85 tapitrisa mialoha ny 2025 ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny. Ampolo tapitrisa ny toeram-piasana voasolon’ny « robot ». Tsy araka ny niheverana azy fa ho haingana ny fandrosoan’ny fampiasana ireo fitaovana teknolojia samihafa noho ny fihanaky ny Covid-19, araka ny fanadihadiana isan-taona ataon’ny The Future of Jobs. Mivoatra haingana ankehitriny ny fampiasana milina any amin’ny toeram-piasana samihafa.Nihena 26,4 % ny fampiasam-bola ataon’ny vahiny any Tonozia nandritra ny sivy volana voalohany tamin’ ity taona ity, raha ampitahana ny tamin’ny 2019. Nihena avokoa ny seha-pamokarana rehetra any amin’ity firenena ity, avy amin’ny indostria vahiny sy ny tompon-tany. Anisan’ny tena misongadina ireo orinasa vahiny mpanodim-bokatra, ny sehatry ny fizahantany. Tojo fatiantoka avokoa ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) ka eo am-pamolavolana ny laminasa hanarenana izany izao ny governemanta tonizianina.Tsara toerana ny toekarena amerikanina maneran-tany ny taona 2012-2016, nitondran’ny filoha Barack Obama; mifanohitra tanteraka amin’izany ny fahitan’ny filoha Donald Trump azy. Koa nambaran’ny filoha ankehitriny ny mampiavaka azy: ady ara-barotra amin’i Sina, ny fampidinana hetra amin’ny ankapobeny, ny fanovana fomba fiasa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana… Talohan’ny Covid-19, efa nanomana politika entiny mandritra ny fampielezan-kevitra i Donald Trump koa nomaniny ny lafiny toekarena, nambarany fa « tsara indrindra hatramin’izay ».L’article Eran-tany a été récupéré chez Newsmada.