Fatra-paka tahaka: lany andro mitady dikan-teny ny Malagasy

News - Fatra-paka tahaka: lany andro mitady dikan-teny ny Malagasy

News - Fatra-paka tahaka: lany andro mitady dikan-teny ny Malagasy

… Satria voizina mafy
any ivelany ny fandikan-teny, roboka ihany koa ny Malagasy. Raisina
ho zava-dehibe ny momba azy io hany ka maro ny petatoko ao anatiny.
Mety hitarika any amin-javatra hafa mihitsy anefa
izay…

Efa tsy finiavana hampivelatra ny
teny malagasy irery intsony kosa ny manosika ny mpikaroka sasany fa
fahamaizana ny haka tahaka befahatany ny any ivelany. Lasa
laharam-pahamehana ho an-dry zareo ireo ny hampitovy ny teny
malagasy amin’ny teny vahiny. Anaran-javatra mipoitra avy any
ivelany, hezakezahina fatratra ny handika azy amin’ny teny
malagasy. Hany ka nogasigasina befahatany ny “radio” ka nanjary
“vata fandraisam-peo”, “vata fandefasam-peo”, “fampielezam-peo”,
sns. Teraka avy amin’izany ny “tantara filalao an’onjampeo”,
sns.

Rehefa avy manao fandikan-teny
petatoko tahaka izao ireto ampahana mpikaroka ireto dia miteny fa
“azo hnaporofoana fa velona sy miaina ny teny malagasy” io
voambolana na anarana vaovao io. Azo lazaina ho velona sy miaina ve
ny teny malagasy raha rakotra voambolana na anarana, sns, vaovao
kanefa tsy mifanaraka amin’ilay tondroina akory ireny
voka-pamoronana ireny?

Mahavariana fa
mitazam-potsiny ny hafa

Mateti-pitranga eo amin’ny
fandikan-teny eto Madagasikara ihany koa ny fipoiran’ny voambolana
vaovao avy any amin’ireo tsy mahafehy akory ilay sehatra. Ny
mahavariana anefa, toa mitazam-potsiny fa tsy mba manao fanitsiana
ireo izay tokony hanao izany. Misy aza moa, vao mainka indray
miventy isak’izay mahatsiahy ireny teny na voambolana petatoko
ireny. Hatramin’izao, mbola heno matetika any amin’ny radio,
ohatra, ny :“Araka ny teny baiko”, “hanatanteraka varavarana
misokatra”…

Lany fotoana sady lany rondoha no
lany vola aman-karena amin-javatra hamotika ny teny malagasy ireo
mpikaroka sy ireo miravaka diplaoma sasany. Ny hafa indray, voan’ny
fandraikiraikena ka tsy afaka na tsy sahy manitsy akory ireo
voambolana na teny vaovao sadasada. Ahoana ny mety hiafaran’ity
teny malagasy ity?

… Ireo mpikaroka vahiny no nilaza
fa “porofo hanamarinana fa velona sy miaina ny teny iray ny
fananany teny (voambolana, anarana…) vaovao”… Raha tsy mitandrina,
mety hitarika any amin’ny fahapotehan’ny teny malagasy tanteraka ny
tranga tahaka ireo satria hanamaivana ny lanja aman-kasin’ny teny
malagasy. Tsy zava-baovao io fa paikady napetraky ny vahiny hatry
ny ela.

HaRy
Razafindrakoto

Article tiré de Newsmada

L’article Fatra-paka tahaka: lany andro mitady dikan-teny ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 24/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Mahajanga: manodidina ny 23 000 ireo hisitraka ny Tosika fameno

Nandritra ny fitsidihan’ny solontenan’ny Pam ny governoran’ny faritra Boeny, omaly, no nahafantarana fa manodidina ny 23 000 ireo fianakaviana sahirana hisitraka ny Tosika fameno ao Mahajanga. Entina hiatrehana ny krizy sosialy ateraky ny valanaretina Covid-19 izany.Ireo olona misoratra mazava amin’ny fokontany sy manana kara-panondrom-pirenena ihany ny hahazo izany Tosika fameno izany. Tanjona ny fampanarahan-dalàna ny olona sy ny hanairana ny sainy hiditra amin’ny ara-dalàna amin’ny maha olom-pirenena feno.Hisy ny fanadihadiana ahafantarana marina ireo olona tena latsaka an-katerena toy ireo very asa tsy fidiny vokatry ny krizy fahasalamana. Hirotsaka an-tsehatra ireo mpianatry ny oniversite miisa 250 hitety ny fokontany 26 ao Mahajanga. Hiainga amin’ny antontanisa nataon’ny mpiasam-panjakana farany teo izy ireo ary hitety mihitsy trano hijery ireo tena marefo. Ankoatra ny Tosika fameno avy amin’ny Pam, nampanantena ny fanjakana fa ho avy tsy ho ela koa ny Vatsy tsinjo ho an’i Mahajanga.Tatiana AL’article Mahajanga: manodidina ny 23 000 ireo hisitraka ny Tosika fameno a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fibatana fonjamby: laharana voalohany ny atleta malagasy

Nanakoako indray ny taranja fibatana fonjamby taty amin’ny andiany faha-10 ny fifaninanana “Lalaon’ny Nosy”, aty amin’ny Nosy Maorisy. Medaly 47 be izao ny noraofin’izy ireo ka medaly volamena avokoa ny 24 amin’izany, norombahin’ireo kalaza toa an-dry Eric, i Tojo, i Vania, i Rosina sy ny maro hafa. Ankoatra izay, medaly volafotsy ny 19 ary nahazo medaly alimo isika. Nametraka ny firenentsika ho eo amin’ny laharana voalohany izany ka na efa tapitra tamin’ny alarobia teo aza ny fandraisan’ireo mpibata fonjamby malagasy, tsy hahatratra na hisongona antsika intsony ireo firenena hafa mpifanandrina. Mbola noporofoin’ny eo anivon’ity taranja ity fa sangany isika raha aty amin’ny ranomasimbe Indianina sy aty Afrika mihitsy. Mbola nampatsiahivin’ny filohan’ny federasiona, Randriamanarivo Harinelina, fa “tsy hoe manonofy fotsiny dia mahazo vokatra tsara toy izao fa misy asa sy ezaka be atao ao”, hoy izy vao tonga amin’izao, ary tsy ao anatin’ny volana vitsivitsy ny ahazoana izany fa an-taony maro ny hanomanana ny fahombiazana toy izao. Tsy afa-misaraka amin’izany fahombiazana izany koa, hoy hatrany ity filohan’ny FMHMC ity, ny mpitondra fanjakana, nitondrany fisaorana hatrany amin’ny fanohanana ny mpanao fanatanjahantena hatreto ka nahatonga izao fahombiazana izao. Mi.Raz L’article Fibatana fonjamby: laharana voalohany ny atleta malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Delire Madagascar

« COUPE DE LA CONFEDERATION SY LIGUE DES CHAMPIONS »: Ho mafy ny lalao miverina

Tsy gaga tamin’ny vokatra nitranga teo Mahamasina iny ny mpanazatra an’i Deportivo Unidad avy atsy Guinée Equatorial.  « Reraka izahay satria iray andro mialoha ny lalao izahay vao tonga sady 15 ora no nanaovana ny dia ». Ho henjana ny lalao miverina satria tsy nahatafavoaka ny tena lalao ireto vahiny ireto na dia izy ireo aza no nampiditra ny baolina voalohany vao 6 minitra monaja tamin’ny penalty izay nodakan’i Julio . 4 minitra tao aorian’io baolina tafiditry ny vahiny io dia nahasahala ny isa ny Elgeco Plus tamin’ny alalan’i Nesta. Marihana fa baolina roa ny tafiditr’i Nesta tany amin’ny ministra 54. Teo alohan’io baolina io no nahatafiditra ny faharoa i Bila 5 minitra ny fidirana faharoa.  Nanambara kosa anefa ny  ny kapiteny Raveloarisona Erdino, na i Dino fa niezaka nitady baolina fahefatra mba hisian’ny elanelan’isa betsaka kanefa na izany aza ilaina ny fifehezana ny lalao. Na eo aza ny fanehoan-kevitry ny vahiny dia manana tombony sy herijika hiakarana amin’ny dingana manaraka ny Elgeco Plus. « Hiezaka ireo mpilalao ireo any amin’ny lalao miverina ary manantena fa ho tafakatra amin’ny dingana manaraka », hoy ny filohan’ny Elgeco plus, Alfred Randriamanampisoa. Nanome toky ireo ao amin’ny « comité d’organisation » hijery manokana ny mety azo hanampiana ny fandratoana ny lalao miverina any Guinée équatorial satria mavesatra ny saran-dalana sy ny fivahinianana any. Apetraka amin’ny mpanazatra kosa ireo mpilalao ho entina any an-toerana. Mangataka amin’ny  mahalala tanana rehetra  mba hanampy izay azo atao ary mino ity filohan’ny Elgeco plus ity fa ho avy izy ireo noho ny fandresena azontsika teo iny. Ho mafy ihany koa ny lalao miverina ataon’i Cnaps sport any Zimbabwe satria nisaraka 1 sy 1 ny lalao nihaonany tamin’i Platinum. 64 minitra no nahatafiditra ny baolina voalohany ny Cnaps Sport, penalty nodakan’i Ando. Tsy ela fa 6 minitra monja tao aorian’io dia nahatafiditra ny Zimbabwe tamin’ny alalan’i Edwin. Nirina R. Cet article « COUPE DE LA CONFEDERATION SY LIGUE DES CHAMPIONS »: Ho mafy ny lalao miverina est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Kitra vehivavy – «Cosafa cup»: mila resena i Afrika Atsimo

Ho fantatra, anio, ny ho tohin’ny lalan’ny ekipam-pirenena malagasy vehivavy, eo amn’ny fiadiana ny “Cosafa cup”, taranja baolina kitra. Fihaonana, tanterahina atsy Afrika Atsimo.  Hiendrika famaranana kely ity andro fahatelo sady farany amin’ny fifanintsanana, ho an’ny sokajy A, misy an’i Madagasikara, ity. Mila mandresy an’i Afrika Atsimo, mpampiantrano, ny Malagasy, raha te hiatrika ny manasa-dalana. Ry zareo Afrikanina Tatsimo izay efa manana isa 6 taorian’ny fandresena indroa azony, nanoloana an’i Kaomoro sy i Malawi.Raha tsiahivina, fandresena iray, teo anatrehan’i Kaomoro, sy faharesena iray, tamin’i Malawi, ny vokatra azon’i Madagasikara. Manana isa 3, araka izany, ny Malagasy, izay mitovy isa amin’i Malawi. Raha vao mandresy an’i Kaomoro kosa anefa izy ireo, efa tafita avy hatrany satria efa nandresy ny Malagasy. Raha resy kosa na manao ady sahala, mandeha ny fanisana ny “goal average”. Tsy azon-dry Christina sy ny namany atao, araka izany, ny hamela ny Afrikanina Tatsimo hamono baolina. Sarotra, saingy azo atao tsara ny mandresy, raha misy ny fahavononan’ny tsirairay. Tompondaka L’article Kitra vehivavy – «Cosafa cup»: mila resena i Afrika Atsimo a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - Ao Raha

KITRA – AMBOARAN’NY CAF :: Hisedra lalao iraisam-pirenena voalohany ho azy i Robson Hubert

Hitsapa lalao iraisam-pirenena voalohany, amin’ny maha mpanazatra tompon-toerana azy, i Robson Hubert na i Bob, mpanazatra ny ekipan’ny Elgeco Plus, anio, eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Hatramin’izay dia mpilalao sy mpanazatra mpanampy izy no niatrika fifaninanana iraisam-pirenena. “Efa mpanazatra mpanampy aho teo aloha. Nandraisako lesona izany. Nisy ihany koa fotoana nandalovan’i Nicolas Dupuis tamin’ny fanazarantena nataonay ka nifampiresaka izahay. Tamin’io fotoana io no nanohanany ahy ara-moraly », hoy i Robson Hubert, mpanazatra ny Elgeco Plus. Hifanandrina amin’ny ekipan’ny Deportivo Unidad avy any Guinée Equatoriale izy ireo, anio, eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Tafiditra ao anatin’ny fihodinana voalohany eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanina izany. “Tanjonay ny handresy amin’ny isa maromaro. Niompana tanteraka tamin’ny fanafihana ny fanomanan-tenanay saingy tsy natao ambanin-javatra ny fiarovan-tena”, hoy hatrany i Robson Hubert. L’article KITRA – AMBOARAN’NY CAF :: Hisedra lalao iraisam-pirenena voalohany ho azy i Robson Hubert est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fahatongavan’ny papa François: hanolotra seho goavana ireo “Kintan’i Gasikara”

“Mpamafy fiadanana sy fanantenana, miaraka amin’ny papa François”. Io ny lohahevitra voizina amin’izao ankatoky ny fitsidihan’ny papa ray masina eto Madagasikara izao. Ho fanomanana izany fotoan-dehibe izany, hisy ny seho goavana hatolotr’ireo mpanakanto kazala ampolony maro, hotontosaina etsy amin’ny Coliseum, ny alahady 28 jolay izao manomboka amin’ny 11 ora antoandro. “Kintan’i Gasikara” ny anarana nampisalorana ireo mpanakanto satria samy mamiratra maromaro izy ireo no hifandimby sehatra amin’io. Anisan’izany ireo hita anatin’ilay rakitsarin’ny hira faneva, toy ny tarika Ny Ainga, i Jaojoby, i Dah-Mama, i Bakomanga, i Simonda, i Farakely, ary i Théo Rakotovao. Eo koa ireo kalaza toa an-dry Stéphanie, i Samoëla, i Firmin, i Odyai, i Rak Roots, i Tsiliva, i Ventsonkira, i Marion, i Haga, sns. Hamarana ny fotoana ny tarika Rossy, izay efa nanomana ireo hira voarakitra ao anatin’ny fihirana katolika, hiaraha-miredona amin’ity fotoan-dehibe ity. Zo ny Aina L’article Fahatongavan’ny papa François: hanolotra seho goavana ireo “Kintan’i Gasikara” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy tomombana ny milina ao Andelakela: tratry ny fahirano Antananarivo sy ny manodidina

Mitohy ny fahatapahan-drano eto Antananarivo, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Nimenomenona ny olona fa tsy nahazo rano na ireo manana famatsin-drano ao an-trano na ireo mampiasa ny paompy iraisana. Lasa olana iraisan’ny vahoaka eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ny tsy fisian-drano tao anatin’ny herinandro maromaro ka manakorontana ny fiainana andavanandro mihitsy. Anisan’ny niharan’ny fahatapahana ny teny Mahazo, Amboanjobe, Andoharanofotsy… Teny Amboanjobe (RN 7), efa ho telo andro no tapaka ny rano ary tsy mbola niverina, hatramin’ny omaly. Tsy maintsy mitady vahaolana amin’ny mpiray monina manana lava-drano na koa mandeha mantsaka lavitra. Mitombo ny vola mivoaka amin’ny isan-tokantrano amin’ny fividianana rano satria mila manomana hatramin’ny 10 000 Ar karaman’ny mpantsaka sy ny vidin-drano.Nanome vahaolana amin’ny fizaran-drano amin’ny kamiaobe ny Jirama ho an’ny fokontany maromaro voakasika. Misy ireo mponina nanambara fa tsy nahita  ny fizaran-drano mitety vohitra hatramin’izao.Nanamafy ny Jirama fa misy fikorontanana ny famatsiana rano amin’ny toerana maro eto Antananarivo noho ny tsy fahampian’ny tanjaka herinaratra ilain’ny tobim-pamokarana rano eny Mandroseza. Vokatry ny tsy fahatomombanan’ny milina mpamokatra herinaratra avy ao Andekaleka. Efa mamerina izany ny teknisianin’ny Jirama ka hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana rano aorian’izay. Mandra-piandry izany, sahirana ny vahoaka satria aina ny rano. Nisy ny fivoriana niarahan’ny minisitry ny Rano sy ny mpiasan’ny Jirama nijerena ny vahaolana momba ity fahatapahan-drano faobe ity.Vonjy A. L’article Tsy tomombana ny milina ao Andelakela: tratry ny fahirano Antananarivo sy ny manodidina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ampefy, Soavinandriana: nametrahan’ny Japoney milina fanadiovan-drano

Migoka rano voadio amin’ny toerana iray tantanin’ny kaominina ny mponina amin’ny vidiny sahaza azy ireo. Izay ny vokatry ny fanohanan’ny fanjakana japoney, notokanana omaly any Ampefy, distrikan’i Soavinandriana, faritra Itasy. Mihena ny fandaniana amin’ny fampiasana izany milina fanadiovan-drano izany noho ny angovo avy amin’ny masoandro mampihodina azy.« Fanatsarana fahazoana rano fisotro madio”, ny anaran’ny tetikasa vatsin’ny fitondram-panjakana japoney vola, nankatoavina tany Tokyo ny 5 desambra 2017. Mitentina roa tapitrisa dolara izany tetikasa izany, ka ankoatra ny faritra Itasy, hita ihany koa izany any Vakinankaratra, Betsiboka, Bongolava, ary Matsiatra Ambony. Tsy ritra ny rano any amin’ireo faritra ireo, saingy mila fanadiovana hisorohana ny aretina. Atahorana hisy fiantraikany izany, any amin’ny ankizy sy ny mponina amin’ny ankapobeny.Ao anatin’ny laminasan’ny minisitera misahana ny rano izany ka ny “fanomezana rano madio tsy mijanona fotsiny amin’ny famatsiana azy fa azo atao tsara ny manatsara izany hatrany ho an’ny rehetra, indrindra ireo mijaly. Izay rahateo no fomba iray mampihena ny aretina sy tsy hisian’ny areti-mifindra », hoy ny minisitra, Andriamanga Vonjy. R.MathieuL’article Ampefy, Soavinandriana: nametrahan’ny Japoney milina fanadiovan-drano a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

«  Etablissement Agréé par l’Etat… »: aoka tsy hatao bambaray… Mila jerena manokana ny zavakanto malagasy

Ilaina ny manara-drafitra. Ilaina ny mivelatra eo amin’ny sehatra lehibe kokoa hatrany. Raha eo amin’ny fampianarana ankapobeny sy teknika, azo lazaina fa efa mipetraka ihany izay rafitra izay. Ho an’ny fampianarana kolontsaina sy zavakanto kosa mbola tena marisarisa sy tsy mbola misongadina loatra ny fananana mazava io rafitra io…Na mbola somary vitsy aza, manomboka miorina tsikelikely eto an-drenivohitra ireo sekoly fianarana zavakanto ambara fa nahazo fankatoavana tamin’ny fanjakana na ny fisiany na ny diplaoma omeny (Etablissement agréé par l’Etat – Diplômes reconnus par la Fonction Publique). Saika sekoly ambaratonga ambony ny ankamaroan’izy ireny. Endrika iray mana-porofo fa mihamivelatra lehibe kokoa hatrany ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto eto Madagasikara. Matoa azo ny fankatoavana tahaka io, manaraka ny fenitra takina ho amin’izany ilay toerana fampianarana (fotodrafitrasa, mpampianatra, fandaharam-pianarana, sns). Faharoa, manana rafitra mazava afaka mankato izany ihany koa ny fanjakana.Tsy tokony hatao bambaray anefa ny zava-misy sy iainan’ny kolontsaina rehetra fa misy tokony  hodinihina akaiky kokoa ny amin’izy ireny. Manana ny zavakanto sy ny kolontsaina mampiavaka azy ny Malagasy. Efa misy ny mampianatra azy ireny. Anisan’izany ny kabary,  ny valiha, ny fanorona, ny fahaiza-mihira (firafitry ny hira sy feo malagasy), ny katro, ny raokandro,  ny fanandroana, ny sikidy, ny fomba amam-panao, sns. Mila rafitra manokana izy ireny mba hahazo fankatoavana amin’ny fanjakana ny fisian’ilay toerana fampianarana sy ny diplaoma omeny. Tsy tokony hatsofotsofoka any anatina toeram-pampianarana mozika lazaina fa « agréé par l’Etat » fotsiny, ohatra, ny fianarana valiha na sodina ka lazaina fa manana diplaoma ankatoavin’ny fanjakana izay mpianatra avoakan’ireny sekoly ireny.Omeo lanja sy hasina ny MalagasyMila rafitra hafa mihitsy hoenti-mankato azy ireny. Tsy sarotra ny manao izany. Rafitra izay hampitodika, na ny Malagasy na ny vahiny any amin’ireny kolontsaina sy zavakanto ireny ka hampisongadina indray ny lanja aman-kasin’ny Malagasy sy i Madagasikara. Tsy olona zara fa mahay mitsoka vava tavoahangy akory no hanome diplaoma ankatoavin’ny fanjakana ho an’ny mpitsoka sodina. Tsy ny mpampianatra valiha tsy mahay akory ireo karazana « velombaliha » no hanome mari-pahaizana ankatoavin’ny fanjakana ny mpianatra nianatra tao aminy satria lazaina fa « agréé par l’Etat » ilay toeram-pampianarana iasany.Omeo lanja sy hasina ny Malagasy. Mila ankatoavin’ny fanjakana ny fahaizan’ny Malagasy ny zavakantony. An’ny Malagasy ny fanorona, ny katro, ny valiha, ny sokela, ny kabary, ny beko, sns, mila ankatoavin’ny fanjakana ireny ary hampahafantariny maneran-tany ny fisiany.… Tsy azo hadinoina fa ilay firoboroboana tafahoatra teo amin’itony antsoina hoe « Etablissemnent agréé par l’Etat » itony no anisan’ny nampihen-danja ny diplaoma sy ny fari-pahaizan’ny mpianatra raha eo amin’ny fianarana ankapobeny. Aleo misoroka toy izay mitsabo mba tsy hianaka any amin’ny fampianarana zavakanto sy kolontsaina malagasy ny tranga tahaka io.Ilaina ny manara-drafitra. Apetrao io rafitra io. Tsy vitan’ny olon-tokana ny fametrahana izany. Ny tsy azo lavina anefa, an’ny Malagasy ireny zavakanto ireny, noho izany,  ny Malagasy no tokony hisikim-ponitra amin’ny fanasoavana ny azy !HaRy Razafindrakoto L’article «  Etablissement Agréé par l’Etat… »: aoka tsy hatao bambaray… Mila jerena manokana ny zavakanto malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lapan’i Mahazoarivo: noderain’ny ambasadaoro frantsay ny Praiminisitra Ntsay C.

Noraisin’ny Praiminisitra  Ntsay Christian  teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo, omaly  ny  ambasadaoro frantsay, niasa sy nonina teto Madagasikara, Veronique Vouland- Aneini. Voaresaka  ny fiaraha-miasan’ny firenena roa  tonta sy  ny ezaka nataon’ny lehiben’ny governemanta.Narahabain’ny ambasadaoro ny praiminisitra tamin’ny andraikitra sy ny adidy lehibe notazoniny ary niantsorohany, tamin’ny taona 2018, tamin’ireny fotoan’ny krizy politika  teto amin’ny firenena  ireny. « Fotoana nilana fandraisana fanapahan-kevitra hentitra  ireny ka nahafahan’ny firenena niatrika izany fotoan-tsarotra izany ny fepetra noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian »,  hoy  izy  tamin’izao fihaonana izao. Fotoana  koa io nametrahany  veloma ny lehiben’ny governemanta noho ny fahataperan’ny fe-potoana niasany teto amintsika.Nambaran’ity masoivoho ity ihany koa fa maro ny tranga, nanamarika azy nandritra ny efatra taona niasany teto Madagasikara. Anisan’izany ny fihaonana an-tampon’ny firenena miteny frantsay, noraisina teto Antananarivo, nampiseho taratra ny fahombiazan’ny diplaomasia malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. « Teo ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Frantsa tamin’ny ady amin’ny fipariahan’ny valanaretina samihafa… »,  hoy ihany izy.Nanafatrafatra ny ambasadaoro Veronique Vouland- AneiniTsiahivina fa anisan’ny lahateny nambaran’ity masoivoho Frantsay  ity, farany teo, tamin’ny  fanamarihana ny fetim-pireneny, ny 14 jolay teo teny Ivandry ny resaka politika. « Teo  ny fihetsika matotra nasehon’ny mpanao  politika  niray hina tao anatin’ny  fotoana manokana tamin’ny fianianan’ny filoha Rajoelina, ny 19 janoary  teo. Teo koa ny fihaonan’ny filoha roa tonta :  Emmanuel Macron sy Rajoelina  Andry, ny  volana mey teo tany Frantsa », hoy izy tamin’izany ». Natsidiny sahady koa fa hatsangana ny komity iraisana hitady vahaolana amin’ny ireo resaka mampifanolana… Anisan’ny nangatahan’ny ambasadaoro ary hafatra napetrany  ny tokony hiarovana ny olona sy ny fananany, manoloana ny  asan-jiolahy.  Ny fiarovana ny harena an-dranomasina. Ny hifehezana ny mpitandro filaminana manaraka ny fitsipi-pitondran-tena.Synèse R.  L’article Lapan’i Mahazoarivo: noderain’ny ambasadaoro frantsay ny Praiminisitra Ntsay C. a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Fizahantany anatiny: dia an-tongotra 182 km
23/10/2020

 Afa-tsy ny any Nosy Be, tsy misy ny mpizahatany vahiny tonga aty Madagasikara, satria tsy misokatra ny sidina ana habakabaka avy any ivelany mankaty Madagasikara. Manoloana izany, nametraka paikady vaovao sady miavaka ny fanjakana, hampiroboroboana ny fizahantany ato anatiny. Iarahan’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro (MTTM), sy ny Ofisim-paritry ny fizahantany Analamanga (Ortana) manatontosa ny hetsika  “Ultra Trek des collines sacrées”. Fifaninanana dia an-tongotra lavitra ezaka (randonnée), hitetezana ny tendrombohitra masina manan-tantara eto Analamanga, hatao ny 20, ny 21 ary ny 22 novambra ho avy izao. Mitotaly 182 km ity fifaninanana ity, ahitana dingana efatra. Nampahafantatra izany, omaly, ny tale jeneraly (DG), ny MTTM, Ratokoniaina Yves, sy ny tale mpanatanteraka (DE) ny Ortana, Razafinavalona Harimisa.Manan-daza iraisam-pirenenaTanjona ny hanomezana tolotra vaovao ny mpanjifa, hampahantarana bebe kokoa an’i Madagasikara sy ny ao anatiny, toy izao hatao eto Analamanga izao. Taorian’ny fanadihadiana mantsy, tsikaritra fa misy ireo tendrombohitra masina sady manan-tantara sy malaza ka tokony homen-danja. Tsy eto an-toerana ihany fa na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena aza, toa ny Rovan’Ambohimanga, vakoka iraisam-pirenena Unesco.Tsiahivina fa efa nahavita namaritra sori-dalana azo tsidihina mahatratra 700 km ny Ortana, tato anatin’ny 10 taona farany. Sori-dalana mitety kaominina maro ato anatin’ny faritra Analamanga. Efa nametrahana marika manokana amantarana an’Analamanga amin’ireo sori-dalana ireo, manaraka ny fenitra eoropeanina sy ny federasiona frantsay ho an’ny dia an-tongotra lavitra ezaka, hanamora ny fanarahan’ny mpifaninana azy.Njaka A.L’article Fizahantany anatiny: dia an-tongotra 182 km a été récupéré chez Newsmada.

Mba mila mahay mankasitraka koa !
29/10/2020

Tena ilaina ny kiana ! Tsy manana mari-pandrefesana ny mety na tsy mety hataony ny mpitondra raha tsy misy ny mpanohitra. Tsy voatery resa-politika, fa na ny kiana hanatsaran-javatra avy amin’ny vahoaka aza, ilaina dia ilaina tokoa. Any amin’ny firenen-kafa, ampirisihina mihitsy izay manan-ko lazaina mba hiteny izany fa tsy kobonkobonina irery any. Izay mahita ny tsy mety, ny tsy rariny, ny tsy ara-dalàna indrindra indrindra, tokony hahasahy hijoro miteny sy manohana ny heviny. Antoky ny demokrasia rahateo ny fahafaha-miteny. Azo lazaina fa malalaka tsara ny fitenenana, ny fanakianana, ny fanehoan-kevitra mifanohitra amin’ny an’ny mpitondra eto Madagasikara. Mazava loatra fa tsy maintsy misy ny hiteny hoe tratran’ny teritery sy fanampenam-bava. Tsy tao anatin’ny ara-dalàna mantsy ireny. Raha fanehoan-kevitra an-kalamanjana misy famoriana vahoaka, mila fahazoan-dalana, mazava loatra. Raha fanehoan-kevitra amin’ny tambajotran-tserasera, tsy tokony hivaona mankany amin’ny fandrisihana amin’ny fankahalana, na sanatria mankany amin’ny fanakorontanana. Fa mba ilaina ihany koa ny fankasitrahana… Tsy voatery hanakiana izay hataon’ny mpitondra foana ny mpanohitra. Zony tanteraka, ary mariky ny fifanajana anatin’ny tsy fitovian-kevitra koa ny fankasitrahana. Raha toa moa tanteraka ny faniriana, izay nangatahin’ny mpanohitra, dia hangina fotsiny ve? Fahalalam-pomba kely sy bitika indrindra ny misaotra, na dia hitady izay hirika hahafaha-manakiana indray aza? Tsy ny lafiny politika politisianina ihany… Mavaivay mihitsy ny kiana, mafonja ny fangatahana ary malaky mampiaka-peo ny vahoaka, rehefa misy tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy any anaty fiarahamonina any, toy ny fotodrafitrasa tsy zarizary, ny fampanantenana tsy vita, ny velirano tsy tontosa, sns. Fa raha misy kosa ny tombontsoa iombonana, mahafa-pahasahiranana, mitondra fandrosoana amin’ny maha olona sy ara-toekarena, angamba tsy fahadisoana ny mankasitraka. Ny tena zava-dehibe tsara afantsika ao an-tsaina: tsy voatery mpomba vao mankasitraka ary tsy mpanohitra ihany vao manakiana. Raha mahay mandanjalanja izay, tsy misy ady saritaka na tsy mitovy fironan-kevitra aza ny anaty fiarahamonina iray. Eny, misy ary azo atao tsara izany.Zo ny Aina RandriatsiresyL’article Mba mila mahay mankasitraka koa ! a été récupéré chez Newsmada.

Toetry ny andro: maina sy mafana eto afovoan-tany
26/10/2020

Maina ny andro eto afovoan-tany amin’ny ankapobeny ary hiakatra ny maripana ambony (28°C) indrindra fa ny alarobia no ahitana fidinany (26°C) izany, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Nanjaka ny orana ho an’ny tapany atsimo, ny faran’ny herinandro, nahazo izany avokoa ny atitany sy ny morontsiraka ary nirefy 30 mm ny rotsak’orana tany an-toerana. Nitohy, omaly, ny orana ho an’ny atitany any atsimo entin’ny atmosfera tsy marim-toerana. Eto Antananarivo kosa, alina no hotombanana hirotsaka ny orana. Manao volon’andro manjombona tanik’orana matetika fa tsy mahalatsaka satria tsy feno ny fepetra. Raha tazanina lavitra, rakotra setroka manjavona ny Renivohitra izay tsy misava mihitsy mandritra ny tontolo andro. Tsioka atsimo-atsinanana kosa ny hanjaka amin’ny ilany Atsinanana sy ny tapany avaratry ny Nosy.Vonjy L’article Toetry ny andro: maina sy mafana eto afovoan-tany a été récupéré chez Newsmada.

Kolontsaina sy fialamboly: hanatanteraka “Samdi full” ny Tiagasy
27/10/2020

 Asabotsy faran’ny volana… Maro ny seho isan-karazany amin’io faran’ny herinandro io. Anisan’izany ny “Samdi Full,” hotanterahina etsy amin’ny Espace Fitiavana & Fialamboly Ambatomirahavavy RN1, ny asabotsy 31oktobra 2020 tontolo andro. Ho hita eny avokoa ny karazana fialamboly mifono kolontsaina hanalana ny sorisorin-tsaina nandritra izay volana izay, indrindra amin’izao fisokafan’ny hamehana ara-pahasalamana izao, raha ny filazan’ny tompon’andraikitra.Anisan’izany ny tontolon’ny filalaovana gitara, ny “karaoke live”, ny fanentanana sy ny fampandihizana tahaka ny “animation DJ”, sns. Eo ihany koa ny tontolon’ny fanatanjahantena toy ny basikety, ny tsipy kanetibe… Misy toeram-pilalaovana ho an’ny ankizy toy ny “château gonflable”, ny “trampoline”… Ny alina, hisy ny “soirée Halloween” sy ny “maquillage artistique” iarahana amin’ny Bis’art Design Studio.“Samdi full”, hetsika karakarain’ny Tiagasy, fikambanana ray aman-dreny sy tanora vitsivitsy misehatra amin’ny fifampitsimbinana sy ny soatoavina fifanampiana amin’ny samy Malagasy. Tanjon’izy ireo ny hanampy tsikelikely ireo ankizy sahirana amin’ny fampianarana, ny fitsaboana, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fitafy sns.NarilalaL’article Kolontsaina sy fialamboly: hanatanteraka “Samdi full” ny Tiagasy a été récupéré chez Newsmada.

Taratry ny kanto
23/10/2020

Big Mj – Jaos’PubMpihira manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny vazo malagasy i Big MJ, indrindra ny mozika mafana. Hitondra ny “Manala vita bacc” ao amin’ny Jaos’Pub Ambohipo ny lehilahy, anio zoma hariva 23 oktobra. Lohahevitry ny seho ny “Nuit blanche”.Bigy Bandy – Piment CaféHitondra ny “Kalaza Night” etsy amin’ny Piment Café ny Bigy Bandy, rahampitso asabotsy 24 oktobra 2020, manomboka amin’ny 5 ora hariva. Fiaraha-miasa amin’ny Ray Event Creators-Rec izy ity. Hovazoina ao avokoa ireo hira avy eto an-toerana sy ny vahiny manana ny hanitra ho azy eo amin’ny tontolon’ny mozika. Mpanao mozika efatra manana ny maha izy azy izy ireo.Arohim – Lapa RN7 Soanierana“Mozik’hehy” ny hoentin-dry Arohim etsy amin’ny Lapa RN7 Soanierana, rahampitso 24 oktobra manomboka amin’ny 4 ora hariva. Seho miresaka “pour” ou “contre” ny lohahevitra amin’izany. Fantatra fa natao ho an’ny olona mihoatra ny 18 taona no ho miakatra izy ity. Anisan’ny hanafana izany i Faniry Fitiavana, ankoatra ny “animation DJ”.Atounah – Facebook sy You TubeMivoaka, anio zoma 23 oktobra 2020, ny rindrantsary “clip” “Mahaiza mifoha” an’i Atounah, mivoy ny gadona Rap. Hira miresaka ny tontolo manodidina sy ny fiarahamonina izany. Efa niangaliana fatratra ny pitsompitsony rehefa mialoha ny namoahana azy io, ary efa azon’ny rehetra ankafizina amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera “facebook” sy “you tube” izany.Valiha Académie – Hiditra amin’ny dingana lalindalina kokoaTontosa ny fampitam-pahalalana ho an’ireo hampianatra momba ny valiha sy ny tontolony, eo anivon’ny foibe fikarohana sy fampianarana Valiha Académie. Efa nirosohan’ireto mpianatra ho mpampianatra ireto ihany koa ny fizarana asa. Manomboka rahampitso, hiditra amin’ny dingan’ny fanehoana ny fikarohany manokana eo anatrehan’ny mpianatra izy ireo. Ankoatra ny asa niombonana, nomena safidy malalaka ireto mpiofana ho mpampianatra ireto ny amin’ny lohahevitry ny fikarohana nataony.Nangonin’i Narilala sy HaRy Razafindrakoto L’article Taratry ny kanto a été récupéré chez Newsmada.

Hetsiky ny minisiteran’ny Tanora: nahazo tohana ireo mpanodina ny baobab ho « confiture »
26/10/2020

Nahazo tohana avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ireo tanora mpikambana ao amin’ny Centre des jeunes – Les Heritiers du Sud Ambovombe hanatsarana ny seha-pihariana ataon’izay ireo. Miasa manodina ny raketa mena, ny baobab sy ny kily ho « confiture » izy ireo. Manamboatra savony koa sady mandrary ho fampiroboroboana ny fizakantenan’ny tanora any amin’iny faritra iny. Tsy ampy fitaovana iasana izy ireo, tamin’ny fidinana ifotony nataon’ny tompon’andraikitra tany an-toerana. Manam-piniavana hivoatra sy hivelatra bebe kokoa anefa ireto tanora ireto ka antony nanomezan’ny minisiteran’ny Tanora tosika azy ireo. Mamaly tanteraka ny fandaharanasa “Pole-emploi jeune », mamolavola ireo taninketsan’ny tanora mpandraharaha rahateo izany.Tanora miisa 370 efa vononaTsiahivina fa nanolotra tetikasa ny ivontoerana mpanabe tanora “Fille de la charité” miompana amin’ny fanodinana vokatra taretra, tamin’ny fandalovan’ny filoha Rajoelina Andry sy ny minisitra Tinoka Roberto tany Tsihombe farany teo. Mety amin’ny toe-tany ao Androy ny vokatra taretra ary maro ny asa tanana azo avy amin’izany. Tafiditra indrindra ao anatin’ny programanasa “Pole-emploi jeune” izany. Hanome tosika ireo tanora miisa 370, efa vonona ny hamboly taretra amin’ny velaran-tany 35 ha ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Hapetraka ao an-toerana ihany koa ny “Unité de transformation” hanodinana izany vokatra taretra izany.Synèse R.L’article Hetsiky ny minisiteran’ny Tanora: nahazo tohana ireo mpanodina ny baobab ho « confiture » a été récupéré chez Newsmada.

Fanambadian’ny mitovy fananahana :: Naboraky ny kardinaly Tsarahazana Désiré ny fandisoana ny hevitry ny Papa
27/10/2020

Nodisoin’ny fiombonamben’ny Eglizy Katôlika Romana eto Madagasikara ny fampielezam-baovao manambara ny « faneken’ny Papa François ny mariazy arapanjakana eo amin’ireo olona mitovy fananahana». Nampahafantarin’ny Kardinaly Tsarahazana Désiré tao anatin’ny fanambarana novakiany, omaly, fa « niharan’ny famitahana avo lenta ny Papa François (…) satria tsy mbola nanao fanehoan-kevitra vaovao momba ny fanambadiana eo amin’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ny Papa Ray Masina ». Horonantsary ir ay nataon’ilay mpanao gazety rosiana, Evgeny Afineevsky, izay naseho tany Roma, tamin’ny 21 oktobra 2020, nampitondrainy ny lohateny « Franchesco » no fototra niteraka ny resabe tamin’ireo haino aman-jery sy tranonkalam-pifandraisana, ka nilaza ny faneken’ny Papa François ny fanambadiana sivily eo amin’ireo mitovy fananahana. « Tsy marina velively izany. Navadik’ilay mpanao gazety araka izay nitiavany azy ny fanehoan-kevitry ny Papa François momba ny fanambadian’ireo olona mitovy fananahana », hoy ny Kardinaly Tsarahazana Désiré. Tafatafa nataona mpanao gazety meksikana, Valentina Alazraki, teny ambony fiaramanidina tamin’ny fiteny Espanôla, 18 volana lasa izay, no notapatapahina sy nalain’io mpanao gazety rosiana io ka nampidirina tao anatin’ny horonantsary fanadihadiana nataony. Iraika amby roapolo segaondra monja ny faharetan’ny resaky ny Papa François tao anatin’ilay fanadihadiana. Antso fitoniana « Notapatapahina ary natambatra mba hoentina hanaporofoana ny faneken’ny Papa ny fanambadiana sivily eo amin’ny lahy sy ny lahy ary ny vavy samy vavy, avy eo. Niniana nodisoina mihitsy ny dikan-teny nanazavana an’io fanehoan-kevitr’io », araka ny fanampim-panazavan’ny kardinaly Tsarahazana Désiré. « Aoka isika ho tony sy tsy ho tafintohina satria tsy misy velively ny fanekena ny fanambadiana sivily eo amin’ ireo olona mitovy fananahana. Hamafiso hatrany ny finoantsika », hoy ny toromariky ny Kardinaly, omaly. Nampahafantariny ny fisian’ny fanazavana amin’ny antsipiriany amin’ny fomba ofisialy mikasika ny fanambadiana, tsy ho ela, izay hataon’ny fiombonamben’ireo Eveka katôlika eto amintsika. L’article Fanambadian’ny mitovy fananahana :: Naboraky ny kardinaly Tsarahazana Désiré ny fandisoana ny hevitry ny Papa est apparu en premier sur AoRaha.

Taksiborosy: tsy ampiasaina ny seza afovoany
28/10/2020

 Tsy miova ny fepetra mikasika ny isan’ny mpandeha any anatin’ny taksiborosy sy ny taxi-be, na foana aza hamehana ara-pahasalamana. Nohamafisin’ny minisiteran’ny Fitaterana fa tsy azo atao ny manisy mpandeha eo anilan’ny mpamily fa iray ihany. Toraka izany koa, tsy azo atao ny manisy mpandeha eo afovoan’ny seza (strapotin). Ho mafy kokoa ny fanaraha-mason’ny fanjakana sy ny mpitandro filaminana ary ny tompon’andraikitry ny kaoperativa manoloana ireo voalaza ireo.Etsy ankilany, nitondra fanazavana koa ny minisitera tompon’andraikitra fa tsy ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) intsony ny manao ny fitomboka any anatin’ny kahiebe “manifold”. Ny tompon’andraikitry ny kaoperativa isaky ny toeram-piantsonana indray no hisahana izany sy ny fandaminana rehetra. Tsiahivina fa tsy maintsy hita ao anatin’ity kahiebe ity ny anaran’ny mpandeha sy ny mombamomba azy, toy ny laharana kara-panondro, ny laharana finday, ny adiresiny ary ny toerana alehany.Njaka A.L’article Taksiborosy: tsy ampiasaina ny seza afovoany a été récupéré chez Newsmada.

Tsy mitovy ny fototra niaingana: miteraka resabe ny fanarahana fomba
23/10/2020

Mibahan-toerana ao anaty « facebook” indray ny fanarahana ny fomba amam-panao malagasy. Tsikaritra fa ampifandonina amin’ny fomba amam-panao na amina finoana nampidirin’ny vahiny eto izy io. Hatreto anefa, sarotra ny handravona ho iray ny hevitra mipoitra amin’ny tranga tahaka itony satria tsy mitovy ny fototra niaingana. Ao ireo mankahala mafy ny fomba amam-panao malagasy noho ny tsy fananana na ny tsy fahampian’ny fahalalana momba izany. Misy koa ny manosika sy mandà mafy ireo fombam-bahiny noho ny fahitana sy ny fahenoana ary ny fahalalana tantara…Ny tsy azo hadinoina, nanana hevi-dalina ny fampiharana ny « zarazarao hanjakana ». Tsy tokony hiaina intsony ao anatin’izany ny fomba amam-panao malagasy. Manjary mitarika any amin’ny fahalemen’ny kolontsaina malagasy iray manontolo mihitsy ny fisian’io paikadin’ny mpanjakazaka an-tanin’olona io raha mbola tazana amin’izao vanim-potoana fiverenana eny an-doharano izao!HaRy RazafindrakotoL’article Tsy mitovy ny fototra niaingana: miteraka resabe ny fanarahana fomba a été récupéré chez Newsmada.

Fisotroan-dronono sy ny fiara 4×4: mihamahery vaika ny fanoherana ny fitakian’ireo depiote
29/10/2020

 Tsy mbola tara raha miverina amin’ny fanapahan-kevitra ? Totoafo ny fitsipahana marindrano ny fitakian’ireo depiote ny tombontsoa : fiara tsy mataho-dalana sy ny fisotroan-drononon’izy ireo. Hita any anaty tambajotran-tserasera sy heno amin’ny antso an-telefaonina amin’ireo haino aman-jery samihafa eto an-dRenivohitra izany. Vao mainka nampirongatra izany tsy fankasitrahana izany ny nilazan’ny depiote iray avy amin’ny fitondrana ny tombontsoa sy ny vola raisin’izy ireo eny Tsimbazaza, tamin’ny fahitalavitra iray, afakomaly alina.Tafakatra 12 ny isan’ireo “Assistant parlementaire”Tsy vitan’izany fa nampiakarina ho 12 ireo mpanampy “Assistant parlementaire” isaky ny depiote. Valo anefa ny isan’izany teo aloha. Mbola hiampy indray izao fitakiana fiara 4×4 sy ny fisotroan-dronono izao izany. Efa nanitrikitrika ny tsy fankasitrahana izany koa ny eo anivon’ny sendikà maromaro. Teo koa ny mpisolovava, ny Me Olalah.Etsy andaniny, niaro tanteraka izany fitakian’ny depiote izany ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. “Tsy mitovy amin’ireo fisotroan-dronono rehetra izany. Mety hampitondraina anarana hafa izy io. Mbola hapetraka ao anatin’izany avokoa ny fomba fahazoana izany na ho isam-bolana na mety amin’ny fiafaran’ny fe-potoam-piasana”, hoy izy.Anaty covid sy kere ary ny fiharianaAraka izany, mbola anaty ady amin’ny covid-19 izao firenena. Miaina kere ny any atsimo ary mbola ho henjana ny hanarina ny fihariana nefa  ny tombontsoan’izy ireo no mahamaika. Mpanao lalàna handidy dia homana avy hatrany.Raha tena mijery ny tombontsoan’ny vahoaka izy ireo, tsy olana ho an’ny olona ny hanampy sy hiaraka hiady aminy izany tombontsoany izany. Tsy izany anefa aloha izao ny zava-misy.Synèse R.L’article Fisotroan-dronono sy ny fiara 4×4: mihamahery vaika ny fanoherana ny fitakian’ireo depiote a été récupéré chez Newsmada.

Pilo kely #4538 aroson’i Mamy Be
27/10/2020

L’article Pilo kely #4538 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Vono olona :: Ben’ny tanàna vehivavy maty voatifitra
27/10/2020

Maty tsy tra-drano i Faly Françoise Zamena, vehivavy ben’ny tanànan’ny kaominina Marohazo-Maintirano, tamin’ny alin’ny alahady 25 oktobra lasa teo. Lehilahy iray tonga tao aminy no voalaza ho nitifitra ka nahafaty azy avy hatrany. Fantatry ny fianakaviany io olona io, raha ny fanampim-baovao azo, omaly, izay voalaza fa lehiben’ny dahalo any an-toerana ary havan’ny maty ihany. Ben’ny tanàna naman’itsy niharam-boina itsy no nampandre ny mpitandro filaminana, tamin’ny alina nisehoan’ny loza. Tonga nanadihady ny zava-niseho tany an-toerana ireo mpitandro filaminana. Lehilahy voatondro ho dahalo raindahiny efa nanafika naka ny ombin’ny ben’ny tanànan’Antsaindoha Bebao, tamin’ny 5 oktobra lasa teo, izy, raha ny fitantaran’ireo fianakavian’ny maty. Eo am-pikarohana azy ny mpitandro filaminana any Maintirano, ankehitriny. L’article Vono olona :: Ben’ny tanàna vehivavy maty voatifitra est apparu en premier sur AoRaha.