Faritra arovana Tsinjoriake: ho an’ny fambolena, ny fitaterana, ny fizahantany

News - Faritra arovana Tsinjoriake: ho an’ny fambolena, ny fitaterana, ny fizahantany

News - Faritra arovana Tsinjoriake: ho an’ny fambolena, ny fitaterana, ny fizahantany

 

Nofaritan’ny Banky afrikanina momba
ny fampandrosoana (Bad) ho fototra iray lehibe ho an’ny
fampandrosoana eto Madagasikara ny any Atsimo Andrefana. Maro ny
fanadihadiana sy ny fikarohana nataon’ny Bad any an-toerana, toy ny
fikajiana ny tontolo iainana. Nofaritana tamin’ny 2015 ny faritra
arovana Tsinjoriake, hampiroboroboana ny seha-pihariana
isan-karazany. Mitantana io faritra io, ahitana ny tendrombohitra
Andatabo, ny fikambanana Tamia.

Fanadihadiana lalina ny nanaovana
ny faritra arovana Tsinjoriake mifandray amina tetikasa momba ny
fambolena sy ny fiompiana napetraky ny Bad, misy ny lalam-pirenena
RN7, Antananarivo-Toliara (980 km). Lalam-pirenena mampifandray
faritra maro: Analamanga, i Vakinankaratra, Amoron’i Mania, i
Matsiatra Ambony, Ihorombe, ary Atsimo Andrefana, misy ny
seranan-tsambo. Mifandray sy mifampiankina ny fambolena sy ny
fiompiana, ny fitaterana, ny fizahantany.

“Anisan’ny mampihodina ireo sehatra
ireo ny faritra arovana Tsinjoriake. Tsy hita taratra eo amin’ny
fandrindrana fomba fiasa amin’ireo minisitera miandraikitra ireo
sehatra telo anefa izany ny laminasan’ny Bad izany”, hoy ny
mpikaroka ao amin’ny Tamia.

 

R.Mathieu

Article tiré de Newsmada

L’article Faritra arovana Tsinjoriake: ho an’ny fambolena, ny fitaterana, ny fizahantany a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Safidy manadala

Misy ireo manipy fanakianana mavaivay an’ireo izay nanao fanahy iniana tsy nandeha nandatsa-bato, afak’omaly. Toa mbola diso ihany koa, raha ny filazan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), ireo mpifidy afaka nanatanteraka ny adidiny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena saingy voasakan’ny lesoka samihafa. Homen-tsiny kosa ve ireo nahavita ny adidiny saingy azo inoana sahady fa hitora-bato an’ireo solombavambahoaka hahazo seza, eny Tsimbazaza, atsy ho atsy. Samy manana ny famaritany ny atao hoe lafatra ny tsirairay sady malalaka ny fanehoan-kevitra raha hanombana ny kalitaon’iny fifidianana solombavambahoaka iny. Miteny ho azy, na tiana na tsy tiana, ny tahan’ny fahavitrihan’ny mpifidy. Azo afangaro ao daholo ny fahalainan’ny olom-pirenena sy ny tsy fahatomombanana isan-karazany hatramin’ny hafokan’ireo kandidà, miampy ny goragora amin’ny fampanarahan-dalàna eto amin’ity firenena ity. Hatreto aloha dia mendrika an’izay solombavambahoaka iraika amby dimampolo amby zato miandahy miambavy eny amin’ny Antenimierampirenena isika. Tsy maintsy mbola ho adin’ny mpiaro fahefana an-jambany sy ny bontolon’ny mpanozongozona fitondrana indray no hanjaka. Aza afatratra any amin’ny tsy fitiavan’ny olom-pirenena maro ny resaka politika intsony ny rihitra fa efa porofo diso mitohoka amin’ny tenda loatra ny zava-nisy tamin’ireo fifidianana intelo miantoana, dia ny fihodinana indroa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ity fifidianana solombavambahoaka ity. Vitsy loatra ny kandidà mendrika hofantenan’ny vahoaka. Ireo tsimatimanota hatrany anefa no mibahana ny kianja satria marefo ny lalàna tokony hanenjika azy ireo. Tsy tsapatsapa vodin’akoho akory no miandry amin’ny fifidianana fa toy ny terena hitsoboka any anaty lava-piringa ny olona: maloto avokoa no tazan’ny maso. Hazoto amin’ny lafiny rehetra izy rehefa iainantsika eto amin’ny firenena ny fahadiovana miainga any ambony hatrety ambany. Mandra-piandry izany aloha, hafana indray ny fifampitorohana sy fifampitoriana etsy sy eroa amin’izao fifidianana solombavambahoaka izao. Toy ny mahazatra hatramin’izay, saingy miha mamohehatra! L’article Safidy manadala est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis

Fanamby goavana no miandry ny Makis vehivavy, amin’ity. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15 mantsy izy ireo. Fihaonana, hiadian-toerana, ho an’ny “Mondial 2021”.Hotanterahina atsy Johannesbourg, Afrika Atsimo, ny 7 –  18 aogositra ho avy izao, ny dingana famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Hanana ny lanjany, izany fihaonana izany satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2021”, tanterahina any Nouvelle-Zelande.Firenena efatra no hiady izany amin’ity dia i Afrika Atsimo, mpampiantrano, Oganda, Kenya ary ny Makis de Madagascar. Mifandimby mihaona ny rehetra ka izay ekipa be isa indrindra no ho tompondaka ary hisolotena an’i Afrika, any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany.Raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’ny Makis voalohany, ry zareo Kenianina. Lalao hotontosaina, ny 10 aogositra. Fihaonana faharoa, hikatrohana amin’i Afrika atsimo, ny 13 aogositra ary amin-dry zareo, Ogandà ny 16 aogositra. Manana herijika tsara handrombahana ny toerana voalohany, ny Makis, araka ny nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Na izany aza, nomarihiny fa ry zareo Kenianina no heverina fa ho mafy ary tsy maintsy dinganina.Raha toa kosa ka ny laharana faharoa, no misy ny Makis dia hiatrika ny “repechage”, amin’ireo kaontinanta  dimy hafa. Hatreto, mbola mpilalao 36 no manaraka fanazarantena miaraka. Ny faran’ity volana jolay ity kosa vao hivoaka ny anaran’ireo 26 handrafitra ny Makis, ho atsy Afrika Atsimo. Tompondaka L’article Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Pilo kely #4454 aroson’i Mamy Be

L’article Pilo kely #4454 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fiaraha-miasa: betsaka ireo fepetra takin’ny Vondrona eoropeanina

Miezaka hitazona ny fisondrotry ny toekarena ho 5,2 % amin’ity taona ity ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, araka ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana. Maro ny tetikasa nofaritana hahatongavana amin’izany miaraka amin’ny Vondrona eoropeanina. Sehatra anatin’ny laharam-pahamehana, ohatra,  ny angovo, fotodrafitrasa, fizahantany. Tratra aoriana loatra ny eto Madagasikara amin’ireo rehetra ireo ka ilàna fanarenana haingana, araka ny politika momba ny fampandrosoana.Mialoha izany, mila marin-toerana ny vola ariary, miainga avy amin’ny fanohanan’ny FMI amin’ny alalan’ny Fec (Facilité élargie de crédit). Tsy maintsy tandrovana koa anefa ny fiakaran’ny vidim-piainana, tombanana 7,6 % amin’ity  taona ity, nefa miankina amin’ny vidin-tsolika sy ny vary eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.Mbola miankina betsaka amin’ny fanjakana tan-dalàna ny tsy hisian’ny krizy sosialy sy toekarena. Koa vonona ny UE hanampy an’i Madagasikara hisian’izay fanarahan-dalàna izay, fitsarana azo antoka afaka miady amin’ny kolikoly amin’ny endriny samihafa, sy ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Matoa karazana fepetra takin’ny mpamatsy vola izany, tokony ho fantatry ny mpitondra ny adidiny. Mety ho tapaka ny famatsiam-bola raha tsy hita ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana momba izany.Mitaky fahaiza-mitantanaZava-dehibe naroso koa ny fiarovana ny tontolo iainana. Nifaneken’ny roa tonta, ny marimarina kokoa takin’ny UE ny hitandrovana ny ala sy ireo hazo sarobidy, ary ny harena ambany ranomasina. Misy ny fepetra vaovao momba ny jono an-dranomasina hanatanterahana ny toekarena manga. Nasian-teny ihany koa ny fanamboarana ny lalana RN6, mankany Antsiranana ; RN13, Ihosy-Taolagnaro. 236 tapitrisa euros ny famatsiam-bola omen’ny UE ho an’ireo tetikasa roa lehibe ireo. Mitaky fahaiza-mitantana daholo izany, aty amin’ny Malagasy izany ny baolina ! R.MathieuL’article Fiaraha-miasa: betsaka ireo fepetra takin’ny Vondrona eoropeanina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

City Art: santarin’ny Tanàna art gallery ny ranty

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny vakoka amin’ireo orinasa vonona ny hampandroso ny tontolon’ny zavakanto. Iray amin’izany ny niforonan’ny hetsika City Art.Vita omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny La City, etsy Ivandry, sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny vakoka, mikasika ny nanokanan’ity toeram-pivarotana lehibe ity faritra iray ho an’ny zavakanto sy ny hitantanan’ny minisitera izany. City Art ny anaran’ity toeram-pampirantiana sy fanaovana fampisehoana ity.Araka ny fifanarahan’ny roa tonta, ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no mandrindra ny fampiasana ny toerana sy manoka-baravarana ireo mpanakanto liana, te haneho ny talentany ao. Tontosaina isam-bolana ny hetsika ka maharitra tapa-bolana ny fampirantiana iray.Nisantatra ny City Art, nanomboka omaly, àry ireo mpanakanto miisa 30 ao amin’ny Tanàna art gallery. Mpanao hosodoko sy mpikolo ny kanto araka endrika amam-bika izy ireo, izay samy manana sanganasa roa avy aranty eny an-toerana. Hita ho samy manana ny maha izy azy sy ny mampiavaka azy ny mpanakanto tsirairay.Nambaran’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana Andriatongarivo, fa manohana hatrany ireo hetsika manandratra ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy ny departemanta tantaniny ary miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina, toy ny La City. Izay indrindra no nahatonga izao fiaraha-miasa izao, izay irariana fa haharitra.Maimaimpoana ny fitsidihana ny City Art, toerana ifamezivezen’ny olona maro ka hahatonga ny talentan’ireo mpanakanto hiantefa avy hatrany amin’ny isam-batan’olona. Tsy hifarana raha tsy ny 27 aogositra ny andiany voalohany amin’ny fampirantiana, eny an-toerana.Landy R.  L’article City Art: santarin’ny Tanàna art gallery ny ranty a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

MJS – Talen’ny Spaoro federaly (DSF): kandidà telo no tena misongadina

Tsy nisy nipetraka teo amin’ny toeran’ny Talen’ny Spaoro Federaly, noho ny fanendrena an-dRakotozafy Rosa (nitantana izany departemanta izany teo aloha), ho Tale Jeneraly ny Spaoro (DGS), roa volana izay. Araka ny loharanom-baovao, antontan-taratasy maro no voaray teny anivon’ny Ministera ny Tanora sy ny fanatanjahantena.  Raha ny fanadihadiana natao anefa, ny telo amin’izy ireo ihany aloha no tena fantatra, isan’izany i Finaritra, am-perinasa eo anivon’ny Mjs ary lehibena sampan-draharaha eo anivon’ity Minisitera ity ihany koa. Saika hita matetika hatrany izy, mandritra ny hetsika ara-panatanjahantena, indrindra ny fifidianana eny anivon’ny federasiona, toy ny teo anivon’ny federasiona malagasy taranja volley-ball, natao tany Toliara. Mbola tazana ihany koa ny tenany, tamin’ny fifidianana Taekwondo ary ny taranja Tolona, natao tany Mahajanga. Azo lazaina ho efa nandray an-tanana ny asa fanaon’ny DSF i Finaritra raha ireo efa vitany ireo no jerena.Andrianantenaimanantena Davidson Mickaël, kandidà ho amin’ity toerana ity ihany koa. Tale Teknika Nasionalin’ny taranja Savate ny tenany izay  manana ny fahaizana sy afaka mandray ity toerana ity. Isan’ireo mpitarika ny tolona teny anivon’ny sendikalin’ny mpampianatra fanatanjahantena an-tsekoly Andriamatoa Davidson.Farany, ramatoa Andriamanjatoarimanana Tojohanitra, hifaninana amin’ny toeran’ny DSF ihany koa. Ankoatra ny maha olympien ny tenany, filohan’ny ligin’Analamanga ny taranja Lomano i Tojohanitra amin’izao fotoana izao. Araka ny nambaran-dRamatoa Rosa, tamin’izy voatendry ho Tale Jeneraly, faniriana raha toa ka vehivavy ihany no hipetraka eo amin’ny toeran’ny DSF. Tsara toerana, araka izany, i Tojohanitra.Marihina,  ny Minisitra miaraka amin’ny Sekretra jenaraly sy ny DGS no manao ny fanadihadiana hahafahana manendry izay ho Talen’ny Spaoro federaly. Alefa eny anivon’ny governemanta ny anaran’izay lany avy eo,  hodinihina amin’ny filankevitry ny Minisitra. Mi.RazL’article MJS – Talen’ny Spaoro federaly (DSF): kandidà telo no tena misongadina a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Tsindron’antsy

Maty tany amin’ny hopitaliben’i Mahajanga ity tovolahy iray, roapolo taona, voatsindron’antsy tao Andranomavo Mitsinjo, ny alin’ny zoma lasa teo. Lehilahy roa no fantatra fa tompon’antoka tamin’izao vono olona izao. Efa voa- sambotra ireo voarohirohy ary natao andrimaso mialoha ny fiatrehana ny fakàna am-bavany. L’article Tsindron’antsy est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra sy ny “coronavirus” : Miantso vonjy amin’ny filoha Rajoelina ireo mpilalao

Tena ao anatin’ny fahasarotana tanteraka ny ankamaroan’ireo klioba amin’ny taranja baolina kitra eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Tsy vitsy ireo misedra olana ara-bola noho ny fialan’ireo orinasa manohana sy manampy azy ireo. Betsaka ihany koa ireo mpilalao sy mpanazatra no tsy manan-kohanina intsony, ma­melona vady aman-janaka, amin’ity taranja ity ny ankabetsahany, . Miantso vonjy ireo mpilalao sy ny mpanazatra manoloana ny zava-misy ankehitriny. Mitodika any amin’ny filoham-pirenena, ny mason’izy ireo amin’izao krizy ara-tsosialy mianjady amin’izy ireo izao mba hijery izay azo atao, hiatrehany ny fihiboana fa mahatsiaro mijaly ry zalahy. Tsy voaloan’ireo ekipa intsony ny karaman’ireo mpilalao ka mizotra any amin’ny lalan’ny faharavana ny klioba. Eny fa na eo aza ireo mbola hiatrika ny fifaninanam-pirenena sy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasi­kara, ho an’ity taom-pilalaovana 2020, ity. Nisy ireo filoha mpitantana ekipa nilaza fa natsahatra mihitsy aloha ny klioba, izay tsy mbola voafaritra ny fotoana hamerenana azy amin’ny laoniny. Vokatr’izany, misy ireo hiala an-daharana ka tsy hanohy intsony ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena, na hiverina aza ny fifaninanana, atsy ho atsy.TompondakaL’article Kitra sy ny “coronavirus” : Miantso vonjy amin’ny filoha Rajoelina ireo mpilalao a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Anjohy : Nirehitra ny « grenier »

Nisahotaka ny olona, omaly, raha nahita ny firehitry ny afo tao amin’ny trano lehibe iray misy rihana roa ary fitoeran’entana any amin’ny farany ambony. Teo ampitan’ny tsena eo Anjohy no nitranga izany hain-trano izany. Niantso ny mpamonjy voina ny manodidina, tokony ho mitataovovonana ary fiara lehibe telo mpamono afo no indray tonga teny an-toerana. Novakiana ny « plafond » ary notifirina rano avy taty ambany. Tsy naharitra dimy minitra akory dia voafehy tanteraka ny afo. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra, raha araka ny fanazavan’ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna. Niainga avy tamin’ny lakozia kely tany an-tokotany ny afo ary mety ho nentin’ny rivotra tao amin’ilay fitoeran’entana tany ambony indrindra. Izay aloha hatreto ny tombana, ny amin’ny mety ho niaingan’ny loza. Ambony toerana rahateo Anjohy ka mora mahazo rivotra izay nampiledaleda vetivety ny afo. D.RL’article Anjohy : Nirehitra ny « grenier » a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Arakaraka ny tolotra sy tinady…

Mafanafana ratsy ny fampielezan-kevitra. Miseholany ny teny tsy tsaroana afitsoky ny sasany, ny famohazana fota-mandry, ny fanaratsiana… Ady farany fandresen-dahatra izao. Iza no handresy? Arakaraka ny safidin’ny besinimaro na ny maro anisa io. Nefa miankina be dia be amin’izay atolotry ny kandidà tsirairay avy ny fironana sy ny fanapahan-kevitry ny mpifidy. Izay ilay hoe inty sy inday, tolotra sy tinady. Tena mifanandrify amin’izay zava-dehibe sy mahamaika ny vahoaka ve, ohatra, ny vinam-piarahamonina sy ny fandaharanasa andresen-dahatra azy? Tsy itompoana teny fantatra, na atao savoandanitra, na letrezana… Izay miainga amin’ny zava-misy sy ny hetahetan’ny vahoaka ifotony no mety handresy lahatra azy: ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny fandrobana tany, ny kolikoly… Manginy fotsiny ny raharaham-pirenena tsy ananan-kavana. Mba tsy hoe lasa fananana manokan’ny mpitondra i Madagasikara, ka manjakazaka ny tapaka sy namana: tsimatimanota, velon’ny kiantranoantrano… Inona ary aiza izay tena vahaolana mahomby sy maharitra amin’izany? Eo koa ny fivarotan-tanindrazana, ny fandroban’ny vahiny ny harem-pirenena… Hisy ve ny fiovana sy fanovana? Mila mazava amin’ny vahoaka ifotony ny amin’izany, ankoatra ny fandaharanasa hafa. Tsy misy na mila tambiny hafa izay vato harotsaka amin’izany, afa-tsy ny asa mivaingana rehefa voafidy eo ny tena. Tokony ho izay koa no antony fototra amin’ny safidin’ny tsirairay, arakaraka ny tolotra sy ny tinady. Ny fandaharanasa no hanolorana vato, fa tsy tsangan’olona, na fanomezana, na kabary tsara lahatra… Tsy noterena ireo mirotsa-kofidina; eny, na toy inona fanazavan-kevitra ny amin’izay. Tsy azo terena amin’ny safidiny koa ny tsirairay, manana izay zava-dehibe sy mahamaika azy: tsy voatery na terena hitovy sy hifanandrify amin’ny an’ny kandidà. Eo ny maha fifanarahana ny fifidianana, tsy vitan’ny latsa-bato sy ny fahazoana fahefana fotsiny fa hitakiana tamberin’andraikitra atsy ho atsy. Rafaly Nd.    L’article Arakaraka ny tolotra sy tinady… a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Ady amin’ny covid-19: manomboka mivaha ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana
17/09/2020

Tsikaritra eny anivon’ny fiarahamonina fa mihagoragora ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana. Tsy ny tahotra ny aretina intsony no anaovan’ny olona arotava fa tahotra ny mpitandro filaminana.Eny an-dalambe, efa misy mahasahy tsy manao arotava intsony. Vao mivadika any anelakela-trano dia efa esorina ny takom-bava. Tsy misy manao fiarovana izany amin’ireo toerana tsy fandehanan’ny mpitandro filaminana.Tsy voahaja intsony koa ny elanelana na amin’ny fisisihana taxi-be, amin’ny hariva, na eny an-tsena na eny an-dalana. Miverina amin’ny teo aloha ny fiainan’ny mponina etoAntananarivo ary vitsy ireo tena manaja ny fepetra ara-pahasalamana.Ho an’ireo taxi-be, tsy misy mampiasa « gel désinfectant » hozaraina amin’ny mpandeha intsony. Tsy ampiasaina, araka ny tokony ho izy, ny arotava ho an’ny mpamily sy ny mpanampy azy. « Mafana ny andro ka mahatsiaro ho voahelingelina izahay », hoy izy ireo. Ny mpandeha taxi-be betsaka ireo manala arotava rehefa tafapetraka mahazo toerana ao anaty fiara ary tsy misy mifampiteny.Any an-tsekoly, ho an’ireo efa niditra nianatra kosa, misy ireo manaja tsara ny fepetra fiarovana amin’ny fakana sy fanaterana mpianatra. Toraka izany ny biraom-panjakana sy ny orinasa izay mbola sarotiny amin’ny fanasana tanana mialoha ny hidirana ao an-toerana sy fanaovana arovava. Eo koa ny fiangonana izay fatra-panaja ny fepetra rehetra mba hahalavorary ny fahasalaman’ny kristianina.Tatiana AL’article Ady amin’ny covid-19: manomboka mivaha ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Filaharana Fifa: very toerana iray ny Barea de Madagascar
18/09/2020

Namoaka ny filaharan’ireo ekipam-pirenena mandrafitra azy ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa), omaly alakamisy 17 septambra. Very toerana iray ny Barea de Madagascar, tamin’izany. Raha teo amin’ny laharana faha-91, roa volana lasa izay, lasa faha-92 ankehitriny. Manana isa 1 267 ny ekipam-pirenena malagasy, amin’izany. Na eo aza ity fihemorana kely ity, mbola tafiditra ao anatin’ny “Top 100” hatrany ny Barea de Madagascar. Tsy nihetsika kosa fa mbola mijanona eo amin’ny laharana faha-21 hatrany kosa ny Malagasy eo amin’ny filaharan’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf). Marihina fa mbola mitarika eto Afrika ny Lionan’i Teranga avy any Sénégal, tafiditra “Top 20 mondial”, arahin’i Tonizia ary fahatelo ry zareo Nizerianina. Faha-11 kosa ny Etalons’n’i Borkina Faso, hifandona amin’ny Barea de Madagascar eo amin’ny lalao firahalahiana hatao any Lisbonne, Portugal. Faha-12 ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, mpifanandrina mivantana amin’i Madagascar, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2021”.Mbola ry zareo Belzika hatrany aloha ny voalohany eran-tany, manana isa 1 773. Faharoa ny Frantsay, nahazo isa 1 744 ary fahatelo i Brezila, manana isa 1 712. Fahefatra ny Anglisy arahin’i Portugal. Any amin’ny faha-14 ry zareo Alemà sy ny Mannschaft. Mbola i Saint Marin hatrany no mitana ny laharana farany.Marihina fa ny tsy fisian’ny lalao vokatry ny Covid-19 no tsy nampisy fiovana firy ny filaharana, tamin’ity. Tompondaka L’article Kitra – Filaharana Fifa: very toerana iray ny Barea de Madagascar a été récupéré chez Newsmada.

Martin R. – Paibato: “Nopoizinin’ny vahiny ny asa tanana”
24/09/2020

Sokitra, paibato, paikafo, hosodoko… Mbola tena vitsy dia vitsy ny mivelona amin’ny fantanterahana asa tanana tahaka ireny, raha eto Madagasikara. Antony iray mahatonga izany ny tsy fananan’ny Malagasy ilay kolontsaina manome lanja azy io. “Matetika izahay mahare hoe: “io ve dia vidiako amin’izany?”, hoy i Martin R. mpanao paibato, eny Andriambato Antananarivo Atsimondrano. Nambarany fa “ny fanabeazana mihitsy no niteraka io tranga io. Tadidiko tsara, tsy nahay kajy aho tany amin’ny kilasy faha-5. Hoy ilay mpampianatra anay: “alefa manao teknika ianao raha izao no mitohy” ”.Raha ny fanazavan’ity raim-pianakaviana ity hatrany: “toa midika avy hatrany fa ny olona tsy afaka loatra any amin’ny fianarana no alefa manao teknika. Tsy ilana fampiasana saina ve izany ny teknika”? Nanao randra-mitarika io toe-tsaina io ka raha vao asa tanana, tahaka ny zava-maivana eo anoloan’ny Malagasy, raha ny fanazavany.Vokatr’io poizina nalentiky ny vahiny ao an-tsain’ny Malagasy io, ilay maha zavakanto ilay vokatra mihitsy no takona ka tsy tazan’ny Malagasy, raha ny nambarany hatrany. “Tena sarotra ny mampitaha na mampifandanja ny aingam-panahy sy ny vola. Saingy, ny an’ny Malagasy, raha vao asa tanana, tsy tokony hosandaina be loatra”, hoy i Martin Paibato.Tolo-kevitra natolony ny hisian’ny fanabeazana ny fiarahamonina hanome lanja sy hasina ny asa tanana. “Aza hadinoina fa avy amin’Andriamanitra ny talenta. Izy io anefa no milina lehibe ahavitana ny asa tanana. Raha tsy omena ny hasina sahaza azy ny talenta, mitovy amin’ny tsy manome lanja Ilay namorona sy nanome azy izany”!Nanangona: HaRy RazafindrakotoL’article Martin R. – Paibato: “Nopoizinin’ny vahiny ny asa tanana” a été récupéré chez Newsmada.

Tenisy – “Roland Garros”: tafakatra i Tessah, hidona amin’i Aostralia i Irina
23/09/2020

Hiakatra  kianja ary hifanadrina amin’ny teratany aostralianina i Irina, anio. Efa any amin’ny dingana faharoa kosa i Tessah, taorian’ny fandresena azony, omaly.Ramialison Irina, hifanandrina amin’ilay Aostralianina, i Astra Sharma, eo amin’ny fihodinana voalohany, hiadiana ny “Roland Garros”, taranja tenisy. Fihaonana, hotanterahina amin’ity alarobia ity. Mpilalao efa manana filaharana ambony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity mpifanandrina aminy ity satria faha-132 maneran-tany.Efa imbetsaka niatrika fifaninanana iraisam-pirenena ary manana traikefa betsaka raha mitaha amin’i Irina. Efa nandrombaka ny “Fed cup”, niaraka tamin’ny ekipam-pireneny, ny taona 2019. Azo lazaina fa maozatra amin’i Irina ity mpifanandrina aminy ity. Raha tsiahivina, “wild card” na fanasana manokana ny azon’i Irina amin’ny fandraisana anjara amin’ity “Grand chelem” ity satria tsy tafiditra tao anaty filaharana ny tovovavy. Faha-370 maneran-tany mantsy no misy an’i Irina, amin’izao fotoana izao.Miakatra amin’ny dingana faharoaEtsy andaniny, nazava ny fandresen’i Tessah Andrianjafitrimo, nifandona amin’ilay espaniola, i Nuria Parrizas Diaz, manana ny filaharana faha-225 maneran-tany, omaly. Miakatra amin’ny dingana faharoa ity Malagasy ity rehefa nandresy “set” 2 noho 1.  Laharana faha-262 i Tessah amin’izao fotoana izao ary eo amin’ny faha- 21 taony.Marihina fa hiadiana toerana hidirana ao anaty tabilao lehibe ny fifanintsanana nanomboka ny alatsinainy lasa teo, izay hifarana ny zoma 25 septambra ho avy izao. Ny alatsinainy 27 septambra kosa vao tena hanomboka ny fifaninanana amin’ity “Grand chelem” ity. TorcelinL’article Tenisy – “Roland Garros”: tafakatra i Tessah, hidona amin’i Aostralia i Irina a été récupéré chez Newsmada.

« Raharaha Leva »: manaitra ny fanjakana sy ny masoivoho ny AVG
18/09/2020

Araka ny efa fantatra, voasambotry ny zandary, ny alarobia teo, teny Analakely, Raveloson Ludovic, antsoina hoe Leva, depiote teo aloha an’i Mahabo, faritra Menabe. Nandritra ny fitohanan’ny fifamoivoizana ny nisamborana azy. Nitsoaka, tsy hita popoka izy, nanomboka ny volana febroary teo, namoahana didy fampisamborana ary izao tratra izao indray.Manoloana izany, naneho hevitra ny fikambanana miaro ny tontolo iainana, ny Alliance voahary gasy (AVG), fa tokony handray andraikitra ny fanjakana amin’ny fampiharana ny lalàna. Efa nanaitra rafi-panjakana sy ny masoivoho vahiny maromaro ity fikambanana fiarahamonim-pirenena ity. Maromaro ny raharaha maha voarohirohy azy any amin’ny fitsarana, toy ny  fivarotana hazo sarobidy avy any anaty faritra arovana Menabe Antimena, ny raharaha vonoan’olona, sns. Anisan’ny mitory an-dRaveloson Ludovic ny AVG.Nambaran’ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam-pirenena kosa aorian’ny famotorana savaranonando ataon’izy ireo dia halefa hohadihadian’ny zandarimaria any Morondava ity depiote teo aloha voasambotra teny Analakely ity.Njaka A.L’article « Raharaha Leva »: manaitra ny fanjakana sy ny masoivoho ny AVG a été récupéré chez Newsmada.

DGSR: hanomboka ny fisavana ireo laharana WW
17/09/2020

Hisy ny hetsika manokana ataon’ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) miaraka amin’ny mpitandro filaminana, ny alatsinainy 21 septambra 2020 ho avy izao mahakasika ny fanaraha-maso ny fampanarahan-dalàna ireo mampiasa ny laharana “WW…” sy ny laharana vahiny. Manoloana izany indrindra, nitondra fanampim-panazavana ny teo anivon’ny DGSR. Ho an’ny fiaran’olon-tsotra dia hisy ny fisavana ny rosia nahavitana ny fandraisana ara-teknika teny amin’ny ivontoerana fandraisana ara-teknika eny Alasora, By-Pass ary eny amin’ny ivontoerana fitsarana fiarakodia ho an’ny any amin’ny renivohi-paritra. Ho an’ireo fiara vaovao novidina teny amin’ny orinasa mpanafatra sy mpivarotra fiara “concessionnaires”, hisy ny fisavana mandritra ny hetsika ny fitanana an-tsoratra nahavitana ny fandraisana ara-teknika. “Hamafisina fa ny fandraisana ara-teknika eny anivon’ny foibe fitsarana fiarakodia amin’ny alalan’ireo ivontoerana manerana ny Nosy no anisan’ny fepetra takina hahafahana mahazo laharana eny amin’ny mpamoaka izany, na ho an’ny fiara vaovao izany na ireo efa niasa”, hoy ny DGSR.Jean Claude L’article DGSR: hanomboka ny fisavana ireo laharana WW a été récupéré chez Newsmada.

Nitombo 1992 ny isan’ny efitrano fanadinana: tsy mihoatra ny 50 ny mpiadina iray efitra amin’ny BEPC
21/09/2020

Tsy mahazo mihoatra ny 50 ny isan’ny mpiadina anatin’ny efitrano fanadinana iray ho an’ny BEPC, ary nampitomboina 12 noho izany ny foibem-panadinana ary 1992 ny efitrano handraisana ny fanadinana amin’ity taona ity, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fanabeazana, i Sahondrarimlala Marie Michelle. Efa notsinjaraina isaky ny faritra ny fitaovana arotava sy ny gel ho an’ny foibem-panadinana ho an’ny mpiadina sy ny mpiasa rehetra mampihodina ny fanadinana BEPC. Tokony ho afaka miatrika ny fanadinana avokoa ireo rehetra voasoratra anatin’ny lisitra ary ny taratasy fiantsoana tsy azon’ny talen-tsekoly giazana fa azo vahana ny olana aorian’ny fanadinana. Nitaraina anefa ny tompon’ny sekoly tsy miankina fa lasa manararaotra ny ray aman-dreny ka manery ny tale hanome ny taratasy fiantsoana ho an’ny zanany na tsy nahaloa ny saram-pianarana volana maro aza. Tsy mandalo eny amin’ny sekoly intsony izy ireo manefa ny trosa aorian’ny fivalian’ny fanadinana ka lasa mibaby vesatra ny tompon-tsekoly. Ny minisitera mpiahy koa tsy manome na tohana kely aza tao anatin’ny fihibohana ho an’ny mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina, hoy ny tale nasionalin’ny sekoly miahy tena Association des instituts laïques pour l’éducation (AILE), Rakotomalala Célin. Nohamafisiny fa lasa miady irery ny sekoly tsy miankina ary tsy vitsy no nampiato ny asany ka tsy handray mpianatra intsony.Hiatrika ny taranja Malagasy sy ny tenim-pirenena hafa ho an’ny mpiadina tsy manao malagasy ny tapany maraina, hitohy amin’ny SVT ny hariva. Mbola haharitra hefarana ny BEPC.Vonjy A.   L’article Nitombo 1992 ny isan’ny efitrano fanadinana: tsy mihoatra ny 50 ny mpiadina iray efitra amin’ny BEPC a été récupéré chez Newsmada.

Misaona ny “Rallye”: nodimandry Ratsifandrihamanana Nirina
21/09/2020

Misaona indray ny tontolon’ny taranja fanamoriana fiarakodia satria nindaosin’ny fahafatesana, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, Ratsifandrihamanana Nirina, 62 taona, mpanamory avy amin’ny klioba FMMSAM. Ny aretim-bavony efa nahazo azy nandritra ny fotoana naharitra no nitarika ny fahafatesany. Raha tsiahivina, ny taona 1992 i Nirina no nanomboka niditra teo amin’ny sehatra ny fanatanjahantena mekanika ka nisantarany izany ny “course de côte”, nitondrany ny fiara P.104. Niditra nanao “rallye” kosa izy, ny taona 1994 ka nitondra ny fiara P.106, ary nifaninana tao amin’ny sokajy “2 roues motrices”, izay efa nahazoany anaram-boninahitra maro. Ny p.206 no fiara nentiny nifaninana farany ka nahatonga azy ho tompondakan’i Madagasikara , teo amin’ny M11 2 roues motrices, ny taona 2019, niaraka tamin’i Alcazaria Jr. Nomeny anarana hoe : Baomba kely avokoa ireo fiara rehetra nentiny nifaninana. Efa mpandray anjara tamin’ny “Run” ihany koa i Nirina. Ankoatra ny fanamoriana fiarakodia, efa tompondaka tamin’ny taranja lomano, tany amin’ny taona 1974, 1975 ihany koa Itompokolahy. Namela mananon-tena sy kamboty vavitokana i Nirina. Raha tsy misy ny fiovana, alevina amin’ity alatsinainy ity ny nofomangatsiakany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny rallye, izahay eto amin’ny Gazety Taratra. Torcelin sy Mi Raz L’article Misaona ny “Rallye”: nodimandry Ratsifandrihamanana Nirina a été récupéré chez Newsmada.

Fotodrafitrasa eny ifotony: nijery ny fanamboaran-dalana RN5A ny minisitra Hajo
21/09/2020

Miroso sy mandeha ny asa fanamboaran-dalana Ambilobe- Vohémar (RN5A). Anisan’nyfampanantenana nataon’ny filoha Rajoelina Andry ny fanarenana tanteraka iny lalam-pirenena mampitohy ny distrika roa iny.Nidina ifotony tao Vohémar nijery ny fandroson’ny asa fanarenana sy ny fanamboarana izany ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo. Nambarany fa mizotra araka ny tokony ho izy amin’ny ankapobeny ny asa amin’izao fotoana izao. Efa saika tafapetraka avokoa ireo toerana hiasan’ny orinasa manao ny fanamboarana. Efa miroso ny asa fanamarinana sy fanajariana ny lalana (terrassement) na avy any Vohémar na ny avy any Ambilobe.Natao hijerena ny olana…Efa an-dalana tahaka izany koa ny fandrafetana sy fametrahana ireo fotodrafitrasa fivarinan’ny rano (dalots) miisa 60 mahery. Manampy ireo ny fijeren’ny minisitra ireo toerana fakana ranontany sy ny vato ary ny toby hipetrahan’ny orinasa manatentaraka ny asa. “Natao indrindra hijerena ny fandrosoan’ny asa sy hifampidinihina amin’ny fitadiavana vahaolana ho an’ireo olana mety mitranga ny fidinana ifiotony tahaka izao. Jerena koa ny mety hampitarazoka na hampikatso ny asa, ary hanomezana toromarika amin’ny fandrindrana ny asa amin’ny ankapobeny”, hoy ny minisitra Andrianainarivelo Hajo.Tsiahivina fa anisan’ny miantoka ny fampandrosoana any amin’iny faritra avaratra iny ny fahavitan’io lalam-pirenena io. Tahaka izany koa ny efa hirosoana amin’ny fanamboarana ny lalana Ambilobe mihazo ny any Antsiranana.Synèse R.L’article Fotodrafitrasa eny ifotony: nijery ny fanamboaran-dalana RN5A ny minisitra Hajo a été récupéré chez Newsmada.

Rugby à sept, vehivavy: hanoman-tena any ivelany ny Makis de Madagascar
19/09/2020

Niverina namonjy ny kianja ny mpilalaon’ny Makis de Madagascar, sokajy vehivavy, rehefa nihiboka dimy volana. Hanoman-tena,amin’ny lalao famerenana, hiadian-toerana amin’ny “Lalao olympika” (JO 2021), izy ireo. Nanomboka amin’ny fomba ofisialy, omaly zoma teny amin’ny kianja Makis Andohatape­naka, ny fampivondronana voalohany sady fanomanantenan’ny Makis de Madagascar vehivavy, taranja rugby lalaovina olona fito, ho an’ny lalao famerenana “repêchage”, hiadian-toerana amin’ny “Lalao olympika” (JO 2021), ny volana marsa 2021. Ankoatra ny fanazarantena eto an-toerana, hisy fanomanantena roa, hatao any ivelany. Ny iray, hotanterahina atsy Afrika, ny volana oktobra na novambra, izay tsy mbola voafaritra ny daty sy ny firenena hanaovana azy. Na izany aza, hisy “tournoi à quatre”, handraisan’i Madagasikara sy i Afrika Atsimo ary i Tonizia sy i Kenya anjara, amin’izany. Tsiahivina fa ankoatra ny Makis, manomana ny lalao famerenena ihany koa i Tonizia. Any Japon ny faharoa, ny volana desambra na janoary 2021. Fiaraha-miasa amin’ny masoivohon’i Japon sy ny Malagasy rugby izany, ary tohin’ilay andiany voalohany notanterahina ny volana jona 2019. Tafiditra ao anatin’izao fiomanantenan’ny Makis izao ihany koa ny fifanintsanana hiadian-toerana, amin’ny am­boara eran-tany 2023, hatao any Frantsa, eo amin’ny rugby ho an’olona 15. 20 mirahavavy ny miatrika ity fanazarantena voalohany ity, rehefa avy nandalo fitiliana ny Covid-19, ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Natomboka tamin’ny famerenana ny tanjaka, tamin’ny alalan’ny fanabokonana hozatra, izany, haharitra eo amin’ny herinandro eo ho eo. Ao­rian’izay vao hiditra amin’ny fandraisana baolina. Marihina fa efa samy nanao fanazarantena mitokana tany aminy avy ireo mpilalao rehetra, nandritra ny fotoan’ny fihibohana. Ho an’ny Makis de Ma­dagascar, lehilahy, hisy fiaraha-miasa amin’ny mpilalao frantsay iray nandrafitra ny XV de France ka tafiditra amin’izany ny fanomanana ny “Circuits mondiaux 2021”.TompondakaL’article Rugby à sept, vehivavy: hanoman-tena any ivelany ny Makis de Madagascar a été récupéré chez Newsmada.

Misaona zavakanto : nodimandry Ramahafadrahona
22/09/2020

Feo vitsy mpanana. Fihetsika sarotra ianarana … Ramahafadrahona sy ny talentany izay. Lavo ny andrarezina! Nindaosin’ny fahafatesana ilay raiamandreny mpanoro sy mpananatra…Misaona ny tontolon’ny kanto malagasy sy ny haino aman-jery… «Inona intsony moa ny amiko», hira anisan’ny nahafantarana an-dRamahafadrahona, izay niarahany tamin’i Bakomanga. Nindaosin’ny fahafatesana, omaly, tao amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha ity andrarezin’ny zavakanto malagasy ity rehefa nivahiny 82 taona teto an-tany. Teraka ny 9 aogositra 1938 Ramahafadrahona Alphonse, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Ramahafadrahona.Mpanentana fandaharana “ Hira malagasy”, izay nanana ny teny faneva hoe “Malagasy ve ianao? Malagasy ray sy reny, ary tena Malagasy ara-pomba sy fiteny”, isaky ny alahady tolakandro tao amin’ny Radio Madagasikara no sady mpilalao tantara an’onjampeo ny tenany. Efa nilalao sarimihetsika ihany koa izy tamin’ilay horonantsary “ Dadabe maoderina” izay nosoratany mihitsy. Ankoatra ny maha mpihira azy, mpanoratra ihany koa Ramahafadrahona ary anisan’ny manavanana azy ny fanoratana tononkalo.Ho an’ny hira manokana, anisan’ny nahafantarana azy ny “ Ity semboko ity”, “Bakomanga”, “Raozy maria”, “Vive l’amour”… Efa lehiben’ny “Varema” na Vondron’ny artista Arema, tamin’ny Repoblika faharoa ny tenany. Anisan’ny mpandrindra ny dihy tontosain’ny tarika  Ramahafadrahona ihany koa ny lehilahy, manavanana azy rahateo ny dihy. Mbola vitsy, ohatra, ny mahatafavoaka ilay dihy somary manozongozon-doha kely, izay tena mahaliana ny maro aminy sy nampiavaka azy satria zary haingon-tseho mampitolagaga tokoa.Niasa tao amin’ny Radio Madagasikara (RNM) Ramahafadrahona. Anisan’ny tena nampiavaka azy ny fankamamiana ny hira tena malagasy, toy ny vakodrazana isam-paritra sy ny hiragasy.Mpihira, mpanao hatsikana, mpilalao sarimihetsika, sns, nahavita be teo amin’ny zavakanto malagasy Ramahafadrahona. Tsy teto an-toerana ihany fa hatrany ivelany mihitsy. Firenena maro no efa nanehoany ny talentany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra!Narilala sy HaRy Razafindrakoto L’article Misaona zavakanto : nodimandry Ramahafadrahona a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Lalao firahalahiana: Barea 23 hidona amin’ny Etalons Borkina Faso
17/09/2020

   Izay vao tena raikitra ny lalao firahalahiana, ataon’ny Barea de Madagascar eo amin’ny fiomanana ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny Can 2021. Hidona amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso ry zalahy, amin’izany.Nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety, omaly maraina, teny amin’ny foibe toeran’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), teny Isoraka fa hotanterahina ny asabotsy 10 oktobra ho avy izao, any Lisbonne Portugal ny lalao firahalahiana hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Etalons-n’i Borkina Faso. Fihaonana, tafiditra ao anatin’ny fanomanantena mialoha ny hiatrehana ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny Can 2021.Mpilalao 23 mirahalahy no nantsoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika izany. Tsy misy fiovana firy ny firafitry ny Barea fa saika ireo efa nahalalana azy hatrizay, miampy ireo vao nantsoina toa an’i Hery Bastien, i Sylvio Ouassiero, i Alexandre Ramalingom ary i Hakim Abdallah. Tsy ao anaty lisitra intsony i Dax sy i Njiva. Tsy misy mpilalao avy eto an-toerana ity Barea hidona amin’i Borkina Faso, ity. Ankoatra izay, naverina i William Gros. Natao mpilalao fiandry (réserve), i Toavina Debakely sy i Bakary Mario. Hanomboka ny 5 oktobra izao ny fampivondronana ireo mpilalao rehetra ka hatao any Frantsa izany, araka ny vaovao voaray.Mety hijanona amin’ity lalao hikatrohana amin’i Borkina Faso ity ihany, araka izany, ny fihaonana firahalahiana ataon’ny Barea de Madagascar raha voafaritra fa ho roa tany am-boalohany. Tompondaka  Ireo mpilalao 23 nantsoina ho Barea de Madagascar-Mpiandry tsatoby : Melvin Adrien, Ibrahim Dabo-Vodilaharana : Jeremy Morel, Thomas Fontaine, Jerome Mombris, Bapasy, Romain Metanire, Sylvio Ouassiero, Bakary Mario-Irakiraka : Hery Bastien, Abel Anicet, Ilahimaharitra Marco, Raveloson Ryan, Ibrahim Amada, Zotsara, Toavina Debakely-Lohalaharana : Dimitri Caloin, Ramalingom Alexandre, Hakim Abdallah, Carolus, Voavy Paulin, Bôlida, William Gros L’article Kitra – Lalao firahalahiana: Barea 23 hidona amin’ny Etalons Borkina Faso a été récupéré chez Newsmada.