Faritra Anosy sy Androy: nojeren’ny minisiteran’ny Indostria ny momba ny kere

News - Faritra Anosy sy Androy: nojeren’ny minisiteran’ny Indostria ny momba ny kere

News - Faritra Anosy sy Androy: nojeren’ny minisiteran’ny Indostria ny momba ny kere

 

Ny 23 sy ny 24 oktobra teo,
nitarika atrikasa tany amin’ny faritra Anosy ny minisitry ny
Indostria, ny varotra sy ny asa tanana (Mica), Rakotomalala
Lantosoa. Atrikasa hiatrehana ny kere any atsimo, araka ny
toromariky ny filohan’ny Repoblika, ny natao tamin’izany, niarahana
amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana.

Anisan’ny laharam-pahamehana ny
famatsiana ireo zavatra ilaina andavanandro (PPN) any amin’ny
faritra hamahana ny olana sy hanamorana ny fizarana izany any
amin’ny faritra Anosy sy Androy, amin’ny vidiny rariny. Nandritra
izany fotoana izany, nohararaotin’ny minisitra ny fandalovana
amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala, nandraisana kaontenera 150, izay
tsy ho tapaka isaky ny telo volana. Ny 75 % amin’ireo PPN ireo
tonga tao amin’ny seranan-tsambo. Nitarika fivoriana niaraka
amin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana ny minisitra. Hatao
izay fomba rehetra hizarana izany ara-drariny ho an’ireo faritra
roa ireo.

Fepetra noraisina koa ny fiarovana
ny mpanjifa, nizahana ireo entana any amin’ny mpamongady, ny
fizahana natao tampoka. Hita ary nakatona tamin’izany ireo
tranombarotra lehibe tsy manana antontan-taratasy, manamarina fa
afaka mampisondrotra ny vidin-javatra. Nisy koa ny fihaonana
amin’ireo mpanao asa tanana, nifanakalozan-kevitra hitadiavana
lalam-barotra. Namaranana ny fitsidihan’ny minisitra Rakotomalala
Lantosoa, nitsidika ny orinasa mpanodina vokatry ny fambolena,
anisan’ny vahaolana amin’ny ady amin’ny faharatsian-tsakafo.

R.Mathieu

Article tiré de Newsmada

L’article Faritra Anosy sy Androy: nojeren’ny minisiteran’ny Indostria ny momba ny kere a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 27/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

PM: “Tsy ekena ny mpiasam-panjakana miandany”

“Mazava ny momba an’izay… Nametraka hatrany isika fa tokony hohajaina ny tsy fitanilana eo amin’ny mpiasam-panjakana. Izao ny zava-misy: be dia be ieo kandidà solombavambahoaka mimenomenona fa misy mpiasam-panjakana miandany atsy na aroa.”Io ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny Antaninarenina, omaly, momba ireo mpiasam-panjakana sasany mihoa-pefy sy miandany amina kandidà ao anatin’izao fampielezana-kevitra amin’ny fifidianana solombavambahoaka izao.Tsy tokony hohadinoina fa ny fiandanian’ny mpiasam-panjakana misy amin’izao fotoana izao, kandidà maro dia maro no voatonontonona amin’izany ary avy amin’ny hery politika maro.Tsotra ny hafatra ataony: manamafy ny tokony ho fampiharana ny lalàna eo amin’ny  mpiasam-panjakana rehetra. “Tsy aty amin’ny minisitera fotsiny io mpiasam-panjakana io, fa any amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana koa: any amin’ny kaominina, fokontany…”, hoy izy.Maro koa ny mpiasam-panjakana mitanila sy miandany amina kandidà any, arakaraka ny loko politika misy. Amin’ny ankapobeny, tsy azo ekena izay zavatra izay.Hisy àry ve ny fampiharan-dalàna amin’izay tsy fanekena mpiasam-panjakana miandany amin’ny kandidà izay? Eo ihany koa ireo mampiasa fitaovam-panjakana amin’izany…R.Nd.L’article PM: “Tsy ekena ny mpiasam-panjakana miandany” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Famatsiam-bola vahiny-Covid-19 : 186,4 tapitrisa dolara ny vola efa azo

Ela ny ela, nanome ny an­tsipiriany mikasika ny fama­tsiam-bola avy amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena hiadiana ny Covid-19 ny fanjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fitanta­nam­bola sy ny Toekarena. Mitotaly 671,73 tapitrisa dolara ny sora-bola azo na koa mbola hifampidinihina miaraka amin’ny mpamatsy vola. Efa nivoaka, nirotsaka tao anatin’ny kitapombolam-panjakana ny 186,4 tapitrisa dolara tamin’io avy amin’ny Ban­ky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Nanentsenana ny tetibolam-panjakana sady nampiasaina tamin’ny fandaniana ara-tsosialy ny 165, 99 tapitrisa dolara tamin’io, avy amin’ny FMI. Namatsiana ny drafitrasa hifehezana ny Covid-19 kosa ny 20,41 tapitrisa dolara avy amin’ny BM, nividianana fitaovana, toy ny “respirateurs”, ny “concentrateursd’oxygènes”, ny “radiographies numériques” ary ny fitaovana fiarovana ho an’ny mpitsabo, toy ny EPI. Namoa­hana ny fanampiana sosialy “Tosika fameno” ho an’ny fianakaviana marefo miisa 150.000 koa ny 4,67 tapitrisa dolara tamin’io avy amin’ny BM io. Mitentina 483,33 tapitrisa dolara ny vola, izay mbola eo an-dalam-pifampidinihana sy efa vita sonia, saingy tsy mbo­la navoakan’ny mpamatsy vola.Njaka A.L’article Famatsiam-bola vahiny-Covid-19 : 186,4 tapitrisa dolara ny vola efa azo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Miavaka: ao anatin’ny “Herinandron’ny reggae” isika izao

  Mety ho vitsy mpahalala eto amintsika, saingy marihina any amin’ny firenena maro ny Andro eran-tany ho an’ny mozika reggae, ny 1 jolay. Matetika, endrika tsy tsara loatra ny hanafian’ny ankamaroan’ny olona ny mpiangaly ity mozika ity. Amin’ny fotoana toy izao indrindra anefa no hanaporofoan’izy ireo fa anisan’ny foto-kevitra lehibe ijoroan’ny kolontsaina reggae ny fiombonana na ny firaisankina.Izay indrindra ny voizin’ny fikambanana Youth’nity amin’ny fanamarihana izao andro izao ka tsy nijanona tamin’ny andro tokana ny fikambanana fa nanitatra izany ho herinandro mihitsy. Nanomboka ny alatsinainy teo àry ny “Herinandron’ny reggae”, anasongadinana ny lohahevitra hoe “Herinandro iray ho an’ny firaisankina”.Nosantarina teny amin’ny Craam eny Ankatso ny hetsika, ny alatsinainy teo. Nisokatra tamin’io fotoana io koa ny fampirantiana zavakanto an-tanàn-dehibe, mitondra ny lohahevitra hoe “One olombelona”. Ahitana sanganasana tanora mpanakanto maro, toa ny an-dry Mat Li, ny an-dry Clipse, ny an-dry Taka, ny an-dry Yuka, ny an-dry Lay Naly izy ity.Hampiavaka ny fandaharam-potoana androany ny famelabelaran-kevitra, hotanterahin-dRavolonjatovo, izay ambara fa “filozofin’ny lalana”, sy i Boule, mpanentana amina hetsika kolontsaina, ary i Mashmanjaka, mpanakanto sady mpanabe. Eny amin’ny Is’Art galerie eny Ampasanimalo kosa no hanatanterahana izany.Misy hatrany ny hetsika, manodidina ity “Herinandron’ny reggae” ity, isan’andro ka, ankoatra ny eny Ankatso sy ny ao amin’ny Is’Art galerie, handray fampisehoana koa ny zaridainan’Antaninarenina, ny asabotsy izao. Hofaranana, eny Imaintsoanala Ambohimangakely, kosa ity herinandro miavaka ity, amin’ny alalan’ny fitsangantsanganana sy fampisehoana.Landy R. L’article Miavaka: ao anatin’ny “Herinandron’ny reggae” isika izao a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitantanana ny governemanta: naverin’ny filoha Rajoelina ho Praiminisitra i Ntsay C.

Voatendry fanintelony ary mbola  nametrahana fitokisana. Naverin’ny filoha Rajoelina ho Praiminisitra sady lehiben’ny governemanta indray i Ntsay Christian.  Tsy niandry ela  fa novakin’ny sekretera jeneraly lefitra ny fiadidina ny Repoblika, Andriamaholy Dina, omaly tolakandro avy hatrany ny didim-panjakana manendry azy amin’izany  toerana izany sy ny andininy voalazan’ny lalàmpanorenana, miainga amin’ny And. 54.  Nialohavan’ny fanoloran’ny depiote maro anisa anarana telo tany amin’ny filoham-pirenena, izao fanendrena izao. Anisan’ny mbola naverin’izy ireo tao anatin’izany ny anaran’ny praiminisitra am-perinasa ka izao notendren’ny filoha  izao indray. Nahangona  sonia maherin’ny 100  amin’ny 151 ireo depiote tamin’ny fanolorana azy ho amin’izany toerana izany indray.Anisan’ny  itokisan’ny sehatra  iraisam-pirenena Tombanana  fa anisan’ny anton’izany safidy izany ny fomba fiasa hentitra  ananan’ity praiminisitra ity. Eo ohatra ny namerenana ny takelaka mena ho an’ny fiaram-panjakana manontolo. Ny ady amin’ny  kolikoly sy ny tsy fandriampahalemana, ny fanatsarana hatrany ny fitantanan-draharaham-panjakana. Manampy izany ny fitokisan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena azy.Tsiahivina fa voatendry ho Praiminisitry ny  marimaritra iraisana tamin’ny tolona nataon’ny  depiote 73 teny amin’ny kianjan’ny 13 mey i Ntsay Christian, ny volana jona  2018. Mbola nohamafisin’ny filoha Rajoelina izany ny volana janoary 2019 ka nanendreny hatrany ity lehiben’ny governemanta ity amin’izany toerana  izany ary izao mbola  naverina amin’ny toerany izao indray,  taorian’ny fitsanganan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ity  herinandro ity.Minisitra ho voatana  na handao ny  sezany Araka  izany, andrasana  indray ny ho  fanolorany amin’ny filoha Rajoelina ireo  minisitra  handrafitra  ny governemantany. Mety misy ny ho voatana fa tombanana koa fa hisy ny hisaorana sy handao ny sezany raha jerena ny tao anatin’ny enim-bolana voalohany nitantanan’ny filoha Rajoelina ny fanjakana izay. Mety tsy hihoatra ny amin’ny herinandro ambony  io izany fanolorana ny mpikambana eo anivon’ny governemanta Ntsay Christian  izany.Synèse R.  L’article Fitantanana ny governemanta: naverin’ny filoha Rajoelina ho Praiminisitra i Ntsay C. a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Volley-ball: resy teo amin’ny famaranana avokoa ny lahy sy ny vavy

Tsy namokatra, ny ekipam-pirenena malagasy, teo amin’ny taranja volley-ball. Samy resy teo amin’ny famaranana avoko mantsy, ny lehilahy sy ny vehivavy, tamin’ity. Fihaonana, notanterahina, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja mitafon’i Pandit Sahadeo, ao Vacoas. Teo amin’ny vehivavy, resin’i Seychelles, tamin’ny seta 3 no ho 2 ny Malagasy. Efa nitarika tamin’ny seta 2 no ho 0, anefa ry Melissa, sy ny namany, tamin’ity.Nihevitra ny rehetra fa ho lasan’ny Malagasy ny fandresena. Nanohitra hatramin’ny farany anefa ny Seiseloazy, ka nosahalainy, ho 2 sy 2 ny seta. Voatery niditra teo amin’ny “tie-break”, ny roa tonta. Mbola niseho indray anefa ny traikefan’i Seychelles, ka lasany mihitsy ny fandresena farany.Nomontsanin’i Maorisy, tamin’ny seta, 3 no ho 0 kosa ny Malagasy, teo amin’ny sokajy lehilahy. (25/16 ; 25/22 ; 25/18), niafaran’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta. Tsy nampino ny rehetra, ny fizotran’ny lalao satria tsy afaka nanohitra mihitsy ry Manou sy ry Andry, niampy an-dry Mamizara sy i Fenozara. Teo amin’ny seta faharoa, no saika azon’ny Malagasy saingy, betsaka loatra ny fikoropahana, ka nahaverivery ny baolina. Nahazo ny medaly alimo, teo amin’ny vehivavy, i Maorisy raha Seychelles, teo amin’ny lehilahy. Tompondaka L’article Volley-ball: resy teo amin’ny famaranana avokoa ny lahy sy ny vavy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Bianco sy Croix Rouge Malagasy: apetraka ny ady amin’ny kolikoly

Vita omaly ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly sy ny Croix Rouge Malagasy (CRM). Nanatanteraka izany fifanarahana haharitra roa taona izany  ireo birao vaovao eo amin’ny  Croix Rouge Malagasy.Tanjon’ny fifanarahana ny hanentana  sy hampianatra ny mpiasan’ny  CRM  hanana fitondran-tena manohitra ny kolikoly sy hanana toe-tsaina mandala  izany. Eo koa ny  hampianatra azy ireo  handà ny endrika kolikoly amin’ny sehatra rehetra  hiasany.Ankoatra izao,  hanangana ny rafitra sy ny antanantohatra maneho ny mangarahara tsy hampisy  ny tranga kolikoly amin’ny fintanana sy sehatra rehetra ao amin’ny CRM.Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politikan’ny Bianco sy ny fandaharanasan’ny CRM ho amin’ny fitantanana mangarahara  sy marina izao fiaraha-miasa natao sonia, omaly izao. Hitondra fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena ihany koa izany raha voahaja antsakany sy andavany.Hanampy ny CRM, araka izany ny Bianco amin’ny fanatanterahana ny drafitrasa apetraka momba ity ady  amin’ny kolikoly ity.Raha tsiahivina, nisy nofy ratsy teo amin’ny CRM teo aloha mikasika fanodinkodinam-bola ary nahatonga ny mpamatsy vola hampiato ny fanampiana.Tatiana AL’article Bianco sy Croix Rouge Malagasy: apetraka ny ady amin’ny kolikoly a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ambadiky ny Kianja Maki: jiolahy telo tratra nitondra rongony             

Nidoboka am-ponja, ny alakamisy teo ireo jiolahy telo nitondra rongony tanaty baoritra tratran’ny polisy teny ambadiky ny Kianjan’ny Maki Andohatapanekana, ny alarobia lasa teo. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) no nahitana jiolahy roa nitondra baoritra lehibe nifanena tamin’ny polisy nanao fisafoana. Somary kaodikaody avy hatrany izy roa lahy raha vao nahita ireo polisy ka niroso tamin’ny fisavana azy ireo, tamin’izany no nahitana fonosan-drongony lehibe iray tao anaty entan’izy ireo. Nandritra ny famotoran’ny polisy azy ireo teo anivon’ny kaomisaria dia niaiky ny heloka vitany izy roa lahy ary nanondro ny lehilahy iray fividianan’izy ireo izay eny Andranoambo Andohatapenaka. Tratra tao an-trano ilay lehilahy mpivaro-drongony tamin’io fotoana io. Nilaza izy nandritra ny famotoran’ny polisy fa efa an-taony maro no nanao ity asa ity. Eny amin’iny faritra IVO iny no mpamatsy rongony azy ireo fa nilaza ho mpivarotra fotsiny koa ilay lehilahy nividianan’izy roa lahy ireto. Tsy mety ho fongana mihitsy ity resaka trafikana zava-mahadomelina ity. Matoa ireny mbola tafiditra eto amintsika dia mazava ho azy fa malalaka ny lalana miainga avy any am-potony.J.CL’article Ambadiky ny Kianja Maki: jiolahy telo tratra nitondra rongony              a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanabeazam-boho ny soratra: hifarana ny « Cercle litteraire »

Anisan’ny fanomezan-danja lehibe ho an’ny tontolon’ny soratra ny « Cercle littéraire ». Hetsika fanao ao amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina malagasy Antsahavola, isaky ny asabotsy faharoan’ny volana. Hofaranana ny 15 desambra,  manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ity atrikasa ity, ho an’izao taona 2018 izao. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny tafatafa sy fifanakalozan-kevitra ny amin’ny nahitan’ny mpanatrika sy ny mpikarakara tao anatin’izay taona iray izao. Ahafahana manatsara ny ho fizotry ny amin’ny taona manaraka. Anisan’ny hitarika ny fifanakalozan-kevitra amin’izany i Michèle Rakotoson sy ry zareo avy ao amin’ny « Opération Bokiko ».Marihina fa noezahin’ny tompon’andraikitra hatrany ny hitondra zava-baovao sy lohahevitra vaovao niaraha-namakafaka tao anatin’izay taona iray izay. Anisan’izany ny lohahevitra niompana tamin’ny fandikan-teny, ny nanasana mpanoratra, ny vaky boky ifampizarana, sns.Ankoatra ny fifanakalozan-hevitra, hisy ny varotra boky sy fanaovana rango-tsonia (Dédicace). Afaka mitafa amin’ireo mpanoratra ho tonga eny an-toerana rahateo ny mpanatrika. Manasa ireo liana rehetra amin’ny tontolon’ny soratra sy ny boky, toy ny mpanoratra, ny mpianatra, ny mpikaroka, ny tompon’andraikitry ny sekoly, sns, ny mpikarakara.HaRy RazafindrakotoL’article Fanabeazam-boho ny soratra: hifarana ny « Cercle litteraire » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Festival The Week End”: telo andro anatin’ny mozika sy ny fialamboly

Raha ny fanamby, tsy mbola nisy ny hetsika toy ity miandry ity. Hilomano anatin’ny mozika, ny zavakanto ary ny karazam-pialamboly maroloko ireo hanatrika ny “Festival The Week End”, mandritra ny hateloana.Hetsika goavana, andrasan’ny maro, indrindra amin’ity faran’ny herinandro ity, ilay “Festival The Week End”. Telo andro an-danonana, anatin’ny mozika, ny zavakanto sy ny fialamboly maroloko ny kasain’ny Ivenco hotontosaina, ny 2, ny 3 ary ny 4 aogositra ho avy izao, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. “Amin’ny maha orinasa misehatra eo amin’ny famokarana kanto, mirona mankany amin’ny fitondrana zava-baovao ho an’ny Malagasy ny Ivenco. Fanamby goavana be ity hetsika ity”, hoy ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Ivenco. Goavana satria Sehatra telo lehibe hatokana ho an’ny mozika fotsiny no miandry amin’io. Maherin’ny 50 kosa ireo karazana fialamboly hatolotra, homanin’ny mpikarakara miisa 200 mahery. Manantena mpijery hatrany amin’ny 20 000 kosa izy ireo. Mpanakanto manana ny lazany avokoa ireo hifandimby an-tsehatra mandritra ireo telo andro ireo: Shyn, Denise, Mage 4, Kiaka, Zay, Dalvis, Da Hopp, 18.3, Raboussa, Tovo J’Hay, Nate Tex, sns. Hisy sehatra manokana ihany koa ho an’ireo mpanakanto vao misondrotra amin’io fotoana io. Hanao fampisehoana miavaka koa ireo mpiangaly ny “laser”, hiara-dalana amin’ny fahaiza-manaon’ireo mpikosika kapila toa an-dry Dj Shin Chan, MPX, sns. Lafiny fialamboly, misy ny toerana ho an’ireo mankafy ny “jeux vidéos”, ny “sports extrêmes”, sy izay mety ho karazan-dalao fahita amin’ireny kerimesy lehibe ireny. Zo ny Aina L’article “Festival The Week End”: telo andro anatin’ny mozika sy ny fialamboly a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Toetr’andro

Amin’ny alakamisy mihitsy vao hisy orana indray eto Analamanga araka ny tomban- tomban’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro. Ho maina kosa ny andro any amin’ny faritra Atsinanan’ny Nosy mandritra ny telo andro saingy hanorana amin’ny faritra sisa. Somary ho maina ny any amin’ny faritra Atsimo ny faran’ny herinandro. Tsy ahiana kosa ny fiforonan’ ny rivo-doza amin’ity heri- nandro ity, raha ny vinavina hatrany. Hidina ny mari-pana ambony amin’ny faritra Avaratry ny Nosy. Ny mari-pana ambany dia eo anelanelan’ny 16°C – 26°C ary ny mari-pana ambony ao anatin’ny 27 – 37°C. L’article Toetr’andro est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

“Ambohimalaza Time Attack 1.0”: Motobe 50 hifaninana amin’ny sokajy fito
23/11/2020

Hanamarika ny faran’ity herinandro ity ny “Ambohimalaza Time Attack 1.0”. “Zava-baovao eo amin’ny taranja mekanika izy ity”, hoy ny fanazavana nentin-dRandriamorasata Ditratiana, mpikarakara. Gazety Taratra (*): Inona ilay hetsika “Ambohimalaza Time Attack 1.0”?Randriamorasata Ditratiana (-): Hetsika karakarain’ny X’Inov créateur d’impact sy ny BMC ary ny MCM sy ny Trace izy ity ary hazakazaka adim-pamantaranandro natokana ho an’ny moto manana motera lehibe sy matanjaka (grosses cylindrées), tanterahina amin’ny lala-miakatra mampitohy an’Ambohimalaza sy Imerinkasinina, mirefy 4,03 km.(*): Maninona no “grosses cylindrées” fa tsy ny moto rehetra?(- ): Tsotra ny antony, efa manana ny hetsika sy ny fifaninanana ho azy ny moto kely toy ny “scooter” sy ny hafa ka amin’ity, omena sehatra manokana ny moto lehibe, sady hamerenana indray ny fitiavan’ny olona izany fanatanjahantena mekanika izany, taorian’ny fihiboana naharitra fito volana.(*): Antony nizarana azy ireo ho ao anaty sokajy fito?(-): Na samy moto lehibe aza ireo, tsy mitovy avokoa ny tanjany ary samy manana ny endriny avy ny tsirairay. Noho izany, tsy maintsy sarahina ka ampiarahina izay mitovy hery, hampifandanja tsara ny hazakazaka. Raha tsiahivina, ny Chopper, ny Trail, ny Maxiscooter, ny Super motard, ny Roadster, ny Sportive ary ny Custom Vintage ireo sokajy hifaninanana.(*): Inona ny mason-tsivana ho fandraisana anjara?(-): Anisan’ny takinay amin’ny mpifaninana rehetra ny fitondrana ny aroloha, ny arotratra ny arovatana sy ny baoty ary ny arolohalika. Eo koa ny fizahana teknika ny moto ary ny fizaham-pahasalamana ho an’ny mpifaninana tsirairay. Raha misy tsy feno ireo, tsy azo atao ny mandray anjara. Ankoatra izay, ferana ho 50 ihany ny isan’ny mpandray anjara.(*): Misy fetra ve ny taon’ny mpifaninana?(-): Misokatra ho an’ny rehetra ny “Ambohimalaza Time Attack 1.0”, saingy kosa mila taratasy fanekena avy amin’ny ray aman-dreny ho an’ireo mpifaninana tsy ampy taona. Hisy “licence journalière” omen’ny federasiona ho an’ireo tsy ao anaty klioba.(*): Nisy ilay lozam-pifamoivoizana, nitranga herinandro lasa. Inona no fepetra raisin’ny mpikarakara.(-): Tanjonay ny mitandro ny ain’ny mpifaninana rehetra. Mba hisorohana ny loza, tsy maintsy hidina ny lalana rehetra ka tsy misy fiara na moto mahazo mandeha mandritra ny fifaninanana. Fefena ny toerana misy ny mpijery sy ny mpifaninana, amin’io.(*): Hisy mpifaninana avy any ivelany ve amin’ity?(-): Efa nisy niantso anay ireo mpifaninana avy atsy La Réunion sy avy any Frantsa fa miandry ny fisoratana anaran’izy ireo izahay izao. Anisan’ny tadiaviny mantsy ny zava-baovao tsy mbola nisy teto Madagasikara toy ity “Ambohimalaza Time Attack 1.0” ity.(*): Ankoatra azy ireo, mety hahitana mpifaninana vehivavy ve?(-): I Karen, vehivavy malagasy mpitondra moto lehibe. Efa nanambara ny fahavononany amin’ny fandraisana anjara izy ary inoanay fa ho anisan’ireo hifaninana ny tenany. Ankoatra azy, andrasan’ny rehetra koa ny fifanandrinana eo amin’ireo zandrikely kalaza toa an’i Harena sy i Anjo.(*): Ahoana ny fankasitrahana ho an’ny mpandresy sy ny hafatry ny mpikarakara?(-): Hahazo amboara avokoa ireo telo voalohany isaky ny sokajy mifaninana. Hisy koa fisarihana hahazoana loka hafa, ho azy ireo, avy amin’ireo mpanohana sy mpiara-miasa izay efa isaorana eto sahady. Tsy ho diso anjara amin’izany koa ny mpijery. Tongava maro fa zava-baovao be ity “Ambohimalaza Time Attack 1.0” ity. Hahafinaritra ny lalao ary tsy ho diso fanantenana ny mpankafy sy ny mpanatrika. Dinika nangonin’i TorcelinL’article “Ambohimalaza Time Attack 1.0”: Motobe 50 hifaninana amin’ny sokajy fito a été récupéré chez Newsmada.

Fanolanana : Vehivavy efa manambady nanaovan-drainy herisetra ara-nofo
24/11/2020

Zava-doza ary efa tena tsy fampiseho masoandro ity nitranga tany amin’ny faritra Vakinankaratra ity. Raim-pianakaviana iray no notorian’ny zanany vavy teo anivon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona (PMPM) ao Antsirabe fa nanolana azy. Araka ny loharanom-baovao dia efa manambady ity vehivavy ity nefa dia mbola sahin’ity rangahy ity ny nanao azy izany fomba ratsy izany raha sendra nivahiny tao aminy ity zanany ity. Nambaran’ity mpitory moa fa efa tany amin’ny taona 2003 tany no nanaovan-drainy azy izany raha mbola kely izy tamin’izany. Voatery nangina hono izy tamin’izany fotoana izay fa natahotra. Tsara anefa no manamarika fa tena heloka bevava izao nataon-drainy izao satria ankoatry ny fanaovana herisetra amin’ny zaza tsy ampy taona, dia mbola sazian’ny lalàna ihany koa ilay fifoterana amin’ny fianakaviana. Ny polisy miaro ny zaza tsy ampy taona (PMPM) Antsirabe no nisahana ny fanadihadiana. Ano moa no natolotra ny fitsarana ny raharaha ka andrasana izay ho vokany. T.M. L’article Fanolanana : Vehivavy efa manambady nanaovan-drainy herisetra ara-nofo est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Fanolanana : Vehivavy efa manambady nanaovan-drainy herisetra ara-nofo a été récupéré chez Midi Madagasikara.

UNICEF: Ny tokony ataon’ny mpanao gazety manoloana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy
19/11/2020

Mba tsy hampitombo ny takaitran’ilay niharan’ny herisetra. Mpanao gazety avy amin’ny haino vaky jery aman-tranokala miisa 20 avy eto Antananarivo no nahazo fiofanana avy amin’ny UNICEF momba ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy sy herisetra atao amin’ny ankizy. Ny 16 sy ny 17 novambra 2020 teny Antaninarenina no nanatanterahina izany. “Ny haino vaky jery aman-tranokala dia sehatra iray ahafahana mandefa  vaovao sy mampita hafatra mba handraisana anjara amin’ny fanabeazana ny vahoaka Malagasy amin’ny lohahevitra tena  ilaina toy ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy, ny herisetra atao amin’ny ankizy. Tafiditra ao anatin’ny sahan’asa momba ny hetsika 16 andro iadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy izay hanomboka ny 25 novambra ary hifarana ny 10 desambra 2020 ity fiofanana ity”, hoy ny mampiofana Rossella Albertini, manam-pahaizana manokana momba ny maha lahy sy maha vavy avy ao amin’ny UNICEF Madagasikara. Nambarany fa nifanandrify tamin’ny tranga niseho matetika, herinandro lasa, tamin’ny haino vaky jery aman-tranokala momba ny  herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy sy herisetra ara-nofo atao amin’ny ankizy ihany koa ity fampiofanana mpanao gazety ity. Noho izany, “tena ilaina ny fiofanana hampitàna ireo vaovao tokony alefa sy ampahafantarana ny fanararaotana ara-nofo atao amin’ny ankizy sy ny vehivavy  ary koa ampahafantarana amin’ny vahoaka ireo ivon-toerana mandray an-tanana izany”, hoy izy. Nandritra ny fiofanana dia  voalaza fa tomponandraikitra ny mpanao gazety satria mety hampitombo ny takaitra mahazo ilay niharan’ny herisetra indray ny lahatsoratra na fanadihadiana nataony. Ho fisorohana izany ihany koa no anisany zava-kendreny ny fiofanana nomen’ny UNICEF. Lynda A. Cet article UNICEF: Ny tokony ataon’ny mpanao gazety manoloana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article UNICEF: Ny tokony ataon’ny mpanao gazety manoloana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy a été récupéré chez Délire Madagascar.

Nécrologie du 23 novembre 2020
23/11/2020

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 23 novembre 2020 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nécrologie du 23 novembre 2020 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Prix Africa 35.35 : Makwa Joma parmi les 35 lauréats 
23/11/2020

La slameuse- danseuse Makwa Joma au sommet de son art. Makwa Joma a été sélectionnée parmi les 35 jeunes africains les plus talentueux pour bénéficier des prix Africa 35.35 qui célèbrent l’excellence et le mérite de la jeunesse africaine et de l’Afro-diaspora. L’information a été donnée jeudi 12 novembre dernier. La jeune femme malgache a eu le mérite d’être choisie parmi plus de 500 candidats africains en Afrique et dans la diaspiora âgés de 16 à 35 ans. Les 35 jeunes sélectionnés sont porteurs de projets et de réalisations exceptionnels dans leurs communautés. L’objectif de ce prix est de reconnaître les mérites des jeunes africains d’au plus de 35 ans toutes les années. Institués en 2016, les prix 35.35 sont à leur cinquantième édition consécutive. Ils sont organisés toutes les années pour célébrer les meilleures innovations des jeunes africains. Les prix 35.35 sont une initiative d’une organisation panafricaine de jeunes professionnels présents dans 30 pays africains. L’année 2020, la plupart des artistes sont pris dans une situation de vulnérabilité à cause de la crise sanitaire due au Covid-19. Malgré les suspensions des évènements culturels à Madagascar, Makwa Joma n’a pas pris ce moment comme une récréation, au contraire, elle le prend comme un défi. Comme tous les autres artistes, elle a traversé des moments difficiles mais avec son courage et ses créativités durant le confinement, à travers des appels à candidature en ligne. Les mois de Juin elle est la lauréate du concours de projet « demain sera mien » organisé par le Fond de Dotation HY, mois d’août elle est lauréate de l’appel à projet SOFOCO organisé par Africa Culture Fund avec son projet « ose à oser » avant d’être parmi les artistes le plus inspirants du continent noir dont elle a gagné le prix 35.35. Ambitieuse, la jeune femme envisage de réaliser un autre projet pour promouvoir la culture malgache. Iss Heridiny L’article Prix Africa 35.35 : Makwa Joma parmi les 35 lauréats  est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Prix Africa 35.35 : Makwa Joma parmi les 35 lauréats  a été récupéré chez Midi Madagasikara.

FIKAMBANANA FCRA: Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiofanana arak’asa
20/11/2020

Ho fanampiana ny olona sahirana. Foto-drafitr’asa avo lenta miisa telo no notokanana teny amin’ny CRA (Centre Rassoul Akram) Antaniavo Antohomadinika ny 20 novambra 2020. Anisan’izany ny trano lehibe ho an’ny ivon-toeram-pampiofanana arak’asa INFOPRO, ny Amphithéatre d’Al Haj Abdoul Momin ary ny efitram-pikarohana Al haj Roshan Jamil. “Natsangana izao foto-drafitr’asa izao ho fanampiana ny olona sahirana sy ho fiarahamiasa amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fametrahana ivon-toeram-pampiofanana arak’asa. Anjara birikinay amin’ny fampianarana izao ary hiezaka hanaparitaka ny fahalalana ho fanampiana ny tanora izahay”, hoy ny Filoha Tale jeneralin’ny CRA, Cheikh Haniphe Akbaraly. Nambarany fa mbola hisy ny fanamboarana ny ivon-toeram-pampiofanana eny Tanjombato, Andakana. Manana vina ihany koa ny fikambanana FCRA (Fifanampiana Centre Rassoul Akram) fa hananganana oniversite avo lenta momba ny informatika eny Ambohidratrimo. Sampam-piofanana Raha ho an’ny ivon-toeram-pampiofanana INFOPRO dia natao ho an’ny rehetra, tsy ny silamo ihany fa ho an’ny antokom-pivavahana rehetra, tsy ankanavaka ara-pivelomana. Mirary dia mirary ny saram-piofanana ary misy karazany maro ny sampam-piofanana toy ny zaitra, ny  “mécanique”, ny “informatique”, ny fianarana teny vahiny  (teny frantsay  sy anglisy).  Sivy volana ny faharetan’ny fiofanana ary isaky mifarana ny telovolana dia tsy maintsy manao fanadinana ny mpiofana ahafahana miditra amin’ny dingana manaraka. Ho an’ny taona 2018 dia mpiofana 52 no nahavita fiofanana tao amin’ity ivon-toeram-pampiofanana ity. Nitombo avo roa heny izany ny taona 2019, lasa 110 ireo nahazo diplaoma. Ankoatra ny lafiny fampianarana dia manao asa sosialy, mandray anjara amin’ny fambolen-kazo ihany koa ny FCRA. Nirina R. Cet article FIKAMBANANA FCRA: Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiofanana arak’asa est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FIKAMBANANA FCRA: Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiofanana arak’asa a été récupéré chez Délire Madagascar.

Ambohimalaza Time Attack 1.0 : fifaninanana ho an’ireo moto matanjaka
21/11/2020

Hotanterahina ny alahady 29 novambra tontolo andro “ny Ambohimalaza Time At­tack 1.0”. Fifaninanana natokana ho an’ireo moto matanjaka “grosses cylindrées”. Hisy halavirana 4, 03 km mam­pitohy an’Ambohima­laza sy Imerinkasinina izany hazakazaka izany. Hangotraka ny fihaonana satria anisan’ ireo fifaninanana mekanika andrasan’ny rehetra izy ity. Handray anjara amin’izany avokoa ireo mpanamory moto kalaza ary hisy vehivavy iray hifaninana amin’ity. Hozaraina ao anaty sokajy fito ireo mpifaninanana amin’ ity « Ambohimalaza Time Attack 1.0” ity dia ny Chop­per, ny Trail, ny Maxiscooter, ny Super motard, ny Roadster, ny sportive ary ny Custom Vintage. Adim-pamantaranandro no hanaovana ny hazakazaka. Hetsika voalohany, iarahan’ny X’Inov sy Bira Moto Club ary ny Moto Club Mada, amin’ny federasiona malagasy ny moto izy ity. Hisokatra aorian’ny fankatoavan’ny fe­derasiona ny fitsipiky ny fifaninanana, ny fisoratana ana­rana ho an’ireo maniry handray anjara.TorcelinL’article Ambohimalaza Time Attack 1.0 : fifaninanana ho an’ireo moto matanjaka a été récupéré chez Newsmada.

Coupures d’eau : Situation intenable dans certains quartiers de Tana
24/11/2020

Certaines installations sont alimentées « au compte-goutte » ! Invivable. La situation en matière d’eau dans de nombreux quartiers d’Antananarivo est de plus en plus intenable face aux coupures à répétition, voire permanente pour certaines localités. Robinets à sec, ou presque, depuis des semaines voire des mois pour certains quartiers comme Ambohitrarahaba, Antsampandrano, Ivandry, Ambohibary Alasora, Tsarahonenana, Ankatso, pour ne citer que cela, car la liste est longue. D’autres ont dû passer le week-end dernier, et même jusqu’à hier, sans eau. C’était le cas pour de nombreux fokontany où les usagers ont dû se ravitailler en eau chez des amis ou des proches pour avoir de quoi se laver, en attendant le retour à la normale. Seulement, la « normalité » semble maintenant être les coupures d’eau (mais aussi de l’électricité) à répétition, pour diverses raisons. Celle avancée par la société nationale d’eau et d’électricité, JIRAMA, est bien souvent en lien avec des travaux impératifs à effectuer sur les installations. « C’est invivable. L’eau est coupée durant toute la journée et ne revient que vers 22h, voire 23h ou minuit, pour être à nouveau coupée vers 2h du matin. Du coup, nous veillons tard toutes les nuits pour remplir les bassines et les bidons pour notre consommation du lendemain. Et quand certains soirs, les robinets restent désespérément secs, nous sommes contraints d’aller chercher de l’eau chez des amis. Ce qui occasionne des coûts, outre les factures de la JIRAMA qui, curieusement, ne cessent d’augmenter. Et l’électricité, n’en parlons pas. Ces baisses de tension qui ne permettent l’usage d’aucun appareil… Trop, c’est trop ! », s’indigne un usager d’Ivandry où les coupures d’eau et la baisse de la tension électrique sont devenues le lot quotidien des habitants. En cette période de grande chaleur, les consommations d’eau pour l’hygiène et la lessive sont en augmentation, alors que l’eau n’est pas disponible. Période d’étiage ou pas, le problème devient permanent, au grand désespoir des usagers. Hanitra R. L’article Coupures d’eau : Situation intenable dans certains quartiers de Tana est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Coupures d’eau : Situation intenable dans certains quartiers de Tana a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Andravoahangy: tratra ireo tontakely mpanendaka
20/11/2020

Tsy vao izao fa efa hatry ny ela! Mirongatra ny asa fanendahana ataon’ireo andian-jatovo tsy ampy taona eny amin’ny tsena solomaso Andravoahangy. Manoloana izany, nisy ny ezaka nataon’ny polisy amin’ny fanenjehana ireo jiolahy. Nahitam-bokany izany satria efa-dahy indray tratran’ny polisy, afakomaly alina. Nandritra ny fanadihadiana azy ireo no nahafantarana fa miaraka maromaro manao andiany ireto jiolahy rehefa manao ny asa ratsiny ka ny efatra tamin’izy ireo no tratran’ny polisy. Ireo mpandeha an-tongotra tratra alina no tena mitondra faisana amin’izy ireo. Maro rahateo ireo olona nanao fitarainana noho ny firongatry ny fanendahana eny amin’iny faritra iny ka antony nahatonga ny polisy nandray andraikitra avy hatrany.J.CL’article Andravoahangy: tratra ireo tontakely mpanendaka a été récupéré chez Newsmada.

Voasambotry ny polisy tetsy Antohomadinika: sivy lahy mpifoka rongony sy mpanendaka nampikolay ny maro
24/11/2020

Miteny ho azy ny sary. Jereo fotsiny ny endriky ry zalahy! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahefatra Isotry (CSP4), afakomaly, ireo andian-jiolahy miisa sivy mpanendaka eny Isotry hatreny Antohomadinika.Sivy lahy ry zalahy ireto niaraka amin’ny sabatra indray tratran’ireo polisy nanao fanamiana sivily teny Antohomadinika. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, vao 16 taona ny zandriny amin’ireo raha 21 taona kosa ny zokiny indrindra. Eny Isotry sy Antohomadinika ny tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Mpivaro-mandeha toy ireny mivarotra kojakoja ilaina andavanandro ireny ny asan’ny sasany amin’izy ireto raha mpibata entana kosa ny hafa. Mifoka rongony izy ireo mialoha ny hanaovany ny asa ratsiny ary efa maro ireo olona noratrain’ireto jiolahy ireto. Niainga avy amin’ny fitarainana nataon’ireo olona lasibatra no nahafahan’ny polisy nitsongo dia ireto jiolahy ireto ka niafara amin’ny fahatrarana azy ireo. Marihina fa isan’ireo faritra tena mampikaikaika ny olona amin’ny lafiny fanendahana iny faritra Isotry sy Antohomadinika iny. Maro ireo efa nitondra faisana tamin’ny nafitsok’ireo jiolahy. Tokony homena ny sazy henjana izay tratra satria mijanona fotoana fohy any am-ponja ireny tontakely ireny dia miverina manohy ny asa ratsiny indray.Jean ClaudeL’article Voasambotry ny polisy tetsy Antohomadinika: sivy lahy mpifoka rongony sy mpanendaka nampikolay ny maro a été récupéré chez Newsmada.

Kolikoly sy fanararaotana: nahazo fahafahana vonjimaika ny DG-n’ny ACM
23/11/2020

  Nahazo fahafahana vonjimaika rehefa niakatra tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) 67 ha, ny herinandro teo, ny tale jeneralin’ny ACM. Nitory mpiasa vitsivitsy ao aminy ity tompon’andraikitra ity ka niitatra ka nanjary nahavoarohirohy olona ampolony. Vokany, roa naiditra vonjimaika am-ponja ka iray avy eo amin’ny ACM, ny iray avy eny anivon’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka. Ny sasany, nahazo fahafahana vonjimaika ka anisan’izany ny tale jeneraly nametraka ny fitoriana. Anisan’ny naha voarohirohy azy ireo ny kolikoly sy ny fanararaotana amin’ny endriny samihafa.Efa maromaro ny antso fanairana momba ity raharaha ityEfa nialohavan’ny fanairana ny fitondram-panjakana hijery akaiky ny fizotry ny fitantanana eo anivon’ny ACM, miantoka ny fandehanana ny tontolon’ny fitaterana ana habakabaka, ny raharaha. Nandefa fitarainana teny amin’ny fitsirihana asa koa ny sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny ACM.Tsy hita ny minisitera sy ny filankevi-pitantananaNotakina tamin’izany ny fanarahan-dalàna avy amin’ny ACM ny amin’ny tokony hanomezan-danja ny « delege sendikaly » sy ny “convention collective” eo anivon’ny orinasa ary hentitra ny tsy maintsy tanterahina haingana izany. Tsy nisy tohiny anefa hatramin’izao. Tsy fantatra ny toeran’ny ny minisitera mpiahy sy ny eo anivon’ny filankevi-pitantanana. Andrasana ny ho tohiny.Synèse R.L’article Kolikoly sy fanararaotana: nahazo fahafahana vonjimaika ny DG-n’ny ACM a été récupéré chez Newsmada.

MCC – Cnemd: tanora 163 notolorana mari-pankasitrahana
20/11/2020

Miezaka mitondra sy manome vitrika ho an’ireo manan-talenta amin’ny kolontsaina sy ny zavakanto ny minisitera misahana izany. Iray amin’ireny ny fanolorana mari-pankasitrahana.Ho fankaherezana amin’ny tontolon’ny zavakanto…. Notoloran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina mari-pankasitrahana ireo tanora 163, izay mpianatra avy ao amin’ny ivontoeram-panofanana momba ny dihy sy ny mozika Cnemd, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Vokatry ny fandraisan’anjara tamin’ny seho ara-javakanto natao tamin’ny fanokanana ny Lapa Manjakamiadana sy ny Lapa Besakana, ny 6 novambra 2020 teo izany. Tonga nanome voninahitra sy nanolotra ny mari-pankasitrahana teny an-toerana ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, i Lalatiana Andriatongarivo. Nambarany tamin’izany fa vonona hatrany ny minisitera hanohana ireo tanora manan-talenta mba ho tena hanana ny maha izy azy. Nandritra ny lahateniny, nitondra ny fiarahabana sy ny fisaorana avy amin’ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina mivady ny tenany ho an’ireo tanora naneho zavakanto mahafinaritra. Marihina fa rafitra iray eo anivon’ny minisitera ny Cnemd. Vao tsy ela akory izay no vita ny fanamboarana ity ivontoerana ity raha simba tanteraka izany teo aloha. Efa manomboka maha velombolo, araka izany, ny ho avin’ny tanora sy ny zavakanto atsy ho atsy satria efa nahavita dingana sahady ny mpianatra na dia 50 ora aza no nanaovana ny fanomanana ny seho. Anisan’ireo tao amin’izany ivontoerana izany, tamin’ity taona 2020 ity, « Zaza kanto », raha ny nambaran’ny talen’ny Cnemd, i Holy Razafindrazaka.Narilala L’article MCC – Cnemd: tanora 163 notolorana mari-pankasitrahana a été récupéré chez Newsmada.