Faritra Analanjirofo: mikatso ny famatsiana entana

News - Faritra Analanjirofo: mikatso ny famatsiana entana

News - Faritra Analanjirofo: mikatso ny famatsiana entana

Voafetra ny fitaterana
an-dranomasina, noho ny sakana ara-pahasalamana iadiana amin’ny
Covid-19. Vao mainka nanampy trotraka ny haratsian’ny toetr’andro
nandritra ny tapa-bolana teo, aty amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy.
Tsy afaka nihetsika teto amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny
sambo mpitatitra entana, mamatsy ny any amin’ny tapany avaratr’i
Toamasina, tato anatin’ny tapa-bolana farany izao. Vokany, mikatso
ny famatsiana ny entana andavanandro ilain’ny mponina. Maro amin’ny
entana efa nampidirina tanaty sambo, saika vonona ny handeha,
saingy tsy afa-nihetsika ka simba.

Sahirana ny mpanangona
lavanila

Sahirana noho izany ny mponina any
amin’ny distrika maro ao amin’ny faritra Analanjirofo, indrindra ny
any Mananara Avaratra, i Maroantsetra ary i Sainte Marie,
miankin-doha tanteraka amin’ny entana taterin’ny sambo avy aty
Toamasina. Sahirana koa ny fitaterana an-tanety any amin’ireo
distrika ireo satria tena ratsy ny lalana. Araka ny tatitra azo,
tsy ahitana legioma intsony any an-toerana satria lany tanteraka ny
tahiry.

Nanomboka nisy sambo afaka nitondra
entana ihany ny alarobia 29 jolay teo, saingy tsy mbola naharaka
amin’ny famatsiana any an-toerana. Tsy afaka niasa koa ny mpanjono
any an-dranomasina, nandritra izay tapa-bolana naharatsy ny andro
izay. Sahirana noho izany ny mpandraharaha mpanangona lavanila any
amin’ny tantsaha.

Sajo sy Njaka A.

Article tiré de Newsmada

L’article Faritra Analanjirofo: mikatso ny famatsiana entana a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 03/08/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Zava-bita tsara indrindra: 2 600 000 ny hazo voavoly

Tsy mbola  nisy tahaka izao. Tanjona napetraky ny filoha ny hamboly hazo amin’ny velarana 40 000 ha isan-taona hameranana ny Nosy ho maitso sy hanalefahana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetry ny andro. “38 500 ha hatramin’izao no vita, araka ny tatitra taorian’ny fivorian’ny talem-paritry ny minisiteran’ny Tontolo iainana”, hoy ny fanazavan’ny talen’ny fambolen-kazo ao anatin’ny minisitera, i Jaozandry Jean Jacques, tany Mahajanga. Heverina fa ho tratra izany hatramin’ny faran’ny taona. Anisan’ny hamaliana ny vina ny fambolena zanaka ala honko any Boanamary, ao amin’ny distrikan’i Mahajanga II, ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Tafiditra ao anatin’ny Andro maneran-tany ho an’ny ala honko rahateo ny hetsika. 1 tapitrisa ny hazo voavoly tao anatin’ny tontolo andro, notarihin’ny minisitry ny Tontolo iainana, i Alexandre Georget. Niampy iray tapitrisa tany Befotaka Morombe  sy ny tany Diana miisa 600  000 izany. Nampiasa ny fomba “Tangnamaro” ny mpamboly hazo ka nirindra ny asa nahavitana ny velarana 200 ha. “Ny fahavononana politika mihitsy no tsy ampy”, hoy ny minisitra.Vonjy A. L’article Zava-bita tsara indrindra: 2 600 000 ny hazo voavoly a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Holafitry ny mpitsabo: tsy mazoto  miasa any ambanivohitra ireo dokotera

4 500 ny isan’ny mpitsabo voasoratra ao anatin’ny Holafitry ny mpitsabo eto Madagasikara miparitaka manerana ny Nosy, 4 000 ireo miasa eto Analamanga. Misy anefa ny  olana  sedrain’izy ireo. « Ampy ny isan’ny mpitsabo fa ny fitsinjarana azy hisandrahaka amin’ny faritra rehetra no manahirana, indrindra ho an’ny any ambanivohitra saro-dalana », hoy ny filohan’ny holafitry ny mpitsabo, Andrianasolo Eric, omaly teny Anosy. Mbola maro rahateo ny toerana tsy mandry fahalemana ka tsy mazoto miasa any ny mpitsabo, vokatr’izay.Misandoka  ho  mpitsaboTsy vitsy noho izany ny olona misandoka ho mpitsabo amin’ny faritra lavitry ny tanàn-dehibe. Isan-taona, manodidina ny telo ireo tratra miaraka amin’ny porofo fa misandoka ho mpitsabo nefa tsy manana ny diplaoma sy ny fanamarinana momba ny asam-pitsaboana. Tokony hiezaka hanara-maso sy hitory ireny ny solontenan’ny holafitra isam-paritra hiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka. Tsy tafiditra ao kosa ny mpitsabo nentim-paharazana izay manana lalàna mifehy azy manokana.Natokana ho an’ny Andron’ny mpitsabo eto Analamanga, ny omaly teny Anosy ka nizarana fitaovana « Application amin’ny Android » ho an’ny mpitsabo. Mivoatra hatrany ny fitsaboana ka zava-baovao (tao anatin’ny 10 taona farany) momba ny certificat médical, fanafody ary ny fomba fitsaboana no naparitaka amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao ahafahan’ny mpitsabo manatsara ny asany.Hanangana vaomiera  manokana Nanamarika ny tompon’andraikitra ny minisiteran’ny Fahasalamana, nandritra ny hetsika teny Anosy fa hanangana cellule de crise hitantanana ny asa rehetra, ny fanaraha-maso ny fisorohana ny tsy hidiran’ny aretina Ebola eto Madagasikara. Miara-miasa amin’ny tompon’andraikitry ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny seranana izy ireo. Nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikamban momba ny fahasalamana fa hamehana ara-pahasalamana ny ady amin’ny aretina Ebola ka tokony handray fepetra ny firenena rehetra.Vonjy A.      L’article Holafitry ny mpitsabo: tsy mazoto  miasa any ambanivohitra ireo dokotera a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Politika momba ny hetra: tokony hatevenina ny haba amin’ny akora fanondrana

Nanokanana andro, omaly, ny politika momba ny hetra niantsoana sehatra sy sokajin’olona maro. Tsy adidin’ny fanjakana irery ny raharahan-ketra, araka ny fanamarihana nataon’ny sampandraharahan’ny hetra.Mbola ambany ny tahan’ny fidiran-ketra eto amintsika, 12 % monja, ka ny hampitomboana izany. Niantsoana ireo sokajin’olona samihafa avy amina sehatra maro, nitondra ny heviny. Lohahevitra nosoritana : “Inona ny politika momba ny hetra hampivoatra an’i Madagasikara ?”. Andrasana avy amin’io fihaonana io ny hitsanganan’ny tambajotra iray ahitana ny avy amin’ny minisitera isanisany, sehatra tsy miankina, fiarahamonim-pirenena, mpikaroka any amin’ny oniversite. Havondrona ny hevitr’ireo rehetra ireo hamaritana izay tokony hampitomboana ny fidiran-ketra.  Kendrena ny ho 15 % amin’ny 2023.Iray nitondra ny heviny, ny tale jeneralin’ny ladoany, i Zafivanona Lainkana Ernest. Miara-miasa hatrany ny ladoany sy ny foiben-ketra ho an’ny kitapom-bolam-panjakana. Tolo-kevitra iray naroson’ny ladoany ny fiarovana ny orinasa eto an-toerana, ka faritana ireo akora na entana tsy asiana fanamaivanan-ketra. Anatin’izay fiarovana ny orinasa izay ny fampidinana ny haba amin’ireo akora na fitaovana fampiasan’izy ireo. Fomba ampirisihina azy ireo izany hanondrana entana any ivelany, mampiditra vola vahiny. Tokony hatevenina koa ny haba alaina amin’ireo akora fototra fanondrana any ivelany, toy ny kraomita, fasimainty, volamena sy vatosoa, sns…Nanamafy ny tale jeneralin’ny hetra, i Germain, fa mbola ezaka goavana ny fanatsarana ny fampidiran-ketra. “Hatramin’izao, TVA, haban-tseranana, solika, ireo no mampiditra betsaka ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana fa mila fanantenana lavitrezaka ny hetra tokony haloan’ny tsirairay avy amin’ny vola miditra aminy”, hoy ny tale jeneraly. Nampahafantarina ihany koa ny fahamaroan’ny asa fihariana ivelan’ny ara-dalàna, mahatratra 40 %, tsy mandoa hetra, araka ny tatitra nataon’ny FMI. R.MathieuL’article Politika momba ny hetra: tokony hatevenina ny haba amin’ny akora fanondrana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Misaona ny “Rallye”: nodimandry Ratsifandrihamanana Nirina

Misaona indray ny tontolon’ny taranja fanamoriana fiarakodia satria nindaosin’ny fahafatesana, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, Ratsifandrihamanana Nirina, 62 taona, mpanamory avy amin’ny klioba FMMSAM. Ny aretim-bavony efa nahazo azy nandritra ny fotoana naharitra no nitarika ny fahafatesany. Raha tsiahivina, ny taona 1992 i Nirina no nanomboka niditra teo amin’ny sehatra ny fanatanjahantena mekanika ka nisantarany izany ny “course de côte”, nitondrany ny fiara P.104. Niditra nanao “rallye” kosa izy, ny taona 1994 ka nitondra ny fiara P.106, ary nifaninana tao amin’ny sokajy “2 roues motrices”, izay efa nahazoany anaram-boninahitra maro. Ny p.206 no fiara nentiny nifaninana farany ka nahatonga azy ho tompondakan’i Madagasikara , teo amin’ny M11 2 roues motrices, ny taona 2019, niaraka tamin’i Alcazaria Jr. Nomeny anarana hoe : Baomba kely avokoa ireo fiara rehetra nentiny nifaninana. Efa mpandray anjara tamin’ny “Run” ihany koa i Nirina. Ankoatra ny fanamoriana fiarakodia, efa tompondaka tamin’ny taranja lomano, tany amin’ny taona 1974, 1975 ihany koa Itompokolahy. Namela mananon-tena sy kamboty vavitokana i Nirina. Raha tsy misy ny fiovana, alevina amin’ity alatsinainy ity ny nofomangatsiakany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny rallye, izahay eto amin’ny Gazety Taratra. Torcelin sy Mi Raz L’article Misaona ny “Rallye”: nodimandry Ratsifandrihamanana Nirina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lalam-pirenena – RN2: mila fandaminana ny eo Marozevo

Sahirana ireo mpitondra fiara rehefa handalo ny tanànan’i Marozevo, tanàna eo am-pototry ny fiakaran’i Mandraka iny. Mandalo eo avokoa na ireo fiara mitondra entana tonga avy ao Toamasina na ireo mitatitra entana haondrana ao amin’io seranana io avy aty Antananarivo sy avy any Alaotra, ny kraoma, ohatra. Miampy izany ireo mpitatitra olona sy fiaran’olon-tsotra.Toerana fisakafoan’ny maro ny eo Marozevo. Isan’ireny ireo fiara goavana sy lavabe. Maro ireo fiara miantsona eo ka zary ampahan-dalana kely sisa azon’ny fiara aleha. Lavabe ny filaharan’izay mijanona eo ka tsy tazan’ny mpamily avy amin’ny ilany iray ny fidiran’ny fiara avy any amin’ny ilany faharoa. Tafiditra ao afovoany vao mifankahita. Tsy afaka mihemotra, satria fiara maro no efa manaraka aoriana.Mandany fotoana, tonga hatamin’ny fifamaliana.”Tsy antoandro, tsy alina, ary samy manao beloha!”, hoy ny mpitondra fiara. Misy tobin’ny zandary tsy lavitra eo ka heverina fa tokony hisy ny fandaminana. Rarivo       L’article Lalam-pirenena – RN2: mila fandaminana ny eo Marozevo a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

COVID-19: Situation du 12-08-2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Situation du 12-08-2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.La porte-parole du CCO, Pr VOLOLONTIANA Hanta rapporte de nouvelles données ce mercredi 12 août. En effet, 80 nouvelles contaminations ont été identifiées dans la région Analamanga avec un total de 27 cas, Atsinanana avec 1 cas, Alaotra Mangoro avec 24 cas, Matsiatra Ambony avec 7 cas, Boeny avec 6 cas, Diana avec 8 cas, Androy avec 2 cas, Sofia avec 2 cas, Sava avec 2 cas et Atsimo Andrefana avec 1 cas. La Grande Île compte ainsi 13397 cas positifs au coronavirus depuis mars dernier dont 1712 sont en cours de traitement. Parmi ces cas actifs, 103 patients sont en état critique, voire très critique pour certains affirme-t-elle. En revanche, 253 malades ont recouvré la santé et peuvent désormais reprendre une vie normale au niveau de la société tout en respectant les mesures et les gestes barrières préconisés par l’Etat. En total, 11529 personnes sont complètement guéries. Cependant, 4 décès liés au coronavirus ont également été communiqués ce jour, portant officiellement à 156 le nombre des victimes de cette pandémie de covid-19 à Madagascar. L’article COVID-19: Situation du 12-08-2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - Triatra

«Nitranga ny nafenina »

Voavaly ny fanontaniana napetraky ny namana mpanao gazety teto amin’ny TRIATRA nanao hoe : « Iza loatra re izao mpanao politika mitady vola mafy amin’ny vanim-potoana akaiky fifidianana izao e ? » Nirongatra izay tsy izy mantsy ny fanaovana « Kidnapping » tao anatin’izao fotoan’ny fifidianana izao. Izany hoe efa hatramin’ny fiandohan’ity taona ity, raha vao fantatra fa tsy azo nihodivirana ny niatrehana ny fifidianana filoham-pirenena, dia maro ihany koa ireo teratany Karàna nitondra faisana tamin’ny alalan’ny Kidnapping. Ny 99 andro ihany anefa ny an’ny mpanao ratsy, fa ny iray andro kosa an’ny tompony. Voasambotra tany Antsirabe ny talata lasa teo araka izany ilay tena atidoha mpikotrika ity resaka “Kidnapping” ity. Tsy iza akory fa olona akaiky an’i Andry Rajoelina sy ny forongony, ilay mpanomana sy mpaniraka olona amin’ity raharaha nampiteny ny moana ity. Anisan’ireo mpanohana mahafatra-po ity kandidà ity ihany koa. Asa na fifandrifian-javatra na ahoana, fa tena nampiaiky ny rehetra, na ny teto an-toerana hatramin’ny tany ivelany ny vola nafafin’i Andry Rajoelina tamin’ny fanomanana sy ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra nandritra ny fifidianana Filoham-pirenena fihodinana voalohany. Niaiky mihitsy mantsy ireo mpanao politika sy mpanao gazety vahiny, satria na ny vola nanomanan’izay nilatsaka filoham-pirenena Amerikana aza mbola ambany lavitra noho ny an’i Andry Rajoelina, izay nahatratra 183 Tapitrisa Dolara Mazava izany izao hoe iza no manao inona eto amin’ity firenena ity? ary avy aiza ihany koa ireo volabe natao fafikatrana nanerana an’i Madagasikara nanaovana fampisehoana sy fampanantenana poakaty. Ny tena marina dia variana nanenjika olona fotsiny noho ny hevitra ara-politika tsy nitoviana. Izao anefa ny vokany, tsy nila nenjehina fa nipoitra ho azy ny nafenina rehetra. Soa fa mbola tao anatin’ny fampielezan-kevitra dia efa nitranga izao raharaha maloto izao, nahafahan’ny vahoaka mpifidy nahafantatra hoe volana inona no hambolena Coton de Tuléar, sy hamindrana an’i MIAMI any Toamasina. Mahary K L’article «Nitranga ny nafenina » est apparu en premier sur .L’article «Nitranga ny nafenina » a été récupéré chez Triatra.

News - Ao Raha

Fanomanana ny fifidianana kaominaly :: Miantso ireo kandidà mba hanara-dalàna ny masoivohon’i Soisa

Vaky bantsilana. Natsikafon-dry zareo avy ao amin’ny Masoivohon’i Soisa, miasa sy monina eto Madagasikara ireo lesoka nitranga tamin’ny fifidianana roa nizotra teto amintsika. Nandritra ny fankalazana ny faha-728 taonan’ny Fetim-pirenena Soisa, tetsy Ambohibao, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, no namborahan’ny mpiandraiki-draharaha soisa, Sabine Jenkins, an’izany. « Maro ireo olana manodidina ny lisitry ny mpifidy sy ny hala-bato kanefa ny mampalahelo sy mahamenatra ary mahasosotra dia ny any ivelany indray no mahalala ny tena zava-misy marina noho isika eto an-toerana », hoy izy. Manoloana izany olana izany indrindra dia miantso an’ireo olona mikasa hilatsaka hofidiana ben’ny tanàna sy lefitry ny ben’ny tanàna manerana ny Nosy, ny tenany, mba hanaja ny lalàna mifehy ny fifidianana. “Mila arahina ny lamina hapetraky ny mpikarakara fifidianana sy ny fitondram-panjakana. Tokony ho fitaratra eo amin’ny fiaraha-monina ireo olom-boafidy sy ireo mbola hilatsaka hofidiana”, hoy izy. Ankoatra izay, tsy nohadinoin’ity diplomaty ity ny nanambara fa: “vonona hanamafy orina ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny firenena roa tonta eo amin’ny sehatra rehetra i Soisa”. Nicoh Richman L’article Fanomanana ny fifidianana kaominaly :: Miantso ireo kandidà mba hanara-dalàna ny masoivohon’i Soisa est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Filoha Rajoelina Andry : “Na iza na iza, sazina ireo tratra manao kolikoly”

“Zava-dehibe ny fametrahana ny tale jeneralin’ny Bianco. Milaza ampahibemaso eto aho ankehitriny: ho tena mahaleo tena ny Bianco. Ary io tsy misy fifantenana fa na iza na iza tratra amin’ny resaka kolikoly, tokony hosazin’ny lalàna avokoa”, hoy  ny filoha Rajoelina Andry teny amin’ny Fitsarana tampony, Anosy, omaly, taorian’ny lanonam-pitsarana nandraisana ny fianianan’ny tale jeneraly vaovaon’ny Bianco. Maro loatra ary efa tafiditra amin’ny fiainan’ny vahoaka , indrindra ny tompon-draharaha rehetra, ny kolikoly: any amin’ny minisitera, fananan-tany, hopitaly, hatrany am-piangonana.Tsy misy intsony ny olona ambony na ambany…Nambarany fa vonona amin’izany ady amin’ny kolikoly izany ny rehetra, hiara-kifanome tanana, hiara-kiroso. Ao anatin’ny tanjona iray ampandrosoana ny firenena ny ady amin’ny kolikoly, ary tafiditra ao anatin’ny velirano.Tsy handroso ny firenena raha mbola manjaka izany. Izao vao hita fa maro ny olona sahy mitory mpitandro filaminana. Tsy misy intsony ny olona ambony na ambany amin’ny ady amin’ny kolikoly, fa mitovy ny rehetra.Tsy ekena intsony ny fangalarana volam-panjakanaBe loatra ny mangala-bolam-panjakana. “Ny ady amin’ny kolikoly ataontsika voalohany: ny fiadiana amin’ny gaboraraka , ny tolotr’asa tsy misy asa atao akory”, hoy izy.Misy asa be dia be hoe atao, lazaina fa misy tranompokonolona, sekoly, tetezana… Nefa tsy misy akory. Tsy ekena ny fangalarana amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Eo koa  ny ady amin’ny fananan-tany: Marobe ny olona manana tany, lasa amin’ny tsy rariny. Voan’ny tsindrihazolena ny olona tsy mahay taratasy momba ny tany.R.Nd. Vita fianianana ny tale jeneralin’ny Bianco “Mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany araka ny lalàna ny andraikitro, hitandro lalandava ny fahamarinana, tsy hijery tavan’olona, hitana sy tsy amboraka na oviana na oviana ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana.” Anisan’ny fianianan’ny tale jeneraly vaovaon’ny Bianco, Andrianirina Laza Eric Donat.Nisy ny famindram-pahefana tamin’ny tale jeneraly teo aloha, Andriamifidy Jean-Louis, taorian’izany. Anisan’ny laharam-pahamehan’ny tale jeneraly vaovao ny fahaiza-manao, ny fahalalana, ny fahendrena, ary ny fanajana ny rafitra misy amin’ny ady amin’ny kolikoly. L’article Filoha Rajoelina Andry : “Na iza na iza, sazina ireo tratra manao kolikoly” a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

BAKALOREA 2020: Nampitomboana avo roa heny ny zandary niaro ny toerana nanaovana ny laza adina

Vita ny fanomanana ny fanatontosana ny laza adina rehetra ho an’ny fanadinana bakalorea izay hanomboka ny 19 oktobra 2020 ho avy izao. « Efa tonga any amin’ny foibem-panadinana manerana ny Nosy izany. Voahaja ny fepetra rehetra hanatanterahana izany. Nampitomboana avo roa heny ny zandary niambina ny toeram-pihibohana nanaovana ny laza adina”, hoy Tale jeneralin’ny fampianarana ambony, Rajaonarison François, ny 16 oktobra 2020 teny amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa. Nambarany ihany koa fa ao anatin’ny fanondrahana ranom-panafody eny amin’ireo foibem-panadinana ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana. Ankoatra izany, “miantso ny mpianatra mba hifantoka amin’ny fanadinana fa tsy ho voarebirebin’ny fanakorontanana” ny tenany. Enjehin’ny lalàna                      Ho fisorohana ny fiparitahan’ny laza adina dia nandray ny anjara tandrifiny ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. “ Teo ny fiarovana ny toerana nanaovana ny laza adina sy ireo olona nanao izany”, hoy i Kolonely Ravoavy, Directeur de la sécurité  et des renseignements (DSR) ny zandarimariam-pirenena. Nohamafisiny fa enjehin’ny lalàna ny endrika fanakorontanana toy ny fanelezana vaovao tsy mari-pototra, ohatra ny filazana ny fisian’ny fiparitahan’ny laza adina. “Manentana ny tsirairay mba tsy hanaparitaka vaovao tsy marina fa indrindra manohitohina ny filaminam-bahoaka”. Lynda A. Cet article BAKALOREA 2020: Nampitomboana avo roa heny ny zandary niaro ny toerana nanaovana ny laza adina est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article BAKALOREA 2020: Nampitomboana avo roa heny ny zandary niaro ny toerana nanaovana ny laza adina a été récupéré chez Délire Madagascar.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services CHEF DE PROJET INFORMATIQUE (H/F)
21/01/2021

Nous recrutons pour une entreprise cliente : UN CHEF DE PROJET INFORMATIQUE (H/F) Missions :•Vous supervisez la réalisation des projets jusqu’à leur finalisation,•Vous coordonnez les équipes projet et vérifiez la conformité des livrables,•Vous participez à l’élaboration d’interfaces innovantes pour répondre à des problématiques précises,•Vous rédigez les spécifications fonctionnelles détaillant l’ensemble des fonctionnalités à mettre en place,•Vous assurez la relation client au jour et le jour. Profil :•Titulaire d’un bac +4 en informatique, génie logiciel, ou équivalent•Ayant une expérience de 5 ans minimum dans le domaine informatique•Vous avez une forte expérience en développement sur diverses technos•Vous avez une expérience dans la gestion de projets Web technique et fonctionnelle•Vous avez de bonnes compétences en encadrement d’équipe opérationnelle sous Scrum•Vous êtes doté d’une sensibilité UX/UI design•Vous possédez une aisance commerciale, relationnelle et rédactionnelle.•Vous êtes doté d’une bonne capacité de communication, êtes autonome et doté d’un sens du service. Pour postuler, veuillez nous envoyer votre candidature (CV + Lettre de Motivation) à recrutement@human-talent-consulting.com avec, pour objet du mail, la mention : "CDPI/920". Merci de nommer votre CV par votre nom et prénom. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services CHEF DE PROJET INFORMATIQUE (H/F)".

Emploi et services Quels type d'événements souhaitez-vous organiser?
19/01/2021

Nous sommes spécialisé dans le catering et dans l’organisation d’événements particuliers (fêtes familiales, entre amis, etc.) ou professionnels. Le Complexe met en avant dans ses plats, une cuisine saine et équilibrée. Le choix des produits est typiquement local pour composer des menus variés selon les saisons.  Si vous souhaitez passer commande ou obtenir de plus amples informations, vous pouvez directement contacter :▬▬▬▬▬▬▬ COMMENT NOUS SUIVRE ▬▬▬▬▬▬▬Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Quels type d'événements souhaitez-vous organiser?".

Emploi et services ADMINISTRATEUR DE VENTE (H/F)
20/01/2021

Nous recrutons pour un de nos clientsUN ADMINISTRATEUR DE VENTE (H/F) Missions :-Réception de la demande client par téléphone-Prospection clientèle par téléphone ou mail-Traitement et envoie du devis relatif à la demande client-Validation de vente et suivi de la livraison  Profil :-titulaire d’un bac +2 en communication, marketing, commerce-Expérience réussie en centre d’appel-Bonne connaissance des produits et pièces automobiles- Très bonne maitrise du français et du pack office- Rigoureux (se) – réactive et bon sens de la négociation Envoyez votre candidature à recrutement@human-talent-consulting.com avec en objet, la référence «  adminvente/0120 » Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ADMINISTRATEUR DE VENTE (H/F)".

A vendre Tablette graphique GAEMON 1060 Pro
21/01/2021

- Stylete sans fil, sans besoin de recharge/batterie- Pression du stylet: 8192 Level- 12 Fixed Key + 16 Express Keys- Zone active: 10*6 pouces- 266 PPS- Résolution : 5080 LPI- Compatible avec Windows 7 et version supérieure- Compatible avec Photoshop, Illustrator, Clip Studio Paint, Krita, etcPas de mp, contact direct au 0334927717 ou au 0325867436Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Tablette graphique GAEMON 1060 Pro".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/01/2021

Etudes, Dimensionnements et Plans en : ·       Gros Œuvre ; VRD ; Assainissement ; Second Œuvre·       Electricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·       Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Moyens de Lutte Contre l’Incendie·       Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée Tél : 033 08 909 22E-mail : ajafluides@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
21/01/2021

Etudes, Dimensionnements et Plans en : ·       Gros Œuvre ; VRD ; Assainissement ; Second Œuvre·       Electricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·       Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Moyens de Lutte Contre l’Incendie·       Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée Tél : 033 08 909 22E-mail : ajafluides@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Travail en ligne qui paye vraiment
20/01/2021

Bonjour vous voulez travailler en ligne et gagner réellement de l'argent ? je vais vous parler des deux sites où vous pouvez en gagner des crypthomonnaies et les convertir ensuite en la monnaie de votre choix le premier est un site qui permet de gagner des litecoins ( 1 litecoin = 45,14 dollars USD ) vous pouvez convertir à partir du dollar pour voir combien ça fait dans votre pays. Sur le site ils y a plusieurs tâches à effectuer pour gagner des litecoins ( cliquer sur des pub c'est mon préféré parceque ça ne prend pas trop de temps car tu clic sur une pub une page s'affiche tu apu sur regarder, tu dois regarder pendant 10 secondes seulement. Il y a aussi la possibilité de gagner en regardant des vidéos et bien autres moyens. Voici le lien pour ce sitehttps://litecoinads.com/register.aspx?u=133599Le deuxième site te permet de gagner des bitcoins (1 bitcoin= 9282,87 dollars USD) Il y a un faucet ou vous pouvez réclamer de bitcoins à chaque 40 minutes, vous pouvez gagner aussi de bitcoins en regardant de pub aussi.et plus tu es régulier sur le site plus tes gains augmentent Voici le lien pour ce sitehttps://www.faucetcrypto.com/ref/317203Les deux sites sont totalement gratuit il n'y a rien à payer vous n'avez qu'à vous inscrire et à travailler c'est tout.  Si vous avez d'autres questions n'hésitez pas.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail en ligne qui paye vraiment".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
20/01/2021

Etudes, Dimensionnements et Plans en : ·       Gros Œuvre ; VRD ; Assainissement ; Second Œuvre·       Electricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·       Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Moyens de Lutte Contre l’Incendie·       Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée Tél : 033 08 909 22E-mail : ajafluides@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services RECRUTEMENT ASSISTANTE ADMINISTRATIVE
15/01/2021

Missions : • Rédaction et mise en place de documents juridiques (bail, statut, contrat divers, procuration…) • Classement systématique des dossiers physiques et électroniques des clients • Gestion et suivi dossiers clients • Réception et accueil clients Profil : • Bacc+3 en gestion ou droit • Maîtrisant le Français autant à l’oral et à l’écrit • Maîtrisant les outils bureautiques • Ayant le sens de l’organisation, de l’initiative et de la responsabilité • Disponible de suite Pour postuler, envoyer votre CV à l’adresse recrutement@redzone.mg avant ce Vendredi 22 Janvier 2021.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services RECRUTEMENT ASSISTANTE ADMINISTRATIVE".

A louer Appartement à louer
15/01/2021

A LOUER Appartement avec piscine Ampisikina Mangarivotra Mahajanga, route vers bloc administratif. Charmants appartements T3 climatisés au choix dont : -un séjour avec baies vitrées -une cuisine ouverte aménagée et équipée( plaque de cuisson et hotte aspirante) -02 chambres à coucher -01 SDE et 01 WC -Terrasse -Lavoir -un parking voiture -Piscine commun -Eau+suppresseur. LOYER: Nous consulter. Contact : 032 47 589 10Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Appartement à louer".

Emploi et services Le meilleur site de travail en ligne avec paiement rapide
20/01/2021

Bonjour, pour toute personne qui souhaite se faire un revenu supplémentaire en travaillant en ligne, voici l'un des meilleurs sites pour le faire. Vous aurez à effectuer des tâches très simple comme :  - regarder des annonces ( environ 5 secondes par annonce) - résoudre des lien courts Et mon préféré le robinet gratuit que vous pouvez réclamer chaque heure et gagner entre 10 et 500000 satoshis. NB: la devise de paiement du site est le bitcoins mais vous pouvez faire votre retrait en bitcoins, litecoins, dogecoin, en dollars sur PAYEER ou en roubles.  Le solde minimum peut être atteint en moin d'une semaine si vous êtes régulier sur site. Si vous êtes intéressé voici le lien pour vous inscrirehttps://btcbux.io/r/0vJZM0Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Le meilleur site de travail en ligne avec paiement rapide".

Emploi et services Klixters – Ser pago por algo Você já faz centavos!
15/01/2021

Klixters - Ser pago por algo Você já faz centavos!⚡ Você sabe o que fazer para ganhar dinheiro assistindo vídeos?💲 Aqui você vai aprender como ganhar dinheiro pela internet!!✔️ Nesse vídeo explicamos o PLANO DE NEGÓCIOS da KLIXTERS.https://www.youtube.com/watch?v=Wo-BP-czFAw💰 Saiba todas as informações a respeito dos ganhos em comunidade, além de respostas para muitas questões relacionadas com o Marketing Digital.💲 Assista e descubra tudo que a Klixters tem pra você!!👇Se ainda não faz parte da Klixters acesse nosso link de inscrição: 👇https://klixters.com/20261Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Klixters - Ser pago por algo Você já faz centavos!".

Notsongaina

Ranesa Firiana: “Ilaina manana traikefa…”
15/01/2021

“Raha ny lalàmpanorenana no jerena: misolo tena ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona, ary ireo vondron-draharaha ara-toekarena sy ara-tsosialy.” Io ny fanazavan’ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, momba ny fanendren’ny filohan’ny Repoblika ireo loholona enina ho mpikamban’ny Antenimierandoholona.Tendrena noho ny fahaizany manokanaAnkoatra izany, ny ampahan’ny loholona izay tendren’ny filohan’ny Repoblika: tokony ho mahasolo tena ny maro anisa na ny betsaka indrindra amin’ny hery ara-toekarena, hery an-tsosialy, hery ara-kolontsaina, ary misy tendrena noho ny fahaizany manokana.Olona manana traikefa sy fahalalana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny ankapobeny izany. Na olona misehatra eo amin’ny lafiny toekarena ary olona mahafantatra ny fiainam-piarahamonina amin’ny ankapobeny. Izay no karazana olona tokony hotendrena amin’ny alalan’ny didim-panjakana avoakan’ny filohan’ny Repoblika ho mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona. Ankoatra izay, misy ny olona ilaina noho ny fahaizany manokana.Fampandrosoana no tanjonaNy tanjona amin’izay: mba ho andrimpanjakana feno sy afa-mijery ny lafiny rehetra no mandrafitra ny Antenimierandoholona, mba ho fanoitra afa-mitondra hevitra ho amin’ny fampandrosoana. Eo koa ny hoe olona manana traikefa sy fahaiza-manao ary fahalalana mifameno ny mpikambana aminy.Tsy latsak’izany indrindra koa ny fandaniana lalàna momba ny fiainam-pirenena sy ny fanaraha-maso ny fiasan’ny governemanta amin’ny ankapobeny. “Mila olona manana traikefa sy fahjaiza-manao isan-karazany izay rehetra izay”, hoy izy.R.Nd.L’article Ranesa Firiana: “Ilaina manana traikefa…” a été récupéré chez Newsmada.

Filoha Rajoelina tao Taolagnaro: « Ho maoderina sy mivoatra amin’ny teknolijia isika »
21/01/2021

Tsy nanadino ireo tanora sy ireo sahirana. Nialoha ny fifaranan’ny dian’ny filoha Rajoelina Andry, omaly tao Taolagnaro, mbola nitondra fanampiana sy nitokana zava-bita ny tenany tany an-toerana.Anisan’izany fitokanany ny “Hotspot wifi” na ny toerana misy “Connexion internet” maimaim-poana eo anoloan’ny Lapan’ny tanàna. Misokatra ho an’ny rehetra, indrindra fa ny tanora izany. “Velirano ny hanao an’i Madagasikara ho maoderina sy mivoatra amin’ny lafiny teknolojia sy ny fifandraisan-davitra. Tanjon’ny fotodrafitrasa ny hanampiana ireo tanora amin’ny fikarohana sy ny fianarana ary ny fifandraisana”, hoy izy. Na izany aza, voarara ny fitsidihana ireo pejy mamoafady, voarara ho an’ny zaza latsaky ny 18 taona.Nanolotra fanampiana ho an’ireo sahirana…Nialoha izany, nanolotra fanampiana toy ny sakafo ho an’ireo fianakaviana sahirana avy any amin’ny faritra Androy, tonga miakatra ao Taolagnaro hikaroka fivelomana ao an-toerana koa ny filoha. Mandray an-tanana ireo fianakaviana sahirana ireo ny fikambanan-dry Masera Fille de la Charité – Sahan’i Maria, miara-miasa akaiky amin’i Père Pédro eto Antananarivo. Nampanantena ny fikambanana fa hozaraina ara-drariny ary ho tonga amin’ny fianakaviana mila izany ny fanampiana. Hifanome tanana amin’ny fizarana ny ao anatin’ny Fikambanan’i Md Vincent de Paul. “Tsy irery ireo fianakaviana sahirana ireo miatrika ny fahasahiranana noho ny haintany sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Tsy maintsy hojerena ny fomba hahafahana mamonjy azy ireo”, hoy ny filoha.Synèse R.  L’article Filoha Rajoelina tao Taolagnaro: « Ho maoderina sy mivoatra amin’ny teknolijia isika » a été récupéré chez Newsmada.

Rugby : Reprise de compétitions pour FTMRAF6
18/01/2021

Le président de FTMRAF6 et le PDG du groupe JCR. « Que 2021 soit une année de compétition », tel est le souhait de Jean Heriniaina Rakotondrafara, président de l’association de rugby des bas-quartiers dans les six arrondissements de la Capitale (FTMRAF6) pour ses membres. Comme chaque année, l’association a organisé une présentation de vœux à l’ANS Ampefiloha, samedi dernier. Une centaine des rugbymen issus de différents coins de la capitale y ont été présents. Lors de son allocution, le président a dévoilé le calendrier des compétitions pour cette saison. « Si la crise sanitaire nous le permet, nous reprendrons toutes nos activités sportives. D’autant plus qu’il est temps de revenir petit à petit sur l’éducation des ces jeunes à travers le rugby. Pourtant, nous respecterons toujours la consigne du Malagasy Rugby.», a-t-il ajouté. Le président Naina Be a profité de ce moment pour présenter ses vœux aux parrains et marraines de l’association. Aussi aperçu, le DG du groupe Jean Claude Ratsimivony (JCR) a honoré cette cérémonie par sa présence. En tant que parrain de l’association, il n’est pas venu les mains vides mais a apporté avec lui des précieux produits du laboratoire Vaniala, dont des boissons multivitaminées et de baume Fosa qu’il a distribués aux membres. Par ailleurs, c’était aussi l’occasion pour les membres de partager du « nofon-kena mitam-pihavanana » aux anciens rugbymen. La cérémonie a été clôturée autour d’un déjeuner pour les membres. Manjato Razafy L’article Rugby : Reprise de compétitions pour FTMRAF6 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Rugby : Reprise de compétitions pour FTMRAF6 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Jery taratra… herinandro: valanaretina… volamena… mitsoa-ponenana
16/01/2021

Hamafisin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanentanana ny tsirairay amin’ny fanajana ireo fepetra sakana iadiana amin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19. Nihanitombo ny tranga vaovao amin’ny fitondrana tsimokaretina coronavirus, ny olona marary, ny ao anatin’ny fahasarotana…Taorian’ny fetin’ny faran’ny taona no nahatonga izay, nefa eo koa ny tsy fanajana ireo fepetra sakana: fanaovana arotava, fanasan-tanana matetika, fanajana ny elanelana iray metatra… Faritra efatra amin’ny 22 no tena ahitana valanaretina: Analamanga, Boeny, Matsiatra Ambony, Vatovavy Fitovinany.Manoloana izany, nilaza ny prefet Antananarivo fa hiverina ny fanaraha-maso ny fampiharana ireo fepetra sakana amin’ny fitaterana, famoriana olona tsy mihoatra ny 50, ohatra, ny any am-piangonana… Sazina hanao asa ho amin’ny tombontsoan’ny besinimaro toy ny teo aloha izay tsy manao arotava.Misy kosa ny fitangoronana ny fiantsonan’ny taxi-borosy avy any atsimo noho ny firongatry ny mpitsoa-ponenana nivaro-pananana noho ny kere. Voalaza fa misy milaza ho mahita asa ho azy ireo. Eo koa ny hoe hamonjy ny havany na hikarama any Tsiroanomandidy, Ambilobe, Mahajanga, Morondava…Tsy mpitsoa-ponenana kosa ireo teratany malagasy telo any Afrika Atsimo voarohirohy amin’ny “Raharaha volamena 73,5 kilao”. Andrasana ny valin-tenin’i Afrika Atsimo ny amin’ny fampodiana azy ireo sy ny volamena. Tafakatra folo ireo tanana am-ponja vonjimaika amin’izao.Raharaha mafanafana amin’izao ny fitomboan’ny fihanaky valanaretina covid-19, ny firongatry ny mpitsoa-ponenana avy any atsimo, ny “Raharaha volamena 73,5 kilao”… Eo koa ny haintany sy ny tsy fahampian-drano. Mahatonga fanapatapahana ny famatsian-jiro sy rano an-tanàn-dehibe?R.Nd.L’article Jery taratra… herinandro: valanaretina… volamena… mitsoa-ponenana a été récupéré chez Newsmada.

Volamena 73,5 kg tratra tao Afrika Atsimo: tsy mbola misy ny raharaham-pitsarana mandeha
18/01/2021

Lasa politika ny “Raharaha volamena 73,5 kilao”? Olona telo no manana fifandraisana akaiky amin’ny mpanohitra, raha ny nambaran’ny ny minisitry ny Serasera, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana.“Tsy azo lavina ny zava-misy, ary tsy misy na iray aza afa-mandà: roa amin’ireo olona voatazona atsy Afrika Atsimo no fantatra mazava ny fifandraisany amin’ny fanoherana eto Madagasikara. Ary ny iray amin’ireo naiditra am-ponja vonjimaika eto Madagasikara indray, zanaka mpanao politika mihitsy ao anatin’ny Rodoben’ny mpanohitra.”Izay ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny governemanta, ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, ny faran’ny herinandro teo, momba  “Raharaha volamena 73,5 kilao” sy ny amin’ireo teratany malagasy voarohirohy amin’izany. Olona telo no fantatra fa manana fifandraisana tena akaiky amin’ny mpanohitra ao anatin’ireo voasaringotra amin’ny raharaha.Fifanarahana ara-diplaomatika ny nataoTsy mbola misy ny raharaham-pitsarana mandeha amin’izao fotoana izao. Noho izany, diso ny filazana fa misy ny faharesena eo anatrehan’ny fitsarana. Tsia. “Mbola tranga voalohany eo anivon’ny fitsarana ny raharaha iray. Amin’izany, afaka manapa-kevitra ny hanemorana ny raharaham-pitsarana ny fitsarana”, hoy izy. Mbola fanemorana ho amin’ny 1 febroary ny raharaham-pitsarana no misy fa tsy hoe tsy azo omena na tsy misy ny volamena 73,5 kilao sarona tatsy Johannesburg, Afrika Atsimo. Fifanarahana ara-diplaomatika ny nataon’ny fitondram-panjakana malagasy.Tsy marina ny filazana hoe nandefa olona mivantana tany amin’ny fitsarana, nanao kolikoly tany amin’ny Afrikanina Tatsimo hoe haverina aty Madagasikara ny volamena. “Tsia. Tsy nisy delegasiona notarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy nandeha tany Afrika Atsimo”, hoy ihany izy. Tsy teto an-toerana ny minisitry ny Raharaham-bahiny tamin’ny fiandohan’ny taona. Nandeha tany Accran, Ghana, izy, nanatrika ny fianianan’ny filoha vaovao gahnianina. Iraky ny filohan’ny Repoblika tamin’izany izy, ary tsy nandalo tao Afrika Atsimo.R.Nd.L’article Volamena 73,5 kg tratra tao Afrika Atsimo: tsy mbola misy ny raharaham-pitsarana mandeha a été récupéré chez Newsmada.

Aleo miova tsy ho azon-doza
19/01/2021

Rehefa ny tsirairay no tsy afaka hiova, zava-poana ihany ny ezaka rehetra ataon’ny  manampahefana handaminana ny tanàna. Mbola ho tsentsina ihany ny tatatra, mbola hitohana ihany ny fifamoivoizana, mbola ho feno diky ihany ny sisin-dalamby sy ny lobolobo rehetra… Matetika, tahotra ny sazy ihany ny mahatonga ny olona hanaja ny fitsipika ka miverina ny fomba fanao rehefa mangingina ny mpiambina. Efa novoizina teto ny « Rehefa tsy mandoto dia manadio » fa mbola miparitaka manerana ny sisin-dalana ihany ny potipoti-javatra sy ny loto navelan’ny mpivarotra hani-masaka. Rehefa hoesorina anefa, mimenomenona, milaza fa « manao kely tsy mba mamindro », “aiza izahay no hivarotra”, sns… Efa kolontsaina raiki-tampisaka mihitsy ny fandikan-dalàna sy ny tsy fanajana fitsipika satria mifantsika ao an-tsaina hatrany ny hoe: eto ny fitadiavana, na efa omena toerana tsara ivarotana aza.Rehefa ny tsirairay no tsy afaka hiova, lazaina fa manao didiko fe lehibe izay mitondra zava-baovao handaminana tanàna… Ny fanorenana tsy nahazoana alalana amin’ny toerana mety hitera-doza, ohatra, ny eny ambanin’ny vatobe sy ny amoron-tatatra. Rehefa tonga ny fahavaratra, malemy ny tany, mihotsaka izay tsy hihotsaka, tandindonin-doza ary mety hiafara amin’ny famoizana aina mihitsy izany, toy ireo nitranga teny amin’ny toerana avo, indray taona izay.  Ny hafa indray no sarotiny amin’ny aintsika, rehefa iharan-doza vao tonga saina…Rehefa ny tsirairay no miova, mirindra ny fiarahamonina, “samy salama ny reny sy ny zaza”, hitsoaka lavitra antsika ny aretina, toy ny pesta, sns… “Antananarivo madio no tanjona ka tadidio”, hoy ny teny filamatra nataon’izay olona izay. Rehefa mby ao an-tsain’ny isam-batan’olona ny hoe manaiky alamina, hitandro ny manodidina, izay no voaloham-pandrosoana. Indrindra ny fahatsapana fa tsy tahotra ho voasazy ny hanarahana fitsipika fa noho ny tombontsoa iombonana, izay no maha olom-banona. Narilala  L’article Aleo miova tsy ho azon-doza a été récupéré chez Newsmada.

Toetr’andro: mbola mitohy ny ora-mikija any avaratra sy andrefana
21/01/2021

Mbola mikija ny orana hatrany Avaratra sy andrefan’ny Nosy ateraky ny andian-drahona miaraka amin’ilay rivodoza Eloise. Mitohy ny fiakaran’ny rano amin’ireo faritra ireo ka mila mailo ny mponina.53%-n’ny rotsak’orana tokony hilatsaka tamin’ity volana janoary ity no nilatsaka tao anatin’ny iray andro tao Antalaha raha ny fandrefesan’ny mpamantatra ny toetr’andro. Efa manodidina ny 139 mm izany rotsak’orana izany ary mihoatra be amin’ny tokony ho izy.Torak’izany ny oram-be mihoa-pampana ao Nosy Be izay manodidina ny 31% amin’ny tokony hirotsaka amin’ity volana ity. Miakatra ny renirano, mila mailo amin’ny fihotsahan’ny tany.Efa nihena be ny heriny. 50 km isan’ora ny rivotra entiny izay mifandray amin’ny tsioky ny talio mihamatanjaka amin’ny tapany avaratra-andrefana.Nivoaka an-dranomasina io maraina io izy.Mbola mitoetra ny filazana miendrika fahamailoana miloko manga ho an’ny faritra sy distrikan’i  Sava, Analanjirofo, Bealanana, Befandriana Avaratra ary Mandritsara.Hanatombo ny rotsak’orana amin’ny tapany avaratra-andrefan’ny Nosy.Ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka avaratr’i Toamasina, eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Morombe dia entanina tsy hiandriaka satria mikorontana ny toetr’andro, oram-baratra sy mandrivotra.Amin’ny alatsinainy vao hiverina ny oranaHo an’Antananarivo, nilaza ny mpamantatra ny toetr’andro fa amin’ny alatsinainy any indray vao hisitraka orana ny eto afovoan-tany.  Hisy ny orana tandrifindrahona kosa amin’ny toerana sasantsasany arakaraky ny fitsitokotokoan’ny rahona. Manodidina ny 19°C ka hatramin’ny 26°C ny maripana. Ho an’i Toliara, hanodidina ny 27 ka hatramin’ny 34°C kosa ny maripana. Tatiana AL’article Toetr’andro: mbola mitohy ny ora-mikija any avaratra sy andrefana a été récupéré chez Newsmada.

Havatsa-Upem Sampana Frantsa: mitohy ny hetsika « Voambolana Tranainy Hovelomina »
16/01/2021

Maro ny hetsika ara-kolontsaina tsy  tanteraka, tamin’iny taona 2020 iny, isan’ny niaritra izany ny haisoratra. Saingy nandritra ny “Iray Volan’ny Teny Malagasy” dia nomarihin’ny Havatsa-Upem Sampana Frantsa manokana ny faha-60 taonan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara.Nanaovan’ny Havatsa Upem sampana Frantsa hetsika mivantana ny teo amin’ny vondrona Facebook-ny, nampiombon-kalo malagasy amin’ny firenena maro tamin’ny alalan’ny “Antsa tohy vakana”. Dia toy izany koa, nanararaotra ny fisian’ny teknolojia hisedrana ny fikatsoan’ny raharaha maro ka nikarakara ny lalao “Voambolana tranainy hovelomina” izy ireo. Maro ireo namaly ny antso. Teo koa  ny famoronana lahatsoratra na fanehoana, izay efa misy eo amin’ny haisoratra ka ampiasana azy ireo. Io dia eo am-periny mihitsy ankehitriny. Ny fehezanteny na lahatsoratra atolotry ny mpandray anjara ka ho voatazona, hatsofoka ao anatin’ny boky hatonta hirakitra ny “Voambolana tranainy hovelomina”, amin’ity taona 2021 ity, izay hatontan’ny Havatsa-Upem Sampana Frantsa. Hisy loka Rakiboky elektronika miaraka amin’io boky io, ho an’izay mavitrika mandray anjara indrindra. “Isaorana ireo efa nilalao sy ireo mbola handray anjara fa manandratra ny teny malagasy, izay teny velona”, hoy ny Havatsa Upem sampana Frantsa. Ny hampiaina azy indrindra no tanjon’ny fikambanana manomana izao lalao izao, manentana ny Malagasy amin’ny vazantany efatra hiara-peo sy hiara-tsoratra.Ny fizotran’ny lalaoIsaky ny faran’ny herinandro dia hiseho tsidimidimy manaraka ny literan’ny abidia ny teny voangona, ka asabotsy sy alahady ny anamarihan’ny mpilalao eo amin’ny sary fanentanana misy ny litera ny lahatsoratra noforoniny. ABDEF ny 12 sy 13 Desambra 2020 GHIJK : 19 sy 20 Desambra 2020 LMNOP ny 09 sy 10 Janoary 2021 ary RSTVZ,  anio asabotsy 16 sy alahady 17 Janoary 2021.Manome fehezanteny iray na tononkalo fohy (an-dalana efatra farafahabetsany) ianao misy ireo teny manaraka ny abidia ireo. Alefa ao amin’ny kaonty fesiboky, “Havatsa upem sampana Frantsa” izany.   “Azo atao ny mampiasa voambolana maromaro miaraka anaty lahatsoratra iray na koa fehezanteny iray isaky ny voambolana. Fehezanteny marim-pototra sy manana ny heviny, tsy manivaiva ny zon’olombelona sy ny fifanajana no hekena sy horaisina. Afaka milalao ny rehetra, ka mandraisa anjara », hoy ny hafatry ny Vondrona Havatsa-Upem Sampana Frantsa eo amin’ny Facebook, i Hanitr’Ony Salomon, filohan’ny Havatsa-Upem Sampana Frantsa.NarilalaL’article Havatsa-Upem Sampana Frantsa: mitohy ny hetsika « Voambolana Tranainy Hovelomina » a été récupéré chez Newsmada.

Fambolen-kazo 2021: tanjona ny hamerenana ala maitso
18/01/2021

Sokafana rahampitso any Taolagnaro, faritra Anosy, ny fotoam-pambolen-kazo 2021. Mitarika ny fotoana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Ritra ny rano any an-toerana   sy amin’ny faritra maro noho fahapotehan’ny ala amin’ny afo. Raha any Anosy manokana, mahazo rano ihany ny ilany atsinanana fa maina tanteraka kosa ny avaratra sy ny avaratra andrefana. Maina ny tany volena, tsy mahita rano hosotroina hatramin’ny biby. Tsy misy ala intsony mamatsy rano ny reniranon’i Efao. “Ilaina ny famerenana ny ala, antoka lehibe ny famatsian-drano amin’ny faritra atsimon’ny Nosy manontolo”, hoy ny talem-paritra ny fitantanana ny ala, Razafindrahanta Hanitriniaina.Satria hita taratra ny fahavoazana ateraky ny haintany, noho ny tsy fahampian’ny rotsak’orana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny WWF, anatin’ny faritra mafana indrindra manerana izao tontolo izao i Madagasikara, noho izay faharavan’ny ala izay. 1,3 tapitrisa ha ny ala rava teo anelanelan’ny 2002 sy ny 2019. Koa tanjona ny famatsian-drano ampy. Avy amin’ny reniranon’i Mandrare sy i Efao, raha ho an’ny faritra Androy sy Anosy. Tokony hiainga avy amin’izay ny tetikasa hiadiana amin’ny kere. Tsy misy safidy hafa afa-tsy ny fambolen-kazo hamerenana ny ala.Mbola nahazo vahana izay doro ala izay tamin’ny 2020, raha ampitahana ny efatra taona farany, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra. Fanamby napetraky ny fanjakana amin’ity 2021 ity ny hamerenana maitso an’i Madagasikara ka zana-kazo anarivony maro no volena, handraisan’ny ankizy mpianatra anjara.Raha tsy misy fepetra …Tsara marihina anefa fa tsy ho tratra mihitsy ny tanjona, raha tsy misy fepetra manamaivana ny fiainam-bahoaka, indrindra eo amin’ny lafiny angovo. Satria mitombo hatrany ny filàna amin’ny saribao, tsy takatry ny maro ny vidin’ny herinaratra sy betsaka ny faritra tsy ahitana izany. Tsy vao sambany nisy fambolen-kazo « ofisialy » ny fiandohan’ny taona toy izao, saingy tsy hita izay vokany. Ny orana efa tsy misy, ny fanaraha-maso tsy ampy. R.MathieuL’article Fambolen-kazo 2021: tanjona ny hamerenana ala maitso a été récupéré chez Newsmada.

Judo: kandidà ho filohan’ny UAJ Randrianasoloniaiko Siteny
21/01/2021

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny federasiona malagasin’ny judo, Randrianasoloniaiko Siteny, fa kandida hofidina ho filohan’ny UAJ (Union Africaine de Judo).Hotanterahina ny 18 mey 2021 izao, any Casablanca, Maraoka, ny Kongresy eo anivon’ny UAJ (Union Africaine de Judo), fotoana hanaovana ny fifidianana izay ho filoha vaovao ihany koa. Efa ho roa herinandro izay ny nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina amin’izany ny filohan’ny FMJ, Randrianasoloniaiko Siteny. Ny talata alina kosa vao nanambara tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny “Youtube”, izany firotsahany izany, izy. Nolazainy nandritra ny fanambarany fa ny hampisongadina ny judo eto Afrika manerana izao tontolo izao ny tanjony ka isan’ny nahatapa-kevitra azy hifaninana. Tetsy ankilany anefa, marobe ireo federasiona afrikanina, nampirisika ity filohan’ny federasiona malagasy ity, mba hirotsaka, rehefa nahita ny fahombiazana goavana, nandritra ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika, sokajy Seniors, notanterahina teto Madagasikara, farany teo.Araka ny vaovao voaray, iray ihany ny mpifaninana hafa ankoatra an-dRandrianasoloniaiko Siteny. Ny filohan’ny federasion’ny judo ao Tchad, i Abakar Djermah Aumi, io kandidà io, izay efa elaela ihany ny nanomboka  ny fampielezan-kevitra tany amin’ireo firenena afrikanina, mpikambana eo anivon’ny « Union Africaine de Judo ». Tsiahivina, firenena miisa 57 ny mivondrona ao amin’ny UAJ, izay samy handrotsa-bato avokoa raha tsy misy ny sampona. Ankoatra ny fifidianana ho filoha, hatsangana amin’io 18 mey 2021 io ihany ny birao mandrafitra ny UAJ.Mi.RazL’article Judo: kandidà ho filohan’ny UAJ Randrianasoloniaiko Siteny a été récupéré chez Newsmada.

Perspectives 2021 : Rencontre virtuelle des acteurs financiers demain  
20/01/2021

La performance du secteur financier est déterminante pour la relance économique post-Covid. À quoi ressemblera la nouvelle normalité et comment les institutions financières peuvent-elles continuer à offrir des services financiers responsables ? C’est la grande question sur laquelle se pencheront les acteurs du secteur financier, dans le cadre du webinaire sur les Perspectives pour l’année 2021. Il s’agit d’un événement organisé par le Groupe de la BAD (Banque africaine de développement). « Le jeudi 21 janvier à 13h GMT, soit à 16h local à Madagascar, les participants discuteront des principaux défis auxquels ils sont confrontés dans la fourniture de services financiers aux micros, petites et moyennes entreprises (MPME). Cette rencontre de travail se fera en visioconférence via le service Zoom  », a communiqué l’initiative Making Finance Work for Africa (MFW4A) au sein de la BAD. À noter que ce webinaire est le deuxième d’une série de quatre sessions organisées par MFW4A, le Consortium IPC  Horus et l’Institut Européen de Coopération et de Développement (IECD) , dans le cadre du programme d’assistance technique de la Banque européenne d’investissement (BEI).  Antsa R. L’article Perspectives 2021 : Rencontre virtuelle des acteurs financiers demain   est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Perspectives 2021 : Rencontre virtuelle des acteurs financiers demain   a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Basikety-N1A 2020: foana ny lanonam-panokafana anio
16/01/2021

Hanomboka anio, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, efitrano kely sy efitrano lehibe, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A lahy sy vavy 2020. Efa vonona avokoa ny ekipa tsirairay avy hiatrika ity fifaninanana ity. Ho fisorohana ny fitangoronana be loatra sy fitandroana ny fahasalamana anefa, nofoanana ny lanonam-panokafana saika hatao anio, amin’ny 4 ora hariva. Tsy misy miova kosa ny fandaharan-dalao rehetra ho amin’ny anio sy rahampitso alahady, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny federasiona. Hisy ny “cure” CVO+ ny mpandray anjara rehetra amin’ny N1A izay mitotaly 450 olona eo, izay fiaraha-miasan’ny federasiona, hiarahana amin’ny Talen’ny Pharma Malagasy, Raoelina Tiana. Eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana izay hatrany, hisy fepetra maro samihafa tsy maintsy arahina mandritra ny fifaninanana. Efa misy ny komisiona manokana hiandraikitra ny fampiharana ireo fepetra ara-pahasalamana ireo ary tsy hilefitra amin’izay mandika izany fepetra izany izy ireo.Mi.Raz  L’article Basikety-N1A 2020: foana ny lanonam-panokafana anio a été récupéré chez Newsmada.