FANOMEZANA AVY AMIN’NY KAOMININA ALASORA : Tsy mbola nisy hetsika tahaka izao hatramin’izay

News - FANOMEZANA AVY AMIN’NY  KAOMININA ALASORA : Tsy mbola nisy hetsika tahaka izao hatramin’izay

News - FANOMEZANA AVY AMIN’NY KAOMININA ALASORA : Tsy mbola nisy hetsika tahaka izao hatramin’izay

Fety miavaka. Rehefa misy ny hetsika ara-sosialy dia matetika mirona any amin’ny be antitra sy ny ankizy ny fanomezana. Iaraha-mahalala fa sahirana ny ankamaroan’ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana. Noho izany dia nijery manokana ireo mpianatra amin’ny sekolim-panjakana rehetra eny Alasora ny kaominina Alasora tarihin’ny ben’ny tanana, Jimmy Randrianarisoa. jimmy randrianarisoa (2)« Nanokana vola 10 tapitrisa ariary ny kaominina tamin’ity hetsika fanomezana ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra eny amin’ny sekolim-panjakana », hoy ny ben’ny tananan’Alasora, Jimmy Randrianarisoa. Mpianatra miisa 5200 avy amin’ny EPP,CEG, Lisea no nisitraka izao fanomezana izao teo amin’ny sehatra maintso Alasora ny 23 Desambra 2020. Nahitana vato mamy, kilalao, chocolat ireo fanomezana ireo. Ankoatra izay dia nomena dictionnaire ny laureat tamin’ny fanadinana CEPE, BEPC sy bakalorea farany teo. Tsy niala maina ireo mpampianatra ao amin’ireo sekolim-panjakana ireo fa nomena vary sy menaka ihany koa. Tsy adinon’ny kaominina Alasora ireo sekoli-panjakana eny an-toerana fa notolorana tsaoka sy éponge. Fitia mifaly ihany koa ny hetsika ka nanome fanomezana ho an’ny ben’ny tanana, Jimmy Randrianarisoa ireo laureat tamin’ny bakalorea. Hisaorana ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny kaominina Alasora

« Tsy mbola nisy hetsika tahaka izao teto Alasora hatramin’izay ho an’ny zanak’Alasora », hoy ny chef Zap Alasora raha nandray fitenenana.

Nandritra ny hetsika dia nisy fety nampifalifaina sy nadraisan’ireo ankizy anjara. Feno ny kianjan’Alasora ary betsaka  ireo tsy tafiditra tao anatin’izany kianja izany.

Nirina R.

Cet article FANOMEZANA AVY AMIN’NY KAOMININA ALASORA : Tsy mbola nisy hetsika tahaka izao hatramin’izay est apparu en premier sur déliremadagascar.

FANOMEZANA AVY AMIN’NY  KAOMININA ALASORA : Tsy mbola nisy hetsika tahaka izao hatramin’izay

L’article FANOMEZANA AVY AMIN’NY KAOMININA ALASORA : Tsy mbola nisy hetsika tahaka izao hatramin’izay a été récupéré chez Délire Madagascar.

Nivoaka tamin'ny : 24/12/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

RLDC Toamasina : taratasy ho an’ny filoham-pirenena

Nampahafantatra ny fisiany sy ny asany ny Fikamba­nan’ny zon’ny mpanjifa sampana Toamasina (RLDC), ny herinandro lasa teo. Nilaza ny filoham-paritra, Rtoa Rako­ton­drahiratra Vonifanja, fa nandefa taratasy any amin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ny RLDC, hamitana sonia ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana sy ny orinasa tsy miankina CGHV. Tompon’ ny tetikasa fanitarana ny fa­mokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano any Volo­be ity CGHV ity. Ho an’ny RLDC, ny fahavitan’izany fifanarahana izany no vahaolana maharitra hamahana ny tsy fahampian’ny herinaratra, mahatonga ny delestazy mateti-pitranga iainan’ny mpanjifa eto Toamasina. Navoitran’ny RLDC koa ny olana hafa, toy ny tsy fisian’ny taratasy fanaovana kara-panondro eto Toamasina, mahatonga ny kolikoly eny amin’ny boriborintany sasany. Voalaza fa mandoa 30 000 Ar hatramin’ny 40 000 Ar vao mahavita kara-panondro iray. Nampahafantarin’ny sekretera jeneraly (SG) ny kaominina Toamasina I ny RLDC ny fametrahana ny birao marolafy, mikarakara ireo manan-draharaha ao amin’ny kaominina, ka mihena ny fivezivezena sy ny fitetezana birao.Sajo sy Njaka A.L’article RLDC Toamasina : taratasy ho an’ny filoham-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mahajanga: hamaky ady amin’ny kolikoly ny zandary

Notanterahina, ny alatsinainy lasa teo tao amin’ny Toby Kly Jean Philippe ao Mahajanga, ny fivoriana niarahana tamin’ireo “commandants d’unité” ao anatin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria ao Boeny, notarihin’ny Kly kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandarimaria ao Mahajanga. Ity fivoriana ity izay nandinihana sy nijerena paikady hanatsarana ny fomba fiasa sy ny fahaiza-manao hametrahana fandriampahalemana maharitra ao Boeny sy hiadiana amin’ny kolikoly. Nilaza ireo teo anivon’ny kaomadin’ny tobim-paritra fa vonona hanatsara ny fomba hiarovana ny vahoaka ny fananany.J.CL’article Mahajanga: hamaky ady amin’ny kolikoly ny zandary a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Iray volan’ny teny Malagasy: hisy ny “Ranty sy antsa Fahaleovantena”

“Fitiavan-tanindrazana mameno ny fisainana, ka ny tenin-drazana no asandratra sy iainana”. Lohahevitra nofidiana sy voizina mandritra ny fanamarihana ny iray volana anandratana ny Teny malagasy, mandritra ity volana jona ity io. Ho tohin’ny fanamarihana, sy ho fankalazana ihany koa ny faha-59 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, hisy ny hetsika maromaro izay nomanin’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera, amin’ny alalan’ny foibem-pitantanana misahana ny maha izy ara-kolontsaina. “Ranty Fahaleovantena” ny hetsika voalohany, izay hotontosaina ny zoma 21 jona hatramin’ny talata 25 jona izao, etsy amin’ny tokotanin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo. Fampirantiana marolafy, manodidina izay fitiavan-tanindrazana izay, ary hanasongadinana sy hanomezan-danja ny kolontsaina malagasy amin’ny endrika samihafa io. Hotontosaina ny zoma 21 jona ihany koa ny “Antsa Fahaleovantena”, eo Analakely ihany. Hanomezana sehatra ny hira ba gasy sy ny asa soratra izany. Mpanakanto maromaro no hifandimby an-tsehatra amin’io fotoana io, izay sady Fetin’ny Mozika ihany koa. Volana jona, volan’ny ankizy ihany koa. Hisy ny “Banja Kilonga”, izay hatao ao amin’ny Efitrano Gisèle Rabesahala, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny asabotsy 22 jona. Fitantarana angano no tena hibahana amin’io, amin’ny maha endri-panabeazana efa nataon’ny taloha ary mbola tohizana ankehitriny azy. Hisy koa ny fifaninanana tsikonina hiara-dalana amin’izay. Ho famaranana ireo andiana hetsika, nanomana fifaninanana antsoina hoe “Fantaro”, izay ho an’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny minisitera ny mpikarakara. Hotontosaina ny zoma 28 jona io, ka hiompana amin’ny fifehezana ny Teny malagasy eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana. Zo ny AinaL’article Iray volan’ny teny Malagasy: hisy ny “Ranty sy antsa Fahaleovantena” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Oniversite: nodimandry ny Pr Ramampiherika D.

Very olomanga ny oniversiten’i Tolara. Nindaosin’ny fahafatesana, ny talata maraina teo, ny profesora Ramampiherika Daniel. Efa talen’ny IHSM izy ary efa nitana andraikitra maro na mbola mpianatra aza. Anisan’izany ny naha filoha mpanorina ny APU any Toliara azy.Efa filohan’ny fiombonamben’ny skoto aty an-toerana ihany koa. Niasa mafy teo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, indrindra ny ady amin’ny fanondranana ny sokatra koa izy. Nanangana fikambanana mpiaro ny tontolo iainana voalohany, ASE, ny taona 1991, taty Toliara ary nanorina ny  «Village des tortues », ny taona 2005, ao Mangily Ifaty. Mikarakara ny sokatra tratra, alohan’ny hamerenana azy eo anivon’ny natiora.Nifototra tamin’ny fiarovana io tontolo iainana io ny asa fikarohana nataon’ny Pr Ramampiherika Daniel. Nahafahany namokatra fitaovana maro momba ny «biotechnologie”, “biogas”, “biomasse » izany.CMS L’article Oniversite: nodimandry ny Pr Ramampiherika D. a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hanomboka ny 19 hatramin’ny 23 oktobra: Nahemotra tapa-bolana ny tetiandron’ny bakalorea

Manana fotoana hiomanana ny mpiadina amin’ny bakalorea, amin’ity taona ity satria nahemotra tapa-bolana ny tetiandro ho fandaminana ny fandraisana ireo hiatrika izany.  Nihemotra tapa-bolana amin’ny tetiandro nam­­baran’ny filoha, nan­­dritra ny kabariny tamin’ ny fahitalavitra ny tetiandro va­ovao hanatanterahana ny fanadinana bakalorea taona 2020, araka ny fanambaran’ ny minisitry ny Fampia­na­ra­na ambony, ny Pr. Elia Béa­trice Assoumacou, omaly. Re­hefa nifandinika tamin’ny teknisianina sy ny mpampianatra avy amin’ny sehatra tsy miankina ny tompon’andraikitry ny fam­pianarana ambony, tapaka fa ny 19 oktobra ka hatramin’ ny 23 oktobra ny fotoana ha­na­t­anterahana ny bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny andiany voalohany ho an’ny fa­mpianarana teknika. Ho­san­tarina ny 26 oktobra ka hatramin’ny 29 oktobra ny andiany faharoa ho an’ny sam­pana teknika. Ma­nana fo­toana malalaka tsara hamerenana sy hanitsiana ny lesoka ny mpiadina. Tsy maintsy nasiana, ara­ka izany, ny tetiandrom-panadinana bakalorea satria me­ty hi­fanitsaka amin’ny fanatontosana ny fanadinana CEPE (1-15 septambra) sy BEPC (21-25 septambra) ny tetiandro teo aloha 5-16 oktobra. Nampitomboana ny isan’ny efitrano handraisana ny mpiadina, amin’ity taona ity, hanajana ny hamehana sy ny fepetra ara-pahasalamana. Mi­la fandaminana sy fanomanana izany ary tsy maintsy horarahana fanafody avokoa mialoha ny fotoam-panadinana indroa miantoana. Efa tapaka teo anivon’ny filankevitry ny governemanta, ny 26 aogositra lasa teo ity te­tiandro ity ary mifanaraka amin’ny didim-pitondrana 17851/2020-MESRS, natao ny 27 aogositra lasa teo.VonjyL’article Hanomboka ny 19 hatramin’ny 23 oktobra: Nahemotra tapa-bolana ny tetiandron’ny bakalorea a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

Aretina pesta : Olona roa indray namoy ny ainy

Mitombo isa hatrany ireo olona traran’ny aretina pesta, ary mitombo isa manaraka izany koa ireo namoy ny ainy. Tao anatin’ny herinandro, olona roa indray no voamarina fa matin’ny aretina pesta araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamana, ny talata 27 novambra teo. Iray voalohany matin’ny pesta aretin-tratra, raha toa ka pesta atodintariana ny faharoa. Tsy voafaritra mazava kosa ny toerana nisehoan’ny tranga. Nanomboka ny 1 aogositra hatramin’ny 26 novambra dia olona 49 no voamarina fa nahitana trangan’aretina, ka 38 tamin’ireo pesta atodintariana, izay namoy ny ainy ny 6 . Miisa 11 kosa indray ny trangan’aretina pesta aretin-tratra, ka ny 10 tamin’ireo namoy ny ainy. Mbola ireo toerana efa nahitana ny tranga hatramin’izay no nahitana ny soritr’aretina, dia ny distrikan’i Tsiroanomandidy, Ambalavao, Befotaka, Manandriana, Ambatofinandrahana, Midongy Atsimo, Anjozorobe, Ankazobe, Miarinarivo, Ambositra, Moramanga, Betafo ary Faratsiho. L.N L’article Aretina pesta : Olona roa indray namoy ny ainy est apparu en premier sur .L’article Aretina pesta : Olona roa indray namoy ny ainy a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Halatra fiara: jiolahy iray nidoboka am-ponja

Nidoboka vonjimaika am-ponja eny Antanimora ny jiolahy iray tratra nangalatra fiara teny Ambohimangakely, ny alakamisy maraina teo. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, namàna ny moteran’ilay fiara Clio iray ny tompony ka nivoaka ny fiara hijery ny fatran’ny menaka sy ny rano ao amin’ilay motera alohan’ny handehanany. Tamin’izay indrindra anefa no nanararaotra niditra antsokosoko teo amin’ny toeran’ny mpamily ity jiolahy ity. Takon’ny “capot” ilay tompon’ny fiara kanefa tsikariny ihany ny nidiran’ilay jiolahy tao anaty fiarany. Niantso vonjy ilay tompon’ny fiara ka nifanojo tamin’ny fandalovan’ireo zandary mbola teo am-panaovana fisafoana amin’ny alina. Nandositra niala ny fiara ilay jiolahy, raikitra ny fifanenjehana nifanampian’ny zandary sy ny andrimasom-pokonolona. Nitohy hatreny Ambatomaro izany, toerana nahatrarana ity mpangalatra ity. Nandritra ny famotoran’ny zandary no nahafantarana fa saika haka io fiara Clio io izay nolazainy fa hamidiny indray avy eo rehefa azony izy. Niaiky ny heloka vitany ity jiolahy ka izao niafara amin’ny fidirany am-ponja izao. J.C

News - News Mada

Andrianilaina Koloina : «Aza avela hahazo laka ny tahotra»

« Tsy vitsy ireo very asa na koa tsy afaka nanatanteraka ny fivelomany ao anatin’ny fihibohana efa ho efa-bolana. Zava-miseho isaky ny misy krizy politika na ara-pahasalamana ny fitaintainana ka mitarika ny vahoaka hanangona ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro sy ny solika ary ny fanafody », hoy ny filohan’ny holafitra nasionalin’ny mpahay toetr’olona (psychologue) eto Madagasi­kara, Andrianilaina Koloina. Teo aloha raha vao niatomboka ny valanaretina, nitandrina ny fepetra ara-pahasalamana ny rehetra satria natahotra. Rehefa nihazatra naheno ny vaovao samihafa manodidina ny valanaretina, nihagoragora ny fanarahana ireny fepetra ireny ka niakatra be ny tranga vaovao, indrindra tato anatin’ny faritra Analamanga. Nive­rina indray ny tahotra sy ny ahiahy ka nirohotra teny amin’ny Tanàna Voara ny vahoaka hotilina na mitondra na tsia ny tsimokaretina. Tsy vitsy koa no nanatona ny CSB akaiky azy raha vao misy tsy fahasalamana vokatr’izay tahotra izay. Ilaina ny mahazo vaovao momba ny fivoaran’ny valanaretina fa zava-dehibe koa ny manivana ny vaovao mitosaka be ao anatin’ny tambajotra sosialy hahafahana manana fijery mandinika, araka ny to­roheviny. Ny tahotra dia miteraka fikorotanan-tsaina mampihena ny hery fiarovan’ny va­tana sy ny herin-tsaina. Mety hitarika amin’ny fahaketrahana ara-tsaina mihitsy. Ha­nam­py antsika hiatrika ny ady amin’ny valanaretina ny fitadiavana fahafinaretana amin’ny zavatra tsotra miainga ao an-tonkatrano.Vonjy A.L’article Andrianilaina Koloina : «Aza avela hahazo laka ny tahotra» a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

COVID-19 : Fandaminana ankapobeny ny fandraisana an-tanana ireo marary misy soritr’aretina.

TRANGA TSY MISY FAHASAROTANA (Forme simple): Tsaboina eny anivon’ny CSB II (Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina) sy eny amin’ny CMC-19 Andohatapenaka ary arahi-maso any an-trano (traitement ambulatoire). FANAMARIHANA : Ny eny Anivon’ny « CMC-19 » Andohatapenaka, dia mandray an-tanana vonjimaika ihany koa ireo olona maneho tranga misy fahasarotana (Forme modérée, Forme grave) ary mandefa azy ireo any amin’ny « CTC-19 » na « CHU ». ————————————- « FORME MODEREE» : Ampidirina ka tsaboina any amin’ny: CTC-19 : Ivato (CCO), LTP Alarobia, Palais des Sports Mahamasina, CHRD : CHRD Anosiavaratra, CHRD Itaosy, CHRD Ambohimangakely, CHRD Bongatsara, CHRD Andramasina,CHRD Mahitsy. ————————————- TRANGA MISY FAHASAROTANA (Forme Grave) Ampidirina ka tsaboina eny anivon’ny Hôpitaly Lehibe: CHU Anosiala CHUJRA Ampefiloha CHUJRB Befelatanana, CHU Andohatapenaka CHU Fenoarivo, HOMI Soavinandriana ————————————- VEHIVAVY BEVOHOKA : CHU GOB Befelatànana ————————————- ZAZA LATSAKY NY 15 TAONA : CHUMEA Ambohimiandra ————————————- TOERANA AFAKA HANATONANA MIVANTANA HO AN’IREO OLONA MISY SORITR’ARETINA HANAO FITILIANA (PCR)  CMC-19 Andohatapenaka  CHUJRB Befelatanana  CHUJRA Ampefiloha FANAMARIHANA :  Ny eny Anivon’ny « CMC-19 » Andohatapenaka dia toeram-pangalana singa fotsiny ihany, noho izany tsy mamoaka valim-pitiliana.  Ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina « Covid-19 » taorian’ny fitiliana natao azy dia mahazo antso na « sms » miampy toromarika avy amin’ny « Plateforme ».  HIALANA AMIN’NY FIVEZIVEZENA IZAY MAMPITOMBO NY FIPARITAHAN’NY ARETINA DIA TSY MISY INTSONY NY FAMOAHANA « ATTESTATION » MIKASIKA NY VOKATRY NY FITILIANA « PCR », FA NY « SMS » AVOAKAN’NY « PLATEFORME » DIA MAHASOLO IZANY. Loharanom-baovao: DGMP, DGFS_MSANP Fanadihadiana: SCM/MSANP L’article COVID-19 : Fandaminana ankapobeny ny fandraisana an-tanana ireo marary misy soritr’aretina. a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

Nalefa eny Tsiafahy ireo jiolahy enina namono karana

Naiditra avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo jiolahy miisa enina tompon’antoka tamina fanafihana narahina herisetra nahafatesana teratany karana iray teny Ankadimbahoaka. Ny polisy misahana ny heloka bevava, sakelika fahefatra (BC4) no nahasambotra ireto jiolahy ireto. Nahazo antso ny polisy nilaza fa misy trangana fanafihana eny Ankadimbahoaka tokony ho tamin’ny 8 ora alina, ny zoma lasa teo. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy nijery ny zava-misy. Vao nahatazana ireo polisy anefa ry zalahy dia lasa nandositra ka raikitra teo ny fifanenjehana. Toy ireny amin’ny horonantsarimihetsika ireny ny fifanenjehan’ny polisy sy ny jiolahy. Tsy nifarana izany raha tsy teny Ankorondrano, noraisim-potsiny ireo olon-dratsy. Miisa telo ireo jiolahy tao anatin’ilay fiara ary izy ireo indray no nanoro ny namany hafa, mipetraka eny Andranomahery ny iray raha teny Ankadimbahoaka kosa ny hafa. Fantatra nandritra ny famotoran’ny polisy fa mpiasa tao amin’ilay toerana notafihin’izy ireo ny mpiambina iray sy mpamilin’ilay kiarana. Izy ireo no atidohan’izao fanafihana izao, raha ny fanazavan’izy ireo tamin’ny polisy. Efa nigadra noho ny fanafihan-jiolahy ity mpamily ity. Tsiahivina fa hita faty nihosindra ny teratany karana iray teny Ankadimbahoaka ny herinandro teo.Jean ClaudeL’article Nalefa eny Tsiafahy ireo jiolahy enina namono karana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services travail en ligne
23/01/2021

Voulez vous gagner de l'argent en ligne? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable. Le travail consiste à regarder des vidéo en quelques secondes.Voici le lien https://ecvideon.club/426907974295318/bon surfCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services travail en ligne".

A vendre Tablette graphique GAEMON 1060 Pro
21/01/2021

- Stylete sans fil, sans besoin de recharge/batterie- Pression du stylet: 8192 Level- 12 Fixed Key + 16 Express Keys- Zone active: 10*6 pouces- 266 PPS- Résolution : 5080 LPI- Compatible avec Windows 7 et version supérieure- Compatible avec Photoshop, Illustrator, Clip Studio Paint, Krita, etcPas de mp, contact direct au 0334927717 ou au 0325867436Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Tablette graphique GAEMON 1060 Pro".

A louer ESTEBAN LOKATION
24/01/2021

A louer GRAND STAREX LIMOUSINE  diesel pour tous types d' evenements (Mariage, enterrement, courses en ville ) à Antananarivo ou périphérieTarif à 110 000Ar/jour en ville discutable , avec chauffeur , carburant en sus. Tarif province à discuter selon trajet , nombre de jours et besoinPour plus de détails et réservation: Contact : 034 50 787 01(Esteban)Mail: esteban.carmada@gmail.comFacebook : Esteban LokationCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer ESTEBAN LOKATION".

Emploi et services ASSISTANT(E) RÉDACTEUR(TRICE) FICHE PRODUIT
22/01/2021

ASSISTANT(E) RÉDACTEUR(TRICE)FICHE PRODUITUN SEUL TEST ET UN SEUL ENTRETIEN Missions principales : Vous aurez la responsabilité :             visuels)             client Vous travaillez en étroite collaboration avec un expert contenu multilingue pour lesréférencements à développer dans plusieurs pays. Profil requis: Nous offrons des conditions de travail attractives:      Alors si vous êtes motivé (e), intègre, réactif (ve) et méticuleux (se), vous avez unegrande volonté d’apprendre et un excellent goût de l’organisation, ce job est fait pourvous !Envoyez-nous vite votre CV avec une photo récente et un numéro de téléphone pour contact rapide ainsi qu’une lettre de motivation, le tout avec la référence “ Rédac ” à talents@smartelia.com et  n’oubliez pas d’y mentionner votre prétention salariale.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT(E) RÉDACTEUR(TRICE) FICHE PRODUIT".

A vendre PC Complet 100 000 Ar
21/01/2021

Occasion unique pour cause départUnité Centrale:Intel core 2 Duo CPU E8400 @ 3.00 GHZ (2CPUs)Mémoire 2 Gb RAMCarte graphique Intel GMA 3100Disque dur 100 GoWindows 7 proTrès bon état, peu utilisé, achat en 2019Ecran LENOVO 16 poucesSouris LENOVO modèLE GMClavier LENOVOPrix total 200 000 Ar (UC+Ecran+Souris+Clavier)Pas de mp, contact direct au 0334927717 ou 0325867436Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre PC Complet 100 000 Ar".

Emploi et services ASSISTANT(E) SUPPORT TECHNIQUE BILINGUE (Français – Anglais)
25/01/2021

ASSISTANT(E) SUPPORT TECHNIQUE BILINGUE (Français - Anglais)  Missions principales : Profil :Qualités exigées :Travailler chez Smartelia, c’est développer des compétences à la pointe de la technologie dans une ambiance conviviale et stimulante.Alors si vous êtes sérieux (se), ce job est fait pour vous ! Envoyez nous vite votre CV avec une photo récente et un numéro de téléphone pour contact rapide ainsi qu’une lettre de motivation avec votre prétention salariale, le tout avec la référence “APH ” à talents@smartelia.com  Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT(E) SUPPORT TECHNIQUE BILINGUE (Français - Anglais)".

Emploi et services Besoin d'un prêt rapide en Madagascar
26/01/2021

Bonjour nous mettons à votre disposition des prêts à des conditions très simple. Notre capacité d'octroi de Prêt est de 3.000 € à 10.500.000 € avec un taux raisonnable de 2%, Pour plus de renseignement, veuillez nous contacter pas E-mail: yasmina.briois01@yahoo.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Besoin d'un prêt rapide en Madagascar".

Emploi et services ADMINISTRATEUR DE VENTE (H/F)
20/01/2021

Nous recrutons pour un de nos clientsUN ADMINISTRATEUR DE VENTE (H/F) Missions :-Réception de la demande client par téléphone-Prospection clientèle par téléphone ou mail-Traitement et envoie du devis relatif à la demande client-Validation de vente et suivi de la livraison  Profil :-titulaire d’un bac +2 en communication, marketing, commerce-Expérience réussie en centre d’appel-Bonne connaissance des produits et pièces automobiles- Très bonne maitrise du français et du pack office- Rigoureux (se) – réactive et bon sens de la négociation Envoyez votre candidature à recrutement@human-talent-consulting.com avec en objet, la référence «  adminvente/0120 » Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ADMINISTRATEUR DE VENTE (H/F)".

Emploi et services Travail en ligne sans investissement, avec preuve de paiement
25/01/2021

Le site n'a que 15 jours mais il paie vraiment : il vous suffit juste de collecter des pièces régulièrement. Le seul soucis c'est qu'il n'est pas en français, mais avec google chrome le problème ne doit plus persisté. Pour en profiter, vous devez : 1- Vous inscrire gratuitement sur payeer avec le lien suivant https://payeer.com/en/account/referrals/2- Vous inscrire gratuitement sur le site  https://birds-money.ru/?i=46278Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail en ligne sans investissement, avec preuve de paiement".

Emploi et services Travail en ligne
25/01/2021

WowApp est une application de messagerie comme WhatsApp qui récompense ses utilisateurs pour le temps qu’ils passent sur l’application. Rejoins-moi sur WowApp. Viens prendre connaissance de ma page personnelle à https://www.wowapp.com/w/duca04 . Merci.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail en ligne".

Emploi et services Commerciale sédentaire – En Freelance – Startup
27/01/2021

Spécialiste des moteurs d'occasion garantis Le groupe GMOTEUR se positionne comme le spécialiste leader des moteurs et boîtes de vitesses d’occasions testés et garantis en France. Nous sommes basés à Paris avec une équipe internationale. Nous sommes une équipe jeune et dynamique avec 7 membres qui sont localisés dans 6 pays différents. Dans le cadre de notre croissance nous recherchons un agent commercial sédentaire souhaitant travailler depuis chez lui avec un horaire et une rémunération variable. Si tu as l’esprit entrepreneurial et que tu aimes apprendre et voyager alors cette offre est pour toi. Parmis tes missions:- Prospection téléphonique (Cold Calls) avec une formation en ligne.  - Démarchage de nouveaux prospects.  - Proposition d’offres aux clients - Gestion d’un portefeuille client (Téléphone + Email) - Négociation pour le rachat de moteurs  - Suivi des contrats clients. - Gestion du service après vente.  - Collaboration avec l'équipe Sourcing et l'équipe Marketing.  Si tu es motivé(e) à rejoindre cette aventure au sein d’une startup et que tu veux apprendre, envois nous ton CV sur info@gmoteur.frCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Commerciale sédentaire – En Freelance - Startup".

A vendre TERRAIN DE 1310M² A AMBOHIMANGAKELY
26/01/2021

REF.14461TERRAIN DE 1310M² A AMBOHIMANGAKELY ANTANANARIVO MADAGASCAR Localisation : Ambohimangakely Terrain de 1 310 m2 titré, borné, clôturé en pierre, bord de la route national, prêt à bâtir, non morcelablePrix de vente: nous consulterVisites gratuitesMob. : (261) 34 22 273 82 / 33 23 273 82 E-mail : info@innova-immo.com Site web: www.innova-immo.com Adresse :  Lot IB 8 Isoraka, 24 Rue Rainitsarovy, 101 ANTANANARIVOCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre TERRAIN DE 1310M² A AMBOHIMANGAKELY".

Notsongaina

Toamasina: ampiasaina koa ny herinaratra avy amin’ny masoandro
25/01/2021

Manamafy ny filoham-pirenena amin’ny hanomezana tolotra herinaratra zakan’ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny hampidinana ny sarany, ary fomba iray hanatrarana azy ny fampiasana ny angovo azo havaozina, toy ny avy amin’ny masoandro, ohatra.Fanamby napetraky ny filoha Rajoelina ny hahazoan’ny 50%-n’ny mponina misitraka herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina. Miditra amin’ny fanatanterahana izany izy, ankehitriny. Notokanany, omaly, 24 janoary, ny toby mamokatra herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, any Tanambao Verrerie Toamasina. Miisa 5.580 ny takelaka misintona ny herin’ny masoandro tafapetraka, manana tanjaka 2 MW, efa mifandray amin’ny tambajotran’ny Jirama, hamatsy herinaratra ho an’ny tokantrano miisa 3.000 ao an- tampon-tanànan’i Toamasina. Efa nanomboka ny volana aogositra 2020 teo no niasa ity famatsiana vaovao ity.Hahatratra 20 MW ny tanjaky ny herinaratra hovokarin’ity toby vaovao any Toamasina ity, ho vita amin’ny taona 2023. Ho afaka hamatsy tokantrano miisa 30.000 hisahana an’i Toamasina I sy II.Hampidinina ny vidin’ny herinaratraAraka ny toky sady fanambin’ny filoha Rajoelina, tafiditra ao anatin’ny paikady hampidinana ny saran’ny herinaratra ny fampiasana ny angovo azo havaozina, toy izao atao any Toamasina izao. Nohamafisiny tany Toamasina izany toromarika ho an’ny Jirama izany, hanatanterahana ny fampidinana ny saran’ny herin-jiro. Tsiahivina fa nomen’ny fanjakana foibe fe-potoana 48 ora ny Jirama, hamaha haingana ny fitarainan’ny mpanjifa, tratran’ny fiakaran’ny saran-jiro, amin’ilay fepetra vaovao famerana ny vidiny, Optima.“Mila tsinjovina ny fehefa-mividin’ny vahoaka. Herinaratra ho an’ny rehetra amin’ny vidiny mirary no tanjona”, hoy ny filoha Rajoelina Andry.Njaka AndriantefiarinesyL’article Toamasina: ampiasaina koa ny herinaratra avy amin’ny masoandro a été récupéré chez Newsmada.

Fanjarian-tsakafo: namolavola paikady ny mpampianatra
20/01/2021

50%-n’ny zaza malagasy 6 ka hatramin’ny 59 volana tratran’ny tsy fahampian-dra avokoa ka ny 30% miseho amin’ny endrika mahery vaika. 35% amin’ny vehivavy koa voan’io tsy fahampian-dra io, araka ny fanadihadiana natao. Anisan’ny antony mitarika amin’ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka sy ny tsy fahampian’ny singa mpamelona. Nisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo, nametraka tetikasa fanovozan-tsoa ny sakafo (PFOA) ny Gret sy ny orinasa Nutri’zaza, izay tohanan’ny Vondrona eoropeanina sy ny Consulat de Monaco, nanomboka ny taona 2017 mandritra ny efatra taona mahery. Tanjona ny hahamora ny fahazoan’ny reny sy ny ankizy sakafo feno hery satria namokatra sakafo notovozin-tsoa ny tompon’andraikitra ary naparitaka ho an’ireo voakasika. Ankoatra izay, namolavola fitaovana fanentanana any an-dakilasy ho an’ny mpianatra momba ny sakafo sy ny fanjarian-tsakafo ny tetikasa. Ny mpampianatra no nasaina nikaroka hevitra hamokatra fitaovana entina mampita ny fahalalana momba ny sakafo. Anisany ny karatra mora kirakiraina ho an‘ny mpianatra T1 ka hatramin’ny T5 novokarin’ny mpanabe ao amin’ny EPP Andohatapenaka II. Misy ny lesona momba ny sakafo sy ny fahadiovan’ny sakafo izany. Tsapa fa mahaliana ny mpianatra kokoa ny mianatra amin’ny alalan’ny lalao, hoy ny mpanabe iray ao amin’ny EPP, Rahelimandimby Heritiana. Fitaovana faharoa koa ny tabilao misy kofehy ahitana ny sokajin-tsakafo. Hoentin’ny mpianatra any an-trano ny fahalalana azony ary ho raikitra aminy mandra-pahalehibe ny hafatra. EPP 20 eto Antananarivo Renivohitra , Avaradrano sy Atsimondrano  no nizarana ny fitaovam-pampianarana novolalain’ny mpampianatra ihany taorian’ny fiofanana ao momba ny sakafo ara-pahasalamana sy ny fanjarian-tsakafo, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny Gret, i Claire Kaboré, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fampahafantarana ireo fitaovana ireo.VonjyL’article Fanjarian-tsakafo: namolavola paikady ny mpampianatra a été récupéré chez Newsmada.

Mitaraina ny fianakaviana: navotsotry ny fitsarana ireo jiolahy nandroba mpandraharaha
21/01/2021

Io indray! Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety i Fanondrana Maxime sy i Frédéric, fianakavian’i Benis Daniel, ilay mpandraharaha jirofo voaroba vola 200 tapitrisa Ar tao Ambohijafy Toamasina, ny 30 novambra 2020 tokony ho tamin’ny 6 ora hariva, nandritra ny fijanonan’ny taksiborosy iray nitondra azy. “Amin’alahelo no ilazanay etoana fa navotsotry ny fitsarana sahady Ramamy sy ny tariny, izay jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana sy lehiben’ireo jiolahy ao Toamasina. Vao ny 5 janoary izy ireo no naiditra am-ponja vonjimaika ary mbola ny 11 marsa ho avy izao ny famotorana lalina nefa navotsotra sahady”, hoy ny fianakavian’ilay mpandraharaha.Raha hiverenana ity raharaha ity, anisan’ny nanaovan’ny polisy fanamby manokana ny tsy maintsy hahasamborana ireo jiolahy mpandroba ao Toamasina. Nahitam-bokany izany satria, ny 4 janoary lasa teo no voasambotra tao Antanandava Ramamy, tompon’ny motobe nampiasain’izy ireo. Nohamafisin’ny polisy fa tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana izy telo lahy tratra ireto ary efa maro ny lasibatra.SajoL’article Mitaraina ny fianakaviana: navotsotry ny fitsarana ireo jiolahy nandroba mpandraharaha a été récupéré chez Newsmada.

Mahajanga sy Fenoarivo Atsinanana: tsy horavana akory ny “Maison de la culture”…
21/01/2021

Misy hatrany ireo mandroritra vaovao diso ! Nivoaka tamin’ny Filankevitry ny governemanta natao ny alarobia 13 janoary lasa teo ny didim-panjakana manafoana ny « Maison de la culture », na ny Tranoben’ny kolontsaina ao Mahajanga sy Fénoarivo Atsinanana. Ny rafitra mifehy azy ireo, amin’ny « établissement public » izay efa nofoanana tao anatin’ny rafitra an-tanan-tohatry ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no foana fa tsy harodana na horavana akory ny trano. Ho fanatanterahana ny toromariky ny filohan’ny Repoblika, mahakasika ny tokony hampihenana ny isan’ireo « établissements publics » izay mandany volam-panjakana ny antony.Araka izany, mitohy ny asa efa nataon’ireo Tranoben’ny kolontsaina ireo, saingy noraisin’ny Fitaleavam-paritry ny serasera sy ny kolontsaina any an-toerana ny fitantanana izany. Tsy mikatona velively, araka ny roritin’ny mpanao politika sasany ao Mahajanga koa ny « Maison de la culture ». Mbola toerana fanaovana fampisehoana sy lanonana samihafa hatrany io. Na izany aza, efa mamaramparana ny asa fananganana ny « Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera » vaovao, izay eo akaiky eo ihany ho an’ny ao Mahajanga. Toerana fanampiny, hanomezan-danja hatrany ny kolontsaina io fa tsy hanafoana ny efa misy sy ny efa mipetraka ho vakoka akory.Zo ny AinaL’article Mahajanga sy Fenoarivo Atsinanana: tsy horavana akory ny “Maison de la culture”… a été récupéré chez Newsmada.

TARATRY NY KANTO
22/01/2021

 Anjara Rakotozafiarison – No DozeZoma mahafinaritra hatrany… Hitondra ny kantony i Anjara Rakotozafiarison, hotanterahina etsy amin’ny No Doze Trano Bongo Tanjombato izany, anio zoma 22 janoary manomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva. Handravaka ny seho ny feon-gitara mahafinaritra sy ny vazo eny antsefantsefany eny, ahafahan’ny rehetra mandray anjara. Izy  rahateo, manana ny maha izy azy eo amin’ny fiangaliana mozika.  Nangonin’i NarilalaL’article TARATRY NY KANTO a été récupéré chez Newsmada.

Lutte contre la Covid-19 : Transparency international dénonce le népotisme
27/01/2021

Transparency International – Initiative Madagascar estime qu’il faudrait garantir des moyens de subsistance aux populations les plus vulnérables. (Photo d’archives) TI-MG estime qu’il faudrait établir des critères clairs, objectifs et transparents afin d’assurer que ceux qui sont dans la plus grande nécessité reçoivent effectivement l’aide dont ils ont besoin. Afin de renforcer sa quête de transparence dans le contexte de la covid-19, Transparency International – Initiative Madagascar (TI-MG) conduit un projet de recherche et de plaidoyer relatif à la crise sanitaire actuelle, intitulé « Covid-19 et gouvernance : les leçons apprises de la première phase de la crise sanitaire à Madagascar », s’étalant sur 4 mois à partir d’octobre 2020. Le projet a une dimension nationale et repose sur une série de questionnements initiaux liés à la transparence et à l’opportunité des décisions publiques prises en réponse à la crise, mais aussi à l’intégrité des processus engagés (passations de marchés publics, etc.). D’une manière générale, il s’agit de faire un bilan rétrospectif de la gestion de la première phase de la crise sanitaire pour en tirer des leçons et permettre d’améliorer la gouvernance lors des phases ultérieures de la crise, surtout en termes de transparence et de redevabilité. Filets sociaux. Des cas de corruption ont émaillé la distribution d’aides et de filets sociaux pendant la crise sanitaire. Une situation confirmée par les résultats des entretiens menés dans les régions Analamanga et Atsinanana, rapportée par les investigations réalisées par les journalistes du réseau Trandraka by MALINA, et recoupées par les témoignages de plaignants ayant approché la Cellule de doléances de TI-MG. Le tableau ci-dessous recense 109 bénéficiaires (soit 27% du pool) ayant rapporté des cas de corruption, dont 7 cas d’abus de pouvoir, 34 détournements de filets sociaux, 1 cas d’enrichissement illicite, 4 cas de favoritisme et 63 cas de népotisme. Les résultats soulignent que le nombre de cas de corruption était plus élevé dans la région Atsinanana (61%) par rapport à la région Analamanga (39%). Au vu de ces chiffres, le népotisme vient largement en tête. TI-MG de constater ainsi que la vulnérabilité des bénéficiaires de filets sociaux, associée à un manque de communication claire sur les procédures d’octroi des aides et la caractérisation des populations vulnérables éligibles aux aides ont ouvert la porte à des pratiques corruptives. Le business des « karinem-pokontany » (carnets d’enregistrement au niveau des fokontany) décrit par une investigation du réseau MALINA est l’exemple le plus frappant de ces pratiques. En général, les citoyens se sentent démunis face à ces cas de corruption et ne savent pas vers qui se tourner pour les résoudre. Au désarroi créé par la pandémie s’ajoute ce sentiment d’impuissance qui ébranle un peu plus la confiance des administrés envers le système en place, jugé discriminatoire et injuste par les victimes. Corruption. Et que par ailleurs, la méconnaissance des dispositifs de lutte contre la corruption empêche les citoyens d’y recourir et de dénoncer les cas dont ils sont victimes. La preuve, la majorité des bénéficiaires n’a initié aucune action particulière devant les cas de corruption qu’ils ont constatés lors de la distribution des filets sociaux. Que ce soit dans l’Atsinanana ou à Analamanga, moins de 10% des bénéficiaires ont rapporté les cas de corruption, soit devant les différents responsables au niveau des Fokontany ou des communes ; soit à travers des actions de communication ou encore des grèves. Toujours dans son rapport, Transparency international présente les principaux risques de corruption associés aux mesures de soutien d’urgence Covid-19. Citons, entre autres, la corruption, le trafic d’influence et les pratiques connexes, à savoir la passation de marchés simplifiée, les procédures négociées ou la sélection directe gré à gré qui laissent plus de place à la corruption pour obtenir les contrats. Des bénéficiaires non-éligibles contournent les règlements pour obtenir un accès illégitime aux aides et filets sociaux, en connivence avec les responsables chargés des distributions au niveau local. Recueillis par Dominique R. L’article Lutte contre la Covid-19 : Transparency international dénonce le népotisme est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Lutte contre la Covid-19 : Transparency international dénonce le népotisme a été récupéré chez Midi Madagasikara.

« Toseke vonje aigne »: 70 000 ireo mpisitraka ao amin’ny faritra Androy sy Anosy 
27/01/2021

Efa manomboka ny fizarana ny vatsy vola “Toseke vonje aigne” ho an’ireo tokantrano marefo any amin’ny faritra Anosy sy Androy.Ny kaominina Amboasary sy i Ebelo, ho an’ny distrikan’Amboasary, ary ny kaominina Kopoky, ho an’ny distrikan’i Beloha, ny nanombohana izany ny faran’ny herinandro teo. 80 000 Ar isan-tokantrano isam-bolana mandritra ny dimy volana no raisin’ireo mpisitraka ny tohana. Velom-panantenana amin’ny fahatongavan’ity vatsy vola ity ireo ankohonana marefo voadona mafy noho ny haintany lalina satria misy vola hividianana sakafo, indrindra fa ho an’ny ankizy madinika. « Tsy misy ny vokatra noho ny haintany. Tsy mahita sakafo ka amin’ny antoandro, efa tsy mihinana ary zara raha mahita ny alina. Raketa mena no atao sakafo hitazonana aina kanefa ny raketa koa efa maina noho ny tsy fisian’ny rotsak’orana. Tena manampy ahafahanay mividy sakafo ny “Toseke vonje aigne” ka misaotra ny fanjakana malagasy”, hoy i Sambeirake, mpisitraka ao amin’ny toeram-pizarana Ankamena Tanantsoa, kaominina Amboasary Atsimo.Ny “Toseke vonje aigne”, izay fandaharanasan’ny fanjakana malagasy natokana ho an’ireo mpiara-belona marefo any atsimo ahafahan’izy ireo miatrika ny haintany sy hanarenan’izy ireo ihany koa ny fiainany ho amin’ny fampandrosoana. Ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy sy ny Fampivoarana ny vehivavy no mandrindra ny tetikasa miaraka amin’ny BNGRC. Voatendry hanatanteraka izany ny Fonds d’intervention pour le développement (Fid). Marefo 70 000 mahery ao amin’ny distrika enina ao amin’ny faritra Anosy sy Androy (Taolagnaro, Amboasary, Ambovombe, i Beloha, i Bekily, i Tsihombe) no vinavinaina hisitraka ity « Toseke vonje aigne » ity, vatsin’ny Banky iraisam-pirenena vola.Nisy ny fanentanana ireo mpisitraka amin’ny ady atao tsy hiparitahan’ny valanaretina Coronavirus. Voahaja avokoa ny fepetra ara-pahasalamana nandritra ny fizarana ny vatsy vola. Ankoatra ny vatsy vola, misy hatrany ny tantsoroka maro isan-karazany ahafahan’ireo mpisitraka manatsara ny fiainany.Vonjy A.L’article « Toseke vonje aigne »: 70 000 ireo mpisitraka ao amin’ny faritra Androy sy Anosy  a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny katolika: hanorenana hopitaly lehibe HCM ao Toamasina
25/01/2021

Fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny fiangonana. Nitokana sy nametraka fotodrafitrasa maro mifandraika amin’ny sosialim-bahoaka tantanin’ny finoana katolika ny filoha Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro teo.Anisan’ izany ny fitsofandrano sy fametrahana vato fototra ny fanorenana sekoly  ho an’ny Seminariste etsy Analamalotra, nampitondraina ny anarana, Ste Francois de la Salles.  Hananganana trano lehibe miisa enina izany toerana izany. Haorina etsy Batania kosa ny  Hopital Catholique de Madagascar  – HCM, nampitondraina anarana hoe “Le Bon Samaritain”. Anisan’ny hopitaly katolika lehibe indrindra eto Madagasikara sy aty Afrika izany.Fitaizana tovovavy resy eo amin’ny fiainanaNitsodrano sy nametraka ny vato fototra voalohany izany ny filoha Rajoelina sy ny kardinaly, Tsarahazana Desire ary ny Nonce Apostolique Mgr Paolo Rocco Gualtieri.Ankoatra izany, nisy koa ny fitokanana fotodrafitrasa efa vita. Anisan’izany ny trano fitaizan-dry masera ireo tovovavy na renim-pianakaviana heverina fa resy teo amin’ny fiainana ka raisina amin’ ity toby fitaizana ity. Afaka miverina eny amin’ny fiarihamonina rehefa mahazaka tena sy mamelona ny tenany izy ireo satria ahitana ny fampianarana asan-tanana isan-karazany izany.Tsy handeha any Inde intsony noho ny aretin’ny voaTeo koa ny fitsofan-drano sy fitokanana ny dispensairen-dry masera ao Batania hatrany. “Am-pitiavana tanteraka  ny hanaovana zavatra ho an’ny vahoaka. Hikarakarana ny madinika sy ny mahantra ny Akanin’ny tovovavy niangaran’ny vintana. Ho an’ireo misendra olana eo amin’ny fiainana ary mikaroka fiavotana”, hoy ny kardinaly Tsarahazana. Nanamafy ny filoha sy ny eo anivon’ny fiangonana fa tsy handeha hivoaka any Inde intsony ny olonamanana fahasarotana eo amin’ny fandidiana isan-karazany indrindra ny famidrana voa. “Vonona ny fitondram-panjakana hiantoka ny fampitaovana sy fandaniana amin’ny fanorenena ny hopitaly, satria ny manao ihany no hampiana”, hoy nyfiloha Rajoelina Andry. Nanambara ny kosa ny kardinaly fa efa vonona ihany koa ireo mpitsabo avy any ivelany toy ny Indianina hampiofana sy hiasa amin’ ity hopitaly ity.Sajo sy Synèse R.L’article Fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny katolika: hanorenana hopitaly lehibe HCM ao Toamasina a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – «Orange pro league»: hanohitra ny Five FC ny Tia Kitra Atsinanana
23/01/2021

Mizotra araka ny tokony ho izy aloha, hatreto, ny fifaninanam-pirenena “Orange pro league”, taranja baolina kitra. Hanamarika ny andro fahatelo ny fifandonan’ny Five FC Analamanga sy ny Tia Kitra Atsinanana.Hiditra amin’ny andro fahatelo ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­ka­ra, taranja baolina kitra “Oran­ge pro league”, amin’ity asabotsy 23 ity sy rahampiso asabotsy 24 janoary. Ani­san’ny lalao hisongadina ny fihaonan’ny Five FC Anala­manga sy ny Tia Kitra tsinanana, ho an’ny kaonferansy avaratra. Klioba roa samy misongadina ary efa manomboka mametraka ny lazany, eo amin’ity fifaninanam-pirenena ity. Fihaonana, hotanterahina eny amin’ny kianja By Pass, amin’ity asabotsy ity. Hatreto aloha, ny Five FC ny hany ekipa tokana nandresy indroa tamin’ireo lalao roa nataony ary mitarika amin’ny isa 6. Tsy vaovao amin’izany koa ny Tia Kitra, misy ireo mpilalao tanora sy mailaka, ary efa nampiaiky ireo ekipa vaventy nidona taminy, ny taona 2020. Ady sahala iray sy faharesena iray aloha ny vokatra vitan’ity ekipan’Atsinanana ity. Na eo aza izany, heverin’ny rehetra fa mety tsy hahatohitra ny Five FC izy ireo, noho ilay hafainganana efa tafiditra ao anatin’ity ekipan’ny boriborintany fahadimy ity, amin’izao fotoana izao. Mety hanome herijika ho an’ny Five FC ihany koa aza ny fahatongavan’i Baggio, mpilalao teo aloha an’ny Fosa Jr, hanatevina azy ireo. Hangotraka, araka izany, ny lalaon’ny roa tonta. Ankoatra izay, hafana vay ihany koa ny lalaon’ny Jet Kintana Itasy sy ny Cosfa (Bebaoty), izay samy manana isa 3 avy, hatreto.TompondakaIreo fandaharan-dalaon’ny andro fahatelo :Kaonferansy avaratraAsabotsy 23 janoary 2021 Kianja Elgeco By Pass 12:00 – Jet Kintana # CosfaAlahady 24 janoary 2021 Kianja Elgeco By Pass 12:00 – Five FC # Tia Kitra 02:30 – Elgeco Plus # Fosa Jr Boeny Kaonferansy atsimoAsabotsy 23 janoary 2021 Kianja Elgeco By Pass 02:30 – AS Adema # Zanakala FC Kianja Ampasambazaha 02:30 – 3FB Toliara # AjesaiaAlahady 24 janoary 2021 02:30 – FCA Ilakaka # UscafootL’article Kitra – «Orange pro league»: hanohitra ny Five FC ny Tia Kitra Atsinanana a été récupéré chez Newsmada.

Nosy Be: mpamaky vato maty nihotsahan’ny tany
25/01/2021

Mpihady sy mpamaky vato roa lahy no nihotsahan’ny tany tany Dar-ès salam Nosy Be Hell Ville, ny asabotsy teo. Vokany, maty voatsindrin’ny vato ny iray raha naratra mafy kosa ny iray. Niezaka nanao ny asam-pamonjena azy ireo ny mpamonjy voina eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Nosy Be sy ny zandary ary ny fokonolona tao an-toerana, saingy ny iray ihany no avotra raha namoy ny ainy kosa ny iray. Fantatra tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao avy any an-toerana fa matetika no misy zaza sy biby fiompy latsaka amin’ireo lavaka avy nangadiana vato ireo. Mahatratra 500 eo ho eo ny olona manao io asa io ao Dar-ès Salam, nanomboka ny taona 2016 hatramin’izao. Manoloana ity voina ity dia namory ireo mpamaky vato ao an-toerana ny sefom-pokontany, i Betombonirina Edith Bosco ka tapaka tamin’izany fa ajanona manomboka ny asabotsy teo ny fangadiana vato fa mahazo mamaky sy mivarotra kosa izay efa azo mandra-pisian’ny fanapahan-kevitra vaovao indray.J.CL’article Nosy Be: mpamaky vato maty nihotsahan’ny tany a été récupéré chez Newsmada.

Culture entrepreneuriale : Cinq étudiants initient 25 jeunes déscolarisés
25/01/2021

Les cinq étudiants initiateurs du projet et les bénéficiaires. Entrepreneuriat et éducation financière, les deux thématiques clés de l’initiative menée par cinq étudiants en 3e année de l’ISCAM, dénommés Mitsinjo, dans le cadre de leur cours intitulé «comportement du manager». Vingt-cinq jeunes issus de familles défavorisées ont ainsi bénéficié de formation en entrepreneuriat leur permettant de monter leur «petit business» et de le «pérenniser» à travers des activités telles que la culture maraîchère et l’élevage de poulet de chair. Ce, dans l’objectif d’inculquer l’esprit entrepreneurial, mais surtout, de les doter des outils nécessaires afin de leur permettre de mieux gérer leur unité de production. L’objectif de l’initiative, qui vise à développer un projet à des fins sociales avec la collaboration de l’UNICECAM, consiste également à faciliter leur réinsertion socio-économique qui constitue une des clés de voûte de la lutte contre la pauvreté. Il conviendrait de noter que les 25 bénéficiaires de la formation font partie des jeunes déscolarisés recueillis et pris en charge par l’ONG HARDI. Ladite formation a été réalisée pour la mise en œuvre du projet. Une façon pour les cinq étudiants de l’ISCAM de contribuer à la lutte menée par l’ONG en question dans la réinsertion socio-économique des jeunes défavorisés. Recueillis par José Belalahy L’article Culture entrepreneuriale : Cinq étudiants initient 25 jeunes déscolarisés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Culture entrepreneuriale : Cinq étudiants initient 25 jeunes déscolarisés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Filohan’ny Antenimierandoholona : “Tsy maintsy atao ny politikam-pitsitsiana”
26/01/2021

Vita ny famindram-pahefana eny anivon’ny Antenimierandoholona. “Tsy maintsy atao ny politikam-pitsitsiana”, hoy ny filoha vaovao.“Tsy maintsy jerena ary tandrovina toy ny anakandriamaso ny kitapom-bolam-panjakana. Rehefa misy ny fihenan’ny vola ao anatin’izany, mitaky ny tsy fisian’ny gaboraraka sy ny fandanilaniam-poana. Tsy maintsy jerena akaiky ny ahazoana manao politikam-pitsitsiana eto amin’ny Antenimierandoholona.”Io ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona vaovao, Razafimahefa Herimanana, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny lapan’Anosikely, omaly, taorian’ny famindram-pahefana tamin’ny filoha teo aloha, Rakotovao Rivo. Tsy maintsy manaiky ny fandaminana rehetra ny Antenimierandoholona, na misy aza ny faniriana hampitombo isa ireo mpanolotsaina ny loholona. Tsy maintsy jerena hifanandrify amin’ny politikam-pitsitsiana izay fanendrena mpiara-miasa izay.Tsy misy velively eo anivon’ireo loholona ny handany mihoatra amin’izay voafaritry ny tetibolan’ny Antenimierandoholona: hijery tetibola hafa, na hampitombo ny fandaniana ny efa voafaritra. Ny eo ihany no nalamina sy narindra, araka ny fanazavany. Mbola vonona ny parlemantera handinika akaiky an’izany, raha mbola ilaina izay hisian’ny fitoniana.Hatao ny dingana amin’ny demokrasia“Mitaky ny hisian’ny filamianana sy ny fandriampahalemana ny vahoaka. Koa hampisehontsika hanao dingana lehibe ny demokrasia eto Madagasikara, hiroso amin’ny  fitoniana politika sy ny fandriampahalemana ny firenena.?”, hoy kosa izy tamin’ireo loholona. Sambany no nisy fifandimbiasam-pahefana eo amin’io andrimpanjakana io. Taratry ny demokrasia izany, ary manamafy ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny firenena.Ny Antenimierandoholona no andrimpanjakana mampisy ny fifandanjam-pahefana sady mampisy ny fahamarinan-toerana politika. Noho izany, tsy maintsy olona mendrika amin’ny asa atao sy ny fihetsika ary ny fahaizana ny loholona. Mpanohana ny ezaka rehetra amin’ny fampandrosoana ataon’ny fitondram-panjakana ny loholona fa tsy mpandrava. Ary mpanatanteraka ny hisian’ny fitoniana hatrany amin’ireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana amin’ny alalan’ny tatitra avy amin’ny vahoaka mankany amin’ny mpanatanteraka.R.Nd.L’article Filohan’ny Antenimierandoholona : “Tsy maintsy atao ny politikam-pitsitsiana” a été récupéré chez Newsmada.