Fanoherana… fanakorontanana                     

News - Fanoherana… fanakorontanana                     

News - Fanoherana… fanakorontanana                     

       
  Na inona mitranga sy atao amin’izao fotoan-tsarotra
diavina izao, tsy mety amin’ny mpanohitra avokoa ka itenenany? Na
izay tsy mety aminy no itenenany… Izay ny hoe fanoherana politika?
Eny, na misy karazana aza ny mpanohitra: tsy mifankahazo tanteraka,
tsy mitovy fijery. Tsy mahagaga raha tsy misy fiovana firy ny
tontolo politika, ny fomba fanaovana politika, ny mpilalao fa tsy
mpanao politika.

Resahin-dava sy zary ifamandrihana
ny amin’ny hoe fanoherana ho amin’ny fanorenana sy fanatsarana ary
fampandrosoana amin’ny fitantanana. Eo koa ny hoe ilaina ny
fahamarinan-toerana politika hisian’ny filaminana maharitra
hahazoana mampandeha sy manatratra izay fampandrosoana izay.
Miara-dalana amin’izany ny hoe fifandimbiasam-pahefana mazava sy
milamina amin’ny alalan’ny fifidianana.

Saingy tsy izany loatra no mitranga
sy iainana amin’izao. Na hoe misisika amin’ny fanoloran-kevitra aza
ohatra, ny sasany, mifono fandrika sy fitaka be ihany noho ny
kajikajy sy paipaika politika. Na inona mitranga sy atao rehetra,
tsy mety avokoa amin’ny mpanohitra. Tsy fifampihainoana no vokany,
fifampiandrasana kendry tohina… Tonga hatramin’ny fifanenjanana sy
fifanenjehana an-toerana aza.

Anisan’ny fototra sy fositra
mahatonga izany rehetra izany ny tsy fiheverana izay tena soa
iombonana. Ny tombontsoa manokana no mahadotra ny sasany amin’ny
hoe politika? Eo koa ny tsy fijerena lavitra amin’izay mahasoa ny
firenena sy ny taranaka ho avy. Izay hahazoana fahefam-panjakana
anio dia anio no mahamaika? Tsy atao mahagaga raha zary tarazo
ratsy efa ho lava ny fanoherana… fanakorontana.

Eo ny fanelezana vaovao tsy marina
amin’izany, ny fanaratsiana izay mitranga sy atao, ny fankahalana…
Ahoana ny fanoherana… fanakorontanana? Na izay hanoherana izany…
Tsy misy afa-tsy ny fanohizana ny asa natomboka. Raha ilaina,
raisina izay azo raisina amin’izay lazain’ny mpitsikera…
handrosoana. Misy hatrany ny azo tsikeraina. Ndeha hampihemotra
amin’izay atao ve izany na hifamaliana lava?

Rafaly Nd.

 

 

 

Article tiré de Newsmada

L’article Fanoherana… fanakorontanana                      a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Banga ny tontolo politika: nodimandry ny Kly Ratsimbalison Faharo

Nodimandry, omaly, ny kolonely misotro ronono, Ratsimbalisona Faharo. Efa tratry ny aretina fotoana maharitra ny tenany ary notsaboina tao amin’ny hopitaly Manakara izao nodimandry izao. Anisan’ireo efa manamboninahitra ambony teo anivon’ny Foloalindahy ny tenany. Mpanao politika koa anefa ary efa nandalo ny dingana sy ny an-tanan-tohatra rehetra. Anisan’izany ny efa nisahanany ny andraikitry ny maha ben’ny Tanàna azy tao Belo-sur-Tsiribihina. Efa solombavambahoaka tany amin’ny faritra Menabe ary anisan’ny mpikambana teo anivon’ny antoko RPSD Vaovao. Efa lehiben’ny faritra tao Menabe koa ny tenany tamin’ny taona 2009, fony fitondrana Tetezamita.Ankoatra izany, anisan’ireo kandidà nirotsaka hofidina filoham-pirenena ny tenany ny taona 2013. “Very raimandreny ny faritra Menabe sy ny any Vatovavy Fitovinany ary i Madagasikara nilaozany. Mampahery ny fianakaviana… Nahavita ny anjara fampandrosoany sy ny fanompoana ny firenena izy ary nivoy ny firaisam-pirenena. Nasehony tamin’ny fihetsiny hatrany izany”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko RDS, Andrianirina Fetison.Synèse R.L’article Banga ny tontolo politika: nodimandry ny Kly Ratsimbalison Faharo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Anor tany Diana sy tany Sava: fampanarahan-dalàna ny fitrandrahana volamena

Ny volana jolay teo, nijery manodidina ny fitrandrahana volamena any amin’ny faritra Diana sy ny faritra Sava ny Anor (Agence nationale de l’or). Tanjona ny fampanarahan-dalàna ireo mpitrandraka sy torolalana samihafa ho azy ireo. Na misy masoivohon’ny Anor aza ao Ambilobe, zava-dehibe ny fidinan’ny foibe tany an-toerana nahitana ireo zava-misy maro ka nitondrana fanazavana ireo mpitrandraka volamena ny fampanarahan-dalàna. Nofantarina tamin’izany ny isan’izy ireo, ny teknika fampiasa sy ny lafiny sosialy mifandraika amin’izany asa izany. Nangonin’ny Anor ireo olana any an-toerana, ho fototra hiaingana amin’izay torolalana.Amin’ny ankapobeny, vita ny iraka tamin’ny naharaisana fanirian’ny maro, mampahavitrika azy ireo manohy ny asany. Resy lahatra ireo mpitrandraka sy mpandraharaha ny amin’ny fandrindrana io lalam-pihariana io any amin’ny faritra misy azy ireo. Tonga izy ireo niara-nivory tamin’ny Anor sy ny tompon’andraikitra any an-toerana. Nampitaina ny lalàna amin’ny fitrandrahana volamena, ny andraikitra mifanandrify amin’izany, ary ny tombontsoa azo amin’ny fanarahana izany.Karatra sy fandoavan-ketraOmena karatra ny mpitrandraka manara-dalàna any amin’ny kaominina Ambatoben’Anjavy, distrikan’Ambilobe izay matetika voaresaka; manaraka izany, omena ny ben’ny Tanàna ny momba azy ireo. Ny any amin’ny kaominina Betsiaka indray, nifanojo tamin’ny fandalovan’ny Anor ny fametrahana ny “Birao mpanatanteraka Dina Betsiaka”. Nosoniavin’izay mpikambana vaovao ny « kahiem-patana », fankatoavana ny asa ataon’izy ireo, vahaolana iray amin’ny fampidirana ao anatin’ny ara-dalàna ireo lavaka efa voatrandraka teo aloha.Nohazavaina amin’ireo mpitrandraka koa ny fomba fandoavan-ketra amin’izay fitrandrahana volamena izay. Nofaritan’ny Anor ny fanarahana izany, ny mifanohitra amin’izany kosa, lasa sakana tsy ahafantarana ny fiavian’ny volamena sy ny lalam-barotra.Anor tany AntsirananaNiara-nidinika amin’ireo mpivarotra volamena ny fandalovan’ny Anor tany Antsiranana, nanentanana azy ireo ao anatin’ny ara-dalàna ihany momba izay fanangonana volamena izay. Resy lahatra ireo nantsoina nivory, niombon-kevitra amin’izany miaraka amin’ny tompon’andraikitra any an-toerana. Any Antsiranana ihany, nantsoina ireo mpianatra amin’ny oniversite ho fanitaran’ny Anor ny fifandraisana, ahafantaran’izy ireo bebe kokoa ny lalam-pihariana volamena sy izay mahakasika izany.Naneho ny fahavononany fiaraha-miasa amin’ny Anor, ny BCMM (Bureau du cadastre minier de Madagascar), ny Police des Mines ireo tompon’andraikitra any amin’ny faritra. Fehiny: ho lalam-pihariana manara-dalàna ny fitrandrahana sy ny varotra volamena. R.MathieuL’article Anor tany Diana sy tany Sava: fampanarahan-dalàna ny fitrandrahana volamena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Vaovao tambatra

35 ireo tanora any amin’ny kaominina Bemanevika, distrikan’Ambanja, nanaraka fiofanana “Miasa na mianatra asa sahaza”. Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana asa sy ny Helvetas Madagascar. Fito ireo nanaraka fiofanana momba ny fahasalaman’ny biby, 12 ny nianatra momba ny zaitra ary 16 ny nanaraka fiofanana momba ny nahandro. Tanjona ny hanampiana ireo tanora any ambanivohitra, mahazo fianarana sy mianatra asa, ahafahan-dry zareo miasa tena, mampandroso ny toekarena ao amin’ny faritra. Hampiofana tanora maro ny minisitera sy ny Helvetas mialoha ny volana febroary taona 2021.Any Tanambe, distrikan’Amparafaravola, mijoro ara-dalàna hatramin’izao ny kaoperativa Ndao, ahafahan’ireo tantsaha mpikambana mifanakalo hevitra momba ny fambolem-bary. Manodidina ny 60 ha ny tany volena izy ireo, mijoro toy ny orinasa tsy miankina, ary misedra olana goavana ankehitriny. Olana ny amin’ny fahazoana hoenti-manana amin’ny voly vary, iantsoan’ny mpikambana fiaraha-miasa amin’ny fanjakana.  Havaozina isaky ny dimy taona ny mpikamban’ny birao.Ho famelomana indray ny sehatry ny fizahantany, misy ny tolotra package any Belo sur Mer, faritra Menabe, ataon’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany hatramin’ny 1 novambra ho avy izao. Afaka mandray anjara ny mpandraharaha rehetra, sy ny mpandraharaha any an-toerana, hiaraha-miasa amin’ny kompania mpitatitra ana habakabaka Tsaradia. Isam-bolana ny hanaovana ny tolotra package, hisafidianana tanàna iray, toy ny any Sainte Marie, ny any Nosy Be, ny any Taolagnaro… hanentanana ny mpandraharaha sy hisarihana mpizahatany. L’article Vaovao tambatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Réveillon Le By Pass: haneho ny talentany ry Jimmy & compagnie

Maro ny hetsiky ny faran’ny herinandro notanterahina tetsy amin’ny Le By Pass, nampihaona ny mpanakanto sy ny mpankafy. Anjaran-dry Jimmy & compagnie ny mamarana izany, amin’ity faran’ny taona 2020 ity.Jimmy & compagnie, toko telo mahamasa-nahandro… Hitondra ny “Réveillon Le By Pass After Work” indray ireo mpanakanto sady mpanafana lanonana manana ny maha izy azy, toa an-dry Jimmy, i Rija ary i Fagniry. Hotanterahina etsy amin’ny Le By Pass izany ny alakamisy, faran’ny taona, 31 desambra, manomboka amin’ny 8 ora alina. Hifangaro ao ny mihetsiketsika sy ny milamindamina, eny antsefatsefany eny, hisy fanentanana sy lalao maro isan-karazany hanomezana fahafaham-po sy tsikitsiky ny rehetra. “Hiaraka hamarana ny taona isika ary handray ampifaliana ny taona 2021. Ataontsika makotrokotroka sy miaaka ny fitsenana ny taona vaovao, amin’io fotoana io”, hoy i Jimmy. Amin’ny maha faran’ny taona ny andro sy hitsenana ny taona vaovao, hisy ny sakafo sy tsakitsaky maro eny an-toerana sady arahina hira sy dihy, raha ny filazan’ny mpikarakara.  Marihina fa eny akaikin’ny sampanana Ambohijanaka ary manasaraka ny Le Jardin sy ny Elgeco plus ny Restaurant le By Pass. Ao anatin’ny fampisehoana, hajaina hatrany ny fepetra ara-pahasalamana mba tsy hiparitahan’ny valanaretina coronavirus.NarilalaL’article Réveillon Le By Pass: haneho ny talentany ry Jimmy & compagnie a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Manja: tratra tao anaty taksiborosy ny lehiben’ireo dahalo

Noraisim-potsiny tao anaty taksiborosy hihazo an’i Morondava ny lehiben’ny dahalo niaraka tamin’ny basy poleta vita gasy tompon’antoka tamina fanafihan-dahalo mitam-piadiana tao Manja, ny 3 desambra 2018 lasa teo. Raha ny tatitra avy amin’ny polisy, nanomboka tamin’io fotoana io, nahazo loharanom-baovao ireo polisy miasa ao Manja fa misy dahalo miisa 20 mirongo fitaovam-piadiana mihaodihaody ao Manja mikasa hanao fanafihana sy halatra omby amin’ny faritra tapany andrefan’ny Distrikan’i Manja. Nanapa-kevitra ny polisy tao an-toerana fa hanatanteraka savahao na antoandro na alina. Nahitam-bokany izany satria, ny alarobia 5 desambra 2018 tamin’ny 11 ora antoandro dia nisy olona nilaza tamin’ny polisy fa misy olona mampiahiahy miondrana ao amin’ny taksiborosy ho any Morondava. Napetraka ny sakana ka nanao fisavana, toy ny fanaon’izy ireo andavanandro, ny polisy. Nosavaina ilay taksiborosy ka tratra tokoa ity lehilahy ity miaraka amin’ny basy poleta vita gasy. Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa izy no lehiben’ireo dahalo mpanafika amin’iny faritra andrefan’ny distrikan’i Manja iny. Handeha hitsena ny omby hangalarin’ireo dahalo any Analaiva Morondava no tena anton-diany kanjo izao tratra izao. Jean ClaudeL’article Manja: tratra tao anaty taksiborosy ny lehiben’ireo dahalo a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Pilo Kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - Midi Madagasikara

Sud-Ouest du Lac Alaotra : Reprise de la réhabilitation du système d’irrigation PC23

Désormais, toutes les rizières peuvent jouir d’une quantité d’eau suffisante en vue d’améliorer la production rizicole dans le Sud Ouest du Lac Alaotra. (Photo : Princy) Le projet de réhabilitation du système d’irrigation dans le Sud-Ouest du Lac Alaotra est un don non remboursable offert par le gouvernement japonais. En raison des conditions sanitaires complexes dues à la Covid-19, les experts de DAIHO Corporation qui travaillent sur ce projet ont été rappelés au Japon au mois de juin 2020, ce qui a entraîné la suspension de la réhabilitation. Depuis peu, en février de cette année, ces techniciens sont revenus au pays pour terminer le projet dans le PC23. Rappelons que ce système d’irrigation vise à bien répartir l’eau de manière à ce que des milliers d’hectares de rizière puissent en bénéficier équitablement. C’est un travail de longue haleine d’amener l’eau vers les 11 milles hectares de rizières composant la zone. Le projet a débuté en 2018 et devait prendre fin en 2021. Malheureusement, les événements auxquels personne ne s’y attendait ont quelque peu perturbé le planning initial. De leurs côtés, les paysans ont commencé à s’inquiéter par rapport à la poursuite des travaux. Mais lors d’une visite sur place en début de semaine, la JICA et DAIHO Corporation ont confirmé que le travail reprenait ; les cinq têtes de prise, les près de 60 km de canaux, le déversoir de sécurité, et les 81 km de pistes rurales seront bel et bien terminés dans un délai supplémentaire aux bénéfices des riziculteurs mais aussi de l’ensemble de la population malgache qui dépend grandement de la production rizicole de la région Alaotra Mangoro. Ainsi, la fin de ce projet est donc décalée pour l’année 2024. Quant à la reprise proprement dite, les experts japonais devraient retrouver le chantier d’ici quelques semaines, c’est-à-dire au mois d’avril 2021. A noter qu’une fois que le système sera remis en état, il appartiendra à nous, Malgaches, d’en prendre soin, même si l’entretien des vannes et des canaux est assez simple selon ce qu’a expliqué Muranushi, directeur du projet de l’équipe de DAIHO Corporation.  Anja RANDRIAMAHEFA L’article Sud-Ouest du Lac Alaotra : Reprise de la réhabilitation du système d’irrigation PC23 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Sud-Ouest du Lac Alaotra : Reprise de la réhabilitation du système d’irrigation PC23 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric

“Lalaon’ny Nosy” intelo nisesy, nandrombaka medaly volamena hatrany ny atleta malagasy, ao anatin’ny taranja fibatana fonjamby, Andriantsitohaina Eric, sokajin- danja 56 kg. Nanomboka niditra eo amin’ity sehatra ity izy ny taona 2011, taona nandraisany anjara voalohany tamin’ny “Lalaon’ny Nosy” ary nahazoany avy hatrany medaly volamena telo. Tsy nitsahatra intsony izy nanomboka teo fa nivelatra, indrindra teo amin’ny sehatra afrikanina sy iraisam-pirenena. Efa nandray anjara ary nahazo medaly hatrany tamin’ ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika tany Maraoka ary tany Egypta. Tsy latsa-danja tamin’izany ny fifaninanana iraisam-pirenena, ny « Solidarity International Championships 2018 »,nahazoany medaly volafotsy iray sy alimo iray, ny « Tournoi international » natao teto Maorisy ka nahazoany laharana voalohany. Mbola maro ny fahombiazana azon’i Eric, ankoatra ireo, ka anisan’izany ny “Lalaon’ny Nosy 2015” sy ny tamin’ity taona 2019, samy nahazoany medaly volamena telo avy. Tsahivina nitondra ny sainam-pirenena malagasy Andriantsitohaina Eric,nandritra ny lanonam-panokafana ity andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy” ity, ny zoma 19 jolay lasa teo. Vonona ny hanome ny tsara hatrany i Eric ho an’ny taranja fibatana fonjamby malagasy sy ho an’ny firenena malagasy. Nangonon’i Mi.Raz L’article Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

FC Zanakala: nampindramina i Elio fa tsy nifindra

Nanao fanambarana, tao amin’ny tambajotran-tserasera, ny tompon’andrikitra eo anivon’ny FC Zanakala Matsiatra Ambony, fa nampindramina hanatevina ny ekipan’ny Fosa Jr Boeny fotsiny, mandritra ny fiatrehan’izy ireo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, i Elio fa tsy nifindra tanteraka any amin’ity ekipa tompondakan’i Boeny, ity.Nomarihin’ny filazana fa efa nisy ny fifampiresahana, teo amin’ny tompon’andrikitra roa tonta, mikasika io fandehanan’i Elio, any amin’ny Fosa Jr, io. Araka izany, hiverina any amin’ny FC Zanakala, ekipa nisy azy fahiny, i Elio raha vao tapitra ny fifaninanana Afrikanina, ataon’ny Fosa Jr Boeny.Marihina fa anisan’ireo mpilalao najoron’ny mpanazatra, niatrika ny Pamplemousse, ny asabotsy lasa teo, tany Mahajanga, i Elio. Tsiahivina fa efa nanatevina ny Barea de Madagascar, nandray anjara tamin’ny fifanintsanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2020”, farany teo ihany koa i Elio. Traikefa ho an’ity lohalaharana manana ny ho aviny ity, izany rehetra izany. Tompondaka L’article FC Zanakala: nampindramina i Elio fa tsy nifindra a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Ambositra : Nivadika ny fiara nitondra ny tarika Lico Kininike

Nisy  lozam-pifamoivoizana indray tamin’ny RN7 mampitohy an’ Antananarivo sy Toliara, ny narain’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny sivy ora latsaka kely, tao Tsaratsaotra Distrikan’ Ambositra. Vokatry ny fandehanana mafy, dia fiara « Sprinter » iray, izay nitondra ny tarika Lico Kininike (zanaky Rasoa Kininike) sy ny mpandihiny hihazo an’ i Toliara hanao fampisehoana any an-toerana, no nivadika ambony ambany tao anaty fiolahana, ka isan’ireo naratra i Tombo Anjara ; izay mpitendry « clavier »-n’ny tarika. Raha ny vaovao voaray, dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy ireo naratra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Izao trangan-javatra izao, dia mampitamberina an-tsaina sahady ny nanjo ny tarika Rasoa Kininike, izay tsy mbola sitrana ny ferin’ny mpankafy maro hatramin’izao. Eric ManitrisaL’article Ambositra : Nivadika ny fiara nitondra ny tarika Lico Kininike a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) bilingues anglophone.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.En tant que  Téléconseiller(ère) bilingue, vos missions seront de :PROFIL :VOS AVANTAGES :Merci de postuler votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ;Pour entrevoir nos offres d'emplois, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones".

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement
15/06/2021

Bonjour,  il y a plusieurs manières de se faire de  l'argent en ligne chez soi et gagner de petits revenus en cette année 2021. Si cela vous intéresse suivez ces liens et inscrivez vous :Voulez vous gagner de l'argent en ligne sans fournir trop d'effort ? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable.https://rupee4click.com/48ks0efa nazaoko avec preuve de paiementinscrit et vous gagnerai Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement".

Emploi et services Un Contrôleur de gestion
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans la relation clientèle et BPO à Madagascar, recherche activement un (01) contrôleur de gestion :   Vous aurez pour mission :Votre Profil :Vos avantages :Merci d’adresser votre candidature composée de votre CV et d’une lettre de motivation à l’adresse recrutement@eufonie.frSeules les candidatures présélectionnées feront l’objet d’un entretienCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Un Contrôleur de gestion".

A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée
17/06/2021

Dans une résidence neuve, fraîchement construite. Appartements Type 2 au Type 4 (avec suite parentale) À louer Vide ou Meublé Bénéficiant d’une Vue exceptionnelle sur la Campagne Avec Grand Balcon/ Terrasse/ Ascenseur/ Parking/ Groupe ÉlectrogèneCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée".

A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE – TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨
18/06/2021

✨✨  ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE -  TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨L’Agence Immobilière AINA Antsirabe vous propose à la vente, ce beau terrain plat constructible,  idéal pour des projets. Terrain titré et borné. Situé au bord de route principale. Accessible en voiture.Electricité à proximité.➡️ LOCALISATION : ANDRANOMANELATRA à 500m  de la route nationale  RN7➡️ SURFACE DU TERRAIN : 02HA 10A 09CA   NON MORCELABLEPour plus d’informations contactez-nous🏠 AGENCE IMMOBILIÈRE AINA ANTSIRABE🌐 https://aina-immobilier-antsirabe.com📩 contact@aina-immobilier-antsirabe.com☎ 0340255077 - 0330255077 – 0328347800Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE - TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨".

Emploi et services Gagner de l'argent en ligne
19/06/2021

Nous vous proposons une opportunité intéressante pour gagner de l'argent en ligne. Votre rôle consiste à remplir des micro-tâches comme répondre à des sondages, essayer certaines applications, répondre à des quiz etc. Cliquez sur ce lien :https://paidera.com/?r=2057784Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagner de l'argent en ligne".

A vendre Mégane Scénic
15/06/2021

A vendre RENAULT MEGANE SCENICVitre Electrique, Verrouillage Centralisé, direction assistée, AIRBAGS, Très Bonne Etat, SANS DEVOIR, Année de mise en circulation 2001, bôite de vitesse manuel, diesel, faible consommation, puissant, 5 places, 5 portes, radio d'origine, intérieur très bonne état. Prix: 11 200 000 ar à debattreContact: 033 37 574 65Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mégane Scénic".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
15/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Développeur Codeigniter
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le BTP,Développeur CodeigniterEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVCODEIGNITER-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Codeigniter".

Notsongaina

Filoha Rajoelina Andry tany Atsimo: “Fotoana izao hanovana ny fomba fiasa hanafoanana ny kere”
14/06/2021

Hiova tanteraka ny tantara, indrindra ho an’ny faritra Atsimo. Nifarana ny asabotsy teo rehefa naharitra roa andro ny fikaonan-doha lehibe ifotony, hanatanterahana ny vina fampandrosoana ho an’iny faritra iny. Niatrika izany tany an-toerana ny filoha Rajoelina Andry.Tsy nahomby ny paikady rehetra natao tany aloha. Marefo ny faritra atsimon’ny Nosy ahitana an’Androy sy Anôsy nohon’ny kere, ny haintany, ny tsy fandriampahalemana, ny fitokana-monina sy ny tsy fanjariantsakafo. Nataon’ny filoha ho hamehana ny famonjena ny mponina ao amin’iny faritra iny ka antony nanaovana izao fikaonandoha izao. Tanjona ny hamaritana ireo fanamby tsy maintsy tratrarina sy ireo hetsika laharam-pahamehana isaky ny distrika mifanaraka amin’ny hetahetan’ny mponina sy ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana. Hametraka paikady hahafahana manetsika ny fampivoarana ara-toekarena any Atsimo izany hampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra. Mifantoka amin’ny hevi-dehibe efatra ny fikaonandoha. Ahitana ny lafiny sosialy, ny fanajariana, ny fanafoanana ny kere sy ny fandriam-pahalemana. “Mila lalan-tsaina vaovao ny fomba entina manafoana ny kere  sy manarina ny fahataran’ny fampandrosoana any an-toerana”, hoy ny filoha. Nisitraka fanampiana avy any ivelany hatrany i Madagasikara ampolon-taonany hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere. Tetikasa mandalo sy tsy mipaka amin’ny tena vahoaka nefa ireny endrika fanampiana ireny araka ny tatitry ny zanak’Anôsy. Tsy mahomby ny paikady nampiasaina. Nanteriny fa fotoanaizao hanovana ny fomba fiasa mba hanana vokatra maharitra, mivaingana sy hita maso ary mipaka amin’ny vahoakan’Atsimo, araka ny vina vaovao entin’ny filoha. Resy lahatra ny filoha fa azo atao ny  mampandroso ny faritra Atsimo.Lalana, fambolena, asa, rano…Voalohany amin’izany ny fanajariana ny tany hampiroboroboana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Tanjona ny hahatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo, handresena ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere. Paikady hanarenana ny any atsimo koa ny fametrahana ny indostria, mifampiankina amin’ny fampiroboroboana ny fambolena hahafahana manodina ny vokatra hamelomana ny vahoaka. Laharam-pahamehana ny fanamboarana ny lalana hahafahana mampivezivezy ny vokatra sy ny olona. “Tsy maintsy hotanterahina sy hovitaina ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 (RN13), tafiditra ao anatin’ny Velirano ho an’ny faritra Atsimo. Eo koa ny fananganana fotodrafitrasa ho fanomezana rano ho an’ny faritra atsimo.  Hofongarina ny rano ao Atsimo », hoy izy. Tetikasa goavana atolotry ny filoha ho an’ny vahoaka any amin’iny faritra iny ny fametrahana ny « pipeline » hitarihana ny rano miainga ao Efaho, mandalo an’Amboasary ka tonga hatrany any Ambovombe, faritra Androy”, hoy izy. Natao hamatsiana rano fisotro madio ny am-pahany raha toa ka natao hanondrahana ny fambolena ny ampahany. Mametraka fanamby ny filoha fa volan’ny fanjakana no hanaovana izany ary finiavana politika sy fitiavana no hahafahana manova ny tantara any atsimo. Tafiditra ao anatin’ny paikady koa ny fanomezana asa ho an’ny rehetra. Haparitaka amin’ny kaominina hafa ny tetikasa fanomezana tany sy toerana hahafahan’ny fianakaviana iray mivelona amin’ny alalan’ny fiompiana sy fambolena. Nosafidina ho kaominina hampiharana ny tetikasa ny ao Ifotaka. Miisa 2 000 ireo fianakaviana hahazo sy hifampizara ny tany 200 ha. Ady gasy : “Raharahan’ny samy Malagasy”Hampiasaina ny « Système gouttes à gouttes » amin’ny fomba fambolena ao amin’io tetikasa io. Mahatratra 20 miliara Ar  ny tetibola ilain’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana hanatanterahana ny tetikasa. Mazava ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry fa miainga amin’ny samy Malagasy ny tokony hamaritana ny zavatra ilaina isam-paritra sy isaky ny distrika, vao entina hazavaina amin’ny mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara.  « Malagasy samy Malagasy aloha », hoy izy. Nanteriny fa ilaina ny fiaraha-miasa sy ny fahavononana hanova ny tantara mba hahazoana ny vokatra maharitra, mivaingana sy mipaka any amin’ny vahoaka. Nanteriny fa hametraka tantara maharitra ho lovain’ny taranaka aman-jafy miaraka amin’ny olomboafidy, olomboatendry sy ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana ny filoha ho fanovana tanteraka any Atsimo.Synèse R.L’article Filoha Rajoelina Andry tany Atsimo: “Fotoana izao hanovana ny fomba fiasa hanafoanana ny kere” a été récupéré chez Newsmada.

Mahamasina: nitsidika voalohany ny kianjan’ny Barea ny filoha
16/06/2021

Manoloana ny fahavitan’ny fotodrafitrasa efa mananika ny 90% etsy Mahamasina, tonga nitsidika voalohany ny kianjany ny mpilalaon’ny Barea niaraka amin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry omaly…Tonga nijery voalohany ny fotodrafitrasa vaovao manara-penitra nampanantenain’ny fitondram-panjakana ny mpilalaon’ny Barea niaraka amin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly. Afa-po tanteraka ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy raha ny nambaran’izy ireo nandritra ny fitsidihana ny toerana rehetra mandrafitra ny kianja. Anisan’ny resy lahatra amin’ny hakanton’ny kianja ny kapiteny Abel Anicet. « Tena mahafinaritra tanteraka ny fahavitany», hoy izy. Na mbola misy 10%-n’ny fanamboarana aza tsy vita, hita ho misongadina ny zava-bita na amin’ny endrika anatiny na ivelany. Tsy vitan’izay, matihanina tanteraka ny teknolojika mandrafitra azy noho ny fisian’ny « caméra de suirveillance » miisa 178 ao anatiny. Entina hanaraha-maso ny zava-mitranga rehetra sy ny olona mifamezivezy ao amin’ny faritry ny kianja avokoa ireo fitaovana ireo. Eo ihany koa ny fahitalavitra goavana roa mirefy 20 m ny halavany ary mahatratra 10 m ny haavony. Hahazaka mpijery miisa 44 266 ny kianja. Nanararaotra kosa, ny filoha Rajoelina nilaza tamin’ny Barea fa matoky azy ireo hitondra avo indray an’i Madagasikara. « Matoky aho fa hahavita zavatra goavana indray ny Barea, indrindra ny ahafahantsika Malagasy hiatrika ny fiadiana tompondaka eran-tany voalohany eo amin’ny tantara toy ny tamin’ny “Can 2019”», hoy ny filoha. Marihina fa ny faran’ny volana novambra ho avy izao no ho vita tanteraka ity fotodrafitrasa ity.Tsiferana R.L’article Mahamasina: nitsidika voalohany ny kianjan’ny Barea ny filoha a été récupéré chez Newsmada.

Akaiky fetim-pirenena: mirongatra ny tsy fandriampahelamana ao Toamasina
16/06/2021

Vatana mangatsiakana raim-pianakavina iray sahabo ho 50 taona indray hita faty tetsy amin’ny tetezana mainty Tanambao verrerie ny marain’ny alatsinainy teo. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy, porofon’izany ireo fanjaitra tsy latsaky ny folo tao am-bavany sy teo amin’ny lelany. “Mangana ny tendany ary loaka ihany koa ny lohany”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovoao ao an-toerana. Faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana io tetezana mainty io noho izy lasa toerana fieren’ny jiolahy.  “Araka izany, tombanan’ny fokonolona eo an-toerana fa efa maty tany an-kafa ilay raim-pianakaviana ary nariana sy natsipy teo amin’io tetezana mainty io”, hoy hatrany ny loharanom-baovao.Ankoatra izay, renim-pianakaviana iray mampiasa “cash point” ao Toamasina ihany koa lasibatry ny asan-jiolahy ny asabotsy teo. Nambanan’ireo jiolahy basy izy tamin’izany ka lasan’ireo olon-dratsy ny poketra nisy vola mitentina 40 tapitrisa Ar sy ny finday.  Sajo sy Henintsoa HaniL’article Akaiky fetim-pirenena: mirongatra ny tsy fandriampahelamana ao Toamasina a été récupéré chez Newsmada.

Oniversiten’i Maninday Toliara: raikitra ny savahao isam-baravarana, mpianatra iray maty voatifitra
18/06/2021

Raha efa nantenaina hilamindamina ny raharaha Oniversite Toliara, taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny teo anivon’ny filohan’ny Oniversiten’i Toliara amin’ny fampiatoana vonjimaika ny fampianarana mandra-pivaha ny olana, tsy izany anefa ny zava-nitranga tany an-toerana omaly.Mbola nitohy ny hetsika nataon’ny mpianatra tao amin’ny faritry ny oniversite ary vao mainka izany niitatra tamina fanimban-javatra. Tranona mpampianatra iray hafa indray no nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana. Nanomboka tamin’ny 8 ora maraina ireo mpianatra no efa niantsoantso sy nifampitaona isam-baravarana. Nisy ny fitsofana kiririoka toy ny fanaon’izy ireo hatrany, narahina horakoraka. Vao naheno izany ny teo anivon’ny OMC dia nanatanteraka fivoriana haingana ka tapaka taorian’izay fa hisy ny fikarohana ireo mpianatra mpitarika ity fihetsiketsehana ity. Tokony ho tamin’ny 11 ora, niditra tany amin’ny faritra misy ny trano fonenana ireo mpitandro filaminana nandondom-baravarana sady namoaka ireo mpianatra rehetra tany an-trano. Nisy tamin’ireo mpianatra anefa no nanohitra ireo mpitandro filaminana nanao fisavana ka teo no nahavoatifitra ny iray amin’izy ireo. Vao mainka niteraka hatezerana ho an’ireo mpianatra ny fihetsika nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ny nahafaty ny naman’izy ireo ity. “Mampalahelo ihany ny mahita izao toe-javatra izao satria fitakiana tsotra no natao kanefa aina nafoy ka tsy hanaiky izao izahay”, hoy ny solontenan’ireo mpianatra. Manoloana izany, mihorohoro tanteraka ireo mpampianatry ny Oniversite ka efa niala tamin’ny trano fonenany ao Maninday avokoa. Raharaha tsy ahitam-bahaolana efa hatry ny ela ity olan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite manerana ny Nosy ity. Karazana famonoana afo hatrany anefa no ataon’ny tompon’andraikitra fa tsy misy vahaolana matotra, toy ny hita atao amin’ireo mpampianatra aty amin’ny CEG, ny tambin-karama nitsara fanadinana BEPC tamin’ny taona 2019 hatramin’izao tsy mbola azo nefa ho avy indray ity ny fanadinana manaraka, hany ka lasa mifanilika andraikitra ny tompon’andraikitra isany. Izay voa aza tezitra!CMS/J.CL’article Oniversiten’i Maninday Toliara: raikitra ny savahao isam-baravarana, mpianatra iray maty voatifitra a été récupéré chez Newsmada.

Fanambaran’ny fiadidiana ny Repbolika: lasa any ivelany hanatrika ny «confirmation» ny zanany ny filoha
17/06/2021

Miova sata, miova andriana ary maneho ny fandalana ny mangarahara. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny sampandraharahan’ny Serasera sy ny fifandraisana ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly, amin’ny anton-dian’ny filoham-pirenena any ivelany.Nivoitra tamin’ny fanambarana ny filazana  fa nanainga an-tanindrazana hanefa ny adidiny amin’ny fanatrehana ny “confirmation” an’ny zanany vavitokana ny filoha Rajoelina Andry. “Zava-dehibe loatra eo amin’ny fiainana tokoa mantsy izany ary indrindra, fitahiana sy fahasoavana lehibe avy amin’Andriamanitra”, hoy ny fanambarana. Notsiahivin’ny tompon’andraikitra tamin’izany fa ray sy loham-pianakaviana koa ny filoham-pirenena ary manana andraikitra eo anivon’ny ankohonany sy ny vady aman-janany, ankoatra ny maha filohan’ny Repoblika azy.Fomba fiasa vaovaoMidika izany fa nanova fomba fiasa ho amin’ny tsaratsara kokoa ny tompon’andraikitra vaovao eo anivon’ny sampandraharahan’ny Serasera sy ny fifandraisana ao an-dapa. Maneho sy mampahafantatra ny vaovao rehetra mba tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka malagasy, manoloana ny mpitondra azy. Efa fanao sy fahita any amin’ireo firenena sasany ny fomba fiasa tahaka izao amin’ny famoahana ny vaovao rehetra eo anivon’ny mpitantana ny firenena.Fitantanana mangaraharaTafiditra amin’ny fametrahana ny mangaraharaha eo amin’ny fitantana izany sady ialana amin’ny honohono sy ny tsaho koa.Sambany indray tato anatin’ny roa taona teo ho eo izao fivoahan’ny filoham-pirenena any ivelany izao na fivahinianana tsy ofisialy aza izany. Tsy mba nisy nanao tahaka izao koa ireo mpitondra sy mpitantana nifandimby.Synèse R.   L’article Fanambaran’ny fiadidiana ny Repbolika: lasa any ivelany hanatrika ny «confirmation» ny zanany ny filoha a été récupéré chez Newsmada.

Siteny Randrianasoloniaiko: «Mila hamoraina ny fampidirana fitaovana… »
15/06/2021

Manoloana ny fahasarotan’ny fampidirana entana avy any ivelany ho an’ny taranja ara-panatanjahantena eto amintsika, nitaky ny  fandraisan’andraikitry ny fanjakana hijery akaiky ny  fomba entina hanamorana izany ny filohan’ny UAJ, i Siteny Randrianasoloniako, omaly. Na eo aza ny tsy fandoavan’ny federasiona hetra araka ny lalàna misy eto Madagasikara, sahirana ireo tomponandraikitra  ara-panatanjahantena amin’ny fikarakarana ny taratasy hamoahan’izy ireo ny entana. «Noho ny fahasarotan’ny fikarakarana taratasy eo amin’ny famoahana ny fitaovana ara-panatanjahantena eto amintsika, tapitra very ny 60 ka hatramin’ny 70% amin’ireo fitaovana kasaina hanampiana ny atleta malagasy»,  hoy izy. Tetsy ankilany, nilaza koa ny filohan’ny UAJ fa mitaky fampitoviana hatrany ny fijerena ny taranja rehetra entina hampisongadinana izany. «Tsy mandroso ireo taranja ireo raha tsy misy ny fampitoviana eo amin’ny famatsiam-bola ho an’ny tsirairay », hoy hatrany ny tenany.  Marihina fa nigadona teny amin’ny seranam-piaramandina Ivato ny filohan’ny UAJ, i Siteny Randrianasoloniaiko, omaly.Tsiferana R.L’article Siteny Randrianasoloniaiko: «Mila hamoraina ny fampidirana fitaovana… » a été récupéré chez Newsmada.

Nicolas Dupuis : Fin du stage de recyclage licence A UEFA
14/06/2021

« Je viens de terminer mon stage de recyclage », a publié l’ancien sélectionneur des Barea, en fin de semaine. Titulaire de la licence A UEFA, Nicolas Dupuis se doit de suivre un stage de recyclage tous les trois ans. « C’est une obligation jusqu’à l’âge de 60 ans. J’aurais encore deux recyclages à faire. Sans le diplôme d’entraîneur de football, je ne peux pas rester sur les bancs. Je n’aime pas parler de ça. Ça me gêne. C’est très intéressant de participer à ce stage avec des entraîneurs de haut niveau », a continué Dupuis. Il était aux côtés des entraîneurs en provenance du Sénégal, de Djibouti, de l’Algérie, du Luxembourg et de l’Angleterre. Le recyclage a duré cinq mois, organisé par la fédération française de football et de l’UEFA. Le technicien français possède encore le diplôme DESJEPS football sur la performance sportive. Mais avec la suspension de son contrat à la tête des Barea et sa nomination à la tête de l’Académie Nationale Sportive de Haut-Niveau, Nicolas Dupuis met entre parenthèses son statut d’entraîneur de football. Sitôt nommé à la tête de l’ANSHN, Nicolas Dupuis a effectué la visite du terrain où seront construits les locaux de cette structure devant préparer les futurs sportifs malgaches. « L’académie sera multisport et beaucoup d’entraîneurs malgaches vont travailler sur place », a-t-il déclaré. Titulaire du doctorat STAPS, DEA STAPS, selon ses dires, il a les diplômes les plus élevés pour diriger une structure, une fédération et une association. « Cette nomination n’est pas le fruit du hasard », a-t-il conclu. T.H L’article Nicolas Dupuis : Fin du stage de recyclage licence A UEFA est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nicolas Dupuis : Fin du stage de recyclage licence A UEFA a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Aleo tsy miverin-dalana…
15/06/2021

Vita ve ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19? Tsy lavina, efa mihamiverina tanteraka amin’ny fiainana andavanandro ny mponina amin’ny ankapobeny. Arahaba soa, arahaba tsara… Ho lasa amin’izay ratsy rehetra? Mba tsy hisy ny hoe andiany fahatelo, fahefatra… Sanatria. Na izany aza, mbola mitohy ary tsy maintsy atao hatrany ny fitandremam-pahasalamana izay efa fanao amin’ny are-mifindra rehetra: manana ny fotoany, manana izay mampiavaka azy…Tsy hita maso na hita hofaritana mialoha rahateo ny tsimokaretina coronavirus, ka mila fahamailoana mandrakariva. Toy tsy nanampoizina ny fiverenana amin’ny fihibohana noho ny fidiran’ny andiany faharoa avy any Inda atao hoe Delta amin’izao. Miverimberina hatrany koa ny fampahatsiahivana hoe tsy mifidy olona, haingam-pifindra… Tsy vitan’izany, ao anatin’ny vanim-potoana ririnina i Madagasikara amin’izao fotoana izao: tsy fantatra be ihany izay mety ho fiovan’ny valanaretina.Noho izany, tsy misy toy ny fitandremana ihany: ho an’ny rehetra fa tsy anavahana ary hatramin’ny farany… Efa nasian-teny matetika koa ny amin’ny fahaizana miara-miaina amin’ny aretina amin’ny fanajana ny fepetra sakana rehetra amin’ny antsipiriany tsy manontolo. Mba tsy hisy intsony ny fiverenana amin’ny firongatry ny aretina, raha mba efa miverina amin’ny fiainana andavanandro ny rehetra. Eny, na eo aza ny fahombiazan’ny ady, ny fisian’ny fanafody sy ny fanefitra na ny vaksiny…Na ahoana na ahoana, ela sy mafy ny fanarenana sy fanonerana ary fanorenana ny rava navelan’ny valanaretina. Izay no efa ifantohana amin’izao? Zava-dehibe maika, lehibe… Ny fananana fahasalamana feno sy tanteraka ho an’ny rehetra no ahazoana manatontosa sy manatratra izany. Eo koa ny fahafahana sy fahalalahana: tsy misy intsony ny fihibohana, ohatra, na ny fanakatonana lalana… Mety hiverina izany rehetra izany, raha sanatria miverina ny aretina noho ny tsy fitandremana. Aleo tsy miverin-dalana…Rafaly Nd.L’article Aleo tsy miverin-dalana… a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Mifandray toy ny mpirahalahy ny Barea
15/06/2021

Miditra amin’ny herinandro faharoa amin’ny fampivondronana ny Barea de Madagascar, nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Nanambara ny niainany ny tapany voalohany i Bapasy sy i Tsiry ary i Melvin. Nambaran’izy telo mirahalahy fa mifampitondra toy ny mpirahalahy ny mpilalaon’ny Barea de Madagascar ao anatin’izao fanomanantena izao. Ho an’i Bapasy, matoa nantsoina dia vonona ary hiadiana ny toerana. “Nahazo tombony tamin’ny fiarahana tamin’ny mpanazatra vaovao satria nisy zavatra tsy mbola hita ary nahazo traikefa hoentina any amin’ny klioba hilalaovany. Manoro ireo mpilalao efa manana traikefa toa an’i Morel”, hoy izy. Aminy, ny fiarahana tamin’i Caloin, ny asabotsy lasa teo, nambarany fa ilaina ny fiarahana amin’ny mpilalao rehetra izay mila mahay ny toerana rehetra. Nahafaly ireo mpilalao zokiny ny namalian’ireo mpilalao zandriny, izay ampirisihiny fa mendrika ny hanana ny toerany ao amin’ny ekipam-pirenena fa tsy ho variana amin’ny anarana efa mahazatra.Tsy nanafina kosa i Tsiry fa nahitany zava-baovao ny niatrehany ny fampivondronana tao amin’ny Barea. “Ilay fiarahana na “tandem”, izany no hitako tsy ampy raha iny lalao tamin’ny asabotsy iny”, hoy i Tsiry.Raha ho an’i Melvin Adrien, mpiandry tsatoby indray, nilaza ny tovolahy fa miray saina tsara izy sy i Nina ary i Mathias ary samy manana andraikitra hiaro ny voninahi-pirenena. “Fitsapana ny tamin’ny asabotsy ka miezaka maneho ny fahaiza-manaony ny tsirairay. Toy ny fianakaviana ny Barea ka mifanoro sy mifampizara traikefa”, hoy izy. Torcelin L’article Kitra – Mifandray toy ny mpirahalahy ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Sambatratittude life: tontosa ny fampiofanana “fahaiza-mitarika”…
15/06/2021

Tontosa ny asabotsy teo ny fiofanana amin’ny fahaiza-mitarika na ny « leadership » ” sy ny “communication interpersonnelle”, nokarakarain’ny Sambatrattitude life, tetsy amin’ny  Centre sociale Arrupe Faravohitra. I Dadafara Zilibera sy i Kantopitia no nitondra ny fampiofanana. Nizara roa mazava ny tanjona tamin’izany: voalohany, hetsika nitadiavam-bola hanodidina ny tetikasan’ny mpikambana iny. Faharoa, fanampiana ireo olona mpitarika tsy mahatarika na tsy ampy fahaiza-manao, nanampiana ireo manana olana amin’ny tsy fahaiza-miresaka sy mandresy lahatra mihitsy ihany koa, ary natao indrindra mba hanampiana ny hafa hahalala ny tenany sy ny hafa hahamora ny serasera sy ny resaka, rah any filazan’i Dadafara Zilibera.Miisa 27 mianadahy ireo nanatrika ity hetsika ity, ary azo lazaina fa tratra ny tanjona satria nihoatra ny vina nokasaina ireo olona tonga. “Niova ny fanao omaly, nampiasana “projecteur” ny “presentation”, izay tsy fanaonay hatrizay, tsapa hoe miroso amin’ny fahamatorana hatrany ny tena, ary mbola sahy mifanamby sy manome toky ireo mpanaraka foana hoe hanome ny tsara indrindra, izay koa ilay maha mpitarika”, hoy i Dadafara Zilibera. Ilana fahaizana sy traikefa ny fitondrana olona, maro ireo manana vina tsara fa ny famoahana azy no olana matetika, izany indrindra no ilana fiofanana amin’ny hivoarana amin’ny zavatra atao.NarilalaL’article Sambatratittude life: tontosa ny fampiofanana “fahaiza-mitarika”… a été récupéré chez Newsmada.

Omnisports : Siteny Randrianasoloniaiko accueilli en héros
15/06/2021

Siteny à son arrivée, hier, à Ivato. La grande famille du mouvement sportif était réunie au grand complet, hier, à l’aéroport d’Ivato. Trois semaines après son élection à Dakar à la tête de l’Union africaine de Judo, Siteny Randrianasoloniaiko est de retour au pays. Comme lors de la présentation de sa candidature à cette élection, le mouvement sportif était venu en masse, hier, à Ivato, pour accueillir le nouveau patron du judo africain. Cette élection de Siteny à la présidence de l’UAJ place le sport malgache sur le devant de la scène continentale et mondiale. « Le pays et les athlètes ont besoin qu’un des leurs ait une place au niveau des instances sportives internationales pour porter leur voix » a souligné, Siteny dans sa prise de parole. En plus de cette nouvelle fonction, Siteny a plusieurs casquettes à la fois. Il reste encore le président de la fédération malgache de judo du Comité Olympique Malgache, et député de Madagascar. « Je vais terminer jusqu’à la fin ces postes car c’est un mandat élu. Et je remercie l’État pour leur soutien, et espère la continuité de la collaboration pour cette nouvelle fonction », a poursuivi le vice-président de la fédération internationale de judo. Préparation. Profitant de cette rencontre avec la presse qui a vu la présence de l’ensemble du mouvement sportif, le président du comité olympique a parlé de la nécessité d’une réelle implication et volonté politique de l’Etat en matière de sport. « Nous remercions le chef de l’État à travers la construction des différentes infrastructures, mais pour qu’il y ait un vrai envol du sport, il faut que l’État s’implique davantage dans la préparation des athlètes. Il faut surtout que les champions d’Afrique et les anciennes gloires soient considérés par l’État, pour éviter qu’ils sombrent à la fin de leur carrière », a continué Siteny. Dans deux ans, Madagascar sera l’hôte des 11es Jeux des Îles de l’Océan Indien. La préparation de cette échéance doit débuter dès maintenant pour que la Grande Île puisse terminer à la première place. T.H L’article Omnisports : Siteny Randrianasoloniaiko accueilli en héros est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Omnisports : Siteny Randrianasoloniaiko accueilli en héros a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Tetikasa fampandrosoana: natsangana ny filankevitra kaominalin’ny tanora
15/06/2021

Nanangana ny filankevitra kaominalin’ny tanora (CCJ) ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra natokana ho an’ny vondrona tanora (avy amin’ny ONG na klioba) vonona hiroso amin’ny fampandrosoana amin’ny endriny samihafa. Sehatra iray ahafahan’ny tanora mifanakalo traikefa sy hevitra ka hametraka tetikasa fampandrosoana iombonana ny CCJ. Azo ampiharana ny politikan’ny tanora misy eo an-toerana koa ao anatiny. Hiompana amin’ny lohahevitra maromaro ny asa fampandrosoana: ny fahasalamana, ireo endrika herisietra miseho amin’ny mahalahy na mahavavy, ny teknolojia sy fampandrosoana… Afaka miditra ho mpikambana amin’ny famenoana ny taratasy natokana ho amin’izany ireo tanora liana rehetra. https//forms.gle/SEK9MajeKHePMebr6 ny adiresy tsidihina.L’article Tetikasa fampandrosoana: natsangana ny filankevitra kaominalin’ny tanora a été récupéré chez Newsmada.