Fanoherana… famorehana   

News - Fanoherana… famorehana   

News - Fanoherana… famorehana   

Mby aiza ny fiovana sy fanovana ny
fomba fanaovana politika? Saika ny afitsoky ny hoe mpanohitra
manoloana ny ataon’ny mpitondra hatrany no anombanana sy
hitsaran’ny maro izany. Raha ny mpitondra, manana sy mampiasa ny
fahefam-panjakana amin’ny fanatanterahana izay nampanantenainy
tamin’ny fampielezan-kevitra nifidianan’ny vahoaka azy…
hampindramana fahefana.

Takina aminy ny
tamberin’andraikitra amin’ny hoe fitondrana tsara tantana, tany
tan-dalàna, mangarahara, ahazoana maneho hevitra… Mby aiza? Mitsara
ny vahoaka raha misitraka fampandrosoana amin’ny fiainany
andavanandro: ny fandriampahalemana, ohatra, ny fitsaboana, ny
fampianarana, ny famoronana asa… Efa misy fiovana sy fanovana ho
amin’ny tsaratsara kokoa no ho ny teo aloha?

Raha misy tsy fahavitana sy tsy
fahombiazana, eo no ilana ny mpanohitra hatrany ifotony: hanaitra,
hanitsy, hanoro hevitra; hanao fanamby fa mahavita tsara sy be
lavitra raha mahazo fitondrana ka tsara fidina amin’ny manaraka.
Saingy tonga hatrany ifotony ho amin’ny tena fitsinjovana ny
fiainam-bahoaka amin’ny fanaraha-maso ny fanatanterahana mpitondra,
izay nampanantenainy ve ny mpanohitra?

Izay no anisan’ny mahatonga ny
vahoaka ifotony leo na tsy matoky mpanao politika, indrindra ny hoe
mpanohitra: tsy mahalala afa-tsy fahefam-panjakana? Nefa mila
manana foto-kevitra sy fandaharanasa ary paikady ho amin’izany
hisian’ny fampandrosoana amin’ny fanoherana miainga any ifotony.
Sarotra izany? Tsy hisy hanao… Tsy sahy mijoro sy tsy miatrika
fifidianana any ifotony?

Any amin’ny firenen-dehibe, isaky
ny kaominina na minisitera, ohatra, ny fanoherana amin’ny
fanaraha-maso sy tolo-kevitra raha ilaina: mitohy ho azy ny
raharaha rehefa mahazo fitondrana. Hafa be amin’ny ny hoe fitakiana
fiaraha-mitantana, fametraham-pialana, fanakorontanana… Mitondra
inona eo amin’ny fiainam-bahoaka any ifotony? Na karazana fitaka sy
famorehana ny fanoherana…

Rafaly Nd.

Article tiré de Newsmada

L’article Fanoherana… famorehana    a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Manaitra ny IUCN: ahina ho lany tamingana ny varika miisa 103 amin’ny 107

Loza mihatra amin’i Madagasikara ny faharinganan’ny karazana varika, izay tsy misy afa-tsy eto amintsika. Ny olombelona ihany anefa ny fahavalo mandringana azy sy ny ala, toeram-ponenany.Tsy mitsaha-mitombo ! Namoaka ny lisitra mena 2020 mikasika ny biby sy ny zavamaniry tandindomin-doza maneran-tany ny Vondrona iraisam-pirenena miaro ny zavaboary (IUCN), ny 9 jolay teo.Miisa 32.441 ny karazana biby sy zavamaniry tandindomin-doza tamin’ireo 120.372 nohadihadina, manome ny 27%. Tafiditra ao anatin’izany ny varika eto Madagasikara, izay ahina ho ringana ny 103 amin’ireo karazany 107, voarain’ny IUCN lisitra. Marihina fa miisa 113 izao ny karazana varika fantatra eto Madagasikara, ka vao hitan’ny mpikaroka malagasy sy vahiny farany teo ny iray, ny microcebus jonahi, varika anisan’ny tena kely (26 sm ny halavany).Miisa 33 ireo karazany tena ahina ho lany tamingana, ho ringana tsy ho ela, toy ny varika menamaso, ny varika mainty sy ny sifaka ary ny varibolo, izay efa potika daholo ny 90%-n’ny toeram-ponenany nefa tena maro aty Madagasikara. Eo koa ny varika madinika indrindra eto amintsika sy maneran-tany (23 sm ny halavany),Tsidy bitika an’i Berthe (microcebus Berthea), varika mivoaka amin’ny alina.Sarotra ny hamerenana azyMazava ny fanairana ataon’ny IUCN. Fahavalo voalohany, tompon’andraikitra ny faharinganan’ny varika eto Madagasikara ny olombelona, ny fanaovana tavy, fandoroana sy fanapotehana ny ala, toeram-ponenan’ny biby. Eo koa ny fihazana sy ny fihinanana ny henan’ny varika.Araka ny tatitra navoakan’ny sampana Biological Conservation, ny taona 2018, potika ny 44%-n’ny ala voajanahary eto Madagasikara, nanomboka ny taona 1950. Nomarihin’ny IUCN fa ho sarotra sady tsy afaka hiverina amin’ny laoniny intsony anefa ny zavamaniry sy ny biby ao aminy, satria tsy misy afa-tsy eto amintsika ny ankamaroany, manodidina ny 70%. Tsy ampy, araka izany, ny fambolen-kazo mahazatra fotsiny fa ilaina koa ny fiarovana ny biby.Njaka AndriantefiarinesyL’article Manaitra ny IUCN: ahina ho lany tamingana ny varika miisa 103 amin’ny 107 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kolontsaina : hanao fihaonambe ny Trano Kolotoraly Malagasy

Anisan’ny manana lanja lehibe eo amin’ny fikajiana sy fikoloana ary fampitana ny maha Malagasy (tantara, fomba amam-panao, fanandroana, sikidy, fahaizana momba ny zavamaniry…) sy ireo kolontsaina iraisam-pirenena toy ny yoga ny Trano Kolotoraly Malagasy. Raha ny fantatra, araka ny vaovao nampitaina, hanatanteraka ny fivoriambeny amin’ny alahady 4 aogositra izao, ao amin’ny ELI Soarano (Toerana fampianarana teny anglisy) ity fikambanana ity.Na tsy mbola voalaza amin’ny antsipiriany aza ny lahadinika na ny fandaharam-potoana, azo inoana fa ho voaresaka ao anatin’izany fivoriambe izany ny fikatsahana izay hampandrosoana ny Trano Kolotoraly Malagasy sy ny adidy efa niantsorohany hatramin’izay.Raha tsiahivina, angady nananana sy vy nahitana ny Trano Kolotoraly Malagasy ny dokotera Rakotonirainy Joseph. Nahay zavatra maro izy ary nampianatra mpianatra maro ihany koa. Fa anisan’ny nampiavaka azy ny fitiavan-tanindrazana tao aminy.Nanangona : HaRy RazafindrakotoL’article Kolontsaina : hanao fihaonambe ny Trano Kolotoraly Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Toliara-Nipoaka ny kaonteran-jiro: nilefa nandositra avokoa ny mpifidy

 Nipoaka ny kaonteran-jiro ao amin’ny lycée Laurent Botokeky, tokony ho tamin’ny 7 ora maraina, omaly. Samy tsy nanampo ny rehetra ka nanao tari-dositra rehefa nahaheno izany fipoahana izany. Noheverin’ny maro ho baomba nipoka. Vokany, niato adiny iray ny fifidianana. Niezaka ny rehetra nanatona namono ny afo sady nampandre ny Jirama sy ny mpamonjy voina rehefa nahalala fa kaontera ity nipoaka ity. Nanapaka ny jiro manontolo ny Jirama ary efa maty ny afo, raha vao tonga ny mpamonjy voina. Nanolo sy nanamboatra ny simba izy ireo hisian’jiro ao amin’ireo birao fandatsaham-bato folo ao amin’ny fokontany TSF-Sud, Ankatsakesy Tsimenatse II. Heverina fa tsy hisy fiantraikany amin’ny fifidianana izany na niteraka hatairana ihany aza ho an’ny mpifidy.Mifampitana ny IRD sy ny mahaleo tenaAnkoatra izany, nandray ny andraikiny ny fokonolona nandroaka ireo mpitondra babaj manerana ny birao fandatsaham-bato. Na izany aza, nizotra tam-pilaminana ny fifidianana na niseho aza ny fitarain’ny kandidà samihafa toy ny fisian’ny kara-pifidianana miisa 70 amin’ny anaran’ny fokotany tsy misy ao anatin’ny fari-pifidianan’ny Toliara I. Eo koa resaka miely fa misy ny fizarana vary ho an’ny olona avy nifidy. Manodidina ny 30% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Raha ny vokatra vonjimaika kosa, mifampitady ny kandidàn’ny IRD, Andrianasoloniaiko Siteny, sy ny avy amin’ny tsy miankina, i Behaja.CMSL’article Toliara-Nipoaka ny kaonteran-jiro: nilefa nandositra avokoa ny mpifidy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka

Toerana iray tena mahasarika mpizahatany mitsidika ny valanjavaboary ao Ankarafantsika   ny lavaka na antsoina koa hoe « Canyon » ao Ankarokaroka. Misy toerana avo ety ambony ahafahana mitazana ny hakanton’ny lavaka midadasika be izay vokatry ny asan’ny rivotra sy ny ranon’orana ka nanome endrika miavaka. Anisan’ny valanjavaboary 43 tantanin’ny Madagascar National Parks ny ao Ankarafantsika, mivelatra amin’ny faritra 136 513 ha.Valo ny karazana fitsidihana azo atao ao anatin’ny valanjavaboary ka anisany ny fijerena akaiky ny lavaka. 24 km ny lalana azo diavin-tongotra ao anatiny. Raha hidina hijery ny lavaka any ambany, 20 minitra eo ho eo ny faharetany mamakivaky ny ala. Namboarina manokana ny lalana handray ny mpitsidika mandeha an-tongotra tsy hitera-doza ho azy ireo.Tsy maintsy ialohavan’ny mpitari-dalana ny fitsidihana satria be efitrefitra ny lavaka. Nahavariana ny nahita ny cheminés des fées sy demoiselles coiffées voatefin’ny rivotra ka lasa kindrindriana rehefa tazanin’ny maso. Tsy azon’ny mpitsidika kitihina satria malemy ireny cheminés ireny ka mandrava ny hakanton’ny voary.Ankoatra ny Malagasy, maro ny mitsidika ny lavaka be ao Ankarokaroka ny Frantsay sy ny Amerikanina, indrindra amin’izao fotoana izao. Noho ny tsy fandriampahalemana anefa, nihena 14% ny isan’ny mpitsidika. Nanomboka ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny volana jolay lasa teo, 3 117 ny isan’ny mpitsidika tonga nidina tao anatin’ny lavaka be.Ny taona 2018, nahatratra 11 426 ny olona voasarika ka ny 40%,  Malagasy avokoa. Manana karazam-borona 130 ao Ankarafantsika ankoatra ny sifaka sy ny angonoka (tsy azon’ny mpitsidika jerena). Rehefa hiakatra indray hamonjy ny toeram-pitazanana ery ambony, misy faritra nokarakaraina ahazon’ny mpitsidika miala sasatra sy mijery ny zava-maniry samihafa.2 000 Ar ny saran’ny fitsidihana ny lavaka be  Fikaohan’ny riaka sy ny rivotra tao anatin’ny  taon-jato telo teo ho eo no nanome ny endriky ny lavaka amin’izao fotoana izao, tany fasihana no manodidina ny lavaka ka mila fitandremana, hoy ny mpitari-dalana Ratsinjovindraibe Tahiry Germain. 2 000 Ar ny saran’ny fidirana ho an’ny Malagasy raha 55 000 Ar ho an’ny vahiny. 65 000 Ar kosa ny saran’ny fitondrana mpitari-dalana (ho an’ny olona latsaky ny dimy) satria saro-pady ny toerana. 23 ny mpitari-dalana rehetra misahana ny zahavoary ao Ankarafantsika izay entina koa hamelomana sy hampihodinana ny valanjavaboary.Vonjy A. L’article Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - Sport - News Mada

Lomano-Covid-19: azo lazaina efa sitrana i Vola mivady

Na mbola tsy nahavita ny fanaraha-maso farany aza i Harivola Marie Sarah (ex DTN ny lomano) mivady, azo lazaina fa efa sitrana raha jerena ny fivoaran’ny fahasalamany, araka ny fanazavan’izy ireo. Raha tsiahivina, nanomboka ny faramparan’ny volana jona i Vola mivady ny nitondra ny tsimokaretina Coronavirus, izany hoe, efa tapitra ny 15 andro nanarahan’izy ireo ny fitsaboana, saingy mbola manohy ny fanaraha-maso hatrany anefa ny mpitsabo. Mbola misy ihany koa ny fanafody arahina ary tsy hadino ny evoka, indrindra ny vavaka andro aman’alina. Isan’ny nanampy be azy ihany koa ny fanaovana fanatanjahantena, nampitombo ny herin-tsainy.  “Ohatra ny manao fifaninanana mihitsy ny niheverako ny tenako, misy mpanazatra isan-karazany, ny fanahy, nyvatana, ny saina. Ny mpanaraka ihany koa, mandrisika avokoa ka raikitra ny ady”, hoy ny fitantaran’i Vola ny niatrehan’ity tsimokaretina Coronavirus ity. Tsapany ho mivoatra tsara isan’andro ny fahasalamany ka ankehitriny, tena efa tsara izy mivady, tsy ahitana intsony ireo soratr’aretina ary efa matanjaka tsara. Mi.RazL’article Lomano-Covid-19: azo lazaina efa sitrana i Vola mivady a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga : Nanafatra fitaovam-piadiana

Fampidirana basy sy fitaovam-piadiana ary fanamiana miaramila tsy fanta-piaviana. Ireo no heloka efa miandry sahady an’i Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga, ankoatra ny raharaha any Frantsa. Nanenjana manoloana ireny fitaovam-piadiana sy fanamiana miaramila tsy fanta-piaviana naderadera teny amin’ny CCI Ivato ireny, ny fitondrana nandritra ny filankevitry ny minisitra notarihin’ny filoha mpisolo toerana, Rivo Rakotovao. Misy lalàna mifehy tokoa mantsy ity resaka fitaovam-piadiana sy fanamiana miaramila ity, ka voatery nangata-panazavana momba izany ny fitondram-panjakana. Tsy nahafaly ireo minisitra MAPAR anefa izany fanarahan-dalàna mikasika ny fampidirana basy sy fitaovam-piadiana izany, ka dia nirintona nanakatom-baravarana nivoaka ny efitrano fivoriana i Pierre Houlder, minisitry ny Asam-panjakana. Izay mihitsy ilay antsoina hoe MAPAR sy TGV, olona mihevitra hitondra fanjakana ve dia handika tsotra izao ny lalàna velona eto amin’ny tany sy fanjakana! Inona izany izao no maha samihafa an’i Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga amin’ireo mafia mpanao trafika-na basy? Voaporofo izao fa tsy misy ilàna azy mihitsy ity praiminisitra Ntsay Christian ity. Efa hita izao fa loza mitatao ho an’ny firenena izany fanafarana fitaovam-piadiana tsy fanta-piaviana izany, miampy ny fahatrarana ireo mpanao kidnapping, izay tsy iza fa olon’ny MAPAR, kanefa dia tsy misy fandraisana andraikitra hatramin’ny androany. Mahazo manafatra izay fitaovam-piadiana mety aminy avokoa ve izany ny olon-drehetra? L’article Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga : Nanafatra fitaovam-piadiana est apparu en premier sur .L’article Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga : Nanafatra fitaovam-piadiana a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina : ahina mbola hihena ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy

Ho raikitra ihany ve ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna amin’ity taona ity? Andrasana ny fanapahan-kevitra ny fitondram-panjakana amin’ity herinandro ity na amin’ny herinandro ambony io.Mbola mahabe adihevitra etsy sy eroa ny amin’ny lisitry ny mpifidy, ohatra; eny, na eo aza ny hoe fanatsarana ataon’ny Ceni amin’izao fotoana izao. Tsy misy ny fikitihana ny lisi-pifidianana amin’izany, fa fanaovana “lisitra mena”: fanakanana ireo mpifidy miverimberina ny anarana tsy hifidy mihoatra ny indray mandeha.Hilamina àry ve ny amin’izay lisi-pifidianana izay? Anisan’ny nampihena be ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, ohatra,  izay. Ahina mbola hampihena ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy koa izao fanjavozavoan’ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly izao: hatao amin’ity taona ity ihany sa tsia? Misy ny alaim-panahy hanombana fa kajikajy sy paipaika politika no antony; eny, na hoe ho voahaja ihany aza ny fe-potoana hanatontosana azy.Tsy hitan’ny vahoaka ifotony izay fiovam-piainanaAnisan’ny fifidianana akaiky ny vahoaka indrindra ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, miantoka ny fampandrosoana ifotony mivantana. Na izany aza, toa tsy rototra firy amin’izany ny maro: sempotry ny fiainana andavanandro mandavantaona? Saika ny mpanao politika sy ny firaisamonina sivily no tena be adihevitra ny amin’ny tokony hanemorana na tsia izay fifidianana izay. Toy izany koa ny amin’ny tsara hikitihana na tsia ny lisi-pifidianana, ny hanitsiana ny lalàm-pifidianana…Tsy mahatsapa na tsy resy lahatra firy izay fiovam-piainana amin’izay mpitondra na olom-boafidy ny ifotony ny vahoaka? Tsy hita rahateo izay hoe fitsinjaram-pahefana tena izy amin’ny fampandrosoana mivantana eny ifotony: ny enti-manana, ny fahaiza-manao… Eny, na misy aza ny ezaka amin’ny karazam-piofanana etsy sy eroa. Hisy àry ve ny fiovana sy fanovana, raha hoe hatao ihany ny fanavaozana ny amin’izany mialoha ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna?Na ahoana na ahoana, mila hetsehina indray ny risi-pon’ny vahoaka ifotony amin’ny fahatokisany ny mpitondra. Eo koa ny fandraisany anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana amin’ny maha olom-pirenena azy. Anisan’ny azo anombanana izany izay ho taham-pahavitrihan’ny mpifidy amin’ny fifidianana, na mbola mampanahy be ihany aza. Ho hita eo…R.Nd.L’article Fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina : ahina mbola hihena ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Chan 2020»: «Nohamafisina ny fanafihana», hoy i Francklin, mpanazatra

Vonona ny Barean’i Madagasikara hidona amin’i Mozambika, eo amin’ny fifanintsanana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2020”.“Tapa-kevitra ary hiezaka handresy an’i Mozambika izahay, rahampitso alahady”, hoy i Rivo Francklin, mpanazatra, sy i Ando, kapitenin’ny Barean’i Madagasikara, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly tetsy Ankorondrano.  Fihaonana, hotanterahina rahampitso alahady, etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, tafiditra amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ho an’ny mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2020”.Fanambin’ireo mpilalao 23 mirahalahy mandrafitra ny Barea ny ho tonga amin’ny dingana famaranana, amin’ity “Chan 2020” ity. Efa iray volana rahateo ry zalahy no nanoman-tena ary niavaka satria nahatratra 16 ireo ekipa nakana ireo mpilalao raha efatra ny hatramin’izay. “Nohamafisina ny fanafihana, tamin’ity, izay hita fa lesoka nandritra ny “Cosafa 2018”, hoy i Rivo Francklin.Raha tsiahivina, ekipa efa nidona tamin’ny Barean’i Madagasikara i Mozambika tamin’ny taona 2018, nandritra ny fifanintsanana “Chan”, toy izao ihany. Nisaraka ady sahala, 2 sy 2, tetsy Mahamasina, nandritra ny lalao mandroso ary nandresy tany an-tanin’olona, tamin’ny isa, 2 no ho 0, teo amin’ny fihaonana miverina.Ankoatra izay, ny fanamiana mitondra ny marika Nino no hoentin’ny Barea, rahampitso, fa tsy ny Garman intsony. Hisokatra amin’ny 7 ora kosa ireo vavahady miisa sivy eo Mahamasina hisorohona ny ho fibosesehana.Tonga omaly, ny ekipan’i Mozambika. Hitsapa ny kianjaben’ny Mahamasina izy ireo, anio tolakandro manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Mbola hanao fanazarantena kely ho fanitsiana sy fanamafisana ny taktika kosa ny Barea, amin’ity maraina ity.Marihina, fa afaka herinandro no hanaovana ny lalao miverina eo amin’ny roa tonta, ka raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Maputo, ny asbotsy 3 aogositra izany fihaonana izany. Tompondaka L’article Kitra – «Chan 2020»: «Nohamafisina ny fanafihana», hoy i Francklin, mpanazatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra atsy La Réunion: mikasa ny hifindra ao amin’ny JSSP i Sedera

Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny ekipan’ny Excelsior sy ny JS St Pierroise La Réunion, noho ny fifindran-toeran’ilay mpilalao baolina kitra malagasy, Andriamparany Mathieu Sedera. Tsy mamotsotra azy mantsy ry zareo Excelsior.Mandalo fotoan-tsarotra, amin’izao fotoana izao, ny fiainan’i Sedera, ilay mpilalao baolina kitra malagasy mila ravinahitra atsy La Réunion. Mahatsiaro tena fa tsy milamina sy tsy mahita fahafinaretana ny tovolahy, ao amin’ny ekipan’ny Exelsior, ka mikasa ny hiverina hilalao indray ao amin’ny JS St Pierroise.Marihina fa noho ny ratra nahazo azy, tsy nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i La Réunion, nikatrohan’ny Excelsior sy ny SDFC, i Sedera, ny alahady lasa teo. «Efa nanambara ny fanapahan-kevitro tamin’ny mpitantana ny klioban’ny Excelsior aho ary miandry azy ireo hamela ahy handeha», hoy i Sedera.Na eo aza ny fikasan’ity mpilalao malagasy ity hifindra lasy any amin’ny JSSP, nazava ny tenin’i Jacky Amanville, filohan’ny Excelsior ,fa efa nisy fifanarahana federaly eo amin’i Sedera sy ny ekipan’ny Excelsior ka tsy misy antony tokony hialany. Nomarihin’ity mpitantana ny ekipan’ny Orange ity fa manaja ny lalàna izy ireo ary noho ny fizirizirian’ny JSSP haka an’i Sedera, handefa taratasy any amin’ny federasiona frantsay ry zareo, hampahafantatra ity olana ity.«Tsy izahay no te haka an’i Sedera fa izy tenany mihintsy ny manam-paniriana hiverina hilalao indray ato amin’ny klioban’ny JSSP», hoy i Luçay Arayapin, mpitantana ny ekipan’ny JSSP. Tsiahivina fa efa nisy olana toy izao nanjo an’i Sedera izao koa ilay Malagasy, i Fabrice. «Fantatro avokoa ny ankamaroan’ireo mpilalao ao amin’ny JSSP, ary niaina zavatra nahafinaritra aho, fony mbola tao, toy ny nahazoana ireo amboara marobe. Eny, na ho mafy amiko aza ny hiady toerana amin-dry Bapasy sy ry Thomas Souévamanien sy ry Dada ary ry Djamali Souéfou Ali», araka ny nambaran’i Sedera hatrany.Betsaka ny azo ambara, raha ny fanamarihan’i Sedera, fa miandry ny taratasy famelan’ny Excelsior azy sisa ny tenany.       Tompondaka L’article Kitra atsy La Réunion: mikasa ny hifindra ao amin’ny JSSP i Sedera a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mila mailo: misy misandoka ho mpitsabo maso

Tokony ho mailo ny rehetra, indrindra any ambanivohitra, fa misy ny olona maso mitety vohitra mitonona ho mpitsabo mandray an-tanana marary ary manome fanafody. Tranga iray niseho tany amin’ny faritra ivelan’ny Renivohitra, nitarika fahasimban’ny mason’ny zaza vao 15 volana, izany. Noho ny fanafody (collyre) nomen’ny olona nisandoka ho mpitsabo maso ny nahatonga izany. Efa mandeha ny fanadihadian’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamana amin’izao fotoana izao momba io tranga io. Ireo rehetra mitonona ho fikambanana misehatra amin’ny fahasalaman’ny maso, tsy maintsy manana fifanaraham-piaraha-miasa avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana.Tokony hanana mpitsabo manana fahaizana manokana amin’ny fitsaboana maso koa izy ireo, araka ny fanambaran’ny tomponandraikitra ny minisiteran’ny Fahasalamana. Mialoha ny hanatanerahana ny asa, mila mitondra ireo antontan-taratasy voalaza ireo eny amin’ny tomponandraiktiry ny fahasalamana ao an-toerana ilay fikambanana.Vonjy A.  L’article Mila mailo: misy misandoka ho mpitsabo maso a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: « Ilana fitsipika ny fitantanana ny tanànantsika »
28/09/2020

Nitondra fanazavana momba ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly. Noresahiny tamin’izany ny momba ny Fitsipi-pifehezana monisipaly momba ny fikoloana fahasalamana (CMH). Eo koa ny fitaterana sy ny tsena ary ireo fotodrafitrasa samihafa.« Tsy voasazy rehefa tsy diso… Raisina ny fepetra rehefa misy ny fanelingelenana ny fiarahamonina, indrindra raha miverimberina izany ary afaka mitaraina ireo iharan’izany », hoy izy namaly ireo resabe momba ny CMH. Na izany aza, nambarany fa tsy mbola hampiharina izany. Ialohavan’ny fanentanana sy ny fanabeazana sady mbola miandry ny fanorenana fotodrafitrasa izany, araka ny nambarany. « Diso ny filazana fa hakan’ny CUA vola ny CMH. Samy hafa ny lamandy sy ny hetra », hoy izy. Natsidiny sahady fa hisy WC miisa 50 haorina mialoha ny faran’ny taona. Efa misy ny vola 32 miliara Ar avy amin’ny mpiara-miombona antoka hahazoana dabam-pako miisa 5 000 eny anivon’ny fokontany, sarety 600 sy borety 1 000 ary kifafa 45 000. Hanamboatra CSB miisa efatra sy idivianana fanafody ny iray tapitrisa dolara.Hivoaka ny tolo-bidy fanorenana tsena etsy Anosy Ankoatra izany, nambarany efa hivoaka ny tolo-bidy ho amin’ny fanorenana tsena etsy Anosy sy ny Coum 67 ha ary koa ny fanarenana ny Zaimaika. Efa manomboka koa ny fanamboaran-dalana ary hivoaka amin’ny herinandro ny tolo-bidy ho amin’izany. « Hatsaraina ny fomba fiasa amin’ny herintaona fa hovitaina mialoha ny fahavaratra aloha ireo lalana ireo », hoy izy.Etsy andaniny, nohitsiny fa tsy maintsy hofoanana ny fifanarahana amin’ny Easy park noho ny fitongilanana nefa kosa handoavam-bola hatrany ny “parking”. Hatao amin’ny fomba hafa amin’ny alalan’ny fandoavam-bola amin’ny “borne” izany. Hiitatra amin’ny tsena izany fomba fakana vola izany rehefa voaisa ireo mpivarotra. Mialoha ny faran’ny taona, homena toerana ireo mpivarotra etsy Behoririka. Haverina amin’ny toerany kosa ireo mpivarotra ara-dalàna miisa 16 etsy amin’ny Esplanade. “Manahirana ny fanararaotana politika ataon’ny sasany sy ny famadihana izany ho amin’ny sain-dratsy”, hoy izy. Hanorina trano fonenan’ireo sahirana ny CUAAnkoatra izany, nampanantena ny ben’ny Tanàna fa hanamboarana trano fonenana ka ireo tena sahirana na ireo may trano. Tsy ho maimaimpoana anefa izany fa haverina tsikelikely amin’ny alalan’ny fanomezana asa azy ireo na ny Himo. “Tsy mijanona intsony isika rehefa manomboka ny asa”, hoy izy. Nanteriny indray koa fa hatsaraina sy ahitsy ny fomba fakana hetra amin’ny fanorenana trano ka anisan’ny hahazoana izany ireo fanorenana lehibe, toy ny an’ny orinasa na tranobe.Hatsaraina ny vola miditra amin’ny taxi-beNoresahina koa ny vahaolana amin’ny fitohananan’ny fifamoivoizana. Eo ny fanamboaran-dalana sy ny fanalana mpivarotra. Halamina koa ny zotra andehanan’ireo taxi-be. Ampidirina Cnaps ireo mpiasa ary hotadiavina ny fomba hampiakarana ny vola miditra amin’ireo mpitatitra. Ampiasaina ny “géolocalisation”, hanaraha-maso ireo fiara ary hampiana amin’ny fividianana fiara izy ireo hifampiraharaha amin’ny mpandraharaha momba izany. Hoferana koa ny fidiran’ireo taxi-be “suburbaine” eto fa natao ho an’ny “urbaine”. Maka sisiny ireo avy any ivelan’ny Renivohitra.Ampahany amin’ireo resaka nifanaovan’ny ben’ny Tanàna, tamin’ny mpanao gazety, momba ny fitantanana an’Antananarivo, ireo.Synèse R.                     L’article Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: « Ilana fitsipika ny fitantanana ny tanànantsika » a été récupéré chez Newsmada.

  Antsahavaribe: jiolahy roa nahatrarana rongony 31 kg
25/09/2020

  Jiolahy roa mpanao trafikana zava-mahadomelina no tratran’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Ambodimanga Antsahavaribe Sambava, afakomaly. Rongony milanja 31 kg miaraka amin’ny tavoahangy iray natao ho fidorohana rongony no tratra tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny zandary. Naiditra am-ponja avy hatrany ry zalahy taorian’ny famotorana nataon’ny zandary.Fa tratran’ny polisy miasa ao Belo sur Tsiribihina koa ny lehilahy roa mpifoka rongony tao ami’ny fokontany Beraketa, afakomaly ihany koa. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany izy roa lahy ary mbola nahitana fonosan-drongony izy ireo nandritra ny fisavana. Mitohy ny famotorana ataon’ny polisy.J.CL’article   Antsahavaribe: jiolahy roa nahatrarana rongony 31 kg a été récupéré chez Newsmada.

Fanadiovana ny Tanàna: miomana amin’ny fahavaratra ny CUA
25/09/2020

Efa nihomana mialoha ny fotoam-pahavaratra sy nandray an-tanana ny fanomanana ny fotoam-pahavaratra ny kaomina Antananarivo Renivohitra mba hanalefahana ny fiakaran’ny rano sy hahavitsy kokoa ireo traboina. Efa nivory niaraka ny CUA sy ny eo anivon’ny Sadc nijery ny ho toetry ny andro. Nivaly ny fitiliana ny toetrandro iraisam-pirenena sy ny aty Afrika ary i Madagasikara. Fantatra tamin’izany fa ho mafy kokoa ary ho betsaka ny rotsak’orana raha mitaha tamin’ny taon-dasa ka ilana fiomanana.Efa misy ny « Comité communale de gestion » natsangana ka filoha mitarika izany ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. Miara miasa amin’ny Samva sy ny Apipa ary  ary ireo mpiara-miasa rehetra miandraikitra amin’ny fikirakirana ny tandindomin-doza sy ny loza izy amin’izany. Tafiditra ao koa ny eny anivon’ny fokontany, ahitana  ny « Equipe locale de secours » na ny komity loharano.  « Tokony ho samy mandray an-tanana amin’ny fiakaran’ny rano , amin’ny fandraisana andraikitra manandrify azy koa ny vahoaka. Tsy hanary fako amin’ny lakandrano sy hanorina trano ambonin’ny lakandrano ary hitandro ny fahadiovana rehetra », hoy ny eo anivon’ny CUA.Faritra iva sy ny tondra-dranoEfa nisy ny koa ny fanadihadiana natao teto Antananarivo momba ny fijerena ireo toerana « point noir » mahatonga ny fahatsentsenana. Tsy mahavita ny ady amin’izany raha ny tetibolan’ny CUA fa mila tosika amin’ny fanjakana foibe, indrindra  avy amin’ny eo anivon’ny BNGRC . Mangataka mba homena tombony ny eto Antananarivo, anisan’ny ahitana olana maro eo amin’ireo faritra iva misy ny fiakaran’ny rano.Etsy an-daniny, mitohy hatrany ny asa ataon’ny CUA amin’ny fanadiovana sy ny fametrahana ny lalàna ary ny fanarahana ny Fehezam-pitsipika monisipaly ho fikoloam-pahasalamana « CMH », miaraka amin’ny fampahalalana izany.Synèse R.L’article Fanadiovana ny Tanàna: miomana amin’ny fahavaratra ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

Fihariana: sahirana izao ny mpanao biriky
28/09/2020

Fihariana iray goavana be mpanao eto amin’ny faritra Analamanga ny fanaovana biriky tanimanga eny an-tanimbary. Mandritra maintany, aorian’ny miaka-bary, ny fiasana fanaovana biriky, manomboka ny volana mey hatramin’ny volana septambra. Miankina amin’ny toetr’andro amin’ny ankapobeny fa miankina amin’ny toe-tany. Maharitra telo volana eo ho eo ny asa, manomboka amin’ny fihadiana tany, ny fandrafetana sy ny fandorana azy.Fianakaviana tompon’ny tanimbary ihany no miasa azy na mampanofa ny taniny. Ao ny efa za-draharaha hatramin’ny taranaka mifandimby mivelona amin’io asa fanaovam-biriky io isan-taona. Faritra maromaro ny hiasana amin’izany, araka nambaran’ireo mpanao azy. Samy ahitana izany eny Atsimondrano sy eny Avaradrano. Fantatra anefa fa tsy maharaka intsony ny akora tanimanga ka tsy maintsy manampy tany hafa, mitaona tany mihitsy ireo mpanao biriky ireo. Misy karazany ireo tany ireo: lamoka, mangakely, tain-drihitra, loham-pototra, sy ny maro hafa.Tsy latsaky ny 100 AriaryVoalazan’ireo mpiasa biriky fa tsara avokoa ireo. Izy ireo moa mivarotra dia tsy maintsy izay ny lazainy fa ny mpanao trano matihanina, mahafantatra tsara ny tena ilaina, miankina amin’izay trano hatao. Miankina amin’izay koa ny vidiny. Amin’ny ankapobeny, tsy latsaky ny 100 Ariary ny biriky iray eny am-potony, miampy ny saram-pitaterana io. Ankoatra ny fiara, misy mitondra amin’ny sarety, araka izay toerana aleha ny sarany. Milaza fa sahirana ankehitriny ireo mpanao biriky, noho ny antony maro: tsy ampy ny tany sy ny rano, lafo ny kitay fandorana azy. Izany rehetra izany, noho ny fiovan’ny toetr’andro (zahao ny lahatsoratra Fivadihan’ny toetr’andro). R.MathieuL’article Fihariana: sahirana izao ny mpanao biriky a été récupéré chez Newsmada.

ADY AMIN’NY COVID-19 : Maska 100.000 isa avy amin’ny masoivoho KOREANA Atsimo
23/09/2020

Tsy manao ambanin-javatra ny ady amin’ny « Covid-19 », ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny Ministeran’ny Fahasalamamam-bahoaka ary ireo Mpiaramiombonantoka aminy. Porofon’izany, maska na arotava miisa 100.000 no natolotry ny Masoivoho Koreanina Tatsimo izay miasa sy monina eto amintsika ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka omaly 22 Septambra 2020 teny amin’ny « CCO Ivato ». Fanampiana andiany faha efatra izy ity hatramin’izay niatombohan’ny ady amin’ny valanaretina coronavirus teto amintsika izay. Nambaran’ny Masoivoho koreana Tatsimo, SEM Lim Sang-Woo fa mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny Firenena roa tonta ary tsy adinony ny niarahaba an’i Madagasikara izy nahatohitra ny valanaretina « covid-19 ». Nampanantena izy fa eo hatrany ny Firenena Koreana, ary vonona ifanohana sy ifanome tanana amin’ny Vahoaka Malagasy. Andriamatoa Ministry ny fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis, sy andriamatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny, Dr TEHINDRAZANARIVELO Djacoba, notronon’ andriamatoa Mpandrindra Nasiônalin’ny CCO, Jeneraly Elack ANDRIANKAJA no nisolotena ny Fitondram-panjakana malagasy no nandray tamin’ny fomba ôfisialy ireo fanomezana ireo. Nanambara andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny lahateny izay nataony fa natao indrindra hanamafisana ny fiatrehana ny ady amin’ny « Covid-19 » ireo fanomezana ireo. Ho zaraina amin’ ireo Tobimpahasalamana fototra eto Madagasikara, indrindra any amin’ireo faritra lavi-dalana. Nomarihany ihany koa fa na dia efa mihena aza ny tahan’ny fihanaky ny valanaretina dia tsy maintsy tohizana sy hamafisina hatrany ny fiarovana sy fahamailona ara-pahasalamana manoloana izany. Nisaotra sy nankasitraka ny Firenena Koreana Tatsimo ny tenany ary nanamafy hatrany ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Firenena roa tonta. Fanadihadiana: SCM/MSANP L’article ADY AMIN’NY COVID-19 : Maska 100.000 isa avy amin’ny masoivoho KOREANA Atsimo a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Fanenjehana olom-boafidy :: Voaheloka higadra antranomaizina indray i Leva
29/09/2020

Tsy afa-bela. Nomelohin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany any Morondava fanindroany indray ny depioten’i Mahabo teo aloha, Raveloson Ludovic na i Leva, omaly. Voaheloka higadra roa taona an-tranomaizina sazy mihatra izy tamin’ny raharaha fakàna vola an-terisetra tamin’olona ary sazy herintaona an-tranomaizina tamin’ny fiampangana ratra sy vono niniana natao. “Rehefa misy ny fiampangana amin’ny heloka roa samy hafa tahaka izao dia izay sazy farany ambony tamin’ireo fanamelohana no ampiharina amin’ny voampanga”, hoy Ratsimandranto William, tonia mpampano lalàna ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Morondava. Efa voasazy higadra dimy taona an-tranomaizina ihany koa anefa izy, tamin’ ny taona 2018. L’article Fanenjehana olom-boafidy :: Voaheloka higadra antranomaizina indray i Leva est apparu en premier sur AoRaha.

Ivelan’ny ara-dalàna: mitombo isa hatrany ny mpivarotra
26/09/2020

Mitombo ihany ny asa ivelan’ny ara-dalàna, araka ny fanadihadiana natao, indrindra ny tsy fitoviana eo amin’ny fidiram-bolan’ny lahy sy ny vavy. Misongadina hatraiza hatraiza izany eto Madagasikara.Mibaribary ny tsy fitoviana eo amin’ny fitadiavana tantanin’ny lahy, manan-tombo kokoa no ho ny tantanin’ny vavy. Miainga any amin’ny fahasarotan’ny fahitan’ny vehivavy asa aloha izany ary mbola hita ihany koa ny elanelana eo amin’ny karama. Anisan’ireo antony ireo ny mampitombo ny « mpivarotra amoron-dalana ».Hita izany aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika sy eto Madagasikara. Na olona nahavita fianarana ambony aza ireo olona ireo, mbola sarotra ho azy ireo ny mahazo asa araka ny fepetra ara-dalàna. Raha ny fanadihadiana natao, maherin’ny 50 % ny manana Bac misafidy mivelona amina karazam-barotra fa tsy mamokatra. Sarotra ny mahazo famatsiam-bola. Porofo fa tena mahantra i Madagasikara.Amin’izay asa an-tselika izay, tsy mitovy ny tanjany: misy mivarotra fiara, ao ny mivarotra voanjo fa tena betsaka raha eto Antananarivo ny mivarotra sakafo masaka. Amin’io sokajy iray io, mbola hita ihany koa ny elanelana be loatra na amin’ny vidiny na amin’ny kalitaony.Hita amin‘ny sokajin’asa ivelan’ny ara-dalàna ny karazana asa sy ny olona manao azy. Araka izay ihany koa ny sokajin’ny mpanjifa, mifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny tsirairay. Tombanana 1500 miliara ariary isan-taona ny vola tsy miditra amin’ny fanjakana raha eto Antananarivo fotsiny : varotra sy fitaterana no tena betsaka. Fitaterana eto, tsy amin’ny fiara ihany fa hatramin’ny sarety sy posy. Matiantoka voalohany ny kaominina manodidina, na misy manao fanambarana izy ireo, tsy izy rehetra akory. R.MathieuL’article Ivelan’ny ara-dalàna: mitombo isa hatrany ny mpivarotra a été récupéré chez Newsmada.

Voina tampoka :: Vehivavy nianjeran’ny andrin-jiro
28/09/2020

Nindaosin’ny fahafatesana vokatry ny fianjeran’ny andrin-jiron’ ny Jirama taminy ny vehivavy iray, tany Morafeno-Antsiranana I, afak’omaly. Vaky mihitsy ny karandohan’ity niharan-doza. Mpivaromandeha no asan’io vehivavy, izay monina any Antanampitsasy ao Antsiranana io ihany. “Andrin-jiro efa lozotra no nianjera tampoka. Nandray an-tanana ny fiantohana ny lany rehetra tamin’ny fikarakarana ny razana ny orinasa Jirama taty an-toerana rehefa nahalala ny zava-nisy. Misy ny fifampiresahana teo amin’ireo fianakavian’ny niharam-boina sy ny orinasa Jirama”, hoy ny angom-baovao avy any amin’ny Polisimpirenena any Antsiranana, izay manao ny famotorana momba izao tranga namoizana ain’olona izao. L’article Voina tampoka :: Vehivavy nianjeran’ny andrin-jiro est apparu en premier sur AoRaha.

Toetry ny andro: hafana eto afovoan-tany
28/09/2020

Hiakatra ny maripana eto afovoan-tany, indrindra ny eto Antananarivo, ho an’ny telo andro manaraka ary ho maina ihany koa ny andro, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, eny Ampandrianomby, omaly. Amin’ny maha fotoana mampisara-taona azy, mifandimby ny vanim-potoana ririnina sy ny fahavaratra mandritra ny tontolo andro indraindray ka izay no mahatonga ny volon’andro fahavaratra somary mibahan-toerana fa tsy mahatonga orana aloha, hatreto, izany na miakatra aza ny maripana. Ny faritra Vakinankaratra no hahazo orana sy ny tapany atsimo noho ny fandalovan’ny rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy izay handrafitra ny mety ho toetry ny andro. Tsy mbola ahina ny fiforonana rivodoza ho an’ny telo andro manaraka. Ny volana novambra ny fanombohan’ny fisehoan’ny rivodoza amin’ny ankapobeny. Handrivotra ny tendrony avaratry ny Nosy, ary hisy fidinana misongadina manomboka rahampitso ny maripana ambony any Sava sy any Analanjirofo.Anio maraina, hanorana ny any Miandrivazo sy ny ilany andrefan’i Bongolava sy i Vakinankaratra. Hisy zavon-tany vao maraina any Vatovavy Fitovinany, any Atsimo Atsinanana ary ny ilany atsinanan’afovoan-tany. Ny tapany hariva, hanorana mety harahin-kotroka any Bongolava, sy i Miandrivazo ary ny atitany ny faritra Melaky sy any Ambanja, ny ilany atsinanan’Atsimo Andrefana, Anosy, ny tapany avaratr’Anosy. Ho an’ny maripana, eto Antananarivo 14° sy 27°C ny maripana raha 11° sy 27 °C ny any Antsirabe.Vonjy A.L’article Toetry ny andro: hafana eto afovoan-tany a été récupéré chez Newsmada.

Fisamborana jiolahy :: Lehilahy maty voatifitra sady nahitana basy mahery vaika
23/09/2020

Sarona niaraka tamin’ny basy mahery vaika “MAS 36” iray misy bala telo ny lehilahy iray, omaly vao maraina, tany Ankazobe. Voatondro ho isan’ireo nanafika tao amin’ny tokantrano iray tany Antakavana, tamin’ny 17 septambra lasa teo, izy. Teny ampisamborana ny namany, izay notononiny, no nisy ny fifampitifirana tamin’ny andian-jiolahy hafa. Namoy ny ainy tamin’io itsy jiolahy voasambotra itsy. « Efa voasambotra tany Beandrarezina-Beronono aty Ankazobe ihany izy. Nitaridalana anay andeha hisambotra an’ireo namany izy no niseho izao fifandonana tampoka tamin’ny jiolahy hafa izao », hoy ny loharanombaovao avy amin’ny Zandarimaria any Ankazobe. Tsy vahiny amin’ireo mpitandro filaminana ity jiolahy maty voatifitra ity satria isan’ireo malaza sy efa fantatra anarana ary karohina tamin’ny fanafihana mitampiadiana maro tany Anjozorobe, Maevatanàna sy Ankazobe izy. L’article Fisamborana jiolahy :: Lehilahy maty voatifitra sady nahitana basy mahery vaika est apparu en premier sur AoRaha.

Fanamby amin’ny fitantanana :: Hanova an’Antananarivo ao anatin’ ny enim-bolana ny Ben’ny tanàna
28/09/2020

Nafana ny tafatafa nifanaovan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, Naina Andriantsitohaina, niaraka tamin’ireo mpanao gazety tetsy amin’ny Studio an’ny vondrona fahitalavitra RTA tetsy Ankorondrano, omaly. Fotoana nanamafisan’ny Ben’ny tanàna ny fahasahiana hitondra ny fanovana mendrika ny renivohitra ary nanaovany fanamby amin’ny fahatsapana ny fiovana ao anatin’ny enimbolana monja. Naverimberiny matetika ny fifotoran’ny baiko sy ny asa aman-draharaha hataon’ ny ekipany araka izay fampanantenana nataony tamin’ ny mponin’Antananarivo renivohitra amin’ny alalan’ilay fandaharanasa « veliranon’ Iarivo ». Tsy hanavaka amin’ny fampiharana ny fitsipika sy ny lalàna ho famerenana ny hasin’Antananarivo ny lehilahy. « Tsy maintsy manaraka fitsipika isika rehetra. Tsy tokony hoentina eto andrenivohitra intsony ny fomba fiainana avy any ambanivohitra. Izay tsy afaka hanaraka ny satan’ Antananarivo renivohitra dia tsofina rano hitady tanàna hafa honenana », hoy mihitsy ny Ben’ny tanàna.  Isan’ny fepetra hihatra tsikelikely eto Antananarivo renivohitra ny andalana rehetra ao amin’ilay boky kely mirakitra ny fikoloampahasalamana sy filaminana, na eo aza ny resabe sy fanabarabarana miely any amin’ ny tambazotran-tserasera. Zon’ny mponina tsy ankanavaka ny mitaraina noho ny loto sy ny fikorontanana eny amin’ny fiaraha-monina eto an-drenivohitra. « Tanjona ny fametrahana ny fifanajana eny amin’ny fiaraha-monina. Tsy ny lamandy no hampidi-bola ho an’ny kaominina. Betsaka ireo mbola tsy mahalala an’ireo fitsipika ireo, ka hisy ny fanentanana hatao », araka ny fanamafisana nataon’i Naina Andriantsitohaina. Na eo aza ny fanenjehana an’ireo mpandoto sy mpanakorontana dia tsy latsa-danja ny fepetra fanatsarana ombam-panorenana an’ireo fotodrafitrasa sosialy izay mifaningotra amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro. Tsy mandeha ila Nosinganin’ny Ben’ny tanàna ny fanamboarana toeram-pivoahana vaovao sy ny fametrahana dabam-pako maro. An-dalana ireo asa ireo, araka ny fampahafantarana nataony tetsy amin’ny Studio an’ny RTA, omaly. Isan’izany ny fananganana trano fonenana ho an’ireo sahirana, ny fividianana fitaovana hiasan’ny kaominina amin’ny fanamboarana lalana, ny fanamboarana tsena, ny fanorenana toerana fialam-boly hanatsarana ny endrik’Iarivo sy ny hafa… « Efa mandeha avokoa ny antso tolo-bidy momba an’ireo, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Na izany aza, hoy i Naina Andriantsitohaina, dia hiezaka hatrany ny kaominina hampitombo ny fidirambolany ». Nahazo fampitandremana manokana , tetsy andaniny, ireo mpihoa-pefy amin’ireo mpiara-miasa aminy, indrindra fa ireo mpanao kolikoly. L’article Fanamby amin’ny fitantanana :: Hanova an’Antananarivo ao anatin’ ny enim-bolana ny Ben’ny tanàna est apparu en premier sur AoRaha.

Starex iray nivadika tany an-tanimbary, olona roa maty
28/09/2020

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona roa teny amin’ny Rocade Andohatapenaka, ny asabotsy teo tokony ho tamin’ny 8 ora sy 30 mn alina. Fiara marika Hyundai Starex iray saika hisongona taksiborosy marika Sprinter izay samy mitodi-doha mizotra ho an’ny amin’ny rond point Maki Andohatapenaka no nifatratra tany an-tanimbary. Araka ny fanazavan’ny polisy, saika hisongona ity taksiborosy ity ilay fiara Starex na nandona ny vodin’ilay Sprinter ankavia. Mafy ny fifandonana ka nifatratra avy hatrany tamina andrin-jiro eo amin’ny sisiny ankavanana ilay Starex vao nifatratra nilatsaka tany an-tanimbary. Olona enina ny tao anatin’ilay fiara izay samy naratra avokoa hatramin’ny mpamily. Nahitana fahapotehana ihany koa ilay fiara noho ny dona mafy nahazo azy. Noho ny ratra mafy nahazo ireo niharam-boina anefa, namoy ny ainy teny an-dalana hihazo ny hopitaly ny olona roa (vehivavy iray 30 taona sy lehilahy iray 31 taona). Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy kosa ny mpamily sy ny mpandeha telo. Tsy vao izao no nahitana trangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona amin’iny lalana Rocade iny, toy ny eny Marais Masay ihany, indrindra rehefa faran’ny herinandro. Misy ireo mpamily sasany manampatra amin’ny fampiakarana ny hafainganam-pandeha satria matoky loatra ny tanjaky ny fiara sy ny lalana migodana. Ny patsa iray anefa, tsy omby vava ka loza toy izao ny ateraky ny tandrevaka.J.CL’article Starex iray nivadika tany an-tanimbary, olona roa maty a été récupéré chez Newsmada.