Fanodinkodinam-bola, ”Raharaha ”bois de rose”: voarohirohy ny olon’ny tetezamita sy ny fitondrana teo aloha

News - Fanodinkodinam-bola, ”Raharaha ”bois de rose”: voarohirohy ny olon’ny tetezamita sy ny fitondrana teo aloha

News - Fanodinkodinam-bola, ”Raharaha ”bois de rose”: voarohirohy ny olon’ny tetezamita sy ny fitondrana teo aloha

Hiroso amin’ny tsy
fanekena ny tsimatimanota. Anisan’ny tsy maintsy hampidirina
amin’ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena ny
hanenjehana ireo nanodinkodim-bola sy nanao ny tsy mety eto amin’ny
firenena. 

Nambaran’ny filohan’ny vaomieran’ny
Fitsarana avo (HCJ) eny anivon’ny Antenimierampirenena, ny depiote
voafidy tany Vohipeno, i Tsabotokay Honoré fa ampolony eo ho eo
ireo antontan-taratasy amin’izao fotoana izao. Anisan’ny ahiana tsy
ho afa-bela amin’izany ireo olona ambony tamin’ny fitondrana
Tetezamita sy tamin’ny fitondrana teo aloha. Mahavoasaringotra ny
sasany amin’irany ny momba ny andramena, ny
fanodinkodinam-bolam-panjakana, ny asa tsy natao nefa namoahana
volam-panjakana…

“Mametraka izahay fa hitsara
araka ny feon’ny fieritreretanay, ary tsy handray baiko na avy atsy
na avy aroa amin’ny fandinihana ireo antontan-taratasy
fitoriana ireo mpitondra teo aloha ireo”, hoy izy.
Notanisainy tamin’izany ny vola notrosaina tamin’ny mpamatsy vola
mahazatra, ohatra: saika lasan’ireo nomena fahefana, na
olom-boafidy na olom-boatendry. Zava-baovao ny asan’ny vaomiera ary
mijery azy ny mason’ny Malagasy manontolo.

Tsy handray baiko na avy
aiza na avy aiza

Mazava ny teniny tamin’ny
fijoroan’ny birao: aoka tsy handray baiko na avy aiza na avy aiza
fa apetraka amin’ny feon’ny fieritreretan’ny tena ny raharaha mba
ho tombontsoan’ny Malagasy manontolo.

Anjaran’ny mpampaka-teny no miantso
ny vavolombelona sy ireo voakasiky ny raharaha. Avy amin’izany no
hahazoan’ny vaomiera mandinika ny raharaha: halefa eny anivon’ny
fivoriamben’ny Antenimierampirenena sa tsia ?

Tsiahivina fa hodinihina amin’ny
fivoriana ara-potoana faharoa hataon’ny Antenimierampirenena,
hanomboka ny 20 oktobra ho avy izao izany. Hanapaka ny
antontan-taratasy hodinhina sy halefa mialoha izany ny vaomiera.
Rehefa voadiniky ny vaomiera izany vao mandalo fivoriambe ary
halefa any amin’ny Fitsarana avo (HCJ).

R.Nd.

Article tiré de Newsmada

L’article Fanodinkodinam-bola, ”Raharaha ”bois de rose”: voarohirohy ny olon’ny tetezamita sy ny fitondrana teo aloha a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Ady totohondry: nahazo medaly miisa telo ny mpikatroka malagasy

Anisan’ireo taranja tsy niveri-maina ny ady totohondry satria nandrombaka medaly volamena  ihany koa. Nampitolagaga ny nanatrika ny zava-bitan’ireo mpikatroka malagasy.Nihofahofa indray ny saina sy ny hiram-pirenena malagasy, omaly, taty amin’ny Centre national Vacoas, Maorisy, ho an’ny taranja ady totohondry. Nandrombaka medaly volamena indray mantsy ny atletantsika, teo amin’ny latsaky ny 52 kilao, satria lavon’i Marco Jérôme, tamin’ny alalan’ny KO, teo amin’ny fidirana faharoa, ilay Maorisianina, i Bactora Gilbert. Niady ny fihaonan’izy mirahalahy ireto, nanampy tosika mafy ity solontenany ity ireo mpijery sy mpanohana ny tompon-trano, saingy tsy nampihetsi-bolo sy nampitahotra an’i Marco Jérôme izany fa vao mainka nanome hery azy aza. Vao nanomboka kely ny fidirana faharoa, nanomboka nivoa-dri teo amin’ny tatamason’ity Maorisiana ity, rehefa voan’ny totohondry nipetapetaka teny amin’ny tarehiny. Nifehy ny ady, nanomboka teo, i Marco ary tsy namelany raha tsy nianjera tamin’ny tany ny mpifanandrina taminy. Natsahatry ny mpitsara ny ady rehefa avy nisaina ilay Maorisianina ka nambara fa tompondaka ny Malagasy. Ankilany, nanao ny tsy nambinina ihany i Heriniaina Nomenjanahary (48kg), izay lavona teratany maorisianina, i Beedasse, teo amin’ny lalao famaranana. Na izany aza, mendrika ny zava-bitan’ity Malagasy ity, izay somary betsaka ihany ny tsindry nahazo azy nanoloana ireo mijery nihorakoraka sy ny fanapahan-kevitry ny mpitsara. Miarintsoa.Raz L’article Ady totohondry: nahazo medaly miisa telo ny mpikatroka malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Antoko Maitso: “Tsy mbola misy mahavita ny vitanay hatramin’izao …”

Ny antoko Maitso, araka ny maha maitso azy, miasa ho an’ny tontolo iainana ao amin’ny distrikan’i Vangaindrano, manohy ny fambolen-kazo. Ny 15 oktobra 2020 teo, nizara fitaovam-pianarana miampy arovava sy orona ity antoko ity. “Mitsinjo ny fiarahamonina ny antoko, manamaivana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny, indrindra noho izao Covid-19 izao”, hoy ny mpandrindra nasionaly, i Haingosa Hortencia. Nanamafy ny mpandrindra nasionaly ny amin’ny fifanampiana ka hahavitan-javatra lehibe na miainga amin’ny kely aza, ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana.«Momba ny tontolo iainana manokana, tsy mbola misy mahavita ny vitanay hatramin’izao. Tratranay ny tanjona tao anatin’ny herintaona, nihoatra aza ny vitanay. Natrehinay ny doro tanety sy ny afo an-tanàna nefa tena miasa jamba rafozana izahay », hoy ihany i Haingosoa Hortencia. Na izany aza, manohy ny asany ny antoko Maitso, mametraka fahatokisana amin’ny filoha Rajoelina hitohizan’ny fiaraha-miasa hatrany am-boalohany niforonan’ireo antoko mivondrona manohana azy.“Misy fotoana hanginana, misy fotoana hitenenana”Tsy hita ao anatin’ny governemanta ankehitriny ny antoko Maitso ankehitriny, nafana fo tamin’ny fanohanana izao fitondrana izao ny taona 2018 tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. « Nesorina izahay fa tsy niala, saingy misy ny fifandimbiasan-toerana, misy fotoana hanginana, misy fotoana hitenenana ». Mbola mifantoka amin’ny raharaha sosialy sy ny ady amin’ny Covid-19 ny antoko Maitso izao, hisy fotoana hiresahan’izy ireo bebe kokoa politika, araka ny nambaran’ny mpandrindra nasionaly.Nanazava Rtoa mpandrindra nasionaly fa tsy midika ho faharavan’ny Armada akory ny fandatsahan’ny antoko MMM kandidà amin’ny fifidianana loholona ho avy izao. “Ary ny antoko politika rehetra ara-dalàna, tokony handray anjara amin’ny fifidianana. Izay ny maha antoko politika, mandala ny demokrasia”. Ny antoko Maitso kosa, nisafidy ny tsy handatsaka mihitsy hitazonana ny teny nifanarahana hatramin’ny voalohany, manohana ny kandidà iraisana avy amin’ny antokon’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ilay vovonana, ny Armada. R.MathieuL’article Antoko Maitso: “Tsy mbola misy mahavita ny vitanay hatramin’izao …” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fifidianana loholona: efa maka bahana ny TGV

Miasa mangina ary efa maka bahana amin’ny fiaingana. Nambaran’ny mpitantana iray eo anivon’ny TGV/Mapar, omaly, fa efa miomana amin’ny hiatrehana ny fifidianana loholona izy ireo amin’izao fotoana izao. Efa napetraka ny mason-tsivana amin’ny ho kandidà harotsaka amin’izany, araka ny nambarany. “Tsy maintsy mba mpikambana eo anivon’ny TGV/Mapar sy tia tanindrazana ary olon’Andriamanitra. Tia manampy ny hafa ary vonona hiaro ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka malagasy…”, hoy izy. Nohitsiny fa hanana kandidà amin’ireo faritany enina izy ireo amin’izao fifidianana loholona izao. “Ho hita eo ihany ary hampahafantarina ny kandidà atolotray amin’ny fotoana mahamety azy…”, hoy ihany izy.Tsiahivina fa hanomboka, afaka 14 andro, ny 28 septambra ka hatramin’ny 12 oktobra izao, ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina eny anivon’ny Ovec.Synèse R. L’article Fifidianana loholona: efa maka bahana ny TGV a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitondrana tsara tantana: fokontany fahafolo iasana Anosibe Andrefana II

Fokontany fahafolo hanatanterahan’ny Conseil de developpment d’Andohatapenaka (CDA) fampiroboroboana ny fitondrana tsara tantana ny fokontany Anosibe Andrefana II. Tanjon’ny tetikasa ny fampandraisana anjaran’ny olom-pirenena ho an’ny asa rehetra ao anatin’ny fokontany misy azy. Anisany ny fanadiovana ny tanàna, ny fanentanana hanefa ny adidy hifidy, ny fanefana ireo adidy eo anivon’ny fokontany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny tetikasa ao amin’ny CDA, Rabarison Ny Ranto, omaly. Sahanasa maromaro ny hotanterahina ao anatin’ny fokontany. Fanentanana miankina amin’ny lohahevitra nosafidin’ny mponina: fahadiovana sy fidiovana. Fanofanana ny andrimasom-paritra momba ny andraikitry ny olom-boafidy sy ny solontenam-panjakana. Asa lehibe koa ny fametrahana ny sehatra ifanakalozan’ny mpitondra sy ny mponina hivoahan’ny hetahetan’ny vahoaka. Manampy ireo ny fisian’ny tahiry ahafahana manao fotodrafitrasa hanatsarana ny fiainan’ny mponina. Mikarakara fifaninanana ho an’ny fokontany folo mpiara-miasa hamolavola tetikasa misy fiantraikany amin’ny fiarahamonina ny tetikasa. Hatrany amin’ny 6 tapitrisa Ar ny loka azon’ny mpandresy.30 taona mahery niasana eo amin’ny fokontanin’Andohatapenaka sy ny manodidina ny CDA. Tsapa ny fiovana eo amin’ny fifandraisan’ny vahoaka sy ny mpitantana ny fokontany. Nahitana taratra ny fivoarana koa ny fahadiovana ary tsy malaina manefa latsakemboka amin’ny RF2 izy ireo. Mpanohana ny tetikasa ny Développement et paix Canada. Ho an’ny fokontany Anosibe Andrefana II, 2 034 ny tokantrano hisitraka tombontsoa mivantana amin’ny tetikasa.Vonjy A.L’article Fitondrana tsara tantana: fokontany fahafolo iasana Anosibe Andrefana II a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mampiahiahy ny tsy fanazavana…  

Vitan’ny ekipam-pirenena amin’ny baolina Barea, nampiombom-po ny Malagasy ve ny fampihavanam-pirenena? Mbola resaka lava izay. Mihavana ve ny Malagasy amin’izao? Na tena mifampatoky amin’izay rehetra mitranga sy atao…Lasa resaka tato ho ato, ohatra, ny amin’ny fampiasan’ny mpitandro filaminana ireo fiara manokana 4 x 4 nomen’ny fanjakana: iadiana amin’ny dahalo any ifotony sa iasana  andavanandro? Soa ihany, nanazava ny tomponandraikitra.Samy asa avokoa izay atao? Saingy misy ny hoe laharam-pahamehana sy zava-dehibe, efa nanaovana fanamby sy fampanantenana. Manjary miteraka tsy fifampitokisana sy ahiahy tsy ihavanana izay atao, raha tsy misy fanazavana mialoha.Tsy vitan’izay, mampisy ahiahy tsy ihavanana koa tato ho ato ny fanajana lalàna amin’ity hoe tany sy fanjakana tan-dalàna. Tsy inona fa ny amin’ity fanemorana ny fanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna.Nampiaka-peo, ohatra, ny firaisamonina sivily sasany fa tokony hohajaina ny fe-potoam-piasan’ireo olom-boafidy ireo. Mampiahiahy ho azy ny tsy fanajan-dalàna ny amin’ny tokony hanatanterahana fifidianana amin’ity taona ity ihany.Misy ny fanovana ny amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana na ny kaominina? Mila nohetsehina mialoha izany mba tsy hisian’ny ahiahy tsy ihavanana. Natao hitsinjo mialoha ny mpitondra, indrindra amin’izay (h)ataony.Ny amin’izay fifidianana izay ihany, misy milaza fa tsy tokony hokitikitihina fahatany ho azy  amin’izao ny lisitry ny mpifidy: alalana avy aiza no ahazoan’ny Ceni manao izany? Mila mazava izay mba tsy hisian’ny ahiahy.Inona na ahoana koa? Santionany ireo… Misy ihany ahiahy tsy ihavanana indraindray amin’izay mitranga sy atao. Tena mifampatoky ve ny Malagasy? Ny ataon’ny tena ihany no mahasoa na maharatsy, mampihavana na tsia.Mba tsy ho marina ny hoe: ny vazaha, mody miady; ny Malagasy, mody mihavana. Na ampiadiana, tsy miady; ampihavanina, tsy mihavana… Mbola samy maka ho azy? Fotoan’ny fangaraharana izao, hialan’ny ahiahy tsy ihavanana.Rafaly Nd.       L’article Mampiahiahy ny tsy fanazavana…   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tae-kwon-do ITF – «3rd Open Asian championship»: nandrombaka medaly volamena i Rado sy i Orima

Nanakoako tany ivelany indray, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny hiram-pirenena malagasy. Nandrombaka medaly volamena, teo amin’ny taranja tae-kwon-do ITF, mantsy i Rado sy i Orima, nandritra ny “3 rd open Asian championship”. Fihaonana, notanterahina tao amin’ny “stade Talkatora Indoor Stadium”, tao New-Delhi, India, ny zoma 30 mey sy ny asabotsy 1 jona, lasa teo.Voahosotra ho tompondaka, Andriamirado Heriniaina, teo amin’ny ady  na «kirougi». Resiny teo amin’ny famaranana, ho an’ny sokajy – 70 kg, ilay Indianina, Prasad Rakesh,. Tamin’ny isa, 4 no ho 0 no nibatan’i Rado, ny fandresena, tamin’izany. Mbola nanao “poomsae”, na kata ihany koa izy avy eo ka nahazo ny medaly volafotsy.Nahazo ny medaly volamena ihany koa Razanajatovo Orima, teo amin’ny “kirougi”, latsaky ny 15 taona, sokajy – 50 kg. Teratany Indianina, ihany koa no lavony, tamin’ny isa, 3 no ho 1, teo amin’ny famaranana. Fahatelo kosa izy, teo amin’ny fifaninanana “poomsae”, izay niravahany ny medaly alimo. Firenena aziatika, 10 no niady izay ho lohany tamin’ity ka firenena nasaina manokana i Madagasikara.Raha tsy misy ny fiovana dia ho tonga ny zoma 7 na ny asabotsy 8 jona, ho avy izao, izy ireo. TorcelinL’article Tae-kwon-do ITF – «3rd Open Asian championship»: nandrombaka medaly volamena i Rado sy i Orima a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Raharaha 19 jolay 1948: notsaroana manokana ireo mahery fo Malagasy

Feno 71 taona katroka, omaly (19 jolay 1948 – 19 jolay 2019) ny nitifiran’ireo mpanjanatany ireo mahery fo nitaky ny fahaleovantenan’i Madagasikara teny Avaratra Ambohitsaina dia ny Lietna Randriamaromanana Albert, Rakotobe Samuël, Ratsizafy Samuël, Bekamisy ary Lezoma.Ho fahatsiarovana ny fitiavan-tanindrazana izay nasehon’izy ireo tamin’izany, tonga nametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny toerana nitifirana azy ireo sy teny amin’ny Tobi-Miaramila Regimanta voalohan’ny Miaramila Analakely mitondra ny anaran’ny Lietnà Randrimamaromanana Albert ny solontem-pianakaviany sy ireo andiany niaraka taminy ary ny Praiminisitra Christian Ntsay, nisolo tena ny Filoha Rajoelina. Nandritra ny fandraisam-pitenanan’ny Fitaleanan’ny mpiady tia tanindrazana, ny Kly Rakotonirina Lala Jacquis no nanambarany fa tsy fanadino ny ezaka fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo fa mendrika ny hotsaroana. Ny tantara no miantoka ny ho avy ka nilazany fohifohy ny tantaran’ny namonoana ireo mahery fo Malagasy ireo. Ny Malagasy manontolo no tokony hivondrona ao anatin’ny Vondrona Tia Tanindrazana izay iandraketan’ny sampandraharaha ny mpiady Tia Tanindrazana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN).Ohatra ho an’ny taranaka…, hoy ny PM“Feno fitiavan-tanindrazana sy namela mamy ary lova tsara ho an’ny taranaka aty aoriana ny ohatra nasehon’ireo mahery fo ireo”, hoy ny Praiminisitra Christian Ntsay. Nohamafisiny hatrany fa ny vahoaka malagasy dia tokony hoentanin’izany afom-pitiavan-tanindrazana izany koa mba hamerenantsika sy hanamafisantsika hatrany ny fifampitokisana sy ny fifamenoana eo amin’ny mpitondra isan-tsokajiny ary ny vahoaka. “Fifampitokisana sy fifamenoana izany dia mba ho soatoavina hampitambatra ny hevitra hanatanterahana fampandrosoana ny firenena sy fanandratana ny fahamasinan’ny tanindrazana”, hoy izy.Nisaotra manokana ireo bekotro maro holatra kosa ny Sekretera jeneralin’ny MDN, ny Amiraly Ranaivosehono Antoine de Padoue. “Ohatra ho antsika taranaka aty aoriana ary tokony halain-tahaka izany fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo tamin’izany vanim-potoana izany. Ny fahafoizana ny aina no fitiavana faratampony”, hoy izy.Jean ClaudeL’article Raharaha 19 jolay 1948: notsaroana manokana ireo mahery fo Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Faritra Vakinankaratra: maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana

Manomboka izao, maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana eny amin’ny biraom-panjakana rehetra ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Voakasik’izany ny foibem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, ny eny anivon’ny amin’ny sampandraharaham-paritry ny karama sy ny fisotroan-dronono, ny eny anivon’ny “controle financier”, ary ny prefektiora.Io ny nolazain’ny prefet-n’Antsirabe, Andriatomponera Voahangy, nandritra ny fanofanana nomen’ny sampandraharaham-paritry ny karama sy ny fisotroan-dronono izay naharitra roa andro tao Antsirabe.Tsy ekena intsony ny fahataran’ny fisitrahan’ny mpiasam-panjakana ny zony.Nanaraka fiofanana ireo mpiandraikitra ny maha olona, ny tompon’andraikitry ny fitantanana vola eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana rehetra.Mbola betsaka ny tsy fahatomombanana hita amin’ny fikirakirana ny taratasin’ny mpiasam-panjakana. Tsikaritra hatrany koa ny tsy fifehezana ireo dingana rehetra tokony harahina ataon’ny mpiandraikitra ny maha olona ka nahatonga izao fampiofanana izao.Manodidina ny 9 000 ny mpiasam-panjakana ao Vakinankaratra, mizara ho sokajy roa: ireo mpiasam-panjakana raikitra ary ireo voafatotry ny fifanarahana. Iandraiketan’ny  foibem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy avokoa ireo. Anisan’ny faritra be mpiasam-panjakana toy ny eto Analamanga sy ny any Matsiatra Ambony ny ao Vakinankaratra.Heverina hanatsara ny fomba fiasa sy hahaingana ny fanaovan-taratasy amin’ny biraom-panjakana ao an-toerana izao fiofanana izao. Hanaramana ireo mpiasam-panjakana ny 75% -n’ny tetibolam-panjakana ka tokony hiasa tsara ho an’ny vahoaka izy ireo.Tatiana AL’article Faritra Vakinankaratra: maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hiasa amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana: mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina 41 nanao fianianana

41 ireo tanora amerikanina Mpilatsaka an-tsitrapo vaovao nanao fianianana, omaly, tao amin’ny fonenan’ny Ambasadaoro amerikanina. Hiasa hanampy ny vahoaka malagasy, araka ny toky nomeny izy ireo, eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, ary ny fahasalamana. Eo amin’izay fambolena sy fiompiana izay indrindra ny ahitana maro anisa hiasa any amin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Atsinanana. Betsaka ny handeha any amin’ny faritra hafa.Hiara-hiasa amina vondron’ny mpamboly na fikambanana samihafa any amin’ny faritra misy azy avy ireo Mpilatsaka an-tsitrapo ireo, hitondra fampivoarana any ambanivohitra, hanatsara ny fomba fiasa hampitombo ny vokatra sy hiarovana ny tany. Raha fintinina, hanampy ny Malagasy amin’ny ady amin’ny fahantrana, indrindra ny any ambanivohitra.Mifandray amin’izay fampivoarana ny fambolena izay ny fitandroana ny fahasalaman’ny mponina, hanaovana ezaka hahatonga ny Malagasy afaka manohy ny asany eo amin’ny tontolon’ny fambolena. Navoitra ny fiarahan’izy ireo miasa amin’ny toby fitsaboana fototra (CSB). Manoloana izany, manentana ny Mpilatsaka an-tsitrapo ny tale eto Madagasikara, Vanessa Dickey, hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny tantsaha sy ny rafitra misy any amin’ny kaominina, mba hisy fiantraikany marina amin’ny fampandrosoana ny asa rehetra ataon’izy ireo.Hanampiana ny tany mahantraNiofana nianatra ny teny, ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy ireo tanora amerikanina ireo tany Mantasoa, nandritra 10 herinandro. Nanome toky izy ireo tamin’ny fianianana natao fa hanaja ny maha Malagasy sy mbola hianatra bebe kokoa mahakasika ny Malagasy. Filoha amerikanina John Kennedy no nanangana ny Mpilatsaka an-tsitrapo ny taona 1961, hifandraisana maneran-tany, sy hanampiana ny tany mahantra. Nanomboka ny  taona 1993, 1 400 ny Mpilatsaka an-tsitrapo niasa teto Madagasikara. Roa taona ny faharetan’ny asa, misy amin’ireo nahavita tany aloha, miverina eto an-toerana ankehitriny.  R.MathieuL’article Hiasa amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana: mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina 41 nanao fianianana a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Razana tao antrano :: Lehilahy hita faty ahiana ho nisy namono

Hita tao an-tranony ihany ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray, 38 taona, mipe­traka eny Antetezana Afovo­any-Andavamanda, tamin’ny tolakandron’ny alahady lasa teo. Mampiahiahy ny faha­fatesany noho ny fahitana ratra teo amin’ny tarehiny sy ny tanany roa. Ahiana ho nisy namono izy. Nitolefika teo ambony fandriana ny razana, niala ny hodi-tavany, araka ny fitantaran’ny fianakaviana. Nitangorona ny olona tenyAntetezana Afovoany tamin’ny fahenoana fisiana olona hita faty tao amina trano iray. Nampilazana haingana ny fianakavian’ity namoy ny ainy. «Tany amin’ ny hopitaly mbola namangy fianakaviana marary izahay no nisy nampandre fa maty irery tao an-tranony i Hery. Efa ny vatana mangatsiaka no novantaninay », hoy ny fianakaviana mana-manjo. Niahiahy avy hatrany iretsy farany fa mety ho nisy namono io lehilahy io. «Niendaka toy ny nodidiana tamin’ny antsy ny tarehiny. Nahitana toy izany ihany koa ny tanany roa. Fotsifotsy sy efa niala ny hoditra ka taolana sisa. Nisy mandomando ny akanjony ambony. Nipetraka nitolefika no nahitana azy teo ambony fandriana», hoy Ravoaviniaina Jean Marie, zaodahin’ny maty. Tsy nikorontana ny tao an-trano, tsy mbola voafaritra ihany koa ny entana mety ho very na voaroba tao, tamin’ny fotoana nahitana ny razana. Manamafy ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) misahana ny fanadiha­diana fa mampiahiahy ny fahafatesan’io lehilahy io. Efa misy ny famotorana sy ny fakàna am-bavany ny olona rehetra ilaina amin’izany, toy ny vadin’ilay namoy ny ainy, ny fianakaviany, ny mpiara-monina sy ny olona nahitana ny razana voalohany. L’article Razana tao antrano :: Lehilahy hita faty ahiana ho nisy namono est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina
29/10/2020

Hitohy anio eny Ambohimanarina, boriborintany fahenina hatramin’ny 30 oktobra izao ny hetsika sy tolotra ho an’ny fahasalamanana maimaim-poana ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nifarana, omaly ny teny amin’ny fokontany Soavimasoandro ary niarahana amin’ny sampana sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàna.Fidinana ifotony eo amin’ny fahasalamanaTanjona ny fidinana ifotony, fanatonana ny mponina eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Nahitana trano heva maromaro teny an-toerana, nidinan’ny ekipan’ny CSB II sy  ny kaominina. Teo koa ny fanasana ireo mpisehatra maro mpiara-miombon’antoka misahana ny fahasalamana sy sosialy nandray anjara. Anisan’izany ny fijerena sy fitiliana diabeta sy ny fiakarana tosidra, ny fitiliana VIH/SIDA, ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny.Mihaino ireo vehivavy iharan’ny herisetra koa ny polisy Nampiavaka ity hetsika ity ny fandraisan’anjaran’ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena nanentana ny ankizy tsy ampy taona sy ireo vehivavy iharan’ny herisetra mba hanatona azy ireo. Manampy izany ny fampirantiana ireo fanafody vita amin’ny akora natoraly ary ny trano heva mampahafantatra ireo mponina ny torolalana sosialy.Niara-niasa amin’ny CUA tamin’izany ny AIMF, ny « Ville de Paris » ary ny  « ISSV ».Synèse R.L’article Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina a été récupéré chez Newsmada.

Efa mpamerin-keloka: tratra nisoloky olona ilay mpanendaka
27/10/2020

 Voasambotry ny polisy, ny asabotsy teo tetsy Avaradoha, ny lehilahy iray mpisoloky sy mpandray entana halatra. Misoloky olona amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera “facebook” ihany koa ralehilahy. Milaza izy fa mivarotra findray ka roboka ny olona hividy izany. Rehefa tonga ny fotoana nifanaovana, milaza ilay mpanendaka fa iraka no mandeha mamonjy ilay mpividy. “Izy ihany anefa ilay voalaza ho iraka io fa tsy tiany ho fantratr’olona”, hoy ny fanazavan’ny Polisim-pirenena. Aorian’izay, entin’ilay mpanendaka io any amina toerana mangingina ilay olona mifanao fotoana aminy ka anaovany ny asa ratsiny. Vokany, lasa amin’izany ny vola sy ny finday. Rehefa izay, amidiny amin’ny namany eny Andravoahangy indray ny finday azony.Henintsoa HaniL’article Efa mpamerin-keloka: tratra nisoloky olona ilay mpanendaka a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa: nanome vola iadiana amin’ny Covid-19 ny Frantsay
27/10/2020

   Mitentina 1,5 tapitrisa euros na 6 miliara Ar ny fitambaran’ny vola avy amin’ny Frantsay, nanaovana sonia fifanarahana vola natrehin’ny masoivoho frantsay sy ny Agence française de développement sy ny vondrona ONG roa, soloin’ny Action Action contre la faim et humanité sy ny Inclusion, tena omaly.Entina hanampiana ny fanamafisana ny hetsika hamongorana ny valanaretina Covid-19 ny vola nomena.Tanjon’ity fanohanana ity ny hitondra firaisankina, fiaraha-miasa mivaingana ary eo no ho eo, ao anatin’ny fanomezan-toky sy ny fanohanan’i Frantsa ny vahoaka malagasy. Hanampy amin’ny fampihenana ny taham-pahafatesana noho ny valanaretina ireo fikambanana hiantsehatra amin’ny asa. Eo koa ny fanalefahana ny fiantraikan’ny valanaretina amin’ny sosialy.Manampy ny vondrona ONG roa hamaly amin’ny fomba haingana sy mifanaraka amin’ny filàna ankehitriny ny zavatra hatao. Iandraiketan’ny vondrona Action contre la faim, ny Action socio-sanitaire organisation secours, ny Care, ny Médecins du Monde ny asa miaraka amin’ny tetikasa Setriny amin’ny krizy ara-pahasalamana….Ny tetikasa “Miaro tena aho, ho fiarovako ny hafa” (Mitehafa) ataon’ny vondrona Humanité sy Inclusion, ny Douleurs sans frontières ary ny SOS Village d’Enfants kosa, hanampy amin’ny fandrindrana ny fihetsika manoloana ny valanaretina.Ho voakasiky ny asa ao anatin’ity tohana ity ireo olona maherin’ny 80 0000. Anisan’izany ny mpiasan’ny fahasalamana 1 034, ny mpiasa ny fampianarana 10 921, ny mpianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra, 66 400.Eo koa ny olona misitraka hetsika fanentanana, fanohanana haipisaina sy hetsipon’ny fiarahamonina sy ny fanohanana hahalala momba ny aretina amin’ny fanabeazana. Tsy hadinoina ireo marary 387 natoka-monina miisa 830 sy ny mpisehatra momba ny firaisa-monina hanenika ny faritra 11 laharam-pahamehana eto Madagasikara. Miparitaka amin’ny faritra Analamanga, Analanjirofo, Androy, Anosy, Atsimo-Andrefana, Atsinanana, i Boeny, i Bongolava, i Diana, Itasy ary i Vakinankaratra ny asa hatao.Tatiana AL’article Fiaraha-miasa: nanome vola iadiana amin’ny Covid-19 ny Frantsay a été récupéré chez Newsmada.

Fandrakofana ala : hamokatra zana-kazo anetsiny ny Mitsinjo ny ho avy
24/10/2020

Handeha lavidavitra kokoa amin’ny handrakofana ala ity Nosy ity. Notokanana, ny 20 oktobra teo, ny tanin-jana-kazo Mitsinjo ny ho avy ao Sahavon­dronina, kaominina Androy, distrikan’i Lalangina. Nitokana izany tany an-toerana ny Fita­lea­vam-paritry ny tontolo iainana (DREDD) Matsiatra Ambony, Rabotovao Mamisoa. Mitan­tana ny tanin-jana-kazo kosa ny fikambanam-behivavy ao an-toerana, miara-miasa amin’ny MNP Ranomafana. Efa notsidihin’ny minisitry ny Tontolo iainana, Raharinirina Vahiniala, vao tsy ela izay, izany toerana izany. Ahitana karazany ireo zana-kazo miisa 12 500 ary tanjon’izy ireo ny hamokatra hatrany amin’ny 150 000 isa. “Miezaka mamokatra “pots biodégradables” , izany hoe, vita amin’ny herana, koa ry zareo ialana amin’ny fampiasana ny “pots plastiques”, hoy ny eo anivon’ny DREDD. Nivoitra tamin ny kabary nifandimbiasana ny olana sy ny fifanampiana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Eo koa ny fampaha­tsiahivana ny fampiharana ny lalàna velona.Synèse R.L’article Fandrakofana ala : hamokatra zana-kazo anetsiny ny Mitsinjo ny ho avy a été récupéré chez Newsmada.

Sidina avy any ivelany : mikatona indray ny any Nosy Be
24/10/2020

Noho ny tahotra ny Covid-19, sidina avy amina firenena folo voararan’ny ACM (Avi­a­tion civile de Madagascar) tsy hiditra eto Madagasikara amin’ izao fotoana izao. Voakasika amin’izany didy izany: i Fran­tsa, i Belzika, i Alemaina, i Es­paina, i Italia, i Holandy, i Po­lo­na, i Angletera, i Ukraine, ary i Rosia. Tena voakasik’izany ireo sidina mankany No­sy Be, izay vao nosokafana ny 1 ok­tobra teo ho fanarenana ny fizahantany. Tsiahivina ko­sa fa ny 1 novambra ny sidina farany fampodiana an-tanindrazana. Fotoana farany ny alakamisy hariva 22 oktobra teo, no­sakanana ny mpandeha 24 avy any Paris ho any Nosy Be, saika hiampita ao La Réunion. Tsy faly ireo mpandeha ireo sa­tria tsy fantatra mialoha ny fepetra noraisina. Tsy vitsy ihany koa ireo mpitantana ho­tely mpandray vahiny any No­sy Be naneho ny tsy fankatoavany izao fepetra izao, mampihemotra indray ny fizahantany. Manamarina ny fepetra noraisin’ny fanjakana ny mi­ni­sitry ny Fitaterana sy ny fizahantany, Randriamandran­to Richard, nanambara ny tsy fankatoavana ny mety mbola hiverenan’ny aretina Covid-19. Izany hoe, araka ny nambaran’ny minisitra, efa resy izany io aretina io eto an-toerana.R.MathieuL’article Sidina avy any ivelany : mikatona indray ny any Nosy Be a été récupéré chez Newsmada.

Lomano-Analamanga : fantatra, anio, ny datin’ny fifidianana
24/10/2020

Ho fantatra aorian’ny fi­voriana iarahan’ny ligin’Ana­lamanga amin’ny fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny fanatanjahantena eto Anala­manga, tanterahina anio, ny daty hanaovana ny fifidia­nan’ny ligin’Analamanga, taranja lomano. Raha hiverenana ny fanazavana efa nambaran’ny filoha am-perinasa, Andrianjatomanitra Tojoha­nitra, tokony hatao amin’ny faramparan’ity volana oktobra ity, na ny fiandohan’ny volana novambra, ny fifi­dianana. Izany indrindra ny antony hanaovana ity fivoriana androany ity, handinihana ny fomba hanatante­rahana ny fifidianana sy ny fotoana ary ny toerana. Araka ny efa fantatra, tsy ho kan­didà intsony ny filoha am-perinasa, i Tojohanitra. Eo amin’ny taranja lo­mano hatrany, hatomboka ny 8 novambra no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana 2020-2021. Aorian’izay, hisy ny fio­fanana ho an’ireo mpanazatra, hatao eto Antanana­rivo, ny 8 hatramin’ny 15 novambra, miaraka amin’andriamatoa Beunet, manampahaizana iraisam-pirenena. Ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika Seniors kosa ny fifaninanana iraisam-pire­nena voalohany hatrehina, hatao ny 3 hatramin’ny 6 de­sambra 2020 any Durban, Afrika Atsimo.Mi.RazL’article Lomano-Analamanga : fantatra, anio, ny datin’ny fifidianana a été récupéré chez Newsmada.

Nosasana fa saika hamidy: kila tsy nisy noraisina ilay fiara 4×4, BMW
28/10/2020

 Nanaitra ny mpandalo sy nampitangorona olona maro tetsy 67ha avaratra manakaiky ny biraon’ny Seimad ny firehetan’ny fiara 4X4 marika BMW X5, omaly antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora sy 18 minitra. Kila tsy nisy noraisina intsony ny fiara vokatry ny afo niredareda. Mbola nipoaka ihany koa izany ka nanaitra ny manodidina.Fiara saika hamidy ity tra-doza ity. Teo am-panasana azy no nanomboka nirehitra ny fiara. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso, « cours-circuit » ny nahatonga ny firehetana nitarika ny fahasimbana tao anatin’ny minitra vitsy. « Avy nosasana ilay fiara, napetraka naka toerana ary nosoloina ny batterie », hoy ny fanazavan’ny mponina teny an-toerana. Nanohy ny asa fanadiovana kosa ny mpanadio. Fotoana fohy taorian’ny nanombohana ny fanadiovany ny anatin’ny fiara. Nahatsikaritra firehetana tao amin’ny « capot » an’ilay fiara ilay mpanadio. Nitady ny fomba nanokafana izany anefa izy, saingy tsy nety nisokatra ilay capot. Nihanahazo aina, araka izany, ny afo ka voatery niantso ny tompona fiara ralehilahy. Minitry vitsy monja taorian’izay, efa afo nijoalajoala ny teo amin’ilay fiara 4×4. Vokany, naira-nisalahy ny rehetra nanondraka fasika sy ranon-tsavony namonoana ny afo, saingy tsy nahafaty azy izany. Teo koa ireo niantso ny sampana mpamonjy voina. Ny sasany moa dia nitangorona nijery izany. Vokany, tsy voafehy ny afo ary kila tsy nisy noraisina intsony ilay fiara  BMW X5 tao  mandra-pahatongan’ireo mpamono afo.Henintsoa HaniL’article Nosasana fa saika hamidy: kila tsy nisy noraisina ilay fiara 4×4, BMW a été récupéré chez Newsmada.

Mba mila mahay mankasitraka koa !
29/10/2020

Tena ilaina ny kiana ! Tsy manana mari-pandrefesana ny mety na tsy mety hataony ny mpitondra raha tsy misy ny mpanohitra. Tsy voatery resa-politika, fa na ny kiana hanatsaran-javatra avy amin’ny vahoaka aza, ilaina dia ilaina tokoa. Any amin’ny firenen-kafa, ampirisihina mihitsy izay manan-ko lazaina mba hiteny izany fa tsy kobonkobonina irery any. Izay mahita ny tsy mety, ny tsy rariny, ny tsy ara-dalàna indrindra indrindra, tokony hahasahy hijoro miteny sy manohana ny heviny. Antoky ny demokrasia rahateo ny fahafaha-miteny. Azo lazaina fa malalaka tsara ny fitenenana, ny fanakianana, ny fanehoan-kevitra mifanohitra amin’ny an’ny mpitondra eto Madagasikara. Mazava loatra fa tsy maintsy misy ny hiteny hoe tratran’ny teritery sy fanampenam-bava. Tsy tao anatin’ny ara-dalàna mantsy ireny. Raha fanehoan-kevitra an-kalamanjana misy famoriana vahoaka, mila fahazoan-dalana, mazava loatra. Raha fanehoan-kevitra amin’ny tambajotran-tserasera, tsy tokony hivaona mankany amin’ny fandrisihana amin’ny fankahalana, na sanatria mankany amin’ny fanakorontanana. Fa mba ilaina ihany koa ny fankasitrahana… Tsy voatery hanakiana izay hataon’ny mpitondra foana ny mpanohitra. Zony tanteraka, ary mariky ny fifanajana anatin’ny tsy fitovian-kevitra koa ny fankasitrahana. Raha toa moa tanteraka ny faniriana, izay nangatahin’ny mpanohitra, dia hangina fotsiny ve? Fahalalam-pomba kely sy bitika indrindra ny misaotra, na dia hitady izay hirika hahafaha-manakiana indray aza? Tsy ny lafiny politika politisianina ihany… Mavaivay mihitsy ny kiana, mafonja ny fangatahana ary malaky mampiaka-peo ny vahoaka, rehefa misy tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy any anaty fiarahamonina any, toy ny fotodrafitrasa tsy zarizary, ny fampanantenana tsy vita, ny velirano tsy tontosa, sns. Fa raha misy kosa ny tombontsoa iombonana, mahafa-pahasahiranana, mitondra fandrosoana amin’ny maha olona sy ara-toekarena, angamba tsy fahadisoana ny mankasitraka. Ny tena zava-dehibe tsara afantsika ao an-tsaina: tsy voatery mpomba vao mankasitraka ary tsy mpanohitra ihany vao manakiana. Raha mahay mandanjalanja izay, tsy misy ady saritaka na tsy mitovy fironan-kevitra aza ny anaty fiarahamonina iray. Eny, misy ary azo atao tsara izany.Zo ny Aina RandriatsiresyL’article Mba mila mahay mankasitraka koa ! a été récupéré chez Newsmada.

Fadintseranana: hiova ny fanaovana lavanty
26/10/2020

Hatomboka tsy ho ela ny fanaovana lavanty ireo entana tsy nandoavana haba ao amin’ny seranana. Tompon’antoka ny fadintseranana, mametraka fomba ho fanatanterahana izany amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera (en ligne). Araka ny andininy faha-237 amin’ny lalàna mifehy ny fadintseranana, « izay entana tsy alaina anatin’ny roa volana manomboka tamin’ny fotoana nanoratana izany ao amin’ny tahiry, amidy atao lavanty amin’ny rehetra ». Mivoatra izay fomba fanaovana lavanty izay, araka ny fivoaran’ny toetrandro.Fotoana tany aloha, antso avo ny fanaovana ny varotra; taty aoriana, novana tamina fonosana tolo-bidy, naterina eny amin’ny sampandraharahan’ny ladoany. Ireo fomba ireo, samy nandaniam-potoana sy nampiasam-batana.Ampiasana teknolojia vaovaoAnkehitriny, avadika amin’ny fampiasana teknolojia vaovao ny fampiharana izany, hita ao amin’ny tranonkalan’ny fadintseranana. Manaporofo ny mangarahara izao fanavaozana izao. Misokatra ho an’ny rehetra ny tolo-barotra, fanavaozana ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny ladoany.Tafiditra tao amin’ny dinika nifanaovan’ny fadintseranana tamin’ireo mpiara-miombona antoka aminy (Tetikasa 27 ho fanavaozana ny ladoany malagasy, Taratra 23 oktobra 2020, p.8) io fanovana fomba fiasa io. Nampahafantarina ireo mpiara-miombona antoka ny fanavaozana eo anivon’ny ladoany nandritra io fivoriana io. Azo tamin’izany ny fahatokisan’ireo mpanohana, toy ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad), ny Banky iraisam-pirenena (BM), sns. Betsaka ny tetikasa iarahana amin’ireo ho an’ny mpandraharaha, ny fitiliana sy ny fanaraha-maso isan-karazany. R.MathieuL’article Fadintseranana: hiova ny fanaovana lavanty a été récupéré chez Newsmada.

Faritra maromaro arahi-maso: manahy ny mety ho firongatry ny covid-19 ny minisitera
30/10/2020

  Misy toerana maromaro mbola ahitana tranga Coronavirus eto amintsika amin’izao fotoana izao. Arahin’ny minisiteran’ny Fahasalamana akaiky ny fivoaran’ny valanaretina amin’ireo toerana amin’ny fampiharana ny fepetra momba ny ady amin’ny Covid -19. « Raha tsy mitandrina ny rehetra, mety hahina hirongatra izany ka hamafisina ny fandraisana andraikitra ho an’ny tomponandraikitra efa mahalala ny tandrify azy avy », hoy ny minisitry ny Fahasalamana, ny profesora Rakotovao Jean Louis, omaly teny Ambohidahy. Niantso manokana ny mpiasan’ny fahasalamana miasa eny amin’ny tobim-pahasalamana koa ny minisitra. Nanantitrantitra izy amin’ny tokony hahamailo hatrany ny mpitsabo sy ny mpiasa rehetra eny an-kianja. Nambarany fa hatsaraina ny fanaovana fitiliana ary tokony hitohy hatrany ny fandraisana an-tanana ireo rehetra voatily fa mitondra ny tsimokaretina ka manaraka fitsaboana. Niantefa amin’ny vahoaka iray manontolo ny antso farany, tokony handray andraikitra ny isam-batan’olona satria faly fa afaka niverina amin’ny fiainana andavanandro ka mety hanao gaboraraka ny fanajana ny fepetra rehetra hiarovana amin’ny tsimokaretina. Mbola mitoetra avokoa ny fepetra samihafa ary misy ny mpitandro filaminana manara-maso ny fampiharana izany. Raha tiana ny hampahomby ny ady ka hitondra amin’ny fandresena ny valanaretina, mitaky andraikitra avy amin’ny rehetra izany fa tsy miankina amin’ny minisitera irery fotsiny. Nidina ny tranga noho ny fanajana ny fepetra ka tokony hotohizana.Vonjy AL’article Faritra maromaro arahi-maso: manahy ny mety ho firongatry ny covid-19 ny minisitera a été récupéré chez Newsmada.

Asief: hisy ny hetsika manomboka ny 16 novambra izao
30/10/2020

 Araka ny efa nampanantenain’ny filohan’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love), hanomboka ny 16 novambra izao ilay hetsika karakaraina eto Antananarivo ho solon’ny fifaninanana nasionaly, tsy tontosa ny volana oktobra teo. Fifaninanana isaky ny taranja ny hitranga manomboka amin’io fotoana io. Tsy hifanerena, hoy i Jhone Love, ity hetsika ity fa miankina amin’ny fahafahana isaky ny minisitera ny hanaovan’izy ireo izany na tsia. Mety haharitra fotoana maro ity hetsika ity satria samy hanana ny andro mahamety azy ny taranja tsirairay fa fanombohana ihany ny amin’ny 16 novambra izao. Efa maro ny mpiasam-panjakana avy amin’ny minisitera tsirairay handefa solontena amin’ity hetsika ity.Marina fa hetsika natokana ho an’ny eto Antananarivo ihany ity fifaninanana isaky ny taranja ity, na izany aza, tsy nanadino ny nanentana ny mpiasam-panjakana any amin’ny faritra ihany koa ny filohan’ny Asief, i Jhone Love, mba samy hihetsiketsika. Tsy hatao handalo fotsiny akory ity taom-pilalaovana ity fa tokony hisy ny zava-bita isaky ny faritra tsirairay.Mi.RazL’article Asief: hisy ny hetsika manomboka ny 16 novambra izao a été récupéré chez Newsmada.

Angovo: hosokafana ao Ikongo ny fanodinana toaka gasy
30/10/2020

  Hisokatra any amin’ny kaominina Ikongo ny orinasa manodina toaka gasy, afaka volana vitsivitsy. Toaka gasy avadika ho éthanol azo arehitra, ampiasana amin’ny fatana, na andrehetana jiro. Fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombona antoka avy any ivelany ny hanokafana ity orinasa ity ary hisitraka izany koa ny distrika hafa ao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Manana akora fototra azo hamokarana angovo azo havaozina, toy ny fary, ny ao amin’ny distrika. Fary avadika ho toaka gasy, avy eo, ahodina ho angovo azo arehitra. Fananganana orinasa ho fanomezan-danja ny vita malagasy sy famoronana asa ny tanora.Toaka gasy sotroina ihany ny fantatry ny maro, hatramin’izay, fa misy koa toaka gasy azo avadika ho zavatra hafa, angovo azo trandrahina. Efa nankatoavin’ny Antenimierampirenena rahateo ny famokarana sy ny fivarotana toaka gasy, koa ampirisihin’ny governoran’ny faritra, Razafitsotra Lucien, ny tantsaha hamboly fary sy hamokatra toaka gasy na firy na firy, tsy misy intsony manenjika azy ireo. Efa nisy mpandraharaha iray nampiseho ny fanodinana toaka gasy ho lasa éthanol. Ireo tantsaha ireo ihany no hivarotra ny vokatra amin’ilay orinasa mpanodina azy. Loharanom-bola iray goavana izany ny voly fary.Misy ihany koa izao ny sasany amin’ireo mpandraharaha ireo, miara-miombona antoka amin’ny mpamboly, mamatsy vola ho an’ny fambolena fary. Tafiditra anatin’izany ny fanitarana tany hiasana, ny fanofanana mpamboly, satria eo ihany koa ny voly hafa tsy azo avela, ohatra, ny kafe, izay tena nahafantarana ny faritra tany aloha, mila fanarenana ankehitriny. Mifandraika amin’izay fambolena izay ny fanamboaran-dalana, mampifandray ireo kaominina. Hatao rarivato avokoa izay tratra ary iangaviana ny ben’ny Tanàna rehetra hanolotra ny asa tokony hatao ny 2021 amin’ny governoran’ny faritra. Mety hampiova ny fandaharanasa ihany anefa izany noho ny fizarana roa eo amin’ny faritra: i Vatovavy sy i Fitovinany.R.MathieuL’article Angovo: hosokafana ao Ikongo ny fanodinana toaka gasy a été récupéré chez Newsmada.