Fanivaivana: notorin’ny loholona Benessy ilay nanala baraka azy

News - Fanivaivana: notorin’ny loholona Benessy ilay nanala baraka azy

News - Fanivaivana: notorin’ny loholona Benessy ilay nanala baraka azy

Tafapetraka eny anivon’ny
fampanoavana ambony, ny talata 13 oktobra teo ny fitoriana
napetraky ny loholona Benessy Harison Sébastien, loholon’ i
Madagasikara sady tale jeneralin’ny OMSI – Toamasina. Notoriny
amin’izany ny olona iray ahina ho nanao fanalana baraka sy
fanivaivana olom-panjakana mpikambana anivon’ny Andrimanjakana
ambony eto amin’ny firenena, tamin’ny alalan’ny valan-dresaka amina
fahitalavitra iray. “Tsy maintsy takina ny hamoahany ny porofo
amin’ny voalazany amin’ny maha dokotera manokana ny tenako sy ny
fianakaviako. Eo koa ny fanivaivana olom-panjakana amin’ny resaka
tsy anana porofo“,  hoy ny loholona Benessy Harison.
Nanararaotra nanamafy ny vesatra mety hanenjehana an’ity
noampangaina ity koa ireo vondrom-pokonolona ao Andranomadio sy
Ambalamanasy I sy II, Belambo, Akanin’ny Nofy, nahazo
fandrahonana hogadraina sy hovonoina. Narahin’ny fampihorohoroana
noho ny ady tany nifanaovan’io olona io tamin’ny fokonolona izany
ka izao nametraka fitoriana eny anivon’ny fampanovana izao ireo
fokonolona ireo.

Etsy an-daniny, mbola tsy nanomboka
ny fanadihadiana ny zandary na efa voarain’ny borigady misahana ny
fikarohana sy ny ady heloka bevava, ny 13 oktobra, aza ny
antontan-tataratasy avy amin’ny fitsarana.

Sajo sy Synèse
R.

Article tiré de Newsmada

L’article Fanivaivana: notorin’ny loholona Benessy ilay nanala baraka azy a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Lozam-pifamoivoizana tao Toliara: tsy nanaiky LP ho an’ilay karana nahafaty olona ny vahoaka

 Namono nahafaty olona iray ny fiara nentin’ity teratany karana ity, ny 26 jiona lasa teo ka maty tsy tra-drano tamin’izany i Mampiono Miller izay nitondra mato. Mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao ny namany niaraka taminy tamin’io fotoana io, araka ny fanazavana voaray. Akory anefa ny hatairan’ny fianakaviany raha nandray ny fiantsoana azy ireo, ny zoma lasa teo fa naroso omaly ny fitsarana ilay teratany karana mizaka ny zom-pirenena malagasy sy frantsay. Nangataka ny fanemorana ny raharaha ny mpisolovava ny fianakavian’ny maty kanefa tsy nahazo fa nahemotra ny harivan’io andro io ihany ity raharaha ity. Fantatra fa efa naiditra am-ponja vonjimaika ity Karana ity, roa andro taorian’ny nisehoan’ny loza. Niezaka ihany ity Karana ity nanao fampiraharahana fa tsy nanaiky ny fianakaviana satria efa eo am-pelatananan’ny Fitsarana ny raharaha. Anisan’ny mampiahiahy ny fianakaviany ny tsy faneken’ny mpitsara io fanemorana io. Manoloana izany, nitondra sora-baventy ny fokonolona nanatrika ity raharaha ity noho ny fahenoana fa misy fangatahan’ity Karana ity famotsorana vonjimaika alohan’ny hiantombohan’ny fitsarana. Nanambara ny teo anivon’ny Fitsarana fa ny 22 aogositra 2019 ho avy izao ny didim-pitsarana momba izao raharaha izao. Nilaza ny fianakaviana tamin’ny alalan’ny fanambarana nataon’izy ireo fa miandry am-pahatoniana ny valin’ny fitsarana ary mametraka izany eo ambany fahendren’ny fitsarana hampihatra ny lalàna, araka ny tokony ho izy satria ny olona namono olona dia tokony handray ny sazy sahaza ho azy. Tsiahivina fa efa nisy fiara 4×4 nahafaty olona toy izao teny Ankazomanga, ny herinandro teo fa tonga dia nidoboka am-ponja avy hatrany ilay mpamily nahavanon-doza.CMSL’article Lozam-pifamoivoizana tao Toliara: tsy nanaiky LP ho an’ilay karana nahafaty olona ny vahoaka a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Famonoana ankizivavy :: Mitohy ny fikarohana ny lehilahy iray any Mahajanga

Naparitaka, nanomboka afak’omaly, ny taratasy filazana fikarohana lehilahy iray, roa amby efapolo taona, voarohirohy ho namono an’i Adriana, ilay zazavavy, fito taona, hita faty rehefa avy nalevina an-tsokosoko, tany Ambohimandamina Mahajanga, tamin’ny alakamisy lasa teo. Mpiara-monina tamin’ ilay zaza niharam-boina ihany ity lehilahy karohina ity. Samy manao ny fitadiavana azy ny polisy sy ny zandary any Mahajanga. Io lehilahy io no fantatra fa nitondra an’i Adriana, mialoha ny fotoana tsy nahitan’ny reniny azy sy nikarohana azy teo antanàna. “Mety ho noho izy ireo efa mifankahalala no naneken’i Adriana nanaraka azy. Fantatra kosa fa tsy nisy olana teo amin’ io lehilahy io sy ny fianakaviana niharam-boina. Tsy mbola fantatra mazava, araka izany, ny antony niteraka hatramin’iny fanaperana ainy iny”, hoy ireo mpanao famotorana. L’article Famonoana ankizivavy :: Mitohy ny fikarohana ny lehilahy iray any Mahajanga est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Maevatanana: tsy mpikambana CNaPS ny 87%-n’ny mpiasa

Tany Maevatanana sy Antanimbary ny vaomiera manokana Task force, ahitana ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS) sy ny solontenan’ny minisiteran’ny Asa, ny asam-panjakana, ny asa sosialy (MEFPTLS), ny herinandro lasa teo. Fotoana nanentanana sady nampiofanana ny mpampiasa amin’ny orinasa tsy miankina hanara-dalàna, hampiditra ny mpiasa ho mpikambana ao anatin’ny CNaPS. Efa fanaon’ny sampandraharahan’ny fahasalamana sy ny sosialy (SASS) ao amin’ny Tahirim-pirenena rahateo ny fanofanana mikasika ny fiahiana sosialy. Niisa 10 ireo mpampiasa tsy nanara-dalàna tamin’ireo 25 notsidihina tany amin’ny manodidina an’i Maevatanana. Tany Antanimbary, tsy nanara-dalana, tsy nampiditra ny mpiasa amin’ny CNaPS ny 12 tamin’ireo 15 notsidihina. Tao an-tampon-tanànan’i Maevatanana, tsy mpikambana CNaPS ny efatra tamin’ireo orinasa dimy notsidihina. Raha aravona, tsy mpikambana CNaPS avokoa ny 87%-n’ny mpiasa amin’ireo orinasa 30 notetezina tany Maevatanana sy Antanimbary.Fanajana ny zon’ny mpiasaNiara-nanatanteraka ity hetsika ity ny talem-paritry ny Asa Betsiboka sy ny mpiara-miasa aminy maromaro, ny tompon’andraikitry ny CNaPS foibe sy ny tendro any Maevatanana. Nilaza ny talem-paritry ny Asa, Andriampaniraka Dinaniaina, fa “fiaraha-mientana amin’ny fanajana ny zon’ny mpiasa izao natao izao”. Nambaran’ny talen’ny Fitantanana ny mahaolona CNaPS, Raobijaona Bruno, fa “nanamafy ny fanaraha-maso ny mpampiasa sy ny mpiasa izao fidinana nifotony izao”. Anisan’ny afa-po tamin’ny fiofanana kosa ny Dr. Rabarisolo Lovaniaina, anisan’ireo mpiofana.Njaka A.L’article Maevatanana: tsy mpikambana CNaPS ny 87%-n’ny mpiasa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisitry ny Fahasalamana: « Tsy azo ekena ny kolikoly »

  Nitsidika ny faritra Betsiboka, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Rakotovao Jean Louis. Nitondra fanafody sy fitaovana hanatsarana ny tolotra fahasalamana any an-toerana ny tenany. Nahitana “table d’examen gynécologique”, “concentrateur d’oxygène”… “moustiquaire” niaraka amin’ny fitaovana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana sy kojakoja fiarovana entina miady amin’ny tsimokaretina Covid-19 izany. Nandalo teny amin’ny CSB U sy ny Hopitaly (CHRR) any Maevatanàna koa izy ary nohamafisiny nandritra ny tafa mivantana amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana fa laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly ho an’ny rafitry ny fahasalamana misy rehetra. “Tsy handefitra ny minisitera raha mahita tranga mifandraika amin’izany », hoy izy. Amin’ny tolotra fahasalamana koa, zava-dehibe ny fitandroana ny maha olona amin’ny fandraisana sy mandritra ny fijanonan’ny marary eny amin’ny tobim-pahasalamana. Manana mponina 413 115 ny faritra Betsiboka ary 41,7% ny tahan’ny fanatonan’ny olona tobim-pahasalamana sy hopitaly nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny septambra lasa teo. Misokatra avokoa ny CSB 59 rehetra manerana ny kaominina rehetra.Nandritra ny fandalovan’ny minisitra tany Maevatanàna ihany koa no nametrahany ny samboadin’ireo ben’ny Tanàna rehetra ao amin’ny kaominina manerana ireo distrika telo mandrafitra ny faritra Betsiboka. Minisitra mpiahy iny faritra iny ny tenany.VonjyA.L’article Minisitry ny Fahasalamana: « Tsy azo ekena ny kolikoly » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ivato Centre – Ambositra: taksiborosy Karandalina iray nivadika; iray maty, 52 naratra

Olona iray maty, 52 kosa naratra. Io ny vokatry ny fivadihan’ny kamiaobe Mercedes taksiborosy Karandalina iray tany anaty hantsana ao atsimon’Ivato Centre, RN 7 PK 258+50, ny talata alina hifoha alarobia tokony ho misasakalina. Araka ny fanazavan’ny zandary, nitondra mpandeha miisa 82 ity Karandalina ity (mifanaraka tsara amin’ny carte grise). Nihemotra tao anaty fiakarana sady fiolahana io fiarabe io ka namantana tany anaty hantsana amoron-dalana. Namonjy haingana teo amin’io toerana nitrangan’ny loza io ny zandary mpanao fisafoana mandeha amin’ny alina amin’iny RN 7 iny ka namonjy ireo olona niharam-boina sy nandefa azy ireo tany amin’ny hopitaly. Vokany, iray ny maty raha 52 naratra. Nandritra ny famotorana nataon’ny zandary ny mpamily, nilaza izy fa hoe nisy fiara Sprinter nifanena taminy nanambara fa misy jiolahy mpanakan-dalana ao aloha ao ka nahatapa-kevitra io mpamily io hihemotra teo amin’ilay fiakarambe sady fiolahana izany. Nohamafisin’ny zandary anefa fa tsy voamarina ny fisian’io fiara Sprinter io ary tsy hita io na teo aza ny fikarohana nataon’izy ireo satria nilaza tsaho. Nanao fanarahan-dia ireo tanjozotrana fiara ny zandary sady manao fisafoana mivezivezy mandroso sy miverina amin’io lalana io mandra-maraina ka tsy nisy olona na andian’olona nikasa hanafika izany teo amin’io faritra io na ny manodidina, raha ny fanazavana hatrany. Rehefa nozahana ny “vitesse”-n’ilay kamiaobe taksiborosy, tsy voamarina ho nihemotra fa nijanona teo amin’ny “vitesse première”. Jean Claude          L’article Ivato Centre – Ambositra: taksiborosy Karandalina iray nivadika; iray maty, 52 naratra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fotodrafitrasa manara-penitra Analanjirofo : ho vita mialoha ny faran’ny taona ny kianjan’i Sahavola

Anisan’ny nojeren’ny filoha, Rajoelina Andry, omaly ta­min’ny fitsidihany ny tao Fe­noarivo Atsinanana ny kianja manare-penitra ao Sahavola. Fantatra tamin’izany fa ho vita mialoha ny faran’ny taona ity fotodrafitrasa ity. Mizotra ta­haka izany koa ny asa fanamboarana ny fotodrafitrasa ao amin’ny distrikan’i Brickaville ka vinavinaina ho vita afaka telo volana izany. Marihina fa mirefy 64 m ny sakany ary 94 m ny halavan’ny kianja. Mahatratra 505 m kosa ny halavan’ny “gradin”, manana haavo 77 m. Mahazaka mpijery 1 000 eo ho eo kosa ny “tribune centrale”. Ankoatra izay, ahitana “vestiaire” na toerana fisoloana akanjo ho an’ny mpilalao ny kianja. Nijery ifotony ny tao amin’ny distrikan’i Moramanga ihany koa ny filoha, izay mety ho vita afaka roa volana sy tapany. Marihina fa velirano nataon’ny filoha Rajoelina, nandritra ny fampielezan-kevitra, ny hametrahana kianja manara-penitra manerana ny faritra 22 eto Madagasikara. Anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana ny hanome sehatra ny tanora amin’ny alalan’ny fanaovana fanatanjahantena, hananan’izy ireo saina mahiratra sy vatana salama, entina mampandroso ny firenena. Eo koa ny hananganana ekipa matanjaka hisian’ny hambompom-pirenena.Tompondaka L’article Fotodrafitrasa manara-penitra Analanjirofo : ho vita mialoha ny faran’ny taona ny kianjan’i Sahavola a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Gaboraraky ny mpitondra moto: tao anatin’ny adiny efatra monja, 404 tratra nanara-dalàna

Gaboraraka ! Izay no azo ilazana ny afitsoky ny mpitondra moto eto an-drenivohitra. Tao anatin’ny adiny efatra monja nanaovan’ny Polisim-pirenena hetsika, tetsy amin’ny lalana “Boulevard de l’Europe”, omaly, 404 no fandikan-dalàna hita. Ny tsy fanaovana aro loha no betsaka indrindra.Raha ao anatin’ny iray andro? Ataovy ny kajy! Nandritra ny hetsika manokana nataon’ny polisy avy ao amin’ny borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana momba ny fanentanana sy fampianarana ny olona ho amin’ny fanarahan-dalàna teny amin’ny “rond point Boulevard de l’Europe” 67 ha. Raha atambatra ny isa dia toy izao no hita, raha ny tatitra voaray hatrany. Miisa 306 ireo mpitaingina moto tsy manao aroloha raha 93 kosa ireo tsy manana “assurance” ary dimy no tsy manana taratasy fahazoan-dalana. Nentanina mihitsy, araka izany, ireo mpitondra moto ary nampianarina mba hanara-dalàna eo am-pitondrana ireny moto ireny. Tao anatin’ny ora efatra nanaovana ny fanentanana no nahazoana ireo antontan’isa ireo. “ Manamarika fa betsaka ireo mpitondra moto no tsy manara-dalàna ka isan’ny antony mampitombo ny lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra izany”, araka ny fanazavan’ny polisy tompon’andraikitra ao amin’ny borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana.Nasaina naka aroloha ireo olona tsy nanao…Tsy mitsahatra ny manentana ireo mpandeha moto hatrany ny polisy ho fiarovana ny ain’izy ireo fa tsy raisina ho fanasaziana akory ny fitondrana aroloha sy ny fananana taratasy mahakasika ny “assurance” sy ny taratasy fahazoan-dalàna hitondra moto ho an’ireo moto mila izany. Ny ainareo mpandeha moto no arovanay fa tsy an’ny polisy velively. Koa aza sarotiny amin’ny fitsinjovana ny ainareo ianareo mpandeha, araka ny fanazavan’ny polisy. Misy koa ireo mpitondra fiara nosavaina ka hita fa mbola misy ireo mpamily fiara tsy mitondra taratasy fahazoan-dalana ary koa ireo sarety izay mifamoivoy tsy manaraka ny ora tokony handehanan’izy ireny. Nandray fepetra avy hatrany ny polisy ho an’ireo mpitondra sy mpandeha moto tsy nitondra aroloha ka nogiazana teny an-toerana ny moto-n’izy ireo ary nasaina naka aroloha avokoa vao afaka nanohy ny diany. Torak’izany koa ireo mpamily fiara tsy nitondra taratasy fahazoan-dalana dia nasaina naka izany ary ireo mpitondra posy niandry ora afaka hivezivezeny ka najanona avy hatrany.Jean ClaudeL’article Gaboraraky ny mpitondra moto: tao anatin’ny adiny efatra monja, 404 tratra nanara-dalàna a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lalana RN-44: tena ratsy ny tapany avaratra

Efa nilaza ny filoha Rajoelina, nandritra ny fitsidihany taty an-toerana, volana vitsy lasa izay, fa tsy maintsy harenina araka ny tokony ho izy ny lalam-pirenena Moramanga –Ambatondrazaka (RN – 44). Nohamafisiny izany nandritra ny fitsidihany ny foara “Fier Mada” atao eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka.Efa manomboka ny fanajariana ny tapany atsimo, toy ny any Amboasary, ankehitriny. Hita efa misy mandrefirefy koa any amin’ny tetezan’i Ranofotsy. Tsy misy fanazavana amin’ny antsipiriany anefa ireo rehetra ireo, toy ny famatsiam-bola sy ny tentimbidin’ny asa hanaovana azy, ny faharetany, izany hoe, ny fiantombohany sy ny hifaranan’ny asa.Tsy nisy fikojakojana matotraTsy mazava koa raha aravona toy ny fahita hatramin’izay fotsiny ny lalan-tany, na tena hatao godirao manara-penitra.Ny zava-misy, azo ihafiana ny ampahany atsimon’ny RN-44, avy any Moramanga hatreo Amboasary, satria misy rarivato, fa tena ratsy ny tapany avaratra satria tsy nisy fikojakojana matotra. Tsy fantatra raha nampiasaina ny Tahirimbola hijojakojana ny lalana (Fer) na tsia. Mandritra ny fotoam-pahavatra, mitaky 50 000 Ar isaky ny fiara ny mpanosika.Rarivo sy Njaka A.L’article Lalana RN-44: tena ratsy ny tapany avaratra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampidiran-ketra : 1,61 % ihany ny avy amin’ny vola miditra

“Inona ny politika momba ny hetra hampivoatra an’i Madagasikara ?”. Niainga avy amin’io lohahevitra io ny fiaraha-nidinika nataon’ny tompon’andraikitra samihafa, avy amin’ny fanjakana, ny tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, ny faran’ny herinandro lasa teo.Ambany dia ambany ny tahan’ny fampidiran-ketra eto amintsika, manodidina ny 12 %, raha efa mahita 15 % ny firenena sasany aty Afrika, samy eo an-dalam-pandrosoana. « Tsara ho fantatra anefa fa misy olona 13 tapitrisa azo takina hetra eto Madagasikara. Ireo olona ireo anefa, miaina ao anatin’ny fahantrana. Afaka mandoa hetra izy ireo raha mihatsara ny fari-piainany », araka ny fanamarihana nataon’ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena iray CCOC (1), Radert Ony.Tsy hita taratra ny fandoavan-ketra raha avy amin’ny vola miditra na ny IR (Impôt sur le revenu). « Ambany indrindra ny IR avy amina orinasa na avy amin’ny isam-batan’olona », hoy ny tale jeneralin’ny hetra, i Germain. Tsy misy afa-tsy 1,61 % ny IR na 51,3 miliara ariary ny taona 2018, amin’ny hetra rehetra miditra, araka ny tarehimarika navoakan’ireo mpanao fanadihadiana momba ny toekarena, Crem (2). Andraisan’ny fanjakana volabe indrindra hatramin’izao ny TVA, 39,14 %.Tsy mazava ny fampiasam-bolaTsy mazava ny fampiasam-bolam-panjakana ary tsy hita firy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainana andavanandro. Raha ny fahitan-dry zareo mpandaha-teny azy, 4,88 % avy amin’ny hetra ihany ny hoentina mampihena ny elanelana eo amin’ny lafiny sosialy; 12,20 % ny mba mandeha any amin’ny asa fampandrosoana, manamarina izany ny fiandrasana famatsiam-bola avy any ivelany. Izay tsy fahitana ny fiantraikany izay no anisan’ny tsy mampazoto ny Malagasy mandoa hetra.Ezaka lehibe, noho izany, ny fanentanana ny olom-pirenena handoa hetra. Tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy izany fa lavitra ezaka. « Mikendry hahatratra 15 % amin’ny taona 2023 ny fitondrana amin’izao fotoana izao fa mila mangarahara ny hahatongavana amin’izany », hoy ny tale jeneraly, i Germain.Somary natsahatra ny volana mey teo aloha ny fanaraha-maso momba ny hetra. Nilaza ny ao amin’ny foibe misahana izany fa manao fandaminana mialoha ny hanohizana azy, izay mbola tsy nambara. Jerena avokoa ny lafin-javatra rehetra. R.Mathieu CCOC (1) : Collectif des citoyens et organisations citoyennesCrem (2) : Cercle de réflexion des économistes de MadagascarL’article Fampidiran-ketra : 1,61 % ihany ny avy amin’ny vola miditra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Cnaps: fanampiana ny mpisotro ronono

Natao sonia, omaly, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS), amin’ny alalan’ny foibe mpanadihady sy mpanoro lalana (CEO) sy ny fikambanana Antoka ho an’ny fahasalaman’ny fianakaviana (Afafi) . Votoatiny ny hiantohan’ny Afafi ny fitsaboana ho an’ny olona misotro ronono sy ny mpandray vidin-takaitra, nefa sahirana sy marefo. Arotsaka any amin’ny Afafi ny latsakemboka 3.500 Ar, ka aloan’ny mpiasa ny 1.000 Ar isam-bolana, ary aloan’ny CNaPS ny 2.500 Ar isam-bolana. Isaky ny enim-bolana no handoavan’ny CNaPS azy any amin’ny Afafi. Miisa 1.000 isan-taona ny fianakaviana kendrena hahazo tombontsoa.Nambaran’ny tale jeneraly vonjimaika, Rtoa Tsaboto Joslina. Fa mahazo tombontsoa amin’ity fanohanan’ny Afafi ity ireo mpiasa tany amin’ny tsy miankina na mpiasam-panjakana tsy raikitra (ECD), nahaloa latsakemboka hatramin’izay.Njaka A.L’article Cnaps: fanampiana ny mpisotro ronono a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz»
29/10/2020

 Seho efa fanao any ivelany ny « Jeudi du jazz ». I Solo Andrianasolo kosa no nitondra sy namelona azy teto an-tanindrazana, raha vao tonga izy. Fantatra, omaly fa hamerina ny hetsika « Jeudi du Jazz » indray ity mpanakanto ity, ny 5 novambra izao ka ao amin’ny Le 5ème Element , etsy Ankadivato no hanatanterahany izany. « Tena jazz standard zakan’ny sofina sy hakana tsirony ho an’ny mpihaino no hatao fa tsy ilay jazz ho an’ny mpitendry. Jazz manadio sofina », hoy izy. Hiaraka hitendry aminy amin’io i July Rakoto (piano électrique Fender Rhodes), i Martin Randriamampianina (contrebass) ary i Mihaja Rakotoarisoa (batterie).Efa nataon’i Solo Andrianasolo io fiarahana io tamin’ny taona 2003 niverenany nody teto  an-tanindrazana. Tao amin’ny Sweety Home Ambatoroka, nifindra tao amin’ny Restaurant Ny Avo Ambatoroka… Ankehitriny, ao amin’ny Le 5ème Element »Nanjary nanao « Jeudi du Jazz » ny ankamaroan’ny toerana fanaovana lanonana sy fisakafoana taty aoriana. « Fahafinaretana ho ahy ny fahitana an’izany », hoy i Solo Andrianasolo.HaRy RazafindrakotoL’article Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz» a été récupéré chez Newsmada.

Famine : D’espoir et d’eau fraîche dans le sud malgache
28/10/2020

Une femme en chaise roulante et son enfant, dans un des fokotany de la commune d’Andranohinaly. La famine qui frappe le sud de Madagascar est en train de faire braquer le regard du monde entier vers le présent et l’avenir de milliers de personnes affamées depuis les environs de Toliara, jusqu’à Amboasary, Ampanihy, etc. Des décès et des centaines de déplacés sont comptés depuis plusieurs semaines. « Seulement de l’eau », cette phrase s’entend dans la bouche de toutes les personnes à qui on demande quelle est la meilleure solution pour combattre le « kere », la famine. Cette période d’extrême disette, qui frappe de sud depuis des lustres. Connu aussi sous le nom d’« arikatoke », à partir du mois d’octobre, plutôt cette année, des centaines de personnes se déplacent vers des terres et des localités plus généreuses. Quand les pluies arrivent, ils reviennent chez eux. Ensuite, tout le monde accourt. L’Etat, les diverses organismes internationaux, les associations de tous bords, les particuliers au grand cœur… mais l’aspiration de ceux qui viennent du sud reste la même depuis des lustres, « seulement de l’eau ». Un puits peut sauver un village, « seulement de l’eau ». Face à la sécheresse, cause de la famine récurrente,  qui sévit sans aucune forme de pitié, plusieurs questions méritent maintenant d’être posées et d’en trouver des premières pistes de réponse. Si les régions comme l’Androy ou l’Atsimo-Andrefana attirent des milliers de touristes, n’est-il pas venu le temps de se demander : « quels sont profits entraînés par le tourisme ? ». Selon les chiffres, la part de cette partie de Madagascar représenterait plus de 38 % de la demande touristique. Un part de marché conséquent, dont les probables retombées, aurait déjà pu inspirer à pouvoir commencer un effort de développement dans ces confins sans eau ni nourriture. La deuxième question est de savoir « quelle est l’importance de l’aide internationale ? ». Depuis les gouvernements successifs, le Sud est, qu’on le veuille ou non, un aimant à aides. Qu’il faut aussi faire la distinction entre les aides aide d’urgence (produits de consommation, vivres, etc.) et aide destinée à des investissements techniques, etc. Il faut remonter à plusieurs décennies pour pouvoir faire le calcul exact des montants déjà alloués à cette partie de la Grande Île. Mais, le constat est dur. Des morts, la famine chronique, la sécheresse, les terres arides… restent le lot annuel d’Ambovombe, d’Amboasary, d’Ejeda, d’Ampanihy et d’autres régions sévèrement affamées. Il est aussi temps de se tourner vers le ciel : la météo. Si jamais, le réchauffement climatique pourrait aggraver encore plus la pluviométrie. Selon des spécialistes, le nombre des enfants touchés par la famine atteindrait les 35 000. ces statistiques pourraient augmenter face aux changements environnementaux. Un avenir qui s’éloigne en rapprochant l’obscurité. Cependant, au contact de ses mères, de ses hommes, de ses enfants toujours souriants, que la fin n’éreinte en rien la dignité… l’espoir semble toujours être de mise. Comme un sniper fou, le « kere » abat un à un les plus vulnérables, ou bien laisse des blessures à vie : la résignation chez les proches des décédés. Maminirina Rado L’article Famine : D’espoir et d’eau fraîche dans le sud malgache est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Famine : D’espoir et d’eau fraîche dans le sud malgache a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Ambatondrazaka: lehihaly hita faty, tsy nisy loha sy tanana
24/10/2020

Nampivarahontsana ny mponina ao amin’ny fokontany Ambalakininina-Am­bato­so­rata, Ambatondrazaka, ny tranga niseho, omaly maraina. Lehilahy iray sahabo ho 47 taona hita faty tsy nisy intsony loha sy tanana ary tongotra. «Mipetra-drery io lehilahy io, matetika mamo koa izy. Tato ho ato, tsy hitan’ny mponina nandalolalo teny amin’ny manodidina izy, izao hita faty izao», hoy ny fanazavan’ny zandary. Efa namoaka fofona ny vatany. Mety nosaritahin’ ny alika ny razana, antony tsy nahitana intsony ny lohany sy tanany ary ny tongony, raha ny fanazavana voaray.Noha­ma­fisiny tamin’izany fa somary mifanalavitra amin’ ireo trano eny amin’ny manodidina ny fonenan’ilay namoy ny ainy. Antony tsy nahitan’ ny olona azy tao anatin’ny fotoana vitsivitsy izay.Henintsoa HaniL’article Ambatondrazaka: lehihaly hita faty, tsy nisy loha sy tanana a été récupéré chez Newsmada.

Tahan’ny fahantrana: anatiny ny fahasalamana sy ny fanabeazana
30/10/2020

 Natao, ny 27 sy ny 28 oktobra teo, ny atrikasa nitadiavana ireo singa hamaritana ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara (IPM)*. Atrikasa notohanan’ny Fandaharasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud), nandraisan’ny sokajin’olona maro anjara. Maro ireo singa nofaritana amin’izany eto amin’ny firenena, ankoatra ny fahantrana amin’ny vola. Ampidirina anisan’ny IPM, ohatra, ny momba ny raharaham-panjakana, naroson’ny tale jeneralin’ny toekarena ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, Ramiandrisoa Olivier. “Hatramin’izay, noferana ho 1,90 dolara ny fidiram-bola isan’andro farany ambany, isan’olona. Misy olona mahita io vola io, saingy tsy afa-po any amin’ny raharaham-panjakana”.Araka izany, azo amaritana ny tahan’ny fahantrana ireo asam-panjakana ireo, azo ampidirina  koa ny tsy fandriampahalemana, zava-misy iainan’ny maro. Koa am-pandinihana izany singa izay ho azo amaritana azy, izay voalohany ny hamoahana izany eto Madagasikara, fa efa namoaka singa iombonana eo amin’izao tontolo izao ny Pnud. Ho an’ny Pnud, tena fahantrana ny mahakasika ny fahasalamana, ny fanabeazana, sy ny fari-piainana.Mahakasika firenena 101 ny tatitra farany navoakan’ny Pnud. Hita tamin’izany fa miisa 1,3 miliara ny olona miaina ao anaty fahantrana. 2/3 amin’ireo, any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, 84 % ny aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Anisan’ireo 101 ireo i Madagasikara. Ny taona 2012 sy ny 2013 ny nanaovana fanadihadiana farany teto an-toerana. Ity taona 2020 ity no saika nanaovana fanadihadiana manaraka isan-tokantrano eto an-toerana, iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena, saingy tsy tanteraka noho ny Covid-19.R.MathieuL’article Tahan’ny fahantrana: anatiny ny fahasalamana sy ny fanabeazana a été récupéré chez Newsmada.

Nanamafy ny nambaran’ny kardinaly ny Mgr Andriantsoavina
28/10/2020

 Hentitra ary nahitsy. « Tsy mankato ary tsy hankatoa na oviana na oviana ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana ny eglizy katolika », hoy ny eveka mpanampy eto amin’ny arsidiosezin Antananarivo, ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal, omaly. Nohamafisiny ny nambaran’ny kardinaly, Tsarahazana Desiré, afakomaly momba izany.  Nanteriny fa hevi-diso no nandikan’ireo mpikirakira ny serasera avy any ivelany ny teny « espagnol « nanehoan’ny papa Fransoa ny fanehoan-keviny ka niteraka izao resabe izao. Namintinany izany ny tsy fankasitrahana tanteraka izany tranga mifanohitra, tsy araka an’Andriamanitra izany. « Ny katolika tsy mankato ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana nefa kosa tsy manilika ny olona, miaina ao anatin’ny tranga fahasarotana tahaka izao », hoy izy. Mbola hanamafy izany koa ny arseveka, ny Mgr Razanakolona Odon eny Amboara, ny asabotsy izao, amin’ny fanamasinana pretra.Synèse R.L’article Nanamafy ny nambaran’ny kardinaly ny Mgr Andriantsoavina a été récupéré chez Newsmada.

Kaominina fito ao Amboasary: omena sakafo ireo olona 70 000 reraky ny hanoanana
24/10/2020

Velom-panantenana fa ho afaka amin’ny tsy fanjarian-tsakafo miteraka hanoanana lalina sy fahiazana ho an’ny ankizy ny ao Amboasary rehefa nahita ny fahatongavan’ny sakafo avy amin’ny Pam. Hisitraka izany ireo kaominina fito ao an-toerana. Tonga tsikelikely any amin’ny distrikan’Am­bo­asary any atsimon’ny Nosy ny sakafo avy amin’ny Pam entina hamatsiana ireo mponina efa reraky ny hanoanana any an-toerana. Miisa 70 000 ireo olona omena sakafo isan’andro ao anatin’ny kaominina fito ao anatin’izany distrikan’Amboasary izany. Anisan’ny misitraka ny sakafo entin’ny Pam ny kaominina Maromby, i Ranobe, i Elonty, i Tomboarivo, i Ma­ro­tsi­raka, i Mahabo ary i Tra­no­maro. Tokantrano miisa 14 000 ao anatin’ireo kaominina ireo no hizarana sakafo. Ahitana vehivavy bevohoka sy mampinono miisa 3 500 ary ankizy eo anelanelan’ny 6 ka hatramin’ny 23 volana tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mivaivay ny hahazo izany. Ity fanampiana vonjimaika entin’ny Pam any atsimo ity dia tohin’ny fanairana voarain’izy ireo indray hatramin’ny herinandro ambony iny. Efa mihatrana eny an-toerana ireo ekipa mpandrindra rehetra mitsinjara izany sakafo mi­tondra hery ho an’ireo mponina any Amboasary izany. Mitondra fanantenana sy hery ho an’ireo olona 70 000 any Amboasary, araka izany, ny fahatongavan’ny fanampi­a­na ary mifandraika amin’ny filana any an-toerana manolo­ana ny hamehana ara-tsakafo mihatra amin’ny mponina. Marihina fa nanomboka ny alatsinainy 19 oktobra, efa nisitraka sakafo mafana ara-pahasalamana mitondra hery ny mponina ao amin’ireo kaominina fito ireo. Any amin’ny fokontany Andavabazaha ko­sa, ankizy efa tena mahia sy reraky ny hanoanana noho ny tsy fahampian-tsakafo any an-toerana no nahazo hery indray rehefa notohanana sakafo. Rehefa nahazo fanairana ny Pam mikasika ireo ankizy marefo tanteraka ireo, nidina nijery haingana sy nitondra ny sakafo mitondra hery. Raha ny tatitra, mahia sy tsy ampy sakafo avokoa ny 41%-n’ny ankizy ao amin’ny kaominina 16 ao Amboasary ka anton’izao hamehana any atsimo izao.Tatiana AL’article Kaominina fito ao Amboasary: omena sakafo ireo olona 70 000 reraky ny hanoanana a été récupéré chez Newsmada.

FANOMEZAN-DRÀ ANTSITRAPO: Niditra tamin’ny andian’ny faharoa ny ekipan’i Haingo Paradis
24/10/2020

Sady mamonjy aina no miteraka fahasalamana. Mpanome rà an-tsitrapo 50 ka hatramin’ny 60 no nandrasana teny amin’ny trano fitehirizan-drà eny amin’ny hopitaly HJRA Anosy  nandritra ny hetsika nokarakarain’ny Groupe Masca Sabotsy Namehana sy ny kaominina Sabotsy Namehana niaraka tamin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ny 23 oktobra 2020. “Andiany faharoa izy ity fa efa nisy tamin’ny 19 aogositra 2020. Ity ny hetsika faharoa noho fahatsapana amin’ny filàna rà aty amin’ny hopitaly”, hoy i Haingo Paradis, mpikarakara ny hetsika.  Ilaina ny hetsika fanomezan-drà maimaim-poana tahaka izao. Araka ny fanazavan’ny tale lefitra ara-teknika eo anivon’ny trano fitehirizan-drà, Dr Rasamimanana Jean-Marie fa “farafahakeliny tokony hanana kitapon-drà 200 réserve isan’andro  hitsinjovana ny filàn-drà mety ilaina eny anivon’ny hopitaly manodidina”. Nohamafisin’i Dr Rakotoarivony Manitra, talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana ao amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka fa “ ny fisiana fanomezan-drà tahaka  izao dia zava-dehibe satria misy olona  tsy maintsy mila ilay aina avy amin’izao rà omentsika izao dia iny no ahazoany fahasalamana sy fahavelomana rehefa avy eo”. Ka ny fanentanana dia izao: “aleo manao toy izay hanaovana. Matetika ny olona  rehefa miditra hopitaly vao mihazakazaka mieritreritra hoe tahaka izay aho nanome rà ihany”, hoy izy. Araka ny fanazavany hatrany fa mampitombo fahasalamana no mitondra fahahafam-po ny manome  rà satria iny miteraka fahasalamana ho an’ny mpanome rà. “Ny fahatanoranao mody indray tahaka ny voromahery”. Tsiahivina fa afaka telovolana aorian’ny fanomezan-drà ny lehilahy no afaka manome indray ary afaka efa-bolana ny vehivavy. Mihoatra ny 60 kilao, manana tanjaka ara-dalàna, ny 60 taona no midina no fepetra takiana. Lynda A. Cet article FANOMEZAN-DRÀ ANTSITRAPO: Niditra tamin’ny andian’ny faharoa ny ekipan’i Haingo Paradis est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FANOMEZAN-DRÀ ANTSITRAPO: Niditra tamin’ny andian’ny faharoa ny ekipan’i Haingo Paradis a été récupéré chez Délire Madagascar.

Roa taona tsy nilatsaka ny orana: mponina maherin’ny 5 000 nifindra monina noho ny kere
30/10/2020

  Tsy azo iainana intsony ny any amin’ny misy azy ka tapa-kevitra. Maherin’ny 5 000 ireo mponina nilefa nandositra ary nifindra monina noho ny kere mahery vaika.Tonga nihazo ny any Tsivory, 160 km miala an’Amboasary Atsimo, izy ireo ary mbola mety hihoatra io aza ny tarehimarika, raha ny nambaran’ny mpitondra fivavahana any an-toerana, omaly. Tsy vitan’izany fa anjatony ireo mitokona eo an-tokotanin-dry masera sy ny fiangonana katolika any an-toerana, miandry fanampiana amin’ny alalan’ny sakafo. “Tsy misy intsony ny azo omena noho ny tsy fisian’ny sakafo”, hoy ny mompera, Rafanomezantsoa Mbola.Misy mangalatra hatramin’ny lovia sy ny vilany… Manampy trotraka izany, tsy misy intsony koa ny omby angalarina ka ataon’ny dahalo majifa ireo fitaovana sy ny kojakoja ao an-tranon’ny mponina. “Mirongatra ny halatra lovia sy ny vilany… Milefa mandositra any anaty ala ny mponina ary mitady sakafo any nefa mbola misy maka koa ny kely azo amin’izany. Miraviravy tanana ka lasa mandositra miakatra an-tanàn- dehibe ireo mponina”, hoy ihany izy.  Ahitana zaza amam-behivavy sy zokiolona ireo mpifindra monina, nandao ny tananany ireto noho ny haintany mafy mamely ny any an-toerana.Tsy vao voalohany ny tranga any Amboasary Atsimo Tsy nisy rotsak’orana tao anatin’ny roa taona. Tsy misy koa izany ny vokatra.Efa nijery ifotony izao toe-draharaha izao ny mpitantana any an-toerana. Anisan’izany ny eo anivon’ny fiadidiana ny faritra, saingy tsy mbola nisy tohiny, hatramin’ny omaly.Tsiahivina fa efa nitranga ny kere tahaka izao ny taona 2016. Niverina indray izany izao ary mihamafy kokoa aza.Synèse R.L’article Roa taona tsy nilatsaka ny orana: mponina maherin’ny 5 000 nifindra monina noho ny kere a été récupéré chez Newsmada.

Andro iadiana amin’ny lefakozatra : tokony hotohizana ny fanaovam-baksiny faobe
24/10/2020

Efa afaka tamin’ny valanaretina lefakozatra i Ma­da­ga­sikara, araka ny fanamarinana nomen’ny Sampan­dra­ha­rahan’ny Firenena mikambana (OMS), ny taona 2018, noho ny ezaka nataon’ny fi­ton­drana sy ny mpiray om­bon’antoka tamin’ny fanaovam-baksiny faobe nandritra ny taona maro. “Mbola ahitana ny “poliomyélite sauvage” kosa any Pakistan sy eny Afghanistan ka tokony mbola hitandrina hatrany ny rehetra ka hanohy ny fanaovam-baksiny miaro ny ankizy”, hoy ny mpikambana ao amin’ny Ro­tary. Mitaky volabe ny fividianana vaksiny sy ny fanetsehana ny mpiasa manao vaksiny amin’ny toerana maro, indrindra any amin’ny faritra lavitra. Mpiray ombon’antoka lehibe manampy amin’ny vola ampiasaina amin’ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra ny fikambanana Rotary maneran-tany. Miara-mikarakara hetsika hanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina lefakozatra, anio eny amin’ny Parvis Analakely, ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Ro­tary mandritra ny tontolo andro. Fandraisana ny tolo-tanana amin’ireo rehetra na­saina sy ireo malala-tanana ton­ga eny an-toerana no ho­tontosaina. Misy koa fampahafantarana ny ezaka vita vo­katry ny fifarimbonan’ny so­jakin’olona sy ny sampandraharaha maro.Vonjy A.L’article Andro iadiana amin’ny lefakozatra : tokony hotohizana ny fanaovam-baksiny faobe a été récupéré chez Newsmada.

Hetsiky ny minisiteran’ny Tanora: nahazo tohana ireo mpanodina ny baobab ho « confiture »
26/10/2020

Nahazo tohana avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ireo tanora mpikambana ao amin’ny Centre des jeunes – Les Heritiers du Sud Ambovombe hanatsarana ny seha-pihariana ataon’izay ireo. Miasa manodina ny raketa mena, ny baobab sy ny kily ho « confiture » izy ireo. Manamboatra savony koa sady mandrary ho fampiroboroboana ny fizakantenan’ny tanora any amin’iny faritra iny. Tsy ampy fitaovana iasana izy ireo, tamin’ny fidinana ifotony nataon’ny tompon’andraikitra tany an-toerana. Manam-piniavana hivoatra sy hivelatra bebe kokoa anefa ireto tanora ireto ka antony nanomezan’ny minisiteran’ny Tanora tosika azy ireo. Mamaly tanteraka ny fandaharanasa “Pole-emploi jeune », mamolavola ireo taninketsan’ny tanora mpandraharaha rahateo izany.Tanora miisa 370 efa vononaTsiahivina fa nanolotra tetikasa ny ivontoerana mpanabe tanora “Fille de la charité” miompana amin’ny fanodinana vokatra taretra, tamin’ny fandalovan’ny filoha Rajoelina Andry sy ny minisitra Tinoka Roberto tany Tsihombe farany teo. Mety amin’ny toe-tany ao Androy ny vokatra taretra ary maro ny asa tanana azo avy amin’izany. Tafiditra indrindra ao anatin’ny programanasa “Pole-emploi jeune” izany. Hanome tosika ireo tanora miisa 370, efa vonona ny hamboly taretra amin’ny velaran-tany 35 ha ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Hapetraka ao an-toerana ihany koa ny “Unité de transformation” hanodinana izany vokatra taretra izany.Synèse R.L’article Hetsiky ny minisiteran’ny Tanora: nahazo tohana ireo mpanodina ny baobab ho « confiture » a été récupéré chez Newsmada.

Basikety-Lalao tsapa: nandresy ny ekipan’ny CosPN ny ekipa nasionaly
26/10/2020

Nanatanteraka lalao fitsapana ny ekipa nasionaly, taranja basikety, ny faran’ny herinandro teo, ho fanomanana ny lalao iraisam-pirenena hataon’izy ireo ny volana novambra izao. Ny ekipan’ny CosPN ny nifanandrina amin’izy ireo nandritra izany ka lavony tamin’ny isa 68 no ho 40. Raha io valin-dalao io, azo lazaina ho maivana amin’ny ekipa nasionaly ny nandavo ity ekipan’ny CosPN ity, “na izany aza, mbola misy hatrany ny lesoka mila harenina”, hoy ny mpanazatra. Mbola manana iray volana latsaka eo ny ekipa, mialoha ny hiaingana eto an-tanindrazana hiatrika ny lalao fifanintsanana amin’ny “Afrobasket 2021”, hatao any Kigali Rwanda. Raha ny vaovao voaray, ny 20 novambra izao ny tokony hiala eto an-toerana ny delegasiona malagasy. Miankina betsaka amin’ny fisokafana ny sidina eto amintsika anefa izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy ny basikety, Ramaroson Jean Michel.Tsiahivina fa efa tamin’ny fiandohan’ny volana oktobra ny fampivondronana ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa nasionaly ary mbola mitohy hatramin’ny andro hialana eto an-toerana izy ireo. Mi.RazL’article Basikety-Lalao tsapa: nandresy ny ekipan’ny CosPN ny ekipa nasionaly a été récupéré chez Newsmada.

Saron’ny polisy teny Sadabe, Talatavolonondry: mahavita hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo jiolahy
29/10/2020

   Voasambotry ny polisy ny talata teo, ary efa naiditra am-ponja avy hatrany ny lehilahy iray ao anatina fikambanan-jiolahy mpanao vola sandoka efa nokarohana hatramin’ny taona 2018.Araka ny tatitra nampitain’ny polisy avy ao amin’ny Brigade criminelle, sakelika fahefatra nandray an-tanana ity raharaha ity, efa kalaza amin’ny fanaovana vola sandoka tokoa ity lehilahy iray ity. Anisan’ny ao anatin’ny Fikambanan-jiolahy malaza mpanao vola sandoka, izay efa nokarohin’ny polisy hatrany amin’ny taona 2018 izy io, saingy izao vao sarona. Loharanom-baovao azon’ny BC 4 avy tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana ny toerana misy azy, eny Sadabe, Talatavolonondry. Nosokafana ny fanadihadiana sy famotorana ary nidina ifotony avy hatrany teny an-toerana ireto farany, ny talata 27 oktobra teo. Hita tokoa ilay trano voalaza fa misy ireo jiolahy mpanao vola sandoka, saingy tamin’io fotoana nahatongavan’ny polisy teny, efa tsy nisy olona intsony tao an-toerana.Milina avo lenta…Na izany aza, niroso tamin’ny sava hao ilay trano ny polisy ka nandritra izany no nahasaronana ireo fitaovana maro samihafa. Anisan’izany, ohatra, ny ordinatera, “imprimante” izay tena avo lenta tokoa, raha ny voalaza, ankoatra ny singa sy kojakoja hafa fampiasany. Fantatra tamin’izany, fa ahavitan-dry zalahy hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo fitaovana ireo, izay efa nahatratra enina gony be izao. Nogiazana avy hatrany ireo entana ary nentina eny amin’ny biraon’ny BC4 hatao porofo atolotra ny fitsarana. Ilay lehilahy iray, naman’ilay tompon-trano moa, araka ny voalaza ery ambony no voasambotra tamin’io fotoana io, ary efa naiditra any am-ponja taorian’ny nanolorana azy ny fampanoavana. Tsy mijanona hatreo, araka ny voalaza, ny fanadihadiana sy famotorana ataon’ny polisin’ny BC 4 mikasika ity raharaha ity fa mbola hitohy.M.RL’article Saron’ny polisy teny Sadabe, Talatavolonondry: mahavita hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo jiolahy a été récupéré chez Newsmada.