Fanimbazimbana ny hasin-drazana: vaky ny fasan’ny mpanjaka ao Miary, Toliara II

News - Fanimbazimbana ny hasin-drazana: vaky ny fasan’ny mpanjaka ao Miary, Toliara II

News - Fanimbazimbana ny hasin-drazana: vaky ny fasan’ny mpanjaka ao Miary, Toliara II

Raha ny vaovao ampitaina any anaty
tambajotran-tserasera, niamboho ny alakamisy lasa teo ny zanaky ny
mpanjaka Andrevola Marosaragna antsoina hoe Resambo. Ny alatsinainy
teo no notanterahina ny fandevenana. Nandritra io
fotoam-pandevenana io vao gaga ny fianakaviana sy ny iray foko fa
vaky ny fasana fandevenana ny mpanjaka sy ny mpitan-jiny Andrevola
Marosaragna ao amin’ny kaominina Miary, distrikan’i Toliara II. Tsy
tao intsony ireo razana sy ny fitaovana nalevina niaraka amin’izy
ireo. Manao antso avo, araka izany, ny fianakaviana sy ny iray foko
handraisana fepetra amin’ireo olon-dratsy manimbazimba ny
hasin-drazana sy ny hasina maha Malagasy.

Tao anatin’ny taona maromaro izay,
zary nahazatra ny sofina ny naheno fa nisy naka ny taolambalo
tatsy, very ny hasin’ny razana taroa. Nisy mihitsy aza ny
vanim-potoana nampirongatra ny vaky fasana saika nanerana ny Nosy.
Hatreto anefa, tsy mbola fantatra mazava ny mombamomba izany.
Hangalarina hatao inona ny taolana? Iza no tena atidoha
maniraka?

Nanangona: HaRy
Razafindrakoto

Article tiré de Newsmada

L’article Fanimbazimbana ny hasin-drazana: vaky ny fasan’ny mpanjaka ao Miary, Toliara II a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 09/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Afrika sy Madagasikara: 40 miliara dolara isan-taona ny fanafarana sakafo

40 miliara dolara isan-taona ny lany amin’ny fanafarana sakafo ampidirina aty Afrika, araka ny tatitra nataon’ny Vondrona afrikanina (UA) miaraka amin’ny Nepad (Nouveau partenariat pour le développement de l’Afrique). 50 % ny tany mamokatra tsy voatrandraka ho an’ny fambolena. Ambany dia ambany ny vokatry ny fambolena aty Afrika, 10 % amin’ny ankapobeny raha oharina amin’ny vokatra any Azia. Mandalo eto Madagasikara izao ny teknisianina avy any Maraoka mampiofana teknisianina sy mpikaroka malagasy ny amin’ny hamerenana ny tsiron’ny tany eto an-toerana, hamokatra bebe kokoa. Isan-taona mihena hatrany io taham-pamokarana io na tsy mampiasa zezika firy aza ny Malagasy.Tsy maintsy hampitomboana hatrany amin’ny 100 % ny vokatra eto an-toerana, hiadiana amin’ny fahantrana, hita any ambanivohitra sy amin’ny tanàn-dehibe. Faritan’ny UA hahatrarana izany ny fampandrosoana izany ny toekarena miainga avy amin’ny tontolon’ny fambolena. Tsy hita eto Madagasikara ny politika maharitra momba ny fampandrosoana ny fambolena.Tetikasa mandalo sy vonjy maika ihany hatramin’izao ny hita eto matoa mbola tsy tonga amin’izay fahavitan-tena ara-tsakafo izay. Manamarina izany ny fiakaran’ny vidim-bary, nanomboka ny taona 2008. Ny taona 2014, nambaran’ny UA fa taona ho an’ny fambolena, tokony nametraka politika tsara fototra sy lavitrezaka ny firenena afrikanina isanisany, saingy tsy izay ny zava-mitranga fa misongadina, indrindra ny fandripahana ala, tonga amin’izao fiovan’ny toetr’andro izao, manimba ny taom-pambolena.Azo tanterahina tsara anefa ny revolosiona maitso, toy ny hita any Azia, mifototra amin’ny fambolem-bary. Ahitan’ny Aziatika fahombiazana izany, na avy amin’ny asan’ireo mpamboly madinika aza. Tsara alain-tahaka ho an’i Madagasikara. R.MathieuL’article Afrika sy Madagasikara: 40 miliara dolara isan-taona ny fanafarana sakafo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sainte Marie: manohana ny « Festival des baleines » ny Telma

 Hatao, ny 11 hatramin’ny 14 jolay ho avy izao, any Sainte Marie, ny hetsika lehibe « Festival des baleines », andiany fahadimy. Mpanohana ofisialy ity hetsika miavaka ity ny Telma, mpandraharaha voalohany eto Madagasikara amin’ny fifandraisan-davitra.Fotoana ahafahan’ny mpizahatany vahiny sy eto an-toerana hahita mivantana ny hazandranomasina, ny fiarovana ny tontolo iainana an-tanety sy an-dranomasina ary ny lanjan’ny fizahantany eto Madagasikara, indrindra ny any Sainte Marie. Maro ny hetsika ho hita mandritra ireo efatra andro ireo. Ao anatin’izany ny fitsangantsanganana an-dranomasina, ny fanatanjahantena sy hetsika samihafa, toy ny lalao fifaninanana “moto trail”, ny bisikileta VTT, ny “beach soccer”, ny “zumba”, ny fifaninanana mitondra lakana, ny tsipy kanetibe, ny lafiny kolontsaina sy ny fanabeazana ary ny fialamboly maro samihafa ho an’ny rehetra.Maro ny loka hozarain’ny Telma mandritra ity hetsika any Sainte Marie ity. Eo koa ny fanamorana ny fahazoana ny internet sy ny fampihenam-bidy maro, amin’ny alalan’ny fampiasana ny MVola sy ny tolotra samihafa an’ny Telma.Njaka A.L’article Sainte Marie: manohana ny « Festival des baleines » ny Telma a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

 Andranomanelatra sy i Manandona: niaiky ny vahoaka fa efa miainga ny  IEM

Misoko mangina, tsy re tsaika.  Efa mandeha ny IEM ary anisan’ny nisitraka izany ireo tantsaha any Vakinankaratra.  Nidina ifotony tany an-toerana ny filoha Rajoelina, omaly.Nihaona mivantana amin’ireo tantsaha nahazo ny fanohanana.“Mipaka aty amin’ny tokantranonay mihitsy, Andriamatoa filoha, ilay IEM », hoy ny renim-pianakaviana tao Andranomanelatra Antsirabe.  Fito  ireo nahazo famatsiam-bola ary kendrena hahatratra 800 ny hisitraka ny fihariana sy homena omby, hatramin’ny faran’ny taona any an-toerana. Nahazoana ronono 5 litatra isanandro ny  ombivavy teo aloha. Maherin’ny 20 litatra izany izao.  “Hisy veterinera maimaimpoana hanaraka ny fahasalaman’ny omby eto amin’ny fikambanan’ny tantsaha Sandratra. Homena fiofanana ianareo.  Afaka mametraka dosie  ireo  tsy mbola nahazo omby…  Efa nampanantena ny Socolait  fa hividy ny ronono”, hoy ny filoha Rajoelina. Nambarany fa mbola hisy koa ny fiompiana akoho sy ny fanomezana lalam-barotra ho azy ireo. Nampanantena  ny  hanampy eo amin’ny fitaovana na vola na koa zezika sy masomboly  ny filoha. Natsidiny koa fa hitsangana tsy ho ela ny orinasa mpanamboatra “Plaque solaire”. Ho avy ny “kits solaires” ka  hahazo izany voalohany ny ao Andranomanelatra.Ho avy ny fitaovana hanamboaran-dalana Ho an’ny tao Manandona kosa indray, misitraka ny tetikasa fihariana ny fianakaviana miisa 20 eo ho eo ary  mamboly velaran-tany 30ha. Eo koa ny fiompiana kisoa matavy. Mamboly vary, ny tongolo, ny ovy, ary legioma koa  izy ireo. « Tokony hijery ny tsena any ivelany ny tantsaha ary tokony ho matihanina fa tsy hijanona amin’ny fambolena sakafo ao an-tokantrano fotsiny”, hoy izy. Notsiahivina ny velirano hanampiana ny tantsaha. Fanoitra lehibe amin’ny fahantrana ny fanampiana ny tantsaha sy ny tontolo ambanivohitra, araka ny nambarany. Hahazo omby maherin’ny 800 ny tantsaha ao Andranomanelatra, mialoha ny faran’ny taona. Hahazo koa ny ao Manandona. Notsiahiviny fa homena fitaovana daholo ny faritra  rehetra.  Anisan’izany ny  “Tracks sy ny Bulls” hanamboarana ny lalana mampifandray ny kaominina. Hahazo fiara fitondrana marary koa ny ao Manandona…Nomena toromarika ny tompon’andraikitra hijery ny fampiasana izany.Synèse R. L’article  Andranomanelatra sy i Manandona: niaiky ny vahoaka fa efa miainga ny  IEM a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Atsimo Andrefana: simban’ny bibikely ny voly katsaka sy ny hasy

Manahy mafy ny tantsaha any amin’ny faritra Atsimo Andrefana manontolo noho ny fihanaky ny bibikely mpanimba voly katsaka sy hasy. Very hevitra ny mpamboly any amin’ny kaominina ambanivohitra maro, ravan’ny bibikely avokoa ny velaran-tany misy voly hasy.  Efa mivarotra omby mihitsy ireo mpamboly ireo hividianana fanafody hamonoana izany bibikely izany, saingy tsy mety foana hatramin’izao. Hiteraka fahavoazana lehibe, mety ho tonga hatrany amin’ny kere, izany.Zara raha hisy 4 000 t ny vokatra hasy amin’ity raha tokony hahatratra 25 000 t. Ny ataon’ny mpandraharaha lehibe izany fa ny mpamboly madinika, mety tsy hisy horaisina. Tsy misy fidiram-bola azo antenaina, araka izany. Misy amin’ireo tantsaha madinika ireo aza ny nindram-bola amin’ireny “microfinances” ireny, tsy fantatra izay ho tohiny. Ny katsaka indray, anisan’ny foto-tsakafon’ny mponina any an-toerana, manahy mafy izy ireo fa tsy hisy horaisina ihany koa.Tokony ho efa fantatry ny mpikaroka ny hisian’ireo bibikely ireo, tokony ho efa niomana amin’izany izy ireo, indrindra amin’izao fiovan’ny toetr’andro izao. Koa miantso vonjy amin’ny minisiteran’ny Fambolena, ny fiompiana, ny jono ny mponina hijery vahaolana faran’izay haingana. Ny voly vary izao io, any Atsimo Andrefana ihany (lahatsoratra eo ambony), azo ambara fa mahabe fanantenana, satria eo ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) mamatsy vola ny tetikasa. Ny voly katsaka sy ny hasy, hatramin’ny taona maro, foto-piveloman’ny olona any an-toerana, toa jerem-potsiny, angamba hiandrasana indray fanampiana avy any ivelany. R.MathieuL’article Atsimo Andrefana: simban’ny bibikely ny voly katsaka sy ny hasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Indray mijery 

Nampianatra maimaimpoana informatika ny tomponandraikitra ao amin’ny boriborintany fahefatra, kaominina Antananarivo Renivohitra. Niarahana amin’ny mpiray ombon’antoka  Orange Solidarité ny tetikasa amin’ny fanomezana ny fitaovana entina nanatanterahana izany. Nisitraka izany fampianarana izany ny vehivavy 54 mpitantana fotodrafitrasa ahazoana rano madio fisotro na Association des usagers de l’eau ao anatin’ny fokontany miisa 32.  Momba ny bureautique no nanofanana azy ireo ho fanarahana fenitra ireo firaketana an-tsoratra ny fitantanana ny fotodrafitrasa. Hahazo firaketana ao anaty ordinatera, manomboka eto, ny fikirakirana ny fitantanana ny rano. Hifarana ny 29 mey ho avy izao ny fiofanana ka afaka hampihatra ny fahalalana vaovao azony ny mpiofana. L’article Indray mijery  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Raharaha mpitatitra sy filankevi-pitondrana: nahazo famindrana toeram-piasana ny mpiasa sasany an’ny Mama  

Mbola nanamafy ny mpiasa roa ao amin’ny trano fiantohana Mutuelle d’assurance malagasy (Mama), omaly, fa marina avokoa ny fanambarana nataon’ny mpitatitra momba ny rohim-pihavanana misy eo amin’ny mpikambana teo aloha ny filankevi-pitondrana sy ireo vaovao voafidy tany Nosy Be farany teo. Nijoro vavolombelona izy ireo ary nitondra porofo maneho izany zava-misy izany. Nambaran’izy ireo fa voahitsakitsaka ny satan’ny fikambanana satria tsy mpitatitra ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny filankevi-pitondrana voafidy farany teo. 20 taona niasana eo anivon’ny trano fiantohana Mama ireo roa lahy ireo ary anisan’ny nanatrika nyy fivoriana tany Nosy Be ihany koa. Manomboka sahady ny antsojay mahazo ny mpiasa sahy mijoro milaza ny tsy rariny ao anatin’ny trano fiantohana ka maro ny mpiasa ary tafiditra ao anatiny izy ireo, nomena famindrana toeram-piasana izay tsy manaja ny lalàn’ny asa. Miendrika fanasaziana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitantana nefa tsy nisy ny hadisoana vitan’izy ireo, araka ny fanazavany, omaly teny Ankazomanga. Miantso ny mpiasan’ny Mama manerana ny Nosy izy ireo tsy hanaiky ny tsindry hazolena fa hijoro amin’ny fahamarinana manoloana ny tsy mety ataon’ny mpitantana.Nanambara koa ireo mpitatitra mpikambana ao amin’ny Mama fa nametraka fitoriana eny anivon’ny ambaratongam-pitondrana mahefa momba izao raharaha izao. Tokony handray fanapahan-kevitra hentitra ny fitondrana ary hampitsahatra ireo mpikambana manitsakitsaka ny satam-pikambana ao anatin’ny filankevi-pitondrana vaovao. Mampitandrina amin’ny fanaovana antsojay amin’ireo mpiasan’ny Mama niaro ny fahamarinana ny mpitatitra ary handray fepetra henjana raha mitranga izany.Vonjy A. L’article Raharaha mpitatitra sy filankevi-pitondrana: nahazo famindrana toeram-piasana ny mpiasa sasany an’ny Mama   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Afrika sy IEA : maika ny fanovana fampiasana angovo

Miara-midinika amin’ny IEA (Agence internationale de l’énergie) ny firenena maromaro aty Afrika mpikambana ao amin’ny Chambre africaine de l’énergie ny amin’ny fampiasana angovo azo havaozina, hialana tsikelikely amin’ny solika. Loza ho an’ny tany afri­kanina maro, toy ny eto Madagasi­kara, ny tsy fahampian’ny an­govo sy ny fiovan’ny toetr’andro izay efa mandripaka zavatra maro. Mbola anjatony tapitrisa ny olona aty Afrika mampiasa saribao sy kitay, koa tokony hojerena akaiky eo anivon’ny governemanta tsirairay ny vahaolana, sy izay tetikasa hiaraha-miasa eo amin’ny se­hatra iraisam-pirenena. Mahita ireo tompon-kevitra mpitarika amin’ny tokony ho fiovana aty Afrika fa tsy azo ailika ireo kompania vaventy mpamokatra solika sy ny minisitera misahana ny angovo. Ny voalohan’ny volana jolay teo, tokony ho niara-nivory (viséo-conférence) amin’ny IEA izy ireo, saingy tsy tanteraka. Ireo kompania lehibe mpitrandraka solika sy gazy sy ny minisitera mihitsy no mbola tsy mazoto loatra amin’izao fanovana fampiasana angovo izao. Hahatongavana amin’izany, ilaina ny fandraisana anjaran’ny rehetra: ny mpitrandraka solika an’ny fanjakana na ny tsy miankina, ny minisitera misahana ny angovo, ny firaisamonim-pirenena, ny mpandraharaha miaraka mijery akai­ky ny tokony hatao. Maika aty Afrika ny fanovana raha tena mitsinjo marina ny hahasoa ny toekarena ny fitondram-panjakana. Miankina amin’ny fampiasana angovo azo havaozina ny hikajiana ny tontolo iainana. Miankina amin’izay ton­tolo iainana izay koa ny toetr’andro, miantoka ny fambolena sy ny maro hafa.R.MathieuL’article Afrika sy IEA : maika ny fanovana fampiasana angovo a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fitakiana ara-dalana :: Manambana hidongy ny fifidianana loholona ireo mpanohitra

Hidongy ny fifidianana loholona hotanterahina, amin’ny zoma 11 desambra 2020, ny fianakaviamben’ny mpanohitra, raha tsy tomombana avokoa ireo fepetra aradalàna mifanaraka amin’izany. « Hajao aloha izay voalaza ao amin’ny andininy faha-80 ao amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny fifidianana », hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo, omaly. Voalazan’io andininy io fa « isan’ireo mpifidy lehibe handray anjara amin’ny fifidianana ireo lehiben’ny faritra sy ny lehiben’ny faritany miaraka amin’ireo lefiny ». « Tsy feno ny fepetra ka fifidianana tsy ara-dalàna no tadiavina hatao eto ary tsy azo ekena », hoy izy. Nohamafisin-dRamalason Olga, loholon’ny antoko TIM ihany koa fa « tsy te handray anjara amin’ny fifidianana tsy ara-dalàna ry zareo ». « Amboletra no atao eto, hoy kosa izy, satria tsy mba nakàna ny hevitry ny antenimiera akory na io fampihenana ny loholona ho 18 io aza ». Fitadiavana kandidà Etsy an-daniny, efa miatrana ireo antoko miaradia amin’ny fitondrana. Nivory nandinika ny fomba hiatrehana an’izany fifidianana handraisan’ny mpifidy lehibe anjara izany izy ireo tetsy amin’ny Arena Ivandry, omaly. Nitarika ny fihaonana teny an-toerana ny sekretera nasionalin’ny antoko Tanora malaGasy Vonona sady governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Tsy nisy nipika ny resaka. Voalaza anefa fa efa eo ampikarohana an’ireo kandidà handray anjara amin’io fifidianana loholona io ireo mpanao politika akaiky ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. « Mbola ao anatin’ny dinika mihitsy izao ka tsy misy azo resahana aloha », hoy fotsiny ny loharanom-baovao iray. L’article Fitakiana ara-dalana :: Manambana hidongy ny fifidianana loholona ireo mpanohitra est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – Fifanintsanana ny “Can 2021”: fantatra ireo fandaharan-dalaon’ny Barea

Taorian’ny nivoahan’ny antsapaka, nahalalana ny vondrona misy ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2019”, fantatra ihany koa izao, ireo fandaharan-dalao, ho an’ny ekipam-pirenena malagasy.Azo lazaina fa mety ho an’ny Barea de Madagascar, ny daty hanatanterahana ny fifanintsanana hiadian-toerana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2021”, taranja baolina kitra. Raha tsiahivina, ao amin’ny sokajy “K” i Madagasikara, miaraka amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Les Walya-n’i Etiopia ary ny Le Mena-n’i Niger. Raha ny vinavinan’ny rehetra mantsy, ny Ivoarianina, no heverina fa mety hanahirana ny Barea de Madagascar. Amin’ity, hampiantrano ny lalao voalohany, ry zareo Elefanta ary eto Madagasikara ny fihaonana miverina. Tafiditra amin’ny andro faharoa amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ny fihaonan’ny roa tonta.Azo atao tsara, araka izany, ny manao kajikajy hikendrena ny toerana voalohany. Ankoatra izay, fihaonana roa ihany no hotanterahina amin’ity taona ity, dia ny lalao handraisana an’i Etiopia, etsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, ary ny fivahinianana any Niger. Tombanan’ny rehetra fa tsy ho olana amin’ny Barea de Madagascar, ny handingana an’i Niger sy i Etiopia. Raha ara-taratasy mantsy, manana tombony ny Malagasy. Na izany aza, ilaina hatrany ny fanomanana, mba tsy hisian’ny fahadisoam-panantenana toy ny nahazo ny Barea, tany amin’ny lalaon’ny Nosy, farany teo. Ekipa, heverina tsy hahatohitra ny Barea, saingy tsy resy, hany ka niveri-maina ary nanaratsy ilay sary tsara vitan’ny Barea, tany amin’ny “Can 2019”, natao tany Egypta. Tompondaka   Ireo datin’ny fifanintsanana ho an’ny Barea 11 novambra 2019Barea # Etiopia19 novambra 2019Niger # Barea31 aogositra 2020Côte d’Ivoire # Barea8 septambra 2020Barea # Côte d’Ivoire13 oktobra 2020Etiopia # Barea17 novambra 2020Barea # NigerL’article Kitra – Fifanintsanana ny “Can 2021”: fantatra ireo fandaharan-dalaon’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

« Festival » Tsolabe ao Sainte-Marie : Hatao ny 10 hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao

Hiditra amin’ny andininy faha-11 ny fetibe “fesitival” Tsolabe ao Sainte-Marie ny volana oktobra izao, ka vinavinain’ny mpikarakara hatao ny 10 hatramin’ny 13 oktobra izao izany hetsika izany. Mitentina 87.690.000 ariary ny tetibola ilaina amin’ny fanomanana izany fetibe izany, araka ny nambaran’ny mpikarakara Atoa Angelos Adonis. Hetsika ara-kolontsaina, manana ny maha-izy azy hanasongadinana ny kolontsaina Antenosy, sy fampahalalana amin’ny mpizaha tany anatiny na ireo vahiny ny hakanton’ny nosy Sainte-Marie ny hetsika atao rehetra. Misy rahateo mandritra ny fetibe ny fivahinianan’ireo mpanao gazety vahiny mampahalala ny nosy Sainte-Marie mandritra izany. Mandritra, ny hetsika ny volana oktobra, rahateo no fotoana mampisy ny zagnaharibe, na trozina, mandalo sy mitoetra amin’iny fari-dranomasina Sainte-Marie iny. Eo am-pikarohana ny vola entina manomana izany “festival” Tsolabe izany ny mpikarakara amin’izao fotoana izao; satria ankoatra ny zava-kanto sy ny kolontsaina ary ny fizahantany, dia misy ihany koa ireo lalao ara-pananjahan-tena samy hafa sy ara-toekarena ihany koa, amin’ireo fampirantiana samihafa mandritra ny fetibe maharitra efatra andro. Efa mitsangana rahateo ny komitin’ny Tsolabe amin’izao fotoana izao amin’ny fanomanana ity hetsika ny volana oktobra ity. Malala DidierL’article « Festival » Tsolabe ao Sainte-Marie : Hatao ny 10 hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Mitombo hatrany ny isan’ireo lavon’ny covid-19
22/09/2020

Niampy roa indray ireo lavon’ny covid-19, tao anatin’ny 24 ora. Avy eto Analamanga sy avy any amin’ny faritra Diana ireo namoy ny ainy ireo. Tafakatra 225 izany izao ireo matin’ity valanaretina ity hatramin’ny 19 marsa noho mankaty.Etsy andaniny, miisa 12 ireo tranga vaovao ho an’ny eto Analamanga amin’ireo 20 nifindran’ny valanaretina. Avy any Vakinankaratra kosa ny efatra raha iray avy ny avy any Itasy, Alaotra Mangoro, Matsiatra Ambony ary avy any amin’ny faritra Boeny.Nihena enina ireo anaty fahasarotana ka miisa 20 izany izao ireo “forme grave”.Na izany aza, miisa 36 ireo sitrana ka anisan’ny maro amin’izany ny avy any Diana, miisa 15. Tafakatra 14 682 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina, miisa 16 073. Miisa 1 164 ireo mbola manaraka fitsaboana.Synèse R.L’article Mitombo hatrany ny isan’ireo lavon’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – «Europa league»: nihintsana ny ekipan’i Hery sy i Ouassiero
21/09/2020

Samy resy avokoa ny Linfield FC, misy an’i Hery sy ny CS Fola Esch, ilalaovan’i Ouassiero, teo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny «Europa league», taranja baolina kitra, ny alakamisy lasa teo. Raha tsiahivina, resin’ny Floriana FC avy any Malte, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 tao amin’ny kianja filalaovany ao Windsor Park de Belfast ry Hery Bastien. Baolina tokana matin’i Matias Nicolas Garcia, teo amin’ny minitra faha-10.Henjankenjana ny fifandonana ka niraradraraka ny karatra mavo, na ho an’ny an-daniny na ho an’ny an-kilany. Niafara mihitsy tamin’ny karatra mena azon’i Ross Larkin, mpilalaon’ny Linfield, izany, minitra faha-74. Ankoatra izay, nesorina i Hery, minitra faha-78 noho ny havizanana.Tamin’ny isa tery, 4 no ho 3 kosa ny niondrehan’ny CS Fola Esch nanoloana ny FC Ararat avy any Armenia. Fihaonana notontosaina tao amin’ny kianja FFA Academy Stadium. Efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao nivoaka ho mpandresy ny Armenianina, rehefa nitarika tamin’ny isa 3 no ho 1 ny ekipan’i Ouassiero hatreo amin’ny 90 mn. Voasahala izany, tany amin’ny fanampim-potoana (90 + 1 mn) sy (90 + 4 mn). Teo amin’ny minitra faha-113 tamin’ny fanalavam-potoana ny baolina fahefatra naharesy ny CS Fola Esch. Nilalao 10 ihany koa ry zalahy, teo amin’ny faha-90 mn, rehefa nahazo karatra mena i Diogo Miguel Zambujo Pimentel. TompondakaL’article Kitra – «Europa league»: nihintsana ny ekipan’i Hery sy i Ouassiero a été récupéré chez Newsmada.

CENI : Mandeha ny mandeha
20/09/2020

Miroso mankany amin’ ny fifidianana loholona vaovao. Tsy misakana ny sarety tsy ho any Sabotsy ny horakoraka. Fifidianana ataon’ny olom-boafidy izy ity.  Amin’ity fifidianana indray mitoraka ity dia tsy hisy intsony izany « doublon » izany  satria tsy hisy ben’ny tanana « double » na mpanolon-tsaina « double » amin’ny kaominina iray izany no afaka hifidy sady  vitsy raha teo ny isan’izy ireo raha mihoatra amin’ny vahoaka. Natao ahoana moa izany ilay didy navoakan’ny HCC momba ny famerenana ireo fifidianana  ben’ny tanana  sy mpanolon-tsaina vitsivitsy ? Nisy fepotoana napetrak’izy ireo io didy io. Voahaja ve ilay fepotoana ? Mifidy ve ireto governora notendrena ireto ? Apetraka amin’ny fomba ofisialy rahampitso 21 Septambra 2020 eny amin’ny CENI Alarobia ny filoha lefitry ny CENI vaovao. Nirina R. Cet article CENI : Mandeha ny mandeha est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article CENI : Mandeha ny mandeha a été récupéré chez Délire Madagascar.

Ady amin’ny covid-19: hentitra ny amin’ny hanarahana fepetra ny praiminisitra
26/09/2020

Fakana bahana. Nidina ifotony tany amin’ny faritra Diana ny Praiminisitra Ntsay Christian, afakomaly sy omaly. Tafiditra amin’ny hisokafan’ny sidina  amin’ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina izao fitsidihana izao.Anisan’ny nojereny ny seranam-piaramanidina “Arrachart”, hisokatra ny 29 oktobra izao. Anisan’izany ny fiomanana sy fepetra napetraka handraisana ny sidina avy any ivelany. Nitsidika ny toby fiantsonan’ny taksiborosy  ao Scama ny delegasiona. Hiverina hisokatra, anio, rahateo ny zotra nasionaly any amin’iny faritra iny sy ny aty Antananarivo. Hita fa efa mipetrapetraka ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra, na tao amin’ny seranam-piaramanidina izany, na tao amin’ny toby fiantsonana, araka ny nambarany. Mbola hatsaraina miandalana  anefa izany, toy ny fananganana ny “centre d’isolement” ao amin’ny seranana. Namory ireo mpisehatra amin’ny fitaterana koa ny minisitra misahana izany ary nanome toromarika. “Mbola manana fotoana isika handaminana ny hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny aretina, indrindra amin’ny fisokafana amin’ireo faritra hafa sy ireo Nosy manodidina. Ahafahana mijery ny mbola fanarenana tokony hatao,  ny efa vita, ary ny ho fanatevenana izao fidinana ifotony izao”, hoy ny praiminiistra.Fitaovana sy tohana sosialy ho an’ny any DianaNamory ireo eo anivon’ny CRCO any Diana ny lehiben’ny governemanta avy eo ka nambarany fa mbola miakatra ny tahan’ireo mitondra ny aretina covid-19 any an-toerana. “Hamafisina ny fepetra hahafahana manatevina ny ady atao ary manantena isika fa samy handray ny andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay”, hoy izy. Nanentana ny vahoaka koa ny tenany mba hitandrina sy hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fiarovan-tena sy fiarovana ny hafa, toy ny fanaovana arovava sy orona.Nanolotra “ambulances” 4×4 miisa roa ho an’ny faritra ny praiminisitra ary nilaza fa hampitomboina ny toerana fandraisana an-tanana ireo marary sy ny fanaovana fitiliana. Hahazo fandriana miisa 50 miaraka amin’ny kojakoja samy hafa ny efitrano vaovao ao amin’ny Hopitaly miaramila.Eo amin’ny sosialim-bahoaka kosa, nampanantena ny praiminisitra  fa hisitraka ireo tohana sosialy toy ny vahoaka  rehetra ny vahoakan’ Antsiranana.Fanorenana fotodrafitrasa eny ifotonyNitsidika ny fandrosoan’ny fanorenana fotodrafitrasa samy hafa sy ireo mbola hatsangana koa ny delegasiona. Anisan’izany ny tetikasa « forage » tao Namakia, hahazoana loharano vaovao hamatsiana rano ny tanàna. Notsidihina koa ireo fotodrafitrasa efa an-dalam-pahavitàna. Eo ny kianja manara-penitra,  ny “Maison de la culture”, ny “Lycée” manara-penitra,  ary ny fanavaozana ny toby fanangonan-dranon’ny orinasa Jirama ao amin’ny “PK7”. Nojerena ifotony ireo toerana hanorenana tanàna vaovao, sy ny seranan-tsambo “Jasmine”, hanaovana tetikasa vaovao ihany koa.Synèse R. L’article Ady amin’ny covid-19: hentitra ny amin’ny hanarahana fepetra ny praiminisitra a été récupéré chez Newsmada.

Loza teny am-panasan-damba :: Niara-lasan’ny rano izy roa vavy, mpizaobavy
23/09/2020

Lasan’ny rano tampoka tany Andalotsimaka-Ambohijanaka i Tiana sy Rasoamalala Victorine, tamin’ny alahady 20 septambra maraina lasa teo. Nanasa lamba izy roa vavy. Vita ny lamba dia nisasa i Tiana. Lasa tampoka tany anaty rano anefa izy. Nandeha nanavotra nisintona azy ny zaobaviny Rasoamalala Victorine no tsy tafaverina fa lasa tany anaty rano ihany koa. « Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo no nitranga ny loza. Olona sendra nandalo no nahita azy roa vavy samy lasan’ny rano, ka nampandre ny teo amin’ny manodidina. Tsy nisy nipoitra intsony izy ireo rehefa nojeren’ireo mponina teo amin’ ny manodidina. Nanapa-kevitra ny hiantso mpamonjy voina izahay, taorian’izay. Hita ny vatana mangatsiakan’i Tiana rehefa nokarohin’ireo mpamonjy voina. Mitohy, hatramin’izao, kosa ny fitadiavana an-dRasoamalala Victorine, vadiko », hoy Rajeankri Modeste, omaly. Tsy very fanantenana amin’ny hahitana am-badiny izy. Nandany andro nikaroka an’i Victorine Rasoamalala ny mpamonjy voina, ny alahady tontolo. Mbola niverina izy ireo, afak’omaly, saingy tsy nahitam-bokany. Ireo fokonolona teo amin’ny manodidina no nifanampy tamin’ny fanohizana ny fikarohana, omaly tontolo. Valo metatra « Nisy ampahany taminay no nandeha tany amin’ny tetezan’Ankadindratombo, vao maraina nanomboka tamin’ny 5 ora. Nizotra nijery sao natsingevan’ny rano ny vatany. Ny ampahany hafa tamin’ny fokonolona sy ny fianakaviana kosa nampiasa hazo lava hatrany amin’ny valo metatra nasiana farango noentina tamin’ny lakana nisavana ny tao ambany rano saingy samy tsy nisy nahitam-bokany ireo », hoy ireo mponina nanampy. Samy nitanjozotra namonjy fodiana ireo mponina sy fianakaviana rehefa tonga ny tamin’ny 5 ora hariva, omaly. Nilaza ny tsy hitsahatra anefa amin’ny fikarohana, mandra-pahita an’i Victorine izy ireo. « Miangavy sy mitalaho amin’ny mpamonjy voina izahay mba hanampy hatrany amin’ny fikarohana raha mbola azo atao », hoy izy ireo nanao antso avo. L’article Loza teny am-panasan-damba :: Niara-lasan’ny rano izy roa vavy, mpizaobavy est apparu en premier sur AoRaha.

Ho fitandroana ny fiarahamonina: mila fehezina ny biby tsy hanelingelina ny manodidina
23/09/2020

Araka ny toko faharoa miresaka momba ireo tabataba isan-karazany mety hanelingelina ny fiarahamonina ao amin’ilay “Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana”, mila fehezina ny feo mety hanakotaba ny hafa.Ao amin’ny sokajy fahefatra, andininy faha- 79 momba ny kotaba ataon’ny biby, tsy maintsy mandray fepetra manokana rehetra hisorohana ny fanelingelenana ny manodidina ny tompon’ny biby. Mila mampiasa amin’ny fomba rehetra hanerena ireo biby tsy hikorontana miverimberina sy mafy, toy ny fehivava, ny fanofanana, indrindra koa ny fampidirana azy an-trano raha hiala ny toeram-ponenana ny tompony. Voakasik’izany indrindra ny alika.Ao amin’ny sokajy faharoa ny momba ny fampiasana fitaovan-jaridaina maneno mafy. Ireo asa fanamboarana na ny fanaovan-jaridaina ataon’ireo olona manokana amin’ny alalan’ny zavatra na ny fitaovana mety hiteraka fanelingelenana ny manodidina noho ny hamafin’ny feo, toy ny fanapahana ahitra misy motera, ny fanapahana, ny fandavahana, ny fikikisana na ny fanapahana mekanika dia tsy azo atao afa-tsy amin’ireo andro fiasàna, amin’ny 8 ora 30 hatramin’ny 12 ora sy amin’ny 1 ora 30 hatramin’ny 7 ora 30 hariva. Eo kosa ny asabotsy amin’ny 9 ora hatramin’ny 12 ora sy amin’ny 2 ora hatramin’ny 5 ora hariva.Milaza ny andininy faha-78 fa tsy maintsy mandray ny fepetra rehetra ireo mponina amin’ny toeram-ponenana na ireo miankina aminy mba tsy ho voakorontan’ny feo avy amin’ny tranony ireo mpiara-monina manodidina, toy ny vata famoaham-peo, ny firaketam-peo, ny fitaovana fandrenesam-peo sy ny fahitalavitra, ny zavamaneno, ny fitaovana maneno, ny fitaovana an-tokantrano sy ireo feo ateraky ny fanaovana kiraro mafy faladia na fanatanterahana asa na kilalao tsy mifanaraka amin’ireo trano ireo.Tatiana AL’article Ho fitandroana ny fiarahamonina: mila fehezina ny biby tsy hanelingelina ny manodidina a été récupéré chez Newsmada.

Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro
23/09/2020

Hisokatra amin’ny besinimaro, ato ho ato, ilay birao manokana hisahana ny fanomezana torolalana ho an’ireo olom-pirenena mikarakara taratasim-panjakana na Ivotoro. « Pitsopitsony kely madinidinika sisa dia ho am-perinasa tanteraka io birao io », hoy ny fanazavan’i Fetraniaina Mamimbahoaka, tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Asa iandraiketan’ny birao ny fandraisana ny antson’ireo olona mila fanampiana amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana.  Mety ho laharana maitso io na laharana tsotra. « Hapetraka ny olona maromaro natokana hanao an’io asa io fotsiny eto amin’ny minisitera. Raha misy olona hanao pasipaoro, ohatra, dia hatoro azy ny taratasy rehetra ilaina amin’izany sy ny toerana ary ny birao tokony hidirany. Afaka mamerina miantso izy raha tojo olana », hoy ihany ny tale jeneraly mpisolo toerana. Azo anontaniana ao amin’ny Ivotoro avokoa ny fomba fikarakarana an’ireo karazana taratasim-panjakana, na fikarakarana tany io na fikasana hanangana haino aman-jery. Fantatra fa hiarahana miasa akaiky amin’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa ny fametrahana ny birao mba tena hanamorana ny fivezivezen’ireo olompirenena manao taratasy, sady hiantohana amin’ny fanafoanana ny kolikoly. L’article Raharaham-bahoaka :: Hanamora ny fikarakarana taratasim-panjakana ny Ivotoro est apparu en premier sur AoRaha.

Valo ny tranga vaovao eto Analamanga, tsy nisy ny lavo
24/09/2020

Miisa 31 ireo tanga vaovao tamin’ny fitiliana vita miisa 257, araka ny antontanisa, navoakan’ny CCO, omaly. Avy eto Analamanga ny valo amin’izany raha 10 ny avy any Diana. Miisa dimy ireo nifindran’ny valanaretina any Vatovavy Fitovinany ary enina ny any Alaotra Mangoro. Iray avy kosa ny any Itasy sy any Matsiatra Ambony.Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Mijanona ho 226 ireo lavon’ny valanaretina eto amintsika hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Tsy niova koa fa miisa 20 ireo anaty fahasarotana. Na izany aza, miisa 45 ireo sitrana ka maro anisa amin’izany ny any Boeny, miisa 15. Tafakatra 14 788 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa16 167. Mbola maherin’ny 1 000, miisa 1 151, ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.Miisa 68 564 ireo fitiliana PCR vita raha 7 289 kosa izany ho an’ny fitiliana GenExpert.Synèse R.L’article Valo ny tranga vaovao eto Analamanga, tsy nisy ny lavo a été récupéré chez Newsmada.

Antoko RDS : “Miankina amin’ny HCC ny filaminana na korontana”
21/09/2020

Mitodika eny Ambohidahy ny mason’ny mpanao politika. Miteraka resabe ny fanapahanj-kevitra na ny fanapahana noraisin’ny HCC tato ho ato. Nitondra ny heviny momba izany ny eo anivon’ny RDS.“Manana adidy aman’andraikitra lehibe ny rafi-pitondrana najoro eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) izany. Io ny hitanay ho rafitra ambony indrindra hampisy ny korontana na hampisy ny filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena.”Io ny fanehoan-kevitry filohan’ny antoko Roso ho amin’ny demokrasia sosialy (RDS), Rakoto Andrianirina Fetison, manoloana ny adihevitra ny amin’ny maha ara-dalàna na tsia ny fifidianana loholona, hatao amin’ny 11 desambra ho avy izao.Tokony hiandany amin’ny lalàna fototra na lalàmpanorenanaAmbara sy ampahafantarina ny vahoaka malagasy fa indray mandeha ihany no azo fidina ny mpikambana amin’izany rafi-pitondrana izany.Noho izany, tsy misy tokony hiandaniany amin’izay mpitondra misy eo amin’ny tany sy ny fanjakana. Tokony ho ny lalàna fototra na ny lalàmpanorenana no iandaniany sy ataony izay hampanajana an’izany.Tsy tokony ho eo ambanin’ny lalàna ny mpitondraTsy ifanomezan-tsiny izany, nefa hita fa ny tsy ahazoana mitondra fampandrosoana ho an’ny vahoaka. Tsy midika izany fa tsy ho eo ambanin’ny lalàna ny mpitondra mikatsaka izay fampandrosoana izay. Tokony hisy ny lalàna mifehy azy, ary ny lalàna fototra na ny lalàmpanorenana no tokony hohajaina voalohany indrindra.R.Nd.L’article Antoko RDS : “Miankina amin’ny HCC ny filaminana na korontana” a été récupéré chez Newsmada.

Tenisy – Roland Garros: niditra an-tsehatra i Tessah sy i Irina
22/09/2020

Nanomboka omaly alatsinainy 21 septambra ny fifanintsanana hiadiana ny amboaran’i Roland Garros, taranja tenisy. Fihaonana tanterahina any Frantsa. Anisan’ireo miatrika ity fifanintsanana ity ireo Malagasy mirahavavy, Andrianjafitrimo Tessah sy Ramialison Irina, saingy tsy mbola voaray ny voka-dalao teo amin’izy ireo. Ankoatra izay, nosembanin-drahona ny fanombohan’ity lalao ity, satria mpilalao dimy no voatery nesorina fa voan’ilay valanaretina “coronavirus”. Rehefa natao ny fitiliana, ny roa tamin’izy ireo no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina fa ny telo kosa tranga fifampikasohana avy amin’ny mpanazatra azy ireo, izay tratry ny “coronavirus” ihany koa.Nanapa-kevitra avy hatrany ny talen’ny fifaninanana fa tsy afaka mandray anjara izy ireo. Nampiharina tamin’izy ireo ny fanokana-monina mandritra ny 7 andro. Tsy nambara kosa ny anarana sy ny fiavian’ireo mpilalao voalaza fa voan’ny “covid 19”, ireo. Tsiahivina fa nahatratra 900 ny fitiliana natao nanomboka ny 17 septambra lasa teo. Tsy anisan’ireo voan’ny “covid 19” aloha izy ireo ka afaka mifaninana tsara. Haharitra hatramin’ny zoma 25 septambra ho avy izao ity fifanintsanana ity. Ny alatsinainy 27 septambra kosa vao tena hiditra amin’ny fifaninanana ny rehetra, izay haharitra hatramin’ny 11 oktobra, ho avy izao.Ho fanajana ny hamehana ara-pahasalamana, ferana ho 5000 isan’andro ihany ny isan’ireo mpijery afaka manatrika ny lalao. TompondakaL’article Tenisy – Roland Garros: niditra an-tsehatra i Tessah sy i Irina a été récupéré chez Newsmada.

Gadona Balvin & Wizkid: nivoaka ny «Jaolahy be» an’i Romeo 3.0
24/09/2020

Araka ny nampanantenain’i Mario, efa nivoaka niparitaka ao amin’ny tambajotran-tserasera « facebook » sy ny «youtube», ny alahady teo, ny hira vaovao an’i Romeo 3.0 «Jaolahy be», amin’ny gadona balvin & wizkid. Mbola tena vitsy mpanao eto Madagasikara kanefa manana ny hanitra ho azy izy io, araka ny nambarany. Anisan’ny tena nahafantarana an’i Romeo 3.0 ny afrobeat sy ny mozika tropikaly…Ankoatra izay, eo am-piketrehana rakitsary (album), ahitana rindrantsary (clip) folo eo ho eo, izy ka anisan’ny ho hita ao anatin’izany ny «Jaolahy be», araka ny nambarany hatrany. Raha tsy misy ny fiovana, hanohy ny fiakarana an-tsehatra miaraka amina mpanakanto hafa toa an-dry Arth, i Lawout, i Ghotta, i Emci, i Jinn’s, i Jean Marc, i Mc Rami, i Jo Joly, i Allex sy ireo maro hafa. « Mivelatra be ny mozika… Ary amin’ny maha mpanakanto, mila mitady zava-baovao hatrany hiavahan’ny tena amin’ny hafa. Izay no tena maha artista », araka ny nambaran’i Romeo 3.0.NarilalaL’article Gadona Balvin & Wizkid: nivoaka ny «Jaolahy be» an’i Romeo 3.0 a été récupéré chez Newsmada.

FAKAFAKA: ho fanatsarana ny literatiora malagasy
22/09/2020

Ahitsy ny fiheverana fa ny literatiora dia tsy fialamboly fotsiny ihany na fanalana andro fa tena fiainana mihitsy. Ampirisihina ny ankizy hamaky boky, indrindra ny literatiora fahiny, ary ampidirina amin’ny fandaharam-pianarana ny fototra sy tantaran’ny literatiora malagasy. Hatsangana ny sekoly manokana ho an’ny zava-kanto malagasy … Miroborobo, saingy tsy mivoatra fa mihemotra ny literatiora ankehitriny.  Tsy ampy ny  ivontoerana na fampianarana manokana mikolokolo ny tanora amin’ny sehatry ny zavakanto.  Zary lasa mandeha amin’ny herin’ny tenany ny mpanoratra amin’izao ka tsy maharitra ela fa mandalo ihany ny hazavana entiny. Rahateo, efa nampianarina antsika tany amin’ny ambaratonga fototra fa ny “literatiora dia natao hanalana andro, fialamboly”.Andaniny, tsy ampy ny faribolan-tsehatra hifampizarana, indrindra ny takalo eo amin’ny zoky sy ny zandry.  Ny zandry aty aoriana , mieritreritra efa mahasongona sahady ireo zokiny, ny zokiny rahateo tsy manao dingana voalohany amin’ny zandriny «  araka ny lalàn’ny fiarahamonina tokoa izay » . Amin’izaovanimpotoana izao, mifamahofaho be ihany ny resaka mpanoratra, ny fanoratsoratana ainga aparitaka etsy sy eroa , indrindra amin’ny tambajotran-tserasera sy ny fanaovana hetsika tsy masaka tsara. Ny famoaham-boky tefy maika ve no mahafaritra ny antsoina hoe Mpanoratra na poeta ?  Tsy misy hifanomezan-tsiny … Tsy misy handrara tsy hanoratra velively … Aina ho an’ny firenena rahateo ny literatiora ary voninahitra ny fananana mpanoratra maro …. Fa mpanoratra manao ahoana tokoa ny hovolavolain’ity taom-polo ity?”Manana adidy ny tsirairay na ny fanjakana na ny olontsotra mpamaky boky, indrindra ny mpanoratra sy ny mpandalina literatiora. Anisan’ny vahaolana amin’izao aretin’ny literatiora izao, ny fanarenana ifotony. Ampahafantarina ny ankizy any amin’ny garabola sy ny fanabeazana fototra ny anjara asan’ny literatiora sy ny maha zava-dehibe azy eo anivon’ny firenena sy ny maha olona. Ampahany ihany ireo fa maro ny azo atao hanatsarana ny tontolon’ny literatiora.Narilala L’article FAKAFAKA: ho fanatsarana ny literatiora malagasy a été récupéré chez Newsmada.