Fandraharahana ara-kolontsaina: mitodika amin’ny tanora ny Tosik’Art

News - Fandraharahana ara-kolontsaina: mitodika amin’ny tanora ny Tosik’Art

News - Fandraharahana ara-kolontsaina: mitodika amin’ny tanora ny Tosik’Art

Roa taona lasa izay, nikarakara ny
“Tosik’Art” ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK).
Naka endrika fifaninanana tetikasa manodidina ny fandraharaharana
eo amin’ny sehatry ny kolontsaina izany, ka nanomezana tohana
ara-bola sy ara-kevitra ireo tetikasa voafidy. Roa taona taty
aoriana kosa, nampisalorana ny Ivontoeram-pikotrehana orinasa
ara-kolontsaina ho an’ireo tanora  izy ity.
Nisantatra ny ivontoerana Tosik’Art ny any Toamasina, izay
notokanana ny 29 mey lasa teo. Hanome fiofanana fototra ireo tanora
liana, araka izany ny MSK, ampian’ny eo anivon’ny METFP. Fanamby ny
hanome tanana ireo tanora, miainga hatrany amin’ny famoahana ny
hevitra famoronana hananan’izy ireo, ny fanoratana ny
drafi-pandraharahana (business plan) ka hatrany amin’ny
fanamasahana ny tetikasa ho lasa azo ikarohana famatsiam-bola any
amin’ny banky.
Ankoatra an’i Toamasina, efa nankatoavin’ny Filankevitry ny
minisitra farany teo ny hananganan’ny MSK ny Tosik’Art any amin’ny
renivohi-paritra 9 ( Maevatanana, Antsirabe, Tsiroanomandidy,
Mananjary, Miarinarivo, Ihosy, Sambava, Ambovombe, Taolagnaro) hafa
amin’ity taona 2021 ity.

Zo ny Aina

Article tiré de Newsmada

L’article Fandraharahana ara-kolontsaina: mitodika amin’ny tanora ny Tosik’Art a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

PSM: ilaina ny fanofanana ny tanora

Natsangana ny PSM (Pôle stage à Madagascar) ho an’ny asa vao haingana najoro any amin’ny sampandraharaha samihafa any amin’ny minisitera rehetra rehetra. Nampahafantarina, ny 11 marsa teo, izany, iarahan’ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra, sy ny asa tanana (Mica) sy ny minisiteran’ny Asa, sy ny asam-panjakana, miaraka amin’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim).Sakana lehibe amin’ny fandrosoan’ny toekarena ny tsy fananana asa, misongadina eto Madagasikara, indrindra fa mianjady amin’ireo tanora maro noho ny tsy fisian’ny traikefa amin’izy ireo, na ahitan’izy ireo toeram-piofanana mandritra ny fandrantoana fianarana. Nitarika azy ireo ho amin’izany ny minisitera misahana ny teknika, amin’ireo sehatra mety hahitana asa, sy efa manampy azy ireo ho matihanina. Tanjon’ny Mica ny hamorona asa araka ilay hoe « distrika iray, orinasa iray » ahazoana mamorona asa eto amin’ny firenena, sy ahafahan’ny Sim mitarika ny sehatra tsy miankina ho tombontsoan’ny toekarena eto Madagasikara.Noho izany antony izany ny nananganana ny PSM, fanoitra iray lehibe ho an’ny tanora, mitondra ny fahaizany amina sehatra misy azy. Mora ho an’ny orinasa koa amin’izay ny mahita olona tadiaviny. Manamora ny tolotra sy ny tinady eo amin’ny asa koa ny PSM. Zava-dehibe ny fanarahan-dalàna momba izany amin’ireo sekoly ambony sy oniversite. R.Mathieu L’article PSM: ilaina ny fanofanana ny tanora a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

Covid-19 sa aretina hafa ? Misy maty isan’andro any anivon’ny isam-pokontany

Andrenesana fahafatesana matetika tato ho ato teny anivon’ny fiarahamonina. Mila ho isan’andro izany eny anivon’ny fokon­tany. Saika nisoritra fambaran’aretina covid-19 ny ankama­roan’ ireny nodimandry ireny. Ahenoana fahafatesana isan’andro, mila ho isam-pokontany eto An­tananarivo. Efa ho fahazarana ny mihaino ny figadon’ny la­kolosim-piangonana fam­pilazana fahafatesana rehefa misy mpianakavin’ny finoana lavo. Toraka izany ny antso­antso fanao eny anivon’ny fo­kontany mitety elakela-trano mampahafantatra fahafate­sana. Ny peta-drindrina vaovao isan’andro milaza amin’ny mpiray monina ny fahafatesan’ ny mpiray tanàna. Isan’andro koa no ahitana fiara milanja razana andeha handevina. Matetika ny fahi­tana olona maty anaty tambajotran-tserasera, izay tsy azo tsinontsiniavina. Sesilany no ahafantarana ireo karazan’ olona ambony sy malaza nindaosin’ny fahafatesana vokatry ny aretina samihafa tato ho ato. Tsy mifidy fa lavony avokoa na pasitera na miaramila na zandary na dokotera na olon-tsotra… Mahalasa ny saina hoe covid-19 avokoa ve ireny tranga fahafatesana rehetra ireny? Ny ankamaroany, itrangana fa­mantaran’aretina mitovitovy amin’ny covi-19 avokoa. Na­rary an-doha, sempotra, niakatra tosidra, nanavy be, nihareraka ….Mitebiteby sy mihorohoro ny maroAnkoatra ireny ny isan’ny olona matin’ny covi-19, araka ny tatitra avoakan’ny CCO eny Ivato, efa tafakatra 10 ny maty tao anatin’ny iray andro ary 50 mahery ireo efa namoy ny ainy tao anatin’izay efa-bo­lana izay. Tahotra sy horohoro no iainan’ny olona. Tsi­karitra ny ezaka ataon’ny fanjakana, saingy mbola misy ny fitavozavozana miteraka fahasorenana mahazo ny marary eny anivon’ireny toeram-pitsaboana ireny. Maro ireo mijoro vavolombelona amin’izany kanefa mahatsapa ihany koa ny asa mafy iandraiketan’ireny dokotera ireny.Tatiana A L’article Covid-19 sa aretina hafa ? Misy maty isan’andro any anivon’ny isam-pokontany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Masoivoho japoney: mifampiankina ny fitoniana sy ny fampandrosoana

Antoky ny fandrosoan’ny firenena ny fandriampahalemana ary, rehefa milamina ny tany, tsy voatohintohina ny toekaren’izao tontolo izao. Io ny fototry ny fiaraha-miasan’i Japon amin’i Madagasikara, araka ny nohamafisin’ny ambasadaoro japoney eto amintsika, i Ichiro Ogasawara, omaly teny amin’ny trano fonenany eny Ivandry.Notanterahina, tamin’io fotoana io, ny fampahafantarana ireo endri-piaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Mifototra amin’ny antsoina hoe « Aide publique au développement » na APD izany. Notsiahivin’ny masoivoho fa nasiam-panavaozana io APD io  ny taona 2013, ary napetraka ho satan’ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana.Matetika, ao an-tsain’ny sasany fa  misy tambiny avokoa ny fanampiana avy amin’ireo firenen-dehibe. Araka ny hita ao anatin’ilay sata anefa, mifamatotra sy mifampiankina i Japon sy ireo firenena misandratra sy ireo an-dalam-pandrosoana, toa an’i Madagasikara.Raha mirongatra ny tsy fitoniana aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, hisy fiantraikany amin-dry zareo izany, araka ny voasoratra amin’ilay sata. Nomarihin’ny ambasadaoro fa tsy manana loharanon-karena voajanahary izy ireo. Miankina amin’ireo firenena manan-karena izany, toa an’i Madagasikara.Antony  hanamafisan’i Japon ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa amintsika sy amin’i Afrika, amin’ny alalan’ny Ticad na ilay fivoriambe iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana ity kaontinanta ity izany.Mivelatra ny fanampiana mivantana amin’ny alalan’ny Jica Endri-piaraha-miasa faharoa ny fanampiana mivantana, amin’ny lafiny efatra ary tanterahin’ny Jica. Maro ireo tetikasa momba ny fampandrosoana, toy ny Papriz, ao anatin’ny andiany faharoa, amin’izao fotoana izao.Eo ny tetikasa momba ny fampiroboroboana ny toekarena, amin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa, toy ny seranan-tsambon’i Toamasina. Efa vita ny 30%-n’ny asa.Manampy izany sosialy toy ny fanamboarana sekoly. Misy koa ny fandaharanasa fampiofanana ka efa nisitraka  izany ny Malagasy miisa 1 070, hatramin’ny taona 2017.Landy R.L’article Masoivoho japoney: mifampiankina ny fitoniana sy ny fampandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

14 oktobra: 62 taona ny Repoblikan’i Madagasikara

14 oktobra 1958-2020. 62 taona no nanambarana ny fijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara, teny amin’ny efitrano filanonan’ny lycée Galliéni, Andohalo. Nanomboka teo, firenena repoblikanina i Madagasikara.Tsy ifandovana ny fitondram-panjakana, olom-boafidy no mitondra nanomboka teo… Talohan’io, nanomboka ny 6 aogositra 1896, zanatany i Madagasikara, resy tamin’ny ady tamin’ny mpanjanatany frantsay, septambra 1895.Foana ny lalàna nahazanatany frantsay, ny 15 oktobra 1958. Nijoro ny Repoblika, niredonana voalohany ny hiram-pirenena “Ry tanindrazanay malala ô”, solon’ny hira talohan’ny 1895 “Arovy ny mpanjaka”. Natsangana voalohany koa ny saim-pirenena ary ny teny filamatry ny Repoblika: Fahafahana-Tanindrazana-Fandrosoana.Tsy mbola azo niverina ny Fahaleovantena     Nisy ny fitsapan-kevi-bahoaka natao ny 28 septambra 1958. Fahazoana fahaleovantena miaraka amin’ny Lafintany ivelan’ny ranomasina frantsay ny “Eny”, nandresy tamin’ny vato 77 %; fahazoana ny fahaleovantena tanteraka ny “Tsia”.Tsiahivina fa ny Kongresin’ny Antenimieram-paritany enina no nankatoa ny fijoroan’ny Repoblika, ny 14 oktobra 1958: vato 208 nanaiky, 26 nanohitra, enina ny mpanolotsaim-paritany tsy tonga. Tsy mbola nahaleo tena i Madagasikara tao anatin’ny hoe “lalàna lasitra”, nolaniana ny 23 jona 1956. Fanomanana sy fiomanana amin’ny fizakana ny fahaleovantena ny governemanta najoro tao anatin’ny lalàna lasitra.Nifampiraharahana ny FahaleovantenaNifamparaharaha hahazoana ny Fahaleovantena ny filoha Tsiranana Philibert, voafidin’ny kongresy, ny Antenimierampirena sy ny Antenimierandoholona, ho filohan’ny Repoblika I, ny 1 mey 1959. Lany tamin’ny vato 113 tamin’ny 114 izy, vato maty iray.Nitarika ny delegasiona nifampiraharaha ny amin’ny famindram-pahefana, tany Paris, izy, ny 10 febroary 1960. Vita rangopohy izany, ny 2 avrily, ary natao sonia teny Andafiavaratra, ny 26 jona 1960, nambara  teny amin’ny vatomasina, Mahamasina, ny fiverenan’i Fahaleovantenan’i Madagasikara.R.Nd.L’article 14 oktobra: 62 taona ny Repoblikan’i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanamian’ny Barea de Madagascar: mety handimby ny Garman ny Cercle by Ted

Araka ny loharanom-baovao, tsy hisy intsony ny famerenana indray ny safidy amin’izay ho mariky ny akanjo hoentin’ny Barea de Madagascar, miatrika ireo fifaninanana samihafa, amin’ity taom-pilalaovana 2021 ity. Raha tsiahivina, efa tontosa tamin’ny fiandohan’ny taona 2020 izany ka ny Cercle by Ted no voasafidin’ilay vaomiera nisahana izany. Fanamafisana sy fanamboarana ny lafiny ara-pitantanana fotsiny sisa atao dia havoaka amin’ny fomba ofisialy izany. Raha tsy misy izany ny fiovana, handimby ny marika Garman indray ny Cercle by Ted, amin’ity.Marihina fa niteraka resabe, na teo amin’ireo mpilalao sasany izay tsy nanaiky izany, na tamin’ireo mpikambana hafa eo anivon’ny federasiona malagasy (FMF), ny fomba nanatanterahana ny safidy tamin’ity fanamiana hianjaikan’ny Barea de Madagascar ity. Nisy mihitsy ny resaka fa tsy maintsy averina izany, saingy heno izao fa tsy misy antony tokony hamerenana izany intsony satria efa vita iny resaka iny. Andrasan’ny rehetra izany izao ny ho endrik’ilay fanamiana hanaovan’ny Barea de Madagascar, manomboka ny volana marsa ho avy izao. TompondakaL’article Fanamian’ny Barea de Madagascar: mety handimby ny Garman ny Cercle by Ted a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

  Fanatsarana ny fitaterana eto an-dRenivohitra: taxi-be miisa 600 efa nahazo “puce” nametrahana GPS

  Mitohy hatrany ny fanatsarana ny fitaterana sy ny ezaka ho amin’ny fijerena ny fizoran’ny fifamoivoizana eto Antananarivo Renivohitra. Fantatra izao fa miisa 600 ireo “puce” ho an’ny GPS natao ho an’ny taxi-be. Tanjona  ny hanatrarana hatrany amin’ny taxi-be miisa 3 000. Tahaka izany koa ny taxi, miisa  3700 ireo efa nahazo « licence » nomerika.Etsy an-daniny, afaka mahita sy mampiasa ny fizoran’ny fifamoivoizana mivantana avokoa ny rehetra amin’ny alalan’ity rohy ity : https://traffic.tag-ip.com/… Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Tag IP izany. Manome ny vaovaon’ny fizoran’ny ny fifamoivoizana isan’andro koa ny onjam-peo Iarivo FM 95.6.Isika rehetra miara-mientana hatrany no hamerina ny hasin’Antananarivo, Tanànantsika.Hahazo fotodrafitrasa ny eny ifotonyAnkoatra izany, anisan’ny misitraka ny fotodrafitrasa miainga avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny eny anivon’ny boriborintany fahenina. Mpanatanteraka izany ny eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny asa vaventy eo anivon’ny CUA. Miompana amin’ny fanamboarana lalamby sy ny tetezana kely izany tetikasa izany. Eo koa ny fanamboarana ny fantsona hanatsarana ny fiainan’ny mponina amin’ny andavanandrony. Tsy hijanona eo anefa izany fa hiitatra any anivon’ireo boriborintany enina, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo. “Hamerina amin’ny laoniny ny hasin’ny Tanànantsika isika rehetra”, hoy ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny Tanàna sy ny fijerena ny fiainan’ny mponina izany.Synèse R. L’article   Fanatsarana ny fitaterana eto an-dRenivohitra: taxi-be miisa 600 efa nahazo “puce” nametrahana GPS a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Basikety vehivavy: resin’i Madagasikara i Maorisy

Fandresena telo tamin’ny lalao telo nataony, no azon’ny ekipam-pirenena malagasy, teo amin’ny taranja basikety, ho an’ny sokajy vehivavy. Omaly, mbola nahazo fahombiazana indray ny tovovavy malagasy, rehefa nanilika an’i Maorisy, mpampiantrano, tamin’ny isa mazava, 74 no ho 49. Tsy niady mihitsy ny fihaonana fa nanaovan’ny mpilalao malagasy, notarihin-dry Ange sy ny namany fanehoan-kery sy fampisehoam-pahaizana, fotsiny izy ireo, nandritra ireo tapa-potoana efatra nilalaovana.Nitarika an’isa hatrany ny Malagasy tamin’ireo 10 mn inefatra niditra. Tsy naharaka ny hazakazaka sy ny hafetsifetsena nataon’ireo Malagasy mihitsy ny Maorisianina, na teo aza ny fanohanan’ireo mpomba azy.Tafita amin’ny manasa-dalana, izany ny Malagasy, taorian’ity fandresena azony ity. Tafakatra torak’izany koa ny Maorisianina, noho ny naha “disqualifiée” an-dry zareo, Kaomorianina. Andrasana kosa izay hifanehatra amin’i Madagasikara, eo amin’izany dingana manasa-dalana izany. TompondakaL’article Basikety vehivavy: resin’i Madagasikara i Maorisy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Aogositra – septambra – oktobra: averina ny fampiatoana fanaratoana drakaka

Nandray fanapahan-kevira ny minisitera misahana ny jono fa averina, manomboka ny volana aogositra izao hatramin’ny 31 oktobra 2019, ny fampiatoana manerana ny Nosy ny fanaratoana drakaka. Taona maro, araka ny tatitra nataon’ny minisitera, tsy nisy izay fanakatonana ny fanaratoana drakaka izay, lasa fihariana gaboraraka. Misy fiantraikany ratsy lehibe izany ka izao fanapahan-kevitra izao noraisina hifehezana sy hampanarahan-dalàna io lalam-pihariana io, hampitombo ny vokatra drakaka sy hampanara-penitra izany, araka izay takina amin’ny tsena eto an-toerana sy any ivelany.Izay famerenana ny fanakatonana ny jono izay, tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny minisitera ho fanatsarana ny lalam-pihariana hampitombo ny fidiram-bolan’ny mpanjono. Rehefa mitombo sy tsara ny vokatra, mitombo, manaraka izany, koa ny tolotra ho an’ny ho an’ny tsena eto an-toerana sy ny fanondranana azy. Mampiditra vola vahiny izay fanondranana izay, singa iray mampantanjaka ny toekarena. Hahatrarana izany ny hisian’ny fitantanana mangarahara momba ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina.Mangataka fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina ny minisitera amin’izany sehatra izany, mba ho ara-dalàna sy hanara-penitra. Tanjona ny fiarovana ny mpanjifa ho amin’ny fahavitan-tena amin’ny sakafo sy hahafahana mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mora ho an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny jono ny mametraka fepetra fa sarotra kosa ny fanaraha-maso izay fanakatonana ny jono izay manerana ny Nosy. Na eo aza ny afaka manao izany, tsy ferana ny mety ho fisian’ny kolikoly sy ny varo-maizina. R.MathieuL’article Aogositra – septambra – oktobra: averina ny fampiatoana fanaratoana drakaka a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Basketball- N1B : Victoire de Fandrefiala et COSPN2

Les championnats de Madagascar de basket-ball N1B version 2020 ont rendu leur verdict hier au Palais des sports Mahamasina, avec le sacre du COSPN2 Atsinanana chez les hommes et de Fandrefiala chez les dames. Les six équipes qui prendront la place des six reléguées en catégorie supérieure N1A sont désormais connues.  Les Tamataviens sont sur le toit du basketball national. Après la victoire de l’Ascut en N1A, il y a deux semaines, une autre équipe d’Atsinanana venait de remporter le sacre en N1B. Il s’agit du Club omnisport de la police nationale 2 (COSPN 2). C’était au terme d’un match âprement disputé que la bande à Michou a défait l’Association des Jeunes Réunis Tandroy (AJRT Androy) sur le score de 82 à 74. En effet, ce bouquet final était conforme au pronostic de tous dès le début des éliminatoires. Les policiers ont réalisé un sans faute tandis qu’une seule défaite pour l’AJRT Androy. Mais les dieux du ballon orange ont choisi COSPN2 comme étant le champion. Les policiers ont mené 16 à 12 à la fin du premier quart-temps. Les Antandroy les ont suivis de près. Ils arrivaient encore à maîtriser la situation et même ont su égaliser le score (25-25) quelques minutes avant la pause. Pourtant, le COSPN2 a doublé le rythme du jeu qui a affaibli son adversaire. L’écart devenait de plus en plus énorme. Les Tamataviens ont mené 45 à 31 à la pause. Au retour des vestiaires, les Petit et Toto ont tenté de revenir au score. Les policiers ont été déstabilisés en confondant précipitation et vitesse. Le club d’AJRT a profité de cette occasion pour remonter la pente en profitant des pertes de balle du camp adverse et en assurant ses contre-attaques. Les policiers ont vite réagi et n’ont pas lâché prise. Ils ont remporté le troisième quart-temps par 58 à 45. La troupe à Kyky a assuré la finition au dernier quart-temps. Leur victoire a commencé à se dessiner malgré des actions intéressantes venant de l’AJRT Androy qui n’ont plus fait que réduire l’écart en assurant les tirs à trois points et les lancers francs. Le score final était de 82 à 74. « La pression sur la demi-finale avait d’impact sur l’équipe. Pourtant, on a le même niveau technique que le COSPN. Nos joueurs  n’ont pas bien appliqué les consignes », confie, Luciano Razafindrazaha, l’entraîneur de l’AJRT. « Ces joueurs étaient toujours ensemble depuis U16. Nous avons toujours préparé même durant le confinement. Nous avions aussi participé aux plusieurs matchs amicaux depuis notre arrivée dans la capitale », reconnaît Dacno, coach du COSPN2. Fanalamanga Alaotra Mangoro se trouve à la troisième place après avoir écrasé Asa Analamanga sur le score de 64 à 50. Chez les dames, Fandrefiala a été sacrée championne en s’imposant face à l’Ascut sur le score de 71 à 49. La troisième place revient à l’ASSM Analamanga. Ces trois premiers chez les hommes comme chez les dames sont qualifiés dans la catégorie N1A à partir de cette saison 2021. Manjato Razafy  Les titres individuels :  Mvp N1B Dame : N°07 – Fandrefiala (A/Manga) Mlle Rajaona Volahanta Tsiferana Meilleure Marqueuses : N°07 – Fandrefiala (A/Manga) Mlle Rajaona Volahanta Tsiferana (74 Points) Mvp N1B Homme : N°14 – Cospn 2 (A/Nanana) Mr. Tsialefitra Jino Meilleur Marqueur : N°07 Malazamanana Petit Simon, Ajrt (Androy) (164 Pts) L’article Basketball- N1B : Victoire de Fandrefiala et COSPN2 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Basketball- N1B : Victoire de Fandrefiala et COSPN2 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Trano nirodana teny Anosizato Atsinanana: nitohy ny fikarohana ilay lehilahy iray tototry ny béton

Mbola nitohy, hatramin’ny omaly, ny fikarohana ilay mpiasa iray tototra noho ny fianjeran’ny trano lehibe iray misy rihana eny Anosizato Atsinanana I. Nanano sarotra ny fikarohana ity lehilahy ity na dia efa lany haika ihany aza ireo mpiara-miasa aminy…Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny lefitry ny fokontanin’Anosizato Atsinanana I, nianjera tampoka avy eny ambonin’ilay trano vao amboarina ity mpiasa ity ka tototra tao anaty korontam-biriky sy béton. Efa natao ny fanamarinana rehetra ireo mpiasa niasa tao amin’ilay trano dia voamarina tamin’izany fa tsy hita izay nanjavonany. Natao ihany koa ny fanisana ireo mpiasa niasa tao amin’ilay trano ary hita fa tsy tao izy. “Nisy rahalahiny nandeha teny amin’ny hopitaly nijery sao dia amin’ireo sivy naratra izy, saingy tsy hita tao amin’ny hopitaly”, araka ny fanazavan’ny eo anivon’ny fokontany hatrany. Manoloana izany, niantso ny eo anivon’ny sampana mpamonjy voina indray ny fokontany mba hanohizana ny fikarohana. Niantso tolo-tanana tamin’ny orinasa Colas koa izy ireo mba hifanampy amin’ny mpamonjy voina noho ny tsy fahampian’ny fitaovana satria béton be no nianjera. Voamarina, araka izany, fa niasa tao ity mpiasa ity, saingy tsy mbola hita izy hatramin’ny omaly (fotoana farany nanoratana) ary nanao izay ho afany ireo mpamonjy voina tamin’ny fikarohana azy. Tonga teny an-toerana hijery ity havany tsy hita ity kosa ny fianakaviany, saingy voasakatsakana.Trano efatra indray rava nianjeran’ilay trano lehibe…Nandray fepetra amin’ireo trano manodidina ihany koa ny eo anivon’ny fokontany satria tsy manara-penitra ny fanorenana ity trano nianjera ity. Vokatr’izany, trano efatra no indray rava nianjeran’ity trano lehibe ity. Olona manodidina ny 200 eo ho eo no indray voakasik’izao faharavana trano izao. Tsiahivina fa tranona teratany vahiny ity nianjera, afakomaly, ity ary mampitaraina ny olona mihitsy ny fanamboarana izany satria tsy manaraka ny fenitra takin’ny asa fanorenan-trano. Efa misy mipetraka ao ambany rihana, saingy mbola mandeha ihany ny fanorenana ny fampiakarana ny rihan’ilay trano. Ahina ho misy ifandraisany amin’ny fiavian’ny orana sy izao fanamboarana tsy manara-dalàna izao ity firodanana tampoka ity. Nanome baiko amin’ny handrodanana ny ampahany amin’ilay trano ahina hianjera ny teo anivon’ny BNGRC. Lasa nitsoaka kosa ilay teratany vahiny tompon’ity trano ity.J.CL’article Trano nirodana teny Anosizato Atsinanana: nitohy ny fikarohana ilay lehilahy iray tototry ny béton a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay
15/06/2021

site légitime qui paye très bienfaucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay.Pas de retrait minimum, claim tous les 5min.Ci-joint le lien:https://ezbit.co.in/ref/13850Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay".

Emploi et services Antares trade, prêt possible
18/06/2021

Bonjour à tous!Il est maintenant possible de demander un prêt avec Antares. Vous n'avez plus d'excuse pour ne pas vous inscrire sous motif de manque de fond. Antares est là pour vous dépanner, et vous prouver que l'investissement dans le site marche et n'est pas une arnaque comme les gens le pensent. Le prêt va de 100$ à 4000$! Ils appellent l'investissement P2P c'est-à-dire de partenaire à partenaire. Avec cet investissement, vous pouvez percevoir des revenus de 0,5% par jour pendant 12 mois, tandis que la plateforme rembourse votre prêt à votre place. Par exemple vous empruntez 2500$ pour prendre le pack de 2500$. Au lieu de recevoir les 1% par jour soit 25$ par jour environ, vous recevez 12,5$ par jour et votre prêteur revoir également 12,5$ par jour.Il est n'est valable que pour les nouveaux arrivants et ne fonctionne que si: - l'emprunteur sollicite un prêt et s'inscrit auprès d'Antares- l'investisseur émet un emprunt sur 12 mois avec un rendement moyen de 0,5%/jour- l'emprunteur investit dans un produit d'investissement séparé avec un rendement de 0,5% par jourCe programme vous permet de participer à un programme d'affiliation basé sur le marketing linéaire, dont vous pouvez en savoir plus ici : https://antares.trade/antares-p2p-platform/#partners.Pour vous inscrire: https://antares.trade/personal/?signup=MG000823370Pour plus d'informations, veuillez me contacter par mail: shonaliyah3@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Antares trade, prêt possible".

Emploi et services Gagner de l'argent en ligne
19/06/2021

Nous vous proposons une opportunité intéressante pour gagner de l'argent en ligne. Votre rôle consiste à remplir des micro-tâches comme répondre à des sondages, essayer certaines applications, répondre à des quiz etc. Cliquez sur ce lien :https://paidera.com/?r=2057784Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagner de l'argent en ligne".

Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)
18/06/2021

Nous recrutons pour un structure d’externalisation, unASSISTANT COMMERCIAL SENIORMissions :- Assurer les premières démarches commerciales (mail / téléphone) via base des données existante- Assurer l’Onboarding des professionnels sur la plateforme- Assistance clientèle sur les démarches d’inscription sur la plateforme- Assurer le suivi des procédures d’achat et de livraisons- Assurer le SAV : Gestion du service client (Mail / téléphone / chat)Profil:- Titulaire d’un bac +3 minimum en commerce, marketing, communication- Expériences probantes dans le domaine de la relation client- Bonne maîtrise du Français (lu, écrit, parlé)- Bonne maîtrise du pack office- Autonome, rigoureux (se) et professionnel (le) Envoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence ASSISTANTCOMS-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)".

Emploi et services Un Contrôleur de gestion
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans la relation clientèle et BPO à Madagascar, recherche activement un (01) contrôleur de gestion :   Vous aurez pour mission :Votre Profil :Vos avantages :Merci d’adresser votre candidature composée de votre CV et d’une lettre de motivation à l’adresse recrutement@eufonie.frSeules les candidatures présélectionnées feront l’objet d’un entretienCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Un Contrôleur de gestion".

Emploi et services Développeur Laravel
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans l'externalisation,Développeur LaravelEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVLARAVEL-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Laravel".

Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) bilingues anglophone.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.En tant que  Téléconseiller(ère) bilingue, vos missions seront de :PROFIL :VOS AVANTAGES :Merci de postuler votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ;Pour entrevoir nos offres d'emplois, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones".

Emploi et services Travail sur internet
18/06/2021

 Completer des sondages et gagner de l'argent.Des sondages seront à votre disposition journalièrement.ceci ne prend que quelque minute.Ceci est pour vousWallet payeerhttps://tapinbox.com/?rf=160801   Regarder des publicites et gagner de l'argenthttps://clicknox.com/?ref=373978Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail sur internet".

Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement
15/06/2021

Bonjour,  il y a plusieurs manières de se faire de  l'argent en ligne chez soi et gagner de petits revenus en cette année 2021. Si cela vous intéresse suivez ces liens et inscrivez vous :Voulez vous gagner de l'argent en ligne sans fournir trop d'effort ? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable.https://rupee4click.com/48ks0efa nazaoko avec preuve de paiementinscrit et vous gagnerai Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement".

Emploi et services Développeur Codeigniter
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le BTP,Développeur CodeigniterEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVCODEIGNITER-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Codeigniter".

A vendre Vend CF Moto 150NK
18/06/2021

🚦CF Moto 150nk 🏍 - 6 vitesses - Kilométrage 15xxx km - 2 modes de conduites : Sportive 🚀/ Economique⛽️ - Peinture carbone personnalisée  - Rétroviseur kit Rizoma - Anti crache et cache réservoir installé  - Immatriculé WWTMoto très bien entretenue, rien à prévoir, très faible consommation.Prix: 8.000.000Ar légèrement à débattre Contact: 0327850398 📞 ToamasinaCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Vend CF Moto 150NK".

Emploi et services PDF à propos de ADWORD
14/06/2021

Vous vous demandez peut-être comment les grandes entreprises utilise la technologie pour promouvoir ses produits.Ne vous inquiétez voici-ci quelques notion qui pourrait vous aider.Dans ce pdf de Content Marketing 101https://bit.ly/3cqJQLY AdWords Annihilationhttps://bit.ly/3zavLMDCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services PDF à propos de ADWORD".

Notsongaina

Filan-kevitry ny minisitra: Niova ny Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées)
18/06/2021

Nisy ny Filankevitry ny Minisitra manokana notanterahinaandroany tamin’ny alalan’ny « visioconférence » izay notarihin’nyFiloham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo minisitra vitsivitsy. Tapaka nandritra izany, araka ny tolo-kevitry ny Minisitry nyFiarovam-pirenena, ny fanendrena ny Général de Division SAHIVELOLala Monja Delphin, ho Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées) Cet article Filan-kevitry ny minisitra: Niova ny Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées) est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Filan-kevitry ny minisitra: Niova ny Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées) a été récupéré chez Délire Madagascar.

Andohatapenaka: nirefodrefotra ny basy, jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy
14/06/2021

Hatairana vao maraina ny an’ireo olona mipetraka eny Andohatapenaka sy ny manodidina raha nandre ny firefodrefotry ny basy, ny asabotsy teo. Jiolahy mpanakan-dalana no nifanehatra tamin’ny polisy. Jiolahy iray lavon’ny bala raha azo sambo-belona kosa ny namany iray hafa…Polisy misahana ny ady amin’ireo jiolahy mitam-piadina mahery vaika (SAG) sy ny ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) 67ha ireto nifampitana tamin’ny jiolahy mpanakan-dalana teo Andohatapenaka ireto. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisin’ny Sag, tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny 2 ora sy 30 mn maraina, nahazo angom-baovao ny polisy fa misy andian-jiolahy mitondra basy sy antsy lava manao sakan-dalana amin’ny sarety miisa telo ny lalana etsy Andohatapenaka. Taxi-be iray nitondra mpivarotra legioma vao maraina no tratran’ny sakana nataon’ireto jiolahy ireto. Niditra an-keriny tao anaty fiara izy ireo ka lasan-dry zalahy avokoa ny vola hatramin’ny firavaka tany amin’ireo mpandeha. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny polisy nanao ny fanarahan-dia ireto olon-dratsy ireto, nanamafy rahateo ireo mpandeha voatafika fa mbola tsy lasa lavitra ry zalahy. Raikitra ny fanenjehana nataon’ny polisy ka tratra teo Ankasina ireto andian-jiolahy ireto. Raikitra ny fifampitifirana ka maty voatifitra ilay jiolahy nitondra basy. Azo sambo-belona kosa ny jiolahy iray hafa. Basy kilalao no nentin’ireo jiolahy nampihorohoro… Tao anatin’ny tebiteby no niainan’ireo mponina teny amin’ny manodidina ny toerana nisian’ny fifampitifirana. Tafaporitsaka nandritra ny fifanjevoana ny jiolahy roa hafa. Nandritra ny fizahana  no nahitana fa basy kilalao no nampiasain’ireto jiolahy ireto nandritra ity fandrobana ity, ankoatra ilay antsy lava hita tany amin’izy ireo. Nanamafy ny polisy fa mitohy ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, indrindra amin’izao ankatoky ny fety fankalazana ny tsingerin-taona nahazoana ny Fahaleovantena izao. Fantatra fa ao anatin’ireo tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana eto an-drenivohitra ry zalahy ireto, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy hatrany.Jean ClaudeL’article Andohatapenaka: nirefodrefotra ny basy, jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy a été récupéré chez Newsmada.

Fanambaran’ny fiadidiana ny Repbolika: lasa any ivelany hanatrika ny «confirmation» ny zanany ny filoha
17/06/2021

Miova sata, miova andriana ary maneho ny fandalana ny mangarahara. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny sampandraharahan’ny Serasera sy ny fifandraisana ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly, amin’ny anton-dian’ny filoham-pirenena any ivelany.Nivoitra tamin’ny fanambarana ny filazana  fa nanainga an-tanindrazana hanefa ny adidiny amin’ny fanatrehana ny “confirmation” an’ny zanany vavitokana ny filoha Rajoelina Andry. “Zava-dehibe loatra eo amin’ny fiainana tokoa mantsy izany ary indrindra, fitahiana sy fahasoavana lehibe avy amin’Andriamanitra”, hoy ny fanambarana. Notsiahivin’ny tompon’andraikitra tamin’izany fa ray sy loham-pianakaviana koa ny filoham-pirenena ary manana andraikitra eo anivon’ny ankohonany sy ny vady aman-janany, ankoatra ny maha filohan’ny Repoblika azy.Fomba fiasa vaovaoMidika izany fa nanova fomba fiasa ho amin’ny tsaratsara kokoa ny tompon’andraikitra vaovao eo anivon’ny sampandraharahan’ny Serasera sy ny fifandraisana ao an-dapa. Maneho sy mampahafantatra ny vaovao rehetra mba tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka malagasy, manoloana ny mpitondra azy. Efa fanao sy fahita any amin’ireo firenena sasany ny fomba fiasa tahaka izao amin’ny famoahana ny vaovao rehetra eo anivon’ny mpitantana ny firenena.Fitantanana mangaraharaTafiditra amin’ny fametrahana ny mangaraharaha eo amin’ny fitantana izany sady ialana amin’ny honohono sy ny tsaho koa.Sambany indray tato anatin’ny roa taona teo ho eo izao fivoahan’ny filoham-pirenena any ivelany izao na fivahinianana tsy ofisialy aza izany. Tsy mba nisy nanao tahaka izao koa ireo mpitondra sy mpitantana nifandimby.Synèse R.   L’article Fanambaran’ny fiadidiana ny Repbolika: lasa any ivelany hanatrika ny «confirmation» ny zanany ny filoha a été récupéré chez Newsmada.

« Concert classique de midi »: hiaka-tsehatra ny tarika Tsimihole
16/06/2021

Hiavaka tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay ny « Concert classique de midi » amin’ity indray mitoraka ity. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena ny seho hotontosaina ny talata 22 jona izao manomboka amin’ny 1ora tsy diso, ao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely. Ny tarika Tsimihole no hitondra ny talentany ho an’ny mpitia zavakanto amin’io fotoana io. Tarika mivoy ny mozika avy any atsimon’ny Nosy. Ahenoana ihany koa ny fihaonan’ny mozika malagasy sy ny mozika ankehitriny. Mamoitra ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina, indrindra fa ny any atsimo, kosa ny tononkira.Marihina fa faha-118 amin’ny seho « Concert classique de midi » ity karakarain’ny Madagascar Mozarteum izay mandia ny faha-10 taony ity.HaRy RazafindrakotoL’article « Concert classique de midi »: hiaka-tsehatra ny tarika Tsimihole a été récupéré chez Newsmada.

GYM – Axian: 17 tapitrisa euros hanitarana herinaratra vaovao
18/06/2021

Nifanaraka ny Jirama sy ny Green Yellow Madagascar (GYM) miaraka amin’ny vondrona Axian, hanitatra ny foibe famokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro any Ambatolampy, manana hery 20 hatramin’ny 40 Mw, sy batterie 5 Mwh. 17 tapitrisa euros ny tentim-bidin’ny tetikasa. Mpampindram-bola ny Société Générale, ny GuarantCo, African Guarantee Fund, ary ny BMOI sy ny BNI Madagascar, izay samy nilaza fa mbola hanohana ny tetikasa dingana faharoa.Nambaran’ny Green Yellow Madagascar fa manomboka ny volana jona izao ny tetikasa ary azo trandrahina amin’ny faran’ny taona. «Tafiditra ao anatin’ny tanjona nofaritanay ny fampitomboana fahazoana herinaratra, madio sy maharitra, ary zakan’ny Malagasy rehetra. Miasa ho an’izany isan’andro ny vondrona Axian amin’ny alalan’ny Axian Energy, izay mahavita ny asa ao anatin’ny fotoana fohy, fanamby lehibe napetraka na teo aza ny krizy ara-pahasalamana », hoy ny PDG vondrona Axian, i Hassanein Hiridjee.“Manamafy ny fisian’ny Green Yellow eto Madagasikara sy ranomasimbe Indianina izahay, voalohany amin’ny famokarana herinaratra azo havaozina. Ny fanitarana izany ao Ambatolampy no hahafahanay sy ny Axian hiroso lavidavitra amin’ny fiaraha-miasa sy famatsiam-bola ho an’izay mbola heverina hatao eto Madagasikara”, hoy kosa ny PDG GreenYellow, i Otmane Hajji.   R.MathieuL’article GYM – Axian: 17 tapitrisa euros hanitarana herinaratra vaovao a été récupéré chez Newsmada.

VAKSINY COVID-19 : “Lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao”
16/06/2021

Nitohy teny amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy (DREDD) Analamanga, ny 15 jona 2021 teny Nanisana,  ny fanentanana ny fanaovana vaksiny Covid-19 ataon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Rehefa avy nampahafantarina ny mpiasan’ny DREDD, ireo mponina eny amin’ny fokontany Nanisana maniry ny hanao vaksiny  ny mombamomba ny vaksiny  Covid-19 sy ny tombony azo avy amin’ny fanaovana izany dia niroso tamin’ny fanaovam-baksiny izy ireo. 60 olona teo no nataon’ny mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka vaksiny tamin’io fotoana io. “ Izahay eto amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy Analamanga dia resy lahatra fa tokony atao ny  vaksiny. Maromaro tato aminay no narary ary tratran’io  forme grave io , ary nisy nandao fianakaviana. Narary taminay ilay izy dia  tiana ialàna izay zavatra izay dia nanentana ny mpiasa izahay. Miara-miasa  akaiky amin’ireo mponina ety ihany koa izahay,  anisan’izany ny ato amin’ny fokontany Nanisana, ny distrika Avaradrano”, hoy ny Tale-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy  Andrianandrasana Herizo.  Nambarany fa “ny  fahasalaman’ny olona dia mifandray amin’ny fahasalaman’ny tontolo iainana”. “Hiatrika ady amin’ny afo izahay, isika ato ato. Ilaina salama ny olona, miara-miatrika an’izany ady izany mba hitondra mankany amin’ny fandrosoana lovain-jafy”, hoy izy. Miverina amin’ny fiainana andavanandro Ho an’ny faritra Analamanga, misokatra ho an’ireo olona 18 taona mihoatra maniry ny hanao vaksiny Covid-19  ireo toerana natokana amin’izany toy ny  eny amin’ny  Stade Malacam, Kianja fanaovana basket  eny Anosisoa  Ambohimanarina,  ny “vaccinodrome” eo aorian’ny FJKM Salema vaovao 67ha… Mandray olona manomboka  amin’ny 8 maraina ka hatramin’ny 4 hariva ireo toerana ireo. Araka ny fanazavan’ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka eto Analamanga, Raharimamonjy  Laliarisoa fa afaka manatona ireo olona te hisitraka vaksiny: olona maromaro na orinasa, fiangonana,  ministera, ihany koa ny mpiasan’ny fahasalamana.  “Raha mihoatra ny 40 isa dia azonay atao ny manatona”, hoy izy. Manentana ny rehetra, indrindra ireo olona mihoatra ny 45 taona Ramatoa Raharimamonjy  Laliarisoa hanao vaksiny satria “raha nahatsikaritra isika dia  io sokajin-taona io no maro olona lavon’ny covid, maromaro amin’ireo forme grave”. Nohamafisiny fa  ny  “fanaovana vaksiny no lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao, miala amin’ny fihibohana, miverina amin’ny fiainana andavanandro”.  Marihina fa anisany nanolon-tena amin’ny fanentanana ny mpiara-belona hanao vaksiny i Haingo Pararadis.  “Noho ny fahatsapana ny maha sarobidy ny aina dia resy lahatra fa ilaina ny fanaovana vaksiny ahafahana miatrika ny covid-19, tsy ahatongavana amin’ny forme grave. Amiko harena ny olona”, hoy ity mpilatsaka an-tsitrapo ity. Lynda A. Cet article VAKSINY COVID-19 : “Lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao” est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article VAKSINY COVID-19 : “Lalana iray ahafahantsika miala amin’izao valanaretina izao” a été récupéré chez Délire Madagascar.

Fitantanana sy fomba fiasa vaovao: Hanatsara ny antontanisa ny Instat sy ny CUA
19/06/2021

Ilaina ny fananana antontanisa, ahafahana miatrika ny fampandrosoana. Anisan’ iza­ny ny eo anivon’ny CUA. Voadinika tamin’ny fivoriambe momba ny fanamby sy ny fahafaha-manao amin’ny antontanisam-panjakana eny ifotony ny amin’ny tokony ho fandraisana andraikitra bebe kokoa. Ni­fanakalo hevitra tamin’izany tetsy Analakely ny avy amin’ny masoivohon’i Sosia, amin’ny alalalan’ilay antsoina hoe «Road to Bern» . Niarahana amin’ny ONU ny fandinihana sy ny fijerena ny fomba fiasa manoloana ny eo anivon’ny firenena sy ny faritra ary indrindra ho an’ny eto amin’ny kaominina Antananarivo Reni­vo­hitra. Manana ny antontan-ke­vitra sy ny antontanisa ny CUA. Tsy ampy anefa izany fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny Instat. Efa maha matihanina izy ireo. Tsy mbola misy ny fifanatonana sady tsy mbola mazava tsara ny fankatoavana ny antontanisa eo an-tananan’ny CUA. Nambaran’ny talen’ny fampiroboroboana ny haitao ara-nomerika eo anivon’ny kaominina, Ranaivo Mihaja fa efa niezaka namoaka ny antontanisa eo an-tanany izy ireo, efa herintaona izao. Anisan’izany ny fitantanana ny tsena, Taxi, Par­king… «Miezaka hatrany izahay mba hanana antontanisa mitombina sy marina. Efa misy ny fomba fiasa vaovao ary efa an-dalana ny hanatsarana hatrany ny asa», hoy izy.Synèse R.L’article Fitantanana sy fomba fiasa vaovao: Hanatsara ny antontanisa ny Instat sy ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

Firenena mikambana: nanaiky nanao sonia miady amin’ny kolikoly i Madagasikara
17/06/2021

Fivoriambe manokana nataon’ny Firenena mikambana (ONU) ny voalohan’ny volana jona teo tany New-York ny hiadiana amin’ny kolikoly mahazo vahana amina firenena maro. Nandray anjara tamin’izany fivoriambe izany i Madagasikara, tamin’ny anaran’ny CSI (1) ka anisan’ireo firenena 187 nanao sonia ny fifanarahana teo anivon’ny UNCAC (2). Nanao sonia midika io fifanarahana io fa manaiky marina miady amin’ny kolikoly. Samy nanaiky rehetra ary nanamafy fa sakana ho an’ny fampandrosoana, indrindra mampahantra vahoaka, ny kolikoly, tsy ahafahan’ny vahoaka ihany koa mizaka ny zony feno.Maromaro ihany ireo fepetra an-tsoratra nambaran’i Madagasikara amin’ny fandraisana andraikitra. Anisan’izany ny fanamafisana ny asan’ny Pac (Pôle anti-corruption), ankoatra ny eto Antananarivo, ny any Mahajanga sy any Fianarantsoa. Fiarovana ny lalàna mampahaleo tena ny sampana rehetra miady amin’ny kolikoly: CSI, Pac, Bianco, Samifin.Fahaleovantena tanteraka ny rafi-pitsarana rehetra. Hamafisina fa tsy misy ambony lalàna ary eo koa ny fandraisana fepetra raha mihazona fananana sy vola tsy mazava.Tsy misy mangaraharaTanjona hiadiana amin’ny kolikoly ny hisian’ny fampandrosoana maharitra, mitaky politika ho an’ny fitantanana madio. Nanao izao fivoriambe izao ny ONU noho ny fahatsapany ny tsy fisian’ny mangarahara momba ny fitantanambola, indrindra ny avy amin’ny mmpatsy vola iraisam-pirenena. Voakasik’izany manokana ny aty Afrika. Tao anaty krizy tanteraka i Madagasikara ny taona 2020, amina tetibola 826,09 tapitrisa dolara, 9,37% tamin’izay ihany ny natokana ho an’ny fahasalamana, izay mbola tsy mangarahara ihany koa ny fitantanana azy, araka ny fanadihadiana nataon’ny Transparency International Intiative Madagascar. R.Mathieu CSI (1) : Comité pour la  sauvegarde de l’intégritéUNCAC (2) : Convention des Nations Unies contre la corruptionL’article Firenena mikambana: nanaiky nanao sonia miady amin’ny kolikoly i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

Musique : Nanie signe son « comeback » en live
14/06/2021

Nanie n’est pas prête de décrocher son micro. Loin des yeux, loin du cœur. Pas le moins du monde. Pour Nanie, le choix est vite fait. C’est en live sur Facebook qu’elle compte faire son come-back après ces quelques années d’absence sur scène. La chanteuse donne déjà rendez-vous à ses fans et les mélomanes sur sa page le samedi 19 juin à 19h. Du temps où Nanie habitait Madagascar, elle a habitué les passionnés de musique par son style très prisé. Ayant fait ses heures auprès de la crème de la musique malgache, elle a livré des prestations dignes d’une diva. Aujourd’hui encore, Nanie n’a rien perdu de sa prestance, et c’est par ailleurs ce qu’elle offrira une fois de plus aux inconditionnels. Évidemment, le répertoire se fera avec ses tubes à l’instar de « Hiraina », « Tena tia » mais il y aura également des surprises. Pour les amateurs d’ambiance jazzy et bon enfant, le live avec Nanie ne décevra point. Iss Heridiny L’article Musique : Nanie signe son « comeback » en live est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Musique : Nanie signe son « comeback » en live a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fampirantiana “Velo-Misy”: miainga amin’ny tononkalo ny hosodokon’i Joey Aresoa
18/06/2021

“Miaina zavatra mafy isan’andro, miampy ny tsindry avy any ivelany ny Malagasy… Na izany aza, mbola velona izy, sady misy. Manana ny tantarany hotantaraina ny tsirairay…” Izay no namintinan’i Joey Arisoa ny nisafidianany ny “Velo-Misy”. Lohahavitry ny fampirantiana izay nosokafana, omaly, etsy amin’ny Fondation H Andraharo io. Hita maso ny fihavahan’ny hosodokon’i Joey Aresoa: safidin’ny akora, ny loko, ny karazany ary ny aigam-panahy. Miainga amin’ny tononkalo mantsy ity mpanakanto ity, vao manao ny hosodoko. “Miezaka manambatra ny abstrait, figurative ary ny digital aho. Mifandimpatra tokoa izany, saingy ny tononkalo no manambatra azy”, hoy ny fanazavany. Araka ny lohahevitra, maka endrika fitantarana amina dingana maromaro ny fampirantiana. Izay ihany koa ny endriky ny fanatontosany ny kantony: tononkalo, hosodoko amina kafe sy loko, fampiasana ny teknolojian’ny sary avy eo fanambarana izany. Misy fironana mankany amin’ny fanasongadinana ny tontolon’ny vehivavy ny sanganasan’i Joey Aresoa. Akaiky aminy kokoa amin’ny maha vehivavy azy ny miresaka izany anatin’ny sanganasany. Maneho ilay tantara hatrany anefa izany. Maneho ihany koa ilay “Velo-Misy”, raha tarafina amin’ireo sanganasany toy ny “Fagneva”, “Tatao”, “Ranomangandranomaso”, sns. Ny faraparan’ny taona 2020 no nanomboka niketrika ny fampirantiana i Joey Aresoa. Ny volana marsa kosa izy no tena nanomboka izany, ary nndritra ny fihibohana no tena nahatontosany ny ankamaroany. Nanamafy ny faniriana hitondra avo ny feon’ireo tsy afa-manoatra noho ny zava-misy ny krizy, raha ho an’ity mpanakanto ity. Marihina fa ny 30 jolay izao vao hifarana ny fampirantiana “Velo-Misy,” ho an’ireo liana.Zo ny AinaL’article Fampirantiana “Velo-Misy”: miainga amin’ny tononkalo ny hosodokon’i Joey Aresoa a été récupéré chez Newsmada.

Valin-kafatra amin’ny fivahiniana any Eoropa : tsy nanao vaksiny «miafina» fa notilina PCR ny filoha Rajoelina
19/06/2021

Nanaraka ny fepetra rehetra. «Nahavita fitiliana PCR ka tsy mila kara-baksiny ny filoha Rajoelina», hoy ny minisitra Lalatiana Andrian­ton­garivo. Nitondra valin-kafatra manoloana ny resabe amin’ny fivoahan’ny fianakaviana Rajoelina Andry any ivelany ny minisitra sady mpitondra tenin’ny governemanta, omaly. «Nahavita ny fitiliana PCR, efa natao ny 15 jona teo ny filoha sy ny fianakaviany vao nihazo an’i Soisa. Miiba (négatif) na tsy ahitana taratra ny covid-19 ary voahaja ny 72 ora mialoha ny fiangana hanaovana izany», hoy izy, tao amin’ny fandaharana «Tompon-trano tsy mihono», omaly. Nante­riny fa tsy nanao vaksiny «miafina» izany ny filoha Rajoelina Andry. Mazava ny fepetra amin’ny fidirana any Eoropa ary tsy maintsy andalovana ao Soisa. Na vita vaksiny mampiseho ny karatra na mampiseho ny fahavitana ny fitiliana PCR miiba, natao mialoha ny fiangana.CVO + ihanyNotsiahivin’ny minisitra ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry ary mbola notazoniny hatramin’izao fa tsy hanao vaksiny ary tsy mieritreritra ny hanao izany. Mbola voatsiahy tamin’ny alalan’ny sary tao amin’ny TVM rahateo ny nireharehan’ny filoha fa anisan’ny niaro ny tenany sy ny fianakaviany ary natao hiarovana ny Malagasy ny CVO +… Tokony ho tapitra hatreo sy mifarana izany ny resabe amin’ny fahafahan’ny filoha mianakavy miditra any Eoro­pa, hanatrika ny «Confirma­tion» an’ny zanany vavitokana.Synèse R.L’article Valin-kafatra amin’ny fivahiniana any Eoropa : tsy nanao vaksiny «miafina» fa notilina PCR ny filoha Rajoelina a été récupéré chez Newsmada.

Fankalazana ny fetim-pirenena: hatao etsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny matso
16/06/2021

Hosantarina amin’ny fanamarihana ny niverenan’ny Fahaleovantena na tsy mbola hotokanana aza. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny fitsidihany ny kianjan’ny Barea Mahamasina, omaly fa hotanterahina eo amin’io toerana io ihany ny matso hataon’ny Foloalindahy. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena izany.Nijery ny firoson’ny asa fanamboarana ny kianja Barea ny filoha, omaly. Nambarany tamin’izany fa hatao eo ny matso ho an’ny 26 jona. “Tsy mbola fitokanana akory izany. Hatao amin’ny fotoana mahamety azy rehefa vita 100% ny asa”, hoy izy. Nanteriny fa mampiseho ny maha Malagasy ny ravaka rehetra: aloalo, ravinala, loko, ny sainam-pirenena mampiray. Ny Barea, mampiray ary hapetraka ho an’ny taranaka ity kianja ity. Hiteraka fidiram-bola ireo fotodrafitrasa rehetra. Ahitana hotely, efitrano fivoriana, toeram-pivarotana, kianja fanomanan-tena…  “Azo andraisana hetsika kolontsaina sy zavakanto koa…”, hoy izy.Midika izany fa tsy hisy ny “podium” lampihazo hanaovan’ny mpanakanto hetsika na koa ny afomanga, ny 25 jona.Hiova ny fankalazana ny faha-61 taona…Efa natsidiky ny filoham-pirenena ny alahady teo, niainga avy any Taolagnaro, fa hatao eny anivon’ny renivohi-paritany enina: i Mahajanga, Antsiranana, Antananarivo, i Fianarantsoa, i Toliara ary i Toamasina ny matso, hanamarihana ny fetim-pirenena. Anton’izany ny hamehana ara-pahasalamana. Nentaniny koa ny rehetra hanangan-tsaina, hanehoana ny hambompom-pirenena. “Mba hiredareda ny afon’ny fitiavan-tanindrazana eo amintsika handresena ny sedra sy ny ady sarotra rehetra”, hoy izy.Midika izany fa hiverina eny Mahamasina indray ny matso raha teny Analakely izany tamin’ny herintaona. Hiova amin’ny endriny hafa koa anefa satria eo amin’ny kianjan’ny Barea nohavaozina sy nohatsaraina izany amin’izao faha-61 taona niverenan’ny Fahaleovantena izao.Synèse R. L’article Fankalazana ny fetim-pirenena: hatao etsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny matso a été récupéré chez Newsmada.