Fandaharanasa Afafi-Sud: tohanana ny mpamokatra any Atsimo

News -    Fandaharanasa Afafi-Sud: tohanana ny mpamokatra any Atsimo

News -   Fandaharanasa Afafi-Sud: tohanana ny mpamokatra any Atsimo

 

 Manohana ny tantsaha mpamokatra
any atsimon’ny Nosy ny Vondrona eoropeanina. Tanjona ny hanatsarana
ny fambolena ny fiompiana ary ny jono.

Manodidina ny 250.000 ny tantsaha,
mpamboly sy mpanjono, mahazo ny tohana amin’ny fandaharanasa
Afafi-Sud, any amin’ny faritra Androy, Anosy ary Atsimo Andrefana.
Mifantoka amin’ny fanatsarana ny fomba famokarana sy ny fiompiana
ny tetikasa mba hananana sakafo ampy, hampihenana ny fahantrana ary
ahafahana miatrika ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro.

Iarahana miasa amin’ny Vondrona
eoropeanina (UE) ny Afafi- Sud, ao anatin’ny Fandaharanasa
tondromarika nasionaly na PIN (Programme indicatif national), ao
anatin’ny Tahirimbola eoropeanina ho an’ny fampandrosoana (11 è
Fed). Mandrindra azy ny Birao tantsoroka ao amin’ny fiaraha-miasa
any ivelany (BACE).

Antontanisa
matanjaka

Nisy atrikasa, ny 11 septambra teo
tany Taolagnaro, nampahafantarina ny vokatry ny fanadihadiana
isan-tsehatra, ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono any Androy,
Anosy ary Atsimo Andrefana. Fantatra fa ilaina ny hametrahana
rafitra iray ho fanangonam-baovao matanjaka hahazoana tarehimarika
sy antontanisa azo antoka ka azo ampiasaina, araka izay
betsaka.

Nilaza ny mpandrindra ny
fandaharanasa Afafi-Sud, Rabesalama Miandra fa “ahafahan’ny
mpanapa-kevitra sy ny solontenam-panjakana mandray
fanapahan-kevitra matotra ny fananana antontanisa mazava,
hampandrosoana ny sehatry ny fambolena, ny fiompiana ary ny
jono”.

Hapetraka ny vovonana hanamafisana
ny fahaiza-manaon’ny isan-tsehatra aorian’ity atrikasa ity. Homena
azy ireo ny antontam-baovao sy ny fitaovana ilainy hanatanterahany
ny andraikiny avy. Nambaran’ny teknisiana amin’ny rafitra
fanangonam-baovao ara-jeografia (Sig), Andriambahiny Jean
Dominique, fa “homen-danja ny tena filan’ny mpahazo tombontsoa,
izay maro tamin’izy ireo no nitaky izany”.

Njaka
Andriantefiarinesy

Article tiré de Newsmada

L’article   Fandaharanasa Afafi-Sud: tohanana ny mpamokatra any Atsimo a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kitra – «THB Ligue des champions»: hidona amin’ny Jet Mada etsy Mahamasina ny Cnaps Sport

Noho ny fisian’ny fifidianana solombavambahoaka, notapahina fa haroso ireo lalao tafiditra amin’ny andro fahadimy, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “THB Ligue des champions”, taranja baolina kitra. Hotanterahina, amin’ity alarobia ity, ny andro fahadimy, hiadiana ny ho tompondakam-pirenena, “THB Ligue des champions”, taranja baolina kitra. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifandonana eo amin’ny AS Jet Mada sy ny Cnaps Sport, samy avy any Itasy. Fihaonana, hotanterahina etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina.Hatreto, hiezaka hitady fandresena ny Jet Mada na tsy manana herijika handrombaka ny anaram-boninahitra intsony aza. Hanao izay hakana, isa telo kosa ny Cnaps Sport hahatsara toerana azy ireo. Hatreto mantsy, isa fito ny azon’izy ireo.Any Mahanjanga indray, hanafika ny Fosa Jr Boeny ao an-kianjany ny Ajesaia. Ny ekipan’i Bongolava izay vao avy resy teo amin’io kianja Rabemananjara io, ny alahady lasa teo, nandritra ny lalao manasa-dalana, niadiana ny amboaran’i Madagasikara. Hanarina ny fahavoazany amin-dry zareo tompon-jaridaina izy ireo, amin’ity.Heverin’ny rehetra fa ho sarotra ho azy ireo ihany ny hanilika ny Fosa Jr Boeny eo an-taniny, saingy boribory ny baolina.Any amin’ny kianja Andaboly Toliara, handray ny FC Zanakala Matsiatra Ambony ny 3FB Toliara. Hafana vay io fihaonana io satria ekipa nahavita dingana goavana ary tsy nisy nanam-po mihitsy ny 3FB, manana isa enina, hatreto, ary manana herijika handrombahana ihany koa ny ho tompondakan’i Madagasikara.Ny lalao fahefatra amin’ity “THB Ligue des champions” ity kosa, hotanterahina rahampitso alakamisy 23 mey, eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina hatrany. Hampiantrano ny FC Ilakaka avy any Ihorombe ny AS Adema Analamanga. Ny ekipan’ny seranam-piaramanidina Ivato izay tsara toerana ihany koa satria mitarika amin’ny isa valo. Ny FC Ilakaka izay tsy manana afa-tsy isa iray, hatreto, ary mitana ny rambony eo amin’ny filaharana. TompondakaL’article Kitra – «THB Ligue des champions»: hidona amin’ny Jet Mada etsy Mahamasina ny Cnaps Sport a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra  – “Ligue des champions d’Afrique”: manantombo amin’ny filalaovana eo an-kianjany ny Fosa Jr

Hifantoka amin’ny lalao baolina kitra, hikatrohan’ny Fosa Jr Boeny sy ny Pamplemousses SC Maorisy, avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny mpankafy baolina kitra, amin’ity asabotsy ity.Hotanterahina, anio tolakandro manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny kianja Rabemananjara, Mahajanga, ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny tompondakan’i Afrika «Ligue des champions», taranja baolina kitra. Fihaonana hikatrohan’ny Fosa Jr Boeny, Madagasikara, sy ny Pamplemousse SC avy atsy Maorisy. Manantombo amin’ny teknika aloha raha ny fahitan’ireo teknisianina sy ny mpanara-baovao ny tompondakan’i Madagasikara. Ankoatra izay, tombony betsaka ho an-dry Jean-Yves sy ry Baggio ary ry Santatra ny filalaovany eo amin’ny kianja mahazatra azy, sy ny fahazakany ny toe-tanin’i Mahajanga, izay mafana.Raha tsiahivina, ekipa tsy azo atao hoe goavana na atahorana ny Maorisianina. Tsy mifanalavitra amin’ireny fomba filalaon’ny Club M, tamin’ny « Lalaon’ny Nosy » farany teo ireny ny an-dry zalahy ireto. Ekipa mianona amin’ny valim-panafihana rehefa milalao an-tanin’olona, izany hoe, mitady ady sahala. Na izany aza, nanambara ny mpanazatrany fa tsy hitsangantsangana izy ireo fa haka fandresena.Tsiahivina fa misy mpilalao mpila ravinahitra efatra ao amin’ity ekipan’ny Pamplemousse SC ity ka Malagasy ny telo: i Hollas sy i Boanahery ary i Fabrini Razah, nilalao tao amin’ny Japan Actuels, tamin’ny fotoan’androny. Teratany niger kosa ny iray: i Sunday Gabriel.Manoloana izany, tsy matahotra fa vonona tanteraka ireo mpilalaon’ny Fosa Jr hiatrika azy ireo ary tena hilalao sy hitady fandresena ihany koa. Efa nipetrapetraka tsara ihany koa ny paikady rehetra, amin’io lalao io, araka ny nambaran’i Titi, mpanazatra. «Fanafihana ary tsy misy afa-tsy fanafihana ny hany ataon’ny Fosa Jr. Mila maka elanelan’isa roa mba hampilamina tsara eo amin’ny lalao miverina. Tompondaka L’article Kitra  – “Ligue des champions d’Afrique”: manantombo amin’ny filalaovana eo an-kianjany ny Fosa Jr a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Alarobia Amboniloha : olona miisa 15 tratran’ny polisy tao amin’ny bar

Mitohy hatrany hetsika ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fanaraha-maso ireo mpivarotra manoloana ny fepetra napetraky ny fanjakana amin’izao fihanaky ny valanaretina covid-19 izao. Mpivarotra mivoha, ny bar misokatra, ny olona mbola maro no mijorojoro sy mifamezivezy tsy amin’antony. Ireo no anisan’ny tranga tratran’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo (CSP8) Anala­ma­hitsy tamin’ny fidinana tampoka nataon’izy tao amin’ny fokontany Alarobia Amboniloha, omaly. Olona mpirevy miisa 15 no tratran’ny polisy tao amin’ny bar iray nisokatra ka nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny polisy niaraka tamin’ny tompona fivarotana. Ny toeram-pivarotana mbola nisokatra kosa dia nakatona avokoa satria efa nihoatra ny ora voatondro hivarotan’ireo mpivarotra ary ireo olona nifamezivezy kosa nalefa nody avy hatrany. “Raha ny hita, miandry ny polisy ha­trany ireo olom-pirenena vao mody manara-dalàna. Raha izay toe-tsaina izay hatrany anefa no hotohizantsika rehetra dia hihamaro hatrany ireo olona voan’ity valanaretina coronavirus ity ary hitombo ny isan’ireo mpiray tanindrazana hamoy ny ainy”, hoy ny polisy.Jean ClaudeL’article Alarobia Amboniloha : olona miisa 15 tratran’ny polisy tao amin’ny bar a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lozam-pifamoivoizana tao Toliara: tsy nanaiky LP ho an’ilay karana nahafaty olona ny vahoaka

 Namono nahafaty olona iray ny fiara nentin’ity teratany karana ity, ny 26 jiona lasa teo ka maty tsy tra-drano tamin’izany i Mampiono Miller izay nitondra mato. Mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao ny namany niaraka taminy tamin’io fotoana io, araka ny fanazavana voaray. Akory anefa ny hatairan’ny fianakaviany raha nandray ny fiantsoana azy ireo, ny zoma lasa teo fa naroso omaly ny fitsarana ilay teratany karana mizaka ny zom-pirenena malagasy sy frantsay. Nangataka ny fanemorana ny raharaha ny mpisolovava ny fianakavian’ny maty kanefa tsy nahazo fa nahemotra ny harivan’io andro io ihany ity raharaha ity. Fantatra fa efa naiditra am-ponja vonjimaika ity Karana ity, roa andro taorian’ny nisehoan’ny loza. Niezaka ihany ity Karana ity nanao fampiraharahana fa tsy nanaiky ny fianakaviana satria efa eo am-pelatananan’ny Fitsarana ny raharaha. Anisan’ny mampiahiahy ny fianakaviany ny tsy faneken’ny mpitsara io fanemorana io. Manoloana izany, nitondra sora-baventy ny fokonolona nanatrika ity raharaha ity noho ny fahenoana fa misy fangatahan’ity Karana ity famotsorana vonjimaika alohan’ny hiantombohan’ny fitsarana. Nanambara ny teo anivon’ny Fitsarana fa ny 22 aogositra 2019 ho avy izao ny didim-pitsarana momba izao raharaha izao. Nilaza ny fianakaviana tamin’ny alalan’ny fanambarana nataon’izy ireo fa miandry am-pahatoniana ny valin’ny fitsarana ary mametraka izany eo ambany fahendren’ny fitsarana hampihatra ny lalàna, araka ny tokony ho izy satria ny olona namono olona dia tokony handray ny sazy sahaza ho azy. Tsiahivina fa efa nisy fiara 4×4 nahafaty olona toy izao teny Ankazomanga, ny herinandro teo fa tonga dia nidoboka am-ponja avy hatrany ilay mpamily nahavanon-doza.CMSL’article Lozam-pifamoivoizana tao Toliara: tsy nanaiky LP ho an’ilay karana nahafaty olona ny vahoaka a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kianjan’i Barikadimy: vita hatramin’ ny 95 isan-jatony ny asa

Hotokanan’ ny filohan’ny repoblika tsy ho ela ny kianja manara-penitra vita amin’ny ahitra tsy voajanahary ao Barikadimy Toamasina. Efa vita hatramin’ny 95 isan-jatony ny asa fanamboarana rehetra. Tonga nijery ifotony sy nandray ara-teknika vonjimaika ny asa ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena , i Tinoka Roberto, ny andron’ny alakamisy 15 Aogositra teo. Raha eo amin’ny fotodrafitrasa, misy « vestiaire » miisa efatra sy trano fidiovana avokoa ao anatiny, miisa roa samihafa ihany koa ny efitrano ho an’ny mpanao gazety mpitantara baolina sy mpaka sary ary misy toerana ho an’ny manampahefana ambony. Mahatratra hatramin’ny 14 ny rihana ho an’ny toeran’ny mpijery baolina. Nambaran’ny minisitra fa efa nahazoana fankatoavana tamin’ny Fifa ny kianja ary manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ihany koa ny « piste » manodidina, izay mahazaka “couloire” miisa valo ho an’ny mpihazakazaka. Ny fandokoana sisa no tsy vita, izay misy fahatarana vokatry ny toetra’andro, raha ny fanazavana. Azo anaovana baolina amin’ny alina ny kianja, saingy tsy mbola mahazaka ny jirobe miisa 32 isa ny Jirama any an-toerana. SajoL’article Kianjan’i Barikadimy: vita hatramin’ ny 95 isan-jatony ny asa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fibatana fonjamby: laharana voalohany ny atleta malagasy

Nanakoako indray ny taranja fibatana fonjamby taty amin’ny andiany faha-10 ny fifaninanana “Lalaon’ny Nosy”, aty amin’ny Nosy Maorisy. Medaly 47 be izao ny noraofin’izy ireo ka medaly volamena avokoa ny 24 amin’izany, norombahin’ireo kalaza toa an-dry Eric, i Tojo, i Vania, i Rosina sy ny maro hafa. Ankoatra izay, medaly volafotsy ny 19 ary nahazo medaly alimo isika. Nametraka ny firenentsika ho eo amin’ny laharana voalohany izany ka na efa tapitra tamin’ny alarobia teo aza ny fandraisan’ireo mpibata fonjamby malagasy, tsy hahatratra na hisongona antsika intsony ireo firenena hafa mpifanandrina. Mbola noporofoin’ny eo anivon’ity taranja ity fa sangany isika raha aty amin’ny ranomasimbe Indianina sy aty Afrika mihitsy. Mbola nampatsiahivin’ny filohan’ny federasiona, Randriamanarivo Harinelina, fa “tsy hoe manonofy fotsiny dia mahazo vokatra tsara toy izao fa misy asa sy ezaka be atao ao”, hoy izy vao tonga amin’izao, ary tsy ao anatin’ny volana vitsivitsy ny ahazoana izany fa an-taony maro ny hanomanana ny fahombiazana toy izao. Tsy afa-misaraka amin’izany fahombiazana izany koa, hoy hatrany ity filohan’ny FMHMC ity, ny mpitondra fanjakana, nitondrany fisaorana hatrany amin’ny fanohanana ny mpanao fanatanjahantena hatreto ka nahatonga izao fahombiazana izao. Mi.Raz L’article Fibatana fonjamby: laharana voalohany ny atleta malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady amin’ny covid-19: nanolotra fanampiana ny COI

Mitohy ny tolo-tanana ataon’ireo mpiara-miombon’antoka hanafongorana ny aretina covid-19 eto Madagasikara. Nanome fanampiana hiatrehana ny valanaretina ny Commission de l’Océan Indien (COI) izay ivondronan’ireo firenena maro aty amin’ny Ranomasimbe Indianina.Nahitana concentrateur d’oxygène, aron’akanjo, « caméra thérmique »…izany fanampiana izany. Ampahany ihany ireo tonga ireo fa mbola hisy ny famatsiana manaraka, raha ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.Entina hanampiana ny fitaovana efa eo am-pelatanana ireo hanavotana ny ain’ny marary sy hanampiana ny fitaovana isan’ireo mpiasan’ny fahasalamana izay tsy mikely soroka miady amin’ity aretina covid-19 ity, hoy hatrany ny tatitra.Ankoatra izany, nanampy ara-pitaovana ihany koa ny Aide Odontologique Internationale (AOI) ary nanolotra fitaovana fiarovana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana, izay mitentina 10 tapitrisa Ar. Hozaraina amin’ireo tobim-pahasalamana any Vakinankaratra, Analamanga, Itasy ary Betsiboka ireo fitaovana ireo.Tatiana AL’article Ady amin’ny covid-19: nanolotra fanampiana ny COI a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Atletisma – Fiadanantsoa Sidonie: fahombiazana avy hatrany ny fandraisana anjara voalohany

Sambany ho an’i Fiadanantsoa Sidonie ny fandraisana anjara amin’ny “Lalaon’ ny Nosy”, saingy izao nahazoany vokatra tsara izao sahady. Atleta vao misandratra manana hoavy mamiratra izy, araka izany, raha izao fivoarany izao. Tsahivina fa efa nifaninana tamin’ny “CJSOI” teo amin’ny sokajy « cadette”, ny taona 2016, i Sidonie ary nahazo medaly volamena. Isan’ireo atleta niatrika fiofanana tany Sina izy ka izao nioty vokatra tsara izao, tamin’ity andiany faha-10 ny “Lalaon’ny Nosy” ity. Efatra taona izay no nidiran’i Sidonie ao anatin’ny taranja atletisma. L’article Atletisma – Fiadanantsoa Sidonie: fahombiazana avy hatrany ny fandraisana anjara voalohany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsenan’Anosibe: tsy eken’ny mpivarotra ny fanorenana tsena ao anaty “parking”

Nifanentana, avy eo, nifamotoana teo amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara na “parking” lehibe, mifanila amin’ny tsena, ny mpivarotra sasany etsy Anosibe, omaly maraina. Naneho ny tsy fahafaliany izy ireo manoloana ny fananganana tsena vaovao ao anatin’ny faritry ny “parking”.Raha tsiahivina, tsy vao izao ity resaka ity fa efa tato anatin’ny volana vitsivitsy izay. Efa nisy ny naneho hevitra tamin’ireo mpivarotra, raha mbola tsy nanomboka ny asa tamin’izany fotoana izany, saingy niakatra fitsarana mihitsy ny raharaha, satria nolazaina fa mamafy lainga izy ireo fa tsy hisy izany fanamboarana tsena izany eo amin’ny “parking”. Raha ny voalazan’i Marcelin, anisan’ireo mpivarotra mandà ity tetikasa ity, nampidirina am-ponja mihitsy ireo olona naneho hevitra ireo.“Amin’izao fotoana izao kosa, tsy misy azo afenina intsony ary voaporofo fa tsy nandainga ireo olona ireo… Izao iaraha-mahita izao ny fanamboarana tsena vaovao ato anaty “parking”, hoy izy. Tsy eken’ny mpivarotra ity tetikasa ity, satria tena ilain’ny tsena ny toeram-piantsonana ary io efa misy io aza, tsy mbola ampy. Voaporofo izany amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana, rehefa misy ny miditra sy ny mivoaka ny “parking”, araka ny fanazavan’ireo mpivarotra hatrany.Ankoatra izany, nambaran’izy ireo fa tombontsoa manokana ho an’ny mpanam-bola ity tsena vaovao ity fa tsy ho an’ny mpivarotra amoron-dalana velively, satria antapitrisa maro ny vidin’ny iray amin’ireo tsena vaovao. Ireo mpivarotra “madinika”, tsy mbola manan-toerana, no tokony hijerena vahaolana, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. “Raha tena ho an’ny mpivarotra amoron-dalana tokoa ny tsena, tokony hisy fifanarahana mazava momba izany”, hoy hatrany ireo mpivarotra.Nilaza ireto farany fa efa nitady ny fomba rehetra ahafahana mihaona sy mifampidinika amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, saingy tsy tontosa mihitsy izany. Ankehitriny, misy ny fanangonan-tsonia, halefa any amin’ny fiadidiana ny Repoblika, izay hiangavian’izy ireo mba hijery akaiky ity raharaha ity.Landy R. L’article Tsenan’Anosibe: tsy eken’ny mpivarotra ny fanorenana tsena ao anaty “parking” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fisolokiana 850 tapitrisa Ar: karohin’ny polisy i R.N

Karohin’ny polisy ireo mpandraharaha maro ao Toamasina amin’izao fotoana izao izay misahana momba ny fandraharahana eo amin’ny fanafarana vary avy any ivelany. Anisan’ny mpandraharaha mpanafatra vary i R.N ary milaza fa afaka manafatra izay tiana hafarana. Voalaza fa nifampiresaka taminy ireo mpandraharaha sasany ao Toamasina mba hanafatra vary miaraka aminy ka nomena azy ny vola. Nilaza ilay mpisoloky fa raha vao tonga ny vola dia alefany ary vetivety dia manainga avy any Pakistan ny sambo mihazo aty Madagasikara. nambaran’ireto mpandraharaha ireto fa efa mihoatra ny herintaona ny nanomezana an’i R.N ny vola hividiananavary avy any ivelany fa hatreto kosa tsy mbola hita popoka ny vary. Efa nametraka fitoriana eny anivon’ny polisy ekonomika ireo voasoloky mba hahafahana mikaroka ity mpisoloky ity. fantatra ihany koa fa i R.N koa no atidohan’ny mpanaparitaka vary lo ao Toamasina, miaraka amin’ny solontenam-panjakana ka mahatonga ny tsy fahitana ny tohin’ireny raharaha vary lo naparitaka tao Toamasina, araka ny loharanom-baovao voaray hatrany. Nambaran’ireo mpandraharaha fa 850 tapitrisa Ar ny lelavola nomena an’i R.N hividinana vary any ivelany.Sajo  L’article Fisolokiana 850 tapitrisa Ar: karohin’ny polisy i R.N a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Tambim-pisamborana any Farafangana :: Omena vola 2 tapitrisa ariary ireo mahatratra gadra nitsoaka
28/09/2020

Fankasitrahana amin’ny alalan’ny lelavola 2 tapitrisa ariary no hatolotry ny  fanjakana ho an’ireo olona manampy ny mpitandro filaminana amin’ny fahatratrarana an’ireo gadra nitsoaka tao amin’ny fonjan’i Farafangana. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, omaly, dia hahazo an’io valisoa io ireo olona manome vaovao ka hahafahana misambotra an’ireo voafonja 17 nitsoaka tao amin’ity fonja ity. Notsiahivin’ny minisiteran’ny Fitsarana fa « tokony hiaraka hisalahy amin’ny fikaroham-baovao mikasika an’ireo voafonja ireo ny olom-pirenena eny ifotony ». Niantso ny rehetra amin’ny fifanomezan-tanana amin’ny mpitandro filaminana ihany koa ny minisitera. Nampanantena ny minisitry ny Fitsarana fa « tsy ho voasazy na koa hoenjehina ireo gadra ireo raha miverina an-tsitrapo ao amin’ny fonja nitazonana azy ». Tamin’ny 23 aogositra 2020 no vaky ny fonjan’i Farafangana. Miisa 84 ireo gadra nitsoaka, ka ny 20 tamin’ireo no maty voatifitra ny 57 kosa no voasambotra sady efa naverina am-ponja. L’article Tambim-pisamborana any Farafangana :: Omena vola 2 tapitrisa ariary ireo mahatratra gadra nitsoaka est apparu en premier sur AoRaha.

Volley-Stefauto: efa nahita mpilalao hanatevin-daharana 
26/09/2020

Iray volana latsaka taorian’ny nitadiavan’ny mpanazatra mpilalao lava hanatevin-daharana ny ekipany, efa nahita ireo ankizy ireo ny klioban’ny Stefauto. Araka ny fanazavan’ny mpanazatra, mpilalao avy eto Antananarivo sy avy any Toliara ireo voafidy ireo, izay mbola tanora, saingy efa nilalao Volley avokoa. Tsiahivina fa  miisa telo izy ireo ary miandry fiantsoana, amin’izao fotoana izao. Alohan’ny 5 oktobra izao ity fiantsoana ity ary hanomboka amin’io ihany koa ny fanazaran-tena ho an’ny klioban’ny Stefauto. Marihina fa hanamafisana ny fanoherana sy ny fanafihana “contre” sy “attaque” ny tena nitadiavana azy telo vavy lava ireto. Azo lazaina ho mampiseho fahavononana tanteraka amin’ny fifaninanana ho avy, na ny nasionaly na ny iraisam-pirenena ny Stefauto ary taratra sahady izao fisian’ny mpilalao vaovao izao.Raha hiverenana ny tamin’ny taon-dasa, laharana faharoa ny Stefauto, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, faritra fahafito (CCCOI), rehefa nolavoin-dry zareo Renioney teo amin’ny lalao famaranana. Mpilalao mendrika teo amin’ny “Contre” i Armella ary mendrika teo amin’ny “reception” kosa i Emma. Mi.Raz L’article Volley-Stefauto: efa nahita mpilalao hanatevin-daharana  a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa: hanangana fotodrafitrasa ny Egypsianina
24/09/2020

Nanatitra ny taratasy fanendrena azy hiasa sy honina eto Madagasikara amin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly teny Iavoloha, ny masoivoho vaovao an’i Ejypta, i Usama Saeed Khalil. Voaresaka tamin’izany ny momba ireo endrika fiaraha-miasa azo tanterahina eo amin’ny firenena roa tonta. Anisany ny fananganana fotodrafitrasa sy ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Nihaona manokana tamin’ny filoha koa ny masoivohon’i Korea Atsimo, i Lim Sang-Whoo, nanambara ny fifaranan’ny fotoam-pisany eto amintsika. Anisan’ireo firenena nanampy an’i Madagasikara tamin’ny ady amin’ny Covid-19 izy ireo tamin’ny alalan’ny laboratoara LA2M eny Androhibe. Resy lahatra amin’ny ho fisandratan’i Madagasikara amin’ny politika apetraky ny filoha ity masoivohon’i Korea Atsimo ity.Synèse R.L’article Fiaraha-miasa: hanangana fotodrafitrasa ny Egypsianina a été récupéré chez Newsmada.

Fanaovam-baksiny iarovana amin’ny kitrotro: manomboka izao hatramin’ny faran’ny taona ny fatra faharoa
28/09/2020

Ho fiarovana ny zaza amin’ny aretina kitrotro, manohy ny ezaka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka aminy amin’ny fanaovana vaksiny ny zaza ahafahana mampitombo ny hery fiarovan’izy ireo. Tsapa fa nidina ny fahazotoan’ny ray aman-dreny mitondra ny zanany hatao vaksiny noho ny tahotra hifindran’ny valanaretina Coronavirus. Nampahatsiahy ny tompon’andrakitra fa nanomboka tamin’ity volana septambra hatramin’ny volana desambra izao ny hanatanterahana ny fatra faharoa (rappel) ny vaksiny fanefitry ny kitrotro, araka ny fanazavan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Eny amin’ny tobim-pahasalamana rehetra no ahafahana manao izany ary ireo zaza 15 hatramin’ny 18 volana efa nahavita ny fatra voalohany no misitraka izany. Misy ny fanentanana amin’ny afisy apetraka isam-pokontany ho fampahafantarana ny hetsika ara-pahasalamana. Hatao eny anivon’ireo CSB manerana ny distrika ny fanatanterahana izany fatra faharoa izany. Efa nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny distrikan’Amparafaravola, i Miarinarivo, Ambato Boeny, Antanifosy, i Manandriana, i Fenoarivobe, Ankazoabo sy Ambatofinandrahana.Vonjy A. L’article Fanaovam-baksiny iarovana amin’ny kitrotro: manomboka izao hatramin’ny faran’ny taona ny fatra faharoa a été récupéré chez Newsmada.

Andobomainty: rotiky ny balan’ny zandary i Tsiba dahalo raindahiny
26/09/2020

Lavon’ny balan’ny zandary i Tsiba lehiben’i Sopa, ilay dahalo maty voatifitry ny zandary ny 20 septambra 2020 lasa teo tao Andobomainty Besaraha kaominina Soahany, distrik’Antsalova. Tamin’ny fotoana nahatrarana an’i Sopa, nitantara ny lehibeny sy ireo namany ary ny asan-dahalo nataony tao amin’ny distrikan’Antsalova izy. Nidina ifotony ny lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandary Maintirano mba hampandry tany ao amin’ny distrikan’Antsalova. Nahitam-bokany izany, ny 25 septambra 2020 tamin’ny 5 ora maraina, tonga ny zandary hisambotra an’i Tsibangoy tao an-tranony ao Besaraha Soahany dia tora-defona sy tifitra avy hatrany no nasetrin’ity dahalo ity ireto zandary hisambotra azy. Namafy tifitra ny zandary namita iraka ka maty tsy tra-drano i Tsiba. Naratra ihany koa ilay sakazainy efa noraran’ny havany tsy hiaraka amin’ity dahalo ity noho ny asa ratsiny ka nentin’ny zandary namonjy hopitaly, saingy tsy avotra intsony ny ainy. Nogiazana ny basy vita gasy nampiasainy sy ny lefona ary mohara tratra tany aminy.Jean Claude    L’article Andobomainty: rotiky ny balan’ny zandary i Tsiba dahalo raindahiny a été récupéré chez Newsmada.

Fanatsarana ny tanàna: raikitra ny fanadiovan’ny CUA ny tatatra etsy Mahavoky
29/09/2020

Tsy ankiandriandry. Nanomboka, omaly avy hatrany, ny fanadiovana ireo tatatra teny Mahavoky Besarety sy ny manodidina. Haharitra 45 andro izany asa izany ary tafiditra amin’ny  fitsinjovana ireo mponina eny amin’iny toerana iny. Mitohy hatrany ny asa eto amin’ny CUA anampiana ny vahoaka.Etsy andaniny, niarahaba sy nirary soa ho an’ireo polisy monisipaly amin’izao faha-20 taony izao ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna. « Zava-dehibe amintsika ny famerenana ny hasin’ny polisy monisipaly. Fa mbola zava-dehibe amiko ny mahita anareo mifankatia sy miray hina ary miara-mientana, mifanohana amin’ny andraikitra sy ny adidy masina sahaninareo ho an’ny tanànantsika », hoy izy, tamin’ny fanangan-tsaina. Nanteriny fa mba ho reharehan’ny mponina sy fitaratry ny kaominina ary ho maodely amin’ny tanàna hafa eto amin’ny firenena ny polisy monisipalin’Antananarivo. Natsidiny sahady fa mitohy ny asa eo anivon’ny CUA ka anisan’izany ny fanombohan’ny fivorian’ny filankevitry ny kaominina, handinika ny tetibola.Synèse R.L’article Fanatsarana ny tanàna: raikitra ny fanadiovan’ny CUA ny tatatra etsy Mahavoky a été récupéré chez Newsmada.

Fofifa-OCP-Oniversite Mohamed VI: tsinjovina ny tantsaha
25/09/2020

Miantraika amin’ny seha-pamokarana maro ny Coronavirus. Ho fitsimbinana ny tantsaha no nahatonga ny Fofifa miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any Maraoka.Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo ny tetikasa iarahan’ny Fofifa sy ny Fondation OCP (Office chérifien des phosphates)  any Maroka ary ny Oniversite Mohammed VI Polyteknika any Maroka. Tanjona ny hiarovana ny tantsaha sy ny mponina any ambanivohitra, manoloana ny Coronavirus. Mitentina 87.600.000 euros ny famatsiam-bola avy amin’ny fondation OCP. Miara-miasa amin’ny lafiny teknika ny oniversite Mohamed VI sy ny Fofifa.Nilaza ny tale jeneraly, ny Pr Razafinjara Aimé Lala, fa hisy ny fanentanana ny tantsaha hiadiana ny coronavirus. Omena toromarika izy ireo, ny fepetra hatao hisorohana ny aretina rehefa miasa. Tsy tokony hatao intsony ny mandrora amin’ny zaran’angady rehefa miasa tany ohatra satria mampiely ny otrikaretina. Eo koa ny fandaharana sy fanentanana any amin’ny radio any ambanivohitra. Faritra dimy (Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Atsinanana) no hisitraka ity tetikasa ity.Manjaitra arotava sy manamboatra “gel”Nambaran-dRakotoarisoa Jacqueline, tale siantifika Fofifa fa hizarana milina fanjairana koa ny fikambanam-behivavy tantsaha hanamboarana arotava. Eo koa ny kojakoja, toy ny kofehy, ny ravin-damba 110 metatra sns… Ampianarina koa izy ireo hanamboatra tsiranoka fanasan-tanana (gel) sy savony fidiovana.Efa misy ny tetikasa fanaovana saríntany sy fitsirihana nofon-tany ho fanatsarana ny fambolena eto Madagasikara, iarahan’ny Fofifa sy ny Fondation OCP any Maroka.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fofifa-OCP-Oniversite Mohamed VI: tsinjovina ny tantsaha a été récupéré chez Newsmada.

Minisitra Andrianainarivelo Hajo: « Mila vina lavitra ny fitantanana tanan-dehibe »
25/09/2020

“Adidintsika ny fanatsarana ny fitantanana ny tanan-dehibe sy ny fanajariana ny tany. Apetraka ny vina, mijery lavitra kokoa, afaka 10 na 20 taona… Anisan’izany ny fanorenana tanàna vaovao sy ireny tetikasa Padeve, ahitana ny drafi-panajariana sy fanatsarana ireo tanàn-dehibe, tanterahin’ny fanjakana”, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP), Andrianainarivelo Hajo, tetsy Anosy, omaly.Ezaka avy amin’ny mpitantanaNotanterahina tamin’izany ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny IST Ampasampito sy ny MATP ary koa ny Fikambanan’ireo matihanina eo amin’ny  tanàn-dehibe (Apum). Nanterin’ny minisitra tamin’izany anefa fa tsy maintsy misy ny ezaky ny mpitantana ny tanàna, hanaraka ny fivoaran’ny toetr’andro.Tsy resaka diplaoma fotsiny ihany…Tafiditra ao anatin’izany ny fifampiresahana, ny traikefa hanatsarana ny fitantanana ny tanan-dehibe. “Tokony ho hita amin’izany ny fiofanana sy ny fikarohana ary koa ny avy amin’ny minisitera… Tsy resaka diplaoma fotsiny fa ilaina ny mampihatra izany ho amin’ny fampandrosoana. Mifanaraka amin’ny vina koa ny fiofanana”, hoy ihany ny minisitra.Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny telo tonta izao fifanarahana izao.Tsy misy fampandrosoanaAnisan’izany ny fanofanana ho injeniera ho amin’ny taotrano ho an’ny tanàn-dehibe ireo tanora eo anivon’ny IST ary efa an-dalana hivoaka tsy ho ela ny andiany voalohany. Ampiarahana amin’izany koa ny teknolojia sy ny zava-misy eto an-toerana. “Tsy misy ny fampandrosoana  raha  tsy miainga amin’ny tsirairay izany”, hoy Andrianainarivelo Hajo.Tsiahivina fa efa niara-niasa an-taony maro ny eo anivon’ny MATP sy ny IST. Fanamafisana sy fanohizana izany izao, miaraka amin’ny APUM.Synèse R.L’article Minisitra Andrianainarivelo Hajo: « Mila vina lavitra ny fitantanana tanan-dehibe » a été récupéré chez Newsmada.

Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie
24/09/2020

Mbola ny malala-tanana sy mpiray ombona antoka malagasy sy vahiny no mampihodina ny Akany Sainte Marie, amin’ny fandraisana an-tanana ireo ankizy tandindonin-doza. Efa-taona amin’ity taona ity ny nitondra fanampiana ho an’ny Akany Sainte Marie eny Mahamasina ny Office pharmaceutique malgache (Opham) sy ny fivondronan’ny toeram-pivarotana lehibe S2M ahitana ny Jumbo Score, ny Score ary ny Supermaki. Ampahany amin’ny vidin’ny ronono amin’ny boaty Bledina, amidy eny amin’ireo magazay lehibe, ireo ary hafaran’ny Opham no hakana ny tohana ara-bola, amin’ny alalan’ny tetikasa “Bledi-solidaire”. “Nitombo raha nitaha ny tamin’ny taon-dasa satria nahatratra 8 886 000 Ar ny vola natolotra ny mpitantana ny toeram-pandraisana tamin’ny boaty 4 443 lafo nandritra ny volana jona ary nomena ny anarana Bledi-solidaire”, hoy ny tale jeneralin’ny Opham, i Philippe Edraz, omaly teny Mahamasina. “Vonona izahay hanohy ny fanampiana ny akany satria tsapanay ny asa ataon’izy ireo ho an’ny ankizy Malagasy”, araka ny fanamarihan’ny tomponandraikitry ny S2M, i Marc Sheffer. Tandindonin-doza…20 ny ankizy raisina kilasimandry ao amin’ny akany amin’izao fotoana izao ary ankizy tandindonin-doza avokoa izy. Zanak’olona mamita sazy any am-ponja, iharan’ny herisetra na narian’ny fianakaviany, zanak’adala na koa mila fitsaboana akaiky ireo karakaraina ao amin’ny akany. Avy amin’ny didim-pitsarana avoakan’ny mpitsara manokana ny ankizy no mametraka sy manala ny zaza rehetra eo amin’ny Akany Sainte Marie. Ankoatra ireo, misy ankizy 86 hafa tohanana amin’ny sakafo sy ny fampianarana fa mijanona eny anivon’ny fianakaviany ihany. “Ampirisihina koa ireo ray aman-dreny 56 hanaovana tantsoroka hitady asa fivelomana ka ho afaka hikarakara ny zanany ara-dalàna”, hoy ny mpanorina ny akany. Raha mbola azo avela eny amin’ny ankohonany ny zaza, izay ny vahaolana idealy fa tohanana fotsiny izy ireo. Mamboly sy miompy, mivarotra, manao biriky ny ankamaroany ary mahavelombolo ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana.“Vao teraka ka hatramin’ny 10 taona no mahazo mijanona ao ny ankizy noho ny fotodrafitrasa voafetra ihany”, hoy ny mpanorina ny akany, Rahantamalala Irène. Rehefa tonga ny 10 taona, afindra amin’ny toeram-pandraisana sahaza ny zaza satria misy ny fiaraha-miasa amin’ny fitsarana. Mpiasa karazany maro manana ny fahaiza-manaony ny mampihodina ny akany. Mampiofana ny tanora koa ny akany mba hahaleo tena izy ireo any aoriana. 15 ny mpiofana raisina isan’andiany manao zaitra sy fikirakirana ny hazo. Misy fepetra ny fidirana amin’ny fanofanana momba ireo taranja roa ireo.Vonjy A.L’article Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie a été récupéré chez Newsmada.

Tenisy – “Roland Garros”: tafakatra i Tessah, hidona amin’i Aostralia i Irina
23/09/2020

Hiakatra  kianja ary hifanadrina amin’ny teratany aostralianina i Irina, anio. Efa any amin’ny dingana faharoa kosa i Tessah, taorian’ny fandresena azony, omaly.Ramialison Irina, hifanandrina amin’ilay Aostralianina, i Astra Sharma, eo amin’ny fihodinana voalohany, hiadiana ny “Roland Garros”, taranja tenisy. Fihaonana, hotanterahina amin’ity alarobia ity. Mpilalao efa manana filaharana ambony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity mpifanandrina aminy ity satria faha-132 maneran-tany.Efa imbetsaka niatrika fifaninanana iraisam-pirenena ary manana traikefa betsaka raha mitaha amin’i Irina. Efa nandrombaka ny “Fed cup”, niaraka tamin’ny ekipam-pireneny, ny taona 2019. Azo lazaina fa maozatra amin’i Irina ity mpifanandrina aminy ity. Raha tsiahivina, “wild card” na fanasana manokana ny azon’i Irina amin’ny fandraisana anjara amin’ity “Grand chelem” ity satria tsy tafiditra tao anaty filaharana ny tovovavy. Faha-370 maneran-tany mantsy no misy an’i Irina, amin’izao fotoana izao.Miakatra amin’ny dingana faharoaEtsy andaniny, nazava ny fandresen’i Tessah Andrianjafitrimo, nifandona amin’ilay espaniola, i Nuria Parrizas Diaz, manana ny filaharana faha-225 maneran-tany, omaly. Miakatra amin’ny dingana faharoa ity Malagasy ity rehefa nandresy “set” 2 noho 1.  Laharana faha-262 i Tessah amin’izao fotoana izao ary eo amin’ny faha- 21 taony.Marihina fa hiadiana toerana hidirana ao anaty tabilao lehibe ny fifanintsanana nanomboka ny alatsinainy lasa teo, izay hifarana ny zoma 25 septambra ho avy izao. Ny alatsinainy 27 septambra kosa vao tena hanomboka ny fifaninanana amin’ity “Grand chelem” ity. TorcelinL’article Tenisy – “Roland Garros”: tafakatra i Tessah, hidona amin’i Aostralia i Irina a été récupéré chez Newsmada.

Ramamimampionona Gérard : “Enti-mamokatra ny fihavanana”
23/09/2020

Midina ifotony ny eo anivon’ny  Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM). Nahitan’izy ireo taratra ny vokatry ny fampihavanana izany noho ny fandalana ny soatoavina, miainga amin’ny ”Kianja”.“Nidina tany Arivonimamo izahay, nitondra ny soatoavina enti-mamokatra. Azo atao hery na fitaovana iray enti-mamokatra ny fihavanana. Mba hahazoana mifanentana sy mifanome tanana izany, ahazoana mifanabe sy mifanitsy mba hiasa” hoy ny filoha lefitry ny CFM, faritany Antananarivo, Ramamimampionona Gérard, momba ny hetsika fampihavanana nataon’ny CFM tany amin’ny kaominina Arivonimamo, taorian’ny kaominina Andriambilany. Hahazoana koa mametraka filaminana ny fihavanana. Afa-miasa tsara rehefa ao anatin’ny fandriampahalemana.Anisan’ny zava-dehibe amin’izao fotoana izao ny fanaparitahana ny “kianja”. Atambatra ho “kianja” iray ny olona isam-bohitra afa-mifanentana, mifampiteny, mifampifehy, mifanaja, miara-miaina tsara. Lasa hery iray ho an’ny rafi-pitondrana ny fokontany. Nanome ohatra tsara ny any Arivonimamo nanao valintanana: namboly, niara-nanao lalana. Tonga nanome tanana ny hafa rehefa nahita: ny avy amin’ny governora, ny mpandraharaha…Miainga amin’ny tena ny fanorenana ny firenena“Tsy maintsy miainga amin’ny tenantsika ny fanorenana ny firenena”, hoy izy. Izay vao miakatra tsikelikely: miainga amin’ny fokontany, mankamin’ny kaominina, ny faritra… Famokarana ao anatin’ny fihavanana: ny fihavanana, mitondra famokarana ary ny famokarana, mitondra ny olona ho amin’ny fihavanana.Ezahina aparitaka tsikelikely ny fanomezana hasina ny fokonolona: ny zony, ny andraikiny, ny tombontsoany. Ao anatin’ny toe-tsaina sy ny soatoavina mandala fihavanana sy ny fahendrena malagasy ny anatanterahana izany.Fiaraha-mientana hisian’ny fifampifehezana ny fihavanana, fiaraha-miasa mba hiara-miaina ho amin’ny famokarana sy ny fampandrosoana eo an-toerana ary miitatra ho an’ny firenena.R.Nd. L’article Ramamimampionona Gérard : “Enti-mamokatra ny fihavanana” a été récupéré chez Newsmada.

Trafikam-biby :: Voasambotra ireo roa lahy mpihaza sokatra
29/09/2020

Saron’ny mpiasan’ny Madagascar National Park (MNP) sy ny zandary teo am-pihazana sokatra ireto lehilahy roa, tany Andranovao-Itampolo any Toliara I, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Nahitana sokatra am-polony maro tany amin’izy ireo. Nisy lehilahy iray hafa naman’izy ireo kosa no tafatsoaka. Noho ny fiverimberenan’ny varomaizina sokatra tany amin’ iny faritra Atsimon’ny Nosy iny no nanatanterahana hetsika manokana mba hahatrarana an’ireo mpihaza. Efa naverina tamin’ny MNP ireo biby, raha mitohy ny fikarohana ny naman’ iretsy roa lahy iretsy, taorian’ny famotorana nataon’ny tobimparitry ny Zandarimaria any Itampolo. L’article Trafikam-biby :: Voasambotra ireo roa lahy mpihaza sokatra est apparu en premier sur AoRaha.