Fanapahana noraisin’ny HCC: efa nampoizin’ny KMF/Cnoe ny «Azo raisina fa tsy mitombina»

News - Fanapahana noraisin’ny HCC: efa nampoizin’ny KMF/Cnoe ny «Azo raisina fa tsy mitombina»

News - Fanapahana noraisin’ny HCC: efa nampoizin’ny KMF/Cnoe ny «Azo raisina fa tsy mitombina»

Tsy niandry ela na efa mahazatra
aza. Nitondra va­lin-kafatra avy hatrany manoloana ny fanapahana
noraisin’ny HCC amin’ny fitoriana nataony ny eo anivon’ny KMF/Cnoe.
« Efa nampoizina ihany io fanapahana io taorian’ny fanambarana
nataon’ny filohan’ny HCC tamin’ny mpanao gazety, ny alarobia lasa
teo. Gaga izahay satria efa hita soritra mialoha ny valiny navoaka
ampahibemaso nefa toa mbola tsy nandeha akory ny fitsarana ny
raharaha », hoy ny fanambaran’izy ireo, omaly. Mazava anefa ny
fahitan’ny KMF/Cnoe ny raharaha fa voahitsakitsaka ny zo maha
mpifidy ireo olomboafidy sasany, mbola miandry ny valin’ny raharaha
eny anivon’ny filankevi-panjakana. Ho very zo ireo kaominina sasany
mbola tsy nahavitana fifidianana, hatreto.

Tsy azo ivalozana ny didin’
ny HCC

Tsy mahazo ny hasina sy ny zo
tokony ho azy ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana
sasany : faritra sy ny faritany, efa tokony hipetraka ka hanana
mpifidy nefa mbola tsy manana olona voafidy araka ny
Lalàm­pa­no­renana, hatramin’izao. Eo koa ny tsy fanajana ny
lalàm-pifidianana ny amin’ny fotoana tokony hanatanterahana
fifidianana…
Na izany aza anefa, niaiky ny KMF/Cnoe fa tsy azo ivalozana ny didy
sy ny fanapahana navoakan’ny HCC ka tsy maintsy hirosoana ny
fifidianana. Naneho fahavononana handray anjara amin’ny
fanaraha-maso ny fifidianana ho avy izy ireo. “Mba ho fifidianana
tsy handiso fanantenana. Manainga ny mpisehatra rehetra mba hanaja
sy hampanaja ny lalàna manan-kery”, hoy ihany izy ireo.
Tsiahivina fa samy tsy afa-bela amin’ny “Azo raisina fa tsy
mitombina” ny fitorian’ny KMF/Cnoe sy ny Anteni­mi­e­ran­­doholona,
navoakan’ny HCC, omaly.

Synèse R.

Article tiré de Newsmada

L’article Fanapahana noraisin’ny HCC: efa nampoizin’ny KMF/Cnoe ny «Azo raisina fa tsy mitombina» a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 17/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Lalaon’ny Nosy 2019: samy naneho ny hafaliany ny rehetra

Nivalona tanteraka, ny andiany faha-10 tamin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2019), notanterahina tany Maorisy. Any Maldives, indray ny fotoana manaraka, afaka efa-taona. Samy naneho ny heviny, tamin’ny fandraisany anjara, tamin’iny fihaonana iny avokoa ireo atleta sendra ny gazety Taratra. Niraisan’izy ireo, kosa ny hafaliana Sary Noré-Razafinjatovo Jean Honoré, mpanazatra taranja volleyball: “Efa niezaka sy niady mafy ny ekipa malagasy,nisy ny fivoarana, saingy ny fahamatorana sy ny fifantohana no tsy ampy. Tokony ho azontsika ny laharana voalohany, saingy nisy fahatahorana kely ihany ny mpilalao malagasy, indrindra nanoloana ireo mpijery marobe nanohana ny mpifanandrina. Na izany aza, faly fa afaka niatrika tsara ny lalaon’ny Nosy”. -Rasoambolanoro Ange, mpilalao taranja basikety: “Faly fa nahazo fandresena, nitondra medaly volamena ho an’i Madagasikara. Ity no lalaon’ny Nosy farany hatrehiko, afa-po aho ary mitsodrano ny zandry isany hahavita be amin’ity taranja ity. Mahay ny mpilalao malagasy ary afaka manandratra avo ny fanevam-pirenena raha manana tanjona ny handresy. Rehefa miady tsy maintsy mandresy”. -Randafiarison Rosina, atleta taranja fibatana fonjamby: “Nahafinaritra ny fiatrehana ny lalaon’ny Nosy tamin’ity andiany faha-10 ity. Efa nivonona ny hahazo fandresena ary nivoady mafy ny hitondra medaly volamena hiverina an-tanindrazana. Afa-po satria tratra ny tanjona ary afaka mirehareha fa nanandratra avo ny voninahi-pirenena. Tanjona hafa indray izao no banjinina amin’ny fiatrehana ireo lalao iraisam-pirenena maro”. -Razafindralambo Zo (Lino), mpilalao tenisy ambony latabatra : “Nahafaly ary nahafinaritra fa nahavita soa aman-tsara ny fifaninanana. Ambony be ny teknika ny lalao, tamin’ity raha oharina ny tamin’ny efa-taona lasa, indrindra ny taranja tenisy ambony latabatra. Soa fa nahazo vokatra tsara ihany isika izay tena nahafa-po satria tena ambony ny lentan’ny mpifanandrina. Manana tombony ny mpifanandrina amin’ny fanomanana, lesona azo notsoahina izany, tsy ampy intsony ny fiomanana enim-bolana mialohan’ny lalao, mila hampitomboina ihany koa ny fifaninanana iraisam-pirenena, mba hananana fahazarana”. Nangonin’i Mi.Raz  L’article Lalaon’ny Nosy 2019: samy naneho ny hafaliany ny rehetra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra vehivavy – “Cosafa cup 2019”: resin’i Malawi ny ekipam-pirenena malagasy

 Ratsy fanombohana ny ekipam-pirenena vehivavy, taranja baolina kitra. Resin’i Malawi avy hatrany mantsy izy ireo teo amin’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny “Cosafa cup 2019”. Niondrika tamin’ny isa mazava, 2 no ho 0, nanoloana an’i Malawi ny ekipam-pirenena malagasy, vehivavy, taranja baolina kitra, nandritra ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny “Cosafa cup women 2019”, ho an’ny vondrona A. Fihaonana notanterahina, omaly alarobia, tao amin’ny kianja Wolfson Stadium, Afrika Atsimo.Ekipa zakan’ny Malagasy tsara ry zareo Malaoita, saingy lesoka hatrany teo amin’ny famonoam-baolina. Nanjakan-dry Mampionona sy ry Christina mantsy ny fizaram-potoana voalohany. Nihanona tamin’ny valim-panafihana tsy dia natahorana loatra ry zareo Malawi. Nisaraka tamin’ny isa 0 no ho 0 ny roa tonta, teo amin’ny am-pialan-tsasatra.Niova tanteraka kosa ny endri-dalao teo amin’ny tapa-potoana faharoa satria toa hita nitambesatra tamin’ireo mpilalao malagasy ny havizanana. Nihanahazo hery kosa ny Malaoita ka nanao totoafo ny fanafihan’izy ireo.Na izany aza, nisy ihany ny baolina tokony ho tafiditry ny Malagasy, saingy voasakan’ny mpiandry tsatobin’i Malawi ny daka nataon-dry Sarah. Efa tany amin’ny 10 mn farany no namonoan’ny tovovavin’i Malawi ireo baolina roa nahazoany ny fandresena, tamin’ity andro voalohany ity. “Coup franc”, teo amin’ny minitra faha-81 ny baolina voalohany, izay tsy voatosik’i Nanah, mpiandry tsatoby malagasy tsara ka niantefa teny amin’ny tongotr’i Salome Vinkhumbu, nanosika izany tany anaty harato.Valim-panafihana kosa ny faharoa, tafiditr’i Zainab Kapanda, teo amin’ny minitra faha-89. Na teo aza ny faharesen’ny ekipam-pirenena malagasy, voahosotra ho mpilalao mendrika, tamin’ity, i Mamy Lalaina Prisca, kapitenin’ny ekipa.Hidona amin’i Kaomoro indray ny Malagasy, ny zoma ho avy izao, eo amin’ity fiadiana ny “Cosafa womens cup 2019” ity. Tompondaka L’article Kitra vehivavy – “Cosafa cup 2019”: resin’i Malawi ny ekipam-pirenena malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitantanana minisitera: tsy olom-baovao eo amin’ny fahasalamana ny Pr Rakotovao

Voatendry ho minisitra vaovao hisahana ny Fahasalamana ny Pr. Rakotovao Jean Louis, nisolo toerana ny Pr. Ahmad Ahmad. Efa nisahana andraikitra ambony maromaro teo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny tenany. Anisan’izany ny naha tale jeneralin’ny CHU rehetra manerana ny Nosy azy. Tsy tao anatin’ny minisiteran’ny Fahasalamana ihany fa efa tomponandraikitry ny famolavolana ny paikady sy ny raharaha sosialy tao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ity profesora ity. Tsy olom-baovao ho an’ny mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny fahasalamana izy satria nifanerasera matetika amin’ny tontolon’ny fitsaboana sy ny fahasalamana. Anio maraina ny famindrana ny fitantanana ho an’ny minisitra vaovao handray ny toerana eny amin’ny foiben’ny minisitera, Ambohidahy.Vonjy     L’article Fitantanana minisitera: tsy olom-baovao eo amin’ny fahasalamana ny Pr Rakotovao a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Zava-bita tsara indrindra: 2 600 000 ny hazo voavoly

Tsy mbola  nisy tahaka izao. Tanjona napetraky ny filoha ny hamboly hazo amin’ny velarana 40 000 ha isan-taona hameranana ny Nosy ho maitso sy hanalefahana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetry ny andro. “38 500 ha hatramin’izao no vita, araka ny tatitra taorian’ny fivorian’ny talem-paritry ny minisiteran’ny Tontolo iainana”, hoy ny fanazavan’ny talen’ny fambolen-kazo ao anatin’ny minisitera, i Jaozandry Jean Jacques, tany Mahajanga. Heverina fa ho tratra izany hatramin’ny faran’ny taona. Anisan’ny hamaliana ny vina ny fambolena zanaka ala honko any Boanamary, ao amin’ny distrikan’i Mahajanga II, ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Tafiditra ao anatin’ny Andro maneran-tany ho an’ny ala honko rahateo ny hetsika. 1 tapitrisa ny hazo voavoly tao anatin’ny tontolo andro, notarihin’ny minisitry ny Tontolo iainana, i Alexandre Georget. Niampy iray tapitrisa tany Befotaka Morombe  sy ny tany Diana miisa 600  000 izany. Nampiasa ny fomba “Tangnamaro” ny mpamboly hazo ka nirindra ny asa nahavitana ny velarana 200 ha. “Ny fahavononana politika mihitsy no tsy ampy”, hoy ny minisitra.Vonjy A. L’article Zava-bita tsara indrindra: 2 600 000 ny hazo voavoly a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Pilo kely #4483 aroson’i Mamy Be

L’article Pilo kely #4483 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

ONG Merci –Ambohijanaka: manangana rafitra hanampiana ny sembana

Miara-miasa amin’ny kaominina ambanivohitra maromaro ny ONG Merci manangana rafitra ho fanamaivanana ny sembana eo anivon’ny fiaraha-monina. Natao izany, omaly, any amin’ny kaominina Ambohijanaka, namoriana azy ireo hananganana rafitra fikaonan-doha ifotony (SLC)*, ka hisy solontena avy amin’ireo sembana ireo hitondra ny feon’izy ireo mahakasika sehatra maro,  toy ny lalam-pihariana. Fantarina avokoa izay sakana amin’izany fihariana hanampiana ireo sembana ireo.Nasian-teny ny tokony handrafetan’ny kaominina tetibola hanampiana ny sembana amina seha-pihariana misy azy, ka miaraka mandray andraikitra amin’ny rafitra najoro. Tokony hisy anjara toeran’ny sembana ny fotodrafitrasa, fitaterana, sekoly na fianarana asa, toeram-pitsaboana…Mifanakalo hevitra momba ireo ny ao amin’ny kaominina sy ny rafitra SLC, araka ny tetibola isaky ny laminasa.Nosoritan’ny ONG Merci fa tsy fanomezana ho azy ireo akory no atao fa fiaraha-miasa, manampy tosika amin’ny fahaiza-manao, satria misy ny sembana manana ny talentany manokana amina sehatra samihafa. Tsy vitsy amin’izy ireny, noho izany, afaka miasa tsara ary takina ny fanomezana azy karama ara-dalàna, sy ny fiarovana azy amin’ny lafiny sosialy. Tsy eo anivon’ny kaominina irery ihany koa fa hitadiavana mpanohana hafa. Tsy atao ivelan’ny fiaraha-monina izany ireo olona ireo.Tetikasa Voizo“Tetikasa Voizo izao atao izao, manomboka amin’ny fanadihadiana sosialy any amin’ny fokontany, ahahazoana antontanisa momba ny sembana sy ny andrasan’izy ireo. Miainga avy amin’izany ny fifanakalozan-kevitra amin’izay solontena mitondra ny feo, ka hanohanana azy”, hoy ny talen’ny ONG Merci, Rakotoarisoa Holiniaina. Marihina fa ity ONG Merci ity tohanan’ny Christoffel-Blindenmission, fikambanana najoron’i Christoffell, ny taona 1908, ho an’ny asa fampandrosoana mifototra amin’ny finoana kristianina. R.Mathieu SLC* : Structure locale de concertation.   L’article ONG Merci –Ambohijanaka: manangana rafitra hanampiana ny sembana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Bianco sy Croix Rouge Malagasy: apetraka ny ady amin’ny kolikoly

Vita omaly ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly sy ny Croix Rouge Malagasy (CRM). Nanatanteraka izany fifanarahana haharitra roa taona izany  ireo birao vaovao eo amin’ny  Croix Rouge Malagasy.Tanjon’ny fifanarahana ny hanentana  sy hampianatra ny mpiasan’ny  CRM  hanana fitondran-tena manohitra ny kolikoly sy hanana toe-tsaina mandala  izany. Eo koa ny  hampianatra azy ireo  handà ny endrika kolikoly amin’ny sehatra rehetra  hiasany.Ankoatra izao,  hanangana ny rafitra sy ny antanantohatra maneho ny mangarahara tsy hampisy  ny tranga kolikoly amin’ny fintanana sy sehatra rehetra ao amin’ny CRM.Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politikan’ny Bianco sy ny fandaharanasan’ny CRM ho amin’ny fitantanana mangarahara  sy marina izao fiaraha-miasa natao sonia, omaly izao. Hitondra fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena ihany koa izany raha voahaja antsakany sy andavany.Hanampy ny CRM, araka izany ny Bianco amin’ny fanatanterahana ny drafitrasa apetraka momba ity ady  amin’ny kolikoly ity.Raha tsiahivina, nisy nofy ratsy teo amin’ny CRM teo aloha mikasika fanodinkodinam-bola ary nahatonga ny mpamatsy vola hampiato ny fanampiana.Tatiana AL’article Bianco sy Croix Rouge Malagasy: apetraka ny ady amin’ny kolikoly a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fihariana: misy ny vahaolana hoan’ ny fambolena

“Azo atao tsara ny mamerina ireo avy any ambanivohitra mibosesika an-tanan-dehibe. Anisan’ny olana sy mahakivy azy ireo ny hakelin’ny vokatra miakatra. Nanao fikarohana sy vahaolana amin’izany izahay ka anisan’izany ny zezika”, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Zezika Malagasy (Zezima),  Ramangalahy Eric. Nanteriny fa mampitombo betsaka ny vokatra vokarina ny fampiasana izany ary efa maro ireo tantsaha resy lahatra ka mampiasa izany amin’izao fotoana izao. “Mamelona indray ny nofon-tany izy io ary miady amin’ny nofon-tany efa vizaky ny zezika simika. Tsy mifidy voly ary natoraly tanteraka”, hoy ihany izy. Efa nandalo fitiliana sy andrana samihafa ary efa nankatoavin’ny minisiteran’ny Fambolena.Nampitombo ny vokatra miakatra… Tsy vitan’izany fa efa voatsirika ny akora nanamboarana azy, toy ny zezim-pahitra sy ny fako ary ireo singa mandrafitra izany. “Nahazoana tombony betsaka ny voka-bary sy ny legioma nampiasana azy io nefa kely fotsiny ny fatra ampiasana amin’izany. Mampitombo ny vokatra rahateo ny fampiasana azy ary afaka mifangaro amin’ny zezika hafa koa”, hoy ihany izy. Nanomboka ny taona 2006 ny nihodinan’ny orinasa.  Manome asa ho an’ny olona miisa 35 izy ireo  ary Malagasy avokoa. Mamokatra 25 t isan-kerinandro eo izy ireo ary efa misy ny vokatra raisin’ny minisiteran’ny Fambolena manokana. Natao anaty fonosana 25 kg izany mba ho mora ny mitondra azy ary mba ho zakan’ny fahefa-mividin’ny mpamboly sy ny tantsaha.Synèse R. L’article Fihariana: misy ny vahaolana hoan’ ny fambolena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Eniap: nivoaka ny andiany « Fenitra »

Notontosaina, omaly ny famoahana ny andiany “Fenitra” tao amin’ny sekolin’ ny Polisim-pirenena manofana ho “Agents” sy “Inspecteurs de police” (Eniap) any Antsirabe. Miisa 1098 ireto Polisy vaovao ireto ka 100 ny Inspecteurs de Police (miisa 08 ny vehivavy) raha 999 kosa ny “Agents de Police”(miisa 94 ny vehivavy). Nitondra hafatra ho an’ireto andiany “Fenitra” ireto ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ny Controleur Général de Police Rafanomezantsoa Roger ary nilaza fa : “Ny galona izay napetraka teny an-tsorokareo androany (omaly io), dia tadidio tsara fa laharamboninahitra sandain’andraikitra avy amin’ny firenena malagasy. Aza viraviraina toa voro-damba fa vidio haja, vidio voninahitra, na amin’ny fihetsika, na amin’ny fiteny ary indrindra amin’ny fomba fiasa, ho reharehan’ny mpiray tanindrazana. Aza avela hiraviravy tanana eo anoloan’ny horohoro ny vahoaka .Aleo hafindra any amin’ny tontakely ny tahotra, efa ela niandrasana izany ny Malagasy”.Ankoatra ny famoahana ny andiany “Fenitra” dia nisy ihany koa ny fanatanterahana ny fandraisam-pibaikoana teo amin’ireo talem-paritra vaovao. Jean ClaudeL’article Eniap: nivoaka ny andiany « Fenitra » a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Kilemaina voatosika tao anaty taxibe : Tokony hiakatra Fitsarana omaly ny raharaha fa nahemotra indray

Azo lazaina fa fahakiviana tanteraka ny nahazo ny mpitory,izay tsy iza fa lehilahy manana kilema ara-batana ka niharan’ny lozam-pifamoivoizana teo Ambohijatovo, raha tonga teny amin’ny Fitsarana Anosy omaly maraina mba hiatrika Fitsarana. Nahemotra amin’ny 11 Febroary indray ny Fitsarana momba io lozam-pifamoivozana nahazo azy io rehefa nangataka izany ny mpisolovavan’ilay orinasam-piantohana miadidy ilay fiara nahavanon-doza taminy. Nahagaga ihany izany satria raha dinihina ny zava-misy dia tsy dia misy idiran’ny orinasa fiantohana loatra angamba ny zava-nitranga tamin’ity lehilahy ity izay tsorina fa mpamao gazety ao amin’ny orinasan-tserasera iray eto Andrenivohitra na dia sembana aza. Raha tsiahivina ny tantara dia fiara mpitatitra ao main’ny zotra 161 no mifanandrina aminy amin’izao raharaha izao. Araka ny fitantarany, niandry bus 161 teo Ambohijatovo (Arrêt eo amin’ny Boky) izy tamin’ny Alatsinaina 22 oktobra 2018 fa handeha hody avy niasa. Maro ny olona niandry teo ka mba isan’ny nisisika teo izy  rehefa naka sisiny amin’ny fijanonana iny ilay fiara. Hitan’ilay resevera izay tao anaty fiara fa sembana eo amin’ny tongotra ranamana ka noraisin’ity voalohany tamin’ny sandriny mba hanampiana azy hiakatra tao anaty fiara. Nandeha tampoka anefa ny fiara ary namonjy ny “fil” ilay hidina ho any Andohan’Analakely iny. Somary notarihin’ilay receveur kely sahabo ho iray metatra na mahery kely teo ity mpanao gazety ity, izany hoe lasa tafiditra any amin’ny faritry ny arabe, araka ny fitantarany.  “Nefa dia navotsiny aho avy  eo  fa ny varavarana no novonjeny nohidina haingana” hoy izy nanazava araky ny fitoriana izay napetrany teo anivon’ny Fitsarana. Maika hitsoaka ilay taxibe 161 iray hafa vao tonga avy aorianany angaha ilay mpamily fa sao tratran’ny “adversaire” no nampitroatra azy tampoka, raha araka ny filazan’ireo olona nanatri-maso. Vokatr’izay, niakarapoka nianjera tamin’ny arabe ity olona sembana ity. Fa ny tena loza dia saika voahitsaky ny fiara iray hafa nisosa tao aorian’io taxibe saika niarahany io, saingy tsara hisatra ity farany ka afaka nijanona tampoka. T.M.L’article Kilemaina voatosika tao anaty taxibe : Tokony hiakatra Fitsarana omaly ny raharaha fa nahemotra indray a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Fihanaky ny valanaretina maneran-tany: maherin’ny iray tapitrisa ireo matin’ny covid-19
28/10/2020

  Araka ny fanadihadiana nivoaka ny alatsinainy lasa teo, nahatratra 43 483 423 ny tranga Coronavirus voamarina amin’ny firenena 180 anatin’ny kaotinanta dimy. 1 159 300 ireo namoy ny ainy vokatry ny valanaretina. Firenena tena ahitana tranga maro sy olona maty betsaka ny any Etazonia, India, Brezila, Rosia ary Frantsa, araka ny fandalinana navoakan’ny teknisianina. Any Frantsa, ahafahana mandrefy ny fivoaran’ny valanaretina ny herinandro maromaro ho avy. Amin’izao fotoana izao, mitovy amin’ny zava-misy tamin’ny fotoana nirongatan’ny valanaretina voalohany tany an-toerana ny tranga ankehitiriny ka mampanahy ny mpitsabo sy ny mpitondra any an-toerana. Raha departemanta vitsivtisy no tena nahitana tranga maro niditra teny amin’ny hopitaly. Saika manerana ny firenena iray manontolo no misy ny tranga nandritra ny andro maromaro farany. Efa mihatra ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina any amin’ny faritra maro ary nahena ny ora ahafahan’ny toeram-pisakafoana misokatra ho an’ny toerana voatondro.Nangonin’i VonjyL’article Fihanaky ny valanaretina maneran-tany: maherin’ny iray tapitrisa ireo matin’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Mpanao gazety sy mpanakanto : napetraka ho zava-dehibe ny fifampitaizana
24/10/2020

Somary nihenjan-droa ny tady tato ho ato eo amin’ny mpanao gazety misahana ny kolontsaina sy ny mpanakanto na tsy hita niharihary be aza izany. Nisy ny dinika nifanaovan’ny solontenan’ny roa ton­ta, omaly tetsy amin’ny CGM Analakely, nandravonana ny lesoka. Nisongadina tao anatin’izany fa mila hampitomboina ny serasera eo amin’ny mpanao gazety misahana ny kolontsaina sy ny mpanakanto hifankahalala bebe kokoa eo amin’ny asa iandraiketan’ny tsirairay izy ireo. Hapetraka ho zava-dehibe ny fifampitaizana hisian’ny lamina sy ny fifandrohizan’asa eo amin’ny roa tonta. Nomarihin’ny solontenan’ny CGM Analakely fa mila mifampiresaka ihany koa ny samy mpanakanto sy ny samy mpanao gazety misahana ny kolontsaina satria endriky ny fifampitaizana sy ny fifampitan-kafatra ihany koa izany.Nanangona : HaRy RazafindrakotoL’article Mpanao gazety sy mpanakanto : napetraka ho zava-dehibe ny fifampitaizana a été récupéré chez Newsmada.

Minisitra Andrianainarivelo Hajo: “Hampandrosoana miaraka avokoa ny tanàn-dehibe”
30/10/2020

   Nifampiresahana tamin’ny mpiara-miombona antoka teknika sy avola (PTF) ny fampiharana ny politikam-pirenena ho amin’ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe (PNDU). Tafiditra amin’ny fanamarihana ny iray volana ho an’ny tanàn-dehibe isaky ny oktobra tahaka izao izany“Tsy misy tanàn-dehibe avahina fa ampiroboroboana sy ampandrosoana miaraka avokoa izy ireo. Efa misy ny tetikasa mandeha, amin’ny fampidirana rano madio fisotro sy herinaratra sy fotodrafitrasa samihafa. Ny fananganana tanàna vaovao. Tsy miandry fotsiny fa efa miasa”, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP), Andrianainarivelo Hajo, omaly tetsy Antanimena. Nanteriny fa ilaina ny fiaraha-miasa tahaka izao, ho amin’ny asa mivaingana amin’io PNDU io. “Tanjona ny hahafantarana ny olana amin’ny tanàn-dehibe. Mitombo ny isan’ny mponina. Mitombo koa ny olana ka tsy maintsy mivonona ho amin’izany isika. Efa tafakatra an-tanàn-dehibe ny fahantrana “, hoy ihany izy.Etsy andaniny, nitondrany fanazavana koa fa azo atao ny miroso amin’ny fandravana trano rehefa tonga amin’ny fanatsarana ahafahana manangana fotodrafitrasa goavana, toy ny fanorenana tanàna vaovao.Tokony hanara-dalàna avokoa ny rehetraNanteriny koa anefa fa misy ny fepetra tsy maintsy arahina amin’izany. Noraisiny ho ohatra ny fanamaboarana ny lalana “Rocade” mamakivaky tanàna. “Tanjona ny tsy hisian’ny fiantraikany ratsy amin’ny mponina ary ahina izy ireo”, hoy izy. Nambarany anefa fa napetraka ny arofanina tsy ahatongavana amin’izany amin’ny nametrahana ny drafitry ny tanàn-dehibe. Tsy tokony ho tonga amin’ny fandravana na ny fandrodanana isika fa fanatsarana aza raha manara-dalàna avokoa ny rehetra: ny kaominina, ny prefektiora, ny vahoaka, araka ny nambarany.Tsiahivina fa efa nisy ny atrikasan’ireo sekretera jeneralin’ny minisitera rehetra, ny avy amin’ny sehatra tsy miankina. Izao niarahana amin’ny PTF izao ary mbola ho avy ny an’ireo mpisehatra amin’ny tanàn-dehibe.Synèse R.L’article Minisitra Andrianainarivelo Hajo: “Hampandrosoana miaraka avokoa ny tanàn-dehibe” a été récupéré chez Newsmada.

Amnesty International: « Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja… »
27/10/2020

 Nampahatsiahy sady nitaky. “Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja”, hoy ny eo anivon’ny Amnesty, araka ny fanambarana nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra tamin’izany fa tena mitarazoka ny fanatanterahana ny fampanantenan’ny filoha Rajoelina Andry momba ireo voafonja. Notsiahivin’ny Amnesty International ny fitsidihan’ny filoham-pirenena teny amin’ny fonjan’Antanimora, herintaona tahaka izao, ny 31 okotobra 2019.Hentitra ny tenany tamin’izany manoloana ireo fepetra samihafa tokony hapetraka, ho fitsinjovana ny zon’ny voafonja sy ireo voatana vonjimaika am-ponja.Natsidiny tamin’izany ny amin’ny hanamboarana toeram-pamonjana vaovao. Efa an-dalana ny asa fanorenana eny Imeritsiatosika. Manampy izany ny namotsorana voafonja maromaro tamin’izany.Miisa 88 ireo gadra nandositra…Tsiahivina fa miisa 82 ireo fonja manerana ny Nosy ary manodidina ny 10 000 ireo voafonja zakan’ireo toeram-pamonjana ireo. Avo telo heny, maherin’ny 27 000, anefa ireo tanana vonjimaika am-ponja sy voampanga ka manefa ny saziny, amin’izao fotoana izao. Voatazona vonjimaika ny 54% amin’izy ireo noho ny fandikan-dalàna madinidinika. Anisan’ny antony mahatonga ny fandosiran’ireo gadra miisa 88 izany tamin’ity taona ity. Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny 22 tamin’izany, tany Farafangana.Synèse R. L’article Amnesty International: « Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja… » a été récupéré chez Newsmada.

RN 32 mihazo an’i Mandritsara: voasambotry ny zandary ireo jiolahy mpangalatra bizo
27/10/2020

 Noraisim-potsiny! Tratra ireo jiolahy roa mpangalatra bizo mipetaka amin’ny lalam-pirenena 32 mihazo an’i Mandritsara. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary ny alin’ny 10 oktobra misasakalina no nahasamborana ireto jiolahy ireto teny amin’ny RN 32 PK 145+200. Taorian’ny fanentanana nataon’ny zandary manamoroana iny lalam-pirenena iny no nanaitra ny andrimasom-pokonolona ao Antanankely, fokontany Andampihelo, ka nahafahana nisambotra ireto jiolahy ireto. Nandositra avy hatrany ry zalahy raha vantany vao nahatazana ireo fokonolona. Tavela kosa ny bizo miisa dimy niaraka amin’ny sarety saika hitondrana azy ireo. Tratra ny roa amin’ireo olon-dratsy taorian’ny fikarohana nataon’ny zandary avy ao amin’ny “poste fixe” Besakana sy ny polisy misahana ny fandikan-dalàna. Niaiky ny heloka vitany izy roa lahy taorian’ny famotorana nataon’ny zandary ka nanambaran’izy ireo tamin’izany ny namany roa mpiray tsikombakomba amin’izao asa ratsy izao. Nanamafy ny zandary fa efa maro ny fanentanana natao mikasika ny famongorana ity raharaha halatra bizo amin’ny lalam-pirenena any avaratra ity fa mbola misy ihany ireo minia mandika izany ka tsy maintsy ampiharina ny sazy ho an’ireo manapotika fotodrafitrasa sy fananana iombonana toy izao.Jean ClaudeL’article RN 32 mihazo an’i Mandritsara: voasambotry ny zandary ireo jiolahy mpangalatra bizo a été récupéré chez Newsmada.

Volley-CAVB: lany ho filoha ramatoa Bouchra Hajjij
27/10/2020

Tontosa soa aman-tsara, omaly, ny fifidianana eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina ny volley ball. Lany ho filoha hitantana mandritra fe-potoana fitondrana manaraka ramatoa Bouchra Hajjij, filohan’ny federasiona maraokanina ny taranja volley ball. Isam-bato 42 no ho 12, nanoloana ny Dr Amr Elwani, filoha nitantana teo alohany, ny azon’i Bouchra Hajjij, nandritra ny fifidianana, natao tamin’ny alalan’ny “visio-conférence”. Marihina fa nanomboka ny 24 oktobra teo ny kongresin’ny CAVB ka federasiona avy amin’ny firenena miisa 51 eto Afrika ny niatrika izany tany am-panombohana. 53 kosa ireo filohana federasiona nanatanteraka ny fifidianana, omaly alatsinainy, ary isan’izany ny filohan’ny federasiona malagasy ny volley Ball, Andriamanantena Tahiana Nirina. Tsy nanadino ny niarahaba ity filoha vaovaon’ny CAVB ity ny filohan’ny FMVB, i Tahiana Nirina, ary nirary soa azy. Tsiahivina fa firenena telo ny tsy niatrika ny kongresy (i Djibouti, i Erithré ary i Ginea), saingy firenena iray ihany kosa ny tsy nanatanteraka ny fifidianana, omaly.Nialoha ny fifidianana, nisy ny tatitra nataon’ny mpitantana teo aloha, mahakasika ny zava-bita nandritra ny fotoam-piasan’ny Dr Amr Elwani sy ny mpikambana niaraka aminy. Ankoatra ny zava-bita, nisy koa ny tatitra vola, efa fanao rehefa tapitra toy izao ny fotoam-piasana. Samy miandrandra fampandrosoana ho an’ny taranja volley ball eto Afrika ireo federasiona, amin’izao nahazoana filoha mpitantana vaovao sady vehivavy izao.Mi.RazL’article Volley-CAVB: lany ho filoha ramatoa Bouchra Hajjij a été récupéré chez Newsmada.

Marohazo Maintirano: maty voatifitry ny zanak’anadahiny ilay ben’ny Tanàna
27/10/2020

  Maty tsy tra-drano voatifitry ny dahalo tao an-tranony ao Marohazo, distrikan’i Maintirano, ny ramatoa, ben’ny Tanàna ao an-toerana, ny alahady alina teo manodidina ny tamin’ny 8 ora sy sasany. « Ny zanak’anadahiny ny nahavanon-doza nahafaty azy », hoy ny loharanom-baovao iray. Io lehilahy io izay malaza ho dahalo raindahiny. Nambaran’ny loharanom-baovao hatrany fa maty nisy nitifitra ny rahalahin’io dahalo io ka ahina ho nahatonga izany ilay ramatoa ben’ny Tanàna io.Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa mpivarotra zava-pisotro ilay ben’ny Tanànan’i Marohazo. Ny alahady teo, tonga tao aminy ny lehilahy miisa efatra nisotro toaka, isan’izany ilay voalaza fa dahalo. Nivoaka tao ilay lehilahy manodidina ny 25 taona voalaza fa zanak’anadahiny ary nitifitra ny lamosin’ilay ben’ny Tanàna intelo tamin’ny basim-borona. Maty tsy tra-drano ilay renim-pianakaviana 43 taona. Tsy naninona kosa ny zanany vavy 20 taona niaraka aminy tao. Nitsoaka sady nanao difi-danitra izy efa-dahy taorian’ny asa ratsiny. « Raha ny fanadihadiana natao, lonilony fianakaviana ny mety ho namonoana an-dramatoa ben’ny Tanàna », hoy ny fanazavan’ny zandary ao Maintirano. Nohamafisiny fa fantatra avokoa ny anaran’ireo efa-dahy tao an-tsena. Efa mandeha ny fanadihadiana ary andrasana ny tohin’ny raharaha.Henintsoa HaniL’article Marohazo Maintirano: maty voatifitry ny zanak’anadahiny ilay ben’ny Tanàna a été récupéré chez Newsmada.

Naiditra am-ponja vonjimaika i Johary Ravoajanahary
24/10/2020

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, omaly, ny tale jeneraly teo aloha ny Ofisin’ny radiom-pirenena sy ny televizionina malagasy (ORTM), i Johary Ravoajana­hary. Anisan’ny niahiahiana azy ny fanodinkodinam-bo­lam-panjakana teo anivon’ny fitantanana ny haino aman-jerin’ny fanjakana tamin’ny fotoan’ny fifidianana filoham-pirenena 2018 ireny. Anisan’ ny voarohirohy koa ny mpiara-miasa aminy iray, nisahana ny “marketing” eo anivon’ny ORTM. Tsiahivina fa nandray an-tanana ny fanadihadiana ny eo anivon’ny Bianco ary nano­lotra izany indray ny eo ani­von’ny Tendrom-pitsarana mi­sahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac). Nilatsaka ny didy, ny 14 oktobra teo, fa arahi-maso ara-pitsarana ny tenany. Niverina teny Ambo­hibao indray ny raharaha ary tonga tetsy 67 ha ka izao notanana vonjimaika am-ponja izao. Tsiahivina fa mpanao gazety, mpanao fanadihadiana, mpamokatra fandaharana i Johary Ravoajanahary. Efa indroa voatendry ho tale jeneralin’ny ORTM ny tenany. Teo ny tamin’ny Tetezamita, sy ny novambra 2016 hatra­min’ny avrily 2019.Synèse R.L’article Naiditra am-ponja vonjimaika i Johary Ravoajanahary a été récupéré chez Newsmada.

Pilo kely #4538 aroson’i Mamy Be
27/10/2020

L’article Pilo kely #4538 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Faribolana Sandratra: tontosa ny « Résidence poétique »
26/10/2020

Tontosa, ny asabotsy 24 oktobra teo, tany Manjakandriana, ny fihaonambe poetika na ny « résidence poétique », nataon’ny Faribolana Sandratra. 62 ireo mpiray faribolana avy amin’ny sampana manerana ny Nosy. Fotoana nandinihana ny fanatsarana sy ny pitsompitson-javatra tokony hotanterahin’ny rehetra. Ny maraina, nanterin-dRanöe fa tsy fikambanana fa “Faribolana” ny Sandratra. Miara-midinika, manapa-kevitra, miara-matanteraka, mifandranitra mba hampisandratra ny zavakanto, tsy ekena ny gaboraraka amin’ny fomba fisainana ho an’ny olona mikirakira haisoratra ».Ny hariva kosa, niompana tamin’ny famoaham-boky Edisiona Sandratra ny dinika.               “ Ampirisihina isika mpiray faribolana hiditra ao anatin’ny Omda. Heverin’ny olona ho ny hira ihany ny zavakanto kanefa be dia be ny mpangalatra asa soratra etsy sy eroa”, hoy i Nalisoa Ravalitera. Nofaranany tamin’ny “Zara fahalalana” hampiakatra avo kokoa ny lentan-tsoratry ny mpiray faribolana izany.Nangonin’i HaRy Razafindrakoto L’article Faribolana Sandratra: tontosa ny « Résidence poétique » a été récupéré chez Newsmada.

Antanifotsy : Olona iray maty navadiky ny sarety
28/10/2020

Olona iray no maty niharan-doza nohon’ny fahasimban’ny sarety noentiny ihany ny 26 oktobra teo tokony tamin’ny 9 ora sy sasany maraina, tao amin’ny toerana antsoina hoe Andafiantsimo fokontany Andoharanofotsy, Ambohitompoina distrika Antanifotsy . Avy nanatitra entana tany Ambohitompoina ity lehilahy ity ka teny an-dalana hiverina ho any Analamanitra Ambohitompoina izay toerana fiaviany izy izao tra-doza izao. Nitsoaka tampoka ny kodiaran’ny sarety ilany ankavia ka nitarika ny fianjerany tampoka avy teny ambony ary mbola ilay kodiarana izay nitsoaka io ihany no nahavoatsindry ny lohany ankavanana ka nitarika ny fahafatesany. Tonga tany an-toerana ny zandary avy amin’ny Poste Avancé Ambohitompoina niaraka tamin’ny lehiben’ny CSB II, nanao ny fiazahana ny razana. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’ny fiazahana nataon’ny mpitsabo ny tra-doza. Yv Sam L’article Antanifotsy : Olona iray maty navadiky ny sarety est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Antanifotsy : Olona iray maty navadiky ny sarety a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Maro ny kolontsaina very: mari-pandrefesan-javatra maro ny Coronavirus
28/10/2020

 Ankoatra ny maha valanaretina azy, mari-pandrefesana zavatra maro ny Coronavirus. Nandrefesana ny fahalalana, ny fahaizana, ny finoana, sns, ananan’ny tsirairay sy misy eo amin’ny firenen-tsamihafa. Fa anisan’ny goavana natsinkafon’ity valanaretina ity, ny nahenoina fa misy amin’ny Malagasy no tsy manana tanin-drazana ka tsy afaka niala ny toerana misy azy na mba te handositra ny covid-19 aza.Raha adika tsotsotra, misy amin’ny Malagasy no tsy manana ambanivohitra, toerana nipoirana, tany navelan’ny razana, tranon-drazana, sns. Sanatria, mety tsy hanana fasan-drazana ihany koa aza angamba ! Misy ny tratry ny tsy fidiny no tsy nananany tanin-drazana fa ny an’ny hafa mba ahoana ? Tao ireo nivarotra, misy ny zara fa manao tsidi-pahitra ka tsy fantatr’olona any an-toerana intsony ny fisiany, tsy vitsy koa ireo tsy miraharaha tsotra izao ny toerana nipoiran’ny razany.Efa ampy hamantarana ny zava-manjo sy mihatra amin’ny Malagasy sy ny kolontsainy ireo. Tokony hifanaraka amin’izay ihany koa ny vahaolana raha toa ka heverina fa olana ny Malagasy tsy manana tanin-drazana. Sa ve efa mizotra amin’ny lalan’ny « fandrosoana » izao ka tsy misy ilàna izay kolontsaina ?HaRy RazafindrakotoL’article Maro ny kolontsaina very: mari-pandrefesan-javatra maro ny Coronavirus a été récupéré chez Newsmada.