Fanaovana kolikoly :: Tratra ilay Sinoa mpivarotra entana sandoka

News - Fanaovana kolikoly :: Tratra ilay Sinoa mpivarotra entana sandoka

News - Fanaovana kolikoly :: Tratra ilay Sinoa mpivarotra entana sandoka

Raha tsy ny atidoha dia isan’ireo mpanambaka ny mpanjifa amin’ny fivarotana an’irony vata fahitalavitra miaraka amin’ny marika tsy tena avy any am-potony irony ity lehilahy sinoa, manodidina ny efapolo taona. Nikasa hanao kolikoly momba an’ireo entana anjatony tapitrisa ariary no nahatrarana azy. Naiditra amponja vonjimaika eny Antanimora, afak’omaly, ity teratany vahiny ity.

Mahatonga vata fahitalavitra eto Madagasikara ilay Sinoa. Ireo mpivarotra an-tsisin-dalana, toy ny eny amin’ny Petite Vitesse, no fantatra fa tena mpanjifany. Arakaraka ny kaomandin’ ireo mpivarotra ireo no hametahana ny taratasy miraikitra izay misy ny mariky ny vata fahitalavitra. Saika ireo marika malaza no apetaka amin’ireo fitaovana ireo ary mazava ho azy fa latsaka be ny vidiny saingy tsy misy ny antoka amin’ny fahatsarana sy ny fahatezan’ny vokatra.

Tamin’ny herinandro lasa iny no naharenesan’ny minisiteran’ny Varotra ny fisian’ny fanafarana vata fahitalavitra nataon’io Sinoa io. Nampanantsoina izy. Nampitain’ny loharanombaovao akaiky ny raharaha fa manodidina ny 500 tapitrisa ariary ny teti-bidin’ ireo entana efa nohafarana.

Vela-pandrika

« Niezaka nandamindresaka ka nikasa hanome vola an’ireo mpiasan’ny minisitera namotopototra azy io Sinoa io. Nampandre anay, nanoloana izany, ny teo anivon’ny minisitera. Nametrahana polisy nanao fanamiana sivily teny an-toerana niandry ny mety ho fihetsika sy resaka hataony. Tratra nanolotra vola 480 000 ariary ilay Sinoa ka nosamborina avy hatrany », hoy ny polisy eny Analakely izay nanao ny famotorana.

Voalaza fa mbola nanamby vola ny polisy nanao ny famotorana taminy indray izy. Io fanaovana kolikoly io no nanenjehana an’ity teratany vahiny ity. Nentina teny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC ny raharaha, afak’omaly.

Toy ny gadra rehetra

Mitovy amin’ny fepetra ampiharina amin’ny voafonja rehetra no iainan’ireny teratany vahiny mamita sazy na voatazona am-ponja vonjimaika ireny, araka ny nambaran’ny tompon’ andraikitra iray eo anivon’ny fandraharahana ny fonja. Manefa ny saziny hatramin’ny farany izy ireo saingy misy kosa ireo afindra na averina any amin’ny firenena niaviany, arakaraka ny fifanarahana ataon’ny fanjakana malagasy sy ny fanjakana vahiny raha misy ny fangatahana famindrana an’ireo teratany vahiny voasazy mankany amin’ny fireneny.

L’article Fanaovana kolikoly :: Tratra ilay Sinoa mpivarotra entana sandoka est apparu en premier sur AoRaha.

Fanaovana kolikoly :: Tratra ilay Sinoa mpivarotra entana sandoka

Nivoaka tamin'ny : 10/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fametrahana ny demokrasia: miantso fihaonana amin’ny mpitondra Ravalo

Nitatitra ny diany tany Bruxelles sy Allemangne ny  filoha  teo aloha, Ravalomanana,  tetsy Bel’Air.  Nivoitra tamin’izany ny fifampiresahany amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.  Fa eo koa ny raharaha anatin’ny firenena.  mombana lafin-javatra maro na ara-politika na ara-pampandrosoana. Nambarany  fa  vonona ny  sehatra iraisam-pirenena hanampy sy hanohana an’i Madagasikara, saingy nametraka fepetra. « Tsy maintsy hapetraka aloha ny tena demokrasia sy ny fifampitokisana, indrindra ny fitoniana politika. Ilaina  ny mifampiresaka amin’ny filoha am-perinasa Rajoelina Andry. Miandry izany ny sehatra iraisam-pirenena”, hoy  izy. Nanteriny fa efa nangataka fihaonana amin’ny mpitondra ny filoha teo aloha ary efa nisy ny fanelanelanana nataon’ny masoivoho vahiny iray  tao anatin’izany. Fantatra tamin’izany fa tsy manana olana amin’ny fitsanganan’ny mpanohitra ny fanjakana, saingy tsy azoazon’izy  ireo  kosa ny hitarihan-dRavalomanana izany, araka  ny  tatitra  ihany.  Manoloana izany, velon’ahiahy ny eo anivon’ ny Tim.  Efa nankatoavina ny  lalàna momba ny  satan’ny mpanohitra fa didy fampiharana sisa andrasana. “Hitadiavana hevitra hamboamboarina  indray  izany izao ka taitra hatramin’ny iraisam-pirenena. Tsy azo ihodivirana ny maha mpitarika ny mpanohitra ny Tim. Anisan’ny fepetran’ny mpamatsy vola sady mason-tsivana ahafahantsika mahazo vola  ny tany  tan-dalàna sy ny demokrasia. Hikatsaka  ny mahasoa  ny firenena isika fa tsy  resaka toerana”,  hoy ihany izy.Synèse R.  L’article Fametrahana ny demokrasia: miantso fihaonana amin’ny mpitondra Ravalo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Fifidianana filohan’ny federasiona (FMF): vita ny antsapaka ho an’ireo kandidà 5 mirahalahy

Fantatra ny laharan’ireo kandidà dimy mirahalahy, hifaninanana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Miandry ny fotoana hanatontosana, ny fifidianana sisa ny rehetra.Tontosa, tetsy amin’ny foibe toeran’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra, tetsy Isoraka, omaly, ny antsapaka amin’ny laharan’ireo kandidà dimy mirahalahy, ao anatin’ny biletà tokana, amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny federasiona. Nialoha izany, notsiahivin’ny filohan’ny “comité de normalisation”, Rtoa, Atallah Beatrice fa tsy azo raisina ny fitoriana nataon’ny kandidà Rabekoto Raoul Arizaka Romain, mahakasika ireo mpifaninana aminy, misahana andraikitra politika, izay voalaza ao anatin’ny fehezan-dalàna 13 sy 14 amin’ny lalàm-pitondran-tenan’ny fifa. Rehefa nodinihina hoy izy dia tsy azo raisina ilay izy satria tsy mbola filohan’ny federasiona ireo olona voalaza ireo. Efa nalefa any amin’ny federasiona iraisam-pirenena, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny “comité de normalisation”, mahakasika izany.Kandidà iray ihany no tonga nanatrika ity antsapaka ity dia i Mohamad Abdillah Abdou, fa solontena kosa ny an’ireo kandidà telo hafa. Tsy nisy kosa ny an’Andriamiasasoa Doda. Izy ireo no nanao ny antsapaka, nanoloana ny mpanao gazety. Laharana voalohany, Rabekoto Raoul Arizaka Romain. Faharoa, Mohamad Abdillah Abdou ary fahatelo, Andriamiasasoa Doda. Fahefatra, Rasoamaromaka Herilalaina ary fahadimy, Rakotomamonjy Neypatraiky. Toy io filaharany io ihany koa ny fandraisam-pitenenany, ao amin’ny onjam-peo sy ny fahitalavi-pirenena (RNM sy TVM), amin’ny fanolorany, ny fandaharanasany. Hanana 5 mn avy izy ireo, manomboka ny 8 aogositra, hanombohan’ny fampielezan-kevitra, hatramin’ny 22 aogositra, ho avy izao, izay maimaimpoana.Tsiahivina, fa hatao any Ifaty Toliara, ny asabotsy 24 aogositra, ny fifidianana. Tompondaka L’article Kitra – Fifidianana filohan’ny federasiona (FMF): vita ny antsapaka ho an’ireo kandidà 5 mirahalahy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Feno ny fepetra…

Manomboka feno tanteraka  ny fepetra ahafahan’ny firenena  miroso. Efa tafapetraka avokoa ireo Andrimpanjakana rehetra. Anisan’izany ny Antenimierampirenena vao nijoro farany teo. Manana ny maro anisa aoriany ny fitondram-panjakana, ankoatra ny hijoroan’ny  governemanta, afaka andro vitsy. Efa eo an-tanan’ny fitondrana avokoa ny fitaovana sy ny olona ary ny hoenti-manana  miaraka amin’ny vina  nampanantenaina. Efa nankatoavin’ny fianakaviambe  iraisam-pirenena ary  nahazo tohana sy famatsiam-bola, izao fitondrana izao. Tsy tokony  hisy  intsony ny fialan-tsiny ao anatin’izany  rehetra izany. Na koa fanilihana andraikitra  tahaka ny nataon’ny  teo aloha, fony  izy teo amin’ny fitondrana. Atombohy amin’izay àry  ny asa vavany avy  hatrany, hiantraika any amin’ny ativilanin’ny sarambabem-bahoaka  sy  ny mponina. Esory amin’ny toerany ary aza andeferana ireo tsy mahavita  ny iraka  sy  ny andraikitra ankinina aminy. Aleo hiavaka ny  vary sy ny tsiparifary na koa ireo zatra ny lalan-dririnina. Tsy tokony  hisy toerana  ho an’ny misalasala intsony  izao.Farito ary ataovy mazava  tsara ny lalan-kombana iaraha-mjery sy manombana. Aiza ho aiza  izao isika amin’ny lamasinina haingam-pandeha ? Inona ny  mbola misakana na koa manahirana ?  Fotoana izao hanatanterahana  ireo nambara  sy notanisaina, araka ilay fiteny nambara fa asa izy ity fa tsy kabary. Ahoana  ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy filaminana manoloana  ireo fitaovana maro samihafa efa azon’ny mpitandro filaminana ?  Ahoana ihany ity delestazy miverimberina mahazo  laka isanandro  tato  ho  ato ity ? Miantraika mivantana amin’ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny mihitsy  :  fiakaran’ny vidim-piainana, ny lafiny fitsaboana  sy ny fanadiovana izany, indrindra  eny anivon’ny hopitaly. Ny olan’ny fananan-tany tsy ahitana mangirana hatramin’izao. Ny mbola fihanaky ny kolikoly sy ny fomba hampihenana  izany amin’ny sehatra samihafa eto amin’ny firenena.   Ampahany  ihany  ireo. Tsy vitan’ny  fisehosehoana  fotsiny na  resabe intsony  izao fa  mitaky andraikitra amin’ny rehetra.  Tokony  hanomboka izany ary ho fitaratra ny  mpitantana isan’ambaratongany… Roso toy tsa mipody koa…  Efa feno  tanteraka ny fepetra  ka  tsy tokony  hisy  intsony ny olana  na fialana bala ?Synèse R.       L’article Feno ny fepetra… a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fametraham-pialana: hiantoka ny fampandehana-draharaha ny governemanta Ntsay C

Mety  tsy hihoatra ny faran’ny herinandro  izao. Tafapetraky ny Praiminisitra Ntsay Christian teny Iavoloha,  omaly ny  fametraham-pialany  sy ny governemanta tarihiny. Nankatoavin’ny filoha Rajoelina izany ary nisy avy  hatrany  ny didim-panjakana nivoaka ny amin’ny hiantohan’ity governemanta ity ny asa fampandehanan-draharaha andavanandro, mandra-pitsangan’ny governemanta vaovao na hamerenana azy ireo eo indray. Tombanana fa tsy ho ela izany fanendrena, miainga amin’ny maro anisa eny anivon’ny Antenimieram-pirenena  izany. “Tany tan-dalàna isika satria voalazan’ny  lalàmpanorenana araka  ny And  54 fa tendren’ny  filohan’ny Repobolika ny praiminisitra lehiben’ny governemanta rehefa mivoaka ny maro anisa  eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Manaja  izany  isika  ary manome  hasina ny demokrasia”,  hoy ny Praiministra nametra-pialana, i Ntsay  Christian,  tetsy  Anosy, omaly. Tsy mbola fantatra hatreto na hiova na hiverina amin’ny toerany avokoa ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta.Mitaky ankolaka ny handrena depiote ho lasa minisitra Na izany aza, efa natsidiky ny filohan’ny  Antenimiera,  Razanamahasoa Christine teny Tsimbazaza tamin’ny lahateniny, afakomaly fa tokony ho hita taratra ao anatin’ny governemanta hijoro eo ny firafitry ny Antenimiera. Na tsy mivantana aza, mety ho fitakiana ankolaka ny hisian’ny depiote hotendrena minisitra izany kabary izany. Mbola banga toerana roa aloha hatreto ny minisitera rehefa voafidy depiote ireo minisitra vehivavy :  Volahaingo Marie Therese misahana ny Fanabeazana sy ny misahana ny Mponina, Naharimamy Irmah. Tsiahivina fa 13 volana  izao raha ny fitambarany  ny naha-lehiben’ny governemanta ny tenany, taorian’ny hetsika nataon’ireo depiote 73 teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, ny volana avrily 2018 ka  hatramin’izao fametraham-pialany izao.  Fito volana ny nitantanany  ny governemantan’ny marimaritra iraisana ary enim-bolana kosa ny nisahanany izany andraikitra izany, taorian’ny fianianan’ny filoha Rajoelina, ny volana janoary teo.Synèse R. L’article Fametraham-pialana: hiantoka ny fampandehana-draharaha ny governemanta Ntsay C a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hetsiky ny Samifin; 161 ireo tranga famotsiam-bola

Nomarihina ny herinandro teo tetsy 67 ha ny  faha-10  taon’ny Samifin. Niady amin’ny famotsiam-bola sy famatsiam-bola amin’ny fampihorohoroana ity rafitra iray  ity  tao anatin’izany fotoana  izany.  Fantatra fa tafakatra 161 ireo tranga naharaisany fitarainana, tamin’ny taona 2018 raha toa ka 151 ny taona 2017.Na izany  aza anefa, mbola maro ireo olana sedrain’ny Samifin.  Anisan’izany ny tsy fahampian’ny mpiasa. Misy ihany koa ireo rafitra tokony hovana hahafahana manatsara ity sampandraharaha ity. Voafetra hatrany ny asa aman’andraikiny amin’ny fotoana sasany. “Tsy afaka mivelatra ny asanay satria rehefa voamariny hoe misy famotsiam-bola ny raharaha iray, ampiakarina any amin’ny fitsarana (chaine penale) fotsiny izany. Mijanona hatreo izany kanefa mety hiainga amin’izany ny kolikoly avo lenta  ary matetika mivadika ho raharaha very anjavony  ireny matetika”, hoy ny tale jeneralin’ny Samifin, Lamina Boto Tsaradia. Ankoatra  izany, efa mba nisy ihany ny ezaka natao satria nitombo isa ny fanamelohana ireo tratra nanao heloka,  araka ny nambarany ihany.Synèse R. L’article Hetsiky ny Samifin; 161 ireo tranga famotsiam-bola a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ala honko: tsara fiarovana izay tantanin’ny vondron’olona ifotony

Feno 20 taona izao ny nanaovana fanadihadiana momba ny ala honko eto amin’ny Nosy, niainga avy amin’ny lohahevitra hoe « Arovy ny honkontsika ankehitriny ». Fepetra iraisam-pirenena  noraisina izany amin’ny alalan’ny WWF.Nandritra izay 20 taona izay, tohanana ireo miasa eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana, ho fampitsaharana ny fanapotehana ny ala honko. Manana ny toerany manokana aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny fandaharanasa « Arovy ny honkontsika ankehitriny », iarahan’i Madagasikara, ny WWF, ny UICN*, sy ny minisitera ny Fiaraha-miasa momba ny toekarena sy ny fampandrosoana any Alemaina. Misy fiovana betsaka ny ala honko teo anelanelan’ny taona 1998 sy 2018 avy amin’ny sary nalaina teny amin’ny habakabaka. Fantatra tamin’izany fanadihadiana siantifika izany fa mihena io karazan-kazo io amin’ny faritra rehetra : 294 387 ha, ny taona 2000, lasa 236 400 ha tamin’ny taona 2018. Vitsy kosa ny rava any amin’ireo faritra arovana ahitana azy raha ampitahana any amin’ny faritra hafa. Fantatra ihany koa, niainga avy amin’izany fanadihadiana ihany, fa tsara fiarovana kokoa izay ala honko tantanin’ny vondron’olona ifotony. Nanomboka ny taona 2007, miara-miasa amin’ireo vondron’olona ifotony ireo ny WWF any amin’ny faritra Menabe, Melaky sy Diana. Raha atambatra, 50 000 ha ny ala tantanin’ireo vondron’olona ifotony ireo ; roa tapitrisa ny zanakazo novolena, nanomboka 2007 hatramin’ny 2017. Manampy tosika azy ireo, ny vondrona na fikambanana miisa 16 avy amin’ireo faritra ireo ihany. Eo koa ny fanohanan’ny WWF sy ny fikambanana hafa miasa ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana ny faritra.« Tsy mahomby izay fiarovana ny honko izay raha tsy eo ny fahalalana siantifika, ny politika sy ny lalàna mifanaraka amin’izany ary ny fampiharana azy », hoy talen’ny WWF eto Madagasikara, Ratsifandrihamanana Nanie. Ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny miankina amin’ny fisian’ny seha-pihariana hafa mampiakatra ny fari-piainan’ny mponina. Mbola tsy hita taratra izany hatramin’izao, raha ny fitombon’ny fandripahana  ala. R.Mathieu UICN* : Union internationale pour la conservation de la natureL’article Ala honko: tsara fiarovana izay tantanin’ny vondron’olona ifotony a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – « Major league soccer » : tafakatra amin’ny fihodinana faharoa ry Metanire

Nahazo ny tapakila hiakarany amin’ny dingana mana­raka eo amin’ny fifaninanam-pirenena amerikanina, taranja baolina kitra, na ny “Major league soccer” (MLS), i Romain Metanire sy ny Minnesota United Football Club. Ny ady sahala, 2 no ho 2, nifanaovany tamin’ny Colorado Rapids, teo amin’ny andro fahatelo, ho an’ny sokajy D, no nahatafita azy ireo. Fihaonana notanterahina, omaly alakamisy 23 jolay, tao amin’ny kianja ESPN Wide world of sports complex. Nitazona ny laharana faharoa ny Minnesota United FC, taorian’ity vokatra ity, ary ma­nana isa 5 rehefa nahavita ady sahala roa sy fandresena iray. Raha tsiahivina, nandresy ny Sporting Kansas City, tamin’ ny isa 2 no ho 1, teo amin’ny andro voalohany, natao ny 13 jolay, ary nisaraka 0 no ho 0 tamin’ny Real Salt Lake, ny 18 jolay, ary 2 no ho 2, tamin’ny Colorado Rapids, teo amin’ny lalao farany. Nitana ny laharana voalohany ho an’ity vondrona D ity ny Sporting Kansas City, ma­nana isa 6. Nihintsana, araka izany, ny Real Salt Lake, nahazo isa 4, sy ny Colorado Rapids, isa 1. Hidona amin’ny Columbus Crew SC, voalohany tao amin’ ny sokajy E, ry Metanire, eo amin’ny fihodinana faharoa. Lalao hotanterahina ny ala­robia 29 jolay ho avy izao ka hanafika any Colombus ry zalahy, amin’izany. Ho mafy ny lalao miandry ny Minne­sota United, amin’ity, satria ekipa andrarezina ary hilalao eo amin’ny kianja mahazatra azy izy ireo. Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao arahin’ireo teknisianina maro any Ame­rika, amin’izao fotoana izao, i Romain Metanire, noho ny tanjany sy ny fahaizany.TompondakaL’article Kitra – « Major league soccer » : tafakatra amin’ny fihodinana faharoa ry Metanire a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mozika mafana: manasongadina ny hafatra entin’ny hira i Zair

Tia mamaky boky Ravoajanahary Nancy, noho ny fahatsapany fa io ny fitaovana mahomby indrindra raha te hanovo fahalalana sy fahendrena. Mankafy mihira koa anefa izy, hatramin’ny fahazazany.Nanomboka tamin’ity taona ity, tapa-kevitra ny tovovavy fa hampivady ireo fitiavana roa ireo ka hanome lanja manokana ny hafatra raiketin’ny hira, araka ny fanazavany.Nisafidy ny anarana Zair izy, amin’ny maha mpanakanto azy, ary nanomboka namoaka vokatra, izay efa mandeha any amin’ny onjampeo sy ny fahitalavitra any, amin’izao fotoana izao. Vokatry ny fiarahany miasa akaiky tamin’ny Davalt Rwickords, nandrindra ankapobeny, sy i Caeli, mpamoron-kira, ny hirany voalohany.Efa ela ny naniry ho lasa mpihira i Nancy, saingy ankehitriny vao tanteraka izany. Efa niatrika fifaninanan-kira samihafa ny tovovavy ary ambarany fa nahazoany traikefa maro izy ireny, nentiny nanomana zava-baovao sy miavaka amin’izay efa ataon’ny hafa. Araka ny voalazany, efa manana hira maro vonona i Zair ary hezahiny havoaka tsikelikely izany.Anisan’ny mampiavaka ity tovovavy ity koa ny fanehoana hatrany ny maha Malagasy, indrindra amin’ny fomba fiakanjo, izay toy ny tsy voahaja intsony ho an’ny ankamaroan’ny mpiangaly mozika mafana, izay matetika zara raha mitafy. “Amiko, fanabeazana sy fitaizana ny mozika”, hoy izy. Mifantoka amin’ny fampahafantarana io vazony vaovao io i Zair, amin’izao fotoana izao.Landy R. L’article Mozika mafana: manasongadina ny hafatra entin’ny hira i Zair a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanahiana valanaretina: mitobaka ny fako  noho  ny fahatapahan-dalana

Mitoby ny fako eny amin’ny boriborintany fahenina. Antony nambaran’ny avy ao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ny fahatapahan’ny lalana ka tsy hahafahan’ny kamiao mpaka fako miditra.Anisan’ny tena lasibatra amin’ny fitobian’ny fako ny eny Ambatolampy Antehiroka. Efa amam-bolana no tsy nisy kamiao naka fako teny an-toerana. Miparitaka mibahan-dalana ary mamofona ratsy eran’ny tanàna ny fakobe. Ampahan-dalana kely sisa no azon’ny fiara alefa.Mihafihafy ny mpandeha an-tongotra. Tsy vitan’izany fa lasa manangon-drano amin’ny arabe izany fako izany satria manototra ny lakandrano tokony handehanan’ny rano maloto.Hamahana ny olan’ny fifamoivoizana ao amin’ny boriborintany VI, eo Ambodivonkely. Nandray an-tanana ny fanamboarana ny ampahan-dalana eo an-toerana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ao anatin’ny tetikasa lalankely. Ezahana hatao rarivato izany, araka ny fanazavan’ny lefitry ny delegen’ny Boriborintany faha-6, Randrianantoandro Sitraka. Misy ny fitaovana vaovao ampiasaina vao novidian’ny boriborintany anaovana izao lalana izao, ny ekipa teknika avy amin’ny boriborintany fahenina no manatanteraka ny asa. Mamaha amin’ny ampahany ny fitohanan’ny fifamoivozana eny Ambohimanarina sy ny manodidina ny fahavitan’ity ampahan-dalana ity, izay ahafahan’ny fiara manao hintsin-dalana, hoy ny fanazavana nomen’ny solontenan’ny mponina Ambodivonkely Ambohimanarina.Tatiana AL’article Fanahiana valanaretina: mitobaka ny fako  noho  ny fahatapahan-dalana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsipy kanetibe: nanamafy ny sazin’i Beryl i Claude Azema

Mazava ny resaka ankehitriny fa tena nosazin’ny federasiona iraisam-pirenen’ny tsipy kanetibe (FIPJP), Razafindrainiony Béryl, filohan’ny federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FMP). Nohamafisin’ny fampitam-baovao, nalefan’i Claude Azema, filohan’ny FIPJP, ho an’ny mpanao gazety eto Madagasikara, ny zoma 4 mey lasa teo, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny vaomieran’ny fitsipi-pifehena iraisam-pirenena, mandrara an’i Beryl, tsy mahazo misahana na mitantana tsipy kanetibe eto Madagasikara, mandra-pahafatiny. Tsy naharesy lahatra ireo mpikambana eo anivon’ny vaomieran’ny fitsipi-pifehezana ny fiarovantena, nataon’i Beryl, nandritra ny fihainoana azy, tany Almeria Espaina, ny alarobia 1 mey lasa teo. Nohenoina ihany koa Razafindrabe Jean-Luc, saingy hiankina amin’ny federasiona frantsay, ny fanapahan-kevitra mahakasika azy. Misy fiantraikany goavana amin’ny tsipy kanetibe ihany koa ity sazin’i Beryl ity, satria tsy miara-miasa amin’ny federasiona amin’izao intsony ny federasiona iraisam-pirenena, mandra-piandry ny fitsangananan’ny rafitra vaovao hitantana ny tsipy kanetibe malagasy, izay takin’ny FIPJP, hanaraka ny etika sy ny fenitra iraisam-pirenena. Mandra-piandry izany, ny federation sport boule malgache (FSBM), no solontenan’ny federasiona iraisam-pirenena, eto Madagasikara, araka ny nambaran’i Claude Azema. Nomarihiny tao anatin’ilay fampitam-baovao fa hampahafantarina ny minisiteran’ny fanatanjahantena malagasy (MJS) sy ny komity olympika malagasy (Com), ity sazy nomena an-dRazafindrainiony Beryl, ity. Tompondaka L’article Tsipy kanetibe: nanamafy ny sazin’i Beryl i Claude Azema a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Ady amin’ny valanaretina :: Haverina eny amin’ny tobim-pahasalamana ny fitsaboana ny Covid-19
21/09/2020

Omeo an’i Kaisara izay an’i Kaisara. Tapa-kevitra ny hamerina ny raharahampitsaboana eny anivon’ireo tobim-pahasalamana manerana ny Nosy ny fanjakana malagasy amin’izao dimy ambin’ny folo andro faha-15 ho an’ny hamehana ara-pahasalamana izao, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny fandaharana manokana tao amin’ny Fahitalavi-pirenena, omaly. « Hofoanana, tahaka ny teny Ivato sy Alarobia, ihany koa ny ivon-toeram-pitsaboana (CTC) eny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ka haverina eny amin’ny tobim-pahasalamana ny fitsaboana. Mitsahatra ihany koa ny asan’ny Borigady vonjitaitra manokana (BIS), nisy an’ireo miaramila nirotsaka teny an-kianja », hoy izy. Ankoatra izay dia hirosoana hatrany ny fampianarana ny Malagasy hiarahiaina amin’ny valanaretina Covid-19, amin’ny fampanajana an’ireo fepetra rehetra efa napetraka hatramin’ny dimy ambin’ny folo andro voalohany. « Voalohany amin’ izany ny tsy maintsy hanaovana aron-tava, ny fanajana an’ireo fihetsika misakana ny aretina ary ny fanasana tanana matetika. Mahavoasazy ny tsy fanajana izany », hoy izy. Efa manomboka miverina tanteraka amin’ny fiainana andavanandro ny olona saingy tsy mbola tena malalaka. « Hiverina tsikelikely amin’izany isika saingy mila miara-mientana kosa hanafoanana tanteraka ny valanaretina eto Madagasikara », hoy hatrany izy. Na izany aza anefa dia mbola voarara ny fivezivezena amin’ny alina, manomboka amin’ny 12 ora alina hatramin’ny 4 maraina, ho an’ny faritra Analamanga sy Diana. « Mihatra kosa ny fepetra manokana avy amin’ny ivontoeram-pibaikoana rejionaly, arakaraka ny fivoaran’ny toedraharaha », raha ny filazany. Mbola voarara ny famadihan-drazana, manerana ny Nosy. Isan’ireo fepetra noraisina ihany koa ny fanokafana an’ireo lalam-pirenena rehetra manerana ny Nosy ho an’ireo taksiborosy. «Amin’ny sabotsy 26 septambra no afaka miasa ireo fiara fitateram-bahoaka avy eto Antananarivo mihazo an’Antsiranana sy ny faritra Sava », hoy ny Praiminisitra. L’article Ady amin’ny valanaretina :: Haverina eny amin’ny tobim-pahasalamana ny fitsaboana ny Covid-19 est apparu en premier sur AoRaha.

Ho fitandroana ny fiarahamonina: mila fehezina ny biby tsy hanelingelina ny manodidina
23/09/2020

Araka ny toko faharoa miresaka momba ireo tabataba isan-karazany mety hanelingelina ny fiarahamonina ao amin’ilay “Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana”, mila fehezina ny feo mety hanakotaba ny hafa.Ao amin’ny sokajy fahefatra, andininy faha- 79 momba ny kotaba ataon’ny biby, tsy maintsy mandray fepetra manokana rehetra hisorohana ny fanelingelenana ny manodidina ny tompon’ny biby. Mila mampiasa amin’ny fomba rehetra hanerena ireo biby tsy hikorontana miverimberina sy mafy, toy ny fehivava, ny fanofanana, indrindra koa ny fampidirana azy an-trano raha hiala ny toeram-ponenana ny tompony. Voakasik’izany indrindra ny alika.Ao amin’ny sokajy faharoa ny momba ny fampiasana fitaovan-jaridaina maneno mafy. Ireo asa fanamboarana na ny fanaovan-jaridaina ataon’ireo olona manokana amin’ny alalan’ny zavatra na ny fitaovana mety hiteraka fanelingelenana ny manodidina noho ny hamafin’ny feo, toy ny fanapahana ahitra misy motera, ny fanapahana, ny fandavahana, ny fikikisana na ny fanapahana mekanika dia tsy azo atao afa-tsy amin’ireo andro fiasàna, amin’ny 8 ora 30 hatramin’ny 12 ora sy amin’ny 1 ora 30 hatramin’ny 7 ora 30 hariva. Eo kosa ny asabotsy amin’ny 9 ora hatramin’ny 12 ora sy amin’ny 2 ora hatramin’ny 5 ora hariva.Milaza ny andininy faha-78 fa tsy maintsy mandray ny fepetra rehetra ireo mponina amin’ny toeram-ponenana na ireo miankina aminy mba tsy ho voakorontan’ny feo avy amin’ny tranony ireo mpiara-monina manodidina, toy ny vata famoaham-peo, ny firaketam-peo, ny fitaovana fandrenesam-peo sy ny fahitalavitra, ny zavamaneno, ny fitaovana maneno, ny fitaovana an-tokantrano sy ireo feo ateraky ny fanaovana kiraro mafy faladia na fanatanterahana asa na kilalao tsy mifanaraka amin’ireo trano ireo.Tatiana AL’article Ho fitandroana ny fiarahamonina: mila fehezina ny biby tsy hanelingelina ny manodidina a été récupéré chez Newsmada.

Famindrana ny fitantanana ireo CTC amin’ny Ministerany Fahasalamam-bahoaka
23/09/2020

Nohon’ny fahaiza-mitantan’ny fitondram-panjakana dia nahitana fihenana ny isan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus. Noho izany dia nakatona tamin’ny fomba ofisialy omaly 23 Septambra 2020 ny ivon-toerana fandraisana ireo mararin’ny coronavirus (Centre de Traitement Covid-19) ao Mahamasina, izay ivon-toerana farany nandray ireo marary.  Ireo hopitaly lehibe arak’izany no mandray an-tànana ny fitsaboana ireo marary. Azo lazaina fa mifanaraka tsara amin’ny toe-java-misy eto Madagasikara izao fanakatonana ity ivon-toerana ity izao noho ny fahavitsian’ireo mbola mila fitsaboana.  Araka ny nambaran’Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Rakotovao Hanitrala Jean Louis dia ny fanakatonana ity ivon-toerana ity tsy midika akory hoe tapitra ny ady fa mbola mila manaraka ireo fepetra rehetra mba hitazomana izany vokatra tsara izany. Manomboka izao dia ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka no handray an-tànana izay mahakasika ity valanaretina ity ary nanamafy ireo tomponandraikitra fa hanohy ny ady sy hametraka ny paikady mahomby rehetra amin’ny fifehezana ity valanaretina ity ary ahafahantsika mandresy ny coronavirus. L’article Famindrana ny fitantanana ireo CTC amin’ny Ministerany Fahasalamam-bahoaka a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Minisitra Andrianainarivelo Hajo: « Mila vina lavitra ny fitantanana tanan-dehibe »
25/09/2020

“Adidintsika ny fanatsarana ny fitantanana ny tanan-dehibe sy ny fanajariana ny tany. Apetraka ny vina, mijery lavitra kokoa, afaka 10 na 20 taona… Anisan’izany ny fanorenana tanàna vaovao sy ireny tetikasa Padeve, ahitana ny drafi-panajariana sy fanatsarana ireo tanàn-dehibe, tanterahin’ny fanjakana”, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP), Andrianainarivelo Hajo, tetsy Anosy, omaly.Ezaka avy amin’ny mpitantanaNotanterahina tamin’izany ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny IST Ampasampito sy ny MATP ary koa ny Fikambanan’ireo matihanina eo amin’ny  tanàn-dehibe (Apum). Nanterin’ny minisitra tamin’izany anefa fa tsy maintsy misy ny ezaky ny mpitantana ny tanàna, hanaraka ny fivoaran’ny toetr’andro.Tsy resaka diplaoma fotsiny ihany…Tafiditra ao anatin’izany ny fifampiresahana, ny traikefa hanatsarana ny fitantanana ny tanan-dehibe. “Tokony ho hita amin’izany ny fiofanana sy ny fikarohana ary koa ny avy amin’ny minisitera… Tsy resaka diplaoma fotsiny fa ilaina ny mampihatra izany ho amin’ny fampandrosoana. Mifanaraka amin’ny vina koa ny fiofanana”, hoy ihany ny minisitra.Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny telo tonta izao fifanarahana izao.Tsy misy fampandrosoanaAnisan’izany ny fanofanana ho injeniera ho amin’ny taotrano ho an’ny tanàn-dehibe ireo tanora eo anivon’ny IST ary efa an-dalana hivoaka tsy ho ela ny andiany voalohany. Ampiarahana amin’izany koa ny teknolojia sy ny zava-misy eto an-toerana. “Tsy misy ny fampandrosoana  raha  tsy miainga amin’ny tsirairay izany”, hoy Andrianainarivelo Hajo.Tsiahivina fa efa niara-niasa an-taony maro ny eo anivon’ny MATP sy ny IST. Fanamafisana sy fanohizana izany izao, miaraka amin’ny APUM.Synèse R.L’article Minisitra Andrianainarivelo Hajo: « Mila vina lavitra ny fitantanana tanan-dehibe » a été récupéré chez Newsmada.

Lomano-MNS Valisoa: olona 6 hampianariny maimaim-poana
25/09/2020

 Raiki-tampisaka ao amin-dRasoanjanahary Valisoaniaina ny fitiavana milomano ka tiany hampitaina amin’ny mpiara-belona aminy. Araka izany, hanomboka hisokatra amin’ny volana oktobra izao ny fampianarany ny taranja lomano. Hisy ny fisarihana ataony ka olona enina hahazo ny fampianarana maimaim-poana, fisarihana hatao ny faran’ny volana izao. Raha ny fantatra, efa 30 taona izao ny niangalian’ity Maitre Nageur Sauveteur (MNS) ity ny taranja lomano ary lehibe tao amin’ny klioban’ny Cosbani izy. Nambaran’i Valisoa fa nankatoavin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ary ny Akademia Nasionaly ny Spaoro, ny maha Maitre Nageur azy.Marihina fa misokatra ho an’ny rehetra ny fampianarana. Fitaovana manaraka ny fivoarana sy ny fenitra iraisam-pirenena ny hampiasaina ary harahi-maso tsara avokoa ireo rehetra mianatra lomano, raha ny fanazavana hatrany. “Tiako ny lomano ary niainako nandritra ny taona maro fa tiako lavitra ny mizara izany fahaizako izany amin’ny hafa”, hoy ny Nambaran-dRasoanjanahary Valisoaniaina. Mi.RazL’article Lomano-MNS Valisoa: olona 6 hampianariny maimaim-poana a été récupéré chez Newsmada.

Mediatioran’ny Repoblika  : mitombo ny fitarainana voaray
26/09/2020

“Asa tsy maintsy tanterahina ny fanampiana ny olona mifandray amin’ny mpiasam-panjakana. Raha mandeha tsara ny asam-panjakana, tsy misy ny fitarainana. Mampalahelo fa mitohy ihany ny fitarainana noho ny tsy fetezana amin’izany, indrindra tamin’ny taona 2019: nitombo ny fitarainana”, hoy ny mediatioran’ny Repoblika, i Andréas Monique Esoavelomandroso, tamin’ny fanaovana tatitra ny asan’ny andrimpanjakana tarihiny, taona 2019-2020, teny Isoraka, omaly. Tafakatra 300 ny fitarainana voaray, taona 2019-2020, raha latsaky ny 200 izany teo aloha.Tena andraikitry ny mediatioran’ny Repoblika ny fanampiana ireo olona manao fitarainana aminy. Ny momba ny ady tany no tena misy, indrindra ny amin’ny fisotroan-dronono tsy mety milamina tsara. Mila fanamboarana ny lalàna avoakan’ny minisiteran’ny Tetibola sy ny fitantanam-bola, izay tokony ho fantatry ny olona mialoha. Eo ihany koa ny amin’ny ady tany, ny ady lova…Ny fandehanana any amin’ny faritra no tokony hataon’ny mediatioran’ny Repoblika amin’izao: fampahafantarana ny olona izay tokony ho fantany. Eo ihany koa ny fahampahalalana lalàna, izay mbola mila fanamboarana.R.Nd.L’article Mediatioran’ny Repoblika  : mitombo ny fitarainana voaray a été récupéré chez Newsmada.

DEGMIA-Toamasina: hovitaina anatin’ny fito volana ny taom-pianarana 2019-2020
26/09/2020

Taorian’ny fihaonana teo anivon’ny Copries, nandraisana toromarika avy amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony ho amin’ny tetiandron’ny fampianarana ambony ho an’ny taom-pianarana telo nifanesy, manao antso avo ny sojaben’ny departemantan’ny Degmia, amin’ny onversiten’ i Barikadimy- Toamasina, profesora Razanakolona Diny. Nambarany fa hitohy tahaka ny isan’andro ny fampianarana ary efa hofaranana ihany koa ny taom-pianarana 2018- 2019. Antsoina, araka izany, ireo mpianatra rehetra hanatitra ny dikan’ny taratasim-panadinana “copie” any aminy. Niantso ireo tokony hisoratra anarana, indrindra ireo manomana sy “Licence” sy “Masters” ny tenany. Hifarana ny 30 septambra ho avy izao ny fandraisana ny antontan-taratasim-panadianana, hivoaka aorian’izay ny vokatra ary hikatona ny taom-pianarana 2018-2019. Hiditra ny 2 novambra ny taom-pianarana 2019-2020, izay hovitaina anatin’ny fotoana fohy, manodidina ny fito volana. Hirosoana aorian’ izay ny taom-pianarana 2020-2021. Ho an’ny sampam-piofanana toekarena, lalàna, fitantanana, hisy ny fitsapam-pahaizana ho an ireo mpianatra hiditra taona voalohany. Misokatra koa ny fampiofanana ampitain-davitra ho an’ ireo efa miasa na tsy afaka hanatrika fampiofanana an-dakilasy, na ireo monina ivelan’ i Toamasina. Afaka misoratra anarana avokoa izy ireo ary hifarana ny 30 septambra izany.Fampiofanana arakasaHo an’ny fampiofanana arakasa, ho an’ ireo telo taona taorian’ny nahazoana bakalorea teo amin’ny lalampiofanana lalàna sy matematika, mifarana ny 30 septambra ho avy izao ihany koa ny fisoratana anarana “master professionnel en marchés publics”, izay mety hazahoana toerana maha talena fitantanana na izay mitovy lenta aminy eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana. Toy izany ihany koa ny fampiofanana fitantanana seranan-tsambo sy ny fampitaovana, efa hisokatra manomboka ny 8 oktobra izao ny fisoratana anarana. Ho an’ ireto farany, voalaza fa matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny PRMP, Smmc ary efa vita ihany koa ny fifampiresahana tamin’ny Spat. Hanampy ny Degmia eo amin’ny fiaraha-miasa hanatsarana ny fampiofanana hahazoan’ny mpianatra Master izy ireo.Tsy ho ela ny fivoahan’ny andiany eo amin’ny Master 2 anivon’ny departemanta Degmia.Sajo L’article DEGMIA-Toamasina: hovitaina anatin’ny fito volana ny taom-pianarana 2019-2020 a été récupéré chez Newsmada.

Tselatra
26/09/2020

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria 67, afakomaly ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny fanendahana sy fanaovana sinto-mahery eny 67 ha sy ny manodidina. Niainga avy amin’ny fitarainana nataon’ny lehilahy iray lasibatry ny fanendahana no nahafahan’ny polisy nanao ny fanarahan-dia sy ny vela-pandrika teny an-toerana. Nendahin’ilay jiolahy tao anaty fiara ny telefaonina avolenta niaraka tamin’ny vola. Nitsoaka avy hatrany ka nanenjika ity jiolahy ity ny polisy. Niaiky ny heloka vitany izy ka naiditra am-ponja vonjimaika. Mitohy ny fanaraha-maso ataon’ny polisy satria isan’ireo faritra malaza ratsy amin’ny fanendahana sy ny sinto-mahery iny faritra 67 ha iny. L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Fitsirihana vesatry ny fiara vaventy: tsy vonona hanara-dalàna ireo kamiao mpitatitra
22/09/2020

Nanao hetsika fitokonana teo amin’ny “Station de pesage” eo Ambohimalaza ireo mpamily kamiao, ny herinandro teo. Hita taratra ny tsy fahavononan’ny sasany ho amin’ny fanarahan-dalàna.Mitady hihoa-pefy ? Anisan’ny notakin’izy ireo ny fampitahana ny fandanjana natao tany Tsarakofafa Toamasina sy ny eo Ambohimalaza. Tsy azo natao anefa izany noho ny tsy fandehanan’ny jiro teo Ambohimalaza. Nangataka ihany koa izy ireo ny tsy hampidina ireo vesatra mihoatra entin’ny kamiao fa handoa onitra fotsiny ihany, araka didim-panjakana lah 27 252/2019, mametraka ireo fepetra sy sazy vaovao amin’ny fitsirihana ny vesatra eny amin’ny làlam-pirenena.Fijerena ny marimaritra iraisanaTsy misy intsony anefa ny “derogation” amin’ny tsy hanao ny fampidinana ny entana fa tsy maintsy ampidinina avokoa ireo entana amin’ny lanja mihaotra, ary aloa ny lamandy.Etsy an-daniny,  efa nisy koa ny fifampidinihina sy fifampiresahana teo amin’ny tompon’andraikitry ny ministeran’ny Fitaterana sy ny fizahan-tany ary ny famantarana ny toetr’andro  sy ny eo anivon’ny ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP)  niaraka tamin’ireo fikambanan’ny mpitatitra. Nojerena tamin’izany ny marimaritra iraisana ka nampitomboana ny vesatra ambony indrindra afaka entiny ao anatin’io didim-panjakana voalaza etsy ambony io.Tsy vonona hanara-dalànaTsy mivonona ny hanara-dalàna  izy ireo raha miainga amin’ny fihetsika ataon’ireo mpitatitra ireo izao. “Tsy mijery ny fikojana sy fitandremana ny fananana iombonana sy ny tombotsoan’ny be sy ny maro mpampiasa lalana”, hoy ny eo anivon’ny MATP.Tsiahivina fa natao hikajiana ireo fotodrafitrasan’ny làlana tsy ho simba mialoha ny fe-potoana napetraka ny famerana ny vesatra ambony indrindra azo entina amin’ny lalam-pirenena.Hampitomboana ny sazy…Araka izany, nanapa-kevitra ny MATP amin’ny alàlan’ny Agence Routière (AR), sampan-draharaha misahana ireo toerana fitsirihana vesatra fa hasiana fampitomboana ny sazy aloan’ireo mpitatitra tsy manaiky hampidina ny entana miohatra.Synèse R.L’article Fitsirihana vesatry ny fiara vaventy: tsy vonona hanara-dalàna ireo kamiao mpitatitra a été récupéré chez Newsmada.

Nitombo 1992 ny isan’ny efitrano fanadinana: tsy mihoatra ny 50 ny mpiadina iray efitra amin’ny BEPC
21/09/2020

Tsy mahazo mihoatra ny 50 ny isan’ny mpiadina anatin’ny efitrano fanadinana iray ho an’ny BEPC, ary nampitomboina 12 noho izany ny foibem-panadinana ary 1992 ny efitrano handraisana ny fanadinana amin’ity taona ity, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fanabeazana, i Sahondrarimlala Marie Michelle. Efa notsinjaraina isaky ny faritra ny fitaovana arotava sy ny gel ho an’ny foibem-panadinana ho an’ny mpiadina sy ny mpiasa rehetra mampihodina ny fanadinana BEPC. Tokony ho afaka miatrika ny fanadinana avokoa ireo rehetra voasoratra anatin’ny lisitra ary ny taratasy fiantsoana tsy azon’ny talen-tsekoly giazana fa azo vahana ny olana aorian’ny fanadinana. Nitaraina anefa ny tompon’ny sekoly tsy miankina fa lasa manararaotra ny ray aman-dreny ka manery ny tale hanome ny taratasy fiantsoana ho an’ny zanany na tsy nahaloa ny saram-pianarana volana maro aza. Tsy mandalo eny amin’ny sekoly intsony izy ireo manefa ny trosa aorian’ny fivalian’ny fanadinana ka lasa mibaby vesatra ny tompon-tsekoly. Ny minisitera mpiahy koa tsy manome na tohana kely aza tao anatin’ny fihibohana ho an’ny mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina, hoy ny tale nasionalin’ny sekoly miahy tena Association des instituts laïques pour l’éducation (AILE), Rakotomalala Célin. Nohamafisiny fa lasa miady irery ny sekoly tsy miankina ary tsy vitsy no nampiato ny asany ka tsy handray mpianatra intsony.Hiatrika ny taranja Malagasy sy ny tenim-pirenena hafa ho an’ny mpiadina tsy manao malagasy ny tapany maraina, hitohy amin’ny SVT ny hariva. Mbola haharitra hefarana ny BEPC.Vonjy A.   L’article Nitombo 1992 ny isan’ny efitrano fanadinana: tsy mihoatra ny 50 ny mpiadina iray efitra amin’ny BEPC a été récupéré chez Newsmada.

Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis
24/09/2020

Izay vao tena fantatra fa misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Ankoatra izay, tsy manantena vokatra loatra amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny tenany.Novakin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, ampahibemaso tao amin’ny tambanjotran-tserasera fa misy ny tsy fifankahazoana eo aminy sy ny mpikambana sasany ao amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Notsindriny mihitsy fa olona telo ihany amin’ireo folo mandrafitra ny mpikambana eo anivon’ny komity mpantanteraka no tena tsy mitovy fomba fijery aminy, amin’izany.Raha tsiahivina, tsy vao izao akory no nisy ity tsy fifankahazoana eo amin’i Nicolas Dupuis ity sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra fa efa hatry ny ela. Anisan’ny nampifanolana azy voalohany ny resaka vola azon’ny Barea, tamin’ny “Can 2019”. Teo ihany koa ny resaka fanamiana hanaovan’ny ekipam-pirenena Malagasy. Ary ny farany teo, ny lalao firahalahiana, hanomanana ny fihaonana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2022”. Misisika mafy ny hanaovana fihaonana firahalahiana amin’ny Swift Hesperange, ekipa D1 any Luxembourg, mantsy ingahy mpanazatra raha tsy manaiky izany kosa ireo mpikambana sasany ao amin’ny federasiona.Vokany, nilefitra ihany i Nicolas Dupuis ka nanaiky fa ny Etalons-n’i Borkina Faso no hihaonana amin’izay fanomanantena izay. Tsy nijanona teo ny olana fa vao mainka nampisy disadisa indray ny famoahana ny lisitr’ireo mpilalao mandrafitra ny Barea. Ny tale teknika nasionaly sy ireo mpikambana eo anivon’ny FMF mantsy no nampahafantatra izany tamin’ny mpanao gazety fa tsy i Nicolas Dupuis. Ankoatra izay, tsy manantena fandresena amin’ny Elefantan’i Cote d’Ivoire i Nicolas Dupuis fa miantehitra amin’ny lalao hikatrohana amin’i Etiopia ny hamaritana ny ho lalan’ny Barea.Mikasika ny lalao firahalahiana, eo am-panaovana fangatahana amin’i Maraoka ny federasiona ankehitriny amin’ny hamindrana ny fihaonana eo amin’ny Barea sy ny Etalons. Efa nofoanana ilay any Portugal noho ny fiakaran’ny tahan’ny valanaretina Covid-19. TompondakaL’article Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis a été récupéré chez Newsmada.

Loza teny am-panasan-damba :: Niara-lasan’ny rano izy roa vavy, mpizaobavy
23/09/2020

Lasan’ny rano tampoka tany Andalotsimaka-Ambohijanaka i Tiana sy Rasoamalala Victorine, tamin’ny alahady 20 septambra maraina lasa teo. Nanasa lamba izy roa vavy. Vita ny lamba dia nisasa i Tiana. Lasa tampoka tany anaty rano anefa izy. Nandeha nanavotra nisintona azy ny zaobaviny Rasoamalala Victorine no tsy tafaverina fa lasa tany anaty rano ihany koa. « Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo no nitranga ny loza. Olona sendra nandalo no nahita azy roa vavy samy lasan’ny rano, ka nampandre ny teo amin’ny manodidina. Tsy nisy nipoitra intsony izy ireo rehefa nojeren’ireo mponina teo amin’ ny manodidina. Nanapa-kevitra ny hiantso mpamonjy voina izahay, taorian’izay. Hita ny vatana mangatsiakan’i Tiana rehefa nokarohin’ireo mpamonjy voina. Mitohy, hatramin’izao, kosa ny fitadiavana an-dRasoamalala Victorine, vadiko », hoy Rajeankri Modeste, omaly. Tsy very fanantenana amin’ny hahitana am-badiny izy. Nandany andro nikaroka an’i Victorine Rasoamalala ny mpamonjy voina, ny alahady tontolo. Mbola niverina izy ireo, afak’omaly, saingy tsy nahitam-bokany. Ireo fokonolona teo amin’ny manodidina no nifanampy tamin’ny fanohizana ny fikarohana, omaly tontolo. Valo metatra « Nisy ampahany taminay no nandeha tany amin’ny tetezan’Ankadindratombo, vao maraina nanomboka tamin’ny 5 ora. Nizotra nijery sao natsingevan’ny rano ny vatany. Ny ampahany hafa tamin’ny fokonolona sy ny fianakaviana kosa nampiasa hazo lava hatrany amin’ny valo metatra nasiana farango noentina tamin’ny lakana nisavana ny tao ambany rano saingy samy tsy nisy nahitam-bokany ireo », hoy ireo mponina nanampy. Samy nitanjozotra namonjy fodiana ireo mponina sy fianakaviana rehefa tonga ny tamin’ny 5 ora hariva, omaly. Nilaza ny tsy hitsahatra anefa amin’ny fikarohana, mandra-pahita an’i Victorine izy ireo. « Miangavy sy mitalaho amin’ny mpamonjy voina izahay mba hanampy hatrany amin’ny fikarohana raha mbola azo atao », hoy izy ireo nanao antso avo. L’article Loza teny am-panasan-damba :: Niara-lasan’ny rano izy roa vavy, mpizaobavy est apparu en premier sur AoRaha.