Fananganana ny faritra faha-23: mangataka ny hiaraka amin’i Vatovavy ny any Ikongo

News - Fananganana ny faritra faha-23: mangataka ny hiaraka amin’i Vatovavy ny any Ikongo

News - Fananganana ny faritra faha-23: mangataka ny hiaraka amin’i Vatovavy ny any Ikongo

Tsy mbola milamina ny
fametrahana ny faritra faha-23 eo amin’i Vatovavy sy i Fitovinany.
Nivory tao amin’ny « Tranobe satrokefa » ny 8 oktobra teo ny
taranaka Ravaloarivo, Ndrenony avy any Ikongo sy ireo ampanjaka avy
any Mananjary, Ambohitsara ary Nosy varika sy
Ifanadiana.  

Nambaran’izy ireo ta­min’izany fa
tokana i Vatovavy ary iray tsy mivaky ka nanaovan’izy ireo antso
avo ho ren-tany, ren-danitra amin’ny alalan’ireo ampanjaka ireo
izany. Nan­terin’izy ireo koa fa miaraka amin’i Vatovavy ny any
Na­morona, araka ny fangatahana nataon’ireo ampanjaka. « Matoky
izahay Andria­matoa filoha fa manana anao satria tato amin’ny
« Tranobe masina » no na­naovana fanambarana fa omena ny faritra
Vatovavy ny any Ikongo raha tafaverina amin’ny toerana ianao.
Hiaraka amin’Ikongo ny any Ifanadiana sy Nosy Varika. Tafiditra ao
anatin’izany koa ny any Namorona ary renivohitra kosa i
Mananjary », hoy izy ireo.
Tantara sy kolontsaina ary fomba…

Nanterin’ny fanambaran’izy ireo fa
tsy ampy ny fijerena ny fizaram-paritra ara-jeografia. « Ilaina ny
mijery lafin-javatra hafa sy marolafy. Tsy afa-misaraka amin’i
Vatovavy izahay raha ny tantara sy ny kolontsaina », hoy ihany ny
fanambarana. No­tanisaina tamin’izany fa mi­tovy ny fomba
amam-panao sy ny ara- drazana. Midika ny maha iray ka tsy azo
sarahina izany, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. « Mitovy ny
otrikarena eo amin’ny distrika efatra : Harena an-kibon’ny tany sy
ny voly fanondrana. Tsy misy tombontsoanay mihitsy tamin’i
Fitovi­nany nandritra ny taona maro. Mety aminay ny miaraka amin’i
Vatovavy mba hampilamin-tsaina ny vahoaka. Hamafisinay fa miaraka
amin’i Vatovavy ny any Ikon­go…», hoy izy ireo. Nana­sonia izany ny
Ndre­nonibe, Razafimandimby Bertrand.

Synèse R.

Article tiré de Newsmada

L’article Fananganana ny faritra faha-23: mangataka ny hiaraka amin’i Vatovavy ny any Ikongo a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 17/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Seranam-piaramanidina – Sambava: ankizilahy saika voafaokan’ny fiaramanidina

Tandrevaka ! Ankizilahy roa 10 taona, avy nividy solika tamin’ny damiza tamina tobin-tsolika iray no niampita tampoka toy ny fanaon’izy ireo eo amin’ny seranam-piaramanidina ao Ambodisatrana Sambava, ny talata tamin’ny 4 ora tolakandro lasa teo. Tamin’izay indrindra anefa, nisy fiaramanidina hiainga hihazo aty Antananarivo nefa izy roa, nanivaka tampoka ny piste handehanan’ilay fiaramanidina. Vokany, tafita ny iray raha tavela teo amin’ny lalana handehanan’ilay fiaramanidina kosa ilay ankizilahy iray niaraka tamin’ilay damizana misy solika. Ilay fiaramanidina anefa tamin’io fotoana io, efa nikasa hanao ny sidina. Hatairana ny an’ny rehetra raha nahita izany satria saika zava-doza ny niseho. Ireo mpiasa misahana ny seranam-piaramanidina no niditra an-tsehatra nanala haingana ilay ankizilahy niaraka tamin’ny solika hisorohana ny loza. Azo lazaina fa somary goragora ihany ny lafiny fiarovana ity seranam-piaramanidina ao Sambava ity. Na ireo mponina eo amin’ny manodidina aza, manahy be ihany amin’izay lafiny izay satria misy tanàna manamorona ny seranam-piaramanidina. Tokony hojeren’ny tompon’andraikitra akaiky ny fepetra rehetra hisorohana ny loza toy izao, indrindra amin’ny fisiana tanàna manamorona ny seranam-piaramanidina toy izao. Ahina hisy fiantraikany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny toy izao raha tsy misy ny fandraisana andraikitra.Jean ClaudeL’article Seranam-piaramanidina – Sambava: ankizilahy saika voafaokan’ny fiaramanidina a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Baolina lavalava

Anisan’ny delegasiona malagasy hanainga farany ho any amin’ny Lalaon’ ny Nosy, any Maorisy, ny ekipam-pirenena eo amin’ny taranja baolina lavalava. Miisa roa ambin’ny folo ireo mpilalao handeha hiaro ny voninahi-pirenena miaraka amin’ny mpitsara roa sy mpanazatra roa. Amin’ny 23 sy 24 jolay izy ireo vao hiatrika fihaonana. Hifandona avokoa ireo firenena efatra mandray anjara (Madagasikara, Maorisy, Mayotte, La Réunion). L’article Baolina lavalava est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Talenta vaovao: mitrandraka ny “zouk love” i Dyva

Toy ny ankamaroan’ny ankizy, tia mihira, raha fony mbola zaza, Razananoro Mireille William, tovovavy avy any Antsirabe, saingy lehibe tany Arivonimamo any. Tsy navelany ho nofinofy fotsiny izany, ankehitriny, na efa renim-pianakaviana aza izy. Tsy ela akory izay, tapa-kevitra ny vehivavy fa hiditra eo amin’ny tontolon’ny fihirana ka nisafidy ny anarana hoe Dyva, fitambaran’ny anaran-janany: Dylane Valerie. «Tsy ho hadinoko» ny lohatenin’ny hira voalohany navoakany, nosoratany sy namoronany feony. Anisan’ny nanampy azy tamin’ny famoahana io vokatra io ny Davalt Rwikordz. Mampiavaka an’i Dyva ny fanasongadinany ny gadona “zouk love”, saingy ao anatin’ny vinany ny hivelatra amin’ny mozika samihafa, araka ny nambarany. Tanjony mantsy ny hankafizan’ny sokajin’olon-drehetra ny zavakanto ataony ka tsy handalo fotsiny eo amin’ity sehatry ny mozika ity izy fa hiezaka hametraka ny tantarany sy ny maha izy azy, araka ny voalazany. Iray ihany aloha ny rindran-tsary na “clip” navoakan’i Dyva, saingy nambarany fa efa maromaro ny vazo efa vonona. Ao anatin’ny fanomanana ny famoahana vokatra vaovao indray ity mpanakanto ity ary miara-dalana amin’izany ny fampahafantarana sy ny fanaparitahana ireo.Randria. L’article Talenta vaovao: mitrandraka ny “zouk love” i Dyva a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fimpima Analamanga Mi.Kolo: hirakitra tantara, hira, dihy ny « Vakomanitra »

Tantara tsangana mitondra ny lohateny « Izay mivadika aloha kely ila ». Io no holalaovin’ny mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy sampana Analamanga Mi.Kolo (Miaro ny kolontsaina), anio manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Cemdlac Analakely. Nofehezin’izy ireo ao anatin’ny anarana « Vakomanitra » ity seho ity noho ny fisian’ny tantara sy hira ary dihy ao anatiny. Tantara tsangana nosoratan-dRazafindrafidy Maholy Ramarolahy na Ny Rian’ala, narindran-dRatsimba Ny Aina Zo na i Zou Bloom ho azo lalaovina an-tsehatra.« Izay mivadika aloha kely ila », tantara miresaka sedram-pitiavan’olon-droa, fitiavana ny tenindrazana sy ny tanindrazana. Izany hoe, fiverenana amin’ny fitiavana voalohany, tsy nolaroina na safiotra.Marihina fa ity ny hetsika voalohany hataon’izy ireo (Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy sampana Analamanga Mi.Kolo) eto Antananarivo Renivohitra, raha toa ka faharoa taorian’ny tany Ambatomena Mananara izay nanatanterahan’izy ireo asa soa.HaRy  Razafindrakoto L’article Fimpima Analamanga Mi.Kolo: hirakitra tantara, hira, dihy ny « Vakomanitra » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kaominina Toamasina I: nomen’ny Spat fitaovana marobe

Maromaro ny fitaovana natolotry ny Orinasa mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat) ny kaominina Toamasina I, ny asabotsy teo. Fitaovana hanadiovana sy hanazava ny tanàna (angady 50, borety 50, kifafa vy, rateaux 50 ary ampola 800). Nisy ordinatera miisa roa koa nanampy ireo.Nilaza i Tsifoina, nisolo tena ny tale jeneralin’ny Spat, fa vonona hatrany ity orinasam-panjakana ity hifanome tanana hampandrosoana ny tanànan’i Toamasina. Ho an-dRtoa Doris, nisolo tena ny fiadidiana ny Repoblika, nanatrika ny fotoana, “tonga amin’ny tenin’ny filoha Rajoelina izao hoe : “ampio aho mba hanampiko anareo””. Notsipihin’ny PDS-n’i Toamasina I, Razafimanana Jean Christin, fa “manomboka tratra amin’ny ampahany ny fampanantenana nataoko ho an’ny vahoakan’i Toamasina, hiainan’ny vahoaka amina tanàna madio, misy jiro manazava ny arabe vita godirao”.Natomboka tamin’io fotoana io avy hatrany ny fanadiovana faobe ny araben’ny Fahaleovantena.Sajo sy Njaka A.L’article Kaominina Toamasina I: nomen’ny Spat fitaovana marobe a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fahasalamana: hatsangana ny vovonana iraisan’ny sehatra tsy miankina

Nisongadina omaly tetsy Anosy tao anatin’ny hetsika iarahan’ireo sehatra tsy miankina amin’ny fitsaboana fa hisy ny fananganana vovonana iraisana ho azy  ireo. Tanjona ny hampitovitoviana ny tolotra ara-pitsaboana eo amin’ireo sehatra tsy miankina sy ny an’ny fanjakana omena ireo marary.Manatona ny tobim-pahasalamana miahy tena ny 30%-n’ny Malagasy, indrindra ny an-tanàn-dehibe. Antony ny fahatsaran’ny tolotra omen’ireny sehatra tsy miankina ireny mihoatra ny omen’ny mpiasan’ny fahasalamana miankina amin’ny fanjakana.Aleon’ny marary mandoa vola dia tsara karakara sy  tsara fandraisana toy izay hiaritra ny filaharambe sy ny avonavona ary ny kitakitan’ny mpiasan’ny fahasalamana eny amin’ny tobim-pahasalamana ho an’ny daholobe.Nilaza anefa ny fanjakana fa tsy tokony hiankina amin’ny vola aloa ny kalitaon’ny fitsaboana eto amintsika. Hametraka indrindra ny fomba fiasa, hampitovitoviana ny tolotra eo amin’ireo sehatra tsy miankina sy ny an’ny fanjakana hitsinjovana ny marary ny minisiteran’ny fahasalamana. Hipetraka izany hatramin’ny faran’ny taona. Samy hahazo tombony, araka izany na ireo mpiantsehatra  eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana avy amin’ny tsy miankina na ireo avy amin’ny fanjakana fa tsy hifamono. Hojerena ny fiahiana manokana ireo tena  tsy manana, ny antonony ary indrindra ireo manao fiantohana ara-pahasalamana.Tatiana AL’article Fahasalamana: hatsangana ny vovonana iraisan’ny sehatra tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Opération de ratissage” – Betongolo: mpifoka rongony valolahy tratra tao amin’ny “Ghetto”

Sesilany ny fitarainana ataon’ny mponina eny Betongolo momba ny fisian’ny trano iray atao hoe “ghetto”, araka ny fiantson’ireo olona sasany azy. Nambaran’ireo mponina eny an-toerana fa fivarotana sy fifohana rongony io trano io ka izay no mahavelon-taraina azy ireo. Manoloana izany indrindra, nisy ny atao hoe “opération de ratissage” nataon’ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, afakomaly antoandro. Niainga avy amin’ny loharanom-baovao iray no nahafantaran’ny polisy momba ny fisian’ity trano fifohana sy fivarotana zava-mahadomelina. Tovolahy maromaro no indray niditra tao amin’ilay trano notondroin’ireo olona teo an-tanàna. Nanaraka avy aoriana koa ny polisy ka tovolahy miisa valo no hita tao ka mpivarotra rongony ny iray amin’izy ireo. Mbola teo am-pifohana rongony kosa ny fito hafa, tamin’io fotoana io. Nandritra ny fisavana ny trano nataon’ny polisy no nahatrarana rongony miisa 19 fonosana. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nahalalana azy ireo fa tsy mbola ampy taona ny iray amin’izy ireo, mpianatra kosa ny roa ary efa miasa kosa ny efatra ambiny. Niaiky ny zavatra nataony avy izy ireo nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy.J.CL’article “Opération de ratissage” – Betongolo: mpifoka rongony valolahy tratra tao amin’ny “Ghetto” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo: goavana ny tetikasa apetraka any atsimo

Marolafy ny tetikasa apetraka any atsimo hiadiana amin’ny kere mivaivay any an-toerana. Hisy ny tetikasa goavana hamatsiana rano sy hamokarana ahafahan’ny mponina mivelona.Fantatra, nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo, fa hapetraka ny laminasa maharitra sy mirindra hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimon’ny Nosy. Hatao ny « caryographie » ho an’ireo olona sy ny faritra tena voakasiky ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo ireo.Hapetraka, ny 22 oktobra izao, ny « centre de réhabilitation nutritionnelle intensive et médicale », tafiditra ao anatin’ny tetikasa fohy ezaka. Hisitraka izany ny ao Ambovombe, ny ao Tsihombe, ny ao Ampanihy, ny ao Beloha ary ny any Amboasary Atsimo.Hapetraka koa ny « banque alimentaire » na ny tobin-tsakafo hamatsiana ny mponina amin’ny mosary. Am-perinasa ireo dokotera mandray an-tanana ny marefo. Misy ny fanomezana sakafo ara-pahasalamana sy ny fanafody fitsaboana hanarenana sakafo ireo tena voa mafy.Tsy maintsy tafapetraka ny 22 oktobra izao koa ny toerana handraisana ireo mponina iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mivaivay an-toerana ka hanaovana fanaraha-maso manokana mandra-pahasalama azy afaka miasa sy miatrika ny fiarahamonina.Tafiditra ao anatin’ny tetikasa antenantenan’ezaka kosa ny famaritana ny toerana hamindrana ireo mponina sy ny hametrahana ireo tetikasa rehetra handresena ny kere any atsimo. Hisy koa ny fametrahana toeram-piofanana mikasika ny fambolena sy ny fiompiana.Tsy maintsy hisy ny fametrahana sekoly ho an’ny ankizy sy ny toeram-pitsaboana CSBII any amin’ireo tena sahirana hanara-maso ireo mponina, indrindra ireo nahavita ny fanarenana sakafo.Hapetraka ny ozinina mpamokatra rano madioHo an’ny tetikasa lavitra ezaka, hanaovan’ny fanjakana fanamby any atsimo koa ny hametraka ozinina mpamokatra rano madio fisotro ho an’ny mponina. Ankoatra izany ny ozinina mpamokatra sakafo azo ahodina toy ny vita amin’ny katsaka sy ny raketa mena ary ny vahona…Heverina indrindra ny hametrahana toeram-pambolena voatokana anaty « serre » ho an’ny mponina any atsimo. Tanjona ny hampanatonana ny faritra ireo renirano ahafahana mamatsy ny fambolena.Tatiana AL’article Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo: goavana ny tetikasa apetraka any atsimo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Chan 2020»: nanome 300 000 Ar ho an’ny Barea ny ligin’i Bongolava

Niatrika lalao fitsapana, nikatrohana tamin’ny ekipa voafantin’i Bongolava, tany amin’ny kianja Tsiroanomandidy, ny alahady lasa teo, ny Barean’i Madagasikara, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2020”. Tamin’izany no nanoloran’ny ligin’i Tsiroanomandidy lelavola 300 000 Ar ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, hanampiana azy ireo hiatrehana ity fifaninanana ity.Raha hiverenana kosa ny lalaon’ny roa tonta, resin’ny Barea, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0, i Bongolava.Mila fanamboarana ny famonoam-baolina ho an’ny Barea, izay mbola lesoka ho an’ireo lohalaharana. Ankoatra izay, tokony hamafisina ihany koa ny fiarovantena, izay somary goragora. Tsiahivina fa hiatrika an’i Mozambika ny Barea, ny asabotsy 27 jolay ho avy izao, etsy Mahamasina, eo amin’ny lalao mandroso, amin’ny fifanintsanana ho an’ity “Chan 2020” ity. Tompondaka L’article Kitra – «Chan 2020»: nanome 300 000 Ar ho an’ny Barea ny ligin’i Bongolava a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fifandonana fiara

Nifandona teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, teny Ambatofotsy ny fiara iray marika « Mercedes Sprinter » sy fiara tsy mataho-dalana iray, omaly antoandro. Simba ny lohan’ny fiara roa tonta. Nieren-doza ireo mpandeha tao anatiny. L’article Fifandonana fiara est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Tselatra
30/10/2020

Lehilahy iray 38 taona maty tsy tra-drano, ny alin’ny alarobia tetsy Ambilanibe Andavamamba. Fantatra fa nidona tamin’ny takelabiana dokambarotra izy niaraka amin’ny moto ka nianjera. Vokany, voadona mafy ny lohany ka naratra ary nitarika amin’ny fahafatesany izany.L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Fotoana izao…
30/10/2020

Taona 2020, tsy nisy afa-tsy ny resaka Covid-19 ny niainana nandritra izay fito volana mahery izay, tsy eto Madagasikara ihany fa manerana izao tontolo izao.Ankehitriny, sarotra ny fandidiana ao Frantsa ao. Maro ireo maty, mitovy amin’ireo namoy ny ainy teto Madagasikara nandritra ny fito volana ny maty any an-toerana tao anatin’ny indray andro, raha ny tarehimarika nivoaka omaly.Manoloana izany, fotoana izao handraisana fepetra hentitra tsy hiverenan’ny aretina eto Madagasikara intsony. “Izay tsara fiomanana, tsy tampohin-doza”, hoy ny fahendrena malagasy. Saingy, toa mbola goragora ny fanarahana ny fepetra raisina, hatreto. Izay tojo ny maso sy mifanena ihany no voasazy. Raha ny hita any anaty elakela-trano any anefa, ambony dia ambony ny tahan’ny tsy fanaovana arovava. Koa raha tiana ny tsy hihanahan’ny valanaretina eto amin’ny firenena, mila atao hentitra izany fanaraha-maso izany. Fotoana izao hamehezana izay efa voafatotra tsy hivaha intsony.“Ny amisavisana ny ratsy, hiavian’ny soa”, araka ny fomba fisainana malagasy ihany. Mifono zava-dalina izany. Fantatry ny miaina amin’ny maha Malagasy azy. Iza tokoa moa ny miaina eto Madagasikara raha tsy Malagasy? Fotoana izao hanandratana izany, eny, hiaina mihitsy fa tsy fomba eo imolotra fotsiny. Ny miaina amin’ny maha izy azy ny tena no tena fahombiazana amin’izay atao eo amin’ny anaran-drain’ny tena.Voateny tsy nahy ilay hoe anaran-dray, saingy izay ilay rafi-piarahamonina eto Madagasikara. “Fianakaviana momba ray”, nahazoana io anarana io. Malagasy ny eto ka mila miaina amin’ny maha Malagasy azy. Fotoana ary izao hiverenana amin’izay rafi-piarahamonina izay. Tsy handaitra eto izay karazana honohono sy tsaho miely etsy sy eroa raha toa ka mahatsapa tena ny tsirairay fa Malagasy izy, miaina sy mivelona eto Mafagasikara: fomba, fisaina, fototra niaviana ary indrindra, ny kolontsaina. Anjaran’ny tsirairay ny mandini-tena hoe: iza izy? Fotoana izao…Andry FenomananaL’article Fotoana izao… a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasan’ny UE : nahazo fotodrafitrasa ny eny Ampitatafika
24/10/2020

Notokanana, omaly, ireo fo­todrafitrasa miisa fito ao amin’ ny kaominina Ampitatafika sy ny eny Alakamisy, distrikan’ Atsimondrano. Anisan’izany ny fanavaozana ny tsena, ny efitrano fivarotana miisa 10 sy ny tranoheva lehibe roa, etsy Ampita­tafika. Eo ny lalana 1 km 400 mampitohy an’Ankadintany sy Avarajorozo. Nampiana efatra kosa ny efitrano fianarana ao amin’ny CEG Antanety, Alaka­misy Fenoarivo. Ny fahavitan’ ny lalana « pavet » mampitohy an’Andohony sy Antanety, mi­refy 720 m. Natao tahaka izany koa ny tahala eo amin’ny tsena sy ny lakandrano, anariana ny rano maloto. Nametrahana toeram-pivoahana koa izany. Niara-niasa amin’izany ny ONG Ketsa. Teo koa ny fanohanan’ny Von­drona eoropeanina (UE) sy ny fikambanana MSIS Tatao. Natao mangarahara ny nananganana izany ary nandray anjara ny manampahefana sy ny eny ifotony. Mampivoatra ny andavanandron’ny mponina ireo fotodrafitrasa ireo. Mamaly ny hetaheta eny ifotony kosa ny kaominina. Napetraka koa ny rafitra ho fitandroana sy ho fitantanana ny fotodrafitrasa ho tombontsoan’ny maro. Ao anatin’izany ny fampandraisana andraikitra ireo mponina, hitandro hatrany ny fotodrafitrasa, araka ny lahateny nifandimbiasana.Synèse R.L’article Fiaraha-miasan’ny UE : nahazo fotodrafitrasa ny eny Ampitatafika a été récupéré chez Newsmada.

Basikety-Lalao tsapa: nandresy ny ekipan’ny CosPN ny ekipa nasionaly
26/10/2020

Nanatanteraka lalao fitsapana ny ekipa nasionaly, taranja basikety, ny faran’ny herinandro teo, ho fanomanana ny lalao iraisam-pirenena hataon’izy ireo ny volana novambra izao. Ny ekipan’ny CosPN ny nifanandrina amin’izy ireo nandritra izany ka lavony tamin’ny isa 68 no ho 40. Raha io valin-dalao io, azo lazaina ho maivana amin’ny ekipa nasionaly ny nandavo ity ekipan’ny CosPN ity, “na izany aza, mbola misy hatrany ny lesoka mila harenina”, hoy ny mpanazatra. Mbola manana iray volana latsaka eo ny ekipa, mialoha ny hiaingana eto an-tanindrazana hiatrika ny lalao fifanintsanana amin’ny “Afrobasket 2021”, hatao any Kigali Rwanda. Raha ny vaovao voaray, ny 20 novambra izao ny tokony hiala eto an-toerana ny delegasiona malagasy. Miankina betsaka amin’ny fisokafana ny sidina eto amintsika anefa izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy ny basikety, Ramaroson Jean Michel.Tsiahivina fa efa tamin’ny fiandohan’ny volana oktobra ny fampivondronana ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa nasionaly ary mbola mitohy hatramin’ny andro hialana eto an-toerana izy ireo. Mi.RazL’article Basikety-Lalao tsapa: nandresy ny ekipan’ny CosPN ny ekipa nasionaly a été récupéré chez Newsmada.

Lanonana goavana :: Hatao any Toamasina sy Foulpointe ny andiany fahafolo an’ny “Mitsaka”
27/10/2020

Vaovao mahafaly ho an’ireo mpankafy dihy. Hotanterahina ihany ilay lanonana goavana ho an’ny dihy any amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy nampitondraina ny anarana hoe “Mitsaka”. Hizara roa mazava tsara ity andiany fahafolo ity ka hotanterahina any Toamasina ny andiany voalohany amin’ ny 4,5,6 desambra ho avy izao ary any Foulpointe kosa ny andiany faharoa amin’ny 18,19,20 desambra 2020. Saika ho hita mandritra an’io fotoana io avokoa ireo karazan-dihy misy sy ampianarina eto amintsika amin’ny maha sahoby goavana ho an’ny dihy azy. Fifandrimbonana no fototr’izy io ka nanasa ireo mpisehatra amin’ ny dihy rehetra manerana ny Nosy ny mpikarakara. “Ny antony anaovana ny “Mitsaka” amin’ity taona ity mantsy, ny finiavana hitazona ny afo tsy ho faty. Amin’ny taona 2021 kosa vao tena hotanterahina ilay fandaharanasa rehetra izay tokony ho natao tamin’ity taona ity”, hoy ny mpikarakara. Tsy hisy ihany koa moa ny fandraisana an-tanana an’ireo mpandray anjara fa miankina tanteraka amin’ny finiavana sy ny fitiavan’ny tsirairay ny fahatongavana amin’ity hetsika andiany fahafolo ity. L’article Lanonana goavana :: Hatao any Toamasina sy Foulpointe ny andiany fahafolo an’ny “Mitsaka” est apparu en premier sur AoRaha.

Fanasaziana sy Fanarenana :: Ankizivavy roa, 12 sy 14 taona, voampanga ho nandoro tanety
27/10/2020

Nalefa tazonina eny amin’ny toby fitazaina zaza maditra any Faravohitra ireo ankizivavy roa, 12 sy 14 taona, samy voampanga ho nandoro tanety, teny Ankazomalaza, Mangabe ary Ankazobe, samy ao anatin’ ny kaominina Ambohimanga Rova, herinandro vitsy lasa izay. Avy amina fahadisoam-panantenana teo amin’ireto zaza no antony nandrehetan’izy ireo ny teo amin’ny toerana niaingan’ny afo, araka ny tatitra azo avy tamin’ny mpanao famotorana. Tsy noho ny antony goavana, tahaka ny fandre mahazatra amin’ny filan’ireo mpiompy mandoro tanety mba hahafahan’ny omby miraoka ny ahitra maitso avy eo, no nahamay ny tanety efa ho 20ha, teny Ankazobe, kaominina Ambohimanga Rova. Ankizivavy roa diso fanantenana vokatry ny tsy fahitana na inona na inona teo amin’ny manodidina ny fasana vao avy nandevenana no voalaza fa niteraka hasosorana sy nahatonga azy ireo handrehitra ny afo. Zanaka tompon’ andraikitra Nampahafantarin’ny mpanao famotorana nanaraka akaiky an’ity raharaha ity fa vohitra masina teo amin’ny toerana niantombohan’ny fahamaizana, teny Ankazobe. Nohazavain’ iretsy voalohany hatrany fa matetika no misy zavatra latsaka foana eny manodidina ny toerana rehefa avy misy fandevenana. Nanantena ny nahita zavatra teny ireo ankizy, kinanjo tsy nisy na inona na inona, tamin’io fotoana io. Noho ny hakiviana, hoy ihany ireo mpanao fanadihadiana, no nandoran’ireo ny tanety. Fantatra, rehefa nandeha ny famotorana, fa zanaky ny lehiben’ny fokontany sy ny polisim-bohitra ireto roa vavy voatondro ho tompon’antoka tamin’ny firehetan’ny tanety manodidina ny 20ha. Natolotra ny Fitsarana, tamin’ny alatsinainy 19 oktobra lasa teo, izy roa vavy. Naterina any amin’ny toby fitaizana zaza kamboty, taorian’izay. Mialoha izany, dia notazonina tany amin’ny tobin’ny zandarimaria ny rain’izy ireo tsirairay avy, saingy navotsotra ihany, nony avy eo. L’article Fanasaziana sy Fanarenana :: Ankizivavy roa, 12 sy 14 taona, voampanga ho nandoro tanety est apparu en premier sur AoRaha.

Haintrano teny Manarintsoa Atsinanana: maherin’ny 700 ireo traboina, olona roa naratra
26/10/2020

Nahatratra 740 isa ireo traboina vokatry ny haintrano goavana tetsy Manarintsoa Atsinanana, ny asabotsy atoandro teo. Hatreto, olona miisa roa ihany koa naratra vokatr’izany, raha ny voalazan’ny minisiteran’ny Mponina. Voalaza fa fianakaviana 145 ireo may trano. Ao anatin’izany ireo hazo marobe hotohoton’ny afo sy ireo trano biriky may ihany koa. Taorian’ny loza, tonga nijery ireo traboina ny minisiteran’ny Mponina. Nanolotra fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ny minisitera sy ny BNGRC. Niaraka aminy ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Croix Rouge, ny lehiben’ny distrika ary ny solombavambahoaka. Tao anatin’izany ny lamba firakotra, ny fanampin-tsakafo sy ny kojakoja fampiasa andavanandro.Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa niainga tamina trano hazo iray teny an-toerana ny afo ny asabotsy teo tokony ho tamin’ny 12 ora. Niitatra tamin’ireo trano teny amin’ny manodidina anefa ny fahamaizana vokatry ny fitsoky ny rivotra. « Nandritra io fahamaizana io, nahatratra 65 ireo trano hazo may, nisy koa ireo trano biriky simba vokatr’izany », hoy ny fanazavan’ny lietnà kolonely Razafimanahaka Tiana, lehiben’ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalàna. Fantatra fa manodidina ny dimy eo ireo trano biriky may raha roa kosa ny simba tanteraka.Sarotra ny famonoana ny afoNanano sarotra ny famonoana ny afo. « Mifanakaiky avokoa ireo trano, eo koa ny fahateren’ny lalana sy ny fahalaviran’ny “bouche d’incendie” », hoy hatrany ny lehiben’ny mpamonjy voina. Nambarany fa naharitra ora roa ny famehezana ny afo, levona tanteraka kosa izany tokony ho tamin’ny 5 ora latsaka fahefany hariva.« Efa niredareda be ny afo ary natao faran’izay haingana ny famoahana ny entana rehetra tao an-trano. Maro amin’ireo entanay ny simba, nisy ny natsipy teny am-baravarakely. Misy koa ireo natsipy tao amin’ny lakandranon’Andriantany », hoy ny fanazavan’i Jaona, isan’ireo traboina. Nambarany fa sarotra koa ny fidirana tamin’ireo trano may ka kilan’ny afo avokoa ny ankamaroan’ireo entany. « Ny akanjo ety an-koditro sisa hany ananako », hoy hatrany ny fitarainan’ilay raim-pianakaviana.Niara-niisalahy ny mponina eny an-toerana namono ny afo, nisy ireo nitatitra ny ranon’Andriantany ho famonoana izany. Ireo mpamonjy voina kosa, niezaka namono ny lelafo sy nifehy izany. Henintsoa HaniL’article Haintrano teny Manarintsoa Atsinanana: maherin’ny 700 ireo traboina, olona roa naratra a été récupéré chez Newsmada.

400 afakomaly, tafakatra 624 omaly: tsy mitsaha-mitombo ireo tratra tsy manao arovava
29/10/2020

 Izay iray alehany na ny sazy hampiharina no maivana loatra, na ny olona mihitsy no  mafy hatoka tsy miraharaha.Raha nisy 400 latsaka, afakomaly, nahatratra 624 indray, omaly, ireo olona tratran’ny polisy teto an-drenivohitra tsy nanao arovana ka nampanaovina ilay hoe “asa ho amin’ny tombontsoan’ny maro”. Miteny ho azy ny tarehimarika. Tena tsy mivaky loha amin’ny fanarahana fepetra amin’ny tokony hanaovana arovava, hiadiana amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 mihitsy ny ankamaroan’ny olona, na teo aza ny fampitandremana nataon’ny prefektioran’ny polisy sy ny governoran’ny faritra Analamanga.Na eo aza anefa izany, nanohy ny asany ihany ny polisy. Nasaina nanao fanadiovana ireo biraom-panjakana eto an-drenivohitra indray ireo olona tratra. Ireo tsy nahazo kifafa hamafan-dalana, nasaina nikarakara zaridaina, nanala bozaka amin’ireny faritra maitso ireny. Nisy koa ireo nobaikoina hitsimpona poti-taratasy, fonon-tsakafo nisy nanary teny an-dalambe rehetra teny.Raha izao fahamaroan’ny olona tratra tsy manaraka fepetra amin’ity fanaovana arovava hiarovana ny fihanaky ny valanaretina covid-19 no mbola mitohy, tsy tokony hahagaga mihitsy raha hiverina hanao tampody fohy indray ity areti-mandoza ity. Hiverina manaraka izany indray koa ny fampiharana ny fahamehana ara-pahasalamana, ny fihibohana… Sy ny olana ara-tsosialy, ara-toekarena haterak’izany.  Nahitana hetsika fisavana arovava toy izao manerana ny boriborintany valo teto an-drenivohitra.Henintsoa Hani sy J.CL’article 400 afakomaly, tafakatra 624 omaly: tsy mitsaha-mitombo ireo tratra tsy manao arovava a été récupéré chez Newsmada.

Fitantanana ny rano: naneho ny fahavononany ny sehatra tsy miankina
31/10/2020

 Vita ny atrikasa niarahan’ny ministeran’ny Rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana, notarihin’ny minisitra Rakotovelomanantsoa Voahary, niaraka amin’ireo tsy miankina miantsehatra amin’ny tontolon’ny rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana.Nandrasana tamin’izany ny fifampizarana sy ny fanoloran-tenan’ireo mpisehatra sy mpiara-miombona antoka ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana izay amafisin’izy ireo amin’ny fandraisany andraikitra eo amin’ny rafitra famatsiam-bola ho fampandrosoana izany sehatra izany manerana an’i Madagasikara.Manodidina ny 50 ireo sehatra tsy miankina nametraka fanamby, omaly, fa hiara-dalana amin’ny minisiteran’ny Rano amin’izany fitantanana ny fotodrafitrasan’ny rano sy ny fahadiovana ary ny fidiovana izany.Mipaka ho an’ny olona rehetra ny tanjona amin’ity fiaraha-miasa amin’ny orinasa tsy miankina ity. Ao anatin’ny fitsinjarana asa ireo orinasa ireo amin’izao fotoana izao. Hiparitaka manerana ny Nosy ny andraikitra.“Tanjona ny hampaharitra ny fotodrafitrasa napetraka sy mbola hatao ka izany indrindra ny anton’izao fampandraisana andraikitra azy ireo izao”, hoy ny minisitra. Voaporofo fa tsy vitan’ny fikambanana tsotra sy ny kaominina ny fitantanana ny fotodrafitrasan’ny rano sy fidiovana ka izany indrindra ny antony hidirana amin’izao fampandraisana anjara ny sehatra tsy miankina izao.Tsy fampananana rano madio fisotro ihany fa hojerena akaiky ihany koa ny momba ny fahadiovana sy ny fidiovana izay mifandray ary tsy afa-misaraka.Tatiana AL’article Fitantanana ny rano: naneho ny fahavononany ny sehatra tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

Fakafaka: taitaitra satria very fototra?
27/10/2020

 Na diso na marina ny fanambaran’ny Papa Fransoa. Na niteny na tsy niteny an’iny izy. Na nankatoa na tsy nankatoa ny fanambadian’ny mitovy fananahana izy. Inona ny tokony hampitsangam-bolo ny Malagasy amin’izany? Sanatria, tsy fanamaivanana ny tranga tahaka ireny akory fa matoa misy ny taitra, gaga, tezitra, mivarahontsana, malahelo, ketraka, mitebiteby, sns, olona tsy manana fototra ijoroana izy izay. Raha tena iainan’ny Malagasy ny kolontsainy, tsy misy tokony hahina sy hatahorana ny fielezan’iny vaovao iny. Tsy kolontsaina malagasy mihitsy ny fanambadian’ny mitovy fananahana. Iny safotofotom-baovao iny no nanaporofo indray fa tsy miaina amin’ny kolontsainy sy ny fomba amam-panaony ny Malagasy sasany. Na, tsy mahafantatra akory ny momba azy ka sahiran-tsaina avy hatrany raha vao lalovana lamokam-baovao.Kolontsaina malagasy anisan’ny faratampony ny fanajana ny lalana voajanahary. Raha miaina izany hatramin’izay ka hatramin’izao ny Malagasy, tsy misy tokony hatahorana. Saingy, tsy izay ny zava-misy! Efa tazana etsy sy eroa ireo ampahana Malagasy very fototra sy atsingevan’ny « fandrosoana ». Eo koa ny Malagasy endrika ivelany fa poakaty. Na, feno ihany fa hipoky ny kolontsaina sy ny fomba amam-panaon’ny hafa. Fanambadian’ny mitovy fananahana, tsy tokony ho tafiditra eto raha nanaraka ny lamina voajanahary ny Malagasy! Misy adidy tsy efa ao. Anisan’ny tsy afa-bela amin’izany ny ray aman-dreny. Tsy notaizanareo amin’ny kolontsaina malagasy ve ny taranakareo no sahy manao tsinontsinona an-Janahary sy ny lamina napetrany?… Na izany na tsy izany, misy manozongozona mafy ny kolontsaina malagasy. Tsy vao izao io fa efa ela. Iray amin’ireny ny fampifangaroana ny finoana (araka ny nitondran’ny vahiny azy) sy ny fahalalana (niainan’ny Malagasy)… Sa ve manam-pahalalana lavitra no ho i Zanahary ny sasany ka sahy manao tsinontsinona ny lamina napetrany? Raha izay indray, azy ny azy fa tsy an’ny Malagasy rehetra!HaRy RazafindrakotoL’article Fakafaka: taitaitra satria very fototra? a été récupéré chez Newsmada.

Fahavakisan’ny fonjaben’i Farafangana: roa volana aty aoriana, mbola misy gadra 16 miriaria
30/10/2020

  Tra-tehaky ny zandarimaria ao Etroketroky, ny alarobia teo, i Zemela na i Iaban’i Zamisy, isan’ireo gadra tafatsoaka sy karohina fatratra. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny Zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao, avy amin’olona tsara sitrapo ny nahafantarana ny toerana niereny sy nahafahana nisambotra an-dralehilahy. Taorian’ny fahavakisan’ny fonja, misy ny mari-pankasitrahana mitentina 2 tapitrisa Ar isaky ny gadra atolotry ny mpitandro filaminana sy ny minitseran’ny Fitsarana ho an’ireo manome vaovao mahakasika ireo gadra tafatsoaka.Tsiahivina fa 88 isa ireo gadra nitsoaka ny fonja ny 23 aogositra lasa teo. 48 ireo voasambotra ary 24 ireo lavo nandritra ny fitsoahana. Taorian’izay, gadra 17 mbola niriaria teny rehetra eny. Ankehitriny kosa, 16 ireo mbola atao hazalambo.Henintsoa HaniL’article Fahavakisan’ny fonjaben’i Farafangana: roa volana aty aoriana, mbola misy gadra 16 miriaria a été récupéré chez Newsmada.

Sombintsombim-baovao
28/10/2020

Karate : Hitohy anio ny fampiofanana ireo ankizy voafantina ho isan’ny hisafidianana, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, kata en ligne, sokajy latsaky ny 14taona. Hotanterahina amin’ny 13 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao izany. Tsiahivina, tontosa ny faran’ny herinandro teo, ny fifampizarana voalohany nomen’ireo teknisiana avy amin’ny federasiona sy ny ligin’Analamanga, ho an’ireo ankizy ireo.Dirigeants sportifs : Taorian’ny fampiofanana teto Analamanga sy Boeny, mikasa hanohy izany any amin’ny faritra Vakinakaratra indray ny eo anivon’ny Komity Olympika Malagasy. Isan’ny andrasana hatrany ny ho fandraisana anjara ho an’ireo vehivavy mandritra izany, izay tena hanentanan’ny eo anivon’ny Komity Iraisam-pirenena Olympika(CIO) izany.Nangonin’i Mi RazL’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.