Fananan-jo…  maharaikitra adidy       

News - Fananan-jo…  maharaikitra adidy       

News - Fananan-jo…  maharaikitra adidy       

 Hatramin’izay, saika
mampiaka-peo hatrany ny hoe mpanohitra ny amin’ny fananan-jo
hiteny, haneho hevitra, hamory vahoaka. Voalaza fa zo fototra
izany, nefa mitaky adidy aman’andraikitra ihany koa. Tena mba atao
sy vitan’izy ireo ve izay? Anisan’izany, ohatra, ny fitaizana ny
mpikambana ao aminy, raha misy: be ny tsy manana mpikambana amin’ny
antoko misy azy akory hatrany ifotony.

Eo koa ny fandraisana anjara isaky
ny fifidianana fa tsy mikisina manohana izay matanjaka
hahazoan-toerana: rehefa tsy mahazo, miverina ho mpanohitra.
Miara-dalana amin’izany ny fiomanana handray fahefam-panjakana
amina foto-kevitra sy fandaharanasa ary paikady fanatanterahana
mazava, ny fandresen-dahatra ny olom-pirenena amin’izany
handatsa-bato ho an’ny tena amin’ny fifidianana manaraka…

Atao sy vitan’izy ireo ve izany,
raha tsy hilaza afa-tsy izay? Mampiaka-peo lava amin’ny hoe
fananan-jo haneho hevitra sy hihetsika. Toy ny manana olona maro
iny ao an-damosina raha sakantsakanana amin’ny fanakorontanana.
Nony avela malalaka, zara raha mahajoro sy maharitra amin’izay
lazainy sy ataony. Matoa nahomby ny hoe hetsiky ny vahoaka, mby
amin’izay tsy zakany… hararaotin’ny sasany.

Faly mamerina izay mahazatra hoe
mahomby? Fanakorontanana, fandravana… rehefa tsy mahaovoka amin’ny
hoe fiaraha-mitantana. Tsy misy antony anaovana fifidianana, raha
tsy avela hamita ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra. Raha tsy
amin’izay tsy nifanarahana amin’ny tsy famitana izay
nampanantenaina, sanatria, ka tsy zakan’ny vahoaka intsony:
iandrasany ny farany, na ihetsehany avy hatrany.

Izany rehetra izany no anisan’ny
mankaloiloy ny maro amin’ny fomba fanaovana politika? Tsy mianga
amin’izay tena hetaheta ifotony fa izay hahazoan-toerana fotsiny,
anaovana ny fahasarihanam-bahoaka ho fitaovana politika enti-miady
sy mitady. Mbola mandaitra sy mahomby ve izany, raha tsy mahavita
izay adidy aman’andraikiny ny mpanohitra amin’ny hoe zo ananany
isaky ny mihetsika?

Rafaly Nd.

 

 

Article tiré de Newsmada

L’article Fananan-jo…  maharaikitra adidy        a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 26/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kardinaly Tsarahazana  –  Hevitry ny papa Fransoa: “Vaovao diso sy famitahana avo lenta ny naely” 

   Nitondra fanazavana ho an’ny vahoaka sy ny kristianina, indrindra ny katolika. “Hamafiso ny finoana ary aza mihinana amam-bolony manoloana ny vaovao tsy marina niniana naely momba ny fanambaran’ny papa Fransoa”, hoy ny kardinaly Tsarahazana Désiré.    Nanao fanambarana ofisialy sy filazana momba ny hevitry ny eglizy katolika ny filohan’ny fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara, ny kardinaly Tsarahazana Désiré, omaly. Namaly ny vaovao nivoaka tamin’ny haino aman-jery vahiny nanambara fa ankatoavin’ny Papa Fransoa ny fanambadiana sivily eo amin’ny olon-droa lahy samy lahy na vavy samy vavy ny tenany. “Tsy marina velively izany fanambarana izany ary tsy niova ny fampianaran’ny fiangonana katolika momba ny fanambadian’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy”, hoy izy. Navoitran’ny papa Fransoa fa tsy tokony hafangaro ny fianakaviana araka ny sitrapon’Andiamanitra avy amin’ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy misokatra amin’ny fiterahana sy ny karazana firaisana hafa. Hita mazava tamin’ny taratasy ofisialy farany maneho ny fampianaran’ny eglizy momba io resaka io amin’ny fanentanana mitondra ny lohateny ny « Hafalian’ny fitiavana » ny 19 marsa 2016, navoakan’ny papa sady nosoniaviny.Tokony ho mailo sy ho tony…Sombin-dresaka nalaina avy amin’ny tafatafa niarahan’ny papa Fransoa tamin’ny mpanao gazety meksikanina, 18 volana lasa izay, niampy ampahan-dresaka tamin’ny mpampahalala vaovao hafa (tao anaty fiaramanidina) ny natambatra tao anaty fehezanteny ka nanova tanteraka ny hevitry ny Papa rehefa novoizina tamin’ny haino aman-jery any ivelany nandritra ny fetin’ny sarimihetsika tany Roma, ny 21 oktobra lasa teo. Nohamafisiny fa tsy marina hatrany izany rehefa mpilaza vaovao amin’ny firenena lehibe no manambara zavatra iray. Tokony ho mailo sy ho tony ny rehetra, indrindra ny mpino katolika ary izany indrindra ny nitondrany fanitsiana. “Famitahana avo lenta ny nitranga ka niteraka sahotaka sy fanehoan-kevitra maro isan-karazany”, hoy ihany izy.Maro ny olona niandry izany fanehoan-kevitra ofisialy avy amin’ny eglizy katolika izany.Vonjy A.L’article Kardinaly Tsarahazana  –  Hevitry ny papa Fransoa: “Vaovao diso sy famitahana avo lenta ny naely”  a été récupéré chez Newsmada.

Basket - News - Sport - News Mada

Basikety – “Tournoi des Elites 3×3”: hotsongaina ireo handrafitra ny ekipam-pirenena

Hiditra amin’ny fifantenana farany, ho an’ireo handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, ny komision’ny basikety lalaovina olona telo, miaraka amin’ny tale teknika nasionaly. Hotanterahina, etsy amin’ny « parking »-n’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny asabotsy 27 sy ny alahady 28 avrily ho avy izao, ny andiany voalohany amin’ny “Tournoi des Elites”, basikety lalaovina olona telo (3 x 3). Mpilalao 32 lahy sy 32 vavy ny hiatrika izany. Nambaran-dRandrianarisoa Riana, tomponandraikitry ny komisiona, fa hiady ny lohany ireo  sangany indrindra, notsongaina, nanomboka ny taon-dasa. Tanjona ny hifantenana ireo handrafitra ny ekipam-pirenena, hiatrika ny « Lalao afrikanina », any Maraoka ny aogositra ho avy izao, sy ny fiadiana ny ho « Tompondakan’i Afrika », any Egypta, ny novambra 2019.Hahazo 500 000 Ar ny tompondakaHozaraina ao anaty sokajy valo ireo mpilalao ireo ka mitsinjara ny iray tarika ny tale teknika nasionaly sy ny ekipany.  Zava-dehibe ny fanatontosana ny “tournoi” toy izao, araka ny nambaran’i Angelot, tale teknika nasionaly. Mila manana isa ny mpilalao tsirairay eo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena hahafahana miatrika ireo lalao any ivelany. Mbola vitsy ireo mpilalao manana isa 100. Ho an’ny lehilahy : i Fabrice, i Ricky, i Arnol, i Livio, i Steve ary i Walter. I Sarobidy sy i Murielle kosa ny eo amin’ny vehivavy.Manohana ny fifaninanana ny Telma ka  hanolotra 500 000 Ar ho an’ny tompondaka.  300 000 Ar ny an’ny faharoa ary 200 000 Ar ny fahatelo. Hanome 150 000 Ar ho an’ny fahefatra kosa ny federasiona. Hiantohan’ny Star ny rano fisotro ho an’ny ekipa tsirairay. Torcelin L’article Basikety – “Tournoi des Elites 3×3”: hotsongaina ireo handrafitra ny ekipam-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Vonoan’olona, fandrobana, fanolanana, fampihorohoroana: tambajotran-jiolahy mahery vaika ravan’ny zandary

Fandrobana, fampihorohoroana, fanolanana, fandratrana… Eny, hatramin’ny vonoan’olona mihitsy aza. Nampikaikaika ny mponina any Imerintsiatosika sy ny manodidina mihitsy ity tambajotran-jiolahy, ravan’ny zandary, ity.Ny 17 oktobra lasa teo, voasambotry zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Arivonimamo ny 10 lahy ao anatin’ity andian-jiolahy ity. Tsy nijanona hatreo fa nohalalinina misimisy kokoa ny fanadihadiana sy ny famotorana. Omaly, araka ny tatitra voaray, niampy roa hafa indray ireo voasambotra. Izany hoe, tafakatra 12 izany ireo voasambotra ary efa eo am-pelatanan’ny zandary. Fantatra nandritra ny fanadihadiana sy ny famotorana natao tamin’izy ireo avokoa ny fomba sy ny tetikady fanaon’ity tambajotran-jiolahy ity. Fantatra sy sarona tamin’izany koa ireo entana halatra maro voaroban’izy ireo tao anatin’ny iray volana, ireo fitaovana fampiasany… Anisan’izany ny basy poleta vita gasy, miaraka amin’ny “chargeurs” miisa roa sy bala miisa sivy. Ny roa lahy amin’ireto 12 voasambotra ireo koa, fantatra fa anisan’ny mpamatsy bala ireo jiolahy ao anatin’ity tambajotra ity.Heloka bevava maro…Araka ny tatitra nataon’ny kanomandin’ny Vondro-tobim-paritry ny zandary Arivonimamo, nandray an-tanana ity raharaha ity, efa amam-bolana maro tokoa ity andian-jiolahy ity ny nampitondra faisana ny mponina ao Imerintsiatosika sy ny manodidina amin’ny asa ratsiny; fandrobana mitam-piadiana, vaky trano, fampihorohoroana… Tsy vitan’izay, iharan’ny fanolanana ataon’izy ireo koa ny zaza amam-behivavy amin’izay tokantrano lasibatr’izy ireo. Raha akapoka, tena andian-jiolahy kalazalahy amin’ny heloka bevava mahery vaika tokoa izy 12 lahy voasambotra ireto.Voalaza fa nahafaly sy nahavelombolo ny vahoakan’Imerintsiatosika sy ny manodidina tokoa ny fahatrarana sy ny naharavan’ny zandary ity tambajotran-jiolahy ity. Na izany aza, tsy hijanona hatreo ny ezaka fampandrian-tany ataon’ny zandary. Tanjona mantsy ny hamongorana araka izay tratra ny tsy fandriampahalemana. Izany indrindra no mbola iantsoan’izy ireo fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa amin’ny rehetra, tsy hilasalasa amin’ny fanomezam-baovao manoloana ny toe-javatra mampiahiahy amin’ny alalan’ny antso an-telefaonina 034 14 007 76. Manome toky ny zandary fa hijanona ho tsiambaratelo tanteraka ny mombamomba ireo loharanom-baovao.M.R.L’article Vonoan’olona, fandrobana, fanolanana, fampihorohoroana: tambajotran-jiolahy mahery vaika ravan’ny zandary a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Fikasihan-tànana tetsy Ampitatafika : LP ilay Kaomisera, MD eny Antanimora ny zanany

Nahazo fahafahana vonjimika ilay komisera ary nidoboka am-ponja eny Antanimora kosa ny zanany. Niakatra fampanoavana omaly ilay raharaha fandratrana olona tetsy Ampitatafika, tao amin’ny « parking » iray ny 5 jiona lasa teo. Tsy nanaiky ilay olona naratra ary nitory teo anivon’ny fampanoavana ary ny polisy koa dia nanokatra fanadihadiana anatiny avy hatrany momba ity raharaha ity. Tao anatin’izay fotoana izay koa anefa dia nametraka fitoriana izy mianaka ary dia samy nohenoina omaly teny anivon’ny fampanoavana, izany hoe na ny andaniny  na ny ankilany;izay voakasiky ny dosie. Niteraka resa-be ity tranga tetsy Ampitatafika ity, ary nanampy betsaka tamin’ny nahafantarana ny zava-nisy ny tambajotra sosialy. Fotoana fohy taorian’ny nisehoan’ny herisetra mantsy, avy hatrany dia nitantara ny nanjo azy ilay rangahy izay naratra sy voatery niditra hopitaly. Isan’ny notsipihany ny fahamamoan’ireo olona izay nikasi-tànana azy ary koa ny ompa variraraka. Raha tsiahivina,  disadisa tsotra izy tsy tokony ho niafara tamin’ny fidarohana no nitranga. Tao amin’ny toerana fametrahana fiara mahazatra no nifanao aloha sy aoriana ny fiara roa dia ilay  nitondra ny komisera sy ny zanany ary olon-kafa sy ny fiaran’ilay olona izay hitady ny fitoerany ao. Raha somary nitohana ilay làlana satria mbola eo am-pijerena ny hametrahana azy ny ankilany, tezitra mafy ny andaniny. Raikitra ny ompa avy amin’ny « klaxon ». Teo no nanomboka ny gidragidra satria raha ny filazan’ny mpitory voalohany dia fikasihan-tànana avy hatrany no nanjo azy raha mba nangata-panazavana momba ilay ompa izy. Afak’omaly raha araka ny re  no efa saika niakatra fampanoavana ny raharaha rehefa vita ny fihaonan’ny Inspection Générale-n’ny polisim-pirenena ilay komisera. Tsy tontosa anefa izany raha tsy omaly rehefa nametra-pitoriana koa ilay kaomisera sy ny zanany. D.RL’article Fikasihan-tànana tetsy Ampitatafika : LP ilay Kaomisera, MD eny Antanimora ny zanany a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Nanafika ben’ny Tanàna teo aloha: dimy ireo olona efa voasambotra

Tra-tehaky ny zandarimaria tao Erada, Ambovombe, ny olona miisa dimy. Jiolahy nanatanteraka mivantana ny fanafihana sy ny fitifirana ny ben’ny Tanàna teo aloha sy ny vadiny, ny alahady teo. Tsiahivina fa voatifitr’ireo jiolahy ireto olom-boafidy mivady ireto, niampy olona roa hafa ihany koa. Tonga teny an-toerana ny zandary nanao famotorana. Voasambotra taorian’izay ny olona miisa telo, voalaza ho isan’ireo olon-dratsy. Nony namonjy fodiana, ny ampitso marain’io ny zandary, nosakanan’ny fokonolona ny lalana. « Notakin’ireo andian’olona ireo ny hanajanonana ireo olona nosamborina fa hatao kabarin-drazana », hoy ny fanazavan’ny zandarimaria, loharanom-baovao. Taorian’izay, nidina teny an-toerana ny kolonely kaomandin’ny vondron-tobim-paritra sy ny governoran’Androy niresaka amin’ireo fokonolona.Tsy nijanona hatreo anefa ny famotorana ny raharaha. Vokany, olona roa hafa voasambotry ny zandary taorian’izay. « Disadisam-piarahamonina sy politika eo an-tanàna ny antony nahatonga izao tsy fandriampahalemana izao », hoy hatrany ny zandary. Henintsoa HaniL’article Nanafika ben’ny Tanàna teo aloha: dimy ireo olona efa voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jly Rakotonirina Théophile: « Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika »

“Inona no nataontsika miaramila ka mety nahaosa ny Tafika Malagasy?”. Io no lohahevitra  nifantohan’ny fivoariambe narahina atrikasa nataon’ny teo anivon’ny Tafika Malagasy nandritra ny roa andro. Nilaza ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika (Cemgam), ny Jly Rakotonirina Théophile fa raha miombona isika dia mandresy ny Tafika.Nifarana  omaly ity fivoriambe nanaovan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy izay nandinihana manokana io lohahevitra io. Fivoriana nentina nanaovana tatitra mikasa ny asa sahanin’ny miaramila isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany, nijerena ireo olana sedrain’izy ireo amin’ny fanaovana ny asa sy ny andraikiny ary nijerena vahoalana. Nivoaka tao anatin’ity atrikasa ity ny famerenana ny fandriampahalemana sy ny fampanajana ny tany tan-dalàna ary navoitra tamin’izany ireo lesoka hatramin’izay ka nahaosa ny Tafika Malagasy. Nilaza ny Cemgam fa navadika ho asa avokoa izay rehetra nivoaka tao anatin’izay roa andro izay. “Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika. Ato amintsika ato ihany no misy olona mamotika ny ezaka tiantsika hatao”, araka ny nambarany hatrany, nandritra ny famaranana ity fivoriana ity. Notsipihiny fa isan’ny lesoka ny tsy fanarahan-dalana sy ny tsy fahampian’ny fiofanana ka maha ambany kalitao eo amin’ny sehatry ny asa. Nambarany fa mahatratra 403 ireo fandikan-dalàna nataon’ny Tafika.Jean ClaudeL’article Jly Rakotonirina Théophile: « Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jirama: anisan’ny hahazo foiben-drano ny eny Itaosy sy Ambohidrapeto

Miezaka mamaha ny olana amin’ny tsy fahampian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina ny Jirama. Anisan’izany ny fisintonana rano avy any amin’ny renirano, diovina avy eo ary aparitaka any amin’ny mpanjifa avy eo.Maro ny toerana mijaly rano eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Hametraka foibe fanadiovan-drano ao anaty kaontenera ny Jirama ka toerana valo ny hananganana azy. Ao anatin’ilay tetikasa “Unité de traitement d’eau conteneurisé” ity famokarana sy fanadiovan-drano ity. Mampiavaka azy, ao anaty kaontenera manokana, ahitana ny fitaovana ilaina no hatao ny dingana rehetra takin’ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny fomba fanadiovan-drano.Sintonina avy any amin’ny renirano, toy ny eny Ikopa, ohatra, diovina ary alefa any amin’ny tambajotra mpitsinjara isan-tokantrano avy eo ny rano madio.Tanjaka 100 hatramin’ny 2.400 m3/oraNosantarina, omaly 30 septambra, ny fametrahana ny eny Ankadindratombo, hamokatra rano 2.400 m3 isan’ora, hamatsy ny kaominina Alasora. Notsinjovina koa ny eny Itaosy, anisan’ny tena mijaly rano efa an-taona maro ka toerana roa no hapetraka. Eny Ampasika (200 m3/ora) hamatsy ny eny Bemasoandro Itaosy sy eny Andohalafy Ankadimanga (200 m3/ora) hamatsy ny eny Ambohidrapeto sy Ankadimanga.Hamatsy an’Ambohimangakely sy ny manodidina ny foibe eny Amoronakona (100 m3/ora). Hamatsy ny eny Ampitatafika ny eny Anosizato (100 m3/ora). Eo koa ny eny Tanjombato (200 m3ora), Ivato (100 m3/ora), Sabotsy Namehana (100 m3/ora).Efa eto an-toerana daholo ireo kaontenera manokana fanadiovan-drano ireo ary miroso tsikelikely ny fametrahana azy.Manampy ireo hafaTanjona amin’ity tetikasa ity ny hanalefahana ny tsy fahampian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina sady hanatsarana sy hanamafisana ny tosiky ny rano. Tsiahivina fa efa mandeha ny fanitarana ny haben’ny famokarana rano eny Mandroseza sy ny eny Amoronakona. Heverina fa hanampy ny famahana ny olana ity fanadiovan-drano amin’ny kaontenera ity.Njaka AndriantefiarinesyL’article Jirama: anisan’ny hahazo foiben-drano ny eny Itaosy sy Ambohidrapeto a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Atletisma: medaly volamena roa sy volafotsy efatra ny azon’ny Malagasy, omaly

Niditra an-tsehatra, nanomboka omaly, tao amin’ny kianjan’ny Germain Commarmond Bambou, eto Maorisy, ny taranja atletisma, ao anatin’ny andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy”. Azo lazaina ho tsara ihany ny vokatra ho an’ny Malagasy satria nahazo medaly volamena miisa roa sy volafotsy miisa efatra ny efa eo am-pelatanan’ireo atleta nifaninana.Norombahan’i Molenjanahary Njarasoa Claudine (12.02) ny fandresena teo amin’ny famaranana, 100 metatra vehivavy. Mbola isika Malagasy ihany koa no nitana ny laharana faharoa, teo amin’ity sokajy ity, tamin’ny alalan’i Embony Elodie Vanessa (12.22). Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa nahazo ny medaly volamena , i Mampitroatsy (30.37.88), teo amin’ny 10 000 metatra ary Andriamparany Fenosoa ny teo amin’ny faharoa (31.08.28). Ankoatra izay, medaly volafotsy avokoa ny norombahin’ny atleta malagasy, teo amin’ny famaranana, 1 500 metatra sy 110 metatra misy fefy, sokajy lehilahy hatrany. Niaro ny voninahi-pirenena nandritra ireo fifaninanana roa ireo Randrianantenaina Soazara Lahivokatse (3.56.63) sy i Mananjara Be Ibrhim (14.78). Mi.Raz    Vokatra omaly Famaranana 100 m vehivavy: 1-Molenjanahary Njarasoa Claudine: 12.022-Embony Elodie Vanessa: 12.22Famaranana 10 000 m lehilahy: 1-Mampitroatsy: 30.37.882-Andriamparany Fenosoa: 31.08.28Famaranana 1 500 m lehilahy: 1-Dookun Mohammed (Mau): 3.56.632-Randrianantenaina Soazara Lahivokatse: 3.56.89Famaranana 110 m “haies” lehilahy: 1-Lararaudeuse Jeremie (Mau): 14.632-Mananjara Be Ibrahim: 14.78 L’article Atletisma: medaly volamena roa sy volafotsy efatra ny azon’ny Malagasy, omaly a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsiahin’ ny 14 oktobra: nolokoina ranom-bolamena ny sarivongan’i Tsiranana

Niara-nientana ny sojabe, ny antoko PSD sy fikambanana samihafa ao Mandritsara nanatanteraka ny fankalazana mandritra ny andro maromaro ny faha-62 taonan’ny nahazoana ny Repoblika. Nolokoin’izy ireo ranom-bolamena ny sarivongan’ny filoha Tsiranana  Philibert eny amin’ny lapan’ny Tanàna. Natodika miantsinanana koa ny sarivongan’ity nitondra ny Repoblika I ity tao Bazary sarety raha nianatsimo izany teo aloha. Nolokoina tahaka izany koa ny tany Marosely, toerana nahatsahan’ny tavoniny. Nanangana ireo sojabe telo ara-drazana araky ny fomba fanao tsimihety nentim-paharazana avy eo.Nitohy amin’ny fampiratiana mivelatra ny tantara an-tsary manodidina ny Repoblika I, iarahana amin’ny “Archiviste”  Rakotobe izany, hatramin’ny 19 oktobra. Mitohy amin’ny  valan-dresaka momba ny Repoblika I izany. Eo koa ny fifaninanana,  toy ny “radio-crochet”, ny “Miss Tsimihety ary ny fampirantiana asa-tanana…Synèse R.L’article Tsiahin’ ny 14 oktobra: nolokoina ranom-bolamena ny sarivongan’i Tsiranana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Lalao fanomanantena: raikitra ny lalaon’ny Barea sy ny Etalons-n’i Borkina Faso

Efa tsara petrapetraka avokoa ny fikarakarana rehetra amin’ny fiatrehana ny lalao firahalahiana hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Etalons-n’i Borkina Faso. Vonona ny ekipa roa tonta hiatrika izany.Tsy misy intsony ny ahiahy fa ho raikitra ny fihaonana eo amin’ny Barea de Madagascar sy ny Etalons-n’i Borkina Faso, ny alatsinainy 12 oktobra ho avy izao. Lalao hotontosaina ao amin’ny kianja El Jadida, Maraoka. Efa vita ny famandrihana ny hotely hivantanan’ny delegasiona malagasy, any an-toerana, ny alahady alina ho avy izao. Efa nalefa any Maraoka ihany koa ny fahazoan-dalana “visa” hidiran’ny Barea de Madagascar any an-toerana. Nambaran’ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny federasiona malagasy (FMF) fa efa milamina sy mipetrapetraka avokoa ny zava-drehetra fa ny andro sy ny ora sisa andrasana, eo amin’io lalao firahalahiana io, izay andrasan’ny rehetra fatratra.Mialoha izany anefa, mbola hiatrika lalao sedra iray any Luxembourg ny Barea, amin’ity zoma 9 oktobra ity: ny fihaonana amin’ny Swift Hesperange, ekipa D1 any an-toerana. Efa any hatramin’ny alatsinainy rahateo ny ekipam-pirenena malagasy niatrika ny fiofanana sy ny fampivondronana, hiatrehana ireo lalao roa ireo, tafiditra ao anatin’ny fanomanantenan’ny Barea, amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2022”, hikatrohana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, ny 9 novambra ho avy izao, any Abidjan, sy ny lalao miverina hatao any amin’ny kianja Barikadimy Toamasina, ny 17 novambra 2020.Ankoatra izay, efa nandalo avokoa nanao fitiliana valanaretina Covid-19 ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar sy ny mpanazatra ary ireo ekipa teknika rehetra, omaly alakamisy. Fepetra takina ary tsy maintsy ataon’ny rehetra amin’ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana, mialoha sy mandritra ary aorian’ny lalao.Tsiahivina fa efa any Luxembourg avokoa ireo mpilalao rehetra afa-tsy i Amada sy i Carolus, izay hihazo avy hatrany an’i Maraoka, ny alahady ho avy izao. Tompondaka L’article Kitra – Lalao fanomanantena: raikitra ny lalaon’ny Barea sy ny Etalons-n’i Borkina Faso a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Fisolokiana avolenta – Kaominina Toamasina: 20 tapitrisa Ar ny efa azony, karohina i Jidiajia
23/10/2020

Zatra ny lalan-dririnina! Nandritra ny fitantanan’ny ben’ny Tanàna teo aloha ary notohizan’ny filohan’ny delegasiona manokana taorian’izay ny fahazaran-dratsin’ny mpiasa eo anivon’ny kaominina amin’ny fakana vola tsy hampidirina ao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina fa any am-paosy avy hatrany. Tsy asian’ny tompon’andraikitra resaka anefa izany fa vao mainka aza arovany ny mpiasa manao izany, araka ny fampitam-baovao voaray avy any Toamasina. Vokany, leon’ny fakana vola mihoa-pampana ataon’i Jidiajia ny mpivarotra ao Bazarikely sy Ankirihiry ka nitondra ny fitoriana teo anoloan’ny mpitandro filaminana. Raha ny fanadihadiana natao teo anivon’ny kaominina, fakam-bola hatramin’ny andron’ny ben’ny Tanàna Ratsiraka Elysée ny raharaha ary mbola tohizan’ity lehibena sampanasa iray eo anivon’ny sampandraharaha fahadiovana sy tontolo iainana eo anivon’ny kaominina ity. Ireo mpivarotra lamba tonta, voankazo, akoho amam-borona, telefaonina finday ireto voasolokiny ireto izay lazainy fa esorina eo ianareo fa omena toerana ka mandoa vola. Vokany, misy manome 3 ka hatramin’ny 5 tapitrisa Ar ireo mpivarotra. Teo koa ireo nandoa 5 tapitrisa Ar. Nilaza ny talen’ny eo anivon’ny sampandraharaha fahadiovana sy tontolo iainana fa aleo ianareo mpivarotra mitory any amin’ny mpitandro filaminana hahafahana manao ny fikarohana ity mpisoloky ity.Sajo sy J.C L’article Fisolokiana avolenta – Kaominina Toamasina: 20 tapitrisa Ar ny efa azony, karohina i Jidiajia a été récupéré chez Newsmada.

Amnesty International: « Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja… »
27/10/2020

 Nampahatsiahy sady nitaky. “Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja”, hoy ny eo anivon’ny Amnesty, araka ny fanambarana nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra tamin’izany fa tena mitarazoka ny fanatanterahana ny fampanantenan’ny filoha Rajoelina Andry momba ireo voafonja. Notsiahivin’ny Amnesty International ny fitsidihan’ny filoham-pirenena teny amin’ny fonjan’Antanimora, herintaona tahaka izao, ny 31 okotobra 2019.Hentitra ny tenany tamin’izany manoloana ireo fepetra samihafa tokony hapetraka, ho fitsinjovana ny zon’ny voafonja sy ireo voatana vonjimaika am-ponja.Natsidiny tamin’izany ny amin’ny hanamboarana toeram-pamonjana vaovao. Efa an-dalana ny asa fanorenana eny Imeritsiatosika. Manampy izany ny namotsorana voafonja maromaro tamin’izany.Miisa 88 ireo gadra nandositra…Tsiahivina fa miisa 82 ireo fonja manerana ny Nosy ary manodidina ny 10 000 ireo voafonja zakan’ireo toeram-pamonjana ireo. Avo telo heny, maherin’ny 27 000, anefa ireo tanana vonjimaika am-ponja sy voampanga ka manefa ny saziny, amin’izao fotoana izao. Voatazona vonjimaika ny 54% amin’izy ireo noho ny fandikan-dalàna madinidinika. Anisan’ny antony mahatonga ny fandosiran’ireo gadra miisa 88 izany tamin’ity taona ity. Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny 22 tamin’izany, tany Farafangana.Synèse R. L’article Amnesty International: « Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja… » a été récupéré chez Newsmada.

Saron’ny polisy teny Sadabe, Talatavolonondry: mahavita hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo jiolahy
29/10/2020

   Voasambotry ny polisy ny talata teo, ary efa naiditra am-ponja avy hatrany ny lehilahy iray ao anatina fikambanan-jiolahy mpanao vola sandoka efa nokarohana hatramin’ny taona 2018.Araka ny tatitra nampitain’ny polisy avy ao amin’ny Brigade criminelle, sakelika fahefatra nandray an-tanana ity raharaha ity, efa kalaza amin’ny fanaovana vola sandoka tokoa ity lehilahy iray ity. Anisan’ny ao anatin’ny Fikambanan-jiolahy malaza mpanao vola sandoka, izay efa nokarohin’ny polisy hatrany amin’ny taona 2018 izy io, saingy izao vao sarona. Loharanom-baovao azon’ny BC 4 avy tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana ny toerana misy azy, eny Sadabe, Talatavolonondry. Nosokafana ny fanadihadiana sy famotorana ary nidina ifotony avy hatrany teny an-toerana ireto farany, ny talata 27 oktobra teo. Hita tokoa ilay trano voalaza fa misy ireo jiolahy mpanao vola sandoka, saingy tamin’io fotoana nahatongavan’ny polisy teny, efa tsy nisy olona intsony tao an-toerana.Milina avo lenta…Na izany aza, niroso tamin’ny sava hao ilay trano ny polisy ka nandritra izany no nahasaronana ireo fitaovana maro samihafa. Anisan’izany, ohatra, ny ordinatera, “imprimante” izay tena avo lenta tokoa, raha ny voalaza, ankoatra ny singa sy kojakoja hafa fampiasany. Fantatra tamin’izany, fa ahavitan-dry zalahy hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo fitaovana ireo, izay efa nahatratra enina gony be izao. Nogiazana avy hatrany ireo entana ary nentina eny amin’ny biraon’ny BC4 hatao porofo atolotra ny fitsarana. Ilay lehilahy iray, naman’ilay tompon-trano moa, araka ny voalaza ery ambony no voasambotra tamin’io fotoana io, ary efa naiditra any am-ponja taorian’ny nanolorana azy ny fampanoavana. Tsy mijanona hatreo, araka ny voalaza, ny fanadihadiana sy famotorana ataon’ny polisin’ny BC 4 mikasika ity raharaha ity fa mbola hitohy.M.RL’article Saron’ny polisy teny Sadabe, Talatavolonondry: mahavita hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo jiolahy a été récupéré chez Newsmada.

Harambaton-kevitra: hamakafaka ny fahamarinana ny Hetsika kristianina
23/10/2020

Fikaroham-bahaolana. Hanao jery todika nefa hametraka ny ho avy. Hiompana amin’ny fahalovana sy ny fahamarinana indray ny fakan-kevitra iarahana amin’ny Hetsika fampiraisana kristiana ho an’ny firenena, hotanterahina ny 28 oktobra izao eny Faravohitra.Nialoha izany, nikarakara famelabelarana izy ireo, afakomaly. Nanasana ireo manam-pahaizana maro sy ny olom-pirenena tsotra.  Niompanan’ny lohahevitra : « Ny 60 taona nahazoana ny Fahaleovantena. Betsaka ireo zavatra tsy mbola niova ». Nitarika izany ny mpandrindra nasionaly ity hetsika ity, Randrianasolo Arimino Tiana. « Tanjona ny ahafahana manangona ny hevitry ny tsirairay hijerena ireo lafitsaran-javatra tokony hotohizina sy hatsaraina. Mba  ahafahantsika mampandroso ny firenena », hoy izy. Natsidiny koa anefa ny fitondrana ireo fomba fijery vaovao tokony hampitaina maika mba holovain’ny taranaka faramandimby. Manampy ireo ny tokony hijerena ny soatoavina malagasy mba hahafahan’izany miverina eny anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena manontolo. Fanamby amin’izany handrafetana ny hevitra rehetra ka harindra ao anatin’ilay « Harambaton-kevitra », mbola hiampita amina lohahevitra maro hatramin’ny asabotsy 12 desambra izao.Synèse R.L’article Harambaton-kevitra: hamakafaka ny fahamarinana ny Hetsika kristianina a été récupéré chez Newsmada.

Tambavy CVO sy ATA: manana tahiry iatrehana ny filana ny Imra
23/10/2020

Afaka mampitombo ny hery fiarovana ny CVO ankoatra ny fitsaboana ny Covid-19 ampiasana azy eny amin’ny tobim-pahasalamana. “Tsy mamokatra CVO intsony ny Insititut malgache de recherches appliquées (Imra), amin’izao fotoana izao, fa ampy iatrehana ny filana ny tahiry ao amin’izy ireo”, hoy ny tale jeneraliny, ny dokotera Andrianjara Charles, omaly teny Avarabohitra Itaosy. Vonona sy ampy ny tahiry amin’ny CVO raha sanatria ka miverina miparitaka indray eto amintsika ny valanaretina Coronavirus. Tokony hanohy ny fiarovantena sy ny fiarovana ny ankohonany ny rehetra ary hanaja ny fepetra ara-pahasalamana. Mila ampiana tosika koa ny hery fiarovana ka mety ny fisotroana ny tambavy nohavaozina CVO ho an’ny olona mahazaka izany, araka ny fanazavany ihany. Ho an’ny sokajin’olona tsy mahazaka ny CVO, efa namokatra ny ATA ny Imra, samy novolavolaina iadiana amin’ny Covid-19 avokoa ireo. Mahomby amin’ny fitsaboana ny aretin’ny taovam-pisefoana ny ATA raha mahery vaika hanoherana ny tsimokaretina ny CVO. Hatreto, tsy nahitana fiantraikany hafa amin’ny vatan’ny olona mihinana azy ny ATA. Mety hampiakatra ny haavon’ny tosidra sy hahafanina eo amin’izay mampiasa azy kosa ny CVO, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitsabo. Samy tsy voatondro hampiasa azy ireo kosa ny vehivavy mitondra vohoka sy ny mampinono. Tsy mety ho an’ny olona manana tosidra ambony sy ireo manana toe-tena diabetika tsy voaara-maso ny CVO. Efa notsinjaraina eny amin’ny toeram-pivarotana fanafody sy eny amin’ny tsena ireo vokatra roa ireo novolavolaina iadiana amin’ny Coronavirus.Momba ny vidin’ny CVO izay tafidina hatramin’ny 300 Ar ny tavoahangy iray eny amin’ny tsena, efa manakaiky ny fe-potoana ahazoana mampiasa ka nalefan’ny mpivarotra varoboba hisorohana ny fanariana azy fotsiny. Tsy misy idiran’ny Imra ny raharaha satria 1 500 Ar ihany ny hivarotan’izy ireo ny CVO miainga ao aminy.Tsy mandray anjara amin’ny famokarana ny CVO pilina sy tsindrona kosa ny Imra fa ny  ivontoerana fampiharana ny fikarohana momba ny fanafody (Cnarp) sy ny mpiray ombon’antoka hafa no misehatra amin’io sokajy io.Vonjy A.L’article Tambavy CVO sy ATA: manana tahiry iatrehana ny filana ny Imra a été récupéré chez Newsmada.

Diplomatie : La restitution des œuvres africaines dérobées est freinée
28/10/2020

Les poteaux funéraires malgaches parmis les « objets d’art » malgaches dérobés. Aux dernières nouvelles, la restitution des objets d’arts africains dérobés par la France ne se fera pas de sitôt, malgré la promesse d’Emmanuel Macron faite en 2017. En cause, les collectionneurs et les musées qui pensent probablement que ces objets ne sont pas, à leur premier usage, des œuvres d’arts mais des butins de guerre. Des institutions comme le Quai Branly sont citées parmi les plus récalcitrantes à les remettre. De septembre 2018 à janvier 2019, ce lieu a abrité une exposition intitulée « Madagascar, art de la Grande Île ». Durant des mois, des objets d’arts malgaches, allant des sculptures funéraires, sûrement dérobées sur les tombeaux, des peintures et d’autres ont été fièrement installées. Cependant, il est fort probable que parmi ces centaines d’œuvres se trouvent des objets de larcins, de vols ou d’autres méthodes malhonnêtes de les obtenir. Si les pays africains ont réclamé leur restitution en 2018 et 2019, cette dernière a l’air de ne plus être d’actualité dans les projets des ministères ou départements culturels. Cependant, on parle ici de plus de dizaines de milliers de pièces à restituer. Des voix commencent à dénoncer la continuité du rapport de domination instauré jadis par les Français colons. Des Français qui, aujourd’hui, peinent à leur remettre leurs œuvres aux pays africains spoliés. Maminirina Rado L’article Diplomatie : La restitution des œuvres africaines dérobées est freinée est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Diplomatie : La restitution des œuvres africaines dérobées est freinée a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Bakalorea teknika: 5 529 ny mpiadina eto Antananarivo
24/10/2020

Hiroso amin’ny andiany fa­haroa amin’ny bakalorea ny fampianarana teknika manerana ny Nosy, manomboka ny alatsinainy ho avy izao. 10 141 ny isan’ny mpiadina rehetra ka 5 529 amin’ireo, eto An­tananarivo avokoa. Ma­nom­boka ny alatsinainy ary maharitra hefarana ny tapany faharoa: ny comptabilité sy ges­tion, ny commerce, ny te­chnologie, ny secrétariat… anisany amin’ny lalam-piofanana atrehina. Foibem-panadinana handray ny mpiadina ny ivontoeram-pampianarana tek­nika eto an-dRenivohitra ary efa miomana amin’ny fandaminana ny tomponandraikitra, araka ny fanazavana azo. Ity andiany faharoa ity no tena mampiavaka ny fampianarana teknika ary ambony avokoa ny «coefficient» amin’ ireo taranja isanisany mampiavaka ny “spécialité”. Efa miroso amin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ ny andiany voalohany amin’ ny fampianarana ankapobeny sy teknika kosa ireo tomponandraikitra, nanomboka anio, rehefa vita ny fifanarahana teo amin’ireo mpitsara rehetra.VonjyL’article Bakalorea teknika: 5 529 ny mpiadina eto Antananarivo a été récupéré chez Newsmada.

Mise en accusation devant la HCJ : Trois dossiers d’anciens ministres à valider à Tsimbazaza
28/10/2020

Les membres de la Commission spéciale de mise en accusation devant la Haute Cour de Justice à l’Assemblée nationale se sont réunis en travaux de commission hier. L’Assemblée nationale commence le traitement des dossiers des personnalités qui seront traités au niveau de la Haute Cour de Justice (HCJ). En effet, les membres de la Commission spéciale de mise en accusation auprès de la HCJ à la Chambre basse ont tenu leur première réunion en commission, hier. Les 17 membres de cette commission, dirigée par le député de Vohipeno, Tsabotokay Honoré, ont une vingtaine de jours pour trancher sur le sujet. Si l’on se réfère à l’ordre du jour adopté à l’Assemblée nationale, la présentation de leurs travaux en commission aura lieu le 17 novembre prochain. A cette date, les députés valideront en séance plénière les dossiers qui vont être transférés à la Haute Cour de Justice pour être jugés. Hier, le président de la Commission spéciale de mise en accusation a annoncé qu’au total, 12 dossiers ont été reçus à Tsimbazaza. Tsabotokay Honoré a toutefois annoncé que trois dossiers impliquant des anciens hauts responsables étatiques seront étudiés pendant la session ordinaire en cours. Des dossiers concernant des anciens ministres du temps de la Transition de 2009 à 2013, mais aussi sous le régime Rajaonarimampianina, de 2014 à 2018. Faux et usage de faux, détournements de deniers publics, marchés fictifs, affaires bois de rose. Ce sont entre autres, les principaux chefs d’inculpation inscrits dans ces dossiers. Exil. Pour l’heure, le député de Vohipeno se défend de révéler l’identité des personnalités impliquées. Et ce, même si il y a longtemps que des noms circulent. Parmi les dossiers qui pourraient être traités en premier devant la Haute Cour de Justice, les affaires Mahafaly Olivier Solonandrasana, Anthelme Ramparany, Maharante Jean de Dieu, Onitiana Realy et Reboza Julien. Tous, ou enfin presque, sont frappés d’interdiction de sortie du territoire (IST), mais ont cependant réussi à s’exiler à l’étranger. Les investigations concernant leurs dossiers ont déjà été finalisées par les enquêteurs du Bureau Indépendant Anti-Corruption. L’identité des personnalités impliquées dans les trois premières affaires à traiter par la Haute Cour de Justice sera donc connue lors de la séance plénière du 17 novembre prochain à l’Assemblée nationale. Davis R L’article Mise en accusation devant la HCJ : Trois dossiers d’anciens ministres à valider à Tsimbazaza est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Mise en accusation devant la HCJ : Trois dossiers d’anciens ministres à valider à Tsimbazaza a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Taksiborosy: tsy ampiasaina ny seza afovoany
28/10/2020

 Tsy miova ny fepetra mikasika ny isan’ny mpandeha any anatin’ny taksiborosy sy ny taxi-be, na foana aza hamehana ara-pahasalamana. Nohamafisin’ny minisiteran’ny Fitaterana fa tsy azo atao ny manisy mpandeha eo anilan’ny mpamily fa iray ihany. Toraka izany koa, tsy azo atao ny manisy mpandeha eo afovoan’ny seza (strapotin). Ho mafy kokoa ny fanaraha-mason’ny fanjakana sy ny mpitandro filaminana ary ny tompon’andraikitry ny kaoperativa manoloana ireo voalaza ireo.Etsy ankilany, nitondra fanazavana koa ny minisitera tompon’andraikitra fa tsy ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) intsony ny manao ny fitomboka any anatin’ny kahiebe “manifold”. Ny tompon’andraikitry ny kaoperativa isaky ny toeram-piantsonana indray no hisahana izany sy ny fandaminana rehetra. Tsiahivina fa tsy maintsy hita ao anatin’ity kahiebe ity ny anaran’ny mpandeha sy ny mombamomba azy, toy ny laharana kara-panondro, ny laharana finday, ny adiresiny ary ny toerana alehany.Njaka A.L’article Taksiborosy: tsy ampiasaina ny seza afovoany a été récupéré chez Newsmada.

Vono olona :: Ben’ny tanàna vehivavy maty voatifitra
27/10/2020

Maty tsy tra-drano i Faly Françoise Zamena, vehivavy ben’ny tanànan’ny kaominina Marohazo-Maintirano, tamin’ny alin’ny alahady 25 oktobra lasa teo. Lehilahy iray tonga tao aminy no voalaza ho nitifitra ka nahafaty azy avy hatrany. Fantatry ny fianakaviany io olona io, raha ny fanampim-baovao azo, omaly, izay voalaza fa lehiben’ny dahalo any an-toerana ary havan’ny maty ihany. Ben’ny tanàna naman’itsy niharam-boina itsy no nampandre ny mpitandro filaminana, tamin’ny alina nisehoan’ny loza. Tonga nanadihady ny zava-niseho tany an-toerana ireo mpitandro filaminana. Lehilahy voatondro ho dahalo raindahiny efa nanafika naka ny ombin’ny ben’ny tanànan’Antsaindoha Bebao, tamin’ny 5 oktobra lasa teo, izy, raha ny fitantaran’ireo fianakavian’ny maty. Eo am-pikarohana azy ny mpitandro filaminana any Maintirano, ankehitriny. L’article Vono olona :: Ben’ny tanàna vehivavy maty voatifitra est apparu en premier sur AoRaha.

Haintrano :: Ankizy 4 taona maty irery tao antranon-draibeny
24/10/2020

Maty noho ny fahamaizana tao an-tranon’ny raibeny, tany Ankonabe-Analavory, ity ankizy lahy, 4 taona, afak’ omaly tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Tsy tao antranony itsy raibeny itsy fa nandeha namangy fahoriana tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Andranonatoho, tokony ho efatra kilaometatra miala an’Ankonabe tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Nanomboka tamin’ny 1 ora tolakandro teo ho eo ny firehetan’ny trano, araka ny fitantaran’ireo mponina teo amin’ny manodidina. Potika tanteraka ireo trano roa, izay vita amin’ny biriky ny iray. Samy mitafo bozaka avokoa izy ireo. Isan’ireo potika tamin’io firehetana io ny kahie fanisana omby an’ireo mponina ao anatin’ny fokontany. Lehiben’ny fokontany ao Ankonabe itsy lehilahy raiben’ny zaza namoy ny ainy itsy. L’article Haintrano :: Ankizy 4 taona maty irery tao antranon-draibeny est apparu en premier sur AoRaha.

Amparihy: telo lahy nahatrarana taolam-paty roa gony
26/10/2020

Noraisim-potsiny! Saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Taolagnaro ireo telo lahy voarohirohy amina raharaha halatra taolam-paty, ny asabotsy tolakandro teo. Raha ny fampitam-baovao nampitain’ny polisy, nandritra ny fanatanterahana ny asa fisafoana nataon’izy ireo, ny nahatrarana ireto telo lahy ireto niaraka amin’ny gony roa mampiahiahy tao Amparihy Taolagnaro tamin’io fotoana io. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavana azy ireo ny polisy raha vantany vao nahatazana ny gony nentin’izy ireo. Hita tao anatin’ireo gony miisa roa ireo ny taolam-paty lava miisa miisa 167. Nosamborina avy hatrany ireto telo lahy ary nentina nihazo ny biraon’ny polisy hanaovana fanadihadiana sy hahafantarana marina ny toerana niavian’ireto taolam-paty marobe ireto. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ity raharaha halatra taolam-paty ity.Jean ClaudeL’article Amparihy: telo lahy nahatrarana taolam-paty roa gony a été récupéré chez Newsmada.