Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza

News - Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza

News - Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza

Mangidy sady mafy raha mbola fahoriana no nandalovan’ity ankizilahy iray, roa taona lasa izay (ny alin’ny 26 aogositra hifoha 27 aogositra 2018), raha izy vao 8 taona monja. Tao anatin’ny indray mipi-maso no nandripahan’ny tsy mataho-tody an’ireo nahitany masoandro sy ny zandriny vavy, efataona. Mickael Rakotorahalahy irery, izay mandia ny faha-10 taonany ankehitriny, no sisa velona tamin’ ity fianakaviana ity, taorian’ ny herisetra tsy manampaharoa nihatra tamin’ny fianakaviany, tany Mamoladahy, Imerintsiatosika. Nitondra vohoka dimy volana aza ilay reniny, tamin’ny fotoana nisehoan’ny voina.

Zary fanoitra hoentin’ i Micka miatrika sy ho tafita amin’ny fiainana ny zava-niseho. Isan’ireo ankizy mendrika any am-pianarana sy any am-piangonana izy, ary vao nahomby tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE farany teo. Manohy ny fianarany any Sandrandahy, Fandriana, izay tanàna misy ny raibeny sy ny renibeny ny zazalahy. Nanolo-tena hitaiza azy ireo ray amandrenibe ireo. Ny ho tonga mpitsara na mpanamory fiaramanidina no nofinofy goavana manosika an’ i Micka amin’ny filofosany any an-tsekoly isan’andro.

Avotry ny fialan-tsasatra

Tahaka ny efa lahatra manokana ny an-dRakotorahalahy Mickael, satria niala sasatra tany Sandrandahy Fandriana no nahatonga azy tsy ho isan’ny lasibatr’ireo namono ny ray aman-dreniny sy ny zandriny. Ny raibeny sy ny renibeny, avy amin’ ny dadany, ireto mitaiza azy.

Tsy mba manana taranaka intsony iretsy olon-dehibe, ka isan’ny antony nakan’ izy ireo an’i Micka ho toy ny solon-janany. Roa taona talohan’ny nahafatesan’ireo mpianakavy kely no efa nindaosin’ny fahafatesana ihany koa ny zandrin’i Nantenaina Rakotorahalahy, rain’i Micka. Izy mirahalahy irery no mpiray tampo.

Mazoto amin’ny fianarana i Micka. Fony izy kilasy fahavalo no efa nitazona ny laharana voalohany hatrany tany an-tsekoly. Mianatra amina sekoly tsy miankina izy, ankehitriny, sady tezaina ihany koa amin’ny finoana kristianina, araka ny fitantaran’i Olga Razanabary, renim-pianakaviana nanangana an’i Malalatiana Juliana, renin’i Micka.

« Zaza tena mahay izy ary mikendry ny ho lasa ambony eo amin’ny fiainana hatrany, na any an-tsekoly hatrany am-piangonana », hoy iry reniben’i Mickael avy amin’ny reniny.

Nampahafantarin’ itsy farany fa « mpitarika tanora kristianina sady mpamoron-kira ho an’ny antoko mpihira ny raibeny sy ny renibeny. Nisy fotoana nandehanan’izy ireo teto Fianarantsoa niaraka tamin’io antoko mpihira io, ka nipetraka tato amiko i Mickael ». « Tsapako fa ny fahoriana nidona taminy no isan’ny nanosika azy vao mainka hihoitra eo amin’ny fiainana », hoy ihany izy.

L’article Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza est apparu en premier sur AoRaha.

Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza

Nivoaka tamin'ny : 23/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric

“Lalaon’ny Nosy” intelo nisesy, nandrombaka medaly volamena hatrany ny atleta malagasy, ao anatin’ny taranja fibatana fonjamby, Andriantsitohaina Eric, sokajin- danja 56 kg. Nanomboka niditra eo amin’ity sehatra ity izy ny taona 2011, taona nandraisany anjara voalohany tamin’ny “Lalaon’ny Nosy” ary nahazoany avy hatrany medaly volamena telo. Tsy nitsahatra intsony izy nanomboka teo fa nivelatra, indrindra teo amin’ny sehatra afrikanina sy iraisam-pirenena. Efa nandray anjara ary nahazo medaly hatrany tamin’ ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika tany Maraoka ary tany Egypta. Tsy latsa-danja tamin’izany ny fifaninanana iraisam-pirenena, ny « Solidarity International Championships 2018 »,nahazoany medaly volafotsy iray sy alimo iray, ny « Tournoi international » natao teto Maorisy ka nahazoany laharana voalohany. Mbola maro ny fahombiazana azon’i Eric, ankoatra ireo, ka anisan’izany ny “Lalaon’ny Nosy 2015” sy ny tamin’ity taona 2019, samy nahazoany medaly volamena telo avy. Tsahivina nitondra ny sainam-pirenena malagasy Andriantsitohaina Eric,nandritra ny lanonam-panokafana ity andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy” ity, ny zoma 19 jolay lasa teo. Vonona ny hanome ny tsara hatrany i Eric ho an’ny taranja fibatana fonjamby malagasy sy ho an’ny firenena malagasy. Nangonon’i Mi.Raz L’article Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fahatongavan’ny papa François: horaisin’ireo Ekar miisa 21 ireo vahiny avy amin’ny diosezy

Efa anaty fiomanana sy fandaminana tanteraka. Ho avy afaka iray volana mahery eto amintsika ny papa François. Anisan’ny andrasana amin’izany koa ireo vahiny sy mpino kristianina avy any amin’ny faritra. Efa mametrapetraka ny handraisana azy ireo ny mpikarakara.« Horaisin’ireo fiangonana katolika miisa 21 eto Antananarivo ny fampiantranoana ireo vahiny avy any amin’ny diosezy miisa 21 amin’ny fitsidihan’ny papa François eto amintsika”, hoy ny vikera jeneraly, ny Mgr Rabenantoandro Ludovic, omaly. Nanteriny fa efa misy ny fifandraisana mivantana eo amin’ny pretra miahy ireny paroasy handray vahiny ireny sy ny diosezy. Nofidina manokana kosa ireo fiangonana 21 ireo mba ho akaiky kokoa ny eny Adrohibe Soamandrakizay, hanaovana  ny sorona masina ny alahdy 8 septambra izao.  “Marobe ny vahiny ho avy ka azo ampiasaina amin’izany avokoa ny “sale d’ouevre” sy ny sekoly na trano malalaka hafa. Nentanina koa ireo tokantrano eny anivon’ny paroasy ireo hilaza ny fahafahany mandray vahiny telo na efatra, ohatra, arakaraka ny fandaminana”, hoy ihany izy.Ny mpitandro filaminana avy any VatikanaTsiahivina fa anisan’ny mandray vahiny ny Ekar Mahamasina, ny Ekar Soanierana, ny Ekar Ivato, ny Ekar Manjakaray, ny Ekar Antanimena, ny Ekar 67 ha, ny Ekar Tsaramasay…Ankoatra izany, efa miroso ny asa fanajariana ny eny amin’ny kianjan’i Soamandrakizay Androhibe amin’izao fotoana izao. Miara-miasa amin’ny fanatanterahana izany ny eo anivon’ny fiangonana katolika sy ny fitondram-panjakana ary ny eo anivon’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo. Efa maromaro koa ireo iraka manokana avy any Vatikana nifandimby nitsidika teto amintsika nijery ny fandaminana rehetra amin’izany handraisana ny papa François izany. Teo koa ny mpitandro filaminana manokana avy any amin’ny fiketrahana masina, nametrapetraka ny lamina rehetra ho fiahiana izany filaminana izany.Hira amin’ny lamesa hotarihin’ny papa FrançoisManampy izany, efa hiainga tsy ho ela ny eo anivon’ny ekipan’ny Ankalazao ny Tompo amin’ny fampianarana ny hira rehetra, amin’ny sorona masina hotarihin’ny ray masina. Misy hira amin’ny teny vahiny, toy ny latinina sy ny frantsay hatao amin’izany.Midika ireo fa efa am-periny tanteraka ny eo anivon’ny fiangonana amin’izany handraisana  ny papa François izany.Synèse R.     L’article Fahatongavan’ny papa François: horaisin’ireo Ekar miisa 21 ireo vahiny avy amin’ny diosezy a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

ENTONA MANGEJA HAFANANA : Tompon’antoka ihany koa ny sehatry ny ala

Mamoaka entona mangeja hafanana (gaz à effet de serre) be indrindra eto Madagasikara ny sehatry ny ala. Anisany mahatonga izany ny doro tanety, ny fanapahana ny ala. Isan-taona dia manao tatitra momba ny fandrefesana ny entona mangeja hafanana ny firenena malagasy satria nankatoa ny  fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina amin’ny fandrefesana ity entona ity eo amin’ny sehatry ny ala dia manatanteraka atrik’asa fampiofanana ny birao nasionaly mpandrindra ny REDD+ (BNC REDD+), eo ambany fiahian’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ao anatin’ny telo andro. Nanomboka omaly 16 aprily ary hifarana rahampitso 18 aprily 2019 izany. « Hatramin’izay efa nanao tatitra momba ny entona mangeja hafanana i Madagasikara. Mbola nahitàna tsy fahatomombanana anefa izany ka izany indrindra no tanjon’ity atrik’asa ity mba hanatsarana ny tatitra atao », hoy ny mpandrindra nasionaly ny BNC REDD+, Rakotosoa Andrianina nandritra ny fanokafana ny atrik’asa. Tohana avy amin’ny fanjakana amerikanina  amin’ny alalan’ny USAID sy ny USFS ity fampiofanana ity. Ao anatin’ny fiofanana ny fampiasana ny rindram-baiko vaovao ALU, fandrefesana etona mangeja.  Raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny BNC REDD+ hatrany dia ao anatin’ny fanatanterahana ny rohi-fiasa REDD+, miompana amin’ny fanalefahana ny fiovaovan’ny toetry ny andro amin’ny alalan’ny fanomezana tambiny ara-bola ireo ezaka fampihenana ny entona mangeja hafanana vokatry ny faharipahana sy ny fahasimban’ny ala ihany koa ity atrik’asa ity. Vokatry ny fiakaran’ny tahan’ny entona mangeja dia simba ny sosona ozonina ka izay no miteraka fiovaovan’ny toetry ny andro. Manoloana izany dia manana vina hampidina ny entona mangeja ho 14 isan-jato i Madagasikara. Lynda A. Cet article ENTONA MANGEJA HAFANANA : Tompon’antoka ihany koa ny sehatry ny ala est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Taratry ny kanto

“The Week End Festival” Hosokafana anio ilay hetsika anisan’ny goavana indrindra amin’ity faran’ny herinandro ity. Hanokatra ny “The Week-End Festival” ireo tarika mpiangaly ny rock, zokiny sy zandriny. Hifandimby etsy amin’ny sehatry ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ry Kiaka, Jeneraly, Amboara, Iniah, Mage 4, sns. Hitohy amin’ny fampisehoana fahaiza-manaon’ireo mpikosoka kapila sy ireo mpiangaly ny “show laser” izany. SARY: MAGE 4.JPGMahery sy Inah“Mozika tsy manam-petra”, hoy ny filazan’ny afisy misy ny dokam-barotra. Fampiarahana talenta hataon’i Mahery sy Inah ny marimarina kokoa, ao amin’ny Trass Tsiadana, anio alina. Hamerina ireo hira mitety vanim-potoana ireto mpanakanto ireto, mandritra izany. Mazava loatra fa fiarahana hanjakan’ny fampiaraham-peo io, izay misy tsy ampoizina hatrany raha zohina tamin’ireo efa nisy teo aloha.Tselonina sy PapayFiarahana hafakely indray! Hiaraka an-tsehatra eny amin’ny KMH (Samara taloha), eny Ankadindramamy Ingahibe Tselonina sy i Papay ao amin’ny tarika Iraimbilanja, anio alina. Samy manana ny hanitra ho azy, kanefa mahay mampiaraka talenta tsara izy mirahalahy ireto. Fantatra fa saika Ifanihy no vahin’ny toerana, saingy tsy afaka tampoka noho ny antony ara-pahasalamana izy. Nangonin’i Zo ny Aina L’article Taratry ny kanto a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Teza: « Hirosoana ny fanorenana ifotony »

Nitondra tolokevitra ho amin’ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fanaovana politika  ary ny  demokrasia. “Tokony hiditra amin’ny fanorenana ifotony ny fitondram-panjakana ka havaozina avokoa ny lesoka rehetra tsy nety, indrindra fa ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny lalàn’ny serasera, ny lalàna amin’ny ankapobeny mba hanatsarana azy”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean-Louis. Nohitsiny fa anisan’ny tsy nety ny nandrafetana sy ny fanatanterahana azy fa samy nanao ny tiany hitondrana azy ny mpitondra nifandimby teto. “Ilaina, noho izany, ny fanorenana ifotony mba tsy hisian’ny olana hiverimberina eto amin’ny tany sy ny firenena intsony. Tokony hampanjakaina ihany koa ny tena demokrasia hipetrahan’ny tena tany tan-dalàna”, hoy ihany ity mpitarika antoko politika ity. Efa nivoy hatramin’ny ela  ny tokony hanaovana ny fanorenana ifotony ny eo  anivon’ny antoko  Teza, saingy  tsy nisy nihaino sy nanaraka. Vita  ihany  ireo fifidianana nifanesy teto amin’ny firenena.Synèse R.  L’article Teza: « Hirosoana ny fanorenana ifotony » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

James Kaylah: “Aza tsaraina ivelany ny mpivoy rap underground”

Ao ny talenta fa tsy latsa-danja ihany koa ny fananana safidy. Ahavitan-javatra ireo rehefa mitambatra. Tsy ampy ilazana ny momba ny mpanakanto anefa io endriky ny kanto vitany io raha ny nambaran’i James Kaylah.“Mila famonjena”… Hira vaovao be, novokarin’i James Kaylah efa naparitany any amin’ny tambajotran-tserasera youtube any, amin’izao fotoana izao, nivoaka ny 3 jolay teo. Ankoatra izay, efa eo am-piketrehana ny rakikirany ny lehilahy. Tamin’ny taona 2007 izy no niditra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto, amin’ny fiangaliana mozika “rap ambanin’ny tany” antsoin’ny hafa koa hoe “rap ambany gorodona” (rap underground).Araka ny nambarany, tsy manao ny rap ho antom-pivelomana izy fa mampita hafatra ho an’ny mpiara-belona noho ny adidy amin’ny famolavolana ny tanora sy ny fiarahamonina ho tonga olombanona.“Maro ny mihevitra fa olona somary maditra ny mpanao mozika hip hop noho ny tononkira mivantana sy ny fampiasana voambolana maherihery mora raisina avy hatrany. Na izany aza, ankafizo hatrany ny rap ary aza tsaraina ivelany ny olona mpivoy azy ireny», hoy i James Kaylah, nanazava ny fiheverany ny tontolon’ny rap.Na tsy re firy aza izy, miketrika mangingina ao ambadika ao ihany. Anisan’ny nisongadina hatramin’ny nilomanosany eo amin’ity tontolo iray ity ny nandraisany anjara tamin’ny “Label Mizara Mic II”, ny taona 2009. Tao ihany koa ny fampiaraham-peo tamin’ny 8 Mena Maso Bira. Misokatra ny amin’ny fiaraha-miasa i James Kaylah ka ireo maniry ny hitafatafa aminy, misy ny tambajotran-tsosialy facebook: James Kaylah, na mitsidika ny pejy: James Kaylah Öfisialy.NarilalaL’article James Kaylah: “Aza tsaraina ivelany ny mpivoy rap underground” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rakotomanga Eric: “Tokony hazava izay toherin’ny mpanohitra”

“Hanohitra inona marina aloha? Sa rehefa nifaninana tamin’ny fifidianana ka tsy voafidy dia tsy maintsy manohitra? Na hoe halako bika tsy tiako tarehy ny filoha ankehitriny, ka toherina na amin’ny fomba ahoana na ahoana. Tokony hapetraka mazava ny hoe: hanohitra inona?”Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny AKFM, Rakotomanga Eric, ny amin’ny toeran’ny mpanohitra amin’izao fotoana izao.Tsy fantatra mazava hoe: tena mijoro ho antoko na vondrona antoko ara-dalàna ve aloha ireo hoe mpanohitra? Ny minisiteran’ny Atitany koa tsy namoaka ny hoe: iza no nanao an’izay fametrahana ny antontan-taratasy ho mpanohitra izay?Ideolojia no toherinaEfa anisan’ny antoko mpanohitra, ohatra, ,ny AKFM tamin’ny Repoblika I. Ny ideolojia nitondrana an’i Madagasikara no notoheriny. Rehefa tonga ny Repoblika II, nifanaraka amin’ny ideolojiany ny foto-kevitra naroso: manohana izy. Tonga ny Repoblika III nisesisesy izay nankany amin’ny ideolojia liberaly, nanohitra indray ny antoko.Arakaraka ny ideolojia itondrana ny firenena no anoherana na anohanana. Raha mbola anatin’ny ideolojia iray ihany ny rehetra, ary ny samy ao anatin’ny ideolojia liberaly, ohatra, no mifanohitra: tsy fanoherana, angamba, izany fa fifandrafiana. Tokony hahitsy izay fomba fanaovana politika izay eto Madagasikara.Misy olana ny lalànaMisy olana ny momba ny lalàna. Marina fa nivoaka amin’ny maha lalàna azy izany. Nefa tsy mbola feno ny didim-panjakana, ka samy manana ny andikany azy izay sahy misintona ny lalàna amin’izay heveriny fa mahametimety azy.Ny Tim, ohatra, milaza fa izy no tokony ho lehiben’ny mpanohitra. Milaza ny lalàna fa ireo antoko nandray anjara tamin’ny fifidianana ka manana solombavambahoaka be indrindra ao anatin’ny Antenimierampirenena no lehiben’ny mpanohitra.Etsy andaniny, misy ireo mpanohitra lalandava na ny fitondrana teo aloha na ny ankehitriny,  milaza fa ny fivoriamben’ny antoko mpanohitra mijoro ara-dalàna rehetra ary nanora-tena ho mpanohitra no manonona izay ho lehiben’ny mpanohitra.R.Nd.L’article Rakotomanga Eric: “Tokony hazava izay toherin’ny mpanohitra” a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

Marc Ravalomanana : Nanala an’Antananarivo tao anaty fako

Tsy niandry ela. Sioka tokana tokoa mantsy no nataon’ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana, amin’ny fanalàna na/sy fanesorana ny fako sy ny loto eto Antananarivo Renivohitra, dia nihetsika avokoa ireo tompon’andraikitra misahana izany ary nifanome tanana tamin’ny mponina isaky ny boriboritany enina. Vantany vao nanao antso avo ary nanome toky ny vahoaka amin’ny fanadiovana ny tanàna ny kandidà Marc Ravalomanana, avy hatrany dia nandray ny andraikitra tandrify azy avokoa ny teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Tsy ity farany ihany anefa no misahana izany fa hatramin’ny Samva, izay tena tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanesorana ny fako eto an-dRenivohitra, izay nifanome tanana tamin’ireo mponina amin’ireo faritra maro isaky ny boriboritany. Avy hatrany mantsy dia nihetsika avokoa ireo kamiaoben’ny CUA niaraka tamin’ireo an’ny Samva ka nanala ireo fako nisavovona tamin’ireo daba-pako isaky ny fokontany teto Antananarivo. Nanome tanana amin’ny fandraofana sy fanesorana izay tandrify azy ihany koa ireo mponina. Marihina mantsy fa nanaovan’ny governemanta tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian « bemarenina » sy « masobe tsy mahita » ireo loto nivangongo teto an-dRenivohitra hatramin’ny nipetrahan’izy ireo teo amin’ny toerana misy azy. Niaina tao anaty loto sy fako hatrany ny vahoaka na ny marimarina kokoa ny mponin’Antananarivo nandritra ny volana maro. Tsy amin’ny maha mpanolontsaina manokan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo ihany anefa fa amin’ny maha kandidà Filoham-pirenena azy, ary indrindra, ny fahitany sy fahatsapany ny fahorian’ny vahoaka amin’ny andavanandrom-piainany mihitsy no nandraisany fanapahan-kevitra tsy niandry izay an’ny governemanta tsy ho tazana sy ho hita. Noho izany indrindra, ny kandidà Marc Ravalomanana no nahavita nanala an’Antananarivo tao anatin’ny fako sy ny loto. Araka ny nambarany mantsy fa zava-doza ary hitera-doza ho an’ny mponina sy ny renivohitra ny fivangongoan’ny fako sy fiparitahan’ny loto ka anisan’izany ny mety hiparitahan’ny aretina na/sy valan’aretina, ny tondra-drano satria anatin’ny vanim-potoan’ny orana isika izao… Hita taratra amin’izany fa mbola to-teny ary mbola ankafizin’ny vahoaka ny fitantanan’i Marc Ravalomanana tamin’ny fitondrany ary mbola miandrandra azy fatratra ny mponina hanala an’i Madagasikara anatin’ny fahantrana. MN L’article Marc Ravalomanana : Nanala an’Antananarivo tao anaty fako est apparu en premier sur .L’article Marc Ravalomanana : Nanala an’Antananarivo tao anaty fako a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Tenisy ambony latabatra: fantatra ireo solontenantsika ho any Maraoka

Tontosa, ny 3 sy ny 4 aogositra lasa teo, ny fifantenana ireo solontenantsika handray anjara amin’ny “Lalao afrikanina”, hotanterahina atsy Maoroka afaka tapa-bolana. Saika ireo mpilalao efa sangany avokoa ny nahazo ny tapakila ho amin’izany, nahitana an-dRazafindralambo Lino, i Takko, i Nativel ary Rakotoarisoa Setra. Tsahivina fa 12 mirahalahy ny niatrika ity fifantenana ity ka voasafidy tamin’izany izy efatra mirahalahy ireto. Marihina ny lehilahy ihany ny mandray anjara ho antsika amin’ity fa tsy misy vehivavy, izay antenaina fa mbola hahazo fahombiazana izy ireo amin’ity. Raha hiverenana, tsy nitsanga-menatra ity taranja ity tatsy Maorisy, nandritra ny “Lalaon’ny Nosy”, afaka nifampitaha sy nifanandrina tsara tamin’ireo Nosy rahavavy ny mpilalaontsika nandritra izany, ary nandrombaka medaly volamena mihitsy. Tsorina fa somary ambony no ho iny ny haavo teknika ho an’ny “Lalao afrikanina”, saingy mpilalao efa zatra miatrika ady sy fihaonana goavana maneran-tany avokoa izy ireto ka antenaina fa hanao izay faraheriny avokoa hiarovana ny voninahi-pirenena. Eo am-piandrasana izany, toy izao ny filaharana azon’izy efatra mirahalahy nandritra ny fifantenana. 1- Razafindralambo Zo (Lino) 2-Lefitriniaina Rinauld 3-Nativel Jonathan 4-Rakotoarisoa Setra. Mi.RazL’article Tenisy ambony latabatra: fantatra ireo solontenantsika ho any Maraoka a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Dihy fanatanjahantena: vita ny famindram-pahefana

Enim-bolana aty aoriana, tontosa ny famindram-pahefana teo amin’ny mpitantana teo aloha ny federasiona, ny dihy fanatanjahantena, i Leccia Jean Christian (Xian) sy ny filoha vaovao, i Rijamanitra. Ny alatsinainy lasa teo, teny Antanimena, ny nanatanterahana izany. Nandritra io fotoana io ny nanolorana ny mpitantana vaovao ny “statut”, ny fitsipika anatiny ary ny tatitra natao teny anivon’ny ligy. Nambaran’ny filoha am-perinasa fa maro ny tetikasa fa mbola haverina hampahafantarina izany amin’ny fanolorana ny birao vaovao, hatao tsy ho ela. Isan’izany ny fanakaikezana bebe kokoa ny ligy ahafahana miara-miasa ho fampandrosoana ity taranja ity. Eo ihany koa ny hamerenana indray ny fankafizan’ny olona izany dihy fanatanjahantena izany. Fanamby apetraka kosa ny hisian’ny fifaninanana matetika, ny hanantanterahana ny fifaninanana nasionaly goavana sy ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena. Tsiahivina fa ny volana marsa lasa teo no vita ny fifidianana ny mpitantana ny federasiona malagasy ny dihy fanatanjahantena, hitondra mandritra ny efa-taona manaraka. Mi.Raz L’article Dihy fanatanjahantena: vita ny famindram-pahefana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Asan-jiolahy miharo habibiana: raim-pianakavina iray maty, voaolana ny zanany vavy
26/10/2020

Ankoatra ny fandrobana nahazo ilay tokantrano iray eny Ambatotokana Tsarahasina, mbola niharan’ny fanolanana nataon’ireo jiolahy ihany koa ny zanaky ny tompon-trano. Ilay raim-pianakaviana, namoy ny ainy noho ny habibiana nihatra taminy. Ra niparitaka eran’ny trano, raim-pianakaviana namoy ny ainy, zanaka voazimbazimba sy fananana very. Ireo ny navelan’ireo jiolahy tao amina tokantrano iray eny Ambatotokana Tsarahasina, kaominina Ambohimangakely, ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo. Tokony ho tamin’ny 12 ora sy 15 minitra alina, niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ny jiolahy nirongo basy poleta sy « barre à pince », tsy nisaron-tava.« Ny alika nivovo no henoko ary nitsangana aho. Tampoka teo, hitako ny varavarana efa vaky ary ny lehilahy iray, efa nijoro teo akaikiko no nanaitra ahy », hoy ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana. Niantso vonjy izy, saingy voadarok’ireo jiolahy avy hatrany ary mbola nitakiany vola ihany koa. « Lehilahy iray atao hoe Bota ny karohina amin’izao ary ahina ao ambadiky ny fanafihana », hoy hatrany ny zandary. Vao nivoaka ny fonjan’i Tsiafahy io jiolahy io. Isan’ireo voatonona matetika amin’ny fanafihana mitranga eny Atsimondrano ny anarany.Henintsoa Hani L’article Asan-jiolahy miharo habibiana: raim-pianakavina iray maty, voaolana ny zanany vavy a été récupéré chez Newsmada.

DGSR-Gcam: tokony horaisina ara-teknika ny fiara vaovao vao amidy
29/10/2020

 Nihaona mivantana ny tompon’andraikitry ny foibe fitsarana fiarakodia sy ireo mpandraharaha mpanafatra sy mpivarotra fiara vaovao, omaly. Tonga nanatrika izany ireo solontenan’ny vondron’ireo mpandraharaha mpanafatra sy mpivarotra fiara vaovao (Gcam). Tanjon’ny fihaonana ny fampanarahan-dalàna ny sehatra fanafarana fiara sy fampidirana fiara vaovao eto Madagasikara. Eo koa ny fanamboarana sy ny fikirakirana ny ara-taratasy rehetra hahatomombana ny fivezivezena.Nasiana tsindrim-peo manokana ny mikasika ny tokony hanaovana fandraisana ara-teknika ireny fiara vaovao ireny mialoha ny hamarotana azy. Teo koa ny lalàna mikasika ny laharana WWT, izay voafaritra mazava fa ireo fiara vaovao navoakan’ny orinasa nanamboatra azy ihany no tokony hitondra izany.Anisan’ny nampitaraina mafy ny foibe fitsarana fiara teo aloha ny gaboraraka teo amin’io laharana WWT io satria misy fiara tena efa ratsy kanefa mbola mitondra izany ihany fa tsy milamina ny taratasiny.Hodinihina amin’ny fivoriana manaraka indray ny mikasika ny fanitsiana ireo andinin-dalàna efa misy hatramin’izay mba hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny. Iarahana amin’ny sampan-draharaham-panjakana voakasik’izany ny fihaonana amin’io fotoana io.Tatiana AL’article DGSR-Gcam: tokony horaisina ara-teknika ny fiara vaovao vao amidy a été récupéré chez Newsmada.

Enina ireo lavo: 158 ny tranga vaovao
26/10/2020

Misoko mangina tsy re tsaika. Miisa enina ireo lavon’ny Covid-19, tao anatin’ny herinandro. Teo anelanelan’ny 17 hatramin’ny 23 oktobra izany. Manodidina ny iray isan’andro eo ho eo izany ireo matin’ity valanaretina ity eto amintsika ary mananika ny 244 izao ireo nodimandry hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Efa manakaiky ny 250 izany.Etsy andaniny, miisa 158 ireo tranga vaovao tao anatin’izany herinandro izao. Manodidina ny 26 isan’andro eo ho eo izany ny isan’ireo nifindran’ny valanaretina eto amintsika. Miisa 86 kosa anefa ireo sitrana. Tafakatra 16 301 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo 16 968 mitondra Covid-19 eto Madagasikara hatramin’ny nisian’ny valanaretina. Izany hoe, misy 423 izany ireo mbola manaraka fitsaboana.Synèse R.L’article Enina ireo lavo: 158 ny tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Tetikasa Ambatovy: natolotra ny Malagasy ireo sisam-bakoka
23/10/2020

Natolotry ny orinasa Tetikasa Ambatovy ny mozea vaovao Vavitiana any Ampasimazava Toamasina ny sisam-bakoka maherin’ny 1 800, ny 22 oktobra teo. Hitany tany amin’ny toeram-pitrandrahana Ambatovy Moramanga ireo vakoka ireo, asa tanimanga tany an-toerana, toy ny vilany, ny sinibe tany, ny tavoara, ny lovia jobo, ny tavy tanimanga, sns, ary koa ny vakim-pitaratra. Araka ny daty tombana nomen’ny manampahaizana manokana momba ny arkeolojia avy ao amin’ny oniversite Antananarivo, teo anelanelan’ny taonjato faha-18 hatramin’ny faha-20 ny fotoana nisian’ireo vakoka ireo. Natolotra niraka amin’ireo koa ny boky firaiketana roa sy ny sarintany efatra mirakitra ireo asa fikarohana arkeolojika nataon’Ambatovy. Nandray izany ny tompon’andraikitra maro ao amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.Tafiditra ao anatin’ny laminasan’Ambatovy ny fitandroana ny arkeolojia, ny rakitry ny ela, ity hetsika ity, araka ny toky nomeny voarakitra anaty bokin’andraikitra amin’ny fitandroana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana sosialy ao anatin’ny fandaharanasa manokana PGES sy ny PGEDS.Tsiahivina fa efa nandray anjara tamin’ny fametrahana ny Foibe fikajiana ny vako-pirenena (Centre d’interprétation du patrimoine) any Toamasina ny orinasa Ambatovy, ny taona 2014. Natao izany hiarovana sy hampirantiana ho an’ny daholobe ireo zavatra nilevina arkeolojika hita tany amin’ny faritra iasan’Ambatovy eo anelanelan’i Moramanga sy i Toamasina.Njaka A.L’article Tetikasa Ambatovy: natolotra ny Malagasy ireo sisam-bakoka a été récupéré chez Newsmada.

valandresaka mahasika ny CORONAVIRUS niarahana tamin’ ny talen’ny DVSSER
29/10/2020

  Manoloana ny fiatrehana ny ady amin’ny famongorana ny COVID-19 dia nisy ny  valandresaka mahasika izany niarahana tamin’ ny talen’ny DVSSER androany 29 oktobra 2020. izay  niresahany sy nitondrany fanazavana  momba ny mason-tsivana izay atao amin’ny fanaovana fitiliana sy ireo toerana fanaovana izany. Novelabelariny tao anatin’izany ihany koa ny fepetra rehetra raisina mahasika ireo olona tonga amin’ny « vol de rapatriement ». Tsara ny manamarika fa mbola misy hatrany ny fanaovana fitiliana na dia efa nahitana fihenana ary ny tranga vaovao. Sary sy Fanadihadiana : DC/SCM-MSANP L’article valandresaka mahasika ny CORONAVIRUS niarahana tamin’ ny talen’ny DVSSER a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Ady ho an’ny fanjarian-tsakafo: handrakotra ny faritra 22 ny Vovonana Hina 
29/10/2020

 Hiitatra amin’ny faritra 22 ny rantsan’ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misehatra ho an’ny fanjarian-tsakafo (Hina), manomboka amin’ny volana novambra ka hametraka ny mpikambana ao amin’ny faritra Sofia sy Betsiboka ny mpitantana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Vovonan’ny Hetsika iraisana natokana iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo (Hina), Razafimandimby Andriamandranto, omaly, teny Ambolokandrina. Miatrika fivoriambe mandritra ny hateloana eto Antananarivo ny mpiandraikitra ny masoivohon’ny Hina amin’ny faritra 20 efa ahitana mpikambana. Hamaritra ny laminasa ho an’ny dimy taona ho avy ny mpivory 80 nisolotena ny faritra ary hanombana ny asa vita rehetra. Manana ny toerany ny Vovonana amin’ny vokatra azo teo amin’ny fampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ho 42%, araka ny fanadihadiana MICS raha niainga tamin’ny taha 47,3%, ny taona 2012 (EDS). Mandray anjara hatrany amin’ny fandrafetana ny politika samihafa iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny mpikambana miainga eny ifotony ka mipaka amin’ny governemanta. Zava-dehibe koa ny sisin-kevitra hampiakarana ny vola hatokana ho an’ny fanjarian-tsakafo hampahomby ny asa, hoy ny filoha lefitry ny Hina, Faniry Hantarinivo.Ireo mpikambana rehetra isam-paritra no handrafitra ny asa ho an’ny dimy taona manaraka. Tsinjo sahady fa tsy maintsy hamafisina ny fanentanana sy ny fampianarana ny isan-tokantrano hanovaova ny sakafo amin’ny vokatra misy eo an-toerana. Nampisongadina ny Vovonana tao anatin’ny dimy taona vita ny fampianarana ny maha zava-dehibe ny 1000 andro eo amin’ny zaza, manomboka vao mitsaika ao am-bohoka ka hatramin’ny  faharoa taonany.Vonjy A.L’article Ady ho an’ny fanjarian-tsakafo: handrakotra ny faritra 22 ny Vovonana Hina  a été récupéré chez Newsmada.

Sambokely rendrika : avotra avokoa ireo mpandeha miisa 10
24/10/2020

Rendrika, omaly maraina manodidina ny tamin’ny 7 ora tao amin’ny vavaranon’i Ma­roa­ntsetra, ny sambokely iray. Nikasa ho any Navana, kaominina ambanivohitr’An­ja­ha­na, ilay sambo avy any Ma­ro­antsetra io kanjo tra-doza no­ho ny haratsian’ny toetr’andro ka rendrika. Niainga avy ha­trany ny zandariamaria ao amin’ny tobim-paritr’i Maro­an­tsetra raha vao nahare ny tranga. Nanao vonjiaina ireo traboina niaraka amin’ny sambo haingam-pandeha niaraka amin’ny polisim-pirenena. Vokany, avotra soa aman-tsara ireo mpandeha miisa 10 sy ny mpanamory miisa roa. Misy ihany koa ireo entana ma­romaro an’ireo mpandeha mbola avotra.«Manentana ny zandariamaria fa raha vao maloka na be rivotra na manorambe ny andro, tokony haato aloha ny fivezivezena an-dranomasina hialàna amin’ny loza toy izao», hoy ny Zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao.Henintsoa HaniL’article Sambokely rendrika : avotra avokoa ireo mpandeha miisa 10 a été récupéré chez Newsmada.

Fotodrafitrasan’ny rano: mahomby ny fitantanan’ny tsy miankina
28/10/2020

 Nanomboka omaly ny atrikasa tanterahin’ny minisiteran’ny Rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana miaraka amin’ireo orinasa tsy miankina miantsehatra amin’ny rano atao etsy Ivandry. Haharitra telo andro ny fihaonana.Handinihana ny fomba hampidiram-bola amin’ny sehatry ny fitantanana ny rano eto Madagasikara ny atrikasa. Fanentanana ireo mpiara-miombon’antoka tsy miankina handray anjara amin’ny fitantanana madio sy mangarahara ny fotodrafitrasa momba ny rano sy fidiovana ihany koa.Nilaza ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Rano, Randriatsiferana Simon, fa mbola ambany ny tahan’ny fahazoana rano fisotro madio eto amintsika. Toy izany koa ny fisitrahan’ny Malagasy ny fahadiovana sy fidiovana, izay mifamatotra tanteraka amin’ny rano rahateo.Rehefa natao ny fandihadiana, tsy nahitam-bokany ny fotodrafitrasa momba ny rano sy fidiovana notantanin’ny fikambanana tsotra na ny kaominina. Porofon’izany ny vola vidin-drano lanin’ny mpiandry paompy ary mikatona ilay fotodrafitrasa avy ka lasa fatiantoka ho an’ny mponina sy ny tanàna ary vesatra ho an’ny fanjakana ny trosa avelan’izany avy eo.Eo koa ny fotodrafitrasan’ny fahadiovana izay lasa mitsipozipozy sy maloto satria ratsy tantana no nanaovan’ireo fikambanana sy kaominina azy.Tao anatin’ny 15 taona taty aoriana kosa, tsikaritra fa mateza kokoa ny fotodrafitrasa tantanan’ny otrinasa tsy miankina. Hentitra kokoa ny fitantanana tsy hita ny goragora ary mampanaja ny fepetra sy ny fandoavam-bola vidin-drano amin’ny mponina ireo mpitantana ny fotodrafitrasa eny ifotony.Izany indrindra no anton’ity atrikasa ity ary mbola hampandraisana anjara feno ny sehatra tsy miankina hatrany hanao famatsiam-bola amin’ny tontolon’ny rano sy fidovana ary fahadiovana.Tatiana AL’article Fotodrafitrasan’ny rano: mahomby ny fitantanan’ny tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

Sidina avy any ivelany : mikatona indray ny any Nosy Be
24/10/2020

Noho ny tahotra ny Covid-19, sidina avy amina firenena folo voararan’ny ACM (Avi­a­tion civile de Madagascar) tsy hiditra eto Madagasikara amin’ izao fotoana izao. Voakasika amin’izany didy izany: i Fran­tsa, i Belzika, i Alemaina, i Es­paina, i Italia, i Holandy, i Po­lo­na, i Angletera, i Ukraine, ary i Rosia. Tena voakasik’izany ireo sidina mankany No­sy Be, izay vao nosokafana ny 1 ok­tobra teo ho fanarenana ny fizahantany. Tsiahivina ko­sa fa ny 1 novambra ny sidina farany fampodiana an-tanindrazana. Fotoana farany ny alakamisy hariva 22 oktobra teo, no­sakanana ny mpandeha 24 avy any Paris ho any Nosy Be, saika hiampita ao La Réunion. Tsy faly ireo mpandeha ireo sa­tria tsy fantatra mialoha ny fepetra noraisina. Tsy vitsy ihany koa ireo mpitantana ho­tely mpandray vahiny any No­sy Be naneho ny tsy fankatoavany izao fepetra izao, mampihemotra indray ny fizahantany. Manamarina ny fepetra noraisin’ny fanjakana ny mi­ni­sitry ny Fitaterana sy ny fizahantany, Randriamandran­to Richard, nanambara ny tsy fankatoavana ny mety mbola hiverenan’ny aretina Covid-19. Izany hoe, araka ny nambaran’ny minisitra, efa resy izany io aretina io eto an-toerana.R.MathieuL’article Sidina avy any ivelany : mikatona indray ny any Nosy Be a été récupéré chez Newsmada.

Fitsindromana “héroïne” : Telo lahy 5 taona an-tranomaizina
24/10/2020

Niakatra tao amin’ny la­pan’ny Fitsarana ambony misahana ny heloka bevava Toa­masina, ny alatsinainy lasa teo, ny raharahan’ireo andian-jatovo voasambotry ny poli­sin’ny Fip noho ny fitsindromana zava-mahadomelina ma­hery vaika “héroïne”, ny 16 mey 2019. Tao amin’ny alan’ny lycée Jean Rabemananjara Salamazay Toamasina no tratra ireto andian-jatovo ireto tamin’io fotoana io. Araka ny laharan’ny antontan-taratasin’ady 61-Toa/20 nahavoarohirohy an’i Hajanirina Garnier Erick, 52 taona, mpamily taksiborosy (tonga niatrika ny fotoam-pitsarana), i Ali Ama­di Amada sy Rasolofoniaina Antonio Thierry ary i Do­mennico, ireto telo lahy ireto izay tsy nanatrika ny fotoam-pitsarana satria efa nahazo fahafahana vonjimaika, tsy niandry ela tao am-ponja to­kony hiandry fotoam-pitsarana amin’ny maha raharaha goavana ny zava-mahadomelina toy itony. Niaiky, nandritra ny fotoam-pitsarana, i Ha­janirina Erick ary noporofoiny fa anisan’ny mpanjifa “héroïne” izy, saingy efa najanony izany noho ny fidirany hopitaly. Nohamafisiny teo anolo­an’ny fitsarana fa tsy anisan’ ireo voasambotry ny polisy teo am-pitsindronana izy fa ireo andian-jatovo telo lahy tratra teo am-pitsindronana teo akaikin’ny lycée no nitoroka azy ho nizara amin’izy ireo.Fivarotana sy fanapariahana ary fanjifana fitsindronana “héroïne” ny vesatra anenjehana ireto efa-dahy voampanga ireto. Nilatsaka ny sazy taorian’ny fifandresen-dahatra ka izao voaheloka sazy asa an-terivozona an-tranomaizina 5 taona miampy didy fampisamborana ireo voampanga.SajoL’article Fitsindromana “héroïne” : Telo lahy 5 taona an-tranomaizina a été récupéré chez Newsmada.

Faritra Anosy sy Androy: nojeren’ny minisiteran’ny Indostria ny momba ny kere
27/10/2020

 Ny 23 sy ny 24 oktobra teo, nitarika atrikasa tany amin’ny faritra Anosy ny minisitry ny Indostria, ny varotra sy ny asa tanana (Mica), Rakotomalala Lantosoa. Atrikasa hiatrehana ny kere any atsimo, araka ny toromariky ny filohan’ny Repoblika, ny natao tamin’izany, niarahana amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana.Anisan’ny laharam-pahamehana ny famatsiana ireo zavatra ilaina andavanandro (PPN) any amin’ny faritra hamahana ny olana sy hanamorana ny fizarana izany any amin’ny faritra Anosy sy Androy, amin’ny vidiny rariny. Nandritra izany fotoana izany, nohararaotin’ny minisitra ny fandalovana amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala, nandraisana kaontenera 150, izay tsy ho tapaka isaky ny telo volana. Ny 75 % amin’ireo PPN ireo tonga tao amin’ny seranan-tsambo. Nitarika fivoriana niaraka amin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana ny minisitra. Hatao izay fomba rehetra hizarana izany ara-drariny ho an’ireo faritra roa ireo.Fepetra noraisina koa ny fiarovana ny mpanjifa, nizahana ireo entana any amin’ny mpamongady, ny fizahana natao tampoka. Hita ary nakatona tamin’izany ireo tranombarotra lehibe tsy manana antontan-taratasy, manamarina fa afaka mampisondrotra ny vidin-javatra. Nisy koa ny fihaonana amin’ireo mpanao asa tanana, nifanakalozan-kevitra hitadiavana lalam-barotra. Namaranana ny fitsidihan’ny minisitra Rakotomalala Lantosoa, nitsidika ny orinasa mpanodina vokatry ny fambolena, anisan’ny vahaolana amin’ny ady amin’ny faharatsian-tsakafo.R.MathieuL’article Faritra Anosy sy Androy: nojeren’ny minisiteran’ny Indostria ny momba ny kere a été récupéré chez Newsmada.

Mpanao gazety sy mpanakanto : napetraka ho zava-dehibe ny fifampitaizana
24/10/2020

Somary nihenjan-droa ny tady tato ho ato eo amin’ny mpanao gazety misahana ny kolontsaina sy ny mpanakanto na tsy hita niharihary be aza izany. Nisy ny dinika nifanaovan’ny solontenan’ny roa ton­ta, omaly tetsy amin’ny CGM Analakely, nandravonana ny lesoka. Nisongadina tao anatin’izany fa mila hampitomboina ny serasera eo amin’ny mpanao gazety misahana ny kolontsaina sy ny mpanakanto hifankahalala bebe kokoa eo amin’ny asa iandraiketan’ny tsirairay izy ireo. Hapetraka ho zava-dehibe ny fifampitaizana hisian’ny lamina sy ny fifandrohizan’asa eo amin’ny roa tonta. Nomarihin’ny solontenan’ny CGM Analakely fa mila mifampiresaka ihany koa ny samy mpanakanto sy ny samy mpanao gazety misahana ny kolontsaina satria endriky ny fifampitaizana sy ny fifampitan-kafatra ihany koa izany.Nanangona : HaRy RazafindrakotoL’article Mpanao gazety sy mpanakanto : napetraka ho zava-dehibe ny fifampitaizana a été récupéré chez Newsmada.