Fanamboaran-dalana vaovao: 20 miliara ariary ny onitra ho an’izay esorina

News - Fanamboaran-dalana vaovao: 20 miliara ariary ny onitra ho an’izay esorina

News - Fanamboaran-dalana vaovao: 20 miliara ariary ny onitra ho an’izay esorina

Mitohy ny asa fanamboaran-dalana avy eny Andranobevava mivoaka any amin’ny By Bass (Rocade avaratra atsinanana sy atsinanana). Hanome endrika vaovao ny tanànan’Antananarivo ny fahavitan’io lalana io, sy hanamaivana ny fifamoivoizana. Hamafisina ny fepetra efa noraisina amin’ny fanalàna ny mponina manodidina, fepetra takin’ireo mpamatsy vola (AFD, Bei, UE)*hampandehanana ny asa, sady tombontsoa iombonana, araka ny fanazavan’ny talen’ny fanajariana ny tany, Rabearimanana.

Anjaran’ny fanjakana ny miantoka ny onitra ho an’ireo rehetra tsy maintsy esorina. 20 miliara ariary ny atokana amin’izany, ho an’izay manan-tany, trano, tanimbary sy karazam-boly hafa, toeram-pivarotana, toeram-piasana, sns. Dingana maro ny atao, manomboka ao amin’ny  sampana fanajariana ny tany, mandalo ao amin’ny minisiteran’ny Vola, manefa ny onitra. Ilaina fanamarinana ny fananan-tany, trano, sy izay fitadiavam-bola hafa. Honerana hatramin’ny mpanofa trano. Tombanana amin’ny sandan’ny ankehitriny ny zavatra tsy maintsy ravana, koa arak’izay koa ny vola omen’ny fanjakana.

Tokantrano miisa 1087 sy tany 507 no voakasik’izao fandravana izao. Jerena akaiky ny momba ny trano, tanimbary sy fambolena hafa, asa fitadiavam-bola voatery ravana. 50 % ny onitra efa noraisina tamin’ireo. « Tsy ataon’ny fanjakana ny manavesatra izany, indrindra ho an’ireo sahirana sy beantitra », hoy ny talen’ny fanajariana ny tany, Rabearimanana.

Somary tratra aoriana ny fahazoana onitra momba ny tany sy ny tanimbary noho ny fahasimban’ny boky fanamarinana ao amin’ny fananan-tany, sy ny fahasarotana fanaovana taratasy fandovana. Tany 69 fotsiny izao amin’ireo 507 no voasolo vola. Vahaolana ny fananganana Fitsarana manokana momba ny tany. Hanirahana vadintany sy mpitandro filaminana izay manda tsy mety miala.

 

R.Mathieu

 

*AFD : Agence française de développement

 Bei :  Banque européenne d’investissement

UE : Union européenne

Article tiré de Newsmada

L’article Fanamboaran-dalana vaovao: 20 miliara ariary ny onitra ho an’izay esorina a été récupéré chez Newsmada.

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Mpandrindra vaovaon’ny ONN: « Mila tsapan’ny isan-tokantrano ny vokatry ny fanjarian-tsakafo » 

“Tokony ho tsapan’ny isan-tokantrano ny fiantriakan’ny fanjarian-tsakafo”, hoy ny mpandrindra nasionaly vaovaon’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN), ny dokotera Solofonirina Lucie, omaly, nandritra ny fandraisany ny andraikitra teny Anosy. Tanjon’ny asa rehetra amin’ny ho avy ny fahombiazan’ny asa ho fanatsarana ny andavanandron’ny Malagasy rehetra, araka ny nambarany ihany. Nyu 10 avrily lasa teo no voatendry handray hitantana ny ONN ny tenany ka hisolo toerana an-Raveloharison Ambinintsoa.Nahitam-bokatra azo tsapain-tanana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ka hotohizana izany miaraka amin’ny fandraisana anjaran’ny rehetra.Efa manana traikefa amin’ny fitantanana tetikasa maro izy teny anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana ary hitondra izany ho an’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Nisy avy hatrany ny fivoriana niarahany tamin’ny teknisianina samihafa ao anatin’ny ONN.Vonjy A. L’article Mpandrindra vaovaon’ny ONN: « Mila tsapan’ny isan-tokantrano ny vokatry ny fanjarian-tsakafo »  a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

FAMPIVOARANA :: Liana amin’ny fanamafisana traikefa hidirana amin’ny asa ireo tanora

Tanora maro no tonga tetsy amin’ny AFT Andavamamba, ny sabotsy lasa teo, nanatrika ny iray andro natokana ho an’ny fampananana asa. Araka ny fantatra, anisan’ny olana tena sedrain’izy ireo ankehitriny ny tsy fahampian’ ny traikefa hahafahany miditra amin’ny sehatry ny asa. “Tanjona amin’ity hetsika ity ny hanampiana ireo tanora tsy ankanavaka, na nahavita fianarana na tsia, mba hahafany manampy traikefa amin’ny fidirana amin’ny sehatry ny asa sy hahalalany bebe koa ny mikasika ny sehatra araka asa”, araka ny fanazavan’ny tompon’ andraikitra iray, ny sabotsy lasa teo nandritra ny hetsika. Araka izany, tsy natokana ho an’ ireo nahavita fianarana na manana diplaoma ihany ity hetsika ity fa natao ho an’ireo rehetra mangetaheta, na hiasa amin’ny orinasa na hanao asa tena rahatrizay. Tranoheva maro nahitana ireo toeram-panofanana maro samihafa sy ny orinasa ihany koa no hita teny an-toerana ny sabotsy lasa teo. Ankoatra izay, nahaliana ireo tanora tonga teny an-toerana ireo famelabelaran-kevitra izay notanterahin’ny avy ao amin’ny minisiteran’ ny Indostria. Maro be ihany koa ireo liana tamin’ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo tanora sasany efa nahatsangana ny orinasany manokana. L’article FAMPIVOARANA :: Liana amin’ny fanamafisana traikefa hidirana amin’ny asa ireo tanora est apparu en premier sur AoRaha.

News - Midi Madagasikara

Fanafihana mitam-basy teto Toamasina : Tratra ambodiomby tao Andranomadio i Jackson Eddy

Ny sabotsy 29 septambra antoandro dia tovolahy iray tsy nanampo na inona na inona no nosakanana jiolahy teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena eto Toamasina. Avy hatrany dia voambana basy PA ity tovolahy ity ka lasa tamin’izany ny moto sy ny vola 400.000 ariary tany aminy nandritra izany. Taorian’izay dia nametraka fitoriana avy hatrany teny amin’ny polisy ilay tovolahy, tsy nisaron-tava rahateo ireo nandrava azy niaraka tamina basy nandritra izany ka tadidiny tsara. Raha naharay ny fitoriana ny polisy dia nanao ny fikarohany noho ilay fandravana nisy fanambanana basy, ka ny alakamisy 16 novambra teo dia nahazo loharanom-baovao izy ireo fa misy moto tsy ara-dalana sy mampiahiahy entin’olona ao Andranomadio P/elle 11/41. Avy hatrany dia noraisin’ny polisin’ny FIP an-tanana ny fanaraha-maso ity moto tsy ara-dalana sy ny mpitondra azy ity, ka teo no nahalalana fa ilay moto nisy nandroba teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena ny volana septambra teo ilay izy. Raha natao ny fisamborana dia tratra nandritra izany Ingahy Jackson Eddy, ilay nanambana basy ity tovolahy teny amin’ny araben’ny fahaleovan-tena. Tafaverina amin’ny tompony ihany koa ilay moto ankehitriny. Miatrika ny fakana am-bavany azy Ingahy Jackson Eddy mamaly ireo fanadihadiana ataon’ny polisy azy mikasika ny halatra vitany sy ny momba ilay basy nampiasainy. Ankilan’izay dia ny alin’ny talata 13 novambra teo dia entan’ny tovolahy iray tonga eto Toamasina avy any Antananarivo namonjy fodiana tao Tanambao V, no nentina posy bisikileta nitsoaka. Mpanamboatra finday ilay very entana ka lasan’ity mpitondra posy ity avokoa ireo findain’olona hamboarina tany aminy nandritra izany. Taorian’ny fitoriana nataon’ilay tovolahy dia nanomboka ny fanaraha-mason’ny polisin’ny FIP, ka tratra tao amin’ireo mpivarotra alina, “bazarim-bolondolo”, Ambolomadinika, ny alakamisy 15 novambra teo, ireto entana very nentin’ilay mpitondra posy bisikileta nitsoaka. Manao antso avo hatrany ny polisy sy ny mpitandro ny filaminana ny tokony hahamailo mandrakariva ny rehetra fa tsy kely lalana sy tsy lavitra ny tsirairay ny jiolahy izao. Malala DidierL’article Fanafihana mitam-basy teto Toamasina : Tratra ambodiomby tao Andranomadio i Jackson Eddy a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Ao Raha

Pilo kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

“Révélation de l’année”: hanolotra seho roa ry Rossito sy Gastick

«Révélation de l’Année». Io ny lohatenin’ny seho roa iarahana amin’i Rossitto sy i Gastick, eto an-dRenivohitra amin’ny fiandohan’io volana Desambra io. Ny voalohany, eny amin’ny Jao’s Pub Ambohipo,  ny asabotsy 1 desambra. Aorian’izay, eny amin’ny Le Glacier Analakely ny fotoana, ny alakamisy 6 desambra. Samy hanomboka amin’ny 9 ora alina avokoa  ny lanonana amin’ireo hetsika ireo. Mpanakanto anisan’ireo nisondrotra haingana eo amin’ny tontolon’ny mozika mafana i Rossito sy i Gastick. Tafita avy hatrany tany an-tsofin’ny mpihaino, indrindra ny eto an-dRenivohitra, ny mozikan’izy mirahalahy, izay efa manana ny lazany any amin’ny faritra, talohan’izany. Mikasika ny fampisehoana hotanterahin’izy ireo, nambaran’i Rossito fa hisy fahasamihafana ny zavatra ho hita ao amin’ny  Jao’s Pub sy eny Analakely. Samy manana ny hirany sy ny gadona manavanana azy avy mantsy  izy roa lahy ireo ka samy hanasongadina izany, mandritra ireo seho roa voalohany eto an-dRenivohitra ireo. Anisan’ny andrasan’ny mpankafy ny fampiaraham-peon’izy mirahalahy. Hanome fahafaham-po izy ireo, amin’izao hetsika izao, araka ny fampanantenana. Tsy ho voafetra ny lanonana fa miankina  amin’ny filàn’ny mpankafy. Hanelanelana ny fampisehoana, eny amin’ny Jao’s Pub ny fanentanan’i DJ Faiheg. Ho an’i Rossitto manokana, an-dalana ny famoahana rindran-tsary vaovao. Hotohizana any amin’ny faritra samihafa kosa ny seho an-tsehatra, amin’ny fiandohan’io taona vaovao io. Landy R.  L’article “Révélation de l’année”: hanolotra seho roa ry Rossito sy Gastick a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tranoben’ny fifandraisana: tale jeneraly I Fanjanarivo Symonette

Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin’ity herinandro ity, voatendry ho tale jeneralin’ny Tranoben’ny fifandraisana eny amin’ny oniversite i Fanjanarivo Symonette Pascaline. Efa mpanao gazety an-tsoratra matihanina an-taony maro izy nialoha ny naha voatendry azy amin’izao toerana izao.L’article Tranoben’ny fifandraisana: tale jeneraly I Fanjanarivo Symonette a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampitahan’ ny “Emergence” ny IEM sy ny Map II: “Aoka hampiakarina ny lentan’ny adihevitra hatao”

Nanazava ny fomba fijeriny amin’ny fomba mahitsy ny vina sy ny fandaharanasan’ny kandidà roa: Ravalomanana sy Rajoelina, ny eo anivon’ny Emergence Madagascar, tarihin-dRaboanarijaona Olijaona, omaly tetsy Antaninarenina. Niantso ny rehetra anefa ny tenany, indrindra ireo tsy nandatsa-bato tamin’ny fihodinana voalohany, mba hifidy mazava ny fandaharanasa hita fa mahasoa ny firenena sy ny vahoaka ary hampiakatra ny fari-piainan’ny Malagasy manontolo. Eo koa ny antsony ho an’ireo mpitarika politika sy mpanohana hanabe ny mpikatroka ao aminy ahafahana mametraka adihevitra miompana amin’ny fandaharanasa. “Hiakaran’ny adihevitra mandritra ny propagandy ary hialana amin’ny fifampihantsiana tsy mitondra voka-tsoa ho an’ny firenena”, hoy izy. Nanteriny fa ho an’ny tombontsoan’ny firenena sy ny hoavin’ny taranaka izany. Nitondrany fampitahana ny vinan’ny kandidà laharana faha-13 sy ny laharana faha-25 ao amin’ny IEM sy ny Map II, eo amin’ny lafiny toekarena sy ny fihariana. Ny sandam-bola sy ny indostria. Eo koa ny fandraharahana sy ny indostria ary ny fifandraisana iraisam-pirenena… Synèse R.   L’article Fampitahan’ ny “Emergence” ny IEM sy ny Map II: “Aoka hampiakarina ny lentan’ny adihevitra hatao” a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

FENO NY KAPOAKAN’NY MPONINA :: Hitohy amin’ny hetsika goavana ny fitakiana ny tsy fisian-drano eny Itaosy

Fanairana faobe. Hihamafy ireo hetsika hotanterahin’ireo mponina eny Itaosy manom- boka anio manoloana ny tsy fisian’ny rano eny an-toerana. Hanao fitokonana fanairana hitambarana izy ireo mandritra izany. “ Manome fotoana ny tompon’andraikitra izahay mba hamerina ny fandefasana ny rano hatramin’ny anio. Raha tsy mbola tafaverina ao ao anatin’izay fotoana izay ny rano dia hiroso amin’ ny fitokonana fanairana faobe izahay”, araka ny fanazavan’ny solontenan’ ny mponina eny Ambohidrapeto, omaly. Ny mponina teny amin’ity kaominina ity izay efa nanamafy ny hetsika nataon’izy ireo tamin’ny sabotsy lasa teo manoloana ny siniben-drano eny an-toerana. Nandritra ny adiny iray sy sasany ny faharetan’ny hetsika. Fahatapahan-dalana Milaza ny hiroso amin’ ny fanapahan-dalana ireo mponina, araka ny fana- zavana, raha mbola tsy misy ny vahaolana. Tsy ireo mpanjifa ao amin’ny kaominina Ambohidrapeto ihany fa ho tonga hanotrona ny hetsika ihany koa ny avy ao amin’ny kaominina Ambavahaditokana, Andrano- nahoatra, Fiombonana, Ankadimanga ary Itaosy. Eo amin’ny siniben-drano eny an-toerana ihany no hanatanterahan’izy ireo ity hetsika ity. Tsiahivina fa efa ho efa- bolana izay ireto mponina ireto no tsy nahazo famatsian- drano intsony avy amin’ ny Jirama. Efa nitady vahaolana izy ireo toy ny fakàna rano any an-tanimbary saingy efa tsy maharaka intsony izany ankehitriny. “ Efa ilaharana ihany koa ny rano any an-tanimbary. Tsy misy vahaolana afa-tsy ny fiverenan’ny famatsiana avy amin’ny Jirama ihany”, hoy ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray monina eny an-toerana. Efa nandefa “Citerne” ny tompon’andraikitra ao amin’ny Jirama hanampiana ireo mpanjifany eny an-toerana amin’ny alalan’ny fizarana rano. Manamafy anefa ireo mponina fa tsy maharaka ny filàna ny rano voazaran’ny “citerne”, satria voafetra ihany ny anjaran’ny tokantrano tsirairay amin’izany. Araka ny fanazavan’ireto farany, ny fikarakarana sakafo ihany no vitan’ity rano zaraina ity ary tsy mahasahana ny filàn’ny fianakaviana ao anatin’ny iray andro izany. L’article FENO NY KAPOAKAN’NY MPONINA :: Hitohy amin’ny hetsika goavana ny fitakiana ny tsy fisian-drano eny Itaosy est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Sehatra bà gasy: fahombiazana ny « Fety sy valo » voalohany

Manamarika ny 10 taona nijoroany ny Sehatra bà gasy, vovonana ivondronan’ireo tarika mpiangaly sy mpankafy bà gasy. Hetsika lehibe hanombohana ny fanamarihana izany sy ho tsangambaton’ity tsingerin-taona ity ny « Fety sy valo bà gasy », notanterahina ny 31 mey hatramin’ny omaly, teto an-dRenivohitra.« Fety, satria volan’ny fety ny volana jona. Ao anatin’izany ny fetim-pirenena, ny fetin’ny ankizy, ny famaranana ny fararano. Ny hoe valo kosa, isa manan-danja ho an’ny Malagasy. Azo itarafana izany ny hoe trano valozoro na trano miezinezina, ny taolambalo izay midika fa tsy atao tsinontsinona ny razana, ny lafivalo, izay mifandray amin’ny hoe fety ho an’ny rehetra ny “Fety sy valo bà gasy”, hoy ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny Sehatra bà gasy, Rasolondraibe.Angatahana fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny hanatanterahana ny “Fety sy valo bà gasy” isan-taona, hanandratana ny zavakanto malagasy, araka ny nambaran’ity filohan’ny fikambanana ity hatrany.  Nosantarina tamin’ny “Takarivan-danonana » ny hetsika, ny zoma teo teny amin’ny IKM Antsahavola.Ny asabotsy kosa, nisy ny fampirantiana narahin’ny seho, tetsy amin’ny Tahala Rarihasina.  Nifandimby niaka-tsehatra kosa ny tarika mpikambana miisa 35, omaly tetsy amin’ny CC Esca Antanimena.Landy R.  L’article Sehatra bà gasy: fahombiazana ny « Fety sy valo » voalohany a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Vola sandoka

Sarona, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, ny vola sandoka mitentina dimy alina ariary teny amin’ity lehilahy iray. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa saika nakan’io lehilahy io mpivarotena sy hanofana trano ireo vola sandoka ireo no izao tratra izao. Natolotra ny Fampanoavana izy ka naiditra am-ponja vonjimaika avy eo. L’article Vola sandoka est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Notsongaina

Mpianatra avy any Sambirano: manolotra fampisehoana ho fanatanterahana ny asa sosialy

« Antom-pisian’ny fikambanan’ny mpianatra avy any Ambanja (AESUA) ny fifanohanana, indrindra eo amin’ny  lafiny fianarana. Tanjona ny hahatafita ny tsirairay amin’izay lalam-piofanana nofidiny », hoy i Ludovic Odon, filohan’ity fikambanana ity. Tsy vitsy ny misedra olana, mila fanampiana. Izay indrindra ny nahatonga ny biraon’ny fikambanana hikarakara fampisehoana, rahampitso hariva, eny amin’ny Fast Food eny Ankatso.Mpanakanto hanafana ny lanonana amin’ity asabotsy ity i Smaven. “ Soiree m’feeling” ny lohateny nampisaloran’ny mpikarakara ny hetsika. Nambaran’i Ludovic Odon,  filohan’ny fikambanana  fa  tena tanjona amin’io ny hampiseho firaisankina eo amin’ny samy mpikambana sy hitadiavam-bola hoentina manatanteraka asa sosialy  ho fanampiana ny mpianatra tojo fahasahiranana. Hampahafantarina ny rehetra, mandritra io fotoana io, ny birao vaovaon’ny AESUA.Hanamarika ity lanonana ity koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo nahavita be teo anivon’ny fikambanana. Hanelanelana ny fampisehoana ny fanentanana, iarahana amin’ny DJ.Landy R.  L’article Mpianatra avy any Sambirano: manolotra fampisehoana ho fanatanterahana ny asa sosialy a été récupéré chez Newsmada.

Filoha Rajoelina: « Homeko “prime” izay mahazo medaly »

« Izay mahazo medaly na volmena na volafotsy sy alimo, homeko medaly manokana rehefa tafaverina any an-tanindrazana”. Io ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry nandritra ny fitsidihany ireo atleta ao amin’ny hotel Victoria Maorisy, ny faran’ny herinandro teo. Nampirisika ireto atleta ireto hiady mafy sy hiady hatramin’ny farany ny tenany satria isika no Nosy lehibe indrindra raha mitaha amin’ireo Nosy mpifanandrina. “Tsy maintsy lohany isika”, hoy izy, ary tsy maintsy mandresy manomboka izao.“Hovaintsika amin’izay ny tantara”, hoy hatrany ny filoha. Fantatro, hoy izy, ny fijalianareo rehefa hiatrika fampivondronana sy handeha hivoaka any ivelany handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena noho ny haratsian’ny sakafo, ny trano hipetrahana ary ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Ny fanatanjahantena anefa, hoy hatrany ny filoha, ny hahitana ny endrika sy herin’ny firenena iray. Tsapako fa ny tsy fahampiana no nahatonga izany taloha ka manomboka izao, hampiana ianareo, tsy hiandry ela fa efa hatomboka izao ny fanomanana ny “Lalaon’ny Nosy 2023”. “Hahazo “bourse” isam-bolana ihany koa ny atleta matihanina, hampiana ny feserasiona, hahafahana mampandroso ny taranja”, hoy hatrany ny filoham-pirenena. Mi.Raz  L’article Filoha Rajoelina: « Homeko “prime” izay mahazo medaly » a été récupéré chez Newsmada.

Moramanga – Anosibe an’Ala: atao ao anatin’ny roa andro ny lalana 71 km

Manana ny maha izy azy ny distrikan’Anosibe an’Ala, saingy tsy tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana ny fanamboaran-dalalana. Hatreto, potika tanteraka ny lalana ary tsy misy ny daty hamantarana ny hanarenana azy.Azo heverina fa tsy misy fiangarana eto amintsika. Na izany aza, anisan’ny mampikaikaika ny mponina ny haratsian’ny lalana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’Ala. Roa andro ny hanaovana ny lalana 71 km raha vita amin’izao vanim-potoana izao nefa tokony ho 1 ora sy 30 mn.  Efa ampolo taona maro izany faharatsian’ny lalana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’Ala izany fa tsy misy miraharaha. Mijaly ny mponina, velon-taraina, ka mitondra ny feon’izy ireo ny solombavambahoaka any an-toerana, i Ndrianasy Bernando Germain. “Fiara vaventy ihany mitondra entana sady mitatitra olona ny afaka amin’izany lalana  izany, atao mandritra ny roa andro. Mampalahelo ny mahita ireo mpandeha ireo, sao sanatria misy loza”, hoy ny solombavambahoaka any an-toerana. Maro koa ny vokatra avy any Anosibe An’Ala tsy tafavoaka, toy ny akondro, ohatra.Tsy misy mihitsy ny fotodrafitrasam-pampandrosoanaBetsaka ny voka-dratsin’izay faharatsin-dalana izay: malaina ny mpiasam-panjakana ho any an-toerana ka sahirana ny mponina amin’ny lafiny fahasalamana, ny fampianarana, hatramin’ny fitandroana ny fiarovana ny distrika, sahirana ireo mpitandro filaminana. Andrasana ny ahitana ireny fitaovana tamin’ny 26 jona ireny ho tonga any an-toerana.Mijaly ihany koa ny distrika iray manontolo momba ny famatsiana herinaratra. Ambalahonko, ony iray lehibe any an-toerana, azo trandrahina tsara nefa avily aty Analamanga ny tombontsoa azo avy amin’io renirano lehibe io fa tsy mba misitraka izany ny any Mangoro. Koa mangataka amin’ny fitondrana mpanatanteraka ny vahoaka any Anosibe an’Ala hijerena azy ireo akaiky fa mijaly loatra, amina sehatra rehetra mihitsy, tsy misy mangirana ny fiainan’ny mponina. R.MathieuL’article Moramanga – Anosibe an’Ala: atao ao anatin’ny roa andro ny lalana 71 km a été récupéré chez Newsmada.

Teatra: hanamarika ny 90 taony ny tropy Jeannette

Iray amin’ireo hetsika hanamarihan’ny tropy Jeannette ny faha-90 taony ny filalaovana ilay tantara « Ny Voromailala » nosoratan’i Rosa Beby ravahin’ny hiran’Andrianary Ratianarivo, ny 9 aogositra izao. Tovovavy teren’ny rainy hanambady ny tsy safidiny… Ho tanteraka ve ny mariazy? Handresy ve ny fitiavan’ilay tovovavy ny olon-tiany ka haharesy lahatra an-drainy izy? Ny fijerena io tantara io no hamantarana izay hiseho marina sy ny valin’ireo fanontaniana ireo, raha ny fanazavan’i Mbato Ravaloson tale artistikan’ny tropy Jeannette sady handrindra an-tsehatra rahateo ny filalaovana ny « Ny Voromailala ».Raha tsiahivina, andiany fahatelo B, ankehitriny ity tropy teatraly manana ny maha izy azy ity.HaRy RazafindrakotoL’article Teatra: hanamarika ny 90 taony ny tropy Jeannette a été récupéré chez Newsmada.

Imbiki Anaclet: “Mila fifanarahana ireo ho mpanohitra”  

“Raha tsy misy fifanarahana ireo milaza azy ho mpanohitra, tsy misy hahazoana manendry mazava io hoe lehiben’ny mpanohitra io.” Io ny fanazavan’ny mpahay lalàna, Imbiki Anaclet, ny amin’ny fametrahana izay ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena.Noho izany, tokony hilaza ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa mila didy fampiharana raisin’ny fahefana mpanatanteraka amin’ny fotoana maika hametrahana fepetra mazava hahazoana manendry ny lehiben’ny mpanohitra. Satria malalaka loatra ny lalàna momba izay.Zo ny tokony hametrahana ny lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena, araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana. Nambaran’ny HCC, hoe ny lalàna lah. 2011-013, tamin’ny 9 septambra 2011, ny momba ny satan’ny mpanohitra sy ny lehiben’ny mpanohitra, nefa malalaka loatra izy io fa tsy misy antsipiriany.Tokony hametra-pialana ny praiminisitra“Raha ny fitondrana repoblikanina, raha vao vita toy izao ny fifidianana solombavambahoaka ankapobeny: tokony hametra-pialana ny praiminisitra sy ny governemanta manontolo, ary manendry praiminisitra vaovao ny filohan’ny Repoblika”, hoy izy. Araka ny And. 54 amin’ny lalàmpanorenana, ny antoko na vondrona politika manana ny maro anisa no hanendren’ny filohan’ny Repoblika ny praiminisitra.R. Nd. L’article Imbiki Anaclet: “Mila fifanarahana ireo ho mpanohitra”   a été récupéré chez Newsmada.

Nifampizaran’i  Maorisy, Seychelles ary La Réunion ny medaly

Mbola hanjakan’ireo Nosy rahavavy, Maorisy, La Réunion ary Seychelles, ny fandrombahana ny medaly, eo amin’ny taranja lomano. Anisan’ny mendrika ary nahavita nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra ho an’ny lalaon’ny Nosy, ny teratany maorisiana, Bradley Vincent. Vitany tao anatin’ny 22 sec 57 ny halavirana 50 m NL, ho an’ny sokajy lehilahy. Ilay teratany seychelloise, Felicity Passon kosa no nahazo ny medaly,teo amin’ny 50 m NL, vehivavy, tamin’ny fe-potoana 26 sec 21. Tsy hita taratra ny mpilomano malagasy hatreto Nanombohana ny fifaninanana, omaly maraina, ny teo amin’ny taranja lomano. Solontena malagasy miisa 10 mianadahy no mifaninana ao anatin’ity taranja ity ary ny 7 mianadahy tamin’izy ireo no niditra an-tsehatra, voalohany, tamin’ny lalao famaranana, nahitana an-dRamiakatrarivo Ando, Rakotomavo Herinirina John, Rakotovelo Nomentsoa, Andrianirina Malalasoa, Rakotomamonjy Tiavina, Rakotomavo Hajanirina ary Rabejaona Holy Antsa. Niady mafy avokoa ireto solontenantsika ireto, saingy tsy mbola hita taratra, hatreto, raha ny voka-dalao, omaly.Anisan’ny tsara indrindra ny vokatra azon-Rakotovelo Nomentsoa, tamin’ireo Malagasy nandray anjara ireo, izay nipetrahany teo amin’ny laharana faha-4, teo amin’ny fifaninanana 50 m brasse vehivavy, 37 sec 75 no fe-potoana nahavitany izany. Mi.Raz L’article Nifampizaran’i  Maorisy, Seychelles ary La Réunion ny medaly a été récupéré chez Newsmada.

Holafitry ny mpitsabo: tsy mazoto  miasa any ambanivohitra ireo dokotera

4 500 ny isan’ny mpitsabo voasoratra ao anatin’ny Holafitry ny mpitsabo eto Madagasikara miparitaka manerana ny Nosy, 4 000 ireo miasa eto Analamanga. Misy anefa ny  olana  sedrain’izy ireo. « Ampy ny isan’ny mpitsabo fa ny fitsinjarana azy hisandrahaka amin’ny faritra rehetra no manahirana, indrindra ho an’ny any ambanivohitra saro-dalana », hoy ny filohan’ny holafitry ny mpitsabo, Andrianasolo Eric, omaly teny Anosy. Mbola maro rahateo ny toerana tsy mandry fahalemana ka tsy mazoto miasa any ny mpitsabo, vokatr’izay.Misandoka  ho  mpitsaboTsy vitsy noho izany ny olona misandoka ho mpitsabo amin’ny faritra lavitry ny tanàn-dehibe. Isan-taona, manodidina ny telo ireo tratra miaraka amin’ny porofo fa misandoka ho mpitsabo nefa tsy manana ny diplaoma sy ny fanamarinana momba ny asam-pitsaboana. Tokony hiezaka hanara-maso sy hitory ireny ny solontenan’ny holafitra isam-paritra hiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka. Tsy tafiditra ao kosa ny mpitsabo nentim-paharazana izay manana lalàna mifehy azy manokana.Natokana ho an’ny Andron’ny mpitsabo eto Analamanga, ny omaly teny Anosy ka nizarana fitaovana « Application amin’ny Android » ho an’ny mpitsabo. Mivoatra hatrany ny fitsaboana ka zava-baovao (tao anatin’ny 10 taona farany) momba ny certificat médical, fanafody ary ny fomba fitsaboana no naparitaka amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao ahafahan’ny mpitsabo manatsara ny asany.Hanangana vaomiera  manokana Nanamarika ny tompon’andraikitra ny minisiteran’ny Fahasalamana, nandritra ny hetsika teny Anosy fa hanangana cellule de crise hitantanana ny asa rehetra, ny fanaraha-maso ny fisorohana ny tsy hidiran’ny aretina Ebola eto Madagasikara. Miara-miasa amin’ny tompon’andraikitry ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny seranana izy ireo. Nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikamban momba ny fahasalamana fa hamehana ara-pahasalamana ny ady amin’ny aretina Ebola ka tokony handray fepetra ny firenena rehetra.Vonjy A.      L’article Holafitry ny mpitsabo: tsy mazoto  miasa any ambanivohitra ireo dokotera a été récupéré chez Newsmada.

Fahatongavan’ny papa François: horaisin’ireo Ekar miisa 21 ireo vahiny avy amin’ny diosezy

Efa anaty fiomanana sy fandaminana tanteraka. Ho avy afaka iray volana mahery eto amintsika ny papa François. Anisan’ny andrasana amin’izany koa ireo vahiny sy mpino kristianina avy any amin’ny faritra. Efa mametrapetraka ny handraisana azy ireo ny mpikarakara.« Horaisin’ireo fiangonana katolika miisa 21 eto Antananarivo ny fampiantranoana ireo vahiny avy any amin’ny diosezy miisa 21 amin’ny fitsidihan’ny papa François eto amintsika”, hoy ny vikera jeneraly, ny Mgr Rabenantoandro Ludovic, omaly. Nanteriny fa efa misy ny fifandraisana mivantana eo amin’ny pretra miahy ireny paroasy handray vahiny ireny sy ny diosezy. Nofidina manokana kosa ireo fiangonana 21 ireo mba ho akaiky kokoa ny eny Adrohibe Soamandrakizay, hanaovana  ny sorona masina ny alahdy 8 septambra izao.  “Marobe ny vahiny ho avy ka azo ampiasaina amin’izany avokoa ny “sale d’ouevre” sy ny sekoly na trano malalaka hafa. Nentanina koa ireo tokantrano eny anivon’ny paroasy ireo hilaza ny fahafahany mandray vahiny telo na efatra, ohatra, arakaraka ny fandaminana”, hoy ihany izy.Ny mpitandro filaminana avy any VatikanaTsiahivina fa anisan’ny mandray vahiny ny Ekar Mahamasina, ny Ekar Soanierana, ny Ekar Ivato, ny Ekar Manjakaray, ny Ekar Antanimena, ny Ekar 67 ha, ny Ekar Tsaramasay…Ankoatra izany, efa miroso ny asa fanajariana ny eny amin’ny kianjan’i Soamandrakizay Androhibe amin’izao fotoana izao. Miara-miasa amin’ny fanatanterahana izany ny eo anivon’ny fiangonana katolika sy ny fitondram-panjakana ary ny eo anivon’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo. Efa maromaro koa ireo iraka manokana avy any Vatikana nifandimby nitsidika teto amintsika nijery ny fandaminana rehetra amin’izany handraisana ny papa François izany. Teo koa ny mpitandro filaminana manokana avy any amin’ny fiketrahana masina, nametrapetraka ny lamina rehetra ho fiahiana izany filaminana izany.Hira amin’ny lamesa hotarihin’ny papa FrançoisManampy izany, efa hiainga tsy ho ela ny eo anivon’ny ekipan’ny Ankalazao ny Tompo amin’ny fampianarana ny hira rehetra, amin’ny sorona masina hotarihin’ny ray masina. Misy hira amin’ny teny vahiny, toy ny latinina sy ny frantsay hatao amin’izany.Midika ireo fa efa am-periny tanteraka ny eo anivon’ny fiangonana amin’izany handraisana  ny papa François izany.Synèse R.     L’article Fahatongavan’ny papa François: horaisin’ireo Ekar miisa 21 ireo vahiny avy amin’ny diosezy a été récupéré chez Newsmada.

Teza: « Hirosoana ny fanorenana ifotony »

Nitondra tolokevitra ho amin’ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fanaovana politika  ary ny  demokrasia. “Tokony hiditra amin’ny fanorenana ifotony ny fitondram-panjakana ka havaozina avokoa ny lesoka rehetra tsy nety, indrindra fa ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny lalàn’ny serasera, ny lalàna amin’ny ankapobeny mba hanatsarana azy”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean-Louis. Nohitsiny fa anisan’ny tsy nety ny nandrafetana sy ny fanatanterahana azy fa samy nanao ny tiany hitondrana azy ny mpitondra nifandimby teto. “Ilaina, noho izany, ny fanorenana ifotony mba tsy hisian’ny olana hiverimberina eto amin’ny tany sy ny firenena intsony. Tokony hampanjakaina ihany koa ny tena demokrasia hipetrahan’ny tena tany tan-dalàna”, hoy ihany ity mpitarika antoko politika ity. Efa nivoy hatramin’ny ela  ny tokony hanaovana ny fanorenana ifotony ny eo  anivon’ny antoko  Teza, saingy  tsy nisy nihaino sy nanaraka. Vita  ihany  ireo fifidianana nifanesy teto amin’ny firenena.Synèse R.  L’article Teza: « Hirosoana ny fanorenana ifotony » a été récupéré chez Newsmada.

Fampiofanana: mampitombo traikefa etsy Ampefiloha ireo DRJS vaovao

 Ho fampitomboana ny traikefan’ireo Talem-paritry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (DRJS), manerana ny faritra 22 eto Madagasikara, manaraka fiofanana eny amin’ny ANS (Académie Nationale des Sports) Ampefiloha, izy ireo, nanomboka omaly ary hifarana anio. Fampiofanana, hampahafantarana azy ireo ny firafitra eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ary ny karazana sampan-draharaha rehetra mijoro. « Rariny loatra ny fampiofanana toy izao, ho an’ireo Talem-paritra vaovao ireo, indrindra amin’izao fanendrena vao tsy ela izao », raha ny nambaran’ny Sekretera Jeneraly ny MJS, Ralaivao Lovatiako. Tsiahivina, iray volana latsaka kely izay no nanendrena azy 22 mianadahy, hisahana ny fitantanana ny Tanora sy ny fanatanjahantena eny anivon’ny faritra misy azy ireo tsirairay avy.« Mila miasa haingana ary misy ireo asa mila vitaina avy hatrany, mila mandefa faran’izay haingana ny zava-misy any amin’ny faritra misy azy ireo tsirairay avy, hahafantarana ireo olana mila vahana», araka ny nambaran’ny SG ny MJS. Hisy ny fanaraha-maso ny asa vita sy hitarafana ny zava-bita, afaka telo volana, raha ny fanazavana hatrany. Ankoatra an’Andriamatoa Sekretera Jeneraly, isan’ny hitondra sy hizara ny traikefany amin’ireto talem-paritra miisa 22 ireto ireo Tale isan-tsokajiny, avy eo anivon’ny MJS, ny Tafita ary ny Akademia Nasionaly. Mi.RazL’article Fampiofanana: mampitombo traikefa etsy Ampefiloha ireo DRJS vaovao a été récupéré chez Newsmada.

« JIOI» – Filoha Rajoelina: “Horaisintsika ny andiany faha-11”

Natolotra sy nanaovana vela-kevitra teo anatrehan’ny CIJ (Comité internationale des jeux), ny asabotsy lasa teo, ny tetikasa mahakasika ny firotsahan’i Madagasikara ho kandidà amin’ny fandraisana ny « Lalaon’ny Nosy 2023 ». Araka ny nambaran’andriamatoa filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny firenena malagasy mihitsy no tokony hahazo io andiany faha- 11 io raha ny tokony ho izy. Rariny, hoy hatrany izy, raha mandray izany isika satria manana ny kianja lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina isika. Etsy andaniny, marobe ireo fotofrafitrasa fanatanjahantena. Nohamafisin’andriamatoa minisitra, i Tinoka Roberto, ihany koa, fa nanokanan’ny fitondram-panjakana tetibola manokana mihitsy ny fanatanjahantena sy ny fananganana fotodrafitrasa ka ho mora ho an’i Madagasikara ny handray ny “Lalaon’ny Nosy 2023” satria ezahina hovitaina mialoha io fotoana io avokoa ireo tetikasa rehetra. Mitentina 150 tapitrisa dolara ny tetibola amin’izany, araka ny fanazavana hatrany.Tsahivina fa telo firenena nametraka ny antonta-taratasy amin’ny maha kandidà azy, amin’ny fandraisana ny andiany faha-11 amin’ny “Lalaon’ny Nosy”, hotanterahina ny taona 2023, ahitana an’i Maldives, i Kaomoro ary i Madagasikara. Mbola ady goavana, araka izany, ny miandry antsika na efa manana tombony mihoatra amin’ireo firenena roa ireo aza isika. Ho fantatra ny asabotsy 27 jolay izao izay handray izany ary hambara amin’ny fomba ofisialy mandritra ny lanonana famaranana ny alahady 28 jolay izao, ao amin’ny kianjan’i Anjalay, Maorisy. Mi.Raz L’article « JIOI» – Filoha Rajoelina: “Horaisintsika ny andiany faha-11” a été récupéré chez Newsmada.

Praiminisitra Ntsay Christian: “Hafaingano ny fitsarana ireo voafonja”

 Hentitra ny Praministra Ntsay Christian noho ny fahitana fa mitarazoka  loatra. Anisan’ny nivoitra tamin’ny lahateniny,  omaly  ny momba  ireo voafonja, mbola voatazona ela loatra any am-ponja.“Tokony hafainganina  ny fitsarana  ireo voafonja. Efa misy  ihany ny ezaka ho amin’izany”, hoy izy, tetsy  Anosy.  Nomarihina tamin’izany ny faha-60 taona ny mpandraharahana  ny fonja ka nanehoany izany toromarika izany.  Na izany aza, nambarany  fa efa nisy ny dingana  vitan’ny minisiteran’ny Fitsarana toy ny  eo amin’ny lafiny sakafo  ho an’ireo voafonja. Nanteriny koa fa azo ametrahana fitokisana ireo voafonja  rehefa miverina eny anivon’ny fiaraha-monina satria tsy toerana famaizana ny fonja.  “Natao hisaintsainana hiverenana eny anivon’ny mpiara-belona ny toeram-pamonjana”, hoy ihany izy.Mitaky fampitaovana  ny mpandraharaha ny fonjaFitakiana sy fangatahana maromaro. “Tsy fotodrafitrasa ihany fa eo koa ny fampitaovana. Tena sarotra ny  asa, indrindra eo amin’ny fiara ho an’ny voanfonja.  Efa simba ny ankamaroany ka tokony hojerena ny fampitaovana…”, hoy kosa  ny minisitry ny Fitsarana Randrianasolo Jacques tamin’ny  lahateniny. Eo ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny amin’ny tokony hanomezana  ny mpandraharaha ny fonja fitaovam-piadiana,  toy ny basy.  Na izany aza, nanafatrafatra ny minisitra. “Aoka hampiasaina amin’ny tokony ho  izy avokoa izany fitaovana izany fa tsy sanatria hampanofaina ny jiolahy. Aoka isika handala ny fahendrena sy ny fahamatorana”, hoy ihany  izy.Tsiahivina fa maherin’ny 27 000 ireo voafonja manerana ny Nosy mitsinjara amin’ireo fonja 41. Nisy ny fanehoana ny asa sy ny fitaovan’ny mpandraharaha ny fonja tamin’izany.Synèse R. L’article Praiminisitra Ntsay Christian: “Hafaingano ny fitsarana ireo voafonja” a été récupéré chez Newsmada.