Fanahiana valanaretina: raikitra ny fitiliana amin’ny mety ho fidiran’ny “Ebola”

News - Fanahiana valanaretina: raikitra ny fitiliana amin’ny mety ho fidiran’ny “Ebola”

News - Fanahiana valanaretina: raikitra ny fitiliana amin’ny mety ho fidiran’ny “Ebola”

Maty ilay olona voan’ny aretina Ebola tany amin’ny tanàna lehibe iray Goma, any atsinanan’i Kongo, rehefa saika hafindra toerana tany Butembo, omaly, araka ny vaovao nampitain’ny tomponandraikitry ny faritra Kivu Avaratra, i Carly Nzanz. Tanàna lehibe iray ifamezivezen’ny olona maro i Goma ary betsaka ireo mivoaka ho any amin’ny firenena hafa ivelan’i Kongo miainga avy ao. “Mampanahy ity tranga voalohany izay namoy ny ainy ity noho izany”, hoy ny tomponandraikitry ny Crox Rouge any an-toerana, i Gwen Eamer, raha nanontanian’ny mpanao gazetin’ny fahitalavitra France 24. Tanàna ahitana ireo toeram-piasan’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana sy ny raharaham-barotra goavana rahateo ity nitrangan’ny aretina voalohany. Miantso ny vahoaka ao aminy ho tony ny fitondrana kongoley. 60 ireo olona nifampikasoka tamin’ilay pasitera narary voalohany ary efa vita vaksiny ny antsasa-manila amin’izy ireo, efa eo an-dalana hanaovana izany ny ambiny. Mbola miandry 21 andro ny tomponandraikitra hitiliana na namindra tamin’ny olon-kafa ilay olona maty tany Goma.

Nanomboka ny volana aogositra 2018, fotoana nilazana ny valanaretina, efa 1 665 ireo maty noho ny Ebola any amin’ny Kivu Avaratra. Nampitsahatra ny asany any amin’io toerana io ny ekipan’ny Médecins sans frontières noho ny tsy fandriampahalemana.

Nanomboka ny volana aogositra 2018, anarivony ny aina avotra vokatry ny fampiasana ilay vaksiny rVSV-ZEBOV miaro amin’ny aretina Ebola novokarin’ny laboratoara amerikanina Merck.

Miasa 24 ora ny ekipa eny amin’ny seranana

Eto Madagasikara, mandalo fitiliana avokoa ny mpandeha nidina avy amin’ny fiaramanidina avy any ivelany taorian’ny famenoana ny taratasy momba ny toeram-piaviany sy ny toe-pahasalamany. Ho an’ny polisy sy ny mpiasan’ny fahasalamana ireo taratasy ireo ahafahana mahafantatra ny toeram-piavian’ilay mpandeha sy ny adiresy misy azy rehefa tonga eto. Manana efitra fanokanana ny seranam-piaramanidina ho an’ireo olona ahina mandray zotra avy any ivelany rehetra, misy ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana tsy tapaka manara-maso ny mpandeha rehetra. “Vonona koa ny ambulance manokana hitondrana ny marary ho any amin’ny tobim-pahasalamana raha ilaina”, hoy ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana, Rakotoarivony Manitra, omaly. Tafiditra amin’ny règlement sanitaire international (RSI) tokony hampiharin’ny firenena rehetra ireo, araka ny toromariky ny OMS iarovana ny fahasalaman’ny mponina. Hatreto aloha, tsy nahitana tranga nampiahiahy ny mpandeha avy any ivelany tonga teny amin’ny sambo na ny seranam-piaramanidina.

Vonjy A.

Article tiré de Newsmada

L’article Fanahiana valanaretina: raikitra ny fitiliana amin’ny mety ho fidiran’ny “Ebola” a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 18/07/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

“Hanitr’i Eva”: poeta 5 vavy hamelona ny antsa

 Andriambavilanitra 5, poetan’ny ankehitriny no hitondra ny “Hanitr’i Eva” etsy amin’ny sekoly Cendrillon Soavimasoandro, ny alahady 1 novambra, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Hitondra ny fijeriny mahakasika an’i Eva izy ireo amin’io fotoana io. “ Tsy i Eva ilay namadika an’i Adama akory ny vehivavy…  Manana ny hanitra ho azy ihany koa i Eva, ary havoitranay ao anatin’ny sanganasa izany”, hoy i Tsiaro ny Fitia. Lohahevitra maro no holalaovina amin’io andro io. Fitiavana misandrahaka amin’ny alahelo, ny ranomaso, ny tsiky, ny fahafatesana. Hovelomin-dry Tsiaro, Miritsoka, Antso fy Tia, Natiora ary i Larissa Ramanitriniaina izany.  Eo koa ny fanentanana sy ny fandravahana ny seho amin’ny alalan’ny dihy, iarahana amin-dRabefitia.   Raha ny 26 marsa 2020 teo no saika hanaovana ny seho “Hanitr’i Eva”… Nihantona izany noho ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fihibohana vokatry ny fidiran’ny valanaretina teto ary izao hotanterahina izao amin’izany.NarilalaL’article “Hanitr’i Eva”: poeta 5 vavy hamelona ny antsa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady amin’ny covid-19: nanolotra fitaovana ny ONG Direct’Aid

Nanolotra fitaovana entina miaro tena amin’ny valanaretina ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny ONG Direct’Aid avy any Koweït. Nahitana arovava miisa 75.000 sy gel hydroalcoolique 30.000 isa, fitaovana fitsapana hafanana 200 isa ary akanjo fiarovana 2.800 izany fanampiana izany. Natolotra mivantana teny amin’ny CCO Ivato izany, ny faran’ny herinandro teo.Nampanantena ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka fa haparitaka amin’ireo toerana tena mandray ny olona mararin’ny covid-19 ireo fitaovana ary hanampy betsaka amin’ny fiarovana ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fanatanterahana ny asany.Etsy andaniny, mbola mitaraina amin’ny tsy fahampian’ny fitaovana ireo mpiasan’ny fahasalamana na efa maro aza ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana sy ny fanampiana etsy sy eroa ataon’ireo mpiara-miombon’antoka. Mbola hita eny amin’ireo hopitaly sy toerana mandray marary ny fanasana aron’akanjo izay tsy tokony hatao mihitsy fa ariana avy hatrany.Tatiana AL’article Ady amin’ny covid-19: nanolotra fitaovana ny ONG Direct’Aid a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hosodoko: hisy ny mozea Raparivo R.R

Iray amin’ireo andrarezina nanamarika ny tantaran’ny hosodoko malagasy Raparivo R.R sy ny sanganasany. Volana maromaro lasa izay no nindaosin’ny fahafatesana izy. Araka ny tafa nifanaovana tamin’i Tiana Raparivo, zanany sady mpanao hosodoko ihany koa : « efa mikarakara ny tantarany sy ny mozea momba azy izahay ary heverina fa ho vonona afaka herintaona izany ». Ankoatra izay, « hisy hetsika atao koa amin’ny volana novambra hanamarihana ny herintaona nahafantesany, izay hiarahana amin’ny mpanao hosodoko namana », hoy hatrany i Tiana Raparivo.Marihina fa manatanteraka fampirantiana ao amin’ny AFT Andavamamba izy, hatramin’ny 27 jolay. « Tena zava-dehibe amin’ny hetsika tahaka izao ny fampahafantarana ny toerana misy ahy amin’izao tsy maha eo intsony ny raiko izao », hoy i Tiana Raparivo.HaRy RazafindrakotoL’article Hosodoko: hisy ny mozea Raparivo R.R a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Cnaps: fanampiana ny mpisotro ronono

Natao sonia, omaly, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS), amin’ny alalan’ny foibe mpanadihady sy mpanoro lalana (CEO) sy ny fikambanana Antoka ho an’ny fahasalaman’ny fianakaviana (Afafi) . Votoatiny ny hiantohan’ny Afafi ny fitsaboana ho an’ny olona misotro ronono sy ny mpandray vidin-takaitra, nefa sahirana sy marefo. Arotsaka any amin’ny Afafi ny latsakemboka 3.500 Ar, ka aloan’ny mpiasa ny 1.000 Ar isam-bolana, ary aloan’ny CNaPS ny 2.500 Ar isam-bolana. Isaky ny enim-bolana no handoavan’ny CNaPS azy any amin’ny Afafi. Miisa 1.000 isan-taona ny fianakaviana kendrena hahazo tombontsoa.Nambaran’ny tale jeneraly vonjimaika, Rtoa Tsaboto Joslina. Fa mahazo tombontsoa amin’ity fanohanan’ny Afafi ity ireo mpiasa tany amin’ny tsy miankina na mpiasam-panjakana tsy raikitra (ECD), nahaloa latsakemboka hatramin’izay.Njaka A.L’article Cnaps: fanampiana ny mpisotro ronono a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kivy tanteraka ny Ceni: tsy hahazo alalana intsony ny mpanara-maso tsy manao tatitra

“Raha tsy miroso amin’ny fanaraha-dalàna isika, hisy ny fepetra horaisin’ny Ceni: ny tsy fanomezana intsony ny alalana sy fankatoavana an’ireo fikambanana na malagasy na iraisam-pirenena ny fanaraha-maso ny fifidianana, izay tsy nahatonga tatitra amin’ny fotoana ara-dalàna aty amin’ny Ceni momba ny fanaovany ny fanaraha-maso ny fifidianana.”  hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo. Tapitra ny 6 jona ny folo andro voalazan’ny lalàna, tsy maintsy anateran’ny mpanara-maso fifidianana nahazo fankatoavan’ny Ceni amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana depiote teo. Efatra amin’ireo fikambanana malagasy sy iraisam-pirenena miisa 39 nahazo fankatoavana sy alalana tamin’izany no mba nahatonga tatitra, ny herinandro teo. Noho izany, manao antso fanairana ireo mpanara-maso fifidianana ireo hanara-dalàna ny Ceni.Ilaina ny fanaovana tatitraAntony tena ilàna ny fanaovana ny tatitra ataon’ny fikambanana manara-maso ny fifidianana aty amin’ny Ceni ny fanarahan-dalàna. Voalazan’ny  lalàna fa folo andro aorian’ny andro fandatsaham-bato ny tokony handefasan’ireo mpanara-maso nahazo alalana sy fankatoavana ny tatitra ny fanaraha-maso ny fifidianana nataony any amin’ny Ceni. Tsy maintsy manao tatitra ny Ceni isaky ny mahatontosa fifidianana ka  hilazany ny tokony ho fanatsarana ny fifidianana manaraka. Noho izany, ilaina ny tatitr’ireo mpanara-maso, hahitana ny mety hotohizana sy hohatsaraina tamin’ny fifidianana.  Hahitana ny tsy mety tokony hovaina sy hitadiavana hevitra tsy hiverenany intsony amin’ny ho avy.R.Nd.L’article Kivy tanteraka ny Ceni: tsy hahazo alalana intsony ny mpanara-maso tsy manao tatitra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Tagnamaro »: nanome an-tsitrapo ra ny mpiasan’ny fahasalamana

Niavaka ny fanehoan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny “Tagnamaro”, volana jolay. Nirohotra nanome ra teny amin’ny HJRA Anosy izy ireo ho an’ny eto an-dRenivohitra, ny asabotosy lasa teo. Nanao hetsika mitovy amin’izay avokoa ny fari-piadidiam-pahasalamana rehetra manerana ny faritra 22. ““Manome ra, manome aina” ny lohahevitra norasina ho an’ny hetsika ho fanohanana ny tahirin-dra, indrindra ho an’ireo sokajin-dra vitsy mpanana nefa mamonjy aina ao anatin’ny hamehana”, hoy ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana, ny dokotera Rakotoarivony Manitra. Afaka manome ra isaky ny telo volana ny ho an’ny lehilahy raha isaky ny efa-bolana kosa ho an’ny vehivavy ho an’ny olona 18- 60 taona salama vatana ary tsy manana aretina mitaiza. Mbola misy ny fanadihadiana mialoha ny handraisana olona hanome an-tsitrapo ra. Lafo ny kitapon-dra sy ireo “réactif” hitiliana ny areti-mifindra ao anatin’ny kitapo azo ka izay no tsy maintsy hanoloana ny ra nafindra amin’ny marary iray. Eto amintsika, ambany ny tahan’ny olona manome an-tsitrapo ra fa rehefa voatery noho ny aretina mahazo ny havany vao tonga manome ra izy ireo matetika.Entanina hatrany, noho izany, ny tsirairay hanome ra fa mamonjy aina izany.Vonjy A.               L’article « Tagnamaro »: nanome an-tsitrapo ra ny mpiasan’ny fahasalamana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Noho ny tetikasa Tafita: nitombo ny fahaizan’ny mpianatra, nahomby ny fitantanana ny sekoly

Sekoly iray anisan’ny nanaporofo ny fahombiazan’ny tetikasa Tafita ny EPP Ambohinambo Talatamaty. Nohazavain’ny talen’ity sekoly ity fa niakatra ny taham-pahaizan’ny ankizy (T2 hatramin’ny T5) kajy sy vakiteny, rehefa nampiharin’ny mpampianatra azy ireo ny paikady vaovao. Tsy inona izany fa ny fanazavana amin’ny alalan’ny fitaovana mora hitan’ny ankizy, nandritra ny ora fanampiny, izany hoe, ankoatra ny tapany maraina efa voarafitry ny fandaharam-pianarana ofisialy.Nanomboka ny volana mey hatramin’iny volana jolay iny, manomboka amin’ny 2 ora hatramin’ny 5 ora ary intelo isan-kerinandro, izany ora fanampiny izany. Ankoatra ny fampiasana fitaovana tsotra sy mora hita, tsy mijanona eo ambony dabilio sy miatrika solaitrabe ny mpianatra fa atao toy ny lalao, miala amin’ny mahazatra, ny fampitana ny fahalalana.Tetsy ankilan’izay, vokatry ny tetikasa Tafita hatrany, mazava sy mahomby kokoa ny fitantanana ny sekoly. Tsiahivina fa, nanomboka ny taom-pianarana 2016-2017, ny fiaraha-miombon’ezaka ho fanatsarana ny fanabeazana ifotony (Feffi) ny rafitra mitantana ny sekoly (EPP). Demokratika kokoa ity rafitra ity, ahitana « assemblée générale » ka voafidy ny filohany, ny birao maharitra (ahitana mpitambola sy mpanolotsaina) ary ny rafitra mpanara-maso.Rafetina, mandritra ny fivorian’io « assemblée générale » io, amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana, ireo asa hotanterahina ao amin’ny sekoly. Ho an’ny EPP Ambohinambo, io no nandany ny tokony hanatanterahana ora fanampiny amin’ny fampianarana ka nahazoana izao vokatra tsara izao.Teo amin’ny fitantanana ny sekoly, mazava sy ampahafantarina ampahibemaso (eo anatrehan’ny ray aman-dreny), toy ny natao omaly teny amin’ny EPP Ambohinambo, ny zava-bita sy ny fandaniam-bola tamin’izany, hatramin’ny mahakasika ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny sekoly.Nitondra tohana betsaka ny governemanta japoneyTanjon’ny tetikasa Tafita ny hampitombo ny isan’ny zaza miditra an-tsekoly sy ny famitan’izy ireo hatramin’ny farany ny fianarana, ny hanatsara ny kalitaon’ny fianarana sy ny fitantanana ny sekoly. Manohana teknika ity tetikasa ity ny governemanta japoney, amin’ny alalan’ny antokon-draharaha iraisam-pirenena misahana ny fiaraha-miasa japoney (Jica).Misitraka ny tetikasa ny faritra Analamanga sy Amoron’i Mania. Mizara roa ny fanohanan’ny Jica ka voalohany ny fanampiana ny fametrahana ny Feffi, efa tafapetraka amin’ny 99%-n’ny sekoly eto Analamanga ary 100% kosa ny any Amoron’i Mania. Nanampy tamin’ny fanofanana ireo rantsamangaikan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ihany koa ny Japoney.Nanomboka tamin’ireo tale isan-tsokajiny eo anivon’ny minisitera ka hatramin’ny mpampianatra. Niompana tamin’ny fitantanana ny fiofanana. Nisy koa ny paikady fampianarana, mahakasika ny famakiana teny malagasy sy ny kajy. Ho tapitra amin’ny volana mey 2020 ny tetikasa Tafita ka anjaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny manohy ireo voka-tsoa avy amin’izany.Landy R. L’article Noho ny tetikasa Tafita: nitombo ny fahaizan’ny mpianatra, nahomby ny fitantanana ny sekoly a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Praiminisitra Ntsay Christian: “Hafaingano ny fitsarana ireo voafonja”

 Hentitra ny Praministra Ntsay Christian noho ny fahitana fa mitarazoka  loatra. Anisan’ny nivoitra tamin’ny lahateniny,  omaly  ny momba  ireo voafonja, mbola voatazona ela loatra any am-ponja.“Tokony hafainganina  ny fitsarana  ireo voafonja. Efa misy  ihany ny ezaka ho amin’izany”, hoy izy, tetsy  Anosy.  Nomarihina tamin’izany ny faha-60 taona ny mpandraharahana  ny fonja ka nanehoany izany toromarika izany.  Na izany aza, nambarany  fa efa nisy ny dingana  vitan’ny minisiteran’ny Fitsarana toy ny  eo amin’ny lafiny sakafo  ho an’ireo voafonja. Nanteriny koa fa azo ametrahana fitokisana ireo voafonja  rehefa miverina eny anivon’ny fiaraha-monina satria tsy toerana famaizana ny fonja.  “Natao hisaintsainana hiverenana eny anivon’ny mpiara-belona ny toeram-pamonjana”, hoy ihany izy.Mitaky fampitaovana  ny mpandraharaha ny fonjaFitakiana sy fangatahana maromaro. “Tsy fotodrafitrasa ihany fa eo koa ny fampitaovana. Tena sarotra ny  asa, indrindra eo amin’ny fiara ho an’ny voanfonja.  Efa simba ny ankamaroany ka tokony hojerena ny fampitaovana…”, hoy kosa  ny minisitry ny Fitsarana Randrianasolo Jacques tamin’ny  lahateniny. Eo ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny amin’ny tokony hanomezana  ny mpandraharaha ny fonja fitaovam-piadiana,  toy ny basy.  Na izany aza, nanafatrafatra ny minisitra. “Aoka hampiasaina amin’ny tokony ho  izy avokoa izany fitaovana izany fa tsy sanatria hampanofaina ny jiolahy. Aoka isika handala ny fahendrena sy ny fahamatorana”, hoy ihany  izy.Tsiahivina fa maherin’ny 27 000 ireo voafonja manerana ny Nosy mitsinjara amin’ireo fonja 41. Nisy ny fanehoana ny asa sy ny fitaovan’ny mpandraharaha ny fonja tamin’izany.Synèse R. L’article Praiminisitra Ntsay Christian: “Hafaingano ny fitsarana ireo voafonja” a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

KANDIDA BEN’NY TANANA RANDRIANARISOA PENJY: “Azo atao tsara ny manarina ny tanàna rehefa ao aminao ny finiavana”

Mbola mametraka fitokisana amin’ny Randrianarisoa Penjy  ny antoko TIM (Tiako i Madagasikara) ka nanolotra azy indray ho kandida ben’ny tanàna eny amin’ny kaominina Ivato. Tafapetraka androany 06 septambra 2019 teny amin’ny OVEC Ambohidratrimo ny antontan-taratasin’ity kandidà ben’ny tanàna ny kaominina Ivato ity sy ny an’ireo mpanolontsaina. Raha ny fanazavan’ny tomponandrakitry ny OVEC dia kandida fahatelo nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany ao amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo, i Randrianarisoa Penjy. « Ny nahatonga ahy mbola hirotsaka indray dia tsy vita tao anatin’ny efa-taona ny fanarenana ny kaominina Ivato satria na dia maro aza ny ezaka natao dia mbola misy ireo pitsopitsony izay tsy maintsy mbola ho tanterahana, toy ny fanamboarana lalan-kely maro », hoy kandida ho ben’ny tanàna Randrianarisoa Penjy nanazava ny antony hilatsahany ho fidiana indray ao amin’ny kaominina Ivato. Nambarany  fa tsy manana fahavalo na iza na iza ny tenany fa « ny fahantrana ny fahavalontsika ». Noho izany, « miantso fifanomezan-tanana amin’ny  antoko rehetra izay vonona hanohana, hiara-hisalahy amin’ny tena amin’ny fanarenana izany kaominina Ivato izany ». Zava-bita Nahavitana asa fampandrosoana avokoa ny isam-pokontany tao anatin’ny efa-taona. Nambarany fa ny vahoakan’Ivato sy i Madagasikara no miara-mahita ny asa fampandrosoana vita tao amin’ny kaominina. Anisan’izany ny fahavitàn’ny tranom-pokonolona miisa roa, EPP miisa roa ahitàna efitra enina, ny tsena, CSBII , ny lalan-kely mirefy 15 km  izay tonga hatrany tanimbary ary vita beton sy goudron. Nentina nanatanterahana ny asa ny fanampiana avy amin’ny fanjakana, ny vola miditra amin’ny kaominina ary ny fiaraha-miasa amin’ireo malala-tanana. Ankoatra izany, tsy mandeha lavitra intsony ny beantitra maka ny fisotroan-dronono satria noho fangatahan’ny kaominina dia nahazo birao hiasan’ny ratsa-mangaikan’ny  tahirim-bolam-panjakana eny Ivato.Tsy adino tamin’ny fampandrosoana ihany koa ny fanomezana rano fisotro madio, ny fampidirana jiro hanazavana ny tanana,  ny asa sosialy maro, nanampiana ireo ankizy, tanora sahirana sy ireo mpanao fanatanjahantena ary ny beantitra. Nanamafy ity kandida ben’ny tanana natolotry ny TIM ity fa « azo atao tsara ny manarina ny tanàna rehefa eo aminao ny finiavana, rehefa mitantana ny tanàna dia tsy asiana resaka fanavakavahana politika […]Azo atao tsara ny manarina ny firenena rehefa ao aminao ny finiavana hanao ny asa ». Aorian’ny fifidianana ben’ny tanàna, ny 27 novambra 2019 no hamaritra ny tohiny ny tantara. Lynda A. Cet article KANDIDA BEN’NY TANANA RANDRIANARISOA PENJY: “Azo atao tsara ny manarina ny tanàna rehefa ao aminao ny finiavana” est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Mila miara-mandroso amin’izay… 

  Tena misy marina ve ny fiovana sy ny fanovana? Na tena atao, ezahina, irosoana… Anisan’izany, ohatra, ny hoe tany sy fanjakana tan-dalàna, ny fitondrana tsara tantana… Miara-mahita sy miaina ny zava-misy amin’izao ny rehetra. Na ahoana na ahoana, tanàna tsy ilaozan’adala?Mbola misy ihany ny tsimatimanota sy mirehareha ary sahy mihantsy ady vahoaka amin’ny tsy fanarahan-dalàna, ny fanamparam-pahefana, ny fanaovana asa ratsy… Any amin’ny faritra heverina ho lavitra fanjakana no tena miseholany izany. Poa-maso manjaka tokana amin’ny tanin’ny jamba?Na misy ny tsikombakomba ratsy amin’ny kolikoly sy ny fahazoana tambondahiny amin’izay atao; na tsy afa-manoatra firy, ohatra, ny manampahefana any ifotony noho ny antony samihafa. Mahitahita ireo olon-dratsy? Na matoky olom-pantatra, na akaiky olona amin’ny fanjakana…Tsy fantatra izay mety ho fitarainan’ny vahoaka any ifotony amin’izany. Izy ireo indray aza no voarahona, ampahoriana, tratran’ny valifaty… Anisan’ny mahabe fitarainana amin’izany, ohatra, ny sehatry ny ady tany, ny tontolo iainana inian’ny sasany potehina, ny raharaham-pitsarana…Miandry ny fanjakana foibe ve izany rehetra izany vao misy vahaolana mahomby, azo antoka, maharitra… ? Mitaky fitsinjaram-pahefana tena izy eo amin’ny vola, ny fitaovana, ny olona… Indraindray, ny olom-boafidy na ny olom-boatendry koa no manao ny ataony, manaratsy endrika ny fitondrana.Mila henoina ny feon’ny vahoaka, fantarina ny hetahetany, atao izay mety ho fampandraisana anjara azy amin’ny raharaham-pirenena miainga any ifotony araka izay vitany… Raha tsy izany, mbola resaka sy fanamby ihany ny hoe tany sy fanjakana tan-dalàna ary ny fitondrana tsara tantana.Mila mipaka any ifotony ny hoe fampandrosoana iaraha-manana, iaraha-manao, iaraha-misitraka. Izay raha te ho lasa lavitra. Tsy maika tsy faingana, na ny sehatra sy ny faritra vitsivitsy ihany no misitraka izay atao. Tsy efa tokony hisy fiovana sy fanovana ve izany amin’izao?Rafaly Nd.L’article Mila miara-mandroso amin’izay…  a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

TSA-Fifaninanana sary sokake: hifidy ny besinimaro
25/11/2020

Nifarana ny 19 novambra teo ny dingana voalohany amin’ny fifaninanana mamoaka sary sokatra karazany sokake (Astrochelys radiate) fahita any atsimon’ny Nosy, natomboka ny 19 oktobra 2020. Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-10 taonan’ny fikambanana miaro ny sokatra, Turtle Survival Alliance (TSA) eto Madagasikara ny hetsika. Niisa 88 ny nandray anjara ary nofantenina tamin’izao dingana voalohany izao ny 30 voalohany, nahafeno ny fepetra notakina amin’ny fifaninanana. Anisan’izany ny fandefasana sary sokatra anankiroa (anoloana sy aoriana).Hizara sokajy roa ireo 30 voafantina ireo ka hifidy ny mendrika indrindra ny besinimaro, amin’ny alalan’ny pejy fesiboky Turtle Survival Alliance Madagasikara amin’ireo sary miisa 30. Loka ho an’ny voalohany ny fandehanan’ny olona roa mivahiny any amin’ny Berenty Lodge sady mitsidika ny valanjavaboary Andohaela any Taolagnaro. Fivahiniana any amin’ny Grace Lodge sy Ricololdge any Andasibe, mandritra ny telo andro kosa ho an’ny faharoa hatramin’ny fahafolo, hitsidika ny valanjavaboary Maromizaha, Mitsinjo ary Analamazaotra. Hahazo loka tsy ampoizina ny faha-11 hatramin’ny faha-30.Manohana ity fifaninanana ity ny C-Class, ny masoivoho Soisa, Kaomoro, Seychelles, ny Berenty Lodge, Grace Lodge, Ricolodge, miaraka amin’ny minisitera MEDD, ny FAPBM, ny ONTM, ny MNP, sns.Njaka A.L’article TSA-Fifaninanana sary sokake: hifidy ny besinimaro a été récupéré chez Newsmada.

Ils ont dit
18/11/2020

Carolus Andriamahitsinoro : « C’était très dur car les Ivoiriens sont très à l’aise sur cette pelouse. Il a fallu se battre et je pense que ce score de parité arrange les deux équipes, car l’une équipe comme l’autre a tout juste besoin d’une victoire soit contre le Niger soit contre l’Éthiopie » Adrien Melvin : « Nous avons eu du mal à entrer dans le match, contrairement aux Ivoiriens qui se faisaient de plus en plus menaçants. Tout compte fait, ce résultat n’est pas si mauvais pour nous » Propos recueillis par Clément RABARY L’article Ils ont dit est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Ils ont dit a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fanapariahana boky: nanavao sy nanatevina paikady ny EJM
24/11/2020

Edisiona nisafidy ny hisahana bebe kokoa momba ny boky natokana ho an’ny ankizy sy ny tanora ny Editions Jeunes Malgache (EJM). Fantatra fa nanavao sy nanatevina ny paikady hoenti-manapariaka ny boky ho eny am-pelatanan’ny ankizy izy ireo. Manomboka izao, azon’ny ankizy henoina ao anaty site web www.editions-jeunes-malgaches ireo voarakitry ny boky avoakan’ity edisiona ity. Boky 22 no efa vonona ka azo henoina avy hatrany. « Kendrena ho amin’ny sarany sahaza ny fahefa-mividy ankehitrny ny fanaovana izany », raha ny fanazavan-dRazafintsalama Marie Michèle, mpitantana ny Presse Edition & Diffusion (Prediff).Nankahery sy nandrisika ny ray aman-dreny ity editora ity mba hanentana ny zaza malagasy hamaky boky sy hanome azy ireo ny fomba ahavitany izany. « Hiezaka hatrany izahay, hampitombo ny fanapariahana ny boky manerana ny Nosy satria anisan’ny manampy amin’ny fananana voambolana eo amin’ny ankizy sy ny tanora ka hanamora ny fahaizany mifanerasera amin’ny mpiara-belona ny fahazoany izany », hoy hatrany Razafintsalama M. Michèle.HaRy RazafindrakotoL’article Fanapariahana boky: nanavao sy nanatevina paikady ny EJM a été récupéré chez Newsmada.

Salon de l’étudiant et de l’emploi : Va pour la seconde édition
24/11/2020

Un meilleur choix d’offres d’enseignements supérieurs entraînerait une meilleure employabilité dans le monde du travail. Orientation, conseils et informations, ce sont les mots qui résument le mieux la deuxième édition du salon de l’étudiant et de l’emploi officiellement lancé hier. « Pour que les étudiants puissent choisir les offres de formation qui correspondent à leurs aspirations, à leurs besoins et à l’avenir qu’ils se sont fixés ». Ce sont là les propos du Pr Gil Dany Randriamasitiana, secrétaire général auprès du ministère de l’Enseignement Supérieur et de la Recherche Scientifique lors de l’ouverture officielle du salon de l’étudiant et de l’emploi deuxième édition à Anosy hier. Propos qui reflètent la volonté des organisateurs, entre autres, la Maison de la Communication des Universités, le Ministère de tutelle, l’Université d’Antananarivo et des partenaires techniques et financiers de faciliter le choix des filières de formation pour les jeunes Malgaches. En effet, faire le choix des études supérieures n’est pas aisé pour bon nombre de jeunes bacheliers du pays. Conséquence, beaucoup d’étudiants passent d’une filière de formation à une autre durant leur cursus universitaire. Un phénomène appelé « être en quatrième année de première année ». Ce qui constitue une perte de temps pour les étudiants et une perte d’argent pour leurs parents. Outre cela, l’incapacité des nouveaux bacheliers à bien choisir l’offre d’enseignement supérieur qui corresponde réellement à leur aspiration entraîne également une hausse du taux d’abandon auprès des universités du pays. Unique. Le salon de l’étudiant et de l’emploi entend renverser la vapeur. Organisé du 23 au 25 novembre 2020 à Anosy, et gratuit, l’évènement consiste à exposer « uniquement les offres de formations d’enseignements supérieurs des établissements d’enseignement supérieur habilités par le ministère de l’Enseignement supérieur et de la recherche scientifique », d’après les explications de Fanjanarivo Fanja, directeur général de la Maison de la Communication des Universités. Interrogée sur la particularité de l’édition de cette année, la DG de la Maison de la Communication des Universités de noter « nous allons promouvoir la culture entrepreneuriale durant le salon de l’étudiant et de l’emploi de cette année. Pour cela, nous organisons un concours de start-up proposant des services ou des produits innovants dans le cadre de la protection de l’environnement ». Des séances d’informations et de sensibilisation, via des conférences-débats par exemple, sont organisées afin de proposer des outils aux jeunes, leur permettant de mieux réussir leurs études. Les résultats du baccalauréat de cette année faisant savoir qu’il y a actuellement 77 085 nouveaux bacheliers dans le pays, des initiatives de guidage, d’orientation et de conseils sur les offres d’enseignements supérieurs existants et fiables sont plus que nécessaires. José Belalahy L’article Salon de l’étudiant et de l’emploi : Va pour la seconde édition est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Salon de l’étudiant et de l’emploi : Va pour la seconde édition a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Maroantsetra: zazavavy efa-taona naolana rangahy 46 taona
18/11/2020

Misesisesy ny trangana fanolanana tao anatin’ny fotoana vitsy monja. Isan’izany ny tranga nahazo ilay zazavavikely vao efa-taona monja tao amin’ny fokontany Maintimbato, kaominina Anandrivola, distrikan’i Maroantsetra. Tsy hita nandritra ny ora iray teo ilay zazavavikely ny zoma lasa teo. Natao ny fikarohana ka hita tany anaty kirihitr’ala izy. Olona sendra nandalo koa ny nahatsikaritra rangahy iray 46 taona niara-nivoaka taminy avy ao.  Niverin-dalana tampoka anefa ralehilahy raha vao nisy nahatsikaritra.Nitaraina ho marary fivaviana anefa ilay zazavavikely teo am-pandroana azy ny hariva. Ny ampitson’io, nentina notsirihina tany amin’ny mpitsabo izy. Hita tamin’izany fa voaolana tamin’ny fanondro ilay tsy manan-tsiny.Henintsoa Hani L’article Maroantsetra: zazavavy efa-taona naolana rangahy 46 taona a été récupéré chez Newsmada.

Hapetraka ny paikady hamongorana ny kere
23/11/2020

Manatanteraka fitsidihana any amin’ny faritra atsimo ny Praiminisitra (PM) Ntsay Christian sy ireo mpikambana maromaro eo anivon’ny governemanta ahitana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Richard. Miaraka amin’ireto delegasiona ireto ny solontenan’ireo mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara amin’ny fampandrosoana, toa ny Pam. Tanjona amin’izao ny fametrahana tetipanorona matipaika hamongorana tanteraka ny tsy fahampian-tsakafo mianjady matetika amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Nisy ny fivoriana notarihin’ny PM tao Ambovombe nandinihana ireo lamina hapetraka hanafoanana ny tsy fahampian-tsakafo. Nandray anjara tamin’izany ireo minisitra rehetra niaraka amin’ny PM any an-toerana. Nilaza ny MDN fa efa miantsehatra efa ho 50 andro any amin’ny faritra Anosy ny Tafika. Efa am-perinasa koa ny ivontoeram-pibaikoan’ny miaramila ao Ambovombe sy ao Amboasary Atsimo ho an’ny faritra Anosy ary ao Tsihombe. Kaominina maherin’ny 70 isa ny iasan’ireo miaramila ireo mifanome tanana amin’ny vahoaka sy ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana. “Manomboka izao, ny MDN no mitarika ny asa rehetra hiadiana amin’ny kere. Tafiditra ao anatin’izany ny fanisana isaky ny kaominina ahafahana mahafantatra isan’andro ny mombamomba ny mponina sy ny fahasalaman’izy ireo”, hoy ny PM. Napetraka, araka izany, ny “centre de coordination opérationnel regional” ifarimbonan’ireo rantsa-mangaika rehetra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Eo koa ny fananganana ny “centre de coordination” isaky ny kaominina. Nanainga ny zoma teo ireo miaramila 150 hanampy ireo 497 efa am-perinasa any an-toerana hanafainganana ny fanampiana ireo mpiray tanindrazana.Jean ClaudeL’article Hapetraka ny paikady hamongorana ny kere a été récupéré chez Newsmada.

Spat Toamasina: hitohy ny asa fanitarana ny seranan-tsambo
25/11/2020

Nanomboka ny jolay 2018 ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, tohanan’ny Fiaraha-miasa japoney (Jica). Hitohy amin’ny desambra 2020 ny asa rehetra, niato, noho ny Covid -19.Notokanan’ny filoha Rajoelina, ny 17 novambra teo, ny ivontoerana fiofanana mikasika ny sambo, Port Academy Center Toamasina (Pact), eo ambany fiahian’ny orinasa mitantana ny  seranan-tsambon’i Toamasina (Spat). Foibe natao hianarana teny vahiny sy mikasika ny fitantanana ny seranan-tsambo sy ny sambo ary ny tantsambo.Tafiditra ao anatin’ny fanitarana ny seranan’i Toamasina ny fananganana ny foibe Pact. Nilaza ny tale jeneralin’ny Spat, i Avellin Christian Eddy, fa maro ny asa atao amin’izany. Eo ny asa goavana ataon’ny Fiaraha-miasa japoney ho an’ny fampandrosoana (Jica), mitentina 411 tapitrisa dolara. Eo koa ny fanitarana ny toerana hitahirizana ny entana (simenitra, vary),  …. Misy koa ny fandalinana ny halalin’ny ranomasina sy fiarovana ny onja, ny  fanitarana ny fotodrafitrasa fandraisana ny sambo vaventy sy ny mpizahatany. Misy amin’ny asa atao ny tetibolan’ny Spat madiodio, toy ny fiantsonan’ny sambo madinika mankany avaratr’i  Toamasina, ny fanamboarana toerana malalaka hametrahana kaontenera, mirefy 5 ha, sns.Nanamarika ny masoivohon’i Japana, SEM Higushi Yoshihiro, fa hiverina hitohy ny asa rehetra, manomboka amin’ny volana desambra ho avy izao, taorian’ny fihibohana vokatry ny tranga Covid-19.Sajo sy Njaka A.L’article Spat Toamasina: hitohy ny asa fanitarana ny seranan-tsambo a été récupéré chez Newsmada.

Fampielezan-kevitra  : voarara ireo antoko tsy manana kandidà      
18/11/2020

Voarara ny fanirian’ny antoko politika na ny vondrona antoko politika tsy mandrotsaka na manana kandidà amin’ny fifidianana loholona mikasa hanao fampielezan-kevitra. “Ny kandidà sy ny komity mpanohana no manao ny fampielezan-kevitra”, hoy ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, momba ny fiatrehana ny fifidianana loholona, hatao ny 11 desambra ho avy izao.Mazava ny didim-panjakana noraisin’ny filankevitry ny governemanta hoe: mahazo alalana avy hatrany hanao fampielezan-kevitra ny lisitra kandidà voasoratra ao amin’ny lisitra ofisialy navoakan’ny Ceni. Na ny Ceni aza, rehefa mitsinjara ny fotoana hitenenana ao amin’ireo haino aman-jerim-panjakana: ireo lisitra kandidà 14, voaray sy ekena hifaninana no hitsinjarana ny fe-potoana handraisam-pitenenana amin’izany.R.Nd. L’article Fampielezan-kevitra  : voarara ireo antoko tsy manana kandidà       a été récupéré chez Newsmada.

Fiatrehana ny fifidianana : hampitombo ny vola ho an’ny eny ifotony ny loholona MMM
21/11/2020

Sarotiny amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Niton­dran’ny kandidan’ny antoko Malagasy miara-miainga va­ha­olana avy hatrany ny eny ifotony. “Hampitomboina ny tetibolan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana”, hoy ny loha lisitra, Rakoton­drai­ni­be Michel, tamin’ny fanombohana ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana loholona.Nisantaran’izy ireo iza­ny ny teo anivon’ny distrikan’ Am­bohidratrimo, notanterahina teny Talatamaty, afako­maly. Fampivoarana ny kaominina rehetra Naneho ny fahavononany ny kandida fa hanaja ny teny no­mena sy ny tamberin’andraikitra ho fanamafisana ny fitokisan’ny vahoaka sy ireo olom-boafidy. “Tafiditra ao an­a­tin’izany indrindra koa ha­mpivoarana ny kaominina rehetra ato amin’ny faritan’ An­tananarivo”, hoy ihany izy ireo. Nanterin’izy ireo koa ny fisokafany amin’ireo olom-bo­afidy rehetra tsy an-kanavaka, amin’izao fiatrehana ny fi­fi­dianana loholona, hatao ny 11 desambra izao.Synèse R.L’article Fiatrehana ny fifidianana : hampitombo ny vola ho an’ny eny ifotony ny loholona MMM a été récupéré chez Newsmada.

Ambatofinandrahana: basy mahery vaika telo naverin’ny dahalo
19/11/2020

Tafaverina amin’ireo Zandarimariam-pirenena ny basy mahery vaika miisa telo sy bala 20 isa tao Ambatofinandrahana. Hetsika fampandriana fahalemana ao an-toerana ny nahazoana izany. Ny 15 novambra teo, nisy ny basy AKM laharana 1972PE 946 sy tranom-bala nahitana bala miisa simy sarona. Tratra tany amin’ny dahalo atao hoe Rahova ireo fitaovam-piadina ireo. Fantatry ny maro ao an-toerana fa dahalo malaza ratsy ao amin’ny kaominina Fenoarivo ralehilahy. « Ireo raiamandreny hatrany no tonga mamerina izany eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana », hoy ny loharanom-baovao iray. Basy mahery vaika iray niaraka amin’ny tranom-bala vy nisy bala 15 isa koa azo ny 14 novambra teo. Tany amin’ny lehiben’ny dahalo atao hoe Liziany izany. Voalaza fa nanao halatr’omby maro tao Andoharea Matsiatra, kaominina Ambatomainty, sy tao amin’ny distrikan’Ikalamavony, io dahalo io ny 27 okotobra lasa teo. Ny zanany vavy no nanatitra ireo fitaovam-piadina tany amin’ireo raiamandreny ao Fenoarivo Ambatofinandrahana. Ny 12 novambra lasa teo indray, nanatitra basy iray niaraka amina tranom-bala ny raiamandreny eo amin’ny tanànan’i Vinany Tsimamaliavona-Fenoarivo. Henintsoa HaniL’article Ambatofinandrahana: basy mahery vaika telo naverin’ny dahalo a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Positive Planet: nahazo roa hetsy Ariary avy hanaovana tetikasa ireo sahirana
23/11/2020

Nanolotra mari-pankasitrahana ireo nahavita fiofanana miisa 96 tetsy amin’ny tranompokonolona Analakely ny ben’ny Tanàna an’Antananarivo, ny zoma teo. Niompana amin’ny sosialy, fampahafantarana ny “Centre ilaiko” na ny “Centre d’accès sociale” (CAS) amin’ny fanatonana ny foibe raha misy iharan’ny herisetra eny amin’ny fiarahamonina izany. Eo koa ny fihainoana sy ny fanohanana hevitra ary ireo olana amin’ny ankizy tsy miditra fianarana…Momba ny toekarena kosa, fanofanana ny fanandratana ny maha olona ary ny fijerena sy ny fisafidianana ny asa manavanana azy ireo. Hahazo tohana roa hetsy Ariary avy ireo nahavita fiofanana, amin’ny alalan’ny ONG Positive Planet. Nandray anjara tamin’izany fiofanana izany ny RF2 sy ireo notsongaina manokana nanatona ny CAS sy ny teny anivon’ny fokontany.Tsiahivina fa tafiditra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA sy ny ONG Positive Planet International ny fampiofanana tahaka izao. Ny fanampiana ny fitaovana amin’ny fanatanterahana ny asa, ny fanohanana ny fihariana, ny fanolorana vola, hanangana tetikasa madinika, manavanana ny tsirairay. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ireo fianakaviana sahirana ary ny fanabeazana ara-bola.Nampahery ireo tsy manan-kialofana i NomceboAnkoatra izany, nitsidika ny Akany Iarivo Mivoy Anosizato, tantanan’ny CUA, ilay mpanakanto avy atsy Afrika Atsimo, i Nomcebo (Jerusalema), omaly. Nandray azy ny ben’ny Tanàna mivady, Andraintsitohaina Naina, sy ny Fondation Axian.Nampifalifaly ireo tsy manan-kialofana teny an-toerana ny mpanakanto tamin’ilay hira “Jerusalema”. Nandray anjara koa ny ben’ny Tanàna mivady. Nijery ny toeram-ponenan’ireo tsy manan-kialofana izy ary nampahatsiahy fa zanak’olona mahantra sy sahirana. “Niezaka tamin’ny fiainana. Tsy manaiky resy ary miady hatrany amin’ny fiainana fa hahita vokatra tsara. Aoka tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina. Ilaina ny faharetana”, hoy izy.Fitsinjovana ireo sahirana noho ny Covid-19Etsy andaniny, nanome tolo-tanana ho an’ireo fianakaviana sahirana miisa 150 etsy amin’ny boriborintany fahefatra, Anosizato, ny Star sy ny Fondation Coca Cola. Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA izany, ho fiahiana ireo sahirana eny anivon’ny fokontany. Nanatrika izany ny ben’ny Tanàna an’Antananarivo mivady, Andriantsitohaina Naina, sy ny Star, Rambolamanana Seheno. “Fitsinjovana ireo renim-pianakaviana sahirana sy noho ny fisian’ny Covid -19 izany”, hoy izy ireo. Ahitana menaka, ronono mandry, Coca cola, vary, savony ary katsaka sy siramany izao fanomezana izao.Synèse R.L’article Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Positive Planet: nahazo roa hetsy Ariary avy hanaovana tetikasa ireo sahirana a été récupéré chez Newsmada.

Kajikajy politika… mamery vahoaka    
25/11/2020

Miroso ny fanatanterahana ny fifidianana loholon’i Madagasikara, hatao amin’ny 11 desambra; eny, na misy aza ireo vondrona antoko sy antoko hoe handray anjara. Amin’izany, misy ny baikon’ny antoko mpanohitra ho an’ireo mpifidy vaventy avy amin’ny tsy handray anjara amin’ny fandatsaham-bato. Tsy to teny? Na efa tsy mandaitra intsony ny politika avokoa izay mihetsika  sy atao rehetra…Misy ireo mpifidy vaventy na avy amin’ny mpanohitra aza, nampiara-peo sy nampiaka-peo fa handray anjara tsotra izao amin’io fifidianana io. Nahoana? Misy ny tsy mahalala na mody adala na entin’ny fo mankahala ka baikoin’ny politika hatrany amin’izay mihetsika sy ihetsehana rehetra. Solontenan’ny vahoaka nifidy azy ireo mpifidy vaventy amin’io fa tsy solontenan’ny antoko niaviany.Solontenan’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ny loholona, na eo aza ny antokony. Izay no ilana ny fakana ny maro anisa amin’ny fanaraha-maso ny mpanatanteraka, fandanian-dalàna, fisoloan-tena ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana, fanoloran-tsaina amin’ny sehatra toekarena sy sosialy ary koltoraly. Ny vahoaka nipoirany amin’ny alalan’ny mpifidy vaventy no tena iadiany amin’izany.Izay no mahavoa, na mahazo tombony na maty antoka amin’ny kajikajy sy paipaika politika? Tsy handray anjara amin’ny fifidianana loholona ny tena, tsy avela handatsa-bato ireo mpifidy vaventy heverina ho momba ny tena… Iza no hiady ho an’ny vahoaka eny ifotony nifidy ny tena amin’ny hoe fampandrosoana? Nefa mandeha ihany ny raharaham-pirenena, tsy miandry ny tsy afaka na tsy te handeha.Mibahan-toerana hatrany ny kajikajy politika? Hany ka tsy mihevitra izay vahoaka nifidy tokony hosoloina tena eny anivon’ny Antenimierandoholona. Ny vahoaka no mitondra faisana fa tsy misy solontena eny anivon’ny andrimpanjakana tokony hiady ho azy amin’ny hoe fampandrosoana ifotony. Hahagaga raha tsy matoky mpanao politika… matimatin’ny kajikajy tsy mitondra inona ho azy?Rafaly Nd.   L’article Kajikajy politika… mamery vahoaka     a été récupéré chez Newsmada.