Fanafody fandrindram-piterahana: 20%  ny vehivavy tsy afaka nisitraka izany

News - Fanafody fandrindram-piterahana: 20%  ny vehivavy tsy afaka nisitraka izany

News - Fanafody fandrindram-piterahana: 20%  ny vehivavy tsy afaka nisitraka izany

 

 Nidina ho 32% ny
tahan’ny fampiasana ny fanafody fandrindram-piterahana teo amin’ny
vehivavy raha efa tafakatra 39% izany.
Tsy tratra ny tanjona 50% ho an’ity taona 2020 ity noho
ny valanaretina
Coronavirus.                     

Nisy fiantraikany tamin’ny
fahazoan’ny vehivavy nanohy ny fanabeazany aizana ny fiparitahan’ny
valanaretina Covid-19 maneran-tany sy teto amintsika manokana.
Natahotra ny hivezivezy teny amin’ny tobim-pahasalamana na koa tsy
afaka nivoaka noho ny fepetra ara-pahasalamana izy ireo. Nihena 20%
ny andriambavilanitra nahazo tolotra ara-pananahana ary nitombo ny
vohoka tsy niriana ho an’ny salan-taona 15 -19 taona, araka ny
fanazavan’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Marie Stopes
Madagascar, Razafinirinasoa Lalaina, omaly nandritra ny
fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fandrindram-piterahana.
Anisan’ny fanafody be mpisafidy ny « implanon » asisika
eo amin’ny sandry ka nandritra ny volana jolay sy aogositra. Niato
ny fahatongavan’ny tahiry satria nikatona ny seranam-piaramanidina.
20 000 isam-bolana teo ho eo ny tsy afaka nisitraka izany, efa
niverina ny famatsiana ankehitriny. Laharam-pahamehana ho an’ny
MSI, manomboka izao, ny fampiroboroboana ny fandrindram-piterahana
sy fisorohana ny vohoka tsy niriana eo amin’ny zatovovavy. Efa
niakatra ho 22% ny tahan’ny tanora mampiasa fanafody
fandrindram-piterahana amin’ny vehivavy tokony hahazo ny tolotra,
amin’izao fotoana izao. Nanampy betsaka ny MSI ny fahalanian’ny
lalàna vaovao manome alalana ny tanora hahazo vaovao sy tolotra
momba ny fandrindram-piterahana, ny taona 2019.

12 taona mitondra vohoka
voalohany 

Amin’ny tanàn-dehibe, mahazo vaovao
sy ny torohevitra momba ny fiarovana amin’ny vohoka aloha loatra sy
tsy iriana ny zatovovavy, any ambanivohitra sarotra ny fampitana ny
fanentanana ary 12 taona ny fotoana voalohany hirosoan’ny ankizy
amin’ny firaisana ara-nofo. Izay no nahatonga ny fanamarihana atao
any amin’ny faritra AtsimoAtsinanana, distrikan’i Farafangana.

Nanao antso ho an’ny fanjakana ny
MSI tsy hanadino ny fanenkena efa nataony hanao laharam-pahamehana
ny fandrindrana ny fiterahana mba hirindra ny fiakaran’ny
harinkarena sy ny isan’ny zaza teraka.

Vonjy A.

Article tiré de Newsmada

L’article Fanafody fandrindram-piterahana: 20%  ny vehivavy tsy afaka nisitraka izany a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 26/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fikarohana momba ny ady amin’ny  tazomoka: Mendrika ny Pr Randrianarivelojosia Milijaona

Reharehan’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fikarohana ny nahazoan’ny Pr Randrianarivelojosia Milijaona ny loka sy fankasitrahana avy amin’ny CDC mikasika ny ady atao amin’ny valan’areina tazomoka.Nahazo ny loka avo lenta avy amin’ny ivotoerana Centers for Diseases Control (CDC) ny profesora Randrianarivelojosia Milijaona, mpikaroka ao amin’ny Institut Pasteur de Madagascar sy ny Dr Laurence Baril, lehiben’ny sampan fikarohana sy hay areti-mifindra.Mendrika tamin’ny fanaovana fikarohana mikasika ny tohitra amin’ny fanafody tazomoka izy mianadahy ireo.Anisan’ny firenena mandray anjara ao amin’ny Antimalarial Resistance Alliance (Parma) i Madagasikara. Tetikasa miady amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina tazomoka io Parma io. Manara-maso sy mandihady ny haavon’ny tohitra amin’ny fanafody ampiasaina itsaboana ny tazomoka no tena hataon’izany tetikasa izany .Teto Madagasikara, maherin’ny 1 tapitrisa ireo fantatra fa nararin’ny tazomoka tamin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona 2020 ity. 600 tamin’ireo no namoy ny ainy rehefa tsy nahazo fitsaboana ara-potoana.Ny fitsaboana haingana ny aretina no mampihena ny fihombon’ny arerina. Tsy tokony hiandry efa tena marary mafy vao manatona toeram-pitsaboana. Azo sitranina tsara ny aretina tazomoka rehefa voatsabo ara-potoana ny marary.Anisan’ny miandraikitra betsaka amin’ny ady amin’ny tazomoka eto amintsika ny tetikasa Impact ao amin’ny USAID. Nisy ny fanomezana fitaovam-pitiliana TDR an-tapitrisa avy amin’ny governemanta amerikanina naparitaka amin’ireo toerana tena be tazo hahafahana manao fitiliana haingana mora handraisana an-tanana ireo marary.Eto Madagasikara mbola maro ireo toerana ahitana ny aretina tazomoka. Efa misy ny hetsika fizarana lay maimaimpoana isan-tokantrano amin’ireny faritra ireny saingy tsy ampiasain’ny olona amin’ny tokony ho izy ny lay ka manjary zava-poana ny ezaka atao.Tatiana AL’article Fikarohana momba ny ady amin’ny  tazomoka: Mendrika ny Pr Randrianarivelojosia Milijaona a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fahatrarana olon-dratsy

Tra-tehaky ny polisy nanao fanamiana sivily, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny lehilahy iray voalaza fa anisan’ireo jiolahy nanafika mpivady mpandraharaha tany Maevatanàna tamin’ny oktobra 2018. Fantatra fa anisan’ireo olon-dratsy mpanakan-dalana eny amin’ny lalam-pirenena fahafito sady mpanao fakana an-keriny, any Maevatanàna izy. L’article Fahatrarana olon-dratsy est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fampivelarana ny kabary: hotohizana ny « Takariva dinika amorom-patana »

 Anisan’ny hevitra nitsiry tao anatin’ny fotoana nandiavana ny hamehana ara-pahasalamana ny fanatanterahana hetsika « Takariva dinika amorom-patana ». Fantatra fa hotohizan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fimpima maneran-tany) izany ka isaky ny tapa-bolana ny hanatanterahana azy. Somary efa mitaky lenta avoavo kokoa amin’ny fahaizana kabary ny « Takariva dinika amorom-patana », noho izany, hasaina manokana ireo efa mpikabary, raha ny fanazavan’ny filohan’ny birao foibe Fimpima maneran-tany. Hanatevina ny fahalalany avy amin’ny alalan’ity hetsika ity izy ireo.Tohizina amin’ny 8 septambra izao ny andiany manaraka. Amin’ny alalan’ny “zoom” sy ny facebook no hanatanterahana izany. Azon’ny rehetra arahina tsara. Azo atao tsara ihany koa ny manatrika mivantana ao anaty efitrano hanatanterahana ilay dinika. Miankina indrindra amin’ny fepetra tsy maintsy arahina amin’izao fisian’ny hamehana ara-pahasalamana izao ny fanatanterahana izany, raha ny fanazavan’Andriamboavonjy Hanitra hatrany.HaRy RazafindrakotoL’article Fampivelarana ny kabary: hotohizana ny « Takariva dinika amorom-patana » a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

Covid-19: Situation du 20.07.2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 20.07.2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.L’article Covid-19: Situation du 20.07.2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

Anjozorobe: kamiaobe nitondra vary nivadika, olona efatra indray maty

Olona efatra indray maty! Io ny vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Andranomisa Anjozorobe, afakomaly. Kamiaobe iray nitondra vary milanja vary 8 taonina no nivadika noho ny olana teknika, araka ny fanazavana voaray.Hiakatra aty an-dRenivohitra ity kamiaobe nitondra vary ity kanjo izao tra-doza tampoka izao. Olona telo naratra mafy ankoatra ireo maty ka nentina haingana namonjy hopitaly.Fa nisy olona telo koa namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia teny amin’ny RN 2 tao amin’ny kaominina Beforona, distrikan’i Moramanga, afakomaly alina. Fiara taksiborosy mampitohy an’Antananarivo sy i Fenoarivo Atsinanana ny tra-doza tampoka. Avy aty Antananarivo hihazo an’i Fenoarivo Atsinanana ity fiara ity. Raha ny angom-baovao, niala fiarabe teo alohany ny mpamily ka tsy tafaverina intsony ny familiana ary nivarina tany anaty hantsana ny fiara. Vokany, maty tsy tra-drano ny olona telo tamin’ireo mpandeha. Nalefa avy hatrany tany amin’ny hopitalin’i Moramanga kosa ireo naratra. Anisan’ny mampitaraina ireo mpitatitra mampiasa iny RN 2 ny fisian’ireo kamiaobe mandeha mafy amin’iny lalana iny nefa tery ny lalana. Milaza ny mpamilin’ireny kamiaobe ireny fa noho ny henjikenjika amin’ny famoahan’entana eny amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny mahatonga azy ireo mandeha mafy satria misy ora tsy maintsy enjehina. Nambaran’ny mpamily iray mpanao zotra nasionaly mampitohy an’Antananarivo sy i Toamasina fa antony iray miteraka lozam-pifamoivoizana eny amin’ny RN 2 koa ny fahasimban’ny lalana, indrindra ny fisian’ireo lavadavaka ilàna fanamboarana.Jean Claude sy SajoL’article Anjozorobe: kamiaobe nitondra vary nivadika, olona efatra indray maty a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

BEPC sy Bacc : nofoanana ny adina ara-panatanjahantena

Nofoanana ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny fa­nadinam-panjakana roa, ny BEPC sy ny bakalorea, amin’ ity taona ity, araka ny fanambaran’ny minisitry ny Fa­mpianarana ambony sy ny filazana nataon’ny minisiteran’ny Fanabeazana tamin’ ny tambajotra sosialy, oma­ly.Nilaza ny minisitry ny Fa­mpianarana ambony, i As­soumacou Béatrice fa tsy ampy fanomanan-tena ny mpi­adina noho ny hamehana sy ny fihibohana ka mety hi­teraka fahasembanana ara-batana amin’ny fanadinana izany. Ny taranja iraisana rahateo mety ho loharano hamindra ny tsimokaretina Coro­na­virus. Ny filoha ihany koa mbola nanamafy, nandritra ny tafa farany (23 aogositra) tamin’ny vahoaka fa tsy mbola azo tanterahina ny fi­faninanana ara-panatanjahantena samihafa. Vokany, tsy misy ny adina ho an’ny taona 2020 manokana. Mbo­la izay antony ara-pahasalamana izay koa no naroson’ny minisiteran’ny Fanabeazana tsy ahafahana manatontosa ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny BEPC. Taranja azo isafidianana ho an’ny mpiadina BEPC ny fanatanjahantena fa manampy amin’ny naoty ankapobeny raha mahazo mihoatra ny 10/20 ny mpiadina. Ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, na­hatratra 294 no nisafidy ny hanao ny adina ara-panatanjahantena, tamin’ity taona ity ary saika lomano avokoa ny taranja safidy nataon’olona tokana.Vonjy A.L’article BEPC sy Bacc : nofoanana ny adina ara-panatanjahantena a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Kaominina Antananarivo Renivohitra :: Manameloka ny fihetsiky ny Ben’ny tanàna ireo mpanolotsaina TIM

Nanao fanambaràna tetsy amin’ny Bel’Air Ampandrana ireo mpanolotsaina monisipaly voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), omaly. Nomelohin’izy ireo ny fomba fitantanan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra (CUA), Andriantsitohaina Naina, sy ny fandraisan’itsy farany fanapahan-kevitra samirery hatrany na dia efa lavin’ny filankevitra monisipaly aza izany. Isan’ireo nokianin’izy ireo manokana ny famoahana naoty matetika ataon’ny Ben’ny tanàna, toy ny fampitsaharana ny fifanarahana fampidramana tany etsy Anosimpatrana, izay iorenan’ny orinasa MBS; ny fandrodanana an’ireo fotodrafitrasan’ny kaominina, izay voalaza fa ara-dalàna raha araka ny fifanarahan’ny CUA sy ireo mpampiasa azy ary ny fanesorana an’ireo mpivarotra mampiasa sy manofa an’ireo tsena etsy amin’ny Esplanade Analakely. « Tsy fahefan’ny ben’ny tanàna ny manova na manafoana ny fanapahan-kevitry ny filankevitra monisipaly amin’ny alalan’ny famoahana naoty.  Natao hanaraka ny fanapahan-kevitra monisipaly ny ben’ny tanàna, araka ny voafaritry ny andininy faha16 amin’ny lalàna 2015-011, tamin’ny 1 avrily 2015, mikasika ny satan’ny CUA. Tsy manana fahefana hanapaka fifanarahana fanofana tany koa ny ben’ny tanàna, fa andraikitry ny filankevitra monisipaly avokoa izany salovaniny izany », hoy izy ireo, omaly. Miantso ny ben’ny tanàna mba hanova fomba fiasa ireto mpanolotsaina ireto. Nisafidy ny tsy hamaly an’izao hafatr’ireo mpanolotsaina izao koa ny mpiaramiasa akaiky amin’ny ben’ny tanàna. « Avelao ry zareo haneho ny heviny », hoy fotsiny Ramanambintana Richard, tale misahana ny andrimpanjakana eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. L’article Kaominina Antananarivo Renivohitra :: Manameloka ny fihetsiky ny Ben’ny tanàna ireo mpanolotsaina TIM est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Anjozorobe: kamiaobe nitondra vary nivadika, olona efatra indray maty

Olona efatra indray maty! Io ny vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Andranomisa Anjozorobe, afakomaly. Kamiaobe iray nitondra vary milanja vary 8 taonina no nivadika noho ny olana teknika, araka ny fanazavana voaray.Hiakatra aty an-dRenivohitra ity kamiaobe nitondra vary ity kanjo izao tra-doza tampoka izao. Olona telo naratra mafy ankoatra ireo maty ka nentina haingana namonjy hopitaly.Fa nisy olona telo koa namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia teny amin’ny RN 2 tao amin’ny kaominina Beforona, distrikan’i Moramanga, afakomaly alina. Fiara taksiborosy mampitohy an’Antananarivo sy i Fenoarivo Atsinanana ny tra-doza tampoka. Avy aty Antananarivo hihazo an’i Fenoarivo Atsinanana ity fiara ity. Raha ny angom-baovao, niala fiarabe teo alohany ny mpamily ka tsy tafaverina intsony ny familiana ary nivarina tany anaty hantsana ny fiara. Vokany, maty tsy tra-drano ny olona telo tamin’ireo mpandeha. Nalefa avy hatrany tany amin’ny hopitalin’i Moramanga kosa ireo naratra. Anisan’ny mampitaraina ireo mpitatitra mampiasa iny RN 2 ny fisian’ireo kamiaobe mandeha mafy amin’iny lalana iny nefa tery ny lalana. Milaza ny mpamilin’ireny kamiaobe ireny fa noho ny henjikenjika amin’ny famoahan’entana eny amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny mahatonga azy ireo mandeha mafy satria misy ora tsy maintsy enjehina. Nambaran’ny mpamily iray mpanao zotra nasionaly mampitohy an’Antananarivo sy i Toamasina fa antony iray miteraka lozam-pifamoivoizana eny amin’ny RN 2 koa ny fahasimban’ny lalana, indrindra ny fisian’ireo lavadavaka ilàna fanamboarana.Jean Claude sy SajoL’article Anjozorobe: kamiaobe nitondra vary nivadika, olona efatra indray maty a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hetsika efatra miantoana: hanatanteraka « Metalygasy » ry Kazar sy ry Märtz

Taona maromaro tsy hita teny an-tsehatra teto Madagasikara. Ho setrin’izay, ao anatin’ny iray volana, ho tazana tsy tapaka amin’izay ny tarika Kazar sy ny tarika Märtz. Ho afaka hianoka misimisy kokoa ny mozika rock sy ny metaly indray ny rehetra…Noho ny antony maro samihafa, tsy tazana niaka-tsehatra firy teto Madagasikara loatra ny tarika Kazar. Fantatra, omaly tetsy amin’ny Carlton, fa ho avy i Milon, iray amin’ireo mpikambana ao anatin’izany tarika manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny rock sy ny metaly izany. Hanatanteraka hetsika nampitondraina ny lohateny « Metalygasy » izy ireo (tarika Kazar) sy ny tarika Märtz, raha ny fampahafantarana nataon-dRajaofetra Andrianaina Sandy avy ao amin’ny Sandix, trano mpamokatra mikarakara ity hetsika ity.Ny 18 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny AFT Andavamamba, ny fampisehoana miaraka amin’ny Kazar sy ny tarika Märtz. Ny 23 aogositra manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, eny amin’ny ADMC-Craam, oniversiten’Antananarivo, fihaonana sy velakevitra nampitondraina ny lohahevitra “Aiza ho aiza ny tsenan’ny metaly sy ny rock eto Madagasikara”. Nanasana ireo manana traikefa amin’izany toa an’i Dina Randrianoelison (Team Distortion), i Eric Rasoamiaramanana (Libertalia Music), i Mahalia (Loharano), i Abasse Djiva (tarika Apost), i Elia Ravelomanantsoa (minisitra teo aloha ny Kolontsaina), sns. Hialohavan’ny fandefasana horonantsary « Kazar : Malagasy Rock legende », novokarin’i Tsilavina Ralaindimby, ity velakevitra ity. Ny 24 aogositra, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, ao amin’ny Kudeta Carlton Anosy, « Milon Kazar en cabaret acoustic and electric ». Fotoana hitendren’i Milon ny karazan-gadona sy ny hira tahaka ny metaly, ny latino, ny hira malagasy, sns. Faranana eny amin’ny Is’Art Galerie Ampasanimalo ny « Metalygasy », ny 30 aogositra manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, amin’ny alalan’ilay seho hiarahana amin’ny tarika Kazar.Raha tsiahivina, 33 taona lasa ny efa niforona ny tarika Kazar raha ny taona 1989 kosa ny nijoroan’ny Märtz.HaRy Razafindrakoto L’article Hetsika efatra miantoana: hanatanteraka « Metalygasy » ry Kazar sy ry Märtz a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fifamoivoizana eto an-dRenivohitra: miverina ny gaboraraky ny sarety sy ny kalesy…

Mbola resaka hafa ny taxi-be sy ny fihoaram-pefy ataon’izy ireo.  Niserana ihany ny fampiharan-dalana ho an’ireo sarety sy posy ary kalesy teto Antananarivo Renivohitra. Miverina sahady ny gaboraraka eny an-dalana. Manjaka amin’ny fotoana rehetra izy ireo. Antony miteraka fitohanana lavareny manampy trotraka ny fanamboaran-dalana ary mampikaikaika ny maro anefa ny fikisahan’izy ireny eny an’arabe.Ankoatra ny fandikana ny fotoana iasana, manimba zavatra ary tsy mahay ny lalan’ny fifamoivoizana ireo mpitarika posy sy sarety ireo. Betsaka ireo efa velon-taraina amin’ny fahapotehan’ny fiara amin’ny hafitsok’izy ireny.Miala maina anefa ireo manana ny simba satria tsy misy fiantohana ireny sarety sy posy ireny. Ankoatra izany ny vava ratsy sy ompa hataon’ireo mpitarika azy izay tsy manaiky hanana ny fahadisoana.Anisan’ny sosokevitr’ireo mpampiasa ny fifamoivoizana ny tokony hametrahana lalàna mazava, manaraka ny zava-misy ankehitriny sy fampiharan-dalàna hentitra sy maharitra amin’izy ireny.Tokony hazava ao anatin’izany lalàna izany ny refin’ny sarety na posy ampiasaina. Tokony  hiditra anaty trano fiantohana izy ireny hahafahana miady aminy raha manimba zavatr’olona.Tompon’antoka amin’izay mety ho fahasimbana ny mpitari-posy, tompon’ny posy ary ny tompon’ny entana entina.Efa napetraka mazava ny ora hahafahan’ireny mivezivezy izay voatondro fa manomboka amin’ny 10 ora maraina hatramin’ny 12 ora antoandro izy ireo no miasa ny maraina. Amin’ny 2 ora hatramin’ny 4 ora kosa ny hariva.Voafetra ihany koa ny toerana hahafahan’izy ireo mivezivezy. Tsy azon’izy ireo aleha ny faritry ny afovoan-tanàna. Tafiditra ao anatin’izany ny ao Analakely, Ambohijatovo, Antaninarenina, Soarano ary Ankadifotsy. Tsy tokony hivezivezy amin’ny toerana misy fiakarana ihany koa ireny sarety sy posy ireny.Tatiana A L’article Fifamoivoizana eto an-dRenivohitra: miverina ny gaboraraky ny sarety sy ny kalesy… a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Fiaraha-miasan’ny UE : nahazo fotodrafitrasa ny eny Ampitatafika
24/10/2020

Notokanana, omaly, ireo fo­todrafitrasa miisa fito ao amin’ ny kaominina Ampitatafika sy ny eny Alakamisy, distrikan’ Atsimondrano. Anisan’izany ny fanavaozana ny tsena, ny efitrano fivarotana miisa 10 sy ny tranoheva lehibe roa, etsy Ampita­tafika. Eo ny lalana 1 km 400 mampitohy an’Ankadintany sy Avarajorozo. Nampiana efatra kosa ny efitrano fianarana ao amin’ny CEG Antanety, Alaka­misy Fenoarivo. Ny fahavitan’ ny lalana « pavet » mampitohy an’Andohony sy Antanety, mi­refy 720 m. Natao tahaka izany koa ny tahala eo amin’ny tsena sy ny lakandrano, anariana ny rano maloto. Nametrahana toeram-pivoahana koa izany. Niara-niasa amin’izany ny ONG Ketsa. Teo koa ny fanohanan’ny Von­drona eoropeanina (UE) sy ny fikambanana MSIS Tatao. Natao mangarahara ny nananganana izany ary nandray anjara ny manampahefana sy ny eny ifotony. Mampivoatra ny andavanandron’ny mponina ireo fotodrafitrasa ireo. Mamaly ny hetaheta eny ifotony kosa ny kaominina. Napetraka koa ny rafitra ho fitandroana sy ho fitantanana ny fotodrafitrasa ho tombontsoan’ny maro. Ao anatin’izany ny fampandraisana andraikitra ireo mponina, hitandro hatrany ny fotodrafitrasa, araka ny lahateny nifandimbiasana.Synèse R.L’article Fiaraha-miasan’ny UE : nahazo fotodrafitrasa ny eny Ampitatafika a été récupéré chez Newsmada.

Espoirs Sportifs de Tuléar: asa maro no efa vita sy mbola hatao
28/10/2020

 Mitohy hatrany ny fampandrosoana ataon’ny fikambanana Espoirs Sportifs de Tuléar, eo amin’ny lafin’ny ara-panatanjahantena ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Asa maro ny efa vita sy mbola hokasaina atao. Vaovao mahafaly voaray, omaly, vita soa aman-tsara ny kianja basikety Sanfil,  izay namboarin’ny fikambanana EST sy novatsiny vola. Naharitra 10 andro ny faharetan’ny fanamboarana,  nanomboka tamin’ny herinandro lasa iny. Mbola miankina amin’ny taratasy fahazoan-dalana kosa ny fanavaozana ny kianjan’Anketa, izay nitondran’ny filohan’ny fikambanana EST, i Vital Serge, fialan-tsiny ho an’ireo tanora any an-toerana, noho ny tsy mbola fahavitan’izany.Tafatsangana ny JeuestAnkoatra ny fanavaozana ny kianja, miroso hatrany koa ny fananganana klioba, taorian’ny RCEST (Rugby Club Espoirs Sportifs de Tuléar), tafatsangana tamin’ity herinandro ity koa ny Jeuest (Jeunes Étudiants Universitaires EST). Famaliana ny hetahetan’ireo mpianatra no nananganana ity klioba ity.Hetsika maro no mbola miandry ny fikambanana ary efa an-dalam-pikarohana ny hoenti-manana amin’izany ny mpitantana. Isan’izany ny fifaninanana « multi-sports » hatao amin’ny novambra sy desambra izao, eo ihany koa ilay « soirée » kasaina hotanterahina amin’ny faran’ny volana novambra. Hanampiana ireo kliobany amin’ny fifaninanam-pirenena ho avy ireo hetsika fitadiavam-bola ireo.Marihina, vonona hiara-kiasa amin’ny  rehetra ny fikambanana EST, amin’ny fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahantena. Tsiahivina, efa tafakatra 30% ny mpikambana taorian’ny fanakambanana ny EST sy ny COSTM ka efa mahatratra 400 ireo atleta ao aminy.Mitohy ny fanatsarana ary tanjona ny hampiroborobo ny tanora, tsy ao Atsimo Andrefana ihany fa manerana an’i Madagasikara, hoy ny filohan’ny EST, i Vital Serge. Manentana kosa izy ny mba hanajana sy hitandremana ny fotodrafitrasa rehetra hatsangana.Mi.RazL’article Espoirs Sportifs de Tuléar: asa maro no efa vita sy mbola hatao a été récupéré chez Newsmada.

Andrianainarivelo Hajo – Fifidianana loholona: « Tsy azo ekena ny faneriterena sy ny fibaikobaikoana »
28/10/2020

   Nanafatrafatra ireo olom-boafidy eny ifotony na ireo ho mpifidy vaventy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Nohitsiny fa misy fomba ratsy tsy tokony haverina intsony amin’izao.Nambarany fa fanohizana ny ezaka efa natomboky ny antoko sy ny fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana tena izy, efa niadiana hatramin’izay izao firotsahana an-tsehatra amin’ny fifidianana loholona izao. « Mbola mitohy izany ady amin’ny hametrahana ny fitsinjaram-pahefana izany mba ho fototry ny fampandrosoana eto amin’ny firenena », hoy izy. Nanteriny fa efa zary ny fomba fiasainana  eo anivon’ny antoko, araka ny anarany « Malagasy miara-miainga » ny miady ho amin’ny  tombontsoa imbonana. Nihaona amin’ireo olom-boafidy, ahitana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina avy amin’ny firehana samihafa eny Atsimondrano izy ireo tamin’izany. Notsindriny fa sarotra ny hampandrosoana ny firenena rehefa tsy hiarahana izany na koa mitanila. Nanafatrafatra ireo mpifidy vaventy ny tenany avy eo. « Aoka tsy hatahotra ny haneho ny safidy ianareo. Malalaka izany. Tokony hirotsaka ireo mitady hibaikobaiko na hanindry anareo ireo raha sahy… Tsy ekenay mihitsy ny faneriterena sy ny fibaikoana ny mpifidy raha tena hanaja ny safidim-bahoaka », hoy izy. Notsiahiviny fa nanahirana amin’ny fitantanana teto amin’ny firenena ny olom-boatendry mibaiko olom-boafidy.Vonona hihaino ny eny ifotony ny MMMNaneho fahavononana kosa ny kandidà loholona avy amin’ny antoko.  « Lehibe ny adidy miandry anareo ary tompon-tsafidy sy tompom-pahefana amin’ny hoavin’ny kaominina.  Tsy manavaka izahay ary vonona ny hihaino ny feonareo. Hiaraka hifanome tanana sy hitondra fampivoarana ny kaominina ho any amin’ny fampandrosoana isika », hoy ny lohalisitry ny MMM, Rakotondrainibe Michel. Nanteriny fa mandroso ny firenena rehefa mandroso ny faritra sy ny eny anivon’ny kaominina. « Miakatra ny fari-piainan’ny Malagasy », hoy izy.Synèse R.L’article Andrianainarivelo Hajo – Fifidianana loholona: « Tsy azo ekena ny faneriterena sy ny fibaikobaikoana » a été récupéré chez Newsmada.

Haintrano :: Ankizy 4 taona maty irery tao antranon-draibeny
24/10/2020

Maty noho ny fahamaizana tao an-tranon’ny raibeny, tany Ankonabe-Analavory, ity ankizy lahy, 4 taona, afak’ omaly tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Tsy tao antranony itsy raibeny itsy fa nandeha namangy fahoriana tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Andranonatoho, tokony ho efatra kilaometatra miala an’Ankonabe tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Nanomboka tamin’ny 1 ora tolakandro teo ho eo ny firehetan’ny trano, araka ny fitantaran’ireo mponina teo amin’ny manodidina. Potika tanteraka ireo trano roa, izay vita amin’ny biriky ny iray. Samy mitafo bozaka avokoa izy ireo. Isan’ireo potika tamin’io firehetana io ny kahie fanisana omby an’ireo mponina ao anatin’ny fokontany. Lehiben’ny fokontany ao Ankonabe itsy lehilahy raiben’ny zaza namoy ny ainy itsy. L’article Haintrano :: Ankizy 4 taona maty irery tao antranon-draibeny est apparu en premier sur AoRaha.

Fandalovana eto Madagasikara :: Hitety faritra maro ilay mpihira ny “Jerusalema”
27/10/2020

Raikitra fa handalo eto Madagasikara, amin’ny 14 – 22 novambra izao ilay mpanakanto avy atsy Afrika Atsimo, Nomcebo, fantatra amin’ilay hira nalaza tao anatin’ny fihibohana “Jerusalema”. Hiatrika fitetezam-paritra, hanomboka any Sambava handalo an’i Toamasina sy Mahajanga ary hifarana eto Antananarivo, ity mpanakanto vahiny ity, amin’ izao fitsidihany an’i Madagasikara izao, araka ny nambaran’i Bryan, avy ao amin’ny Malagasy MusicEvent mpikarakara hetsika any Eoropa. Hiara-hisalahy amin’izy ireo amin’izany ny Mick Prod’Zik. « Madagasikara, toy ny firenena maro maneran-tany, ka niatrika ny fihibohana. Sahirana ny saina ary tao anatin’izany no nipoiran’ilay hira Jerusalem. Na ny mpianakavy, na ny mpinamana, eny hatramin-dry bebe sy dadabe ary ireo kilonga aza samy faly, nianatra ary niezaka nandihy an’ilay hira avokoa », hoy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny fikambanana mikarakara an’ity seho ity nanazava ny anton’ny safidy. Hira maro Manana hira maro ity mpanakanto ity, ankoatra an’ilay “Jerusalema”, ka afaka hahazaka sehatra tsara. Na izany aza, hizara sehatra amina mpanakanto malagasy maro izy ka isan’izany ry Black Nadia, Nael, Mad Max, Jerry Marcoss, Tence Mena sy ny maro hafa. Hanomboka ny seho any Sambava, amin’ny 14 novambra, i Nomcebo. Any Toamasina (15 novambra) sy Mahajanga (21 novambra) kosa ny tohiny. Hiakatra etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe indray izy amin’ny 22 novambra, araka ny fandaharam-potoana nofaritan’ny mpikarakara. Mialoha ny hiampitany eto Madagasikara dia hanolotra seho iray any Burkina Faso ity, mpanakanto Afrikana Tatsimo ity amin’ ny 31 oktobra ho avy izao. Hifindra lasy atsy amin’ny nosy Maorisy kosa ny vehivavy amin’ ny 13 – 14 febroary 2021. Hetsika karakarain’ny Malagasy MusicEvent hatrany ireo rehetra ireo, araka ny fanazavana. Misy lalao maro efa miparitaka any anatin’ny tambajotran-tserasera sosialy Facebook hahafahan’ireo mpankafy misitraka fanomezana maro manomboka amin’ny tapakila hijerena ny seho ka hatramin’ny lelavola roa tapitrisa ariary. L’article Fandalovana eto Madagasikara :: Hitety faritra maro ilay mpihira ny “Jerusalema” est apparu en premier sur AoRaha.

The little corner: hikalo hiram-pitiavana i Farakely
28/10/2020

 Hitondra ny « Hivetso Hafaliana», ny asabotsy 31 okobtra ho avy izao, manomboka amin’ny 11 ora sy sasany antoandro eny amin’ny toeram-pialamboly The Little Corner Ambatomirahavavy i Farakely. Ho an’ireo efa mpankafy ny talentany, io no azo lazaina fa fihaonan’ny tia sy manina ka iaraha-mikalo amin’i Farakely ireo vazo efa tsy afaka am-bavan’ny maro toy ny «Tsy foiko ianao» « Ny akaikinao», « Samy tiako ianareo», « Voady», «Rotsirotsy», sy ny maro hafa.« Hizara fitiavana sy hafaliana amin’ny alalan’ny hira milantolanto ho an’ny olon-drehetra taorian’iny fihibohana iny no antony nahatonga ny safidy  haka an’i Farakely hanafana ny fety », hoy ny mpikarakara. Hampiala voly ny rehetra sy ampahafantatra ny fisian’ny toerana no tena tanjona. Raha ny fanazavana voaray, maro ny mpanakanto efa nampiseho ny talentany tao taorian’ny nisokafany tamin’ny fomba ôfisialy. Ankoatra ny seho iarahana amin’i Farakely, karazan-dalao fialamboly maro no efa nomanin’ny mpikarakara ka samy hahazo ny anjarany ny tsirairay. Ho faranana amin’ny fiaraha-mikorana iarahana amin’ny mpikosoka kapila ny fotoana.NarilalaL’article The little corner: hikalo hiram-pitiavana i Farakely a été récupéré chez Newsmada.

RN44 horakofana tara : manomboka ny ampahan’ny asa farany
26/10/2020

Feno tanteraka izao ireo orinasa mandray antoka ny handrakofana tara manontolo ny lalam-pirenena faha-44 avy Moramanga hatrao Ambatondrazaka. Am-perinasa, nanomboka ny 23 oktobra teo, ny orinasa sinoa China Road and Bridge Corporation (CRBC) voaray hanatontosa ny ampanhany farany, miala avy ao Amboasary (PK 60) ka hatreo Vohidiala (PK 133), tanàna nisehon’ny orinasa hanatanteraka ny asa, tamin’ny filohan’ny Repoblika. « Hisy tetezana lehibe iray vaovao hatao…65 miliara Ariary ny vidin’ny asa rehetra hatao », hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Andrianainarivelo Hajo, raha nandray ny filoham-pirenena, nanatrika ny fiantombohan’ny asa.Ho 8,40 metatra ny sakan’ny làlana amin’ny faritra mamakivaky tanàna, ary ho 8,60 kosa ny sisa. Ho ao amin’ny PK 87 no hisy toby foibe. « Somary vitsy ny toerana azo hakàna vato any amin’iny toerana iny: enina aloha ny efa hita hatreto… Tsy hovaina ny soritra (tracé) ankehitriny, mirefy 73 km, io », hoy ny teknisianina sinoa tafaresaka taminay.Orinasa za-draharaha ny CRBC.”Efa maro ny asa vitan’ny CRBC aty Afrika, hoy ny filoha Rajoelina Andry: « Ny hafatra: ny asa ataontsika eto, mba ho zavatra matanjaka, manaraka ny fenitra. Mba hipetraka holovain-jafy. »Naverimberiny izay raha nitokana ny seranam-piaramanidina nohatsaraina eny Feramanga Avaratra, ny sekoly manara-penitra ao Ambatondrazaka. Teo amin’ireo tetezana roa an-dalam-pahavitàna: ny « Tetezan’ny kafe » sy ny “Nanaingazipo”, taloha izay nomen’ny filoham-pirenena anarana hoe “Tetezan’ny Fihariana », manomboka izao.RarivoL’article RN44 horakofana tara : manomboka ny ampahan’ny asa farany a été récupéré chez Newsmada.

Faribolana Sandratra: tontosa ny « Résidence poétique »
26/10/2020

Tontosa, ny asabotsy 24 oktobra teo, tany Manjakandriana, ny fihaonambe poetika na ny « résidence poétique », nataon’ny Faribolana Sandratra. 62 ireo mpiray faribolana avy amin’ny sampana manerana ny Nosy. Fotoana nandinihana ny fanatsarana sy ny pitsompitson-javatra tokony hotanterahin’ny rehetra. Ny maraina, nanterin-dRanöe fa tsy fikambanana fa “Faribolana” ny Sandratra. Miara-midinika, manapa-kevitra, miara-matanteraka, mifandranitra mba hampisandratra ny zavakanto, tsy ekena ny gaboraraka amin’ny fomba fisainana ho an’ny olona mikirakira haisoratra ».Ny hariva kosa, niompana tamin’ny famoaham-boky Edisiona Sandratra ny dinika.               “ Ampirisihina isika mpiray faribolana hiditra ao anatin’ny Omda. Heverin’ny olona ho ny hira ihany ny zavakanto kanefa be dia be ny mpangalatra asa soratra etsy sy eroa”, hoy i Nalisoa Ravalitera. Nofaranany tamin’ny “Zara fahalalana” hampiakatra avo kokoa ny lentan-tsoratry ny mpiray faribolana izany.Nangonin’i HaRy Razafindrakoto L’article Faribolana Sandratra: tontosa ny « Résidence poétique » a été récupéré chez Newsmada.

Hentitra ny prefet sy ny governoran’Analamanga: “Hosazina avokoa ireo tsy manao arovava orona…”
26/10/2020

Tsy hisangy na hamela ny gaboraraka amin’izao ny fanjakana na efa foana aza ny hamehana ara-pahasalamana. Namoaka didy ny eo anivon’ny prefektioran’Antananarivo sy ny governoran’Analamanga fa hilatsaka ny sazy amin’ireo tsy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana.Nanterin’ny fanambarana  fa tsy maintsy hajaina sy harahina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana na ilay antsoina hoe: “gestes barrières” rehetra hisorohana ny fihanaky ny tsimokaretina Covid-19. «Didina ny tsy maintsy anaovana arovava orona. Hiteraka sazy amin’ny alalan’ny fanaovana asa iombonana ny tsy fanarahana izany fepetra izany ho an’ny eto Antananarivo sy ny faritra Analamanga manontolo », hoy ny fanambarana ny faran’ny herinandro teo. Nialohavan’ny fifampidihinana teo amin’ny roa tonta izany famohanana didy sy ny tsy maintsy mbola hanajana ny fepetra izany.Ho avy amin’ny angady sy ny harona ary ny kifafaMidika izany fa efa eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana izany toromarika avy amin’ny prefektiora sy ny fiadidiana ny faritra  izany ka ho avy amin’ny angady sy ny harona ary ny kifafa indray izy ireo, manomboka anio. Hanasazy ireo tsy manaraka fepetra na eny an-dalana na anaty fiara fitaterana…Efa mivaha tanteraka sy tsy voahaja intsony ireo fepetra taorian’ny nanambaran’ny filoham-pirenena fa foana ny hamehana ara-pahasalamana. Tsy ny eto an-dRenivohitra na ny manodidina ihany fa any amin’ireo faritra mbola ahina ny ho fihanaky ny valanaretina.Tokony samy handray fepetra koa ny any amin’ny faritraTokony samy ho hentitra handray fepetra, tahaka izany, koa ireo any amin’ireny distrika sy faritra ireny, araka ny efa nanambaran’ny filoha izany.Mazava ny teny famerimberin’ny tompon’andraikitra. « Aza ny sazy sy ny mpitandro filaminana no atahorana fa fiarovana ny tenanao sy ny hafa ». Tsy mbola fantatra rahateo ny fotoana tena haharesena tanteraka io valanaretina io.Synèse R. L’article Hentitra ny prefet sy ny governoran’Analamanga: “Hosazina avokoa ireo tsy manao arovava orona…” a été récupéré chez Newsmada.

Taom-pianarana vaovao eny amin’ny EPP: haharitra iray volana ny fijerena ny fari-pahazain’ny mpianatra
28/10/2020

   Niteraka olana ho an’ny talen’ny EPP ny fanambaran’ny filoha fa hohefain’ny fanjakana ny karaman’ny mpampianatra Fram rehetra ho an’ny telo volana voalohany.   Nisantatra ny taom-pianarana vaovao 2020-2021 ny ambaratonga telo ho an’ny sekolim-panjakana, nanomboka ny alatsinainy lasa teo, araka ny toromariky ny minisitera mpiahy. Ho an’ny EPP Antanandrano, Cisco Avaradrano, mbola manao cours de remise à niveau (Cran) avokoa ny kilasy rehetra aloha, mandritra ny iray volana voalohany ary eo no hijerena ny fari-pahazain’ny mpianatra tsirairay. Mety mbola hivarina kilasy ambany ireo tsy maharaka hitsinjovana ny hoaviny, hoy ny talen-tsekoly. Efa nahazo toromarika avokoa ny mpanabe rehetra momba ny Cran ary fomba fiasa mahazatra rahateo izany. Nitombo 50 ny isan’ny mpianatra raha nitaha ny tamin’ny taon-dasa ary nisy ny lamina napetraka handraisana azy ireo. Eo an-dalam-panamboarana koa ny efitrano fianarana sasany ka mifandimby mianatra ny ankizy aloha amin’izao. Hatramin’ny omaly, tsy mbola tonga teny anivon’ny sekoly ny fitaovam-pianarana sy ny aron’akanjo ary ny kiraro nampanantenain’ny fitondrana. Toy izany koa ny vola hampihodinana ny fampianarana amin’ny ankapobeny, hoy ny tale. Nisy ny fivoriana niarahana tamin’ny ray aman-dreny, ny alatsinainy, naharitra ora roa nanazavana ny tsy maintsy hanefan’ny ray aman-dreny ny latsakemboka hanomezana ny karaman’ny mpampianatra Fram enina tsy mahazo tambin-karama avy amin’ny fanjakana. Ireo ray aman-dreny 50 efa nandoa ny vola no nanentana ny namany 250 hafa sy nanazava ny antony handoavana ny sora-bola na eo aza ny filazan’ny filoham-pirenena fa raisin’ny fanjakana an-tanana ny fandoavana izany karama izany. Ho sarotra amin’ireo ray aman-dreny ny handoa ny vola latsakemboka aorian’ny fetin’ny faran’ny taona ka manentana azy ireo tsy hiandry ny volana janoary ny tompon’andraikitra. Niravona ihany ny olana ka tapaka fa hanefa ny latsakemboka izy ireo. 200 000 Ar isam-bolana isanisany no karaman’ny mpampianatra Fram enina ao amin’ny EPP.Ho an’ny EPP iray eto an-dRenivohitra, nozaraina, omaly, ny fitaovam-pianarana sy ny kitapo ary ny aron’akanjo ho an’ny mpianatra rehetra efa nisoratra anarana. Haharitra efatra herinandro ny Cran ary hotombanana ny fari-pahaizain’ny tsirairay.Vonjy A.L’article Taom-pianarana vaovao eny amin’ny EPP: haharitra iray volana ny fijerena ny fari-pahazain’ny mpianatra a été récupéré chez Newsmada.

Herisetra tao an-tokantrano :: Reny niaritra ny mangidy sy mafaitra mandra-pikimpy ny masony
24/10/2020

Niafara tamin’ny fahafatesany ny fiafiana ara-bakiteny niaretan’i Haingonirina Claudia, renimpianakaviana namoy ny ainy teo amin’ny 37 taonany, tao an-tokantranony. Vokatry ny vono sy daroka nataon’ny vadiny no nahafaty azy, raha ny voalazan’ny fianakaviany. Toy ny any amin’ny tany miady ny fiainan’i Haingonirina sy ireo zanany efatra mianadahy tao an-tranony, araka ny fitantaran’ireo havany. Nipetraka tany Ambositra ry Haingonirina Claudia. Tsy dia nisy maminy ny fiainan’izy ireo niaraka tamin’ilay raim-pianakaviana, vadiny sady rain-janany. Niharan’ny herisetra avokoa, hoy ny zandry vavin’i Haingonirina, ny tao an-trano. Eny, hatramin’ireo zanany naterany aza. Ny tena loza, dia nanaraka hatramin’ny ain’itsy renim-pianakaviana. Sady kamboty izy efatra mianadahy no voatazona any am-ponja ny rain’izy ireo vokatry ny voina nitranga tao an-tokantrano. Saika niharan’ny fanolanan’iry raim-pianakaviana, ohatra ilay vavimatoa. Efa saika namidy sy nalevina velona kosa ny zandriny. Nijoro vavolombelona nitantara ny fahoriana nanjo ny zokiny sy ny zanak’itsy farany vavimatoa antsoina hoe Diary, 15 taona, i Tolojanahary Marie Claudine . Manan-janaka efatra mianadahy Itompokovavy Haingonirina: vao tapabolana, herintaona sy tapany, 4 taona ary ny vavimatoa, 15 taona. Tamin’ny 15 oktobra lasa teo no niakaran’ny raharaha ka nampidirana am-ponja vonjimaika an’ilay vady, voatondro ho mpanao herisetra tao an-tokantranony. Fizakam-pahoriana samirery Tsy mba mitantara ny fahoriany amin’ny olona mihitsy Itompokovavy, fony fahavelony, eny fa na dia ireo fianakaviana akaiky aza, araka ny resaka nifanaovana tamin’iry zandriny vavy, Tolojanahary Marie Claudine, izay monina eto Antananarivo. “Noferany mafy ny zanany vavimatoa mba tsy hitantara na amin’iza na amin’iza momba an’izay zava-manjo azy ireo”, hoy izy. Namoy ny ainy, tamin’ ny 10 oktobra lasa teo, i Haingonirina Claudia, nefa dia vao tera-bao, tamin’ny 26 septambra 2020. “Nisedra ny herisetra nataom-badiny azy izy, hatramin’ny nanambadiany. Efa tsy mifanaraka amin’ny fianakaviana noho io toetrany io mihitsy aza ilay rangahy. Entin’ny fahatsorana moa i Haingo ka rehefa mifona ny vadiny dia hadinony avy hatrany ny vono nahazo azy”, araka ny fitantaran’i Tolojanahary Marie Claudine. Efa niara-nipetraka tamin’ izy ireo tany Mahajanga itsy farany. Nambarany fa efa saika niharan’ny fanararaotana ara-pananahana nataon’io zaodahiny io koa izy. “Rehefa tsy manaiky ny hiaraka aminy aho, dia ny zokiko hatrany no voavono sady tsy tafiditra an-trano mihitsy”, hoy i Claudine. Tampon’ny fampijaliana Nanamafy an’ireo voalazan’ny rahavaviny ireo i Diary, zanak’i Haingo vavimatoa. Efa fanaon’ny rainy ny mamono andreniny. Raha tsy mamono izy dia asainy mivoaka any an-tokotany ka tsy ampidirina raha tsy maraina ny andro, izay miitatra hatramin’ny tsy fanome-zana sakafo. Voalaza ho mpandray zava-pisotro mahamamo rahalehilahy. Nihalasa lavitra mihitsy ny zava-nitranga, satria nisy fotoana izay nisehoan’ny fivarotana ny zanaka vavy tamin’ny lehilahy sy ireo zanany roa tamin’ny sefompokontany iray tany Ambositra mihitsy. Fantatra fa mpanjaitra ity raim-pianakaviana. Mpanasa lamba sy manao izay asa kely hitany eny kosa i Haingo, fony fahavelony. “ Inefatra saika naolany aho, indrindra rehefa matory amin’ny antoandro. Namidiny tamin’ny lehilahy koa aho ary akany vola io olona io. Vonoiny aho rehefa tsy mitondra vola mody. Noteneniny aho hoe hividianana sakafonay satria tsy afaka mitady vola intsony i mamanay”, hoy ny fitantaran’i Diary. Zaza namidy roa hetsy Isan’ny naborak’i Diary ihany koa io fikasana hivarotra ny zandriny (herintaona sy tapany) tany amin’ny lehiben’ny fokontany, tany Ambositra io. “Roa hetsy ariary no nivarotany azy. Nilaza ho tsy nanam-bola ilay sefo fokontany ka nitakiany iray alina ariary indray. Nangady lavaka teny amin’ny zoro firarazana izy rehefa tsy nahazo ny vola, saika nandevenany velona an’i zandrinay”, hoy i Diary. Niantraika tamin’ny fiainana ankapoben’ny vadiny sy ireo zanany ny herisetra nataon’ilay lehilahy tao an-tokantrano. Voadona mafy iry tovovavikely, izay nijanona tamin’ny fianarana teo amin’ny taona fahadimy, na dia nahazo fahombiazana tamin’ny fanadinana CEPE aza. Manam-paniriana ny hianatra asa i Diary mba hahafahany miasa sy mampidi-bola hoentiny hanampiana an’ireo zandriny. Nihivingivin-doha izy raha nanontaniana ny mbola mety hiarahany mipetraka amin’ny rainy, rahatrizay ka ho tafavoaka ny fonja itsy farany. Avoaka any an-tokotany… “Kendainy i zokinay rehefa tsy azony ny tadidiaviny aty amiko. Hidiany any antokontany amin’ny 12 ora alina i Haingo. Tena toy izany foana no niainanay”, hoy i Claudine. Nitady hevitra nanalavitra an’i Haingo tamin’ny fianakaviana ny vadiny noho ireo korontan-dava ireo. Niala tany Mahajanga, avy eo, nanorim-ponenana tany Ambositra. Tany koa no nialany aina. Tsy nahenoam-baovao intsony ry zareo taorian’ny nifindrany tany Ambositra. Tsy manana finday rahateo i Haingo mba hifaneraserana amin’ny fianakaviana. Monina any Mahajanga ny anadahiny. Eto Antananarivo kosa ny rahavaviny. Tsy fantatr’ireto farany akory ny fitondran’iry mpiray tampo amin’izy ireo vohoka faninefany, tamin’ity farany ity. “Ny havam-badiny no niantso anay hoe marary zokinay. Vao avy teraka izy, tamin’io fotoana io. Tsy afaka nifana toy ny vehivavy rehetra fa nasaina nanao ny asa aman-draharaha rehetra tao an-tokantrano, raha ny henonay. Manaraka ny vono rehefa tsy manaraka an’izay notenenina. Fantatray fa niditra hopitaly noho ny vono nahazo azy i Haingo. Ny tao amin’ny lohany no tena tsy zakany satria nisy manganabe be mihitsy. Rehefa natao ny fitarafana no nahitana fa vaky roa ny tao amin’ny lohany, izay nitete ra rehefa maty izy”, araka ny tohin’ny tantara nampahafantarin’i Claudine momba ny sedra mahery vaika nolalovan’ny zokiny mandra-pikimpin’ny masony. Antso vonjy Mitaky ny hanasaziana an’io lehilahy io mandra-pahafatiny kosa ny fianakavian’i Haingo, na dia tsy hampiverina ny havan’izy ireo intsony aza izany. Mangataka fanampiana ireto fianakaviana ireto amin’ny fitaizana an’izy efatra mianadahy. Any amin’ny anadahin’i Haingo, any Mahajanga, i Diary sy ny zandriny, 4 taona, taorian’ny fahoriana nihatra tamin’izy ireo. Eto Antananarivo, any amin’ny rahavavin-dreniny kosa, ilay herintaona sy tapany ary ilay vao teraka. Ny rononon’ity menavava no tena ilain’izy ireo fanampiana satria tsy araka ny fividianana azy. Nametraka laharana hahazoana mifandray aminy ireo fianakaviany mitaiza an’izy efatra mianadahy: 032 45 134 22 (Antananarivo)/034 92 126 42(Mahajanga). L’article Herisetra tao an-tokantrano :: Reny niaritra ny mangidy sy mafaitra mandra-pikimpy ny masony est apparu en premier sur AoRaha.

Andro iadiana amin’ny lefakozatra : tokony hotohizana ny fanaovam-baksiny faobe
24/10/2020

Efa afaka tamin’ny valanaretina lefakozatra i Ma­da­ga­sikara, araka ny fanamarinana nomen’ny Sampan­dra­ha­rahan’ny Firenena mikambana (OMS), ny taona 2018, noho ny ezaka nataon’ny fi­ton­drana sy ny mpiray om­bon’antoka tamin’ny fanaovam-baksiny faobe nandritra ny taona maro. “Mbola ahitana ny “poliomyélite sauvage” kosa any Pakistan sy eny Afghanistan ka tokony mbola hitandrina hatrany ny rehetra ka hanohy ny fanaovam-baksiny miaro ny ankizy”, hoy ny mpikambana ao amin’ny Ro­tary. Mitaky volabe ny fividianana vaksiny sy ny fanetsehana ny mpiasa manao vaksiny amin’ny toerana maro, indrindra any amin’ny faritra lavitra. Mpiray ombon’antoka lehibe manampy amin’ny vola ampiasaina amin’ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra ny fikambanana Rotary maneran-tany. Miara-mikarakara hetsika hanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina lefakozatra, anio eny amin’ny Parvis Analakely, ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Ro­tary mandritra ny tontolo andro. Fandraisana ny tolo-tanana amin’ireo rehetra na­saina sy ireo malala-tanana ton­ga eny an-toerana no ho­tontosaina. Misy koa fampahafantarana ny ezaka vita vo­katry ny fifarimbonan’ny so­jakin’olona sy ny sampandraharaha maro.Vonjy A.L’article Andro iadiana amin’ny lefakozatra : tokony hotohizana ny fanaovam-baksiny faobe a été récupéré chez Newsmada.