Fanafihana mitam-piadiana

News - Fanafihana mitam-piadiana

News - Fanafihana mitam-piadiana

Naratra mafy ny lehilahy iray miasa amin’ny orinasa mpiompy dingadingana, any Toliara, omaly maraina. Niharan’ny fanafihana nataon’ny jiolahy roa nitondra basy poleta izy. Notifirin’izy ireo intelo itsy lehilahy itsy, nandritra ny fandroban’izy ireo ny vola telopolo tapitrisa ariary vao avy nosintonina tany amin’ny banky.

Tao anatin’ny minitra vitsy monja no nisehoan’izany rehetra izany, omaly antoandro. « Mety efa fantatr’ireo jiolahy mialoha ny fahatongavan’ilay lehilahy haka vola. Mpitantam-bola ao amin’ny orinasa iray eto an-toerana izy. Nataony tao anaty sakaosy ireo vola nalainy tao amin’ny banky iray eto afovoan-tanàna. Nandeha posy bisikileta izy, taorian’izay, kanjo niharan’ny fanafihana. Nanohitra ihany izy saingy nitifitra ireo jiolahy ka naratra mafy. Nalefa notsaboina haingana eny amin’ny toeram-pitsaboana iray eny Andaboly, avy eo », hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana, any Toliara.

Nifandrimbona nameno ny tanànan’i Toliara ny polisy sy ny zandary tany an-toerana vao naheno an’io fanafihana io. Hita tamin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana ny vodim-bala telo avy nipoaka. Nisy koa ny sakana tany amin’ny lalam-pirenena mivoaka sy miditra ny tanàna, saingy tsy mbola nahitambokany ny fikarohana an’ireo mpanao ratsy.

L’article Fanafihana mitam-piadiana est apparu en premier sur AoRaha.

Fanafihana mitam-piadiana

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Delire Madagascar

Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra.

Novaina ny fanamarihana tamin’ity taona ity, nafantoka manokana tamin’ny fanentanana ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika eny amin’ireo toeram-panangonana. Efa heritaona no nisian’ny toeram-panangonana tavoahangy plastika Kopakelatra manerana an’Antananarivo. Manantona ny vahoaka kokoa ireo baka fanangonana amin’ny alalan’ny « Caravane Clean Up Day Kopakelatra» ny andron’ny sabotsy 19 septambra amin’ny lalan’Ambohimanarina, 67 ha ary Ampefiloha. Ny tanjon’ny hetsika dia ny fanentanana ny olon-drehetra hanatitra ireo tavoahangy plastika efa niasa manodidina azy. Mahazo « bon d’achat » mitentina 100 000 ariary ireo izay mitondra tavoahangy betsaka indrindra amin’ireo toerana telo hijanonan’ny « Caravane ». Tratra ny tanjona tao aorian’ny hetsika satria dia 50 mahery ny isan’ireo nandray anjara ary 412 kilao kosa ireo tavoahangy plastika voaangona tamin’ireo toerana telo nandalovana. KOPAKELATRA. ‘Ndao hifandray tanana, hitandro ny fahadiovana. Miora Razafy Cet article Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra. est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra. a été récupéré chez Délire Madagascar.

News - News Mada

Hetsika Rohy: “Tsy ekena ny tsimatimanota amin’ny fifidianana”

“Anisan’ny sakana manimba ny fahamarinana eo amin’ny fifidianana, indrindra ny demokrasia, izao tsimatimanota eo amin’ny fifidianana miseho izao. Hita taratra ny fahakivian’ny olom-pirenena mpifidy satria mihamihena ny fandraisany anjara amin’ny fifidianana, izay tokony hitondra amin’ny fanorenana ny firenena.”Io ny fanambaran’ny hetsika Rohy teny Antaninarenina, omaly, momba ny fisian’ny tsimatimanota amin’ny fifidianana. Mbola hotohizina hatrany ve izao tsimatimanota izao eo amin’ny lafin’ny fifidianana? “Tsy azo jerem-potsiny”, hoy ny hetsika Rohy.Fanontaniany amin’ny fanambarany ny hoe: “Mikolokolo ny tsy rariny sy ny tsimatimanota eo amin’ny lafin’ny fifanolanana mikasika ny fifidianana ve ny HCC? Ohatra entina amin’izany ny valim-pitsaran’ny fitoriana napetraky ny Ivontoerana fanarahamaso Safidy”Mila faritana ny porofo takin’ny HCCNiisa 656 ireo fitoriana noraisin’ny HCC ary nokarakarainy. Niisa 356 tamin’ireo (54,76%) no nambarany fa azo raisina fa tsy mitombina, noho ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny porofo. Ireo fitoriana enina nataon’ny Ivontoerana Safidy noho ny fampiasana tsy ara-drariny ny tombontsoan’ny tanjaky ny vahoaka, notapahin’ny HCC fa azo raisina fa tsy mitombina.“Maninona ny HCC nionona amin’ny tsy famaritana mazava ny porofo tokony hoentina amin’ny fitoriana? Moa tsy tsapany ny tsy fahafaham-po miendrika alahelo nasehon’ny mpifidy sy ny kandidà tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika?”, hoy ny fanambarana.Nankasitrahana ny torolalana momba ny fifanolanana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka naelin’ny HCC, izay niendrika fampianarana sy fanazavana ny tokony ho fizotran’ireo fitoriana. Maninona ny porofo mivaingana tokony hoentina tsy nofaritana hazava bebe kokoa, nefa efa tsapa ny alahelo sy ny fahakivian’ny mpifidy sy ny kandidà (fihodinana voalohany sy faharoa) manoloana ny fitoriana napetrak’izy ireo?“Noho ny lalàna , masi-mandidy tokoa ny HCC. Izany fahefana masi-mandidy eo amin’ny fanapahana iandraiketany izany ve tsy tokony ampisehoany fanetren-tena sy hitsim-po?“, hoy ihana ny hetsika Rohy.Mampalahelo ihany ny fitakiana porofo tsy azo ivalozana, nefa tsy voafaritry ny lalàna mazava izany ary koa tsy nezahin’ny tomponandraikitra velively ny hamaritra azy.R.Nd.L’article Hetsika Rohy: “Tsy ekena ny tsimatimanota amin’ny fifidianana” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra vehivavy: mitarika hatrany ny AC Sab-Nam

Nitohy, omaly alahady teny amin’ny kianja Carion Manjakandriana, ny andro fahefatra amin’ny fifanintsanana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra vehivavy “division elite”. Mbola mitarika hatrany aloha, hatreto, ny AC Sab-Nam Analamanga. Nanamafy izay toerana nisy azy izay izy ireo, tamin’ny nandreseny ny Asot Analamanga, tamin’ny isa 2 no ho 0. Baolina tafiditr’i Sitraka, teo amin’ny minitra faha-38, sy ny an’i Kanto, teo amin’ny minitra faha-56. Voahosotra ho mpilalao mendrika i Prisca, mpilalaon’ny Sab-Nam.Manohy ny fahombiazany ihany koa ny Som Boeny. Mbola nivoaka ho mpandresy indray mantsy ry zareo, rehefa nanilika ny FC Prescoi Vakinankaratra, tamin’ny alalan’ny fandakana ny “tirs au but”, 4 no ho 3. Nisaraka ady sahala, 1 sy 1, ny roa tonta nandritra ny 90 mn nilalaovana.Ankoatra izay, resin’ny Mifa Analamanga, tamin’n y isa tery 1 no ho 0, ny AS Comato. Mbola tamin’io isa io ihany koa ny nanilihan’ny Askam Itasy ny Ascuf Matsiatra Ambony. Hitohy, rahampitso talata, ny andro fahadimy. Torcelin L’article Kitra vehivavy: mitarika hatrany ny AC Sab-Nam a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Lalao afrikanina” – Ady totohondry: tafakatra amin’ny ampahavalon-dalana i Tony

Andro voalohan’ny fifaninanana, taranja ady totohondry, ao anatin’ny andiany faha-12 amin’ny “Lalao afrikanina”, tanterahina any Maraoka, nahazo fandresena nanoloana ilay teratany zambianina, i Banda Ben, i Nomenjanahary Tony.Tsara fanomanana ny mpikatroka malagasy, miatrika ny “Lalao afrikanina” any Maraoka, taranja ady totohondry. Fahombiazana ny azon’ny solontena malagasy, sokajy latsaky ny 49 kg, i Nomenjanahary Tony Heriniaina, niditra an-tsehatra, omaly. Teratany zambianina, i Banda Ben, ny nifandona taminy nandritra izany. Tafakatra amin’ny dingana ampahavalon-dalana, araka izany, i Nomenjanahary Tony. Efa nambaran’ireto solontena malagasy ireto fa tsy natahorana loatra ny mpifanandrina, efa nanao fanazantena mafy rahateo ka nizotra tsara ny andro voalohany.Anjaran’Andrianarivelo Marco Jérôme indray ny hiakatra an-tsehatra, ho amin’ny anio, eo amin’ity taranja ady totohondry ity. I Marco izay eo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 52 kg ary teratany zambianina ihany koa ni hifandona aminy. Nambarany fa efa vonona tsara izy ary hitady fandresena hatrany. “Nandeha araka ny tokony ho izy tsara ny fanomanana, tsy nisy ny tahotra ary vonona hiatrika ny fifaninanana ho amin’ny anio”, araka ny nambaran’i Marco Jérôme.Tsy nahomby ny taranja hafaAnkoatra ny taranja ady totohondry, nifaninana ihany koa, omaly, ny mpikatroka malagasy, ho an’ny taranja taekwondo sy tenisy ambony latabatra. Samy tsy nahita fahombiazana avokoa ireo solontena malagasy nandritra izany. Nihintsana teo amin’ny lalao fifanintsanana avokoa ireo mpikatroka ho an’ny taekwondo, nahitana an-dRakotoanony Sahondra (-49 kg), Ratovoarisoa Ialisoa (- 53 kg) ary Rakotobe Junko (-46 kg). Toraka izany koa ny taranja tenisy ambony latabatra, lavon’ny Nizerianina sy ny Kenyanina, tamin’ny seta 3 no ho 0, avokoa ireo solontena malagasy, teo amin’ny fifaninanana isam-bondrona lehilahy. Nifaninana nandritra ity lalao fifanintsanana, omaly, avokoa izy efatra mirahalahy: Rakotoarisoa Mamy Setra, Jonathan Brice Nativel, Razafindralambo Zo (Lino) ary i Lefitriniaina Rinauld. Mi.RazL’article “Lalao afrikanina” – Ady totohondry: tafakatra amin’ny ampahavalon-dalana i Tony a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ho an’ny kilasy «intermédiaire»: tombanana araka ny fahaizany ny mpianatra

Anisan’ny nandrandrain’ny ray aman-drenin’ny mpianatra, ny alahady alina teo ny fverenana an-tsekoly ho an’ireo mpianatra amin’ny kilasy tsotra tsy manala fanadinam-panjakana (intermediaires). Tsy nasian’ny filoham-pirenena resaka anefa ny mahakasika izany ary nampanontany tena ny rehetra .Omaly antoandro kosa, nitondra fanazavana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, fa apetraka amin’ny fahendren’ny talen-tsekoly ny famerenana ny ankizy an-dakilasy. Samy mandray sy manao ny fandrindrana rehetra ny sekoly amin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana.Anjaran’ny sekoly no mandamina sy manao ny tombana ho an’ny mpianatra tsiraitray ao aminy. Arakaraky ny fahaizan’ilay mpianatra no hiakarany kilasy na tsia. Iarahana mijery akaiky amin’ireo mpampianatra izany.Maro amin’ireo sekoly anefa no tena nijanona tanteraka, tsy nanara-maso ny mpianany na dia ampitain-davitra aza noho ny antony maro. Sahirana ny sekoly amin’ny hanaovana tombana satria na ny fandaharam-pianarana aza zara fa vita.Tsy miova ihany koa ny tetiandrom-pampianarana, araka izay voarakitra ao anatin’ny didim-pitondrana nivoaka tamin’ny 21 aogositra 2019. Mifarana ny volana jolay ny fampianarana ary tokony hanomboka ny volana oktobra indray ny taom-pianarana vaovao 2020-2021.Tatiana AL’article Ho an’ny kilasy «intermédiaire»: tombanana araka ny fahaizany ny mpianatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lalana RN-44: tena ratsy ny tapany avaratra

Efa nilaza ny filoha Rajoelina, nandritra ny fitsidihany taty an-toerana, volana vitsy lasa izay, fa tsy maintsy harenina araka ny tokony ho izy ny lalam-pirenena Moramanga –Ambatondrazaka (RN – 44). Nohamafisiny izany nandritra ny fitsidihany ny foara “Fier Mada” atao eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka.Efa manomboka ny fanajariana ny tapany atsimo, toy ny any Amboasary, ankehitriny. Hita efa misy mandrefirefy koa any amin’ny tetezan’i Ranofotsy. Tsy misy fanazavana amin’ny antsipiriany anefa ireo rehetra ireo, toy ny famatsiam-bola sy ny tentimbidin’ny asa hanaovana azy, ny faharetany, izany hoe, ny fiantombohany sy ny hifaranan’ny asa.Tsy nisy fikojakojana matotraTsy mazava koa raha aravona toy ny fahita hatramin’izay fotsiny ny lalan-tany, na tena hatao godirao manara-penitra.Ny zava-misy, azo ihafiana ny ampahany atsimon’ny RN-44, avy any Moramanga hatreo Amboasary, satria misy rarivato, fa tena ratsy ny tapany avaratra satria tsy nisy fikojakojana matotra. Tsy fantatra raha nampiasaina ny Tahirimbola hijojakojana ny lalana (Fer) na tsia. Mandritra ny fotoam-pahavatra, mitaky 50 000 Ar isaky ny fiara ny mpanosika.Rarivo sy Njaka A.L’article Lalana RN-44: tena ratsy ny tapany avaratra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

 Atletisma – 400 m misy fefy: medaly volamena roa indray noraofin-dRazanamalala Olga

Efa nampoizin’ny rehetra fa ny taranja atletisma, no anisan’ireo handrombahan’ny Malagasy medaly volamena betsaka indrindra. Mbola noporofoin’ireo atleta izany, omaly ka nanampiany roa indray ao anatin’ny kitapony.Nihofahofa indroa indray ny sainam-pirenena Malagasy, omaly tao amin’ny stade germain Commarmond tany Bambou Maorisy. Medaly 6 indray no norombahin’izy ireo, ny roa tamin’ireo dia medaly volamena avokoa, izay noraofin’i Olga Razanamalala, ho amin’ny halavirana 400m haies, azon-dRazafindrafara Marie Madeleine ny 10000 m vehivavy ary nobatain’i Cynthia Felicité, ny fandresena, teo amin’ny heptathlon, tamin’ny fe-potoana 15:81. Nisongadina ireto Malagasy ireto, izay nanandratra avo ny voninahi-pirenena. Ankoatra izay, mbola nahazo medaly alimo telo ihany koa isika, tamin’ny alalan’i Blanc Pierre Mandaly, teo amin’ny 400m haies lehilahy sy i Tahintsoa François Yvonne(5km marche) ary  Rabemihoatra Solonirina Oliva(10.000m). Tsiahivina, teo amin’ny andro voalohany, efa nandrombaka medaly volamena 2 sy volafotsy 4 ny Malagasy, tamin’ny alalan-dry Njarasoa Claudine, Embony Elodie Vanessa, Mampitroatsy sy ny namany, izay antenaina fa hotohizan’ireo namany hafa, mbola hiaka-tsehatra.Mbola hitohy hatrany moa ny fifaninanana ho an-dry zareo eo anivon’ity taranja atletisma ity, izay isan’ny tena andrasana hampiakatra ny medaly azon’i Madagasikara. Mi.RazL’article  Atletisma – 400 m misy fefy: medaly volamena roa indray noraofin-dRazanamalala Olga a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ecole d’Etat-Major: nivoaka ny andiany faha-15

“Maro ireo ambana sedraina amin’ny asa fampandriana fahalemana ilàna paikady manokana. Tsy tokony ho ny miaramila no matahotra dahalo fa ny dahalo no matahotra miaramila. Ny dahalo anefa, tsy fahavalo fa mpifanandrina amin’ny vahoaka, olom-pirenena ary ao anatin’izany zava-misy izany ny hampiharana ny rafitr’asa vaovao avy amin’ny fiofanana eo anivon’ny Etat major”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Léon Richard, nandritra ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny andiany faha-15 ny sekoly ambony manofana manamboninahitra zokiny, omaly teny amin’ny Cemes Soanierana. Miisa 12 mirahalahy ireto navoakan’ny Sekoly ambony manofana manamboninahitra zoky eo anivon’ny Tafika malagasy na ny ecole d’Etat-Major eny Fiadanana. Nisy ny lanonana ara-miaramila nanolorana azy ireo ny mari-pahaizana “diplôme de l’Etat-Major”, natao teo ambany fiahian’ny MDN, ny Jly Rakotonirina Léon Richard, ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika malagasy, ny Jly Rakotonirina Théophile, notronin’ireo manamboninahitra ambony eo anivon’ny fianakaviamben’ny Foloalindahy malagasy. Nandritra ity fotoana ity koa, nisy famindrana ny fanevan’ny sekoly teo amin’ny talen’ny sekoly teo aloha, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, sy ny tale mpandimby azy, ny Jly Razafitombo Maminirina. Nanamafy ny MDN fa amin’ny taona 2020, tsy maintsy miofana eo anivon’ny sekoly avokoa ireo manamboninahitra ambony ary tsy maintsy arahina sivana hatrany ny fidirana amin’izany.Jean ClaudeL’article Ecole d’Etat-Major: nivoaka ny andiany faha-15 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jono an-dranomasina: manomboka tsy misy horaisina ny mpanjono madinika

Ravan’ireo sambo vahiny mpanjono vaventy ny trondro, ny makamba sy ny maro hafa anatin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Isan-taona, mihena tsy latsaky ny 1 000 t ny hazandranomasina eto an-toerana, mihena, manaraka izany, koa ny halehibeny, araka ny fanadihadiana ataon’ireo sampana mpikaroka sy mpiaro ny zavaboahary an-tanety sy an-dranomasina, toy ny UICN (1), ny OFB (2).Avy amin’ny mpanjono madinika ny 80 %-n’ny vokatra an-dranomasina ho an’ny tsena anatiny, saingy manomboka tsy msy horaisina izy ireo ankehitriny. Mihena hatrany ny vokatra azon’izy ireo: lakana iray mahazo 15 kg raha be indrindra, raha toa ka nahatratra 35 kg izany tany amin’ny taona 2008. Tsy ahitana vokatra makamba intsony ny haraton’ireo mpanjono madinika ireo;  2 000 – 3 000 t sisa izao ny makamba azon’ireo mpanjono indostrialy eto an-toerana, raha nisy 10 000 t  izany tany amin’ny taona 2004.Nampiakatra ny vidiny hatramin’ny 100 % izao fihenam-bokatra amin’ny jono an-dranomasina izao tato anatin’ny dimy taona. Nambaran’ireo mpanangom-bokatra fa be ihany koa ny masonkarena amin’ity fihariana ity, toy ny  fitaterana, ny fitahirizana, ny haba isan-karazany. Eto an-dRenivohitra, misondrom-bidy avokoa ny hazandranomasina rehetra, 12 000 -18 000 Ar ny kilao, arakaraka ny karazany; ny makamba, 24 000 Ar ny kilao.Maro ny fanampiana fanohanana ny jono an-dranomasina, anisan’izany avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, ny Vondrona eoropeanina, ny firenena alemà, ny COI (Commission de l’océan Indien …). Misy hatrany ny fifanarahana vitan’izy ireo amin’ny minisitera misahana ny jono, antapitrisa dolara maro, saingy miharatsy hatrany ny vokatra raha jerena ny mianjady amin’ireo mpanjono madinika. Mitohy ny jono tsy ara-dalàna, ny fidiran’ireo sambo mpanjono vaventy efa mandeha ho azy. Tsy fantatra raha mbola manana sambo mpiaro morontsiraka isika. R.MathieuUICN (1) : Union internationale pour la conservation de la natureOFB (2): Office français de la biodiversité L’article Jono an-dranomasina: manomboka tsy misy horaisina ny mpanjono madinika a été récupéré chez Newsmada.

News - Politique - News Mada

  Fitakiana fivoriana tsy ara-potoana: miketrika ny hanongana an-dRakotovao Rivo  ireo loholona

 Mitsoka eny amin’ny Antenimierandoholona ny rivotry  ny fanovana. Mikononkonona  ny hanongana ny filohany, Rakotovao Rivo  ireo loholona etsy Anosikely. Ny goverernemanta sisa  andrasana…  “Mahatsapa izahay hoe misy olana ao, misy zavatra tokony hamboarina… Mila ny maro anisa amin’ny loholona mba ho tonga ao, hahazoana miresaka hitady ny vahaolana rehetra mety ho hita. Hahazoana manangana ny Antenimierandoholona vaovao izany.”Izay ny nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona, i Kolo Roger, momba ny toe-draharaha eny anivon’ny Antenimierandoholona amin’izao fotoana izao. Tsy inona ny olana fa: “Atoa filohan’ny Antenimierandoholona: tsy manana fahaiza-mihaino ianao, Atoa filoha. Raha ohatra manana fahaiza-mihaino ianao, mihaino ireo zanakao ireo. Zanakao izahay raha ny heviny ao anatin’ny fitantanana ny Antenimierandoholona”, hoy ny loholona Randriamihaingo Bertin momba izay.Tsy izay toy ny raiamandreny sy zanaka izay intsony ny fifampitondrana, fa lasa mandeha any amin’ny tsy izy avokoa ny resaka rehetra. “Noho izany, rehefa tsy afa-kifampihaino sy miresaka intsony isika: mivaona ny resaka”, hoy izy.Andrasana ny fanapahan-kevitry ny fahefana mpanatanteraka Ny voalazan’ny And 76 ao amin’ny lalàmpanorenana, afa-mangataka fivoriana tsy ara-potoana ny loholona rehefa mahafeno ny fetrisa: antsasa-manila no ho mihoatra. “Noho izany, amin’ny anaran’ireo loholona rehetra nanao sonia izany fangatahana izany: manantena izahay fa handray ny fepetra haingana, araka izay azo atao, ny fahefana mpanatanteraka, indrindra ny governemanta sy ny fiadidiana ny Repoblika ny hiantsoana izany fivoriana tsy ara-potoana izany”, hoy ny loholona irayIaraha-mahalala ny fomba nanendrena ny filohan’ny Antenimierandoholona amin’izao fotoana izao fa azo lazaina ho amboletra ihany, araka ny fanazavany. Nanantenan filaminana miandalana sy fiovana ry zareo, kinanjo tsy mbola nisy izany hatramin’izao. Izay no nahatonga azy ireo nieritreritra hoe tsy maintsy atao izay hisian’ny fanovana ao amin’ny Antenimierandoholona. Manahirana ny zava-misy amin’izao…Andrasan’ny loholona àry ny hamalian’ny governemanta amin’ny hahazoana manatanteraka fivoriana tsy ara-potoana hanovana ny fitantanana eo anivon’ny Antenimierandoholona.R.Nd.L’article   Fitakiana fivoriana tsy ara-potoana: miketrika ny hanongana an-dRakotovao Rivo  ireo loholona a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Vakinankaratra: mitombo isan-taona ny fahapotehan’ny ala
22/09/2020

Hatramin’ny nisian’ny krizy noho ny  coronavirus, tsy latsaky ny 20 000 ny fanapahana hazo tsy ara-dalàna ho an’ny faritra Vakinankaratra, araka ny vaovao nampitain’ny minisiteran’ny Tontontolo iainana.Ny tsy fahampian’ny tolotra eo amin’ny h    azo fahandroana sakafo no fototry ny olana ka tsy mifidy ireo mikapa hazo hanaovana saribao sy kitay. “Hafantoka amin’ny voly hazo fanaovana kitay ny ampahany betsaka amin’ny fambolen-kazo manaraka”, hoy ny minisitra Baomiavotse Raharinirina. Tena mbola tsy afaka amin’izany ny tokantrano maro. Fambolen-kazo tsy lavitry ny tanàna ny vahaolana amin’izany, araka ny nambarany.Mahatratra 60 tapitrisa isan-taona ny zanakazo volena, efa natomboka tamin’ny taom-pambolena 2019-2020. Ny fari-piainana eto Madagasikara  niainga avy amin’ny fanadihadiana nataon’ny Usaid izany, tany amin’ny taona 2004, hoy Razakarimanana Ndranto, ao amin’ny Alliance Voahary Gasy. « Avy amin’izany fanadihadiana izany ny tokony hambolen-kazo 1500 fototra isaky ny hekitara amina velarana 40 000 ha isan-taona manerana ny Nosy, hanampiana ny tolotra hazo fanaovana kitay sy saribao », hoy izy. R.MathieuL’article Vakinankaratra: mitombo isan-taona ny fahapotehan’ny ala a été récupéré chez Newsmada.

Hiatrika ny “Miss Monde”: hiady ho an’ireo zaza kambana any Mananjary i Nellie
23/09/2020

Nitodika manokana amin’ny hoavin’ireo zaza kambana avy any Manajary, fehezin’ny fomba ho tsy azo taizana miaraka, ny “Miss Madagasikara”. Vonona hanome tanana azy amin’izany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.Tsy hatsaran-tarehy sy bika ihany… Anisan’ireo hitsarana ireo tovovavy mifaninana amin’ny “Miss Monde” ihany koa ny fahaizana manohana hevitra, amina tranga iray mety hampisy sakana amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny. Hiatrika ny andiany faha-70 amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity i Anjaratiana Nellie, nisalotra ny anaram-boninahitra “Miss Madagasikara 2020”. Nisafidy ny hiady ho an’ny zon’ireo zaza kambana avy any Mananjary izy mandritra izany. “Hataoko amin’ny fo izay azoko atao momba ity ady ity. Tokony ho fantatr’izao tontolo izao ny zava-misy mahazo ireo zaza kambana any Mananjary, izay noho ny fomba amam-panao, tsy mahazo miara-monina. Fantatro fa sarotra izany, saingy te hitondra izay kely vitako amin’ny fanatsarana ny hoavin’ireo zaza ireo amin’ny fandraisako anjara amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity”, hoy ny nambaran’i Nellie, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nitsidika sy nihaona tamin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Andriatongarivo Lalatiana, mantsy ny “Miss Madagasikara”, omaly. “Mahafaly anay eto amin’ny minisitera ny miara-dalana amin’i Nellie sy manohana azy amin’izao dingana lehibe hatrehiny izao. Hitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara izy ka tena mila ny fanohanan’ny Malagasy rehetra”, hoy ny nambaran’ny minisitra. Raha tsiahivina, natao tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra ny dingana fifanintsanana tamin’ny fifaninanana, nisafidianana ny Miss Madagasikara tamin’ity taona ity. Ny 17 jolay kosa ny dingana famarana, tetsy amin’ny Arena Ivandry, ka nivoaka ho tompon’ny anaram-boninahitra i Nellie. “Raha ny tokony ho izy, tontosaina ny volana desambra isan-taona ny fifaninanana “Miss Monde”. Noho ny toe-draharaha iraisam-pirenena misy anefa, mbola tsy nanapaka daty ofisialy ny komity. Na izany aza, efa mivonona amin’ny fikarakarana rehetra izahay mba tsy hitsanga-menatra ny solontenantsika”, hoy ny nambaran’i Ginah Vidot, filohan’ny komitim-pirenena mikarakara ny “Miss Madagasikara”, na ny CNMM.Zo ny AinaL’article Hiatrika ny “Miss Monde”: hiady ho an’ireo zaza kambana any Mananjary i Nellie a été récupéré chez Newsmada.

Volley-FMVB: tapahina amin’ny fivoriana ny fifaninanana mbola azo atao
17/09/2020

Efa manomboka mamerina tsikelikely ny fampandehanan-draharaha avokoa, amin’izao fotoana izao, ireo federasiona isan-tsokajiny. Na dia mbola tsy afaka manatanteraka hetsika ara-panatanjahantena aza, efa samy manantena ny hiverenan’izany tsy ho ela ireo mpitantana sy atleta ary ny ekipa nasionaly. Ho an’ny taranja Volley ball, amin’ny fivoriana hatao ato ho ato, ny hanapahana izay fifaninanana mbola azo tanterahana sy ireo tsy maintsy hofoanana. Efa nisy anefa ny resaka nandeha fa mety tsy hisy fifaninanana ho vita intsony amin’ity taona ity fa hosoloina fiofanana izany. Mbola tsy fantatra, araka izany, izay hatao fa miandry izay fivoriana izay, raha ny nambaran’ny filoha lefitry ny federasiona malagasy ny Volley ball, Ranaivoson Mamy.Mahakasika ny fanazaran-tena indray, efa nahazo alalana hamerina ny fanomanan-tenan’ireo atleta sy ekipa nasionaly, avokoa, ny federasiona, ny ligy, ny seksiona ary ny klioba tsirairay, saingy mila hatao anatin’ny fanarahana ny fepetra hatrany izany rehetra izany. Ho an’ny taranja Volley ball, mbola matahotra sy mitandrina avokoa ny rehetra, na dia efa misy aza ekipa sy klioba efa manatanteraka izay fanazaran-tena izay. Tsy mbola misy lalao be atao fa ny ara-batana aloha no averina tsikelikely, taorian’izay ela tsy nihetsehana izay, raha ny nambaran’ny mpanazatra klioba. Mi.Raz L’article Volley-FMVB: tapahina amin’ny fivoriana ny fifaninanana mbola azo atao a été récupéré chez Newsmada.

Karate-Avaradrano: efa miverina mikotrana avokoa ireo klioba
22/09/2020

Tontosa soa aman-tsara teny Ampangabe Alasora, ny fivoriambe teo anivon’ny seksiona Avaradrano, taranja karate, izay notarihin’ny filohany, Sensei Ramanitra Andriamamonjy sy ireo mpikambana ao amin’ny birao mpitantana. Noresahina nandritra ny fivoriana ny mahakasika ny “statut” ho an’ny fe-potoana hitantanana sy ny fitsipika anatiny. Ankoatra izay, nambaran’ i Sensei Manitra fa tsy mbola misy aloha hatreto ny fitadiavam-bola azo atao. Toraka izany koa ny fifaninanana, izay mbola miato satria tsy maintsy miandry ny avy eo anivon’ny federasiona ny mahakasika ny tetiandron’ny fifaninanana. Na izany aza, efa eo an-dalam-panomanana ny Gassaku na fiofanana ny seksiona Avaradrano. Eo amin’ny fanazaran-tena kosa, efa saika miverina mikotrana avokoa ireo klioba.Araka ny hita teny an-toerana, klioba miisa 15 teo ho eo ny nahatonga solontena tamin’ity fivoriambe ity (Kokaju, kawam, kenkaju,Akka, Tfska, Rengkiu, Wado Gosetlai, Fudeshin, Ambohimanga Rova,…). Tonga nanome voninahitra ihany koa ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, nisoloan’ny delege an’Avaradrano , tena. Mi.RazL’article Karate-Avaradrano: efa miverina mikotrana avokoa ireo klioba a été récupéré chez Newsmada.

Indray mijery
17/09/2020

 Efa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny valim-panadinana CEPE ho an’ny faritra Boeny, araka ny fampitam-baovao nataon’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana any an-toerana. 64,83% ny taha ho an’ny faritra. Ny tany Soalala no nahazoana vokatra mendrika indrindra 67, 83% ary Marovoay no latsaka indrindra 57, 24%. Azo ambara ho tsara ny vokatra raha miohatra amin’ny ny fahatapahan’ny fampianarana tao anatin’ny fotoana maharitra.Nahatratra 1214 ny isan’ny mpiadina CEPE ho an’ny distrikan’i Betroka, tamin’ity taona ity, niparitaka tamin’ny foibe 13, ny talata lasa teo. Betsaka ireo mpiadina tsy tonga nanatrika ny fanadinana satria nalain’ny ray aman-dreny nody any ambanivolo. Tsy nanana vatsy nomena ny mpianatra ny fianakaviana ka nanala azy ireo tany an-dakilasy, hoy ny mpitantana ny fanabeazana any an-toerana. Hivaly, rahampitso, ny CEPE any an-toerana.L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Fihantsiana tsotra izao: mitsoka kiririoka milaza ny fahatongavany ireo dahalo
22/09/2020

Niditra an-keriny avy ao an-damosin’ny trano fivarotana lehibe indrindra ao Ambatosoratra ireo jiolahy. Nikiakiaka ny ankizivavikely iray, zanak’ilay mpivarotra, satria nalain’ireto olon-dratsy ho takalonaina fa tsy nanaiky nanoro ny misy ny vola ity tompon-trano. Nivoaka ny manodidina hamonjy… Tifitra basy no nahazo ilay raim-pianakaviana nivoaka voalohany ka maty! Daroka vatan-kazo no nanjo ny hafa, ny alin’ny alarobia 15 septambra no niseho izay.Endrika faharoa indray no niseho andro vitsivitsy talohan’io. Avy nangalatra omby tao Mangalaza, atsinanan’Ambatondrazaka ireo dahalo ka nandroaka ireo hazany nianandrefana tany Ambohidehilahy no sady nandroba fivarotana. Fotoana tsy ela manodidina izay, halatra omby sy fandrobana trano fivarotana koa no nahazo an’Antanambehivavy, Antanimena.Endrika fahatelo mikasika ny tsy fandriampahalemana any amin’iny distrikan’Ambatondrazaka iny tato ho ato, ny nitranga tao Ambohidava, tanàna lalovan’ny RN.44, 30km avaratr’io renivohitry ny distrika io. Misy nanamarika koa fa ny dahalo indray izao no mitsoka kiririoka ho filazana fa tonga handroba ry zareo….Fametrahana zandary, ampy isa honina sy ho vonona lalandava no soso-kevitra aroson’Antanimena satria lalan’ny mpitondry omby halatra iny toerana fizaran-tanin’ny distrikan’Amparafaravola sy Ambatondrazaka iny. Amin’ny ankapobeny, mila mikaroka fomba vaovao ny isan-tanàna, hiarovany ny ainy sy ny fananany, andro aman’alina mihitsy.RarivoL’article Fihantsiana tsotra izao: mitsoka kiririoka milaza ny fahatongavany ireo dahalo a été récupéré chez Newsmada.

Ankorovahiny: raim-pianakaviana voatifitry ny dahalo
23/09/2020

Voasambotry ny zandary ny dahalo, ny faran’ny herinandro teo, ny iray tompon’antoka amin’ny fanafihana raim-pianakaviana iray mpivarotra lamba tonta niaraka amin’ireo zanany roa lahy. Voalazan’ny tatitra nampitain’ny zandary fa teny an-dalana hody ao amin’ny fokontany Ambiky Berevo, Bebaboka, niara-nivarotra amin’ireo zanany, izy no niharan’ny fanafihan-dahalo. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Mangabe ny nitrangan’ny fanafihana, ny 17 septambra tolakandro. Voatifitr’ireo malaso teo amin’ny tratrany, ny tanany ary ny feny ilay raim-pianakaviana. Nandritra izany, afaka niantso fokonolona ao Saropitsaha ireo zanany roa lahy. Nentina haingana namonjy hopitaly ilay raim-pianakaviana, saingy namoy ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Nitohy ny fikarohana ireo dahalo nanafika ka tratran’ny zandary tao Bebaboka, ny asabotsy hariva teo, ny olona iray ahina ho nandray anjara tamin’ity fanafihana ity. Nahitana basy niaraka amin’ny bala 10 tany aminy nandritra ny fisavan’ny zandary.J.CL’article Ankorovahiny: raim-pianakaviana voatifitry ny dahalo a été récupéré chez Newsmada.

Bakalorea 2020: “Voahaja ny fe-potoana fanomanana”, hoy ny minisitra mpiahy
23/09/2020

Hotontosaina ny 19 ka hatramin’ny 29 oktobra ho avy izao ny andiany roa ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny teknika. Manoloana izany, nitoka-monina nanomboka ny alatsinainy lasa teo ireo olona rehetra mpizaika sy mikarakara ny laza adina hatrehin’ny mpiadina amin’ny bakalorea 2020, araka ny fanambaran’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, i Assoumacou Léa Béatrice. 40 andro ny faharetan’ny fitokanana ary tsy hivoaka any izy ireo raha tsy vita tanteraka ny bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny teknika. Tsy mahazo mifanerasera amin’ny aty ivelany ireo mpiasa mandritra izay fotoana izay ary miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana.Voahaja ny fe-potoana amin’ny fanomanana ny fanadinana sy ny fepetra ara-pahasalamana eo amin’ny olona sy ny fotodrafitrasa handraisana ny mpizaika. Efa norarahina fanafody ny toerana handrasaina azy ireo. « Vonona koa ny olona hikarakara ny fandriampahalemana mandra-pivoakan’ireo olona ao », hoy ny tomponandraikitra.Efa nifarana ny fandraisana ny fisoratana anarana ho an’ny bakalorea manerana ny Nosy.Vonjy A.L’article Bakalorea 2020: “Voahaja ny fe-potoana fanomanana”, hoy ny minisitra mpiahy a été récupéré chez Newsmada.

Nieren-doza ilay fivarotan-tsolika: trano 15 levon’ny afo avy amin’ny… taim-bankona
22/09/2020

Trano miisa 15 no indray kila hotohoton’ny afo, omaly tamin’ny 10 ora maraina tao Mangarano Toamasina, mifanila amin’ny tobin-tsolika iray. Taim-bankona niainga avy ao amin’ny toeram-piompiana akoho matavy no nitarika ny firehetana…Loza iray, loza roa…! Saika izany hatrany no hita tato ho ato izay, na lozam-pifamoivoizana io na haintrano goavana. Raha ity zava-nitranga tao Toamasina, omaly ity, niainga avy tamina afona taim-bankona ao amin’ny trano fiompiana akoho matavy no pitik’afo nampijoalajoala ny afo, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny mpamponjy voina ao Toamasina, ny Kly Charles Desiré. Nisoko mangina tao anaty taimbankona ny afo ka nahazo ny fitaovana tao an-trano ka nampiitatra ny afo. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ireo niharam-boina satria nalaky ny fiitaran’ny afo. Saika zava-doza ny fisian’ny tobin-tsolika iray teo akaikin’ireto trano nirehitra ireto. Samy nanao izay ho afany ny teo amin’ny manodidina nifanome tanana tamin’ny mpamonjy voina mba tsy hiitaran’ny afo. Voafehy ihany anefa ny izany ka tsy tonga tany amin’ny faritra misy ny tobin-tsolika. Ankoatra, ny fanafihan-jiolahy mitam-pidiana mahery vaika, isan’ny mampalaza ny faritra Atsinanana ny fisian’ny haintrano matetika any an-toerana. Ho an’i Toamasina manokana, tato anatin’ny volana septambra ity, indroa nisehoana haintrano goavana tany an-toerana. Miisa 18 tafo ireo trano nirehitra tao anatin’izay 21 andro izay, nahitana traboina miisa 123 raha antapitrisany maro kosa ny entana lasa lavenona.Sajo sy J.CL’article Nieren-doza ilay fivarotan-tsolika: trano 15 levon’ny afo avy amin’ny… taim-bankona a été récupéré chez Newsmada.

Tenisy – “Roland Garros”: tafakatra i Tessah, hidona amin’i Aostralia i Irina
23/09/2020

Hiakatra  kianja ary hifanadrina amin’ny teratany aostralianina i Irina, anio. Efa any amin’ny dingana faharoa kosa i Tessah, taorian’ny fandresena azony, omaly.Ramialison Irina, hifanandrina amin’ilay Aostralianina, i Astra Sharma, eo amin’ny fihodinana voalohany, hiadiana ny “Roland Garros”, taranja tenisy. Fihaonana, hotanterahina amin’ity alarobia ity. Mpilalao efa manana filaharana ambony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity mpifanandrina aminy ity satria faha-132 maneran-tany.Efa imbetsaka niatrika fifaninanana iraisam-pirenena ary manana traikefa betsaka raha mitaha amin’i Irina. Efa nandrombaka ny “Fed cup”, niaraka tamin’ny ekipam-pireneny, ny taona 2019. Azo lazaina fa maozatra amin’i Irina ity mpifanandrina aminy ity. Raha tsiahivina, “wild card” na fanasana manokana ny azon’i Irina amin’ny fandraisana anjara amin’ity “Grand chelem” ity satria tsy tafiditra tao anaty filaharana ny tovovavy. Faha-370 maneran-tany mantsy no misy an’i Irina, amin’izao fotoana izao.Miakatra amin’ny dingana faharoaEtsy andaniny, nazava ny fandresen’i Tessah Andrianjafitrimo, nifandona amin’ilay espaniola, i Nuria Parrizas Diaz, manana ny filaharana faha-225 maneran-tany, omaly. Miakatra amin’ny dingana faharoa ity Malagasy ity rehefa nandresy “set” 2 noho 1.  Laharana faha-262 i Tessah amin’izao fotoana izao ary eo amin’ny faha- 21 taony.Marihina fa hiadiana toerana hidirana ao anaty tabilao lehibe ny fifanintsanana nanomboka ny alatsinainy lasa teo, izay hifarana ny zoma 25 septambra ho avy izao. Ny alatsinainy 27 septambra kosa vao tena hanomboka ny fifaninanana amin’ity “Grand chelem” ity. TorcelinL’article Tenisy – “Roland Garros”: tafakatra i Tessah, hidona amin’i Aostralia i Irina a été récupéré chez Newsmada.

BEPC: tombanana hivaly ny 5 oktobra farafahatarany
23/09/2020

Efa nanomboka, omaly, ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja roa natrehin’ny mpiadina amin’ny BEPC, omaly, ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Napetraka ny « grille de correction » niaraka amin’ny « commission d’entente » ary nisy ny fivoriana niarahana amin’ny mpitsara rehetra. Tombanana ho vita ny faran’ny herinandro ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja natrehina ka hampiditra ny naoty ao amin’ny ordinatera ny mpiasa ny alatsinainy ho avy izao. Mbola misy ny fanamarinana farany momba ny naoty avy eo. Herinandro aorian’izay, heverina fa hivoaka ny valim-panadinana farafahatarany ho an’ny eto an-dRenivohitra. Fito ny toerana fitsarana taratasim-panadinana. Ny taranja histogéo sy ny fizika simia no miandry ny mpiadina anio tontolo andro. Nanambara ny minisitry ny Fanabeazana fa haloa avy hatrany ny karaman’ireo mpiasa mikarakara ny fanadinana hatramin’ny fitsarana ka tsy hisy ny trosa amin’ity fanadinana 2020 ity.VonjyL’article BEPC: tombanana hivaly ny 5 oktobra farafahatarany a été récupéré chez Newsmada.

Tsy fanjarian-tsakafo: manentana ny fikambanana “Hina”
18/09/2020

Nanao hetsika maro, teto Toamasina, ny vondrom-pikambanana “Hina” (Hetsika iraisana natokana ho an’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo), notarihin’ny filohan’ny sampana Toamasina, Rtoa Zafitsara Maria. Natao tany amin’ny kaominina Fanandrana, ny alakamisy 17 septambra teo, ny fanentanana sy ny fampiofanana, nifantoka amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fampinonoan-dreny sy ny fampanarahana. Teo koa ny fiarovan-tena amin’ny Covid-19.Nisy koa ny fampirantiana ny karazan-javamaniry fanao sakafo maroloko, ilaina tokoa amin’izao ady amin’ny Coronavirus izao. Nampirisihina ny mponina hamboly bebe kokoa. Nampahafantarina azy ireo ny fomba fitahirizana ny vokatra. Teo koa ny fomba fampinonoana ny ankizy hatramin’ny faharoa taony, tsy asiana fangarony hatramin’ny fahenim-bolana. “Tanjona ny hanana zaza tomady”, hoy ny mpandaha-teny.Nanaitra ny mpandaha-teny ny nahitana ny mponina tsy manao arotava intsony, mandrora eran’ny lalana, mifampikasoka akaiky, …. Nampahatsiavin’ny vondrom-pikambanana Hina, noho izany, ireo fepetra ara-pahasalamana manoloana ny Covid-19.Sajo sy Njaka A.L’article Tsy fanjarian-tsakafo: manentana ny fikambanana “Hina” a été récupéré chez Newsmada.