Fanadiovana tatatra: fokontany 10 anaovana asa Himo

News - Fanadiovana tatatra: fokontany 10 anaovana asa Himo

News - Fanadiovana tatatra: fokontany 10 anaovana asa Himo

Nifarimbona nanadio tatatra ireo
RF2 avy amin’ny fokontany maro, nanomboka omaly. Nanala ny fako
mitoby anaty lakandrano manentsina ny fikorianan’ny rano izy ireo
hitsinjovana sahady ny fahavaratra.  Mahazo tombony amin’izao
ireo fokontany folo eto Antananarivo, Ankasina, Andavamamba,
AnjezikaI, Tetezana Afovoany I, 67Ha Atsimo, Antohomadinika,
Andavamamba Ambilanibe, Anosibe, Ivolaniray, Manajary ary
Ambohidahy. Amin’ny alalan’ny Himo, andiany faharoa no
hanatanterahana izany. Olona 20 isaky ny fokontany no mahazo asa
amin’ny alalan’ity fanadiovana tatatra ity. Mahazo 5000 Ar
isan’andro avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra izy ireo
amin’ny fanatanterahana izany asa izany. Nisy ihany koa ny fizarana
arovava sy savony ho an’ireo RF2 ireo. Mila fanaraha-maso akaiky ny
tandrevaka ataon’ny mponina eny amin’ireo toerana andalovan’ny
lakandrano. Misy ireo manary fako sy poti-kanina any an-tatatra ka
manentsina ny fikorianan’ny rano ary miteraka fiakaran’ny rano
mihitsy rehefa fotoam-pahavaratra.

Tatiana A

Article tiré de Newsmada

L’article Fanadiovana tatatra: fokontany 10 anaovana asa Himo a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 25/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Lapan’i Mahazoarivo: noderain’ny ambasadaoro frantsay ny Praiminisitra Ntsay C.

Noraisin’ny Praiminisitra  Ntsay Christian  teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo, omaly  ny  ambasadaoro frantsay, niasa sy nonina teto Madagasikara, Veronique Vouland- Aneini. Voaresaka  ny fiaraha-miasan’ny firenena roa  tonta sy  ny ezaka nataon’ny lehiben’ny governemanta.Narahabain’ny ambasadaoro ny praiminisitra tamin’ny andraikitra sy ny adidy lehibe notazoniny ary niantsorohany, tamin’ny taona 2018, tamin’ireny fotoan’ny krizy politika  teto amin’ny firenena  ireny. « Fotoana nilana fandraisana fanapahan-kevitra hentitra  ireny ka nahafahan’ny firenena niatrika izany fotoan-tsarotra izany ny fepetra noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian »,  hoy  izy  tamin’izao fihaonana izao. Fotoana  koa io nametrahany  veloma ny lehiben’ny governemanta noho ny fahataperan’ny fe-potoana niasany teto amintsika.Nambaran’ity masoivoho ity ihany koa fa maro ny tranga, nanamarika azy nandritra ny efatra taona niasany teto Madagasikara. Anisan’izany ny fihaonana an-tampon’ny firenena miteny frantsay, noraisina teto Antananarivo, nampiseho taratra ny fahombiazan’ny diplaomasia malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. « Teo ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Frantsa tamin’ny ady amin’ny fipariahan’ny valanaretina samihafa… »,  hoy ihany izy.Nanafatrafatra ny ambasadaoro Veronique Vouland- AneiniTsiahivina fa anisan’ny lahateny nambaran’ity masoivoho Frantsay  ity, farany teo, tamin’ny  fanamarihana ny fetim-pireneny, ny 14 jolay teo teny Ivandry ny resaka politika. « Teo  ny fihetsika matotra nasehon’ny mpanao  politika  niray hina tao anatin’ny  fotoana manokana tamin’ny fianianan’ny filoha Rajoelina, ny 19 janoary  teo. Teo koa ny fihaonan’ny filoha roa tonta :  Emmanuel Macron sy Rajoelina  Andry, ny  volana mey teo tany Frantsa », hoy izy tamin’izany ». Natsidiny sahady koa fa hatsangana ny komity iraisana hitady vahaolana amin’ny ireo resaka mampifanolana… Anisan’ny nangatahan’ny ambasadaoro ary hafatra napetrany  ny tokony hiarovana ny olona sy ny fananany, manoloana ny  asan-jiolahy.  Ny fiarovana ny harena an-dranomasina. Ny hifehezana ny mpitandro filaminana manaraka ny fitsipi-pitondran-tena.Synèse R.  L’article Lapan’i Mahazoarivo: noderain’ny ambasadaoro frantsay ny Praiminisitra Ntsay C. a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fikarohana voafonja :: Mandalo famotorana ny havan’ ireo gadra roa nitsoaka

Nihazo an’i Mananara Avaratra ny mpitandro filaminana avy any Maroantsetra manohy ny fikarohana an’ireo gadra roa lahy ambiny tamin’ireo nitsoaka ny fonjaben’i Maroantsetra, ny herinandro lasa teo. Natao famotorana ny fianakavian’izy ireo. «Samy avy any Mananara izy roa lahy. Izany no antony nandehanany any. Efa nahenoam-baovao ihany koa ny toerana mety nisitrihan’ireo gadra karohina ireo. Tsy maintsy mbola hohamarinina izany», hoy ny kaomandà Manahirana Fils Emilio, lehiben’ny kaompanian’ ny Zandarimariam-pirenena any Maroantsetra. Miara-dalana manohy ny fikarohana an’ireto gadra sisa tadiavina ireto ny zandary sy ny mpiandry fonja avy any Maroantsetra. Tsiahivina fa enin-dahy ireo voafonja tafavoaka ny fonjan’i Maroantsetra. Efa tratra ny efatra saingy maty novonoin’ny fokonolona ny iray. Mbola karohina ny roa ambiny.   L’article Fikarohana voafonja :: Mandalo famotorana ny havan’ ireo gadra roa nitsoaka est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Nirefodrefotra mandra-marain’ny andro ny basy: jiolahy telo maty voatifitry ny zandary, 5 azo sambo-belona

Tambajotran-jiolahy, voalaza fa nampihoron-koditra ny mponina amin’ny kaominina mpifanolo-bodirindrina, ao anatin’ny distrikan’i Toamasina II ity nifampitana tamin’ny zandary, ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma ity. Maty voatifitra tamin’izany ny telo, raha azo sambo-belona kosa ny dimy hafa. Nirefodrefotra ny basy, ny talata alina lasa teo, hatramin’ny alarobia 14 aogositra 2019 maraina tao amin’ny kaominina mifanolo-bodirindrina, manomboka teo Ivoloina mihazo ny kaominina ambanivohitr’Ambodimandresy sy Sandahatra, Ampasimbe ary Ambodinjirofo sy Basindrano samy ao anatin’ny distrikan’i Toamasina II. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, tambajotran-jiolahy misa valo avy any Fenoarivo Atsinanana sy avy ao Toamasina malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny distrikan’i Toamasina II ireto nifanehatra tamin’ny zandary ireto. Fantatra fa nandritra ny roa andro no nifanenjika tamin’ireto jiolahy ireto ny zandary. Isaky ny tanàna lalovan’ireo jiolahy ireo dia manapoaka basy ry zalahy sady mampitahotra ny fokonolona tsy hihetsika. Tokantranona mpandraharaha iray tao amin’ny kaominina Sandahatra no nidiran’ireo jiolahy an-keriny, saingy namaly tifitra ilay mpandraharaha ary tsy nanaiky ny fampihorohoroana nataon’ireo jiolahy azy. Notifirin’ireo jiolahy anefa ity raim-pianakaviana ity ka namoy ny ainy avy hatrany, ny alarobia maraina teo ary norobain-dry zalahy avokoa ny entam-barotra rehetra tao an-trano. Nahazo antso avy amin’ireo fokonolona ny zandarimariam-pirenena ka nametraka ny sakana tamin’iny distrikan’i Toamasina II iny ka tamin’izany no nahazoan’izy ireo loharanom-baovao fa misy lehilahy iray mampiahiahy mihazo an’Antsiranambe ho any Basindrano.Tratra teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy…Napetraka ny vela-pandrika ka voasambotra Rakotoniaina Jhonny, 32 taona avy any Sahavola Fenoarivo Atsinanana. Nogejaina avy hatrany ny telefaonina findainy ka niainga teo ny famotorana sy ny vela-pandrika ireo namany. Vokany, tratra teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy mihazo an’i Fenoarivo Atsinanana i Kika Gidore 28 taona avy any Mangarivotra Fenoarivo Atsinanana. Hitan’ny zandary tao anaty telefaonina findain’izy roa lahy ny mombamomba ireo namany ka teo no nahafahan’ny zandary nanao ny vela-pandrika ka nahafahana nandrava ireto andian-jiolahy ireto. Nisy tamin’izy ireo aza no mbola niafina tany anaty ala, araka ny fanazavan’ny zandary hatrany. Nitohy tao anaty ala ny fifanjevoana teo amin’ireo jiolahy sy ny zandary, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma. Vokany, maty voatifitry ny zandary ny telo tamin’ireo jiolahy. Azo sambo-belona kosa i Serge, 35 taona avy ao Ampasimpotsy Fenoarivo Atsinanana, i Jean de Dieu Félicien, 32 taona avy ao Ambomozinga Sandahatra Fenoarivo Atsinanana zanatany, i Toto François 24 taona avy ao Toamasina (olona iray mpanome vaovao ireo jiolahy ny iray amin’izy ireo). Tafaporitsaka ary mbola karohina kosa ny lehilahy iray mpividy halatra.Sajo sy Jean ClaudeL’article Nirefodrefotra mandra-marain’ny andro ny basy: jiolahy telo maty voatifitry ny zandary, 5 azo sambo-belona a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Loza

Nifandona tamina fiara iray ny môtô « scooter » iray nandalo tetsy Ankoron drano, omaly antoandro. Nifatratra tao amin’ny vodin’ny fiara ilay kodiaran-droa. Naratra tamin’izany ny mpamily nitondra azy. Vaky kosa ny fitaratry ny fiara. Ireo olona teo amin’ny manodidina nahita ny fitrangan’ny loza no nitondra ilay maratra tany amin ’ny toeram-pitsaboana. Tsy misy atahorana ny ainy. L’article Loza est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Tsipy kanetibe – «Afrique 2019»: resy teo amin’ny ampahefa-dalana ny Gasy

Tsy namokatra ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tsipy kanetibe olon-telo miaraka, lehilahy. Fifaninanana, notanterahina tany Lomé, Renivohitr’i Togo, ny 13 ka hatramin’ny 17 jona, lasa teo.Ratsy ny vokatra satria nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana ny Malagasy. Resin’i Benin, teo amin’izany dingana izany, ry Mamy, Aly, Tafita ary i Bondy. Afa-bela, tamin’ny Malagasy izany ry zareo Beninoa, izay lavon’i Madagasikara, teo amin’ny famaranana, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, natao teto Madagasikara, ny taona 2016.Nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana ihany koa ny Malagasy, teo amin’ny fifaninanana mitifitra “tir de precision”. Na izany aza, nahazo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, ihany ny Malagasy, raha tsy misy ny fiovana. Marihina fa tsy nisy afa-tsy firenena 9, tamin’ireo 25 mpikambana ny hany nandray anjara, tamin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ity.Tsy mbola fantatra kosa na mety hanan-kery na tsia ity fifaninanana, natrehin’i Madagasikara, ity, noho ny olana misy eo amin’ny kaonfederasiona sy ny federasiona iraisam-pirenena. TompondakaL’article Tsipy kanetibe – «Afrique 2019»: resy teo amin’ny ampahefa-dalana ny Gasy a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

Maintirano: Nahazo fampitaovana avy amin’ny Fitondram-panjakana ihany koa

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Maintirano: Nahazo fampitaovana avy amin’ny Fitondram-panjakana ihany koa » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Taorian’ny Distrikan’i Besalampy dia nahazo ny anjara birikiny ihany koa ny Distrikan’i Maintirano amin’izao ady ataontsika handresena ny valanaretina « coronavirus » eto Madagasikara izao. Fitaovana maro fitsaboana marary sy ho ampiasain’ny mpiasan’ny fahasalamana izay ahitana: « Radiographie numérique – Respirateur – Concentrateur d’oxygène – Surblouses – Combinaisons – Masques chirurgicaux – Masques FFP 2 – Sel – Lingettes – Gants » no natolotra tamin’izany. Hita amin’izao fa tsy mikely soroka ny Fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka mitady vahaolana handresentsika io valanaretina io. Nampita vaovao: DRSP Melaky L’article Maintirano: Nahazo fampitaovana avy amin’ny Fitondram-panjakana ihany koa a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

Fotodrafitrasa hampihenana ny fitohanan’ny fiara: hamboarin’ny kaominina ireo lalana simba eto an-dRenivohitra

« Tafiditra amin’ny veliranon’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina ny hampihenana ny fitohanan’ny fifamoivoizana amin’ny alalan’ny fanamboarana ireo lalana. Maro ireo hatsaraina sy hamboarina. Efa ela no niandry izany ireo mpampiasa lalana satria efa maro ny simba amin’izy ireny », hoy ny tale misahana ny Taotrano sy ny asa vaventy (DTP) eo anivon’ny CUA, Razafimandimby Bodosoa.  Nanteriny fa efa nisy ny fanamboarana nataon’ny kaominina nandritra ny fotoana fihibohana tamin’ny alalan’ireo fitaovana sy ny vola teo am-pelatanana.  Nangataka fiaraha-miasa teo anivon’ny ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP) sy ny « FER » anefa ny CUA noho ny habetsahan’ny lalana simba.Hovitaina mialohan’ny fotoam-pahavaratraAnton’izany ny mba hahafahana manohy indray ny fanamboarana ka nojerena manokana ireo noheverina fa laharam-pahamehana amin’ireo faritra ahitana lalana simba.Hotohizan’ny MATP ny fanamboaran-dalana amin’ireo tsy tafiditra amin’ireo hotanterahina ato ho ato. Nohitsin’ny DTP fa tena anisan’ny manimba ny lalana ny fahatsentsenan’ny lakan-drano. Anisan’izany ny eny amin’ny 67  ha, tena simba tokoa. « Entanina hatrany ny mponina mba tsy hanary ny fako sy ny maloto any anaty lakan-drano ho fikojakojana ny lalana », hoy ihany izy. Ezahina hovitaina mialoha ny filatsahan’ny orana ny asa fanamboaran-dalana rehetra eto an-dRenivohitra, araka ny nambarany hatrany.Synèse R. L’article Fotodrafitrasa hampihenana ny fitohanan’ny fiara: hamboarin’ny kaominina ireo lalana simba eto an-dRenivohitra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanangonana antontanisa: hofantarina ny tahan’ny fahantrana

Notolorana fiara 4×4 – V8 miisa 20 ny sampandraharaha misahana ny antontanisa (Instat), omaly teny Anosy, hoentina hanatanterahana ny asa, hizahana akaiky ny tahan’ny fahantrana sy ny fari-piainan’ny Malagasy. Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny Statcap* izany, mahazo famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, 30 tapitrisa dolara (90 miliara ariary eo ho eo) hatramin’ny 31 marsa 2022.HHHHhHerintaona ny hanaovana ny fanangonana antontanisa manerana ny Nosy, hanomboka amin’ny septambra 2019 hatramin’ny desambra 2020. Jerena avokoa ny lafiny fahasalamana, ny fanabeazana, ny trano fonenana, ny fitaterana, ny asa atao, ny fandaniana, sns. Hanaovana fanadihadiana ny fari-piainan’ny isan-tokantrano; faritana ny endriky ny fahantrana sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny toekarena sy ny sosialy, mba ho mazava amin’ny mpitondra. Midika izany fa mila fandinihana mialoha ny fanapahan-kevitra rehetra.Avy amin’io Statcap io ny tokony hahitana antontanisa tsara rafitra sy hanatsarana ihany koa ny fampahafantarana azy, hanitsiana ny tsy mety teo aloha. Atomboka amin’ny fanangonana tarehimarika, ny fanadihadiana sy ny fanaparihana ny tsara ho fantatra momba ny mponina, ny fahantrana sy ny fari-piainan’ny mponina; ny vidim-piainana, sns… Heverina hatao isaky ny roa na telo taona izany ; ny vita farany izao, tamin’ny taona 2012, nahitana tahan’ny fahantrana 71,5 %, tarehimarika ampiasana hatramin’izao, nefa tokony ho efa havaozina. R.MathieuL’article Fanangonana antontanisa: hofantarina ny tahan’ny fahantrana a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Famokarana fanafody :: Hisokatra ny ozinina Pharmalagasy

Hisokatra amin’ny fomba ofisialy, rahampitso, ny orinasa malagasy mpamokatra fanafody eny Tanjombato na ny Pharmalagasy. Ho avy hitarika ny lanonana eny an-toerana ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina. Na mbola tsy nisokatra aza dia efa nanomboka nihodina namokatra an’ilay fanafody CVO+, fanefitry ny valanaretina Covid-19, ny Pharmalagasy. Efa manana ny paika momba an’ireo famokarana fanafody hafa io orinasa io. « Hisy fanafody dimy hafa hovokarina ao anatin’ny telo taona manaraka. Fanafody azo avy amin’ny zava-maniry eto an-toerana avokoa ireo. Mety hisy amin’ny endriny menaka izany. Ny famoronana asa ho an’ireo tantsaha eto amintsika no isan’ny nampirisika antsika tamin’ny fananganana an’ity orinasa malagasy mpamokatra fanafody ity », hoy i Holijaona Raboanarijaona, filoha mpitantana ny fandaharanasam-pampandrosoana « Émergence Madagascar », eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. L’article Famokarana fanafody :: Hisokatra ny ozinina Pharmalagasy est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Tontosa ny 60% hatramin’ny 90%-n’ny asa: ho vita ny volana janoary ny Akademian’ny zavakanto

Fotodrafitrasa iray lehibe, hisy ny Akademia nasionalin’ny zavakanto sy ny kolontsaina na ny Anac no hatsangana etsy Ambohitsorohitra ambany. Miandry fatratra ny fahavitany ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina.Goavana ! Izay no azo hanasokajiana ity fotodrafitrasa iray ity. Ireo izay mandalo eny Ambohitsorohitra ambany, manoloana ny farihin’Anosy dia mahatsikaritra avokoa ny fihazakazak’ilay tranobe hahorina eo. Ny Akademia nasionalin’ny zavakanto sy ny kolontsaina (Anac) io, izay tafiditra anatin’ny vina napetraky ny filoham-pirenena sy ny minisitera tompon’andraikitra amin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny kolontsaina marolafy. Nisy ny fidinana ifotony, nataon’ny minisitry ny Serasra sy ny kolontsaina, Andriatongarivo lalatiana sy ireo mpiara-miasa aminy teny an-toerana, omaly. Fantatra tamin’izany fa manodidina ny 60% hatramin’ny 90% eo ho eo izao ny tontosa amin’ireo asa goavana. Mizara efatra  mazava ny asa tontosaina ao ka anisan’izany ny toerana lehibe fanaovana fampisehoana, izay efa tontosa hatramin’ny 60%. Eo koa ny toerana hanaovana ny fampirantiana efa mananika ny 80 % ny asa. Ireo trano ho an’ny birao samihafa kosa dia efa mananika ny 90% ny fahavitany. Miandry farany kosa ny fanatsarana ny endrika ivelany sy ny manodidina ny trano iray manontolo. “Raha tadidintsika, ny 15 novambra 2019 no nametrahantsika ny vato fototra voalohany teto, ary notombanana ho vita amin’ity faran’ny volana septambra 2020 ity ny asa rehetra. Noho ny zava-nisy anefa, nisy ny fahatarana ka vinavinain’ny orinasa miandraikitra ny fananganana ny Anac ho vita ny faran’ny volana janoary 2021 ny asa rehetra”, hoy ny nambaran’ny minisitra teny an-toerana. Miezaka manenjika ny fahatarana amin’ny fahavitan’ny asa, araka izany, ny orinasa miandraikitra ny fananganana ny tranoben’ny Anac. Etsy an-kilany, nanambara koa ny minisitra fa efa eo am-panomanana ny rijantenin-dalàna mahakasika ity akademia ity ny eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Tombanana ho efa miasa tsara sy hihodina, araka ny antom-pisiana ny akademia nasionalin’ny zavakanto sy ny kolontsaina, amin’ny telovolana voalohan’ny taona 2021.Zo ny AinaL’article Tontosa ny 60% hatramin’ny 90%-n’ny asa: ho vita ny volana janoary ny Akademian’ny zavakanto a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Fitsirihana tampoka: fiara miisa 47 nogiazana
27/10/2020

 Ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana, manohy ny fanaraha-maso ireo fiarakodia amin’iny faritra avaratry ny Nosy iny ny foibe fitsarana fiarakodia. Hatramin’ny 19 hatramin’ny 25 oktobra teo, nahatratra 430 ireo fiara nosavaina teny an-dalambe ka taratasina fiara 148 tamin’izany ny nosintonina noho ny tsy fahalavorariana hita amin’ilay fiara ka lasa «inaptes».  Fiarakodia miisa 47 hafa kosa nampidirina ambalampamonjana satria tsy nanao fitsirihana ara-teknika ary ilàna fanamboarana manokana.Fiara miisa fito ny voamarina fa tsy nahavita fandraisana ara-teknika. Fiara 18 nomena fampitandremana sy toromarika hikojakojany ny fiara ampiasainy. 76 hafa kosa nahitana tsy fahatomombanana ara-teknika.Mitohy ny fanentanana ataon’ny foibe fitsarana fiarakodia ary manentana hatrany ireo tompona fiara na ny mpamily hikojakoja sy hanamboatra ireo fiarany taorian’izay fihibohana maharitra izay. Tokony hanatona ireo ivontoerana fitsarana fiarakodia amin’ny fotoana tokony hanaovany fitsirihana teknika ahafahana misoroka ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe ateraky ny tsy fahatomombanana teknika.Marihina fa hitohy sy hihamafy hatrany ny fitsirihana tampoka an-dalambe ary hivelatra manerana ny Nosy.Tatiana AL’article Fitsirihana tampoka: fiara miisa 47 nogiazana a été récupéré chez Newsmada.

Mpiasam-panjakana miisa 591 ho tapaka karama
23/10/2020

591ny mpiasam-panjakana tsy handray intsony karama amin’ity volana oktobra ity ary hiakatra filankevi-pifehezana, araka ny tatitra nivoaka tao amin’ny filankevitry ny minisitra farany teo teny Iavoloha. Rehefa nampiasana ny « logiciel Augure” hanisana ireo mpiasam-panjakana manerana ny Nosy isaky ny minisitera, nivoaka ireo olona ireo izay mandray karama isam-bolana nefa tsy miasa na koa tsy voaisa ho ao anatin’ny mpiasam-panjakana ara-dalàna. Mahatratra 7 007 ny olona hafa ankoatra ireo mbola eo am-panamarinana ny momba azy eny anivon’ny fitantanambola. Politikan’ny fanjakana ny hanadio ny lisitry ny mpiasam-panjakana tena izy sy ireo mpisandoka nefa mandray vola tsy tapaka.Nikarakara antontan-taratasy avokoa ny mpiasam-panjakana isaky ny minisitera hanamarinana fa miasa ao amin’io minisitera io ary manana laharana maha mpiasam-panjakana azy. Efa an-taony maro ny nanomboka ny fanadiovana niarahana amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana.Vonjy         L’article Mpiasam-panjakana miisa 591 ho tapaka karama a été récupéré chez Newsmada.

Sombintsombim-baovao
24/10/2020

EST : Nivoaka, omaly, ny anaran’ireo mpandresy tamin’ilay fifaninanana tonon­kalo, mahakasika ny tantaran’ny fanatanjahantena ao Toliara. Telo mirahalahy ny nandrombaka ny laharana telo voalohany, samy nahazo loka avy amin’ny fikambanana Espoirs sportifs de Tuléar”. Laharana voalohany Randrianasolo Chedrique, nahazo Polo EST; faharoa i Hylari Jamal, nahazo tee-shirt EST ary fahatelo kosa i Narcy Kovni, nahazo “mug” EST. Tsy nanadino nisaotra ireo rehetra nandray anjara ny filohan’ny EST, i Vital Serge.Karate : Hanomboka, anio, eny amin’ny Akademia nasionaly ny fanatanjahantena, Ampefiloha, ilay fampiofanana “kata”, homena ireo mpikatroka valo hatramin’ny 14 taona. Fiofanana hifantenana izay karatekas mendrika ka hisolo tena an’i Madagasika amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika “kata en ligne”. Haharitra roa andro ny fiofanana ahafahana mijery ny fahaiza-manaon’ny mpikatroka tsirairay, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny federasiona. Izay tena mahay sy mahafapo no halaina horonantsary ka alefa hifaninana manerana an’i Afrika.Nangonin’i Mi.RazL’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

Filoha Rajoelina Andry tany Ambatondrazaka : “Tsy fotoan’ny kabary izao, aleo tsaraina amin’ny asa vita”
24/10/2020

Tanàna iva ka tsy afa-bela amin’ny fota-mandrevo sy ny fiakaran’ny rano ny any Amba­tondrazaka nandritra ny fotoana maro, araka ny nambaran’ ny mponina. Nampiakarina ambony ny ankamaroan’ny ny haavon’ny lalana. Mafy orina sy mahazaka ny tosiky ny rano izany. Azo antoka fa haharitra ny fotodrafitrasa rehetra naorina, toy ny lalana sy ny tetezana… Novana ho “Tetezan’ny Fihariana” ny eo Manainga­zipo teo aloha. Efa vita ampahany ny fanatanterahana ny asa fananganana tetezana « pont Kafe » miaraka amin’ ny fanaovana ho tara ny lalana Ambatondrazaka mankany Ambandrika sy ny tetezana. Ho vita mialoha ny volana desambra izao izany, miaraka amin’ny fanaovana ho tara ny lalana 25 km ao Vohidiala, Manakambahiny Andrefana. “Holovain-jafy ny fotodrafitrasa, tahaka izao, ary tsy fotoan’ny kabary intsony izao fa maso miara-mahita isika izao”, hoy ny filoha Rajoelina Andry any an-toerana, omaly. Anisan’ny nojereny ny faha­vitan’ny fanamboarana ny lalana tara, 800 m, miainga eo amin’ny seranam-piaramanidin’i Feramanga – Avaratra mivoaka ny lalam-pirenena RN44. Nametrahana andrin-jiro koa ny faritry ny seranam-piaramanidina sy ny lalana. Natao hahazaka fiaramanidina ATR ity seranana ity, manomboka izao. “Zava-dehibe ny sidina anatiny ialana amin’ny fitokanam-monina. Tanàna mamokatra nefa izao vao misy zava-bita goavana eto hatramin’ny nahazoana ny Faha­leovantena”, hoy ihany izy. Vita koa ny fananganana ny EPP manara-penitra ao Amba­tondrazaka. Ahitana ny kilasy « préscolaire » hatramin’ny T5 ny EPP. Hisy fampitao­vana « informatique » sy « can­tine scolaire » koa izany. Ma­nampy izany ny dabilio, ny biraon’ny mpampianatra sy ny fitaovam-pampianarana.Maimaimpoana ny fidiran’ ny zaza an-tsekolyNotsiahivin’ny filoha ta­min’izany fa hahazo “kits scolaires” ireo mpianatra ao an-toerana. Maimaimpoana koa ny fidirana an-tsekoly hampitomboina isa ireo zaza hianatra ka nisy vola 20 miliara Ar ny hatokana amin’ny “caisse ecole”. Ankoatra izany, efa mandroso sy an-dalam-pamaranana ihany koa ireo fotodrafitrasa sasany. Vita 80% ny fananganana ny kianja manara-penitra Rasolonjatvo ao Ambaton­dra­zaka. Efa voapetraka ny « tapis synthétique ». Efa voa­tsangana ny « tribune » ary nampitomboina izany raha mitaha amin’ny teo aloha. Ankoatra izany, efa miditra amin’ny ampahany faharoa ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN44, amin’izao fotoana izao. Tombanana ho vita amin’ny taona ho avy izany.Synèse R.L’article Filoha Rajoelina Andry tany Ambatondrazaka : “Tsy fotoan’ny kabary izao, aleo tsaraina amin’ny asa vita” a été récupéré chez Newsmada.

FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona
29/10/2020

Nofy tanteraka. Nahazo famatsiam-bola mitentina 7.900.000 Ariary Rasoarimanga Vololona hanatanterahana ny tetikasany. Nanatrika ny lanonana fanolorana izany, ny alarobia 28 oktobra 2020, ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo, ny DGA sy ny Secrétaire Général Orange Madagascar Benja Arson, ny filohan’ny Orange Solidarité Madagascar Josie Randriambeloma ary ny filohan’ny Soroptimist International Club Mandrosoa Bodo Ramangason. Nanomboka ny taona 2016, manome tohana ho an’ireo vehivavy mandray anjara amin’ny fandaharan’asa “ maison digitale” ny  « coup de cœur ô feminin” an’ny Fondation Orange. Mahazo tohana ara-bola sy ara-teknika hanatanterahana ny nofiny izay mendrika indrindra ka Rasoarimanga Vololona avy amin’ny “Maison Digitale pour les femmes” Ambohidehilahy ao amin’ny Soroptimist Club Mandrosoa no nandrombaka izany ho an’ny taona 2019. “Zanaka tantsaha, renim-pianakaviana manan-janaka efatra Rasoarimanga Vololona ary nanaraka fiofanana karazany maro tao amin’ny Maison Digitale pour les Femmes. Niofana momba informatika, ny fampiasana ny Excel, ny fitantanana tetikasa izy. Eo am-pandrafetana ny tetikasany ahazoana ny taratasy fanamarinana fahavitana fiofanana izy amin’izao fotoana izao. Nofiny ny hanitatra ny asa fiompiana akoho gasy ka ao anatin’ny tetikasany ny famokarana, ny fanakotrehana, ny fiompiana akoho ho atao sakafo ary amidy eto amin’ny tsena anatiny fa indrindra haondrana any amin’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara. Mila fanampiana izy noho izany amin’ny fananganana tranon’akoho mahazaka zanak’akoho an-jatony, reny akoho 10, akoholahy roa ary vorontsiloza telo”. Marihina fa nanomboka tamin’ny taona 2015, “maison digitale” 30 no natsangana  teto amintsika mba hanamorana ny fampidirana ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny asa, ny fanampiana azy ireo hahay hifehy ny fitaovana nomerika sy ireo rindram-baiko fototra. Eo ihany koa fampianarana mamaky teny sy manoratra, ny fitantanana ny varotra, ny bureautique sy ny maro hafa. Nirina R. Cet article FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona a été récupéré chez Délire Madagascar.

Ambatondrazaka: lehihaly hita faty, tsy nisy loha sy tanana
24/10/2020

Nampivarahontsana ny mponina ao amin’ny fokontany Ambalakininina-Am­bato­so­rata, Ambatondrazaka, ny tranga niseho, omaly maraina. Lehilahy iray sahabo ho 47 taona hita faty tsy nisy intsony loha sy tanana ary tongotra. «Mipetra-drery io lehilahy io, matetika mamo koa izy. Tato ho ato, tsy hitan’ny mponina nandalolalo teny amin’ny manodidina izy, izao hita faty izao», hoy ny fanazavan’ny zandary. Efa namoaka fofona ny vatany. Mety nosaritahin’ ny alika ny razana, antony tsy nahitana intsony ny lohany sy tanany ary ny tongony, raha ny fanazavana voaray.Noha­ma­fisiny tamin’izany fa somary mifanalavitra amin’ ireo trano eny amin’ny manodidina ny fonenan’ilay namoy ny ainy. Antony tsy nahitan’ ny olona azy tao anatin’ny fotoana vitsivitsy izay.Henintsoa HaniL’article Ambatondrazaka: lehihaly hita faty, tsy nisy loha sy tanana a été récupéré chez Newsmada.

Fidinana ifotony : hitokana zava-bita any Ambatondrazaka ny filoha Rajoelina
23/10/2020

   Hatevina ny fandaharam-potoan’ny filoha Rajoelina Andry amin’ny fidinana ifotony any Ambatondrazaka, anio. Hitokana zava-bita sy hijery ny fizotry ny asa amin’ireo fotodrafitrasa nampanantenainy ny tenany.Anisan’ny hotsidihiny ny fahavitan’ny fanamboarana ny lalana tara, 800 m miainga eo amin’ny seranam-piaramanidin’i Feramanga – Avaratra mivoaka ny lalam-pirenena RN44. Nametrahana andrin-jiro koa ny faritry ny seranam-piaramanidina sy ny lalana. Vita koa ny fananganana ny EPP manara-penitra ao Ambatondrazaka. Mahazaka mpianatra miisa 600 ary ahitana ny kilasy « préscolaire » hatramin’ny T5. Hisitraka toeram-pianarana « informatique » sy « cantine scolaire » ny mpianatra. Vaovao ny fitaovana toy ny dabilio, ny biraon’ny mpampianatra sy ny fitaovam-pampianarana.Ankoatra izany, efa mandroso sy an-dalam-pamaranana ihany koa ireo fotodrafitrasa sasany. Vita 80% ny fananganana ny kianja manara-penitra Rasolonjatvo ao Ambatondrazaka. Efa voapetraka ny « tapis synthétique ». Efa voatsangana ny «tribune » ary nampitomboina izany raha mitaha amin’ny teo aloha.Tosika fameno sy Vatsy tsinjo ary hazavanaMihoatra ny 60% koa ny fanatanterahana ny asa fananganana tetezana « pont Kafe » miaraka amin’ny fanaovana ho tara ny lalana Ambatondrazaka mankany Ambandrika sy ny tetezana « Manaingazipo » miaraka amin’ny fanaovana ho tara ny lalana 25 km ao Vohidiala, Manakambahiny Andrefana. Hitokana izany koa miaraka amin’ny fahavitan’ny EPP manara-penitra ny filoha.Hahazo koa fitaovam-pianarana feno sy tsara kalitao EPP manara-penitra Asabotsy Ambatondrazaka.Manampy izany, hizara ny Tosika fameno amin’ny alalan’ny Paositra malagasy ho an’ny olona miisa 7000 isa koa ny filoha ho fitsinjovany ireo tokantrano ao an-toerana sahirana noho ny Covid-19. Eo koa ny Vatsy tsinjo sy ny hazavana ho an’ny rehetra, tolotra efa fanaon’ny filoha amin’ny fidinana ifotony tahaka izao.Synèse R.L’article Fidinana ifotony : hitokana zava-bita any Ambatondrazaka ny filoha Rajoelina a été récupéré chez Newsmada.

Tselatra
29/10/2020

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSP3 Antanimasanja Mahajanga ny lehilahy iray 30 taona monina ao Tsararano Ambony, ny alatsinainy teo. Voarohirohy ho nanao fisandohana sy fanalam-baraka ny mpitandro filaminana teo am-panaovana ny asany tamin’io fotoana io no antony nisamborana azy tao Manjarisoa. Mitohy ny fanadihadiana azy.Noraisim-potsiny teny Ampefiloha i Zily, jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana eny amin’iny faritra iny. Ny polisy avy ao amin’ny PPA1 Ampefiloha no nahasambotra azy, ny faran’ny herinandro teo. Maro ireo olona efa nitondra faisana tamin’i Zily. Jiolahy efa mpamerin-keloka i Zily.L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Ady ho an’ny fanjarian-tsakafo: handrakotra ny faritra 22 ny Vovonana Hina 
29/10/2020

 Hiitatra amin’ny faritra 22 ny rantsan’ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misehatra ho an’ny fanjarian-tsakafo (Hina), manomboka amin’ny volana novambra ka hametraka ny mpikambana ao amin’ny faritra Sofia sy Betsiboka ny mpitantana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Vovonan’ny Hetsika iraisana natokana iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo (Hina), Razafimandimby Andriamandranto, omaly, teny Ambolokandrina. Miatrika fivoriambe mandritra ny hateloana eto Antananarivo ny mpiandraikitra ny masoivohon’ny Hina amin’ny faritra 20 efa ahitana mpikambana. Hamaritra ny laminasa ho an’ny dimy taona ho avy ny mpivory 80 nisolotena ny faritra ary hanombana ny asa vita rehetra. Manana ny toerany ny Vovonana amin’ny vokatra azo teo amin’ny fampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ho 42%, araka ny fanadihadiana MICS raha niainga tamin’ny taha 47,3%, ny taona 2012 (EDS). Mandray anjara hatrany amin’ny fandrafetana ny politika samihafa iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny mpikambana miainga eny ifotony ka mipaka amin’ny governemanta. Zava-dehibe koa ny sisin-kevitra hampiakarana ny vola hatokana ho an’ny fanjarian-tsakafo hampahomby ny asa, hoy ny filoha lefitry ny Hina, Faniry Hantarinivo.Ireo mpikambana rehetra isam-paritra no handrafitra ny asa ho an’ny dimy taona manaraka. Tsinjo sahady fa tsy maintsy hamafisina ny fanentanana sy ny fampianarana ny isan-tokantrano hanovaova ny sakafo amin’ny vokatra misy eo an-toerana. Nampisongadina ny Vovonana tao anatin’ny dimy taona vita ny fampianarana ny maha zava-dehibe ny 1000 andro eo amin’ny zaza, manomboka vao mitsaika ao am-bohoka ka hatramin’ny  faharoa taonany.Vonjy A.L’article Ady ho an’ny fanjarian-tsakafo: handrakotra ny faritra 22 ny Vovonana Hina  a été récupéré chez Newsmada.

Tetikasa Ambatovy: natolotra ny Malagasy ireo sisam-bakoka
23/10/2020

Natolotry ny orinasa Tetikasa Ambatovy ny mozea vaovao Vavitiana any Ampasimazava Toamasina ny sisam-bakoka maherin’ny 1 800, ny 22 oktobra teo. Hitany tany amin’ny toeram-pitrandrahana Ambatovy Moramanga ireo vakoka ireo, asa tanimanga tany an-toerana, toy ny vilany, ny sinibe tany, ny tavoara, ny lovia jobo, ny tavy tanimanga, sns, ary koa ny vakim-pitaratra. Araka ny daty tombana nomen’ny manampahaizana manokana momba ny arkeolojia avy ao amin’ny oniversite Antananarivo, teo anelanelan’ny taonjato faha-18 hatramin’ny faha-20 ny fotoana nisian’ireo vakoka ireo. Natolotra niraka amin’ireo koa ny boky firaiketana roa sy ny sarintany efatra mirakitra ireo asa fikarohana arkeolojika nataon’Ambatovy. Nandray izany ny tompon’andraikitra maro ao amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.Tafiditra ao anatin’ny laminasan’Ambatovy ny fitandroana ny arkeolojia, ny rakitry ny ela, ity hetsika ity, araka ny toky nomeny voarakitra anaty bokin’andraikitra amin’ny fitandroana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana sosialy ao anatin’ny fandaharanasa manokana PGES sy ny PGEDS.Tsiahivina fa efa nandray anjara tamin’ny fametrahana ny Foibe fikajiana ny vako-pirenena (Centre d’interprétation du patrimoine) any Toamasina ny orinasa Ambatovy, ny taona 2014. Natao izany hiarovana sy hampirantiana ho an’ny daholobe ireo zavatra nilevina arkeolojika hita tany amin’ny faritra iasan’Ambatovy eo anelanelan’i Moramanga sy i Toamasina.Njaka A.L’article Tetikasa Ambatovy: natolotra ny Malagasy ireo sisam-bakoka a été récupéré chez Newsmada.

Randrianasoloniaiko Siteny: “Tsy maintsy misy ny JO 2021”
23/10/2020

Naneho ny heviny sy ny fomba fijeriny ny fanomanana ny lalao olympika, amin’ny taona 2021, ny filohan’ny komity olympika malagasy, Randrianasoloniaiko Siteny, nandritra ny fivoriamben’ny federasiona malagasy ny judo, ny herinandro lasa teo. Na dia sarotra aza, hoy izy, ny fanomanan-tena vokatry ny fihanaky ny valanaretina Coronavirus ,nohamafisiny fa tsy maintsy hisy ny lalao olympika (JO) amin’ny taona 2021 ary efa miomana mafy avokoa  ireo atleta any amin’ny firenena sasany mandray anjara. Mila manomana toy izany ihany koa isika eto Madagasikara satria inoana fa hiakatra ny lentan’ny fifaninanana noho ny fitomboan’ny fotoana nahafahafana nanao fanazaran-tena. Tsy fotoana fipetrapetrahana intsony, araka izany, izao. Ho an’ny taranja judo manokana, efa manomboka ny fanazaran-tena ary hampitombo ny traikefan’ny mpikatroka sy hanomanana ny lalao olympika, ny fandraisan’i Madagasikara ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika (cadets, junior, senior, kara), ny novambra sy desambra izao. Manomboka amin’ny “Tournoi de Madagasikara” ny volana Avrily kosa ny hanisana ny atleta tsirairay ka hisafidianana izay ho solontenan’ny taranja judo. Mi.Raz L’article Randrianasoloniaiko Siteny: “Tsy maintsy misy ny JO 2021” a été récupéré chez Newsmada.

RN 32 mihazo an’i Mandritsara: voasambotry ny zandary ireo jiolahy mpangalatra bizo
27/10/2020

 Noraisim-potsiny! Tratra ireo jiolahy roa mpangalatra bizo mipetaka amin’ny lalam-pirenena 32 mihazo an’i Mandritsara. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary ny alin’ny 10 oktobra misasakalina no nahasamborana ireto jiolahy ireto teny amin’ny RN 32 PK 145+200. Taorian’ny fanentanana nataon’ny zandary manamoroana iny lalam-pirenena iny no nanaitra ny andrimasom-pokonolona ao Antanankely, fokontany Andampihelo, ka nahafahana nisambotra ireto jiolahy ireto. Nandositra avy hatrany ry zalahy raha vantany vao nahatazana ireo fokonolona. Tavela kosa ny bizo miisa dimy niaraka amin’ny sarety saika hitondrana azy ireo. Tratra ny roa amin’ireo olon-dratsy taorian’ny fikarohana nataon’ny zandary avy ao amin’ny “poste fixe” Besakana sy ny polisy misahana ny fandikan-dalàna. Niaiky ny heloka vitany izy roa lahy taorian’ny famotorana nataon’ny zandary ka nanambaran’izy ireo tamin’izany ny namany roa mpiray tsikombakomba amin’izao asa ratsy izao. Nanamafy ny zandary fa efa maro ny fanentanana natao mikasika ny famongorana ity raharaha halatra bizo amin’ny lalam-pirenena any avaratra ity fa mbola misy ihany ireo minia mandika izany ka tsy maintsy ampiharina ny sazy ho an’ireo manapotika fotodrafitrasa sy fananana iombonana toy izao.Jean ClaudeL’article RN 32 mihazo an’i Mandritsara: voasambotry ny zandary ireo jiolahy mpangalatra bizo a été récupéré chez Newsmada.