Fanadinana CAP sy CFA: nidina teny Ampefiloha ny minisitra Tsikeliankina Ernest

News - Fanadinana CAP sy CFA: nidina teny Ampefiloha ny minisitra Tsikeliankina Ernest

News - Fanadinana CAP sy CFA: nidina teny Ampefiloha ny minisitra Tsikeliankina Ernest

Natomboka omaly ary
haharitra telo andro ny fanadinana teknika hahazoana ny CAP sy ny
CFA. Nijery ifotony ny fanombohana izany ny minisitry ny
Fampianarana teknika. Nilamina ny andro
voalohany.

Nidina ifotony nijery ireo mpanala
fanadinana teknika hahazoana ny Certificat d’aptitude
professionnelle (CAP) sy ny Certificat de fin d’apprentissage (CFA)
etsy amin’ny lycée Teknika Ampefiloha, omaly, ny minisitry ny
Fampianarana teknika sy ny fanofanana momba ny asa, i Tsikeliankina
Ernest.

Nampahery ireo mpanala fanadinana
ny tenany ary nanome toky fa efa narindra araka ny
fandaharam-pianarana vita ny lazaadina atrehin’ny mpianatra.
Hentitra amin’ny fampanarahana ny fepetra ara-pahasalamana ihany
koa ny minisitra.

Mahatratra 1 559 ireo mpiadina
manerana ny Nosy, 1 283 ireo mpiadina ny CAP ary 276 kosa ireo
miatrika ny CFA. Mitsinjara amin’ny efitranom-panadinana miisa 49
ireo mpiadina ireo. Telo andro ny hiatrehana ny fanadinana ary efa
matipaika ny fandaminana rehetra eny amin’ny ivontoeram-panadinana
rehetra.

Mitovy avokoa ny lazaadina,
arakaraka ny sokajin’asa nosafidina ho an’ireo mpiadina rehetra
manerana ny Nosy, raha ny fanamarihan’ny minisitra.

Raha ny andro voalohany, nilamina
tamin’ny ankapobeny ny fizotran’ny fanadinana. Nahafa-po ny
mpiadina ny lazaadina ary tsy nisy nanano sarotra na nampatahotra
aza ny fahatapahan’ny fianarana nandritra ny fotoana maro vokatry
ny fihibohana lavareny.

Marihina fa hitohy ny 21 ka
hatramin’ny 24 septambra ny fanadinana teknika hahazoana ny Brevet
d’etude professionnel (BEP). Ny 19 ka hatramin’ny 25 oktobra ny
fanadinana bakalorea teknika. Ny 1 sy ny 2 oktobra izao kosa no
hanatanterahana ny fifaninanana hidirana ho taona voalohany amin’ny
lisea teknika.

Mihatra hatrany ny fanajana ny
fepetra ara-pahasalamana ho an’ireo lisea hanohy ny famerenana any
an-dakilasy mandra-pahatonga ny datim-panadinana.

Tatiana A

Article tiré de Newsmada

L’article Fanadinana CAP sy CFA: nidina teny Ampefiloha ny minisitra Tsikeliankina Ernest a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fitrandrahana ny atialan’Ankarafantsika: mila paikady hentitra ny fifehezana ny mpifindra monina mamboly       

 Misy olona manafatra mpiavy  ivelan’ny faritra Boeny hamboly ao anatin’ny atialan’Ankarafantsika izay midadasika amin’ny velarana 136 513 ha. Efa misy fandraisana andraikitra nataon’ny fitondrana, nanomboka ny taona 2018. Nahatratra 23 ireo olona notanana am-ponja vonjimaika nanomboka ny fiandohan’ny taona teo.   Ny taona 2017 no nisy fanairana momba ny fahapotehan’ny ala ao anatin’ny valanjavaboary Ankarafantsika (RN4). Nijery ny zava-misy teny ifotony ny tompon’andraikitra ary nametraka lamina hiarovana ny valanjavaboary sy hifehezana ny mpiavy mitrandraka ny atiala. Voalaza fa olona avy amin’ny faritra hafa ivelan’ny faritra Boeny no manimba ny ala sy mamboly anatin’ny faritra arovana, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny faritra Boeny, Bazezy Vanombe Clavelah Roslan. Roa taona taty aoriana, tsapa fa tsy voafehy ny fifehezana ny fanimbana ala. Nandeha nizaha ifotony indray ny solontenam-panjakana ka nisongadina fa misy ny fatana fanaovana arina sy lasa faritra fambolena katsaka. Nanapa-kevitra niaraka amin’ny prefet eto Mahajanga izy ireo fa horavana avokoa ny tranokely ao anaty rebareba manodidina ny valanjavaboary. Nojerena  ihany koa ny lalana hidirana ao anatin’ny valanjavaboary ary nametrahana toerana fanaraha-maso miaraka amin’ny zandary hitsirihana ireo mpiavy manimba ny atiala. Efa vonona ny mpamatsy vola momba izay, araka ny fanazavany ihany, tamin’ny herinandro lasa teo, tao Mahajanga. Fantatra fa avy any Toliara ny ankamaroan’ny mpiavy mamboly sy manao arina fandrehitra. Nivondrona ao anatin’ny fikambanana iray ny mponina ao Anjijia mivelona manodidina ny vala ka nanentana ny mpiray fiaviana tsy hitrandraka ny atiala. Izy ireo rahateo no mpanelanelana ny mpitrandraka sy ny fitondram-panjakana.Nanamafy ny lehiben’ny faritra fa afaka mivezivezy malalaka ny olona ato anatin’ny faritra ka sarotra ny hanakana ny fiavian’ny mpitady velon-tena eto Madagasikara fa mila fehezina kosa ny fitrandrahan’izy ireo ny aty ala izay fandikan-dalàna faizin’ny lalàna mihatra eto amintsika. Misy ny fitsarana manokana mikarakara ny fanimbana ala.Tokony hisoratra anarana amin’ny fokontany Sarotra ny mitantana ireo olona mpifindra monina mitrandraka ny atiala ao Ankarafantsika satria tokony hisoratra amin’ny secteur sy fokontany avokoa ny mponina anamorana ny fanaraha-maso, hoy ny prefet ao Mahajanga, Ravelomahay Lahiniaina Fitiavana. Vahaolana mahomby indrindra ny hisoratan’izy ireo anarana amin’ny fokontany efa nisy fa tsy azo atao ny hametraka tanàna na fokontany vaovao ao anatin’ny faritry ny ala arovana.L’article Fitrandrahana ny atialan’Ankarafantsika: mila paikady hentitra ny fifehezana ny mpifindra monina mamboly        a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Mampivandravandra

Tsy mety vita ny filma! Mahazo vahana hatrany ny asan-jiolahy eto amin’ity firenena ity. Ny fanjakana ve no ela fidona sa ireo olon-dratsy mihitsy no diso malalaka sy tsara mpiaro, ka manjakazaka amin’ny fampihorohoroana ny vahoaka e? Tato ho ato isaky ny misy trangana asan-jiolahy, tsy maintsy misy hatrany ny mpitandro filaminana voatonontonona. Tsy mifidy io na polisy, na zandary, na miaramila. Misy amin’izy ireo no mampindrana na mpampanofa basy na fiara na fitaovana hafa hanaovana ilay asa ratsy, misy ihany koa no tena atidoha mikotrika tsotra izao. Tsy resabe aloha aloha fa tena mandray andraikitra amin’ny fanagadrana azy ireny ny fanjakana saingy raha izao no mitohy, azo antoka fa ry zalahy ireo indray no hameno ny fonja atsy ho atsy. Miditra ny iray androany, dia mipoitra indray ny hafa rahampitso. Dia toy izany hatrany no iainana eto amin’ity firenena ity. Aiza no tsy mandry andriran’antsy lava ny vahoaka? Misy ny tolo-kevitra nataon’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena,amin’ny fanaparitahana miaramila manerana ireo distrika eto Madagasikara, mba hampandry fehizay ny tany hiadanan’ny valalabemandry. Tsy ratsy tsy akory izany saingy ny manahirana, dia hiaraha-mahalala ihany ny toetran’ireny mpitandro filaminana ireny, indrindra any ambanivohitra any. Mbola maro amin’izy ireny no tsy mahalala akory izay andraikitra tokony horaisiny, ka lasa manampatra fahefana sy mamonomono olona amin’ny tsy rariny. Indraindray aza toa ry zalahy ireo mihitsy no manjary mpanjaka kely, ka mamoritra ireo mpiray tanindrazana aminy. Fehiny, mila mailo hatrany ny mpitondra fanjakana sy ny olom- pirenena. Ekena fa ny omby indray mandry tsy indray mifoha saingy raha ny zava-misy amin’izao fotoana, ireo mpitandro filaminana natao hanirina indray no vao mainka toa mampivandravandra! L’article Mampivandravandra est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Tsy fahatomombanana tany am-bohoka :: Namoy ny ainy nifanelanelana ora vitsy ireo kambana niraiki-kibo

Samy tsy azo ireto zaza roa lahy kambana teraka tany amin’ny kaominina Ambatolahy, distrikan’Antanifotsy, afak’omaly. Niraikitra teo amin’ny kibony ny vatan’izy ireo. Nindaosin’ny fahafatesana voalohany ny iray. Namoy ny ainy, omaly maraina, ihany koa ilay faharoa. Voalaza fa salama tsara ny renin’ireo zaza ireo. Efa nentina nody any an-tanindrazana ny vatana mangatsiakan’ireo zaza menavava. Avy any amina tanàna iray, fito kilaometratra miala ny kaominina Ambatolahy ny fianakaviana kely iray nitondra vehivavy, manodidina ny roapolo taona, hiteraka tao amina mpampivelona. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina, ny alatsinainy lasa teo, no teraka ny zaza roa, izay kambana fa tsy tafasaraka efa hatrany am-bohoka. Fahasamponana « Toa efa maty hatrany am-bohoka ny zaza iray. Tafavoaka ihany izy ireo saingy sampona. Miraikitra ny vatany, roa ny lohany, telo ny tongotr’izy ireo ary efatra fa tsy dimy ny rantsan’ny zaza iray. Tsy nisy lava-pitombenana sy taovam-pananahana ihany koa ireo zaza ireo. Maty ny iray fa hitanay mbola velona teo ilay faharoa », araka ny fitantaran-dRakotoniaina Fitahiana Riambatosoa, lehilahy mipetraka eo amin’ny tanàna nahaterahan’ireto zaza kambana. Hatairana sy alahelo tanteraka ny an’ireo fianakaviana tamin’ny fahitana an’ireto zaza sampona, indrindra ny fahafatesan’ny iray tamin’izy ireo. Naheno an’ity tranga ity ny Ben’ny tanànan’Ambatolahy. Nahazoana fanampimpanazavana izy tamin’ny antso an-tariby nifanaovana taminy, omaly. « Nisy mpitsabo nanampy an’ilay mpampivelona nampiteraka an’ireo zaza ireo. Hita efa tsy misy fanantenana intsony ny hahaveloman’ny zaza iray, rehefa maty ilay kambana niraikitra taminy. Izy rahateo tsy nisy lava-pitombenana. Nindaosin’ny fahafatesana ihany koa izy, ny maraina teo (Ndrl: omaly maraina) », hoy Razafimahatratra Veloson, Ben’ny tanànan’Ambatolahy. Fahasamponana mitovy amin’ny fahasamponana rehetra ny zaza kambana miraikitra tahaka ity tany Antanifotsy ity, araka ny nambaran’ny mpitsabo mpandidy iray. « Tokony hoentina mamonjy hopitaly haingana ary tsy maintsy hoesorina raha maty ny iray amin’ireo zaza miraikitra. Mbola mifandray mantsy izy ireny ka atahorana mafy amin’ny tsy hahavotra ny faharoa ihany koa », hoy Dr Raherison Aristide Romain, mpitsabo mpandidy sady lehiben’ny sampana misahana ny fandidiana zaza etsy amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona. L’article Tsy fahatomombanana tany am-bohoka :: Namoy ny ainy nifanelanelana ora vitsy ireo kambana niraiki-kibo est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Coliseum Antsonjombe: nampiray fo ireo “Kintan’i Gasikara”

Jaojoby, Bakomanga, Haga, Tsiliva, Samoëla, Simonda, Simon Randria, Pros’Hely, Rossy, sns. Anisan’ireo “Kintan’i Gasikara nanafana ny fampisehoana goavana, izay notontosaina omaly, tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ireo. Fampisehoana izay nampiray fo ny rehetra, na ny teny an-tsehatra na ireo izay nanatrika sy nijery, satria tafiditra anatin’ny hetsika fanomanana ny fitsidihan’ny papa François eto Madagasikara izany. Tonga manokana namonjy ny fotoana ny Mgr Razanakolona Odon, evekan’Antananarivo sy ny Mgr Paolo Rocco Gualtieri, Nonce Apostolique monina sy miasa eto Madagasikara. Nitondra ny hafatry ny papa ho an’ny vahoaka malagasy ito farany, mialoha ny hahatongavany eto. Ankoatra ny “Dia ilay fitia” nataon’i Haga sy i Rossy, anisan’ny nampiray fo sy fanahy koa ny hira faneva, izay niarahan’ireo mpanakanto maro. Namerina ny hira katolika mihetsika vitsivitsy ihany koa ny tarika Rossy, izay fotoana anisan’ny nafana indrindra tamin’iny fotoana iny. Mbola hisy ny hetsika hafa, tafiditra hatrany anatin’ny fanomanana ny fotoan-dehibe hahatongavan’ny Ray Masina eto Madagasikara.Zo ny AinaL’article Coliseum Antsonjombe: nampiray fo ireo “Kintan’i Gasikara” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Konferansa momba ny soratra: ho maroloha ny lohahevitra

Tafiditra amin’ny andiany fahatelo ilay hetsika lehibe « Konferansa momba ny soratra ». Ho maroloha ny lohahevitra hovelabelarina satria hahatratra 6 ireo handaha-teny amin’izany. Tsy mbola fantatra izy ireo fa antso no ataon’ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (mpikarakara ny hetsika). Izay te hitondra velakevitra amin’ity andiany fahatelo ity, tokony handefa ny lohahevitra sy ny lahatsoratra mirakitra ny famelaberaran-kevitra hataony mandritra ny konferansa. Ry zareo mpikarakara no hifantina izany avy eo. Raha ny vina napetraka, ny 16 novambra izao no hanatanterahana ny « Konferansa momba ny teny 2019 » ao amin’ny Haitsiron’Iarivo eny Alarobia. Fotoana tsara ho fantatra– Farany fandefasana ny famintinana: 17 aogositra 2019– Farany fandefasana ny lahatsoratra feno: 28 septambra.– Famoahana ny anaran’ireo voafantina: 6 oktobra.– Fandefasana ny fanamarihana sy fanitsiana ny lahatsoratra any amin’ireo mpamelabela-kevitra: 10 oktobra.– Daty farany fandefasana ny lahatsoratra voahitsy any amin’ny Koloiko sy hajaiko ny teniko: 14 Oktobra.– Fisoratana anarana hanatrika: 6 oktobra – 4 novambra.– Famoahana ny antsipirian’ny fandaharam-potoana mandritra ny konferansa: 5 Novambra.– Datin’ny konferansa: 16 NovambraHaRy Razafindrakoto L’article Konferansa momba ny soratra: ho maroloha ny lohahevitra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fametrahana ny demokrasia: miantso fihaonana amin’ny mpitondra Ravalo

Nitatitra ny diany tany Bruxelles sy Allemangne ny  filoha  teo aloha, Ravalomanana,  tetsy Bel’Air.  Nivoitra tamin’izany ny fifampiresahany amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.  Fa eo koa ny raharaha anatin’ny firenena.  mombana lafin-javatra maro na ara-politika na ara-pampandrosoana. Nambarany  fa  vonona ny  sehatra iraisam-pirenena hanampy sy hanohana an’i Madagasikara, saingy nametraka fepetra. « Tsy maintsy hapetraka aloha ny tena demokrasia sy ny fifampitokisana, indrindra ny fitoniana politika. Ilaina  ny mifampiresaka amin’ny filoha am-perinasa Rajoelina Andry. Miandry izany ny sehatra iraisam-pirenena”, hoy  izy. Nanteriny fa efa nangataka fihaonana amin’ny mpitondra ny filoha teo aloha ary efa nisy ny fanelanelanana nataon’ny masoivoho vahiny iray  tao anatin’izany. Fantatra tamin’izany fa tsy manana olana amin’ny fitsanganan’ny mpanohitra ny fanjakana, saingy tsy azoazon’izy  ireo  kosa ny hitarihan-dRavalomanana izany, araka  ny  tatitra  ihany.  Manoloana izany, velon’ahiahy ny eo anivon’ ny Tim.  Efa nankatoavina ny  lalàna momba ny  satan’ny mpanohitra fa didy fampiharana sisa andrasana. “Hitadiavana hevitra hamboamboarina  indray  izany izao ka taitra hatramin’ny iraisam-pirenena. Tsy azo ihodivirana ny maha mpitarika ny mpanohitra ny Tim. Anisan’ny fepetran’ny mpamatsy vola sady mason-tsivana ahafahantsika mahazo vola  ny tany  tan-dalàna sy ny demokrasia. Hikatsaka  ny mahasoa  ny firenena isika fa tsy  resaka toerana”,  hoy ihany izy.Synèse R.  L’article Fametrahana ny demokrasia: miantso fihaonana amin’ny mpitondra Ravalo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Chan 2020»: hidona amin’i Namibia ny Barea

Fantatra izao fa i Namibia no hidona amin’ny Barean’i Madagasikara, eo amin’ny fihodinana fahatelo, hiadiana ny toerana hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2020». Araka ny daty, hotanterahina eto Madagasikara ny lalao mandroso, ny 22 septambra ho avy izao, ary any Windhoek kosa ny fihaonana miverina, ny 12 oktobra 2019. Hiatrika ny dingana famaranana, hatao any Kameronina ny taona 2020, izay tafavoaka amin’ny roa tonta.Ankoatra izay, tafaverina omaly alatsinainy, eto an-tanindrazana, ny Barean’i Madagasikara ka nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Rasoamaromaka Hery. Nentiny niara-nisakafo taminy ny Barea, ary notolorany 6 tapitrisa Ar ireo mpilalao ho fankasitrahana ny zava-bitany sy ny nahatafakatra azy ireo. Nomeny 1 tapitrisa Ar kosa ilay mpitsara malagasy nitantana ny lalao tany Lesotho. Nisaotra an’i Hery Be ny solontenan’ireo mpilalao noho izao fihetsika nataony izao. TorcelinL’article Kitra – «Chan 2020»: hidona amin’i Namibia ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

1/RM1 – Analakely: nahazo fitaovana manokana

Ho fanatsarana ny ezaka atao amin’ny tsy fandriampahalemana, nanolotra fanamiana “gilet” mazava alina fanaovana rehefa manao fisafoana ireo miaramila isaky ny vondrona misy ao amin’ny kaomandin’ny faritany Miaramila Voalohany (1/RM1), ny Jly Rabenaivoarivelo Jean Claude. Akanjo mazava alina miisa 100 no nozaraina tamin’ireo Rezimanta 10 eo anivon’ny Faritany Miaramila Voalohany Analamanga tao amin’ny 1/RM1 Analakely, omaly. Nahazo akanjo miisa 10 avy isaky ny vondrona misy hoentin’izy ireo manao fisafoana ireo faritra mena eto an-drenivohitra. Ny fahatsapana ny lesoka hita sy mba hahazoana vokatra tsara no nahatonga ny kaomandin’ny 1/RM1 nandray an-tanana manokana izao fanampiana izao. Nilaza kosa ny lehiben’ny Etamazaoro Jeneraly ny Tafika Malagasy (Cemgam), ny Jly Rakotonirina Théophile fa misikim-ponitra ny fanjakana amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ary ny nahazatra hatramin’izay ny hoe tsy mandray anjara amin’ny asa fitandroana fahalemana an-drenivohitra ny miaramila. Ankehitriny kosa, manampy ireo mpitandro filaminana rahalahiny ny Tafika ary tsy misalovana ny andraikitry ny hafa. Nisy koa ny fanolorana ny “logiciel centre opérationnel” sy radio handrindrana manokana ny asan’ireo mpanao fisafoana sy hijerena ny fandriampahalemana manerana an’Antananarivo amin’ny alalan’ny “caméra de surveillance”.Jean ClaudeL’article 1/RM1 – Analakely: nahazo fitaovana manokana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Seg: mitsinjo ireo zandary tratry ny tsy fahasalamana

Ny zandary (GST) Rakotoarison Mamisoa Christian miasa ao amin’ny borigadin’Ampasinambo Mananjary no nakarina haingana aty an-dRenivohitra noho ny tsy fahasalamany. Nigadona tao Betongolo, omaly maraina, ny helikoptera manokana nitondra azy izay mila fitsaboana faran’izay haingana noho ny tsy fahasalamana mahazo azy. Efa nahazo fitsaboana eny amin’ny Hopitaly miaramila eny Soavinandriana (Homi) izy amin’izao fotoana izao. Ny herinandro lasa teo izy no tratran’ny tsy fahasalamana ary efa notsaboina tao amin’ny CSB II Ampasinambo. Noho ny fihomboan’ny aretina nahazo azy sy ny fahalaviran’ny lalana mbola hitondrana azy mihazo an’i Mananjary ny antony nahatonga ny lehibeny nangataka ny hanaovana vonjiaina azy aty amin’ny Homi. Tonga nitsena azy teny Betongolo ireto tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny kabinetran’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), nisolo tena ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Seg. Nambarany fa tohin’ny ezaka efa natao izao fihetsika ataon’ny zandarimaria izao, araka ny voalazan’ny Seg momba ny fitsinjovana manokana ny zandary tratran’ny tsy fahasalamana toy izao.J.CL’article Seg: mitsinjo ireo zandary tratry ny tsy fahasalamana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Anjozorobe: kamiaobe nitondra vary nivadika, olona efatra indray maty

Olona efatra indray maty! Io ny vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Andranomisa Anjozorobe, afakomaly. Kamiaobe iray nitondra vary milanja vary 8 taonina no nivadika noho ny olana teknika, araka ny fanazavana voaray.Hiakatra aty an-dRenivohitra ity kamiaobe nitondra vary ity kanjo izao tra-doza tampoka izao. Olona telo naratra mafy ankoatra ireo maty ka nentina haingana namonjy hopitaly.Fa nisy olona telo koa namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia teny amin’ny RN 2 tao amin’ny kaominina Beforona, distrikan’i Moramanga, afakomaly alina. Fiara taksiborosy mampitohy an’Antananarivo sy i Fenoarivo Atsinanana ny tra-doza tampoka. Avy aty Antananarivo hihazo an’i Fenoarivo Atsinanana ity fiara ity. Raha ny angom-baovao, niala fiarabe teo alohany ny mpamily ka tsy tafaverina intsony ny familiana ary nivarina tany anaty hantsana ny fiara. Vokany, maty tsy tra-drano ny olona telo tamin’ireo mpandeha. Nalefa avy hatrany tany amin’ny hopitalin’i Moramanga kosa ireo naratra. Anisan’ny mampitaraina ireo mpitatitra mampiasa iny RN 2 ny fisian’ireo kamiaobe mandeha mafy amin’iny lalana iny nefa tery ny lalana. Milaza ny mpamilin’ireny kamiaobe ireny fa noho ny henjikenjika amin’ny famoahan’entana eny amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny mahatonga azy ireo mandeha mafy satria misy ora tsy maintsy enjehina. Nambaran’ny mpamily iray mpanao zotra nasionaly mampitohy an’Antananarivo sy i Toamasina fa antony iray miteraka lozam-pifamoivoizana eny amin’ny RN 2 koa ny fahasimban’ny lalana, indrindra ny fisian’ireo lavadavaka ilàna fanamboarana.Jean Claude sy SajoL’article Anjozorobe: kamiaobe nitondra vary nivadika, olona efatra indray maty a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Fifindran’ny valanaretina: olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny Covid-19
23/09/2020

Mbola mampanahy ary mety ho tonga amin’ny tampody fohin’ny Coronavirus. Nambaran’ny eo anivon’ny CCO, omaly, fa misy olona enina vao tonga avy amin’ny sidina avy any Eoropa, mitondra ny tsimokaretina Covid-19.“Misy olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny tsimokaretina… Tsy maintsy atao fitiliana ireo mpandeha iray fiaramanidina vao tonga. Miaraka atoka-monina avokoa izy ireo avy eo ary efa tafiditra anatin’ny paikadin’ny fanjakana izany. Mitohy ny fanaraha-maso sy ny fitsaboana azy ireo, tahaka ny efa natao amin’ireo nitondra ny Coronavirus hatramin’izay ihany”, hoy ny mpitondra tenin’ny CCO, ny Pr Vololontiana Hanta, omaly. Midika izany fa tsy voahaja ny fepetra tany amin’ny firenena niaingana, ny amin’ny tsy maintsy hanaovana fitiliana 48 ora, mialoha ny hahatongavana eto Madagasikara.Miisa 25 ny tranga vaovao any DianaHampanahy koa ny hisokafan’ny sidina Nosy Be sy ny any ivelany, ny 1 oktobra izao, sy ny hanokafana ireo serana-piaramanidina vitsivitsy eto amintsika amin’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ny 29 oktobra izao.Etsy andaniny, niakatra tampoka indray ny antontanisa navoakan’ny CCO, omaly. Miisa 63 ireo tranga vaovao amin’ny fitiliana natao miisa 598. Enina amin’izany ny avy eto Analamanga. Miisa 13 ny any Alaotra Mangoro raha telo ny any Vatovavy Fitovinany. Iray kosa ny any Boeny raha sivy ny any Diana ary miisa 25, anisan’ny maro indrindra, ireo nifindran’ny valanaretina any Sava.Mamahatra any avaratry ny Nosy ny Covid-19Mbola mamahatra any avaratry ny Nosy izany ny Coronavirus hatramin’izao. Niampy iray indray kosa ny maty ka tafakatra 226 izany izao ireo lavon’ny Covid-19 hatramin’izao. Tsy niova fa mbola miisa 20 ireo anaty fahasarotana amin’izao fotoana izao.Na izany aza anefa, miisa 61 ireo sitrana. Tafakatra 14 743 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo 16 136 mitondra ny tsimikaretina Covid-19. Miisa 1 165 ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny fahasalamany.Miisa 68 375 ireo fitiliana PCR vita raha miisa 7 221 ny fitiliana GenExpert.Synèse R.L’article Fifindran’ny valanaretina: olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza
23/09/2020

Mangidy sady mafy raha mbola fahoriana no nandalovan’ity ankizilahy iray, roa taona lasa izay (ny alin’ny 26 aogositra hifoha 27 aogositra 2018), raha izy vao 8 taona monja. Tao anatin’ny indray mipi-maso no nandripahan’ny tsy mataho-tody an’ireo nahitany masoandro sy ny zandriny vavy, efataona. Mickael Rakotorahalahy irery, izay mandia ny faha-10 taonany ankehitriny, no sisa velona tamin’ ity fianakaviana ity, taorian’ ny herisetra tsy manampaharoa nihatra tamin’ny fianakaviany, tany Mamoladahy, Imerintsiatosika. Nitondra vohoka dimy volana aza ilay reniny, tamin’ny fotoana nisehoan’ny voina. Zary fanoitra hoentin’ i Micka miatrika sy ho tafita amin’ny fiainana ny zava-niseho. Isan’ireo ankizy mendrika any am-pianarana sy any am-piangonana izy, ary vao nahomby tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE farany teo. Manohy ny fianarany any Sandrandahy, Fandriana, izay tanàna misy ny raibeny sy ny renibeny ny zazalahy. Nanolo-tena hitaiza azy ireo ray amandrenibe ireo. Ny ho tonga mpitsara na mpanamory fiaramanidina no nofinofy goavana manosika an’ i Micka amin’ny filofosany any an-tsekoly isan’andro. Avotry ny fialan-tsasatra Tahaka ny efa lahatra manokana ny an-dRakotorahalahy Mickael, satria niala sasatra tany Sandrandahy Fandriana no nahatonga azy tsy ho isan’ny lasibatr’ireo namono ny ray aman-dreniny sy ny zandriny. Ny raibeny sy ny renibeny, avy amin’ ny dadany, ireto mitaiza azy. Tsy mba manana taranaka intsony iretsy olon-dehibe, ka isan’ny antony nakan’ izy ireo an’i Micka ho toy ny solon-janany. Roa taona talohan’ny nahafatesan’ireo mpianakavy kely no efa nindaosin’ny fahafatesana ihany koa ny zandrin’i Nantenaina Rakotorahalahy, rain’i Micka. Izy mirahalahy irery no mpiray tampo. Mazoto amin’ny fianarana i Micka. Fony izy kilasy fahavalo no efa nitazona ny laharana voalohany hatrany tany an-tsekoly. Mianatra amina sekoly tsy miankina izy, ankehitriny, sady tezaina ihany koa amin’ny finoana kristianina, araka ny fitantaran’i Olga Razanabary, renim-pianakaviana nanangana an’i Malalatiana Juliana, renin’i Micka. « Zaza tena mahay izy ary mikendry ny ho lasa ambony eo amin’ny fiainana hatrany, na any an-tsekoly hatrany am-piangonana », hoy iry reniben’i Mickael avy amin’ny reniny. Nampahafantarin’ itsy farany fa « mpitarika tanora kristianina sady mpamoron-kira ho an’ny antoko mpihira ny raibeny sy ny renibeny. Nisy fotoana nandehanan’izy ireo teto Fianarantsoa niaraka tamin’io antoko mpihira io, ka nipetraka tato amiko i Mickael ». « Tsapako fa ny fahoriana nidona taminy no isan’ny nanosika azy vao mainka hihoitra eo amin’ny fiainana », hoy ihany izy. L’article Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza est apparu en premier sur AoRaha.

Hiatrika ny “Miss Monde”: hiady ho an’ireo zaza kambana any Mananjary i Nellie
23/09/2020

Nitodika manokana amin’ny hoavin’ireo zaza kambana avy any Manajary, fehezin’ny fomba ho tsy azo taizana miaraka, ny “Miss Madagasikara”. Vonona hanome tanana azy amin’izany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.Tsy hatsaran-tarehy sy bika ihany… Anisan’ireo hitsarana ireo tovovavy mifaninana amin’ny “Miss Monde” ihany koa ny fahaizana manohana hevitra, amina tranga iray mety hampisy sakana amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny. Hiatrika ny andiany faha-70 amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity i Anjaratiana Nellie, nisalotra ny anaram-boninahitra “Miss Madagasikara 2020”. Nisafidy ny hiady ho an’ny zon’ireo zaza kambana avy any Mananjary izy mandritra izany. “Hataoko amin’ny fo izay azoko atao momba ity ady ity. Tokony ho fantatr’izao tontolo izao ny zava-misy mahazo ireo zaza kambana any Mananjary, izay noho ny fomba amam-panao, tsy mahazo miara-monina. Fantatro fa sarotra izany, saingy te hitondra izay kely vitako amin’ny fanatsarana ny hoavin’ireo zaza ireo amin’ny fandraisako anjara amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity”, hoy ny nambaran’i Nellie, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nitsidika sy nihaona tamin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Andriatongarivo Lalatiana, mantsy ny “Miss Madagasikara”, omaly. “Mahafaly anay eto amin’ny minisitera ny miara-dalana amin’i Nellie sy manohana azy amin’izao dingana lehibe hatrehiny izao. Hitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara izy ka tena mila ny fanohanan’ny Malagasy rehetra”, hoy ny nambaran’ny minisitra. Raha tsiahivina, natao tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra ny dingana fifanintsanana tamin’ny fifaninanana, nisafidianana ny Miss Madagasikara tamin’ity taona ity. Ny 17 jolay kosa ny dingana famarana, tetsy amin’ny Arena Ivandry, ka nivoaka ho tompon’ny anaram-boninahitra i Nellie. “Raha ny tokony ho izy, tontosaina ny volana desambra isan-taona ny fifaninanana “Miss Monde”. Noho ny toe-draharaha iraisam-pirenena misy anefa, mbola tsy nanapaka daty ofisialy ny komity. Na izany aza, efa mivonona amin’ny fikarakarana rehetra izahay mba tsy hitsanga-menatra ny solontenantsika”, hoy ny nambaran’i Ginah Vidot, filohan’ny komitim-pirenena mikarakara ny “Miss Madagasikara”, na ny CNMM.Zo ny AinaL’article Hiatrika ny “Miss Monde”: hiady ho an’ireo zaza kambana any Mananjary i Nellie a été récupéré chez Newsmada.

227 ireo matin’ny valanaretina: niampy iray ireo lavon’ny covid-19
25/09/2020

Miisa 24 ireo tranga tamin’ny fitiliana miisa 284 natao. Avy eto Analamanga sy Alaotra Mangoro ny dimy amin’izany. Valo ny any Diana raha roa kosa ny any Menabe. Iray avy kosa ireo nifindran’ny valanaretina any Itasy, Anosy, Matsiatra Ambony ary Sava.Niampy iray ny matin’ny coronavirus ka avy any Matsiatra Ambony izy io. Tafakatra 227 izany izao ireo nodimandry noho ny covid-19 eto amintsika.Etsy an-daniny, nihena dimy ka miisa 15 ireo anaty fahasarotana. Na izany aza, miisa 45 ireo  sitrana ka avy any Menabe ny 10 amin’izany. Miisa 14 883 ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina, miisa 16 191. Mbola misy 1 129 ireo arahi-maso ny toe-pahasalamany.Miisa 68 787 ny fitambaran’ny fitiliana PCR vita raha 7 350 kosa ny fitiliana Genexpert.Synèse R.L’article 227 ireo matin’ny valanaretina: niampy iray ireo lavon’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Tenisy – Roland Garros: resin’ilay Sinoa, i Wang Xinyu i Tessah
25/09/2020

Tapitra hatreo ihany koa ny lalan’i Tessah, eo amin’ny fiadiana ny Roland Garros, taranja tenisy. Nihintsana izy rehefa lavon’ilay Sinoa, i Wang Xinyu, teo amin’ny fihodinana faharoa.Nifarana, omaly alakamisy, teo amin’ny fihodinana faharoa ny dian’Andrianjafitrimo Tessah, ilay mpilalao tenisy malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay, teo amin’ny fiadiana ny Roland Garros, tafiditra ao anatin’ny “Grand chelem”. Fihaonana, tanterahina any Frantsa.Resin’ilay teratany sinoa, i Wang Xinyu, tamin’ny seta 2 no ho 1 (6/4 ; 5/7 ; 6/1), i Tessah. Niady ny seta roa voalohany teo amin’ny fihaonan’izy mirahavavy, saingy tany amin’ny seta fahatelo no tsy nahatohitra intsony i Tessah. Lasan’i Wang ny seta voalohany ary tena nifanakaiky ny lalao satria niafara tamin’ny 6 no ho 4. Mbola nangotraka ihany koa ny seta faharoa izay azon’i Tessah ary 7 no ho 5 ny niafaran’ny lalao . Nihevitra ny rehetra fa mety tsy haharesy an’i Tessah i Wang teo amin’ny seta fahatelo, saingy ny nifanohitra tamin’izany no nitranga. Nataon’i Wang, tsy nisotro rano mihitsy izy ary toy ny nanaovany fanazarantena fotsiny, satria tsy nahazo afa-tsy lalao iray monja i Tessah, tao anatin’izany seta fahatelo izany. Hidona amin’ilay teratany arzantina, i Nadia Porodoska, izay nandresy an’ilay Romana, i Jaqueline Cristian, i Wang Xinyu, eo amin’ny fihodinana fahatelo.Azo lazaina fa tsara ny dingana vitan’i Tessah, tamin’ity satria nahadingana ny fihodinana voalohany rehefa nandresy ilay Espaniola, i Parizzas Dias. Tsy misy teratany malagasy intsony izany miatrika ity Roland Garros ity.Raha tsiahivina, fihodinana voalohany dia efa nihintsana Ramialison Irina rehefa lavon’ilay Aostralianina, i Astra Sharma, ny tenany tamin’izany.Marihina fa tamin’ny alalan’ny fanasana manokana “wild card” no nahafahan’izy mirahavavy ireo niatrika ity fifaninanana ity. TompondakaL’article Tenisy – Roland Garros: resin’ilay Sinoa, i Wang Xinyu i Tessah a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Lalao firahalahiana: ny Swift Hesperange indray no hidona amin’ny Barea
26/09/2020

Tsy raikitra ! Nambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar fa ny ekipan’ny Swift Hesperange ao Luxembourg no hanaovan’ny Barea, lalao firahalahiana. Tafiditra amin’ny fiomanana hihaonana amin’i Côte d’Ivoire.Nofoanana ny lalao saika nikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Etalons-n’i Borkina Faso, ny alatsinainy 12 oktobra ho avy izao, any Maraoka. Fanomanana ny fifanintsanana amin’ny Can 2022, hikatrohana amin’i Côte d’Ivoire. Noho ny mbola fisian’ny valanaretina “covid 19” ny anton’izany. Io no fanambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, niditra mivantana nandritra ny tafa nifanaovan’ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny le Centenli Antanimena, omaly.«Ilaina ny fampivondronana ireo mpilalao rehetra, saingy tsy te  hidi-kizo amin’ny fisian’ny «covid 19», izy ireo. Araka izany, ny vaha olana tsara indrindra hitako dia ny manoman-tena eto Frantsa na ny manodidina. Efa nanolo-kevitra aho ka ny fihaonana amin’ny ekipan’ny Swift Hesperange Luxembourg no hitako fa mety. Tsy te haka loza aho, hitondra ireo mpilalao any amin’ny firenena faritra mena amin’ny «covid 19» satria henjana ny lalao mandroso sy miverina, hikatrohana amin’i Côte d’Ivoire. Tsy mahamenatra amiko ny mikatroka amin’ny ekipa D1 ao Luxembourg», hoy izy.Azo atao raha mihena ny tahan’ny aretinaNomarihin’i Nicolas Dupuis fa azo atao ny lalao amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso, raha mihena ny tahan’ny “covid 19” any Maraoka aorian’ny fihaonana amin’ny Swift Hesperange. Ankoatra izay, nambarany fa sady fiofanana no lalao fitsapana ireo mpilalao vaovao vao nantsoina hanatevina ny Barea de Madagascar ity atao any Luxembourg, ity.Nilaza Andriamanampisoa Alfred, filoha lefitra faharoa ao amin’ny FMF fa maneho fiarahana amin’i Nicolas Dupuis, ny komity mpitantana, amin’ity lalao hatao any Luxembourg ity. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny alatsinainy 12 oktobra ho avy izao, izany.Ankoatra izay, nasiany resaka ny fanalana an-dRazafinirina Sylvain, “intendant” n’ny Barea de Madagascar, izay nolazainy fa mampalahelo ary tsy rariny satria olona nahavita be ary niasa mafy ho an’ny Barea io olona io ka tsy ekeny ny fanesorana azy tsy ho ao anatin’ny Barea intsony. Miantso ireo olona fito ao amin’ny federasiona, manohana sy manampy azy ny tenany hamerina an’i Sylvain eo amin’ny toerany. TompondakaL’article Kitra – Lalao firahalahiana: ny Swift Hesperange indray no hidona amin’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga
24/09/2020

Tetikasa iray manohana ny tontolo any ambanivohira amina sehatra asa maro ny Prosperer (Programme de soutien aux pôles de micro-entreprises rurrales et aux aux économies régionales). Tanjona amin’izany ny hampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha mahantra any ambanivohitra hifantoka bebe kokoa amin’ny fambolena sy ny fanaovana asa tanana. Faritra dimy no tena ahitana izany sy distrika 19, ahitana fihariana karazany maro fa ny asa tanana no miaraha-miombona antoka, hampifandraisana ny fahaiza-manao, ny fitaovana iaraha-miasa ho fampandrosoana ny kaominnina sy ny distrika.Eto amin’ny faritra Analamanga, ohatra, anisan’ny mahazo tohana avy amin’ny Prosperer ny mpanao asa tanana Salohin’Analamanga, ivondronan’ny mpanao asa tanana anjatony miasa amin’ny karazam-pihariana enina hanomezan-danja ireo karazana asa tanana ireo sy hanehoana ny fahaiza-manaon’ny avy eto amin’ny faritra.Mahazo tohana avy amin’ny fandaharanasa Prosperer Analamanga ny tetikasa fanampaiana ny tantahasa mifandray amin’ny sehaty ny fizahantany ny fihariana madinika, hanomezana vahana ny mpanao asa tanana, hanana fidiram-bola amin’ny asa ataony, hampisondrotra hatrany ny seha-pihariana antom-piveloman’izy ireo. Na eo aza ny valanaretina Covid-19, tsy mahasakana ny asa fihariana ataon’ireo mpanao asa tanana ny tetikasa tohanan’ny Prosperer. Faritra dimy ny tena misy azy anatin’ny distrika 19, samy manana ny mampiavaka azy. R.MathieuL’article Prosperer: manohana ny tetikasa Salohin’Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Maroantsetra: tovovavy iray hita faty nihantona
22/09/2020

Hatairana ny an’ny rehetra raha nahitana fatina tovovavikely iray 16 taona nihantona tao anaty kirihitr’ala iray, ny faran’ny herinandro teo. Fantatra fa mbola mpianatra ao amin’ny Ceg Ambodiaramy ity tovovavy hita faty ity. Tsy fantatra mazava aloha, hatreto, izay marina momba izao fahafatesana izao. Voalazan’ireo olona mahafantatra tsara ity tovovavy ity kosa anefa fa hoe misy olana teo aminy sy ny ray aman-dreniny ary ahina ho misy ifandraisany amin’izany izao raharaha izao. Araka ny nambarany, tamin’ireo olona nifanerasera taminy fony fahavelony, matetika no misy olana eo aminy sy ireo ray aman-dreniny. Mijanona ho tombana sy ahiahy fotsiny ihany anefa izany fa ny fanadihadiana rehetra no mamaritra ny tena marina momba ity fahafatesana ity. Efa nampidinina teo amin’ny toerana nahitana azy ny razana ary efa lasan’ny fianakaviany. Na eo aza ny olana sy ny sedram-piainana samihafa, tsy vahaolana ny famonoan-tena.J.CL’article Maroantsetra: tovovavy iray hita faty nihantona a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020
22/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Selon les données statistiques du Centre de commandement opérationnel (CCO) Covid-19 de ce 22 Septembre 2020, les nouveaux cas des dernières 24h sont au nombre de 63 sur 598 tests effectués, portant à 1165 le nombre de cas actifs actuels dont 20 présentent des formes graves. La majorité des nouveaux cas sont localisés dans la région de Sava avec 25 cas, suivi de Alaotra Mangoro avec 13 cas, la région Diana avec 9 cas, la région vatovavy Fitovinany avec 3 cas, la région Analamanga avec 6 cas et la région de Boeny avec 1 cas. Quant aux guérisons, 61 cas de guérisons ont été également annoncés par le Pr Vololontiana, de ce fait sur 16 136 personnes contaminées du Coronavirus dans toute la Grande Île, 14 743 personnes sont totalement rétablies du Covid-19. 1 décès liés au Covid-19 a été rapporté par la porte-parole du CCO Covid-19, depuis le début de l’épidémie en mars 2020, le nombre de décès liés au coronavirus à Madagascar est de 226L’article Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Ady amin’ny Coronavirus: nampidina ny vidim-panafody tena ilaina ny farmasianina
26/09/2020

« Ndao homena lanja ny fikarohana manatsara ny fahasalamana ho an’ny rehetra », ny lohahevitra noraisina ho fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny farmasianina andiany faha-12, omaly. Nandray anjara mavesatra tamin’ny fizarana fanafody sy kojakojam-pitsaboana ho an’ny mararin’ny Coronavirus teny anivon’ny hopitaly ny farmasianina, nandritra ny ady amin’ny tsimokaretina. Nanapa-kevitra ny hampidina ny vidin’ny fanafody fototra ampiasaina tamin’ny fitsaboana ny valanaretina izy ireo ho fitsinjovana ny marary, araka ny fampitam-baovaon’ny holafitra sy ny sendikà ary ny fikambanan’ny farmasianina niaraka. Telo ny farmasianina lavo tao anatin’ny ady amin’ny valanaretina Coronavirus. Niasa mafy andro sy alina ny farmasianina sy ny mpiasa mapihodina ny farmasia namatsy ny marary amin’ny kazaram-panafody ilainy. Saika ahitana filaharana lavareny manoloana ny farmasia teto an-dRenivohitra, indrindra raha vao niatomboka ny valanaretina. Nitantana ny fanafody sy ny kojakoja teny anivon’ny CCO ihany koa izy ireo.357 ny farmasianina ary 265 ny toeram-pivarotana fanafody manerana ny Nosy raha 29 ny ivontoerana mpamongady sy mpanamboatra fanafody. 25 ny farmasianina mpiasam-panjakana ary 40 ny farmasianina mpamongady fanafody.Manana holafitra miahy ny asan’ny farmasianina izy ireo, izay mandrindra ny raharaha momba izany. Misy koa ny fikambanana manofana aorian’ny fianarana sy manampy amin’ny fahaiza-manaon’ny mpikambana rehetra ao anatiny.Vonjy  L’article Ady amin’ny Coronavirus: nampidina ny vidim-panafody tena ilaina ny farmasianina a été récupéré chez Newsmada.

Nandritra ny fihibohana: 97 ny fangatahana fahazoana mandevina eny Anjanahary
25/09/2020

Tao anatin’ny fihibohana, nametrahana ny fepetra tsy fahazoan’ny olona mitondra razana mivoaka ny faritra Analamanga, nahatratra 84 ny olona nanao fangatahana manokana handevina teny amin’ny fasam-bahiny Anjanahary, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny BMH,  omaly. Fianakaviana 13 hafa nanana havana matin’ny Coronavirus koa no nandevina teny noho ny hamehana ara-pahasalamana. Manana safidy ho an’ny olona tsy matin’ny Covid-19 na haka ny razana amin’ny fotoana aty aoriana na koa hamela azy ao mandrakizay. Nampivory ny tompon’ny fasana eny Anjanahary ny mpiandraikitra ny kaominina hamantarana azy ireo satria 40%-n’ny fasana, tsy fantatra ny tompony. Antony ny fampahafantarana ny fifanomezan-tanana amin’ny fanadiovana ny fasana sy ny manodidina, izay andraikitry ny tompon’ny fasana. Eo koa ny fanaraha-maso ny hetra tokony haloany. Tapaka tamin’ny filankevitry ny Tanàna, ny taona 2016 fa mila havaozina ny taratasy raha efa mihoatra ny 30 taona ary eo no manapaka ny sokajin-ketra mifanaraka aminy ilay tompom-pasana. Efa isan-taona no efaina ny hetra manomboka amin’ny 60 000Ar ka hatramin’ny 300 000 Ar.Vonjy            L’article Nandritra ny fihibohana: 97 ny fangatahana fahazoana mandevina eny Anjanahary a été récupéré chez Newsmada.

«Super coupe de l’UEFA»: hifampitana ny Bayern de Munich sy ny FC Seville
24/09/2020

Hotanterahina amin’ity alakamisy 24 septambra ity, ao amin’ny kianja Puskas Arena, Budapest, ao Hongrie, ny fiadiana ny «Super coupe de l’UEFA», taranja baolina kitra. Hifandona amin’izany ny Bayern de Munich, tompondakan’i Eoropa, sy ny FC Seville, tompon’ny amboara. Heverin’ny rehetra fa hangotraka ny fihaonana na betsaka aza ireo mihevitra fa mety tsy hahatohitra an-dry Rainiboto ry zareo Espaniola.Raha tsiahivina, indroa ihany ireo ekipa roa ireo no nihaona: ny teo amin’ny dingana ampahefa-dalana, niadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”, ny taona 2018. Ady sahala samy tsy nisy nitoko ny lalao mandroso tany Munich ary lavon’ny Bayern, tamin’ny isa 2 no ho 1, kosa ny Seville, teo amin’ny fihaonana miverina ka nahatafita ny Bayern de Munich.Hanala vela izany amin’ity ny Espaniola, izay heverina fa afaka hanohitra tsara ireto Rainiboto ireto, izay ao anatin’ny tanjany tanteraka ary tsy mbola resy mihitsy tamin’ireo lalao rehetra nataony, nanomboka ny volana desambra 2019 no ho mankaty. TompondakaL’article «Super coupe de l’UEFA»: hifampitana ny Bayern de Munich sy ny FC Seville a été récupéré chez Newsmada.