Fanadinam-panjakana :: Mitovy ny laza adina BEPC manerana ny Nosy

News - Fanadinam-panjakana :: Mitovy ny laza adina BEPC manerana ny Nosy

News - Fanadinam-panjakana :: Mitovy ny laza adina BEPC manerana ny Nosy

Mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanomanana ny fanadinam-panjakana Bepc, izay hatao amin’ny 15 septambra ho avy izao. Hitovy avokoa ny laza adina ary nohamafisin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa mahazo ny taratasy fiantsoana avokoa ireo rehetra tafiditra tao anatin’ny lisitr’ireo mpiadina. “Efa vonona ny laza adina na ireo kojakoja ara-pahasalamana, toy ny aron-tava, ny tsiranoka famonoana tsimok’ aretina hampiasaina mandritra an’ireo andro hanatontosana ny fanadinana”, hoy ny minisitra Dr Sahondrarimalala Marie Michelle.

Efa herinandro izao no niditra tao amin’ny foibe famokarana kojakojam-pampianarana na Cnapmad ireo mpanonta ny laza adina.Mangataka fiaraha-miasa amin’ny sekoly tsy miankina ny minisitera amin’ny fanomezana ny taratasy fiantsoana ho an’ireo mpiadina satria zon’izy ireo no miatrika ny fanadinana.

L’article Fanadinam-panjakana :: Mitovy ny laza adina BEPC manerana ny Nosy est apparu en premier sur AoRaha.

Fanadinam-panjakana :: Mitovy ny laza adina BEPC manerana ny Nosy

Nivoaka tamin'ny : 12/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Ambohimanambola: lehilahy iray main’ny herinaratra « 3000volts »

Mbola manaraka fitsaboana etsy amin’ny HJRA ary efa tsy ahina intsony ny fahasalaman’ilay lehilahy 41 taona main’ny herinaratra teny Ambohimanambola, ny alahady teo. « Mbola ao amin’ny sampana fameloman’aina ralehilahy ary efa mahatsiaro tena soa aman-tsara », hoy ny fanazavan’ny mpitsabo iray ao amin’ny sampana vonjy taitra. Tsiahivina fa natsipatsipaky ny herinaratra « 3000 volts » izy teo teo am-pametrahana « antenne » ny fahitalaviny teny ambony rihana, ny alahady antoandro teo. « Nosintomin’ny taribin-jiro an’ny Jirama eo akaikin’ilay trano rangahy ka niraikitra sy nitsipatsipaka teo », hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Nakainkon’ny herinaratra ny tampon-dohan’ilay lehilahy ka torana tsy nahetsika intsony izy. Taorian’izay kosa vao afaka namonjy azy ny mponina teny an-toerana. Voalazan’ny loharanom-baovao hatrany fa taribin-jiro mandalo elakela-trano tamina trano miorina tsy lavitra teo no nahavoa an’ilay raim-pianakaviana. « (…) nitondra fil handeha hapetrany amin’ilay antenne rangahy ka izy niakatra iny no nosintomin’ny herinaratra. Izany ny antony mahatonga ny Jirama mampitandrina matetika amin’ireny tariby misy herinaratra mahery vaika ireny », hoy ny fanazavana voaray. Taorian’ny tranga, noentin’ny olona teny amin’ny CSB II Ambohimanambola ilay raim-pianakaviana. Nafindra teny amin’ny HJRA kosa taorian’izay. Henintsoa HaniL’article Ambohimanambola: lehilahy iray main’ny herinaratra « 3000volts » a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fandaharana ho an’ny tanora

Hanomboka amin’ny faran’ity taona ity ny fandaharana amin’ny onjam-peo antsoina hoe “Sifaka ». Tanjon’ny fandaharana ny hanome toerana sy fitenenana ho an’ireo tanora malagasy sy ny hahafahan’izy ireo maneho ny heviny am-pilaminana mba ho fandraisana anjarany amin’ny fampandrosoana sy ny fampandriana fahalemana eto amin’ny firenena. L’article Fandaharana ho an’ny tanora est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Basikety: nanao pao-droa ny ekipa malagasy

Fahombiazana tanteraka! Norombahin’ny Malagasy avokoa ny fandresena, ho an’ny lehilahy sy vehivavy, teo amin’ny taranja basikety, tamin’ity andiany faha-10 ny lalaon’ny Nosy ity. Nihofahofa ny sainam-pirenena malagasy, tao amin’ny kianja mitafon’i Phoenix, Maorisy, ny asabotsy lasa teo. Tsy sarotra ho an’ny ekipa malagasy ny nandavo ireo mpifanandrina taminy, nanomboka hatrany amin’ny andro voalohan’ny fifanintsanana, hatramin’ny lalao famaranana, omaly. Teo amin’ny sokajy lehilahy, isa mavesatra 89 no ho 45 no nandavoan’ny ekipam-pirenena malagasy an-dry zareo Mayotte. Efa nanana herijika, ireto mpilalao malagasy ireto vao nanomboka ny lalao ary efa hita taratra ny elanelana isa teo amin’ny roa tonta. Isa 53 no ho 25 no nisarahana teo am-pialan-tsasatra.Teo amin’ny sokajy vehivavy, azo lazaina ho nivoaka sempotra ihany ny Malagasy satria hety dia hety hatrany ny elanelana isa teny amin’ny solaitrabe, efa nisy fotoana aza nodinganin’ny Renioney isika tao anatin’ny ampahefa-potoana faharoa, raha toa ka sahala ny isa teo am-piafaran’ny ampahefa-potoana voalohany (21 – 21). Niady, araka izany, ity lalao ity saingy ny Malagasy no tompon-teny farany ka nisalotra ny medaly volamena, ho an’ny sokajy vehivavy, tamin’ny lalaon’ny Nosy 2019 teto Maorisy ity. Isa 93 no ho 77 no nisarahan’ny roa tonta, teo am-pamaranana.Araka ny fanazavan’ny filohan’ny federasiona malagasy ny taranja basikety, tsy tanjona akory izao nahazoana medaly volamena izao fa dingana fotsiny ihany. Mbola lavitra ny lalana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, indrindra amin’ny fanomanana lalao iraisam-pirenena maro, isan’izany ny fifaninanana Afrobasket. Mi.RazL’article Basikety: nanao pao-droa ny ekipa malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rakotovao Andriambololona: tsy araka ny tokony ho izy ny tamberim-bidy azo amin’ny atody

Renivohitry ny atody ny any Mahitsy sy ny manodidina. Tsy mbola araka ny tokony ho izy anefa ny fanangonana ny tamberim-bidy avy amin’ny varotra atody, araka ny notaterin’ny ben’ny Tanàna Mahitsy an-tampon-tanàna, Rakotovao Andriambololona. Dinidinika.Taratra (-): Manao ahoana ny famokarana atody any Mahitsy?Rakotovao Andriambololona (*): Miroborobo sady mampandroso ny tanàna ny famokarana atody, anisan’ny mampalaza an’i Mahitsy sy ny manodidina. Vokarina eto amin’ny kaominina Mahitsy sy ny kaominina manodidina, toy ny any Antanetibe Mahazaza ny 30 hatramin’ny 40%-n’ny atody vokarina eto Madagasikara mamatsy ny tsena. Raha ny eto Mahitsy, manodidina ny 20.000 isan’andro ny atody mivoaka, mankany an-dRenivohitra sy any amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara. Mahatratra anetsiny isan’andro izany raha miaraka amin’ny kaominina Mahazaza. Hakana tamberim-bidy 1 Ar isaky ny atody, araka ny fanapahan’ny filankevitra monisipaly.Manodidina ny 200.000 Ar hatramin’ny 250.000 Ar isan-taona ny tamberim-bidy azo avy amin’ny atody miditra ao amin’ny kaominina.-Tsy kely loatra ve izany vola izany?*Tsy tena araka ny tokony ho izy tokoa izany. Tena mandoa ny ampahany betsaka amin’io ny mpiompy vaventy na salantsalany, manana akoho manatody lava mihoatra ny 2.000, fa tsy mandoa ireo mpiompy tena madinika. Misy koa tsy hitanay ny atody mivoaka na miezaka manara-maso ihany izahay. Raha ny vinavina ao anatin’ny tetibolan’ny kaominina (budget primitif), tokony ho any  amin’ny 500.000 Ar hatramin’ny 600.000 Ar ny tamberim-bidy ho azo.Saingy tsy ampy ny isan’ny mpiasa tokony hanangona ny hetra na ny tamberim-bidy nefa manodidina ny 200 ny orinasa sy/na mpandraharaha eto Mahitsy. Ny polisy kaominaly aza, telo monja ny isany. Soa, fa manampy betsaka amin’ny asa sosialy ireo orinasa na mpandraharaha ireo.-Ary manao ahoana ilay “Lalan’ny atody”?*Nanomboka ny jolay 2018 ny fanamboarana ity lalana ity, mampitohy an’i Mahitsy sy Mahazaza, mirefy 13 km. Efa vita hatrany amin’ny 40% ny asa ary tokony ho vita afaka roa volana (amin’ny volana oktobra). Raitra tokoa ity lalam-baovao ity satria atao godirao ary ahitana arabe (voie) ahafahan’ny fiara roa na telo mivezivezy.Nangonin’i Njaka AndriantefiarinesyL’article Rakotovao Andriambololona: tsy araka ny tokony ho izy ny tamberim-bidy azo amin’ny atody a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampianarana: EPP sy CEG ary Lycée vaovao 44, hatsangana

Nisongadina nandritra ny fitanisan’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, ny politika ankapoben’ny fanjakana mikasika ny fampianarana tetsy amin’ny antenimerampirenena Tsimbazaza, omaly ny fananganana fotodrafitrasan-tsekoly maromaro manerana ny Nosy.Anisan’izany ny EPP ahitana  efitra  33 hatao any Vohipeno, Manja, Toliara, Betafo, Brickaville, Sahalava Fianarantsoa, Antananarivo Avaradrano, Ambohimangakely, Alakamisy Ambositra, Soavinandriana, Taolagnaro, Tsiroanomandiddy, Mahajanga, Vohemar…Ankoatra izany ny CEG vaovao miisa valo  ahitana efitra 24. Hisitraka izany ny eny Soamahamanina, Toamasina II, Manakara, MahajangaI, Taolagnaro, Morondava…Eo koa ny Lycée vaovao misy efitra 12 hatao ao Tongarivo Tanjombato, Vohipeno, Toamasina II, Mahavatsy Toliara I…Tafiditra ao anatin’ny politika  ankapoben’ny fanjakana ihany koa ny fametrahana ny toeram-pisakafoana any an-tsekoly any amin’ireo toerana marefo toy ny any Androy,  Vakinankaratra, Antsinanana…Manodidina ny 19.000 ireo dabilio vaovao hamboarina hiparitaka manerana ny sekoly maro eto amin’ny Nosy. Tanjona ny tsy hisy mpianatra mipetraka amin’ny  tany intsony.Ankoatra ireo, boky fianarana miisa 2 tapitrisa hozaraina amin’ireo mpianatra hiatrika fanadinana. Hatao amin’ny endriny vaovao ny fizarana ny Kit scolaire hanampy ny ray aman-dreny amin’ny fampidirana an-tsekoly ny zanany.Nisongadina koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny  mpampianatra amin’ny  alalan’ny  fiofanana samihafa. Efa mipetraka ny  komity manokana hijery ny fampidirana ireo mpampianatra ireo ho mpiasam-panjakana. Hatao amin’ny fomba madio sy mangarahara izany mba tsy hisian’ny fitanilana amin’izy ireo.Tatiana AL’article Fampianarana: EPP sy CEG ary Lycée vaovao 44, hatsangana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Taorian’ny nahafaty ilay ben’ny Tanàna: tsy tana ny ain’ilay CB-n’ny zandary voatifitry ny dahalo

Namoy ny ainy, omaly rehefa avy nialana nenina tao amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana (Homi), ny zandary prinsipaly kilasy ambony (GPHC) Solohery Narivelo, kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena (CB) ao Befandriana Avaratra…Natao daholo ny ezaka rehetra nanavotana ity zandary ity tamin’ny fitsaboana azy noho ny ratra nandritra ny fanafihan-jiolahy nitranga tao Befandriana Avaratra, ny alin’ny 29 jolay lasa teo kanefa tsy avotra intsony ny ainy. Tsiahivina fa nodimandry ny 1 aogositra ilay ben’ny Tanànan’i Belalona Befandriana Avaratra izay voatifitra niaraka taminy tamin’io asan-jiolahy io. Ny talata tolakandro teo no nigadona ao Befandriana Avaratra ny fatin’ny ben’ny Tanàna izay voatifitra niaraka tamin’ny CB-n’ny zandary. Ny alatsinainy 29 jolay alina no nitrangan’ny fanafihana teratany sinoa mpandraharaha ka tamin’izany no nahavoatifitra ilay ben’ny Tanàna tompon-trano nofain’ireto teratany sinoa ireto. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola mitentina 60 tapitrisa Ar. Nahazo antso ny zandary avy ao amin’ny borigady ka nidina haingana teny an-toerana. Ny CB-n’ny zandary no nitarika izany, niafara tamin’ny tifitra nahazo azy. Jiolahy iray lavo nandritra ny fanafihana raha efa nisy iray kosa tratra niaraka tamin’ireo ambim-bola anjarany. Nanamafy ny zandary fa mitohy ny fikarohana ny naman’ilay jiolahy tompon’antoka tamin’izao nahafaty ny CB sy ny ben’ny Tanàna izao.Jean ClaudeL’article Taorian’ny nahafaty ilay ben’ny Tanàna: tsy tana ny ain’ilay CB-n’ny zandary voatifitry ny dahalo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ralambomahay Toavina: “Mahaleo tena ny mpanohitra”

Hatramin’izao, tsy mazava be ihany ny amin’ny fanendrena izay ho lehiben’ny mpanohitra. “Tsy miankina amin’ny minisitera fa mahaleo tena ny mpanohitra”, hoy ny mpandinika ara-politika, Ralambomahay Toavina.“Momba ny fanendrena ny lehiben’ny mpanohitra misy milaza hoe mila ny minisitera na ny andrimpanjakana. Andrimpanjakana ny mpanohitra. Ao anatin’ny lalàmpanorenana izay ary anatin’ny lalàna ihany koa.”Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika ara-politika, Ralambomahay Toavina, momba ny fanendrena izay ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena, izay mbola mahabe resaka sy adihevitra politika amin’izao.Rehefa mifidy ny filohany, ohatra, ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), tsy mila minisitera na andrimpanjakana. Izy ihany dia efa mahaleo tena amin’izay fifidianana ny filohany izay. Tahaka izany koa ny Antenimierampirenena, tsy misy minisitera na governemanta rehefa mifidy ny filoha. Izy ihany no mahaleo tena mifidy izay filohany izay.“Toy izay ihany koa ny mpanohitra rehefa hifidy ny lehibeny: tsy mila minisitera, tsy mila governemanta, tsy mila HCC”, hoy ity mpandinika politika ity. Mahavita tena ny mpanohitra satria fantatra ny antoko mpanohitra misoratra anarana eny anivon’ny minisiteran’ny Atitany. Mahaza ka tena izy raha ny marina.Ny olana: betsaka ny mandroritra ny lalàna fa samy manana ny fomba famakiany azy. Ny vokany, tsy nisy ny lehiben’ny mpanohitra hatramin’ny fitondrana Rajaonarimampianina hatramin’izao…Hahay hifanaraka àry ve ny samy mpanohitra amin’izao? Na mbola hifanohitra an-toerana ihany ny samy mpanohitra…R.Nd.L’article Ralambomahay Toavina: “Mahaleo tena ny mpanohitra” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

 Atletisma – 400 m misy fefy: medaly volamena roa indray noraofin-dRazanamalala Olga

Efa nampoizin’ny rehetra fa ny taranja atletisma, no anisan’ireo handrombahan’ny Malagasy medaly volamena betsaka indrindra. Mbola noporofoin’ireo atleta izany, omaly ka nanampiany roa indray ao anatin’ny kitapony.Nihofahofa indroa indray ny sainam-pirenena Malagasy, omaly tao amin’ny stade germain Commarmond tany Bambou Maorisy. Medaly 6 indray no norombahin’izy ireo, ny roa tamin’ireo dia medaly volamena avokoa, izay noraofin’i Olga Razanamalala, ho amin’ny halavirana 400m haies, azon-dRazafindrafara Marie Madeleine ny 10000 m vehivavy ary nobatain’i Cynthia Felicité, ny fandresena, teo amin’ny heptathlon, tamin’ny fe-potoana 15:81. Nisongadina ireto Malagasy ireto, izay nanandratra avo ny voninahi-pirenena. Ankoatra izay, mbola nahazo medaly alimo telo ihany koa isika, tamin’ny alalan’i Blanc Pierre Mandaly, teo amin’ny 400m haies lehilahy sy i Tahintsoa François Yvonne(5km marche) ary  Rabemihoatra Solonirina Oliva(10.000m). Tsiahivina, teo amin’ny andro voalohany, efa nandrombaka medaly volamena 2 sy volafotsy 4 ny Malagasy, tamin’ny alalan-dry Njarasoa Claudine, Embony Elodie Vanessa, Mampitroatsy sy ny namany, izay antenaina fa hotohizan’ireo namany hafa, mbola hiaka-tsehatra.Mbola hitohy hatrany moa ny fifaninanana ho an-dry zareo eo anivon’ity taranja atletisma ity, izay isan’ny tena andrasana hampiakatra ny medaly azon’i Madagasikara. Mi.RazL’article  Atletisma – 400 m misy fefy: medaly volamena roa indray noraofin-dRazanamalala Olga a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Caf: nesorina tamin’ny toerany i Nathalie Rabe

Mitohy ny fanadiovana, eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf). Fantatra fa natsahatra tamin’ny asany, ny alarobia 31 jolay lasa teo, amin’ny talen’ny fifandraisana azy, Rabe Nathalie. Tsy fantatra ny antony, nanalana azy. Raha tsiahivina, izy no vehivavy voalohany, nitazona izany andraikitra izany. Ny volana marsa 2018 izy, no voatendry tamin’io asa io, taorian’ny fivoriambe mahakasika ny baolina kitra vehivavy aty Afrika, natao tany Marrakech, Maraoka. Izy no nandimby an’ilay Kamerone, Junior Binyam. Hisolo an-dRabe Nathalie, indray ilay Ivoarianina, Ouattara Hégaud. “Andro farany. Faly fa nahavita ny asa ary vehivavy voalohany niandraikitra izany asa izany. Ho ela velona ny baolina kitra afrikanina ary ho ela velona i Afrika”, hoy izy, tao amin’ny tambajotran-tseraserany. TompondakaL’article Kitra – Caf: nesorina tamin’ny toerany i Nathalie Rabe a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Sauvegarde environnementale et sociale : Le projet CASEF implique les maires et les chefs de district

Les acteurs communaux participant à la session de formation organisée à Fénérive-Est. Six sessions de formation en matière de sauvegarde environnementale et sociale ont été organisées dernièrement par l’AT CASEF au profit des maires et des chefs de district dans les régions Analanjirofo et Atsinanana. L’AT CASEF constitue une assistance technique composée du bureau d’études INSUCO, du CIRAD et du Centre Technique Horticole de Tamatave, qui met en œuvre les activités du projet CASEF (Croissance Agricole et de Sécurisation Foncière) visant à développer des filières d’exportation sur la côte Est de Madagascar. Plus précisément, 46 personnes, dont une trentaine de maires, 7 chefs de district, des chefs de cantonnement forestier, des agents environnementaux des deux directions régionales de l’agriculture, élevage et pêche concernées, ont participé à ces sessions de formation. L’objectif global de cette formation consiste à sensibiliser les participants sur l’importance de la préservation de l’environnement et le respect des droits des personnes susceptibles d’être affectées par le projet CASEF. La formation vise également à présenter les effets négatifs potentiels des investissements du projet et les mesures d’atténuation prévues. Gestion des plaintes. Il faut savoir que de nombreux thèmes ont été abordés dans le cadre de ces sessions de formation. On peut citer entre autres, la législation malagasy et les politiques de la Banque Mondiale sur lesquelles sont basées les mesures de prévention et d’atténuation des risques et effets environnementaux et sociaux négatifs potentiels. Les actions à conduire pour éviter ou limiter les effets négatifs des activités du projet sur l’environnement, les populations et leurs biens ou pour bonifier les effets positifs, y ont été également soulevés. A titre d’illustration, la sécurisation foncière des sites de plantation, la réalisation de reboisements compensatoires, la collecte et l’enfouissement des sachets plastiques après mise en terre des plants, s’imposent. Le mécanisme de gestion des plaintes, n’est pas en reste. Ce qui donne la possibilité à chaque partie prenante du projet de faire des doléances ou de déposer des plaintes qui seront transmises, sans déformation de leur contenu, et examinées dans les meilleurs délais par les personnes ou structures habilitées. Synergie d’actions. Toujours dans le cadre de ces formations, des échanges fructueux ont eu lieu entre l’AT CASEF et les acteurs communaux. Ce qui permettra de renforcer la synergie d’actions entre les deux parties en ce qui concerne la préservation de l’environnement, la sécurisation foncière des plantations, la mise en œuvre du mécanisme de gestion des plaintes. Par ailleurs, c’était également une occasion de rappeler aux responsables des collectivités territoriales décentralisées les activités du projet CASEF sur les filières cannelle, curcuma, litchi et grenadelle touchant 29 organisations de producteurs réparties depuis le district de Mahanoro au sud jusqu’à celui de Soanierana au nord. Ses appuis se concentrent principalement sur la formation technique des producteurs, le renforcement institutionnel des organisations de producteurs et des coopératives, ainsi que sur la commercialisation de leurs produits. De leur côté, les participants ont salué l’initiative de l’AT CASEF tout en formulant des suggestions et des doléances, afin d’être mieux associés dans l’avenir aux activités du projet. Ils se sont engagés à veiller dans le cadre de leurs responsabilités, à l’application des mesures de sauvegarde environnementales et sociales dont ils sont maintenant bien imprégnés, afin d’assurer la durabilité des actions promues par le CASEF. Navalona R. L’article Sauvegarde environnementale et sociale : Le projet CASEF implique les maires et les chefs de district est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Sauvegarde environnementale et sociale : Le projet CASEF implique les maires et les chefs de district a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Fanavaozana taratasim-pokontany :: Ho tonga tsikelikely eny amin’ny boriborintany ireo karine vaovao
29/09/2020

Hanomboka amin’ity herinandro ity ny fandefasana an’ ireo karinem-pokontany vaovao sy maoderina, eto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Ho tonga miandalana eny amin’ireo boriborintany enina ireo taratasy ireo, araka ny loharanom-baovao. Nambaran’ny ben’ny tanàna, Naina Andriantsitohaina, afak’omaly alina, nandritra ny tafatafa nataony tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Studio an’ny RTA tetsy Ankorondrano fa “hanomboka amin’ny firaiketana amin’ ny alalan’ny solosaina ny mombamomba an’ireo olom-pirenena hisitraka ny karine vaovao ny dingana voalohany”. Handalo dingana maro vao ho tonga ny fitsinjarana azy isan-tokantrano. “Manaraka an’ireo toromarika fotsiny ihany izahay fa ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana no tena hisahana ny asa hafa rehetra”, hoy ihany ny ben’ny tanàna. Efa voatonta amin’ilay endriny nasehon’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina tamin’ny fahitalavitra ireto karinem-pokontany ireto, izay ahitana famantarana manokana hahafahana mandahatra ara-tarehimarika ny laharana omena isaky ny loham-pianakaviana. Tsy ho vita hosoka mihitsy ihany koa. Karapanondrom- pianakaviana “Tsara dia tsara ny endriny fa ho hitanareo amin’ny fotoana manaraka ny mombamomba azy sy ny fomba hahafahana mitsinjara ny karine”, hoy kosa ny hany valin-teny azo avy tamin’ ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa, tamin’ny antso an-tariby, omaly. “Miandry toromarika avy amin’ireo manampahefana izahay”, hoy kosa ny ankamaroan’ireo lehiben’ny distrika eto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Efa nambaran’ny Filohampirenena, tamin’ny volana jolay 2020 lasa teo, fa « tanjona amin’ izao fanavaozana ny karinempokontany izao ny fisorohana ny fanaovana hosoka mety hitarika kolikoly sy ny famantarana ny maha-ara-dalàna ny fanamarinam-ponenan’ireo olompirenena tsirairay eto amintsika ». Ho lasa karazana karapanondrom-pianakaviana kely mihitsy izany, araka ny fanamarihany. L’article Fanavaozana taratasim-pokontany :: Ho tonga tsikelikely eny amin’ny boriborintany ireo karine vaovao est apparu en premier sur AoRaha.

Affaire Danil Radjan : Un français ex-légionnaire et patron d’une agence de sécurité arrêté
28/09/2020

L’enquête avance à pas de géant auprès de la police criminelle à Anosy. Vendredi dernier, ils ont mis la main sur quatre personnes dont le patron de la société de gardiennage Cops. Lui et trois de ses agents de sécurité ont été embarqués par les limiers de la brigade criminelle. L’information a été confirmée par plusieurs sources auprès du ministère de la Sécurité publique. Durant leur arrestation, le patron « vazaha » a encore tenté de résister. Obligeant ainsi la police à procéder manu militari. Les quatre individus sont respectivement accusés d’auteurs et co-auteurs de l’acte qui a coûté la vie à Danil Radjan. Samedi 19 septembre, ce ressortissant indo-pakistanais d’origine française a été atrocement abattu et son corps a été retrouvé par la suite, au sous-sol du centre commercial La City à Ivandry. Il avait les pieds et les mains liés, le visage plein de bleus et une marque de strangulation autour de son cou. Une enquête a été aussitôt ouverte et s’est focalisée sur l’analyse des images de la vidéosurveillance, ainsi que les récentes correspondances téléphoniques de Danil Radjan. Moins d’une semaine après, les investigations ont montré une forte soupçon envers les quatre individus. De sources informées, ils auraient opéré avec des cagoules mais cela n’était pas suffisant pour que les enregistrements vidéos ne montrent le  visage d’un « vazaha » dont l’allure correspondrait à celui de l’ex-légionnaire. Il se pourrait que la police organise un point de presse ce-jour, pour partager les résultats de leur investigation sur cette affaire, selon certaines indiscrétions. La question qui préoccupe maintenant est surtout le mobile du crime et les éventuels commanditaires de l’assassinat. Pour le moment, rien n’écarte la thèse que ces gens arrêtés auraient été payés pour tuer. Si cette piste s’avérait, on peut dire alors que le métier de tueur à gage existe bel et bien dans la capitale. Par ailleurs, les mauvais agissements de ce ressortissant français ont beaucoup fait parler de lui à un certain moment, surtout pour les noctambules du centre-ville. Les médias ont relaté dans ses colonnes, le caractère irascible de ce ressortissant étranger qui menace la vie sociale à Tanà. Malheureusement, l’interpellation était tombée dans l’oreille d’un sourd. En tout cas, il sera déféré au parquet ce jour avec ses trois agents, et cette fois-ci, l’affaire est beaucoup plus importante… D.R L’article Affaire Danil Radjan : Un français ex-légionnaire et patron d’une agence de sécurité arrêté est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Affaire Danil Radjan : Un français ex-légionnaire et patron d’une agence de sécurité arrêté a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Tambim-pisamborana any Farafangana :: Omena vola 2 tapitrisa ariary ireo mahatratra gadra nitsoaka
28/09/2020

Fankasitrahana amin’ny alalan’ny lelavola 2 tapitrisa ariary no hatolotry ny  fanjakana ho an’ireo olona manampy ny mpitandro filaminana amin’ny fahatratrarana an’ireo gadra nitsoaka tao amin’ny fonjan’i Farafangana. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, omaly, dia hahazo an’io valisoa io ireo olona manome vaovao ka hahafahana misambotra an’ireo voafonja 17 nitsoaka tao amin’ity fonja ity. Notsiahivin’ny minisiteran’ny Fitsarana fa « tokony hiaraka hisalahy amin’ny fikaroham-baovao mikasika an’ireo voafonja ireo ny olom-pirenena eny ifotony ». Niantso ny rehetra amin’ny fifanomezan-tanana amin’ny mpitandro filaminana ihany koa ny minisitera. Nampanantena ny minisitry ny Fitsarana fa « tsy ho voasazy na koa hoenjehina ireo gadra ireo raha miverina an-tsitrapo ao amin’ny fonja nitazonana azy ». Tamin’ny 23 aogositra 2020 no vaky ny fonjan’i Farafangana. Miisa 84 ireo gadra nitsoaka, ka ny 20 tamin’ireo no maty voatifitra ny 57 kosa no voasambotra sady efa naverina am-ponja. L’article Tambim-pisamborana any Farafangana :: Omena vola 2 tapitrisa ariary ireo mahatratra gadra nitsoaka est apparu en premier sur AoRaha.

Rabenandrasana Lalao – Boky: « Tsy mankasitraka ity nomerika ity aho »
24/09/2020

Tsy ny hira irery intsony fa hatramin’ny boky, anjakan’ny mpanao piraty! “Raha izaho manokana, tsy mankasitraka ity nomerika ity aho. Jereo tsara fa mitondra faisana mihitsy ny tontolon’ny boky manoloana ny PDF ataon’ny sasany. Boky amidy 10 000 Ar, amidin’ny mpanao piraty any anaty “facebook” 500 Ar”, hoy ity filohan’ny Federasion’ny mpikanto teny sy soratra ity.Tahaka izany ihany koa ny fampiasana ny tablety. “Tsy mahasolo ny boky na oviana na oviana iny. Rehefa tena mivoaka ny tanàn-dehibe, tena mbola vitsy dia vitsy ny tanana manana herinaratra. Dia ho azo antenaina ve fa hitondra vokatra tsara ho an’ny Malagasy ny fananana ny tablety kanefa ny herinaratra, tsy lasa lavitra akory? Ny eto an-dRenivohitra aza, tapa-dava!”, hoy hatrany Rabenandrasana Lalao.Nambarany fa mila paikady mazava ny tontolon’ny boky eto Madagasikara raha tiana ny hahazo vokatra tsara avy aminy.HaRy RazafindrakotoL’article Rabenandrasana Lalao – Boky: « Tsy mankasitraka ity nomerika ity aho » a été récupéré chez Newsmada.

Ramaherison Hery Dimbiniaina: “…Tsy azo atao maimaika sy tefy manta ny sarimihetsika”
26/09/2020

 Manoloana ny firoboroboan’ny sarimihetsika amin’izao vanimpotoana izao sy noho ny fankalazana ny fahadimy taona nijoroan’ny OFM Madagascar izao dia nanokatra fiofanana manokana izy ireo ho an’ireo izay te ho matihanina amin’ny sehatry ny filalaovana sarimihetsika. Ankoatra ny fanamarihana io vanim-potoana io, mikendry ny hanondrotra hatrany ny kalitaon’ny sarimihetsika malagasy no anisan’ny antom-pisian’i OFM Madagascar raha ny fanazavan’ny tale jeneraliny.“Manomboka efa mivoatra tsikelikely manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ny tontolon’ny sarimihetsika Malagasy. Na izany aza,  ilaina ny fiofanana mba hanome aina sy hitondra hafatra ho an’ny mpiara-belona ny zavatra atao. Efa mihatsara ny fitaovana, fa tsy azo atao maimaika sy tefy manta ny sarimihetsika fa mila fandrindrana tsara. Tanjona ny ho avo lenta ny vokatra malagasy, toa ireny sarimihetsika vahiny ireny mihitsy ary mba hankatoavin’ireo fahitalavitra vahiny ny vokatra Malagasy”, hoy ny tale jeneralin’ny OFM Madagascar, Ramaherison Hery Dimbiniaina.Hamokatra sarimihetsikaAzo vinavinaina fa hisy ihany koa ny famokarana horonantsary lalaovin’ireo mpiofana ao amin’ny OFM Mada, raha ny fanazavan’ity tompon’andraikitra voalohany ity hatrany. Tafiditra ao anatin’ny fampiofanana rahateo ny “art dramatique” handiavana ny  “master class”, ny senaristika, ireo fihetsika maro isan-karazany, sns, Eo koa ny fahalalana momba ny teatra. Iarahana amin’ireo matihanina efa milalao sarimihetsika mihitsy ity fiofanana ity, izay hotontosaina eny amin’ny foiben-toeran’ny OFM Madagascar, etsy Tanjombato. Ho an’izay liana, azo atao ny manoratra mivantana ao aminy tambajotran-tserasera fesiboky “OFM Madagasikara”. Tahaka izany ihany koa ireo izay vonona hanatsara hatrany ny sarimihetsika malagasy ka manana sosokevitra sy te hiaraka hiasa.Marihina fa manome lanja ny kolontsaina ny ivontoerana, indrindra ny fampiofanana ireo mpanakanto amin’ny sehatra maro sy amin’ny fahaizana mitady lalam-barotra, ho tia karokaroka.NarilalaL’article Ramaherison Hery Dimbiniaina: “…Tsy azo atao maimaika sy tefy manta ny sarimihetsika” a été récupéré chez Newsmada.

Raharaha Danil Radjan: hatolotra fampanoavana ny teratany vahiny iray
28/09/2020

Mihamivoatra hatrany ilay raharaha momba ny fahafatesan’i Danil Radjan. Herinandro izay ny nanaovan’ny polisy misahana ny ady heloka bevava (BC) fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity. Nahitam-bokany izany satria nosamborin’ny polisin’ny BC ny lehiben’ny orinasa misahana ny fiambenana sivily iray miaraka amin’ny mpiambina telo lahy ao amin’ity orinasa ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy misahana ny heloka bevava. Maro ny olona efa nohenoin’ny polisy momba ity raharaha vonoan’olona ity. Niainga avy amin’ny fitsirihana ny telefaonina nampiasain’ilay niharam-boina sy ny “camera de surveillance” no niaingan’ny polisy nanao ny fanadihadiana rehetra. Nambaran’ny polisy fa nisy amin’ireo nalaina am-bavany ny efa niaiky fa isan’ny tompon’antoka amin’ity vonoan’olona ity. Araka ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa teratany vahiny tompona orinasa fiambenana sivily iray no isan’ireo nohainoana. Nisy amin’ireo mpiambina koa voaantso nanaovana famotorana. Tsiahivina fa hita faty tao ambany rihana fiantsonan’ny fiara ao amin’ny tranombarotra La City Ivandry, nifatotra tanana, i Danil Radjan. Feno ratra ny vatany ary nahitana mangana teo amin’ny tendany.J.CL’article Raharaha Danil Radjan: hatolotra fampanoavana ny teratany vahiny iray a été récupéré chez Newsmada.

Ranty – « Solitude Urbaine »: nasain’ny mpikarakara i Jean Andrianaivo Ravelona
28/09/2020

Anisan’ireo mpanakanto malagasy, manana ny maha izy azy, eo amin’ny tontolon’ny hosodoko, i Jean Andrianaivo Ravelona. Maro ny fampirantiana efa nandraisany anjara. Tsy vitsy ireo fankasitrahana efa natolotra azy. Mitohy hatrany izany…Ny talenta, tsy mba mihiboka! Nanomboka ny 19 septambra teo ilay fampirantiana ‘’Solitude Urbaine” hampisehoana ny sanganasan’ireo mpanakanto nandritry ny fihibohana. Hetsika karakarain’ny departemantan’ny kolontsaina eo anivon’ny Ville d’Asnières. 16 ny isan’ny mpandray anjara, mampiranty ny sanganasany ao amin’ny Château d’Asnières, ka anisan’ny nasaina i Jean Andrianaivo Ravelona, teratany Malagasy, andrarezin’ny sary hosodoko tsy eto an-toerana ihany fa hatrany ampitan-dranomasina. Ireto lohahevitra ireto no asehony ao anatin’ny sanganasany mandritra ity ranty “Solitude Urbaine” ity:  ”Fifehezana ny Corona”, ny “Fiverenana an-doharano”, ny “Lovakolo Anatirova”.Ny fahatsapana voaray teo am-panaovana ny sanganasa: “aretina tena mpandripaka ain’olona maro ity Covid-19 ity. Hanova fomba fanao, handrava ny soatoavina, hanimba zavatra maro” Manoloana izany, ny hafatra voary dia toy izao: azo fehezina izao Coronavirus izao. Amin’ny fomba maro ny ahitan’olombelona azy, isan’izany ny fiverenana amin’ny loharano”, hoy i Jean Andrianaivo Ravelona, raha namintina ny hevi-dehibe asehon’ny sanganasany voalohany.Ho an’ny tabilao faharoa indray, nambarany fa: “Madagasikara, tany masina, anisan’ny tranainy. Ahitana taratra izany ireo harena ambanin’ny tany, ny zavamaniry, ny zavamananaina, ny mponina ao aminy fahizany. Amin’ny alalan’ny vakoka no hitarafana izany harena sarobidy izany. Misy fahendrena lalina, misy fampianarana, fahalalana maro raiketin’ny vakoka. Ny vakoka no mitahiry ilay hasina hatrany am-piandohana. Ny vakoka, sekoly lehibe hiampitan’ny hafatry ny olobe, fahalalana, fahendrena, soatoavina. Mba haharaisana izany hafatra sarobidy izany, mila averina amin’ny toerany sy amin’ny maha izy azy ny vakoka. Averina amin’ny hasiny ny vakoka… Tsy fanitsaka an-tampon-doha ny vakoka. Ny fiverenana an-doharano, io ny vahaolana ho an’i Madagasikara. Fihainoana ny olobe mpikajy ny vakoka, ny fanatanterahana ny hafatra nipetraka amin’izy ireo… Tany manan-jina i Madagasikara ka tsy azo asian-dratsy na hitsahina hasina!”.Marihina fa tanàna manan-tantara i Asnière satria nivahiny sy nanao hosodoko tao ireo artista “impressionnistes” malaza fahiny, toa an-dry Van Gogh, i Pissaro, i Cezanne, sns. Maro ireo hosodoko nataon’izy ireo momba an’i Asnières sy ny manodidina.Nanangona: HaRy Razafindrakoto L’article Ranty – « Solitude Urbaine »: nasain’ny mpikarakara i Jean Andrianaivo Ravelona a été récupéré chez Newsmada.

Sarimihetsika – Andhy Prod: hivoaka ny DVD « Kala Pam’s moderina »
29/09/2020

Hivoaka DVD manerana ny Nosy, ny alatsinainy 5 oktobra izao, ilay tantara « Kala pam’s moderina», vokatra voalohany ho an’ny Andhy Prod, trano mpamokatra vaovao horonantsary nitsangana tato anatin’ity taona 2020 ity. Araka ny nambaran-dRamatoa Haingo Volatsinana, tomponandraikitra voalohany ao amin’ity trano mpamokatra ity, « hitondra rivo-baovao ao anatin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy ny tena antom-pisianay satria efa nankafy ity zavakanto iray ity hatramin’izay rahateo izahay ».Hivoaka DVD avy hatrany ity sarimihetsika ity satria « hiavaka tanteraka ity andiany manaraka ity raha mitahy tamin’ireo « Kala Pam’s » andiany voalohany sy faharoa izay efa nivoaka teo aloha », hoy ny tompon’andraikitra. Raha ny fanazavana hatrany, amin’ny maha « Kala pam’s moderina » azy mantsy, nezahina hifanaraka amin’ireo zava-misy sy vanim-potoana iainana ankehitriny ny fanomezana aina ny tantara.I Nessy Andriamalala no nanoratra ary ny «Ducker Image» kosa no niandraikitra ny fanatontosana sy ny fiantsorohana ny lafiny teknika. Ahitana an’i Nessy, i Lanja (Vola) ary i Haingo Volatsinana kosa eo amin’ ny filalaovana. Teny Anosy Avaratra ny toerana nandraisana ny sary.Nanangona : HaRy RazafindrakotoL’article Sarimihetsika – Andhy Prod: hivoaka ny DVD « Kala Pam’s moderina » a été récupéré chez Newsmada.

Voaheloka higadra telo taona an-tranomaizina i Leva
29/09/2020

Nilatsaka ny didy. Voaheloka higadra telo taona an-tranomaizina Raveloson Ludovic, araka ny didim-pitsarana, nivoaka, omaly tao amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany, Morondava. Anisan’ny nanamelohana azy higadra herintaona an-tranomaizina ny vono sy fandratrana nataony tamin’ny vehivavy iray. Higadrany roa taona an-tranomaizina, sazy hafa, kosa ny fibodoana sy ny fanjakazakana tokana tamin’ny sehatry ny fandraharahana. Samy sazy mihatra avokoa ireo didim-pitsarana ireo.Na izany aza, mbola misy vesatra maromaro koa iampangana ity depiote teo aloha, tany Mahabo, ity. Anisan’izany ny fiahiahiana azy ho namono olona…Tsiahivina fa tra-tehaky ny zandary teo Analakely, ny 16 septambra teo, Raveloson Ludovic. Nokarohina nandritra ny fito volana taorian’ny fivoahany ny fonja tany Toliara ny tenany.Synèse R. L’article Voaheloka higadra telo taona an-tranomaizina i Leva a été récupéré chez Newsmada.

Fanenjehana olom-boafidy :: Voaheloka higadra antranomaizina indray i Leva
29/09/2020

Tsy afa-bela. Nomelohin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany any Morondava fanindroany indray ny depioten’i Mahabo teo aloha, Raveloson Ludovic na i Leva, omaly. Voaheloka higadra roa taona an-tranomaizina sazy mihatra izy tamin’ny raharaha fakàna vola an-terisetra tamin’olona ary sazy herintaona an-tranomaizina tamin’ny fiampangana ratra sy vono niniana natao. “Rehefa misy ny fiampangana amin’ny heloka roa samy hafa tahaka izao dia izay sazy farany ambony tamin’ireo fanamelohana no ampiharina amin’ny voampanga”, hoy Ratsimandranto William, tonia mpampano lalàna ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Morondava. Efa voasazy higadra dimy taona an-tranomaizina ihany koa anefa izy, tamin’ ny taona 2018. L’article Fanenjehana olom-boafidy :: Voaheloka higadra antranomaizina indray i Leva est apparu en premier sur AoRaha.

Ramamimampionona Gérard : “Enti-mamokatra ny fihavanana”
23/09/2020

Midina ifotony ny eo anivon’ny  Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM). Nahitan’izy ireo taratra ny vokatry ny fampihavanana izany noho ny fandalana ny soatoavina, miainga amin’ny ”Kianja”.“Nidina tany Arivonimamo izahay, nitondra ny soatoavina enti-mamokatra. Azo atao hery na fitaovana iray enti-mamokatra ny fihavanana. Mba hahazoana mifanentana sy mifanome tanana izany, ahazoana mifanabe sy mifanitsy mba hiasa” hoy ny filoha lefitry ny CFM, faritany Antananarivo, Ramamimampionona Gérard, momba ny hetsika fampihavanana nataon’ny CFM tany amin’ny kaominina Arivonimamo, taorian’ny kaominina Andriambilany. Hahazoana koa mametraka filaminana ny fihavanana. Afa-miasa tsara rehefa ao anatin’ny fandriampahalemana.Anisan’ny zava-dehibe amin’izao fotoana izao ny fanaparitahana ny “kianja”. Atambatra ho “kianja” iray ny olona isam-bohitra afa-mifanentana, mifampiteny, mifampifehy, mifanaja, miara-miaina tsara. Lasa hery iray ho an’ny rafi-pitondrana ny fokontany. Nanome ohatra tsara ny any Arivonimamo nanao valintanana: namboly, niara-nanao lalana. Tonga nanome tanana ny hafa rehefa nahita: ny avy amin’ny governora, ny mpandraharaha…Miainga amin’ny tena ny fanorenana ny firenena“Tsy maintsy miainga amin’ny tenantsika ny fanorenana ny firenena”, hoy izy. Izay vao miakatra tsikelikely: miainga amin’ny fokontany, mankamin’ny kaominina, ny faritra… Famokarana ao anatin’ny fihavanana: ny fihavanana, mitondra famokarana ary ny famokarana, mitondra ny olona ho amin’ny fihavanana.Ezahina aparitaka tsikelikely ny fanomezana hasina ny fokonolona: ny zony, ny andraikiny, ny tombontsoany. Ao anatin’ny toe-tsaina sy ny soatoavina mandala fihavanana sy ny fahendrena malagasy ny anatanterahana izany.Fiaraha-mientana hisian’ny fifampifehezana ny fihavanana, fiaraha-miasa mba hiara-miaina ho amin’ny famokarana sy ny fampandrosoana eo an-toerana ary miitatra ho an’ny firenena.R.Nd. L’article Ramamimampionona Gérard : “Enti-mamokatra ny fihavanana” a été récupéré chez Newsmada.

RN44 et RN3A : Des mesures prises pour éviter les coupures en période de pluie
28/09/2020

Les travaux de reconstruction et de réhabilitation d’infrastructures routières avancent bien sur la RN44 et la RN3A. Les travaux de reconstruction et de réhabilitation des routes nationales 44 et 3A se poursuivent. La semaine dernière, une délégation conduite par le ministre de l’Aménagement et des Travaux Publics, Hajo Andrianainarivelo, a fait une descente sur les lieux pour constater de visu l’avancement des travaux. Le gouverneur de la région Alaotra Mangoro, Richard Ramandehamanana et ses collaborateurs étaient également présents. D’après cette forte délégation, les travaux avancent bien pour l’axe reliant Marovoay et Amboasary. Il en est de même pour les infrastructures au niveau du fleuve Lohafasika (Kafe) et à Manainga Zipo. Selon le MATP (Ministère de l’Aménagement et des Travaux Publics), les contrôles sont stricts en ce qui concerne le respect du calendrier de mise en œuvre et surtout le respect des normes et qualités, comme il s’agit de grand investissement à long terme pour des infrastructures publiques. Par ailleurs, une seconde entreprise participera au projet, pour la réalisation des travaux sur l’axe qui part d’Amboasary jusqu’à Vohidiala. Les différents responsables se concertent également pour la suite des travaux qui commenceront à Vohidiala et se poursuivront jusqu’à Ambatondrazaka. D’après le MATP, d’autres travaux sont nécessaires à cause des dégâts cycloniques et des périodes de pluie en 2019. La délégation a donc visité ces infrastructures pour voir comment la réfection pourra se faire et quelles mesures doivent être prises pour qu’il n’y ait plus de coupure durant les périodes de pluie. Selon le ministre Hajo Andrianainarivelo, beaucoup reste encore à faire. Il a soutenu la nécessité du respect de l’environnement, ainsi que des infrastructures qui ont des impacts considérables sur la qualité de vie de la population dans son ensemble. Antsa R. L’article RN44 et RN3A : Des mesures prises pour éviter les coupures en période de pluie est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article RN44 et RN3A : Des mesures prises pour éviter les coupures en période de pluie a été récupéré chez Midi Madagasikara.