Fanadihadiana : tsy ampy mangarahara ny tetibolam-panjakana

News - Fanadihadiana : tsy ampy mangarahara ny tetibolam-panjakana

News - Fanadihadiana : tsy ampy mangarahara ny tetibolam-panjakana

Nanaovana fanadihadiana
ny fangaraharan’ny tetibolam-panjakana eto Mada­gasikara sy ireo
manana andraikitra amin’ny fanaraha-maso. Fanontaniana 145 ny
naroson’ny manampahaizana mahaleo tena momba ny toekarena,
fanadihadiana manodidina ny fangaraharan’ny tetibolam-panjakana
2019.

Nanaovana tombana izay
fangaraharan’ny tetibolam-panjakana izay eto Madaga­sikara (EBO)*
ka namoahana valin’ny fanadihadiana ny tetikasa na ny fandaharanasa
sy ny vanim-potoana mifandraika amin’izany hatramin’ny 31 desambra
2018 momba ny fangaraharan’ny tetibolam-panjakana 2019. Miara-miasa
manatanteraka ny fanadihadiana ny manampahaizana mahaleo tena
ivelan’ny fanjakana miaraka amin’ny so­lontenan’ny mi­nisiteran’ny
Toekarena sy ny tetibola. Mangarahara, anisan’ny fepetra takin’ny
mpi­ara-miombona antoka mpamatsy vola ho fanta-bahoaka.
Mifantoka amina teboka telo ny valin’ny fanadihadiana nanomezana
isa an’i Ma­da­gasikara: ny fahitan’ny va­hoaka ny mangarahara
mom­ba ny tetibola ampiasana (40/100), ny fahafahan’ny vahoaka
mandray anjara amin’ny famolavolana ny tetibola (6/100) ary ny
rafitra mpanara-maso (35/100). Nomari­hin’ny fiarahamonim-pirenena
MSis Tatao fa mitombo ny isa azon’i Madagasikara raha oharina ny
tamin’ny 2017, 34/100. Na izany aza, mbola ambany be ireo isa ireo,
izay 61/100 ny salanisa ambany indrindra. Raha i Madaga­sikara
manokana, voasokajy ho misy mangarahara, saingy ambany
indrindra.

Tsy mandray anjara
mivantana ny solombavambahoaka

Nomarihin’ny IBP* fa tsy manome
vaovao ampy mom­ba ny tetibola ny ankamaroan’ny fitondram-panjakana
aty Afrika. Na misy fivoriana momba ny tetibolam-panjakana eo
anivon’ny Anteni­miera, tsy mampandray anjara mivantana ny
solombavambahoaka ny eto Madaga­si­kara, tsy ahafahana
miara-midinika ny amin’izay sehatra tokony ho laharam-pahamahena
hanokanana tetibola matanjaka.
Zava-dehibe ny fahafantarana ny tetibola raha mifandraika marina
amin’ny politika nambaran’ny fanjakana, ohatra, tetibola ho an’ny
faritra na ny kaominina lavitra. Ilaina ny fangaraharana ny
fitantanana amin’izao krizy ateraky ny Covid-19 izao, izay misy
akony lehibe eo amin’ny toekarena ny fahaiza-mitantana.

R.Mathieu

EBO* : Enquête sur le budget
ouvert
IBP* : International budget partnership

Article tiré de Newsmada

L’article Fanadihadiana : tsy ampy mangarahara ny tetibolam-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 03/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Rakotovao Andriambololona: tsy araka ny tokony ho izy ny tamberim-bidy azo amin’ny atody

Renivohitry ny atody ny any Mahitsy sy ny manodidina. Tsy mbola araka ny tokony ho izy anefa ny fanangonana ny tamberim-bidy avy amin’ny varotra atody, araka ny notaterin’ny ben’ny Tanàna Mahitsy an-tampon-tanàna, Rakotovao Andriambololona. Dinidinika.Taratra (-): Manao ahoana ny famokarana atody any Mahitsy?Rakotovao Andriambololona (*): Miroborobo sady mampandroso ny tanàna ny famokarana atody, anisan’ny mampalaza an’i Mahitsy sy ny manodidina. Vokarina eto amin’ny kaominina Mahitsy sy ny kaominina manodidina, toy ny any Antanetibe Mahazaza ny 30 hatramin’ny 40%-n’ny atody vokarina eto Madagasikara mamatsy ny tsena. Raha ny eto Mahitsy, manodidina ny 20.000 isan’andro ny atody mivoaka, mankany an-dRenivohitra sy any amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara. Mahatratra anetsiny isan’andro izany raha miaraka amin’ny kaominina Mahazaza. Hakana tamberim-bidy 1 Ar isaky ny atody, araka ny fanapahan’ny filankevitra monisipaly.Manodidina ny 200.000 Ar hatramin’ny 250.000 Ar isan-taona ny tamberim-bidy azo avy amin’ny atody miditra ao amin’ny kaominina.-Tsy kely loatra ve izany vola izany?*Tsy tena araka ny tokony ho izy tokoa izany. Tena mandoa ny ampahany betsaka amin’io ny mpiompy vaventy na salantsalany, manana akoho manatody lava mihoatra ny 2.000, fa tsy mandoa ireo mpiompy tena madinika. Misy koa tsy hitanay ny atody mivoaka na miezaka manara-maso ihany izahay. Raha ny vinavina ao anatin’ny tetibolan’ny kaominina (budget primitif), tokony ho any  amin’ny 500.000 Ar hatramin’ny 600.000 Ar ny tamberim-bidy ho azo.Saingy tsy ampy ny isan’ny mpiasa tokony hanangona ny hetra na ny tamberim-bidy nefa manodidina ny 200 ny orinasa sy/na mpandraharaha eto Mahitsy. Ny polisy kaominaly aza, telo monja ny isany. Soa, fa manampy betsaka amin’ny asa sosialy ireo orinasa na mpandraharaha ireo.-Ary manao ahoana ilay “Lalan’ny atody”?*Nanomboka ny jolay 2018 ny fanamboarana ity lalana ity, mampitohy an’i Mahitsy sy Mahazaza, mirefy 13 km. Efa vita hatrany amin’ny 40% ny asa ary tokony ho vita afaka roa volana (amin’ny volana oktobra). Raitra tokoa ity lalam-baovao ity satria atao godirao ary ahitana arabe (voie) ahafahan’ny fiara roa na telo mivezivezy.Nangonin’i Njaka AndriantefiarinesyL’article Rakotovao Andriambololona: tsy araka ny tokony ho izy ny tamberim-bidy azo amin’ny atody a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Pilo Kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

« Hetraonline »: ho fanatsarana ny fampidiran-ketra

 Manao ezaka goavana ny Foibem-pitantanana ny hetra (DGI), manaraka ny fivoaran’ny teknolojia. Nametrahana « logiciel Safira » ny ao amin’ny Ivonketra boriborintany faha-V, Antananarivo Renivohitra, ho fampiharana izany.Hahamora ny fifandraisana amin’ny mpandoa hetra, ho fanatsarana ny fampidiran-ketra, ny ampiasana voalohany ao amin’ny Ivonketra boriboritany faha-V, Amboditsiry ny « logiciel Safira ». Tsy mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny intsony ny « Surf » sy ny « Sigtas » ka izao  soloina “Safira” izao, hapetraka miandalana any amin’ny Ivonketra rehetra manerana ny Nosy. Zava-dehibe amin’ny fampiharana azy io ny fahazoana manao fanambaran-ketra na aiza na aiza, na « Hetraonline ».Amin’izao fivoaran’ny serasera izao, tsy vitsy ny afaka mampiasa solosaina ahafahana miditra amin’ny « Hetraonline ». Hita ao avokoa amin’ny fotoana rehetra, rehefa mahazo  « code » ny tokony hatao sy ny fipetraky ny hetra tokony haloa sy ny fomba fandoavana izany. Misy ny fampianarana manao izany omen’ny DGI. Ao anatin’ny fotoana fohy, vita ny fanambaran-ketra sy ny fandoavana azy, tsy milahatra intsony any amin’ny biraon’ny hetra.Fomba entina miady amin’ny kolikolyFomba iray entina miady amin’ny kolikoly koa izao sy isorohana ny kajy nataon’ny mpiasa teo aloha ka mety hafa aty aoriana. Ny amin’ny “Safira”, tsy misy tarehimarika azo soloina fa mipetraka mazava, samy afaka manaraka izany, ny fanjakana na ny mpandoa hetra. Hita ny fe-potoana farany sy ny sazy miandry aorian’izay fe-petoana izay, ny vola sisa tsy voaloa, sy izay tarehimarika hafa rehetra. Manamora ny fifandraisana amin’ny mpandoa hetra izany amin’ny maha matihanina ny asa.Hetra tambatra (impôt synthétique) amin’ny ankapobeny ny mandalo amin’ny Ivonketra toy ny ao amin’ny boriboritany faha-V, Amboditsiry. Ho an’ireo orinasa mampiasa vola latsaky ny 200 tapitrisa ariary ny hetra tambatra. Ho an’ireo orinasa lehibe kosa, hanomboka amin’ny oktobra 2019 ny “Hetra e-paiement”, tsy mandany fotoana loata intsony amin’ny fanambarana vola miditra, TVA …. “Fanentanana ny olom-pirenena handoa hetra izao. Tanjona ny hampitombo ny tahan’ny fidiran-ketra 12,5 % na 12,8 % amin’ity taona ity, raha 12,2 % ny taona 2018”, hoy ny talen’ny DGI, Germain.R.MathieuL’article « Hetraonline »: ho fanatsarana ny fampidiran-ketra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Praiminisitra Ntsay Christian: “Mila mahay mifampihaino isika Malagasy”

“Tsotra ny zava-dehibe ao anatin’izy io: tsy maintsy mahay mifampihaino isika samy Malagasy. Be dia be ny vondrona politika na antoko politika no miteny fa misy zavatra tokony hohatsaraina amin’ny fikarakarana ny fifidianana.”Io ny valin-tenin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny fanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna. Ao anatin’izay fikarakarana fifidianana izay ny lisitry ny mpifidy. Tsy maintsy mijery sy mandanjalanja ny amin’izany ny fitondram-panjakana.Tsy tokony hohadinoina fa tapitra alohan’ny faran’ny taona ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna eto amintsika. Efa voalazan’ny filohan’ny Repoblika fa eo am-pandinihana izany ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao.Tolo-dalàna ny momba ny satan’ny mpanohitra“Tolo-dalàna ny momba ny satan’ny mpanohitra sy ny fanoherana”, hoy izy momba ny handinihan’ny parlemanta ny lalàna momba izay. Noho izany, ireo solombavambahoaka ihany no mitondra izay. Ireo solombavambahoaka no mahita ny fanovana tian-dry zareo hatao amin’ny satan’ny mpanohitra sy ny fanoherana. Efa nanome ny heviny momba azy ny governemanta, ny 7 aogositra lasa teo.Rariny sy hitsiny ny fangatahan’ny filohan’ny Antenimierampirenena ny amin’ny tokony hanaovana antsipiriany ny fandaharanasan’ny governemanta amin’ny fanoloran’ny praiminisitra izany, araka ny nambarany. Mba hahazoan’ireo solombavambahoaka manara-maso ny fanatanterahana ny fandaharanasa amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) izany.Efa niomana ho amin’izany ny governemanta, ka tsy misy olana ny momba an’izay. Izay no andrasan’ny rehetra. Na izany aza: “Tsy maintsy mitandrina kely ihany isika, sao lasa 5 na 6 ora ny hamelabelarana izany ka manahirana”, hoy izy.R.Nd.L’article Praiminisitra Ntsay Christian: “Mila mahay mifampihaino isika Malagasy” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Afaka 50 taona: ho foana ny teny malagasy raha tsy iainana

Fampianarana amin’ny fiteny vahiny. Teny ifampiresahana any anivon’ny ankohonana, teny vahiny. Taratasim-panjakana, didy aman-dalana, amin’ny fiteny vahiny, sns. Ny endrika tahaka ireo no anisan’ny mahafoana tsikelikely ny teny malagasy. Raha ny fikarohana nataona mpampianatra mpikaroka iray: “… Ho foana ao anatin’ny 50 taona ny teny malagasy madiorano raha mbola mitohy ireo tranga ireo”.… Mahatratra 7 000 ny karazam-pitenenana (tenenin’ny tompon-tany) misy maneran-tany. Nanaitra ny rehetra ny nilazan’ny mpikaroka fa isaky ny tapa-bolana, teny iray amin’ireo no maty. « … Fa ny tena zava-doza, maty manaraka izany ihany koa ny kolontsaina hoentin’ireny teny ireny », hoy ny fanambaran’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny kolontsaina sy ny fanabeazana na ny Unesco.HaRy Razafindrakoto L’article Afaka 50 taona: ho foana ny teny malagasy raha tsy iainana a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fiaraha-miasa

Niresaka ny olana sedrain’ny sehatry ny fambolena eto Madagasikara tamin’ny Ambasadaoron’i Etazonia, Michael Pelletier sy ny tale jeneralin’ny fandaharanasa amerikana ho an’ny fampandrosoana (USAID), John Dunlop ary ny talen’ny fandraharahana Rakotoniaina Marina ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena, Fiompiana sy Jono, omaly. Hijery ny hampidirana ny tantsaha amin’ny tsena vaovao eto an-toerana sy ny tsenam-paritra ary iraisam-pirenena izy ireo. L’article Fiaraha-miasa est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Lapan’i Mahazoarivo: noderain’ny ambasadaoro frantsay ny Praiminisitra Ntsay C.

Noraisin’ny Praiminisitra  Ntsay Christian  teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo, omaly  ny  ambasadaoro frantsay, niasa sy nonina teto Madagasikara, Veronique Vouland- Aneini. Voaresaka  ny fiaraha-miasan’ny firenena roa  tonta sy  ny ezaka nataon’ny lehiben’ny governemanta.Narahabain’ny ambasadaoro ny praiminisitra tamin’ny andraikitra sy ny adidy lehibe notazoniny ary niantsorohany, tamin’ny taona 2018, tamin’ireny fotoan’ny krizy politika  teto amin’ny firenena  ireny. « Fotoana nilana fandraisana fanapahan-kevitra hentitra  ireny ka nahafahan’ny firenena niatrika izany fotoan-tsarotra izany ny fepetra noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian »,  hoy  izy  tamin’izao fihaonana izao. Fotoana  koa io nametrahany  veloma ny lehiben’ny governemanta noho ny fahataperan’ny fe-potoana niasany teto amintsika.Nambaran’ity masoivoho ity ihany koa fa maro ny tranga, nanamarika azy nandritra ny efatra taona niasany teto Madagasikara. Anisan’izany ny fihaonana an-tampon’ny firenena miteny frantsay, noraisina teto Antananarivo, nampiseho taratra ny fahombiazan’ny diplaomasia malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. « Teo ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Frantsa tamin’ny ady amin’ny fipariahan’ny valanaretina samihafa… »,  hoy ihany izy.Nanafatrafatra ny ambasadaoro Veronique Vouland- AneiniTsiahivina fa anisan’ny lahateny nambaran’ity masoivoho Frantsay  ity, farany teo, tamin’ny  fanamarihana ny fetim-pireneny, ny 14 jolay teo teny Ivandry ny resaka politika. « Teo  ny fihetsika matotra nasehon’ny mpanao  politika  niray hina tao anatin’ny  fotoana manokana tamin’ny fianianan’ny filoha Rajoelina, ny 19 janoary  teo. Teo koa ny fihaonan’ny filoha roa tonta :  Emmanuel Macron sy Rajoelina  Andry, ny  volana mey teo tany Frantsa », hoy izy tamin’izany ». Natsidiny sahady koa fa hatsangana ny komity iraisana hitady vahaolana amin’ny ireo resaka mampifanolana… Anisan’ny nangatahan’ny ambasadaoro ary hafatra napetrany  ny tokony hiarovana ny olona sy ny fananany, manoloana ny  asan-jiolahy.  Ny fiarovana ny harena an-dranomasina. Ny hifehezana ny mpitandro filaminana manaraka ny fitsipi-pitondran-tena.Synèse R.  L’article Lapan’i Mahazoarivo: noderain’ny ambasadaoro frantsay ny Praiminisitra Ntsay C. a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fifampizarana traikefa

Mandritra ity volana aogositra ity no hankalazana ny volan’ny vehivavy aty atsimon’i Afrika. Amin’ny alalan’ny fitetezana an’ireo andrim-panjakana eto Madagasikara no entin’i Baleka Mbete, sekretera jeneralin’ny Kaongresim-pirenena Afrikanina (Anc) hanamarihana izany, amin’izao fotoana izao. Nisy ny fihaonana tamin’ireo loholona vehivavy miasa ao amin’ny Antenimierandoholona tetsy Anosikely, afak’omaly. Nifanakalo hevitra sy nifampizara traikefa amin’ny fomba fanatanterahana ny adidy sy ny andraikitra sahanina amin’ny maha tompon’andraiki-panjakana ambony azy ireo ny roa tonta. Omaly kosa io sekretera jeneralin’ny Anc io no nitsidika tamin’ny fomba fifanajana ny filohan’ny Antenimieran-doholona, Rakotovao Rivo. L’article Fifampizarana traikefa est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Boriborintany I: nodiovina ny lakandrano 500 m

Mampidi-dranonketsa ny tantsaha eny Ankasina sy Andohatapenaka II sy III, amin’izao volana aogositra izao. Hanamora izany fampidiran-drano izany, nikarakara hetsika fanadiovana ireo lakandrano fampidirana rano hambolena niaraka tamin’ny Boriborintany voalohany ireo fikambanan’ny mpamboly sy ireo RF2, ny faran’ny herinandro teo.Araka ny nambaran’ny lefitra faharoan’ny delegen’ny Boriborintany voalohany, Razanadrakoto Heriniaina, tototra fako sy loto ny lakandrano famatsiana rano ho an’ireo fambolena eny amin’ny faritra Ankasina, Andohatapenaka I sy II kanefa dia mamokatra sakafo hohanina no vatsin’ity lakandrano ity.Noho izany, nandray andraikitra ny kaominina amin’ny fanentanana ny rehetra amin’ny tsy hanariana rano maloto sy fako eny amin’izany lakandrano izany.Tokony hofadina ihany koa ny manasa lamba sy ny manary maloto any anatin’itony lakandrano itony. Ankoatra izay, nanentana ihany koa ity tompon’andraikitra ity ny hijeren’ireo mponina manokana ny RF2 eny anivon’ny fokontany, izay miezaka ny manadio sy manala ireo fako isan-tokantrano. Mirefy 500 metatra eo ho eo ity lakandrano nodiovina ity . Mandrora mitsilany ihany ireo mponina eny an-toerana ka izany indrindra no anton’ny fanentanana.Tatiana AL’article Boriborintany I: nodiovina ny lakandrano 500 m a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony

Feno ny toerana! Nanao fitsirihana tampoka ny faritry ny ladoany ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly talata maraina, ny tompon’andraikitry ny ladoany, notarihin’ny tale jeneraly (DG) ny fadin-tseranana, i Zafivanona Lainkana Ernest, notronin’ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Rtoa Delmotte Stéphanie. Tsikaritra fa maro loatra ireo entana mitoby tahirizina ao. Nambaran’ny tale jeneraly fa ilaina ny fanalalahana ny faritra sy ny toerana fametrahana entana ao amin’ny ladoany manerana an’i Madagasikara ka anisan’izany ny ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Misy ny entana lany fetr’andro nefa tsy nalain’ny tompony. Ao koa ny nogejain’ny fanjakana toy ny karazan-kazo, sy ny hafa.Hisy komity iraisana handinikaKoa tsy maintsy raisina ny fepetra, hanaovana lavanty ny entana na koa hanapotehana na handorana ary handevenana ireo entana sasany, toy ny sakafo fihinana, ohatra, satria tsy azo antoka intsony ny hitahirizana azy mihoatra ny roa volana, nefa tsy tafavoakan’ny tompony. Singanina amin’izany ny entana ao anaty kaontenera miisa 500 ao amin’ny orinasa MICTSL. Eo koa ireo fiara tsy tokony hiditra eto Madagasikara, manana familiana ankavanana, ny fiara mpitatitra entana mihoatra ny 15 taona, ny fiarakely mihoatra ny 10 taona. Tsy maintsy hatao lavanty izy ireny na hopotehina, arakaraka ny fanapahan-kevitry ny komity manokana iraisan’ny minisitera sy ny rafi-panjakana voakasika samihafa.Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny ladoany fa ankoatra ireo fiara sy karazan-kazo, misy koa ny entana hafa, toy ny lafarinina, ny fanafody, ny siramamy, ny vary, ny kilalao, ny akanjo na lamba efa niasa (friperie), sns. Misy amin’ireo entana ireo ny efa tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina hatramin’ny taona 2009, saingy tsy navoakan’ny tompony.SajoL’article Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Kaominina Ifotaka sy Tsivory: nizara masomboly, moto pompe sy fitaovana ny fikambanana Fitia
25/11/2020

   Nanampy ny vehivavy hahaleo tena ara-tsakafo ao Ifotoaka hisorohana ny kere ka nanome fitaovana azy ireo ny vadin’ny filoha, Rajoelina Mialy. Nitondra ny anjara biriky hanohanana ny fianakaviana sahirana noho ny haintany sy ny kere ny fikambanana Fitia, nanomboka omaly. Kaominina roa Ifotaka sy Tsivory, distrika Amboasary Atsimo no niompanan’ny fanampiana niaraka amin’ny filohan’ny fikambanana, Rajoelina Mialy sy ny zanany lahimatoa Rajoelina Arena. Nanome fitaovam-pambolena sy masomboly maro karazana miraka amin’ny fitaovana fahazoan-drano (moto pompe) ho an’ny vehivavy izy hahazoan’ny isan-tokantrano sakafo. Aorian’ny enim-bolana hambolena ireo masomboly ireo, hioty ny vokatra ny olona 400 000 ka hisitraka sakafo mahavelona, hoy ny fanazavan’ny vadin’ny filoham-pirenena tamin’ireo mponina tao amin’ny kaominina Ifotaka. Vokatra mamaly ny toe-tany sy ny filan’ny vahoaka no natolotra hamongorana ny kere. Nahazo akanjo koa ny ankizy tamin’ny fandalovan’ny ekipa. Hatao maodely amin’ny ady ialana amin’ny kere ny ao Ifotaka satria efa mametraka paikady goavana ny fitondrana : fanomezana tany, fitarihana rano hambolena ary fanofanana ny tantsaha. Nanatsatoka fototra mangahazo niaraka Rajoelina Mialy sy ny zanany lahy.Ho an’ny Tsivory, nanomana sakafo masaka ho an’ny olon-dehibe 1000 sy koba hozaraina amin’ny ankizy 500 mahery mandritra ny 15 andro ny fikambanana Fitia. Nomena akanjo ihany koa ny kilonga madinika. Ny sakafo hohanina no tena olana ho an’ny mponina ao Tsivory nefa mahavokatra ihany ny tany, hoy ny ben’ny Tanàna. Ireo masera ao an-toerana no manome sakafo ny mponina indraindray.Nitsidika ireo zokiolona roa samy marary koa ny filohan’ny fikambanana Fitia ary nampanantena milina fanjairana ho an’i Miza Elisabeth renim-pianakaviana iray mpanjaitra ny vadin’ny filoha.Vonjy A.L’article Kaominina Ifotaka sy Tsivory: nizara masomboly, moto pompe sy fitaovana ny fikambanana Fitia a été récupéré chez Newsmada.

Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19
23/11/2020

Miisa 31 ireo nifindran’ny valanaretina teo anelanelan’ny 14 hatramin’ny 18 novambra teo. Nisy iray namoy ny ainy indray.Anisan’ny misongadina amin’izany ny any Matsiatra Ambony, ahitana tranga vaovao miisa 13 raha enina ny eto Analamanga. Miisa telo ny any Atsinanana raha iray avy ny any Vatovavy Fitovinany sy any Sava. Roa kosa ireo tranga vaovao any raha dimy ny any Diana. Tany amin’io faritra io koa ny iray lavon’ny Coronavirus. Tafakatra 251 izany izao ireo matin’ny valanaretina eto amintsika, hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.Miisa 433 ireo mbola manaraka fitsaboanaNa izany aza anefa, miisa 65 ireo sitrana ka maro anisa amin’izany ny eto Analamanga, miisa 19, raha 17 ny any Alaotra Mangoro ary 10 kosa ny any Diana.Tafakatra 16 657 izany izao ireo nahafeno ny fepetra, sitrana sy efa nody amin’izao ho an’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa 17 341. Mbola misy 433 kosa anefa ireo manaraka fitsaboana sy arahi-maso ny toe-pahasalamany. Miisa 93 734 ny fitambaran’ny fitiliana vita. Tsiahivina fa miisa 87 ireo tranga vaovao, teo anelanelan’ny 8 sy 13 novambra ary iray kosa lavo.Synèse R.L’article Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Efa mpamerin-keloka: niharan’ny hatezeram-bahoaka ilay mpangalatra
19/11/2020

Tra-tehaky ny fokonolona teny Fasan’ny Karana ny mpangalatra iray, afakomaly maraina. Nanararaotra ny tsy naha teo ireo tompon-trano ralehilahy ka niditra antsokosoko. Araka ny fantatra, voapitsok’ilay lehilahy ny fanalahidin’ny trano ka tafiditra izy. « Taorian’izay, nalainy avokoa ny kojakojan-dakozia sy ny entana maro samihafa toy ny “lecteur » sy bodofotsy ka nataony tao anaty gony », hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Nisy nahatsikaritra anefa ity farany ka nisy nanidy ny vavahadin’ilay trano. Vokany, tsy tafavoaka ralehilahy ka noraisim-potsiny. Voasambotry ny fokonolona izy ka niharan’ny hatezeram-bahoaka. Tonga teny an-toerana ny polisy nisambotra azy. Henintsoa HaniL’article Efa mpamerin-keloka: niharan’ny hatezeram-bahoaka ilay mpangalatra a été récupéré chez Newsmada.

Appel à manifestation d’intérêt (UGP CASEF / 2014A)
21/11/2020

Cliquer sur le lien ci-dessous pour télécharger le document. AMI_n°_33-20_CASEF-_CER_Boeny_171120 (1) L’article Appel à manifestation d’intérêt (UGP CASEF / 2014A) est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Appel à manifestation d’intérêt (UGP CASEF / 2014A) a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fitokanan’ny filoha Rajoelina ny LMOI: hitobaka ny lafarina, tsy hiakatra ny vidin’ny mofodipaina
19/11/2020

Tafiditra amin’ny fampiroboroboana ny indostria sady ao anatin’ny velirano. Mandray anjara tanteraka amin’ny fampandrosoana amin’izany ny LMOI ao Toamasina, notokanan’ny filoha Rajoelina Andry, omaly.Manafatra lafarina 250 000 taonina/taona i Madagasikara. Afaka mamokatra lafarina eto isika, manomboka izao, ary tanjona ny hanodinana ny zavatra rehetra ilain’ny Malagasy eto an-toerana, araka ny nambaran’ny filoha. « Tokony hidina 15% ny vidiny manomboka izao », hoy izy.Fitsanganan’ny orinasa maromaroTafiditra anatin’ny fampiroboroboana ny indostria izao fitokanana ny LMOI izao. Efatra ireo orinasa tafatsangana tamin’ity taona 2020 ity. Ao anatin’izany ny Orinasa mpanao paty (pate alimentaire), ny orinasa Sasm mpanao siramamy ao Brickaville, ny LMOI ary ny nanorenan’ny fanjakana ny Pharmalagasy.Anisan’ny orinasa lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ary manara-penitra ity ozinina ity. « Manampy sy manosika ny mpandraharaha ny fanjakana amin’ny fampiroboroboana ny indostria. Mitondra tombontsoa toekarena ho an’ny faritra Atsinanana sy ho an’i Madagasikara ny LMOI », hoy ihany ny filoha.Vita eto an-toerana ny lafarinaNambaran’ny mpitantana fa mamokatra lafarina 500 t isan’andro ary hahatratra 1 200 t isan’andro izy ireo amin’ny taona 2021. Mbola manafatra varimbazaha karazany roa ny orinasa ka fanaovana mofo dipaina sy ho an’ny karazana mofo hafa izany.Nanambara kosa ny minisitry ny Varotra, Rakotomalala Lantosoa, fa hamahana ny olan’ny fahavitantena sakafo ny fampiroboroboana ny indostria. « Tsy tokony hiakatra ny vidin’ny mofodipaina satria efa vita eto an-toerana ny lafarina. Nifanarahana amin’ny « Association des boulangères » sy ny tompon’ny orinasa izany », hoy izy.Synèse R.L’article Fitokanan’ny filoha Rajoelina ny LMOI: hitobaka ny lafarina, tsy hiakatra ny vidin’ny mofodipaina a été récupéré chez Newsmada.

Kitra vehivavy- Teratany malagasy : miketrika ny hitsara ny “Mondial 2023” i Lidwine
20/11/2020

Anisan’ireo mpitsara baolina kitra vehivavy malagasy, hiady toerana amin’ny “Mondial 2023”, Rakotozafinoro Pélagie Lidwine. Tafiditra ao anatin’ireo 19 “présélectionnées” eto Afrika, ny tenany. Tsiahivina fa ny volana jolay 2023 ny hanaovana io fihaonana an-tampony amin’ny baolina kitra vehivavy io ka firenena roa no hampiantrano izany dia i Aostralia sy i Nouvelle-Zelande.Ao anatin’ireo mpitsara mpanampy i Lidwine, amin’ity. Tsy vaovao amin’io sehatra io izy fa efa maro ireo lalao iraisam-pirenena notsarainy, toy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy zandriny lehilahy, ny lalao afrikanina sy ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany. Manana ny traikefa sy ny fahaiza-manao amin’izany izy ary mahafehy tsara izany lalao izany.Marihina fa 8 ireo mpitsara afovoany ary 11 ireo mpitsara mpanampy, hanaovana ny fifantenana farany, izay mendrika ho any amin’io fiadiana ny ho tompondaka eran-tany io. Mahatratra 156 ireo mpitsara baolina kitra vehivavy maneran-tany hifanandrina hiady toerana hitantana io “Mondial 2023”, sokajy vehivavy io. Tompondaka L’article Kitra vehivavy- Teratany malagasy : miketrika ny hitsara ny “Mondial 2023” i Lidwine a été récupéré chez Newsmada.

Star-Fondation Coca-cola: fanampiana “Coke Hiray vatsy”
23/11/2020

Orinasa tompon’andraikitra sady mitsinjo ny maha olona ny Star, miaraka amin’ny fikambanana sosialy Fondation Coca-cola. Anisan’izany ny fitsinjovana ny vahoaka tena sahirana, vokatry ny Covid-19. Natao, ny zoma 20 novambra teo teny Anosizato, ny fizarana fanampiana “Coke Hiray vatsy” ho an’ny fianakaviana sahirana ao amin’ny boriborintany fahefatra, niarahana amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).Nahazo ity fanampiana santatra ity ny eny Ankazotoho, Anosimahavelona, Anosibe Andrefana I, Anosibe, Angarangarana, i Mandrangobato I, i Mandrangobato II, Anosizato Andrefana II ary i Madera Namontana. Miisa 1 150 ny vatsy nozaraina, nahitana vary, tavoahangy menaka 1l, savony lava 1, ronono mandry 1 boaty, siramamy 1 kg, voamaina 3 kg ary Coca-cola 150 sl.Tohin’ny fitsinjovana sosialy sy maha olana (RSE) efa natao hatramin’ny fiandohan’ny taona 2020 ity hetsika ity. Anisan’izany ny fanampiana fitaovana ny minisiteran’ny Fahasalamana niatrehana ny Covid-19. Teo koa ny fizarana rano fisotro ho an’ny vahoaka tratry ny mosary any atsimo.Njaka A.L’article Star-Fondation Coca-cola: fanampiana “Coke Hiray vatsy” a été récupéré chez Newsmada.

Hatao any Toamasina ny “Judo Tour” andiany fahatelo
20/11/2020

Hetsika iray hanamarihana ity taom-pikatrohana 2020 ity no sady tsy hahataona fotsy izany, ny andiany fahatelo amin’ny “Judo Tour”, karakarain’ny klioba Atrika, ligin’Atsinanana, taranja Judo. Ny 26 hatramin’ny 30 novambra izao ny hanatanterahana izany any Toamasina. Araka ny fanazavan’ny mpitantana ny klioba, Raoelison Annie, misokatra ho an’ny ligy rehetra manerana ny Nosy ity hetsika ity ary natokana ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona. Araka ny fandaharam-potoana, karazana “Camp d’entrainement” sy fanabeazana ny resaka tontolo iainana ny hatao mandritra io fotoana io. Teknisiana malagasy manana ny maha izy azy ny hitarika, ireo ankizy, mandritra izany, hahitana an-dRasoanaivo Razafy Luc, i Elie Norbert ary Ralevazaha Emy.Afaka misoratra anarana eny anivon’ny ligy misy azy avy ireo mpikatroka, raha ny fanazavana ary efa nanomboka izay fisoratana anarana izay. Tsiahivina, isan’ny tetikasan’ny klioba hatramin’izay ity hetsika iray ity. Mi.RazL’article Hatao any Toamasina ny “Judo Tour” andiany fahatelo a été récupéré chez Newsmada.

Prix Africa 35.35 : Makwa Joma parmi les 35 lauréats 
23/11/2020

La slameuse- danseuse Makwa Joma au sommet de son art. Makwa Joma a été sélectionnée parmi les 35 jeunes africains les plus talentueux pour bénéficier des prix Africa 35.35 qui célèbrent l’excellence et le mérite de la jeunesse africaine et de l’Afro-diaspora. L’information a été donnée jeudi 12 novembre dernier. La jeune femme malgache a eu le mérite d’être choisie parmi plus de 500 candidats africains en Afrique et dans la diaspiora âgés de 16 à 35 ans. Les 35 jeunes sélectionnés sont porteurs de projets et de réalisations exceptionnels dans leurs communautés. L’objectif de ce prix est de reconnaître les mérites des jeunes africains d’au plus de 35 ans toutes les années. Institués en 2016, les prix 35.35 sont à leur cinquantième édition consécutive. Ils sont organisés toutes les années pour célébrer les meilleures innovations des jeunes africains. Les prix 35.35 sont une initiative d’une organisation panafricaine de jeunes professionnels présents dans 30 pays africains. L’année 2020, la plupart des artistes sont pris dans une situation de vulnérabilité à cause de la crise sanitaire due au Covid-19. Malgré les suspensions des évènements culturels à Madagascar, Makwa Joma n’a pas pris ce moment comme une récréation, au contraire, elle le prend comme un défi. Comme tous les autres artistes, elle a traversé des moments difficiles mais avec son courage et ses créativités durant le confinement, à travers des appels à candidature en ligne. Les mois de Juin elle est la lauréate du concours de projet « demain sera mien » organisé par le Fond de Dotation HY, mois d’août elle est lauréate de l’appel à projet SOFOCO organisé par Africa Culture Fund avec son projet « ose à oser » avant d’être parmi les artistes le plus inspirants du continent noir dont elle a gagné le prix 35.35. Ambitieuse, la jeune femme envisage de réaliser un autre projet pour promouvoir la culture malgache. Iss Heridiny L’article Prix Africa 35.35 : Makwa Joma parmi les 35 lauréats  est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Prix Africa 35.35 : Makwa Joma parmi les 35 lauréats  a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Haintrano tao amin’ny oniversiten’Antsiranana: mpianatra iray maty, olona roa hafa naratra
23/11/2020

Niredareda ny afo tao amin’ny oniversiten’Antsiranana, ny sasakalin’ny asabotsy hifoha alahady teo. May tamin’izany ny trano fonenan’ny mpianatra ao an-toerana. Vokany, rava avokoa ny fotodrafitrasa vitsivitsy. Tovolahy mpianatra iray ao amin’ny taona faharoa, maty vokatry ny loza. Mpianatra roa hafa koa naratra mafy. Araka ny fanadihadiana, « court-circuit » ny nahatonga ny loza sy nitarika ny fahavoazana. Ao koa ireo nanazava fa nitsonika ny taribin-jiro fitsilovana teny ambonina tilikambo. Antony nipoiran’ny afo izany. Nikoropaka ny rehetra raha vantany vao niseho ny loza, tsy tafavoaka tamin’izany kosa anefa ny tovolahy iray vao 22 taona, mpianatra ao amin’ny taona faharoa ny « faculté des sciences » ao an-toerana. Vokany, sempotra tsy tafavoaka ilay trano may izy ka may sy namoy ny ainy. Ireo naratra mafy kosa, nalefa vonjimaika ao amin’ny hopitaly ao Antsiranana.Naharitra manodidina ny 3 ora ny fahamaizana ka nandravarava ireo fotodrafitrasa sy ireo fitaovana ao amin’ny oniversite. Raha ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, maherin’ny 60 ireo traboina. Henitsoa HaniL’article Haintrano tao amin’ny oniversiten’Antsiranana: mpianatra iray maty, olona roa hafa naratra a été récupéré chez Newsmada.

Taratry ny kanto
21/11/2020

Tolo-tanana ho an’i Piff « Iray aina, iray rap », hetsika tolo-tanana ho an’i Piff, tojo tsy fahasalamana, hotanterahina etsy amin’ny Noumba Club Itaosy (ex Guest House), anio asabotsy, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Maro ireo haneho ny talentany, toa an-dry Mamy Saya & Alkassim, 08MM, Miora Killah&Ratex, Slem (Bogota), 67 Squad, 102 Fassad, Xcrew, Mista&Boska, Dahalo, Kriminaly, Etika, Familia, Reen-Key, Gouvernigga, Syndikat Kaid, Map, architek.NarilalaL’article Taratry ny kanto a été récupéré chez Newsmada.

“Tournoi Est”: hanomboka rahampitso ny fifaninanana
20/11/2020

Araka ny efa nampanantenain’ny fikambanana “Espoirs Sportifs de Tuléar”, hisy ny hetsika ara-panatanjahantena karakaraina mialoha ny faran’ny taona. Araka ny tapaka, hanomboka rahampitso 21 novambra io fifaninanana mitondra ny anarana hoe “Tournoi Est”. Sokajy maromaro, hahitana ny Vétéran lahy sy vavy, sokajy latsaky ny 18 taona, 16 taona, 14 taona lahy sy vavy ary ny “Open” lahy sy vavy. Taranja roa dia ny basikety sy ny Hand ball ny hifaninana mandritra izany ka hanasana ireo klioba rehetra maniry ny handray anjara. Araka ny efa notaterina teto hatrany, hetsika fitadiavam-bola hanampiana ny klioban’ny Est hiatrika fifaninanam-pirenena ny kendrena ka misy ny saram-pisoratana anarana. Iray hetsy ariary ny sarany ho an’ny sokajy Vétérans, raha toa ka 3 alina ariary kosa ho an’ny sokajy hafa. Etsy an-kilany anefa, misy kosa ny loka natokana ho an’ny mpandresy amin’ity “Tournoi Est” ity. Ankoatra izao fifaninanana izao, mbola maro ny hetsika karakarain’ny Est mialoha ny faran’ny taona, isan’izany ireo alim-pandihizana miisa roa hatao anio alina sy rahampitso alina ao Toliara. Mi.Raz L’article “Tournoi Est”: hanomboka rahampitso ny fifaninanana a été récupéré chez Newsmada.