Fanabeazana tsy mialonjafy :: Manampy ny zaza tsy tafiditra an-tsekoly ny fisian’ireo akany

News - Fanabeazana tsy mialonjafy :: Manampy ny zaza tsy tafiditra an-tsekoly ny fisian’ireo akany

News - Fanabeazana tsy mialonjafy :: Manampy ny zaza tsy tafiditra an-tsekoly ny fisian’ireo akany

Iray amin’ireo akany afaka mandray an-tanana ny zaza tsy tafiditra mianatra an-tsekoly, noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreniny, ny Asa sekoly Avotra ho an’ny zaza Malagasy na Asama Avotra FFF, eny Anosimpatrana Atsinanana. Ankizy marobe no efa nandalo tao, nanomboka tamin’ny 2005, izay niorenany. Ankizy sivifolo no beazina ao, ankehitriny. Sady omena fanabeazana izy ireo no hiantohana sakafo ihany koa.

« Tsy nandalo fianarana mihitsy ny telopolo amin’izy ireo. Niato, efa ho herintaona kosa, ny enimpolo. Zaza kamboty sy mivelona eny amin’ny dabam-pako ny ankamaroany. Ireny no nangoninay sy nampidirina tato. Hofanina amin’ny asa tanana indray ireo tsy afa-panadinana na tsy te hiverina hianatra intsony », hoy Ravoninoro Mauril, tompon’andraikitry ny Asama.

Nosafidian’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Dr Sahondrarimalala Marie Michelle manokana ity ivontoeram-panabeazana ity, omaly, nandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra ary mikajy.

« Ireo olona marefo anaty fiarahamonina no tena iharan’ny tsy fahaizana manoratra sy mamaky teny ary mikajy. Rariny sy hitsiny raha toa ka mahatsiaro sy manatona azy ireo izahay, androany. Ao anatin’ny vinantsika ny fampidirana ny ankizy rehetra any an-tsekoly », hoy ny minisitra.

Tamin’io fotoana io no nanolorany fitaovana fanabeazana an’ireo ankizy ireo, toy ny Rakibolana, boky isaky ny taranja (ohatra ny kajy) ary niampy ireo kojakoja fiarovana amin’ny valanaretina Covid-19.

L’article Fanabeazana tsy mialonjafy :: Manampy ny zaza tsy tafiditra an-tsekoly ny fisian’ireo akany est apparu en premier sur AoRaha.

Fanabeazana tsy mialonjafy :: Manampy ny zaza tsy tafiditra an-tsekoly ny fisian’ireo akany

Nivoaka tamin'ny : 09/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Rakotovao Andriambololona: tsy araka ny tokony ho izy ny tamberim-bidy azo amin’ny atody

Renivohitry ny atody ny any Mahitsy sy ny manodidina. Tsy mbola araka ny tokony ho izy anefa ny fanangonana ny tamberim-bidy avy amin’ny varotra atody, araka ny notaterin’ny ben’ny Tanàna Mahitsy an-tampon-tanàna, Rakotovao Andriambololona. Dinidinika.Taratra (-): Manao ahoana ny famokarana atody any Mahitsy?Rakotovao Andriambololona (*): Miroborobo sady mampandroso ny tanàna ny famokarana atody, anisan’ny mampalaza an’i Mahitsy sy ny manodidina. Vokarina eto amin’ny kaominina Mahitsy sy ny kaominina manodidina, toy ny any Antanetibe Mahazaza ny 30 hatramin’ny 40%-n’ny atody vokarina eto Madagasikara mamatsy ny tsena. Raha ny eto Mahitsy, manodidina ny 20.000 isan’andro ny atody mivoaka, mankany an-dRenivohitra sy any amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara. Mahatratra anetsiny isan’andro izany raha miaraka amin’ny kaominina Mahazaza. Hakana tamberim-bidy 1 Ar isaky ny atody, araka ny fanapahan’ny filankevitra monisipaly.Manodidina ny 200.000 Ar hatramin’ny 250.000 Ar isan-taona ny tamberim-bidy azo avy amin’ny atody miditra ao amin’ny kaominina.-Tsy kely loatra ve izany vola izany?*Tsy tena araka ny tokony ho izy tokoa izany. Tena mandoa ny ampahany betsaka amin’io ny mpiompy vaventy na salantsalany, manana akoho manatody lava mihoatra ny 2.000, fa tsy mandoa ireo mpiompy tena madinika. Misy koa tsy hitanay ny atody mivoaka na miezaka manara-maso ihany izahay. Raha ny vinavina ao anatin’ny tetibolan’ny kaominina (budget primitif), tokony ho any  amin’ny 500.000 Ar hatramin’ny 600.000 Ar ny tamberim-bidy ho azo.Saingy tsy ampy ny isan’ny mpiasa tokony hanangona ny hetra na ny tamberim-bidy nefa manodidina ny 200 ny orinasa sy/na mpandraharaha eto Mahitsy. Ny polisy kaominaly aza, telo monja ny isany. Soa, fa manampy betsaka amin’ny asa sosialy ireo orinasa na mpandraharaha ireo.-Ary manao ahoana ilay “Lalan’ny atody”?*Nanomboka ny jolay 2018 ny fanamboarana ity lalana ity, mampitohy an’i Mahitsy sy Mahazaza, mirefy 13 km. Efa vita hatrany amin’ny 40% ny asa ary tokony ho vita afaka roa volana (amin’ny volana oktobra). Raitra tokoa ity lalam-baovao ity satria atao godirao ary ahitana arabe (voie) ahafahan’ny fiara roa na telo mivezivezy.Nangonin’i Njaka AndriantefiarinesyL’article Rakotovao Andriambololona: tsy araka ny tokony ho izy ny tamberim-bidy azo amin’ny atody a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Covid-19 : Hopitaly 23 hovatsin’ny Unicef oxygène

Raha ny fivoaran’ny fitsaboana ny valanaretina Covid-19 amin’izao fotoana izao, mety hitombo avo roa heny, eny, mety hiakatra avo telo heny mihitsy aza ny fampiasana oxygène ato ho ato. Ny fahatsapana izany indrindra ny nahatonga ny Unicef hamatsy oxygène ireo hopitaly 23 manerana ireo faritra 17, mandray an-tanana ireo mararin’ny Covid-19, indrindra ireo tena marary mafy (forme grave). Araka izany, tonga amin’ny ilàna azy indrindra izao fa­nampiana izao. Fantatra ma­ntsy fa mandany tavoahangina oxygène 10 ny mararin’ny Covid-19 iray mandritra ny fitsaboana azy. Hatramin’ny 24 jona lasa teo, tavoahangina oxygène miisa 2 680 ny efa naparitaky ny Unicef any amin’ireo toeram-pitsaboana sa­mi­hafa mandray ireo mararin’ny Covid-19. Miovaova araka ny faritra ny vidin’ny tavoahangina oxygène iray. Mano­di­dina ny 108 000 Ar hatramin’ny 225 000 Ar, izany hoe, efa mahatratra 295 209 000 Ar (77 626 USD) ny vidin’ireo oxygène efa natolotry ny Unicef. “Tena zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ny rehetra ahazoana mamonjy ny ain’ireo mararin’ny Covid-19”, hoy ny solontena mpisolo toerana eo anivon’ny Unicef Ma­da­gascar, i Jean-Benoît Man­has.M.R.L’article Covid-19 : Hopitaly 23 hovatsin’ny Unicef oxygène a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Lozam-pifamoivoizana :: Lehilahy iray namoy ny ainy, olona efatra naratra voadonan’ny fiara

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray, dimy amby roapolo taona, voadonan’ny fiara tetsy Ankazomanga, omaly maraina. Olona efatra hafa naratra. Efa voatazona eny amin’ny polisy ny mpamily nitondra ny fiara nanao loza. «Nirimorimo nandeha mafy avy any ilay fiara tsy mataho-dalana. Nanidina mihitsy izy rehefa nandalo teo amin’ny dongona fampihenana ny hafainganam-pandeha. Nandona olona sy nifatratra teo an-tsisin’arabe, avy eo», hoy ny olona milaza ho nahita ny fisehon’ny loza. Nandona fiara iray marika « Peugeot 306 » nijanona teo an-tsisin-dalana io fiara tsy mataho-dalana io. Voadonany ihany koa ny olona telo nandeha an-tongotra teo akaiky teo. Namoy ny ainy teo no ho eo ny tovolahy iray, izay mipetraka eny amin’ny manodidina ihany. Naratra ny lehilahy iray, roa amby dimampolo taona sy vehivavy, roapolo taona. «Nizotra ho any Andraharo ity fiara nanao loza. Niezaka niala bisikileta iray teo alohany izy kanjo tavafoaka ny arabe. Ankoatra ny fiara sy ireo mpandeha an-tongotra voadona dia naratra ihany koa ilay mpitondra bisikileta teo alohany sy mpitondra môtô iray nanaraka azy tao aoriana», araka ny fanampim-panazavana avy amin’ny polisy. Nitangorona ny olona. Nivoaka avy tao anaty fiara ary nafenina tao amina fivarotana iray teo akaiky teo ny mpamily, teo am-piandrasana ny mpitandro filaminana. Ny polisy ao amin’ny Borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana (BAC), etsy Tsaralalàna, no misahana ny fanadihadiana. Nalain’ny fiara avy amin’ny Birao misahana ny fahadiovana (Bmh) ny razana. Naterina eny amin’ny hopitaly ireo maratra. L’article Lozam-pifamoivoizana :: Lehilahy iray namoy ny ainy, olona efatra naratra voadonan’ny fiara est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kianja Barea Mahamasina: ho vita tsy ho ela ny “tribune centrale”

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanamboarana ny kianja Barea Mahamasina, na teo aza ny fisian’ny valanaretina “covid-19”. Fantatra ary izao, taorian’ny fitsidihana ifotony nataon’ny mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena amin’ny tetikasa an-tanan-dehibe sy ny fotodrafitrasa ary ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny alatsinainy lasa teo fa ho vita mialoha ny 14 oktobra ny fandrarahana ny «béton» amin’ny « tribune centrale». Aorian’izay, hisy akora atao eo amboniny, ho mateza tsara. Efa eo am-pamitana ny rihana fahatelo amin’ireo efatra hipetraka amin’ny “tribune centrale” ny orinasa CSCOD (China state construction overseas development), amin’izao fotoana izao.Ankoatra izay, hisy tohatra roa lehibe amin’ny sisin’ny “tribune”,  ho fidirana any amin’ny rihana voalohany, izay mahazaka mpijery eo amin’ny 2904. Ho an’ny “gradin» vaovao indray, efa vita ny 90%, amin’izao fotoana izao, ny fototra miisa 172.Efa voarafitra ihany koa ireo fantsona hitondra ny jiro sy ny rano. Toy izany koa ny toerana hametrahana ireo birao isan-tokony sy ny toeram-pivoahana. Mahakasika ny kianja filalaovana, efa eo am-pamaranana ny fifantenana ny orinasa manokana hanatanteraka izany ny CSCOD, ankehitriny. Marihina fa bozaka natoraly, saingy misy fomba fanondrahana avy any ambanin’ny tany no hatao aminy. Hanomboka ny volana desambra ny fametrahana ireo fantsona fanondrahana ary aorian’ny fotoan’ny orana no hampitsiry ny bozaka. TompondakaL’article Kianja Barea Mahamasina: ho vita tsy ho ela ny “tribune centrale” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Dihy ankehitriny – Any Tchad: mampiofana ireo mpitsoa-ponenana, ankizy sahirana i Julie I.

Maro ny tanora Malagasy sangany eo amin’ny soradihy. Samy manana ny mampiavaka azy izy ireny. Ankoatra ny fizarana fahaizana, mampiaraka izany amin’ny hetsika sosialy ihany koa i Julie Iarisoa. Anisan’ny misitraka izany ireo mpitsoa-ponenana, any ambanivohitr’i Tchad any.Hafa noho ny hafa ny sehatra nizaran’i Julie Iarisoa, mpanao soradihy ankehitriny tsy zovina amin’ny maro intsony, ny fahaizany sy ny traikefany eo amin’ity tontolon-javakanto iray ity, amin’izao fotoana izao. Nantsoin’ny fikambanana Ndam Se Na, tarihin’ilay mpanao soradihy Taigue Ahmed, any Tchad, ity mpanakanto malagasy ity.Izy no nosafidian’ny fikambanana hampiofana ireo mpampiofana dihy, ho an’ireo sokajin’olona sahirana, toy ny mpitsoa-ponenana noho ny ady, ny ankizy eny an-dalambe ary ny vondron’olona any anaty fianakaviana sahirana any. “Ny antony niantsoan-dry zareo ahy, noho izaho manao ilay tetikasa “Dihy ho an’ny rehetra”, ao amin’ny Espace Maray any Androndra. Eo koa ny fanaovako asa sosialy amin’ny alalan’ny dihy”, hoy ny fanazavan’i Julie Iarisoa.Tanjon’ny fanofanana ireo mpampiofana momba ny dihy, any Tchad, ny hanamafy ny traikefa momba ny dihy ho fitaovana hampivoarana ara-tsosialy any amin’ireo fianakaviana misedra fahasahiranana sy voatery mitsoa-ponenana noho ny ady. Efa vita ny iray volana nanaovana fiofanana teorika (ny 14 avrily hatramin’ny 14 mey teo). Tao anatin’ny fampiharana kosa izy ireo, taorian’io hatramin’ny androany.Manome atrikasa sy manao fampisehoana ho an’ireo mpitsoa-ponenana, any amin’ny sisin-tany, izay toerana misy ady matetika. Toerana ambanivohitr’i Tchad izy ireo, raha ny fanazavan’i Julie Iarisoa.  Maharitra telo herinandro ny fampiharana, izany hoe hifarana ny faran’ity volana mey ity ary mbola hiverina any, ny volana septambra, hanohy ny atrikasa sy hanao tombana ny zava-bita.“Ho ahy manokana, manampy ny traikefa efa ananako ny fanofanana aty… Ahitana ny zava-misy, izay tsy mitovy ny any Madagasikara ary manosika ahy handroso hatrany amin’ny fizarana ny dihy eo amin’ny sehatra sosialy. Mpanao soradihy dimy izahay no manaraka ilay fiofanana”, hoy i Julie Iarisoa.Landy R.L’article Dihy ankehitriny – Any Tchad: mampiofana ireo mpitsoa-ponenana, ankizy sahirana i Julie I. a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Avotry ny mpamonjy voina ihany: tovolahy marary saina nihanika  “pylone”-n’ny Jirama

Hatairana ny an’ireo mpandalo sy ny mponina teny Anosizato, omaly maraina, manodidina ny tamin’ny 09 ora. Lehilahy tsy salama saina iray nihanika ny andrin-jiorn’ny Jirama teny an-toerana. Araka ny fantatra, mitondra herinaratra mahery vaika eny Anosizato io andrin-jiro io. Efa tonga teny amin’ny faratampony ralehilahy ka niantsoana ny sampana mpamonjy voina. « Vao naharay antso izahay dia nidina teny an-toerana avy hatrany. Efa teny ihany koa ny teo anivon’ny jirama », hoy ny fanazavan’ny lieutenant-colonel Razafimanahaka Tiana, lehiben’ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana. Voatery notapahana, araka izany, ny herinaratra tamina faritra maro mba hisorohana ny loza. Isan’izany ny teny Ampitatafika, Itaosy, Ambohidrapeto sy ny manodidina. Voakasik’izany koa ny teny amin’ny digue, Andranoro, Ambohibao sy ny manodidina. Tapaka ihany koa ny herinaratra teny 67ha, Isotry, Isoraka sy ny manodidina. « Nananosarotra ny fampidinana ilay olona teny amin’ilay andrin-jiro », hoy ny fanazavana voaray. Manampy trotraka izany koa ny aavon’ilay andrin-jiro. « Antony mahasarobidy ny lanjan’ny fiofanana ataon’ireo mpamonjy voina », hoy hatrany io tompon’andraikitra io. Minitra vitsy taorian’izay, tafidina soa aman-tsara ilay tsy salama saina ary nalefa teny amin’ny hopitaly Befelatanana, sampana « neurologie ». Taorian’izay, tonga namonjy azy teny koa ny fianakaviany. Efa niverina amin’ny laoniny kosa ny famatsiana herinatra teo amin’ireo toerana voatanisa.Tsy nisy ihany koa ny aina nafoy sy naratra nandritra ny tranga. Henintsoa HaniL’article Avotry ny mpamonjy voina ihany: tovolahy marary saina nihanika  “pylone”-n’ny Jirama a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lozam-pifamoivoizana tao Toliara: tsy nanaiky LP ho an’ilay karana nahafaty olona ny vahoaka

 Namono nahafaty olona iray ny fiara nentin’ity teratany karana ity, ny 26 jiona lasa teo ka maty tsy tra-drano tamin’izany i Mampiono Miller izay nitondra mato. Mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao ny namany niaraka taminy tamin’io fotoana io, araka ny fanazavana voaray. Akory anefa ny hatairan’ny fianakaviany raha nandray ny fiantsoana azy ireo, ny zoma lasa teo fa naroso omaly ny fitsarana ilay teratany karana mizaka ny zom-pirenena malagasy sy frantsay. Nangataka ny fanemorana ny raharaha ny mpisolovava ny fianakavian’ny maty kanefa tsy nahazo fa nahemotra ny harivan’io andro io ihany ity raharaha ity. Fantatra fa efa naiditra am-ponja vonjimaika ity Karana ity, roa andro taorian’ny nisehoan’ny loza. Niezaka ihany ity Karana ity nanao fampiraharahana fa tsy nanaiky ny fianakaviana satria efa eo am-pelatananan’ny Fitsarana ny raharaha. Anisan’ny mampiahiahy ny fianakaviany ny tsy faneken’ny mpitsara io fanemorana io. Manoloana izany, nitondra sora-baventy ny fokonolona nanatrika ity raharaha ity noho ny fahenoana fa misy fangatahan’ity Karana ity famotsorana vonjimaika alohan’ny hiantombohan’ny fitsarana. Nanambara ny teo anivon’ny Fitsarana fa ny 22 aogositra 2019 ho avy izao ny didim-pitsarana momba izao raharaha izao. Nilaza ny fianakaviana tamin’ny alalan’ny fanambarana nataon’izy ireo fa miandry am-pahatoniana ny valin’ny fitsarana ary mametraka izany eo ambany fahendren’ny fitsarana hampihatra ny lalàna, araka ny tokony ho izy satria ny olona namono olona dia tokony handray ny sazy sahaza ho azy. Tsiahivina fa efa nisy fiara 4×4 nahafaty olona toy izao teny Ankazomanga, ny herinandro teo fa tonga dia nidoboka am-ponja avy hatrany ilay mpamily nahavanon-doza.CMSL’article Lozam-pifamoivoizana tao Toliara: tsy nanaiky LP ho an’ilay karana nahafaty olona ny vahoaka a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanolanana zazakely 6 taona: jiolahy iray voaheloka dimy taona an-tranomaizina

Fanamelohana sazy mihatra dimy taona an-tranomaizina ny nomen’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava ao Toamasina ny jiolahy iray nandritra ny fotoam-pitsarana ady heloka bevava, afakomaly, momba ilay raharaha fanolanana miharo herisetra tamina zazakely vao 6 taona monja.Maivana loatra ilay sazy nomen’ny fitsarana! Raha hiverenana ity raharaha ity, naolan’i Zara Michel, 25 taona, i Velotody Jessica, zazakely enin-taona, ny 27 jona 2018 tao Vohilengo, Fenoarivo Atsinanana. Raha ny fanazavany nandritra ny fitsarana azy, nantsoiny nanaraka azy hiditra tao amina efitrano iray tsy misy olona ao Vohilengo ilay niharam-boina ka nentiny avy hatrany teny ambony fandriana nanaovany ny filàn-dratsiny. Nikiaka ilay tsy manan-tsiny ka nofatorany lamba ny vavany. Rehefa vita ny filany, norahonany tsy hiteny na amin’iza na amin’iza ilay niharam-boina fa hovonoiny raha miteny amin’olona, araka ny fanazavan’ilay voampanga hatrany. Tsikaritry ny renin’ilay zaza anefa ny fihetsik’ity zanany somary hafahafa ka nanontaniany ary nambaran’ity niharam-boina ny anaran’ilay jiolahy nahavanon-doza taminy. Tokony homena ny sazy faran’izay henjana itony mahavita fihetsika mamoafady amin’ny ankizy tsy ampy taona itony. Any ivelany, fanamelohana ho faty na figadrana mandra-pahafaty ny mahazo ny olona manao fihetsika mamoafady na manolana ankizy toy izao.Sajo sy Jean ClaudeL’article Fanolanana zazakely 6 taona: jiolahy iray voaheloka dimy taona an-tranomaizina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsara ny mihetsika saingy: tsy laharam-pahamehana ny seho ivelany

Famerenana ny Malagasy ho eny an-doharano, hono! Ilaina maika tokoa ny fanatanterahana izany satria tsy hisy raha manjary eto raha tsy resy lahatra ny Malagasy fa Malagasy izy sy ny momba azy. Tsy laharam-pahamehana ny fanaovana izany endrika ivelany fotsiny. Te hoderaina, te hojerena, te hodokafana, te hiavaka… Ka aleo manao malabary, asiana mpikabary ny “fety” atao. Aleo ireo tarika mpanao « gasigasy » no alaina, sns! Raha tsy ireo karazan-toetra mirefarefa amin’ny tany ireo no miala ao amin’ny Malagasy, tsy ho tafiditra ao aminy mihitsy ny maha izy azy.… Noho izany, mila hampahafantarina ny Malagasy fa manana ny maha izy azy izy ka tsy voatery hitelin-drora manoloana ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ny fomba amam-panao avy any ivelany. Io asa goavana io no tsy ampy any anivon’ny tokantrano, eny amin’ny fiarahamonina, sns, hany ka mahazo vahana rehefa mety ho endrika ivelany.Fa maninona ireo ray aman-dreny no tsy afaka mampiaina sy mampahafantatra ny zanany ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ny fomba amam-panao malagasy? Fa maninona ireo raiamandreny no manaiky sy manara-davahana fotsiny amin’ireo fanaovana tsinontsinona ny maha Malagasy?… Satria ilay endrika ivelany fotsiny no isalorana fa tsy latsaka anaty akory ilay fiainana sy fahafantarana ny maha Malagasy!HaRy Razafindrakoto L’article Tsara ny mihetsika saingy: tsy laharam-pahamehana ny seho ivelany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisiteran’ny Mponina: haorina ny village communautaire faharoa

Hitohy ny fijerena manokana ireo mponina tsy manan-kialofana ny matory eny an-dalambe, hoy ny talen’ny kabinetra vaovaon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Andriantseheno Paul, omaly nandritra ny famindrana ny fitantanana teo aminy sy ny talen’ny kabinetra teo aloha, Rasoamaromaka Hery. Efa misy ny tetikasa handraisana an-tanana azy ireo, araka ny paikadin’ny minisitera. Nizara sakafo mafana sy lamba firakotra amin’ireotoerana vitsivitsy nisy ireo tsy manan-kialofana ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Mponina. Ireo tunnel telo eto an-dRenivohitra : Ambanidia, Ambohidahy ary Behoririka no notolorana fanampiana. 250 ireo nomena sakafo mafana, 50 amin’ireo vehivavy mampinono sy mitondra vohoka ary nahazo botofotsy koa. Nanambara ny minisitry ny mponina Naharimamy Lucien Irmah fa tohin’ny fidinana efa natao tamin’ ny faran’ny herinandro lasa teo, no natao ny alin’ny alakamisy lasa teo. Tsy misy tahirim-bola manokana hanaovana ny hetsika fa fandraisana andraikitra mivantana ataon’ny mpiara-miasa eto anivon’ny minisitera. Eo am-pamolavolana ny fananganana village communautaire ny fitondram-panjakana. Mamantatra ireo olona tokony hahazo trano amin’izany village communautaire izany ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Mponina. Efa manana toerana any Ankarefo ny minisiteran’ny Mponina amin’izao fotoana izao. Amin’ity taona ity,  vinavina ny hanangana toerana hafa any Vinaninkarena, kaominina ambanivohitra Antsirabe. Asiana toeram-pambolena sy fiompiana hiveloman’ny mpifindra monina ny tanàna vaovao.Vonjy A. L’article Minisiteran’ny Mponina: haorina ny village communautaire faharoa a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020
24/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Bilan epidemiologique du 24 Septembre 2020 Ce 24 Septembre 2020, Madagascar enregistre 24 nouveaux cas sur 284 tests effectués. 8 des ces nouveaux cas sont localisés dans la région Diana, 5 nouveaux cas dans la région d’Analamanga, 5 nouveaux cas dans la région Alaotra Mangoro, 2 nouveaux cas dans la région Menabe, 1 nouveau cas dans la région Itasy, 1 nouveau cas dans la région Haute Matsiatra et 1 nouveau cas dans la région Anosy. Par contre, 14 883 personnes sont totalement guéries du Covid-19 car ce jour, 45 personnes rétablies sont recensées par le CCO-COVID-19. De ce fait, 1129 patients suivent encore des traitements dont 15 presentent des formes graves. Par ailleurs, une personne a succombé au coronavirus, portant à 227 le nombre total des personnes décédées du Covid-19. Rappelons nous que depuis le debut de la pandémie, Madagascar enregistre 16 191 personnes contaminées.L’article COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

COVID-19: Statistiques du 25 Septembre 2020
25/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistiques du 25 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.D’après le bilan quotidien sur la situation de pandémie de Covid-19 à Madagascar rapporté ce vendredi 25 septembre, 30 personnes ont été diagnostiquées positives au coronavirus sur les 277 échantillons analysés. Ainsi, la Grande Île compte 16221 cas de contaminations depuis le mois de mars. La répartition de ces nouveaux cas se présente comme suit: 10 cas à Analamanga, 7 cas à Alaotra Mangoro, 4 cas à Matsiatra Ambony, 7 cas à Diana, 1 cas à Atsimo Andrefana et 1 cas à Menabe. Actuellement, 14867 d’entre eux sont déjà guéris, ce qui porte à 1124 le nombre des patients encore en traitement. Toutefois, ce qui est rassurant est qu’il ne reste plus que 11 formes graves sur ces cas actifs. Par ailleurs, 34 guérisons ont été annoncées et un nouveau victime. Désormais, le pays compte 228 décès liés au coronavirus. L’article COVID-19: Statistiques du 25 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Savorovoro teny Ambohimangakely :: Nanapoahana baomba ny fanaparitahana mpivarotra amoron-dalana
21/09/2020

Niteraka korontana ny fanesorana an’ireo mpivarotra amoron-dalana, teny amin’ny kaominina Ambohimangakely, afak’ omaly. Voatery niditra an-tsehatra nanampy ny Polisy kaominaly ireo Polisim-pirenena misahana ny distrikan’Avaradrano. Nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso tamin’ny fandravana an’ireo andiana mpivarotra nanakana ny lalam-pirenena faharoa tamin’ny alalan’ny fandorana kodiarana. Nahitana marimaritra iraisana ihany anefa ity toe-javatra ity, taorian’izay ary soa fa tsy dia naninona ny vehivavy iray nitondra vohoka izay torana noho ny baomba mandatsa-dranomaso. Nanomboka tamin’ny 7 ora maraina ny hetsika nanesorana an’ireo mpivarotra amorondalana teny Ambohimangakely, tamin’ny sabotsy. Nasain’ny mpitandro filaminana hiditra tao anatin’ny tsena nomen’ny kaominina ireo mpivarotra. Ny fandraofana ny entam-barotra no tena nampitroatra an’iretsy farany. Nilamina ny toe-draharaha rehefa nisy ny fihaonana teo amin’ny Ben’ny tanàna, Radafy Thierry sy ny solontenan’ireo mpivarotra, tamin’ny sabotsy hariva. Mitazona ny fepetra tsy fahafahana mivarotra amoron-dalana ny kaominina satria tsy mihemotra amin’ny ezaka fanadiovana sy fampandrosoana ary fampanarahan-dalàna ny tanàna ry zareo mpitantana. Nanaiky ny hiditra ao anatin’ny tsena vaovao ihany ireo mpivarotra, saingy tsy hampadoa haban-tsena azy ireo hatramin’ny faran’ny volana oktobra ny kaominina mba hitsinjovana an’ireo fianakaviana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. L’article Savorovoro teny Ambohimangakely :: Nanapoahana baomba ny fanaparitahana mpivarotra amoron-dalana est apparu en premier sur AoRaha.

Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020
22/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Selon les données statistiques du Centre de commandement opérationnel (CCO) Covid-19 de ce 22 Septembre 2020, les nouveaux cas des dernières 24h sont au nombre de 63 sur 598 tests effectués, portant à 1165 le nombre de cas actifs actuels dont 20 présentent des formes graves. La majorité des nouveaux cas sont localisés dans la région de Sava avec 25 cas, suivi de Alaotra Mangoro avec 13 cas, la région Diana avec 9 cas, la région vatovavy Fitovinany avec 3 cas, la région Analamanga avec 6 cas et la région de Boeny avec 1 cas. Quant aux guérisons, 61 cas de guérisons ont été également annoncés par le Pr Vololontiana, de ce fait sur 16 136 personnes contaminées du Coronavirus dans toute la Grande Île, 14 743 personnes sont totalement rétablies du Covid-19. 1 décès liés au Covid-19 a été rapporté par la porte-parole du CCO Covid-19, depuis le début de l’épidémie en mars 2020, le nombre de décès liés au coronavirus à Madagascar est de 226L’article Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Mitaky vahaolana momba ny tranon’ny mpianatra ny Seces
22/09/2020

Naneho hevitra eo anatrehan’ny fatiantoka lehibe mianjady amin’ny mpianatra sy ny oniversiten’Antananarivo amin’ny ankapobeny tamin’ny loza nitranga tao Ankatso II, oniversiten’Antananarivo, ny faran’ny herinandro lasa teo, ka nahamay ny Bloc Amicale fonenan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite ny Seces sampana Antananarivo. Manantena izy ireo fa hisy fandraisana andraikitra ahazoana toky fa tsy hiverina eo anivon’ireo Anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana sy ireo foibem-pikarohana nasionaly intsony ny loza toy ireny. Mampahatsiahy sy manaitra ny fitondram-panjakana ny mpikambana ao amin’ny Seces amin’ny maha zava-dehibe ny fametrahana ny mpianatra amin’ny trano fonenana manara-penitra, hahafahan’izy ireo miaina sy mianatra ao anatin’ny filaminan-tsaina tanteraka.May ny trano vondro ipetrahan’ny mpianatraNohamafisin’ny birao fa vahaolana maika, azo tsapain-tanana sy mahomby ary maharitra hamahana ny olana no ilaina momba ny tranon’ny mpianatra. Zava-misy mahamenatra sy vato misakana amin’ny fahatrarana ny kalitao no sady tsy mendrika ny fampianarana ambony ny fotodrafitrasa misy amin’izao fotoana izao. Mankahery ireo mpianatra niharam-boina ny mpampianatra mpikaroka satria tsy mora ny mamoy ny trano fonenana sy ireo entana ary fitaovana entina manatanteraka ny fianarana.Vao tsy ela akory no may ny trano vondro ipetrahan’ny mpianatra miisa 62 any Maninday.VonjyL’article Mitaky vahaolana momba ny tranon’ny mpianatra ny Seces a été récupéré chez Newsmada.

Ho an’ny tany mahantra: manampy ny G20 amin’ny fanalefahana trosa
21/09/2020

Fanalefana trosa na fanafoanana izany avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra ho an’ny tany mahantra. « Fanomezana farany » ahafahan’ny fanjakana mizaka trosa hafa any amin’ny sehatra tsy miankina. Nanomboka izany fanalefahana na fafoanana trosa izany ny mpikambana ao amin’ny G20*, ny volana avrily tamin’ity taona ity, rehefa tafiditra amin’ny tany afrikanina maro ny Covid-19.Iaraha-mahalala ny fitotongan’ny toekarena ankehitriny, ilàna famatsiam-bola ho an’ny firenena tsy ampy vola (PFR)*. Antony nahatonga ny G20 nandray fepetra ho fanalefahana ny trosa amin’izay firenena afrikanina mangataka izany. Miombon-kevitra, ohatra, ny fanjakana eoropeanina sy ny banky hanitatra izany any amina sehatra tsy miankina, hanamaivana ihany koa ny trosan’izy ireo.Misy ihany ireo mpampiasa vola niala an-daharana, na miasa ihany fa misafidy mampihena izay azo ahena, toy ny isan’ny mpiasa, ny sehatra trandrahina. Mifidy tombom-barotra kely fa mizotra ny raharaha, toy izay mampiasa volabe nefa mety hiteraka fatiantoka goavana. 6 000 miliara dolara ny fanitarana tetibola avy amin’ireo banky foibe ao amin’ny G20, nandraisana anjara amin’ny toeran’ireo sahirana noho ny fihanaky ny valanaretina, manampy amin’ny fiatrehana ny trosan’ny firenena sasany. R.MathieuG20*: Ahitana firenena 19 miampy ny Vondrona eoropeaninaPFR*: Pays à faible revenuL’article Ho an’ny tany mahantra: manampy ny G20 amin’ny fanalefahana trosa a été récupéré chez Newsmada.

Tetikasa Atrika: tohana ho an’ny mpandraharaha madinika
24/09/2020

Natao, omaly tetsy Tsaralalana, trano fiasan’ny Madagascar Entreprise Développement (MED), ny fanolorana ny tohana ara-bola ho an’ireo mpandraharaha madinika 100 voafantina tamin’ny tetikasa “Atrika” nokarakarain’ny vondrona MED. 50 000 000 Ar izany tohana izany izay natao indrindra hanohanana ireo mpandraharaha madinika mpikambana ao amin’ny MED, noho ny fahavoazana vokatry ny valanaretina Covid-19. Efa nahazo fiofanana tao amin’ny MED izy ireo. 1 900 ireo nametraka antontan-taratasy tamin’ity tetikasa ity fa ireo 100 ireo no voafantina taorian’ny sivana natao ny 7 sy ny 8 septambra teo. Nisy ny masontsivana napetraka natao laharam-pahamehana tamin’ireo mpifaninana: vehivavy mpikambana ao amin’ny vondrona, olona manana fahasembanana ary mivelona amin’ny sehatrasa tena manakaiky vahoaka.Marihina fa ny IECD (Institut européen de coopération et de développement) no mpamatsy vola tamin’izao tetikasa “Atrika” izao. Miasa amina firenena 15 izy io ka anisany i Madagasikara izay sahanin’ny MED. Mpikambana efa anjatony, amin’izao fotoana izao, ny avondron’ny MED izay efa nanaraka fiofanana tao aminy amina sehatrasa fito, toy ny sehatry ny fiompiana sy ny fambolena, ny asa tanana, ny varotra, ny indostria, ny fizahantany…Andry F.L’article Tetikasa Atrika: tohana ho an’ny mpandraharaha madinika a été récupéré chez Newsmada.

Maroantsetra: tovovavy iray hita faty nihantona
22/09/2020

Hatairana ny an’ny rehetra raha nahitana fatina tovovavikely iray 16 taona nihantona tao anaty kirihitr’ala iray, ny faran’ny herinandro teo. Fantatra fa mbola mpianatra ao amin’ny Ceg Ambodiaramy ity tovovavy hita faty ity. Tsy fantatra mazava aloha, hatreto, izay marina momba izao fahafatesana izao. Voalazan’ireo olona mahafantatra tsara ity tovovavy ity kosa anefa fa hoe misy olana teo aminy sy ny ray aman-dreniny ary ahina ho misy ifandraisany amin’izany izao raharaha izao. Araka ny nambarany, tamin’ireo olona nifanerasera taminy fony fahavelony, matetika no misy olana eo aminy sy ireo ray aman-dreniny. Mijanona ho tombana sy ahiahy fotsiny ihany anefa izany fa ny fanadihadiana rehetra no mamaritra ny tena marina momba ity fahafatesana ity. Efa nampidinina teo amin’ny toerana nahitana azy ny razana ary efa lasan’ny fianakaviany. Na eo aza ny olana sy ny sedram-piainana samihafa, tsy vahaolana ny famonoan-tena.J.CL’article Maroantsetra: tovovavy iray hita faty nihantona a été récupéré chez Newsmada.

Tarika Kafa: nodimandry Randrianarisoa Richard
23/09/2020

« Nifanafatra foana, nifanome fotoana, indrindra tato ho ato, nifanao andraso andraso”… Iray amin’ireo tononkira nampalaza ny tarika Kafa tany ho any amin’ny taona 1983. Nindaosin’ny fahafatesana, ny 21 septambra teo, Randrianarisoa Richard, fantatra teo amin’ny tontolon’ny hira tamin’ny anarana hoe Kafa, fanafohezana ny “Kalo no fahafinaretana”. Raha ny heno, efa amam-bolana tsy salama i Richard Kafa. 61 taona izy izao nodimandry tany Analavory izao. Iray amin’ireo tarika nanana ny naha izy azy tany ho any amin’ny taona 1985 ry Kafa. Tononkira tsotra, gadona tsy niala lavitra ny funk ny nampitan’i Richard sy ireo namany ny hafatra tao anatin’ny sanganasany. Iray amin’ireny ny “Tanisan’ny manina” (Isan’ny amontana, roa ny aviavy …).Raha ny fandaharam-potoana, anio amin’ny 9 ora maraina no hiala ao an-tranony ao Miadanarivo ny nofomangatsiakany, aorian’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Handalo ao amin’ny PK 41 Mangatany Arivonimamo amin’ny 11 ora maraina ary hasitrika ao amin’ny fasan-drazany Ambohimandroso Arivonimamo avy eo.Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.Nanangona: HaRy RazafindrakotoL’article Tarika Kafa: nodimandry Randrianarisoa Richard a été récupéré chez Newsmada.

Fisorohana ny valanaretina: nisintaka tany ambanivohitra ny ankizy
24/09/2020

“Noho ny faharefoan’ny ankizy raisina an-tanana ao amin’ny akany, nisintaka mihitsy tany ambanivohitra ny zaza sy ny mpikarakara nandritra ny fihibohana hisorohana ny fahazoan’izy ireo ny tsimokaretina”, hoy ny mpitantana ny akany fandraisana. Nikatona tanteraka ny akany eny Mahamasina. Antso amin’ny finday fizarana vaovao sy fandefasana vola amin’ny finday ny tantsoroka natao ireo ray aman-dreny rehetra tohanan’ny ONG.Nisy nanala fanadinana CEPE ny ankizy tohanana ary afaka soa aman-tsara avokoa fa roa kosa no niala an-daharana noho ny fahasahiranana tao anatin’ny fihibohana. “Zavatra mampalahelo izany nefa izahay koa, niala teto amin’ny akany ka sarotra ny faharaha-maso ny ankizy », hoy ny fanazavany ihany. Ankehitriny, efa miverina tsikelikely amin’ny fiainany ny akany sy ireo asa rehetra nataon’ny ONG ho tantsoroka amin’ny fianakaviana. Hatramin’ny taona 1988 niorenan’ny akany, 180 mahery ny ankizy nobeazina sy noraisina an-tanana tao. Nivoatra tsikelikely ny toeram-pandraisana izay niandoha tamin’ny zaza roa voan’ny aretina raboka ka nalain’ny mpanorina notsaboina tao an-tokantranony. Avy amin’ny fianakaviana sahirana monina eny amin’ny faritra iva: Andavamamba, Anatihazo, Itaosy, Ambatomaro … ireo ankizy beazina ao. Betsaka ny antso azo nandritra ny fihibohana fa noho ny antony ara-pahasalamana, tsy afa-nanoatra ny mpitantana. Vonjy    L’article Fisorohana ny valanaretina: nisintaka tany ambanivohitra ny ankizy a été récupéré chez Newsmada.

Ho fitandroana ny fiarahamonina: mila fehezina ny biby tsy hanelingelina ny manodidina
23/09/2020

Araka ny toko faharoa miresaka momba ireo tabataba isan-karazany mety hanelingelina ny fiarahamonina ao amin’ilay “Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana”, mila fehezina ny feo mety hanakotaba ny hafa.Ao amin’ny sokajy fahefatra, andininy faha- 79 momba ny kotaba ataon’ny biby, tsy maintsy mandray fepetra manokana rehetra hisorohana ny fanelingelenana ny manodidina ny tompon’ny biby. Mila mampiasa amin’ny fomba rehetra hanerena ireo biby tsy hikorontana miverimberina sy mafy, toy ny fehivava, ny fanofanana, indrindra koa ny fampidirana azy an-trano raha hiala ny toeram-ponenana ny tompony. Voakasik’izany indrindra ny alika.Ao amin’ny sokajy faharoa ny momba ny fampiasana fitaovan-jaridaina maneno mafy. Ireo asa fanamboarana na ny fanaovan-jaridaina ataon’ireo olona manokana amin’ny alalan’ny zavatra na ny fitaovana mety hiteraka fanelingelenana ny manodidina noho ny hamafin’ny feo, toy ny fanapahana ahitra misy motera, ny fanapahana, ny fandavahana, ny fikikisana na ny fanapahana mekanika dia tsy azo atao afa-tsy amin’ireo andro fiasàna, amin’ny 8 ora 30 hatramin’ny 12 ora sy amin’ny 1 ora 30 hatramin’ny 7 ora 30 hariva. Eo kosa ny asabotsy amin’ny 9 ora hatramin’ny 12 ora sy amin’ny 2 ora hatramin’ny 5 ora hariva.Milaza ny andininy faha-78 fa tsy maintsy mandray ny fepetra rehetra ireo mponina amin’ny toeram-ponenana na ireo miankina aminy mba tsy ho voakorontan’ny feo avy amin’ny tranony ireo mpiara-monina manodidina, toy ny vata famoaham-peo, ny firaketam-peo, ny fitaovana fandrenesam-peo sy ny fahitalavitra, ny zavamaneno, ny fitaovana maneno, ny fitaovana an-tokantrano sy ireo feo ateraky ny fanaovana kiraro mafy faladia na fanatanterahana asa na kilalao tsy mifanaraka amin’ireo trano ireo.Tatiana AL’article Ho fitandroana ny fiarahamonina: mila fehezina ny biby tsy hanelingelina ny manodidina a été récupéré chez Newsmada.

Tolokevitra amin’ny fifidianana : herintaona mialoha ny fiomanana amin’ny propagandy
24/09/2020

                “Miainga avy amin’ireo tolo-kevitry ny mpiara-miombona antoka, ny antoko politika sy ny kandidà tamin’ny fifidianana, ny mpanara-maso ny fifidianana… Naravon’ny Ceni izany ary hatolotra amin’ireo rafitra mahefa amin’ny fampanjariana ny lalàna” , hoy ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, teny Alarobia, omaly. Namory ireo mpiara-miombona antoka teknika sy vola (PTF) sy ny antoko politika ny eo anivon’ny Ceni ho fanatsarana ny fifidianana. Tolo-kevitry ny Ceni ny amin’ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra: hitarina ho herintaona mialoha ny volana hanatanterahana fifidianana ny fiomanana. Manomboka amin’izany ny fampielezan-kevitra. Malalaka ny fanomanana sy ny propagandy.Momba ny rotsa-bolan’ny kandidà amin’ny fanontana ny biletà kosa, tokony averina ny volan’ireo mahazo ny 5% amin’ny vato manan-kery  ary hamoraina ny famerenana azy. Hosokafana maharitra ny lisitry fifidianana: afa-misoratra anarana any amin’ny biraon’ny fokontany amin’ny fotoana rehetra ireo mahafeno fepetra fa tsy ferana.R.Nd.L’article Tolokevitra amin’ny fifidianana : herintaona mialoha ny fiomanana amin’ny propagandy a été récupéré chez Newsmada.