Fanabeazana fahadiovana

News - Fanabeazana fahadiovana

News - Fanabeazana fahadiovana

Misy ny fampiofanana ireo tompon’andraikitry ny haino aman-jery eto Analamanga mikasika ny fanajana ireo toetra fototra amin’ny fanadiovana sy fidiovana. Tanjona ny fanovam-pihetsika amin’ ny fidiovana sy fanadiovana, araka ny fampahafantarana nataon’ny fikambanana Wateraid. Haharitra efatra andro ny fampiofanana izay hifarana rahampitso.

L’article Fanabeazana fahadiovana est apparu en premier sur AoRaha.

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fanahiana valanaretina: mitobaka ny fako  noho  ny fahatapahan-dalana

Mitoby ny fako eny amin’ny boriborintany fahenina. Antony nambaran’ny avy ao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ny fahatapahan’ny lalana ka tsy hahafahan’ny kamiao mpaka fako miditra.Anisan’ny tena lasibatra amin’ny fitobian’ny fako ny eny Ambatolampy Antehiroka. Efa amam-bolana no tsy nisy kamiao naka fako teny an-toerana. Miparitaka mibahan-dalana ary mamofona ratsy eran’ny tanàna ny fakobe. Ampahan-dalana kely sisa no azon’ny fiara alefa.Mihafihafy ny mpandeha an-tongotra. Tsy vitan’izany fa lasa manangon-drano amin’ny arabe izany fako izany satria manototra ny lakandrano tokony handehanan’ny rano maloto.Hamahana ny olan’ny fifamoivoizana ao amin’ny boriborintany VI, eo Ambodivonkely. Nandray an-tanana ny fanamboarana ny ampahan-dalana eo an-toerana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ao anatin’ny tetikasa lalankely. Ezahana hatao rarivato izany, araka ny fanazavan’ny lefitry ny delegen’ny Boriborintany faha-6, Randrianantoandro Sitraka. Misy ny fitaovana vaovao ampiasaina vao novidian’ny boriborintany anaovana izao lalana izao, ny ekipa teknika avy amin’ny boriborintany fahenina no manatanteraka ny asa. Mamaha amin’ny ampahany ny fitohanan’ny fifamoivozana eny Ambohimanarina sy ny manodidina ny fahavitan’ity ampahan-dalana ity, izay ahafahan’ny fiara manao hintsin-dalana, hoy ny fanazavana nomen’ny solontenan’ny mponina Ambodivonkely Ambohimanarina.Tatiana AL’article Fanahiana valanaretina: mitobaka ny fako  noho  ny fahatapahan-dalana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

SESAM andiany faha-2: afa-po tanteraka ireo mpandray anjara

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Parvis Analakely, ny andiany faharoa tamin’ilay hetsika Sesam (Sports Extrêmes et Salon des Arts Martiaux), karakarain’ny Seho Évent. Afa-po ireo mpandray anjara, raha ny nambaran’ny ankabeazan’izy ireo, omaly. Tsiahivina, trano heva miisa 50 no nampiranty ny fahaiza-manaony sy ireo vokatra avy aminy tsirairay avy, nanomboka ny zoma lasa teo hatramin’ny omaly. Nampitolagaga ireo mpitsidika ny seho nataon’ireo tanora sy ankizy mikatroka anivon’ny haiady isan-karazany sy ireo taranja miavaka toy ny « parcours » sy ny « roller ».Kempo sy MMA Ho an’ny taranja kempo sy MMA (Mixed Martial Arts) manokana, ampy tsara ny telo andro nahafahana nampahafantatra ny taranja tamin’ireo mpitsidika ny trano heva nisy azy ireo, maro ny liana, isan’izany ireo Ray aman-dreny izay te hampiditra ny zanany anaty klioba mianatra ny taranja kempo sy MMA. Ho an’ity haiady ity, ny fanaovana seho, ny fomba fanaovana totohondry, ny MMA ary ny full kempo no tena nasongadina nandritra ny fampirantiana. Araka ny nambaran-dRakotonindriana Parfait, filoha mpitantana ity taranja ity, miezaka hatrany izy ireo mampivoatra ny kempo sy ny MMA, ao anatin’ny fiomanana amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagascar, amin’izao ny mpitantana sy ny mpikatroka, hisy, araka izany, ny fampiofanana ireo mpitsara izay hatao ato ho ato. Mi.RazL’article SESAM andiany faha-2: afa-po tanteraka ireo mpandray anjara a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

FITATERAM-BAHOAKA :: Mitohy ny fampiakarana ny saran-dalana

Kaoperativa roa hafa indray no hanampy ireo namany hampiakatra ny saran-dalana ho 500 ariary. Manomboka ny 15 desambra ho avy izao izany ho an’ireo ao amin’ny kaoperativa Tselatra raha voalaza fa ny 10 desambra kosa ho an’ny kaoperativa Cotral. “Ny tompon’andraikitra eo anivon’ny vondron’ny kaoperativan’ny mpitatitra eto an-drenivohitra na UCTU no manapaka ny tokony hiakaran’ny saran-dalana. Tafiditra ao anatiny ihany koa ny fiakaran’ny vidin’ny solika 50 ariary isaky ny litatra no voalaza”, hoy ny mpamily iray eo anivon’ny kaoperativa Cotral. Ity kaoperativa ity izay ahitana ny zotra 129 mampitohy an’Ambohipo amin’Analakely. Eo ihany koa ny zotra 017 izay mitatitra ireo mpanjifa avy eny Ambohipo mankany Mahamasina. Toy izay ihany koa ny antony ho an’ny kaoperativa Tselatra ahitana ny zotra 146,147, 147 D ary ny 178. Mbola manome fe-potoana hiomanan’ny mpanjifa, araka izany, ireo mpitatitra milaza fa hampi- akatra saran-dalana ireo. Tsiahivina fa tsy nandray saran-dalana tsy feno intsony ny kaoperativa Tselatra taorian’ny fitazonan’izy ireo ny saran-dalana tokana 400 ariary. Mbola nanaiky ny saran-dalana tsy feno kosa ny zotra Cotral sasantsasany. Na izany aza, maro ireo mbola tsy mankasitraka izany fiakaran’ny saran-dalana izany. “Efa zatra ny saran-dalana tokana 400ariary izahay. Tokony tsy hiova intsony satria tsapanay fa sady mahazo tombony ireo mpitatitra noho ny tsy fisian’ny tapa-dalana intsony. Na izany aza, tsy maintsy manaraka izay fandaminana izahay mpandeha”, hoy i Lalao, mponina eny Ambatomaro manjifa ny zotra 147 ao amin’ny kaoperativa Tselatra. Ankoatra ireo efa voalaza ireo, mbola misy ihany ny zotra tsy mbola nanapa-kevitra ny hampiakatra ny saran-dalana 500 ariary. L’article FITATERAM-BAHOAKA :: Mitohy ny fampiakarana ny saran-dalana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Isoanala – Betroka: trano fanamboarana basy sy basy telo saron’ny zandary

Ravan’ny zandary ny toerana fanamboarana basy ao kaominina ambanivohitr’Isoanala, distrikan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Miray tsikombakomba amin’ireo dahalo ny mpanamboatra ireto fitaovam-piadiana ireto…Basy lava telo efa vita rafitra (iray efa vita sy basim-borona roa tsy misy taratasy) ary basy roa vao an-dalam-pandrafetana ary fanamboarana basy. Ireo ny fitaovana hitan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Isoanala, distrikan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, nahazo loharanom-baovao izy ireo fa misy olona atao hoe Rata mipetraka ao Ankoraoky, fokontany Lavalila, kaominina ambanivohitr’Isoanala, distrikan’i Betroka voalaza fa mpanamboatra sy mpivarotra basy ho an’ny dahalo. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny zandary ka tratra tao avokoa ireo basy rehetra ireo. Nambaran’ny zandary fa tsy tao an-toerana ilay olona voalaza fa mpanamboatra basy fa ny rahalahiny no tratran’ny zandary tao an-trano.Basy Mas 36 iray koa azon’ny zandary tao Ambalamanakana distrikan’Ambositra, ny asabotsy vao mangiran-dratsy teo. Nahazo angom-baovao ny Kolonely kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana fa hoe misy olon-dratsy mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo mitazona basy mahery vaika ao Ambalamanaka. Nihazo ilay toerana avy hatrany ny zandary notarihin’ny lefitry ny kaompanian’ny zandarimaria Ambositra ka hita tao tokoa ny basy Mas 36 ora. Nogiazana avy hatrany ilay basy ary noraisim-potsiny ilay olona voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fihazonana ity fitaovam-piadiana mahery vaika ity. Nohamafisin’ny zandary fa dimy izay ny basy mahery vaika tratra, tao anatin’ny telo herinandro teo.Jean ClaudeL’article Isoanala – Betroka: trano fanamboarana basy sy basy telo saron’ny zandary a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Indraindray koa vehivavy »: 25 taona nanoratana i Rado Ramaherison

Hetsika iray ahitana famoahana boky sy antsan-tononkalo ny hanamarihan’i Rado Ramaherison ny faha-25 taona nanoratany. Hivoaka amin’io 20 avrily, manomboka amin’ny 2 ora sy 52mn, ao amin’ny CGM Analakely, io ny boky « Ranontany », 129 takila, maneho manontolo ny hoe « Indraindray koa vehivavy i Rado Ramaherison ». Nomarihiny fa manomboka eto ny boky rehetra havoakany, ho « Ranontany » avokoa, saingy eo amin’ny fikarohana, tsy maintsy avahina amin’ny hoe « Ranontany 1 », « Ranontany 2 »…Fantatra fa boky fahefatra taorian’ny « Ronjom-bazo » niarahany amin’i Avelo-Nidor, ny taona 2002, sy ny « Fanalahidy » niarahana tamin’i Lanto Tsiory, ny taona 2004, ary ny « Ranontany », nivoaka ny taona 2009 (asasoratr’i Rado Ramaherison irery) nanamarihana ny 15 taona nanoratany, ity boky havoaka rahampitso ity. Efa nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Association Mikajy momba ny ankizy sy ny herisetra tamin’ny alalan’ny lahatsoratra fanadihadiana i Rado Ramaherison.HaRy Razafindrakoto L’article « Indraindray koa vehivavy »: 25 taona nanoratana i Rado Ramaherison a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Halatra fiara

Natolotra ny Fampanoavana afak’omaly ny olona fito voarohirohy tamina raharaha halatra kojakojana fiara tsy mataho-dalana iray, teny Masindray Avaradrano, izay nitranga tamin’ny zoma lasa teo. Voatazona am-ponja vonjimaika ny roa amin’izy ireo. Noafahana vonjimaika kosa ny dimy ambiny. L’article Halatra fiara est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Boanamary –Mahajanga II: « Tetikasa Maitso » hisarihana ny mpizahatany

Mivelona amin‘ny jono ny mponina any amin’ny kaominina Boanamary, distrikan’i Mahajanga II. Ny taonjato faha–XIX no nahatongavan’i Bouana Oumar, foko Antalaotra, nampiantsona ny botriny any an-toerana. Taona maro nifanesy lasa Boanamary ny anaran’ny tanàna.  Ankehitriny mijery ny lafiny tontolo iainana sy ny fizahantany ny any an-toerana.   Taona maromaro izao, miezaka mampandroso ny fizahantany ny ao amin’ny kaominina ka hita fa efa mitombo miandalana ny isan’ny mpizahatany tonga any an-toerana, 15 % amin’izao fotoana izao. Ao ireo mizaha tany sady manao asa fikarohana momba ny tantaran’i Boanamary, sy ireo manao fikarohana mahakasika ny zava-boahary sy ny tontolo iainana ankapobeny.Mifandray amin’izay fizahantany izay ny “Tetikasa Maitso” ho fiarovana ny tontolo iainana, indrindra ny hamerenana ny ala honko sy hazo sarobidy any amin’ny manodidina. Tany amin’ny 60 taona lasa, betsaka ireo karazan-kazo sarobidy sady fanafody, saingy sarotra hita na tsy hita intsony amin’izao fotoana izao. Ohatra amin’ireo karazan-kazo ireo : Katrafay, Hazomalany, Manary, Amananinaomby, Honkolahy … Mampalaza iny kaominina iny koa ny voanakazo, toy ny manga, voanio, matsitso. Manome seha-piharina avokoa ireo, afaka mamelona olona maro, indrindra raha misy ny fanodinana izany any an-toerana.Ratsy ny lalana avy eo amin’ny RN4Ao anatin’izany “Tetikasa Maitso” izany ny fiaraha-miasa amin-dry zareo Alemaina GIZ, manampy amin’ny fanomezana masomboly sy fitaovana. Eo koa ny dina “Boeny Miray” ifanaovan’ny Vondron’olona ifotony (Voi). Toy ny kaominina maro manerana ny Nosy ihany anefa, olana lehibe ny faharatsian-dalana, 18 km miala amin’ny RN4. 11,5 miliara ariary vao mahavita io lalana io, ka tokony ho 5 miliara ariary ny anjaran’ny kaominina. Tsy mahazaka io tetibola io anefa ny kaominina, ka miangavy ny minisiteran’ny Asa vaventy handray an-tanana izany asa izany manontolo. Na aiza na aiza tsy misy fampandrosoana azo antenaina eto raha tsy vita ny lalana. Ny kaomina ambanivohitra tsy manana tetibola ho an’ny fotodrafitrasa lehibe. R.MathieuL’article Boanamary –Mahajanga II: « Tetikasa Maitso » hisarihana ny mpizahatany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiainam-pikambanana: hanangana birao ny TKM

Velona sy miaina ary ho an’ny taranaka mifandimby. Hifamotoana etsy amin’ny foiben-toerany etsy Soarano, rahampitso, ny eo anivon’ny Trano koltoraly (TKM). Tohin’ny fihaonana efa natao ny herinandro teo izany ary nandraisana fanapahan-kevitra maromaro. Anisan’ny hisongadina namin’izao fivoriana izao ny hananganana ny birao hitantanana ity fikambanana manana ny maha izy azy ity. Anisan’ny hantsoina hiatrika izany fivoriambe izany ny sampana rehetra miaraka amin’ny TKM. Eo ny mpianatra sikidy, ny ho amin’ny fanandroana, ny tantara sy ny fomba, ny famato ary ny hadivory fito sosona… Araka izany, ho ambohipihaonan’ireo mpandala ny nentin-drazana ny etsy Soarano amin’io fotoana io.Synèse R. L’article Fiainam-pikambanana: hanangana birao ny TKM a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Smooth night” faha-10: hamerenana an’i Lionel Ritchie

Malalanirainy, Jacquis Randri ary Fabre Rakotozafy. Izy telo mianadahy ireo indray no nosafidin’ny mpikarakara hamelona ny “Smooth night”, izay hiditra amin’ny andiany faha-10 amin’ity. Hotontosaina etsy amin’ny Kudeta Carlton Anosy ity fampiarahana talenta ity, ny alin’ny alakamisy 25 jolay izao. Ho an’ireo nanaraka ny andiam-pampisehoana “Smooth night”, natao hameloman’ireo mpanakanto malagasy ny sanganasan’ireo andrarezin’ny mozika maneran-tany izany. Nosafidina manokana ny sanganasan’i Lionel Ritchie amin’ity manaraka ity. Notsongaina manokana ireo be mpankafy, sy ny mety amin’ireo mpanakanto ihany koa. Tsy olana amin’ny feo sy ny fironan’i Jacquis Randri eo amin’ny mozika ny hanaovany Lionel Ritchie. Manana ilay feo miavaka ary efa nasongadiny tamina fifaninanan-kira ihany koa i Malalanirainy. Mety vaovao be kosa i Fabre Rakotozafy, saingy mpanakanto tanora manan-talenta, ary fotoana iray hanehoany izany io fiarahana io. Hanaraka azy telo mianadahy ireto ireo mpitendry tanora efa anisan’ireo kalaza amin’izao fotoana izao, toa an-dry Josia (ampanga maroanaka), Hents (gitara beso) ary Njaka (vata maroafitsoka). Zo ny Aina L’article “Smooth night” faha-10: hamerenana an’i Lionel Ritchie a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ranesa Firiana: “Tsy ara-dalàna ny fanendrena delegasiona manokana” 

“Tsy mazava ny voalazan’ny lalàna ny amin’ny hoe: raha tapitra ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, iza no tokony hisolo azy ireo? Manohy ny asany ve izy ireo sa tsia?”Izay no fanontaniana naroson’ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, manoloana ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Raha omena alalana hanohy ny asany izy ireo, azo atao ny mampiditra izany ao anatin’ny lalàna. Hasiana fanovana izany ny lalàna amin’izao fotoana izao. Afa-manohy ny asany izy ireo amin’izany.Na ny mitranga matetika betsaka mpiresaka koa ny hoe: hasiana delegasiona manokana. Nefa tsy voalazan’ny lalàna ny fametrahana izany amin’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, araka ny fanazavany. Ny fahadisoana ataon’izy ireo no ahazoana mametraka delegasiona manokana, fa tsy ny fahataperana fe-potoam-piasana.Tsy hisy fepetra ankapobeny “Vokatr’izany rehetra izany, tsy maintsy hisy fepetra ankapobeny horaisin’ny fanjakana mahefa momba izany”, hoy izy. Fanohizana asa sa fanovana ho delegasiona manokana sa misy hevitra hafa no hatao amin’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna ?Ny azo antoka, tsy maintsy fepetra ankapobeny iraisana hampiharina amin’ny kaominina rehetra manerana an’i Madagasikara no horaisin’ny fitondram-panjakana. Na mety hitranga koa ny hoe: hafa ny fepetra raisina amin’ny kaominina sasany, ohatra; fepetra manokana amin’ny sokajina kaominina hafa. Misy sokajy efatra ny kaominina manerana an’i Madagasikara.Tsy fantantra ny hitranga noho izany fahabangan’ny lalàna izany. Andrasana izany havoakan’ny governemanta sy ny fanapahan-kevitry ny fanjakana na ny Antenimierampirenena.R.Nd.L’article Ranesa Firiana: “Tsy ara-dalàna ny fanendrena delegasiona manokana”  a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Notsongaina

Fanolanana zazakely 6 taona: jiolahy iray voaheloka dimy taona an-tranomaizina

Fanamelohana sazy mihatra dimy taona an-tranomaizina ny nomen’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava ao Toamasina ny jiolahy iray nandritra ny fotoam-pitsarana ady heloka bevava, afakomaly, momba ilay raharaha fanolanana miharo herisetra tamina zazakely vao 6 taona monja.Maivana loatra ilay sazy nomen’ny fitsarana! Raha hiverenana ity raharaha ity, naolan’i Zara Michel, 25 taona, i Velotody Jessica, zazakely enin-taona, ny 27 jona 2018 tao Vohilengo, Fenoarivo Atsinanana. Raha ny fanazavany nandritra ny fitsarana azy, nantsoiny nanaraka azy hiditra tao amina efitrano iray tsy misy olona ao Vohilengo ilay niharam-boina ka nentiny avy hatrany teny ambony fandriana nanaovany ny filàn-dratsiny. Nikiaka ilay tsy manan-tsiny ka nofatorany lamba ny vavany. Rehefa vita ny filany, norahonany tsy hiteny na amin’iza na amin’iza ilay niharam-boina fa hovonoiny raha miteny amin’olona, araka ny fanazavan’ilay voampanga hatrany. Tsikaritry ny renin’ilay zaza anefa ny fihetsik’ity zanany somary hafahafa ka nanontaniany ary nambaran’ity niharam-boina ny anaran’ilay jiolahy nahavanon-doza taminy. Tokony homena ny sazy faran’izay henjana itony mahavita fihetsika mamoafady amin’ny ankizy tsy ampy taona itony. Any ivelany, fanamelohana ho faty na figadrana mandra-pahafaty ny mahazo ny olona manao fihetsika mamoafady na manolana ankizy toy izao.Sajo sy Jean ClaudeL’article Fanolanana zazakely 6 taona: jiolahy iray voaheloka dimy taona an-tranomaizina a été récupéré chez Newsmada.

Songadina an-tsary: fanamasinana eveka tetsy Mahamasina

L’article Songadina an-tsary: fanamasinana eveka tetsy Mahamasina a été récupéré chez Newsmada.

Ranesa Firiana: “Tsy ara-dalàna ny fanendrena delegasiona manokana” 

“Tsy mazava ny voalazan’ny lalàna ny amin’ny hoe: raha tapitra ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, iza no tokony hisolo azy ireo? Manohy ny asany ve izy ireo sa tsia?”Izay no fanontaniana naroson’ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, manoloana ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Raha omena alalana hanohy ny asany izy ireo, azo atao ny mampiditra izany ao anatin’ny lalàna. Hasiana fanovana izany ny lalàna amin’izao fotoana izao. Afa-manohy ny asany izy ireo amin’izany.Na ny mitranga matetika betsaka mpiresaka koa ny hoe: hasiana delegasiona manokana. Nefa tsy voalazan’ny lalàna ny fametrahana izany amin’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, araka ny fanazavany. Ny fahadisoana ataon’izy ireo no ahazoana mametraka delegasiona manokana, fa tsy ny fahataperana fe-potoam-piasana.Tsy hisy fepetra ankapobeny “Vokatr’izany rehetra izany, tsy maintsy hisy fepetra ankapobeny horaisin’ny fanjakana mahefa momba izany”, hoy izy. Fanohizana asa sa fanovana ho delegasiona manokana sa misy hevitra hafa no hatao amin’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna ?Ny azo antoka, tsy maintsy fepetra ankapobeny iraisana hampiharina amin’ny kaominina rehetra manerana an’i Madagasikara no horaisin’ny fitondram-panjakana. Na mety hitranga koa ny hoe: hafa ny fepetra raisina amin’ny kaominina sasany, ohatra; fepetra manokana amin’ny sokajina kaominina hafa. Misy sokajy efatra ny kaominina manerana an’i Madagasikara.Tsy fantantra ny hitranga noho izany fahabangan’ny lalàna izany. Andrasana izany havoakan’ny governemanta sy ny fanapahan-kevitry ny fanjakana na ny Antenimierampirenena.R.Nd.L’article Ranesa Firiana: “Tsy ara-dalàna ny fanendrena delegasiona manokana”  a été récupéré chez Newsmada.

Konferansa momba ny soratra: ho maroloha ny lohahevitra

Tafiditra amin’ny andiany fahatelo ilay hetsika lehibe « Konferansa momba ny soratra ». Ho maroloha ny lohahevitra hovelabelarina satria hahatratra 6 ireo handaha-teny amin’izany. Tsy mbola fantatra izy ireo fa antso no ataon’ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (mpikarakara ny hetsika). Izay te hitondra velakevitra amin’ity andiany fahatelo ity, tokony handefa ny lohahevitra sy ny lahatsoratra mirakitra ny famelaberaran-kevitra hataony mandritra ny konferansa. Ry zareo mpikarakara no hifantina izany avy eo. Raha ny vina napetraka, ny 16 novambra izao no hanatanterahana ny « Konferansa momba ny teny 2019 » ao amin’ny Haitsiron’Iarivo eny Alarobia. Fotoana tsara ho fantatra– Farany fandefasana ny famintinana: 17 aogositra 2019– Farany fandefasana ny lahatsoratra feno: 28 septambra.– Famoahana ny anaran’ireo voafantina: 6 oktobra.– Fandefasana ny fanamarihana sy fanitsiana ny lahatsoratra any amin’ireo mpamelabela-kevitra: 10 oktobra.– Daty farany fandefasana ny lahatsoratra voahitsy any amin’ny Koloiko sy hajaiko ny teniko: 14 Oktobra.– Fisoratana anarana hanatrika: 6 oktobra – 4 novambra.– Famoahana ny antsipirian’ny fandaharam-potoana mandritra ny konferansa: 5 Novambra.– Datin’ny konferansa: 16 NovambraHaRy Razafindrakoto L’article Konferansa momba ny soratra: ho maroloha ny lohahevitra a été récupéré chez Newsmada.

Ampefy, Soavinandriana: nametrahan’ny Japoney milina fanadiovan-drano

Migoka rano voadio amin’ny toerana iray tantanin’ny kaominina ny mponina amin’ny vidiny sahaza azy ireo. Izay ny vokatry ny fanohanan’ny fanjakana japoney, notokanana omaly any Ampefy, distrikan’i Soavinandriana, faritra Itasy. Mihena ny fandaniana amin’ny fampiasana izany milina fanadiovan-drano izany noho ny angovo avy amin’ny masoandro mampihodina azy.« Fanatsarana fahazoana rano fisotro madio”, ny anaran’ny tetikasa vatsin’ny fitondram-panjakana japoney vola, nankatoavina tany Tokyo ny 5 desambra 2017. Mitentina roa tapitrisa dolara izany tetikasa izany, ka ankoatra ny faritra Itasy, hita ihany koa izany any Vakinankaratra, Betsiboka, Bongolava, ary Matsiatra Ambony. Tsy ritra ny rano any amin’ireo faritra ireo, saingy mila fanadiovana hisorohana ny aretina. Atahorana hisy fiantraikany izany, any amin’ny ankizy sy ny mponina amin’ny ankapobeny.Ao anatin’ny laminasan’ny minisitera misahana ny rano izany ka ny “fanomezana rano madio tsy mijanona fotsiny amin’ny famatsiana azy fa azo atao tsara ny manatsara izany hatrany ho an’ny rehetra, indrindra ireo mijaly. Izay rahateo no fomba iray mampihena ny aretina sy tsy hisian’ny areti-mifindra », hoy ny minisitra, Andriamanga Vonjy. R.MathieuL’article Ampefy, Soavinandriana: nametrahan’ny Japoney milina fanadiovan-drano a été récupéré chez Newsmada.

Kitra vehivavy – «Cosafa cup»: mila resena i Afrika Atsimo

Ho fantatra, anio, ny ho tohin’ny lalan’ny ekipam-pirenena malagasy vehivavy, eo amn’ny fiadiana ny “Cosafa cup”, taranja baolina kitra. Fihaonana, tanterahina atsy Afrika Atsimo.  Hiendrika famaranana kely ity andro fahatelo sady farany amin’ny fifanintsanana, ho an’ny sokajy A, misy an’i Madagasikara, ity. Mila mandresy an’i Afrika Atsimo, mpampiantrano, ny Malagasy, raha te hiatrika ny manasa-dalana. Ry zareo Afrikanina Tatsimo izay efa manana isa 6 taorian’ny fandresena indroa azony, nanoloana an’i Kaomoro sy i Malawi.Raha tsiahivina, fandresena iray, teo anatrehan’i Kaomoro, sy faharesena iray, tamin’i Malawi, ny vokatra azon’i Madagasikara. Manana isa 3, araka izany, ny Malagasy, izay mitovy isa amin’i Malawi. Raha vao mandresy an’i Kaomoro kosa anefa izy ireo, efa tafita avy hatrany satria efa nandresy ny Malagasy. Raha resy kosa na manao ady sahala, mandeha ny fanisana ny “goal average”. Tsy azon-dry Christina sy ny namany atao, araka izany, ny hamela ny Afrikanina Tatsimo hamono baolina. Sarotra, saingy azo atao tsara ny mandresy, raha misy ny fahavononan’ny tsirairay. Tompondaka L’article Kitra vehivavy – «Cosafa cup»: mila resena i Afrika Atsimo a été récupéré chez Newsmada.

Hajia Papa François

Manomboka anio ny fanaparitahana an’ireo hajia manokana misy ny sarin’i Papa François novokarin’ny Paositra Malagasy. Mahatratra an-tapitrisany ny hajia natonta ho mariky ny fandalovan’ity Ray Masina sady Filohan’ny fiangonana Katolika ity eto Madagasikara. Hamidy amin’ny vidiny 1 000 ariary ny hajia. L’article Hajia Papa François est apparu en premier sur AoRaha.

The Weekend Festival: « Tohizana hatrany ny hetsika tahaka izao »

Anisan’ny hetsika goavana notontosaina, ny faran’ny herinandro teo, ny « The Weekend Festival ». « Navitrika ny olona. Nahitana ny sokajin-taona rehetra (ankizy sy tanora ary olon-dehibe) … Afa-po izahay mpikarakara… Hotohizana ny hetsika tahaka izao hanomezana fahafaham-po ny olona… », hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Ivenco, nikarakara ny « The Fweekend Festival” tao amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Imahamasina.Raha ny tazana teny an-toerana, anisan’ny nahasarika tanora maro ny filalaovana sy ny fifanintsanana teo amin’ny « jeu vidéo ». Toraka izany ihany koa ny fampisehoana an-tsehatra nahitana ireo mpiangaly ny rock, ny rap, ny « variétés », sns. Anisan’ny tazana teny an-toerana ihany koa ry zareo mpiangaly hiragasy.Tafa fohy nifanaovana amin’ireo mpankafy zavakanto tonga teny Imahamasina ny nilazan’izy ireo fa « miandrandra ny ho tohin’ny hetsika izahay ka ao anatin’izao fialan-tsasatra lehibe izao ny hanatanterahana izany ».HaRy RazafindrakotoL’article The Weekend Festival: « Tohizana hatrany ny hetsika tahaka izao » a été récupéré chez Newsmada.

SEG Jly Ravalomanana Richard: handraisana fepetra ireo zandary mihoa-pefy, mandika lalàna…

Soavianandriana, Morombe, Toliara II, Beroroha… Notsikafonin’ny depiote ireo tranga mahabe taraina ny mponina noho ny fandikan-dalàna, fihoaram-pefy ataon’ny zandary sasany. Vokatr’izany, hisy fanadihadiana sy famotorana ifotony hatao ka handraisana fepetra ireo zandary voakasika izany.“Handraisana fepetra tsy misy hatak’andro ka hanaovan’ny foibem-pibaikoan’ny zandarimariam-pirenena famotorana ifotony ireo fitarainana sy porofo voalazan’ny solombavambahoaka mikasika ireo zandary manao fandikan-dalàna”, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Ravalomanana Richard, nandritra ny fivoriana sy dinika manokana niarahana tamin’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (COMGN), ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa tao amin’ny birao fiasany eny Betongolo, ny alatsinainy teo. Nandritra io fivoriana io koa no nametrahana ny fandrindrana ny firaisan-kery entina hampanjakana ny filaminana sy fandriampahalemana ao anatin’ny fanajana ny tany tan-dalàna. Voadinika niaraka tamin’ny solombavambahoaka sy ny lehiben’ny distrikan’i Soavinandriana koa ny hamahana ny olana mifandraika amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fihetsika ary ny fomba mamohehatra ataon’ireo zandary sasany ao amin’ny tsenan’omby ao Soavinandriana Itasy ka hametrahana “guichet unique”, manomboka izao.Omena tombondahiny ireo zandary tena miasa…Misy amin’ireo zandary no tena miasa na eo aza ireo “saonjo iray lohasaha”. Omena tombondahiny kosa ireo zandary teny miasa ary ireny no mendrika homena galona, araka ny filazany hatrany. Vao haingana koa no nisy ireo zandary tsy sahy mandray andraikitra manoloana ny tsy fandriampahalemana tahaka ny zava-nitranga tany amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo. Tsy nety handeha hanara-dia ireo zandary ary tsy sahy nivoaka. “Misy ireo zandary tsy matihanina eny amin’ny terrain toy ireo miasa any Amboasary Atsimo. Ireo iharan’ny fanafihana indray no manao fanadihadiana”, hoy izy.Nanamafy ny Seg fa miezaka hatrany manaja ny tarigetra nosafidiana dia ny hoe “Tanindrazana sy lalàna” ny zandarimariam-pirenena ary miara-miasa amin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry mba hampanjakana ny tany tan-dalàna hiarovana ny tanindrazana sy izay rehetra ao aminy.Jean ClaudeL’article SEG Jly Ravalomanana Richard: handraisana fepetra ireo zandary mihoa-pefy, mandika lalàna… a été récupéré chez Newsmada.

Ady totohondry: nahazo medaly miisa telo ny mpikatroka malagasy

Anisan’ireo taranja tsy niveri-maina ny ady totohondry satria nandrombaka medaly volamena  ihany koa. Nampitolagaga ny nanatrika ny zava-bitan’ireo mpikatroka malagasy.Nihofahofa indray ny saina sy ny hiram-pirenena malagasy, omaly, taty amin’ny Centre national Vacoas, Maorisy, ho an’ny taranja ady totohondry. Nandrombaka medaly volamena indray mantsy ny atletantsika, teo amin’ny latsaky ny 52 kilao, satria lavon’i Marco Jérôme, tamin’ny alalan’ny KO, teo amin’ny fidirana faharoa, ilay Maorisianina, i Bactora Gilbert. Niady ny fihaonan’izy mirahalahy ireto, nanampy tosika mafy ity solontenany ity ireo mpijery sy mpanohana ny tompon-trano, saingy tsy nampihetsi-bolo sy nampitahotra an’i Marco Jérôme izany fa vao mainka nanome hery azy aza. Vao nanomboka kely ny fidirana faharoa, nanomboka nivoa-dri teo amin’ny tatamason’ity Maorisiana ity, rehefa voan’ny totohondry nipetapetaka teny amin’ny tarehiny. Nifehy ny ady, nanomboka teo, i Marco ary tsy namelany raha tsy nianjera tamin’ny tany ny mpifanandrina taminy. Natsahatry ny mpitsara ny ady rehefa avy nisaina ilay Maorisianina ka nambara fa tompondaka ny Malagasy. Ankilany, nanao ny tsy nambinina ihany i Heriniaina Nomenjanahary (48kg), izay lavona teratany maorisianina, i Beedasse, teo amin’ny lalao famaranana. Na izany aza, mendrika ny zava-bitan’ity Malagasy ity, izay somary betsaka ihany ny tsindry nahazo azy nanoloana ireo mijery nihorakoraka sy ny fanapahan-kevitry ny mpitsara. Miarintsoa.Raz L’article Ady totohondry: nahazo medaly miisa telo ny mpikatroka malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric

“Lalaon’ny Nosy” intelo nisesy, nandrombaka medaly volamena hatrany ny atleta malagasy, ao anatin’ny taranja fibatana fonjamby, Andriantsitohaina Eric, sokajin- danja 56 kg. Nanomboka niditra eo amin’ity sehatra ity izy ny taona 2011, taona nandraisany anjara voalohany tamin’ny “Lalaon’ny Nosy” ary nahazoany avy hatrany medaly volamena telo. Tsy nitsahatra intsony izy nanomboka teo fa nivelatra, indrindra teo amin’ny sehatra afrikanina sy iraisam-pirenena. Efa nandray anjara ary nahazo medaly hatrany tamin’ ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika tany Maraoka ary tany Egypta. Tsy latsa-danja tamin’izany ny fifaninanana iraisam-pirenena, ny « Solidarity International Championships 2018 »,nahazoany medaly volafotsy iray sy alimo iray, ny « Tournoi international » natao teto Maorisy ka nahazoany laharana voalohany. Mbola maro ny fahombiazana azon’i Eric, ankoatra ireo, ka anisan’izany ny “Lalaon’ny Nosy 2015” sy ny tamin’ity taona 2019, samy nahazoany medaly volamena telo avy. Tsahivina nitondra ny sainam-pirenena malagasy Andriantsitohaina Eric,nandritra ny lanonam-panokafana ity andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy” ity, ny zoma 19 jolay lasa teo. Vonona ny hanome ny tsara hatrany i Eric ho an’ny taranja fibatana fonjamby malagasy sy ho an’ny firenena malagasy. Nangonon’i Mi.Raz L’article Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric a été récupéré chez Newsmada.

Rugby – «Top 20 Analamanga»: tsy tonga ny UASC sy ny SOE

Nitohy ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Alarobia ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Top 20”, hiatrehana ny fifaninanana eto amin’ny ligin’Analamanga. Fihaonana, nokarakarain’ny Malagasy Rugby, noho ny tsy fahazoan’ny mpitantana ny ligy, manatanteraka izany.Lalao dimy no voalahatra, saingy ny telo ihany no tontosa, tamin’izany. Tsy tonga niatrika ny fihaonana, ny UASC Cheminots (Besetroka) sy ny Stade Olympique de l’Emyrne (SOE).Raha tsiahivina, tokony hifanehatra tamin’ny Uscar, ny Besetroka ary ny 3FAI Ambalavao Isotry kosa tokony hikatroka tamin’ny Stade. Araka izany, samy “forfait”, avokoa izy roa tonta ireo. Tsy fantatra aloha, ny antony tsy nanatrehan’ireo fileovana roa tonta ireo, izany lalao izany.Toy izao kosa ireo vokatra hafa, resin’ny Savony, tamin’ny isa 39 no ho 23 ny UIRC. Tsy mbola afa-bela tamin-dry zareo STM indray izany teto ny fivondronana Kely. Lavon’ny US Ikopa, tamin’ny isa, 28 no ho 24 kosa ny Mangart ary nomontsanin’ny XV Avenir, tamin’ny isa mavesatra, 14 no ho 0 ny AFA Ankazomanga. TompondakaL’article Rugby – «Top 20 Analamanga»: tsy tonga ny UASC sy ny SOE a été récupéré chez Newsmada.