Fampivoarana ny any atsimo :: Hotohanana ara-bola ireo tantsaha

News - Fampivoarana ny any atsimo :: Hotohanana ara-bola ireo tantsaha

News - Fampivoarana ny any atsimo :: Hotohanana ara-bola ireo tantsaha

Hahazo fampindramam-bola ho an’ny asa famokarana ireo tantsaha any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fandaharanasa maneran-tany misahana ny sakafo (PAM) sy ny banky BOA, izay hamatsy vola, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Fihariana. Ireo sehatra asa tena mampidi-bola ho an’ny tantsaha na fambolena na fiompiana na asa tanana no hahazo tombony amin’izao hetsika izao. Tantsaha roanjato avy any Anosy sy Androy, izay lasibatra amin’ny haintany sy ny kere, no hanombohana azy. “Mila fanampiana ireo olona ireo. Efa mitondra fampiofanana ihany ny PAM saingy mila vola ihany koa. Ny famokarana rehetra hataon’ireo tantsaha no tohanana ara-bola. Mitady ny lalam-barotra ho azy ireo ihany koa izahay”, hoy Zafindravaka Valérie, sekretera mpanatanteraky ny fandaharanasa Fihariana.

Manomboka amin’ny 5 hatramin’ny 9% kosa ny zana-bola, alaina amin’izy ireo isan-taona, hoy Rafenomanjato Ravaka, avy ao amin’ ny BOA.Hanomboka amin’ity herinandro ity no hisitraka ny fampindramam-bola ireo tantsaha.

L’article Fampivoarana ny any atsimo :: Hotohanana ara-bola ireo tantsaha est apparu en premier sur AoRaha.

Fampivoarana ny any atsimo :: Hotohanana ara-bola ireo tantsaha

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Rugby vehivavy – «Can 2019»: 25 mirahavavy hanafika atsy Afrika Atsimo

Fantatra avokoa ireo mpilalao mandrafitra ny Makis de Madagascar, sokajy vehivavy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, taranja rugby lalaovina olona 15.Vo afantina ho ao anatin’ny Makis de Madagascar ny mpilalao 25 mirahavavy, handray anjara amin’ny andiany voalohany, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, taranja rugby, lalaovina olona 15. Fihaonana, hotanterahina ao amin’ny kianja Bosman Stadium, Johannesbourg, atsy Afrika Atsimo, ny 8 ka hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao. Mpilalao efa zatra fihaonana iraisam-pirenena ny ankamaroan’izy ireo. Anisan’izany ireo niatrika fiofanana, tany Japon, ny volana jona lasa teo.Tsiahivina fa firenena efatra ny hiady io fifaninanana io: i Kenya, i Madagasikara, i Ogandà ary i Afrika Atsimo. Raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’i Kenya ny Makis, eo amin’ny lalao voalohany, ny zoma 9 aogositra ho avy izao. I Afrika Atsimo kosa ny fihaonana faharoa, ny talata 13 aogositra, ary ny alarobia 14 aogositra ny lalao farany, hifandonana amin’i Ogandà. Tsiahivina fa ankoatra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hanana ny lanjany manokana izy ity satria hiadiana ihany koa ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, hatao any Nouvelle-Zelande, ny taona 2021. Tompondaka Ireo mpilalao mandrafitra ny Makis :1-Voahangy Lalaina (JSM) ; 2-Nanou Loula (SCB) ; 3-Josiane Patricia (JSM) ; 4-Nomenjanahary Sarindra (3FB) ; 5-Monica (FTVL) ; 6-Delphine Sarindra (FTM) ; 7-Sariaka (SCB) ; 8-Laurence (SCB) ; 9-Vonjimalala (3FB) ; 10-Voahirana Marie Sophie (3FB) ; 11-Tiana Jinah (SCB) ; 12-Nantenaina Patricia (SCB) ; 13-Farasoa Tantely (3FB) ; 14-Claudia Maminiaina (FTM) ; 15-Fabrina (FTM) ; 16-Hajalalaina Marie Josiane (JSM) ; 17-Tikasoa (JSM) ; 18-Veronique Eluriche (RCTS) ; 19-Tsiriniaina Bodonirina (3FB) ; 20-Andoniaina (SCB) ; 21-Herizo Lydia (SCB) ; 22-Joela (FTM) ; 23-Marie Christine (FTFA) ; 24-Fenitriniaina Hanta (FTM) ; 25-Ginah Christine Fihononana (FTM)Mpanazatra : Lanto Nirina  L’article Rugby vehivavy – «Can 2019»: 25 mirahavavy hanafika atsy Afrika Atsimo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – ho filohan’ny federasiona: kandidà 5 amin’ny 6 no nahafeno fepetra

Nambaran’ny filohan’ny komity fanamarinana ny baolina kitra malagasy “comité de normalisation”, ny lisitra vonjimaikan’ireo kandidà, hirotsaka ho filohan’ny federasiona malagasy (FMF). Kandidà 5 amin’ny 6 no nanaraka ny fepetra.Navoakan’ny “comité de normalisation”-n’ny baolina kitra, omaly talata, ny anaran’ireo kandidà nahafeno ny fepetra, amin’ny firotsahana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nolazain’i Atallah Béatrice, filoha fa mbola vonjimaika ihany izany. Kandidà 5 amin’ireo 6 ihany no nahafeno ny fepetra ka azo tazonina ny taratasy firotsahany.Anisan’izany, Andriamiasasoa Doda Nirimboavonjy, Mohamad Abdillah, Rabekoto Arizaka Raoul Romain, Rasoamaromaka Herilalaniaina ary Rakotomamonjy Neypatraiky André. Tsy notanana kosa ny filatsahan’i Jean Noel Abel. Nihoatra ny daty fametrahany ny antontan-taratasiny. Ankoatra izay, tsy nahazo ny fankatoavan’ireo ligim-paritra ihany koa ny tenany.Ankoatra izay, 30 tamin’ireo kandidà 37 mifaninana ho an’ny toerana eo anivon’ny komity mpanatanteraka ihany koa no nanara-dalàna.Ny 7 tamin’ireo, nanao hosoka teo amin’ny fitomboka. Tsy nisy koa ny sonia nanome fankatoavana, avy amin’ny ligim-paritra. Tsiahivina fa 10 amin’ireo 30 ireo ihany no hofidin’ireo ligim-paritra miisa 22.Manana telo andro, nanomboka omaly 23 jolay ka hatramin’ny 26 jolay amin’ny 5 ora hariva, ireo kandidà rehetra ireo na ny voatazona na ny tsy voatazona, mampakatra ny raharaha. 5 andro kosa no handinihin’ny komisiona misahana ny fitarainana, ireo fitarainana voaray. Hivoaka ny alakamisy 1 aogositra, ho avy izao, ny lisitra ofisialy. Ny 2 aogositra kosa ny antsapaka, amin’ny fipetrahan’ny anarana ao amin’ny biletà tokana sy ny fandaharana ireo kandidà amin’ny fampielezan-kevitra, hataony ao amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM) sy ny onjam-peo-pirenena (RNM).Tsiahivina, fa ny asabotsy 24 aogositra, no hanaovana ny fifidianana, any Ifaty, Toliara. TompondakaL’article Kitra – ho filohan’ny federasiona: kandidà 5 amin’ny 6 no nahafeno fepetra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

SESAM – Andiany faharoa: taranja 12 hifampizara traikefa

Miditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ny taona ity ny hetsika karakarain’ny Seho Event, nomeny ny anarana hoe Sesam (Sports Extrêmes et Salon des Arts Martiaux). Hetsika natokana indrindra ho an’ny taranja “arts martiaux”. Ny 9 hatramin’ny 11 aogositra no hanatanterahana izany, eny amin’ny Parvis Analakely, hampisehoan’ireo mpikatroka ao anatin’ireo taranja 12 mandray anjara, ny mampiavaka ny taranjany tsirairay. Araka ny efa nahafantarana azy, hisarika ny tanora hankafy sy hampiroborobo ny fanatanjahantena, fa tsy ho variana amin’ny zava-mahadomelina sy ny revy, no tena tanjona amin’ity hetsika ity. Hiavaka ny amin’ity andiany faharoa ity satria misy ireo taranja vaovao sambany ho tazana amin’ity hetsika ity, toy ny taranja Kempo, ny taibo, ny Akama ary ny Kickboxing.Araka ny nambaran’ny mpikarakara, amin’ny toerana be olona no hanaovana azy ary hitombo bebekokoa noho ny tamin’ny taon-dasa ny fampisehoana isaky ny taranja. Hisy mihitsy, ny tatami lehibe hanaovana izany fampisehoana izany, hisy ihany koa ny fampianarana maimaimpoana. Ankoatra izay, toy ny mahazatra, tsy ho very anjara ireo izay maniry ny hividy na hanjifa fitaovana ara-panatanjahantena, hisy ny fampirantiana izany, toy ny fanamiana ara-panatanjahantena sy ireo fitaovana ilaina amin’ny taranja “arts martiaux” ary ny “sports extrêmes”. Mbola hisy ihany koa ilay tombola hahazoana loka goavana sy loka maro be mifandraika indrindra amin’ny resaka fanatanjahantena. Tapakila fidirana 2000 ar dia efa mety hahazoana izany loka izany.Araka ny fanazavana nentin’ireo dojo sy ny taranja efa nandray anjara tamin’ny herintaona, nahafa-po ary tena nitondra vokatra tsara tamin’ny fampandrosoana ny taranja tsirairay avy, ny andiany voalohany. Antony mbola mahatonga azy ireo hanatevin-daharana izany amin’ity andiany faharoa ity. Ho an-dRakotonirina Parfait, avy amin’ny taranja Kempo sy MMA (Mixed Martial Arts), sambany ny fandraisana anjara amin’ity, isan’ny nanosika azy ny fahafahany mampisongadina ny taranja Kempo sy MMA eto Madagasikara, amin’ny alalan’ity hetsika karakarakin’ny Seho Event ity, hampisehoany ihany koa fa manana zavatra betsaka omena ny mpikatroka malagasy amin’io taranja io.Mampanantena, araka izany, ny Seho Event, fa ho seho sy hetsika miavaka no ho hita mandritra ny 3 andro, ny 9, 10 ary 11 aogositra eny amin’ny Parvis Analakely. Mi.RazL’article SESAM – Andiany faharoa: taranja 12 hifampizara traikefa a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fahaverezana mampiahiahy :: Karohina ny vehivavy iray sy ny zanany menavava

Karohina, efa ho dimy andro hatramin’ny omaly, ny vehivavy iray sy ny zanany menavava, taorian’ny nialan’ izy mianaka ny tranony, teny Andoharanofotsy, tamin’ny marainan’ny alarobia 15 jolay lasa teo. Velon’ahiahy tanteraka ny havan’izy ireo akaiky, indrindra rehefa hita teny Ambohimanala Bevalala ny lamba sy ny akanjo sasany nanaovan’izy mianaka, afak’ omaly maraina. Enina amby roapolo taona io renim-pianakaviana tsy hita popoka, hatramin’ny omaly, io. Manohy ny fitadiavana azy ireo ny fianakaviany. “Tsy nisy nahita ny nialan’ izy mianaka tao an-trano, tamin’ny alarobia tokony ho tamin’ny 4 ora maraina. Tsy nitondra entana na zavatra hafa izy ireo. Nanomboka teo ny fikarohana nataonay, niaraka tamin’ny fampandrenesana ny mpitandro filaminana. Niantso anay ny lehiben’ny fokontany, omaly maraina, (Ndrl: sabotsy) fa misy lamba hita eny Bevalala. Bodofotsin’ilay zaza sy ny bankirarony ary lambany hafa no hita teny. Tonga aty Ankadivoribe izahay manao ny fikarohana”, hoy ny fitantaran’ny havan’ireto mpianaka very tamin’ny antso an-tariby, omaly. Tsy misy disadisa Folo andro talohan’io alarobia 15 jolay io no nahaterahan’ilay zaza. Nambaran’ ny fianakaviana hatrany fa nisy fahasarotana teo amin’ny fiterahana, ka tokony hanohy fitsaboana any an-trano ny renin’ilay zaza. Tavela tao antrano anefa ny fanafody tokony hohaniny. “Tonga nampilaza tety aminay ny havan’izy mianaka ireo saingy tsy mbola niverina na nanome vaovao hafa, hatramin’izao. Toa hoe tsy nisy olana ilay renim-pianakaviana tsy hita fa tokony hanohy fitsaboana taorian’ny niterahany. Arakaraka ny vaovao voaray kosa ny fepetra sy ny fanadihadiana ataonay manoloana ny tsy fahitana olona tahaka izao”, hoy ny hany fanampim-panazavan’ny zandary eny Andoharanofotsy, izay mandray an-tanana an’ity raharaha ity. Mangataka fiaraha-miasa amin’ireo rehetra mahita azy mianaka voalaza ireo ny fianakaviana, amin’ny alalan’ ny fanomezam-baovao amin’ ny laharana finday 0341118859 na ny 0339231351. L’article Fahaverezana mampiahiahy :: Karohina ny vehivavy iray sy ny zanany menavava est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Fampindramam-bola :: Mamerina mandinika ny fampitrosana an’ireo mpiasa ny Cnaps

Mandeha indray ny fifampidinihana eo amin’ireo mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps) momba ny endriky ny fampindramam-bola an’ireo mpiasa amin’ny orinasa tsy miankina. Mandà hatrany an’izao tetikasa nanaovan’ny fanjakana toromarika amin’ny Cnaps mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mpiasan’ ny tsy miankina noho ny kziry ara-pahasalamana izao ny ankamaroan’ireo mpiasa sy ny sendikaly. «Tsy mbola mandeha ny fampindramam-bola. Mivory (Ndrl: omaly) ny Filankevipitantanana, izay ahitana ny sendika sy ny mpampiasa ary ny fanjakana. Miankina amin’izay tapaka no hampiharana azy. Amin’ny zoma no hahafantarana ny fizotran’ny fampindramam-bola, satria tsy eto Antananarivo ihany no hisitraka azy fa manerana an’i Madagasikara », hoy ny loharanom-baovao avy ao amin’ny Cnaps. Notsindrian’itsy farany fa ny hampiharana an’ity endrika fanampiana iantsorohan’ny Cnaps ity isaky ny faritra mihitsy no tena ifotoran’ny fivorian’ny Filankevi-pitantanana, amin’izao fotoana izao. « Fanampiana fa tsy trosa » Tsiahivina fa vola 200 000 ariary hatramin’ny 500 000 ariary no azo indramina amin’ ity tan-tsoroka ara-bola ity. Amin’ny volana janoary 2021 no hanombohan’ny famerenana ny vola indramina. An-kilany, hanohy hatrany ny fitakiana amin’ny tsy fanekena an’izao fampitrosana izao ry zareo avy ao amin’ny Randrana sendikaly. « Fanampiana no tena ilaina fa tsy fampisamboram-bola. Amin’ny zoma ny fotoananay ho eny amin’ny Cnaps, miaraka amin’ny taratasy misy ny sonia voaangona tamin’ireo mpiasa. Efa feno iray alina, ankehitriny, ireo sonia voaangona. Mihazakazaka daholo ny mpiasa amin’ny tsy fanekena an’io fampitrosàna io. Saika ireo mpiasa naato ara-teknika tamin’ny asany no ankamaroany, ka tsy manana hamerenana ny vola mihitsy.  Eo ihany koa ireo am-perinasa », hoy Rakotomanga Barison, sekretera jeneralin’ny sendika SVS, Randrana sendikaly. L’article Fampindramam-bola :: Mamerina mandinika ny fampitrosana an’ireo mpiasa ny Cnaps est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Fananan-tany :: Esorin’ny kaominina eny Anosimpatrana ny MBS

Mamerina ny fananany any amin’ireo nampiasana izany ny kaominina Antananarivo renivohitra. Voakasika ao anatin’izao hetsika izao ny tany eny Anosimpatrana, izay nampiasain’ny vondrona MBS efa ho taona maro izao. « Manome enim-bolana hialanareo eo amin’ny tanin’ ny kaominina Antananarivo renivohitra izahay », hoy ny ampahany amin’ny taratasy fampahafantarana nosoniavin’Andriantsitohaina Naina, Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra ary nalefa teny amin’ ny orinasan-tserasera MBS eny Anosimpatrana, omaly. Fifanaraham-panofana tany, tamin’ny 8 aogositra 2000, ity kasain’ny kaominina hofoanana ity. Namaly avy hatrany an’izao fikasan’ny kaominina Antananarivo renivohitra izao ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc, tompon’ny orinasa MBS. « Miantso ny Ben’ny tanànan’Antananarivo mba handinika tsara ny fifanarahana teo amin’ ny MBS sy ny kaominina Antananarivo aloha aho, izay vao handray fepetra toy izao », hoy izy nanoloana ny mpanao gazety, omaly. Tsy maintsy hiala eny Anosimpatrana, noho izany, ity haino aman-jery ity aorian’ny enim-bolana, nanomboka tamin’ny 30 jolay lasa teo, fotoana nivoahan’ny taratasy fampahafantarana avy amin’ ny kaominina. L’article Fananan-tany :: Esorin’ny kaominina eny Anosimpatrana ny MBS est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – «Ligue des champions d’Afrique»: hatao asabotsy ny lalaon’ny Fosa Jr sy Pamplemousse SC

Ao anatin’ny fanomanana, ny fiatrehana ny lalao savaranonando, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, amin’izao fotoana izao, ny Fosa Jr Boeny. Efa any Mahajanga, izy ireo, manao ny fanazarantena.Araka ny fantatra, ny asabotsy 10 aogositra ho avy izao, no hanatanterahana ny lalao mandroso, hikatrohan’ny Fosa Jr Boeny sy ny Pamplemousse SC avy atsy Maorisy. Fihaonana, hatao ao amin’ny kianja Rabemananjara Boeny. Efa any an-toerana, ny Fosa Jr, taorian’ny fiatrehany lalao tsapa, tamin’ny Cnaps Sport, ny faran’ny herinandro lasa teo. Efa namonjy ity ekipan’i Boeny ity ihany koa ireo mpilalaony, nandrafitra ny Barea de Madagascar, niatrika ny fifanintsanana “Chan”, tany Mozambika.Vonona tanteraka, ny Fosa Jr hidona amin’ny Pamplemousse SC. Mifantoka amin’ny famonoam-baolina tanteraka ny fanazarantenan’ny Fosa Jr, amin’izao efatra andro mialoha ny lalao izao. Anisan’ny mpilalao nantsoin’ny tompon’andraikitra teknika eo anivon’ny Fosa Jr, i Elio, lohalaharan’ny Zanakala FC Matsiatra Ambony. Hamafisina, araka izany, ny fanafihana, eo anivon’ny Fosa Jr.Tsy ataon’izy ireo ambanin-javatra ihany koa ny fiarovantena na milalao eto an-taniny aza, ny Fosa Jr. Tanjona, ny tsy hamonoan’ny Pamplemousse, baolina ary ezahiny ny ahazo baolina 2 no ho 0.Raha tsy misy ny fiovana, rahampitso alakamisy no ho tonga eto Madagasikara ny ekipan’ny Pamplemousse. Hijanona iray andro eto Antananarivo ary ny zoma vao hamonjy an’i Mahajanga. Araka ny tsiliantsofina, milalao ao amin’ity ekipan’i Maorisy ity, i Brunly, mpilalaon’ny USJF Ravinala, fahizay. Ankoatra azy, misy Afrikanina ihany koa mandrafitra ny Pamplemousses.Mila mandingana ity lalao savaranonando ity, ny Fosa Jr, amin’izay afaka miatrika ny “tour de cadrage” ka afaka mifaninana aty amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, raha sanatria ka resy eo amin’ny lalao ampaha-32n-dalana. TompondakaL’article Kitra – «Ligue des champions d’Afrique»: hatao asabotsy ny lalaon’ny Fosa Jr sy Pamplemousse SC a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Politika… mila fanovana             

           Manakorontana ny hoe fanoherana amin’izao? Manakoro tantana izany, na manao izay hampirodana ny fitantanana na ny fitondrana. Hatramin’izao, tsy hita loatra izay hoe fiovana sy fanovana amin’ny fomba fanaovana politika.Misy amin’ireo mpanohitra no tsy mahay afa-tsy ny manakorontana izay fitondrana mijoro. Izay hidirana amin’ny hoe fiaraha-mitantana amina karazana tetezamita izany. Tsy sahy miatrika fifidianana ny ankamaroany amin’izany?Izay no mahatonga ny fanoherana dodoria be amin’ny fiandrasana kendry tohina, fitsikerana, famendrofendroana, fanakorontanana, fandravana efa, fandrodanana. Toerana no tetehina fa tsy izay fampandrosoana ny firenena velively?Tsy mba misy hevitra tsara sy mampandroso lavitra no ho izay ampiharin’ny fitondrana misy? Amin’izay tena soa iombonana amin’ny fiainam-pirenena sy fiainam-bahoaka izany. Sao manome tombondahiny ny mpitondra ve?Tsy misaina sy mitetika ny handimby mpitondra na hitondra fanjakana izany. Amin’ny alalan’izay mba hevitra sy fandaharanasa mazava tsara lavitra, maharesy lahatra, mampitelin-drora ny vahoaka hifidy ny tena any aoriana…Izay koa no saika tsy mampisy firy izay tena fifandimbiasam-pahefana mazava sy milamina. Korontan-dava no kotrehin’ny sasany hahazoana fahefam-panjakana fa tsy fifidianana. Fanakorontanana tsotra izao ny hoe fanoherana?Tsy mahagaga raha tsy mety mampiombona amina fifanatonana hisian’ny filaminana eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra ho amin’ny fifandimbiasan-toerana ny hoe politika, fa saika adilahy lava, fifamaliana faty, fifamotehana…Rahoviana vao tsy manakorontana na manapotika ny hafa intsony ny hoe fanoherana amin’ny fitsikerana, na hoe mahery vaika aza, ohatra. Mba ho amin’izay tena mahasoa ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka. Mila fanovana…Miomana mandrakariva amin’ny fiatrehana fifidianana ho avy amina hevitra sy fandaharanasa mandresy lahatra vahoaka dieny tsy mbola eo amin’ny fitondrana izany fa tsy manakorontana lava amin’izay mitranga sy atao rehetra. Mba misy?Rafaly Nd.L’article Politika… mila fanovana              a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

KMF/Cnoe : “Alefaso aloha ny fifidianana vao mifampidinika”

“Ho anay, tsy ratsy ny fifampidinihana. Saingy tsy misy antony tokony hifampidinihana io, fa alefaso aloha ny fifidianana. Raha hifampidinika, aleo aloha vitaina ny fifidianana eny anivon’ny kaominina; avy eo, mifampidinika: ahoana amin’izay ny hitondrana ny fifidianana manomboka eo?”Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, Andriamalazaray Andoniaina, momba ny fanatsarana ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly. Raha ny tena izy, tokony ho tamin’ny 31 jolay no natao io fifidianana io. Satria tamin’ny 15 jolay 2015 ny fifidianana monisipaly sy kaominaly. Tamin’izany no efa fantatra fa efa-taona ny fe-potoam-piasana.Na inona na inona hatao eo, tsy misy fifidianana tonga lafatra izany. Araka ny fanambarana misesisesy efa nataon’ny KMF/Cnoe, hatrany amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika no efa niresahana an’izay: tsy misy ny hala-bato, fa ny hosoka no tena misy. Tsy misy afa-tsy ao amin’ny lisitry ny mpifidy ny fomba fanaovana hosoka tena mahomby indrindra.Mila fahazoan-dalana hikitika lisi-pifidianana ny CeniTsy afa-manao hosoka izay te hanao izany, raha mandeha mifidy avokoa ny olom-pirenena tokony hifidy. “Ny olana: tsy miasa saina isika, fa rehefa vita ny fifidianana vao mimenomenona”, hoy izy. Vokany, afa-manao hosoka ny mpanao izany. Ny Ceni koa manao ny atao. Amin’izao, tsy misy lalàna mivoaka manome alalana azy hikitika lisi-pifidianana, nefa sahiny manao izany.Raha misy ny fifampidinihana, tokony homen’ny fitondram-panjakana alalana aloha ny Ceni hahazoany mikitika ny lisitry ny mpifidy. Satria tsy ara-dalàna ny fikitikitihana ny lisitry ny mpifidy ataony amin’izao.Nambarany koa fa misy ny tsy fahavononana hanao fifidianana, satria tsy manana kandidà ny sasany: matahotra sao tsy voafidy ny olony. Nefa tsy fanemorana fifidianana no misy amin’izao fa fahatarana. Tsy mbola misy daty hoe hanatanterahana ny fifidianana. “Raha hatao amin’ity taona ity ihany ny fifidianana, tokony ho amin’ny tapaky ny volana novambra”. hoy ihany izy. Tokony ho amin’ity tapaky ny volana ity izany ny fihaikana mpifidy.R.Nd.L’article KMF/Cnoe : “Alefaso aloha ny fifidianana vao mifampidinika” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hosoka sy fisolokiana: nidoboka am-ponja ilay nisandoka ho mpiasan’ny APMF

Nidoboka am-ponja koa ny lehilahy iray nisandoka ho mpiasan’ny APMF naman’ilay renim-pianakaviana (efa any am-ponja) voasambotry ny polisy, ny herinandro teo… Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Betongolo, ny alatsinainy sy ny talata teo noho ny fisolokiana sy fanaovana taratasy hosoka miampy hala-tsonia, ny lehilahy miisa telo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, nilaza izy ireo fa mahavita mandefa olona miasa amin’ny sambo ka mila mandoa vola 5 tapitrisa Ar ny olona iray raha te hanao ity asa ity. Milaza izy ireo fa mpiasa ao amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy na APMF ka izay rahateo koa no nahatonga ny tompon’andraikitra avy ao ao amin’ity antokon-draharaha ity hanao fitoriana. Vokany, lehilahy iray no tratran’ny zandary, ny alatsinainy teo. Nanonona lehilahy roa izay nambarany fa mpiray tsikombakomba aminy ity tratra voalohany ity ka nosamborina ihany koa izy ireo. Natolotra ny fampanoavana , omaly, izy telo lahy taorian’ny famotorana nataon’ny zandary ka naiditra vonjimaika am-ponja ny iray raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny roa lahy niray tsikombakomba taminy. Nomarihin’ny zandary fa vehivavy iray izay mpiray tsikombakomba amin’izy ireo koa no efa nahazoana fitairanana ary efa nanan-draharaha teny amin’ny polisim-pirenena ka efa nalain’ny zandary teny amin’izy ireo anaovana famotorana. Efa naiditra vonjimaika am-ponja, ny zoma lasa teo, ity renim-piankaviana ao anatin’ity tambajotrana mpisoloky ity. Jean Claude L’article Hosoka sy fisolokiana: nidoboka am-ponja ilay nisandoka ho mpiasan’ny APMF a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

JIRAMA SY NY ORANGE MONEY: Manamora ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa
20/09/2020

Fanatsarana ny fomba fandoavana faktiora. Nanavao ny fiarahamiasany indray ny Jirama sy ny Orange Money. Tontosa ny 18 septambra 2020 ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Tale jeneralin’ny Jirama, Andriamanga Vonjy sy ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny Orange Money, Degland Michel.  Entina hanampiana ireo “antokon-draharaha ara-barotra” sy ireo toerana fandoavam-bola an’ny Jirama ity fiarahamiasa vaovao ity mba hanamorana ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa ao amin’ny Jirama. Nanomboka tamin’ny taona 2014 dia nanampy ireo mpanjifa tamin’ny fomba tsotra sy haingana ary tsy andoavam-bola sy tsy mila mivezivezy ny fandoavana ny faktiora tamin’ny alalan’ny Orange Money. Fomba iray ialana amin’ny filaharana elabe ity tolotra ity. Raha toa ka tsy manana kaonty amin’ny Orange Money ireo mpanjifa dia azo atao ny manefa izany eny amin’ny “Cash Point Orange Money”. Ankoatr’izany, azo atao amin’ny alalan’ny Orange Money na eny amin’ny botika Orange ny fividianana fahana ho an’ireo manana kaontera “prépayé”. Vokatr’ity fiarahamiasa ity, afaka manaramaso ny faktiora nandoavam-bola ireo mpanjifa ary mamoaka izany amin’ny taratasy rehefa avy mitsidika ny tranokalan’ny Orange Money Madagascar. Nirina R. Cet article JIRAMA SY NY ORANGE MONEY: Manamora ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article JIRAMA SY NY ORANGE MONEY: Manamora ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa a été récupéré chez Délire Madagascar.

Misaona ny “Rallye”: nodimandry Ratsifandrihamanana Nirina
21/09/2020

Misaona indray ny tontolon’ny taranja fanamoriana fiarakodia satria nindaosin’ny fahafatesana, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, Ratsifandrihamanana Nirina, 62 taona, mpanamory avy amin’ny klioba FMMSAM. Ny aretim-bavony efa nahazo azy nandritra ny fotoana naharitra no nitarika ny fahafatesany. Raha tsiahivina, ny taona 1992 i Nirina no nanomboka niditra teo amin’ny sehatra ny fanatanjahantena mekanika ka nisantarany izany ny “course de côte”, nitondrany ny fiara P.104. Niditra nanao “rallye” kosa izy, ny taona 1994 ka nitondra ny fiara P.106, ary nifaninana tao amin’ny sokajy “2 roues motrices”, izay efa nahazoany anaram-boninahitra maro. Ny p.206 no fiara nentiny nifaninana farany ka nahatonga azy ho tompondakan’i Madagasikara , teo amin’ny M11 2 roues motrices, ny taona 2019, niaraka tamin’i Alcazaria Jr. Nomeny anarana hoe : Baomba kely avokoa ireo fiara rehetra nentiny nifaninana. Efa mpandray anjara tamin’ny “Run” ihany koa i Nirina. Ankoatra ny fanamoriana fiarakodia, efa tompondaka tamin’ny taranja lomano, tany amin’ny taona 1974, 1975 ihany koa Itompokolahy. Namela mananon-tena sy kamboty vavitokana i Nirina. Raha tsy misy ny fiovana, alevina amin’ity alatsinainy ity ny nofomangatsiakany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny rallye, izahay eto amin’ny Gazety Taratra. Torcelin sy Mi Raz L’article Misaona ny “Rallye”: nodimandry Ratsifandrihamanana Nirina a été récupéré chez Newsmada.

Fanatsarana ny tanàna: notebahin’ny CUA ireo manakorontana
19/09/2020

Mitohy ny fandaminana sy ny fanatsarana ary ny famerenana amin’ny laoniny ny hasin’ny Tanànan’Antananarivo. Tafiditra ao anatin’izany ny fandaminana ny tsena etsy Behoririka sy i Soarano. “… Mbola nisy ihany ireo mpivarotra ninia nivarotra teo amin’io toerana io. Teo koa ireo mpanararaotra nitarika korontana. Tsy maintsy niroso tamin’ny fandaminana ary nandray andraikitra manoloana izany ny avy eto anivon’ny kaominina”, hoy ny “chef de corps police municipal”, ny kaomisera Ostrom Whens, omaly. Nanteriny fa efa nisy ny toerana nofefen’ny CUA manoloana ny vavaha­din’i “Pochard”.Efa misy toerana ho an’ireo mpivarotra ara-dalàna Efa voadio tanteraka izany ary efa tsy nisy intsony ny mpivarotra afaka nivarotra tao anatin’ny faritra voafefy. “Hisy ny fotodrafitrasa kasain’ny kaominina hapetraka eo. Tsy nisy ny olana fa nanaiky ny fandaminana avokoa ireo mpivarotra. Efa manana toerana hametrahana ireo mpivarotra, manana taratasy ara-dalàna sy voasoratra ao anatin’ny lisitry ny mpivarotra, ny kaominina ary efa eo am-pandaminana ny momba izany ankehitriny”, hoy ihany izy. Notsiahiviny fa anisan’ny paikady ampiasain’ny CUA ny fampianarana sy ny fampahafantarana ny vahoaka mba hiara-hientana amin’ny fanajana ireo fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH).Samy tompon’andraikitra Tsy ny tsena ihany anefa no nasiana izany fandaminana, fanadiovana sy fanatsarana, izany, araka ny nambarany. “Tafiditra ao anatin’izany avokoa ireo sehatra rehetra, mety hanohintohina ny filaminana sy ny fitonian’ny vahoaka. Voakasik’izany koa ireo mpitantana ny tanàna, ireo tompon’andraikitra samihafa, toy mpampihatra lalàna ka hisy ny fampiofanana manokana ho azy ireo”, hoy izy. Nanentana ny rehetra ny tenany mba samy ho tony sy hanaraka ny toromarika apetraky ny mpitantana. “Tanàna iombonana Antananarivo ka sa­my tompon’andraikitra ny tsirairay amin’ny famerenana amin’ny laoniny izany”, hoy ny kaomisera Ostrom Whens.Synèse R.L’article Fanatsarana ny tanàna: notebahin’ny CUA ireo manakorontana a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Lalao fanomanana: misisika ny hidona amin’ny Barea ny Hesperange
18/09/2020

Tsy fantatra izay tena antony fa manao fanerena ankolaka ary tena misisika mafy ny hanaovana lalao firahalahiana amin’ny Barea de Madagascar ny Swift Hesperange Luxembourg. Efa tsy neken’ny federasiona malagasy (FMF) anefa izany. Nandefa taratasy any amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny ekipan’ny Swift Hesperange D1 ao Luxembourg, misisika sy manao fanerena ankolaka mangataka hanao lalao firahalahiana amin’ny Barea de Madagascar. Hotanterahina aorian’ny fihaonan’ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso, hatao any Lisbonne, Portugal, ny asabotsy 10 oktobra. Nambaran’ity ekipan’i Luxembourg ity fa hiantohany avokoa ny fivahinian’ny delegasiona malagasy, ny sakafo sy ny fiantranoana ary hatolotra ny Barea de Madagascar ny vola azo rehetra amin’io lalao io ary hampitaina mivantana amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny fihaonan’ny roa tonta, raha raikitra izany.Efa nanaiky ity lalao ity ny mpanazatra ny Barea de Madagascar, i Nicolas Dupuis, fa miandry ny valin-tenin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra izany sisa. Marihina fa efa nilaza ny tomponandraikitry ny FMF fa tsy mendrika ny Barea de Madagascar ny hifandona amin’ity ekipa vao niakatra D1 ao Luxembourg ity.Tsiahivina fa anisan’ireo manao ny fanelanelanana hisian’izao lalao izao ilay Malagasy, Randriantsoaray Justin (Plâtre), namana akaikin’i Nicolas Dupuis, araka ny vaovao avy amin’ny federasiona malagasy. Izy rahateo, tomponandraikira ao anatin’ity ekipan’ny Swift Hesperange ity, ary anisan’ireo nampiditra an’i Hakim Abdallah hilalao ao amin’ity ekipa ity.Nanamarika kosa ny mpitantana ao amin’ny federasiona malagasy fa aleo mitady ekipam-pirenena hanaovana lalao firahalahiana toy izay amin’ny klioba satria tsy misy ekipa nasionaly manao “sparring partner” amin’ny ekipa D1 izany na aiza na aiza. TompondakaL’article Kitra – Lalao fanomanana: misisika ny hidona amin’ny Barea ny Hesperange a été récupéré chez Newsmada.

Fanadihadian’ny OIT: anisan’ny ratsy karama indrindra ny eto Madagasikara
18/09/2020

Anisan’ny firenena ratsy karama indrindra aty Afrika i Madagasikara, araka ny fanadihadiana  nataon’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT). Tsy misy fiovana izany hatramin’ny 2004, fampiharana ny Ariary, ka hatramin’izao. Ambany indrindra ny karama amina sehatra tsy miankina. Tamin’ny 2019, salanisa amin’ny ankapobeny, 168 000 Ar isam-bolana, sokajin’asa farany ambany M1-1A ; 340 000 Ar sokajy OP3 – M5. Samy ivelan’ny sehatry ny fambolena avokoa ireo.Any amin’ny fambolena, ivelan’ny rafitra ara-dalàna, ny maro anisa sy kely ambany indrindra, sahanin’ny isam-pianakaviana. Isan-taona, fiakaran’ny vokatra, ny andraisam-bola izay miankina amin’ny karazam-bokatra: vary, lavanila, legioma, sns. Misy tsy manana fidiram-bola afa-tsy 170 000 Ar isan-taona.Betsaka ny miasa tena ivelan’ny ara-dalànaNy karama no singa iray andrefesana ny fari-piainan’ny Malagasy sy ny toekarem-pirenena. Singa iray hidiran’ny mpampiasa vola avy any ivelany sy eto an-toerana. Hita fa any amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ny fampiasam-bola be indrindra, antapitrisany dolara na amina miliara dolara, toy ny ataon’ny orinasa Ambatovy sy ny QMM. Io karama ambany io ny mahabetsaka ny miasa tena ivelan’ny ara-dalàna. Ankoatra ny fambolena, ny fiompiana sy ny jono, hita izany amin’ny fahamaroan’ny mpivarotra.Na izany aza, mahazo tohana avy amin’ny (OIT) ny sehatra maro eto Madagasikara: politika famoronana asa, fanohanana ny sehatra tsy miankina ho fampandrosoana ny toekarena eto an-toerana, fananganana orinasa madinika, ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Mbola tsy takona afenina anefa ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny asa, toy ny tsy fiantohana ara-pahasalamana, tsy fisoratana any amin’ny Cnaps. R.MathieuL’article Fanadihadian’ny OIT: anisan’ny ratsy karama indrindra ny eto Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahasahiana ka tsy hihemotra isika…”
22/09/2020

Hentitra ary nahitsy ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. “Efa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy izao ny Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH), anisan’ny tetikasa lehibe nataontsika ho an’Antananarivo… Mila fahasahiana ny zavatra toy izao ary tsy hihemotra isika satria efa nandrasan’ny mponina amintsika izany”, hoy izy, tamin’ny fananganan-tsaina niarahana amin’ny mpiasan’ny CUA, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna, omaly.Nanteriny fa ahafahana mitondra fanovana eto an-dRenivohitra, amin’ny fifanajana, ny fanabeazana, ny maha olona, ny fahadiovana, ny filaminana sy ireo maro samihafa izany.Niaiky ny tenany fa mbola tsy tena azon’ny mponina ny tena votoatin’ny CMH sy ireo zavatra ao anatiny. Mila fotoana ny fampahafantarana ireo fitsipika maro ireomba hipaka tsara any amin’ny tsirairay sy hampiova ny fomba fisainantsika, araka ny nambarany.Mpanao politika manimbazimba ny ezaka fitaizana…Etsy an-daniny, naneho ny alahelony amin’ireo mpanao politika sasany ny ben’ny Tanàna. Nohitsiny fa manararaotra manakiana sy manimbazimba ny ezaka atao ho fitaizana sy fampianarana ny olom-pirenena mba ho mendrika. “Mila miroso hatrany isika manohy ny ezaka, mahafa-po ny vahoaka maro anisa sy mahasoa ny tanànantsika, ka hilamina sy hirindra tsara ny fiainana andavan’andro”, hoy ihany izy.Efa tsy mahagaga ny fanakianana anaty tambajotra sosialyAnkoatra izany, notsindriny fa mbola maro ireo tsy mahalala sy mampifangaro ny hetra sy ny atao hoe lamandy. “Tsara ho fantantsika fa tsy ny lamandy velively ny natao hampiakatra ny vola miditra ato amin’ny kaominina. Fa natao izany mba ho fanabeazana ny tsirairay. Ny fanakianana eny amin’ny tambajotra sosialy ireny efa tsy mahagaga. Zava-dehibe ny fanohanan’ny ankamaroan’ny  mponina  sy mankasitraka ny ezaka ataontsika”, hoy ihany Andriantsitohaina Naina.Matoky ireo mpiasan’ny CUA rehetra ny ben’ny Tanàna amin’ny fandraisana ny andraikitra tandrify azy.Synèse R. L’article Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahasahiana ka tsy hihemotra isika…” a été récupéré chez Newsmada.

Lomano-Filaharana Afrika: mbola “top 10” i Murielle
23/09/2020

 Misondrotra avo hatrany ny voninahi-pirenena malagasy, amin’ny alalan’ny taranja lomano. Taorian’ny nahazoany ny laharana faha-7, teto Afrika, ho an’ny 100 m NL, vehivavy, mbola tafiditra “top 10” indray Rabarijaona Tiana Marielle, ho an’ny 400 m NL. Ny fifaninanana “56th Malaysia International Age Group Swimming Championships” ka nahavitany ny hazakazaka tamin’ny fe-potoana 04’35”45 ny nahafahana nametraka ho eo amin’ny laharana faha-10 eto Afrika. Filaharana navoakan’ny Cana (Confederation africaine de natation), omaly, ho an’ny taona 2020. Tsiahivina fa maro ny fifaninanana iraisam-pirenena natrehiny tamin’ny taona 2019, nahazoany “record national” maromaro. Isan’izany ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, teo amin’ny 400 m NL, ny namontsanany ny zava-bita tsara indrindra nasionaly io. Nandray anjara tamin’ilay fifaninanana natao tany Gwangju, Corée, ihany koa i Murielle ka zava-bita tsara indrindra nasionaly roa ny montsany (50 m basse/200 m NL).Raha hiverenana ity filaharana nivoaka ity teo amin’ny 400 m NL, azon’i Dune Coetzee ny laharana voalohany (04’19’’19). Mi.Raz L’article Lomano-Filaharana Afrika: mbola “top 10” i Murielle a été récupéré chez Newsmada.

RLDC Toamasina : taratasy ho an’ny filoham-pirenena
19/09/2020

Nampahafantatra ny fisiany sy ny asany ny Fikamba­nan’ny zon’ny mpanjifa sampana Toamasina (RLDC), ny herinandro lasa teo. Nilaza ny filoham-paritra, Rtoa Rako­ton­drahiratra Vonifanja, fa nandefa taratasy any amin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ny RLDC, hamitana sonia ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana sy ny orinasa tsy miankina CGHV. Tompon’ ny tetikasa fanitarana ny fa­mokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano any Volo­be ity CGHV ity. Ho an’ny RLDC, ny fahavitan’izany fifanarahana izany no vahaolana maharitra hamahana ny tsy fahampian’ny herinaratra, mahatonga ny delestazy mateti-pitranga iainan’ny mpanjifa eto Toamasina. Navoitran’ny RLDC koa ny olana hafa, toy ny tsy fisian’ny taratasy fanaovana kara-panondro eto Toamasina, mahatonga ny kolikoly eny amin’ny boriborintany sasany. Voalaza fa mandoa 30 000 Ar hatramin’ny 40 000 Ar vao mahavita kara-panondro iray. Nampahafantarin’ny sekretera jeneraly (SG) ny kaominina Toamasina I ny RLDC ny fametrahana ny birao marolafy, mikarakara ireo manan-draharaha ao amin’ny kaominina, ka mihena ny fivezivezena sy ny fitetezana birao.Sajo sy Njaka A.L’article RLDC Toamasina : taratasy ho an’ny filoham-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

Vakinankaratra: mitombo isan-taona ny fahapotehan’ny ala
22/09/2020

Hatramin’ny nisian’ny krizy noho ny  coronavirus, tsy latsaky ny 20 000 ny fanapahana hazo tsy ara-dalàna ho an’ny faritra Vakinankaratra, araka ny vaovao nampitain’ny minisiteran’ny Tontontolo iainana.Ny tsy fahampian’ny tolotra eo amin’ny h    azo fahandroana sakafo no fototry ny olana ka tsy mifidy ireo mikapa hazo hanaovana saribao sy kitay. “Hafantoka amin’ny voly hazo fanaovana kitay ny ampahany betsaka amin’ny fambolen-kazo manaraka”, hoy ny minisitra Baomiavotse Raharinirina. Tena mbola tsy afaka amin’izany ny tokantrano maro. Fambolen-kazo tsy lavitry ny tanàna ny vahaolana amin’izany, araka ny nambarany.Mahatratra 60 tapitrisa isan-taona ny zanakazo volena, efa natomboka tamin’ny taom-pambolena 2019-2020. Ny fari-piainana eto Madagasikara  niainga avy amin’ny fanadihadiana nataon’ny Usaid izany, tany amin’ny taona 2004, hoy Razakarimanana Ndranto, ao amin’ny Alliance Voahary Gasy. « Avy amin’izany fanadihadiana izany ny tokony hambolen-kazo 1500 fototra isaky ny hekitara amina velarana 40 000 ha isan-taona manerana ny Nosy, hanampiana ny tolotra hazo fanaovana kitay sy saribao », hoy izy. R.MathieuL’article Vakinankaratra: mitombo isan-taona ny fahapotehan’ny ala a été récupéré chez Newsmada.

Imbiki Herilaza : “Tsy ny isa no zava-dehibe”
18/09/2020

“Raha haintsika ny manaja ary mampiasa ny lalàmpanorenana sy ny lalàna rehetra, tsy ny isa no zava-dehibe fa ny voka-tsoa entin’izay zavatra izay. Eo amin’izay takin’ny firenena izany, indrindra eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka malagasy.”Io ny nambaran’ny mpahay lalàna, Imbiki Herilaza, manoloana ny adihevitra ny amin’ny fifidianana loholona hatao ny 11 desambra, hampihenana ny isan’ny loholona hofidina.Amin’ny firenena toa an’i Madagasikara izay fitondrana “semi-parlemantaire”, miainga avy amin’izay maro anisa eo anivon’ny Antenimierampirenena ny praiminisitra: tsara raha mitovy foto-kevitra amin’ny filohan’ny Repoblika ny parlemanta. Tsy midika izay hoe tsy misy intsony ny asa fanaraha-maso ataon’ny mpanao lalàna amin’ny fahefana mpanatanteraka. Izay ny fifandanjan-kery eo amin’ny fahefana.Na mitovy firehan-kevitra politika aza, misy hatrany ny asa fanaraha-maso ny fahefana mpanatanteraka eo anivon’ny parlemanta. Tokony ho hain’ny parlemantera ny mandanjalanja an’izay, araka ny fanazavany.R.Nd.  L’article Imbiki Herilaza : “Tsy ny isa no zava-dehibe” a été récupéré chez Newsmada.

Sosona ozona: nanatsara ny habakabaka ny Covid-19
17/09/2020

Manimba, mampanify ny hatevin’ny sosona ôzôna eny amin’ny habakabaka ny fiharian’ny olombelona. Nisy fihatsarany ny fihibohana vokatry ny tranga Covid-19 satria nihena ny fiparitahan’ny entona karbona manimba ny sosona ôzôna.Miaro ny haibolan-tany amin’ny hafanana avy amin’ny masoandro ny sosona ozôna.Tandindomin-doza amin’izao fotoana izao ny haibolan-tany, indrindra tato anatin’ny taonjato roa farany, ity sosona ity, satria niroborobo ny famokarana indostria, mamoaka entona karbôna (CO2), ampian’ny fitrandrahana ny zavamaniry ka mampanify ny hateviny ary mampiakatra ny maripana eto an-tany.Nilaza ny teknisiana ao amin’ny Birao nasionaly ny Ozôna (BNO), i Nandrasana Mamy, fa miverina tsikelikely, mihatsara ny sosona ôzôna eto amintsika amin’izao vanim-potoana hisian’ny tranga Covid-19 izao. Antony, nihena ny famokarana indostrialy sy ny fifamoivoizana satria maro ny fiara tsy nivezivezy ka nihena koa ny fampiasana solika, mamoaka etona karbona. Nihena koa ny doro tanety nandritra izay fihibohana izay.Omaly 16 septambra ny Andro iraisam-pirenena hiarovana ny sosona ôzôna, napetraky ny firenena Mikambana. Lohahevitra noraisina ny hoe : “Ozôna ho an’ny fiainana”. Nampiavaka ity fotoana ity koa ny faha-35 taona ny nankalazana ny Andron’ny ozôna.Foanana ny fampiasana ny HCFCManampy izany, mitohy ny fanafoanana tsikelikely ny fampiasana ny fitaovana na kojakoja  ahitana ny etona HCFC (Hydrochlorofluorocarbures). Etona anisan’ny manimba ny sosona ozôna koa ity. Nanomboka ny taona 2010 ny ezaka nanafoanana ny fampiasana azy tsikelikely. Efa Manodidina ny 35% ny taha tsy ahitana azy amin’izao fotoana izao ka tanjona ho 65% amin’ny taona 2025. Nanolotra fitaovana “climatiseur” miisa 38 ny Sampana firenena Mikambana hampandrosoana ny indostria (Onudi), omaly, miaraka amin’ny kojakoja mandeha amin’ny etona R290. Mitsitsy angovo ireo fitaovana ireo, mihena hatrany amin’ny 20%. Haparitaka eto Analamanga sy Vakinankaratra izy ireo.Njaka AndriantefiarinesyL’article Sosona ozona: nanatsara ny habakabaka ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020
21/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Sur les 451 tests effectués ces dernières 24 heures, 20 personnes sont diagnostiquées positives au coronavirus a rapporté ce lundi 21 septembre la porte-parole du CCO. Ainsi, Madagascar compte actuellement 16073 contaminations depuis l’apparition de la pandémie de covid-19 dans le pays. Ces nouveaux cas ont été majoritairement localisés dans la région Analamanga avec un total de 12 cas. Le reste est réparti comme suit: 4 cas à Vakinankaratra, 1 cas à Itasy, 1 cas à Alaotra Mangoro, 1 cas à Matsiatra Ambony et 1 cas à Boeny. Ce jour, 36 patients ont recouvré la santé portant à 14682 le nombre total de guérisons dans tout le territoire malagasy. Par ailleurs, 1164 malades sont encore en traitement, dont 20 dans un état critique. Deux nouveaux décès ont été communiqués. Désormais, le nombre officiel des victimes s’élève à 225. L’article COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.