Fampiharana ny fahadiovana: miantoka ny 99%-n’ny fahasalamana ny tanana madio

News - Fampiharana ny fahadiovana: miantoka ny 99%-n’ny fahasalamana ny tanana madio

News - Fampiharana ny fahadiovana: miantoka ny 99%-n’ny fahasalamana ny tanana madio

Sasa tanamaro no
nanamarihana ny Andron’ny fanasana tanana amin’ny savony, omaly.
Nanaovana hetsika manokana ny tetsy amin’ny Gare Maki
Andohatapenaka. Miantoka ny 99%-n’ny fahasalamana ny tanana
madio.

Nanamarika ny Andro maneran-tany
amin’ny fanasana tanana amin’ny savony isika teto Madagasikara,
omaly. Tanana madio, antoky ny fahasalamana no lohahevitra
novoizina amin’izany. Nisy ny hetsika nasionaly natao manerana ny
Nosy ka nanaovana ny sasa tanamaro natao tamin’ny ora mitovy ho
fanentanana ny maha-zava-dehibe ny fanasana tanana amin’ny rano sy
savony. Nitondra hafatra ny minisitry ny Rano, Rakotovelomanantsoa
Voahary, fa fihetsika tokony hatao matetika ny fanasana tanana
amin’ny rano sy savony ho antoky ny fahasalamana. Ho marihina any
Mandoto ny hetsika, amin’ny 22 oktobra izao, izay hanaovana hetsika
goavana ihany koa hisian’ny fanentanana hipaka amin’ny rehetra.

Ho an’ny sampan-draharaham-paritra
eto Analamanga, nisy ny fanasana tanana faobe natao tetsy amin’ny
fiantsonan’ny taksiborosy tetsy Andohatapenaka. Niarahana tamin’ny
WaterAid ny hetsika, araka ny fanazavan’ny talem-paritry ny rano sy
fidiovana ary fahadiovana, Andrianambinina Estelle. Nosafidina ny
tobim-piantsonana satria anisan’ny toerana ivezivezen’ny oloan
izany ary anisan’ny ilana fanentanana betsaka. Zava-dehibe ny
fanasana tanana amin’ny savony satria miantoka tanteraka ny
fahasalamana izany. Ireo olona hiondrana no hampita izany ny tokony
tsy maintsy hanasana tanana any amin’izay toerana andehanany.
Namatsy ny fanasan-tanana tsy kitihin-tanana ny WaterAid mba tsy
hisian’ny fifampikasihana amin’ny fitaovana fanasan-tanana.
Tongotra no manitsaka ilay fitaovana ary mandeha ho azy ny rano.
Natao izany mba tsy hisian’ny fikitihana amin’ny tanana mety
hampisy fifindran’ny loto sy ny aretina.

Ho an’ny faritra Analamanga, misy
ny fitetezana distrika sy famatsiana ara-pitaovana ho an’ny rano sy
fidiovana ary fahadiovana. Natao indrindra izany ho an’ny ady
amn’ny covid-19.

Tatiana A

Article tiré de Newsmada

L’article Fampiharana ny fahadiovana: miantoka ny 99%-n’ny fahasalamana ny tanana madio a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Taratry ny kanto

Piment Café – TsiakorakaElaela ry zalahy! Sahirana amin’ny fampiarahana ny fotoana ahafahany ny mpikambana tsirairay. Raha vao mahita hiarahana kosa anefa, tsy maintsy mihaona amin’ny mpankafy ny tarika Tsiakoraka. Fantatra fa ho etsy amin’ny Piment Café Behoririka izy ireo, anio alina. Hamerina indray ny vazon’ny taona 80 sy 90, ny country sy ny gasigasy nampisongadina izany tarika Tsiakoraka izany hatramin’izay.“Gasy 4” – Aft AndavamambaFiarahana hafakely no hatolotry ny Gasy 4, anatin’ilay tetikasa “Mamelomaso”, izay hatao anio amin’ny 6 ora sy sasany hariva, etsy amin’ny AFT Andavamamba. Fampiarahana ny mozika nentim-paharazana sy ny mozika ankehitriny ny ketrik’i Monja Manintsindava, Rôla Gamana, Tiana Rainitelo ary i Dôbe io. Izay liana, afaka manatrika.L’article Taratry ny kanto a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Misy hatrany ny azo atao amin’izao…

Ao anatin’izao ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 izao, mitombo isa ny mpangataka etsy sy eroa. Tsy misy tsy sahirana amin’izao? Misy ny mitalaho mafy amin’izany, mibaiko, manery aza. Toy ny hoe manan-jo sy fahefana amin’izay ananan’ny hafa iny ny sasany. Izay may, adala? Tsy ifanomezan-tsiny fa lalina sy mafy ary sarotra ny fahasahiranana. Na izany aza, mampieritreritra ihany tokoa ny toe-javatra amin’ny lafiny iray. Misy aloha ny mahantra noho ny ataony toy ny hoe kamo, tsy te hisahirana… Na diso fandeha tamin’ny lalam-piainana: tsy mijery ny farany, za-dratsy miankina amin’ny hafa… Nefa ao koa ny tena mahantra tsy fidiny noho ny antony samihafa: olana amin’ny fianakaviana, asa atao, fiarahamonina… Manampy trotraka izany rehetra izany izao ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 izao. Tsapa sy tsy takona afenina ny fahamaizan’ny sasany hahazo… sitrany ahay. Na efa sarotra ny fahazoana kely noho izay efa iainana sy misy ny rehetra, hany ka tonga amin’ny hoe mitalaho, mibaiko, manery aza. Amin’izay lafiny izay, voka-javatra ny fahantrana fa tsy anton-javatra. Raha misy ny manankarena amin’ny fomba tsy mazava, be koa ny mahantra tsy amin’ny antony? Efa nisy sy niainana izany ela izay. Amin’izao ady amin’ny fihanaky ny valanaretina izao, vao mainka miharihary… Tsy miara-misitraka ny soa iombonana sy ny tombontsoa eo anivon’ny firenena, ohatra, ny rehetra. Misy hatrany ny zanak’Ikalahafa, lavitra fitondrana, hadino tanteraka… Tena misy ny very sy ny tsy fantatra? Toy ny tsy fahalalana mazava ny isan’ny mponina, ohatra, ny trano fonenana, ny asa misy… Ohatra ihany ny mpangataka fa mirongatra be izao ny karazana mahantra ao anatin’izao ady izao. Misy ny mivaro-pananana, manao ny tsy fanao, mikarama vary masaka ara-bakiteny… Tsy misy tsy mikaikaika amin’izao? Nefa misy hatrany ny azo atao… Inona? “Aza manontany izay mety hataon’ny firenena aminao fa manontania izay azonao atao ho an’ny firenena”, hoy ny filoha teo aloha an’i Etazonia izay, i John Fitzgerald Kennedy.Rafaly Nd.L’article Misy hatrany ny azo atao amin’izao… a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Vaky trano

Voasambotry ny polisy, tamin’ny herinandro teo, ny lehilahy telo voatondro ho mpamaky trano ao an-tampon-tanànan’ Ivohibe Fianarantsoa, vokatry ny fanomezam-baovao avy tamin’ny olon-tsotra. Tao amina trano iray no nahatrarana azy telo lahy niaraka tamin’ny karazana entana halatra marobe. L’article Vaky trano est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fampandrosoana ny eny ifotony: nojeren’ny minisitera ny tetikasa ho an’ireo Mikea

Nidina ifotony nijery ny ala sy ny tanàna itoeran’ireo Mikea tao amin’ny kaomina Basibasy fokontany Bedo sy Vorehe ny solontenan’ny ministeran’ny Fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy (MAHTP) tamin’ity herinandro ity. Notarihin’ny tale jeneralin’ny fananan-tany Ratolorantsoa Petera sy ny tale jeneralin’ny tahirim-pirenena ho an’ny fananan-tany (FNF). Nofidina manokana ity faritry ny Mikea ity mba hijerena ifotony ny zava-misy any an-toerana sy ny fandaminana ny fiaraha-monina ao amin’izy ireo. Nisy ny dinidinika sy fifankalozana natao tamin’ireo vondron’olona Mikea  ahafahana  mamolavola tetikasa ho azy  ireo.  “Tsy afaka tanterahina eo ambony latabatra fotsiny fa mila fandinihana ifotony ny asa hatao.  Jerena ny singa rehetra sy ny tena tranga misy mba hahafahana mampifandray ny zavatra ho volavolaina amin’ny tena zava-misy.  Fomba fiasa napetraky ny eo anivon’ny MAHTP  izany”, hoy ny tompon’andraikitra.Fampandrosoana ny tanan-dehibe… Tafiditra ao anatin’ny sehatry ny atrikasam-pirenena handinihana ny fametrahana ny fiarovana ny zon’ny fananan-tanin’ny fokonolona rahateo izao fidinana ifotony izao. Anisan’ny vokatra andrasana amin’izany atrikasa izany ny famoahana ny famaritana iraisana ny atao hoe vondron’olona  mba hampidirana azy ao anatin’ny volavolan-dalàna momba ny zon’ny fananan-tany iraisana.Ankoatra izany, vita sonia, omaly  ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny MAHTP sy ny Ivontoeram-pirenena misahana  ny antontanisa (Instat). Natao izany ahafahana mandrindra ny antontanisa sy  ny antontam-baovao ho an’ny tanan-dehibe. “Ahafahana mijery ny fampandrosoana tokony hatao izany”, hoy ny tale jeneralin’ny MAHTP, Rabe H., omaly tetsy Anosy.Synèse R. L’article Fampandrosoana ny eny ifotony: nojeren’ny minisitera ny tetikasa ho an’ireo Mikea a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

Afaka manatona eny amin’ny CSB: mbola misy ny vaksiny miaro amin’ny kitrotro 

Mbola mitohy ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny aretina kitrotro eny amin’ny CSB rehetra manerana ny Nosy. Tokony hanatona tobim-pahasalamana ny mpitaiza zaza sy ireo tsy salama hisorohana ny fahasarotana raha voamarina na tsia fa kitrotro tokoa ny mahazo azy.  Amin’izao fotoana izao, mirongatra ny aretina kitrotro ary tsy ny zaza sivy volana no ho miakatra ihany fa hatramin’ny olon-dehibe sy ny zaza vao enim-bolana monja. Antony mahabetsaka ny zaza tratrany, tao anatin’ny herinandro, ny tsy fanaovan’ny ray aman-dreny vaksiny miaro amin’ny kitrotro ny zanany. Nambaran’ny tomponandraikitry ny fanaovam-baksiny ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana, Ramamonjisoa Bodo, fa avy any Maorisy sy avy any Frantsa ny fiavian’ny valanaretina eto amintsika. Raha voaray ara-potoana ny fitsaboana, tsy misy atahorana fa ny fahasarotana no tsy maintsy miditra eny amin’ny hopitaly. Tsy misy ny tranga voamarina fa matin’ny aretina kitrotro, hatreto, satria misy ny fanadihadiana tsy maintsy atao, araka ny fanazavany ihany. Entanina hatrany ny mpikarakara zaza ho mailo na hanatona eny amin’ny toeram-pitsaboana raha misy mampanahy. Misy mibontsimbontsina kely menamena amin’ny vatana, mety harahina fanaviana na fambara hafa ny zaza ny voan’ny kitrotro. Vonjy AL’article Afaka manatona eny amin’ny CSB: mbola misy ny vaksiny miaro amin’ny kitrotro  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiadidiana ny primatiora: “Aoka ho mailo amin’ny tsaho sy resabe tsy marim-pototra”

Namoaka fanambarana ny avy eny Mahazoarivo, omaly, manoloana ny tsaho sy ny vaovao tsy marim-pototra maro aparitaka na amin’ny haino amanjery sasantsasany na amin’ny tambajotra sosialy. “Maneho ny tsy fankasitrahany tanteraka ny fanaparitahana tsaho, lainga ary fanaratsiana isan-karazany, zary lasa fomba fanao mahazatra amin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao ny praiministra. Miantso ny olom-pirenena rehetra ho mailo ka hahay handinika sy handanjalanja, tsy ho mora handairan’ireo resabe tsy marim-pototra aely”, hoy ny fanambarana. Tafiditra ao anatin’izany ny fikendrena tanjona mba handotoana azy eo anatrehan’ny olom-pirenena sy hanimbana ny fiatrehan’ny firenena ny fifidianana. Nohitsin’ny fanambaran’ny eo anivon’ny fiadidiana ny primatiora fa tsy nanangana « cellule de crise » manokana izany ny tenany. Tsy nikononkonona fisamborana na mpanao gazety na olon-kafa. Manameloka ny famafazana lainga… Tsy niaro olona nanao ny tsy ara-dalàna teny amin’ny seranam-piaramanidina na tamin’ny toeran-kafa ary tsy nanakana velively ny famahana ny olana amin’ny resaka fanadiovana ny tanàna eto an-dRenivohitra. “Manameloka ireny famafazana lainga ireny ny praiministra. Mifanohitra tanteraka amin’ny fomba nitaizana azy sy ny etika ary ny toetsaina maha tompon’andraikitra, nibaiko azy hatrany eo am-panatanterahana ny asany”, hoy ihany ny fanambarana. Nasongadin’ny serasera any Mahazoarivo koa fa voarakitra an-tsoratra avokoa sy manaraka ny lalàna manan-kery ny fanapahan-kevitra rehetra noraisin’ny Praiministra Ntsay Christian amin’ny maha lehiben’ny governemanta azy. “Tsy hiray tsikombakomba amina teti-dratsy mandripaka ny harem-pirenena amina zavatra tsy ara-dalàna hanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ny tenany”, hoy ihany ny fanambarana. Mazava ny iraka hotanterahin’ny Praiminisitra Ntsay Christian Notsipihin’ny eny Mahazoarivo fa manana tanjona mazava ho tratrarina ny praiministra araka ny iraka iandraiketany eo amin’ny fitantanana ny governemanta. Mifanaraka amin’ny adidy nekeny mba hanalana ny firenena ao anatin’ny krizy izany. “Eo ny fifidianana, ny fametrahana ny fahamarinan-toerana eo amin’ny lafiny toekarena, ny fikatsahana mandrakariva ny fifandanjana eo amin’ny sosialy, ny fampiroboroboana ny filaminana sy ny fandriampahalemana, ary ny famerenana ny fahaiza-mitantana ny firenena”, hoy izy ireo. Synèse R. L’article Fiadidiana ny primatiora: “Aoka ho mailo amin’ny tsaho sy resabe tsy marim-pototra” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady totohondry: nahazo medaly miisa telo ny mpikatroka malagasy

Anisan’ireo taranja tsy niveri-maina ny ady totohondry satria nandrombaka medaly volamena  ihany koa. Nampitolagaga ny nanatrika ny zava-bitan’ireo mpikatroka malagasy.Nihofahofa indray ny saina sy ny hiram-pirenena malagasy, omaly, taty amin’ny Centre national Vacoas, Maorisy, ho an’ny taranja ady totohondry. Nandrombaka medaly volamena indray mantsy ny atletantsika, teo amin’ny latsaky ny 52 kilao, satria lavon’i Marco Jérôme, tamin’ny alalan’ny KO, teo amin’ny fidirana faharoa, ilay Maorisianina, i Bactora Gilbert. Niady ny fihaonan’izy mirahalahy ireto, nanampy tosika mafy ity solontenany ity ireo mpijery sy mpanohana ny tompon-trano, saingy tsy nampihetsi-bolo sy nampitahotra an’i Marco Jérôme izany fa vao mainka nanome hery azy aza. Vao nanomboka kely ny fidirana faharoa, nanomboka nivoa-dri teo amin’ny tatamason’ity Maorisiana ity, rehefa voan’ny totohondry nipetapetaka teny amin’ny tarehiny. Nifehy ny ady, nanomboka teo, i Marco ary tsy namelany raha tsy nianjera tamin’ny tany ny mpifanandrina taminy. Natsahatry ny mpitsara ny ady rehefa avy nisaina ilay Maorisianina ka nambara fa tompondaka ny Malagasy. Ankilany, nanao ny tsy nambinina ihany i Heriniaina Nomenjanahary (48kg), izay lavona teratany maorisianina, i Beedasse, teo amin’ny lalao famaranana. Na izany aza, mendrika ny zava-bitan’ity Malagasy ity, izay somary betsaka ihany ny tsindry nahazo azy nanoloana ireo mijery nihorakoraka sy ny fanapahan-kevitry ny mpitsara. Miarintsoa.Raz L’article Ady totohondry: nahazo medaly miisa telo ny mpikatroka malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra afrikanina – “Ligue des champions”: vonona mbola haka fandresena indray ny Fosa Jr Boeny

Hotontosaina atsy Nosy Maorisy, rahampitso alahady, ny fihaonana savaranonando miverina, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra. Lalao hikatrohan’ny Fosa Jr Boeny sy ny Pamplemousse SC-n’i Maorisy. Efa any an-toerana, nanomboka ny alakamisy lasa teo, ny ekipan’ny Fosa. Vonona izy 20 mirahalahy mbola haka fandresena indray amin’ity fihaonana ity. Raha tsiahivina, efa manana tombon’isa 1 no ho 0 ny Fosa Jr Boeny, nandritra ny lalao mandroso, tapa-bolana lasa tany Mahajanga.“Tsy hianona amin’io tombonisa io izahay fa tsy maintsy manafika ary hiezaka ny hamono baolina an-tanin’olona”, hoy Rasoanaivo Titi, mpanazatra, tamin’ny tafa fohy tamin’ny mpanao gazety, nialoha ny niaingan’izy ireo. Nomarihiny fa nifantoka tamin’ny fanitsiana ireo olana teo amin’ny tsy fahaizan’ny lohalaharana mamono baolina ny fanazarantenan’ny Fosa Jr Boeny.Ireo mpilalao heverina fa manana izay herijika izay, araka izany, no mandrafitra ny Fosa Jr Boeny. Fandresena na ady sahala fotsiny dia efa ampy hiakaran’ny ekipa malagasy hiatrehana ny fihodinana faharoa, hikatrohana amin’ny Tout Puissant Mazembe-n’ny Repoblika demokratikan’i Kongo. Tompondaka Ireo mpilalaon’ny Fosa Jr Boeny  1-Fabrice ; 2-Theodin ; 3-Lolody ; 4-Doda ; 5-Baggio ; 6-Dounga ; 7-Maso ; 8-Dahery ; 9-Jean-Yves ; 10-Besna ; 11-Sambatra ; 12-Santatra ; 13-Elio ; 14-Mbola ; 15-Nicolas ; 16-Fetra ; 17-Nina ; 18-Hery ; 19-Andry Max ; 20-Orlando. L’article Kitra afrikanina – “Ligue des champions”: vonona mbola haka fandresena indray ny Fosa Jr Boeny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Efa matipaika ny lamina nofaritan’ny any Vatikana: handray ny FFKM sy ny avy amin’ny silamo ny papa François

Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ary efa mipetrapetraka avokoa. Voarindra sy voalamina ny fitsidihan’ny papa François eto amintsika, araka ny nandaharan’ny any Vatikana sy ny fitondram-panjakana eto an-toerana izany. Eo ny maha filohan’ny eglizy katolika maneran-tany azy fa eo koa ny maha filoham-panjakana ny ray masina.Notanterahina tetsy amin’ny trano fonenan’ny Nonce apostolique etsy Ivandry, omaly, ny fampahafantarana amin’ny antsipiriany ny fivahinian’ny papa François eto Madagasikara. Nitarika izany ny solontenan’i Vatikana eto amintsika, ny Mgr Paolo Rooco G ny ny Mgr Raharilamboniaina Fabien. Anisan’ny misongadina amin’izany fitsidihana ataony eto Madagasikara izany ny ho fihaonany amin’ireo filohan’ny FFKM efatra mirahalahy eny amin’ny katedraly Andohalo, ny asabotsy 7 septambra.Hampitan’ny eveka ny fahitany ny fiainam-pirenena sy ny politika…Hisy koa ny fifampiresahany amin’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem). Tombanana fa ho voaresaka ny fiainam-pirenena sy ny politika. Ankoatra izany, hitohy amin’ny fihaonany amin’ireo lehibe mpitarika ny finoana silamo miisa telo izany, ny alahady 8 septambra hatao eny Mahatazana, akaikin’ny toby Akamasoa ny tolakandro. Hoentina am-bavaka amin’izany koa ireo mpamaky vato eny an-toerana sy ny mpiasa maneran-tany. Hitohy amin’ny fihaonana amin’ireo pretra, ny relijiozy, ny anaty fiainana voatokana, ny seminarista ao amin’ny kolejy Saint Michel, Amparibe, izany. Handray manokana ny fikambanan’ny Zezoita ny tenany avy eo. Tsiahivina fa hivahiny atsy Nosy Maorisy ny papa François ny alatsinainy 9 septambra ary hiverina ny hariva ihany eny Ivandry. Handao an’i Madagasikara kosa ny tenany ny talata 10 septambra.Synèse R. Fandaharam-potoana :Zoma 6 septambra 2019 amin’ny 4 ora 30 mn, fahatongavan’ny papa François avy nandalo tatsy Mozambika ary mihazo ny eny amin’ny Nonciature eny Ivandry amin’ny alalan’ny fiara « Papamobile ». Horaisin’ny filoham-pirenena eny Iavoloha, ny asabotsy amin’ny 9 ora 30 mn. Mitohy ao amin’ny Ceremony Building izany, hihaonany amin’ny masoivoho vahiny sy ny fiarahamonim-pirenena. Mihazo ny Karmela Ampasinimalo ny tenany avy eo ary mihaona sy miara-mivavaka amin’ireo relijiozy mpitoka-monina. Mihaona amin’ny eveka ao amin’ny katedraly Andohalo sy ny FFKM ny tolakandro. Mitsidika ny lasapela misy ny fasan-dRasoamanarivo Victoire  avy eo. Hihaona amin’ny tanora eny amin’ny kianja Soamandrakizay ary hisy ny fanankinana ny tanora amin’ny fahasoavan’i masina Maria. Ny alahady indray kosa, sorona masina eny Soamandrakizay, arahin’ny anjelisy. Mihazo ny toby Akamasoa ny tolakandro ary hihaona amin’ireo tanora sy ankizy eny an-toerana. Eo koa ny fifandraisan-tanana amin’ny mpitari-pivavahana silamo sy ny vavaka ho an’ireo mpamaky vato…Mandray ny pretra, ny relijiozy ary ny seminarista ao amin’ny kolejy Saint Michel-Amparibe, aorian’izany. Mihazo ny any Maorisy ny ampitso alatsinainy.   L’article Efa matipaika ny lamina nofaritan’ny any Vatikana: handray ny FFKM sy ny avy amin’ny silamo ny papa François a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

Covid-19: Ireo sakafo betsaka Vit C mampitombo ny hery fiarovana

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Ireo sakafo betsaka Vit C mampitombo ny hery fiarovana » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.L’article Covid-19: Ireo sakafo betsaka Vit C mampitombo ny hery fiarovana a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Eran-tany
24/10/2020

Nametraka laminasa mazava ny mpanjaka Mohamed VI any Maraoka, ho fanarenana ny toekarem-pirenena sy ho fiarovana ny sosialy noho ny Coronavirus. Manodidina ny 13 miliara dolara ny hiatrehana izany: antoka sahanin’ny fanjakana sy ny tahiry fampiasam-bola ho fampandrosoana fototra. Laharam-pahamehana ny fanarenana ny indostria, ny fanajariana ny sehatra tantanan’ny fanjakana, tahiry Mohamed VI ho fampiasam-bola. Ny fahitan’ny mpanjaka Mohamed VI any an-toerana ny fahasahiranan’ny mponina ny nahatonga azy nandray fepetra maro, indrindra ho fanarenana ny toekarena.Miara-tonga ny revolosiona indostrialy sy ny Corona­virus, manova zavatra betsaka eo amin’ny tontolon’ny asa, ny mpiasa sy ny mpampiasa. Manolo asa 85 tapitrisa mialoha ny 2025 ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny. Ampolo tapitrisa ny toeram-piasana voasolon’ny « robot ». Tsy araka ny niheverana azy fa ho haingana ny fandrosoan’ny fampiasana ireo fitaovana teknolojia samihafa noho ny fihanaky ny Covid-19, araka ny fanadihadiana isan-taona ataon’ny The Future of Jobs. Mivoatra haingana ankehitriny ny fampiasana milina any amin’ny toeram-piasana samihafa.Nihena 26,4 % ny fampiasam-bola ataon’ny vahiny any Tonozia nandritra ny sivy volana voalohany tamin’ ity taona ity, raha ampitahana ny tamin’ny 2019. Nihena avokoa ny seha-pamokarana rehetra any amin’ity firenena ity, avy amin’ny indostria vahiny sy ny tompon-tany. Anisan’ny tena misongadina ireo orinasa vahiny mpanodim-bokatra, ny sehatry ny fizahantany. Tojo fatiantoka avokoa ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) ka eo am-pamolavolana ny laminasa hanarenana izany izao ny governemanta tonizianina.Tsara toerana ny toekarena amerikanina maneran-tany ny taona 2012-2016, nitondran’ny filoha Barack Obama; mifanohitra tanteraka amin’izany ny fahitan’ny filoha Donald Trump azy. Koa nambaran’ny filoha ankehitriny ny mampiavaka azy: ady ara-barotra amin’i Sina, ny fampidinana hetra amin’ny ankapobeny, ny fanovana fomba fiasa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana… Talohan’ny Covid-19, efa nanomana politika entiny mandritra ny fampielezan-kevitra i Donald Trump koa nomaniny ny lafiny toekarena, nambarany fa « tsara indrindra hatramin’izay ».L’article Eran-tany a été récupéré chez Newsmada.

Toamasina: hisitraka ny « Salon de l’étudiant » ireo mpianatra
26/10/2020

Hotanterahina any Toamasina ny 30 sy 31 oktobra izao ny « Salon de l’étudiant » ho an’ireo mpianatra nahavita ny fanadinana bakalorea sy hiakatra amin’ny tontolon’ny oniversite amin’izay. Hivondrona amin’ny toerana iray ireo sekoly ambony ao Toamasina sy ny manodidina hampahafantatra ireo karazana lalam-piofanana ao aminy.Miresaka mivantana amin’ireo tompon’andraikitry ny sekoly, araka izany, ireo mpianatra. Misokatra ny fanontaniana rehetra hatramin’ny mety ho lalan’asa ho hita aorian’ny fiofanana na fampianarana hatao.Betsaka ireo tanora afa-panadinana bakalorea no sady te hiasa no hianatra ka misy ihany koa ireo sekoly ambony mandefa manao fizarana asa avy hatrany hahafahan’ny tanora mivelatra sahady sy manana lalan-tsaina amin’ny tontolon’ny asa.Takina indrindra amin’izao fotoana ny fananana traikefa ka izany no anton’ny fizarana asa avy hatrany na dia vao manomboka amin’ny taona voalohany aza ho an’ireo sekoly ambony efa manome fahalalahana ny mpianany amin’izany sehatry ny asa izany.Misy amin’ireo tanora ihany koa no tazomin’ny orinasa nanaovany fizarana asa avy hatrany rehefa tsapan’ny mpampiasa fa matotra sy afaka mamokatra ho an’ny orinasany ka avy hatrany dia omeny ny toerany ao amin’izany orinasa izany.Tatiana AL’article Toamasina: hisitraka ny « Salon de l’étudiant » ireo mpianatra a été récupéré chez Newsmada.

Lanonana goavana :: Hatao any Toamasina sy Foulpointe ny andiany fahafolo an’ny “Mitsaka”
27/10/2020

Vaovao mahafaly ho an’ireo mpankafy dihy. Hotanterahina ihany ilay lanonana goavana ho an’ny dihy any amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy nampitondraina ny anarana hoe “Mitsaka”. Hizara roa mazava tsara ity andiany fahafolo ity ka hotanterahina any Toamasina ny andiany voalohany amin’ ny 4,5,6 desambra ho avy izao ary any Foulpointe kosa ny andiany faharoa amin’ny 18,19,20 desambra 2020. Saika ho hita mandritra an’io fotoana io avokoa ireo karazan-dihy misy sy ampianarina eto amintsika amin’ny maha sahoby goavana ho an’ny dihy azy. Fifandrimbonana no fototr’izy io ka nanasa ireo mpisehatra amin’ ny dihy rehetra manerana ny Nosy ny mpikarakara. “Ny antony anaovana ny “Mitsaka” amin’ity taona ity mantsy, ny finiavana hitazona ny afo tsy ho faty. Amin’ny taona 2021 kosa vao tena hotanterahina ilay fandaharanasa rehetra izay tokony ho natao tamin’ity taona ity”, hoy ny mpikarakara. Tsy hisy ihany koa moa ny fandraisana an-tanana an’ireo mpandray anjara fa miankina tanteraka amin’ny finiavana sy ny fitiavan’ny tsirairay ny fahatongavana amin’ity hetsika andiany fahafolo ity. L’article Lanonana goavana :: Hatao any Toamasina sy Foulpointe ny andiany fahafolo an’ny “Mitsaka” est apparu en premier sur AoRaha.

Roa lahy nalaina an-keriny: maty nisy namono ny iray
30/10/2020

  Mihorohoro saina tanateraka ny fianakavian’ireo mpirahalahy mpiandry omby nisy naka an-keriny, ny herinandro lasa teo tao amin’ny fokontany Amparihibe Ambatomanohina-Anjozorobe. Hatramin’izao, tsy mbola nandrenesam-baovao ny momba ilay zandriolona, raha hita faty teo amin’ny fokontanin’Amparihibe kosa ilay zokiny, ny alarobia antoandro teo rehefa avy novonoin’ireo jiolahy. Fantatra fa nitaky vola mitentina 5 tapitrisa Ar amin’ireo fianakaviana ireo olon-dratsy talohan’izay. Efa nisy anefa fifampiraharahana teo amin’ny roa tonta. Saingy, niharan’ny heristran’ireo mpaka an-keriny hatrany ilay tovolahy 16 taona ka maty.Mponina ao amin’ny fokontany Amparihibe ireo roa lahy mpiandry omby. Tsy hita nanomboka ny harivan’ny 25 oktobra lasa teo izy roa lahy ireo. Nanaovana ombay mitady avy hatrany raha vao tsy nandrenesam-baovao ireo mpiarahalahy 10 sy 16 taona. « Tsy nampahafantatra ny zava-nitranga ireo mpitandro filaminana ireo fianakaviany », hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Taorian’ny tranga, naharay antso avy amin’olona tsy fantatra ireo fianakaviana. Nitaky vola mitentina 5 tapitrisa Ar ilay mpiantso ho tambin’ny famotsorana azy roa lahy.Taorian’ny fanadihadiana ny raharaha, efa misy ny olona roa voasambotra, ahina ho ao ambadiky ny raharaha. Andrasana ny tohin’ny famotorana.Henintsoa HaniL’article Roa lahy nalaina an-keriny: maty nisy namono ny iray a été récupéré chez Newsmada.

Sarimihetsika-Out linemovies: hivoaka rahampitso ny “Tsiafajavona 2 lire”
26/10/2020

Ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy, hivoaka, rahampitso talata 27 oktobra, manerana ny Nosy, ny DVD « Tsiafajavona 2 lire », fizarana farany. Sarimihetsika malagasy novokarin’ny Out linemovies, tao aorian’ny “Tsiafajavona 1”, izy ity. Tantara natao ho an’ny rehetra. Mifono anatra sy lesona ary ny trangam-piarahamonina amin’ny endriny samihafa. Ao anatin’izany ny mampitebiteby sy ny mahatsikaiky isan-karazany.Maro ireo mpilalao sangany eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy hamelona ny “Tsiafajavona 2 lire”. Sarimihetsika tsy ho latsa-danja amin’ireo efa nivoaka hatramin’izay ihany koa raha ny fanomanana sy ny fanatontosana azy. Manamafy izany rahateo ny fandraisana anjaran’ireo mpilalao efa za-draharaha tsara amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy, raha ny filazan’ny Out linemovies.“Raha fintinina ny tantara, niezaka nandamina ny olana eo aminy i Tanjona sy Razily ary i Menja. Kanefa, etsy ankilany, tsy nanaiky hatramin’ny farany i Velo fa nitady izay fomba rehetra hanapotehana ny fianakavian’i Tanjona sy i Navela, ary nitady hevitra hiarahana amin’i Zily”, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra.NarilalaL’article Sarimihetsika-Out linemovies: hivoaka rahampitso ny “Tsiafajavona 2 lire” a été récupéré chez Newsmada.

Volley-CAVB: lany ho filoha ramatoa Bouchra Hajjij
27/10/2020

Tontosa soa aman-tsara, omaly, ny fifidianana eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina ny volley ball. Lany ho filoha hitantana mandritra fe-potoana fitondrana manaraka ramatoa Bouchra Hajjij, filohan’ny federasiona maraokanina ny taranja volley ball. Isam-bato 42 no ho 12, nanoloana ny Dr Amr Elwani, filoha nitantana teo alohany, ny azon’i Bouchra Hajjij, nandritra ny fifidianana, natao tamin’ny alalan’ny “visio-conférence”. Marihina fa nanomboka ny 24 oktobra teo ny kongresin’ny CAVB ka federasiona avy amin’ny firenena miisa 51 eto Afrika ny niatrika izany tany am-panombohana. 53 kosa ireo filohana federasiona nanatanteraka ny fifidianana, omaly alatsinainy, ary isan’izany ny filohan’ny federasiona malagasy ny volley Ball, Andriamanantena Tahiana Nirina. Tsy nanadino ny niarahaba ity filoha vaovaon’ny CAVB ity ny filohan’ny FMVB, i Tahiana Nirina, ary nirary soa azy. Tsiahivina fa firenena telo ny tsy niatrika ny kongresy (i Djibouti, i Erithré ary i Ginea), saingy firenena iray ihany kosa ny tsy nanatanteraka ny fifidianana, omaly.Nialoha ny fifidianana, nisy ny tatitra nataon’ny mpitantana teo aloha, mahakasika ny zava-bita nandritra ny fotoam-piasan’ny Dr Amr Elwani sy ny mpikambana niaraka aminy. Ankoatra ny zava-bita, nisy koa ny tatitra vola, efa fanao rehefa tapitra toy izao ny fotoam-piasana. Samy miandrandra fampandrosoana ho an’ny taranja volley ball eto Afrika ireo federasiona, amin’izao nahazoana filoha mpitantana vaovao sady vehivavy izao.Mi.RazL’article Volley-CAVB: lany ho filoha ramatoa Bouchra Hajjij a été récupéré chez Newsmada.

Fikoloana talentan’ny ankizy: dimy taona ny « School Art »
24/10/2020

Taona 2015… Taona 2020 ! Dimy taona nisiana ny School Art, naorin’i Nofy Ramiadason. Manofana ankizy ho tonga matihanina eo amin’ny tontolon’ny zavakanto amin’ny alalan’ny fampianarana omena azy ireo. Hanomezan-danja ny talentan’ny tsirairay eo amin’ny se­hatry ny zavakanto izany. Hi­derana an’Andriamanitra iha­ny koa, raha ny nambarany. Misy mpampianatra valo mianadahy ao amin’ny sekoly ankehitriny. Nanomboka ta­min’ny fampianarana sary, niitatra tamina zavakanto hafa maro, toy ny dihy, ny mozika, ny teatra …. “Tanjona ny hikolokoloana ny talenta hoentina hiderana an’Andriamanitra, hanomezana voninahitra ny anarany Masina eo amin’ny fiainana satria izy no mpanome ny talenta…”, hoy i Nofy Ra­mia­dason, nanazava ny an­tom-pisian’ny sekoly sy ny nanorenany azy. Azon’ny rehetra idirana ny sekoly fa tsy mifidy finoana na anaram-pivavahana, ho an’izay te hampitombo talenta sy hikolokolo izany. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra ihany koa izy ireo, amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera “facebook” pejy “School Art” sy ny kaonty facebook “Nofy Ram”. Etsy Anosisoa Ambohimanarina no misy ity toeram-pampianarana zavakanto marolafy ity. Ny tsy fahampian’ny ivontoerana na sekoly manofana na mamolavola ankizy no singa iray mamparefo ny kolontsaina, indrindra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto.NarilalaL’article Fikoloana talentan’ny ankizy: dimy taona ny « School Art » a été récupéré chez Newsmada.

Taksiborosy: tsy ampiasaina ny seza afovoany
28/10/2020

 Tsy miova ny fepetra mikasika ny isan’ny mpandeha any anatin’ny taksiborosy sy ny taxi-be, na foana aza hamehana ara-pahasalamana. Nohamafisin’ny minisiteran’ny Fitaterana fa tsy azo atao ny manisy mpandeha eo anilan’ny mpamily fa iray ihany. Toraka izany koa, tsy azo atao ny manisy mpandeha eo afovoan’ny seza (strapotin). Ho mafy kokoa ny fanaraha-mason’ny fanjakana sy ny mpitandro filaminana ary ny tompon’andraikitry ny kaoperativa manoloana ireo voalaza ireo.Etsy ankilany, nitondra fanazavana koa ny minisitera tompon’andraikitra fa tsy ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) intsony ny manao ny fitomboka any anatin’ny kahiebe “manifold”. Ny tompon’andraikitry ny kaoperativa isaky ny toeram-piantsonana indray no hisahana izany sy ny fandaminana rehetra. Tsiahivina fa tsy maintsy hita ao anatin’ity kahiebe ity ny anaran’ny mpandeha sy ny mombamomba azy, toy ny laharana kara-panondro, ny laharana finday, ny adiresiny ary ny toerana alehany.Njaka A.L’article Taksiborosy: tsy ampiasaina ny seza afovoany a été récupéré chez Newsmada.

Herisetra tao an-tokantrano :: Reny niaritra ny mangidy sy mafaitra mandra-pikimpy ny masony
24/10/2020

Niafara tamin’ny fahafatesany ny fiafiana ara-bakiteny niaretan’i Haingonirina Claudia, renimpianakaviana namoy ny ainy teo amin’ny 37 taonany, tao an-tokantranony. Vokatry ny vono sy daroka nataon’ny vadiny no nahafaty azy, raha ny voalazan’ny fianakaviany. Toy ny any amin’ny tany miady ny fiainan’i Haingonirina sy ireo zanany efatra mianadahy tao an-tranony, araka ny fitantaran’ireo havany. Nipetraka tany Ambositra ry Haingonirina Claudia. Tsy dia nisy maminy ny fiainan’izy ireo niaraka tamin’ilay raim-pianakaviana, vadiny sady rain-janany. Niharan’ny herisetra avokoa, hoy ny zandry vavin’i Haingonirina, ny tao an-trano. Eny, hatramin’ireo zanany naterany aza. Ny tena loza, dia nanaraka hatramin’ny ain’itsy renim-pianakaviana. Sady kamboty izy efatra mianadahy no voatazona any am-ponja ny rain’izy ireo vokatry ny voina nitranga tao an-tokantrano. Saika niharan’ny fanolanan’iry raim-pianakaviana, ohatra ilay vavimatoa. Efa saika namidy sy nalevina velona kosa ny zandriny. Nijoro vavolombelona nitantara ny fahoriana nanjo ny zokiny sy ny zanak’itsy farany vavimatoa antsoina hoe Diary, 15 taona, i Tolojanahary Marie Claudine . Manan-janaka efatra mianadahy Itompokovavy Haingonirina: vao tapabolana, herintaona sy tapany, 4 taona ary ny vavimatoa, 15 taona. Tamin’ny 15 oktobra lasa teo no niakaran’ny raharaha ka nampidirana am-ponja vonjimaika an’ilay vady, voatondro ho mpanao herisetra tao an-tokantranony. Fizakam-pahoriana samirery Tsy mba mitantara ny fahoriany amin’ny olona mihitsy Itompokovavy, fony fahavelony, eny fa na dia ireo fianakaviana akaiky aza, araka ny resaka nifanaovana tamin’iry zandriny vavy, Tolojanahary Marie Claudine, izay monina eto Antananarivo. “Noferany mafy ny zanany vavimatoa mba tsy hitantara na amin’iza na amin’iza momba an’izay zava-manjo azy ireo”, hoy izy. Namoy ny ainy, tamin’ ny 10 oktobra lasa teo, i Haingonirina Claudia, nefa dia vao tera-bao, tamin’ny 26 septambra 2020. “Nisedra ny herisetra nataom-badiny azy izy, hatramin’ny nanambadiany. Efa tsy mifanaraka amin’ny fianakaviana noho io toetrany io mihitsy aza ilay rangahy. Entin’ny fahatsorana moa i Haingo ka rehefa mifona ny vadiny dia hadinony avy hatrany ny vono nahazo azy”, araka ny fitantaran’i Tolojanahary Marie Claudine. Efa niara-nipetraka tamin’ izy ireo tany Mahajanga itsy farany. Nambarany fa efa saika niharan’ny fanararaotana ara-pananahana nataon’io zaodahiny io koa izy. “Rehefa tsy manaiky ny hiaraka aminy aho, dia ny zokiko hatrany no voavono sady tsy tafiditra an-trano mihitsy”, hoy i Claudine. Tampon’ny fampijaliana Nanamafy an’ireo voalazan’ny rahavaviny ireo i Diary, zanak’i Haingo vavimatoa. Efa fanaon’ny rainy ny mamono andreniny. Raha tsy mamono izy dia asainy mivoaka any an-tokotany ka tsy ampidirina raha tsy maraina ny andro, izay miitatra hatramin’ny tsy fanome-zana sakafo. Voalaza ho mpandray zava-pisotro mahamamo rahalehilahy. Nihalasa lavitra mihitsy ny zava-nitranga, satria nisy fotoana izay nisehoan’ny fivarotana ny zanaka vavy tamin’ny lehilahy sy ireo zanany roa tamin’ny sefompokontany iray tany Ambositra mihitsy. Fantatra fa mpanjaitra ity raim-pianakaviana. Mpanasa lamba sy manao izay asa kely hitany eny kosa i Haingo, fony fahavelony. “ Inefatra saika naolany aho, indrindra rehefa matory amin’ny antoandro. Namidiny tamin’ny lehilahy koa aho ary akany vola io olona io. Vonoiny aho rehefa tsy mitondra vola mody. Noteneniny aho hoe hividianana sakafonay satria tsy afaka mitady vola intsony i mamanay”, hoy ny fitantaran’i Diary. Zaza namidy roa hetsy Isan’ny naborak’i Diary ihany koa io fikasana hivarotra ny zandriny (herintaona sy tapany) tany amin’ny lehiben’ny fokontany, tany Ambositra io. “Roa hetsy ariary no nivarotany azy. Nilaza ho tsy nanam-bola ilay sefo fokontany ka nitakiany iray alina ariary indray. Nangady lavaka teny amin’ny zoro firarazana izy rehefa tsy nahazo ny vola, saika nandevenany velona an’i zandrinay”, hoy i Diary. Niantraika tamin’ny fiainana ankapoben’ny vadiny sy ireo zanany ny herisetra nataon’ilay lehilahy tao an-tokantrano. Voadona mafy iry tovovavikely, izay nijanona tamin’ny fianarana teo amin’ny taona fahadimy, na dia nahazo fahombiazana tamin’ny fanadinana CEPE aza. Manam-paniriana ny hianatra asa i Diary mba hahafahany miasa sy mampidi-bola hoentiny hanampiana an’ireo zandriny. Nihivingivin-doha izy raha nanontaniana ny mbola mety hiarahany mipetraka amin’ny rainy, rahatrizay ka ho tafavoaka ny fonja itsy farany. Avoaka any an-tokotany… “Kendainy i zokinay rehefa tsy azony ny tadidiaviny aty amiko. Hidiany any antokontany amin’ny 12 ora alina i Haingo. Tena toy izany foana no niainanay”, hoy i Claudine. Nitady hevitra nanalavitra an’i Haingo tamin’ny fianakaviana ny vadiny noho ireo korontan-dava ireo. Niala tany Mahajanga, avy eo, nanorim-ponenana tany Ambositra. Tany koa no nialany aina. Tsy nahenoam-baovao intsony ry zareo taorian’ny nifindrany tany Ambositra. Tsy manana finday rahateo i Haingo mba hifaneraserana amin’ny fianakaviana. Monina any Mahajanga ny anadahiny. Eto Antananarivo kosa ny rahavaviny. Tsy fantatr’ireto farany akory ny fitondran’iry mpiray tampo amin’izy ireo vohoka faninefany, tamin’ity farany ity. “Ny havam-badiny no niantso anay hoe marary zokinay. Vao avy teraka izy, tamin’io fotoana io. Tsy afaka nifana toy ny vehivavy rehetra fa nasaina nanao ny asa aman-draharaha rehetra tao an-tokantrano, raha ny henonay. Manaraka ny vono rehefa tsy manaraka an’izay notenenina. Fantatray fa niditra hopitaly noho ny vono nahazo azy i Haingo. Ny tao amin’ny lohany no tena tsy zakany satria nisy manganabe be mihitsy. Rehefa natao ny fitarafana no nahitana fa vaky roa ny tao amin’ny lohany, izay nitete ra rehefa maty izy”, araka ny tohin’ny tantara nampahafantarin’i Claudine momba ny sedra mahery vaika nolalovan’ny zokiny mandra-pikimpin’ny masony. Antso vonjy Mitaky ny hanasaziana an’io lehilahy io mandra-pahafatiny kosa ny fianakavian’i Haingo, na dia tsy hampiverina ny havan’izy ireo intsony aza izany. Mangataka fanampiana ireto fianakaviana ireto amin’ny fitaizana an’izy efatra mianadahy. Any amin’ny anadahin’i Haingo, any Mahajanga, i Diary sy ny zandriny, 4 taona, taorian’ny fahoriana nihatra tamin’izy ireo. Eto Antananarivo, any amin’ny rahavavin-dreniny kosa, ilay herintaona sy tapany ary ilay vao teraka. Ny rononon’ity menavava no tena ilain’izy ireo fanampiana satria tsy araka ny fividianana azy. Nametraka laharana hahazoana mifandray aminy ireo fianakaviany mitaiza an’izy efatra mianadahy: 032 45 134 22 (Antananarivo)/034 92 126 42(Mahajanga). L’article Herisetra tao an-tokantrano :: Reny niaritra ny mangidy sy mafaitra mandra-pikimpy ny masony est apparu en premier sur AoRaha.

Amparihy: telo lahy nahatrarana taolam-paty roa gony
26/10/2020

Noraisim-potsiny! Saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Taolagnaro ireo telo lahy voarohirohy amina raharaha halatra taolam-paty, ny asabotsy tolakandro teo. Raha ny fampitam-baovao nampitain’ny polisy, nandritra ny fanatanterahana ny asa fisafoana nataon’izy ireo, ny nahatrarana ireto telo lahy ireto niaraka amin’ny gony roa mampiahiahy tao Amparihy Taolagnaro tamin’io fotoana io. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavana azy ireo ny polisy raha vantany vao nahatazana ny gony nentin’izy ireo. Hita tao anatin’ireo gony miisa roa ireo ny taolam-paty lava miisa miisa 167. Nosamborina avy hatrany ireto telo lahy ary nentina nihazo ny biraon’ny polisy hanaovana fanadihadiana sy hahafantarana marina ny toerana niavian’ireto taolam-paty marobe ireto. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ity raharaha halatra taolam-paty ity.Jean ClaudeL’article Amparihy: telo lahy nahatrarana taolam-paty roa gony a été récupéré chez Newsmada.

Fitantanana ny rano: naneho ny fahavononany ny sehatra tsy miankina
31/10/2020

 Vita ny atrikasa niarahan’ny ministeran’ny Rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana, notarihin’ny minisitra Rakotovelomanantsoa Voahary, niaraka amin’ireo tsy miankina miantsehatra amin’ny tontolon’ny rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana.Nandrasana tamin’izany ny fifampizarana sy ny fanoloran-tenan’ireo mpisehatra sy mpiara-miombona antoka ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana izay amafisin’izy ireo amin’ny fandraisany andraikitra eo amin’ny rafitra famatsiam-bola ho fampandrosoana izany sehatra izany manerana an’i Madagasikara.Manodidina ny 50 ireo sehatra tsy miankina nametraka fanamby, omaly, fa hiara-dalana amin’ny minisiteran’ny Rano amin’izany fitantanana ny fotodrafitrasan’ny rano sy ny fahadiovana ary ny fidiovana izany.Mipaka ho an’ny olona rehetra ny tanjona amin’ity fiaraha-miasa amin’ny orinasa tsy miankina ity. Ao anatin’ny fitsinjarana asa ireo orinasa ireo amin’izao fotoana izao. Hiparitaka manerana ny Nosy ny andraikitra.“Tanjona ny hampaharitra ny fotodrafitrasa napetraka sy mbola hatao ka izany indrindra ny anton’izao fampandraisana andraikitra azy ireo izao”, hoy ny minisitra. Voaporofo fa tsy vitan’ny fikambanana tsotra sy ny kaominina ny fitantanana ny fotodrafitrasan’ny rano sy fidiovana ka izany indrindra ny antony hidirana amin’izao fampandraisana anjara ny sehatra tsy miankina izao.Tsy fampananana rano madio fisotro ihany fa hojerena akaiky ihany koa ny momba ny fahadiovana sy ny fidiovana izay mifandray ary tsy afa-misaraka.Tatiana AL’article Fitantanana ny rano: naneho ny fahavononany ny sehatra tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

INVESTISSEMENT PANAFRICAIN : Axian rejoint ADP III
28/10/2020

Partenaire clé dans la transformation économique de l’Afrique. Axian group rejoint ce mardi 27 octobre 2020 le  fonds d’investissement African Development Partners III (ADP III) géré par Development Partners International (DPI). DPI a investi dans 23 entreprises de 29 pays africains, en s’appuyant sur son expertise et son réseau d’investissement qui ont permis de réaliser de solides performances. Avec plus de 1,6 milliards de dollars d’actifs sous gestion, DPI investit dans des entreprises qui sont en mesure de bénéficier de la croissance rapide de la classe moyenne émergente. ADP III suit donc les traces de ses prédécesseurs en se focalisant sur les entreprises leaders œuvrant avec les gestionnaires pour développer les bonnes pratiques environnementales, sociales et de gouvernance. Opportunités de diversification et d’expansion panafricaine Grâce à cette collaboration, Axian entend concrétiser son ambition d’être un partenaire clé dans la transformation économique de l’Afrique. Par l’intermédiaire des entreprises dans son portefeuille, DPI offre une perspective et un accès unique aux transactions réalisées sur le continent. « Cette plateforme d’investissement nous permettra de mettre en valeur nos relations afin de créer des opportunités de co-investissement stratégique ou d’acquisition à la sortie des fonds, là où des synergies avec nos activités principales sont disponibles. Nous saisirons en outre les possibilités de collaboration future avec les gestionnaires de fonds sur des transactions externes favorisant l’innovation et nécessitant un regroupement de compétences », déclare Hassane Muhieddine, CEO AXIAN Financial Services. Favorisant la création de valeur et le développement économique durable, le portefeuille d’investissement panafricain d’ADP III offre à Axian une voie naturelle vers une diversification indirecte de ses opérations stratégiques, tant sur le plan sectoriel que géographique en Afrique. Recueillis par Nirina R. Cet article INVESTISSEMENT PANAFRICAIN : Axian rejoint ADP III est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article INVESTISSEMENT PANAFRICAIN : Axian rejoint ADP III a été récupéré chez Délire Madagascar.