Fampandrosoana eny ifotony: tonga ny milina mpamokatra herinaratra eny Tsihombe

News - Fampandrosoana eny ifotony: tonga ny milina mpamokatra herinaratra eny Tsihombe

News - Fampandrosoana eny ifotony: tonga ny milina mpamokatra herinaratra eny Tsihombe

 

 Notanterahina tao Andamboly any amin’ ny
Distrika Tsihombe, tamin’ity herinandro ity ny lanonana fanolorana
ny milina mpamokatra herinaratra lehibe. Manana tanjaka 165 kw sy
265 kw miaraka amin’ ireo jiro sy kojakoja maro ireto fitaovana
ireto. Nanolotra izany tany an-toerana ny minisitry ny Angovo sy ny
Akoranafo, Ramarolahy Christian, nisolo tena ny filohan’ ny
Repoblika. Anisan’ny nanotrona izany koa ny governoran’ ny faritra
Androy.

Niavaka kosa anefa ny lahatenin’ny
depiote Masy Goulamaly fa tsy mba nahenoana na niresaka momba ireo
fitaovana vao azo ireo. Efa saika tsy tonga izy raha nandrasana
nandritra ny ora maromaro ary efa tsy anisan’ ireo nandray
fitenenana.  Nandray ny anjara fitenenany taorian’izany ny
governor, saingy efa lasa nandeha ity solombavambahoaka ity.

Synèse R.

Article tiré de Newsmada

L’article Fampandrosoana eny ifotony: tonga ny milina mpamokatra herinaratra eny Tsihombe a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Ralambomahay Toavina: “Mahaleo tena ny mpanohitra”

Hatramin’izao, tsy mazava be ihany ny amin’ny fanendrena izay ho lehiben’ny mpanohitra. “Tsy miankina amin’ny minisitera fa mahaleo tena ny mpanohitra”, hoy ny mpandinika ara-politika, Ralambomahay Toavina.“Momba ny fanendrena ny lehiben’ny mpanohitra misy milaza hoe mila ny minisitera na ny andrimpanjakana. Andrimpanjakana ny mpanohitra. Ao anatin’ny lalàmpanorenana izay ary anatin’ny lalàna ihany koa.”Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika ara-politika, Ralambomahay Toavina, momba ny fanendrena izay ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena, izay mbola mahabe resaka sy adihevitra politika amin’izao.Rehefa mifidy ny filohany, ohatra, ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), tsy mila minisitera na andrimpanjakana. Izy ihany dia efa mahaleo tena amin’izay fifidianana ny filohany izay. Tahaka izany koa ny Antenimierampirenena, tsy misy minisitera na governemanta rehefa mifidy ny filoha. Izy ihany no mahaleo tena mifidy izay filohany izay.“Toy izay ihany koa ny mpanohitra rehefa hifidy ny lehibeny: tsy mila minisitera, tsy mila governemanta, tsy mila HCC”, hoy ity mpandinika politika ity. Mahavita tena ny mpanohitra satria fantatra ny antoko mpanohitra misoratra anarana eny anivon’ny minisiteran’ny Atitany. Mahaza ka tena izy raha ny marina.Ny olana: betsaka ny mandroritra ny lalàna fa samy manana ny fomba famakiany azy. Ny vokany, tsy nisy ny lehiben’ny mpanohitra hatramin’ny fitondrana Rajaonarimampianina hatramin’izao…Hahay hifanaraka àry ve ny samy mpanohitra amin’izao? Na mbola hifanohitra an-toerana ihany ny samy mpanohitra…R.Nd.L’article Ralambomahay Toavina: “Mahaleo tena ny mpanohitra” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisitry ny Fitsarana, Randrianasolo Jacques: « Miova ny fomba fiasa…Tsy azo ekena ny tsimatimanota »

“Tokony hiova ny fomba fiasa ary ho mailaka sy madio. Tsy tokony hanjaka intsony ny tsimatimanota. Hamondrona ny hery rehetra hamongorana ireny fanetriben’ny firenena ireny isika”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randrianasolo Jacques , ny alatsinainy teo.  Nitokana ny lapan’ny Fitsarana ambaratonga  voalohany ao Morombe,  faritra Atsimo Andrefana ny minisitra tamin’io fotoana io. Nambarany fa tsy maintsy manao ny ezaka rehetra ny tsirairay hialana amin’ny fomba ratsy maha voasokajy ny fitsarana ho anisan’ny lohalaharana amin’ny fanaovana kolikoly. Nitondra ny teny fankasitrahana ho an’ny Pnud ny minisitra ary nanentana ny mpiara-miasa rehetra mba hihavao toy ny fotodrafitrasa vao notokanana.Fiaraha-miasa amin’ny PnudNampitandrina ny tenany nandritra izany ny amin’ny tokony hitandrovana fatratra izao fananana iombonana izao. Tsiahivina fa simban’ny rivo-doza taona vitsy lasa ity fotodrafitrasa ity, ka nitondra ny fanavaozana tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa ny eo anivon’ny Pnud. Nohararaotin’ny minisitry ny Fitsarana koa izao diany izao, nitsidihana ny fonja tany an-toerana, ka nitafany mivantana tamin’ireo mpandraharaha ny fonja any Morombe.Anisan’ny niatrika izany ireo tompon’andraikitry ny Fitsarana isan-tsokajiny aty amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy ireo tompon’andraiki-panjakana voafidy sy voatendry any an-toerana.Synèse R. L’article Minisitry ny Fitsarana, Randrianasolo Jacques: « Miova ny fomba fiasa…Tsy azo ekena ny tsimatimanota » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ranesa Firiana: “Tsy ara-dalàna ny fanendrena delegasiona manokana” 

“Tsy mazava ny voalazan’ny lalàna ny amin’ny hoe: raha tapitra ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, iza no tokony hisolo azy ireo? Manohy ny asany ve izy ireo sa tsia?”Izay no fanontaniana naroson’ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, manoloana ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Raha omena alalana hanohy ny asany izy ireo, azo atao ny mampiditra izany ao anatin’ny lalàna. Hasiana fanovana izany ny lalàna amin’izao fotoana izao. Afa-manohy ny asany izy ireo amin’izany.Na ny mitranga matetika betsaka mpiresaka koa ny hoe: hasiana delegasiona manokana. Nefa tsy voalazan’ny lalàna ny fametrahana izany amin’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, araka ny fanazavany. Ny fahadisoana ataon’izy ireo no ahazoana mametraka delegasiona manokana, fa tsy ny fahataperana fe-potoam-piasana.Tsy hisy fepetra ankapobeny “Vokatr’izany rehetra izany, tsy maintsy hisy fepetra ankapobeny horaisin’ny fanjakana mahefa momba izany”, hoy izy. Fanohizana asa sa fanovana ho delegasiona manokana sa misy hevitra hafa no hatao amin’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna ?Ny azo antoka, tsy maintsy fepetra ankapobeny iraisana hampiharina amin’ny kaominina rehetra manerana an’i Madagasikara no horaisin’ny fitondram-panjakana. Na mety hitranga koa ny hoe: hafa ny fepetra raisina amin’ny kaominina sasany, ohatra; fepetra manokana amin’ny sokajina kaominina hafa. Misy sokajy efatra ny kaominina manerana an’i Madagasikara.Tsy fantantra ny hitranga noho izany fahabangan’ny lalàna izany. Andrasana izany havoakan’ny governemanta sy ny fanapahan-kevitry ny fanjakana na ny Antenimierampirenena.R.Nd.L’article Ranesa Firiana: “Tsy ara-dalàna ny fanendrena delegasiona manokana”  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Caf: nesorina tamin’ny toerany i Nathalie Rabe

Mitohy ny fanadiovana, eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf). Fantatra fa natsahatra tamin’ny asany, ny alarobia 31 jolay lasa teo, amin’ny talen’ny fifandraisana azy, Rabe Nathalie. Tsy fantatra ny antony, nanalana azy. Raha tsiahivina, izy no vehivavy voalohany, nitazona izany andraikitra izany. Ny volana marsa 2018 izy, no voatendry tamin’io asa io, taorian’ny fivoriambe mahakasika ny baolina kitra vehivavy aty Afrika, natao tany Marrakech, Maraoka. Izy no nandimby an’ilay Kamerone, Junior Binyam. Hisolo an-dRabe Nathalie, indray ilay Ivoarianina, Ouattara Hégaud. “Andro farany. Faly fa nahavita ny asa ary vehivavy voalohany niandraikitra izany asa izany. Ho ela velona ny baolina kitra afrikanina ary ho ela velona i Afrika”, hoy izy, tao amin’ny tambajotran-tseraserany. TompondakaL’article Kitra – Caf: nesorina tamin’ny toerany i Nathalie Rabe a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Faharendrehana amin’ny kolikoly

Satry tokoa ny hino. Satry dia satry saingy tsy hinohino fahatany fa sady mahita ihany koa ny asa mivaingana amin’ny famongorana ny kolikoly eto Madagasikara. Tafapetraka tamin’ny herinandro lasa iny ny tale jeneralin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco). Saro-piterahana ny fivoahan’ny anaran’ny tale jeneraly vaovao. Enga anie ka ny safidy mba hahazoana vokatra tsaratsara kokoa noho ny teo aloha nefa haingana lavitra no mety ho anton’ny fitarazohan’ny fanendrena. Raha atao indray mijery dia nandroso isika tamin’ny ezaka iadiana amin’ny kolikoly, raha tsy hilaza afa-tsy ny fitsanganan’ireo rantsam-pitsarana manokana miady amin’ny kolikoly. Nahenoana anarana manampahefana sy tompon’andraiki-panjakana ambony ihany tao anatin’ireo voarohirohy noho ny raharaha fanenjahana samihafa. Mbola betsaka kosa ireo anarana mipoapoaka sy nalaza teto amin’ny firenena no miriaria any, na eto na tsy eto an-tanindrazana intsony. Zary miandry ny ohatra miainga avy any ambony, na koa hoe mitady an’ilay fahazarana manenjika sady manafay an’ireo “tsimatimanota” aloha ny ankamaroan-dRamalagasy. Indraindray mantsy toa ataony fitaovana ihodivirana amin’ny fialana amin’io fahalovana io ny fahafantarany fa misy an-dRakoto sy Rabe, nitazona an’izao toerana izao sy izao, tena raindahiny tamin’ireo endrika kolikoly teto amin’ny firenena, saingy vitavita ho azy. Natao enjikenjika fotsiny ny fametrahana an’ilay Fitsarana manokana an’ireo olona ambony (HCJ), indrindra fa nihantona tamin’ny fiandrasana ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ny raharaha mila tohizana mahakasika sokajin’olona efa nanana andraikitra lehibe teto Madagasikara. Finiavana politika fa tsy kajikajy politika no tokony hibaiko amin’ny famaranana an’ireny raharaha samihafa ireny, na iza na avy aiza ary na inona ilay olona voarohirohy. Mba tsy ho eo imolotra fotsiny, na ho fialana balan’ireo olom-pirenena an-tapitrisany amin’ny hanohizany ny fomba ratsy, ny fanenjehana an’ireo “trondro vaventy”. Rehefa tena vaindohan-draharaha tokoa ny ady amin’ny kolikoly dia aoka samy hiaiky fa ao anatina farihy iray ilomanosana miaraka amin’ny fahalovana no misy antsika mianakavy. Mila foanana ilay fomba famaritana ny trondro madinika sy lehibe rehefa manao kolikoly. Tsy maintsy manafay ny rehetra ny haran-jono sy ny lelam-pitana, na iza na iza. Sao ny vola haloa amin’ny “tsolotra” fotsiny no mitombo, na hihoapampana mihitsy aza, fa ilay ady amin’ny kolikoly ho tahaka ny lovian-tsahona ihany… L’article Faharendrehana amin’ny kolikoly est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Kitra – Lalao ara-pirahalahiana :: Lavin’ny FMF ny fisian’ny lalaon’ny Barea sy Nizeria

Miparitaka tao amin’ny tambajotra « Facebook » tato ho ato ny vaovao milaza fa hisy ny lalao ara-pirahalahiana hifandonan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny Voromaherin’i Nizeria, hotanterahina any Frantsa, afaka iray volana. Namoaka fanambaràna mandiso an’io vaovao io ny Federasiona malagasin’ny taranja baolina kitra, afak’omaly. « Taranja fehezin’ny lalàna sy fitsipika ny baolina kitra. Misy ambaratonga maromaro arahina ny fikarakarana lalao iray ary tsy maintsy ankatoavin’ny rafitra ambony samihafa, toy ny Federasiona iraisam-pirenena sy ny Kaonfederasiona afrikana », araka ny fanambaràna nataon’ny FMF. Manamafy izany koa ny tsy mbola fahafahan’ny rehetra mivezivezy noho ny hamehana ara-pahasalamana maneran-tany. Na izany aza, maro ny fihaonana efa vinavinainy hotontosaina hanomana ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny CAN 2022 sy ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany hatao any Qatar. Miantso ny mpitia baolina kitra malagasy rehetra ny Federasiona mba tsy hanaparitaka filazana samihafa, ankoatra ny vaovao ofisialy. L’article Kitra – Lalao ara-pirahalahiana :: Lavin’ny FMF ny fisian’ny lalaon’ny Barea sy Nizeria est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Ho fanohanana ny zavakanto: “Tosik’Art”, fifaninanana izay tetikasa mahaliana…

Tsy tetikasa mahaliana fotsiny… Izay tetikasa maharesy lahatra, hampidi-bola ary hampiroborobo ny toekarena, kanefa mikasika ny sehatry ny zavakanto sy ny kolontsaina. Ireny no hifaninana anatin’ny “Tosik’Art”. “Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny kolontsaina”. Fehezanteny niverimberina nandritra ny lanonana fampahafantarana ny fifaninanana “Tosik’Art”, omaly, tetsy amin’ny Garan’i Soarano io. Ho fanamarinana izany rahateo ny antom-pisian’ity fifaninanana nasionaly ity, izay hampirisihina ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina, hanolotra tetikasa mahaliana, maharesy lahatra ka azo tanterahina, hampidi-bola ary hampandroso. “Mbola vitsy anisa ireo mpandraharaha izay misehatra eo amin’ny famoronana ara-javakanto sy ny kolontsaina. Misy ny sakana maromaro mahatonga izany, fa hampirisihina izay vonona kosa ny “Tosik’Art. Hitiliana, hanampiana ary hanosehana azy ireo ity fifaninanana ity”, hoy ny nambaran-dRatovinirina Faly, tale misahana ny zavakanto sy ny fampiroboroboana ny kanto eo anivon’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera. Nanamafy ny tanjona, nizara ny lalan-tsaina, nampahafantatra ny fizotry ny fifaninanana sy ny ho vokatr’izany ireo nifandimby fitenenena, nahitana an-dRakotondrabe Niry,t ale jeneralin’ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina, Ben J izay mpanakanto sady anisan’ireo tompon-kevitra ary Razafiarison Francis, tale jeneralin’ny kolontsaina eo anivon’ny minisitera. “Misy lafiny roa ny kolontsaina, ka ny voalohany ilay hita sy re matetika ary mahazatra antsika. Ny faharoa kosa dia ilay mahakasika ny fihariana sy ny toekarena, mamorona asa ary mamelona olona sy fianakaviana maro. Tsy azo atao tsinontsinona io faharoa io, saingy mila miditra amin’ny sehatra matihanina mba ho tsapa tokoa ny maha fanoitry ny fampandrosoana azy… “Tosik’art”, hanoloran-tanana ny tetikasa maharesy lahatra, mahakasika ny zavakanto rehetra…”, hoy kosa ny nambaran’Andriantongarivo Rakotondrazafy Lalatiana, minisitry ny kolontsaina sy ny serasera. Araka izany, misokatra manomboka ny alatsinainy 5 aogositra izao ny fisoratana anarana, ho an’ireo mpisehatra manana tetikasa hifaninanana. Ho an’ireo teratany malagasy mihoatra ny 21 taona ny fifaninanana, ka afaka misoratra anarana any amin’ny foibem-paritry ny kolontsaina sy ny serasera izay handray anjara. Azo sintonina ao amin’ny tranonkala sy ny pejy “facebook” an’ny minisitera ihany koa ny taratasy fisoratana anarana sy ny andinindininy. Zo ny Aina RandriatsiresyL’article Ho fanohanana ny zavakanto: “Tosik’Art”, fifaninanana izay tetikasa mahaliana… a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Filoha Rajoelina: “Laharam-pahamehana ny fandriampahalemana”

“Famerenana sy fametrahana ny fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena. Izay ihany ny antoka ahafahantsika manatanteraka ny asa fampandrosoana ”, hoy ny kabarin’ny filoha Rajoelina tany amin’ny Akademia miaramila Antsirabe (Acmil), omaly nandritra ny lanonana famoahana ny “Fandresena 2019”. Naneho ny fahavononany  ny filoha hanampy hahamendrika hatrany ny Akademia miaramila satria hisahana andraikitra ambony ireo manamboninahitra mivoaka ao. Naneho fankasitrahana manokana ny filoha Rajoelina kosa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Léon Richard, tamin’ny ezaka nataony tamin’ny fampitaovana ary efa hita fa mihena ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra sasany. Afaka miatrika ny fivelomany ny mponina.Marihina fa nivoaka tamin’izany ny andiany mivantana faha-40 nitondra ny anaran’ny “Général de brigade Andranaivo Raymond”, ahitana manamboninahitra miisa 55 ka vehivavy ny enina amin’izy ireo nandritra ny “Fandresena 2019”. Notsofin-drano ara-miaramila ireo andiany mivantana faha-42 sy ny famindrana sabatra tamin’ny andiany faha-41. Teo koa ny andiany iraisam-piadiana faha-21 “Andraina”. Ankoatra izany,  notokanana ny efitrano filanonana “Farimbona” sy ny “sale d’honneur” ary ny trano famakiam-bokin’ny  Acmil.J.C L’article Filoha Rajoelina: “Laharam-pahamehana ny fandriampahalemana” a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

FANAFIHANA TETSY MAHAMASINA :: Voaroba sady naratra ny raim-pianakaviana iray

Naratra noho ny vono nataon’ny jiolahy ny raim-pianakaviana tao amin’ny trano iray voatafika tetsy Mahamasina, ny marainan’ny alatsinainy lasa teo. Voaroba ihany koa ny entana, toy ny finday enina, solosaina finday roa niaraka tamin’ny vola vahiny 100 euros sy 900 dollars. Ora vitsy nialoha izao fanafihana izao no efa naheno antso filazana fisiana jiolahy mihaodihaody eny Ambanin’Ampamarinana ny mpitandro filaminana. Nikasa hanafika tokantrano iray ny andian-dehilahy nitondra zava-maranitra saingy nandositra rehefa naheno feon-javatra hafahafa. Tonga teny an-toerana ihany ny mpitandro filaminana nanamafy ny fisafoana. Niveri-maina izy ireo. Naheno indray ireo mpanao fisafoana ireo, tokony ho tamin’ny efatra ora maraina fa nisy trano voatafika teny Tsimialonjafy Mahamasina. Jiolahy enina no niditra an-keriny tao amin’ity tokantrano iray sady nandroba no nandratra olona. Tsy mbola nisy tratra ireo mpanafika, araka ny vaovao heno farany omaly. Efa eo am-panaovana ny fanadihadiana kosa ny mpanao famotorana. L’article FANAFIHANA TETSY MAHAMASINA :: Voaroba sady naratra ny raim-pianakaviana iray est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Raharaha mpitatitra sy filankevi-pitondrana: nahazo famindrana toeram-piasana ny mpiasa sasany an’ny Mama  

Mbola nanamafy ny mpiasa roa ao amin’ny trano fiantohana Mutuelle d’assurance malagasy (Mama), omaly, fa marina avokoa ny fanambarana nataon’ny mpitatitra momba ny rohim-pihavanana misy eo amin’ny mpikambana teo aloha ny filankevi-pitondrana sy ireo vaovao voafidy tany Nosy Be farany teo. Nijoro vavolombelona izy ireo ary nitondra porofo maneho izany zava-misy izany. Nambaran’izy ireo fa voahitsakitsaka ny satan’ny fikambanana satria tsy mpitatitra ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny filankevi-pitondrana voafidy farany teo. 20 taona niasana eo anivon’ny trano fiantohana Mama ireo roa lahy ireo ary anisan’ny nanatrika nyy fivoriana tany Nosy Be ihany koa. Manomboka sahady ny antsojay mahazo ny mpiasa sahy mijoro milaza ny tsy rariny ao anatin’ny trano fiantohana ka maro ny mpiasa ary tafiditra ao anatiny izy ireo, nomena famindrana toeram-piasana izay tsy manaja ny lalàn’ny asa. Miendrika fanasaziana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitantana nefa tsy nisy ny hadisoana vitan’izy ireo, araka ny fanazavany, omaly teny Ankazomanga. Miantso ny mpiasan’ny Mama manerana ny Nosy izy ireo tsy hanaiky ny tsindry hazolena fa hijoro amin’ny fahamarinana manoloana ny tsy mety ataon’ny mpitantana.Nanambara koa ireo mpitatitra mpikambana ao amin’ny Mama fa nametraka fitoriana eny anivon’ny ambaratongam-pitondrana mahefa momba izao raharaha izao. Tokony handray fanapahan-kevitra hentitra ny fitondrana ary hampitsahatra ireo mpikambana manitsakitsaka ny satam-pikambana ao anatin’ny filankevi-pitondrana vaovao. Mampitandrina amin’ny fanaovana antsojay amin’ireo mpiasan’ny Mama niaro ny fahamarinana ny mpitatitra ary handray fepetra henjana raha mitranga izany.Vonjy A. L’article Raharaha mpitatitra sy filankevi-pitondrana: nahazo famindrana toeram-piasana ny mpiasa sasany an’ny Mama   a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Fanatsarana ny tanàna: raikitra ny fanadiovan’ny CUA ny tatatra etsy Mahavoky
29/09/2020

Tsy ankiandriandry. Nanomboka, omaly avy hatrany, ny fanadiovana ireo tatatra teny Mahavoky Besarety sy ny manodidina. Haharitra 45 andro izany asa izany ary tafiditra amin’ny  fitsinjovana ireo mponina eny amin’iny toerana iny. Mitohy hatrany ny asa eto amin’ny CUA anampiana ny vahoaka.Etsy andaniny, niarahaba sy nirary soa ho an’ireo polisy monisipaly amin’izao faha-20 taony izao ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna. « Zava-dehibe amintsika ny famerenana ny hasin’ny polisy monisipaly. Fa mbola zava-dehibe amiko ny mahita anareo mifankatia sy miray hina ary miara-mientana, mifanohana amin’ny andraikitra sy ny adidy masina sahaninareo ho an’ny tanànantsika », hoy izy, tamin’ny fanangan-tsaina. Nanteriny fa mba ho reharehan’ny mponina sy fitaratry ny kaominina ary ho maodely amin’ny tanàna hafa eto amin’ny firenena ny polisy monisipalin’Antananarivo. Natsidiny sahady fa mitohy ny asa eo anivon’ny CUA ka anisan’izany ny fanombohan’ny fivorian’ny filankevitry ny kaominina, handinika ny tetibola.Synèse R.L’article Fanatsarana ny tanàna: raikitra ny fanadiovan’ny CUA ny tatatra etsy Mahavoky a été récupéré chez Newsmada.

Sombintsombim-baovao
24/09/2020

Basikety-NBA: Hamaritra izay ho tafakatra amin’ny famaranana lehibe, ho an’ny kaonferansa ilany, ny lalao fahefatra hifanandrinan’ny Lakers sy ny Nuggets. Tsiahivina fa fandresena roa ny efa azon’ny Lakers tamin’ny fifandonan’ny roa tonta, raha toa ka azon’ny Nuggets kosa ny lalao fahatelo, omaly. Isa 116 ny nandavoan’ny ekipan’i Jamal Murray an-dry James Lebron, tamin’ity lalao omaly ity. Ho hita eo, araka izany, izay ho tafita amin’ireto ekipa samy manana ny lazany ireto.Volley-Ball: Nanatanteraka lalao firahalahiana tao amin’ny CRJS Toamasina ny ekipan’ny EVBA sy ny ekipan’ny Mami. Ireto ekipa roa ireto izay samy klioba ao Toamasina. Efa nanomboka tapa-bolana lasa izay ny fanazarantena ho an’ny klioba, taranja volley ball, manerana ny Nosy ary efa manomboka mamerina ny lentan’ny mpilalao tsirairay ireo mpanazatra isaky ny klioba. Miandry ny “coup d’envoi” ahafahana manao fifaninanana fotsiny sisa izy ireo. Nangonin’i Mi.Raz L’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

Tsimokaretina hafa… mila iadiana     
23/09/2020

     Mandry ve ny tanàna? Saika nitaintain-dava ny maro tamin’ny fandalovan’ny valanaretina Covid-19… mandalo toy ny rivodoza. Mbola misy ny ramborambony any ho any: tsy hita maso, ilam-pitandremna. Sao, sanatria, mby amin’izay mahazo ny firenen-dehibe sasany amin’ny fiavy sy ny fihanaky ny valanaretina andiany faharoa amin’izao? Misy ny voatery miverina amin’ny fihibohana.Saingy, tsy ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 ihany amin’izao ny ilam-piambenana. Eo indrindra koa ny fandriampahalemana ifotony. Misy ny sisa navelan’ny aretina tamin’ny hala-boty na ny hala-botry afitsoky ny tontakely noho ny fahaverezana asa, ny tsy fisiana… Mbola misy tsy mahafa-bela ny tsy fandriampahalemana amin’ny endrika maro, mampikaikaika ny  any ifotony hatramin’izay.Anisan’izay toa efa zary mahazatra any amin’ny faritra sasany: ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ary misy manao andiany, ohatra, ny fakana ankeriny. Ao ny tena mampiraviravy tanana ny mponina sy ny vohitra manontolo: faritra lavitra fanjakana? Na tsy hita na tsy afa-manoatra firy ny mpitandro filaminana… Na ny fampiakarana fitarainana amin’izany aza, manahirana na tsy mampiraika na tsy heno.Eo koa ny ady tany tsy mampilamina be ihany amin’ny faritra sasany; eny, na eo aza, ohatra,  ny taranaka nifandimby nanajary ny tany. Mbola tsy afaka ny tarazo ratsin’ny fanjanahana amin’ny fibodoana tany? Na resy any amin’ny fitsarana aza ny sasany, manao ny ataony ihany. Eo ny ezaky ny fitondrana amin’ny fandaminana ny fananan-tany, saingy misy izay tena manahirana eny ifotony.Misy ny tsimatimanota mampiraviravy tanana: mahitahita, lehibe tsy meloka… Kolikoly avo lenta ny antony? Raha ny ezaky ny fitondrana, tsy efa tokony hihena ve ny hoe mampitaraina ny maro indrindra ny kolikoly eny amin’ny fitsarana talohaloha teo? Na ny amin’ny tsy fandriampahalemana, na ny ady tany, na ny tsimatimanota… Tsimokaretina mikiky ny firenena tena mila iadiana hatrany. Mby aiza?Rafaly Nd.L’article Tsimokaretina hafa… mila iadiana      a été récupéré chez Newsmada.

Voka-dratsin’ny hanoanana :: Zaza valo matin’ny Kere any Atsimo
29/09/2020

Lasibatry ny tsy fahampian-tsakafo. Mihatra aman’aina amin’ireo zaza mihitsy ny hanoanana lalimpaka na Kere any amin’ny faritra Atsimo.  Ankizy valo no namoy ny ainy vokatr’ izany tany amin’ny fokontany Ankilimarohatsy ao amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo, faritra Anosy. Fantatra fa tsy misakafo mihitsy ireo zaza ireo. Manampy trotraka amin’ny fahavoazan’ny olona any amin’iny faritra Atsimo iny ny hain-tany.  Mponina manodidina ny 1,6 tapitrisa no mbola hiatrika an’io toetany io indray. Mila tohana ara-tsakafo maika ny efatra arivo sy dimy alina sy dimy hetsy (554 000) amin’izy ireo. Ankizy roa alina sy iray hetsy ihany koa, araka ny tombana, no ahiana hiharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. Vao mainka nampananosarotra ny fahazoan’ireo mponina marefo sakafo sy tolotra ara-pahasalamana ny fisian’ny valanaretina Covid-19. «Tsy misy sakafo mihitsy ao amin’ilay tanàna. Ritra tanteraka ny reniranon’i Mandrare. Nidina tany ifotony mihitsy aho sao dia tazomoka no nahazo azy ireo. Tena tsy misy nofo intsony ireo olona, fa taolana sisa, izay ankizy no betsaka, manodidina ny 2 sy 4 ary 5 taona. Tsy misakafo izy ireo fa matory fotsiny amin’izao. Hanoanana no manjo azy ireo fa tsy aretina velively. Nitondra vary 10 gony sy mangahazo 20 gony ho azy ireo aho », araka ny tatitry ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany Amboasary Atsimo, Angèle Solange. Tsy afa-mitsangana Notsindriany fa tsy ny ankizy ihany no lasibatra amin’ity kere ity fa misy ihany koa ireo olon-dehibe. Tsy ao amin’io tanàna io ihany fa any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny. Latsa-dranomaso ity solombavambahoaka ity nitantara ny zava-misy any an-toerana, toy ny any Afrika, hoy izy. Ankoatra ny hahiazana dia voalazany fa tsy afaka mitsangana intsony ny olona any. Olana iray goavana, etsy an-daniny, ny tobim-pitsaboana izay anaovany antso avo amin’ny fitondram-panjakana. Nahatonga fanampiana, toy ny vary 500 kilao ary mangahazo 600 kilao, ihany koa anefa ny fitondram-panjakana,. Fahavoazana mitarazoka efa ho am-polony taona maro no mihatra amin’ireo ampahan’ny mponina any Atsimo noho io Kere io. Samy nilaza ho nanam-bahaolana ireo mpitondra nifandimby saingy tsy nisy nahitam-bokany maharitra, hatramin’izao. Vahaolana farany notinapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, tamin’ny 9 septambra 2020, ny fananganana ny orinasa « Nutriset », izay hamokatra sakafo be otrikaina ho an’ireo zaza sy reny iharan’ny kere any amin’ny faritra Atsimo. Tokony efa ho tonga tany an-toerana ireo fitaovana hampiasain’izany orinasa izany L’article Voka-dratsin’ny hanoanana :: Zaza valo matin’ny Kere any Atsimo est apparu en premier sur AoRaha.

Tsy haha taona fotsy ny 2020: hotanterahina ny “Rallye international de Madagascar”
28/09/2020

Notapahin’ny fivoriambe ara-potoan’ny federasiona sport automobile malagasy (FSAM), ny alarobia lasa teo, tetsy amin’ny foibe toerany etsy Analakely, fa hotanterahina ny 27, ny 28, ny 29 novambra ho avy izao, raha tsy misy ny fiovana, ny “Rallye international de Madagascar” (Rim). Fihaonana, karakarain’ny federasiona sy ny klioba TMF Rallye. Mba tsy haha taona fotsy sady ho famaranana ny 2020 ny antony hanatontosana izany sady hisian’ny fifankahitan’ireo mpanamory rehetra efa mangetaheta fifaninanana.Na izany aza, tsy natao ofisialy ny hazakazaka fa ho an’ny fahafinaretana fotsiny ihany ka tsy ho anisan’ireo hakana isa ho an’ny taom-pilalaovana. Ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana sy ho fisorohana ny fitangoronan’ny olona be loatra, tsy nasiana ary nofoanana ny “Special slalom” efa fanao sy mahazatra ny TMF. “Notazomina ny anarana “Rim” fa tsy nasiam-panovana satria io ny fifaninanana manakatona hatrany ny taom-pilalaovana. Faniriana ihany izany fa hiankina betsaka amin’ny fahafahana manatanteraka fihaonana fanatanjahantena eto amin’ny firenena ihany ny ahafahana manao azy ity”, hoy Rakotofiringa Jimmy, filohan’ny federasiona.Tsiahivina fa tsy nisy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, tamin’ity taona ity, noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19. Na teo aza izany, nahazo fankatoavana “quitus” 100%, tamin’ireo klioba mpikambana ny federasiona sport automobile malagasy. TorcelinL’article Tsy haha taona fotsy ny 2020: hotanterahina ny “Rallye international de Madagascar” a été récupéré chez Newsmada.

Sauvegarde environnementale et sociale : Le projet CASEF implique les maires et les chefs de district
28/09/2020

Les acteurs communaux participant à la session de formation organisée à Fénérive-Est. Six sessions de formation en matière de sauvegarde environnementale et sociale ont été organisées dernièrement par l’AT CASEF au profit des maires et des chefs de district dans les régions Analanjirofo et Atsinanana. L’AT CASEF constitue une assistance technique composée du bureau d’études INSUCO, du CIRAD et du Centre Technique Horticole de Tamatave, qui met en œuvre les activités du projet CASEF (Croissance Agricole et de Sécurisation Foncière) visant à développer des filières d’exportation sur la côte Est de Madagascar. Plus précisément, 46 personnes, dont une trentaine de maires, 7 chefs de district, des chefs de cantonnement forestier, des agents environnementaux des deux directions régionales de l’agriculture, élevage et pêche concernées, ont participé à ces sessions de formation. L’objectif global de cette formation consiste à sensibiliser les participants sur l’importance de la préservation de l’environnement et le respect des droits des personnes susceptibles d’être affectées par le projet CASEF. La formation vise également à présenter les effets négatifs potentiels des investissements du projet et les mesures d’atténuation prévues. Gestion des plaintes. Il faut savoir que de nombreux thèmes ont été abordés dans le cadre de ces sessions de formation. On peut citer entre autres, la législation malagasy et les politiques de la Banque Mondiale sur lesquelles sont basées les mesures de prévention et d’atténuation des risques et effets environnementaux et sociaux négatifs potentiels. Les actions à conduire pour éviter ou limiter les effets négatifs des activités du projet sur l’environnement, les populations et leurs biens ou pour bonifier les effets positifs, y ont été également soulevés. A titre d’illustration, la sécurisation foncière des sites de plantation, la réalisation de reboisements compensatoires, la collecte et l’enfouissement des sachets plastiques après mise en terre des plants, s’imposent. Le mécanisme de gestion des plaintes, n’est pas en reste. Ce qui donne la possibilité à chaque partie prenante du projet de faire des doléances ou de déposer des plaintes qui seront transmises, sans déformation de leur contenu, et examinées dans les meilleurs délais par les personnes ou structures habilitées. Synergie d’actions. Toujours dans le cadre de ces formations, des échanges fructueux ont eu lieu entre l’AT CASEF et les acteurs communaux. Ce qui permettra de renforcer la synergie d’actions entre les deux parties en ce qui concerne la préservation de l’environnement, la sécurisation foncière des plantations, la mise en œuvre du mécanisme de gestion des plaintes. Par ailleurs, c’était également une occasion de rappeler aux responsables des collectivités territoriales décentralisées les activités du projet CASEF sur les filières cannelle, curcuma, litchi et grenadelle touchant 29 organisations de producteurs réparties depuis le district de Mahanoro au sud jusqu’à celui de Soanierana au nord. Ses appuis se concentrent principalement sur la formation technique des producteurs, le renforcement institutionnel des organisations de producteurs et des coopératives, ainsi que sur la commercialisation de leurs produits. De leur côté, les participants ont salué l’initiative de l’AT CASEF tout en formulant des suggestions et des doléances, afin d’être mieux associés dans l’avenir aux activités du projet. Ils se sont engagés à veiller dans le cadre de leurs responsabilités, à l’application des mesures de sauvegarde environnementales et sociales dont ils sont maintenant bien imprégnés, afin d’assurer la durabilité des actions promues par le CASEF. Navalona R. L’article Sauvegarde environnementale et sociale : Le projet CASEF implique les maires et les chefs de district est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Sauvegarde environnementale et sociale : Le projet CASEF implique les maires et les chefs de district a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fananan-jo…  maharaikitra adidy       
26/09/2020

 Hatramin’izay, saika mampiaka-peo hatrany ny hoe mpanohitra ny amin’ny fananan-jo hiteny, haneho hevitra, hamory vahoaka. Voalaza fa zo fototra izany, nefa mitaky adidy aman’andraikitra ihany koa. Tena mba atao sy vitan’izy ireo ve izay? Anisan’izany, ohatra, ny fitaizana ny mpikambana ao aminy, raha misy: be ny tsy manana mpikambana amin’ny antoko misy azy akory hatrany ifotony.Eo koa ny fandraisana anjara isaky ny fifidianana fa tsy mikisina manohana izay matanjaka hahazoan-toerana: rehefa tsy mahazo, miverina ho mpanohitra. Miara-dalana amin’izany ny fiomanana handray fahefam-panjakana amina foto-kevitra sy fandaharanasa ary paikady fanatanterahana mazava, ny fandresen-dahatra ny olom-pirenena amin’izany handatsa-bato ho an’ny tena amin’ny fifidianana manaraka…Atao sy vitan’izy ireo ve izany, raha tsy hilaza afa-tsy izay? Mampiaka-peo lava amin’ny hoe fananan-jo haneho hevitra sy hihetsika. Toy ny manana olona maro iny ao an-damosina raha sakantsakanana amin’ny fanakorontanana. Nony avela malalaka, zara raha mahajoro sy maharitra amin’izay lazainy sy ataony. Matoa nahomby ny hoe hetsiky ny vahoaka, mby amin’izay tsy zakany… hararaotin’ny sasany.Faly mamerina izay mahazatra hoe mahomby? Fanakorontanana, fandravana… rehefa tsy mahaovoka amin’ny hoe fiaraha-mitantana. Tsy misy antony anaovana fifidianana, raha tsy avela hamita ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra. Raha tsy amin’izay tsy nifanarahana amin’ny tsy famitana izay nampanantenaina, sanatria, ka tsy zakan’ny vahoaka intsony: iandrasany ny farany, na ihetsehany avy hatrany.Izany rehetra izany no anisan’ny mankaloiloy ny maro amin’ny fomba fanaovana politika? Tsy mianga amin’izay tena hetaheta ifotony fa izay hahazoan-toerana fotsiny, anaovana ny fahasarihanam-bahoaka ho fitaovana politika enti-miady sy mitady. Mbola mandaitra sy mahomby ve izany, raha tsy mahavita izay adidy aman’andraikiny ny mpanohitra amin’ny hoe zo ananany isaky ny mihetsika?Rafaly Nd.  L’article Fananan-jo…  maharaikitra adidy        a été récupéré chez Newsmada.

Ministère de la Justice : Des magistrats vont passer en conseil de discipline
30/09/2020

Le ministre de la Justice, Johnny Richard Andriamahefarivo, entend redorer le blason du ministère de la Justice. Le ministre de tutelle estime qu’il faudrait redorer le blason du monde judiciaire. L’objectif étant de mettre en place une justice proche du peuple, intègre et respectueuse des valeurs humaines. Le ministre de la Justice, Johnny Richard Andriamahefarivo, a déclaré en marge de l’atelier des greffiers qui s’est tenu hier matin, à l’ENMG Tsaralalàna qu’« effectivement il y a des brebis galeuses au sein du monde de la Justice, peut-être cela n’est pas connu de tout le monde, il y aurait des magistrats qui vont passer en Conseil de discipline (CODIS)… Des sanctions seront prises à l’encontre de ces magistrats, des greffiers et des agents pénitentiaires ». Et d’enchaîner «qu’actuellement, il y a des magistrats qui font l’objet d’enquête, il en est de même pour les greffiers… Je tiens à souligner que ce n’est pas par les attaques portées à l’encontre de ces brebis galeuses qui vont constituer un paramètre pour mesurer si l’on travaille ou non, mais plutôt par le biais des efforts collectifs afin de donner un nouvel élan au monde judiciaire à Madagascar ». Evaluation. Le Garde des Sceaux  n’a pas manqué aussi de procéder à une évaluation  de ce qui a été fait depuis les huit mois qu’il a été à la tête de ce ministère, sans oublier pour autant de parler des perspectives d’avenir. Le ministre de la Justice a reconnu que « ces huit mois n’étaient pas de tout repos  malgré tout, c’est un poste qu’on a accepté, on doit l’assumer ». Dans la même foulée, il entend redorer le blason du monde judiciaire afin de restaurer la confiance que les gens ont envers la justice. Et c’est la raison de la tenue de cet atelier qui va durer 12 jours, a-t-il indiqué. Notons que les greffiers en chef sont au nombre de 50, et les greffiers et leurs collaborateurs directs qui ont suivi cet atelier. Faut-il rappeler que dès sa prise de fonction, le ministre de la Justice a mis en garde le personnel contre les mauvaises pratiques qui ont entaché l’image de la justice. Toujours dans la journée d’hier, mais plutôt dans l’après-midi, l’ambassadeur de l’Inde à Madagascar, Abhay Kumar,  a rendu une visite de courtoisie au ministre de la Justice. Johnny Richard Andriamahefarivo. Il a été surtout question d’une coopération entre la justice malgache et indienne. Recueillis par Dominique R. L’article Ministère de la Justice : Des magistrats vont passer en conseil de discipline est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Ministère de la Justice : Des magistrats vont passer en conseil de discipline a été récupéré chez Midi Madagasikara.

11 è Fed: 518 tapitrisa euros avy amin’ny UE
25/09/2020

Mitentina 518 tapitrisa euros ny vola avy amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE), iadiana amin’ny fahantrana sy hanarenana ny toekarena eto Madagasikara. Avy amin’ny Tahirimbola eorpeanina ho an’ny fampandrosoana andiany 11 è Fed ity fanampiana ity, ao anatin’ny fandaharanasa Programme indicatif national (PIN), ho an’ny fe-potoana 2014-2020. Miandraikitra ny fandrindrana sady manara-maso ny fanatanterahana ny asa ny Birao manohana ny fiaraha-miasa any ivelany (BACE).Nilaza ny talen’ny BACE, Rakotomahefa Bruno Maurille, fa mifandray amin’ireo minisitera mahazo ny famatsiam-bola izy ireo, mijery ny tetikasa ho tanterahina. Miantoka ny fanaraha-maso ny fanatanterahana sy ny firindran’ny tetikasa izahay, raha vao nivoaka ny famatsiam-bola.Sehatra telo lehibe no voakasiky ny 11 è Fed ao anatin’ny PIN. Ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny asa ho an’ny vahoaka (145 tapitrisa euros), ny lafiny fotodrafitrasa ara-toekarena (230 apitrisa euros) ary ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra (130 tapitrisa euros). Manampy ireo ny fanohanana ny fierahamonim-pirenena (8 tapitrisa euros) sy ny fanamorana ny fiarahamiasa teknika (2 tapitrisa euros). Efa nivoaka ny 96%-n’ny vola. Hanampiana ny tetibolam-panjakana ny 21 tapitrisa euros ambiny.Njaka A.L’article 11 è Fed: 518 tapitrisa euros avy amin’ny UE a été récupéré chez Newsmada.

Minisitra Bavy Michelle Angelica: « Midina ifotony hahitana ny filan’ny vahoaka »
23/09/2020

Nidina ifotony tamin’ny faritra telo: i Vakinankaratra sy Amoron’i Mania ary i Matsiatra Ambony ny minisitry ny Mponina, i Bavy Michelle Angelica, ny herinandro teo. Narahina asa sy nitondrana fanampiana izany. “Fidinana ifotony, ahitana mivantana ny zava-misy sy ny tena ilain’ny mponina izao atao izao. Eo koa ny fitia mifamaly, mahatsara fihavanagna“, hoy hatrany izy tamin’izany. Anisan’ny notsidihiny ny fijerena ny Centre Tsarahonenana ao Ambositra, misy ireo manana fahasembanana saina, tantanan’ny mompera Max. Miisa 17 ireo tsy misy mpiahy raisin’ity ivontoerana ity. Nitondra fanampiana ho an’ireo jamba, manao asa tanana ho an’ny foibe koa ny minisitra. Notokanany koa ny ivontoerana ho an’ny fikambanam-behivavy ao Ambatofinandrahana. Ny fanokafana ny tetikasa “Asa avotra mirindra” ho an’ny distrikan’i Manandriana, ahitana fianakaviana miisa 6 000 misitraka izany amin’ireo kaominina miisa 10.Fikambanam-behivavy nahazo tohanaFanombohan’ny tetikasa ny fanamboarana lakandrano mirefy 1 800 m. Nanolotra bodofotsy sy lay misy ody moka ho an’ireo zokiolona ao an-toerana koa ny minisitra. Ho an’ny ao Isandra kosa, nisy ny asa “Avotra mirindra Voamamy” amin’ny fanajariana ny tany voavoly hazo, mangahazo, kafe, tanterahin’ny mponina. Nizarana Vatsy tsinjo ireo marefo ary nomena milina fanjairana ny fikambanam-behivavy any an-toerana. Notolorana lelavola 4 hetsy Ar ny fikambanam-behivavy ao Ambohimahasoa, ankoatra ny fianakaviana 6 000 mahery, samy tohana avy amin’ny Fid avokoa izany.Etsy andaniny, hisy ny Tosika famokarana ka hivatsiana 30 000 ka hatramin’ny 50 000 Ar ireo raiamandreny ampirisihana azy ireo hampiditra an-tsekoly ny zanany.Tany Vakinankaratra kosa, nitsidika ny fikambanam-behivavy “Mamafitia” ao anatin’ny kaominina miisa 18 ao Betafo ny minisitra. Notolorana fitaovana izy ireo, ankoatra ireo sembana miisa 50 ao Mandoto ary nisitraka fanampiana avy aminy.Synèse R.L’article Minisitra Bavy Michelle Angelica: « Midina ifotony hahitana ny filan’ny vahoaka » a été récupéré chez Newsmada.

Starex iray nivadika tany an-tanimbary, olona roa maty
28/09/2020

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona roa teny amin’ny Rocade Andohatapenaka, ny asabotsy teo tokony ho tamin’ny 8 ora sy 30 mn alina. Fiara marika Hyundai Starex iray saika hisongona taksiborosy marika Sprinter izay samy mitodi-doha mizotra ho an’ny amin’ny rond point Maki Andohatapenaka no nifatratra tany an-tanimbary. Araka ny fanazavan’ny polisy, saika hisongona ity taksiborosy ity ilay fiara Starex na nandona ny vodin’ilay Sprinter ankavia. Mafy ny fifandonana ka nifatratra avy hatrany tamina andrin-jiro eo amin’ny sisiny ankavanana ilay Starex vao nifatratra nilatsaka tany an-tanimbary. Olona enina ny tao anatin’ilay fiara izay samy naratra avokoa hatramin’ny mpamily. Nahitana fahapotehana ihany koa ilay fiara noho ny dona mafy nahazo azy. Noho ny ratra mafy nahazo ireo niharam-boina anefa, namoy ny ainy teny an-dalana hihazo ny hopitaly ny olona roa (vehivavy iray 30 taona sy lehilahy iray 31 taona). Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy kosa ny mpamily sy ny mpandeha telo. Tsy vao izao no nahitana trangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona amin’iny lalana Rocade iny, toy ny eny Marais Masay ihany, indrindra rehefa faran’ny herinandro. Misy ireo mpamily sasany manampatra amin’ny fampiakarana ny hafainganam-pandeha satria matoky loatra ny tanjaky ny fiara sy ny lalana migodana. Ny patsa iray anefa, tsy omby vava ka loza toy izao ny ateraky ny tandrevaka.J.CL’article Starex iray nivadika tany an-tanimbary, olona roa maty a été récupéré chez Newsmada.

Kalon’ny fahiny: nodimandry i Girard
29/09/2020

Razedra ihany koa no nahafantaran’ny olona maro azy! Fantatra, omaly, fa nodimandry Razafindrafahatra René Girard, ministre plenipotentiaire, nandalim-pahaizana manokana momba ny arifenitra. Fa ankoatra izay, beso nikoizana tao amin’ny Ataum sy ny Solika ary R’imbosa izy. Anisan’ireo hira nahenoana ny feony ny « Tsy mba misy tsy ho diso”, ny “Vonimboahirana”, ny “Dobla sento”… Santionan’ny hira nasian-dRazedra ny “soniany”. “Poizina!”, hoy i Dadatoa Ar-well sy Rasamy Gitara raha vao nahare ny fidoboky ny beson-dRazedra tao amin’ny Ataum, 50 taona lasa izay, ry zareo », hoy i Mbosa mitantara. Nohamafisiny fa « vitsy tokoa ny manana lokom-peo tahaka ny an’i Girard, mahatakatra feo iva dia iva sady midoboka ». Notohizany tamin’ny: « Razedra, tsy hohadinoina fa voarakitra tsy amin’onjam-peo ihany fa indrindra ao am-po ny feo sy ny hatsaram-panahy ary ny fandalinan’ialahy ny kolontsaina sy ny gadona bagasy ». Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.Nanangona : HaRy Razafindrakoto L’article Kalon’ny fahiny: nodimandry i Girard a été récupéré chez Newsmada.