Fampandrosoana eny ifotony: manjavozavo ny fitantanana ao Mahereza

News - Fampandrosoana eny ifotony: manjavozavo ny fitantanana ao Mahereza

News - Fampandrosoana eny ifotony: manjavozavo ny fitantanana ao Mahereza

Tsy mazava. Nambaran’ny
loharanom-baovao iray fa manjavozavo ny fitantanana ary ahina ny
fisian’ny fanodinkodinam-bola ao amin’ny kaominina Mahereza,
Ambohidratirmo, tantanan’ny ben’ny Tanàna, Rabenandrasana.
« Tsy vitan’izany fa eo koa ny fanamparam-pahefana ataony
amin’ireo mpiasa sasany. Mandidy manapaka amin’ny fitantanam-bola
ary tereny hamoaka vola araka ny tiany ny tompon’andraikitra
amin’izany”, hoy ny loharanom-baovao. Voalaza fa manao ny
fomba rehetra androahana mpiasa sasany eo anivon’ny kaominina ny
ben’ny Tanàna ka hamoronany antony ireo mpiasa hampidirany ny
fianakaviany amin’ireo toeran’ny mpiasa kasaina horoahina ireo. Tsy
manaraka dingana na fenitra ny fakany vola eo anivon’ny kaominina
ary tsy manome taratasy fanamarinana momba izany izy. “Nividy
solosaina entin-tanana miisa roa, 800 000 Ar, izy. Tsy mbola tonga
ao amin’ny kaominina anefa izany hatramin’izao. Miditra avy hatrany
any aminy ny vola fa tsy ao amin’ ny kitapombolan’ny kaominina
rehefa misy olona nangataka fahazon-dalàna hanorina fasana”,
hoy ihany ny loharanom-baovao.

Manampy ireo ny eo amin’ny
fitantanana ny kaominina. Zary lasa raharaham-pianakaviana izany.
Lefitra voalohany ny dadatoany ary mpandray vola kosa ny zanaky ny
dadatoany raha mpanolotsaina azy ny vadiny.

Synèse R.

Article tiré de Newsmada

L’article Fampandrosoana eny ifotony: manjavozavo ny fitantanana ao Mahereza a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

FJKM Ambohidroa: fiderana lehibe amin’ny “Alahadin’ny mpitandrina”

Hanakoako ny fiderana an’Andriamanitra, eny amin’ny FJKM Ambohidroa Antehiroka, ny alahady izao, noho izany fotoana izany natokana ho “Alahadin’ny mpitandrina”. Hiavaka amin’ny fotoana rehetra tokoa io satria hanasana tarika roa mpanao hira filazantsara, samy fanta-daza: ny tarika Laurent Rakotomamonjy sy ny tarika Vonjy. Hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina ny fotoana, hosantarina amin’ny fotoam-pivavahana lehibe, ao amin’ny fiangonana FJKM Ambohidroa Antehiroka, amin’ny “Alahadin’ny mpitandrina”. Ny tolakandro, manomboka amin’ny 2 ora kosa, ny fampisehoana ara-pilazantsara iarahana amin’ny tarika Laurent Rakotomamonjy sy ny tarika Vonjy. Araka izany, samy hanao ny hira efa nahalalan’ny maro azy ireo hatramn’izay ny roa tonta amin’io. Nambaran’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny fiangonana  FJKM Ambohibao Antehiroka fa io ny andro iray lehibe hitrotroana am-bavaka ny mpitandrina sy ny ankohonany amin’ny adidy masina iantsorohany. Hanasana ny zanaka am-pielezana miparitaka manerana ny Nosy ity fotoan-dehibe ity. Landy R.L’article FJKM Ambohidroa: fiderana lehibe amin’ny “Alahadin’ny mpitandrina” a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Baolina lavalava- Analamanga :: Mitaky ny hiverenan-dRavelojaona Andry ny ankamaroan’ireo seksiona

Naharitra herintaona ny fahabangana eo amin’ny Ligin’Analamanga, taranja baolina lavalava. Mbola tsy misy filohan’ny ligy hatramin’izao. Nanapa-kevitra ny ankamaroan’ireo Seksiona eto Analamanga (Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo ary Antananarivo renivohitra) ny nifamory indray ka mitaky ny hiverenan-dRavelojaona Andry, filohan’ny Ligin’Analamanga teo aloha fantatra amin’ny hoe “La Pie”, izay naato tamin’ny asany tamin’ny taona 2018. “Mbola filohan’ny Ligy izy aminay. Any aminy ny taratasy manamarika fa ara-dalàna izy. Kamboty tsy misy mpiahy ny taranja eto Analamanga ka mitaky ny hiverenany. Tsy manome tsiny an’iza na iza izahay fa aleo mihavana ho fampandrosoana ny baolina lavalava”, hoy Randriamanana Armand, filohan’ny Seksiona Atsimondrano. Manamafy kosa ny Malagasy Rugby fa tsy afaka ny hiasa ao anatin’ny taranja baolina lavalava intsony io filohan’ny Ligin’Analamanga teo aloha io. “Voasazy nanomboka tamin’ny taona 2018 izy. Tsy afaka ny hanohy ny asany amin’ny maha filohan’ny Ligin’Analamanga intsony izy na hiasa ao anatin’ny taranja mandra-pahafatiny”, araka ny voalazan-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. “Manana taratasy avy amin’ny Filankevi-panjakana sy avy amin’ny minisitera ny tenako ka ara-dalàna ary vonona hifampiresaka amin’ny Federasiona ihany koa”, hoy kosa i La Pie. Sendra R. L’article Baolina lavalava- Analamanga :: Mitaky ny hiverenan-dRavelojaona Andry ny ankamaroan’ireo seksiona est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Atsimo Andrefana: simban’ny bibikely ny voly katsaka sy ny hasy

Manahy mafy ny tantsaha any amin’ny faritra Atsimo Andrefana manontolo noho ny fihanaky ny bibikely mpanimba voly katsaka sy hasy. Very hevitra ny mpamboly any amin’ny kaominina ambanivohitra maro, ravan’ny bibikely avokoa ny velaran-tany misy voly hasy.  Efa mivarotra omby mihitsy ireo mpamboly ireo hividianana fanafody hamonoana izany bibikely izany, saingy tsy mety foana hatramin’izao. Hiteraka fahavoazana lehibe, mety ho tonga hatrany amin’ny kere, izany.Zara raha hisy 4 000 t ny vokatra hasy amin’ity raha tokony hahatratra 25 000 t. Ny ataon’ny mpandraharaha lehibe izany fa ny mpamboly madinika, mety tsy hisy horaisina. Tsy misy fidiram-bola azo antenaina, araka izany. Misy amin’ireo tantsaha madinika ireo aza ny nindram-bola amin’ireny “microfinances” ireny, tsy fantatra izay ho tohiny. Ny katsaka indray, anisan’ny foto-tsakafon’ny mponina any an-toerana, manahy mafy izy ireo fa tsy hisy horaisina ihany koa.Tokony ho efa fantatry ny mpikaroka ny hisian’ireo bibikely ireo, tokony ho efa niomana amin’izany izy ireo, indrindra amin’izao fiovan’ny toetr’andro izao. Koa miantso vonjy amin’ny minisiteran’ny Fambolena, ny fiompiana, ny jono ny mponina hijery vahaolana faran’izay haingana. Ny voly vary izao io, any Atsimo Andrefana ihany (lahatsoratra eo ambony), azo ambara fa mahabe fanantenana, satria eo ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) mamatsy vola ny tetikasa. Ny voly katsaka sy ny hasy, hatramin’ny taona maro, foto-piveloman’ny olona any an-toerana, toa jerem-potsiny, angamba hiandrasana indray fanampiana avy any ivelany. R.MathieuL’article Atsimo Andrefana: simban’ny bibikely ny voly katsaka sy ny hasy a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Raharaham-pitsarana any Fianarantsoa :: Hadihadiana lalina ny fanolanana tao amin’ny akany iray

Mbola any am-ponja ny lehilahy iray voarohirohy tamin’ny raharaha fanolanana nihatra tamin’ny ankizy tao amin’ny toby fitaizana zaza kamboty iray any Fianarantsoa, volana vitsy lasa izay. Ao anatin’ny fanadihadiana lalina ny raharaha ny Fitsarana any an-toerana, amin’izao fotoana izao. Zaza efatra no fantatra fa niharan’ny fanolanana. Voampanga sy voarohirohy ho tompon’ antoka tamin’izany herisetra ara-pananahana izany ny lehilahy, vadin’ny mpanabe ao amin’ilay toby ihany. Ankizilahy iray, 17 taona, isan’ireo notezaina tao amin’ny akany no miaraka voampanga aminy. Natolotra ny Fitsarana izy ireo ary samy naiditra amponja vonjimaika. Arahin’ny mpanara-baovao maso akaiky ny fivoaran’ity tranga mampalahelo nihatra tamin’ny zaza ity. L’article Raharaham-pitsarana any Fianarantsoa :: Hadihadiana lalina ny fanolanana tao amin’ny akany iray est apparu en premier sur AoRaha.

News - Politique - News Mada

  Fitakiana fivoriana tsy ara-potoana: miketrika ny hanongana an-dRakotovao Rivo  ireo loholona

 Mitsoka eny amin’ny Antenimierandoholona ny rivotry  ny fanovana. Mikononkonona  ny hanongana ny filohany, Rakotovao Rivo  ireo loholona etsy Anosikely. Ny goverernemanta sisa  andrasana…  “Mahatsapa izahay hoe misy olana ao, misy zavatra tokony hamboarina… Mila ny maro anisa amin’ny loholona mba ho tonga ao, hahazoana miresaka hitady ny vahaolana rehetra mety ho hita. Hahazoana manangana ny Antenimierandoholona vaovao izany.”Izay ny nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona, i Kolo Roger, momba ny toe-draharaha eny anivon’ny Antenimierandoholona amin’izao fotoana izao. Tsy inona ny olana fa: “Atoa filohan’ny Antenimierandoholona: tsy manana fahaiza-mihaino ianao, Atoa filoha. Raha ohatra manana fahaiza-mihaino ianao, mihaino ireo zanakao ireo. Zanakao izahay raha ny heviny ao anatin’ny fitantanana ny Antenimierandoholona”, hoy ny loholona Randriamihaingo Bertin momba izay.Tsy izay toy ny raiamandreny sy zanaka izay intsony ny fifampitondrana, fa lasa mandeha any amin’ny tsy izy avokoa ny resaka rehetra. “Noho izany, rehefa tsy afa-kifampihaino sy miresaka intsony isika: mivaona ny resaka”, hoy izy.Andrasana ny fanapahan-kevitry ny fahefana mpanatanteraka Ny voalazan’ny And 76 ao amin’ny lalàmpanorenana, afa-mangataka fivoriana tsy ara-potoana ny loholona rehefa mahafeno ny fetrisa: antsasa-manila no ho mihoatra. “Noho izany, amin’ny anaran’ireo loholona rehetra nanao sonia izany fangatahana izany: manantena izahay fa handray ny fepetra haingana, araka izay azo atao, ny fahefana mpanatanteraka, indrindra ny governemanta sy ny fiadidiana ny Repoblika ny hiantsoana izany fivoriana tsy ara-potoana izany”, hoy ny loholona irayIaraha-mahalala ny fomba nanendrena ny filohan’ny Antenimierandoholona amin’izao fotoana izao fa azo lazaina ho amboletra ihany, araka ny fanazavany. Nanantenan filaminana miandalana sy fiovana ry zareo, kinanjo tsy mbola nisy izany hatramin’izao. Izay no nahatonga azy ireo nieritreritra hoe tsy maintsy atao izay hisian’ny fanovana ao amin’ny Antenimierandoholona. Manahirana ny zava-misy amin’izao…Andrasan’ny loholona àry ny hamalian’ny governemanta amin’ny hahazoana manatanteraka fivoriana tsy ara-potoana hanovana ny fitantanana eo anivon’ny Antenimierandoholona.R.Nd.L’article   Fitakiana fivoriana tsy ara-potoana: miketrika ny hanongana an-dRakotovao Rivo  ireo loholona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Manja: tratra tao anaty taksiborosy ny lehiben’ireo dahalo

Noraisim-potsiny tao anaty taksiborosy hihazo an’i Morondava ny lehiben’ny dahalo niaraka tamin’ny basy poleta vita gasy tompon’antoka tamina fanafihan-dahalo mitam-piadiana tao Manja, ny 3 desambra 2018 lasa teo. Raha ny tatitra avy amin’ny polisy, nanomboka tamin’io fotoana io, nahazo loharanom-baovao ireo polisy miasa ao Manja fa misy dahalo miisa 20 mirongo fitaovam-piadiana mihaodihaody ao Manja mikasa hanao fanafihana sy halatra omby amin’ny faritra tapany andrefan’ny Distrikan’i Manja. Nanapa-kevitra ny polisy tao an-toerana fa hanatanteraka savahao na antoandro na alina. Nahitam-bokany izany satria, ny alarobia 5 desambra 2018 tamin’ny 11 ora antoandro dia nisy olona nilaza tamin’ny polisy fa misy olona mampiahiahy miondrana ao amin’ny taksiborosy ho any Morondava. Napetraka ny sakana ka nanao fisavana, toy ny fanaon’izy ireo andavanandro, ny polisy. Nosavaina ilay taksiborosy ka tratra tokoa ity lehilahy ity miaraka amin’ny basy poleta vita gasy. Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa izy no lehiben’ireo dahalo mpanafika amin’iny faritra andrefan’ny distrikan’i Manja iny. Handeha hitsena ny omby hangalarin’ireo dahalo any Analaiva Morondava no tena anton-diany kanjo izao tratra izao. Jean ClaudeL’article Manja: tratra tao anaty taksiborosy ny lehiben’ireo dahalo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ory hava-manana, manana havana ory…  

Misy fiarakodia vaovao na hiaka farany mandalo? Raha vazaha, hono, no mahita izay, hilaza hoe: “Rahoviana aho no hanana toy iny?” Raha Gasy na Malagasy kosa, mety hiloa-bava hoe: “Rahoviana no ho simba na hidofotra iny?”Fatra-pamisavisana ny ratsy ny Malagasy? Indraindray, tsy hiavian’ny soa… Ny manana, hono, tsy havan’ny ory; ny omby mahia, tsy lelafin’ny namany. Ohabolan-drazana efa hatry ny ela ireo: fahendrena? Na hadalana koa…Nahatonga ny hoe ny ory tsy havan’ny manana izay? Na azo itarafana izany koa… Tsy mifampilelaka ny omby mahia: samy maka ho azy, mifanaratsy an-toerana. Raha tsy izany, mionona sy miaritra fotsiny. Vokany, manana ihany ny manana.Mety hahatonga ny ory hava-manana koa ny tsy firaharahan’ny manana havana ory? Raha ho faty aho, matesa rahavana… Miteraka fihatakatahana na fankahalana ho azy ny tsy firaharahan’ny hafa ny tena?Vao mainka zava-doza izany raha fantatry ny ory fa fomba tsy mazava izay mety mahatonga ny havana ho manana, raha sanatria tsy rariny, ohatra, na asa ratsy… Mety ho natao tohatra fiakarana hampanana ny tena aza ny havana ory amin’izany.Inona no iresahana izany rehetra izany eto? Efa hatramin’ny ela ny hoe ady amin’ny fahantrana. Efa nisy filoham-pirenena aza nilaza ny hoe tsy hampahantra ny efa manana, fa hampanana ny tsy mbola manana…Tenenin-dava hoe fototry ny fampandrosona ny fihavanam-pirenena. Ahoana ny hampiara-dia ny ory hava-manana sy ny manana havana ory? Mbola misy ny mampiombona: ny tanindrazana, ny taranaka, ny fanantenana ny ho avy …Eny, na misy any ho any aza ny miseho ho tompony irery ka manjakazaka, na tsimatimanota, na lehibe tsy meloka… Eo koa ny mpikomy noho ny tsy rariny amin’izany, te hamoaka ny alahelony… Ahoana ny hampihavanana izany?Fa ny manana tsy havan’ny ory na manana havana ory aza, ary eo ny ory hava-manana. Mbola misy elanelana be izay. Toa vao mainka mihamitombo sy nihalalina aza talohaloha teo? Na mila totofana amin’ny fanovana, asa mivaingana…Rafaly Nd.    L’article Ory hava-manana, manana havana ory…   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Zon’olombelona: nomelohin’ny CNIDH ny fitifirana ireo gadra nitsoaka

Hentitra ary nahitsy sady nanome lesona. « Manameloka tanteraka izahay raha vao misy fanalana ain’olona, na ain’ny olon-tsotra,  na ain’ny mpitandro filaminana… Tena manameloka ny fitifirana ireo voafonja miisa 21 ny mpiaro ny zon’olombelona tany Farafangana izahay », hoy ny mpikambana eo anivon’ny CNIDH, i Matavimana Ravao Georgine, omaly tao amina onjampeo iray. Nohitsiny fa tokony ho efa misy paikady sy fiofanana amin’ny  fanenjehana gadra mandositra tahaka izany mba tsy hanalana ain’ olona. Tsy tokony ho any amin’ny faritra mety hahafaty no kendrena. Tsy vahaolana ny famonoana azy ireo satria olombelona izy ireo, araka ny nambarany hatrany.Fitarazohan’ny raharaham-pitsaranaMety misy tsy meloka koa aza na tsy mbola voatsara. « Maro ny azo atao ary mahalala izany ny mpitandro filaminana. Misy ny stratejia amin’ny fomba tsy analana ain’olona. Ohatra ny tongony fa tsy tifirina fahatany na any amin’ny  mahafaty azy.. » hoy ihany ny eo anivon’ny CNIDH.Nanteriny koa anefa fa anisan’ny olana ary manamora ny fandosiran’ny gadra ny fahafenoan’ny fonja. Mihoatra tsy araka ny tokony ho izy ny ao anatiny. Tsy manaraka fenitra ny fotodrafitrsa sasany. Efa tamin’ny andron’ny mpanjana-tany.Fanadihadiana lalina     Nitondra vahaolana koa anefa ny CNIDH ka anisan’izany ny fampitaovana, ankoatra ny fanofanana. « Tokony homena fitaovana hafahany manao ny asany an-tsakany sy an-davany ireo mpiandry fonja. Ny fitafiana, ny rano, ny jiro… Mba hampirindra ny fiaraha-monina amin’ireny toerana ireny», hoy ihany izy. Notsiahiviny koa fa anisan’ny anton’ny tranga tahaka izao ny fitarazohan’ny raharaham-pitsarana…Araka izany, andrasana ny ho tohin’ny raharaha sy ny fanadihadiana lalina manodidina ity fandosiran’ny gadra tao Farafangana ity.Synèse R. L’article Zon’olombelona: nomelohin’ny CNIDH ny fitifirana ireo gadra nitsoaka a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

The Weekend Festival: « Tohizana hatrany ny hetsika tahaka izao »

Anisan’ny hetsika goavana notontosaina, ny faran’ny herinandro teo, ny « The Weekend Festival ». « Navitrika ny olona. Nahitana ny sokajin-taona rehetra (ankizy sy tanora ary olon-dehibe) … Afa-po izahay mpikarakara… Hotohizana ny hetsika tahaka izao hanomezana fahafaham-po ny olona… », hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Ivenco, nikarakara ny « The Fweekend Festival” tao amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Imahamasina.Raha ny tazana teny an-toerana, anisan’ny nahasarika tanora maro ny filalaovana sy ny fifanintsanana teo amin’ny « jeu vidéo ». Toraka izany ihany koa ny fampisehoana an-tsehatra nahitana ireo mpiangaly ny rock, ny rap, ny « variétés », sns. Anisan’ny tazana teny an-toerana ihany koa ry zareo mpiangaly hiragasy.Tafa fohy nifanaovana amin’ireo mpankafy zavakanto tonga teny Imahamasina ny nilazan’izy ireo fa « miandrandra ny ho tohin’ny hetsika izahay ka ao anatin’izao fialan-tsasatra lehibe izao ny hanatanterahana izany ».HaRy RazafindrakotoL’article The Weekend Festival: « Tohizana hatrany ny hetsika tahaka izao » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

AFT: raikitra indray ny “Salon des jeux de société”

Hotanterahina manomboka ny asabotsy 3 aogositra izao ary tsy hifarana raha tsy ny 17 aogositra ny « Salon des jeux de société », andiany faha-24. Toy ny mahazatra, mandray ity hetsika ity ny Alliance française (AFT) etsy Andavamamba. Raha tsiahivina, ity ny fotoana tokana sady lehibe indrindra hanomezan-danja sy hanasongadinana ireo karazan-dalaon-tsaina hifanandrinan’olon-droa, eto amintsika.Homena vahana hatrany ireo kilalaon-tsaina mampiavaka ny Malagasy, toy ny fanorona sy ny katro, izay tsy mbola lefy laza, ankafizin’ny ankizy hatramin’ny olon-dehibe. Ao koa anefa ireo kilalao vahiny, fantatra manerana izao tontolo izao, toy ny “jeu de go”, kilalao fanaon-dry zareo Aziatika, ny “sudoku”. Ankoatra ireo, ho hita ao ihany koa ny “uno”, ny “scrabble”, ny “1000 bornes”, ny “jeu de dame”, sns.Tanterahina mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra hatrany ny “Salon des jeux de société”. Na mbola tsy tontosa aza ireo karazana fanadinam-panjakana, heverina fa tsy vitsy ny ankizy efa miditra tsikelikely ao anatin’izany fialan-tsasatra izany. Sady fialam-boly ny hetsika no fampiasan-tsaina ihany koa ary fotoana hifaneraserana amin’ny ankizy sy ny tanora hafa, efa mahafehy ireo karazan-dalao ireo.Ho an’ireo tsy mbola mahafehy na tsy mahay azy ireo, hisy ny fotoana hampianarana izany, mandritra ity « salon » ity. Toy ny mahazatra, hisy koa ny fifaninanana amin’ireo sokajin-dalao rehetra.Landy R. L’article AFT: raikitra indray ny “Salon des jeux de société” a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Fotodrafitrasa eny ifotony: nijery ny fanamboaran-dalana RN5A ny minisitra Hajo
21/09/2020

Miroso sy mandeha ny asa fanamboaran-dalana Ambilobe- Vohémar (RN5A). Anisan’nyfampanantenana nataon’ny filoha Rajoelina Andry ny fanarenana tanteraka iny lalam-pirenena mampitohy ny distrika roa iny.Nidina ifotony tao Vohémar nijery ny fandroson’ny asa fanarenana sy ny fanamboarana izany ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo. Nambarany fa mizotra araka ny tokony ho izy amin’ny ankapobeny ny asa amin’izao fotoana izao. Efa saika tafapetraka avokoa ireo toerana hiasan’ny orinasa manao ny fanamboarana. Efa miroso ny asa fanamarinana sy fanajariana ny lalana (terrassement) na avy any Vohémar na ny avy any Ambilobe.Natao hijerena ny olana…Efa an-dalana tahaka izany koa ny fandrafetana sy fametrahana ireo fotodrafitrasa fivarinan’ny rano (dalots) miisa 60 mahery. Manampy ireo ny fijeren’ny minisitra ireo toerana fakana ranontany sy ny vato ary ny toby hipetrahan’ny orinasa manatentaraka ny asa. “Natao indrindra hijerena ny fandrosoan’ny asa sy hifampidinihina amin’ny fitadiavana vahaolana ho an’ireo olana mety mitranga ny fidinana ifiotony tahaka izao. Jerena koa ny mety hampitarazoka na hampikatso ny asa, ary hanomezana toromarika amin’ny fandrindrana ny asa amin’ny ankapobeny”, hoy ny minisitra Andrianainarivelo Hajo.Tsiahivina fa anisan’ny miantoka ny fampandrosoana any amin’iny faritra avaratra iny ny fahavitan’io lalam-pirenena io. Tahaka izany koa ny efa hirosoana amin’ny fanamboarana ny lalana Ambilobe mihazo ny any Antsiranana.Synèse R.L’article Fotodrafitrasa eny ifotony: nijery ny fanamboaran-dalana RN5A ny minisitra Hajo a été récupéré chez Newsmada.

Raharaha Stadium Barikadmy: nitondra valin-kafatra ireo fokonolona
25/09/2020

Noho ny fepetra avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa), ny tsy maintsy hanalana ireo trano manamorona ny lalana mankao amin’ny kianja Barikadimy, nitondra fanazavana tamin’ny alalan’ny famoriana ny mpanao gazety, ny talata 22 septambra lasa teo, ireo fokonolona voakasik’izany, mahakasika ny taratasy nalefan’ny kaominina Toamasina renivohitra. Nambaran’ny pastora Randrianasolo Etienne, mpitondra tenin’izy ireo fa tsy hisakana na hanakorontana ny fanorenana ny fotondrafitrasa izy ireo. Saingy mangataka kosa ny mba hisian’ny fitsinjovana ny maha olona ka hanomezana toerana hanorenany fonenana vaovao. Lasa mahantra tsy fidiny raha toa ka mijanona amin’izao satria vahoaka noana sy  efa trotraky ny “covid 19”. Nanao taratasy sy fanangonan-tsonia faobe moa izy ireo, alefa any amin’ny filohan’ny repoblika, Andry Nirina Rajoelina. Ankoatra izay, nisy filazana avy amin’ny filoha lefitry ny Ben’ny Tanàna fa aorian’ny fahavitan’ny fanadinana Bepc, vao hisy ny fandravana.Manoloana ity disadisa ity, manahy ny mpitia baolina kitra fa sao ho taraiky amin’ny fotoana andalovan’ny solontenan’ny Fifa ity fandravana ity ka mety tsy hahafahana mandray ny lalaon’ny Barea sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.Nanome tsiny ny ligy moa ny olona sasany izay tokony mba hanao fanelanelanana hahamora ny fanesorana ireo mponina tsy manaiky ny handravana ny tranony. Sajo L’article Raharaha Stadium Barikadmy: nitondra valin-kafatra ireo fokonolona a été récupéré chez Newsmada.

Fizahantany any Vatovavy Fitovinany: manohana 300 miliara ariary ny Fihariana
23/09/2020

   Mifantoka amin’ny fitaterana sy ny fizahantany ny minisiteran’ny Fitaterana hanomezana aina indray ireo sehatra roa mifamatotra ireo. Maro ny olona mivelona mivantana amin’izany ka mila arenina hainganaTsy afa-misaraka ny fitaterana sy ny fizahantany. Roa volana izao, nifantoka tanteraka amin’ireo sehatra roa mifamatotra ireo ny minisiteran’ny Fitaterana hanomezana aina indray ireo fiharian-karena fototra niharam-pahavoazana toy ny sehatra hafa rehetra tratran’ny krizy ara-pahasalamana. Sarotra arenina izany ankehitriny noho ny fahavoazana isan-tokony mifandray amin’ny fitaterana sy ny fizahantany.Fototry ny toekerem-pirenena ireo, iveloman’ny olona antapitrisany mivantana, ka nametraka paikady vaovao ny minisitera mpiahy ho mpanelanelana sy ho fanarenana izany, any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Ho fiatrehana izany ny tetikasa Fihariana sy ny banky Indostrian’i Madagasikara, mifampiraharaha manamora ny fampindramam-bola ho an’ireo sehatra roa roa ireo: fitaterana sy fizahantany. 300 miliara ariary ny hatokana ho amin’izany ary haverina mandritra roa taona, miaraka amin’ny zanabola 8 % isan-taona ho an’ny mpitari-dalana sy ny mpitatitra ahafahan’izy ireo mamelona indray ny sehatra tandrify azy.Maika miaraka amin’izany tetikasa ny fanajariana ny manodidina izany, ny fitandroana ny tontolo iainana. Fandriamapahalemana, fanamboarana fotodrafitrasa manodidina, toy ny lalamby, ny seranam-piaramanidina, tsy ambanin-javatra koa ny fanadiovana ny lakandron’i Pangalana. Manana harena voajanahary mampiavaka samihafa ny manamorona ny lakandrano Pangalana sy ny lalamby FCE ireo rehetra ireo. R.MathieuL’article Fizahantany any Vatovavy Fitovinany: manohana 300 miliara ariary ny Fihariana a été récupéré chez Newsmada.

Nifanaiky ho mandrakizay i Haridina sy i Henintsoa
26/09/2020

Notanterahina omaly teny amin’ny fitandremana toby Fanantenana FLM 67 ha ny fanamasinana ny fitsofandranon’ny fanambadian’Andriandrantoson Riamaholy Haridina, mpanao gazety mikirakira ny vaovao ara-toekarena ao amin’ny gazety “Les Nouvelles” sy Rakotondraibe Hanitiriniaina Henintsoa, mpanao gazety mikirakira ny trangam-piarahamonina gazety Taratra, ao anatin’ny vondrona Ultima Media. Ny Pastora Rasolonjanahary Hobinirina Riri Harivelo sy Randrianarison Henri René ary Rakotondramanitra Mino Harivola no nifarimbona tamin’ny fitsofan-drano ny fanambadian’izy roa kely ireto. Nosafidin’izy ireo manokana ny tenin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Tononkiran’i Solomona 8 : 7a “Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon’ny fitiavana ary ny renirano tsy mahapaoka azy”. Taorian’ny fanamafisana ny fanambadian’izy ireo dia niara-nikorana tamin’ny fianakaviana sy ireo namana aman-tsakaiza teny amin’ny Espace Sahamadio Ilafy izy roa kely. Mirary tokantrano sambatra ho an’i Haridina sy i Henintsoa, harahin-jazalahy sy zazavavy ny fianakaviamben’ny vondrona Ultima Media.Ny fanoratanaL’article Nifanaiky ho mandrakizay i Haridina sy i Henintsoa a été récupéré chez Newsmada.

Tenisy – Roland Garros: resin’ilay Sinoa, i Wang Xinyu i Tessah
25/09/2020

Tapitra hatreo ihany koa ny lalan’i Tessah, eo amin’ny fiadiana ny Roland Garros, taranja tenisy. Nihintsana izy rehefa lavon’ilay Sinoa, i Wang Xinyu, teo amin’ny fihodinana faharoa.Nifarana, omaly alakamisy, teo amin’ny fihodinana faharoa ny dian’Andrianjafitrimo Tessah, ilay mpilalao tenisy malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay, teo amin’ny fiadiana ny Roland Garros, tafiditra ao anatin’ny “Grand chelem”. Fihaonana, tanterahina any Frantsa.Resin’ilay teratany sinoa, i Wang Xinyu, tamin’ny seta 2 no ho 1 (6/4 ; 5/7 ; 6/1), i Tessah. Niady ny seta roa voalohany teo amin’ny fihaonan’izy mirahavavy, saingy tany amin’ny seta fahatelo no tsy nahatohitra intsony i Tessah. Lasan’i Wang ny seta voalohany ary tena nifanakaiky ny lalao satria niafara tamin’ny 6 no ho 4. Mbola nangotraka ihany koa ny seta faharoa izay azon’i Tessah ary 7 no ho 5 ny niafaran’ny lalao . Nihevitra ny rehetra fa mety tsy haharesy an’i Tessah i Wang teo amin’ny seta fahatelo, saingy ny nifanohitra tamin’izany no nitranga. Nataon’i Wang, tsy nisotro rano mihitsy izy ary toy ny nanaovany fanazarantena fotsiny, satria tsy nahazo afa-tsy lalao iray monja i Tessah, tao anatin’izany seta fahatelo izany. Hidona amin’ilay teratany arzantina, i Nadia Porodoska, izay nandresy an’ilay Romana, i Jaqueline Cristian, i Wang Xinyu, eo amin’ny fihodinana fahatelo.Azo lazaina fa tsara ny dingana vitan’i Tessah, tamin’ity satria nahadingana ny fihodinana voalohany rehefa nandresy ilay Espaniola, i Parizzas Dias. Tsy misy teratany malagasy intsony izany miatrika ity Roland Garros ity.Raha tsiahivina, fihodinana voalohany dia efa nihintsana Ramialison Irina rehefa lavon’ilay Aostralianina, i Astra Sharma, ny tenany tamin’izany.Marihina fa tamin’ny alalan’ny fanasana manokana “wild card” no nahafahan’izy mirahavavy ireo niatrika ity fifaninanana ity. TompondakaL’article Tenisy – Roland Garros: resin’ilay Sinoa, i Wang Xinyu i Tessah a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa: hanangana fotodrafitrasa ny Egypsianina
24/09/2020

Nanatitra ny taratasy fanendrena azy hiasa sy honina eto Madagasikara amin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly teny Iavoloha, ny masoivoho vaovao an’i Ejypta, i Usama Saeed Khalil. Voaresaka tamin’izany ny momba ireo endrika fiaraha-miasa azo tanterahina eo amin’ny firenena roa tonta. Anisany ny fananganana fotodrafitrasa sy ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Nihaona manokana tamin’ny filoha koa ny masoivohon’i Korea Atsimo, i Lim Sang-Whoo, nanambara ny fifaranan’ny fotoam-pisany eto amintsika. Anisan’ireo firenena nanampy an’i Madagasikara tamin’ny ady amin’ny Covid-19 izy ireo tamin’ny alalan’ny laboratoara LA2M eny Androhibe. Resy lahatra amin’ny ho fisandratan’i Madagasikara amin’ny politika apetraky ny filoha ity masoivohon’i Korea Atsimo ity.Synèse R.L’article Fiaraha-miasa: hanangana fotodrafitrasa ny Egypsianina a été récupéré chez Newsmada.

Fanabeazana katolika :: Mifandimby mankany an-tsekoly ireo mpianatra isan-dakilasy
23/09/2020

Manomboka mamerina ny mpianatra an-tsekoly tsikelikely ireo sekoly katolika, amin’izao fotoana izao. Notanterahina, omaly, ohatra, ny fidiran’ireo mpianatra teny amin’ny sekoly Ny Sekolintsika Analamahitsy. Tsy niaraka niditra daholo anefa ireo mpianatra fa nampifandimbiasina isaky ny kilasy izy ireo. Arakaraka ny fivoaran’ny valanaretina eto amin’ny firenena no fandaminana vaovao hampiharina, hoy ireo tompon’andraikitra. Ny taona fahafito (5ème), fahavalo (4ème) ary fahasivy (3ème) no nisantatra ny taompianarana, omaly. Tsy miverina mianatra kosa, ny tolakandro. Ny taona fahafolo (première) sy ny famaranana indray no mianatra, anio, saingy tsy miverina ihany koa, ny tolakandro. Manomboka amin’ny alatsinainy 28 septambra ny garabola hatramin’ny taona fahadimy, ny tapany maraina, ary tolakandro ireo amin’ny kilasy hafa. Toy izany hatrany ny fandaharam-potoana napetraky ny sekoly. Misy fandaminana vaovao ho an’ny ambiny, amin’ny 12 oktobra 2020. Tsy maintsy manao aron-tava ny mpianatra rehetra sy ny mpanabe ary ny ray aman-dreny. Andraikitry ny talen-tsekoly Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Fitaleavana nasionalin’ny fanabeazana katolika (Dinec), Mompera Ranaivoson Jules fa « hapetraka amin’ireo talen-tsekoly ny fandaminana ny fampidirana ny mpianatra eny anivon’ny sekoly tsirairay. Izy ireo ihany no mahita ny isan’ny mpianatra anaty efitrano iray, hoy izy, mba hahafahana manaja ireo fepetra ara-pahasalamana ». Manafatrafatra ny zanany kosa ireo ray amandreny mba hitandrina any an-tsekoly, tahaka ny tsy fanesorana ny aron-tava, ny fanasana ny tanana amin’ny tsiranoka mamono tsimok’aretina foana (ampitondraina ny ankizy), ary ny fitondrana safako ody am-bavafo. « Matahotra mihitsy saingy tsy maintsy alefa ny ankizy. Tokony mba hozaraina efitrano roa ny mpianatra satria efa ho 60 ny isan’ny ao amin’ny kilasy. Roa isaky ny latabatra mantsy izao ry zareo. Rehefa mivory ny ray aman-dreny dia mba handroso an’izany soso-kevitra izany izahay », hoy ny renim-pianakaviana iray mampiana-janaka etsy Analamahitsy. L’article Fanabeazana katolika :: Mifandimby mankany an-tsekoly ireo mpianatra isan-dakilasy est apparu en premier sur AoRaha.

Taorian’ny fanaovana joro: natsingevan’ny ranomasina ilay tovolahy maty an-drano
25/09/2020

Natsingevan’ny ranomasina ny fatin’ilay tovolahy rendrika tsy hita tao amin’ny village touristique, afakomaly. Nisy, araka izany, ny joro ho fanajana ny fomban-tany nataon’ny fianakaviana ka taorian’izay dia nivoaka ny razana, araka ny fanazavan’ireo olona akaiky azy. Voalaza fa nilomano teo amin’ny ranomasina izy ka tsy hita popoka nony avy eo. Taorian’ny fanajana ny fombafomba rehetra, araka izany, vao natsingevan’ny ranomasina ny fatin’ilay niharam-boina. Anisan’ireo faritra mahasarika mpizahatany ny ao an-drenivohitry ny faritra Boeny ary toerana ifamotoanan’ireo mpizahatany ny eo amin’ny village touristique, saingy mila fitandremana anefa ny filomanosana eo amin’ny ranomasina.J.CL’article Taorian’ny fanaovana joro: natsingevan’ny ranomasina ilay tovolahy maty an-drano a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – “UEFA Club Football Awards 2020”: hifampitady i Neymar sy i Mbappé ary i Lewandowski
23/09/2020

Hotanterahina, ny alakamisy 1 oktobra ho avy izao, ny «UEFA Club Football Awards 2020», na ny fanolorana ny amboara ho an’ireo mpilalao mendrika, niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions 2020». Anisan’ny andrasan’ny rehetra izay ho lohalaharana handrombaka izany, amin’ity. Hiady ny ho lohany i Neymar sy i Mbappé, avy amin’ny Paris St Germain, ary i Lewandowski, ao amin’ny Bayern de Munich, tombanan’ny maro fa manana herijika hahazo izany noho izy nahazo ny ho tompondakan’i Eoropa. Somary nahagaga ny rehetra kosa ny tsy naha tao anaty lisitra an’i Gnabry, mpilalaon’ny Bayern Munchen. Ankoatra izay, hifaninana eo amin’ny mpiandry tsatoby tsara indrindra ihany koa i Manuel Neuer, Bayern de Munich, sy i Keylor Navas, PSG ary i Jan Oblak, Atletico de Madrid. Mbola hangotraka ihany koa ny an’ny vodilaharana satria adin’ny samy Bayern ny fifanandrinan’i David Alaba sy i Alphonso Davies ary i Joshua Kimmich. Hifampitana kosa eo amin’ny irakiraka i Thiago Alcántara, Bayern Munchen, sy i Kevin De Bruyne, Manchester City, ary i Thomas Muller, Bayern de Munich.Ho an’ireo niatrika ny “Ligue Europa” indray, hiady izay ho mendrika i Éver Banega, mpilalaon’ny FC Séville, saingy efa nifindra ao amin’ny Al-Shabab, ary i Bruno Fernandes, Manchester United, sy i Romelu Lukaku, Inter de Milan. Sambany kosa no hisy fisafidianana izay ho mpanazatra mendrika, amin’ity. Mahatratra 32 ireo mpanazatra hifidy ka tsy mahazo mandatsa-bato ho an’ny mpilalaony ireo mpanazatrany. Ankoatra izay, 55 ireo mpanao gazety haneho ny safidiny. Tompondaka L’article Kitra – “UEFA Club Football Awards 2020”: hifampitady i Neymar sy i Mbappé ary i Lewandowski a été récupéré chez Newsmada.

«World clean up day »: nandray anjara ny tetikasa Kopakelatra
21/09/2020

Fampirisihina ny mponina amin’ny fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny loto ny “World clean up day”. Andro iray natokana ho an’ny fahadiovana ka anisan’ny nandray anjara tamin’izany koa ny tetikasa Kopakelatra, an’ny Star, ny asabotsy teo. Nafantoka tamin’ny fanentanana ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika izany, tamin’ity taona ity. Raha toa ka amina toerana voatokana hatramin’izay no misy ireo toeram-panangonana tavoahangy, nanatona ireo mponina kosa ny tetikasa Kopakelatra, ny asabotsy teo. Nisy ny “caravane”, izay notontosaina tamin’ny lalana Ambohimanarina-67 Ha hatreny Ampefiloha. Nentanina hanatitra ireo tavoahangy plastika any aminy ireo mponina mba hangonina sy hopotehina. Natao endrika fifaninana izany ka zay mahangona tavoahangy maro indrindra no mahazo ny loka 100.000 Ar. Tratra ny tanjona amin’ny “Clean up day” ny hariva, satria nahatratra 400 kilao tany ho any ny tavoahangy voangona nanaditra ny “caravane”.Zo ny Aina L’article «World clean up day »: nandray anjara ny tetikasa Kopakelatra a été récupéré chez Newsmada.

Fampianarana mozika: “Misokatra ny Iarivo Art&Music”
21/09/2020

 Nitsangana ny «Iarivo Art&Music», ankehitriny, sekoly fampianarana mozika, noforonin’i Njakanirina Rakotonirainy. Efa maro ireo olona nisoratra anarana ho amin’ny fidirana ho mpianatra ao amin’ny sekoly   Iarivo Art&Music, amin’izao, izay mifototra amin’ny “Piano”, saingy, misy zavatra hafa atao hanabeazana ny mpianatra ihany koa, ankoatra izay, raha tsy hilaza afa-tsy ny fampianarana valiha, hampifoha tsara ny masontsain’ny ankizy eo amin’ny zavakanto atao. Maro ny rantsan-taranja iseharan’ny olona, ao amin’ny sekoly, dia ny “klasika”, izay natao ho an’ny ankizy manokana, indrindra ny resaka solfezy, ao koa ny resaka mozika ankehitriny ”varieté”, ny Jazz ary ny Bagasy. Folo taona niseharana teo amin’ny tontolon’ny zavakanto, indrindra ny fampianarana « piano » na vata maroafitsoka ny tovolahy, nanomboka tao amin’ny CGM Analakely, avy eo EGM, mbola ampianarany ankehitriny, ary ny  Iarivo Art&Music, izay natsangany. Marihina fa afaka mampianatra manokana ho an’ny olona liana amin’ny resaka zavakanto ny tenany, indrindra ny Piano. Manana vina, hisokatra bebe kokoa amin’ny lafin’ny mozika ny tovolahy, satria, tsy ny piano ihany akory ny “art” ary ny famoronana sy fikarohana mitohy foana, araka ny filazany.NarilalaL’article Fampianarana mozika: “Misokatra ny Iarivo Art&Music” a été récupéré chez Newsmada.

Gadona Balvin & Wizkid: nivoaka ny «Jaolahy be» an’i Romeo 3.0
24/09/2020

Araka ny nampanantenain’i Mario, efa nivoaka niparitaka ao amin’ny tambajotran-tserasera « facebook » sy ny «youtube», ny alahady teo, ny hira vaovao an’i Romeo 3.0 «Jaolahy be», amin’ny gadona balvin & wizkid. Mbola tena vitsy mpanao eto Madagasikara kanefa manana ny hanitra ho azy izy io, araka ny nambarany. Anisan’ny tena nahafantarana an’i Romeo 3.0 ny afrobeat sy ny mozika tropikaly…Ankoatra izay, eo am-piketrehana rakitsary (album), ahitana rindrantsary (clip) folo eo ho eo, izy ka anisan’ny ho hita ao anatin’izany ny «Jaolahy be», araka ny nambarany hatrany. Raha tsy misy ny fiovana, hanohy ny fiakarana an-tsehatra miaraka amina mpanakanto hafa toa an-dry Arth, i Lawout, i Ghotta, i Emci, i Jinn’s, i Jean Marc, i Mc Rami, i Jo Joly, i Allex sy ireo maro hafa. « Mivelatra be ny mozika… Ary amin’ny maha mpanakanto, mila mitady zava-baovao hatrany hiavahan’ny tena amin’ny hafa. Izay no tena maha artista », araka ny nambaran’i Romeo 3.0.NarilalaL’article Gadona Balvin & Wizkid: nivoaka ny «Jaolahy be» an’i Romeo 3.0 a été récupéré chez Newsmada.