Famonjena olona hafa kely :: Lehilahy marary saina nampidinina teny amin’ny andrin-jiro

News - Famonjena olona hafa kely :: Lehilahy marary saina nampidinina teny amin’ny andrin-jiro

News - Famonjena olona hafa kely :: Lehilahy marary saina nampidinina teny amin’ny andrin-jiro

Avotra soa aman-tsara ny lehilahy iray voalaza fa tsy salama saina, teny Anosizato, omaly. Nianika teo ambony andry vy lehibe mitondra herinaratra tena matanjaka an’ny orinasa Jirama izy. Soa fa haingana ny fanapahana ny herinaratra nataon’ny Jirama ho fisorohana ny zava-doza mety nitranga. Niantsoana ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina mihitsy ny fanavotana an’io lehilahy io.

Tsy maintsy nirosoana ny fanapahana ny famatsiana herinaratra noho ity tranga tsy dia fahita ity. Efa tafanika teny ambonin’ilay andry vy lehibe mirefy dimampolo metatra eo ho eo sady andalovan’ny tariby mihitsy ilay lehilahy. Nitangorona ny olona. Tapaka naharitra adiny roa teo ho eo ny herinaratra mifandray amin’ io andry vy lehibe io tamin’ny faritra maromaro, nanomboka teny Ampitatafika, Itaosy, Ambohidrapeto sy ny manodidina, amin’ny vahilava, Andranoro, Ambohibao sy ny manodidina, Andraharo sy ny manodidina, 67Ha, Isotry ka hatrany Isoraka sy ny manodidina, araka ny fanambaràna nataon’ny orinasa Jirama, vantany vao tsikaritra ny zava-niseho.

Famonjena nampiaiky

Feno hakingana ny asa famonjena nataon’ireo mpamonjy voina, toy ireny fahita amin’ny horonantsarimihetsika ireny mihitsy. Nilàna fitandremana ihany koa mantsy ny fanavotana an’ity lehilahy tsy salama saina avy teny ambonin’ny andry vy lehibe.

Nofatoran’izy ireo ny tanana ilany sy ny tongotra ilan’io lehilahy io. Nifampisintonana ireo kofehy roa mba tsy hampifandringotra azy eny ambony eny. Toy ny natoraka hidina ilay lehilahy saingy tsy mianjera fa manaraka moramora ireo kofehy hatraty ambany. Tsy nisy aina nafoy na   naratra nandritra izany rehetra izany, ary nampisehoan’ny mpamonjy voina ny fahaizany tamin’ity tranga teny Anosizato, omaly, ity.

L’article Famonjena olona hafa kely :: Lehilahy marary saina nampidinina teny amin’ny andrin-jiro est apparu en premier sur AoRaha.

Famonjena olona hafa kely :: Lehilahy marary saina nampidinina teny amin’ny andrin-jiro

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Rugby vehivavy: marary ny Me Andry, mpanazatra ny Makis

Vokatry ny havizanana tafahoatra, tratry ny tsy fahasalamana ny mpanazatra ny Makis de Madagascar sokajy vehivavy, Andrianantenaina Imboasalama (Me Andry). Efa ho iray volana izay ny nankarary azy ka nidirany hopitaly. Ankehitriny, efa nivoaka ny tobim-pahasalamana ny Me Andry ka manaraka fitsaboana any an-tranony.Manoloana izany, tsy nitazam-potsiny ny Malagasy rugby fa nitondra izay voatsirambin’ny tanany. Ny talata lasa teo, teny Ankorondrano, nanolotra fanafody, izay tsy maintsy mbola hohanin’ny Me Andry ao anatin’izao fanarahany fitsaboana izao, izy ireo. Anisan’izany ny calcium sy ny vitamine, manome hery sy tanjaka. Ankoatra izay, nisy koa lelavola nomena azy hanampiany amin’izay tokony hilàna azy. Nirary fahasalamana ho azy ny tomponandraikitry ny Malagasy rugby mba hiverenany indray eo anivon’ny baolina lavalava. Marihina fa tsy mbola afaka manao asa mafy izy fa mila fialan-tsasatra maharitra. Tsiahivina fa mpanazatra vatana sady manampy ny Me Eric Sefo, ao amin’ny Makis VII sy ny XV vehivavy ny Me Andry. Nisaotra sy nankasitraka ny fihetsika nataon’ny Malagasy rugby ny Me Andry izay tsy nanadino na nanary azy tao anatin’izao fahasahiranana ara-pahasalamana mahazo azy izao. “Andriamanitra manankarem-pahasoavana, hamaly fitia anareo”, hoy izy. Tompondaka L’article Rugby vehivavy: marary ny Me Andry, mpanazatra ny Makis a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Shell Vivo energy: tsy mijaly solika intsony ny eny Mahitsy

Notokanana, omaly, ny toby fitsinjaran-tsolika vaovao an’ny Shell eny Mahitsy. Fivarotan-tsolika faha-72 eto amintsika, an’ny orinasa Vivo Energy, manaparitaka sy mivarotra ny vokatra Shell (solika sy ny vokatra samihafa mifandraika aminy) eto Madagasikara.Manamora ny fividianan’ny mpanjifa ny vokatra ilainy, hita ao amin’ity toby vaovao ity, ny fampiasana ny karatra “prépayée Shell Petro+”. Ho an’ny ben’ny Tanànan’i Mahitsy, Rakotovao Andriambololona, “tsy mijaly famatsiana solika intsony ny any Mahitsy satria mitombo ny toby mpaninjara, raha iray ihany no nisy tany amin’ny 10 taona lasa”.Nilaza ny tale jeneralin’ny Vivo Energy, i Mondher Bouhouche, fa endriky ny fandraisan’anjaran’ny orinasa tantaniny amin’ny fampiasam-bola eto Madagasikara ary mitondra fampandrosoana ny firenena izao fotodrafitrasa izao. Marihina fa efa nisokatra ho an’ny mpanjifa teo amin’ny iray volana eo ity toby vaovao ity.Njaka A.L’article Shell Vivo energy: tsy mijaly solika intsony ny eny Mahitsy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mozika mafana: misesisesy ny vokatra vaovaon’i Tence Mena

Mpanakanto manohy hatrany amin’ny asa famoronana. Mitondra zava-baovao tsy tapaka ho an’ny mpanjifa. Tence Mena, manana ny lazany eo amin’ny tontolon’ny hira malagasy. Miala any ny vazo vaovao “Tompom-bady”.Mihamaro ny mpanakanto mpanao mozika tsy voasarika loatra amin’ny famoahana rakikira. Antony, mihasarotra ny ady amin’ny mpanao piraty, indrindra noho ny fahamaroan’ny fitaovana iparitahan’ireny hira ireny. Na izany aza, tsy voasakana kosa ny famokarana vazo vaovao, toy ny ataon’i Tence Mena. Tato anatin’ny fotoana vitsivitsy izay, nisesisesy ny fivoahan’ny hira vaovaony ary mbola hitohy izany.Araka ny fanazavan’ny mpikarakara ity mpanakanto ity, hivoaka amin’io herinandro io ny “Tompom-bady”, tsy mifanalavitra amin’ny voalaza ao anatin’ilay hira “Tompon-tanàna” ny voalaza ao anatin’ity hira vaovao ity, saingy tsy nasiana sarin-teny fa novantanina avy hatrany ny resaka na ny tian-kambara. Eo amin’ny gadona indray, mbola notazonina hatrany ny nampiavaka ireo hirany taty aoriana, toy ny “Sitrany solo” sy ny “Anao Ex”.Aorian’ny fivoahan’ity vokatra vaovao ity, hiverina hitety faritra samihafa indray ry Tence Mena, izay nitondra fialan-tsiny ho an’ny mpankafy any Tsiroanomandidy, tamin’ny tsy nahatontosan’ny hetsika tany an-toerana, noho ny fahoriana teo amin’ny fianakavian’ity mpanakanto ity. Azo lazaina ho efa feno ny fandaharam-potoan’ny tarika, hatramin’ny faran’ity taona ity, araka ny voalazan’ny mpikarakara hatrany. Nampanantena izy ireo fa hanome tombony ny mpankafy eto an-tanindrazana, amin’io faran’ny taona io, fa tsy mikasa ny hivoaka any ivelany.Landy R. L’article Mozika mafana: misesisesy ny vokatra vaovaon’i Tence Mena a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

COVID-19: Ireo paik’ady hitsinjovana ireo olona marefo

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Ireo paik’ady hitsinjovana ireo olona marefo » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.https://web.facebook.com/minsanp/videos/2524260031219371/L’article COVID-19: Ireo paik’ady hitsinjovana ireo olona marefo a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - Triatra

Fanakorontanana 2009 : Niaiky Rajoelina fa izy no nibaiko

“Rehefa niantso an’i Norbert Lala Ratsirahonana izay teo akaikiko teo i Lalao Ravalomanana hoe aza kitihina ny tranonay, dia izaho mihitsy no nandefa mpitandro filaminana nandeha niaro ny tranon’izy ireo”, io no nambaran’i Andry Rajoelina ny sabotsy teo tamina fandaharana iray nivahinianany. Fanontaniana voalohany mipetraka dia ny hoe, iza izany no afaka nibaiko tamin’izany fotoana izany. Mazava be ny valiny fa i Andry Rajoelina, izany no anton’ny fahapotehan’i Madagasikara. Hiaraha-mahita tokoa fa tsy voakitika ny tranon-dRavalomanana teny Faravohitra, satria dia izy no nibaiko ireo mpandrava sy mpanakorontana tamin’ireny fotoana ireny. Manerana an’i Madagasikara dia simba tsy nisy noraisina avokoa ny orinasa Tiko, satria izy no nibaiko izany. Tsy izay ihany fa fototry ny fahamaizan’ny vakoky ny firenena i Andry Rajoelina, satria dia potika tsy misy noraisina ny radiom-pirenena RNM sy ny televizionim-pirenena TVM tamin’izany fotoana izany. Na ireo avy amin’ ny fikambanan’ny niharam-boina AV7 aza, miala aminy amin’izao fotoana izao, satria izao vao mahatsapa fa notaritina natao sorona teny Ambohitsorohitra. Taorian’ny fanambarana nisesisesy tokoa mantsy, mbola tsy nahitana AV7 nilaza ny fanohanany an-dRajoelina mihitsy. Nefa dia ireny olona ireny no nahazoany fitondrana, ka naha filohan’ ny Tetezamita azy. Azo lazaina izany fa fitaovana avokoa ny rehetra amin’i Andry Rajoelina, ka rehefa mibaiko izy na aina aza dia azo potehina. Loza mitatao ho an’ ny firenena ny fiavian’ny olona tahaka an-dRajoelina, hiverina hitondra indray ny firenena. Rariny loatra ny mpifanandrina aminy raha hilaza fa mpanangana fa tsy mpandrava, satria manamafy ny fahamarinan’io voalaza hoe mpandrava io ny filazany, fa izy no nanome baiko hamotika. Mila fanarenana amin’ny lafiny rehetra ny firenena, ka olona mendrika izany no andrasan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Fanarenana foto-pisainana, fomba fanao, toetra ary indrindra ny fanarenana ny ara-tsosialy sy toe-karena no ilaina. Olona manome baiko hanarina izany no andrasana indray hitondra an’i Madagasikara, fa tsy olona manome baiko handrava tahaka ny tamin’ny 2009. Iratra Raitra L’article Fanakorontanana 2009 : Niaiky Rajoelina fa izy no nibaiko est apparu en premier sur .L’article Fanakorontanana 2009 : Niaiky Rajoelina fa izy no nibaiko a été récupéré chez Triatra.

News - Delire Madagascar

FIARAHAMIASA AMIN’NY “FOR TWELVE SCHOOL”: Polisim-pirenena 26 mahay mifehy ny teny sinoa

Tsy ho sahirana intsony ny polisim-pirenena rehefa misy raharaha momba ny sinoa. Polisy miisa 80 nahazo fampianarana teny sinoa maimaim-poana noho ny fiarahamiasan’ny sampandraharahan’ny fiofanana sy ny fikarohana (DFCR) ao amin’ny ministeran’ny filaminam-bahoaka sy ny sekoly « for twelve school ». Notontosaina omaly 21 mey 2019 ny famoahana ny andiany voalohany tamin’ireo mpiofana. Polisim-pirenena 26 no nozaraina diplaoma tamin’io fotoana io. Nandritra ny efa-taona izy ireo no nianatra ary efa mahay mamaky, miteny ary manoratra teny sinoa ary ambony ny fahaizan’izy ireo rehefa avy nandalo fanadinana teny amin’ny “Institut Confucius”, eny amin’ny oniversite Antananarivo, araka ny fanazavan’ny tale mpanorina ny sekoly “for twelve school”, Razafindrainibe Andrianirina. Nambarany fa nanomboka tamin’ny taona 2015 ny fiarah-amiasan’ny roa tonta ary nohavaozina indray izany tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia. Manome fiofanana ny mpitsara, ny zandary ihany koa ny sekoly “for twelve school”. Nambaran’ny tompon’ny sekoly fa nipetraka tany Allemagne ny tenany ary resy lahatra tamin’ny fahaizan’ireo  mponina tany maneho ny fitiavan-tanindrazana. Ka izany no nodiany teto Madagasikara mba  ahafahany manao tahaka izany. Ohatra iray hita maso ity fampianarana maimaim-poana ny teny sinoa ity. Lynda A. Cet article FIARAHAMIASA AMIN’NY “FOR TWELVE SCHOOL”: Polisim-pirenena 26 mahay mifehy ny teny sinoa est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Analamaizina – Miandrivazo: taksiborosy notafihin’ny dahalo, Sinoa iray maty voatifitra

Sinoa iray maty tsy tra-drano. Io ny vokatry ny fanafihan-dahalo nitranga tao Analamaizina, distrikan’i Miandrivazo, omaly tamin’ny 2 ora sy 30 mn maraina. Taksiborosy hihazo an’i Morondava ny niharan’ny fanafihan-dahalo… Tao amin’ny toerana antsoina hoe Analamaizina, distrikan’i Miandrivazo, ny nitrangan’ilay fanafihan-dahalo namoizana ain’olona. Araka ny loharanom-baovao voaray, tratran’ny fanafihan-dahalo ny taksiborosy iray hihazo an’i Morondava. Miisa efatra ireo taksiborosy nanao dia miaraka niainga avy aty Antananarivo hihazo an’i Morondava ka voatafika teo amin’io toerana voalaza etsy ambony io ny iray amin’ireo taksiborosy ireo. Tsy toy ny fahita andavanandro hoe nanao sakan-dalana tamin’ny vatan-kazo na vatobe teo afovoan’ny arabe ireo dahalo fa nitora-bato avy hatrany. Niraradraraka ny tora-bato nandritra ity fanafihana ity. Voan’ny tora-bato teo amin’ny lohany ny mpamilin’ilay taksiborosy iray nitari-dalana mialoha. Vokany, nivadika tany amin’ny sisin-dalana ilay fiara. Tsy vitan’izay fa nitifitra tamin’ny basy ihany koa ireo dahalo ka nahavoa ilay teratany sinoa iray nipetraka teo akaikin’ny mpamily. Namaly tifitra avy hatrany ny zandary nanara-dia ireto fiara taksiborosy ireto ka lasa nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy. Tsy nahazo na inona na inona kosa ireo dahalo. Olona enina hafa kosa naratra ka nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Tsy vao izao fa matetika ahitana trangana fanafihan-dahalo mpanakan-dalana iny RN 35 mihazo an’i Morondava iny. Misy hatrany ireo zandary manara-dia miambina ireo taksiborosy, saingy manao ny ataony hatrany ny dahalo. Mitohy ny fanadihadian’ny zandary momba ity raharaha ity. J.CL’article Analamaizina – Miandrivazo: taksiborosy notafihin’ny dahalo, Sinoa iray maty voatifitra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fandraharahana ambanivohitra: hanampy voka-bary 500 000 t amin’ny taona 2020

Anisan’ny veliranon’ny filoham-pirenena sy ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny fahavitantena amin’ny sakafo sy ny haha sompitra an’i Madagasikara aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina hanatrarana izany.Natao, omaly, ny atrikasa hamolavolana ny paikady amin’ny fandraharahana ambanivohitra (agri-business) ho an’ny fambolena. Niarahan’ny fanjakana sy ny mpandraharaha tsy miankina, hanatrarana ny fahaleovantena amin’ny sakafo. Anisan’ny tanjona ny hamokarana vary akotry 500 000 t (ho lasa vary fotsy 325 000 t) fanampiny, ankoatra ny efa vokarin’i Madagasikara isan-taona. Farafahakeliny koa, hisy katsaka 300 000 t hamatsy ireo orinasa mpanodim-bokatra mifototra amin’ny katsaka eto an-toerana sy hamatsiana ny tsena anatiny.Nambaran’ny talen’ny Fambolena ao anatin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep), Ramaroson Lantonirina, fa ilaina ny fifampitokisan’ny fanjakana sy ny tsy miankina, matoa natao ity atrikasa ity.Haverina ny fifaninanana mamboly varyNilaza koa izy fa manamora ny fanatrarana ny tanjona ny fanjakana, toy ny fametrahana ny lalàna sahaza, ny fananganana fotodrafitrasa toy ny fanajariana ny lemaka sy ny lakandrano, ny lalana, sns. Zavatra tsara koa ny famerenana ny fifaninanana mamboly vary, toy ny efa natao tany amin’ny 10 taona lasa, hamparisika ny tantsaha hampiakatra ny vokatra.Ho an’ny tsy miankina, nilaza ny filoha lefitry ny fikambanan’ny mpandraharaha malagasy (Fivpama), Razafiarison Andrianavalomanana, fa “efa nakana ny hevitry ny tsy miankina avokoa ny hevitra fonosin’ny “agri-business” fa ny fanatanterahana azy no tena andrasana”.Hisy atrikasa toy izao koa ho an’ny fiompiana sy ny jono atsy aoriana.Njaka A.L’article Fandraharahana ambanivohitra: hanampy voka-bary 500 000 t amin’ny taona 2020 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsimatimanota… mahamaty maty tsy manota vahoaka

Zandary 34 no hoe efa naiditra am-ponja noho ny fandikan-dalàna, firaisana tsikombakomba amin’ny dahalo, tafiditra amin’ny fakana an-keriny… 34 kosa ireo miaramila nidoboka am-ponja noho ny fanaovana herisetra sy vono olona, fanolanana, tsy fanajana zon’olombelona… Inona na ahoana koa ny manaraka?Tsy vaovao amin’ny toy izany, ohatra, ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Tsaroana ny namonoan’ny polisy ny mpitsara Rehavana Michel tany Toliara, desambra 2010. Na ny fampijaliana sy fandoroana tanàna nafitsoky ny polisy 30  tany Antsakabary, Befandrina Avaratra, febroary 2017. Vitavita sy tsy hitahita ho azy.Izay ny fanta-bahoaka sy nahoraka ary nahabe resaka teo aloha, ankoatra ny raharaha hafa: afenina, tsy hadinodino, odian-tsy hita… Izay ny eo amin’ny fitandroana filaminana. Ahoana ny eo amin’ny sehatry ny fidintseranana, ohatra, ny fitantanam-bolam-panjakana, ny fananan-tany, ny fitanana ny lafintany, ny fampianarana… ?Toy izany koa ny sehatry ny fahasalamana, ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ny an-dranomasina, ny eo amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana, ny fitantanam-panjakana any ifotony…? Saika tratran’ny fahalovana avokoa tsinona ny sehatra rehetra hatramin’izay? Na manjaka ny kolikoly, ny tsy fanarahan-dalàna…Amin’izany rehetra izany, misy hatrany ny mihevi-tena ho tsimatimanota, ambonin’ny lalàna, lehibe tsy mba diso. Izay fisian’izay tsimatimanota izay no mampisy ny maty tsy manota. Tsy iza tsy aiza fa ny vahoaka ifotony any amin’ny tany lavitra fanjakana foibe: matimaty foana, mizaka any tsy eran’ny aina, iharan’ny jadona…Mba hitsimbadika amin’izay ny raharaha amin’izao hoe fiovana sy fanovana izao, tsy misy ambonin’ny lalàna, tany sy fanjakana tan-dalàna… ? Ialana amin’izay ny fahazarana sy tarazo  ary fomba ratsy hatramin’izay. “Tsy ny fombanao no atao ho lalàna, fa ny lalàna no tokony ho fombanao”, hoy ny ohabolana danaoa iray izay.Rafaly Nd.L’article Tsimatimanota… mahamaty maty tsy manota vahoaka a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Moramanga – Anosibe an’Ala: atao ao anatin’ny roa andro ny lalana 71 km

Manana ny maha izy azy ny distrikan’Anosibe an’Ala, saingy tsy tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana ny fanamboaran-dalalana. Hatreto, potika tanteraka ny lalana ary tsy misy ny daty hamantarana ny hanarenana azy.Azo heverina fa tsy misy fiangarana eto amintsika. Na izany aza, anisan’ny mampikaikaika ny mponina ny haratsian’ny lalana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’Ala. Roa andro ny hanaovana ny lalana 71 km raha vita amin’izao vanim-potoana izao nefa tokony ho 1 ora sy 30 mn.  Efa ampolo taona maro izany faharatsian’ny lalana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’Ala izany fa tsy misy miraharaha. Mijaly ny mponina, velon-taraina, ka mitondra ny feon’izy ireo ny solombavambahoaka any an-toerana, i Ndrianasy Bernando Germain. “Fiara vaventy ihany mitondra entana sady mitatitra olona ny afaka amin’izany lalana  izany, atao mandritra ny roa andro. Mampalahelo ny mahita ireo mpandeha ireo, sao sanatria misy loza”, hoy ny solombavambahoaka any an-toerana. Maro koa ny vokatra avy any Anosibe An’Ala tsy tafavoaka, toy ny akondro, ohatra.Tsy misy mihitsy ny fotodrafitrasam-pampandrosoanaBetsaka ny voka-dratsin’izay faharatsin-dalana izay: malaina ny mpiasam-panjakana ho any an-toerana ka sahirana ny mponina amin’ny lafiny fahasalamana, ny fampianarana, hatramin’ny fitandroana ny fiarovana ny distrika, sahirana ireo mpitandro filaminana. Andrasana ny ahitana ireny fitaovana tamin’ny 26 jona ireny ho tonga any an-toerana.Mijaly ihany koa ny distrika iray manontolo momba ny famatsiana herinaratra. Ambalahonko, ony iray lehibe any an-toerana, azo trandrahina tsara nefa avily aty Analamanga ny tombontsoa azo avy amin’io renirano lehibe io fa tsy mba misitraka izany ny any Mangoro. Koa mangataka amin’ny fitondrana mpanatanteraka ny vahoaka any Anosibe an’Ala hijerena azy ireo akaiky fa mijaly loatra, amina sehatra rehetra mihitsy, tsy misy mangirana ny fiainan’ny mponina. R.MathieuL’article Moramanga – Anosibe an’Ala: atao ao anatin’ny roa andro ny lalana 71 km a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

« Opération coup de poing »: olona 13 tratra tsy nanaja « couvre feu »
23/09/2020

Mitohy ny hetsika fampandrian-tany « Opération coup de poing » ao amin’ny faritra Bongolava nataon’ireo polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Tsiroanomandidy. Ny 15 sy ny 16 septambra 2020 teo, nisy ny vokatra azo nandritra izany hetsika izany. Olona dimy voasambotra tao Androtra sy tao Mangarivotra noho ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina, ny 15 septambra, raha olona roa kosa tratra tao Tsenankisoa, fokontany Tsaralalana, noho ny fisian’ireo roa lahy mpanao trafikana zava-mahadomelina ihany koa niaraka amin’ny ramatoa mpamatsy izany. Olona 13 ny nofotoran’ny polisy noho ny tsy fanajana ny fahazoana mivezivezy amin’ny alina « couvre feu ». Olona 10 voasazy nanao asa miteraka tombontsoa iombonana noho tsy fanaovana arovava, moto miisa 32 nandalo fisavan’ny polisy noho ny tsy fanaovana aroloha. Posy miisa 43 voasava raha 10 amin’ireo kibota 60 nosavaina kosa no niharan’ny sazy avy hatrany. Teo koa ny fisian’ireo olona tratra nitondra fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna niaraka tamin’ny odigasy, raha nikasa hangalatra kisoa.J.C L’article « Opération coup de poing »: olona 13 tratra tsy nanaja « couvre feu » a été récupéré chez Newsmada.

Tsihombe : nampitomboina ny tanjaky ny herinaratra
19/09/2020

Mazava ny tanàna! Tsy diso anjara amin’ireo reni­vohim-paritany 43 manerana ny Nosy misitraka ny hazavana an-dalambe ny tampon-tanànan’i Tsihombe, faritra Androy. Tonga tany an-toerana, ny alatsinainy 14 jolay teo, ny jirobe karazana Led Cobra, araka ny fampanantenan’ny filoha Rajoelina. Hanazava sady hanome endrika ny tanàna ireto fitaovana ireto, ary hisoroka ny tsy fandriampahalemana ihany koa. Mikasika ny mpanjifa mi­vantana, nampitomboan’ny Ji­rama ny tanjaky ny herinaratra mamatsy ny tanànan’i Tsi­hom­be, niaina tanaty delestazy nandritra ny volana maro. Natolo­tra tamin’io alatsinainy io ihany koa ny fitaovana mamokatra herinaratra miisa roa, manana tanjaka 220 KVA (175 KW), sy 165 KVA (132 KW), hanampy tosika ny efa any an-toerana. Tanjona amin’izao fizarana jirobe manazava tanàna sy fitaovana mamokatra herinaratra manerana ny tanàn-dehibe izao ny hanana angovo ampy ahafahan’ny vahoaka mamokatra mitondra fampandrosoana isam-paritra.Njaka A.L’article Tsihombe : nampitomboina ny tanjaky ny herinaratra a été récupéré chez Newsmada.

Dihy – Tantely Rajaobelina: “ Ny fifampikasohana sy ny serasera no mampivoatra”
21/09/2020

Ny fijerena horonantsary miresaka dihy sy ny talenta ao anaty miampy fifampikasohana ary ny fanampian’ny namana no nampivoatra ny fahaizany, raha ny fanazavan-dRajaobelina Tantely Fitiavana Marcella. Nohamafisiny fa “fianarana foana ny fiainana ary hiezaka hatrany aho hampitombo ny talenta nomen’Andriamanitra, araka izay tratra, mba ho lasa matihanina tanteraka eo amin’ny tontolon’ny dihy… Na izany aza tsy hadinoina ny fifaneraserana fa tena anisan’ny manokatra lalana tokoa izy io”, hoy i Tantely, nanazava ny vinavinany sy taratry ny ho aviny eo amin’ny tontolon’ny dihy sy ny fampivelarana izany.Vao 15 taona monja, efa maro ny sehatra nandraisany anjara : tao amin’ny Kianja mitafon’ny Mahamasina, Lapany Tanànan’Antananarivo, indrindra ireo karazana “festival” natrehiny…Eo am-piketrehana ny seho amin’ny fahadimy taonan’ny fikambanana misy azy izy, ankehitriny. Miandry ny fepetra sy lamina apetraky ny fanjakana noho ny hamehana ara-pahasalamana sisa.Niditra anatin’ny fianarana dihy tao amin’ny Femal dancehall (Street I Dance, sns,. ka i Belly SID no nampianatra azy), izay anisan’ny nampivoatra an’i Tantely taminy dihy, indrindra moa fa ny gadona “Dancehall”. Fantatra fa mpikambana ao amin’ny tarika Rabefidihy i Tantely Rajaobelina, ankehitriny. Ny hizara sy hampita ho an’ireo zandry aty aoriana, ny dihy eto an-tanindrazana no tanjony ary maniry ny ho lasa lavitra eo amin’ny tontolon’ny dihy no mba nofinofiny…Misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra ny tenany, indrindra ny eo amin’ny tontolon’ny kanto malagasy.Narilala L’article Dihy – Tantely Rajaobelina: “ Ny fifampikasohana sy ny serasera no mampivoatra” a été récupéré chez Newsmada.

Vakinankaratra: mitombo isan-taona ny fahapotehan’ny ala
22/09/2020

Hatramin’ny nisian’ny krizy noho ny  coronavirus, tsy latsaky ny 20 000 ny fanapahana hazo tsy ara-dalàna ho an’ny faritra Vakinankaratra, araka ny vaovao nampitain’ny minisiteran’ny Tontontolo iainana.Ny tsy fahampian’ny tolotra eo amin’ny h    azo fahandroana sakafo no fototry ny olana ka tsy mifidy ireo mikapa hazo hanaovana saribao sy kitay. “Hafantoka amin’ny voly hazo fanaovana kitay ny ampahany betsaka amin’ny fambolen-kazo manaraka”, hoy ny minisitra Baomiavotse Raharinirina. Tena mbola tsy afaka amin’izany ny tokantrano maro. Fambolen-kazo tsy lavitry ny tanàna ny vahaolana amin’izany, araka ny nambarany.Mahatratra 60 tapitrisa isan-taona ny zanakazo volena, efa natomboka tamin’ny taom-pambolena 2019-2020. Ny fari-piainana eto Madagasikara  niainga avy amin’ny fanadihadiana nataon’ny Usaid izany, tany amin’ny taona 2004, hoy Razakarimanana Ndranto, ao amin’ny Alliance Voahary Gasy. « Avy amin’izany fanadihadiana izany ny tokony hambolen-kazo 1500 fototra isaky ny hekitara amina velarana 40 000 ha isan-taona manerana ny Nosy, hanampiana ny tolotra hazo fanaovana kitay sy saribao », hoy izy. R.MathieuL’article Vakinankaratra: mitombo isan-taona ny fahapotehan’ny ala a été récupéré chez Newsmada.

Imbiki Herilaza : “Azo atao fa feno ny fepetra fifidianana loholona”
21/09/2020

“Tokony hojerena ny And. 81 sy ny manaraka izany ao amin’ny lalàmpanorenana, izay mamaritra ny mpifidy vaventy amin’ny fifidianana loholona. Feno ny fepetra takin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna hahazoana miroso amin’ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra.” hoy ny mpahay lalàna, Imbiki Herilaza. Tsara marihina koa fa nahavita fifidianana ny fitondram-panjakana tao anatin’ny herintaona sy tapany. Teo ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolatsain’ny Tanàna, natambatra.Iaraha-mahita koa fa tratran’ny fahamehana ara-pahasalamana noho ny fihanaky Covid-19 isika, nanomboka ny ny volana marsa ka hatramin’izao. Tsy misy azo natao.Tapitra fe-potoam-piasana ny loholonaNa tiana na tsia, tsy maintsy tapitra amin’ny voalohandohan’ny taona 2021 ny fe-potoam-piasan’ny loholona. Tsy azo ihodivirana izany ka irosoana ny fifidianana. Misy koa ny andininy mamaritra ao amin’ny lalàmpanorenana fa hatreo amin’ny 30 novambra no farany azo anaovana fifidianana fa miditra ao anatin’ny vanim-potoan’ny orana. Nefa raha antony tsy azo anoarana, azo atao ihany ny manatanteraka fifidianana.Tamin’ny taona 2015, toy izao ihany ny fifidianana loholona: ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna no nifidy, na mbola tsy feno aza ny rafitra voalazan’ny lalàmpanorenana. Mandroso tsikelikely ny fametrahana izany rafitra izany…Mamaritra ny fahazoana manatanteraka ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra izany. Na araka ny And. 81 sy ny manaraka azy ao amin’ny lalàmpanorenana, na ny voalazan’ny lalàna fehizoro momba ny Antenimierandoholona. Eo koa ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny lalàna rehetra mifandraika amin’izany ary ny didim-panjakana fihaikana mpifidy vaventy, araka ny fanazavany.R.Nd.L’article Imbiki Herilaza : “Azo atao fa feno ny fepetra fifidianana loholona” a été récupéré chez Newsmada.

Volley Ball: mitady mpilalao  lava, ny GNVB
18/09/2020

Araka ny efa fantatra, manomboka miverina amin’ny fanazarantena avokoa ny ekipa sy ny atleta manerana ny Nosy, isan’izany ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley ball). Ao anatin’izay indrindra, ho fampitomboana ny lenta sy hanomanana bebe kokoa ny ekipa amin’ny fifaninanana goavana hatrehina, mitady ankizy lava handrafitra ny ekipany ny filohan’ny GNVB, ny kolonely Rakotomalala Heriniaina. Somary lava ity fiatoana vokatry ny Coronavirus ity, raha ny nambarany, ka tena ilana ezaka goavana ny famerenana ny lentan’ny ekipa. Izany indrindra no tsy maintsy hirosoana amin’ny fitadiavana ankizy lava.Raha ny fanazavana hatrany, efa nanomboka niverina nikotrana, ny alatsinainy lasa teo, ny ekipan’ny volley ball ary mifantoka tanteraka amin’ny fanomanantena mafy. Nambaran’ity filohan’ny GNVB ity fa mila manao “revanche” mafy isika, taorian’ny faheresena azon’ny GNVB nanoloana an’ny Reonioney, nandritra ny “CCZone 7” farany teo iny. Fifaninanana notontosaina teto amintsika ny volana febroary lasa teo. Mba ho fampiakarana ny lentan’ny fifaninanana fotsiny ihany ny nandraisan’ny La Réunion Ankara nandritra izany fa tsy ao anatin’ny faritra faha-7 izy. Izany hoe, ny GNVB ihany ny nahazo ny amboara, hisolo tena ny faritra faha-7, na laharana faharoa aza. Mi.RazL’article Volley Ball: mitady mpilalao  lava, ny GNVB a été récupéré chez Newsmada.

Famerenan-kasina an’Antananarivo: niofana mialoha ny hidinany eny an-kianja ireo hanentana ny CMH
23/09/2020

Efa maka bahana. Niofana momba ny fampahafatarana ny fihezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ireo tompon’andraikitra isan-tokony. Nisokatra, omaly etsy amin’ny lapan’ny Tanàna, Analakely, izany. Anisan’ny niatrika izany ny solontenan’ny Zandarimariam-pirenena, ny lehiben’ny kaomisaria avy amin’ireo boriborintany enina, ny eo anivon’ny Bianco sy ireo tale mpitantana ao amin’ny CUA.Fanentanana sy fisorohana ny kolikolyMiompana amin’ny fampahafantarana ny CMH sy ny fanentanana ary ny fisorohana ny kolikoly amin’ny fampiharana ilay fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana ny votoatin’ny fiofanana. Ahitana sokajy miisa 12 ireo mpiofana ka niditra an-tsehatra nanomboka, omaly, ny andiany voalohany, miisa 125, saingy nozarana roa izany noho ny hamehana ara-pahasalamana.Hitohy eny amin’ny BMH Isotry ny fampiofanana, ahitana mpandray anjara miisa 500 ka hozaraina andiany 50 isa avy. Anisan’ny handray anjara amin’izany ireo sefo fokontany rehetra, ny lehiben’ny tsena eo anivon’ny CUA, ny tompon’andraikitra ny fitaterana eto Antananarivo Renivohitra, ny mpiandraikitra eny anivon’ny CSB II. Manampy ireo ny “inspecteur d’hygiène” sy ny “inspecteur de voirie” miaraka amin’ireo polisy monisipaly sy ny polisim-pirenena.Fakan-kevitra sy adihevitra eny ifotonyNa izany aza anefa, nitondra fanazavana ny mpanolotsain’ny ben’ny Tanàna, Rasaony Pascal. “Mbola hisy fakan-kevitra ataon’ny CUA eny ifotony. Eo koa ny ady hevitra momba ny CMH eny anivon’ny birao ho an’ny boriboritany ka andraisan’ireo olom-pirenena anjara”, hoy izy.Tsiahivina fa efa nisy ny CMH ny taona 1960 ho an’ny kaominina manerana ny Nosy. Narafitra ho boky izany ny 27 aogositra 2013, ahitana andininy miisa 103. Nohatsaraina kosa ny andininy miisa 20 amin’ireo 103, ny volana mey 2020.Synèse R.L’article Famerenan-kasina an’Antananarivo: niofana mialoha ny hidinany eny an-kianja ireo hanentana ny CMH a été récupéré chez Newsmada.

Iray lavon’ny Covid-19, 46 ireo tranga vaovao
19/09/2020

Miisa 46 ireo tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina, omaly. Avy eto Analamanga ny 34 amin’izany raha enina ny any Diana. Telo kosa ny any Matsiatra Ambony raha iray avy ny any Bongolava sy any Atsimo Andrefana ary ny any Boeny. Iray kosa ny lavo ary avy any Diana izy io. Tafakatra 217 izany izao ireo matin’ity valanaretina ity. Miisa 30 ireo marary anaty fahasarotana. Na izany aza, miisa 40 ireo sitrana. Tafakatra 14 587 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo marary mitondra ny tsimokaretina miisa 15 971. Miisa 1 165 kosa ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.Synèse R.L’article Iray lavon’ny Covid-19, 46 ireo tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina: « Hotsinjovina ireo marefo amin’ny hetran-trano… »
18/09/2020

Nambaran’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina, omaly tetsy Analakely, fa efa tao anatin’ny tetibola efa an-taony maro ilay resaka hetran-trano. Tsy mbola nampiharin’ny mpitantana amin’izao fotoana izao izany. « Misy manodina resaka politika ilay izy. Mbola hodinihina amin’ny septambra ny hanovana ny hetra amin’ny fanamboarana trano… », hoy izy. Nanteriny fa tsy tokony handoavana hetra ny fanamboarana trano manodidina 10 tapitrisa Ar hanampiana ny olona hanamboatra ny tranony. Notsindriny kosa anefa fa misy orinasa lehibe manamboatra trano lehibe ka tokony handoa hetra… « Tsy mandeha ila io fa miezaka isika mitsinjo ireo marefo sady maka ny hetra amin’ireo tokony handoa izany », hoy ihany izy.Hampiana ny fotodrafitrasa, handeha ny fanentanana…Nitondrany fanazavana koa ny momba ny fehezam-pitsipika misahana ny fikoloana fahasalamana (CMH). « Lalàna efa teo io fa nohatsaraina hifanaraka amin’ny toetrandro. Ho hita eo ny fampiharana ny sazy. Mila mahafantatra ny fitsipika sy ny lalàna mifehy ny olom-pirenena. Efa anaty fandaharanasa ny fanorenana fotodrafitrasa », hoy izy. Anisan’izany ny fanampiana ny isan’ireo toeram-pidiovana, ny fanasan-damba. Eo koa ny dabam-pako miisa 1 500 hozaraina eny amin’ny fokontany. Atomboka ny fotodrafitrasa ary omena ny fitaovana arahin’ny fanabeazana sy ny fanentanana izany, araka ny nambarany.Notsiahiviny hatrany fa tsy tokony hanao ny saim-pantany ny rehetra. Tokony hisy ny lamina sy ny fitsipika manokana hifehy toy ny any amin’ireo tanàn-dehibe maneran-tany. Nohamafisiny fa mila fantatry ny mponina ny fitsipika, ny zo sy adidy ary ny sazy. Hanaparitaka izany ny eo anivon’ny FES hifanome tanana amin’ny CUA ka hipaka sy ho tsapan’ny mponina izany, araka ny nambaran’ny ben’ny Tanàna hatrany… « Vonona sy sahy ary manara-dalàna ny olom-pirenena mendrika. Mandray andraikitra amin’ny manodidina. Hiaraka isika hamerina ny hasin’Antananarivo », hoy izy.Synèse R.L’article Ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina: « Hotsinjovina ireo marefo amin’ny hetran-trano… » a été récupéré chez Newsmada.

Karate-Avaradrano: efa miverina mikotrana avokoa ireo klioba
22/09/2020

Tontosa soa aman-tsara teny Ampangabe Alasora, ny fivoriambe teo anivon’ny seksiona Avaradrano, taranja karate, izay notarihin’ny filohany, Sensei Ramanitra Andriamamonjy sy ireo mpikambana ao amin’ny birao mpitantana. Noresahina nandritra ny fivoriana ny mahakasika ny “statut” ho an’ny fe-potoana hitantanana sy ny fitsipika anatiny. Ankoatra izay, nambaran’ i Sensei Manitra fa tsy mbola misy aloha hatreto ny fitadiavam-bola azo atao. Toraka izany koa ny fifaninanana, izay mbola miato satria tsy maintsy miandry ny avy eo anivon’ny federasiona ny mahakasika ny tetiandron’ny fifaninanana. Na izany aza, efa eo an-dalam-panomanana ny Gassaku na fiofanana ny seksiona Avaradrano. Eo amin’ny fanazaran-tena kosa, efa saika miverina mikotrana avokoa ireo klioba.Araka ny hita teny an-toerana, klioba miisa 15 teo ho eo ny nahatonga solontena tamin’ity fivoriambe ity (Kokaju, kawam, kenkaju,Akka, Tfska, Rengkiu, Wado Gosetlai, Fudeshin, Ambohimanga Rova,…). Tonga nanome voninahitra ihany koa ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, nisoloan’ny delege an’Avaradrano , tena. Mi.RazL’article Karate-Avaradrano: efa miverina mikotrana avokoa ireo klioba a été récupéré chez Newsmada.

Indray mijery
23/09/2020

Ho an’ny Dren Bongolava, nahatratra 5 081 ireo niatrika fanadinana BEPC .Misy 14 ireo ivontoeram-panadinana ary ahitana efitrano 222. Mipetraka hatrany ny lamina ara-pahasalamana ka tsy mihoatra ny isaky ny efitranom-panadinana 25 ny mpiadina ary ahitana fanasana tanana avokoa ny foibem-panadinana rehetra. 11 taona ny zandriny indrindra ary 46 taona kosa ny zokiny indrindra amin’ireo mpiadina. Mila fahazoan-dalana avy amin’ny ben’ny Tanàna ny fivarotana hani-masaka anatin’ny fiara, aorian’ny fankatoavan’ny fitaleavana miandraikitra ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy maintsy manatanteraka ireo adidy voasoratra ao anaty bokin’andraikitra izay nahazo alalana. Io bokin’andraikitra io no mametra ireo sokajin-tsakafo na entam-barotra azon’ireo fiara mpivarotra hani-masaka amidy… L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Fanafoanana fifidianana loholona :: Nitombo telo ny fitoriana voarain’ny HCC
23/09/2020

Niampy iray indray ireo fitoriana roa mifototra amin’ny fanoherana ny fanatanterahana ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra 2020. Tafapetraka teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC), afak’omaly, ny fitoriana fanintelony nataon’ny komity fanabeazana olom-pirenena mpanara-maso ny fifidianana (KMF/CNOE), izay mitaky ny fanafoanana ny didim-panjakana miantso ny mpifidy vaventy handatsa-bato amin’io fifidianana io. Loholona enina ambin’ ny folo no nanasonia ny fitoriana naterina etsy Ambohidahy, izay mitondra ny anaran’ny loholona Thierry Raveloson, tany am-boalohany. Nanaraka azy ireo ihany koa ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, talohan’ izao hetsiky ny KMF/Cnoe izao. Ny tsy fahafenoan’ireo mpifidy vaventy handray anjara amin’io fifidianana io no tohan-kevitra nandrafetan’ny telo tonta an’ireo fitoriany. Tsy mitombina amin’ireo antoko politika mpiara-dia amin’ny fitondrana kosa izany fomba fijerin’ireo mpanohitra izany. Valy bontana « Tsy ara-dalàna ny nahalany an’ireo loholona amperinasa, raha io fitakiana lavareny ataon’izy ireo io no dinihina », hoy ny depiote Lanto Rakotomanga, avy amin’ny antoko politika Tanora malaGasy Vonona (TGV), satria natao tao anatin’ny vanim-potoana tsy nahafeno tanteraka an’ireo sokajiana ho mpifidy vaventy ihany koa ny fifidianana azy ireo. Efa ho telo herinandro kosa izao no tonga teny amin’ny HCC ny fitoriana voalohany saingy tsy mbola nisy valiny avokoa ireo fitoriana ireo, hatramin’ny omaly. Nadia tojo fanakianana mafy avy tamin’ireo vondrona parlemantera mpanohitra aza ny HCC, dia tsy niraika tamin’izany mihitsy, hatreto. « Azy ireo izany », hoy hatrany i Jean Eric Rakotoarisoa, filohan’ity andrim-panjakana ity. L’article Fanafoanana fifidianana loholona :: Nitombo telo ny fitoriana voarain’ny HCC est apparu en premier sur AoRaha.