Famoaham-boky literatiora: hiketrika an’i “Vonisoa” sy i “Mendrika” i Zara Ainga

News - Famoaham-boky literatiora: hiketrika an’i “Vonisoa” sy i “Mendrika” i Zara Ainga

News - Famoaham-boky literatiora: hiketrika an’i “Vonisoa” sy i “Mendrika” i Zara Ainga

Ny taona 2015 sy ny tapatapaky ny taona 2016,
niafin’endrika tao amin’ny kaonty «facebook» i Zara Ainga. Toerana
nizarany ny sanganasany, nahababo olona maro, indrindra ireo
tovovavikely (Babon’ainga). Angamba mety ho anisan’ireny i
« Vonisoa » sy i « Mendrika »…

Poetan’ny tam­ba­jo­tra… Na­hay
nitrandraka ny teknolojia ho fitaovam-pandrosoana eo amin’ny
sehatry ny literatiora i Herinirina Tojosoa, fantatry ny maro
amin’ny hoe, Zara Ainga, eo amin’ny tontolon’ny haisoratra
malagasy. Anisan’ny mitantana ny fikambanana “Y-sorakanto”,
fikambanana nijoro efa ho roa taona, izy. Dimy taona katroka
nanoratana amin’ity oktobra ity ny lehilahy ary hamoaka boky ho
fanamarihana izany.
Ny fahadimy sy fahenina no vokatra mivoaka izao: i «Vonisoa»
amboaran-tononkalo ahitana pejy 100, izay miresaka fitiavana
angalarina sy ny fiainana maro hafa. Ao koa i «Mendrika», izay
am­bo­aran-tsombintantara, 200 pejy. Sombintantara amin’ny lafiny
maromaro, toy ny fitiavana misandrahaka amin’ny endriny maro:
fitiavan-tanindrazana, fitiavan’olon-droa, fitiavana amin’ny samy
mpinamana sns…
Manoratra karazana literatiora i Zara Ainga. Anisan’ny manavanana
azy ny fanoratana tononkalo sy ny sombintantara. Maro ny hetsika
efa nanehoany ny talentany, in­drindra ny teto Iarivo. Nisy ny boky
manokana efa nivoaka tao anatin’izay dimy taona izay, toy ny “Ilay
dokoterakeliko”, ny “Hafeniko tsy ho fantany”, “Iny taratasiko
iny”… Ao ireo niarahana ami­na namana, toy ny “Sa­ka­ma­laho sy
Havozo”, tamin’i Tsy Avahana.

Ilaina ny famakiana
boky

«Betsaka ny tanora miroso manoratra
ankehitriny. Vaovao tsara izay, saingy, hadinon’izy ireo hoe tia
mamaky aloha vao manoratra. Mila tia mamaky boky isika raha te
hamokatra asasoratra kanto satria betsaka ny pitsopitsony tokony
hizarana sy tokony ho fantatra mba tsy hampivoaka ny fitsipika
mamaritra ny karazana literatiora ary mba tsy ampifangaro ny
zavatra atao amin’ny kolontsaina hafa . Izay ny zava-dehibe
aloha.», hoy i Zara Ainga.
Ny fiezahana mampiakatra ny lanjan’ny literatiora malagasy,
hahafahana mandray anjara asa tsara any amin’ny
fanabeazana…Mamerina ny fitiavan’ny olona ny boky amin’ny fiteny
malagasy no anisan’ny tanjon’ity mpanoratra manana ny mampiavaka
azy eo amin’ny literatiora ity.

Narilala

Article tiré de Newsmada

L’article Famoaham-boky literatiora: hiketrika an’i “Vonisoa” sy i “Mendrika” i Zara Ainga a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 17/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Lalana Mahitsy-Antanetibe Mahazaza: tokony ho vita godirao amin’ny 2021 ny asa

Vaky ny 10%-n’ny atody, mivoaka any Mahitsy mandritra ny fitaterana azy mankaty an-tanàn- dehibe noho ny haratsian-dalana. Hatao godirao ny lalana Mahitsy-Antanetibe, hamahana izany olana izany.Nanomboka ny 13 aogositra 2018 ny asa fa­nam­boaran-dalana, miainga eny Mahitsy, Ampanotokana hatrany amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza, samy ao anatin’ny distrikan’Am­bohidratrimo. Mitentina 30 tapitrisa dolara ny asa, famatsiam-bola maimaim-poana nomen’ny governemanta sinoa ho antsika Malagasy. Tafiditra ao anatin’ilay Finiavana Fi­famatorana sy lalana (Initia­tive la ceinture et la route), napetraky ny fitondrana sinoa hanamorana ny fifevivezen’ny olona sy ny entana. Raha ny fifanarahana, mi­refy 19,087 km ity lalana Ma­hitsy-Antanetibe Maha­zaza ity. Maharitra telo taona ny asa, tokony ho vita amin’ny taona 2021. Hatao godirao manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ka manatanteraka azy ny orinasa sinoa Zhongmei group. Nankatoavin’ny filan-kevitry ny minisitra, ny 7 ok­tobra teo, ny famelana malalaka, tsy mandoa haban-tseranana ao anatin’ny fotoana voafetra ny fampidirana ny entana sy fitaovana ilain’ity orinasa sinoa ity.Hiroborobo ny fandrosoanaMiisa 30.000 ny mponina any amin’ny kaominina Ma­hitsy sy Ampanotokana. Mi­velona amin’ny fiompiana akoho sy ny famokarana atody ny 80%-n’ny mponina. Avy any an-toerana ny 40%-n’ny atody eto an-dRenivohitra. Raha vita ity lalana ity, vinavinaina ho 150.000 isan’andro ny atody hivoaka any an-toerana. Etsy an-kilany, hiroborobo haingana iny faritra iny ao­rian’ny fahavitan’ny lalana. Hitombo ny fivezivezen’ny olona sy ny entana. Handroso ny varotra, ny fifandraisan-davitra. Ho mora kokoa ny lafiny fitsaboana satria ho akaiky ny hopitaly eny Ma­hitsy.Njaka AndriantefiarinesyL’article Lalana Mahitsy-Antanetibe Mahazaza: tokony ho vita godirao amin’ny 2021 ny asa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Voile: mitaraina ireo mpilalao malagasy

Nanambara ireo mpilalao voile (kitesurf /windsurf) malagasy fa tratry ny kiantranoantrano, amin’ny fandefasana ireo solontena malagasy miatrika ny « Lalaon’ny Nosy », atsy Nosy Maorisy, izy ireo. Nambaran-dRazafindrasata Tsiry, filohan’ny fikambanana MKA (Madagascar Kiteboarding Association), fa araka ny vaovao voarain’izy ireo, zanak’olona ao anatin’ny federasiona malagasin’ny voile ny nalefa hisolo tena an’i Madagasikara any amin’izany fihaonambe iraisan’ny Nosy, aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, izany.Nomarihiny fa tsy nisy fifaninanana fifantenana nataon’ny federasiona nahalalana izay mendrika handeha amin’io « Lalaon’ny Nosy » io fa notendrena fotsiny avy hatrany ireo atleta lahy iray sy vavy iray nankany Maorisy, miampy mpanazatra iray.Misy anefa ireo Malagasy tena mpiangaly sy mahafehy tsara io taranja voile io izay mampanao fiofanana any Antsiranana, amin’izao fotoana izao, raha ny fanambaran’i Tsiry. Izy ireo izay tsy nisy nantsoin’ny federasiona na nampahafantarina mikasika ny « Lalaon’ny Nosy ».« Araka izany, naneho ny alahelony ireo mpiangaly taranja voile (kitesurf/windsurf), izay mahatsapa tena fa afaka misolo tena an’i Madagasikara tsara ary tsy matahotra ny hihaona amin’ireo Reonioney sy Maorisianina ny amin’ny handrombahana medaly, saingy izao tratry ny resaka akamakama izao », hoy ny fitarainan’izy ireo. TorcelinL’article Voile: mitaraina ireo mpilalao malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fotodrafitrasa IEM: 204 tapitrisa euros avy amin’ny Fed

Manohana ny fandaharanasan’ny fanjakana, Finiavana ho fisandratana ho an’i Madagasikara (IEM), ny Vondrona eoropeanina (UE). Ho azy, iankinan’ny fampandrosoana ny lafiny fotodrafitrasa, anisan’ny zava-dehibe ao anatin’ny Fandaharanasa tondro ho an’ny firenena, na Programme indicatif national (PIN), mifandraika amin’ny Tahiry eoropeanina ho an’ny fampandrosoana, andiany faha-11 (11è Fed), mitentina 204 tapitrisa euros ho an’ny fotodrafitrasa. Nilaza ny tompon’andraikitry ny fandaharanasa Birao manohana ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany (BACE), Andriamalala Fanilo Herizo, fa tanjona ny fampitomboana ny fivezivezen’ny olona sy ny fananany, amin’ny alalan’ny fanatsarana ny lalana sy ny fitaterana, ny sehatry ny angovo, ny rano sy ny fanadiovana.Miisa valo ny tetikasaMaromaro ny mpamatsy vola, toy ny Fed, ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI), ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) ary ny fanjakana malagasy.Ahitana ny tetikasa tantsoroka ara-drafitra (6 tapitrisa euros avy amin’ny Fed). Faharoa ny fanatsarana ny lalana RN 6 sy ny RN 13,  (115 tapitrisa euros avy amin’ny Fed ; 114,7 tapitrisa euros avy amin’ny BEI ; 4,1 tapitrisa euros avy amin’ny fanjakana malagasy). Fahatelo, fanamboarana ny arabe Rocade Est sy Nord-Est eto Antananarivo, mitotaly 62,9 tapitrisa euros. Fahefatra ny Tetikasa ho an’ny fanadiovana hentitra eto Antananarivo (PIAA), mitentina 34,1 tapitrisa euros. Fahadimy, fanadiovana ny tanàna manodidina an’Antananarivo, ny tetikasa « Lalankely III », hanampiana ny olona sahirana, mitentina 26,3 tapitrisa euros. Fahenina, fanarenana ny lalana RNT 12A sy ny RN9, mitentina 183,1 tapitrisa euros. Fahafito ny tetikasa “Jirama water III”, mitentina 73,2 tapitrisa euros, hanatsarana ny fahazoana rano madio fisotro. Farany ny tetikasa “Sunrise Madagasikara”, hanamorana ny lafiny angovo, mitentina 39,9 tapitrisa euros.Njaka A.L’article Fotodrafitrasa IEM: 204 tapitrisa euros avy amin’ny Fed a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Eniap: nivoaka ny andiany « Fenitra »

Notontosaina, omaly ny famoahana ny andiany “Fenitra” tao amin’ny sekolin’ ny Polisim-pirenena manofana ho “Agents” sy “Inspecteurs de police” (Eniap) any Antsirabe. Miisa 1098 ireto Polisy vaovao ireto ka 100 ny Inspecteurs de Police (miisa 08 ny vehivavy) raha 999 kosa ny “Agents de Police”(miisa 94 ny vehivavy). Nitondra hafatra ho an’ireto andiany “Fenitra” ireto ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ny Controleur Général de Police Rafanomezantsoa Roger ary nilaza fa : “Ny galona izay napetraka teny an-tsorokareo androany (omaly io), dia tadidio tsara fa laharamboninahitra sandain’andraikitra avy amin’ny firenena malagasy. Aza viraviraina toa voro-damba fa vidio haja, vidio voninahitra, na amin’ny fihetsika, na amin’ny fiteny ary indrindra amin’ny fomba fiasa, ho reharehan’ny mpiray tanindrazana. Aza avela hiraviravy tanana eo anoloan’ny horohoro ny vahoaka .Aleo hafindra any amin’ny tontakely ny tahotra, efa ela niandrasana izany ny Malagasy”.Ankoatra ny famoahana ny andiany “Fenitra” dia nisy ihany koa ny fanatanterahana ny fandraisam-pibaikoana teo amin’ireo talem-paritra vaovao. Jean ClaudeL’article Eniap: nivoaka ny andiany « Fenitra » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

FID sy ny Marie Stopes Madagascar: hohatsaraina ny fananahana ara-pahasalamana

Hiara-kiasa hanatsara ny fandrindram-piterahana ny Fonds d’intervention pour le developpement (Fid) sy ny Marie Stopes Madagascar (MSM). Hiantefa amin’ireo tokantrano mpahazo tombontsoa amin’ny fiahiana sosialy karakarain’ny Fid ny asa. Hanentana sy handray an-tanana ny fananahana ara-pahasalaman’ny fianakaviana ny tomponandraikitry ny MSI, mandritra ny herintaona. Tsy misy sorabola mivantana atokan’ny Fid ho an’ny MSI hanatanterahana ny asa fa hanolotra fanampiana fotsiny amin’ny fahaiza-manao sy ny fitaovana.« Misy fiantraikany amin’ny fivoaran’ny fiainan’ny mponina ny fiovam-pihetsika amin’ny fandrindram-piterahana », hoy ny tale jeneraliny mpisolo toerana ao amin’ny Fid, Rajao Harilala Serge, omaly teny Anosy. Efa manao sahanasa hanampiana ny mpahazo tombontsoa ny Fid hananan’izy ireo fahaleovantena amin’ny fiainana andavanandro ka hanatsara bebe kokoa ny fari-piainany raha voarindra ny fiterahana. Hanetsika ireo mpanentana misehatra eny ifotony ny Fid handresy lahatra ny isan-tokantrano hanatona ny ivontoerana manome ny tolotra avy amin’ny MSM. Mbola hiofana manokana ireo mpanentana hampahomby ny fandresen-dahatra.Vonjy A.  L’article FID sy ny Marie Stopes Madagascar: hohatsaraina ny fananahana ara-pahasalamana a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Parlemantera avy eto Toamasina : Nanolotra fanampiana ho an’ny FFKM

Vary 50 gony, aron-tava 2.000, menaka anaty tavoahangy 120 litatra, ireo no natolotry ny fikambanana parlemantera nahitana ireo depiote avy eto Toamasina, notarihan’ny filoha lefitry ny antenimierampirenena eto Toamasina, Rtoa Bavy Angelica, izay natolotra ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM Toamasina, entina hanampiana ireo marefo eny anivon’ny fiangonana sami- hafa eto Toamasina. Tao amin’ny “maison des parlements” teny Mangarano II misy ny biraon’ny distrikan’i Toamasina no nanaovana izany fanolorana fanampiana izany. Nandray izany ny solon-tenan’ny FFKM Toamasina ny Mgr Solo avy amin’ny fiangonana Anglikana, notronin’ny governoran’ ny faritra Atsinanana, ary ny ben’ny tananan’i Toamasina renivohitra. Nandritra izany no nilazan’ny governora fa mangataka vavaka amin’ireo filoham-piangonana sy ireo mpino rehetra ny eto Toamasina, mba hentintsika mandresy miaraka ity valanaretina covid-19 ity; izay lasa tsy kapitaly ekonomika intsony i Toamasina, fa lasa kapitaly epidemika indray. Niangavy ny rehetra hiray hina sy hanaraka an-tsakany sy an-davany ny fepetra rehetra napetraky ny fanjakana amin’izao valanaretina izao ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM, satria tsy misy fomba mahomby hentina miady amin’izany valanaretina izany, raha tsy ireo fepetra ara-pahasalamana efa napetraka ireo ihany, indrindra fa ny fijanonana an-trano ho an’ireo tsy misy zava-dehibe tena atao ivelan’ny trano. Malala Didier L’article Parlemantera avy eto Toamasina : Nanolotra fanampiana ho an’ny FFKM est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Parlemantera avy eto Toamasina : Nanolotra fanampiana ho an’ny FFKM a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Ao Raha

VOKA-PIFIDIANANA :: Nanitsy ny tarehimarika sasany navoakany ny Ceni

Dimy andro aty aoriana, nahitsin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni, omaly, ny tarehimarika sasany tamin’ ny voka-pifidianana navoakan’izy ireo, tamin’ny sabotsy 17 novambra lasa teo. Niova ho 5 367 871 ny isan’ny mpifidy nandatsa-bato raha 5 367 447 no nampaha- fantarina tamin’ny rehetra. 4 975 018 kosa no tena isam-bato manan-kery fa tsy 4 974 612, ary 392 853 no isan’ireo vato maty sy ny vato fotsy fa tsy 392 835, araka izay vokatra vonjimaika navoaka ôfisialy, dimy andro lasa izay. Nilaza ny Ceni fa “tsy misy fiantraikany amin’ny vato azon’ireo kandidà tsirairay izany”, araka ny fampitam-baovao avy amin’izy ireo, omaly. Nialoha izao famoahana fanitsiana avy amin’ny Ceni, omaly hariva, izao dia nisy ny lanonana fanaovan-tsonia ny fanampiana ara-bola mitentina 1, 100 tapitrisa euros avy amin’ny Vondrona Eoropeanina ho amin’ny fikarakarana ny fifidianana na ny Sacem izay tantanan’ny Sampan’ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana na ny Pnud, teny Nanisana, omaly maraina. Nanindry mafy ny filohan’ ny Ceni, Rakotomanana Hery, teny an-toerana, fa “tsy nisy hosoka, tsy nisy fanodinkodinana vato ary tsy mitombina velively ny hala-bato teo anivon’ny Ceni.” “Matoa nisy ny lesoka dia mety ho avy amin’ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa na tsy fifehezan’ ny mpiara-miombon’antoka sasany ny asa nataony”, hoy izy. “Vonona izahay hanokatra ny kajy mirindra (Logiciel) izay nampiasaina eo anatrehan’ny rehetra raha mandidy manao izany ny Fitsarana. Tsy tokony hisy fiovana lehibe ihany koa ny voka-pifidianana navoakanay sy ny havoakan’ ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana”, hoy hatrany Rakotomanana Hery. Nanaitra anefa ny fandraisana an’io fanitsiana an’ireo tarehimarika sasany tamin’ny voka-pifidianana feno vonjimaika, izay nalefan’ izy ireo omaly io. L’article VOKA-PIFIDIANANA :: Nanitsy ny tarehimarika sasany navoakany ny Ceni est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Notanan’ny polisy ilay mpamily nahavanon-doza: tovolahy iray maty tsy tra-drano nofaohin’ny 4X4

Fantatra fa efa nandona fiara iray hafa teny Ankadifotsy no nitsoaka nandositra ity fiara 4X4 nahavanon-doza tetsy Ankazomanga, omaly ity. Ankoatra ireo olona efatra naratra mafy, maty tsy tra-drano ny tovolahy iray voafaokany.Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Ankazomanga, omaly maraina. Fiara 4×4 iray nizotra ho any Andraharo no niala bisikileta iray teo alohany ka tafavoaka ny arabe ary nifatratra tamin’ny fiara iray nijanona amoron-dalana (P. 306) sy mpandeha an-tongotra miisa telo. Tovolahy iray 25 taona maty tsy tra-drano. Lehilahy lehibe iray 52 taona sy vehivavy iray 20 taona kosa naratra mafy. Naratra ihany koa ilay mpitondra bisikileta teo alohany sy mpitondra moto iray izay nanaraka ilay fiara tao aoriana. Nandriaka eran’ny arabe ny ra. Tampoka rahateo ny fiavian’ny loza satria nandeha mafy mihitsy ilay fiara nitsoaka nihazo iny lalana mihazo an’Andraharo iny. Fantatra, araka ny fampitam-baovao fa efa nandona fiara teny amin’ny faritra Ankadifotsy teny ilay fiara no nenjehina tamin’ny moto ka izao namoa-doza izao. Ahina ho nitsoaka ilay mpamily ka tsy nahafehy ny familiana intsony ka izao nifaoka olona teny Ankazomanga izao. Nentina teny amin’ny hopitaly HJRA avy hatrany ireo naratra ary efa notanana eny amin’ny borigadin’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana kosa ilay mpamily nahavanon-doza. Manentana ny rehetra hatrany ny polisy mba ho malina sy hanaja ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana.Mpianatra eny amin’ny Oniversite…Rafenomanana Fidy, monina eny Ankazomanga ity niharam-boina ity. Mpianatra taona faharoa eny amin’ny sampam-piananara fitantanana (Gestion) eny Ankatso izy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny sampam-pianarana fitantanana (Aegm). Vory lanona ny olona teny Ankazomanga sy ny manodidina raha nahita ity loza ity. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ilay mpamily tompon’antoka tamin’izao loza mahatsiravina izao.J.C L’article Notanan’ny polisy ilay mpamily nahavanon-doza: tovolahy iray maty tsy tra-drano nofaohin’ny 4X4 a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Lakolosy hiaraha-midinika

Miarahaba antsika mpamaky. Tsara raha resahina eto anio, ny momba ny « Comité local de développement » (Cld) , izay famatsiam-bola isaky ny distrika, mitentina hatrany amin’ny 250 hatramin’ny 300 tapitrisa ariary, isan-taona. Ny depiote no miahy sy manara-maso ireo tetikasam-pampandrosoana amin’io tetibola io. Misy amin’ izy ireo anefa no mivaona, ka manararaotra, manodinkodina izany. Lasa izy ireo indray tompon’ny tetikasa sy manapa-kevitra amin’ny fandaniana nefa tsy mandeha araka ny tokony ho izy akory izany. Io no mampihazakazaka ireo depiote teo aloha hirotsaka indray satria mihevitra izy ireo fa amin’ny alalan’io vola io no hamerenany izay lany amin’ny fampielezan- kevitra, amin’izao fotoana. Misy ireo fikambanana mitaky ny fanovàna famindra amin’ny fitantanana ny volan’ny Cld io. Tsy tokony hataon’ olom-bitsy ampihimamba intsony ny famatsiam- bolan’ny fampandrosoana eny ifotony amin’ny alalan’ny Cld. Tsy hiteraka vokatra hisitrahan’ny vahoaka eny ifotony ny fomba fitantana mifono fanodinkodinana ny Cld amin’izao fotoana izao. Tokony ho ireo olom-boafidy eny anivon’ny vondrom- bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana no hitantana io vola io manomboka izao satria izy ireny no tena mahalala ny laharam- pahamehana amin’ny asa fampandrosoana eny ifotony. Fanaovana zinona ny fahefan’ny Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsain’ny tanàna eny ifotony, ary ireo lehiben’ny fokontany, ny tsy fanomezana azy ireo fahefana feno hanapaka sy hitantana ny Cld satria mbola tsy hita taratra hatramin’izao ny tena vokatr’izany. Albain Rabemananjara L’article Lakolosy hiaraha-midinika est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Masoivoho amerikanina: hiresaka ny tanora sy ny fiarahamonina ny « E-talk »

« Ny fiarahamonina manoloana ny fitarihan’ny tanora ». Io ny lohahevitry ny « E-talk », hotanterahin’ny masoivoho amerikanina eto amintsika, ny 16 jolay izao, eny Andranomena. Fiteny matetika ny hoe ny tanora ny hoavin’ny firenena. Araka izany, anisan’ny andrin’ny fampandrosoana ny tanora.Hita ho mihamaro ny hetsika hanentanana ny tanora amin’ny fitarihana amin’ny sehatra misy azy, toy ny amin’ny lafiny fihariana sy ny raharaha sosialy eny anivon’ny fiarahamonina. Haneho ny heviny sy hijoro vavolombelona amin’izany fitarihana tanora izany i Najaina Kanto Tovohasimbavaka.Mpisehatra amin’ny fampandrosoana ny tanora manodidina ny 5 taona sy mpilatsaka an-tsitrapo, Mpanazava eto Madagasikara, ny tovovavy. Miasa ao amin’ny fandaharanasan’ny mpilatsaka an-tsitrapon’ny Firenena mikambana izy sady mpikambana tao amin’ny fikambanana fampandrosoana ny tanora, antsoina hoe Youth First, nandritra ny 3 taona. Tanora mpitarika nisitraka ny fandaharanasa Mandela Washington Fellowship ihany koa izy, tamin’ny taon-dasa. Entanina manokana hanatrika izao famelabelaran-kevitra izao ny tanora.Landy R. L’article Masoivoho amerikanina: hiresaka ny tanora sy ny fiarahamonina ny « E-talk » a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Kitra – Fikatonan’ny sisintany: Afa miditra eto ny Elefanta Ivoarianina saingy manaraka fepetra
29/10/2020

   Azo antoka fa hotanterahina eto Madagasikara ny lalao miverina hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Can 2022. Tsy misy intsony ny fisalasalana fa hatao eto Madagasikara ihany ny fihaonana miverina eo amin’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Lalao tafiditra amin’ny andro fahefatra amin’ny fifanintsanana ho an’ny Can 2022. Araka ny fanambarana nataon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), nomen’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM), fahazoan-dalana manokana hiditra eto Madagasikara ny delegasiona ivoarianina, na mbola mikatona aza ny sisin-tanin’i Madagasikara. Raha tsy misy ny fiovana, ho tonga ny 15 novambra, ho avy izao ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ka fiaramanidina manokana Airbus no hitondra azy ireo.Mety hiaraka higadona eto avokoa ny ekipa roa tonta satria avy hatrany hamonjy an’i Madagasikara izy ireo, raha vantany vao ho vita ny lalao mandroso, hatao ny 14 novambra ho avy izao.Nahazo fankatoavana avy amin’ny FifaNa izany aza, tsy maintsy misy hatrany ny fitiliana sy ny fizahana ara-pahasalamana atao amin’ireo mpilalao rehetra sy ny mpikambana rehetra ao anatin’ny delegasiona, mialoha sy mandritra ary aorian’ny baikon’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf). Tsiahivina fa hatao any amin’ny kianja Stadium Barikadimy Toamasina, ny talata 17 novambra 2020, amin’ny 4 ora tolakandro io lalao miverina eo amin’ny roa tonta io. Marihina fa efa nahazo fankatoavana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa) io fotodrafitrasa any amin’ny faritra atsinanana io. Ankoatra izay, tsy hihoatra ny 5000 ny totalin’ny olona afaka miditra ao anaty kianja, hanatrika io fihaonana miverina io.Efa nalefan’ny federasiona malagasy ny baolina kitra any amin’ny Caf sy ny federasiona ivoarianina (Fif) ny valin-teny momba io fahazoan-dalana manokana hidiran’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire eto Madagasikara io.  TompondakaL’article Kitra – Fikatonan’ny sisintany: Afa miditra eto ny Elefanta Ivoarianina saingy manaraka fepetra a été récupéré chez Newsmada.

Faritra Analanjirofo: ezahina hamboarina ny lalana hamoahana letisia 
27/10/2020

 Ho tonga tsy ho ela ny fotoam-piotazana letisia. Any amin’ny faritra Analanjirofo, miezaka manamboatra lalana mampifandray ireo kaominina ao anatin’ny distrika, ho famoaham-bokatra.Vato misakana amin’ny famoaham-bokatra any amin’ny faritra ny faharatsian-dalana ka izao fotoana izao, na tratra aoriana aza ny asa, hararaotina ezahina ny fanamboaran-dalana ahafahan’ireo kaominina mifandray, ny mpanangom-bokatra mivezivezy malalaka ao anatin’ny fotoana fohy, mandritra ny fanangonana letisia. Vokatra ezahina ho tafavoaka tsy ho simba, ho loharanom-bolan’ny mpamboly. Misy mitady isan-taona io vokatra io hatrany amin’ny tsena ivelany.Milaza ny mpitantana ny faritra Analanjirofo fa manampy betsaka amin’ny fanamboaran-dalana ny fitondrana foibe, manome fitaovana sy milina ahafahan’ny mpitantana ny faritra manatsara ny lalana mankany any amin’ny renivohitry ny distrika sy ny faritra, i Fenoarivo Atsinanana. Fanamboarana avy eny ifotony, toy ny mampifandray an’i Fenoarivo Atsinanana sy i Foulpointe, RN5.Ny kalitao sy ny lalam-barotraHatramin’ny taona maro, manahirana amin’ny famoaham-bokatra ny faharatsian-dalana. Tsy araka ny fepetra takina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny kalitaon’ny vokatra maro, resin’ny vokatra hafa avy any amin’ny firenen-kafa. Koa hiatrehana ny fifaninanana eran-tany ny kalitaon’ny vokatra sy ny lalam-barotra, tsy ny letisia ihany fa eo koa ny jirofo sy ny lavanila, samy vokatra fanondrana.Ny taona 2017, ny 2018, ny 2019, nihena betsaka ny letisia any Analanjirofo, noho ny tsy fahampian’ny rotsak’orana, ny tsy fahazotoan’ny tantsaha mamokatra atao varotra noho ny faharatsian-dalana. Tsy hita ny mpanangom-bokatra na tonga ihany fa mividy mora.  Manodidina ny 15 000 na 17 000 t isan-taona ny letisia naondrana tany Eoropa, tany Afrika Atsimo tamin’ireo ireo fotoana ireo. Tsy fantatra ny amin’ity taona ity, indrindra eo ny fiantraikan’ny valanaretina Covid-19.R.MathieuL’article Faritra Analanjirofo: ezahina hamboarina ny lalana hamoahana letisia  a été récupéré chez Newsmada.

Herinandron’ny Havàtsa-Upem: « Tanteraka ny fanamby », hoy i Hajaina Andrianasolo
27/10/2020

   Mitohy hatrany ny ezaka ho fanomezan-danja ny soratra. Manana anjara toerana lehibe amin’izany ny Havàtsa-Upem. Misy ny hetsika tanterahin’izy ireo mandritra ity herinandro ity…« Efa tany amin’ny volana aogositra ny nieritreretana hanatanterahana ny « Herinandron’ny Havàtsa-Upem »… Ankehitriny, tanteraka ny fanamby na mbola eo aza ny fahasahiranana nateraky ny Covid-19 », hoy i Hajaina Andrianasolo, filohan’ny fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Nanteriny fa mavitrika ny mpikambana sady mikendry hatrany ny hanao zavatra tsara ka tsy nataon’izy ireo ho sakana ny fotoana lava tsy nanaovana hetsika.Nomarihiny koa fa « velona ho velona ny haisoratra malagasy ». Tazana etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely izany, mandritra ity herinandro hanatanterahana ny « Herinandron’ny poety 2020 » ity. Fampirantiana asa soratr’ireo mpanoratra teo aloha sy ny ankehitriny. Misy amin’izy ireny ny tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Fihaonana amin’ireo mpanoratra. Antsan-tononkalo sy varo-boky, sns.Fantatra fa maro ireo mpampianatra mikasa hitondra ny mpianany eny an-toerana. « Tsara raha tonga izy ireny satria hanampy azy ireo ny zavatra ho hita ety. Na izany aza, mila hajaina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana tsy hiparitahan’ny valanaretina Covid-19 », hoy hatrany ny filohan’ny Havàtsa-Upem. Ny asabotsy 31 oktobra vao hifarana ny « Herinandron’ny poeta 2020 » ka ny alarobia tolakandro no hanatanterahana ny « Alarobia miverina » hiantsana tononkalo.HaRy RazafindrakotoL’article Herinandron’ny Havàtsa-Upem: « Tanteraka ny fanamby », hoy i Hajaina Andrianasolo a été récupéré chez Newsmada.

Bakalorea teknika: 5 529 ny mpiadina eto Antananarivo
24/10/2020

Hiroso amin’ny andiany fa­haroa amin’ny bakalorea ny fampianarana teknika manerana ny Nosy, manomboka ny alatsinainy ho avy izao. 10 141 ny isan’ny mpiadina rehetra ka 5 529 amin’ireo, eto An­tananarivo avokoa. Ma­nom­boka ny alatsinainy ary maharitra hefarana ny tapany faharoa: ny comptabilité sy ges­tion, ny commerce, ny te­chnologie, ny secrétariat… anisany amin’ny lalam-piofanana atrehina. Foibem-panadinana handray ny mpiadina ny ivontoeram-pampianarana tek­nika eto an-dRenivohitra ary efa miomana amin’ny fandaminana ny tomponandraikitra, araka ny fanazavana azo. Ity andiany faharoa ity no tena mampiavaka ny fampianarana teknika ary ambony avokoa ny «coefficient» amin’ ireo taranja isanisany mampiavaka ny “spécialité”. Efa miroso amin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ ny andiany voalohany amin’ ny fampianarana ankapobeny sy teknika kosa ireo tomponandraikitra, nanomboka anio, rehefa vita ny fifanarahana teo amin’ireo mpitsara rehetra.VonjyL’article Bakalorea teknika: 5 529 ny mpiadina eto Antananarivo a été récupéré chez Newsmada.

One Jah Mistik Fanahy: “Hiderana an’Andriamanitra ny mozika”
27/10/2020

 Rakotomanga Hasina (Sinayah) na i One Jah Mistik Fanahy, eo amin’ny tontolon’ny mozika. Niaina sy lehibe ao anaty mozika rap izay tena namolavola ny talenta ao anatiny izy. Niaraka amin’ireo zoky tamin’izany nanangana « clan », toy ny “Dix clan”. Nampivelatra ny kolontsaina rap ao anatiny ao izy io, raha ny filazany. Ny nahatonga azy hivoy manokana ilay gadona, «… satria ny tanora no tena kendrena amin’izao asa fitoriana izao. Tokony hifono hafatra, mitaiza sy manabe anefa ny mozika. Indrindra, tokony hiderana an’Andriamanitra ».Efa betsaka ny hira vita taloha, saingy tsy avoaka intsony ireny satria hiran’izao tontolo izao. Mieritreritra ny hamoaka “album” iray, mitondra ny lohateny hoe « Katolikos », ny tenany. Efa misy rindrantsary “clip” vita sy rakikira “Ho an’i Mama” miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera “facebook”, amin’izao. Marihina fa mpikambana amin’ny antoko mpihira ao amin’ny Feon’Anjomara vaovao, Ekar Kristy Mpanjaka Manjakaray, izy ary anisan’ny mpamoronkira ao. « Hanteriko fa nisafidy ny rap, ny roots, ny reggae amin’ny asa fiderana aho satria ny tanora no tena tiako hiantefan’ny antson’Andriamanitra », hoy i One Jah Mistik Fanahy.Narilala L’article One Jah Mistik Fanahy: “Hiderana an’Andriamanitra ny mozika” a été récupéré chez Newsmada.

Amparihy: telo lahy nahatrarana taolam-paty roa gony
26/10/2020

Noraisim-potsiny! Saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Taolagnaro ireo telo lahy voarohirohy amina raharaha halatra taolam-paty, ny asabotsy tolakandro teo. Raha ny fampitam-baovao nampitain’ny polisy, nandritra ny fanatanterahana ny asa fisafoana nataon’izy ireo, ny nahatrarana ireto telo lahy ireto niaraka amin’ny gony roa mampiahiahy tao Amparihy Taolagnaro tamin’io fotoana io. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavana azy ireo ny polisy raha vantany vao nahatazana ny gony nentin’izy ireo. Hita tao anatin’ireo gony miisa roa ireo ny taolam-paty lava miisa miisa 167. Nosamborina avy hatrany ireto telo lahy ary nentina nihazo ny biraon’ny polisy hanaovana fanadihadiana sy hahafantarana marina ny toerana niavian’ireto taolam-paty marobe ireto. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ity raharaha halatra taolam-paty ity.Jean ClaudeL’article Amparihy: telo lahy nahatrarana taolam-paty roa gony a été récupéré chez Newsmada.

Kolontsaina sy fialamboly: hanatanteraka “Samdi full” ny Tiagasy
27/10/2020

 Asabotsy faran’ny volana… Maro ny seho isan-karazany amin’io faran’ny herinandro io. Anisan’izany ny “Samdi Full,” hotanterahina etsy amin’ny Espace Fitiavana & Fialamboly Ambatomirahavavy RN1, ny asabotsy 31oktobra 2020 tontolo andro. Ho hita eny avokoa ny karazana fialamboly mifono kolontsaina hanalana ny sorisorin-tsaina nandritra izay volana izay, indrindra amin’izao fisokafan’ny hamehana ara-pahasalamana izao, raha ny filazan’ny tompon’andraikitra.Anisan’izany ny tontolon’ny filalaovana gitara, ny “karaoke live”, ny fanentanana sy ny fampandihizana tahaka ny “animation DJ”, sns. Eo ihany koa ny tontolon’ny fanatanjahantena toy ny basikety, ny tsipy kanetibe… Misy toeram-pilalaovana ho an’ny ankizy toy ny “château gonflable”, ny “trampoline”… Ny alina, hisy ny “soirée Halloween” sy ny “maquillage artistique” iarahana amin’ny Bis’art Design Studio.“Samdi full”, hetsika karakarain’ny Tiagasy, fikambanana ray aman-dreny sy tanora vitsivitsy misehatra amin’ny fifampitsimbinana sy ny soatoavina fifanampiana amin’ny samy Malagasy. Tanjon’izy ireo ny hanampy tsikelikely ireo ankizy sahirana amin’ny fampianarana, ny fitsaboana, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fitafy sns.NarilalaL’article Kolontsaina sy fialamboly: hanatanteraka “Samdi full” ny Tiagasy a été récupéré chez Newsmada.

Kaominina fito ao Amboasary: omena sakafo ireo olona 70 000 reraky ny hanoanana
24/10/2020

Velom-panantenana fa ho afaka amin’ny tsy fanjarian-tsakafo miteraka hanoanana lalina sy fahiazana ho an’ny ankizy ny ao Amboasary rehefa nahita ny fahatongavan’ny sakafo avy amin’ny Pam. Hisitraka izany ireo kaominina fito ao an-toerana. Tonga tsikelikely any amin’ny distrikan’Am­bo­asary any atsimon’ny Nosy ny sakafo avy amin’ny Pam entina hamatsiana ireo mponina efa reraky ny hanoanana any an-toerana. Miisa 70 000 ireo olona omena sakafo isan’andro ao anatin’ny kaominina fito ao anatin’izany distrikan’Amboasary izany. Anisan’ny misitraka ny sakafo entin’ny Pam ny kaominina Maromby, i Ranobe, i Elonty, i Tomboarivo, i Ma­ro­tsi­raka, i Mahabo ary i Tra­no­maro. Tokantrano miisa 14 000 ao anatin’ireo kaominina ireo no hizarana sakafo. Ahitana vehivavy bevohoka sy mampinono miisa 3 500 ary ankizy eo anelanelan’ny 6 ka hatramin’ny 23 volana tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mivaivay ny hahazo izany. Ity fanampiana vonjimaika entin’ny Pam any atsimo ity dia tohin’ny fanairana voarain’izy ireo indray hatramin’ny herinandro ambony iny. Efa mihatrana eny an-toerana ireo ekipa mpandrindra rehetra mitsinjara izany sakafo mi­tondra hery ho an’ireo mponina any Amboasary izany. Mitondra fanantenana sy hery ho an’ireo olona 70 000 any Amboasary, araka izany, ny fahatongavan’ny fanampi­a­na ary mifandraika amin’ny filana any an-toerana manolo­ana ny hamehana ara-tsakafo mihatra amin’ny mponina. Marihina fa nanomboka ny alatsinainy 19 oktobra, efa nisitraka sakafo mafana ara-pahasalamana mitondra hery ny mponina ao amin’ireo kaominina fito ireo. Any amin’ny fokontany Andavabazaha ko­sa, ankizy efa tena mahia sy reraky ny hanoanana noho ny tsy fahampian-tsakafo any an-toerana no nahazo hery indray rehefa notohanana sakafo. Rehefa nahazo fanairana ny Pam mikasika ireo ankizy marefo tanteraka ireo, nidina nijery haingana sy nitondra ny sakafo mitondra hery. Raha ny tatitra, mahia sy tsy ampy sakafo avokoa ny 41%-n’ny ankizy ao amin’ny kaominina 16 ao Amboasary ka anton’izao hamehana any atsimo izao.Tatiana AL’article Kaominina fito ao Amboasary: omena sakafo ireo olona 70 000 reraky ny hanoanana a été récupéré chez Newsmada.

Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina
29/10/2020

Hitohy anio eny Ambohimanarina, boriborintany fahenina hatramin’ny 30 oktobra izao ny hetsika sy tolotra ho an’ny fahasalamanana maimaim-poana ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nifarana, omaly ny teny amin’ny fokontany Soavimasoandro ary niarahana amin’ny sampana sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàna.Fidinana ifotony eo amin’ny fahasalamanaTanjona ny fidinana ifotony, fanatonana ny mponina eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Nahitana trano heva maromaro teny an-toerana, nidinan’ny ekipan’ny CSB II sy  ny kaominina. Teo koa ny fanasana ireo mpisehatra maro mpiara-miombon’antoka misahana ny fahasalamana sy sosialy nandray anjara. Anisan’izany ny fijerena sy fitiliana diabeta sy ny fiakarana tosidra, ny fitiliana VIH/SIDA, ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny.Mihaino ireo vehivavy iharan’ny herisetra koa ny polisy Nampiavaka ity hetsika ity ny fandraisan’anjaran’ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena nanentana ny ankizy tsy ampy taona sy ireo vehivavy iharan’ny herisetra mba hanatona azy ireo. Manampy izany ny fampirantiana ireo fanafody vita amin’ny akora natoraly ary ny trano heva mampahafantatra ireo mponina ny torolalana sosialy.Niara-niasa amin’ny CUA tamin’izany ny AIMF, ny « Ville de Paris » ary ny  « ISSV ».Synèse R.L’article Hetsika ara-pahasalamana – CUA: hotilina diabeta sy tosidra ny mponin’Ambohimanarina a été récupéré chez Newsmada.

Fandriampahalemana: hanampy ny Tafika an-dranomasina ny Japoney
30/10/2020

  Tonga nitsidika ny lehibe’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina, ny capitaine de vaisseau GA Jacquy Honoré, teny amin’ny toeram-piasany eny Ambohidahy, ny masoivohon’i Japon miasa eto Madagasikara, i Higuchi Yoshihiro, omaly. Votoatin’ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena malagasy sy i Japon izay efa nisy hatramin’izay. Nisongadina tamin’izany ny fiaraha-miasa amin’ny fampandriana fahalemana an-dranomasina. Misampana amin’ny sehatra marolafy rahateo ny fiaraha-miasa eo amin’i Japon sy i Madagasikara, isan’izany ny fandriampahalemana sy ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Nampahafantarin’ity masoivoho ity ny tetikasa “Initiative de l’Océan Indo-Pacifique libre et ouvert » miompana amin’ny fampanjakana ny filaminana an-dranomasina. Fanirian’i Higuchi Yoshihiro ny fifanakalozana eo amin’ny Tafika an-dranomasin’ny firenena roa tonta amin’ny alalan’ny fandalovan’ny sambo japoney eto Madagasikara. “Firenena afaka mandroso i Madagasikara noho ireo harena misy ao aminy”, hoy izy. “Mivoatra ihany koa ny iraka ankinina amin’ny Tafika an-dranomasina. Mandray endrika roa izany andraikitra izany. Eo ny andraikitra maha miaramila: ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ny fari-dranomasina ary ny toekarena: ny asa fampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny toekarena manga”, hoy ny Jly Jacquy Honoré.Jean ClaudeL’article Fandriampahalemana: hanampy ny Tafika an-dranomasina ny Japoney a été récupéré chez Newsmada.

Kardinaly Tsarahazana  –  Hevitry ny papa Fransoa: “Vaovao diso sy famitahana avo lenta ny naely” 
27/10/2020

   Nitondra fanazavana ho an’ny vahoaka sy ny kristianina, indrindra ny katolika. “Hamafiso ny finoana ary aza mihinana amam-bolony manoloana ny vaovao tsy marina niniana naely momba ny fanambaran’ny papa Fransoa”, hoy ny kardinaly Tsarahazana Désiré.    Nanao fanambarana ofisialy sy filazana momba ny hevitry ny eglizy katolika ny filohan’ny fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara, ny kardinaly Tsarahazana Désiré, omaly. Namaly ny vaovao nivoaka tamin’ny haino aman-jery vahiny nanambara fa ankatoavin’ny Papa Fransoa ny fanambadiana sivily eo amin’ny olon-droa lahy samy lahy na vavy samy vavy ny tenany. “Tsy marina velively izany fanambarana izany ary tsy niova ny fampianaran’ny fiangonana katolika momba ny fanambadian’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy”, hoy izy. Navoitran’ny papa Fransoa fa tsy tokony hafangaro ny fianakaviana araka ny sitrapon’Andiamanitra avy amin’ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy misokatra amin’ny fiterahana sy ny karazana firaisana hafa. Hita mazava tamin’ny taratasy ofisialy farany maneho ny fampianaran’ny eglizy momba io resaka io amin’ny fanentanana mitondra ny lohateny ny « Hafalian’ny fitiavana » ny 19 marsa 2016, navoakan’ny papa sady nosoniaviny.Tokony ho mailo sy ho tony…Sombin-dresaka nalaina avy amin’ny tafatafa niarahan’ny papa Fransoa tamin’ny mpanao gazety meksikanina, 18 volana lasa izay, niampy ampahan-dresaka tamin’ny mpampahalala vaovao hafa (tao anaty fiaramanidina) ny natambatra tao anaty fehezanteny ka nanova tanteraka ny hevitry ny Papa rehefa novoizina tamin’ny haino aman-jery any ivelany nandritra ny fetin’ny sarimihetsika tany Roma, ny 21 oktobra lasa teo. Nohamafisiny fa tsy marina hatrany izany rehefa mpilaza vaovao amin’ny firenena lehibe no manambara zavatra iray. Tokony ho mailo sy ho tony ny rehetra, indrindra ny mpino katolika ary izany indrindra ny nitondrany fanitsiana. “Famitahana avo lenta ny nitranga ka niteraka sahotaka sy fanehoan-kevitra maro isan-karazany”, hoy ihany izy.Maro ny olona niandry izany fanehoan-kevitra ofisialy avy amin’ny eglizy katolika izany.Vonjy A.L’article Kardinaly Tsarahazana  –  Hevitry ny papa Fransoa: “Vaovao diso sy famitahana avo lenta ny naely”  a été récupéré chez Newsmada.

Ady amin’ny kolikoly :: Nanolotra vahaolana ho an’ny Fitsarana ny HCDDED
27/10/2020

Nandroso vahaolana maromaro hoentina misoroka ny kolikoly eny anivon’ny Fitsarana ny Filankevitra ambony ho an’ny fanjakana tan-dalàna, ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana (HCDDED). Torohan’io filankevitra io mantsy « ny fahapotehan’ny Fitsarana noho ny kolikoly eto amintsika amin’izao fotoana izao ». Nandritra ny atrikasa notanterahin’ireo mpikambana eo anivon’ny HCDDED, teny Ampefiloha, omaly, no nanaingany ny minisiteran’ ny Fitsarana mba hanaparitaka ny taratasy fanentanana amin’ny fanajàna ny etika ara-maoraly hialana amin’ny kolikoly eo anivon’ireo rafi-pitsarana eto amintsika. « Eo ihany koa ny fisakanana ny kiantranoantrano amin’ny fampidirana ny fianakaviana mpitsara ao anatina rafi-pitsarana iray. Zava-dehibe koa ny fanomezana vahana ny fanatanterahana ny Dina », hoy i Imbiky Anaclet, zokiolona ao amin’ny HCDDED, izay isan’ireo nitarika ny atrikasa nitondrana ny lohahevitra « Fanjakana tsara tantana ». Efa manomboka mijery vahaolana amin’io kolikoly manimba endrika ny fianakaviamben’ny Fitsarana io ny minisitera, amin’izao fotoana izao. Isan’izany, ohatra, ny fidirana an-tsehatry ny Filankevitra ambonin’ ny mpitsara tamin’ny famindrana ny raharahana andramena niampangana mpandraharaha iray. L’article Ady amin’ny kolikoly :: Nanolotra vahaolana ho an’ny Fitsarana ny HCDDED est apparu en premier sur AoRaha.