Famakiana bantsilana ny raharaham-pirenena: mivonona ny hanenjana ireo vondron’ny mpanohitra

News - Famakiana bantsilana ny raharaham-pirenena: mivonona ny hanenjana ireo vondron’ny mpanohitra

News - Famakiana bantsilana ny raharaham-pirenena: mivonona ny hanenjana ireo vondron’ny mpanohitra

Fanambarana faharoa. “Nisy
fahadisoana ny voka-pifidianana noho ny “doublons”. Tsy ahitana
taratra ny fahaleovantenan’ny Ceni izany… Ho avy ny fotoana
hamakiana bantsilana sy hampahafantarana ampahibemaso ny vahoaka ny
tsy mety ataon’izao fitondrana izao”, hoy ny ampahan’ny
fanambaran’ireo vondron’ny olom-boafidy, ahitana ben’ny Tanàna sy
mpanolotsaina ary ny maro hafa, teny Andrainarivo, omaly.
Anisan’izany ny fanararaotam-pahefana sy ny fanitsakitsahana ny
demokrasia.  Nohitsin’izy ireo fa tsy hijanona intsony ny
hetsika ataon’izy ireo raha tsy tanteraka ny hetahetan’ny Malagasy.
Nentanin’izy ireo koa ireo olom-boafidy hafa tokony ho mpifidy ireo
loholona mba hanara-dia azy ireo amin’ny tsy handraisany anjara
amin’ny fifidianana. Anisan’ny iantefan’izany ireo voafidy amin’ny
antoko politika sy ny tsy miankina.

Synèse R.

 

Article tiré de Newsmada

L’article Famakiana bantsilana ny raharaham-pirenena: mivonona ny hanenjana ireo vondron’ny mpanohitra a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 26/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

An-tsary: fakana bahana ho an’ny eny Soamandrakizay

L’article An-tsary: fakana bahana ho an’ny eny Soamandrakizay a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

Covid 19-Afrika: nihoaran’i Egypta amin’ny isan’ny marary i Afrika Atsimo

Mihazakazaka ny fivoaran’ny tsimokaretina Coronavirus ao Egypta. Hatramin’ny omaly, nihoarany i Afrika Atsimo amin’ny isan’ny marary, ka nahatapetraka azy eo amin’ny laharana voalohany eto Afrika. Tafakatra 3 333 ny isan’ny tranga ao Egypta. Miisa 250 kosa ny maty ary 821 ireo sitrana.Tsy mifanalavitra amin-dry zareo Egyptianina i Afrika Atsimo satria miisa 3 300 ny marary any an-toerana. Mbola vitsy kosa anefa ny maty. Miisa 58 izany ary 1 055 ireo efa sitrana. Eo amin’ny laharana fahatelo i Maraoka. Manana marary 3 186, miisa 144 ny maty ary 359 ny isan’ny sitrana any amin’izy ireo.Voafehy kokoa ny coronavirus aty Afrika Manaraka azy ao i Alzeria anisan’ny firenena afrikanina be maty indrindra, hatreto. Mitotaly 384 raha toa ka 2 718 ny isan’ny marary ary 1099 ny sitrana. Any amin’ny laharana fahadimy i Kameronina, manana marary miisa 1 163, raha toa ka 43 ny maty ary 329 kosa ny sitrana. Raha oharina amin’ny kontinanta hafa, azo lazaina ho voafehy ihany ny tsimokaretina Coronavirus eto Afrika. Efa samy manana ny fanafody hanasitranana azy rahateo ny firenena tsirairay, saingy hita ho mahomby kokoa ny fanafody eto Afrika. Toy ny any Sénégal, mampiasa ny Chloroquine hitsaboana ity areti-mandoza ity.Mi.Raz L’article Covid 19-Afrika: nihoaran’i Egypta amin’ny isan’ny marary i Afrika Atsimo a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Pilo Kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Minisitry ny Fitsarana, Randrianasolo Jacques: « Miova ny fomba fiasa…Tsy azo ekena ny tsimatimanota »

“Tokony hiova ny fomba fiasa ary ho mailaka sy madio. Tsy tokony hanjaka intsony ny tsimatimanota. Hamondrona ny hery rehetra hamongorana ireny fanetriben’ny firenena ireny isika”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randrianasolo Jacques , ny alatsinainy teo.  Nitokana ny lapan’ny Fitsarana ambaratonga  voalohany ao Morombe,  faritra Atsimo Andrefana ny minisitra tamin’io fotoana io. Nambarany fa tsy maintsy manao ny ezaka rehetra ny tsirairay hialana amin’ny fomba ratsy maha voasokajy ny fitsarana ho anisan’ny lohalaharana amin’ny fanaovana kolikoly. Nitondra ny teny fankasitrahana ho an’ny Pnud ny minisitra ary nanentana ny mpiara-miasa rehetra mba hihavao toy ny fotodrafitrasa vao notokanana.Fiaraha-miasa amin’ny PnudNampitandrina ny tenany nandritra izany ny amin’ny tokony hitandrovana fatratra izao fananana iombonana izao. Tsiahivina fa simban’ny rivo-doza taona vitsy lasa ity fotodrafitrasa ity, ka nitondra ny fanavaozana tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa ny eo anivon’ny Pnud. Nohararaotin’ny minisitry ny Fitsarana koa izao diany izao, nitsidihana ny fonja tany an-toerana, ka nitafany mivantana tamin’ireo mpandraharaha ny fonja any Morombe.Anisan’ny niatrika izany ireo tompon’andraikitry ny Fitsarana isan-tsokajiny aty amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy ireo tompon’andraiki-panjakana voafidy sy voatendry any an-toerana.Synèse R. L’article Minisitry ny Fitsarana, Randrianasolo Jacques: « Miova ny fomba fiasa…Tsy azo ekena ny tsimatimanota » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Haromotana: vaksinin’alika faobe hatramin’ny alahady

Mitohy hatramin’ny alahady izao ny hetsika fanaovam-baksiny maimaim-poana ny alika sy saka, izay karakarain’ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana  ary ny jono miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Eo koa ny famorana azy ireo.Hetsika hanamarihana ny andro maneran-tany hiadiana amin’ny haromotana izany fanaovam-baksiny faobe atao amin’ny biby izany.Tanterahina amin’ny toerana maro ny hetsika. Natomboka teny Ambatobe izany, ny talata teo, nitohy teny Ampasapito tao amin’ny  kianja filalaovam-baolina ao amin’ny Lycée teknika ary teny amin’ny fokontany Analamahitsy Tanàna cite, omaly. Ho an’ny anio zoma ao amin’ny fokontany Ambatobe ny maraina  ary ao ambony avaratra kosa ny hariva. Ny asabotsy indray dia hatao eo amin’ny kianja filalaovana baskety eo Amboditsiry. Ao amin’ny biraom-pokontanin’Ankerana no hamaranana ny fanaovam-baksiny faobe amin’ny alahady.Aretina mety hahazo ny biby mafana ra ny haromotana ary mifindra amin’ny olombelona. Aretina tsy misy fanafany ka raha vao mitranga ny fambaran’aretina (na amin’ny olona na ny biby) dia mahafaty avy hatrany. Ny fanadihadiana navoakan’ny Institut Pasteur de Madagascar no milaza fa manodidina ny 50 isan-taona ny biby voamarina fa tratran’ny haromotana eto Madagasikara. Ny fanaovam-baksiny ihany no fiarovana amin’izany.Tatiana AL’article Haromotana: vaksinin’alika faobe hatramin’ny alahady a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Masoivoho japoney: mifampiankina ny fitoniana sy ny fampandrosoana

Antoky ny fandrosoan’ny firenena ny fandriampahalemana ary, rehefa milamina ny tany, tsy voatohintohina ny toekaren’izao tontolo izao. Io ny fototry ny fiaraha-miasan’i Japon amin’i Madagasikara, araka ny nohamafisin’ny ambasadaoro japoney eto amintsika, i Ichiro Ogasawara, omaly teny amin’ny trano fonenany eny Ivandry.Notanterahina, tamin’io fotoana io, ny fampahafantarana ireo endri-piaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Mifototra amin’ny antsoina hoe « Aide publique au développement » na APD izany. Notsiahivin’ny masoivoho fa nasiam-panavaozana io APD io  ny taona 2013, ary napetraka ho satan’ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana.Matetika, ao an-tsain’ny sasany fa  misy tambiny avokoa ny fanampiana avy amin’ireo firenen-dehibe. Araka ny hita ao anatin’ilay sata anefa, mifamatotra sy mifampiankina i Japon sy ireo firenena misandratra sy ireo an-dalam-pandrosoana, toa an’i Madagasikara.Raha mirongatra ny tsy fitoniana aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, hisy fiantraikany amin-dry zareo izany, araka ny voasoratra amin’ilay sata. Nomarihin’ny ambasadaoro fa tsy manana loharanon-karena voajanahary izy ireo. Miankina amin’ireo firenena manan-karena izany, toa an’i Madagasikara.Antony  hanamafisan’i Japon ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa amintsika sy amin’i Afrika, amin’ny alalan’ny Ticad na ilay fivoriambe iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana ity kaontinanta ity izany.Mivelatra ny fanampiana mivantana amin’ny alalan’ny Jica Endri-piaraha-miasa faharoa ny fanampiana mivantana, amin’ny lafiny efatra ary tanterahin’ny Jica. Maro ireo tetikasa momba ny fampandrosoana, toy ny Papriz, ao anatin’ny andiany faharoa, amin’izao fotoana izao.Eo ny tetikasa momba ny fampiroboroboana ny toekarena, amin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa, toy ny seranan-tsambon’i Toamasina. Efa vita ny 30%-n’ny asa.Manampy izany sosialy toy ny fanamboarana sekoly. Misy koa ny fandaharanasa fampiofanana ka efa nisitraka  izany ny Malagasy miisa 1 070, hatramin’ny taona 2017.Landy R.L’article Masoivoho japoney: mifampiankina ny fitoniana sy ny fampandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hafatry ny kardinaly  – Fanamasinana eveka: “Aoka ho mendrika amin’ny andraikitra nomena…”

Niampy  iray indray ny evekan’i Madagasikara.  Nanafatrafatra ny mpino sy ny vahoaka ny kardinaly Tsarahazana Desiré, tetsy Mahamasina, omaly. Nitodika amin’ny eveka mpanampy  vaovao,  ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal ny tenany nefa koa nanipy teny ho an’ny vahoaka  sy ny mpitondra.  “Aoka ho mendrika amin’ny andraikitra  nomena  sy hanana finoana… Misongadina amin’ny  hafatr’i Jesoa ny fanompoana.  Tokony hiaina izany isika.  Fanompoana  tsy izy no ataontsika ka anisan’ny mahatonga  ny  fahantrana  sy ny fahasahiranana izany. Tsy mahazaka fahoriana ny hafa… Tsy mifanompo… Zava-poana  raha tsy manompo an’Andriamanitra sy ny namana  isika  ary  arahina vavaka  izany,  araka ny hiram-pirenentsika…”, hoy izy.Mendrika amin’ny fanendrena… Nanontany tamin’ny fampianarany  ny kardinaly Tsarahazana ny amin’ny maha mendrika  na  tsia ny fanendrena ny tena. Amin’ny andraikitra rehetra io. Niaiky ny  tenany  fa misy ihany ny ahiahy, saingy misava izany rehefa  eo ny  finoana. Notsiahiviny rahateo ny teny fanevan’ny eveka vaovao eto amin’ny  arsidiosezin’Antananarivo  : “Tompo o !  ianao no itokiko”.Nialoha izany ny namakian’ny solontenan’ny Vatikana eto amintsika, ny Mgr Paolo Rocco G. ny  taratasy amin’ny teny latinina  ny fanendrena nataon’ny  papa  François ny eveka mpanampy,  Andriantsoavina ny  8 jolay  teo. Niroso tamin’ny  fametrahan-tanana  sy  fanamasinana azy, avy eo, ny eveka telo  isany  : Tsarahazana  Desiré sy  Razanakolona Odon ary Ranaivomanana  Phillipe.  Natao ny fanosorana menaka sy fametrahana ny bokin’ny evanjely teo an-dohany ary koa ny fampidirana  ny peratra. Nitohy tamin’ny fanomezana ny satroka izany ary koa nampiambozona azy ny lakroa.Nampihaonin’ny fanamasinana  ny filoha amperinasa sy ny  teo alohaNarahin’ny fanomezana tehina, mariky ny  maha mpiandry ondry. Nentina fiara nihodidina ny kianjan’i Mahamasina  avy eo  ny eveka mpanampy vaovao,  notronin’ny Mgr Razanakolona  Odona,  ho mpiara-miasa aminy  eto amin’ny diosezin’Antananarivo.Niatrika izany ny filoha Rajoelina sy ny eo anivon’ny fitondram-panjakana ary koa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo,  Ravalomanana Lalao mivady. Samy nankasitrahana  avokoa  izy ireo tamin’ny  lahateny nifandimbiasana  noho ny  fanohanana sy  fanampiana tamin’ny  hetsika natao,  omaly. Fa eo  koa  ny handraisana ny papa François, afaka iray volana  latsaka. Mbola  hifamotoana  eny Amboara, Ambohidratrimo indray ny mpino katolika, ny 25 aogositra izao amin’ny  fanamasinana pretra sy diakra. Synèse R. /  Tiana   Teraka  ny 24 marsa 1969, izany hoe 50 taona ny eveka mpanampy Andriantsoavina  Jean Pascal. Nohamasinina ho pretra, ny aogositra 2000. Ray mpiahy ny tanora sy ny FET ny tenany. Nandranto fianarana tany ampita avy eo ary nahazo ny mari-pahaizana ambony momba ny soratra Masina. Nampianatra ny fandalinana ny filozofia tao  amin’ny seminera Antsirabe . 11 taona ny naha rektoran’ny fanofanana pretra azy tany Vakinankaratra. Nitondra ny distrikan’i Imerinafovoany izy mialoha izao  fanendrena izao.  L’article Hafatry ny kardinaly  – Fanamasinana eveka: “Aoka ho mendrika amin’ny andraikitra nomena…” a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

«Can 2019»: nijery ny kianjan’i Alexandrie ny Gineanina sy ny Nizerianina

Tsy niandry ela fa iray andro monja taorian’ny fahavitan’ny antsapaka nahalalana ireo ekipa iray vondrona, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, hatao any Egypta, izany hoe : ny asabotsy lasa teo, nijery avy hatrany ny kianja hilalaovany ao Alexandrie ireo tomponandraikitra sy ny teknisianina, avy amin’ny ekipan’i Ginea Konakry sy ny Nizerianina, iray vondrona amin’ny Barea de Madagascar.Nidina nijery ifotony mihitsy izy ireo ny amin’ny toetoetry ny bozaka hilalaovana sy ny firafitry ny toerana ary ny pitsopitsony rehetra. Midika izany fa mailo tanteraka izy ireo ka mitandrina mafy, amin’ity fifanintsanana isam-bondrona ity.Raha tsiahivina, kianja anisan’ny zokiny indrindra ao Egypta ny Stade d’Alexandrie. Natsangana ny taona 1929 izany fotodrafitrasa izany, ary efa nandray ny lalao fifanintsanana, tamin’ny “Can”, notanterahina tany an-toerana, ny taona 2006.Ny taona 2009 vao nasiam-panamboarana izany kianja ao Alexandrie izany, mahazaka mpijery mihoatra ny 80.000. Bozaka natoraly no hilalaovana ao fa tsy “synthétique” akory. Kianja hilalaovan’ny Ittihad Alexandrie sy ny Al Olympi ary ny Smouha Sporting Club. TompondakaL’article «Can 2019»: nijery ny kianjan’i Alexandrie ny Gineanina sy ny Nizerianina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra sy ny “coronavirus” : Miantso vonjy amin’ny filoha Rajoelina ireo mpilalao

Tena ao anatin’ny fahasarotana tanteraka ny ankamaroan’ireo klioba amin’ny taranja baolina kitra eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Tsy vitsy ireo misedra olana ara-bola noho ny fialan’ireo orinasa manohana sy manampy azy ireo. Betsaka ihany koa ireo mpilalao sy mpanazatra no tsy manan-kohanina intsony, ma­melona vady aman-janaka, amin’ity taranja ity ny ankabetsahany, . Miantso vonjy ireo mpilalao sy ny mpanazatra manoloana ny zava-misy ankehitriny. Mitodika any amin’ny filoham-pirenena, ny mason’izy ireo amin’izao krizy ara-tsosialy mianjady amin’izy ireo izao mba hijery izay azo atao, hiatrehany ny fihiboana fa mahatsiaro mijaly ry zalahy. Tsy voaloan’ireo ekipa intsony ny karaman’ireo mpilalao ka mizotra any amin’ny lalan’ny faharavana ny klioba. Eny fa na eo aza ireo mbola hiatrika ny fifaninanam-pirenena sy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasi­kara, ho an’ity taom-pilalaovana 2020, ity. Nisy ireo filoha mpitantana ekipa nilaza fa natsahatra mihitsy aloha ny klioba, izay tsy mbola voafaritra ny fotoana hamerenana azy amin’ny laoniny. Vokatr’izany, misy ireo hiala an-daharana ka tsy hanohy intsony ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena, na hiverina aza ny fifaninanana, atsy ho atsy.TompondakaL’article Kitra sy ny “coronavirus” : Miantso vonjy amin’ny filoha Rajoelina ireo mpilalao a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ampy izay ny fampitandremana

Fandikan-dalàna no resaka eto. Tsy hoe nanaitra ihany, fa tena nanaitra mihitsy ny tatitra, miaraka amin’ny tarehimarika navoakan’ny Sampandraharaha misahana ny lozam-pifamoivoizana (Brigade des accidents) eo anivon’ny Polisim-pirenena, omaly. Tatitra sy tarehimarika mikasika ny fandikan-dalàna ataon’ny mpitondra moto, indrindra ny scooter, eto an-drenivohitra. Tao anatin’ny adiny efatra monja, fandikan-dalàna miisa 404 no voamarika. Raha lazaina amin’ny fomba hafa, fandikan-dalàna 101 isaky ny adiny iray. Ny tsy fitondrana na fanaovana aroloha (casque) no betsaka indrindra. Miisa 306. Manaraka izay ny tsy fananana na tsy fisiana fiantohana (assurance). Miisa 93. Dimy no tsy nitondra fahazoan-dalana mitondra moto…Deraina ihany aloha ny fandraisana andraikitra ataon’ny Polisim-pirenena amin’ity hoe “hetsika fanentanana sy fampianarana ho amin’ny fanarahan-dalàna” ity. Saingy, tsy vao izao, na vao omaly no tokony hahafantatra ny mpitondra moto ny amin’ny tokony hanaovana aroloha. Tsy vao izao, na vao omaly, ihany koa no tokony hahafantatra izy ireo fa tokony hanana taratasy fiantohana ny moto rehetra mifamoivoy. Tahaka izany koa ny tokony hananana taratasy fahazoan-dalana (permis de conduire), ho an’ny sokajina moto tokony hanana izany. Izany hoe, lalàna tokony ho fantatra hatry ny ela izany rehetra izany. Saingy…Tsotra ny tiana hahatongavana. Mba hasiana fetra ihany ny fanentanana sy fampianarana, mba hirosoana amin’izay ny dingana famaizana. Izany hoe fanasaziana. Ampy izay ny fampitandremana. Mba tsy ho lasa fahazarana, fahazaran-dratsy ny fampitandremana, ka raha tratra, omaly ohatra, dia hamerina indray rahampitso sy amin’ny manaraka rehetra. Ny tokony ho fantatry ny mpitondra moto, tsy ho fiarovana ny ain’izy ireo ihany no anton’izao, indrindra indrindra, ho fiarovana ny ain’ny sasany, tsy manan-tsiny eny an-dalana rehetra eny izay mety iharan’ny tsy fanarahan-dalàna ataon’izy ireo. Aoka azava ny resaka!Vao ny resaka fandikan-dalàna amin’ny moto fotsiny izay. Ny an’ny taxi-be, ny sarety sy posiposy ary ny mpivarotra amoron-dalana… Aoka fotsiny!Mamy Randrian L’article Ampy izay ny fampitandremana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Kolontsaina sy serasera: zava-bita roa notokanana ao Toamasina sy ao Fenoarivo Atsinanana
26/10/2020

Anisan’ny singa lehibe mandrafitra sy mampijoro firenena iray ny kolontsaina ao aminy. Miezaka ny manarina ny simba, mampahatsiahy ny tantara ary manasongadina izany ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Nanamarika ny faran’ny herinandro teo tao Toamasina sy tao Fenoarivo Atsinanana ny fampisongadinana sy ny fanandratana avo ny lentan’ny kanto sy ny kolontsaina malagasy. Notokanan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina ny zava-bita roa sosona. Ho an’ i Toamasina, notokanana ny mozea Vavitiana, fantatry ny maro amin’ny hoe “Maison Nathan” teo aloha. Miorina etsy amin’ny Place Bien-Aimé, Ampasimazava, rehefa nasiana fanarenana taorian’ny fahasimbany. Trano vato lehibe efa niorina hatramin’ny fanjanahantany (taona 1928) ity trano ity ary nampiasaina amin’ny fametrahana andevo mialoha ny handefasana azy ireny hamidy na atakalo.Trano ahitana efitrano lehibe ahafahan’ireo mpanankato manao fampisehoana. Ahitana fitaovana toy ny solosaina ahafahan’ny mpanao gazety mikaro-baovao. Nambaran’ny minisitry Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, rahateo, nandritra ny lahateniny, fa anatin’ny herinandro voalohany, azon’ny rehetra tsidihina ny mozea Vavitiana fa aorian’izay, hisy fandraisana anjara hahafahana mampihodina ny mozea.Fanoitra ho an’ny fampandrosoana Ny kanto sy ny kolontsaina no fanoitra ho an’ny fampandrosoana isam-paritra ary mipaka amin’ny firenena iray manotolo. Izay kosa ny nivoitra tetsy anoloan’ny Araben’ny Fahaleovantena, ao Fenoarivo Atsinanana, raha nitokana ny tsangambaton-dRabemanantsoa Bertrand (Dédé Fénerive) sy i Jean Fredy ny minisitra Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, ny asabotsy 24 oktobra maraina.Mpanankaton’ny taona 60 izy roa lahy ireto ary anisan’ny nampisongadina ny kaiamba, raha samy nivoaka avy ao amin’ny tarika Miarema. Nambaran-dramatoa minisitra fa « ny kanto sy ny kolontsaina dia ilain’ny fiainan’ny olombelona. Mivoy sy manandratra ny faritra iray sy ny firenena ary ny maha olona ihany koa. Manome fiantraikany anivon’ny rafi-piaraha-monina, ankaharezana ny malahelo. Ilain’ny manam-pahasoavana sy hanaovana fety. Ampiasaina amin’ny finoana». Anisan’ny andrarezin’ny kanto sy ny kolontsaina rahateo i Dédé Fénerive sy i Jean Fredy. I Dédé Fénerive, teraka ny 19 mey 1961 ary lavo ny 1 jolay 2017. I Jean Fredy, teraka ny 4 martsa 1962 ary lavo ny 16 mey 2001. Ny zanak’izy roa lahy ireo, efa misolo toerana ny rainy avokoa.SajoL’article Kolontsaina sy serasera: zava-bita roa notokanana ao Toamasina sy ao Fenoarivo Atsinanana a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – “Can 2022”: mpilalao telo vaovao voantso ho Barea  : Loic sy Mathyas ary Nina
23/10/2020

Fantatra avokoa ireo mpilalao nantsoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, hiatrika ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2022”.Nambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny foibe toeran’ny federasiona eny Isoraka, ny anaran’ireo mpilalao 25 mirahalahay, handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hifandona amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Can 2022”. Nisy fiovana ny Barea, tamin’ity, satria nisy mpilalao vaovao telo vao tonga ka roa avy any ivelany dia ny mpiandry tsatoby, Randriamamy Mathyas, milalao ao amin’ny PSG. Vao 17 taona monja ny tovolahy, saingy efa manana ny halavana sy ny vatana maha mpiandry tsatoby, ary efa feno traikefa. Ankoatra izany, najanona i Dabo Ibrahim ary nosoloina an’i Razakanirina Nina, hany mpilalao avy eto an-toerana, ao amin’ny Fosa Jr. Vaovao ihany koa i Loïc Lapoussin, mitana ny toeran’ny irakiraka. Nantsoina niverina ho Barea indray kosa i Dax avy atsy Afrika Atsimo sy i Njiva, milalao any Thaïlande.Nisaorana i Bakary Mario sy i Toavina Debakely izay samy niatrika ilay fiofanana natao tany Luxembourg sy ny lalao nikatrohana tamin’ny Etalons-n’i Borkina Faso. Manana olana ihany anefa ny Barea satria mety tsy ho afaka hamonjy ny lalao hikatrohana amin’i Côte d’Ivoire io i Metanire sy i Hery Bastien ary i Carolus, noho ny tsy fisian’ny sidina ao aminy. Na izany aza, efa misy ny fifampiresahana amin’ny Caf sy ny Fifa, ahafahan’izy ireo mamonjy io lalao io, izay tsiahivina fa hatao any Abidjan ny lalao mandroso ny 9 novambra ary any Toamasina ny fihaonana miverina ny 17 novambra 2020. Tompondaka Ireo mpilalao 25 lahy mandrafitra ny BareaMpiandry tsatoby :1- Melvin Adrien (FC Martigues, Frantsa)2- Razakanirina Nina (Fosa Juniors, Madagasikara)3- Randriamamy Mathyas (PSG U19, Frantsa)Vodilaharana :4- Razakanantenaina Pascal (JS St-Pierre, La Réunion)5- Jérôme Mombris (Grenoble Foot 38, Frantsa)6- Sylvio Ouassiero (CS Fola Esch, Belzika)7- Romain Metanire (Minnesota United, USA)8- Thomas Fontaine (FC Lorient, Frantsa)9- Jérémy Morel (FC Lorient, Frantsa)Irakiraka :10-Andrianantenaina Anicet (PFC Ludogorets, Bulgarie)11-Randriambololona Zotsara (FC Fleury 91, Frantsa)12-Ilahimaharitra Marco (Royal Charleroi SC, Belzika)13-Raveloson Rayan (Estac Troyes, Frantsa)14- Ibrahim Amada (Al Khor Club, Qatar)15- Bastien Hery (Linfield FC, Irlande)16- Dimitri Caloin (FC Sète, Frantsa)17- Andriamirado Arohasina Dax (Black Leopards, Afrika Atsimo)18- Loïc Lapoussin (RU Saint-Gilloise, Belzika)Lohalaharana :19- Rakotoharimalala Njiva (Nongbua Pitchaya FC, Thaïlande)20- Andriamahitsinoro Carolus (Al Qadisiya FC, Arabia Saodita)21- Ramalingom Alexandre(CS Sedan A, Frantsa)22- Hakim Abdallah (FC Swift Hesper, Belzika)23-Voavy Paulin (Misr El Makkasa, Egypta)24-Nomenjanahary Lalaina (Paris FC, Frantsa)25- William Gros (FC Fleury 91, Frantsa) L’article Kitra – “Can 2022”: mpilalao telo vaovao voantso ho Barea  : Loic sy Mathyas ary Nina a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Fahasitranana: nilalao i Abel Anicet ary nandresy 3 no ho 1 ny ekipany
27/10/2020

 Afaka hitarika ny Barea Rakapy. Niakatra kianja, ny faran’ny herinandro teo, i Abel Anicet, milalao ao amin’ny Ludogorets, any Bolgaria.Nibata avy hatrany fandresena ny ekipany tamin’izany rehefa nanamontsana ny ekipan’ny Montana, tamin’ny isa 3 no ho 1. Anisan’ny nisongadina teny ambony kianja ity mpilalaon’ny Barea ity ary tolotra tsara fipetraka avy aminy ny nampidiran’ny ekipany ny baolina iray. Efa tokony ho nahatafiditra baolina maromaro koa ny lehilahy tamin’izao lalao izao.Tsy niatrika ireo lalao fanomanantenaTsy azo ihodivirana izany fa anisan’ireo mpilalao hiatrika ny fihaonana amin’ny Elefanta Ivorianina, ny volana novambra izao, Rakapy. Tsy anisan’ireo niatrika ny lalao fanomanantena indroa miantoana, natao tany Luxembourg sy tany Maraoka, nifandonana tamin’i Borkina Faso, i Abel Anicet noho ny ratra nahazo azy teo amin’ny feny havia, tamin’ny lalao nataony tany Bolgaria. Tsy maintsy notsaboina nandritra ny telo herinandro ny tovolahy vao afaka niatrika fanazarantena. Sitrana soa aman-tsara ary izao ka niakatra kianja izao hiatrika ny fifanintsanan’ny “Can 2022”, hifandonana amin’ny Elefanta Ivorianina.Synèse R. L’article Kitra – Fahasitranana: nilalao i Abel Anicet ary nandresy 3 no ho 1 ny ekipany a été récupéré chez Newsmada.

Axian sy ADP III: tsy miankina miara-miasa ho an’ny fampandrosoana
28/10/2020

  Iray amin’ireo Tahiry lehibe mampiasa vola aty Afrika ny DPI (DevelopmentPartners International), mitantana ny ADPIII (AfricanDevelopmentPartners III). Miara-miombon’antoka amin’izany ADPIII izany izao ny vondrona Axian eto Madagasikara.Indostria 23 amina firenena 29 aty Afrika no misy fandraisana anjaran’ny DPI. Miainga avy amin’izany ny traikefany sy amina fampiasam-bola ahitana fahombiazana. Maherin’ny 1,6 miliara dolara ny tantanana amin’izany amina indostria maro, afaka mahita tombony haingana. Manaraka ny tsara vitan’ny teo aloha ny ADPIII misy ny Axian, mifantoka amin’ireo orinasa tsy miankina mandroso amin’ny fitantanana.Ny fiaraha-miasa amin’ny Axian,  manambara ny finiavana fanatanterahana ny fanovana ny toekarena aty Afrika. Manoro fomba sy lalan-tokana aty amin’ny kaontinanta ny DPI. Fampiasam-bola iombonana manome lanja ny fiarahana amin’izay hatao rehetra, amina sehatra maro. Fiaraha-miombon’antoka, hahitana fiaraha-mitantana ny tahiry iombonana, hahafahana manavao sy mitaky fampivondronana fahaizana.Ny vola miasa aty Afrika avy amin’ny ADP III, tonga any amin’ny Axian hahazoana manao tetikasa amina sehatra sy toerana maro aty Afrika. Sady mpitantana tahirim-barotra ny DPI, no tompon’andraikitra amina fampiasam-bola araka ny namaritan’ny Firenena mikambana azy. Tanjona ny fampandrosoana maharitra, misy akony ara-toekarena amin’izay mpampiasa vola.150 taona eto MadagasikaraNy vondrona Axian, mpikambana ao amin’ny UN Global Compact ( Firenena mikambana), miasa mampifandray ny sehatra maro. “Ny renivola avy aty aminay, fomba iray entina mitrandraka ny sasany amin’ireo sehatra ireo. Mihevitra izahay fa ny fahombiazana sy maharitra hita amin’ny orinasa iray, tsy afa-misaraka amin’ny maha tompon’antoka azy amin’ny fitantanana”, hoy i Hassane Muhieddine, ao amin’ny Axian.Manaporofo izany, 150 taona eto Madagasikara izao ny vondrona Axian, hita amina sehatra dimy : fanaovan-trano, fifandraisan-davitra, raharaha ara-bola, angovo, sy fanavaozana. 5000 ny mpiara-miasa aty amin’ny Ranomasimbe Indianina sy Afrika. Miara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana ny toekarena.R.MathieuL’article Axian sy ADP III: tsy miankina miara-miasa ho an’ny fampandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

Sarimihetsika-Out linemovies: hivoaka rahampitso ny “Tsiafajavona 2 lire”
26/10/2020

Ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy, hivoaka, rahampitso talata 27 oktobra, manerana ny Nosy, ny DVD « Tsiafajavona 2 lire », fizarana farany. Sarimihetsika malagasy novokarin’ny Out linemovies, tao aorian’ny “Tsiafajavona 1”, izy ity. Tantara natao ho an’ny rehetra. Mifono anatra sy lesona ary ny trangam-piarahamonina amin’ny endriny samihafa. Ao anatin’izany ny mampitebiteby sy ny mahatsikaiky isan-karazany.Maro ireo mpilalao sangany eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy hamelona ny “Tsiafajavona 2 lire”. Sarimihetsika tsy ho latsa-danja amin’ireo efa nivoaka hatramin’izay ihany koa raha ny fanomanana sy ny fanatontosana azy. Manamafy izany rahateo ny fandraisana anjaran’ireo mpilalao efa za-draharaha tsara amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy, raha ny filazan’ny Out linemovies.“Raha fintinina ny tantara, niezaka nandamina ny olana eo aminy i Tanjona sy Razily ary i Menja. Kanefa, etsy ankilany, tsy nanaiky hatramin’ny farany i Velo fa nitady izay fomba rehetra hanapotehana ny fianakavian’i Tanjona sy i Navela, ary nitady hevitra hiarahana amin’i Zily”, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra.NarilalaL’article Sarimihetsika-Out linemovies: hivoaka rahampitso ny “Tsiafajavona 2 lire” a été récupéré chez Newsmada.

Tsy mitovy ny fototra niaingana: miteraka resabe ny fanarahana fomba
23/10/2020

Mibahan-toerana ao anaty « facebook” indray ny fanarahana ny fomba amam-panao malagasy. Tsikaritra fa ampifandonina amin’ny fomba amam-panao na amina finoana nampidirin’ny vahiny eto izy io. Hatreto anefa, sarotra ny handravona ho iray ny hevitra mipoitra amin’ny tranga tahaka itony satria tsy mitovy ny fototra niaingana. Ao ireo mankahala mafy ny fomba amam-panao malagasy noho ny tsy fananana na ny tsy fahampian’ny fahalalana momba izany. Misy koa ny manosika sy mandà mafy ireo fombam-bahiny noho ny fahitana sy ny fahenoana ary ny fahalalana tantara…Ny tsy azo hadinoina, nanana hevi-dalina ny fampiharana ny « zarazarao hanjakana ». Tsy tokony hiaina intsony ao anatin’izany ny fomba amam-panao malagasy. Manjary mitarika any amin’ny fahalemen’ny kolontsaina malagasy iray manontolo mihitsy ny fisian’io paikadin’ny mpanjakazaka an-tanin’olona io raha mbola tazana amin’izao vanim-potoana fiverenana eny an-doharano izao!HaRy RazafindrakotoL’article Tsy mitovy ny fototra niaingana: miteraka resabe ny fanarahana fomba a été récupéré chez Newsmada.

Famine : D’espoir et d’eau fraîche dans le sud malgache
28/10/2020

Une femme en chaise roulante et son enfant, dans un des fokotany de la commune d’Andranohinaly. La famine qui frappe le sud de Madagascar est en train de faire braquer le regard du monde entier vers le présent et l’avenir de milliers de personnes affamées depuis les environs de Toliara, jusqu’à Amboasary, Ampanihy, etc. Des décès et des centaines de déplacés sont comptés depuis plusieurs semaines. « Seulement de l’eau », cette phrase s’entend dans la bouche de toutes les personnes à qui on demande quelle est la meilleure solution pour combattre le « kere », la famine. Cette période d’extrême disette, qui frappe de sud depuis des lustres. Connu aussi sous le nom d’« arikatoke », à partir du mois d’octobre, plutôt cette année, des centaines de personnes se déplacent vers des terres et des localités plus généreuses. Quand les pluies arrivent, ils reviennent chez eux. Ensuite, tout le monde accourt. L’Etat, les diverses organismes internationaux, les associations de tous bords, les particuliers au grand cœur… mais l’aspiration de ceux qui viennent du sud reste la même depuis des lustres, « seulement de l’eau ». Un puits peut sauver un village, « seulement de l’eau ». Face à la sécheresse, cause de la famine récurrente,  qui sévit sans aucune forme de pitié, plusieurs questions méritent maintenant d’être posées et d’en trouver des premières pistes de réponse. Si les régions comme l’Androy ou l’Atsimo-Andrefana attirent des milliers de touristes, n’est-il pas venu le temps de se demander : « quels sont profits entraînés par le tourisme ? ». Selon les chiffres, la part de cette partie de Madagascar représenterait plus de 38 % de la demande touristique. Un part de marché conséquent, dont les probables retombées, aurait déjà pu inspirer à pouvoir commencer un effort de développement dans ces confins sans eau ni nourriture. La deuxième question est de savoir « quelle est l’importance de l’aide internationale ? ». Depuis les gouvernements successifs, le Sud est, qu’on le veuille ou non, un aimant à aides. Qu’il faut aussi faire la distinction entre les aides aide d’urgence (produits de consommation, vivres, etc.) et aide destinée à des investissements techniques, etc. Il faut remonter à plusieurs décennies pour pouvoir faire le calcul exact des montants déjà alloués à cette partie de la Grande Île. Mais, le constat est dur. Des morts, la famine chronique, la sécheresse, les terres arides… restent le lot annuel d’Ambovombe, d’Amboasary, d’Ejeda, d’Ampanihy et d’autres régions sévèrement affamées. Il est aussi temps de se tourner vers le ciel : la météo. Si jamais, le réchauffement climatique pourrait aggraver encore plus la pluviométrie. Selon des spécialistes, le nombre des enfants touchés par la famine atteindrait les 35 000. ces statistiques pourraient augmenter face aux changements environnementaux. Un avenir qui s’éloigne en rapprochant l’obscurité. Cependant, au contact de ses mères, de ses hommes, de ses enfants toujours souriants, que la fin n’éreinte en rien la dignité… l’espoir semble toujours être de mise. Comme un sniper fou, le « kere » abat un à un les plus vulnérables, ou bien laisse des blessures à vie : la résignation chez les proches des décédés. Maminirina Rado L’article Famine : D’espoir et d’eau fraîche dans le sud malgache est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Famine : D’espoir et d’eau fraîche dans le sud malgache a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fiaraha-miasan’ny UE : nahazo fotodrafitrasa ny eny Ampitatafika
24/10/2020

Notokanana, omaly, ireo fo­todrafitrasa miisa fito ao amin’ ny kaominina Ampitatafika sy ny eny Alakamisy, distrikan’ Atsimondrano. Anisan’izany ny fanavaozana ny tsena, ny efitrano fivarotana miisa 10 sy ny tranoheva lehibe roa, etsy Ampita­tafika. Eo ny lalana 1 km 400 mampitohy an’Ankadintany sy Avarajorozo. Nampiana efatra kosa ny efitrano fianarana ao amin’ny CEG Antanety, Alaka­misy Fenoarivo. Ny fahavitan’ ny lalana « pavet » mampitohy an’Andohony sy Antanety, mi­refy 720 m. Natao tahaka izany koa ny tahala eo amin’ny tsena sy ny lakandrano, anariana ny rano maloto. Nametrahana toeram-pivoahana koa izany. Niara-niasa amin’izany ny ONG Ketsa. Teo koa ny fanohanan’ny Von­drona eoropeanina (UE) sy ny fikambanana MSIS Tatao. Natao mangarahara ny nananganana izany ary nandray anjara ny manampahefana sy ny eny ifotony. Mampivoatra ny andavanandron’ny mponina ireo fotodrafitrasa ireo. Mamaly ny hetaheta eny ifotony kosa ny kaominina. Napetraka koa ny rafitra ho fitandroana sy ho fitantanana ny fotodrafitrasa ho tombontsoan’ny maro. Ao anatin’izany ny fampandraisana andraikitra ireo mponina, hitandro hatrany ny fotodrafitrasa, araka ny lahateny nifandimbiasana.Synèse R.L’article Fiaraha-miasan’ny UE : nahazo fotodrafitrasa ny eny Ampitatafika a été récupéré chez Newsmada.

Faribolana Sandratra: tontosa ny « Résidence poétique »
26/10/2020

Tontosa, ny asabotsy 24 oktobra teo, tany Manjakandriana, ny fihaonambe poetika na ny « résidence poétique », nataon’ny Faribolana Sandratra. 62 ireo mpiray faribolana avy amin’ny sampana manerana ny Nosy. Fotoana nandinihana ny fanatsarana sy ny pitsompitson-javatra tokony hotanterahin’ny rehetra. Ny maraina, nanterin-dRanöe fa tsy fikambanana fa “Faribolana” ny Sandratra. Miara-midinika, manapa-kevitra, miara-matanteraka, mifandranitra mba hampisandratra ny zavakanto, tsy ekena ny gaboraraka amin’ny fomba fisainana ho an’ny olona mikirakira haisoratra ».Ny hariva kosa, niompana tamin’ny famoaham-boky Edisiona Sandratra ny dinika.               “ Ampirisihina isika mpiray faribolana hiditra ao anatin’ny Omda. Heverin’ny olona ho ny hira ihany ny zavakanto kanefa be dia be ny mpangalatra asa soratra etsy sy eroa”, hoy i Nalisoa Ravalitera. Nofaranany tamin’ny “Zara fahalalana” hampiakatra avo kokoa ny lentan-tsoratry ny mpiray faribolana izany.Nangonin’i HaRy Razafindrakoto L’article Faribolana Sandratra: tontosa ny « Résidence poétique » a été récupéré chez Newsmada.

Sidina avy any ivelany : mikatona indray ny any Nosy Be
24/10/2020

Noho ny tahotra ny Covid-19, sidina avy amina firenena folo voararan’ny ACM (Avi­a­tion civile de Madagascar) tsy hiditra eto Madagasikara amin’ izao fotoana izao. Voakasika amin’izany didy izany: i Fran­tsa, i Belzika, i Alemaina, i Es­paina, i Italia, i Holandy, i Po­lo­na, i Angletera, i Ukraine, ary i Rosia. Tena voakasik’izany ireo sidina mankany No­sy Be, izay vao nosokafana ny 1 ok­tobra teo ho fanarenana ny fizahantany. Tsiahivina ko­sa fa ny 1 novambra ny sidina farany fampodiana an-tanindrazana. Fotoana farany ny alakamisy hariva 22 oktobra teo, no­sakanana ny mpandeha 24 avy any Paris ho any Nosy Be, saika hiampita ao La Réunion. Tsy faly ireo mpandeha ireo sa­tria tsy fantatra mialoha ny fepetra noraisina. Tsy vitsy ihany koa ireo mpitantana ho­tely mpandray vahiny any No­sy Be naneho ny tsy fankatoavany izao fepetra izao, mampihemotra indray ny fizahantany. Manamarina ny fepetra noraisin’ny fanjakana ny mi­ni­sitry ny Fitaterana sy ny fizahantany, Randriamandran­to Richard, nanambara ny tsy fankatoavana ny mety mbola hiverenan’ny aretina Covid-19. Izany hoe, araka ny nambaran’ny minisitra, efa resy izany io aretina io eto an-toerana.R.MathieuL’article Sidina avy any ivelany : mikatona indray ny any Nosy Be a été récupéré chez Newsmada.

Akoor’digue sy ny CUA: fotodrafitrasa maro no nohavaozina sy naorina
29/10/2020

Na teo aza ny valanaretina covid-19 nitondra fahasahiranana ho an’ny orinasa maro. Tsy nataon’ny Akoor’digue Centre commericial tsy hanao zavatra akory izany. Nisy ny zava-bita… Niova endrika ny eny amin’ny lalana vahilava na ny « digue » mihazo an’Ivato. Nisy ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa eny an-toerana notontosain’ny Akoor’Digue Centre Commercial niara-niasa tamin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany. Nohamafisina tamin’ny alalan’ny rary vato ny sisin’ny « digue », miainga eo amin’ny kianjan’ny Maki ka hatreny amin’ny hopitaly Manara-penitra. Napetraka ihany koa ireo jiro miisa 20 mahery mandeha amin’ny herin’ny masoandro mba hisorohana ny tsy fandriampahalemana amin’ny alina eny amin’iny lalana iny. Fanitaran-dalana (voie de dégagement en pavé) mba hisorohana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny amin’iny faritra iny izany. Natsangana ihany koa ny toerana ahafahan’ny olona mipetraka miandry ny fandalovan’ny « Bus » na ny « abribus » manara-penitra ahitana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, izay hirehitra hariva mandra-maraina. Novelomina ihany koa ireo fampahafantarana ny fitsipiky ny fifamoivoizana misoritra amin’ny tany na ny « marquages au sol ». Nasiana ihany koa ny « trottoir » voaaro amina andrim-bato iva ho an’ny mpandeha an-tongotra.Ankoatra ireo asa, izay nampahafantarina, omaly, ny fahavitany, nomarihin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Akoor’digue ihany koa fa mitohy hatrany ireo hetsika efa nataon’izy ireo hatramin’izay. Anisan’izany ny fampiasana ny toerana ahafahana mialavoly. Ny fanatanterahana ny Halloween ny 31 oktobra, ny « Black Friday » ny 27 ka hatramin’ny 29 novambra izao, sns. Nampatsiahivin’ny tompon’andraikitry ny serasera sy ny « marketing » eo anivon’ny Akoor’digue ihany koa ny fitsanganan’ireo orinasa sy sehatra vaovao eo amin’ity « Centre commercial” ity. Anisan’izany ny KFC, ny Ymagoo, ny Geox : chaussure, sns.HaRy RazafindrakotoL’article Akoor’digue sy ny CUA: fotodrafitrasa maro no nohavaozina sy naorina a été récupéré chez Newsmada.

Fanafihana miharo fandrobana: avotra ireo takalonaina efa-mianaka, tafaverina ny vola 11 tapitrisa Ar
23/10/2020

Taorian’ny fifandonana tamin’ireo zandary sy ireo jiolahy mpanao fanafihana, avotra teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy avokoa ireo efa-mianaka voatafika. Tranga niseho tao amin’ny fokontany Andranomaria, kaominina Tsiafajavona, ny 21 oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 1 ora maraina.Tafaverina koa ny vola mitentina 11 tapitrisa Ar voaroban’ireo olon-dratsy.Ankehitriny, jiolahy miisa roa voasambotra. Isan’izany ilay nanao fanamiana mpiandry fonja sy nitondra basy poleta vita gasy. Tratra, omaly maraina, kosa ny namany iray hafa raha mbola karohina ireo afa-nandositra.Tsiahivina fa niditra an-keriny tao amina tokantrano iray ireo jiolahy efa-dahy. Nilaza ho nirahin’ny sefo fokontany ireo olon-dratsy ka nandroba ireo vola mitentina 11 tapitrisa Ar tamin’ireo tompon-trano. Mbola nentin’ireo jiolahy koa ny raim-pianakaviana sy ireo zanany telo hahazoana vola ankoatra izay efa lasany. Teny an-dalana anefa, tafaporitsaka ireo zanaky ny tompon-trano ka nampandre avy hatrany ny zandary. Vokany, nidina teny an-toerana ny zandary avy ao Ambatolampy. Nanao sakana ihany koa ireo zandarimarian’Ambohimandroso sy Ambatotsipihina. Vokany, raikitra ny fifandonana sy ny fifampitolomana. Voasambotra  ny jiolahy iray raha tafaporitsaka ny telo hafa. Taorian’ny fikarohana kosa, tratra omaly ny lehilahy iray hafa. Mbola karohina ireo namany roa. Henintsoa HaniL’article Fanafihana miharo fandrobana: avotra ireo takalonaina efa-mianaka, tafaverina ny vola 11 tapitrisa Ar a été récupéré chez Newsmada.