Fakana an-keriny :: Avotra ilay zaza, telo taona, lasan’olon-dratsy

News - Fakana an-keriny :: Avotra ilay zaza, telo taona, lasan’olon-dratsy

News - Fakana an-keriny :: Avotra ilay zaza, telo taona, lasan’olon-dratsy

Votsotra afak’omaly, teo am-pelan-tanan’ny jiolahy, ilay zazavavy kely, telo taona, nisy naka an-keriny tany Marotaolana-Tsiafabositra, any Maevatanàna tamin’ny 2 jolay lasa teo. Tany Mahitsy tao amin’ny mpivady iray no hita ilay zaza.

Vokatry ny fisamborana ny iray tamin’ireo jiolahy naka an-keriny nataon’ireo zandary tany Ankazobe, afak’omaly, no niafara tamin’izao fahatrarana an’ireo jiolahy izao.

“Nahazo vaovao tamin’olona izahay hoe any Antokonana-Irindra, any Tsaramasoandro, ny iray tamin’ireo mpaka an-keriny saingy efa niova anarana. Rehefa nidina tany an-toerana izahay dia tratra tokoa ilay olona. Tamin’ny famotorana no nanekeny fa nisy tokoa ny fakàna an-keriny. Izy ihany koa no nanoro ny toerana misy ny zaza. Tany Mahitsy no napetrany ilay zaza, tao amin’olona mpivady iray. Samy efa voasambotra avokoa izy ireo”, araka ny fantatra.

L’article Fakana an-keriny :: Avotra ilay zaza, telo taona, lasan’olon-dratsy est apparu en premier sur AoRaha.

Nivoaka tamin'ny : 29/07/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kitra – PSG (3) – (0) Leipzig: niteraka savorovoro tao Paris ny fandresena

Voalohany teo amin’ny tantaran’ny Paris St Germain no hiatrika ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa ry zareo Parizianina. 50 taona aty aoriana vao tonga eo amin’izany dingana izany ry zareo, taorian’ny nandreseny tamin’ny isa mazava 3 no ho 0 ny RB Leipzig, teo amin’ny manasa-dalana. Baolina nampidirin’i Marquinos, teo amin’ny minitra faha-13 sy ny an’i Di Maria minitra faha- 42 ary nofaranan’i Juan Bernat, minitra faha-56.Nanoloana ity fandresena goavana ity, nivoaka naneho ny hafaliany nanerana ny arabe tao Paris, Renivohitra ireo vahoaka frantsay nampaneno ny “klaxon” n’ny fiarany. Nitsoka anjomara sy kiririoka nandihy sy nitandahatra namonjy ny Champs Elysées ireo vahoaka analinkisa.Voatery niditra an-tsehatra ny polisy nandamina ka nandefa entona mandatsa-dranomaso hanaparitahana ireo vahoaka nifaly. Teo no nahatezitra ireo mpomba ny PSG ka nahatonga azy ireo nanimba ny fiaran’ireo mpitandro filaminana sy nitora-bato azy ireo. Nanoloana izany, nisy ireo olona nosamborina, nanao fanararaotana sy namboly fanakorontanana. Na teo aza izany, tsy nisy ny aina nafoy teo amin’ny roa tonta.Tsy nanafina ny hafaliany i Nasser Al-Khelaifi, filoha mpitantana ny ekipan’ny PSG, taorian’ity fandresena ity ka nanambara fa nahavita dingana goavana ny Paris St Germain, saingy tsy mbola vita ny lalao fa mila mibata ny amboara amin’ny famaranana, hatao ny alahady ho avy izao. TompondakaL’article Kitra – PSG (3) – (0) Leipzig: niteraka savorovoro tao Paris ny fandresena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fetin’ny Fahaleovantena; mpianatra 5 000 naneho ny talentany 

Ho fankalazana ny faha-59 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, nikarakara hetsika natokana ho an’ny ankizy sy ny tanora ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Tanora,omaly teny Mahamasina.  Tanora sy mpianatra manodidina ny 5 000  no nandray anjara ka nandraisan’ireo CEG sy lycée teo anivon’ireo CISCO ato anatin’ny Dren Analamanga. Fanaovana fitafy mampiavaka ny faritra (DREN) 22 no nanamarihana izany. Nisy koa ny diaben’ny tanora sy ny ankizy nanodidina ny kianjan’i Mahamasina sy ny fampisehoana dihy isam-paritra tao amin’ny kianja mitafo. Ankoatra izay, misy fikambanana tanora samihafa ihany koa nitondra ny talentany nanafana ny lanonana tamin’ny alalan’ny dihy mirindra (flashmob), araka ny fanazavan’ny talen’ny fampiroboroboana ny fialamboly ao amin’ny minisiteran’ny Tanora, Razafindraibe Herisoa.Tao anatin’ny tapany faharoa tamin’ny hetsika ny famaranana ilay fifaninanana « foot de l’indépéndance » ho an’ny ankizy sy ny tanora vehivavy. Hetsika nokarakarain’ny komity nasionaly miaraka amin’ny governemanta malagasy ary notohanan’ny Fondation Telma.Vonjy A. L’article Fetin’ny Fahaleovantena; mpianatra 5 000 naneho ny talentany  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tao anatin’ny fito volana: ankizivavy nanaraka lehilahy ny ankamaroan’ireo tsy hita

Hatramin’ny niandohan’ny taona, nahatratra 400 latsaka ireo ankizy tsy hita. Isa izay hifangaroan’ny sokajin-taona isan-karazany. « Hatreto, mbola ireo adolantsento, eo anelanelan’ny 14 ka hatramin’ny 18 taona no tena betsaka tsy hita.  Ary tovovavy ny ankamaroan’ireo andraisana fitarainana. Antony voalohany amin’izany ny fanarahana lehilahy », hoy ny fanazavan’ny kaomisera Ranaivoson Alexandre. Eo amin’ilay taona misandratra fitiavana ireo tanora ka manaotao foana. Ireo tovolahy indray kosa, misy ireo miaraka amin’ireo namany ka tsy hita tampoka. Mahavoasazy anefa ny famantarana fa any amina olona ilay ankizy tsy hita, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Tranga iray mpiseho matetika koa ireo ankizy miasa aman’olona ka mandositra tampoka ary tsy hita intsony.Ho an’ireo ankizy 6 taona ka hatramin’ny 14 taona indray, misy ireo mandao ny tranony noho ny fahatahorana amin’ny zavatra nataony. Eo koa ny fisarahan’ny ray aman-dreny, hoy izy. Samy mihevitra ny rainy na ny reniny fa any amin’ny iray amin’izy roa ilay ankizy kanjo tsy any amin’izy ireo. « Ireny indray matetika any amin’ny havany ireo ankizy rehefa mitsoaka », hoy hatrany io tompon’andraikitry ny seraseran’ny polisim-pirenena io.Ho an’ireo ankizy kely hatramin’ny 6 taona indray, misy ireo mandeha miantsena miaraka amin’ny ray aman-dreniny dia tsy hita. Eo koa ireo bedy ka mandao ny tokantrano misy azy. Mbola mananosarotra anefa ny fitadiavana ireo ankizy very. Misy ireo ray aman-dreny mampahafantatra ny polisy ilay tranga ary tsy mampilaza rehefa hita ireo ankizy. Tsara kosa anefa ireo manao filazana ao amin’ny tambajotran-tserasera sy mametaka peta-drindrina ary koa mampilaza ny polisy. Afaka manao fampilazana ny tranga any amin’ny onjampeom-pirenena ireny ary manamora ny fitadiavana ilay ankizy izany. Henintsoa HaniL’article Tao anatin’ny fito volana: ankizivavy nanaraka lehilahy ny ankamaroan’ireo tsy hita a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby – «Top 20 Analamanga»: tsy tonga ny UASC sy ny SOE

Nitohy ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Alarobia ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Top 20”, hiatrehana ny fifaninanana eto amin’ny ligin’Analamanga. Fihaonana, nokarakarain’ny Malagasy Rugby, noho ny tsy fahazoan’ny mpitantana ny ligy, manatanteraka izany.Lalao dimy no voalahatra, saingy ny telo ihany no tontosa, tamin’izany. Tsy tonga niatrika ny fihaonana, ny UASC Cheminots (Besetroka) sy ny Stade Olympique de l’Emyrne (SOE).Raha tsiahivina, tokony hifanehatra tamin’ny Uscar, ny Besetroka ary ny 3FAI Ambalavao Isotry kosa tokony hikatroka tamin’ny Stade. Araka izany, samy “forfait”, avokoa izy roa tonta ireo. Tsy fantatra aloha, ny antony tsy nanatrehan’ireo fileovana roa tonta ireo, izany lalao izany.Toy izao kosa ireo vokatra hafa, resin’ny Savony, tamin’ny isa 39 no ho 23 ny UIRC. Tsy mbola afa-bela tamin-dry zareo STM indray izany teto ny fivondronana Kely. Lavon’ny US Ikopa, tamin’ny isa, 28 no ho 24 kosa ny Mangart ary nomontsanin’ny XV Avenir, tamin’ny isa mavesatra, 14 no ho 0 ny AFA Ankazomanga. TompondakaL’article Rugby – «Top 20 Analamanga»: tsy tonga ny UASC sy ny SOE a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Asan-dahalo tany Miandrivazo :: Olona dimy namoy ny ainy, may ny tanàna manontolo

Mahery vaika ny asan-dahalo nitranga tany Miandrivazo farany teo. Niharan’ny fanafihana niharo vono olona sy herisetra ary fandrobàna goavana ny tanàna iray any Ambilorano, tamin’ny 15 jolay lasa teo. Nodoran’ireo daholo ny trano am-polony maro tao amin’ilay toerana. Novonoiny ny telo tamin’ ireo fokonolona. Omby anjatony no lasa ka tsy mbola misy tafaverina. Nahalavo roa lahy tamin’ireo mpanafika ihany koa ny fokonolona. Tsy mbola nahitam-bokany ny fanarahandia nifarimbonan’ny zandary sy ny tafika am-polony maro, hatramin’ny omaly. «  Tokony ho tamin’ny 5 ora maraina ireo dahalo manodidina ny efapolo mitondra basy no namahatra tamin’ny tanàna antsoina hoe Gara, ao anatin’ny fokontany Ambilorano, tamin’ny alarobia 15 jolay 2020. Nisy ny fifandonana tamin’ireo fokonolona satria tsy nanaiky lembenana ireto farany. Vokany, olona telo no maty avy amin’ireo mponina. Nisy roa hafa tamin’ireo dahalo no lavo avy amin’ny tifitr’ireo fokonolona ihany koa. Ankoatra izay dia nisy olona telo avy amin’ny fokonolona no naratra », hoy ny loharanom-baovao nitatitra an’ity zava-niseho tany an-toerana ity. Fanenjehana an-tongotra Nahazo antso ny Zandarimaria tany Ankavandra, taorian’izay, nilaza ny fisian’io fanafihana io. Nidina tany amin’ilay toerana ireo mpitandro filaminana notarihin’ny manamboninahitra iray. Niaraka taminy ny zandary sy tafika am-polony maro. « Eo am-panaovana hetsika miaramila fampandrian-tany, any Itondy, ireo mpitandro filaminana ireo no natodi-doha any amin’io toerana io, vantany vao henonay ny fanafihana », hoy ny lehiben’ny Zandarimaria any Menabe. Mifampitady amin’ireo dahalo any an-tampon-tanety sy havoana ary renirano ireo mpitandro filaminana ireo, izay mandeha an-tongotra tsy miato, hatramin’ny omaly. Tsy nahenoam-baovao izy ireo, hatreto. Ny hany fantatra dia toa hoe efa nizarazara ireo dahalo mitondra omby an-jatony ireo. Azo antoka kosa fa samy tsy mbola misy miala an-daharana na ireo fokonolona na ireo mpitandro filaminana manenjika an’ireo jiolahy. L’article Asan-dahalo tany Miandrivazo :: Olona dimy namoy ny ainy, may ny tanàna manontolo est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Tantaram-pirenena: 28 taona ny “Raharaha 10 aogositra 1991”

 Mandeha ny fotoana. 28 taona izay ny “Raharaha 10 aogositra”, asabotsy toy izao. Efa zary hadino? Na odian-tsy hita sy tsy fantatra… Tsy misy hetsika manokana intsony ho fahatsiarovana izany. Toa tian’ny sasany hofafana aza? Nitondra ho amin’ny Repoblika III ny hetsi-bahoaka tamin’ny 91, nipoiran’iny hoe “Diaben’ny Fahafahana” iny.Io hetsika io no noheverina hamaranana ny fitakiana, nanomboka teny amin’ny kianja Coum, 67 ha, ny 1 mey 1991: ny fanovana ny lalàmpanorenana, ny fialan’ny filoha Ratsiraka… Ny hametrahany fialana rahateo ny hoe anton’ny “Diaben’ny Fahafahana”, nangatahin’ny solontenan’ny Hery Velona Rasalama fifampidinihana taminy.Nitarika izany, niainga teny amin’ny kianjan’ny 13 mey hamonjy ny lapam-panjakana Iavoloha, ny Pr Zafy Albert sy ny pasitera Andriamanjato Richard ary ny jeneraly Rakotoarisoa Jean. Na marobe aza ny vahoaka nandeha tamin’ny hetsika sy tamina tanam-polo, tsy araka izay niheverana azy ny niafaran’ny raharaha.Nisy ny famonoana vahoaka Tsy nisy izay fametraham-pialan’ny filoha Ratsiraka; eny, na ny hoe fifampidinihana taminy aza. Vao taty amin’ny 1,5 km alohan’ny sampanan-dalana ho any amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ohatra: niraraka ny toraka pilotra nataon’ny Antandroy voakarama manokana. Vokatr’izany, nikoropaka sy niparitaka nandositra ny olona.Kinanjo, nisy ireo nipoahan’ny vanja nilevina teny an-tanimbary. Nanidina teny amin’ny habakabaka ny helikoptera tamin’izany, noheverin’ny maro fa nitsoahan’ny filoha Ratsiraka… niala. Kinanjo, tifitra sy fandatsahana grenady no nitranga. Fantatra fa anisan’ny nokendrena tamin’izany ny fiara miloko mainty nisy ny Pr Zafy Albert.Nisy koa fibaikoana miaramila hitifitra ny tongotry ny mpanao fihetsiketsehana: nisy naratra, nisy maty… Teo koa, ohatra, ny fanenjehana sy ny fitifirana olona, na efa nitodi-doha nody aza. Nisy filazana hoe teo ny fanasana ny arabe nihosin-dra, ny fisavana trano manodidina ny alin’iny; eny, na ny hoe fisian’ny lavaka nanaovana fandevenana faobe aza…Inona ny marina? Tsy azo kosehina eo amin’ny tantaram-pirenena ny “Raharaha 10 aogositra”: mila fikarohana, famoahana ny marina…R.Nd.L’article Tantaram-pirenena: 28 taona ny “Raharaha 10 aogositra 1991” a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Isandra : 16 lahy mitazona kalach nanafika sy nandoro trano

Amin’ny sivy ora maraina no nitranga ny fanafihana ny alarobia teo. Vatan-dehilahy miisa 16 izay mitazona fitaovam-piadiana mahery vaika kalachnikovs no tompon’antoka tamin’izany. Nasesin’izy ireo ny trano maromaro tao amin’ny fokontany antsoina hoe Ambatolahinandriana, ao amn’ny kaominina Fanjakana, eo anivon’ny distrikan’Isandra. Rehefa vita ny fandrobàna dia nasesin’izy ireo indray ny fandorana ireo trano. Izany no niainan’ny olona monina tao amin’io fokontany io. Raha ny tomban’ireo olona dia manodidina ny 20 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy ary manginy fotsiny ny entana isan-karazany izay nobataina. Hatramin’ny fitaovam-piadiana izay mba notehirizin’ny olona aza mba hiarovan-tena dia lasa tao ihany koa. Tamin’ity tranga ity dia tsy nisy nampandre ny mpitandro ny filaminana raha tsy ny ampitso tolakandron’ny nitrangan’ny fanafihana. Teo vao natao ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy saingy tsy nahitam-bokany intsony izany. Tsy misy azon’ny fokonolona natao manoloana ny isan’ireo olon-dratsy, indrindra koa miaraka amin’ny basy kalachnikovs izay teny an-tananan’izy ireo. Sarotra ny miady amin’izany ary na ny mpitandro ny filaminana aza, raha vitsy an’isa dia ho sahirana koa ny hifanehatra amin’ny 16 lahy mitazona kalachnikovs izany. Ahoana no hahazoan’ny dahalo fitaovam-piadiana mitovy lenta amin’ny ampiasain’ny mpitandro filaminana? Raha mbola mitohy hatrany ny fiparitahan’ireny basy ireny dia tsy ho voafehy mihitsy ny filaminana eto amin’ny nosy. Mila fantarina ny isan’ny basy tsirairay avy sy ny toerana na toby misy azy ireny mba hamantarana koa izay mety ho tompon’andraikitra rehefa misy basy hita na voageja. Ny olana mantsy dia lasa sorona hatrany ny vahoaka noho ny goragora ary na ny zandary izay alefa miady any anaty akata aza dia lasa manao vy very ny ainy satria sady vitsyizy nefa manana fitaovam-piadiana mitovy amin’ny ampiasain’izy ireo ny dahalo enjehiny, ary mbola maro noho izany aza. Hatreto, ny tsikaritra dia ny vahaolana avy amin’ny fampiasana teknolojia kokoa no haroson’ny politika mba hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Sao kosa dia ny rafitra misy no tokony hovaina. Atao izay hanampiana an’isa ny mpitandro ny filaminana tena midina an-tsehatra any ambanivolo any ary ahena ireo miambina toby fotsiny, miandry faran’ny volana fotsiny. D.RL’article Isandra : 16 lahy mitazona kalach nanafika sy nandoro trano a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Instat: mila volabe ny fanaovana antontanisa

Tombantombana no betsaka momba ny antontanisa eto Madagasikara. Tsy misy tarehimarika azo antoka, na ny isan’ny mponina aza. Koa raha tiana ny hampandroso ny toekarena, tsy maintsy ilaina ny antontanisa hamaritana ny tokony hatao. “Ny antontanisa no fototra iaingana eo amin’ny toekarena, nefa ny zava-misy samy manao fanadihadiana izay tandrify azy ny rehetra, minisitera sy sampandraharaha samihafa, ka tsy mety izay. Noho izany, mila arindra ny asa rehetra momba ny antontanisa, araka ny fenitra iraisam-pirenena”, hoy ny tale jeneralin’ny Instat*, Romalahy Isoara Zefania.Rehefa samy mamoaka antontanisa ny rehetra, sarotra ny ahafantarana ny tena marina, lasa tombantombana no betsaka. Mahakasika ny isan’ny mponina, ohatra, firy marina, 20, 23, 25 tapitrisa ? Tsy misy afaka manamarina izany. Koa nampahatsiahy ny lalàna vaovao, navoaka ny taona 2018, ny ao amin’ny Instat ny tokony hanomezana Tahiry manokana hiasana ho an’ny fitrandrahana antontanisa (FDS)*.Mila volabe ny fanaovana antontanisa, indrindra fa midadasika i Madagasikara, sarotra ny lalana fandehanana any amin’ny faritra maro sy fitaovana hoenti-miasa ho amin’izany. Fanangonana antontanisa tsy ataotao foana “1+1”, ohatra, fa mitaky teknika sy kajy samihafa hoenti-manatanteraka azy. Noho izany, ilaina ihany koa ny olona manampahaizana momba izany amin’izao andron’ny fivoaran’ny teknolojia izao.“Hatramin’izay, miankin-doha…”“Hatramin’izay miankin-doha amin’ny hafa momba ny famatsiam-bola ny Instat vao afaka manao ny asany, nefa miteraka lesoka lehibe izany raha mbola izay hatrany ny fomba fiasa”, hoy ny tale jeneralin’ny Instat. Mahaleotena afaka miasa tsara ny Instat rehefa manana io tetibolany io. Miainga avy amin’izany ny amoahana isaky ny roa na telo taona ny tahan’ny tsy fananan’asa, tahan’ny fahantrana, sns … Ahafahana mamaritra tetikasa mazava sy tetibola mifanaraka amin’izany ny fahalalana ireo. Hatramin’izay anefa ny Instat, sampana iray ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola. R.Mathieu Instat* : Institut national de la statistiqueFDS* : Fond de développement de la statistiqueL’article Instat: mila volabe ny fanaovana antontanisa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Anatihazo Isotry: olona efatra indray maty kilan’ny afo

Nijoalajoala ny afo! Olona efatra indray kilan’ny afo nandritra ny haintrano mahatsiravina teny Anatihazo Isotry, ny alin’ny alahady teo. Araka ny tatitra nampitain’ny eo anivon’ny sampana mpamonjy voina, renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany telo ireto kila hotohoton’ny afo ka indray niara-maty tao. Tamin’ny 9 ora alina no niantomboka ny afo izay tsy fantatra mazava ny fiantombohany fa ny afo efa nijoalajoala niainga avy amin’ny tokantrano iray no nahataitra ireo olona eo amin’ny manodidina. Tsy mbola voafaritra kosa ny isan’ireo trano may fa fotoana fohy taorian’ny firehetana, tonga haingana teny an-toerana nanao ny famonjana ny fiarabe roa niaraka amin’ireo mpamonjy voina. Efa maty ny afo tamin’ny fahatongavan’ireo mpamonjy voina teny an-toerana satria niezaka namono ny afo ireo olona eny an-toerana mandra-pahatonga ny mpamonjy voina. Nandritra ny fisavana tao anatin’ireo trano levon’ny afo ny nahitana ny fatin’ireo niharam-boina. Renim-pianakaviana 28 taona sy zazalahikely 8 taona sy zazavavikely 7 sy 5 taona. Nohamafisin’ny loharanom-baovao hafa fa nisy olona roa hafa niaraka amin’izy ireo, saingy tafavoakan’ny fokonolona ka avotra soa aman-tsara fa izy efa-mianaka no levon’ny afo tao nandritra ny firehetana.Jean ClaudeL’article Anatihazo Isotry: olona efatra indray maty kilan’ny afo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mahajanga: hamaky ady amin’ny kolikoly ny zandary

Notanterahina, ny alatsinainy lasa teo tao amin’ny Toby Kly Jean Philippe ao Mahajanga, ny fivoriana niarahana tamin’ireo “commandants d’unité” ao anatin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria ao Boeny, notarihin’ny Kly kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandarimaria ao Mahajanga. Ity fivoriana ity izay nandinihana sy nijerena paikady hanatsarana ny fomba fiasa sy ny fahaiza-manao hametrahana fandriampahalemana maharitra ao Boeny sy hiadiana amin’ny kolikoly. Nilaza ireo teo anivon’ny kaomadin’ny tobim-paritra fa vonona hanatsara ny fomba hiarovana ny vahoaka ny fananany.J.CL’article Mahajanga: hamaky ady amin’ny kolikoly ny zandary a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

«Paramédicaux»: Sesilany ny fivoriambe isan-tendro
24/10/2020

Mahatsiaro ho ankilabao ireo «paramédicaux» nanao ny ainy tsy ho zavatra nandritra ireny valanaretina nivaivay teto amin’ny firenena ireny satria maro ireo milaza fa tsy mbola nandray ny vola tokony ho anjarany. Hisy ny fivoriambe hatao isan-tendro hataon’izy ireo hifampizarana ny zava-misy sy ny dingana fangatahana iza­ny vola tambin’ny niasana mafy izany. Notanterahina ny 22 oktobra teo ny fivoriambe ho an’ ny any Soalala. Hanatanteraka ny azy, rahampitso, ny any Fa­ratsiho ary amin’ny alatsinainy ny any Anosibe an’Ala. Ny 30 oktobra kosa no hivory ireo “paramédicaux” any Am­batolampy, any Arivonimamo ary any Miarinarivo. Mitohy izany ho an’i Manja amin’ny faran’ny volana oktobra izao. Araka ny baikon’ny mpitarika fikambanan’ny “paramédicaux”, tsy hisy ny fangatahana alalana amin’ny ambaratonga amin’ny toerana misy azy ireo. Tsy maintsy hatao ko­sa ny fampahafantarana amin’ ny lehibe isan’ambaratonga mi­kasika ny fivoriana hatao. “Manan-jo hivory izahay ka hanatanteraka izany ha­mon­dronana ny hery sy hanamafisana ny fitakiana fa tsy hatao vato natsindry ahazana ka atsipy rehefa vita ny nilana anay”, hoy ireo “paramédicaux”.Tatiana AL’article «Paramédicaux»: Sesilany ny fivoriambe isan-tendro a été récupéré chez Newsmada.

Indray mijery
23/10/2020

 Notokanana omaly ny birao vaovaon’ny Federasiona Malagasy Afovoany (FMC) an’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito etsy Soamanandrariny. Toerana natao hampivoarana ny maha olona sy ara-panahy ary hampandrosoana ny firenena ity natsangana ity. Nitokana izany ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ary nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fiangonana advantista amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fampivoarana ny maha olona.Mitohy ny hetsika fanangonam-boky ataon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena izay nanomboka ny 22 ka hatramin’ny 24 oktobra izao. Hetsika hanairana ny sain’ny ankizy ho tia mamaky boky sy hanovo fahalalana anaty boky no tanjona. Ho an’ireo manana karazam-boky fianarana na fialamboly dia afaka manolotra izany ho azo ampiasain’ny ankizy hafa indray. Haparitaka amin’ny sekoly manerana ny Nosy ny boky voaangona hositrahin’ireo ankizy indrindra any amin’ny faritra lavitra andriana. Hangarahara tanteraka ny fitsinjarana izany.L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa: nanome vola iadiana amin’ny Covid-19 ny Frantsay
27/10/2020

   Mitentina 1,5 tapitrisa euros na 6 miliara Ar ny fitambaran’ny vola avy amin’ny Frantsay, nanaovana sonia fifanarahana vola natrehin’ny masoivoho frantsay sy ny Agence française de développement sy ny vondrona ONG roa, soloin’ny Action Action contre la faim et humanité sy ny Inclusion, tena omaly.Entina hanampiana ny fanamafisana ny hetsika hamongorana ny valanaretina Covid-19 ny vola nomena.Tanjon’ity fanohanana ity ny hitondra firaisankina, fiaraha-miasa mivaingana ary eo no ho eo, ao anatin’ny fanomezan-toky sy ny fanohanan’i Frantsa ny vahoaka malagasy. Hanampy amin’ny fampihenana ny taham-pahafatesana noho ny valanaretina ireo fikambanana hiantsehatra amin’ny asa. Eo koa ny fanalefahana ny fiantraikan’ny valanaretina amin’ny sosialy.Manampy ny vondrona ONG roa hamaly amin’ny fomba haingana sy mifanaraka amin’ny filàna ankehitriny ny zavatra hatao. Iandraiketan’ny vondrona Action contre la faim, ny Action socio-sanitaire organisation secours, ny Care, ny Médecins du Monde ny asa miaraka amin’ny tetikasa Setriny amin’ny krizy ara-pahasalamana….Ny tetikasa “Miaro tena aho, ho fiarovako ny hafa” (Mitehafa) ataon’ny vondrona Humanité sy Inclusion, ny Douleurs sans frontières ary ny SOS Village d’Enfants kosa, hanampy amin’ny fandrindrana ny fihetsika manoloana ny valanaretina.Ho voakasiky ny asa ao anatin’ity tohana ity ireo olona maherin’ny 80 0000. Anisan’izany ny mpiasan’ny fahasalamana 1 034, ny mpiasa ny fampianarana 10 921, ny mpianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra, 66 400.Eo koa ny olona misitraka hetsika fanentanana, fanohanana haipisaina sy hetsipon’ny fiarahamonina sy ny fanohanana hahalala momba ny aretina amin’ny fanabeazana. Tsy hadinoina ireo marary 387 natoka-monina miisa 830 sy ny mpisehatra momba ny firaisa-monina hanenika ny faritra 11 laharam-pahamehana eto Madagasikara. Miparitaka amin’ny faritra Analamanga, Analanjirofo, Androy, Anosy, Atsimo-Andrefana, Atsinanana, i Boeny, i Bongolava, i Diana, Itasy ary i Vakinankaratra ny asa hatao.Tatiana AL’article Fiaraha-miasa: nanome vola iadiana amin’ny Covid-19 ny Frantsay a été récupéré chez Newsmada.

Amnesty International: « Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja… »
27/10/2020

 Nampahatsiahy sady nitaky. “Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja”, hoy ny eo anivon’ny Amnesty, araka ny fanambarana nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra tamin’izany fa tena mitarazoka ny fanatanterahana ny fampanantenan’ny filoha Rajoelina Andry momba ireo voafonja. Notsiahivin’ny Amnesty International ny fitsidihan’ny filoham-pirenena teny amin’ny fonjan’Antanimora, herintaona tahaka izao, ny 31 okotobra 2019.Hentitra ny tenany tamin’izany manoloana ireo fepetra samihafa tokony hapetraka, ho fitsinjovana ny zon’ny voafonja sy ireo voatana vonjimaika am-ponja.Natsidiny tamin’izany ny amin’ny hanamboarana toeram-pamonjana vaovao. Efa an-dalana ny asa fanorenana eny Imeritsiatosika. Manampy izany ny namotsorana voafonja maromaro tamin’izany.Miisa 88 ireo gadra nandositra…Tsiahivina fa miisa 82 ireo fonja manerana ny Nosy ary manodidina ny 10 000 ireo voafonja zakan’ireo toeram-pamonjana ireo. Avo telo heny, maherin’ny 27 000, anefa ireo tanana vonjimaika am-ponja sy voampanga ka manefa ny saziny, amin’izao fotoana izao. Voatazona vonjimaika ny 54% amin’izy ireo noho ny fandikan-dalàna madinidinika. Anisan’ny antony mahatonga ny fandosiran’ireo gadra miisa 88 izany tamin’ity taona ity. Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny 22 tamin’izany, tany Farafangana.Synèse R. L’article Amnesty International: « Tokony hafainganina ny fitsarana ireo voafonja… » a été récupéré chez Newsmada.

Eran-tany
28/10/2020

Nampihena betsaka ny fampiasam-bola maneran-tany tamin’ity taona ity ny fisian’ny aretina Covid-19. Nihena -30 % izany hatramin’ny 40 %, araka ny fanamarinana navoakan’ny sampana ao amin’ny Firenena mikambana misahana ny varotra sy ny fampandrosoana, Cnuced (Conférence des Nations unies pour le commerce et le développement). Raha ny nambaran’ny Cnuced aza, latsaka – 49 % mihitsy tamin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity izany raha ampitahana tamin’ny taon-dasa. Voakasika daholo izay mety sehatra tokony nampiasam-bola.Nifanaraka i Japana sy Angletera hanatevina ny fifanakalozana ara-barotra aorian’izao Coronavirus izao. Mihevitra ny hampitombo izany fifanakalozana izany ho 50 % ny firenena roa tonta. Hifanakalozana amin’izany ny sehatry ny teknolojia vaovao, ny kojakojana fiarakodia, hatramin’ny fromazy. Mitovitovy amin’izany koa ny fifanarahana eo amin’i Japana sy ny Vondrona eoropeanina, fifanakalozana mitentina 16,8 miliara dolara. Mijery sy mamaritra lavitra i Japana, manao fifanarahana manokana amin’i Angleteera noho ny fisintahan’ity firenena ity amina Vondrona eoropeanina (Brexit).Loza mitatao amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny fiovan’ny toetr’andro, ka hivadika tsikelikely miova amin’ny fampiasana solika ny kandida Joe Biden, any Etazonia. Nanambara ny finiavany amin’izany ny kandida filoha amerikanina, izay toherin’ny mpifaninana aminy, Donald Trump, filoha ankehitriny. Mihevitra hanapotika ny indostria momba ny solika ny kandida Joe Biden. Tsy laviny ny fanovàna miandalana amin’ny indostria momba ny solika ,  izay mbola iankinan’ny toekarena betsaka ankehitriny.  Koa miteraka fatiantoka ho an’ny firenena maro ny fiovana miala amin’ny solika.L’article Eran-tany a été récupéré chez Newsmada.

Minisitry ny Fahasalamana: « Tsy azo ekena ny kolikoly »
27/10/2020

  Nitsidika ny faritra Betsiboka, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Rakotovao Jean Louis. Nitondra fanafody sy fitaovana hanatsarana ny tolotra fahasalamana any an-toerana ny tenany. Nahitana “table d’examen gynécologique”, “concentrateur d’oxygène”… “moustiquaire” niaraka amin’ny fitaovana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana sy kojakoja fiarovana entina miady amin’ny tsimokaretina Covid-19 izany. Nandalo teny amin’ny CSB U sy ny Hopitaly (CHRR) any Maevatanàna koa izy ary nohamafisiny nandritra ny tafa mivantana amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana fa laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly ho an’ny rafitry ny fahasalamana misy rehetra. “Tsy handefitra ny minisitera raha mahita tranga mifandraika amin’izany », hoy izy. Amin’ny tolotra fahasalamana koa, zava-dehibe ny fitandroana ny maha olona amin’ny fandraisana sy mandritra ny fijanonan’ny marary eny amin’ny tobim-pahasalamana. Manana mponina 413 115 ny faritra Betsiboka ary 41,7% ny tahan’ny fanatonan’ny olona tobim-pahasalamana sy hopitaly nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny septambra lasa teo. Misokatra avokoa ny CSB 59 rehetra manerana ny kaominina rehetra.Nandritra ny fandalovan’ny minisitra tany Maevatanàna ihany koa no nametrahany ny samboadin’ireo ben’ny Tanàna rehetra ao amin’ny kaominina manerana ireo distrika telo mandrafitra ny faritra Betsiboka. Minisitra mpiahy iny faritra iny ny tenany.VonjyA.L’article Minisitry ny Fahasalamana: « Tsy azo ekena ny kolikoly » a été récupéré chez Newsmada.

Trano narodana tetsy Antohomadinika: olona 7 tototry ny tany, 3 naratra mafy  
23/10/2020

 Ankoatra ilay lehilahy tsy nahatsiaro tena tototry ny ranontany, nianjeran’ilay rindrin-trano eny Antohomadinika Atsimo, omaly, tsy latsaky ny dimy ireo olona naratra. Voa mafy tamin’izany ny olona telo.Nitera-doza ny fandravana trano lehibe iray etsy Antohomadinika Atsimo, omaly maraina manodidina ny tamin’ny 8 ora. Nirodana tampoka ny rindrin-trano ka nianjeran’izany avokoa ny mpiasa sy ireo mpaka ranontany tao anatiny. Vokany, olona miisa fito naratra raha telo hafa naratra mafy. Lehilahy iray kosa tsy nahatsiaro tena ary voatery nalefa mihitsy teny amin’ny HJRA. Vokatry ny tsy fahaiza-manaon’ireo mpiasa tao anatiny ny nahatonga ny loza, raha ny filazan’ireo mponina eny an-toerana. « Mbola tsy tonga teny an-toerana ny tompon’andraikitra ny fandravana ilay tranobe. Ireo mpiasa tsotra sy ireo mpaka ranontany no efa niatrana teny an-toerana nanao ny asany avy. Antony nahatonga ny loza. Teny an-toerana ihany koa ny sarety miisa roa saika nitaterana ireo ranontany », hoy ny fanazavan-dRafaliarisoa Tsilavimandresy, sefo fokontany eny Antohomadinika Atsimo. « Nianjera tampoka ilay lavarangana amin’ny “béton” ka nilatsaka tamin’ireo sarety roa. Taorian’izay, nianjera tampoka sy nirodana koa ny rindrina ka nilatsahan’izany ireo mpaka ranontany », hoy ny filazan’ny mpivarotra iray eny an-toerana. Voa teo amin’ny tarehiny, ny tanany, ny tongony avokoa ny ankamaroan’ireo olona naratra. “Lehilahy iray kosa nalaina tao ambanin’ny tany ary nalemilemy tanteraka”, hoy hatrany ny fanazavany.Tsy tonga teny amin’ny fokontanyTaorian’ny loza, niray hina niara-namoaka ireo tototry ny ranontany ny fokonolona sy ireo avy ao amin’ny BMH. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa efa herinandro omaly ny fandrodanana natao. Tsy tonga eny amin’ny fokontany ny taratasy fangatahana mahakasika izany. « Ny fampahafantarana izany no tonga eto aminay fa tsy nisy fangatahana natao », hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny fokontany.“Tsy mahafantatra koa ny fisian’ireo mpaka ranontany teny an-toerana ilay teratany vahiny, tompon’ilay trano narodana nefa nanolotra fanampiana ireo niharam-boina eny amin’ny hopitaly izy”, hoy ireo mpivarotra eny an-toerana. Marihina fa olona avy eny Antohomadinika ireo mpikarama naka ranontany. Hamidiny indray izany avy eo hanotofana ireo tokotanin’olona. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola azo ivarotana manoloana ilay trano narodana hisorohana ny loza hafa. Ireo mpivarotra kosa, mitaraina ho tsy mahita toeran-kaleha hanaovany ny asany.Henintsoa HaniL’article Trano narodana tetsy Antohomadinika: olona 7 tototry ny tany, 3 naratra mafy   a été récupéré chez Newsmada.

Famerenan-kasina an’Antananarivo: nofanina hampihatra ny CMH ireo mpisehatra rehetra
23/10/2020

Hitohy, anio, rehefa nanomboka, omaly etsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely, ny fanofanana ireo tompon’andraikitra rehetra ho amin’ny fampiharana ny Fehezam-pitsipika monisipaly fikoloam-pahasalamana (CMH), eto Antananarivo Renivohitra. Anisan’ny niatrika izany ireo olom-boafidy eo anivon’ny kaominina, ny depiote sy ny solontena avy amin’ny vaomiera eny anivon’ny parlemanta, tafiditra ao anatin’izany. Eo koa ireo solontena avy amin’ny minisitera, voakasika amin’izany, manoloana ny tranga eny anivon’ny fiarahamonina sy ny fiatrehana izany.Anisan’ny iompanan’ny fanofanana ny fampahafantarana ny momba ireo andininy samihafa manoloana ny tranga mety hiseho.Fanovana sy fanitsiana ny vola aloa amin’ny sazyNy fomba fampiharana ny CMH amin’izany. Voaresaka koa ny andraikitra sy ny anjara birikin’ireo olom-boafidy sy ny mpanatanteraka amin’ity fehezam-pitsipika ity.Efa nitondran’ny eo anivon’ny mpanolotsaina fanovana sy fanitsiana ny ampahany sasany amin’ny CMH, tamin’ny fivorian’ny filankevitra farany teo. Tafiditra ao anatin’izany ny momba ireo sazy manoloana ny mety ho fihoaram-pefy na ny tsy fanarahana izany fitsipika izany.Tsiahivina fa anisan’ny manohana sy nampanao izao fanofanana izao ny eo anivon’ny Friedrich-Ebert-Stiftung (FES).Synèse R.L’article Famerenan-kasina an’Antananarivo: nofanina hampihatra ny CMH ireo mpisehatra rehetra a été récupéré chez Newsmada.

The little corner: hikalo hiram-pitiavana i Farakely
28/10/2020

 Hitondra ny « Hivetso Hafaliana», ny asabotsy 31 okobtra ho avy izao, manomboka amin’ny 11 ora sy sasany antoandro eny amin’ny toeram-pialamboly The Little Corner Ambatomirahavavy i Farakely. Ho an’ireo efa mpankafy ny talentany, io no azo lazaina fa fihaonan’ny tia sy manina ka iaraha-mikalo amin’i Farakely ireo vazo efa tsy afaka am-bavan’ny maro toy ny «Tsy foiko ianao» « Ny akaikinao», « Samy tiako ianareo», « Voady», «Rotsirotsy», sy ny maro hafa.« Hizara fitiavana sy hafaliana amin’ny alalan’ny hira milantolanto ho an’ny olon-drehetra taorian’iny fihibohana iny no antony nahatonga ny safidy  haka an’i Farakely hanafana ny fety », hoy ny mpikarakara. Hampiala voly ny rehetra sy ampahafantatra ny fisian’ny toerana no tena tanjona. Raha ny fanazavana voaray, maro ny mpanakanto efa nampiseho ny talentany tao taorian’ny nisokafany tamin’ny fomba ôfisialy. Ankoatra ny seho iarahana amin’i Farakely, karazan-dalao fialamboly maro no efa nomanin’ny mpikarakara ka samy hahazo ny anjarany ny tsirairay. Ho faranana amin’ny fiaraha-mikorana iarahana amin’ny mpikosoka kapila ny fotoana.NarilalaL’article The little corner: hikalo hiram-pitiavana i Farakely a été récupéré chez Newsmada.

Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz»
29/10/2020

 Seho efa fanao any ivelany ny « Jeudi du jazz ». I Solo Andrianasolo kosa no nitondra sy namelona azy teto an-tanindrazana, raha vao tonga izy. Fantatra, omaly fa hamerina ny hetsika « Jeudi du Jazz » indray ity mpanakanto ity, ny 5 novambra izao ka ao amin’ny Le 5ème Element , etsy Ankadivato no hanatanterahany izany. « Tena jazz standard zakan’ny sofina sy hakana tsirony ho an’ny mpihaino no hatao fa tsy ilay jazz ho an’ny mpitendry. Jazz manadio sofina », hoy izy. Hiaraka hitendry aminy amin’io i July Rakoto (piano électrique Fender Rhodes), i Martin Randriamampianina (contrebass) ary i Mihaja Rakotoarisoa (batterie).Efa nataon’i Solo Andrianasolo io fiarahana io tamin’ny taona 2003 niverenany nody teto  an-tanindrazana. Tao amin’ny Sweety Home Ambatoroka, nifindra tao amin’ny Restaurant Ny Avo Ambatoroka… Ankehitriny, ao amin’ny Le 5ème Element »Nanjary nanao « Jeudi du Jazz » ny ankamaroan’ny toerana fanaovana lanonana sy fisakafoana taty aoriana. « Fahafinaretana ho ahy ny fahitana an’izany », hoy i Solo Andrianasolo.HaRy RazafindrakotoL’article Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz» a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Fikatonan’ny sisintany: Afa miditra eto ny Elefanta Ivoarianina saingy manaraka fepetra
29/10/2020

   Azo antoka fa hotanterahina eto Madagasikara ny lalao miverina hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Can 2022. Tsy misy intsony ny fisalasalana fa hatao eto Madagasikara ihany ny fihaonana miverina eo amin’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Lalao tafiditra amin’ny andro fahefatra amin’ny fifanintsanana ho an’ny Can 2022. Araka ny fanambarana nataon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), nomen’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM), fahazoan-dalana manokana hiditra eto Madagasikara ny delegasiona ivoarianina, na mbola mikatona aza ny sisin-tanin’i Madagasikara. Raha tsy misy ny fiovana, ho tonga ny 15 novambra, ho avy izao ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ka fiaramanidina manokana Airbus no hitondra azy ireo.Mety hiaraka higadona eto avokoa ny ekipa roa tonta satria avy hatrany hamonjy an’i Madagasikara izy ireo, raha vantany vao ho vita ny lalao mandroso, hatao ny 14 novambra ho avy izao.Nahazo fankatoavana avy amin’ny FifaNa izany aza, tsy maintsy misy hatrany ny fitiliana sy ny fizahana ara-pahasalamana atao amin’ireo mpilalao rehetra sy ny mpikambana rehetra ao anatin’ny delegasiona, mialoha sy mandritra ary aorian’ny baikon’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf). Tsiahivina fa hatao any amin’ny kianja Stadium Barikadimy Toamasina, ny talata 17 novambra 2020, amin’ny 4 ora tolakandro io lalao miverina eo amin’ny roa tonta io. Marihina fa efa nahazo fankatoavana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa) io fotodrafitrasa any amin’ny faritra atsinanana io. Ankoatra izay, tsy hihoatra ny 5000 ny totalin’ny olona afaka miditra ao anaty kianja, hanatrika io fihaonana miverina io.Efa nalefan’ny federasiona malagasy ny baolina kitra any amin’ny Caf sy ny federasiona ivoarianina (Fif) ny valin-teny momba io fahazoan-dalana manokana hidiran’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire eto Madagasikara io.  TompondakaL’article Kitra – Fikatonan’ny sisintany: Afa miditra eto ny Elefanta Ivoarianina saingy manaraka fepetra a été récupéré chez Newsmada.

Tambavy CVO sy ATA: manana tahiry iatrehana ny filana ny Imra
23/10/2020

Afaka mampitombo ny hery fiarovana ny CVO ankoatra ny fitsaboana ny Covid-19 ampiasana azy eny amin’ny tobim-pahasalamana. “Tsy mamokatra CVO intsony ny Insititut malgache de recherches appliquées (Imra), amin’izao fotoana izao, fa ampy iatrehana ny filana ny tahiry ao amin’izy ireo”, hoy ny tale jeneraliny, ny dokotera Andrianjara Charles, omaly teny Avarabohitra Itaosy. Vonona sy ampy ny tahiry amin’ny CVO raha sanatria ka miverina miparitaka indray eto amintsika ny valanaretina Coronavirus. Tokony hanohy ny fiarovantena sy ny fiarovana ny ankohonany ny rehetra ary hanaja ny fepetra ara-pahasalamana. Mila ampiana tosika koa ny hery fiarovana ka mety ny fisotroana ny tambavy nohavaozina CVO ho an’ny olona mahazaka izany, araka ny fanazavany ihany. Ho an’ny sokajin’olona tsy mahazaka ny CVO, efa namokatra ny ATA ny Imra, samy novolavolaina iadiana amin’ny Covid-19 avokoa ireo. Mahomby amin’ny fitsaboana ny aretin’ny taovam-pisefoana ny ATA raha mahery vaika hanoherana ny tsimokaretina ny CVO. Hatreto, tsy nahitana fiantraikany hafa amin’ny vatan’ny olona mihinana azy ny ATA. Mety hampiakatra ny haavon’ny tosidra sy hahafanina eo amin’izay mampiasa azy kosa ny CVO, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitsabo. Samy tsy voatondro hampiasa azy ireo kosa ny vehivavy mitondra vohoka sy ny mampinono. Tsy mety ho an’ny olona manana tosidra ambony sy ireo manana toe-tena diabetika tsy voaara-maso ny CVO. Efa notsinjaraina eny amin’ny toeram-pivarotana fanafody sy eny amin’ny tsena ireo vokatra roa ireo novolavolaina iadiana amin’ny Coronavirus.Momba ny vidin’ny CVO izay tafidina hatramin’ny 300 Ar ny tavoahangy iray eny amin’ny tsena, efa manakaiky ny fe-potoana ahazoana mampiasa ka nalefan’ny mpivarotra varoboba hisorohana ny fanariana azy fotsiny. Tsy misy idiran’ny Imra ny raharaha satria 1 500 Ar ihany ny hivarotan’izy ireo ny CVO miainga ao aminy.Tsy mandray anjara amin’ny famokarana ny CVO pilina sy tsindrona kosa ny Imra fa ny  ivontoerana fampiharana ny fikarohana momba ny fanafody (Cnarp) sy ny mpiray ombon’antoka hafa no misehatra amin’io sokajy io.Vonjy A.L’article Tambavy CVO sy ATA: manana tahiry iatrehana ny filana ny Imra a été récupéré chez Newsmada.