FAKAFAKA: nihinana ny bemanaikiny!

News - FAKAFAKA: nihinana ny bemanaikiny!

News - FAKAFAKA: nihinana ny bemanaikiny!

Mahavariana tanteraka ny mandinika
ny fahaizan’ny Malagasy nandrindra ny fiainany fahiny. Nampiasaina
avokoa rehefa lamina voajanahary. Iray amin’ireny ny bemanaiky.
Rehefa ilaina ny fankatoavana izay heverina fa mahasoa, omena ny
hasina sahaza azy ny bemanaiky, tsy nisy ny nitsivalam-pandry. Na
hazo na tany no nampiasana fahiny, efa bemanaiky avokoa ny
iantsoana ireo. Fa ny bemanaiky ankehitriny, tsy latsaka anaty
akory satria sarotra atelina kanefa faran’izay mandaitra sy
manan-kery amina sehatra maro. Anisan’ny mahita faisana amin’izany
ilay fanahy maha olona.

Vola, vola, vola… Izy io no nanjary
bemanaiky ho an’ny ankehitriny. Lafo ambongadiny ilay fanahy
mampiavaka ny olona amin’ny biby. Toa nanjary voasandan’ny vola
avokoa ny zava-drehetra. Tafiditra isan-tsehatra ity bemanaiky
niova endrika ity. Eny, voavidiny hatramin’ny feon’ny
fieritreretana. Tsy mahay mamantatra intsony ny tsara sy ny ratsy
ny olona. Mandrangaranga ny herin’ny vola ho fitaovana
hoenti-mandresy ny marina, ny rariny ary ny hitsiny.

Io vola nanjary bemanaiky io no
anisan’ny mahavery fanahy ny olona maro. Very fanahy ka sahy
mandatsaka aina. Very fanahy ka lasa miraviravy tanana manoloana ny
tsy mety. Very fanahy ka sahy manitsaka ny namana, ny havana, ny
mpiara-miasa, ny mpiraitampo, sns, eo an-tampon-doha… Very fanahy
ka hatahorana hivadika biby, sanatriavin’ny vava miteny!

Raha mbola io bemanaiky amin’ny
endriny vaovao io no mibahana sy omen-danja ao anatin’ny
fiarahamonina malagasy fa tsy ilay fanahy maha olona intsony, azo
inoana fa tsy ho lasa lavitra i Madagasikara. Ho potika tanteraka
ny maha Malagasy ny Malagasy (ny taniny, ny fombany, ny finoany, ny
kolontsainy, ny maha firenena azy, ny hareny…).

… Mahavariana fa na efa esoin’ny
vahiny amina karazana anarana sy teny hafahafa (firenena
moramorainy, firenena mpankatoa foana…) aza ny Malagasy sy i
Madagasikara, mbola tsy mahatsapa ihany fa mitady hivadika landemy
(anaran-kazo hoentina miteraka fahalemena) mihitsy ange
 Ravola Bemanaiky e!

Na bemanaiky na landemy, hain’ny
Malagasy tsara ny mifanandrina amin’ireo. Noho izany, mila sy
mitafy fahalalana nananan’ny Malagasy fahiny ny ankehitriny vao
tafaverina amin’ny fanahy no maha olona. Fiverenana eny
an-doharano!

HaRy
Razafindrakoto

Article tiré de Newsmada

L’article FAKAFAKA: nihinana ny bemanaikiny! a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Mahavita tena ara-tsakafo

Anisan’ny voasoratra ao anaty boky mena nosoratan’ny filoha Ratsiraka ny hoe : « ny firenena matanjaka amin’ny taona 2000 dia izay firenena mahavita tena ara-tsakafo ary manondrana ny ambim-bavany any ivelany ». Mazava tsy misy ampina na analana io teny io, fa anjarantsika ny mijery raha tanteraka tokoa na tsia, na zary mijanona ho kabary tsara lahatra, toy ny mahazatra. Hatramin’izao, manafatra vary any ivelany i Madagasikara, sady lafo ny vidiny ho an’ny sarambabembahoaka, satria miaina anaty fahantrana ny 85%-n’ny Malagasy. Na izany aza, somary nihena kely ny vidiny amin’izao fotoana ao anatin’ny fararano izao. Tsara rahateo ny vokatra satria tsy nisy loatra ny tondradrano nanapotika ny tanimbary tamin’ny fotoam-pahavaratra teo.Fototry ny fahazoana voka-bary tsara ny fanajariana ny lemaka, ny fitantanana ny rano, ny fampiasana masomboly tsara sy zezika ampy. Eo koa ny fampiasana fitaovam -pambolena nohatsaraina sy mekanika. Mila vola hoenti-manana ho ampy anefa izany rehetra izany. Mahantra ny Malagasy ka tsy manana ny hoenti-manana sahaza amin’izany. Tsy misy ny antontanisa tena mazava, mamaritra ny masonkarena amin’ny tanimbary 1 ha eto amintsika. Tsy natao ho an’ny rehetra ny fampindramam-bola, satria tsy manana antoka koa ny ankamaroan’ny tantsaha, fa ny matanjaka ihany no afaka manao izany. Any amin’ny tany mandroso, manampy ara-bola mivantana ny tantsaha ny fanjakana, raha tsy hiteny afa-tsy ny any Frantsa ohatra. Miady irery ny antsika, fa tsy afaka manao izany ny fanjakana.Ataon’ny fanjakana ankehitriny tanjona indray ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary nanao toy izany koa ny teo aloha nifandimby teo. Maro ny paikady nofaritana, tsy vitsy ny hetsika natao, fa ny vokatra azo tsapain-tanana no tena andrasana. Noraisina iry paikadin’ny filoha teo aloha iry, ary natao tanjona ny hanondranana vary any ivelany.Njaka AndriantefiarinesyL’article Mahavita tena ara-tsakafo a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

LA2M ANDROHIBE: Mizotra tsara ny asa fitiliana

Raha vao miresaka LA2M isika, dia fitiliana « PCR » avy hatrany no mby ao an-tsaina ao anatin’izao ady atrehantsika miaraka handresena ny « covid-19 » eto Madagasikara izao. Maro dia maro tokoa ankehitriny ireo singa (prelèvement) tonga eny an-toerana. Dingana maro no lalovana vao tonga amin’ireny valim-pitiliana henontsika amin’ny haino amam-jery ireny. Marihana moa fa raha tsy misy ny olana ara-teknika dia mahavita fitiliana singa 384 ao anatin’ny roa ora ity ivo-toerana ity raha araka ny nambaran’ny Tomponandraikitra izay miasa eny an-toerana. Maro lafy ireo mpiasan’ny fahasalamana izay miasa andro aman’alina eny an-toerana amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Misaotra ary mankahery azy ireo isika. Sary vitsivitsy maneho ny asan’izy ireo. Malagasy mifanohana, mandresy ny « coronavirus ». L’article LA2M ANDROHIBE: Mizotra tsara ny asa fitiliana a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

  Voambolana tranainy: mila trandrahina ny teny malagasy

 Maro ny resaka heno etsy sy eroa momba ny teny malagasy. Tao anatin’ny taona vitsivitsy izay, somary novoizina ny fandikan-teny sy ny fikarohana voambolana vaovao. Anisan’ny mampivelatra sy ahatarafana fa teny velona ny teny iray izany. Fa ho an’ny teny malagasy manokana, marobe ireo teny sy voambolana teo aloha no tsy voatrandraka araka ny tokony ho izy. Ao aza moa ny tsy hita popoka intsony kanefa nisy sy nampiasaina fahiny.Mila trandrahina izy ireny mba hiverina eny anivon’ny fiarahamonina indray. Asa sarotra sy mila faharetana ny fanaovana izany, kanefa hitondra aina vao indray tsy eo amin’ny teny malagasy ihany fa ho an’ny firenena manontolo mihitsy. Tsy azo hadinoina mantsy fa mifono hery goavana ireny teny tranainy ireny raha hay ny mitrandraka azy. Teo amin’ny Malagasy mantsy, tsy tongatonga ho azy ny teny iray fa “manana fototra maniry an-tanindrazana ka sahaza ny tompony”!Anisan’ny maha manan-karena ny teny malagasy io satria samy manana io teny tranainy io avokoa ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara. Asa miandry ireo raiamandreny ny fanomezana sy fampahafantarana ireny teny ireny ho an’ny taranaka aty aoriana.HaRy RazafindrakotoL’article   Voambolana tranainy: mila trandrahina ny teny malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Can 2019”: hampiakanjo ny Barea ny Garman

Fantatra fa ny orinasa italianina, Garman, ny hiantoka ny fanamian’ny Barea de Madagascar, any amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”. Nosoniavina, ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny foibe toerana federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny fifanarahana eo amin’ny Garman sy ny “comité de normalisation”, notarihin’ny filohany avy, i Atallah Beatrice sy i Osvaldo Scalvenzi.Misy karazany telo ireo fanamiana ireo ka misy ny maitso, ny mena ary ny fotsy. Voalaza fa io no tinapaka nandritra ny fivoriambe natao tany Egypta ary efa nankatoavin’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa) izany. Araka ny fantatra, firenena fito ny hitondra ity marika Garman ity, mandritra io fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019” io.Somary nampimenomenona ny mpitia baolina kitra ihany ity fanamiana ity, saingy efa io ny nifanarahana ka tsy afaka ny miverina amin’izany intsony ny tomponandraikitra. Marika efa eken’ny Fifa ihany koa ity Garman ity. Tompondaka L’article “Can 2019”: hampiakanjo ny Barea ny Garman a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Andavamamba: jiolahy iray tratran’ny Sag

Saron’ny polisin’ny Sag sy ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Isotry, afakomaly, ny jiolahy iray. Jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana ary efa nokarohin’ny polisy hatry ny ela ity jiolahy ity, araka ny fanazavan’ny polisy. Polisy nanao fisafoana amin’ny alina no nifanena tamin’ity jiolahy ity ka nirifatra nitsoaka izy raha vao nahatazana ireo polisy. Raikitra ny fifanenjehana ka tratra teny Andavamamba izy taorian’ny fifanenjehana. Nahitana antsy tany aminy nandritra ny fisavan’ny polisy. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nahafantarana fa jiolahy efa nifampitadiavana hatry ny ela izy ary maro ireo olona efa nitondra faisana taminy, indrindra ireo eny amin’ny faritra Anosivavaka sy Andavamamba.J.CL’article Andavamamba: jiolahy iray tratran’ny Sag a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hetsiky ny olom-pirenena: « Ovana ny Ceni sy ny HCC…”

Niray feo  ary nilaza ny tsy hanaiky hatramin’ny farany. “ Tsy tokony hirosoana aloha ny fifidianana Ben’ny Tanàna raha tsy milamina ny fanoloana ny mpikambana rehetra ao amin’ny Ceni sy  ny ratsa-mangaika, ny fokontany, ny distrika, ny kaominina nikirakira ny fifidianana sy  ny HCC”, hoy ny Hetsiky ny olom-pirenena  miady amin’ny  hosoka sy hala-bato (Hom3HF), tetsy Anosy, omaly. Nohitsin’izy  ireo fa tompon’andraikitra tamin’ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana rehetra  natao  teto ireo ary  tsy afa-bela amin’ny halabato niseho koa.  Anisan’ny nitarika izany ny sasany amin’ireo kandidà  tsy  lany sy ireo mpanao politika  sasany, toy ny pasitera  Tsarahame Edouard, ny Dr Razafindrakoto Harison, i Ninie Donia na  koa ry Riri be. Nanatrika izany kosa  ny maro amin’ireo  depiote Tim,  voafidy farany teo. Ankoatra izany, nanterin’izy ireo fa tokony ovana ny lalàna mifehy ny fifidianana. “Mba isian’ny fifidianana madio, mangaraharaha ary eken’ny rehetra  ny anton’izany. Tsy tokony  ho afa-bela  koa  ireo nandika lalàna sy nanao fahadisoana. Aoka isika olom-pirenena mba hitsangana hatramin’ny farany ary hanohitra ny halabato sy ny hosoka”, hoy  ihany izy ireo. Notsindrin’ireto mpanao  politika ireto fa tsy hisy firenena vanona eto raha ohatra ka  olona lany tamin’ny halabato no hitondra sy ny firenena sy ny faritra.Synèse R.L’article Hetsiky ny olom-pirenena: « Ovana ny Ceni sy ny HCC…” a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

TAFIO IZY FA AZA ANGORAHANA.

Hiara hientana isika hanafy ireo sahirana amin’ny Alarobia 21 Jona 2017. Ny tsirairay no mahita ny olona hanaovany azy. Fitafiana ihany no atao fa tsy sakafo na vola, toy ny lamba, kiraro, bodofotsy… “Tsy azo atao ny mandefa izany amin’ny haino aman-jery na hitonona ny anaranao amin’ilay olona na ny antony anaovanao izany”, hoy ny mpikarakara. Hetsika tsy anavahana olona na saranga na ireo efa mpanao izany ity hetsika iray ity. Natao izao hanampiana ny mpiray tanindrazana. Nirina R. HORONAN-TSARY Cet article TAFIO IZY FA AZA ANGORAHANA. est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - Triatra

Fanalana fako eto an-drenivohitra : Kamio 25 no ahetsika mandritra ny 10 andro

Tsy dia ahitana fako mivangongo eraka ny arabe intsony eto an-drenivohitra tato anatin’ny herinandro vitsy izay. Mitohy ny fanesorana fako manerana ny tanàna ataon’ny orinasa Samva ho fanadiovana ny tanàna. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy izay, fiara miisa 13 no nifarimbona nanala ny fako teto Antananarivo ho famongorana ny fako. Tsy mijanona hatreo anefa izany fa mitohy ny ezaka mba hitsinjovana ny fahasalaman’ny vahoakan’Antananarivo, hoy ny tale jeneralin’ny Samva Rakotoarivony William, omaly. Izany hoe, nanampy fiara lehibe 12 ny Unicef hanampy ireo 13 efa am-perinasa ireo. “Manomboka androany hariva (omaly hariva) dia hiasa ao anatin’ny 10 andro ireo kamio lehibe ireo hamongorana ireo fako be manerana ny tanàna. Olona 8 isaka ny kamiao no hiasa hanala ny fako ka tafiditra ao anatin’io isa io ny mpamily. Tsy misy olana ny resaka solika hatreto fa mandeha tsara ny asa. Tokony hadio izany ny tanàna ao anatin’io 10 andro io”, hoy ny fanazavan’ny tale jeneraly, Rakotoarivony William. Fantatra ihany koa fa niha naloto ny tanàna nanomboka ny 1 janoary teo. Tafakatra 500 hatramin’ny 600 taonina isan’andro ny fako raofin’ny Samva, raha 270 hatramin’ny 300 taonina isan’andro teo aloha. Isan’ny maha betsaka ny fako amin’izao fotoana izao ny mbola fisian’ny litchi sy ny garaba, ny voankazo isan-karazany ary ny legioma, hoy hatrany ny tale jeneraly. Laurena Nany L’article Fanalana fako eto an-drenivohitra : Kamio 25 no ahetsika mandritra ny 10 andro est apparu en premier sur .L’article Fanalana fako eto an-drenivohitra : Kamio 25 no ahetsika mandritra ny 10 andro a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Misy ny drafitrasa iadiana amin’ny tohitra ody ainabitika: olona 700 000 maty noho ny tsy fahombiazan’ny fanafody

Anisan’ny antony mitarika ny tsy fandairan’ny fanafody ampiasaina amin’ny aretina azo avy amin’ny otrikaretina ny fampiasana karazana fanafody tsy araka ny tokony ho izy, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny HJRB, ny profesora Randria Mamy, teny Anosy. Ohatra amin’izany ny antibiotika hohanin’ny olona marary iray tsy avy amin’ny mpitsabo fa manao dokotera tena ao an-trano. Mety tsy ho ampy ny fatra sy ny faharetan’ny fihinanana izany ka lasa tsy mandaitra amin’ny vatan’ilay olona intsony. Misy koa ny karazan’aretina (toy ny gripa…) tsy ilaina akory ny fampiasana antibiotika.Ampiasain’ny mpiompy sasany hitsaboana na hanatavezana ny biby fiompy ny antibiotika ka mifindra amin’ny hena. Aty aoriana, lasa manao fanoherana ilay fanafody nomena ny biby fiompy ny olona mihinana ilay hena voapoizina.Tokony hanatona mpitsabo Eo koa ny fanafody tsy manaraka ny fenitra amidy eny rehetra ireny ka mitera-doza ho an’izay mampiasa azy ary ireo fampiasana fanafody famonoana bibikely amin’ny voly sy ny biby fiompy. Rehefa tsy mandaitra intsony ny fanafody hitsaboana ny aretina iray satria manao fanoherana ny vatan’ilay marary, mety hitarika amin’ny fahafatesana. Isan-taona, 700 000 maneran-tany ny olona mamoy ny ainy noho ny tohitra ody ainabitika ary tombanana ho tafakatra 10 tapitrisa ny tarehimarika ny taona 2050, hoy ny minisitry ny Fahasalamana, profesora Rakotonirina Julio. Napetraka ny vovonana ahitana ny teknisianina avy amin’ny minisitera voakasika (fahasalamana, fambolena ary ny tontolo iainana) sy ny mpanohana teknika (OMS, FAO) hanantanteraka ny drafitrasam-pirenena iadiana amin’ny tohitra ody ainabitika. 13 tapitrisa dolara mahery ny sorabola hatokana hanaovana ny asa hatramin’ny taona 2023. Ezaka lehibe ny fanaraha-maso ny fivarotana fanafody tsy manaraka ny fenitra sy ny fanentanana ny mponina tsy hihinana fanafody raha tsy nahazo toromarika avy any amin’ny mpitsabo. Natao teny Anosy ny fanokafana ireo dingana hoentina hiady amin’ny tohitra ody ainabitika.Vonjy A. L’article Misy ny drafitrasa iadiana amin’ny tohitra ody ainabitika: olona 700 000 maty noho ny tsy fahombiazan’ny fanafody a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hita tao anaty « camera de surveillance »: tratran’ny polisy ilay jiolahy mpamaky fiara

  Noraisim-potsiny! Jiolahy malaza ratsy amin’ny famakiana fiara ity saron’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahenina eny Ambohimanarina ity. Araka ny fanazavan’ny polisy, hita tao anaty “camera de surveillance” ny fihetsik’ity jiolahy mamaky fiara teny amin’ny faritra manodidina an’Ambohimanarina iny. Mody miantso amin’ny alalan’ny telefaonina finday izy raha ny fahitana azy tao anaty “camera” kanjo sady mitily ny fiara hovakiny sy ny entana ao anaty fiara. Nalain’ity jiolahy ity ny entana tao anaty fiara iray sendra nipetraka teo amoron-dalana. Tsy hitany akory anefa ny fisian’ny “camera de surveillance” mipetraka eo amin’ilay trano eo amin’ny manodidina ny toerana nanaovany ny asa ratsiny. Nanao vela-pandrika avy hatrany ny polisy taorian’izay ka tratra ity jiolahy ity. Nanda mafy izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy nefa tsy fantany fa efa nisy “camera” ilay trano. Ankoatra izany, nanao “casquette” izy tamin’ny hita tao anaty “camera”, saingy rehefa nosavaina ny tao an-tranony, hita tao ilay satroka nanaovany ny andron’izy hita tao anaty rakitsary mangalatra anaty fiara.Jean ClaudeL’article Hita tao anaty « camera de surveillance »: tratran’ny polisy ilay jiolahy mpamaky fiara a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Raharaha Stadium Barikadmy: nitondra valin-kafatra ireo fokonolona
25/09/2020

Noho ny fepetra avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa), ny tsy maintsy hanalana ireo trano manamorona ny lalana mankao amin’ny kianja Barikadimy, nitondra fanazavana tamin’ny alalan’ny famoriana ny mpanao gazety, ny talata 22 septambra lasa teo, ireo fokonolona voakasik’izany, mahakasika ny taratasy nalefan’ny kaominina Toamasina renivohitra. Nambaran’ny pastora Randrianasolo Etienne, mpitondra tenin’izy ireo fa tsy hisakana na hanakorontana ny fanorenana ny fotondrafitrasa izy ireo. Saingy mangataka kosa ny mba hisian’ny fitsinjovana ny maha olona ka hanomezana toerana hanorenany fonenana vaovao. Lasa mahantra tsy fidiny raha toa ka mijanona amin’izao satria vahoaka noana sy  efa trotraky ny “covid 19”. Nanao taratasy sy fanangonan-tsonia faobe moa izy ireo, alefa any amin’ny filohan’ny repoblika, Andry Nirina Rajoelina. Ankoatra izay, nisy filazana avy amin’ny filoha lefitry ny Ben’ny Tanàna fa aorian’ny fahavitan’ny fanadinana Bepc, vao hisy ny fandravana.Manoloana ity disadisa ity, manahy ny mpitia baolina kitra fa sao ho taraiky amin’ny fotoana andalovan’ny solontenan’ny Fifa ity fandravana ity ka mety tsy hahafahana mandray ny lalaon’ny Barea sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.Nanome tsiny ny ligy moa ny olona sasany izay tokony mba hanao fanelanelanana hahamora ny fanesorana ireo mponina tsy manaiky ny handravana ny tranony. Sajo L’article Raharaha Stadium Barikadmy: nitondra valin-kafatra ireo fokonolona a été récupéré chez Newsmada.

Mitombo hatrany ny isan’ireo lavon’ny covid-19
22/09/2020

Niampy roa indray ireo lavon’ny covid-19, tao anatin’ny 24 ora. Avy eto Analamanga sy avy any amin’ny faritra Diana ireo namoy ny ainy ireo. Tafakatra 225 izany izao ireo matin’ity valanaretina ity hatramin’ny 19 marsa noho mankaty.Etsy andaniny, miisa 12 ireo tranga vaovao ho an’ny eto Analamanga amin’ireo 20 nifindran’ny valanaretina. Avy any Vakinankaratra kosa ny efatra raha iray avy ny avy any Itasy, Alaotra Mangoro, Matsiatra Ambony ary avy any amin’ny faritra Boeny.Nihena enina ireo anaty fahasarotana ka miisa 20 izany izao ireo “forme grave”.Na izany aza, miisa 36 ireo sitrana ka anisan’ny maro amin’izany ny avy any Diana, miisa 15. Tafakatra 14 682 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina, miisa 16 073. Miisa 1 164 ireo mbola manaraka fitsaboana.Synèse R.L’article Mitombo hatrany ny isan’ireo lavon’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Karate – Antananarivo: efa miomana amin’ny fifidianana 
26/09/2020

 Efa eo am-piomanana tanteraka amin’ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny seksiona ankehitriny, ny eto Antananarivo Renivohitra taranja Karate. Tapitra amin’ity taona ity mantsy ny fe-potoana hitondran’ny mpitantana am-perinasa ka tsy maintsy miroso amin’ny fifidianana, araka ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga Karate, Rakotomalala Jean Paul. Araka izany, mitaona ireo klioba rehetra eto Antananarivo Renivohitra ny federasiona, hanontany izay tokony ho fantatra mahakasika ny “certificat de conformité”. Voakasika izany avokoa na ireo efa mijoro ara-dalana na tsia, raha ny fanazavana hatrany. Eny amin’ny Delegen’ny tanora sy fanatanjahantena Antananarivo Renivohitra etsy Ambohidahy ny hahafahana mahazo fanampim-panazavana mahakasika izay.Raha ny tokony ho izy, ny volana aogositra ny fotoana efa napetraka hanaovana ity fifidianana ity, saingy tsy tontosa izany noho ny toe-draharaha ara-pahasalamana teto amin’ny firenena. Araka ny loharanom-baovao, maro ny hirotsaka amin’ity indray mitoraka ity, mbola tsy fantatra kosa raha mbola ho isan’ny ho kandida ny filoha am-perinasa na tsia. Mi.RazL’article Karate – Antananarivo: efa miomana amin’ny fifidianana  a été récupéré chez Newsmada.

Minisitra Andrianainarivelo Hajo: « Mila vina lavitra ny fitantanana tanan-dehibe »
25/09/2020

“Adidintsika ny fanatsarana ny fitantanana ny tanan-dehibe sy ny fanajariana ny tany. Apetraka ny vina, mijery lavitra kokoa, afaka 10 na 20 taona… Anisan’izany ny fanorenana tanàna vaovao sy ireny tetikasa Padeve, ahitana ny drafi-panajariana sy fanatsarana ireo tanàn-dehibe, tanterahin’ny fanjakana”, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP), Andrianainarivelo Hajo, tetsy Anosy, omaly.Ezaka avy amin’ny mpitantanaNotanterahina tamin’izany ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny IST Ampasampito sy ny MATP ary koa ny Fikambanan’ireo matihanina eo amin’ny  tanàn-dehibe (Apum). Nanterin’ny minisitra tamin’izany anefa fa tsy maintsy misy ny ezaky ny mpitantana ny tanàna, hanaraka ny fivoaran’ny toetr’andro.Tsy resaka diplaoma fotsiny ihany…Tafiditra ao anatin’izany ny fifampiresahana, ny traikefa hanatsarana ny fitantanana ny tanan-dehibe. “Tokony ho hita amin’izany ny fiofanana sy ny fikarohana ary koa ny avy amin’ny minisitera… Tsy resaka diplaoma fotsiny fa ilaina ny mampihatra izany ho amin’ny fampandrosoana. Mifanaraka amin’ny vina koa ny fiofanana”, hoy ihany ny minisitra.Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny telo tonta izao fifanarahana izao.Tsy misy fampandrosoanaAnisan’izany ny fanofanana ho injeniera ho amin’ny taotrano ho an’ny tanàn-dehibe ireo tanora eo anivon’ny IST ary efa an-dalana hivoaka tsy ho ela ny andiany voalohany. Ampiarahana amin’izany koa ny teknolojia sy ny zava-misy eto an-toerana. “Tsy misy ny fampandrosoana  raha  tsy miainga amin’ny tsirairay izany”, hoy Andrianainarivelo Hajo.Tsiahivina fa efa niara-niasa an-taony maro ny eo anivon’ny MATP sy ny IST. Fanamafisana sy fanohizana izany izao, miaraka amin’ny APUM.Synèse R.L’article Minisitra Andrianainarivelo Hajo: « Mila vina lavitra ny fitantanana tanan-dehibe » a été récupéré chez Newsmada.

Firehetana :: May ny sekolin-dry masera tany Manjakandriana
21/09/2020

Nirehitra ny sekoly « Notre Dame de Lourdes », tantanan’ny masera any Manjakandriana, afak’omaly tokony ho tamin’ny 2 ora sy 50 minitra tolakandro. Araka ny voalazan’ireo tompon’ andraikitry ny sekoly tamin’ny mpitandro filaminana tany an-toerana dia vokatry ny fifampikasohan’ny herinaratra tao amin’ny ambaratonga faharoa no nitarika ny loza. Potika tanteraka ny fitaovana tao anatin’ireo efitrano fianarana misy ny ambaratonga faharoa, ankoatra ireo seza sy latabatra tafavoakan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Niara-nisalahy tamin’ny famonoana ny afo tany an-toerana ireo miaramila avy amin’ny Rezimantan’ny Jenia fahatelo sy ireo zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra any an-toerana ary ny fokonolona. Naharitra ora roa teo ho eo ny fahamaizana. Tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany mahery vao voafehy tanteraka ny afo rehetra. L’article Firehetana :: May ny sekolin-dry masera tany Manjakandriana est apparu en premier sur AoRaha.

Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC
22/09/2020

Nanomboka omaly ary hitohy anio ny fiatrehan’ny mpiadina 327 455 ny fanadinana BEPC. Tsy nisy olana saro-bahana fa nizotra tsara ny andro voalohany.  26 485 ny isan’ny mpiadina nanatrika ny fanadinana BEPC ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra raha 27 699 no nisoratra anarana. 1214 ireo tsy tonga, omaly, tamin’ny andro voalohany, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ramananantony Lalaina, omaly. Nizotra tsy nisy olana saro-bahana ny fanombohana ny BEPC. Mpiadina iray avy any Ambatondrazaka no voatery niatrika ny fanadinana teto an-dRenivohitra ka rehefa voamarina fa voasoratra anaty ny lisitry ny mpiadina izy dia nomena ny taratasy fiantsoana ary nomena alalana hanaraka ny fanadinana. Nisy koa ireo diso foibem-panadinana, saingy tsy niteraka olana fa tonga teny amin’ny ivontoerana tokony niadinany ihany izy ireo.Nanamafy koa ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Razafimahefa Herman fa na nisokatra aza ny lalana hivoaka ny faritra rehetra, azo noraisina hanatanteraka ny BEPC ihany ireo mpiadina taraiky tany amin’ny faritra ary nohamoraina ny fahazoany miatrika izany. Nitsidika ny CEG Ambatolampy Tsimahafotsy ny tompon’andraikitry ny minisiteraho fanombohana tamin’ny fomba ofisialy sy ny fanokafana ny laza adina, omaly maraina. Manana tombony ny teto Madagasikara afaka nanao ny fanadinana roa ara-panjakana raha mitaha ny tany ivelany, izay nanambara fa taona fotsy ny taom-pianarana 2019-2020, indrindra taty Afrika. 272 ny mpiadina teny amin’ny foibem-panadinana CEG Ambatolampy Tsimahafotsy, Cisco Ambohidratrimo.Nohajaina avokoa ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus.Hiatrika ny taranja matematika sy ny français (LV1) ny mpiadina, anio tontolo andro.356 ny tsy tonga tao ToamasinaHo an’i Toamasina manokana, nitombo tsy toy ny fahita isan-taona ny isan’ireo mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana BEPC, ho an’ny omaly, izay mahatratra 356. Mitotaly 19 055 ireo mpiadina voasoratra anarana ao anatin’ny faritra Atsinanana, izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 56. 6 357 kosa ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina voalohany voazarazara amin’ny toeram-panadinana 14. Vonjy A. sy SajoL’article Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC a été récupéré chez Newsmada.

DEGMIA-Toamasina: hovitaina anatin’ny fito volana ny taom-pianarana 2019-2020
26/09/2020

Taorian’ny fihaonana teo anivon’ny Copries, nandraisana toromarika avy amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony ho amin’ny tetiandron’ny fampianarana ambony ho an’ny taom-pianarana telo nifanesy, manao antso avo ny sojaben’ny departemantan’ny Degmia, amin’ny onversiten’ i Barikadimy- Toamasina, profesora Razanakolona Diny. Nambarany fa hitohy tahaka ny isan’andro ny fampianarana ary efa hofaranana ihany koa ny taom-pianarana 2018- 2019. Antsoina, araka izany, ireo mpianatra rehetra hanatitra ny dikan’ny taratasim-panadinana “copie” any aminy. Niantso ireo tokony hisoratra anarana, indrindra ireo manomana sy “Licence” sy “Masters” ny tenany. Hifarana ny 30 septambra ho avy izao ny fandraisana ny antontan-taratasim-panadianana, hivoaka aorian’izay ny vokatra ary hikatona ny taom-pianarana 2018-2019. Hiditra ny 2 novambra ny taom-pianarana 2019-2020, izay hovitaina anatin’ny fotoana fohy, manodidina ny fito volana. Hirosoana aorian’ izay ny taom-pianarana 2020-2021. Ho an’ny sampam-piofanana toekarena, lalàna, fitantanana, hisy ny fitsapam-pahaizana ho an ireo mpianatra hiditra taona voalohany. Misokatra koa ny fampiofanana ampitain-davitra ho an’ ireo efa miasa na tsy afaka hanatrika fampiofanana an-dakilasy, na ireo monina ivelan’ i Toamasina. Afaka misoratra anarana avokoa izy ireo ary hifarana ny 30 septambra izany.Fampiofanana arakasaHo an’ny fampiofanana arakasa, ho an’ ireo telo taona taorian’ny nahazoana bakalorea teo amin’ny lalampiofanana lalàna sy matematika, mifarana ny 30 septambra ho avy izao ihany koa ny fisoratana anarana “master professionnel en marchés publics”, izay mety hazahoana toerana maha talena fitantanana na izay mitovy lenta aminy eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana. Toy izany ihany koa ny fampiofanana fitantanana seranan-tsambo sy ny fampitaovana, efa hisokatra manomboka ny 8 oktobra izao ny fisoratana anarana. Ho an’ ireto farany, voalaza fa matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny PRMP, Smmc ary efa vita ihany koa ny fifampiresahana tamin’ny Spat. Hanampy ny Degmia eo amin’ny fiaraha-miasa hanatsarana ny fampiofanana hahazoan’ny mpianatra Master izy ireo.Tsy ho ela ny fivoahan’ny andiany eo amin’ny Master 2 anivon’ny departemanta Degmia.Sajo L’article DEGMIA-Toamasina: hovitaina anatin’ny fito volana ny taom-pianarana 2019-2020 a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – lalao firahalahiana: tsy maintsy manao fitiliana ireo mpilalaon’ny Barea
22/09/2020

Efa eo am-panomanana ny lalao firahalahiana, hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Etalon-n’i Borkina Faso, ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny federasiona roa tonta, amin’izao fotoana izao. Tsy mantsy manaraka fepetra ny delegasiona roa tonta.Hatreto, tsy misy ny fiovana fa hotanterahina ny asabotsy 10 oktobra 2020 ny lalao fanomanantenan’ny Barea de Madagascar, hikatrohana amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso. Nohamafisin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa tsy mbola misy ny fiovana fa any amin’ny kianja Lisbonne Portugal, no hanatanterahana io lalaon’ny roa tonta io. Efa eo anatin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao.Anisan’ireny ny fandefasana ny taratasy fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar sy ny fanomanana ny fampivondronana azy 23 mirahalahy, izay efa voalahatra fa atao any Frantsa, manomboka ny 5 oktobra, ho avy izao. Ankoatra izay, tsy maintsy manao fitiliana avokoa ireo mpilalao rehetra mialoha sy mandritra ary aorian’ny lalao. Tsy ny Barea de Madagascar irery no manao izany fa ry zareo Borkinabe, ihany koa.Ao anatin’ny fanajana ny hamehana ara-pahasalamana izany rehetra izany. Anisan’ireny ny tsy maintsy hanajana ny elanelana 1 m ao anatin’ny kianja sy ny fanaovana arovava ho an’ireo mpilalao fiandry, ny mpanazatra, ny dokotera ary ny fanasana tanana amin’ny fanafody voatokana amin’izany. Ankoatra izay, tsy azo jerena ny lalaon’ny roa tonta, amin’ity.Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana hikatrohana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2022).Tsiahivina fa raha tsy misy ny fiovana, hatao any Abidjan, ny 9 novambra ho avy izao, ny lalao mandroso ary eto Madagasikara, any amin’ny kianja Barikadimy Toamasina, ny 17 novambra, ny fihaonana miverina. TompondakaL’article Kitra – lalao firahalahiana: tsy maintsy manao fitiliana ireo mpilalaon’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Atrika: 50 tapitrisa Ar hanohanana ireo orinasa madinika
25/09/2020

Namoaka tahirim-bola manokana ho vonjy taitra ny ivontoerana eoropeanina ho an’ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana (IECD). Hanohanana ireo orinasa madinika manodidina ny 100 eto Madagasikara, izay mivondrona ao anatin’ny Madagascar Entreprise developpement (MED) izany. Orinasa misedra olana noho ny covid-19 avokoa izy ireo.Amin’ny anaran’io tahirim-bola io no hahafahan’ireo orinasa manarina indray ny fahavoazana sy mamerina mampihodina ny orinasa na mampiroborobo sehatrasa vaovao hafa indray mba ho tosika vaovao amin’ny sehatry ny toekarena. Tohana ara-bola tsy haverina ny Atrika mitentina 50 tapitrisa Ar.Nandray mivantana izany vola izany ny solontenan’ireo orinasa teny amin’ny foiben’ny MED teny Tsaralalàna, tamin’ity herinandro ity. Ireo vehivavy, ireo manana fahasembanana, ireo mpikamba ao anatin’ny vondron’orinasa MED sy ireo orinasa samihafa tena voakasiky ny valanaretina covid-19 no laharam-pahamehana mahazo ny fanampiana.Ireo mpahazo tombontsoa ireo dia anisan’ny mpandraharaha 1900 nahazo fiofanana hatramin’ny fiandohan’ny fandaharanasa ho fanohanana ireo orinasa madinika ao anatin’ny MED, izay mifampiankina amin’ny IECD eto Madagasikara efa hatramin’ny taona 2013.Tanjona ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahaiza-mitantana ireo orinasa madinika ivoahan’ireo tetikasa afaka manandratra ny toekarena.Marihina fa firenena 15 no namoahan’ny IECD tahiry manokana toy izao ao anatin’ny fandaharanasany.Tatiana AL’article Atrika: 50 tapitrisa Ar hanohanana ireo orinasa madinika a été récupéré chez Newsmada.

Doro trano niniana natao? Jeneraly misotro ronono sy ny vadiny maty tao anaty haintrano
25/09/2020

Tao amin’ny efitrano iray ambany rihana no nahitana ny fatin’ilay jeneraly, nihohoka sady nihosin-dra . Tahaka izany koa no nahitana an-dramatoa vadiny, tao an-dakozia. Ahina ho  doro trano niniana natao no nahatonga ny fahamaizan’ny tranon’izy ireo, ao Antaniavo, afakomaly alina…Nitrangana haintrano tao amina tranona jeneraly iray efa misotro ronono monina ao Antaniavo Antsirabe, afakomaly alina tamin’ny 11 ora. Tonga teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny UIR nijery ny zava-misy sy nanavotra ilay jeneraly. Hita faty tao an’efitrano iray tao ambany rihana ilay jeneraly raha tany an-dakozia no nahitana ny fatin’ny vadiny, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny fitaleavam-paritry ny polisim-pirenena (DSRP) Vakinankaratra. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana fa ny afo nijoalajoala nahazo ny trano iray manontolo no nahataitra ny olona teo amin’ny manodidina ary tapitra kila hotohoton’ny afo tsy nisy noraisina intsony ny trano manontolo. Ny loharanom-baovao hafa kosa anefa milaza fa izy mivady miaraka amin’ny tovolahy mpanampiny iray no mipetraka ao amin’ity trano ity. Nambaran’ilay mpanampiny fa any ambony rihan’ny trano izy no matory amin’ny alina ka naheno fipoahana mafy tao an-trano izy tamin’io fotoana io ary niaraka tamin’izay, nirehitra ny trano. Nijoalajoala ny afo ka ireo fokonolona teo an-toerana no nifanome tanana tamin’ny famonoana ny mialoha ny nahatongavan’ny kamiaoben’ny orinasa Smatep namono ny afo. Nisedra olana rahateo ny kamiaoben’ny mpamonjy voina ao Antsirabe ka tsy afa-nanao ny asam-pamonjena tamin’ity voina ity.Fanafihan-jiolahy narahina vonoan’olona…Efa tamin’ny 1 ora sy 25 mn vao voafehy ny afo, raha ny fanazavan’ny polisy. Nandritra ny fitsirihana nataon’ny polisy no nahitana fa hita faty nihidy tao an’efitrano fatoriany tao ambany rihana ilay jeneraly, nihohoka teo akaikin’ny farafara sady nihosin-dra. Ramatoa vadiny kosa hita faty nihosin-dra tao an-dakozia, tsy misy fitafiana intsony ny tapany ambany.Miteraka resabe ao Antsirabe hatrany anaty tambajotran-tserasera ny fahitana ity haintrano nahafatesana jeneraly mivady ity. Manahy ny rehetra fa fanafihan-jiolahy narahina vonoan’olona tsotra izao ity raharaha ity. Manaporofo izany rahateo ny nahitana ny vadin’ilay jeneraly mitanjaka ny tapany ambany. Hita tao an-dakozia ihany anefa ny akanjony. Rehefa vita kosa ny asa ratsin’ireo jiolahy vao mety nodoran-dry zalahy ny trano mba tsy hahafantarana ny marina rehetra. Ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy anefa no ahafantarana ny marina rehetra momba ity raharaha ity. Efa lasan’ny fianakaviany kosa ny fatin’izy mivady niharam-boina tao amin’ity trano ity.Jean ClaudeL’article Doro trano niniana natao? Jeneraly misotro ronono sy ny vadiny maty tao anaty haintrano a été récupéré chez Newsmada.

Fisamborana jiolahy :: Lehilahy maty voatifitra sady nahitana basy mahery vaika
23/09/2020

Sarona niaraka tamin’ny basy mahery vaika “MAS 36” iray misy bala telo ny lehilahy iray, omaly vao maraina, tany Ankazobe. Voatondro ho isan’ireo nanafika tao amin’ny tokantrano iray tany Antakavana, tamin’ny 17 septambra lasa teo, izy. Teny ampisamborana ny namany, izay notononiny, no nisy ny fifampitifirana tamin’ny andian-jiolahy hafa. Namoy ny ainy tamin’io itsy jiolahy voasambotra itsy. « Efa voasambotra tany Beandrarezina-Beronono aty Ankazobe ihany izy. Nitaridalana anay andeha hisambotra an’ireo namany izy no niseho izao fifandonana tampoka tamin’ny jiolahy hafa izao », hoy ny loharanombaovao avy amin’ny Zandarimaria any Ankazobe. Tsy vahiny amin’ireo mpitandro filaminana ity jiolahy maty voatifitra ity satria isan’ireo malaza sy efa fantatra anarana ary karohina tamin’ny fanafihana mitampiadiana maro tany Anjozorobe, Maevatanàna sy Ankazobe izy. L’article Fisamborana jiolahy :: Lehilahy maty voatifitra sady nahitana basy mahery vaika est apparu en premier sur AoRaha.

Dihy – Tantely Rajaobelina: “ Ny fifampikasohana sy ny serasera no mampivoatra”
21/09/2020

Ny fijerena horonantsary miresaka dihy sy ny talenta ao anaty miampy fifampikasohana ary ny fanampian’ny namana no nampivoatra ny fahaizany, raha ny fanazavan-dRajaobelina Tantely Fitiavana Marcella. Nohamafisiny fa “fianarana foana ny fiainana ary hiezaka hatrany aho hampitombo ny talenta nomen’Andriamanitra, araka izay tratra, mba ho lasa matihanina tanteraka eo amin’ny tontolon’ny dihy… Na izany aza tsy hadinoina ny fifaneraserana fa tena anisan’ny manokatra lalana tokoa izy io”, hoy i Tantely, nanazava ny vinavinany sy taratry ny ho aviny eo amin’ny tontolon’ny dihy sy ny fampivelarana izany.Vao 15 taona monja, efa maro ny sehatra nandraisany anjara : tao amin’ny Kianja mitafon’ny Mahamasina, Lapany Tanànan’Antananarivo, indrindra ireo karazana “festival” natrehiny…Eo am-piketrehana ny seho amin’ny fahadimy taonan’ny fikambanana misy azy izy, ankehitriny. Miandry ny fepetra sy lamina apetraky ny fanjakana noho ny hamehana ara-pahasalamana sisa.Niditra anatin’ny fianarana dihy tao amin’ny Femal dancehall (Street I Dance, sns,. ka i Belly SID no nampianatra azy), izay anisan’ny nampivoatra an’i Tantely taminy dihy, indrindra moa fa ny gadona “Dancehall”. Fantatra fa mpikambana ao amin’ny tarika Rabefidihy i Tantely Rajaobelina, ankehitriny. Ny hizara sy hampita ho an’ireo zandry aty aoriana, ny dihy eto an-tanindrazana no tanjony ary maniry ny ho lasa lavitra eo amin’ny tontolon’ny dihy no mba nofinofiny…Misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra ny tenany, indrindra ny eo amin’ny tontolon’ny kanto malagasy.Narilala L’article Dihy – Tantely Rajaobelina: “ Ny fifampikasohana sy ny serasera no mampivoatra” a été récupéré chez Newsmada.