fahatrarana vato « crystal » : andrasana ny fanadihadiana

News - fahatrarana vato « crystal » : andrasana ny fanadihadiana

News - fahatrarana vato « crystal » : andrasana ny fanadihadiana

Hatramin’ny ora nanoratanay farany,
mbola mitohy ny fanadihadiana ny raharaha momba ilay talena
orinasam-panjakana lehibe iray nitondra ireo vato
« crystal » andro vitsy lasa izay. Efa nisy ny fitanana
an-tsoratra nataon’ny zandary avy ao Farafangana mahakasika ny
tranga ary efa nalefa eny anivon’ny « police des mines »
izany.

Tsiahivina fa saron’ny mpitandro
filaminana tao Manambotra-Farafangana ny fiara tsy mataho-dalana
nitondra ireo vato sarobidy ireo ny 5 jona lasa teo. Tao anatina
gony 13 isa milanja 200 kilao ireo harena an-kibon’ny tany
tamin’izany. Tsy nisy ny taratasy mazava momba ireo vato tratra.
Voalaza fa avy any Vangaindrano ireo vato ireo ary saika hoentina
tao Fianarantsoa ireo izao tratra izao. Taorian’izay, nogiazana ao
amin’ny zandary ao Farafangana ireo vato sarobidy ireo. Nisokatra
nanaraka izay ny famotorana ny raharaha.

 

Henintsoa Hani

Article tiré de Newsmada

L’article fahatrarana vato « crystal » : andrasana ny fanadihadiana a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kitra – Fifindran-toeran’Ilahimaharitra: mitaky 3 tapitrisa euros ny Charleroi FC

Tsy mbola tena milamina ny ho fifindran-toeran’Ilahimaharitra Marco, hilalao any amin’ny FC Metz, diviziona voalohany frantsay, amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Misy ny sakana tsy ahafahana manatanteraka izany eo amin’ny Charleroi FC, ekipa any Belzika misy azy ankehitriny, sy ny FC Metz.Mitaky lelavola 3 tapitrisa euros na 13 500 000 000 Ar malagasy ho saran’ny fifindran-toerany mantsy ry zareo Charleroi. Ilahimaharitra Marco izay efa tsy mazoto intsony ny hijanona any Belzika. Raha tsiahivina, manodidina eo amin’ny 600 000 euros na 2 700 000 000 Ar isaky ny taom-pilalaovana ny karama homen’ny FC Metz azy.Etsy ankilany, ambaran’ny Charleroi fa efa mahatratra any amin’ny 5 tapitrisa euros ny vidin’ity mpilalao malagasy ity, amin’izao fotoana izao. Mihevitra ireo mpitantana any Belzika ny hanalava ny fifanarahana amin’Ilahimaharitra Marco, hatrany amin’ny 30 jona 2023.Miandry ny valin-tenin’i Bernard Serin, filohan’ny FC Metz, izany ny rehetra raha toa ka ekeny ny handoa io vola tadiavin’ny Charleroi ho takalon’ny fandehanan’Ilahimaharitra Marco hifindra any Frantsa io. Nanambara i Vincent Hognon, mpanazatra ny FC Metz, fa mpilalao tena ilainy i Marco hanatevina ny fiarovantenan’izy ireo.25 taona Ilahimaharitra ankehitriny ary tena ao anatin’ny tanjany tanteraka. Nahavita lalao 96 izy, tao amin’ny Charleroi, tamin’ity taona 2020 ity. Nahatafiditra baolina efatra ny tovolahy, tamin’izany.Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao nantsoin’i Nicolas Dupuis hanatevina ny Barea amin’ny fiatrehana ireo lalao fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2021” sy ny “Mondial 2022” Ilahimaharitra Marco. TompondakaL’article Kitra – Fifindran-toeran’Ilahimaharitra: mitaky 3 tapitrisa euros ny Charleroi FC a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Pilo kely #4490 aroson’i Mamy Be

L’article Pilo kely #4490 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fanehoan-kevitra etsy sy eroa  : handeha hatramin’ny farany hanao fifidianana ny Ceni  

“Fanomanana fifidianana no asa sy iraka goavana be ampanaovina azy. Mandritra ny fe-potoam-piasan’ny Ceni, rehefa voahaja ny lalàna: tsy tokony ho avy aminy ny tsy fahavononana nefa tonga ny fotoana anaovana fifidianana. Maka bahana hatrany izy amin’ny fanomanana sy fanatanterahana fifidianana.”Izay ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, manoloana ny adihevitra na ny fisian’ny fanoherana ny fanatanterahana fifidianana loholona hatao amin’ny 11 desambra ho avy izao. Amin’ny maha mpikarakara fifidianana ny Ceni, mandeha ny asa na mandeha aza ny adihevitra. Efa nisy teto amin’ny firenena, ohatra, ny fikasana hanao fitsapan-kevi-bahoaka. Niomana amin’izay avy hatrany ny Ceni, raha vao nandre izay, mba tsy ho tratran’ny ady tampoka na ny ady tsy ahi-mahatratra.Efa tonga tamin’ny fanaovana antsapaka amin’ny hiatrehana ny fitsapan-kevi-bahoaka ny Ceni tamin’izany. Nilaza ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), tamin’izany, fa tsy mbola tokony hotanterahina ny fitsapan-kevi-bahoaka, ka nihemotra ny rehetra. Aleon’ny Ceni izany toy izay variana amin’ny adihevitra ka tonga ny androm-pifidianana nefa tsy tomombana ny asany. Misy fiantraikany amin’ny fifidianana izay, na tsy tanteraka ny fifidianana.R.Nd.    L’article Fanehoan-kevitra etsy sy eroa  : handeha hatramin’ny farany hanao fifidianana ny Ceni   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy fahatomombanan’ny milina ao Andelakela: lasa faobe ny fahatapahan-drano eto Antananarivo  

 Fay rano Antananarivo! Lasa faobe ny fahatapahan-drano ka mampitaraina ny mponina. Misy tsy fahatomombanana ny milina ao Andekaleka ka mahatonga izao tsy fisian’ny rano izao. Mitohy ny fahatapahan-drano eto Antananarivo, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Nimenomenona ny olona fa tsy nahazo rano na ireo manana famatsin-drano ao an-trano na ireo mampiasa ny paompy iraisana.Lasa olana iraisan’ny vahoaka eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ny tsy fisian-drano tao anatin’ny herinandro maromaro ka manakorontana ny fiainana andavanandro mihitsy. Anisan’ny niharan’ny fahatapahana ny teny Mahazo, Amboanjobe, Andoharanofotsy… Teny Amboanjobe (RN 7), efa ho telo andro no tapaka ny rano ary tsy mbola niverina, hatramin’ny omaly.Tsy maintsy mitady vahaolana amin’ny mpiray monina manana lava-drano na koa mandeha mantsaka lavitra. Mitombo ny vola mivoaka amin’ny isan-tokantrano amin’ny fividianana rano satria mila manomana hatramin’ny 10 000 Ar karaman’ny mpantsaka sy ny vidin-drano.Nanome vahaolana amin’ny fizaran-drano amin’ny kamiaobe ny Jirama ho an’ny fokontany maromaro voakasika. Misy ireo mponina nanambara fa tsy nahita  ny fizaran-drano mitety vohitra hatramin’izao.Nanamafy ny Jirama fa misy fikorontanana ny famatsiana rano amin’ny toerana maro eto Antananarivo noho ny tsy fahampian’ny tanjaka herinaratra ilain’ny tobim-pamokarana rano eny Mandroseza.Vokatry ny tsy fahatomombanan’ny milina mpamokatra herinaratra avy ao Andekaleka. Efa mamerina izany ny teknisianin’ny Jirama ka hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana rano aorian’izay.Mandra-piandry izany, sahirana ny vahoaka satria aina ny rano. Nisy ny fivoriana niarahan’ny minisitry ny Rano sy ny mpiasan’ny Jirama nijerena ny vahaolana momba ity fahatapahan-drano faobe ity.Vonjy A. L’article Tsy fahatomombanan’ny milina ao Andelakela: lasa faobe ny fahatapahan-drano eto Antananarivo   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Fifanintsanana ny “Can 2021”: fantatra ireo fandaharan-dalaon’ny Barea

Taorian’ny nivoahan’ny antsapaka, nahalalana ny vondrona misy ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2019”, fantatra ihany koa izao, ireo fandaharan-dalao, ho an’ny ekipam-pirenena malagasy.Azo lazaina fa mety ho an’ny Barea de Madagascar, ny daty hanatanterahana ny fifanintsanana hiadian-toerana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2021”, taranja baolina kitra. Raha tsiahivina, ao amin’ny sokajy “K” i Madagasikara, miaraka amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Les Walya-n’i Etiopia ary ny Le Mena-n’i Niger. Raha ny vinavinan’ny rehetra mantsy, ny Ivoarianina, no heverina fa mety hanahirana ny Barea de Madagascar. Amin’ity, hampiantrano ny lalao voalohany, ry zareo Elefanta ary eto Madagasikara ny fihaonana miverina. Tafiditra amin’ny andro faharoa amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ny fihaonan’ny roa tonta.Azo atao tsara, araka izany, ny manao kajikajy hikendrena ny toerana voalohany. Ankoatra izay, fihaonana roa ihany no hotanterahina amin’ity taona ity, dia ny lalao handraisana an’i Etiopia, etsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, ary ny fivahinianana any Niger. Tombanan’ny rehetra fa tsy ho olana amin’ny Barea de Madagascar, ny handingana an’i Niger sy i Etiopia. Raha ara-taratasy mantsy, manana tombony ny Malagasy. Na izany aza, ilaina hatrany ny fanomanana, mba tsy hisian’ny fahadisoam-panantenana toy ny nahazo ny Barea, tany amin’ny lalaon’ny Nosy, farany teo. Ekipa, heverina tsy hahatohitra ny Barea, saingy tsy resy, hany ka niveri-maina ary nanaratsy ilay sary tsara vitan’ny Barea, tany amin’ny “Can 2019”, natao tany Egypta. Tompondaka   Ireo datin’ny fifanintsanana ho an’ny Barea 11 novambra 2019Barea # Etiopia19 novambra 2019Niger # Barea31 aogositra 2020Côte d’Ivoire # Barea8 septambra 2020Barea # Côte d’Ivoire13 oktobra 2020Etiopia # Barea17 novambra 2020Barea # NigerL’article Kitra – Fifanintsanana ny “Can 2021”: fantatra ireo fandaharan-dalaon’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kandidà Rajoelina: “Havotana amin’ny alalan’ny harentsika ny firenena »

Nitohy tany Brieville any Tsaratanana, Andilamena, Mahatsinjo sy Mangabe ao Maevatanàna ny fampielezan-kevitry ny kandidà Rajoelina, omaly. Mazava ny lahateniny momba ny hanarenana ny toekarena. “Amin’ny alalan’ny harentsika no hahafahana manavotra ny firenena. Manankarena isika ary mampidi-bola be nefa mahantra ny vahoaka eto Brieville. Ny ampahany betsaka amin’ny hetra azo amin’ny  kraomita entina hanasoavana ny vahoaka eto. Tokony handroso ny tanàna misy ny harena ankibon’ny tany sy ny fitrandrahana”, hoy izy. Toy ny nambarany tany amin’ny faritra hafa rehefa nihaino ny hetaheta sy ny olan’ny mponina amin’ireo faritra ireo ny tenany,  nampanantena ny kandidà laharana faha-13 fa hamboarina hatao manara-penitra ny kianja. Hapetraka ny vondron-tafika manokana hiady amin’ny tsy fandriampahalemana. Homena fitaovana toy ny fiara 4×4 sy helikoptera miisa 10 ny mpitandro filaminana. Hasian “puce” ny omby. Hahazo hopitaly manara-penitra ny any an-toerana. Hampidirina amin’ireo tanàna tsy mbola misy izany ny rano madio fisotro.Fanamboaran-dalana sy tany hovolen’ny tantsaha…  Eo koa ny fanorenana orinasa hamokatra ireo “panneau solaire” hampihenana ny vidin’ny jiro. Momba ny fanamboaran-dalana, handefa fitaovana “bulls sy ny” tracks” ny tenany. . . Hampitomboina ny tany volena ary hozaraina amin’ny tantsaha ny tany. Eo koa ny famokarana zezika, amin’ny vidiny mora. Hatao manara-penitra avokoa ny EPP sy ny CEG ary ny lycées rehetra.  Notolorana fitaovana koa ireo fikambanan’ny mpanjono amin’ireo faritra ireo. Nampanantena ny hamaha ny olan’ny mpiasa ny tenany. Hapetraka ny toeram-pitrandrahana vato hanaovana “pave” ny lalana sady hiteraka asa koa izany. Hahazo vary amin’ny vidiny mora, manomboka amin’ny herinandro ireo faritra notsidihiny. “Ho tanterahiko avokoa ny nolazaiko. Velirano no ataoko fa ho avy aho ary tonga hanavotra an’i Madagasikara… Matokia ahy fa hanavotra anareo aho ” hoy ihany izy.Ankoatra izany, nohitsiny fa tsy tokony hiala ao amin’ny birao fandatsaham-bato raha tsy vita ny fanisam-bato.Randria  L’article Kandidà Rajoelina: “Havotana amin’ny alalan’ny harentsika ny firenena » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiompiana: tokony ho ambony vidy ny akoho gasy

Tokony ho ambony vidy ny akoho gasy no ho ny akoho biolojika (poulet de chair) eny amin’ny tsena, na amin’ny tsena iraisam-pirenena aza, raha misy mpandraharaha mitady lalana amin’ny fanondranana azy.  Voamarina fa ankifizin’ny mpanjifa maro ny akoho gasy, na ireo vahiny mandalo eto an-toerana. Akoho tsy omena sakafo simika.Ho fanomezan-danja ity lalam-pihariana iray ity, nisy fiofanana nomen-dRatefiarison Mandrindra, teknisianina momba ny fiompiana, hanatevina ny fahaiza-manao eo amin’ny fiompiana akoho gasy. Fiofanana andiany voalohany tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, ary mbola hitohy ny asabotsy ho avy izao. Nahasarika mpiompy maro tamin’ny voalohany teo,  sady fihariana famoronana asa. “Sehatra mbola malalaka sy tokony hampidi-bola betsaka ho an’ny mpiompy izay misafidy azy”, hoy ny mpampiofana.Misy mpiompy sasany, ohatra, tsy manao afa-tsy mivarotra zanak’akoho gasy iray na roa volana, mahalafo 200 hatramin’ny 300 isam-bolana. Arahina amin’izany fiofanana izany koa ny fitandrovana ny fahasalaman’ireo akoho ireo amin’ny fanaovana vaksiny azy miaro amin’ny pesta sy ny barika, ny refin’ny trano ametrahana, araka ny isany, ny sakafo omena azy. Misy ihany koa toro lalana ho an’izay mitady famatsiam-bola hoentina mihary. Izany no atao mba hahamatihanina ny fiompiana. Mbola tsara lavitra ny kalitaon’ny akoho gasy amin’ny lafiny rehetra : tsiro sy fahasalamana hoentiny  ka tokony hakarina ambony koa ny vidiny. R.MathieuL’article Fiompiana: tokony ho ambony vidy ny akoho gasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampandrosoana ny eny ambanivohitra : tsy fantatra mazava ny fampiharana ny tetikasa Padap

Aiza ho aiza izao ny tetikasa Padap*, fampandrosoana ny eny ambanivohitra? Tetikasa maharitra dimy taona, natomboka tamin’ny 2017 ary tokony hifarana amin’ny 2022.Mba hampihenana ny fahasimban’ny tontolo iainana sy hanomezan-danja ny seha-pamokarana, niara-namatsy vola 100 tapitrisa euros ny AFD, ny Banky iraisam-pirenena, sy ny Tahiry ho an’ny tontolo iainana eran-tany nanohanana tetikasa ho an’ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra amin’ny fanatsarana ny manodidina (Padap). Minisitera telo ny miandraikitra ny tetikasa: misahana ny fambolena, ny tontolo iainana, sy ny rano.Voalaza hatramin’izay fa 80% amin’ny Malagasy ny monina any ambanivohitra. Antontanisa mety tsy ho marina intsony amin’izao vanin’andro ankehitriny izao, saingy azo antoka fa mbola betsaka ny mponina any ambanivohitra ary mihamahantra. Simba ny tontolo iainana, ratsy ny lalana, tsy misy herinaratra, fotodrafitrasa maro tsy ampy. Izany ny any ambanivohitra eto Madagasikara amin’izao taonjato faha-XXI izao.Tsy mahavita tena amin’ny lafiny maro eo amin’ny vokatra tena ilaina ka voatery manafatra avy any ivelany: vary, lafarinina, menaka, siramamy, vovo-dronono. Maivana ny vokatry ny fambolena ary kely velarana ny faritra voavoly. Antony miteraka fahantrana lalina eto Madagasikara.Simba ny tany efa kely velarana volena ary vao mainka mahakely ny vokatra; manana velaran-tany midadasika anefa i Madagasikara sy olona maro afaka miasa. Tsy maintsy miainga amin’ny fiarovana ny natiora sy ny manodidina ny fambolena. Faritra efatra nosafidina nanaovana ny tetikasa Padap: i Sava, Analanjirofo, i Sofia, i Boeny. Jerena ny tontolo manodidina any ambanivohitra any amin’ireo faritra ireo ahafahana mahazo vokatra betsaka avy amin’ny ilay tetikasa, saingy tsy hita ny fiantraikan’izany hatramin’izao.Tsy misy ny fitohizan-draharaham-panjakanaNy fiantraikany toekarena nandrasana ny fitombon’ny vokatra hampitombo ny fidiram-bola. Tsy mihitsoka intsony ireo kaominina any ambanivohitra, ny fambolen-kazo ahazoana angovo, fahazoana rano madio fisotro sy ho an’ny fambolena, ary fiambenana ireo faritra arovana hisarihana mpizahatany. Mitaky fitantanana tsara any anivon’ny kaominina anefa izany. Tsy misy mahavaly izay fitohizan-draharaham-panjakana momba ny tetikasa Padap izay ny eny amin’ny toerana tokony ho nanatanterahana izany, ao ny ben’ny Tanàna sasany tsy mahafantatra ny fisian’izany akory. R.Mathieu Padap * : Promouvoir une agriculture durable par l’approche paysageL’article Fampandrosoana ny eny ambanivohitra : tsy fantatra mazava ny fampiharana ny tetikasa Padap a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus

Tafahaona tamin’Andriamahitsinoro Andrea Carolus, mpilalaon’ny Barea ihany, ny alarobia lasa teo, i Julio. Ilay tovolahikely, nametaka ny anaran’i Carolus, teo amin’ny fanamiany. Raha tsiahivina, efa tany Égypte, no hitan’i Carolus, tamin’ny tambajotran-tserasera ilay sary, ary nampihetsi-po azy, izany.Nampitady an’i Julio, izy nony tafaverina teto Madagasikara ka izao nifanena izao, izy mirahalahy mianaka. Manana vina hanampy an’i Julio ho lasa lavitra amin’ny baolina kitra i Carolus fa mbola hiresaka tsara amin’ny reniny aloha. Faly, i Julio sy ny reniny, nihaona tamin’i Carolus. Raha ny fitantaran’i Julio dia tsy tia mpilalao afa-tsy i Carolus izy ary tsy manaiky mihitsy raha tsy mijery baolina rehefa manao ny Barea de Madagascar. Avy any Antsirabe, i Julio ary kilasy taona fahatelo na (10 ème), izy amin’izao.Nanolotra fanamiana misy ny laharana sy ny anarany ho an’i Julio, i Carolus, izay nampirisika azy, hianatra tsara sy hilofo mafy amin’ny filalaovana baolina. Nisaotra sy nankahery an’i Carolus, ihany koa tetsy ankilan’izany, ny renin’i Julio. TompondakaL’article Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

CSM : mpitsara 100 mahery no afindra toerana

“Tsy hoe misy tsy mety ny namindrana azy ireo fa amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa: mba mahazo traikefa be dia be ireo mpitsara ary mifindrafindra toerana. Tokony ho iray ny fomba fitsarana ka fanavaozana fahalalana ny famindran-toerana. Mba tokony hiezaka hanana karazana fisondrotana eo amin’ny asa koa ny sasany.” hoy ny minisitry ny Fitsarana, Andriamahefarivo Johnny Richard, teny Faravohitra, tamin’ity herinandro ity. Mpitsara miisa 100 mahery tamin’ny fanapahan’ny fivorian’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara (CSM) notarihiny.Manahirana rehefa ela loatra amin’ny toerana irayTsy maintsy mandeha mba hitovy fahalalana sy mitondra ny fahaizany any amin’ny faritra hafa ireo ela loatra amin’ny toerana iray. Misy mpitsara mpamoaka didy, mpitsara mpanao famotorana…Natao hifandimbidimby toerana ny mpiasam-panjakana. “Miezaka izahay mba tsy hampaharitra an’izay satria maro ny kazarana fanakianana”, hoy izy. Rehefa ela eo amin’ny toerana iray, manjary manana fifandraisana manahirana: sahirana ny mpitsara, ny olona koa sahirana.R.Nd.L’article CSM : mpitsara 100 mahery no afindra toerana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) francophones. Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 160 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC. MISSION En tant que Téléconseiller(ère) francophone, vos missions seront : PROFIL VOS AVANTAGES Si tout cela vous parle, vous êtes le candidat qu’il nous faut ! Merci de postuler en ligne sur notre site www.eufonie.fr/jobs. Vous pouvez également adresser votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ; Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones".

A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée
17/06/2021

Dans une résidence neuve, fraîchement construite. Appartements Type 2 au Type 4 (avec suite parentale) À louer Vide ou Meublé Bénéficiant d’une Vue exceptionnelle sur la Campagne Avec Grand Balcon/ Terrasse/ Ascenseur/ Parking/ Groupe ÉlectrogèneCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

Emploi et services Antares trade, prêt possible
18/06/2021

Bonjour à tous!Il est maintenant possible de demander un prêt avec Antares. Vous n'avez plus d'excuse pour ne pas vous inscrire sous motif de manque de fond. Antares est là pour vous dépanner, et vous prouver que l'investissement dans le site marche et n'est pas une arnaque comme les gens le pensent. Le prêt va de 100$ à 4000$! Ils appellent l'investissement P2P c'est-à-dire de partenaire à partenaire. Avec cet investissement, vous pouvez percevoir des revenus de 0,5% par jour pendant 12 mois, tandis que la plateforme rembourse votre prêt à votre place. Par exemple vous empruntez 2500$ pour prendre le pack de 2500$. Au lieu de recevoir les 1% par jour soit 25$ par jour environ, vous recevez 12,5$ par jour et votre prêteur revoir également 12,5$ par jour.Il est n'est valable que pour les nouveaux arrivants et ne fonctionne que si: - l'emprunteur sollicite un prêt et s'inscrit auprès d'Antares- l'investisseur émet un emprunt sur 12 mois avec un rendement moyen de 0,5%/jour- l'emprunteur investit dans un produit d'investissement séparé avec un rendement de 0,5% par jourCe programme vous permet de participer à un programme d'affiliation basé sur le marketing linéaire, dont vous pouvez en savoir plus ici : https://antares.trade/antares-p2p-platform/#partners.Pour vous inscrire: https://antares.trade/personal/?signup=MG000823370Pour plus d'informations, veuillez me contacter par mail: shonaliyah3@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Antares trade, prêt possible".

A vendre Mégane Scénic
15/06/2021

A vendre RENAULT MEGANE SCENICVitre Electrique, Verrouillage Centralisé, direction assistée, AIRBAGS, Très Bonne Etat, SANS DEVOIR, Année de mise en circulation 2001, bôite de vitesse manuel, diesel, faible consommation, puissant, 5 places, 5 portes, radio d'origine, intérieur très bonne état. Prix: 11 200 000 ar à debattreContact: 033 37 574 65Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mégane Scénic".

Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)
18/06/2021

Nous recrutons pour un structure d’externalisation, unASSISTANT COMMERCIAL SENIORMissions :- Assurer les premières démarches commerciales (mail / téléphone) via base des données existante- Assurer l’Onboarding des professionnels sur la plateforme- Assistance clientèle sur les démarches d’inscription sur la plateforme- Assurer le suivi des procédures d’achat et de livraisons- Assurer le SAV : Gestion du service client (Mail / téléphone / chat)Profil:- Titulaire d’un bac +3 minimum en commerce, marketing, communication- Expériences probantes dans le domaine de la relation client- Bonne maîtrise du Français (lu, écrit, parlé)- Bonne maîtrise du pack office- Autonome, rigoureux (se) et professionnel (le) Envoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence ASSISTANTCOMS-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

Emploi et services Un Contrôleur de gestion
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans la relation clientèle et BPO à Madagascar, recherche activement un (01) contrôleur de gestion :   Vous aurez pour mission :Votre Profil :Vos avantages :Merci d’adresser votre candidature composée de votre CV et d’une lettre de motivation à l’adresse recrutement@eufonie.frSeules les candidatures présélectionnées feront l’objet d’un entretienCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Un Contrôleur de gestion".

Emploi et services Gagner de l'argent en ligne
19/06/2021

Nous vous proposons une opportunité intéressante pour gagner de l'argent en ligne. Votre rôle consiste à remplir des micro-tâches comme répondre à des sondages, essayer certaines applications, répondre à des quiz etc. Cliquez sur ce lien :https://paidera.com/?r=2057784Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagner de l'argent en ligne".

Emploi et services PDF à propos de ADWORD
14/06/2021

Vous vous demandez peut-être comment les grandes entreprises utilise la technologie pour promouvoir ses produits.Ne vous inquiétez voici-ci quelques notion qui pourrait vous aider.Dans ce pdf de Content Marketing 101https://bit.ly/3cqJQLY AdWords Annihilationhttps://bit.ly/3zavLMDCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services PDF à propos de ADWORD".

Notsongaina

FETIN’ NY RAY SY ASARAMANITRA : VAO NAHATONGA ENTANA NY BAOLAI
18/06/2021

Ao anatin’ ny fankalazana fety marobe ny eto amintsika amin’ ity volana ity, ny Alahady 20 Jona 2021 ho avy izao ohatrany  fetin’ ny ray, eo ihany koa ny fetim-pirenena. Tsy diso anjara amin’ izany fankalazana ny fety samihafa izany ny Tranombarotra« Baolai ». « Ny marika « Hisense » izay mpanohana ofisialy ny« Euro 2020 » dia efa hita ato aminay, etsy Analakely,Soarano ary ao Bazar Be – Toamasina » hoy ny tompon’andraikitra. Ho an’ ny fetin’ ny ray dia maro ny zavatra azo atao fanomezana ao amin’ izy ireo. Toy ny : Smart tv sy télé led, misy manomboka 22 hatramin ‘ ny 85  » –  laser tv 100  » ( misy antoka herintaona daholo), Gsm, cuisinière à gaz et électrique, synthétiseur, machine à laver, réfrigérateur, table de mixage, four micro – onde, amplificateur… « Ho fiarahana mankalaza ampifaliana ny fetin’ ny asaramanitra malagasy, dia vao naha tonga entana lohalaharana amin’ ny kalitao izahay » hoy hatrany ny tompon’ andraikitra. Ny ankoantran’ izay dia azo fantarina ao amin’ ny « site web »sy pejy fb : baolai ary ao amin’ ny 034 56 288 21 (amin’ ny ora fiasana). Dia ho fety feno fifaliana tokoa ity volana Jona2021 ity miaraka amin’ ny entana tsara kalitao hita ao amin’ ny tranombarotra « Baolai ». Cet article FETIN’ NY RAY SY ASARAMANITRA : VAO NAHATONGA ENTANA NY BAOLAI est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FETIN’ NY RAY SY ASARAMANITRA : VAO NAHATONGA ENTANA NY BAOLAI a été récupéré chez Délire Madagascar.

Vaksiny – Taitra koa ny KMF/Cnoe: “Takinay ny hiantsoan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny OMS”
19/06/2021

Taitra sy gaga koa ny fiarahamonim-pirenena. “Mian­tso ny minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny (MAE) izahay mba hampiantso ny solontena maharitry ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana mba hitondra fanazavana bebe kokoa momba ny antony tsy aneken’ny UE ity vaksiny “Covishield” ity », hoy ny fanambaran’ny KMF/Cnoe, omaly. Anton’izany ny fanambarana nataon’ny firenena frantsay sy ny eo anivon’ny UE fa tsy ekena ho vaksiny ahafahana mivezivezy malalaka any amin’izy ireo ny «Covishield». Notsiahivin’ny fanambarana anefa ary anisan’ny nahagaga ny maro fa io vaksiny io no tonga eto sy nampiasaina tamin’ny alalan’ny hetsika “Covax”. «Tafiditra ao anatin’ny mpanome sy mpanohana izany rafitra izany ireo eo anivon’ny UE, ny Anglisy sy ny Amerikanina. Eo koa ny Pnud, ny Unicef ary indrindra ny OMS», hoy ihany izy ireo. Manampy izany ny fahatongavan’izy ireo nitsena ilay vaksiny teny Ivato sy ny fanambarana iombonana nataon’izy ireo nandritra izany. Nanamafy ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamana amin’ny fitakiana fanazavana amin’ny OMS koa izany izao ny KMF/Cnoe. Mampirisika ny MAE kosa anefa izy ireo hampiantso io rafitra iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana io.Synèse R.L’article Vaksiny – Taitra koa ny KMF/Cnoe: “Takinay ny hiantsoan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny OMS” a été récupéré chez Newsmada.

Taksiborosy Sprinter niala moto- RN4: Olona 4 maty tsy tra-drano, mpandeha 20 naratra mafy
19/06/2021

Olona roa tamin’ilay moto no namoy ny ainy teo no ho eo. Mpandeha 20 tao anatin’ilay taksiborosy Sprinter no voalaza fa naratra mafy, lehilahy roa maty. Ireo no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina, nitranga, omaly maraina, tao Andakana, kaominina Andranolava, distrikan’i Marovoay (RN 4), omaly maraina.Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray ny lalam-pirenena fahefatra, omaly maraina tokony ho tamin’ny 06 ora. Tra-doza tamin’izany ny taksiborosy mampitohy an’Antsohihy sy Mahajanga teo amin’ny PK 525 +800 Berivotra, fokontany Anda­kalaka, kaominina ambani­votr’Antanambao-Andrano­lava, distrikan’i Marovoay. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tafakatra efatra ireo olona namoy ny ainy. Olona 15 hafa koa naratra mafy, ankoatra ireo, olona telo ihany koa mbola marary tsy mahatsiaro tena. «Nifampilahatra ny taksiborosy Sprinter roa hamonjy an’i Mahajanga, avy eo naka sisiny ny iray tamin’izy ireo, niala lavaka tamin’ny “dos d’âne” sady niditra fiholahana. Teo no nifanena tampoka tamina moto nanao taingin-telo avy any Mahajanga ny fiara», hoy ny fanazavan’ny brigade de la police routière (BPR). Mafy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka nivadibadika avy hatrany ny taksiborosy ary noraofiny niaraka taminy ilay moto. Samy tsy nisy tafajanona na ilay moto na ilay fiara fa nifatratra tany an-tokotanin’olona. Vokany, olona roa tamin’ireo nandeha moto no maty teo no ho eo voatsindrin’ny entana tao anaty tatatra dia ny zazalahy 8 taona sy ny rainy 41 taona.Naratra mafy Naratra mafy tamin’izany ny vehivavy iray, vadin’ilay lehilahy mpitondra moto sy ny renin’ilay ankizilahy namoy ny ainy. Maty tsy tra-drano ihany koa ny lehilahy roa 26 sy 34 taona, mpandeha tao anaty ny taksiborosy. Taorian’izay, tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy ao amin’ny faritra Boeny. Nalefa vonjimaiaka tao amin’ny hopitaly An­drova-Mahajanga avokoa ireo tra-doza. Olona 15 tao anatin’ilay taksiborosy no naratra mafy sy mbola manaraka fitsaboana ary olona telo hafa no mbola tsy mahatsiaro tena, hoy ny fanazavan’ny zandary. « Surveillante ao amin’ny CRINFP na Institut national de formation pédagogique ao Mahabibo ilay ramatoa nandeha moto », hoy hatrany ny loharanom-baovao. Nanao fanambarana ny governoran’ny faritra Boeny sy ny mpiara-miasa aminy rehetra fa maneho fiaraha-miory amin’irreo fianakavian’ireo namoy ny ainy. Ary mirary fahasitranana feno ho an’ireo maratra.Henintsoa HaniL’article Taksiborosy Sprinter niala moto- RN4: Olona 4 maty tsy tra-drano, mpandeha 20 naratra mafy a été récupéré chez Newsmada.

Hisy ny “Festival Sômaroho!” 2021: ho vahinin’i Wawa i Innoss’B
16/06/2021

Hotontosaina ny 25 hatramin’ny 29 aogositra izao ny “Festival Sômaroho!” 2021, any Nosy Be. Efa andro vitsivitsy lasa izay ny nanambara izany tao amin’ny pejy “facebook” i Wawa, mpanorina ny hetsika. Vaovao lehibe faharoa, fantatra fa ho vahinin’ny hetsika manokana i Innoss’B, mpanakanto avy any Congo, efa manana ny lazany eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena. Mazava loatra fa tsy tongatonga ho azy ny safidin’i Wawa sy ny ekipany mpikarakara ny “Sômaroho!”, raha niantefa any amin’i Innoss’B. Niaka-daza vetivety mantsy ity mpanakanto mivoy ny pop afrikanina ity, indrindra taorian’ny nivoahan’ilay hirany “Yo Pe”. Nahaliana an’i Diamond Platnum izy tamin’io hira io, izay niarahan’izy ireo namerina. Ito farany izay mpanakanto tanzanianina, manana ny lazany ary efa vahinin’i Wawa tamin’ny “Festival Sômaroho!” ihany koa. Toy ny mahazatra, hanampy ny vahiny manokana ireo mpanakanto malaza avy eto an-toerana. Tsy mbola nisy, hatramin’izao, ny fampahafantarana avy amin’ny komity mpikarakara fa ho avy miandalana kosa izany raha ny fanazavana. Ny azo antoka aloha izany, efa vonona ny mpikarakara ny “Festival Sômaroho!”, izay ao amin’ny kianjan’Ambodivoanio hatrany.Zo ny AinaL’article Hisy ny “Festival Sômaroho!” 2021: ho vahinin’i Wawa i Innoss’B a été récupéré chez Newsmada.

Ramamimampionona Gérard : “Ho an’ny manan-tsaina ny fananganan-tsaina”
15/06/2021

“Natao ho an’ny olona manan-tsaina ny fananganan-tsaina. Manana ny lamba na ny faneva fotsy,mena,maitso. Mahalala sy mahatadidy ny dikany, manambara fiombonana, fihavanana, fitiavan-tanindrazana, asa… Eo koa ny fikirizana, ny fanantenana, ny soa iombonana… “, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Ramamimampionona Gérard. Tsy miankina amin’ny mpitondra fanjakana izany, fa amin’ny maha Malagasy: atsangana ny saina. Tsy ijerena ny manodidina koa izany, ka izay mampiray indray no mampitabataba na mety hampiady. Tsy natao hampiady ny saina fa mampiombona.Isan-taona ve dia entanina amin’ny fananganan-tsaina? Mahatadidy ny raiamandreny. Manan-tsaina ve? Mahalala ny antony sy ny ananganana azy ary izay raketiny. Marika sy vavolombelon’ny fitiavanan-tanindrazana sy fahavononana hijoro sy hampijoro ny fahaleovantena. Tsy misy fahaleovantena tonga ho azy, raha tsy ny isam-batan’olona miakatra tsikelikely no manorina sy mandrafitra azy.Tsy mbola very fanantenana        “Na inona na inona antony, fantatsika fa mahantra ny firenentsika ara-politika, toekarena, sosialy… Ao anatin’izany no vao mainka hananganan-tsaina, fa tsy mbola very fanantenana isika”, hoy izy. Mbola misy ny toe-tsaina sy ny finiavana tsara. Eo koa ny harena nomen-Janahary, ny fihavanana… Izay no ahazoana mijoro, ary ananganan-tsaina.Ny fotsy, milaza ny fihavanana, ny fahadiovana, ny fahamarinana… Izay no enti-manangana ny fahaleovantena. Ny ra latsaka teo amin’ny fitiavana tanindrazana sy ny sorona vitan’ny raiamandreny teo aloha ny mena. Na ho fanajana ny teo aloha noho izany ihany aza: atsangana ny saina. Ny maitso: fanantenana. Tsy manary fanantenana izany ny olombelona, raha mbola velona.R.Nd.L’article Ramamimampionona Gérard : “Ho an’ny manan-tsaina ny fananganan-tsaina” a été récupéré chez Newsmada.

Tsy ambanin-javatra ny fampianarana sy fahasalamana
15/06/2021

Tsy natao ambanin-javatra ny lafiny fampianarana sy fanabeazana ka notolorana dabilio 25, fanitso 25 avy ho an’ny sekoly ambaratonga voalohany ao Vohipeno Razanaka, Fanasana, Lohariandava, ary Andekaleka. Etsy an-kilany, saika nitondra fitarainana ireo ben’ny tanàna nolalovana rehetra noho ny tsy fisian’ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra Fram, efa ho telo taona. Nohamafisin’ ny depiote Brickaville, i Satra Augustin, fa saika manerana disitrika manontolo mihitsy no tsy nisy io fandraisana ho mpiasam-panjakana io. Ny raiamandreny anefa efa reraka sy mizaka vesatra amin’ny fanohanana ny mpampianatra Fram.Satria mirongatra ny karazan’ aretina azo avy amin’ny renirano, toy ny fivalanana sy hafa dia handefasana teknisianina hanao fanadihadiana momba ny fampidirana rano fisotro ho an’ ireo kominina sy fokontany mbola tsy misitraka izany. Notolorana arovava orona ireo ankizy hiatrika fanadinam-panjakana rehetra isaky ny kaominina nolalovana ary fitaovana fanasana tanana sy savony.  Ampiana fitaovana ireo toeram-pitsaboana hanomezana tombony ny reny hiteraka.  Nanatontosa : SajoL’article Tsy ambanin-javatra ny fampianarana sy fahasalamana a été récupéré chez Newsmada.

Vaccination contre la Covid-19 : Bilan final connu ce jour selon le Ministère de tutelle
19/06/2021

Les vaccinés du Covishield attendent leurs secondes doses. Des dizaines de milliers de vaccins Covishield périmés devraient être détruits ou enfouis, si l’on se réfère aux explications du ministère de la Santé publique malgache. «Les statistiques relatives au nombre de personnes vaccinées ont connu une hausse considérable ces derniers jours. Je pense que l’on a pu administrer 200 000 doses de vaccins Covishield à la fin de la campagne». Propos d’un responsable auprès du ministère de la Santé publique joint au téléphone hier pour faire état de la situation de la campagne de vaccination menée à Madagascar. Selon le responsable, «les gens se sont rués vers les vaccinodromes une semaine avant la date butoir de la campagne». Une habitude typiquement malgache selon certains observateurs qui n’ont pas manqué de rappeler les différentes réactions et propos concernant le vaccin et ses éventuels effets secondaires. Les premières heures de la campagne de vaccination n’ont, en effet, pas été concluantes à Madagascar. Il aura fallu que le ministère de la Santé publique et ses partenaires accentuent les campagnes de sensibilisation pour avoir une certaine adhésion de la population, surtout celle de la capitale Antananarivo. Périmés. Une tendance qui a changé vers l’approche du deadline. Les dernières statistiques du 15 juin dernier témoignent d’ailleurs de cet engouement tardif de la population. Il y a eu, ce jour-là, 150 000 doses administrées dans tout le pays selon les chiffres officiels. Les deux derniers jours auraient donc enregistré environ 50 000 administration, si l’on se réfère à la projection du responsable auprès du ministère de la Santé publique. Interrogé sur le devenir des doses non administrées, le responsable du ministère de tutelle de faire savoir qu’il est encore «trop tôt pour savoir si l’on va les détruire ou les envoyer dans des sites d’enfouissement bétonnés comme celui d’Ambohidroa pour les condamner». Selon toujours les responsables, cette question sera «élucidée après le bilan officiel de la première phase de la campagne anti-covid». Ce qui devrait se faire ce jour d’après toujours les dires de notre source. Si la campagne a pris fin, l’on se pose déjà des questions sur sa deuxième phase. Notamment sur le nombre de vaccins à importer, les personnes cibles et les éventuels changements en matière de stratégie vaccinale. José Belalahy L’article Vaccination contre la Covid-19 : Bilan final connu ce jour selon le Ministère de tutelle est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Vaccination contre la Covid-19 : Bilan final connu ce jour selon le Ministère de tutelle a été récupéré chez Midi Madagasikara.

RNI Arivonimamo : Un camion percute une maison
14/06/2021

La ville d’Arivonimamo était en effervescence, vendredi 11 juin en début de matinée. Ce jour-là vers 2 heures du matin, les habitants du fokontany de Miadamanjaka, dans le centre-ville de la commune d’Arivonimamo, ont été réveillés de bon matin par un grand vacarme. Sortis de leur domicile, ils ont été face à un camion encastré dans une maison. Leur inquiétude s’est dissipée en voyant l’accident qui venait de se produire. Selon les informations, le poids lourd sortait d’un garage situé près de la maison détériorée, quand son chauffeur a accidentellement embouti la demeure en question avec son véhicule. Le camionneur a perdu le contrôle de l’engin. À entendre ses explications, le problème vient d’un blocage au niveau de l’accélérateur. Il en est sorti sain et sauf comme toutes les personnes présentes dans la maison endommagée. En effet, aucun mort ni blessé n’a également été constaté. Quoi qu’il en soit, la gendarmerie nationale, et notamment ses éléments travaillant dans la région Itasy, qui est servie par la RN1 (axe réputé dangereux en matière de circulation) a sensibilisé la population à être vigilante. T.M. L’article RNI Arivonimamo : Un camion percute une maison est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article RNI Arivonimamo : Un camion percute une maison a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Izay manan-tsaina, manangan-tsaina…
14/06/2021

Amin’izao ankatoky ny 26 jona izao, lasa adihevitra etsy sy eroa ho azy ary ifampijerijerena havia sy havanana ny amin’ny fananganan-tsaina enti-manamarika sy mankalaza ny ny fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena. Mbola mila fampahatsiahivana, fanentanana, fanazavana. Misy ny manadino na tsy mahalala? Na manao fanahy iniana… Ao ny tsy misy na tsy manana saina ka tsy manangan-tsaina?Misy ny mahita ka milaza fa difotry ny fahasahiranana efa ho lava ny ankamaroan’ny olona, tsy tsarotsaroana ho azy mbamin’ny fiainam-pirenena. Tsy mahagaga raha tsy mahatsiaro saina? Mbola mafy fa tsy mahafa-bela koa ny dona sy ny fiantraikan’ny fihibohana noho ny hamehana ara-pahasalamana iadiana amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19. Tsy hita na verivery ho azy mbamin’ny saina ny an’ny sasany?Tsy vitan’izay, misy koa ny tena manao fanahy iniana noho ny antony politika: tsy mahazoazo na tsy mahazaka ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Any amin’ny saina no miala vonkina? Toa ny firenena no iadiana, ny fiandrianam-pirenena no tsy ahatsiarovan-tsaina. Anamarinan-tena amin’izany ny hoe tsy mbola mahaleo tena i Madagasikara, very ny hasin’ny fiandrianam-pirenena… Izany moa no inona?Tsy vao mainka fanariana hasina ny fiandrianam-pirenena ve ny tsy fananana sy fananganana saina amin’izany? Ady fiady mandrakariva… Tsy ao anatin’ny ady aza ve, ohatra, ny mpiantafika no tena mampiseho saina fa vonon-kiady sy vonon-kandresy? Tsy arefarefa na afenina ny saina. Misy ny minia manabotetaka saina amin’izao fahatsiarovana ny fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena izao?Na ahoana na ahoana, ndeha hanova na hanovana ny maha firenena ny firenena sy ny fiandrianany ve, ohatra, ny tsy fitovian-kevitra politika? Dia arefarefa ny saina, ahorona ny saina, tsy mitsangana ny saina… Nefa misy ihany ny hoe manana sy misy saina? Na heverina ho izany… Izay manana sy misy saina, manangan-tsaina. Mba tsy ho voasarika amin’izany koa ny hafa na ny tena. Mila ampiasaina ny saina?Rafaly Nd.  L’article Izay manan-tsaina, manangan-tsaina… a été récupéré chez Newsmada.

Hitohy hatramin’ny rahampitso ny erika: hidina hatramin’ny 8°C ny maripana eto afovoan-tany
14/06/2021

Raha tafakatra 13°C ny maripana ho an’ny faritra Vakinankaratra, roa andro lasa izay, tombanana hidina hatrany amin’ny 8°C izy, rahampitso. Hidina torak’izany koa ny maripana ho an’ny rahampitso, ialoavan’ny zavona maraina, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetr’andro, omaly. Ho an’ny telo andro ho avy, satria mbola ao anatin’ny vanim-potoana ririnina isika, manodidina ny 23°C ny maripana ambony indrindra. Momba ny toetr’andro, mbola hitohy anio ny orana sy ny erika ho an’ny ilany atsinanana sy eto afovoan-tany. Misy tangoron-drahona ao amin’ny ilany atsinanana, manakaiky ny morontsirak’i Mahanoro ny foibeny, izay mitondra ny orana. Efa mihamanalavitra ny morontsiraka izy manomboka rahampitso. Mbola hitohy noho izany ny Erika, rahampitso, eto afovoan-tany fa hiverina ho maina ny andro, ny alarobia. Ahitana fikorontanana koa ny atmosifera ao amin’ny lakandranon’i Mozambika, manatona ny atitany mitondra orana eto afovoan-tany, rahampitso. Hikisaka any amin’ny ilany avaratra ny orana, ny alarobia, raha any amin’ny tapany atsinanana izy no manjaka izao.Anio tolakandro, handrahona any Boeny, Melaky, Anosy, Androy, Sava, Diana sy ny morontsirak’i Menabe ary ny tapany Atsimon’Atsimo Andrefana. Hanjombona mety arahina orana na tandrifin-drahona indraindray ny faritra sisa.Vonjy A.L’article Hitohy hatramin’ny rahampitso ny erika: hidina hatramin’ny 8°C ny maripana eto afovoan-tany a été récupéré chez Newsmada.

Tsangambaton’ny faha-100 taona: vita ny « tribune » an’ny seminera zandriny eny Ambohipo
19/06/2021

Noraisina vonjimaika. Ni­dina teny amin’ny kianjan’ny seminera zandriny eny Am­bo­hipo, ny arsevekan’Antanana­rivo, ny Mgr Razanakolona Odon sy ny filohan’ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny seminera zandriny, Andriama­nanoro Augustin, afakomaly. Nijery ifotony ny fahavitan’ ny “Tribune” ho an’izao jobily izao izy ireo. Efa mamaramparana ny asa amin’ny fanaovana izany fotodrafitrasa izany ny orinasa nisahana ny fanamboarana azy. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny tetika­san’ny filoham-pirenena ta­min’izany fa niainga tamin’ny hetahetan’ireo seminarista zandriny izao fananganana ny sehatra eo amin’ny kianja izao.Mbola hohatsarainaNiarahana amin’ireo mpi­ara-miombona antoka rehetra izany. “Io aloha ny bainga voavadika fa mbola ho avy ny fanatsarana bebe kokoa”, hoy izy. Nanteriny fa hamaha ny olana amin’ny fahamaroan’ny oloan tonga eny an-toerana rehefa fotoan-dehibe ny fahavitan’izao fotodrafitrasa izao. Nanamafy izany ny Mgr Razanakolona Odon, nilaza fa ilaina ny zavatra maharitra tahaka izao. Tsy mbola hotokanana anefa izany fa iandrasana ny fotoana avy amin’ny diosezy. “Fandraisana ny asa vita ara-teknika ny natao”, hoy izy. Mbola hisy ny fanarenana ny kianja amin’ny herinandro ary hojerena koa ny hanitarana ahazoana toerana maherin’ny 100 eo amin’ny “Podium” ankoatra ny efa vita.Synèse R.L’article Tsangambaton’ny faha-100 taona: vita ny « tribune » an’ny seminera zandriny eny Ambohipo a été récupéré chez Newsmada.

Fanalam-baraka tamin’ny facebook: naiditra am-ponja ao Nosy Be i Jackson nidaroka tovolahy iray
15/06/2021

 Naiditra am-ponja vonjimaika ao Nosy Be Hell Ville rehefa avy natolotra ny fampanoavana i Jackson, ilay tovolahy nidaroka sy nanakenda tovolahy iray tao Dzamandzar, izay voalaza fa nanala baraka azy tamin’ny facebook (i Jackson io). Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny anabaviny raha eo am-pikarohana ilay olona tompon’antoka tamin’ny fakana ilay video ny zandary. Notazonina nanaovana famotorana teny amin’ny zandary izy mianadahy ireto ka izao niafara tamin’ny fampidirana am-ponja izao. Nomen’ny dokotera “certificat médical” sy 15 andro tsy fahafahana miasa ilay tovolahy niharan’ny herisera nataon’i Jackson. Tsiahivina fa isan’ny video be mpijery ity niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera facebook ity. Nalaina sary tamin’ny telefaonina finday ny fomba nidarohan’i Jackson ity tovolahy nampangainy ho nanala baraka azy tamin’ny facebook ity. Nolazain’ity tovolahy niharan’ny herisetra ity fa “pédé” sy mpivaro-tena amin’ny vazaha i Jackson ka izao nifanazava tamin’ny alalan’ny video nalefa tamin’ny facebook izao sady niafara tamin’ny herisetra izany. Nanamparan’i Jackson ny fony tamin’ny alalan’ny daroka ilay niharam-boina ka naratra ary saika niafara tamin’ny ainy mihitsy izany vao navelany. Tsy afa-nanohitra ilay niharam-boina noho ny habe tsy mitovy, saingy nametraka fitoriana teny amin’ny zandary. Niezaka nanazava ilay soratra filazana fanalana baraka tany anaty facebook ilay tovolahy niharan’ny daroka, saingy tsy ankijanona ny daroka sy vono nahazo azy. Karohin’ny zandary, araka izany, ilay olona naka ity video ity.J.CL’article Fanalam-baraka tamin’ny facebook: naiditra am-ponja ao Nosy Be i Jackson nidaroka tovolahy iray a été récupéré chez Newsmada.