Fahasalamana: namono olona telo ny covid-19

News - Fahasalamana: namono olona telo ny covid-19

News - Fahasalamana: namono olona telo ny covid-19

 

Olona telo no matin’ny covid-19, ny
talata 8 jona teo. Teto Analamanga avokoa izy ireo raha ny tatitry
ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Mbola misy olona 28 vaovao koa
nahitana ny tsimokaretina coronavirus tamin’ireo olona 366
nanaovana fitiliana. Teto Analamanga ny sivy tamin’ireo, efatra
Matsiatra Ambony, telo Ihosy sy Sofia ary roa avy Ihorombe sy
Atsinanana ary vatovavy Fitovinany. Iray avy kosa Diana, Atsimo
Andrefana, Menabe ary Ihorombe.

Mbola misy olona 110 arahi-maso
akaiky ny fahasalamany eny amin’ny hopitaly satria maneho tranga
fahasarotana izy ireo. Tetsy an-daniny, nisy olona 35 sitrana soa
aman-tsara na dia niady mafy tamin’ny fahafatesana aza.

Tatiana A

 

Article tiré de Newsmada

L’article Fahasalamana: namono olona telo ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Tetikasa WISH2Action: hisitraka tolotra fananahana ara-pahasalamana ireo marefo  

19% ny tahan’ny filana tsy voavaly amin’ny fandrindram-piterahana eto amintsika, tanjona ny hampihena izany ho 9%. Mahatratra 38% kosa ny tahan’ny fampiasana ireo karazam-panafody fanabeazana aizana izay heverina fa ampitomboana ho 50% afaka herintaona. Hifototra amin’ireo asa ireo ny andraikitry ny tetikasaWISH2Action izay haharitra telo taona ka hanome tolotra ho an’ny olona marefo sy sahirana amin’ny fananahana ara-pahasalamana amin’ny faritra 21, ankoatra ny faritra Melaky. Hatramin’izay, tsy misy mpijery ireo sokajin’olona ireo toy ny vehivavy manana fahasembanana, tanora, vehivavy sahirana ara-pivelomana…ka tsy afaka nikarakara ny fananahana ara-pahasalamany. Ny Maries Stopes Madagascar (MSM) efa manana ny fahaiza-manao sy ny traikefa ary rafitra miparitaka amin’ny faritra no hisahana ny asa. Ampiasaina koa ny fiara tsy mataho-dalana sy ny moto ho an’ny toerana saro-dalana. Manohana koa ny ivontoeram-pahasalamana Blue Star sahanin’ny tsy miankina. Mamatsy vola ny tetikasa ny fanjakana britanika izay manokana vola 10 tapitrisa euros, araka ny fanazavan’ny masoivoho britanika eto amintsika, dokotera Philip Boyle. Firenena 27 aty Afrika sy Azia no hanatanteraha ny WISH2Action. Tombanana ho 330 000 ny mpahazo tombontsoa amin’ny tetikasa ka ny 15% amin’ireo tanora latsaky ny 20 taona. 38% vehivavy sambany hampiasa fanafody fandrindram-piterahana ary 78% olona sahirana ara-pivelomana. Raha tanteraka  ny vina, 370 000 ny vohoka tsy nirina ho voasoroka raha 5 000 ny fahafatesan-jaza tsy hitranga ary reny 630 no ho avotra amin’ny fahafatesana.Vonjy A. L’article Tetikasa WISH2Action: hisitraka tolotra fananahana ara-pahasalamana ireo marefo   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy fahatomombanan’ny milina ao Andelakela: lasa faobe ny fahatapahan-drano eto Antananarivo  

 Fay rano Antananarivo! Lasa faobe ny fahatapahan-drano ka mampitaraina ny mponina. Misy tsy fahatomombanana ny milina ao Andekaleka ka mahatonga izao tsy fisian’ny rano izao. Mitohy ny fahatapahan-drano eto Antananarivo, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Nimenomenona ny olona fa tsy nahazo rano na ireo manana famatsin-drano ao an-trano na ireo mampiasa ny paompy iraisana.Lasa olana iraisan’ny vahoaka eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ny tsy fisian-drano tao anatin’ny herinandro maromaro ka manakorontana ny fiainana andavanandro mihitsy. Anisan’ny niharan’ny fahatapahana ny teny Mahazo, Amboanjobe, Andoharanofotsy… Teny Amboanjobe (RN 7), efa ho telo andro no tapaka ny rano ary tsy mbola niverina, hatramin’ny omaly.Tsy maintsy mitady vahaolana amin’ny mpiray monina manana lava-drano na koa mandeha mantsaka lavitra. Mitombo ny vola mivoaka amin’ny isan-tokantrano amin’ny fividianana rano satria mila manomana hatramin’ny 10 000 Ar karaman’ny mpantsaka sy ny vidin-drano.Nanome vahaolana amin’ny fizaran-drano amin’ny kamiaobe ny Jirama ho an’ny fokontany maromaro voakasika. Misy ireo mponina nanambara fa tsy nahita  ny fizaran-drano mitety vohitra hatramin’izao.Nanamafy ny Jirama fa misy fikorontanana ny famatsiana rano amin’ny toerana maro eto Antananarivo noho ny tsy fahampian’ny tanjaka herinaratra ilain’ny tobim-pamokarana rano eny Mandroseza.Vokatry ny tsy fahatomombanan’ny milina mpamokatra herinaratra avy ao Andekaleka. Efa mamerina izany ny teknisianin’ny Jirama ka hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana rano aorian’izay.Mandra-piandry izany, sahirana ny vahoaka satria aina ny rano. Nisy ny fivoriana niarahan’ny minisitry ny Rano sy ny mpiasan’ny Jirama nijerena ny vahaolana momba ity fahatapahan-drano faobe ity.Vonjy A. L’article Tsy fahatomombanan’ny milina ao Andelakela: lasa faobe ny fahatapahan-drano eto Antananarivo   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Isoanala – Betroka: trano fanamboarana basy sy basy telo saron’ny zandary

Ravan’ny zandary ny toerana fanamboarana basy ao kaominina ambanivohitr’Isoanala, distrikan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Miray tsikombakomba amin’ireo dahalo ny mpanamboatra ireto fitaovam-piadiana ireto…Basy lava telo efa vita rafitra (iray efa vita sy basim-borona roa tsy misy taratasy) ary basy roa vao an-dalam-pandrafetana ary fanamboarana basy. Ireo ny fitaovana hitan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Isoanala, distrikan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, nahazo loharanom-baovao izy ireo fa misy olona atao hoe Rata mipetraka ao Ankoraoky, fokontany Lavalila, kaominina ambanivohitr’Isoanala, distrikan’i Betroka voalaza fa mpanamboatra sy mpivarotra basy ho an’ny dahalo. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny zandary ka tratra tao avokoa ireo basy rehetra ireo. Nambaran’ny zandary fa tsy tao an-toerana ilay olona voalaza fa mpanamboatra basy fa ny rahalahiny no tratran’ny zandary tao an-trano.Basy Mas 36 iray koa azon’ny zandary tao Ambalamanakana distrikan’Ambositra, ny asabotsy vao mangiran-dratsy teo. Nahazo angom-baovao ny Kolonely kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana fa hoe misy olon-dratsy mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo mitazona basy mahery vaika ao Ambalamanaka. Nihazo ilay toerana avy hatrany ny zandary notarihin’ny lefitry ny kaompanian’ny zandarimaria Ambositra ka hita tao tokoa ny basy Mas 36 ora. Nogiazana avy hatrany ilay basy ary noraisim-potsiny ilay olona voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fihazonana ity fitaovam-piadiana mahery vaika ity. Nohamafisin’ny zandary fa dimy izay ny basy mahery vaika tratra, tao anatin’ny telo herinandro teo.Jean ClaudeL’article Isoanala – Betroka: trano fanamboarana basy sy basy telo saron’ny zandary a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsipy kanetibe – « Mondial La Marseillaise »: nivadika ho rombo ny lalaon’i Marseille sy i Belzika

Ratsy fanombohana ny andiany faha-59, amin’ny «Mondial La Marseillaise», taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana tanterahina ao amin’ny Parc Borely, Marseille, nanomboka ny alahady 30 aogositra lasa teo. Niafara tamin’ny gidragidra sy rombo mantsy ny lalaon’i Belzika sy ny ekipan’i La Marseillaise, teo amin’io andro voalohany io.Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa mazava, 13 no ho 1, ry zareo Belza, tamin’izany. Nilamina ny fiafaran’ny fihaonana ary nifandray tanana tsara ny roa tonta. Ry zareo Marseillais no nanambara fa hitondra ny tarehimarika eny amin’ny tomponandraikitra. Natoky tanteraka azy ireo ny Belza. Tsy izay anefa ny nitranga fa nivadi-pitokisana ireo mpifanandrina ka nilaza fa izy ireo no nivoaka ho mpandresy. Saika handeha hanamafy io fandresena azony io i Belzika avy eo no gaga nahita fa resy izy ireo. Niezaka nanazava amin’ireo tomponandraikitra ry zalahy ary nanomboka teo ny gidragidra niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana.Vokatr’izay, nisy ireo mpijery sy mpanohana ny ekipa naratra sy vaky loha. Voatery niditra an-tsehatra ireo mpitandro filaminana sy ny mpikarakara ny “Mondial La Marseillaise”. Nanapa-kevitra ny mpitsara fa tsy afaka mandray anjara intsony ny ekipa roa tonta. Marihina fa nahatratra 2 656 ny isan’ireo mpandray anjara, tamin’ity, ka nisy mpilalao malagasy. Anisan’ireny ry Andrianiriana Marc sy i Andry Luc, avy amin’ny ekipa Berre, 13 Marseille, sy ry Avedikian Jean, i Herimanana Claude Herve, Ratsimba Hery Nirina Edmond, ekipan’i  Salins Petank, 63 Clermont-Ferrand.Haharitra alarobia 2 septambra ho avy izao ity fifaninanana ity, izay tsiahivina fa tokony ho natao ny 5 – 9 jolay lasa teo, saingy nahemotra noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19. TompondakaL’article Tsipy kanetibe – « Mondial La Marseillaise »: nivadika ho rombo ny lalaon’i Marseille sy i Belzika a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Tale jeneralin’ny Bianco

Anio no hanao ny fianianany, etsy amin’ny Fitsarana tampony Anosy, Andrianirina Laza, tale jeneraly vaovaon’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco), izay voatendry tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra, natao tamin’ny 25 jolay lasa teo. Tsiahivina fa hisolo toerana an’Andriamifidy Jean Louis, tale jeneraly teo aloha izy, ary hiasa mandritra ny dimy taona tsy azo havaozina. L’article Tale jeneralin’ny Bianco est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – «Can 2021»: “Azo atao tsara ny mitazona ny laharana roa voalohany”, hoy i Dupuis

Nambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar fa vondrona azoazo, ny misy an’i Madagasikara, eo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny toerana any amin’ny “Can 2021”, tanterahina any Kameronina. Raha tsiahivina, ao amin’ny sokajy K, miaraka amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy i Niger ary i Kenya no misy ny Barea de Madagascar. “Tokony ho tafiditra ao anatin’ireo roa voalohany, ny Barea de Madagascar. Raha ara-taratasy, ambony lavitra ny Barea, raha mitaha amin-dry zareo Kenyanina sy Niger. Ny Ivoarianina no mafy, saingy miankina amin’ny fanomanana ny zava-drehetra”, hoy  izy.Marihina fa samy niatrika ny “Can 2019”, tany Egypta i Kenya sy i Côte d’Ivoire. Raha tsiahivina, tsy nivoaka vondrona ny Kenyanina, raha nihintsana teo amin’ny ampahavalon-dalana kosa ny Ivoarianina.Tafita hiatrika ny dingana famaranana, hatao any Kameronina, ireo ekipa 2 voalohany isam-bondrona, aorian’ny fifanintsanana, izay hatao lalao mandroso sy miverina. Tsiahivina fa tsy miatrika ny lalao savaranonando, intsony ny Barea de Madagascar. Mbola hanao izany kosa i  Liberia sy Tchad, Sodan Atsimo sy Seychelles, Nosy Maorisy sy Sao Tomé sy Principe ary i  Djibouti sy i Gambia. TompondakaL’article Kitra – «Can 2021»: “Azo atao tsara ny mitazona ny laharana roa voalohany”, hoy i Dupuis a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

UAJ : resy lahatra amin-dRandrianasoloniaiko Siteny ireo federasiona afrikanina

Mitohy hatrany ny fampielezan-kevitra amin’ny filatsahan-kofidina ho filohan’ny UAJ (Union africaine de judo), ataon-dRandrianasoloniaiko Siteny, manerana an’i Afrika, ahitana ireo federasiona mivondrona anatin’ny Kaonfederasiona afrikanina ny judo. Firenena maro toa an’i Côte d’Ivoire, i Kenya, i Senegaly sy ny maro hafa ny efa nahavitany izany fampielezan-kevitra izany. Resy lahatra ary vonona hifidy azy avokoa ireo federasiona efa notsidihiny sy nilazany ny vinany ho fampandrosoana ny taranja judo eto Afrika. Mandritra izao fitsidihana ataony izao ihany koa ny ampahafantarany ireo ho mpikambana miaraka aminy amin’ny fitantanana ny UAJ, toy ny filoha lefitra, ny sekretera jeneraly, ny mpanolotsaina sy ireo mpikambana hafa. Izy ireo izay samy hofidina ihany koa, mandritra ny datin’ny fifidianana. Tsiahivina fa ny 18 mey ho avy izao, mandritra ny kongresin’ny UAJ any Casablanca, Maraoka, ny hanatanterahana ity fifidianana hitantanana indray ny UAJ ity. Kandidà iray ihany ny hifaninana amin’ny filohan’ny federasiona malagasy ny judo, ilay teratany tchadien, i Abakar Djerimah. Etsy ankilany, manantena fandresena ny filohan’ny FMJ, Randrianasoloniaiko Siteny, raha ny fahitany ny fahavitrihan’ny federasiona efa notsidihiny, izay resy lahatra tanteraka amin’ny vinan’asa narosony.Mi.Raz L’article UAJ : resy lahatra amin-dRandrianasoloniaiko Siteny ireo federasiona afrikanina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Basikety-Lalao tsapa: nandresy ny ekipan’ny CosPN ny ekipa nasionaly

Nanatanteraka lalao fitsapana ny ekipa nasionaly, taranja basikety, ny faran’ny herinandro teo, ho fanomanana ny lalao iraisam-pirenena hataon’izy ireo ny volana novambra izao. Ny ekipan’ny CosPN ny nifanandrina amin’izy ireo nandritra izany ka lavony tamin’ny isa 68 no ho 40. Raha io valin-dalao io, azo lazaina ho maivana amin’ny ekipa nasionaly ny nandavo ity ekipan’ny CosPN ity, “na izany aza, mbola misy hatrany ny lesoka mila harenina”, hoy ny mpanazatra. Mbola manana iray volana latsaka eo ny ekipa, mialoha ny hiaingana eto an-tanindrazana hiatrika ny lalao fifanintsanana amin’ny “Afrobasket 2021”, hatao any Kigali Rwanda. Raha ny vaovao voaray, ny 20 novambra izao ny tokony hiala eto an-toerana ny delegasiona malagasy. Miankina betsaka amin’ny fisokafana ny sidina eto amintsika anefa izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy ny basikety, Ramaroson Jean Michel.Tsiahivina fa efa tamin’ny fiandohan’ny volana oktobra ny fampivondronana ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa nasionaly ary mbola mitohy hatramin’ny andro hialana eto an-toerana izy ireo. Mi.RazL’article Basikety-Lalao tsapa: nandresy ny ekipan’ny CosPN ny ekipa nasionaly a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Europa league»: nihintsana ny ekipan’i Hery sy i Ouassiero

Samy resy avokoa ny Linfield FC, misy an’i Hery sy ny CS Fola Esch, ilalaovan’i Ouassiero, teo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny «Europa league», taranja baolina kitra, ny alakamisy lasa teo. Raha tsiahivina, resin’ny Floriana FC avy any Malte, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 tao amin’ny kianja filalaovany ao Windsor Park de Belfast ry Hery Bastien. Baolina tokana matin’i Matias Nicolas Garcia, teo amin’ny minitra faha-10.Henjankenjana ny fifandonana ka niraradraraka ny karatra mavo, na ho an’ny an-daniny na ho an’ny an-kilany. Niafara mihitsy tamin’ny karatra mena azon’i Ross Larkin, mpilalaon’ny Linfield, izany, minitra faha-74. Ankoatra izay, nesorina i Hery, minitra faha-78 noho ny havizanana.Tamin’ny isa tery, 4 no ho 3 kosa ny niondrehan’ny CS Fola Esch nanoloana ny FC Ararat avy any Armenia. Fihaonana notontosaina tao amin’ny kianja FFA Academy Stadium. Efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao nivoaka ho mpandresy ny Armenianina, rehefa nitarika tamin’ny isa 3 no ho 1 ny ekipan’i Ouassiero hatreo amin’ny 90 mn. Voasahala izany, tany amin’ny fanampim-potoana (90 + 1 mn) sy (90 + 4 mn). Teo amin’ny minitra faha-113 tamin’ny fanalavam-potoana ny baolina fahefatra naharesy ny CS Fola Esch. Nilalao 10 ihany koa ry zalahy, teo amin’ny faha-90 mn, rehefa nahazo karatra mena i Diogo Miguel Zambujo Pimentel. TompondakaL’article Kitra – «Europa league»: nihintsana ny ekipan’i Hery sy i Ouassiero a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Governemanta haingam-pandeha ?

Vita ny fitsapana ! Ho fantatra hatramin’ny faran’ity herinandro ity ny ho praiminisitra sy ny mpikambana vaovao ao anatin’ny governemanta. Voafidy ny solombavambahoaka, ny mpikambana isan-tsokajiny ao anatin’ny antenimierampirenena. Araka ny Lalampanorenana, mandroso anarana ny depiote avy amin’ny maro an’isa, mazava ho azy fa ny IRD ary manendry izay safidiny ny filoham-pirenena. Governemanta faharoa ity hitsangana ity.Nilaza rahateo ny filoha Rajoelina, tamin’ny andiany voalohany, fa hotombanana ny zava-bitan’ny minisitra tsirairay nandritra izay enim-bolana niasany izay. Manampy izany anefa, misy amin’ireo minisitra vitsivitsy, voafidy ho solombavambahoaka. Na izany aza, tombanana amin’ny ankapobeny ny vokatra sy ny zava- bitan’ny minisitera tsirairay, ary azo antoka fa tsy misy ny indrafo na ny kinamanamana satria aim-pirenena no resahina.Azo adika izany, fa vita hatreo ny andrana sy ny fitsapana, satria araka ny fanambin’ny filoha, “olon’ny asa” izy, fa mihazakazaka toy ny fiaran-dalamby haingam-pandeha (TGV), araka ny efa nahafantarana azy hatramin’izay. Voamarina izany amin’ireo asa vitany tao anatin’izay enim-bolana voalohany izay, ary tokony haharaka izay hafainganam-pandehany izay koa ny mpiara-miasa aminy, indrindra ny governemanta mpanatanteraka.Laharaham-pahamehana ho an’ny Malagasy 25 tapitrisa ny fijerena ny andavanandrony. Azo tarafina izany amin’ny fiforonan’ny asa, fototry ny fivelomana, ny vidin-javatra takatry ny maro an’isa, ny fandriampahalemana. Zava-dehibe koa ny fitoniana politika hahazoan’ny mpandraharaha eto an-toerana sy ny vahiny, vao hosarihina, antoka ahafahan’izy ireo mampiasa vola maharitra, ka ho azo tsapain-tanana ny fampandrosoana.Maro ny governemanta nitsangana hatramin’izay, miaraka amin’ny fanamby tsara lahatra, toy ny hoe “governemantan’ny asa”, “governemanta hiady”, …. , saingy “ny voa no hitsarana ny hazo”, hoy ny voalazan’ny Soratra Masina.Njaka Andriantefiarinesy  L’article Governemanta haingam-pandeha ? a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE – TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨
18/06/2021

✨✨  ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE -  TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨L’Agence Immobilière AINA Antsirabe vous propose à la vente, ce beau terrain plat constructible,  idéal pour des projets. Terrain titré et borné. Situé au bord de route principale. Accessible en voiture.Electricité à proximité.➡️ LOCALISATION : ANDRANOMANELATRA à 500m  de la route nationale  RN7➡️ SURFACE DU TERRAIN : 02HA 10A 09CA   NON MORCELABLEPour plus d’informations contactez-nous🏠 AGENCE IMMOBILIÈRE AINA ANTSIRABE🌐 https://aina-immobilier-antsirabe.com📩 contact@aina-immobilier-antsirabe.com☎ 0340255077 - 0330255077 – 0328347800Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE - TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨".

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement
15/06/2021

Bonjour,  il y a plusieurs manières de se faire de  l'argent en ligne chez soi et gagner de petits revenus en cette année 2021. Si cela vous intéresse suivez ces liens et inscrivez vous :Voulez vous gagner de l'argent en ligne sans fournir trop d'effort ? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable.https://rupee4click.com/48ks0efa nazaoko avec preuve de paiementinscrit et vous gagnerai Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement".

A louer TANY AHOFA
15/06/2021

Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer TANY AHOFA".

Emploi et services Développeur Codeigniter
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le BTP,Développeur CodeigniterEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVCODEIGNITER-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Codeigniter".

Emploi et services Développeur Laravel
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans l'externalisation,Développeur LaravelEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVLARAVEL-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Laravel".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

A vendre Mégane Scénic
15/06/2021

A vendre RENAULT MEGANE SCENICVitre Electrique, Verrouillage Centralisé, direction assistée, AIRBAGS, Très Bonne Etat, SANS DEVOIR, Année de mise en circulation 2001, bôite de vitesse manuel, diesel, faible consommation, puissant, 5 places, 5 portes, radio d'origine, intérieur très bonne état. Prix: 11 200 000 ar à debattreContact: 033 37 574 65Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mégane Scénic".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
16/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
15/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Travaille en ligne
18/06/2021

Quelle est l'essence de l'œuvre ? Nous proposons aux utilisateurs de visionner des vidéos promotionnelles prépayées de divers annonceurs mondiaux et d'obtenir de l'argent pour cela. Parmi nos annonceurs figurent les plus grands producteurs d'appareils électroménagers, les principaux détaillants et les meilleurs blogueurs vidéo. Notre système accepte uniquement les vidéos à haut rendement et de haute qualité sélectionnées et testées par nos experts. Combien puis-je gagner ? À l'heure actuelle, le coût d'une minute de vidéo promotionnelle est de 50 centimes. C'est simple : pour 1 heure de travail, vous pouvez gagner 30,00 dollars. Si vous travaillez au moins 3 heures par jour, votre revenu quotidien sera de 90,00 $, et dans un mois, il sera de 2700 dollars. Selon les résultats des enquêtes menées, le site txovideo.xyz est actuellement le système leader parmi les autres systèmes de visionnage de vidéos payantes. Vous pouvez le constater par vous-même - voir  les paiements en ligne Comment puis-je retirer de l'argent? À la demande de l'utilisateur, l'argent est retiré du système dans un délai d'une heure pendant les heures de travail ou dans un délai de 3 à 4 heures en dehors des heures de travail (y compris les jours fériés et les week-ends). Nous proposons un choix de plusieurs systèmes de paiement, à l'aide desquels vous pouvez retirer l'argent gagné. Pour le moment, le retrait est possible sur les cartes bancaires de toutes les banques étrangères, les comptes bancaires, les portefeuilles Bitcoin et PayPal (via le système de paiement Western Union)Plus d'informations et inscrivez vous à partir de ce lien  https://txovideo.xyz/969907918013662Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travaille en ligne".

Notsongaina

Hisy ny “Festival Sômaroho!” 2021: ho vahinin’i Wawa i Innoss’B
16/06/2021

Hotontosaina ny 25 hatramin’ny 29 aogositra izao ny “Festival Sômaroho!” 2021, any Nosy Be. Efa andro vitsivitsy lasa izay ny nanambara izany tao amin’ny pejy “facebook” i Wawa, mpanorina ny hetsika. Vaovao lehibe faharoa, fantatra fa ho vahinin’ny hetsika manokana i Innoss’B, mpanakanto avy any Congo, efa manana ny lazany eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena. Mazava loatra fa tsy tongatonga ho azy ny safidin’i Wawa sy ny ekipany mpikarakara ny “Sômaroho!”, raha niantefa any amin’i Innoss’B. Niaka-daza vetivety mantsy ity mpanakanto mivoy ny pop afrikanina ity, indrindra taorian’ny nivoahan’ilay hirany “Yo Pe”. Nahaliana an’i Diamond Platnum izy tamin’io hira io, izay niarahan’izy ireo namerina. Ito farany izay mpanakanto tanzanianina, manana ny lazany ary efa vahinin’i Wawa tamin’ny “Festival Sômaroho!” ihany koa. Toy ny mahazatra, hanampy ny vahiny manokana ireo mpanakanto malaza avy eto an-toerana. Tsy mbola nisy, hatramin’izao, ny fampahafantarana avy amin’ny komity mpikarakara fa ho avy miandalana kosa izany raha ny fanazavana. Ny azo antoka aloha izany, efa vonona ny mpikarakara ny “Festival Sômaroho!”, izay ao amin’ny kianjan’Ambodivoanio hatrany.Zo ny AinaL’article Hisy ny “Festival Sômaroho!” 2021: ho vahinin’i Wawa i Innoss’B a été récupéré chez Newsmada.

«Résidence»-n’ny filoha Tsiranana : naiditra am-ponja ireo olona 5 nivarotra ireo fanaka tao
17/06/2021

Nampidirina am-ponja vonjimaika ao Miarinarivo ny olona miisa dimy voarohirohy amin’ny famarotana ireo entana sarobidy tao amin’ny trano fonenan’ny filoha teo aloha, i Tsiranana Philibert, ao Ampefy, ny 5 jona lasa teo.Isan’izany ny mpiambina ny toerana, atidoha nikotrika ny asa ratsy, ireo namany miisa telo nanampy azy sy ny mpividy ireo entana halatra. Niaiky ny heloka nataony io lehilahy mpiambina trano io taorian’ny nahatrarana azy tao Analavory, ny 8 jona teo. Nilaza ilay lehilahy mpiasa ao amin’ny « résidence » io fa efa nanomboka ny volana septambra 2020 ny namarotany tsikelikely ireo entana sy ny fanaka amin’ny vidiny mora ary tonga hatramin’ny antsasa-bidy mihitsy izany. Taorian’izay, nanondro ireo namany mpiray tsikombakomba aminy amin’ny asa ratsy izy.Fiara iray nitatitra ireo entana halatra ihany koa no nogiazana. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ireo olona 24 hafa voalaza fa nividy ireo entana halatra taorian’ny fampanoavana afakomaly tao Miarinarivo. « Mbola hitohy ny 7 jolay izao ny fanadihadiana lalina ny raharaha », hoy ny fanazavan’ny zandary avy ao Soavinandriana misahana ny fanadihadiana. Entana sarobidyEfa tafaverina avokoa ny 80% amin’ireo entana sarobidy halatra raha mbola tadiavina kosa ireo hafa. “Nametrahan’ny kaominina mpiambina ihany koa io tranon’ny filoha teo aloha io”, hoy kosa ny fanazavan’ny zandary avy ao Miarinarivo. Fepetra noraisina, hoy izy, ny fanamafisana ny fisafoana ataon’ny zandarimaria eny an-toerana, indrindra ny fitobiany eny amin’ny alina. Natao izany mandra-piandry ny fanapahan-kevitra avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika.Tsiahivina fa ny 5 jona lasa teo, nahazo fampandrenesana mahakasika ireo fahaverezana entana ireo zandary ao Ampefy. Tsikaritr’ireo olona teny an-toerana fa tsy tao intsony ny mpiambina ny tranon’ny filoha teo aloha io, maro ihany koa ny entana very, antony nahatonga ny sefo fokontany avy ao Avarabohitra sy ny ben’ny Tanànan’Ampefy niantso ny mpitandro filaminana. Taorian’izay, nidina teny an-toerana ny zandary nijery ny zava-misy. Nantsoina ihany koa ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika. Hita tamin’izany fa tsy tao intsony ireo entana sarobidy rehetra izay misy vita avy amin’ny andramena. Lasan’ireo tsy mataho-tody hatramin’ny varavarankely, ny varavarambe, ny « moquette », ny karipetra, ny armoara sy ny seza ary ny kojakoja rehetra. Hany sisa tavela tao amin’ny efitra telo sy ny efitrano fandraisam-bahinin’ny trano fonenan’ny filoham-pirenena teo aloha io ireo enta-mavesatra toy ny vata fampangatsiahana, ny lafaoro. FanadihadianaVoalaza fa nividy ireo entana halatra ny mponina avy ao Ampefy sy ny manodidina ary tompon’andraikitra nivarotra izany ny mpiambina. « Ny mpiasa ao ihany no mamoaka ireo entana sarobidy ireo. Rehefa natao ny famotorana, olona 29 ny voasambotry ny zandary ary nanaovana famotorana tao Miarinarivo », hoy Ratolojanahary, mponina ao an-toerana. Nambarany fa mety ho tsy nahafantatra ireo olona mpividy fa entana avy ao amin’ny « résidence » ireo entana novidiany ary entana namidy, antony nahatonga ireo olona roboka tamin’ny fividianana izany. Henintsoa HaniL’article «Résidence»-n’ny filoha Tsiranana : naiditra am-ponja ireo olona 5 nivarotra ireo fanaka tao a été récupéré chez Newsmada.

Hitohy hatramin’ny rahampitso ny erika: hidina hatramin’ny 8°C ny maripana eto afovoan-tany
14/06/2021

Raha tafakatra 13°C ny maripana ho an’ny faritra Vakinankaratra, roa andro lasa izay, tombanana hidina hatrany amin’ny 8°C izy, rahampitso. Hidina torak’izany koa ny maripana ho an’ny rahampitso, ialoavan’ny zavona maraina, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetr’andro, omaly. Ho an’ny telo andro ho avy, satria mbola ao anatin’ny vanim-potoana ririnina isika, manodidina ny 23°C ny maripana ambony indrindra. Momba ny toetr’andro, mbola hitohy anio ny orana sy ny erika ho an’ny ilany atsinanana sy eto afovoan-tany. Misy tangoron-drahona ao amin’ny ilany atsinanana, manakaiky ny morontsirak’i Mahanoro ny foibeny, izay mitondra ny orana. Efa mihamanalavitra ny morontsiraka izy manomboka rahampitso. Mbola hitohy noho izany ny Erika, rahampitso, eto afovoan-tany fa hiverina ho maina ny andro, ny alarobia. Ahitana fikorontanana koa ny atmosifera ao amin’ny lakandranon’i Mozambika, manatona ny atitany mitondra orana eto afovoan-tany, rahampitso. Hikisaka any amin’ny ilany avaratra ny orana, ny alarobia, raha any amin’ny tapany atsinanana izy no manjaka izao.Anio tolakandro, handrahona any Boeny, Melaky, Anosy, Androy, Sava, Diana sy ny morontsirak’i Menabe ary ny tapany Atsimon’Atsimo Andrefana. Hanjombona mety arahina orana na tandrifin-drahona indraindray ny faritra sisa.Vonjy A.L’article Hitohy hatramin’ny rahampitso ny erika: hidina hatramin’ny 8°C ny maripana eto afovoan-tany a été récupéré chez Newsmada.

Hosazina ireo mbola maka fasika etsy Ampasika
17/06/2021

Horaisina ny fepetra. Nidina ifotony tetsy amin’ny tetezan’Ampasika sy ny manodidina ny eo anivon’ny sampandraharaham-paritry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (DRTP) niaraka amin’ny Apipa, omaly. Teo koa ny avy amin’ny kaominina Bemasoandro. Anton’izany ny fandavahan’ny mpivarotra sasany ny eo ambanin’ny tetezana, hakan’izy ireo fasika. Ahina hiteraka fahasimbana amin’ny tetezana Ampasika anefa izany. « Horaisina ny fepetra, ary hosazina ireo tratra mbola manohy maka fasika amin’iny faritra iny”, hoy ny DRTP, Andriamalalavonjy Solomanoro. Nohitsiny fa mety hitera-doza mihitsy izany raha mbola mitohy ny fakana fasika eo Ampasika.Araka izany, tsy azo atao intsony ny maka izany manomboka izao ary handraisana fepetra ireo mbola mihoa-pefy mitrandraka ny fasika eo amin’io toerana io.Synèse R. L’article Hosazina ireo mbola maka fasika etsy Ampasika a été récupéré chez Newsmada.

« Concert classique de midi »: hiaka-tsehatra ny tarika Tsimihole
16/06/2021

Hiavaka tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay ny « Concert classique de midi » amin’ity indray mitoraka ity. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena ny seho hotontosaina ny talata 22 jona izao manomboka amin’ny 1ora tsy diso, ao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely. Ny tarika Tsimihole no hitondra ny talentany ho an’ny mpitia zavakanto amin’io fotoana io. Tarika mivoy ny mozika avy any atsimon’ny Nosy. Ahenoana ihany koa ny fihaonan’ny mozika malagasy sy ny mozika ankehitriny. Mamoitra ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina, indrindra fa ny any atsimo, kosa ny tononkira.Marihina fa faha-118 amin’ny seho « Concert classique de midi » ity karakarain’ny Madagascar Mozarteum izay mandia ny faha-10 taony ity.HaRy RazafindrakotoL’article « Concert classique de midi »: hiaka-tsehatra ny tarika Tsimihole a été récupéré chez Newsmada.

Valin-kafatra amin’ny fivahiniana any Eoropa : tsy nanao vaksiny «miafina» fa notilina PCR ny filoha Rajoelina
19/06/2021

Nanaraka ny fepetra rehetra. «Nahavita fitiliana PCR ka tsy mila kara-baksiny ny filoha Rajoelina», hoy ny minisitra Lalatiana Andrian­ton­garivo. Nitondra valin-kafatra manoloana ny resabe amin’ny fivoahan’ny fianakaviana Rajoelina Andry any ivelany ny minisitra sady mpitondra tenin’ny governemanta, omaly. «Nahavita ny fitiliana PCR, efa natao ny 15 jona teo ny filoha sy ny fianakaviany vao nihazo an’i Soisa. Miiba (négatif) na tsy ahitana taratra ny covid-19 ary voahaja ny 72 ora mialoha ny fiangana hanaovana izany», hoy izy, tao amin’ny fandaharana «Tompon-trano tsy mihono», omaly. Nante­riny fa tsy nanao vaksiny «miafina» izany ny filoha Rajoelina Andry. Mazava ny fepetra amin’ny fidirana any Eoropa ary tsy maintsy andalovana ao Soisa. Na vita vaksiny mampiseho ny karatra na mampiseho ny fahavitana ny fitiliana PCR miiba, natao mialoha ny fiangana.CVO + ihanyNotsiahivin’ny minisitra ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry ary mbola notazoniny hatramin’izao fa tsy hanao vaksiny ary tsy mieritreritra ny hanao izany. Mbola voatsiahy tamin’ny alalan’ny sary tao amin’ny TVM rahateo ny nireharehan’ny filoha fa anisan’ny niaro ny tenany sy ny fianakaviany ary natao hiarovana ny Malagasy ny CVO +… Tokony ho tapitra hatreo sy mifarana izany ny resabe amin’ny fahafahan’ny filoha mianakavy miditra any Eoro­pa, hanatrika ny «Confirma­tion» an’ny zanany vavitokana.Synèse R.L’article Valin-kafatra amin’ny fivahiniana any Eoropa : tsy nanao vaksiny «miafina» fa notilina PCR ny filoha Rajoelina a été récupéré chez Newsmada.

Fondation Axian : Cinq établissements préscolaires inaugurés
17/06/2021

Le programme SEKOLY TELMA vise à améliorer l’accès à l’éducation de base pour les enfants des zones enclavées ou rurales. Heureux. Les tout-petits élèves du préscolaire de l’EPP Antanimena sont désormais reçus dans une salle de classe propre et bien équipée. Et ce, grâce au programme Sekoly Telma initié par la Fondation Axian. Implication. Cinq écoles primaires publiques (EPP) de la capitale sont concernées par ce programme. A savoir, Antanimena 2, Benasandratra, Ambodiafontsy, Ambohinaorina et Tsarahonenana. L’inauguration de ces nouvelles réalisations a été marquée hier, par une cérémonie qui s’est tenue à l’EPP Antanimena 2, en présence, notamment du maire de la Commune Urbaine d’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina, du directeur de cabinet du ministère de l’Education nationale, des dirigeants de la Fondation Axian et de la directrice de l’association KOZAMA, ainsi que des directeurs des EPP concernées. Ce programme traduit une fois de plus l’implication de la Fondation Axian dans le développement socio-économique des quartiers défavorisés. De qualité. La Fondation Axian offre ainsi aux plus jeunes, notamment aux enfants de 2 à 5 ans, un environnement et des infrastructures d’apprentissage de qualité, respectant les normes nationales, et leur permettant de s’épanouir dans leur scolarité. Au total, plus de 290 enfants par an bénéficieront de la construction de ces 5 infrastructures. Les 5 établissements concernés scolarisent déjà 142 élèves. Ce projet est réalisé en collaboration avec la KOZAMA (Kolo Zaza Malagasy) qui a pour vocation de diminuer , à son échelle et de façon durable, la pauvreté à travers l’éveil et l’éducation des enfants des familles les plus vulnérables de la capitale malgache. Pour cela, Kozama collabore étroitement avec la communauté éducative et les autorités locales pour le renforcement durable et inclusif des services éducatifs publics et des acteurs sociaux. L’association compte plus de 4.000 parents participants à l’éducation parentale et plus de 5.000 enfants bénéficiaires chaque année. Fresques murales. Par ailleurs, la Fondation Axian a sollicité les street-artistes lauréats du concours lancé conjointement par la Fondation H et la Fondation Axian, fin 2020. Les artistes Mat Li, Naty Kaly, Tahina Rakotoarivony et Mendrika Ratsima, ont ainsi procédé à l’habillement de 5 nouveaux établissements à travers la création de fresques murales adaptées aux jeunes enfants. Ces réalisations artistiques permettront de stimuler la curiosité des enfants et de les sensibiliser à l’art dès leur première intégration dans la scolarisation, mais aussi de soutenir et d’accroître la visibilité des artistes contemporains malgaches dans de nouvelles sphères. R.Edmond. L’article Fondation Axian : Cinq établissements préscolaires inaugurés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Fondation Axian : Cinq établissements préscolaires inaugurés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fitakiana ireo Nosy : mangata-panazavana ny Otrikafo   
14/06/2021

               “Mbola misy ve ny fifampiraharahana eo amin’ny firenena malagasy sy ny firenena momba ireo Nosy manodidina? Raha mbola misy, aiza ho aiza izany ? Raha tsy misy intsony, nahoana no najanona?” hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia, momba ny fitakiana an’ireo Nosy malagasy manodidina. Tamin’ny 26 jona 2020 no nilazan’ny mpitondra fa tsy maintsy hiverenan’ireo Nosy ireo amin’i Madagasikara. Herintaona aty aoriana, tsy mbola miverina amintsika izy ireo. Tsy fantatra hoe aiza ho aiza isika amin’ny resaka amin’izao fotoana izao?“Heverina fa tokony hitondran’ny fanjakana malagasy sy ireo delegasiona nalefan’ny fitondram-panjakana frantsay fanazavana izany. Samy mangina ny roa tonta izao”, hoy izy.Mahatonga ny Otrikafo manomana ny amin’ny fanohizana ny fitakiana an’ireo Nosy malagasy ireo. Anton’ny fitakiana : ankalazaina isan-taona ny 26 jona lazaina fa  fiverenan’ny Fahaleovantena. Tsy mitsahatra mamerina hatrany ny antoko sy ny mpiara-dia aminy hoe: raha mbola misy ampahan-tanin’i Madagasikara eo ambany fifehezen’ny vahiny, sarotra ny mieritreritra fahaleovantena sy fiandrianam-pirenena. Mbola tolona ny Fahaleovantena, fa tsy mbola afa-mihambo ho tena mahaleo tena isika. Tsy amin’ny maha tany malagasy azy ihany ireo Nosy malagasy ireo fa misy harena ary toerana stratejika.R.Nd.  L’article Fitakiana ireo Nosy : mangata-panazavana ny Otrikafo    a été récupéré chez Newsmada.

Faritra Androy sy Anosy : ankizy 50.000 hisitraka ny fanampian-tsakafo mahavelona
19/06/2021

Nisongadina nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny alarobia teo ny tetikasa goavana famokarana sakafo ho an’ny mpianatra any atsimon’ ny Nosy. Fantatra tamin’izany fa mpianatra 50.000 any amin’ny faritra Androy sy Anosy no hisitraka ny fa­nampian-tsakafo. Ho maimaim-poana izany any amin’ ireo “cantine scolaire” any amin’ireo faritra ireo.Iandraiketan’ny fondation Mérieux ny famokarana izany  fanampian-tsakafo izany. Iarahana amin’ny mi­nisiteran’ny Fanabeazam-pirenena kosa ny fitsinjarana izany any an-tsekoly. Marihina fa nankatoa­vin’ny filan-kevitry ny minisitra, ny alarobia teo ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra momba ny fampidirana ny entana misy izany fanampian-tsakafo izany eto Madagasikara. Efa nanambara ny fahavononany hanampy an’i Madagasikara ny Fondation Mérieux amin’ny ady amin’ ny tsy fanjarian-tsakafo. Hisy ny fametrahana ozinina lehibe famokarana izany fanampian-tsakafo izany ao Tao­lagnaro.Tatiana AL’article Faritra Androy sy Anosy : ankizy 50.000 hisitraka ny fanampian-tsakafo mahavelona a été récupéré chez Newsmada.

Ambodin’Isotry jiolahy iray nifanehatra tamin’ny polisin’ny Sag
15/06/2021

Noraisim-potsiny! Voasambotry ny polisin’ny Sag teny Ambodin’Isotry, ny alahady teo noho ny fanaovana sinto-mahery ny jiolahy iray. Manoloana ny fahamaroan’ny olona mivezivezy sy ny firongatry ny harom-paosy eny amin’iny faritra Isotry sy ny manodidina iny, nohamafisina manokana ny fiambenana eny an-toerana. Nisy ny paikady sy ny lamina manokana napetraky ny polisy mba hamongorana ireo jiolahy. Nahitam-bokany izany ny alahady maraina teo. Tratra tao anaty vela-pandriky ny polisy ny jiolahy iray efa mpamerin-keloka. Teo am-panendahana olona no sady manambana antsilava izy no nifanehatra tamin’ny polisy. Tsy afa-nihetsika intsony ity jiolahy ity. Nentina nanaovana fanadihadiana eo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava sakelika fahefatra (BC4) Anosy izy. Nomarihin’ny polisy fa anisan’ireo mpanendaka efa fanta-daza eny Isotry sy ny manodidina ity jiolahy ity. Eo am-pikarohana ny namany ny polisy amin’izao fotoana izao.J.CL’article Ambodin’Isotry jiolahy iray nifanehatra tamin’ny polisin’ny Sag a été récupéré chez Newsmada.

Politikam-pirenena momba ny kolontsaina: lany teo anivon’ny Antenimierampirenena
17/06/2021

16 taona ny niandrasana azy… Efa tamin’ny taona 2005 tokoa mantsy no nisy fanovàna farany ny lalàna mikasika ny politikam-pirenena momba ny kolontsaina ka tsy mifanaraka amin’ny zava-misy intsony izany. Nandalo dingana maro ilay volavolan-dalàna mifehy ny Politikam-pirenena momba ny kolontsaina vao tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Antenimierampirenena ny fandinihana azy, amin’izao fivoriana ara-potoana izao. Lany nandritra ny fivoriana itambarambe izay nampitain-davitra, omaly, ity lalàna ity. Antoka lehibe ho an’ny sehatry ny kolontsaina ity lalàna ity. Maro ny fanovana nentina, mifanaraka amin’ny fivoaran’ny fiarahamonina sy ny zava-misy manerana izao tontolo izao. Teboka maro koa ny fiarovana ny fototra, toy ny fanajana ny soatoavina nentim-paharazana, ka nametrahana ny fanekena ny maha marolafy ny kolontsaina malagasy. Eo koa ny fifanomezan-tanana ho an’ny soa iombonana amin’ny alalan’ny “Tagnamaro”, ny fampirisihana ny famoronana eo amin’ny sehatry ny kolontsaina, ny fiarovana ny kolontsaina sy ny harem-bakoka malagasy, ny politika momba ny teny malagasy, ny fanomezana tosika ny sarimihetsika sy sarimiaina, ny fametrahana ho matihanina ny mpanakanto isan-tsokajiny ka ahafahany misitraka tombontsoa maro amin’ny alalan’ny fametrahana ny satan’ny mpanakanto, sns. Tsy nametraka olana firy ireo solombavambahoaka nandray anjara tamin’ny fivoriana, na maro aza ireo teboka nanitikitika. Taorian’ny fanazavana nentin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Andriatongarivo Lalatiana, sy ny ekipa tarihiny, nolanin’ireo solombavambahoaka ilay volavolan-dalàna. Miandry ny eny amin’ny Antenimierandoholona indray amin’ny dingana manaraka.Zo ny AinaL’article Politikam-pirenena momba ny kolontsaina: lany teo anivon’ny Antenimierampirenena a été récupéré chez Newsmada.

Musique : Nanie signe son « comeback » en live
14/06/2021

Nanie n’est pas prête de décrocher son micro. Loin des yeux, loin du cœur. Pas le moins du monde. Pour Nanie, le choix est vite fait. C’est en live sur Facebook qu’elle compte faire son come-back après ces quelques années d’absence sur scène. La chanteuse donne déjà rendez-vous à ses fans et les mélomanes sur sa page le samedi 19 juin à 19h. Du temps où Nanie habitait Madagascar, elle a habitué les passionnés de musique par son style très prisé. Ayant fait ses heures auprès de la crème de la musique malgache, elle a livré des prestations dignes d’une diva. Aujourd’hui encore, Nanie n’a rien perdu de sa prestance, et c’est par ailleurs ce qu’elle offrira une fois de plus aux inconditionnels. Évidemment, le répertoire se fera avec ses tubes à l’instar de « Hiraina », « Tena tia » mais il y aura également des surprises. Pour les amateurs d’ambiance jazzy et bon enfant, le live avec Nanie ne décevra point. Iss Heridiny L’article Musique : Nanie signe son « comeback » en live est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Musique : Nanie signe son « comeback » en live a été récupéré chez Midi Madagasikara.