Fahafatesana ankoatra ny covid-19: nomena alalana ny fahafahana mitondra razana any amin’ny faritra

News - Fahafatesana ankoatra ny covid-19: nomena alalana ny fahafahana mitondra razana any amin’ny faritra

News - Fahafatesana ankoatra ny covid-19: nomena alalana ny fahafahana mitondra razana any amin’ny faritra

Anisan’ny nivoitra tamin’ny
filankevitry ny minisitra, omaly teny Iavoloha ny fahafahana
mitondra ny razana any amin’ny faritra. « Napetraka any
amin’ny efitra mangatsiaka « chambre froide » teny
anivon’ny hopitaly eto Antananarivo ny razan’ireo olona sasany avy
any amin’ny faritra nodimandry teto Antananarivo. Maro anefa ireo
fianakavian’ny maty mikasa ny hitondra ny razana tsy matin’ny
covid-19 any amin’ny faritra koa omena alalana izy
ireo », hoy ny tatitra. Na izany aza anefa, misy ny
fepetra napetraky ny fanjakana, amin’ny alalan’ny polisim-pirenena
fitakina taratasy fanamarinana ny fahafatesana avy amin’ny BMH,
miampy ny taratasin’ny dokotera nitsabo.

Fisorohana ny
hosoka

Ny fanamarinana avy amin’ny BMH
hatrany, na vokatry ny areti-mifindra na tsia ny nahafaty azy na
koa mifandray na tsia amin’ny covid-19 koa izany teo aloha. Manampy
izany ny fanomezan-dalana momba ny fandefasana ny razana avy any
amin’ny delegen’ny boriborintany. Notsiahivina amin’izany koa ny
taratasy milaza ny anaran’ny hopitaly nitsaboana ilay maty ka ho
entina any amin’ny faritra ny razana. « Entanina ny
lehiben’ny hopitaly hanome ny lisitry ireo matin’ny covid-19
hampidirina anaty rindram-baikon’ny solosaina. Jerena koa ny momba
ny vatapaty itondrana ny razana. Hisorohana ny mety ho hosoka ny
anton’izany rehetra izany. Iharan’ny sazy ireo manao
hosoka », hoy ny tatitra.

Fametrahana ny faritra
faha-23

Etsy andaniny, nankatoavina ny
volavolan-dalàna hametrahana ny faritra faha-23 rehefa
nasiam-panitsiana momba ny ho enti-manana eny anivon’ny
vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny fikarakarana ny fifidianana
ary ny fampihodinana sy ny anjara asan’ireo rantsa-mangaikan’izy
ireo indrindra ahafahana mametraka ny faritra faha-23.

Araka izany, tsy ho ela intsony ny
hisarahan’ny faritra Vatovavy sy i Fitovinany. Na izany aza mbola
adihevitra be io eo anivon’ny Antenimiera.

Synèse R.

Article tiré de Newsmada

L’article Fahafatesana ankoatra ny covid-19: nomena alalana ny fahafahana mitondra razana any amin’ny faritra a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

TOAMASINA-SOANIERANA IVONGO :: Ankizilahy roa samy maty an-drano

Tranga nifanandrify. Dimy ambin’ny folo taona sy enina ambin’ny folo taona ireto ankizilahy roa hita faty tao anaty rano, tany Toamasina sy Soanierana Ivongo, omaly maraina. Samy maty an-drano izy roa lahikely ireo araka ny nambaran’ny loharanom-baovao. Natelin’ny ranomasina tao Canada Toamasina ny ankizilahy iray, dimy ambin’ny folo taona, afak’omaly tolakandro. Nifampitadiavana izy, nanomboka teo. Nitohy omaly maraina ny fikarohana azy tao anaty rano. Niafara tamin’ny fahitana ny vatana mangatsiakany, tokony ho tamin’ny sivy ora. Nandro kosa ity ankizilahy iray, enina ambin’ny folo taona, rehefa avy nanasa lamba tany Sahantirono Soanierana Ivongo, tamin’ny afak’omaly tolakandro ihany. Nilomano naka kapa lasan’ny rano izy no tra-doza. Tonga teny amin’ny faritra lalina ilay ankizilahy no nilentika. Ny ampitso maraina ihany koa (ndrl: omaly) no nahitana ny razana tao anaty rano. L’article TOAMASINA-SOANIERANA IVONGO :: Ankizilahy roa samy maty an-drano est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Tsiroanomandidy: miara-miasa ny CNaPS sy ny minisiteran’ny Asa

Nidina ifotony tany Ankadinondry Sakay sy Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, ny vaomiera manokana Task Force, iarahan’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS) sy ny ao amin’ny minisiteran’ny Asa, tamin’ity herinandro ity. Notetezina ny toeram-pivarotana sy ny orinasa tsy miankina samihafa. Tanjona ny hanarahan’ny mpampiasa ny lalà na ka hampidirana ny mpiasa ho mpikambana ao amin’ny CNaPS.Nampianarina ny mpiasa koa ny tombontsoa omen’ny Tahirim-pirenena, ka misy ny antontan-taratasy fenoina. Miainga any amin’ny volan’ny bevohoka, ny an’ny mpitaiza kely, ny fanonerana ny lany teo am-piterahana, ny antsasa-karama, ny volan-jaza, ny solo takaitra sy ny saram-pitsaboana ho an’ny tra-doza am-perinasa, ny fisotroan-dronono, sns.Nizaran’ny Task Force taratasy ho fenoina izy ireo ary tsy maintsy aterina mialoha any amin’ny CNaPS, ny 26 aogositra ho avy izao.Nisy koa ny fanofanana ireo tompon’andraiki-panjakana sy ny mpandraharaha tsy miankina, notarihin’ny talen’ny Fanaraha-maso Cnaps, Razafindraibe Jean Jacques, nampahafantarana ny lalàna mifehy ny asa. Tanjona ny hisian’ny asa mendrika araka ny baikon’ny fanjakana.Njaka A.L’article Tsiroanomandidy: miara-miasa ny CNaPS sy ny minisiteran’ny Asa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Praiminisitra Ntsay Christian: “Tsy azo ihodivirana ny fitsinjaram-pahefana”

Mby aiza ny fampandrosoana ifotony. Hisy ny politikam-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana. “Tsy azo ihodivirana ny fitsinjaram-pahefana”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian.“Raha tiantsika ny hiasa haingana, tsy maintsy ao anatin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana. Satria tsy ho vitan’ny fanjakana foibe ny hahita amin’ny antsipiriany ny zavatra tena ilain’ny vahoaka any amin’ny faritra rehetra.” Izay ny anisan’ny valin-tenin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ireo fanontaniana sy ny tolo-kevitr’ireo solombavambahoaka ny amin’ny fampandrosoana eny ifotony tamin’ny nanolorany ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Tsy azo ihodivirana ny hametrahana ny fitsijaram-pahefana, raha tiana ny hihazakazaka amin’ny fampandrosoana ny firenena.“Ahoana ny hahazontsika mahita ny laharam-pahamehana any amin’ny distrika, raha tsy mahalala akory ny toerana na ny filana misy any an-toerana ny tomponandraikitra manapa-kevitra?”, hoy izy. Mila mazava ny andraikitry ny fanjakana foibe sy izay apetraka eny anivon’ny distrika, ny kaominina, ny fokontany.Hivoaka ny politika momba ny fitsinjaram-pahefanaNy solontenan’ny vahoaka no handany ny lalàna satria lalàna ny politika momba ny fitsinjaram-pahefana. Hoentina ato anatin’ny fotoana fohy ny volavolan-dalàna amin’izany.  Raha ny tetiandro eritreretin’ny governemanta, tsy mihoatra ny roa volana izay politikam-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana izay.Roa taona ihany ny nofaritana amin’ny PGE fa miankina amin’ny tetibolam-panjakana ny fanatanterahana azy. Efa nahitsy ny tetibola 2019 ary eo am-pandrafetana ny volavolana tetibolam-panjakana 2020 izao ny fitondram-panjakana. Izay ny anton’ny hoe izay hatao ao anatin’izay fe-potoana izay no nentina fa ny Plan émergence Madagascar (PEM) no hahitana ny antsipiriany.Noho ny antony teknika, tsy natao ny antsipiriany maro amin’ny PGE: ny fanajariana lemaka, ohatra, ny fametrahana televiziona… Fitarafana ankapobeny izay hatao no nohazavain’ny praiminisitra, araka ny nambarany. Tsy misy toerana tsy hanaovana fampandrosoana amin’ny PGE. Ny fandaminana ny asa no mila arindra.1 miliara Ar ny omena ny isam-paritra sy ny fampitaovana. Tokony handeha tokoa amin’ny filana sy ny laharam-pahamehana isam-paritra ny fampiasana izany. Ho afa-kanapa-kevitra ny tomponandraikitra amin’ny faritra, ary manana fitaovana amin’ny fanamboarana fotodrafatrasa, ary mandroso amin’ny fanatanterahana ny asa.R.Nd. L’article Praiminisitra Ntsay Christian: “Tsy azo ihodivirana ny fitsinjaram-pahefana” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Masoivoho japoney: mifampiankina ny fitoniana sy ny fampandrosoana

Antoky ny fandrosoan’ny firenena ny fandriampahalemana ary, rehefa milamina ny tany, tsy voatohintohina ny toekaren’izao tontolo izao. Io ny fototry ny fiaraha-miasan’i Japon amin’i Madagasikara, araka ny nohamafisin’ny ambasadaoro japoney eto amintsika, i Ichiro Ogasawara, omaly teny amin’ny trano fonenany eny Ivandry.Notanterahina, tamin’io fotoana io, ny fampahafantarana ireo endri-piaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Mifototra amin’ny antsoina hoe « Aide publique au développement » na APD izany. Notsiahivin’ny masoivoho fa nasiam-panavaozana io APD io  ny taona 2013, ary napetraka ho satan’ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana.Matetika, ao an-tsain’ny sasany fa  misy tambiny avokoa ny fanampiana avy amin’ireo firenen-dehibe. Araka ny hita ao anatin’ilay sata anefa, mifamatotra sy mifampiankina i Japon sy ireo firenena misandratra sy ireo an-dalam-pandrosoana, toa an’i Madagasikara.Raha mirongatra ny tsy fitoniana aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, hisy fiantraikany amin-dry zareo izany, araka ny voasoratra amin’ilay sata. Nomarihin’ny ambasadaoro fa tsy manana loharanon-karena voajanahary izy ireo. Miankina amin’ireo firenena manan-karena izany, toa an’i Madagasikara.Antony  hanamafisan’i Japon ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa amintsika sy amin’i Afrika, amin’ny alalan’ny Ticad na ilay fivoriambe iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana ity kaontinanta ity izany.Mivelatra ny fanampiana mivantana amin’ny alalan’ny Jica Endri-piaraha-miasa faharoa ny fanampiana mivantana, amin’ny lafiny efatra ary tanterahin’ny Jica. Maro ireo tetikasa momba ny fampandrosoana, toy ny Papriz, ao anatin’ny andiany faharoa, amin’izao fotoana izao.Eo ny tetikasa momba ny fampiroboroboana ny toekarena, amin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa, toy ny seranan-tsambon’i Toamasina. Efa vita ny 30%-n’ny asa.Manampy izany sosialy toy ny fanamboarana sekoly. Misy koa ny fandaharanasa fampiofanana ka efa nisitraka  izany ny Malagasy miisa 1 070, hatramin’ny taona 2017.Landy R.L’article Masoivoho japoney: mifampiankina ny fitoniana sy ny fampandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Jovena : Un don de 10 000 litres de carburants au BNGRC

Remise symbolique d’un chèque carburant de 10 000 litres. Jovena  confirme son statut d’entreprise citoyenne et responsable, en continuant  d’appuyer l’Etat malgache dans sa lutte contre la pandémie de Covid-19. Cette société de distribution pétrolière vient d’octroyer 10 000 litres de carburants au Bureau National de Gestion des Risques et Catastrophes (BNGRC). Ce carburant sera destiné aux véhicules et ambulances utilisés dans les interventions relatives à la Covid-19. Ce don est ainsi destiné à apporter un appui aux différentes structures sanitaires et médicales dans la lutte contre la Covid-19. « Jovena reste engagée à poursuivre ses efforts pour contribuer davantage au développement du pays afin de simplifier le quotidien de la population malgache », précise t-on dans un communiqué. Une manière pour l’entreprise de prendre conscience du fait que « la Covid sévissant toujours à Madagascar, il est primordial de continuer à mettre en place des mesures de prévention et de sensibilisation contre cette pandémie ».  R.Edmond. L’article Jovena : Un don de 10 000 litres de carburants au BNGRC est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Jovena : Un don de 10 000 litres de carburants au BNGRC a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Mananara Avaratra: vaky ny fonja, gadra fito tafaporitsaka

Vaky ny asabotsy teo ny fonjaben’i Mananara Avaratra. Gadra miisa sivy indray tafatsoaka ka voasambotra taorian’ny tifitra nahazo azy ireo ny roa amin’ireo. Voalazan’ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana fa efa voaomana mialoha ihany izao fitsoahana fonja nataon’ireto gadra ao amin’ny fonjan’i Mananara Avaratra ity izao. Tao anaty fahatapahan-jiro lavareny no nanararaotan’ireo gadra nandositra ny fonja. Niandry ny delestazy ry zalahy ka nandritra izany ny nanatanterahan’izy ireo ny teti-dratsin’izy ireo. Nipaika ny tamin’ny 8 ora tamin’io asabotsy hariva io, maizina ny tanàna. Nirohotra nanosika ny vavahadibe ny gadra rehetra tao am-ponja. Tsy nanampo na inona na inona ireo mpiandry fa ny vavahady nipoaka mafy be no nahataitra azy ireo. Nanao tifi-danitra ireo mpiandry fonja hanakanana ireo voafonja efa tafavoaka ny fonja. Tsy nahasakana ireo voafonja anefa izany fa vao mainka nampirifitra azy ireo. Ankoatra ireo nivoaka teo amin’ny vavahady, nisy koa ireo nitsoaka niakatra avy eny ambony tafon-trano. Raikitra ny fifanjevoana tao am-ponja, nizara roa ireo mpiandry fonja, nisy ireo nanohana ireo gadra nikasa hivoaka teo amin’ny vavahady. Tao koa ireo niambina ireo gadra nivoaka avy eny an-tafon-trano. Miisa sivy, araka izany, ireo gadra tafatsoaka ny fonja. Nitifitra avy hatrany ny mpiandry fonja ka voatifitra ny roa raha tafatsoaka kosa ireo gadra fito. Efa mandeha ny fikarohana ao an-tampon-tanànan’i Mananara Avaratra ataon’ny mpitandro filaminana miaraka amin’ireo mpiandry fonja na eo aza ny fitsoahan’ireo gadra. Somary efa antitra ihany koa ity fonjaben’i Mananara Avaratra ity ka isan’ny nanamora ny fitsoahan’ireo gadra izany satria na ny rindrina aza, efa malemy. Tokony hojeren’ny tompon’andraikitra akaiky ihany ireny fonja efa antitra ireny hialana amin’ny fitsoahana gadra faobe toy izao.J.C L’article Mananara Avaratra: vaky ny fonja, gadra fito tafaporitsaka a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Amin’ny maso sy mahasoa… tsy miangatra    

Tena marina ny hoe tsy misy jamba toy izay minia mikimpy? Na marenina toy izay minia marenina… Inona, hono, ny zavatra miova eto amin’ny firenena amin’izao? Izay ny vavan’ny mpanohitra sasany. Tena tsy misy tokoa ve izay? Na minia mikimpy sy marenina na entin’ny fankahalana, hany ka maizina avokoa ny zava-drehetra.Aza gaga raha tofoka amin’ny afitsoky ny mpanao na ny mpilalao politika ny ankamaroan’ny olona. Toy ny hoe ny tena ihany no inona: manao zavatra, mahavita zavatra. Fony teo amin’ny fitondrana, ohatra, misy sahy miantsanantsana fa izay tsy natao tao anatin’ny 50 taona, vita iray volana na herintaona. Izany moa ny inona?Rehefa eo amin’ny fitondrana, toy ny hoe ny tena ihany no hany tia tanindrazana, mahalala sy mitsinjo vahoaka… Tsy vitan’izany, hany tokana an-tany manao sy mahavita zavatra hoe fampandrosoana. Manginy fotsiny, izay mahita na milaza zavatra ankoatra izany: soketaina ambony ihany ho fahavalom-pirenena, manakorontana, potehina…Rehefa tsy eo amin’ny fitondrana indray, tabatabaina fa famonoana vahoaka sy famotehana firenena izay rehetra ataon’ny mpitondra. Tena tsy misy na inona na inona miova tokoa ve eo amin’ny tany sy ny fanjakana? Na eo amin’ny fiainam-bahoaka… Aleo ny tsirairay no mitsara fa tsy izay lazaina sy hitan’ny tena no hany marina.Ny zava-doza: manakorontana rehefa tsy mahasarika sy mahazo vahoaka amin’izany. Tsy mety misy fiovana ny fomba fanaovana politika? Tsy firy ny mijery amin’ny maso tsy miangatra amin’izay tena mahasoa amin’ity hoe fitiavan-tanindrazana… hirahiraina lava. Na misy izay mety mahasoa ny vahoaka aza, toherina fotsiny izao.Aza gaga raha tsy miova koa ny fomba fanaovana politika, ny fijerin’ny maro ny mpanao politika sy ny fanaovana politika… Lazaina fa tsy misy inona miova eto noho ny tsy fijerena amin’ny maso tsy miangatra. Tsy ny tena mpitsikera befahatany noho ny fiheveran-tena diso ve no tsy misy fiovana voalohany amin’ny maso tsy miangatra?Rafaly Nd.  L’article Amin’ny maso sy mahasoa… tsy miangatra     a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Cnaps: fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa amin’ny masera

Anisan’ny mpiasa mpikarama ny sehatry ny fampianarana sy ny fiangonana. Tafiditra ao anatin’izany ny “Fikambanan’ny masera madinika eraky ny fitiavana”, miparitaka manerana ny Nosy. Sahanin’izy ireo ny manabe sy mitaiza ny zaza sahirana any ambanivohitra. Koa satria mampiasa olona ry masera, zon’ny mpiasa ny misitraka ny fiahiana sosialy. Natao teny Andrambato Itaosy, ny herinandro lasa teo, ny fiofanana mikasika ny fitantanana maha olona, toy ny fampidirana ao anatin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS), ny fanefana latsakemboka, ny fanampiana ny mpiasa sy ny ankohonany, ny fanampiana ny tra-doza na marary vokatry ny asa, ny fisotroan-dronono, sns. Nilaza ny mpanolotsain’ny toniam-pitantanan’ny CNaPS, Rakotomanana, fa tafiditra ao anatin’ny fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny fiangonana katolika ity fiofanana ity. Nampahafantarina koa ny dingana arahina amin’ny fangatahana fanampiana.Nambaran’ny masera Agnès sy Gabrielle, fa tena ilaina amin’ny asan’izy ireo ny fiahiana sosialy. Ankoatra ny asa fitoriana, afaka manentana any ambanivohitra koa izy ireo ary mangataka ny tohan’ny CNaPS, indrindra ny any lavitra.Njaka A.L’article Cnaps: fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa amin’ny masera a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

EIC Corporation: mampiroborobo ny kolontsain’ny fandraharahana sy fampiasam-bola  

Tokony ho notanterahina teto Madagasikara ny fivoriana andiany fahafito maneran-tany  momba ny lalana hafa ho an’ny famatsiam-bola (Sifa) miaraka amin’ny EIC Corporation, izay fikambanana iraisam-pirenena mampiroborobo ny kolontsaina fandraharahana sy ny fampiasam-bola. Hetsika nanamarihana izany, nasolo ny fandraisana ny fivoriana (tsy azo notanterahina noho ny fisian’ny valanaretina) ny fikarakarana famelabelaran-kevitra ho an’ny mpianatra tao amin’ny lycée technique professionnel Ampefiloha sy ireo avy amin’ny oniversite. Niompanan’ny fifampizarana ny fampianarana avy eny ifotony ny fahaizana mampiasa vola. Trandrahina ny talentan’ny mpianatra ary ampianarina izy ireo hamolavola tetikasa avy amin’ny talentany avy. Raha voamarina fa mahomby ny tetikasa dia ampiana ireo mpianatra hanatanteraka izany, hoy ny filohan’ny EIC Madagasikara, i Shariff  Bonnie, ny faran’ny herinandro teo teny Ampefiloha.Fotoana hiantsoana ny olona hampiasa vola eto amintsika ny fivoriana iraisam-pirenena Sifa ary efa eo am-pananganana ny rafitra malagasy ny mpiandraikitra. Firenena 50 no mpikambana ary ahitana olona 2 500 mandrafitra ny EIC Corporation miorina any Côte d’ivoire. Sehatra ahafahan’ny mpamatsy vola sy ireo mpitantana orinasa mitady famatsiam-bola mifanerasera izany. Misy klioba ho an’ny fampiasam-bola 330 ao anatin’ny EIC Corporation afaka mamatsy vola tetikasa samihafa. Ny tapany hariva, nanao fivoriana ampitain-davitra niaraka tamin’ireo mpikambana vahiny ny teto Madagasikara.VonjyL’article EIC Corporation: mampiroborobo ny kolontsain’ny fandraharahana sy fampiasam-bola   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Asa sosialin’ny antoko: nanao didim-poitra faobe ny MMM

Nanamaivana ny fahasahiranana ray aman-dreny maro indray ny antoko Malagasy miara-miaina Malagasy miara-miainga, ny herinandro lasa teo. Zazalahy miisa 92 indray no vita didim-poitra maimaimpoana ao amin’ny kaominina Manandriana sy ny any Vilihazo, ary koa ny  etsy Ankadikely sy ny eny amin’ny kaominina Ambohimalaza. Nahazo ny anjara kilalaony avokoa ireo zazalahy ireo taorian’ny hetsika didim-poitra faobe nataon’ity antoko  ity. Asa sosialy efa fanaon’ny Malagasy miara-miainga isan-taona ny tahaka izao, ankoatra  ny hetsika fivarotana fitaovana sy kojakojam-pianarana amin’ny vidiny mirary mitety tsena efa fanaony. Eo koa ny fanohanana sy ny fanampiana ny tantsaha ary ny fanorenana na  ny fanampiana amin’ny  fotodrafitrasa, toy ny efitranon-tsekoly na ny fanamboaran-dalana sy ny tetezana. Manampy izany ny fanomezana boky ho an’ny trano famakiam-boky sy ny hetsika samihafa.Hitohy amin’ny kaominina hafa ny hetsika na ny asa sosialy ataon’ny antoko Malagasy miara-miainga.Synèse  R.   L’article Asa sosialin’ny antoko: nanao didim-poitra faobe ny MMM a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) francophones. Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 160 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC. MISSION En tant que Téléconseiller(ère) francophone, vos missions seront : PROFIL VOS AVANTAGES Si tout cela vous parle, vous êtes le candidat qu’il nous faut ! Merci de postuler en ligne sur notre site www.eufonie.fr/jobs. Vous pouvez également adresser votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ; Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones".

A vendre Vend CF Moto 150NK
18/06/2021

🚦CF Moto 150nk 🏍 - 6 vitesses - Kilométrage 15xxx km - 2 modes de conduites : Sportive 🚀/ Economique⛽️ - Peinture carbone personnalisée  - Rétroviseur kit Rizoma - Anti crache et cache réservoir installé  - Immatriculé WWTMoto très bien entretenue, rien à prévoir, très faible consommation.Prix: 8.000.000Ar légèrement à débattre Contact: 0327850398 📞 ToamasinaCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Vend CF Moto 150NK".

Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction
16/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement un Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.MISSIONS:Le Business Unit Manager développe et assure le bon fonctionnement de ses activités :PROFILS :AVANTAGES :Veuillez adresser votre candidature à l’adresse recrutement@eufonie.fr à l'aide de votre CV et d’une lettre de motivation. Pour entrevoir nos offres d'emploi, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction".

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée
17/06/2021

Dans une résidence neuve, fraîchement construite. Appartements Type 2 au Type 4 (avec suite parentale) À louer Vide ou Meublé Bénéficiant d’une Vue exceptionnelle sur la Campagne Avec Grand Balcon/ Terrasse/ Ascenseur/ Parking/ Groupe ÉlectrogèneCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée".

Emploi et services Travail sur internet
18/06/2021

 Completer des sondages et gagner de l'argent.Des sondages seront à votre disposition journalièrement.ceci ne prend que quelque minute.Ceci est pour vousWallet payeerhttps://tapinbox.com/?rf=160801   Regarder des publicites et gagner de l'argenthttps://clicknox.com/?ref=373978Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail sur internet".

A vendre Mégane Scénic
15/06/2021

A vendre RENAULT MEGANE SCENICVitre Electrique, Verrouillage Centralisé, direction assistée, AIRBAGS, Très Bonne Etat, SANS DEVOIR, Année de mise en circulation 2001, bôite de vitesse manuel, diesel, faible consommation, puissant, 5 places, 5 portes, radio d'origine, intérieur très bonne état. Prix: 11 200 000 ar à debattreContact: 033 37 574 65Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mégane Scénic".

Emploi et services PDF à propos de ADWORD
14/06/2021

Vous vous demandez peut-être comment les grandes entreprises utilise la technologie pour promouvoir ses produits.Ne vous inquiétez voici-ci quelques notion qui pourrait vous aider.Dans ce pdf de Content Marketing 101https://bit.ly/3cqJQLY AdWords Annihilationhttps://bit.ly/3zavLMDCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services PDF à propos de ADWORD".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement
15/06/2021

Bonjour,  il y a plusieurs manières de se faire de  l'argent en ligne chez soi et gagner de petits revenus en cette année 2021. Si cela vous intéresse suivez ces liens et inscrivez vous :Voulez vous gagner de l'argent en ligne sans fournir trop d'effort ? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable.https://rupee4click.com/48ks0efa nazaoko avec preuve de paiementinscrit et vous gagnerai Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
15/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Notsongaina

Un communiqué qui est un pavé dans la mare
18/06/2021

La campagne de vaccination contre la Covid-19 est maintenant terminée et ceux qui l’ont organisée peuvent considérer que leur contrat est rempli, même si un peu plus de 80 000 doses n’ont pas été utilisées. On a vu hier un certain flottement après l’annonce faite par l’ambassade de France affirmant que le Covishield n’était pas accepté par les autorités françaises. Après une suspension de quelques heures, la vaccination a repris et l’affluence dans les centres a été importante. Un communiqué qui est un pavé dans la mare Le communiqué publié sur la page Facebook de l’ambassade de France, précisant que le vaccin Covishield n’avait pas été accepté par les autorités françaises, a semé le désarroi chez les organisateurs de la campagne de vaccination. De nombreux vaccinodromes ont fermé leurs portes et le personnel présent a renvoyé les nombreux candidats qui faisaient la queue. Le ministre de la Santé a exprimé son incompréhension et a décidé d’interpeller l’OMS par rapport à cette affirmation. Mais après une longue concertation entre les responsables, l’opération a repris son cours pour ne pas léser les volontaires désireux de se faire vacciner. Le rythme a été très soutenu tout au long de l’après-midi/ 177 000 personnes ont donc pu recevoir leur première dose de vaccin au terme de ce mois et demi de campagne. Pour les observateurs, ce qui a été annoncé dans le communiqué est un véritable pavé dans la mare et il est tombé à un très mauvais moment. L’embarras des autorités sanitaires était palpable. Ces dernières se sont certainement senties trahies par l’OMS qui a manifesté une certaine assurance lors de la livraison des stocks de Covishield. Aujourd’hui, tous ceux qui se sont fait vacciner pour se protéger, mais aussi pour pouvoir voyager à l’international sont dans le désarroi. Un certain nombre d’entre eux ont accepté le Covishield car ils n’avaient pas d’autres choix. À présent, ils ont l’impression d’avoir été piégés. C’est maintenant vers le gouvernement qu’ils se tournent pour qu’une solution soit vite trouvée. Patrice RABE L’article Un communiqué qui est un pavé dans la mare est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Un communiqué qui est un pavé dans la mare a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fanamarihana ny fetim-pirenena: hatao amin’ireo renivohi-paritany enina ny matso
14/06/2021

Mbola mitoetra ny hamehana ara-pahasalamana ho an’ny 15 andro manaraka na efa nihena aza ny tranga covid-19. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, niainga avy any Taolagnaro, omaly fa ferana ho isaky ny renivohi-paritany enina ihany ny matso. Nambarany tamin’izany fa hankalazaina afaka 13 andro ny fetim-pirenena sy ny faha-61 taona niveran’ny Fahaleovantena. “Noho ny hamehana sy hifehezana ny fiparitahan’ny covid-19 anefa, eny anivon’ny renivohi-paritany enina ihany no hankalazana izany sy hanaovana ny matso”, hoy izy. Nentaniny ny rehetra hanangan-tsaina, hampisehoana ny hambom-pirenena.  “Hiredareda ny afon’ny fitiavan-tanindrazana handresena ny sedra sy ny ady sarotra rehetra”, hoy izy.Na izany aza, mbola baraingo na ho etsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ihany ny hanaovana ny matso eto Antananarivo na tsia.  Efa nanambara ny mpanolontsain’ny filoha, Andriamanohisoa Gerard fa efa azo hanatanterahana hetsika ny kianja ny 26 jona izao. “Miankina amin’ny fanjakana anefa izany”, hoy izy.Niakatra ho 200 ireo afaka mivorivoryEtsy andaniny, nambaran’ny filoha fa  miverina amin’ny andavanandro ny fiainana  amin’ny ankapobeny. “Hampiakarina ho 200 ireo afaka mivorivory raha noferana ho 100 izany teo aloha. Miankina amin’ny toerana fandraisana koa anefa izany ahafahana manaraka sy manaja ny fepetra”, hoy ihany izy. Mbola tazonina hatrany ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina, manomboka amin’ny 11 ora alina izany ka hatramin’ny 4 ora maraina.Ankoatra izany, azo atao ny fandevenana na miditra na mivoaka ny faritra rehetra raha tsy voan’ny covid-19 ilay maty. Nametrahana fepetra anefa izany amin’ny alalan’ny taratasy omen’ny BMH.Omena alalana manokana ireo mana-manjoHo an’ny matin’ny covid-19 kosa, voarara ny mitondra ny razana miditra na mivoaka ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Tsy miova koa ny fandevenana fa alevina ny androtr’iny ihany izany ary ferana ho 10 ireo mpandevina. “Mbola voarara ny mamindra razana na mamindra sy mamoaka izany any amin’ny faritra hafa raha efa nalevina”, hoy ihany ny filoha.Etsy andaniny, mbola mikatona ny sisin-tany. Na izany aza, nambaran’ny filoha fa omena alalana manokana ireo hanefa adidy farany amin’ireo mana-manjo, namoy ray aman-dreny, vady, zanaka, mpiray tampo. Misokatra ny “espace”, “cabaret”, mariazyEla ny ela…Misokatra ny toerana fanaovana lanonana rehetra, araka ny fanambarana nataon’ny filoha hatrany. “Afaka misokatra anaty fepetra, toy ny « cabaret », ny « espace », ny mariazy sy ny sisa… Ao anatin’izany ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana anefa izany ”, hoy izy.Tsiahivina fa maro ireo mpisehatra amin’ny fanafanana lanonana sy ny karazany no mikaikaika, nandritra ny fepetra ara-pahasalamana. Manomboka mivaha tsikelikely, araka izany, ny fiverenana amin’ny laoniny ny fiainana andavanandron’ny mponina. Nandritra izay iray volana mahery izay, maro ny mpanakanto sy mpisehatra eo amin’ny fanafanana lanonana no naneho ny fihetseham-pony noho ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana amin’ny fisorohana ny fihanahan’ny valanaretina coronavirus tsy hiparitaka. Maro ireo mpanakanto tra-pahasahiranana nandritra ny fotoana nanapahan’ny fanjakana hevitra ny amin’ny fanakatonana ny toerana fanaovana lanonana. Manomboka hiverina amin’ny lazoniny izany izao.  Maro rahateo ny fifanarahana amina hetsika nataona mpanakanto sy ny mpikarakara lanonana no rava noho ny fepetra noraisin’ny fitondrana hisorohana ny fihanahan’ny covid-19. Nisy mihitsy aza, ireo mpanakanto lavon’ny coronavirus.Na izany aza anefa, nohamafisin’ny filoha fa mbola mitoetra ny fepetra rehetra manerana ny Nosy, efa nambara tany aloha. Anisan’izany ny tsy mbola fandehanan’ireo marefo miasa, ohatra…Mila mitandrina amin’izao ririnina izaoAnton’ireo fepetra rehetra ireo sy ny famahana tsikelikely ny ampahan’ny fanapahan-kevitra sasany tany aloha ny filazan’ny filoha fa efa an-dalan’ny fandresena ny valanaretina isika izao noho ny fihenan’ny tranga vaovao. Nisy ny ezaka natao niarovana ny vahoaka ary hotohizana izany rehetra izany. “Mila mitandrina anefa isika satria miditra amin’ny ririnina », hoy izy.Nifampidinika ny teo anivo’nyn andrimpanjakana telo tonta fa mitohy ny hamehana ara-pahasalamana mandritra ny 15 andro manaraka.Na ao anatin’ny hamenana aza anefa araka ny nambarany hatrany, tsy maintsy mitohy ny fanarenana ny toekarena sy ny asa fampandrosoana voalazan’ny velirano. Miatrika ady hafa, toy ny kere, haintany, famoizana aina ny firenena ka anisan’ny velirano ny hanavotana azy ireo. « Azo atao ny manarina ny any  atsimon’ny Nosy », hoy izy.Synèse R.L’article Fanamarihana ny fetim-pirenena: hatao amin’ireo renivohi-paritany enina ny matso a été récupéré chez Newsmada.

Firenena mikambana: nanaiky nanao sonia miady amin’ny kolikoly i Madagasikara
17/06/2021

Fivoriambe manokana nataon’ny Firenena mikambana (ONU) ny voalohan’ny volana jona teo tany New-York ny hiadiana amin’ny kolikoly mahazo vahana amina firenena maro. Nandray anjara tamin’izany fivoriambe izany i Madagasikara, tamin’ny anaran’ny CSI (1) ka anisan’ireo firenena 187 nanao sonia ny fifanarahana teo anivon’ny UNCAC (2). Nanao sonia midika io fifanarahana io fa manaiky marina miady amin’ny kolikoly. Samy nanaiky rehetra ary nanamafy fa sakana ho an’ny fampandrosoana, indrindra mampahantra vahoaka, ny kolikoly, tsy ahafahan’ny vahoaka ihany koa mizaka ny zony feno.Maromaro ihany ireo fepetra an-tsoratra nambaran’i Madagasikara amin’ny fandraisana andraikitra. Anisan’izany ny fanamafisana ny asan’ny Pac (Pôle anti-corruption), ankoatra ny eto Antananarivo, ny any Mahajanga sy any Fianarantsoa. Fiarovana ny lalàna mampahaleo tena ny sampana rehetra miady amin’ny kolikoly: CSI, Pac, Bianco, Samifin.Fahaleovantena tanteraka ny rafi-pitsarana rehetra. Hamafisina fa tsy misy ambony lalàna ary eo koa ny fandraisana fepetra raha mihazona fananana sy vola tsy mazava.Tsy misy mangaraharaTanjona hiadiana amin’ny kolikoly ny hisian’ny fampandrosoana maharitra, mitaky politika ho an’ny fitantanana madio. Nanao izao fivoriambe izao ny ONU noho ny fahatsapany ny tsy fisian’ny mangarahara momba ny fitantanambola, indrindra ny avy amin’ny mmpatsy vola iraisam-pirenena. Voakasik’izany manokana ny aty Afrika. Tao anaty krizy tanteraka i Madagasikara ny taona 2020, amina tetibola 826,09 tapitrisa dolara, 9,37% tamin’izay ihany ny natokana ho an’ny fahasalamana, izay mbola tsy mangarahara ihany koa ny fitantanana azy, araka ny fanadihadiana nataon’ny Transparency International Intiative Madagascar. R.Mathieu CSI (1) : Comité pour la  sauvegarde de l’intégritéUNCAC (2) : Convention des Nations Unies contre la corruptionL’article Firenena mikambana: nanaiky nanao sonia miady amin’ny kolikoly i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

Fondation Axian : Cinq établissements préscolaires inaugurés
17/06/2021

Le programme SEKOLY TELMA vise à améliorer l’accès à l’éducation de base pour les enfants des zones enclavées ou rurales. Heureux. Les tout-petits élèves du préscolaire de l’EPP Antanimena sont désormais reçus dans une salle de classe propre et bien équipée. Et ce, grâce au programme Sekoly Telma initié par la Fondation Axian. Implication. Cinq écoles primaires publiques (EPP) de la capitale sont concernées par ce programme. A savoir, Antanimena 2, Benasandratra, Ambodiafontsy, Ambohinaorina et Tsarahonenana. L’inauguration de ces nouvelles réalisations a été marquée hier, par une cérémonie qui s’est tenue à l’EPP Antanimena 2, en présence, notamment du maire de la Commune Urbaine d’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina, du directeur de cabinet du ministère de l’Education nationale, des dirigeants de la Fondation Axian et de la directrice de l’association KOZAMA, ainsi que des directeurs des EPP concernées. Ce programme traduit une fois de plus l’implication de la Fondation Axian dans le développement socio-économique des quartiers défavorisés. De qualité. La Fondation Axian offre ainsi aux plus jeunes, notamment aux enfants de 2 à 5 ans, un environnement et des infrastructures d’apprentissage de qualité, respectant les normes nationales, et leur permettant de s’épanouir dans leur scolarité. Au total, plus de 290 enfants par an bénéficieront de la construction de ces 5 infrastructures. Les 5 établissements concernés scolarisent déjà 142 élèves. Ce projet est réalisé en collaboration avec la KOZAMA (Kolo Zaza Malagasy) qui a pour vocation de diminuer , à son échelle et de façon durable, la pauvreté à travers l’éveil et l’éducation des enfants des familles les plus vulnérables de la capitale malgache. Pour cela, Kozama collabore étroitement avec la communauté éducative et les autorités locales pour le renforcement durable et inclusif des services éducatifs publics et des acteurs sociaux. L’association compte plus de 4.000 parents participants à l’éducation parentale et plus de 5.000 enfants bénéficiaires chaque année. Fresques murales. Par ailleurs, la Fondation Axian a sollicité les street-artistes lauréats du concours lancé conjointement par la Fondation H et la Fondation Axian, fin 2020. Les artistes Mat Li, Naty Kaly, Tahina Rakotoarivony et Mendrika Ratsima, ont ainsi procédé à l’habillement de 5 nouveaux établissements à travers la création de fresques murales adaptées aux jeunes enfants. Ces réalisations artistiques permettront de stimuler la curiosité des enfants et de les sensibiliser à l’art dès leur première intégration dans la scolarisation, mais aussi de soutenir et d’accroître la visibilité des artistes contemporains malgaches dans de nouvelles sphères. R.Edmond. L’article Fondation Axian : Cinq établissements préscolaires inaugurés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Fondation Axian : Cinq établissements préscolaires inaugurés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Andohatapenaka: nirefodrefotra ny basy, jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy
14/06/2021

Hatairana vao maraina ny an’ireo olona mipetraka eny Andohatapenaka sy ny manodidina raha nandre ny firefodrefotry ny basy, ny asabotsy teo. Jiolahy mpanakan-dalana no nifanehatra tamin’ny polisy. Jiolahy iray lavon’ny bala raha azo sambo-belona kosa ny namany iray hafa…Polisy misahana ny ady amin’ireo jiolahy mitam-piadina mahery vaika (SAG) sy ny ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) 67ha ireto nifampitana tamin’ny jiolahy mpanakan-dalana teo Andohatapenaka ireto. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny polisin’ny Sag, tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny 2 ora sy 30 mn maraina, nahazo angom-baovao ny polisy fa misy andian-jiolahy mitondra basy sy antsy lava manao sakan-dalana amin’ny sarety miisa telo ny lalana etsy Andohatapenaka. Taxi-be iray nitondra mpivarotra legioma vao maraina no tratran’ny sakana nataon’ireto jiolahy ireto. Niditra an-keriny tao anaty fiara izy ireo ka lasan-dry zalahy avokoa ny vola hatramin’ny firavaka tany amin’ireo mpandeha. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny polisy nanao ny fanarahan-dia ireto olon-dratsy ireto, nanamafy rahateo ireo mpandeha voatafika fa mbola tsy lasa lavitra ry zalahy. Raikitra ny fanenjehana nataon’ny polisy ka tratra teo Ankasina ireto andian-jiolahy ireto. Raikitra ny fifampitifirana ka maty voatifitra ilay jiolahy nitondra basy. Azo sambo-belona kosa ny jiolahy iray hafa. Basy kilalao no nentin’ireo jiolahy nampihorohoro… Tao anatin’ny tebiteby no niainan’ireo mponina teny amin’ny manodidina ny toerana nisian’ny fifampitifirana. Tafaporitsaka nandritra ny fifanjevoana ny jiolahy roa hafa. Nandritra ny fizahana  no nahitana fa basy kilalao no nampiasain’ireto jiolahy ireto nandritra ity fandrobana ity, ankoatra ilay antsy lava hita tany amin’izy ireo. Nanamafy ny polisy fa mitohy ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, indrindra amin’izao ankatoky ny fety fankalazana ny tsingerin-taona nahazoana ny Fahaleovantena izao. Fantatra fa ao anatin’ireo tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana eto an-drenivohitra ry zalahy ireto, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy hatrany.Jean ClaudeL’article Andohatapenaka: nirefodrefotra ny basy, jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy a été récupéré chez Newsmada.

« Raharaha Nosy Sambatra » – Iles Glorieuses: manomana ny hamaly bontana an’i Frantsa ny fanjakana
16/06/2021

Anisan’ny niaka-tsehatra teo anivon’ny Antenimierampirenena nanao tatitra tamin’ny alalan’ny visioconference, omaly, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Tehindrazanarivelo Djacoba. “Efa mivonona amin’ny fomba hamaliana an’i Frantsa sy ny antontan-taratasy rehetra hanoherana ny azy ireo isika », hoy izy. Anton’izany ny didim-panjakana noraisin’ny fitondrana frantsay momba ny Nosy Sambatra « Iles Glorieuses », tafiditra ao anatin’ireo Nosy manodidina fa hatao tahiry ara-boajanahary faha-170 ho azy ireo. Hanohitra sy hitsipaka marindrano izany ny fanjakana raha miainga amin’io minisitra io.Notsiahiviny fa efa nampiantsoiny teny Anosy ny ambasadaoro frantsay ny volana mey tamin’ny taona 2020 ary nilazany fa tsy hanaiky velively ny hanaovana ho faritra frantsay ara-boajanahary ireo Nosy ireo ny Malagasy. “Tena midika ho tsy fanajana ny fifampiraharahana efa an-dalana eo amin’ny firenena roa tonta momba ireo Nosy manodidina izao ataon’i Frantsa izao”, hoy ihany izy. Anisan’izany ny Nosy Bedimaky (Juan de Nova), ny Nosy Ampela (Europa) ary ny Nosy Kely (Bassas da India).Fanohanan’ny Sadc an’i MadagasikaraEtsy andaniny, efa nanao fanambarana ny filankevitry ny minisitry eo anivon’ny Fiaraha-miasa ara-politika sy ny fiarovana ary ny filaminana (CMO) eo anivon’ny Sadc, ny volana jona 2020; fa manohana 100% ny fanjakana malagasy izy ireo amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo. Takin’izy ireo ny hampiharana ny fehinkevitra navoakan’ny filankevitry ny minisitra teo anivon’ny Firaisambe afrikanina (OUA) ny 20 jolay 1979 sy ny fehinkevitra navoakan’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU) ny 12 desambra 1979. Voalaza ao anatin’ny fehinkevitra tamin’izany fa tafiditra ao anatin’ny faritry ny Repoblikan’i Madagasikara ireo Nosy ireo.Harena voajanahary tsy hita noanoaTsiahivina fa namoaka didy ny fanjakana frantsay ny talata 8 jona teo ary nanamafy fa tafiditra ao anatin’ny tahiry ara-boanajahary “Réserves naturelles” an’i Frantsa ny Nosy Sambatra. Tsy vitan’izany fa mbola nohamafisina tao amin’ny gazetim-panjakana frantsay , ny  Journal officiel, izany didy izany ny alakamisy 10 jona.Anisan’ny mampiavaka ity Nosy Sambatra ity ny fananany karazan-javamaniry sy biby maherin’ny 2 500 ary tsy fahita manerana izao tontolo izao. Ahina sy atahorana ny 20% amin’izany.Synèse R.L’article « Raharaha Nosy Sambatra » – Iles Glorieuses: manomana ny hamaly bontana an’i Frantsa ny fanjakana a été récupéré chez Newsmada.

Befandriana: tratra ireo jiolahy mpanao hosoka vatosoa
15/06/2021

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny talem-paritry ny Filaminam-bahoaka faritra Sofia, ny faran’ny herinandro teo ny jiolahy roa malaza ratsy amina raharaha fisolokiana. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, tonga nametraka fitoriana mahakasika fisolokiana vatosoa hosoka tao amin’ny kaomisarin’i Befandriana Avaratra. Nanao ny angom-baovao rehetra ny polisy ka fantatra tamin’izany ny mombamomba ireo olon-dratsy. Nametraka ny vela-pandrika rehetra ny polisy ka tratra ny alahady teo tao Befandriana Avaratra ireto roa lahy ireto. Nentina teny amin’ny CSP Befandriana Avaratra izy ireo nanaovana fanadihadiana. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa isaky ny tsenan’omby isan-kerinandro izy ireo no manao ny asa ratsiny ary ireo olona tonga hividy omby no tena kendren’izy ireo amin’izany. Niaiky ny heloka vitany izy roa lahy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireto jiolahy ireto ka naiditra am-ponja avy hatrany.J.CL’article Befandriana: tratra ireo jiolahy mpanao hosoka vatosoa a été récupéré chez Newsmada.

Fenoarivo Atsinanana: potika ny lalana, mivangongo ny fako, tsy voaloa ny karama
16/06/2021

Mihantona ny asa fanaovana ny kianja manara-penitra any Fenoarivo Atsinanana. Araka ny loharanom-baovao azo antoka, tsy voaloa ny volan’ny orinasa manao ny asa. Manampy izany, ratsy endrika ny tampon-tanànan’i Fenoarivo Atsinanana. Potika ny godirao amin’ny lalam-pirenena fahadimy (RN 5) miainga any Foulpointe sy ny mamakivaky ny tanàna. Mivangongo eny amin’ny sisin-dalana rehetra eny, hatrany amoron-dranomasina, ny fako, izay tsy lavitry ny biraon’ny faritra sy ny araben’ny Fahaleovantena. Masirasira ny rano fisotro any an-tokantrano. Tsy nahitana lalam-pasika izany anefa ny ao an-tampon-tanàn’i Fenoarivo tany aloha, ary distrika anisan’ny nadio.Etsy ankilany, mandrahona hitokona ny mpiasan’ny kaominina Fenoarivo Atsinanana, tsy nandray karama nandritra ny 12 volana. Eo am-panomanana ny fivorian’ny filankevitra monisipaly izay mety hiafara amin’ny fitsipaham-pitokisana ny ben’ny Tanàna.Sajo sy Njaka A.L’article Fenoarivo Atsinanana: potika ny lalana, mivangongo ny fako, tsy voaloa ny karama a été récupéré chez Newsmada.

Football : Début de la Telma Coupe et la THB Ligue des champions
16/06/2021

Après une saison presque blanche, la Fédération malgache de football (FMF) a décidé de reprendre à nouveau les compétitions nationales. Les programmes de la Telma Coupe et la THB Ligue des Champions édition 2021 sont désormais connus. Ça y est ! La Fédération malgache de football a publié le calendrier de la Coupe et du Championnat national. Madagascar n’avait ni champion ni vainqueur puisque la compétition n’était pas arrivée à son terme en raison de contraintes de temps. Espérons que ce ne sera plus la même situation cette année. Pour la Telma Coupe de Madagascar, la compétition  débutera le 27 juin prochain et s’étalera pendant deux mois notamment jusqu’au 22 août. La date des inscriptions a été clôturée hier. Selon les explications, environ 70 clubs participeront au premier tour des phases préliminaires. Le second tour est programmé les 3 et 4 juillet. A l’issue de ces journées, 32 équipes s’affronteront pour les seizièmes de finale les 17 et 18 juillet, avec les équipes de la Pro League qui intègreront la course à partir de cette étape.  Les huitièmes de finale se joueront le week-end du 24 et 25 juillet, tandis que les quarts sont prévus s’étaler le 1er août. Les demi-finales se dérouleront une semaine avant la grande finale du 22 août. Quant à la THB Ligue des champions, l’édition 2021 commencera le 09 juillet 2021. « Le système reste le même que les précédentes éditions. Les champions de chaque ligue représenteront leur ligue respective. On tirera au sort, parmi les 22 ligues, les 2 clubs qui ramèneront le nombre à 24 participants », peut-on lire du communiqué de la FMF. Le droit d’engagement est fixé à 500.000Ar. Les inscriptions des clubs et des joueurs s’effectuent sur le site sigi.fmf.mg. Seuls les clubs et les joueurs enregistrés sont autorisés à y participer. Concernant la licence des joueurs, la FMF a adopté une politique d’enregistrement des acteurs de football dans le système SIGI depuis l’année 2020. « Nous sollicitons toutes les ligues de football à y inscrire leurs clubs, ainsi que leurs joueurs en vue de bénéficier de la nouvelle licence électronique. Après inscription des clubs, les ligues peuvent faire la demande de licence directement auprès de la FMF. Tous les engagements aux compétitions de la fédération seront désormais traités par le même système», indique le communiqué. Sur la mutation des joueurs, l’instance nationale a expliqué que « les mutations au niveau des ligues affiliées à la FMF s’effectueront du 1er au 30 Septembre 2021. Toutefois, suite au retard pour des raisons indépendantes de notre volonté, une période de mutation exceptionnelle est autorisée du 16 au 23 juin 2021 ». Manjato Razafy L’article Football : Début de la Telma Coupe et la THB Ligue des champions est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Football : Début de la Telma Coupe et la THB Ligue des champions a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Bilan Covid-19 du 13 juin 2021 : 2 décès et 15 nouveaux cas, les cas graves en stagnation
15/06/2021

Quinze nouveaux cas de Covid-19 le 13 juin 2021. Le nombre de nouvelles contaminations en 24 heures est descendu en dessous de la vingtaine dimanche dernier. Une confirmation de la courbe descendante qui se poursuit depuis plus d’un mois. Les 15 nouveaux cas de dimanche dernier ont été enregistrés parmi 470 tests, soit un taux de positivité de 3,19%. Ils sont localisés dans trois régions : Analamanga qui compte 10 cas, Haute Matsiatra en compte 3 et Ihorombe en compte 2. Pour Analamanga en particulier, les 10 cas ont été enregistrés dans trois districts : Tana Ville 7 ; Ambohidratrimo 2 et Andramasina 1. Quant aux cas graves, leur nombre semble être en stagnation depuis plusieurs jours, mais reste en dessous de la barre des 100. Au jour du 13 juin, il a été enregistré 95 patients présentant une forme grave de la maladie sur l’ensemble de l’île. Au niveau des décès, on notera qu’Analamanga n’en comptait aucun dimanche dernier. Les 2 décès enregistrés à cette date sont localisés dans deux régions, à savoir la Haute Matsiatra et l’Atsinanana, lesquelles comptent chacune un décès. Le décompte officiel indique actuellement 889 décès liés à la Covid-19 à Madagascar depuis le début de l’épidémie dans le pays en mars 2020. Au chapitre des guérisons, 25 patients ont été déclarés guéris le 13 juin. Et enfin les données récapitulatives, montrant à la date du 13 juin un cumul de 41 948 cas confirmés sur un total de 209 522 tests effectués depuis mars 2020. Le nombre total des guérisons est de 41 343. Hanitra R. L’article Bilan Covid-19 du 13 juin 2021 : 2 décès et 15 nouveaux cas, les cas graves en stagnation est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Bilan Covid-19 du 13 juin 2021 : 2 décès et 15 nouveaux cas, les cas graves en stagnation a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Kitra – Mifandray toy ny mpirahalahy ny Barea
15/06/2021

Miditra amin’ny herinandro faharoa amin’ny fampivondronana ny Barea de Madagascar, nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Nanambara ny niainany ny tapany voalohany i Bapasy sy i Tsiry ary i Melvin. Nambaran’izy telo mirahalahy fa mifampitondra toy ny mpirahalahy ny mpilalaon’ny Barea de Madagascar ao anatin’izao fanomanantena izao. Ho an’i Bapasy, matoa nantsoina dia vonona ary hiadiana ny toerana. “Nahazo tombony tamin’ny fiarahana tamin’ny mpanazatra vaovao satria nisy zavatra tsy mbola hita ary nahazo traikefa hoentina any amin’ny klioba hilalaovany. Manoro ireo mpilalao efa manana traikefa toa an’i Morel”, hoy izy. Aminy, ny fiarahana tamin’i Caloin, ny asabotsy lasa teo, nambarany fa ilaina ny fiarahana amin’ny mpilalao rehetra izay mila mahay ny toerana rehetra. Nahafaly ireo mpilalao zokiny ny namalian’ireo mpilalao zandriny, izay ampirisihiny fa mendrika ny hanana ny toerany ao amin’ny ekipam-pirenena fa tsy ho variana amin’ny anarana efa mahazatra.Tsy nanafina kosa i Tsiry fa nahitany zava-baovao ny niatrehany ny fampivondronana tao amin’ny Barea. “Ilay fiarahana na “tandem”, izany no hitako tsy ampy raha iny lalao tamin’ny asabotsy iny”, hoy i Tsiry.Raha ho an’i Melvin Adrien, mpiandry tsatoby indray, nilaza ny tovolahy fa miray saina tsara izy sy i Nina ary i Mathias ary samy manana andraikitra hiaro ny voninahi-pirenena. “Fitsapana ny tamin’ny asabotsy ka miezaka maneho ny fahaiza-manaony ny tsirairay. Toy ny fianakaviana ny Barea ka mifanoro sy mifampizara traikefa”, hoy izy. Torcelin L’article Kitra – Mifandray toy ny mpirahalahy ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Vaccination contre la Covid-19 : Bilan final connu ce jour selon le Ministère de tutelle
19/06/2021

Les vaccinés du Covishield attendent leurs secondes doses. Des dizaines de milliers de vaccins Covishield périmés devraient être détruits ou enfouis, si l’on se réfère aux explications du ministère de la Santé publique malgache. «Les statistiques relatives au nombre de personnes vaccinées ont connu une hausse considérable ces derniers jours. Je pense que l’on a pu administrer 200 000 doses de vaccins Covishield à la fin de la campagne». Propos d’un responsable auprès du ministère de la Santé publique joint au téléphone hier pour faire état de la situation de la campagne de vaccination menée à Madagascar. Selon le responsable, «les gens se sont rués vers les vaccinodromes une semaine avant la date butoir de la campagne». Une habitude typiquement malgache selon certains observateurs qui n’ont pas manqué de rappeler les différentes réactions et propos concernant le vaccin et ses éventuels effets secondaires. Les premières heures de la campagne de vaccination n’ont, en effet, pas été concluantes à Madagascar. Il aura fallu que le ministère de la Santé publique et ses partenaires accentuent les campagnes de sensibilisation pour avoir une certaine adhésion de la population, surtout celle de la capitale Antananarivo. Périmés. Une tendance qui a changé vers l’approche du deadline. Les dernières statistiques du 15 juin dernier témoignent d’ailleurs de cet engouement tardif de la population. Il y a eu, ce jour-là, 150 000 doses administrées dans tout le pays selon les chiffres officiels. Les deux derniers jours auraient donc enregistré environ 50 000 administration, si l’on se réfère à la projection du responsable auprès du ministère de la Santé publique. Interrogé sur le devenir des doses non administrées, le responsable du ministère de tutelle de faire savoir qu’il est encore «trop tôt pour savoir si l’on va les détruire ou les envoyer dans des sites d’enfouissement bétonnés comme celui d’Ambohidroa pour les condamner». Selon toujours les responsables, cette question sera «élucidée après le bilan officiel de la première phase de la campagne anti-covid». Ce qui devrait se faire ce jour d’après toujours les dires de notre source. Si la campagne a pris fin, l’on se pose déjà des questions sur sa deuxième phase. Notamment sur le nombre de vaccins à importer, les personnes cibles et les éventuels changements en matière de stratégie vaccinale. José Belalahy L’article Vaccination contre la Covid-19 : Bilan final connu ce jour selon le Ministère de tutelle est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Vaccination contre la Covid-19 : Bilan final connu ce jour selon le Ministère de tutelle a été récupéré chez Midi Madagasikara.