Fahadiovana eto Iarivo :: Hatreny amin’ny fokontany ny fitsirihana ny havoretrana

News - Fahadiovana eto Iarivo :: Hatreny amin’ny fokontany ny fitsirihana ny havoretrana

News - Fahadiovana eto Iarivo :: Hatreny amin’ny fokontany ny fitsirihana ny havoretrana

Hidina ifotony, hatreny amin’ny fokontany, amin’ny fanarahamaso ny fanajan’ny daholobe ny fahadiovana ny ekipan’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Hampandraisina anjara ireo mpiasan’ny fokontany.

“Hojerena isak’ireo vakim-paritra mba hiantohana ny fahombiazan’ny politikan’ny fahadiovana eto an-drenivohitra. Ilàna ny fifanampian’ny rehetra izao ezaka izao fa tsy vitan’ny polisy monisipaly irery, ohatra, ny fampanajàna an’ireo fepetra mikasika ny fahadiovana”’, araka ny fanamarihan’ny dokotera Razanakombana Allyre, tale misahana ny rano sy fahadiovana ary fidiovana eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra, tamin’ny antso an-tariby, omaly.

Vita ny famolavolana an’ireo fitsipika hifehy ny fahadiovana eto Iarivo, taorian’ny fanovàna maro nentina tao anatiny. Hoampahafantarina, rahampitso, io fitsipika io. “Raha oharina tamin’ny teo aloha dia noezahina hazava kokoa ny fepetra vaovao, indrindra fa eo amin’ny fampiharana ny sazy. Mety ho tafiditra ao anatin’ izany, ohatra, ny fampiharana ireny asa ho an’ny tombontsoan’ny besinimaro ireny. Hampahafantarina miandalana eo ihany ireo fepetra ireo ary hisy ny fanentanana hatao mba tsy haha tompontrano mihono ny rehetra”, hoy indray Dr Razanakombana Allyre

L’article Fahadiovana eto Iarivo :: Hatreny amin’ny fokontany ny fitsirihana ny havoretrana est apparu en premier sur AoRaha.

Fahadiovana eto Iarivo :: Hatreny amin’ny fokontany ny fitsirihana ny havoretrana

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Radanoara Julien: « Tokony ho tonga saina isika »

« Tsy tena afa-mijoro isika raha tsy misy filohan’ny Repoblika tena voafidy eo ka izy no mametraka ny zava-drehetra manoloana ny tokony hiarovana ny fiandrianam-pirenena amin’ny fitsabahan’ny fiombonambe iraisam-pirenena ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy. Tena tsy marin-toerana isika izao. » hoy ny mpahay fifandraisana iraisam-pirenena, Radanoara Julien. Mifehy ao an-damosina ny raharaha sy ny fifidianana amin’izao ny iraisam-pirenena.Anjaran’ny vahoaka ny tonga saina: iza marina ny tena hofidina? Rehefa tonga eo ny iray amin’ireo kandidà ireo: ahoana, tsy manaiky lembenana intsony ny vahoaka raha misy zavatra hafahafa? Mety ho ratsy fipetraka ny voafidy eo ao anatin’ny dimy na enim-bolana voalohany, mety ho sahirana raha tsy mametraka arofanina dieny aty am-boalohany.Tsy tian’ny fiombonambe iraisam-pirenena hisy korontana etoTsy tian’ny iraisam-pirenena hisy korontana eto fa manjary sahirana  ry zareo. Aleony mitandrina, manao fisorohana mialoha izany. Raha misy korontana eto, tsy ny eto ihany no ho voa fa ny manodidina rehetra. « Tian-dry zareo hilamina hatramin’ny farany io fifidianana io, na manana olona ry zareo na tsia », hoy izy.Toy ny taloha ihany, samy manana ny olony ireo firenen-dehibe. Fifidianana mangarahara, araka ny azo atao, ny tena tadiavin’ny Vondrona eropeanina sy ny Amerikanina, ohatra: iza marina ny tena mamim-bahoaka amin’ireo kandidà ireo?Tena maika aorian’ny fifidianana ny amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana sy ny ady amin’ny kolikoly: ahoana ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy, tafiditra hatrany amin’ny fakana ankeriny, ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana…? Tokony hanaovana fanadihadiana mangingina any izany ny hoe: ny miaramila rehetra manankarena tsy amin’ny antony na tsy fanta-pototra.Maika koa ny fiainam-bahoaka: ahoana ny amin’ny saran’ny Jirama miakatra be io? Hoditr’akondro sy vatobe apetraka eo amin’ny lalan’ny ho voafidy eo, na iza na iza.R. Nd.  L’article Radanoara Julien: « Tokony ho tonga saina isika » a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Pilo Kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Basket - News - Sport - News Mada

Basikety – “CCCOI”: manana isa 9 ny CosPN, hatreto

Mitohy ny fahombiazana! Fandresena efatra ny eo am-pelatanan’ny CosPN taorian’ny fihaonany tamin’ny ekipan’ny Mahebourg Flippers avy any Maorisy, omaly. Lavon’ny ekipa malagasy tamin’ny isa mavesatra, 89 no ho 47, ry zareo Maorisianina.Hatreto, manana isa 9 ny CosPN ary tafiditra ao anatin’ny ekipa roa voalohany manana isa ambony indrindra, miaraka amin’ny ekipan’ny Premium Cobras avy any Seychelles. Ity farany izay nandavo ny CosPN tamin’ny isa 67 no ho 66 nandritra ny lalao mandroso nifanandrinan’ny roa tonta ary mbola ekipa hiandry ny Malagasy ihany koa ho amin’ity anio ity. Lalao anio, karazana famaranana ho an’ny CosPN sy ny Cobras, ary hahafahana mamaritra ny ekipa mpandresy hiatrika ny fifaninanana “Afroligue Zone 7” amin’ny taona 2019.Mila mandresy, araka izany, ny CosPN amin’ity ady farany ity. Raha tsahivina, niady tokoa ny lalao teo aminy sy ny Cobras, ny zoma lasa teo. Nifandimby ny fampitomboana ny isa teny amin’ny solaitrabe ary hety dia hety hatrany izany. Lavon’ny ekipan’ny Seychelles tamin’ny tombon’isa 1 anefa ny ekipa malagasy tamin’ny ora farany. Na teo aza io faharesena io, mbola vonona ny hanohitra hatrany ny CosPN amin’ity lalao miverina ity ary miandrandra fandresena. Mi.RazL’article Basikety – “CCCOI”: manana isa 9 ny CosPN, hatreto a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Taekwondo malagasy: nisokatra amin’ny iraisam-pirenena

Ao anatin’ny fanarenana tanteraka ny taranja Taekwondo malagasy, amin’izao fotoana izao, ny eo anivon’ny federasiona malagasy, izay vao nahazo filoha vaovao, ny volana aprily lasa teo. Nanambara ny filohan’ny federasiona malagasy ny taranja haiady Taekwondo fa manomboka miditra amin’ny ara-dalana ity taranja ity ary efa manao ezaka goavana ny mpitantana. Anisan’ny vaindohan-draharaha ny fisokafana amin’ny sehatra iraisam-pirenena, efa nisy ny fifampizarana traikefa nomen’ny mpampiofana manam-pahaizana vahiny, ny Maître Lee Jeong Moon, fehikibo mainty (6è Dan), natao ny 3 sy 4 mey lasa teo. Taorian’izay, isan’ireo nanatrika ny fivoriambe ny teo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena i Madagasikara, izay natao tany Manchester ny 13 hatramin’ny 19 mey. Nisy ny mari-pankasitrahana natolotra ny filohan’ny federasiona malagasy tamin’io fotoana io, avy amin’ny filohan’ny federasiona iraisam-pirenena, Dr. Choe.Ankoatra izay, nanamafy ny filohan’ny federasiona, Ramanantsoa Christian fa manana ny lalàna mifehy azy ny taranja Taekwondo ka tsy maintsy hampiharina manomboka izao. Hanatsara sy hanitsy ny tsy nety teo aloha, ny mpitantana ankehitriny, hoy hatrany ny fanazavany. Maro ny fanovana, tsy maintsy misoratra sy mivondrona eo anivon’ny FMT avokoa ny mpikatroka rehetra, torak’izany koa ny mpitantana klioba rehetra izay sady tsy maintsy manana ny mari-pahaizana mifanandrify amin’izany. Manaraka izany, tsy maintsy manana ilay “passport sportif”, ireo mpikatroka sy ny mpitantana ary ny mpikambana rehetra eo anivon’ny federasiona. Ity “passport” ity izay mirakitra ny mombamomba ilay mpikambana iray manontolo. Avy hatrany dia voatahiry sy voarakitra ao amin’ny tranonkalan’ny federasiona iraisam-pirenena avokoa izay manana ity “passport” ity, hoy hatrany ny fanazavana. Ezahina, ny hahavitan’ity fahazoana “passport” ity faran’izay haingana, hahafahana miatrika amin’ny antsakany sy andavany, ny fifaninanana “test match”, hatao ny 29 jiona izao. Ity fifaninanana ity izay hifantenana ireo hiatrika ny “Jeux Africains” ary hijerena ny lentan’ny mpikatroka malagasy, raha ny fanazavana hatrany. Mi.RazL’article Taekwondo malagasy: nisokatra amin’ny iraisam-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tatitry ny Unicef: ankizy 1,6 miliara tsy afaka nianatra nandritra ny fihibohana

  Araka ny tatitry ny Unicef, nahatratra 1,6 miliara ireo ankizy manerana ny firenena 191 tsy afaka namonjy sekoly noho ny fepetra raisina manoloana ny fihibohana nateraky ny valanaretina Covid-19.Fatiantoka lehibe ho an’ireo ankizy sy tanora izao fahabangana mitarazoka izao ary mila ezaka sy paikady matotra ny fanarenana indray ara-tsaina ireo ankizy vonton’ny tebitebin’aretina sy ny fitaintainana indray hiverina an-dakilasy.90%-n’ireo mpianatra manerana izao tontolo izao no tsy afaka namonjy varavaran-tsekoly hatramin’ny voalohan’ny volana avrily. Anisan’ny mahita faisana amin’izany ny ankizivavikely satria maro amin’izy ireo ny tsy afaka hiverina intsony an-dakilasy. Aleon’ny fianakavian’izy ireo manomana ireny ankizivavikely ireny amin’ny fanambadiana na koa mampiasa azy ireo mba tsy ho vesatra ao an-tokantrano.Voakasik’izany isika amin’ny firenena mahantra sy an-dalam-pandrosoana. Manome vahana ny fampanambadiana mialoha ny ankizivavy ka zara aza tapaka ny fianarana.Mizaka ny tsy eran’ny aina ireo ankizivavy amin’ireo firenena manana kolontsaina mampanambady azy ireo aloha loatra ary tsy mba afaka akory misitraka ny fampianarana na dia ny ambaratonga fototra ihany aza.Tatiana AL’article Tatitry ny Unicef: ankizy 1,6 miliara tsy afaka nianatra nandritra ny fihibohana a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Loza an-dranomasina :: Olona efatra naratra tamin’ny faharendrehana lakana

Rendrika teny ambony ranomasina ny lakana iray, tany Soanierana Ivongo, omaly maraina. Naratra ny efatra tamin’ireo mpandeha fito niaraka taminy. Tsy nisy kosa ny namoy ny ainy. Nitondra mpandeha sy entana maromaro ity lakana tra-doza ity. Heverina fa noho ny fahavesaran’ny entana no nahatonga ny faharendrehana. Voalaza fa nidiran’ny rano tao anatin’ny lakana. Nivadika, avy eo. Nanavotra aina ny mpandeha. Nisy ny naratra nandritra izany sy teo am-piandrasana ny lakana hafa namonjy teny ambony rano. Samy tonga nanavotra sy nijery an’ireo niharam-boina ny polisy sy ny zandary. Nentina notsaboina any amin’ny hopitaliben’ i Fenoarivo Atsinanana ny sasany tamin’ireo naratra. Simba ny ankamaroan’ny entana. L’article Loza an-dranomasina :: Olona efatra naratra tamin’ny faharendrehana lakana est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Vary mora

Mitohy ny fitsinjarana ny vary mora.Anjaran’ny eto Antananarivo renivohitra indray no hisitraka azy. Teny 67Ha, Ankasina, Ambala­vao, Andavamamba, Anatihazo, Antetezana Afovoany, Andrano­mana­lina Isotry, Ambohipotsy hatrany Mandrangobato no nizarana vary, omaly. Hitohy ny alarobia ho avy izany ho an’ny eny Andohantapenaka, Analakely, Tsarafaritra Tsimialonjafy. Kara-pokontany ihany no entina. L’article Vary mora est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Jly Rakotonirina Théophile: « Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika »

“Inona no nataontsika miaramila ka mety nahaosa ny Tafika Malagasy?”. Io no lohahevitra  nifantohan’ny fivoariambe narahina atrikasa nataon’ny teo anivon’ny Tafika Malagasy nandritra ny roa andro. Nilaza ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika (Cemgam), ny Jly Rakotonirina Théophile fa raha miombona isika dia mandresy ny Tafika.Nifarana  omaly ity fivoriambe nanaovan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy izay nandinihana manokana io lohahevitra io. Fivoriana nentina nanaovana tatitra mikasa ny asa sahanin’ny miaramila isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany, nijerena ireo olana sedrain’izy ireo amin’ny fanaovana ny asa sy ny andraikiny ary nijerena vahoalana. Nivoaka tao anatin’ity atrikasa ity ny famerenana ny fandriampahalemana sy ny fampanajana ny tany tan-dalàna ary navoitra tamin’izany ireo lesoka hatramin’izay ka nahaosa ny Tafika Malagasy. Nilaza ny Cemgam fa navadika ho asa avokoa izay rehetra nivoaka tao anatin’izay roa andro izay. “Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika. Ato amintsika ato ihany no misy olona mamotika ny ezaka tiantsika hatao”, araka ny nambarany hatrany, nandritra ny famaranana ity fivoriana ity. Notsipihiny fa isan’ny lesoka ny tsy fanarahan-dalana sy ny tsy fahampian’ny fiofanana ka maha ambany kalitao eo amin’ny sehatry ny asa. Nambarany fa mahatratra 403 ireo fandikan-dalàna nataon’ny Tafika.Jean ClaudeL’article Jly Rakotonirina Théophile: « Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Bianco sy Croix Rouge Malagasy: apetraka ny ady amin’ny kolikoly

Vita omaly ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly sy ny Croix Rouge Malagasy (CRM). Nanatanteraka izany fifanarahana haharitra roa taona izany  ireo birao vaovao eo amin’ny  Croix Rouge Malagasy.Tanjon’ny fifanarahana ny hanentana  sy hampianatra ny mpiasan’ny  CRM  hanana fitondran-tena manohitra ny kolikoly sy hanana toe-tsaina mandala  izany. Eo koa ny  hampianatra azy ireo  handà ny endrika kolikoly amin’ny sehatra rehetra  hiasany.Ankoatra izao,  hanangana ny rafitra sy ny antanantohatra maneho ny mangarahara tsy hampisy  ny tranga kolikoly amin’ny fintanana sy sehatra rehetra ao amin’ny CRM.Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politikan’ny Bianco sy ny fandaharanasan’ny CRM ho amin’ny fitantanana mangarahara  sy marina izao fiaraha-miasa natao sonia, omaly izao. Hitondra fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena ihany koa izany raha voahaja antsakany sy andavany.Hanampy ny CRM, araka izany ny Bianco amin’ny fanatanterahana ny drafitrasa apetraka momba ity ady  amin’ny kolikoly ity.Raha tsiahivina, nisy nofy ratsy teo amin’ny CRM teo aloha mikasika fanodinkodinam-bola ary nahatonga ny mpamatsy vola hampiato ny fanampiana.Tatiana AL’article Bianco sy Croix Rouge Malagasy: apetraka ny ady amin’ny kolikoly a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

BAD any Atsimo Andrefana: nampiova ny fari-piainan’ny olona ny fambolena sy ny lalana

66 800 km2 ny faritra Atsimo Andrefana. Manana ny mampiavaka azy manokana ny faritra, ahitana distrika sivy : Ampanihy, Ankazoabo, Benenitra, Betioky, Beroroha, Morombe, Sakaraha, Toliara I sy II. 121 kaominina, 1723 fokontany.  Ifantohan’ny tetikasa maro vatsin’ny BAD vola ny faritra.Dimy taona izao ny namolavolana tetikasa maro any Atsimo Andrefana, tohanan’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad). Anatin’izany tetikasa izany ny fanatsarana ny fambolena sy fiarovana ny tontolo iainana, miaraka amin’ny fanamboaran-dalana.  70 tapitrisa dolara nentin’ny Bad ho an’ny fanamboaran-dalana sy tetezana, nampiova betsaka fari-piainan’ny mponina mivelona amin’ny fambolena, ny fizahantany, ny jono sy nampandroso ny varotra.Hita nampihena ny fahantrana ho an’ny olona miasa any amin’iny faritra iny ny tetikasa.   Hatramin’ny nahavitana ny lalana, ankoatra ny fihariana, nanavotra marary betsaka izany, araka ny nambaran’ireo mpitsabo sy mpampivelona any an-toerana. Lalana vita, ohatra, ny mampitohy an’i Toliara sy Analamisampy, 107 km, amin’ny RN9. Nanatsara ny fifanakalozana ara-barotra izany, nampitombo ny vokatra 15 %.Mamokatra betsaka ny faritra, kendrena noho izany ny ivoahan’ireo vokatry ny tantsaha ireo, ary ny fahavitan’ny lalana dia antoka iray ho an’ny fandriampahalemana. Noho ny Bad, nanavotra ain’olona maro sy nanatsara ny fihariana sy ny fahasalamana ny fahavitan’ny lalana. Marihina anefa fa mbola lavitrezaka ny fambolena amin’ireo tetikasa samihafa atao any an-toerana.Manampy  ny vehivavyMiaraka amin’izany fanamboaran-dalana izany, namatsy vola ho fampiofanana sy fampitaovana ny vehivavy any ambanivohitra ny Bad, hahafahan’izy ireo mitantana ny fihariany sy mampitombo ny vokatra, araka izay tratra. Hita amin’ireo vehivavy ireo ny mpamboly hasy, tsaramaso, kabaro, mangahazo, katsaka. Mivondrona anaty fikambanana izy ireo, mahazo fitaovana, masomboly, sy fanafody.« Tamin’ny mbola tsy vita ny lalana, tsy afaka nitondra vokatra nivoaka izahay, ankehitriny hatramin’ny nahavita ny lalana, afaka mandeha lavitra izahay mivarotra. Ny tombontsoa azonay, ny ahafahanay miantoka ny fianaran’ny zanakay », hoy ny renim-pianakaviana iray, valo anaka. Nahavita tetikasa lehibe mifandray any Atsimo Andrefana ny Bad, nanavao ny fambolena tamin’ny fanamboarana ny tohodrano Bas Mangoky sy ny lalana RN9. R.Mathieu L’article BAD any Atsimo Andrefana: nampiova ny fari-piainan’ny olona ny fambolena sy ny lalana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Indray mijery
17/09/2020

 Efa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny valim-panadinana CEPE ho an’ny faritra Boeny, araka ny fampitam-baovao nataon’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana any an-toerana. 64,83% ny taha ho an’ny faritra. Ny tany Soalala no nahazoana vokatra mendrika indrindra 67, 83% ary Marovoay no latsaka indrindra 57, 24%. Azo ambara ho tsara ny vokatra raha miohatra amin’ny ny fahatapahan’ny fampianarana tao anatin’ny fotoana maharitra.Nahatratra 1214 ny isan’ny mpiadina CEPE ho an’ny distrikan’i Betroka, tamin’ity taona ity, niparitaka tamin’ny foibe 13, ny talata lasa teo. Betsaka ireo mpiadina tsy tonga nanatrika ny fanadinana satria nalain’ny ray aman-dreny nody any ambanivolo. Tsy nanana vatsy nomena ny mpianatra ny fianakaviana ka nanala azy ireo tany an-dakilasy, hoy ny mpitantana ny fanabeazana any an-toerana. Hivaly, rahampitso, ny CEPE any an-toerana.L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Fifindran’ny valanaretina: olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny Covid-19
23/09/2020

Mbola mampanahy ary mety ho tonga amin’ny tampody fohin’ny Coronavirus. Nambaran’ny eo anivon’ny CCO, omaly, fa misy olona enina vao tonga avy amin’ny sidina avy any Eoropa, mitondra ny tsimokaretina Covid-19.“Misy olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny tsimokaretina… Tsy maintsy atao fitiliana ireo mpandeha iray fiaramanidina vao tonga. Miaraka atoka-monina avokoa izy ireo avy eo ary efa tafiditra anatin’ny paikadin’ny fanjakana izany. Mitohy ny fanaraha-maso sy ny fitsaboana azy ireo, tahaka ny efa natao amin’ireo nitondra ny Coronavirus hatramin’izay ihany”, hoy ny mpitondra tenin’ny CCO, ny Pr Vololontiana Hanta, omaly. Midika izany fa tsy voahaja ny fepetra tany amin’ny firenena niaingana, ny amin’ny tsy maintsy hanaovana fitiliana 48 ora, mialoha ny hahatongavana eto Madagasikara.Miisa 25 ny tranga vaovao any DianaHampanahy koa ny hisokafan’ny sidina Nosy Be sy ny any ivelany, ny 1 oktobra izao, sy ny hanokafana ireo serana-piaramanidina vitsivitsy eto amintsika amin’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ny 29 oktobra izao.Etsy andaniny, niakatra tampoka indray ny antontanisa navoakan’ny CCO, omaly. Miisa 63 ireo tranga vaovao amin’ny fitiliana natao miisa 598. Enina amin’izany ny avy eto Analamanga. Miisa 13 ny any Alaotra Mangoro raha telo ny any Vatovavy Fitovinany. Iray kosa ny any Boeny raha sivy ny any Diana ary miisa 25, anisan’ny maro indrindra, ireo nifindran’ny valanaretina any Sava.Mamahatra any avaratry ny Nosy ny Covid-19Mbola mamahatra any avaratry ny Nosy izany ny Coronavirus hatramin’izao. Niampy iray indray kosa ny maty ka tafakatra 226 izany izao ireo lavon’ny Covid-19 hatramin’izao. Tsy niova fa mbola miisa 20 ireo anaty fahasarotana amin’izao fotoana izao.Na izany aza anefa, miisa 61 ireo sitrana. Tafakatra 14 743 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo 16 136 mitondra ny tsimikaretina Covid-19. Miisa 1 165 ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny fahasalamany.Miisa 68 375 ireo fitiliana PCR vita raha miisa 7 221 ny fitiliana GenExpert.Synèse R.L’article Fifindran’ny valanaretina: olona enina vao tonga avy any Eoropa mitondra ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Kaominin’ i Toamasina: nitaky karama ireo mpiasa antselika
24/09/2020

Raikitra ny fitsofana kiririoka nataon’ireo mpiasa antselika sasany ao amin’ny kaominina Toamasina, omaly. Nitaky karama sivy volana tsy voaray izy ireo. Notanisain’ireto mpiasa ireto fa mandrahona handroaka azy ireo mpanofa trano. Eo koa ny fampidirana ny mpianatra sy ny olana samihafa. Nambaran’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina kosa fa tsy miankina amin’ny mpitantana ankehitriny ny antony mahatonga ny fahataran’ny karaman’ny mpiasa antselika. “Miisa 2 346 ireo mpiasa tamin’ny fidirany teo nanomboka ny janoary 2020 ary andoavana karama hatramin’ny 500 tapitrisa Ar ka mavesatra amin’ny kaominina izany”, hoy izy. Nanteriny fa hany fidiram-bolan’ny kaominina mba matanjaka ny tamberim-bidy amin’ny seranantsambo. Kely kosa izany amin’ny eny anivon’ny tsena sy ny hetra sasany. Maro loatra ny mpiasa nefa koa eo ireo mpiasa matoatoa, araka ny nambarany hatrany. Nanteriny fa mbola mandoa ny karama tsy voaloan’ny teo aloha ny mpitantana ankehitriny.Sajo sy Synèse R.L’article Kaominin’ i Toamasina: nitaky karama ireo mpiasa antselika a été récupéré chez Newsmada.

Basikety-FMBB: hatambatra ny fanazarantenan’ny ekipam-pirenena sy ny GNBC
24/09/2020

Ho fiomanana amin’ny BAL (Basket afro league) sy ny “Afrobasket 2021”, nanapaka ny federasiona fa hatambatra ny fanazarantena ho an’ny ekipam-pirenena sy ny klioban’ny GNBC. Io ny isan’ny nivoitra nandritra ny fivorian’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny federasiona ny talata lasa teo tetsy amin’ny ANS Ampefiloha. Mbola hojerena ny fomba hanatanterahana izany satria efa niverina nanao fanazarantena ny ekipan’ny GNBC, hampifandrindrana miaraka amin’izany koa ny an’ny ekipam-pirenena. Raha ny fantatra, saika ny akamaroan’ireo mpilalaon’ny Zandarimaria no mandrafitra ny ekipam-pirenena ka moramora ny fampivondronana azy ireo, raha ny vaovao teo anivon’ny federasiona. Mahakasika ny fifaninanana eto an-toerana indray, miandry tanteraka ny fanampahan-kevitry ny fitondrana ny hanapahana ny tohin’ny fandaharam-potoana ho an’ny FMBB. Isan’izany ny fifaninanam-pirenena N1A, mbola tsy voafaritra, hatreto. Mety hiavaka ihany ny amin’ity andiany 2020 ity satria raha ho raikitra ihany izany, tsy maintsy lalao mandroso tokana ihany ary mazava ho azy fa eto Antananarivo ny hanaovana azy. Tombantombana avokoa anefa izany fa miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalamana ny fandaharam-potoana rehetra.Marihina fa nanolotra baolina ho an’ny ekipan’i GNBC ny federasiona, nandritra ity fivoriana ity.Mi.Raz L’article Basikety-FMBB: hatambatra ny fanazarantenan’ny ekipam-pirenena sy ny GNBC a été récupéré chez Newsmada.

Famindrana ny fitantanana ireo CTC amin’ny Ministerany Fahasalamam-bahoaka
23/09/2020

Nohon’ny fahaiza-mitantan’ny fitondram-panjakana dia nahitana fihenana ny isan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus. Noho izany dia nakatona tamin’ny fomba ofisialy omaly 23 Septambra 2020 ny ivon-toerana fandraisana ireo mararin’ny coronavirus (Centre de Traitement Covid-19) ao Mahamasina, izay ivon-toerana farany nandray ireo marary.  Ireo hopitaly lehibe arak’izany no mandray an-tànana ny fitsaboana ireo marary. Azo lazaina fa mifanaraka tsara amin’ny toe-java-misy eto Madagasikara izao fanakatonana ity ivon-toerana ity izao noho ny fahavitsian’ireo mbola mila fitsaboana.  Araka ny nambaran’Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Rakotovao Hanitrala Jean Louis dia ny fanakatonana ity ivon-toerana ity tsy midika akory hoe tapitra ny ady fa mbola mila manaraka ireo fepetra rehetra mba hitazomana izany vokatra tsara izany. Manomboka izao dia ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka no handray an-tànana izay mahakasika ity valanaretina ity ary nanamafy ireo tomponandraikitra fa hanohy ny ady sy hametraka ny paikady mahomby rehetra amin’ny fifehezana ity valanaretina ity ary ahafahantsika mandresy ny coronavirus. L’article Famindrana ny fitantanana ireo CTC amin’ny Ministerany Fahasalamam-bahoaka a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie
24/09/2020

Mbola ny malala-tanana sy mpiray ombona antoka malagasy sy vahiny no mampihodina ny Akany Sainte Marie, amin’ny fandraisana an-tanana ireo ankizy tandindonin-doza. Efa-taona amin’ity taona ity ny nitondra fanampiana ho an’ny Akany Sainte Marie eny Mahamasina ny Office pharmaceutique malgache (Opham) sy ny fivondronan’ny toeram-pivarotana lehibe S2M ahitana ny Jumbo Score, ny Score ary ny Supermaki. Ampahany amin’ny vidin’ny ronono amin’ny boaty Bledina, amidy eny amin’ireo magazay lehibe, ireo ary hafaran’ny Opham no hakana ny tohana ara-bola, amin’ny alalan’ny tetikasa “Bledi-solidaire”. “Nitombo raha nitaha ny tamin’ny taon-dasa satria nahatratra 8 886 000 Ar ny vola natolotra ny mpitantana ny toeram-pandraisana tamin’ny boaty 4 443 lafo nandritra ny volana jona ary nomena ny anarana Bledi-solidaire”, hoy ny tale jeneralin’ny Opham, i Philippe Edraz, omaly teny Mahamasina. “Vonona izahay hanohy ny fanampiana ny akany satria tsapanay ny asa ataon’izy ireo ho an’ny ankizy Malagasy”, araka ny fanamarihan’ny tomponandraikitry ny S2M, i Marc Sheffer. Tandindonin-doza…20 ny ankizy raisina kilasimandry ao amin’ny akany amin’izao fotoana izao ary ankizy tandindonin-doza avokoa izy. Zanak’olona mamita sazy any am-ponja, iharan’ny herisetra na narian’ny fianakaviany, zanak’adala na koa mila fitsaboana akaiky ireo karakaraina ao amin’ny akany. Avy amin’ny didim-pitsarana avoakan’ny mpitsara manokana ny ankizy no mametraka sy manala ny zaza rehetra eo amin’ny Akany Sainte Marie. Ankoatra ireo, misy ankizy 86 hafa tohanana amin’ny sakafo sy ny fampianarana fa mijanona eny anivon’ny fianakaviany ihany. “Ampirisihina koa ireo ray aman-dreny 56 hanaovana tantsoroka hitady asa fivelomana ka ho afaka hikarakara ny zanany ara-dalàna”, hoy ny mpanorina ny akany. Raha mbola azo avela eny amin’ny ankohonany ny zaza, izay ny vahaolana idealy fa tohanana fotsiny izy ireo. Mamboly sy miompy, mivarotra, manao biriky ny ankamaroany ary mahavelombolo ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana.“Vao teraka ka hatramin’ny 10 taona no mahazo mijanona ao ny ankizy noho ny fotodrafitrasa voafetra ihany”, hoy ny mpanorina ny akany, Rahantamalala Irène. Rehefa tonga ny 10 taona, afindra amin’ny toeram-pandraisana sahaza ny zaza satria misy ny fiaraha-miasa amin’ny fitsarana. Mpiasa karazany maro manana ny fahaiza-manaony ny mampihodina ny akany. Mampiofana ny tanora koa ny akany mba hahaleo tena izy ireo any aoriana. 15 ny mpiofana raisina isan’andiany manao zaitra sy fikirakirana ny hazo. Misy fepetra ny fidirana amin’ny fanofanana momba ireo taranja roa ireo.Vonjy A.L’article Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie a été récupéré chez Newsmada.

Fanabeazana katolika :: Mifandimby mankany an-tsekoly ireo mpianatra isan-dakilasy
23/09/2020

Manomboka mamerina ny mpianatra an-tsekoly tsikelikely ireo sekoly katolika, amin’izao fotoana izao. Notanterahina, omaly, ohatra, ny fidiran’ireo mpianatra teny amin’ny sekoly Ny Sekolintsika Analamahitsy. Tsy niaraka niditra daholo anefa ireo mpianatra fa nampifandimbiasina isaky ny kilasy izy ireo. Arakaraka ny fivoaran’ny valanaretina eto amin’ny firenena no fandaminana vaovao hampiharina, hoy ireo tompon’andraikitra. Ny taona fahafito (5ème), fahavalo (4ème) ary fahasivy (3ème) no nisantatra ny taompianarana, omaly. Tsy miverina mianatra kosa, ny tolakandro. Ny taona fahafolo (première) sy ny famaranana indray no mianatra, anio, saingy tsy miverina ihany koa, ny tolakandro. Manomboka amin’ny alatsinainy 28 septambra ny garabola hatramin’ny taona fahadimy, ny tapany maraina, ary tolakandro ireo amin’ny kilasy hafa. Toy izany hatrany ny fandaharam-potoana napetraky ny sekoly. Misy fandaminana vaovao ho an’ny ambiny, amin’ny 12 oktobra 2020. Tsy maintsy manao aron-tava ny mpianatra rehetra sy ny mpanabe ary ny ray aman-dreny. Andraikitry ny talen-tsekoly Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Fitaleavana nasionalin’ny fanabeazana katolika (Dinec), Mompera Ranaivoson Jules fa « hapetraka amin’ireo talen-tsekoly ny fandaminana ny fampidirana ny mpianatra eny anivon’ny sekoly tsirairay. Izy ireo ihany no mahita ny isan’ny mpianatra anaty efitrano iray, hoy izy, mba hahafahana manaja ireo fepetra ara-pahasalamana ». Manafatrafatra ny zanany kosa ireo ray amandreny mba hitandrina any an-tsekoly, tahaka ny tsy fanesorana ny aron-tava, ny fanasana ny tanana amin’ny tsiranoka mamono tsimok’aretina foana (ampitondraina ny ankizy), ary ny fitondrana safako ody am-bavafo. « Matahotra mihitsy saingy tsy maintsy alefa ny ankizy. Tokony mba hozaraina efitrano roa ny mpianatra satria efa ho 60 ny isan’ny ao amin’ny kilasy. Roa isaky ny latabatra mantsy izao ry zareo. Rehefa mivory ny ray aman-dreny dia mba handroso an’izany soso-kevitra izany izahay », hoy ny renim-pianakaviana iray mampiana-janaka etsy Analamahitsy. L’article Fanabeazana katolika :: Mifandimby mankany an-tsekoly ireo mpianatra isan-dakilasy est apparu en premier sur AoRaha.

Fifidianana loholona :: Voafantina ireo kandidà avy amin’ny antoko TGV
21/09/2020

Kandidà amin’ny fifidianana loholona avy amin’ny antoko Tanora malaGasy Vonona (TGV), naorin’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, no nofantenana tetsy amin’ny Arena Ivandry, efa ho andro vitsivitsy izao. Fantatra fa izy ireo no handrafitra ny lisitra hisalotra ny loko volomboasary amin’io latsa-bato hatao, amin’ny 11 desambra 2020 io, araka ny antso an-tariby nifanaovana tamin’ny depiote Rakotomanga Lanto, mpikambana eo anivon’ny birao politikan’ny antoko TGV, omaly. Voalaza fa ny Filoham-pirenena kosa no hanome fankatoavana farany momba an’izany lisitra izany. « Izay no tapaka sy nifanarahan’ireo mpikambana ao anatin’ny Vovonana miara-dia amin’ny Filoha Andry Rajoelina (MAPAR), hoy izy, ary efa vita tanteraka ny lisitr’ireo kandidà roa ambin’ny folo amin’ireo faritany enina manerana an’i Madagasikara, miampy kandidà loholona mpanampy telo isaky ny faritany ». Namaly ny mason-tsivana notakian’ny antoko ireo kandidà ireo, araka ny fanampim-panazavana. L’article Fifidianana loholona :: Voafantina ireo kandidà avy amin’ny antoko TGV est apparu en premier sur AoRaha.

Fifidianana loholona   : manaraka izay fanapahan-kevitra ofisialy ny Ceni    
18/09/2020

 “Ho an’ny Ceni, ny rijan-teny eo an-tanana no iaingana amin’ny fanomanana hiatrehana ny fifidianana. Raha misy, ohatra, ny adihevitra, araka ny lalàna, izay tsy maintsy atao: misy ny rafitra misahana manokana amin’ny fanomezana ny heviny na ny fangatahan-kevitra momba ny lalàna mampiady hevitra.”Izay ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, manoloana ny adihevitra hoe ara-dalàna na tsia ny fanatanterahana ny fifidianana loholona hatao ny 11 desambra. Raha milaza indray izay rafitra fakan-kevitra izay fa misy fanitsiana na tsy araka ny tokony ho izy ny fanatanterahana io fifidianana io amin’izany, manaraka izay fanapahan-kevitra ofisialy ny Ceni.Iraka ampanaovina ny Ceni ny fikarakarana ny fifidianana. Maka bahana hatrany amin’ny fiomanana amin’ny fikarakarana ny fifidianana ny fomba fijeriny sy ny fiasany. Fa tsy hoe tonga ny vanin’andro hanatanterahana ny fifidianana, nefa tsy tomombana ny fiomanana.Ahitsy sy hatsaraina hatrany lisi-pifidiananaManangona ny didy avy amin’ny Filankevi-panjakana ny amin’ireo raharaha nangatahina fandravana didy ny Ceni amin’izao, araka ny nambarany. Enti-manitsy sy manatsara ny lisitry ny mpifidy vaventy amin’io fifidianana loholona io izany. Amin’ny 11 novambra no faranana tanteraka ny lisitry ny mpifidy vaventy. Mandra-pahatonga izay, entin’ny Ceni manatsara ny lisi-pifidianana izay didy tonga eo an-tanany.Amin’ny 28 septambra izao ny fandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina. Tsy maintsy mametraka ireo mpikambana ao amin’ny Rafitra mandray sy mpanamarina an-tsoratra ny antontan-taratasy ny firotsahan-kofidina (Ovec) eny anivon’ny fari-pifidianana, ny renivohi-paritany enina, ny Ceni. Mialoha ny 28 septambra, tsy maintsy mahazo fiofanana avy amin’ny Ceni foibe ireo mpikambana amin’izany.R.Nd. L’article Fifidianana loholona   : manaraka izay fanapahan-kevitra ofisialy ny Ceni     a été récupéré chez Newsmada.

Valanaretina Covid-19
17/09/2020

Betsaka ireo mararin’ny Covid-19 efa sitrana no niverenany indray, araka ny nambaran’ireo mpitsabo. Misy tamin’izy ireo no narary nanana fahasarotana saingy rehefa niverenany dia tsy nananosarotra intsony ny aretina noho ny fananany hery fiarovana. Maivana kokoa ny soritr’ aretina fa maharitra vao sitrana indray, araka ny fanamafisan’ireo mpitsabo. L’article Valanaretina Covid-19 est apparu en premier sur AoRaha.

Fahalavoan’olon-dratsy tany Sadabe :: Maty voatifitra ny lehilahy iray malaza ho mpampihorohoro
17/09/2020

Namoy ny ainy nandritra ny fifampitifirana tamin’ny zandary, tany Andohamandry-Mangamila, any Anjozorobe, afak’omaly hariva, ny lehilahy iray voatondro ho mpampitondra faisana ny mponina tany Sadabe, Mangamila hatrany Anjozorobe. Malaza amin’ny fanafihana sy fandrobana amin’ny endriny maro izy. Angom-baovao momba ny fanomanana fanafihana iray tany Andohamandry no niaingan’ny hetsika nataon’ny zandary tamin’ ny fisamborana an’ity lehilahy ity sy ny namany. Zandary dimy, notarihin’ny lehiben’ny tobim-paritry ny Zandarimaria Sadabe, no nanatanteraka ny hetsika. Velona avy hatrany ny tifitra, vantany vao nahita an’iretsy mpitandro filaminana ireo andian-dehilahy, araka ny tatitra avy amin’ny Zandarimaria any an-toerana. Tra-tehaka, taorian’izay, ny basy MAS 36 mbola feno bala, niaraka tamin’ny ny sakaosy iray feno ody gasy, kiririoka ary kara-panondro. Naterina any amin’ny toby fitsaboana fototra faharoa ao Sadabe ny razana hozahan’ireo mpitsabo mialoha ny handevenana azy. Volazan’ireo mponina fa “sady manolana ankizy, mamono ary maka omby no tena nampalaza an’ity lehilahy lavon’ny balan’ny zandary ity”. L’article Fahalavoan’olon-dratsy tany Sadabe :: Maty voatifitra ny lehilahy iray malaza ho mpampihorohoro est apparu en premier sur AoRaha.

  Fanimbazimbana ranoiray: ho very ny hasin’ny teny malagasy
17/09/2020

 Hatreto, mbola misy ihany ny tsy mahafantatra fa manan-jina ny teny. Tafiditra ao anatin’izany ny teny malagasy. Miainga hatrany amin’ny niforonany ka mipaka hatrany amin’izay hiantefany, manan-kasina ny teny malagasy. Tsy azo itenitenenana foana. Tsy azo amelomana ady, sns. Ny mitranga ankehitriny? Tranga miteraka alahelo na hatezerana na fanafintohinana izao ka lazaina fa “mampihomehy”! Sanatria ve ka nihomehy tamin-javatra mampalahelo ny Malagasy? Very tanteraka ny hasin’ilay teny satria tenenina sy tononina ary ilazana endrin-tranga mifanohitra. Tsy io ihany fa misy hafa ihany koa.Tsy tokony ho matinkenamaso ny Malagasy tsirairay hanitsy ny tranga tahaka itony. Matetika mantsy teraka avy any amin’ny tery vay mantan’ny fiarahamonina ireny teny manimbazimba ny hasin’ny teny malagasy ireny ka tokony ho avy eny ihany no hikaro-bahaolana ho fanarenana izany. Na iza na iza, na zovy na zovy nipoiran’ireny teny  manimbazimba ny hasin’ny teny malagasy ireny, tokony ho afaka hanitsy izany avokoa ny rehetra. Efa endriky ny fanitsiana ny tsy fampiasana ilay teny, saingy tsy ampy izany.Mila miaro ny teniny ny Malagasy mba tsy ho very hasina tanteraka izany any aoriana any ka na ny ozona mahazo azy aza sao heverin’ny sasany ho tsodrano. Ny alahelon’ny hafa eo an-tampon’ny lohany sao adikany ho fahasoavana. Rehefa mitranga ny tsy ampoizina vao “miova fo”, hono!HaRy RazafindrakotoL’article   Fanimbazimbana ranoiray: ho very ny hasin’ny teny malagasy a été récupéré chez Newsmada.