Eto an-toerana, hatrany ivelany; mitory amin’ny gadona maroloko ny Groupe Lydia

News - Eto an-toerana, hatrany ivelany; mitory amin’ny gadona maroloko ny Groupe Lydia

News - Eto an-toerana, hatrany ivelany; mitory amin’ny gadona maroloko ny Groupe Lydia

Taona 2000, nijoro ny Groupe Lydia.
Antom-pisiany ny hitory ny Filazantsara eto an-tanindrazana hatrany
dilambato amin’ny alalan’ny hira sy mozika ary dihy. Ho
fanatanterahana izany, milalao gadonkira maro ny tarika. Ao ny
milamina toy ny slow, ny jazz… Misandrahaka amina gadona
mihetsika tahaka ny rock sy  reggae ihany koa. Ny avy eto
an-toerana toy ny bagasy, ny hiragasy. Taratra io, tamin’ny
fampiaraham-peon’i Lydia sy i Bakomanga tamin’ny « Ry mpiray
tanindrazana ». Ankoatra ny Malagasy ofisialy, mahafolaka
tenim-paritra avy amin’ny lafivalon’ny Nosy ny Groupe Lydia.
Hoentina hanamorana ny fampitan-kafatra raiketin’ireo tononkira
avokoa izany, raha ny fanazavany.

Anisan’ny vinanasan’izy 12
mianadahy mandrafitra ny tarika ny fitoriana an-kira goavana hatao
eto an-dRenivohitra. Mialoha izany, efa namoaka ny kapila mangirana
« Aza mora kivy » mirakitra hira 11 ny tarika. Ampahany
amin’ireo hira ao anatiny ny « I really love You »,
« Il est mort à ma place », « Masina ianao »,
« Allô tsika lahaby », « Aza mora kivy »… Ny 26
septambra 2019, naneho ny kolontsaina malagasy (hira sy dihy) tany
Beijing i Lydia, nandritra ny hetsika foara lehibe notanterahana
tany an-toerana.

HaRy
Razafindrakoto

 

Article tiré de Newsmada

L’article Eto an-toerana, hatrany ivelany; mitory amin’ny gadona maroloko ny Groupe Lydia a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fahafatesan’ilay CB-n’ny zandary: hanao hazalambo koa ireo dahalo ny senatera Lylison

“Raisonareo tanteraka ny andraikitrareo zandary fa tsy avelantsika ho fatifaty foana ny namantsika. Hidina any (any Befandriana Avaratra io) ny tenako hanampy anareo amin’ny traikefa ananako momba ny ady amin’ny asan-dahalo. Ho anareo dahalo, mialà tao ianareo fa ho avy izahay ary tsy maintsy azonay ianareo na ho aiza na ho aiza”, hoy ny senatera Lylison de René, omaly teny Betongolo, nandritra ny lanonana fanaovam-belona ara-miaramila ny CB-n’i Befandriana Avaratra. Nahitsy ary niantso ireo mpitandro filaminana namany hamongotra hatramin’ny fakany ny asan-dahalo izy. Nilaza izy fa tsy mangalatra foana ny dahalo raha tsy misy ny patron’aomby mpandray ireny omby halatra ireny. Tambajotra goavana mihitsy izy ireo ary efa samy manana ny lalany ny omby. “Tsy mora ny famongorana io asan-dahalo io satria misy vola amina miliara mihodina ao ambadik’io halatra omby io. Isaorana etoana ny fitondram-panjakana fa efa ao anatin’ny vinan’ny filoha Rajoelina ny famongorana ny asan-dahalo. Azo antoka fa hiakatra ny toekarentsika raha foana io asan-dahalo io”, hoy izy. Nanamafy koa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Léon Richard, fa manao ny ataony tokoa ny asan-dahalo ary misy ny asan-dahalo. Nisy ireo zandary namoy ny ainy kanefa tsy maintsy miroso hatrany isika ato amin’ny Foloalindahy. Rehefa manao asany anefa ny mpitandro filaminana, miakatra indray ireo dahalo ambony latabatra mandemy saim-bahoaka sy mpitandro filaminana.Jean ClaudeL’article Fahafatesan’ilay CB-n’ny zandary: hanao hazalambo koa ireo dahalo ny senatera Lylison a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tratra nanao firaisana tamin’ny ankizy 14 taona: vazahalahy mpizahatany iray nidoboka am-ponja

Tratran’ny polisy misahana ny ankizy tsy ampy taona nanao firaisana tamin’ny ankizivavikely vao 14 taona, tao amina hotely, ny alakamisy teo ity teratany vahiny mpizahatany ity. Naiditra am-ponja avy hatrany izy taorian’ny nanolorana azy teny amin’ny fitsarana. Tratra ambodiomby tao amina trano fandraisam-bahiny iray teny amorondriaka io lehilahy 65 taona io. Hita tamin’izany koa ny tovovavy maromaro, izay nilahatra ho amin’io lehilahy mpizahatany io. « Nisy ny fidinana teny an-toerana nataonay avy ao amin’ny PMPM. Teo koa ny fiaraha-miasa amin’ny brigade féminine de proximité ka tratra ambodiomby ilay vazaha », hoy ny fanazavan-dRajaonarivo France Olga, chef de division PMPM ao Toliara. Nambarany fa maro koa ireo tovovavy efa niandry ilay lehilahy teo an-toerana, nitsoaka avokoa vao nahita ny mpitandro filaminana. Taorian’izay, nosamborina avy hatrany ilay vazaha ary natao fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny polisy. Niakatra fitsarana, afakomaly, ny raharaha ary nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjaben’i Toliara izy.Henjehin’ny lalàna…Sazy dimy ka hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina, miampy lamandy mitentina 4 ka hatramin’ny 20 tapitrisa Ar ny mety hahazo an’io mpiazahatany teratany soisy io tamin’ny filan-dratsy nataony.  Hentitra ny polisy misahana ny ankizy tsy ampy taona amin’ny tokony ho fanaraha-maso ataon’ny ray aman-dreniny ny zanany. « Eto izahay dia hanara-maso ireo ray aman-dreny tsy mandray andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny zanany. Misazy koa, araka izany, ireo ray aman-dreny  minia mandefa ny zanany tsy ampy taona hivaro-tena » hoy hatrany ny polisy ao an-toerana.Araka ny fanazavana voaray, nahatratra 27 isa ny trangana fanolanana zaza na ankizy tsy ampy taona voarain’ny polisin’ny PMPM, hatramin’ny volana marsa teo. Manentana ny rehetra, araka izany, ny polisy amin’ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin’ny fanomezam-baovao mikasika ny tranga toy izao ho fiarovana ny zaza malagasy. Misy ny laharana maitso 147 sy 813 azo antsoina raha misy trangana herisetra mahazo ny zaza na ankizy tsy ampy taona. Nilaza koa ny polisim-pirenea fa azo enjehin’ny lalàna ireo olona mahafantatra na mahita trangana fanodinkodinana na fanararaotana zaza na ankizy tsy ampy taona kanefa tsy mitoroka eny anivon’ny mpitandro filaminana. Henintsoa HaniL’article Tratra nanao firaisana tamin’ny ankizy 14 taona: vazahalahy mpizahatany iray nidoboka am-ponja a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

IKM Antsahavola : Hovelabelarina ny momba ny sikidy

Fomba ary faminaniana malagasy. Hovelabelarina etsy amin’ny Ivon-toeran’ny kolontsaina malagasy, na ny IKM Etsy Antsahavola ny momba ny sikidy. Ny sikidy izay fomba iray entina haminaniana, na haminavinana ny ho avy miainga amin’ireo voan-javatra sy voanjava-maniry samihafa. Eris Rabedaoro no hitondra izany ny zoma 30 novambra ho avy izao, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Hovelabelariny amin’izany ny fahalalana teo amin’ny Ntaolo, mahakasika ireo zava-misy sy zava-manan’aina manodidina azy. Teo amin’ny Malagasy rahateo dia tsy napetrapetra-poana, fa saika misy dikany sy misy heviny avokoa ny zavatra rehetra manodidina ny olombelona, miainga avy amin’ny fandinihina azy ireny. Ara-tantara dia avy tamin’ny arabo ny sikidy, izany hoe tamin’ny niparitahan’ny finoana silamo taty Afrika. Tany anaty karazana boky amin’ny teny arabo rahateo no nahitana izany. Hatramin’izay dia manana anjara toerana lehibe teo amin’ny fiaraha-monina ny sikidy. Porofon’izany ny fanajan’ny fiarahamonina ny mpisikidy, ny fanatanterahana an-tsakany sy an-davany, na dia sarotra aza izay baiko omeny. Malagasy tanora mpandalina ny maha-malagasy i Eris Raberaodo izay hitondra ny famelabelarana. Efa maro ireo hetsika nataony ho fizarana amin’ny rehetra ny maha-malagasy, raha tsy hitanisa afa-tsy ny « Raokandro Malagasy », « Alahamadibe »… Filoha mpitantana ny fikambanana Iray ihany koa izy. Miarantsoa L’article IKM Antsahavola : Hovelabelarina ny momba ny sikidy est apparu en premier sur .L’article IKM Antsahavola : Hovelabelarina ny momba ny sikidy a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Kilalao iombonana: mbola tena ilaina ny ivokolo vahiny

« Tsy misy firenena na iray aza eto ambany masoandro ka afaka ny handroso amin’ny alalan’ny kolontsain’ny hafa », hoy ny mpampianatra sady mpikaroka iray izay. Hatreto anefa, mbola tsy laharampahamehana ho an’ny Malagasy ny hitia sy hiaina ny kolontsainy. Miainga any amin’ny sarambabembahoaka ka miafara any amin’ny mpitantana isan’ambaratonga, samy mametraka ny kolontsaina ho toy ny zava-bitika.Fanorona, katro, sns, no lalaovin’ny Malagasy any amin’ny ivokolo vahiny. Tranga mahamenatra. Sady tsy manana toerana ilalaovana azy ireny ny Malagasy no tsy manana finiavana mba hikarakara hetsika tahaka io « Kilalao iombonana » io rahateo. Efa ho 24 taona, ohatra, no nanatontosan’ny Alliance Française Andavamamba azy ity. Aiza ny mpandraharaha malagasy ? Aiza ireo Malagasy midradradradra fa tia an’i Madagasikara ? Aiza ireo sampandraharaha isan-tsokajiny tokony hanome lanja ny kolontsaina ? Sns.Hatreto, mbola tena sarotra ny ilaza fa tena mandray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny Malagasy, raha io tranga io no jerena !HaRy Razafindrakoto L’article Kilalao iombonana: mbola tena ilaina ny ivokolo vahiny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Raharaha mpitatitra sy filankevi-pitondrana: nahazo famindrana toeram-piasana ny mpiasa sasany an’ny Mama  

Mbola nanamafy ny mpiasa roa ao amin’ny trano fiantohana Mutuelle d’assurance malagasy (Mama), omaly, fa marina avokoa ny fanambarana nataon’ny mpitatitra momba ny rohim-pihavanana misy eo amin’ny mpikambana teo aloha ny filankevi-pitondrana sy ireo vaovao voafidy tany Nosy Be farany teo. Nijoro vavolombelona izy ireo ary nitondra porofo maneho izany zava-misy izany. Nambaran’izy ireo fa voahitsakitsaka ny satan’ny fikambanana satria tsy mpitatitra ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny filankevi-pitondrana voafidy farany teo. 20 taona niasana eo anivon’ny trano fiantohana Mama ireo roa lahy ireo ary anisan’ny nanatrika nyy fivoriana tany Nosy Be ihany koa. Manomboka sahady ny antsojay mahazo ny mpiasa sahy mijoro milaza ny tsy rariny ao anatin’ny trano fiantohana ka maro ny mpiasa ary tafiditra ao anatiny izy ireo, nomena famindrana toeram-piasana izay tsy manaja ny lalàn’ny asa. Miendrika fanasaziana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitantana nefa tsy nisy ny hadisoana vitan’izy ireo, araka ny fanazavany, omaly teny Ankazomanga. Miantso ny mpiasan’ny Mama manerana ny Nosy izy ireo tsy hanaiky ny tsindry hazolena fa hijoro amin’ny fahamarinana manoloana ny tsy mety ataon’ny mpitantana.Nanambara koa ireo mpitatitra mpikambana ao amin’ny Mama fa nametraka fitoriana eny anivon’ny ambaratongam-pitondrana mahefa momba izao raharaha izao. Tokony handray fanapahan-kevitra hentitra ny fitondrana ary hampitsahatra ireo mpikambana manitsakitsaka ny satam-pikambana ao anatin’ny filankevi-pitondrana vaovao. Mampitandrina amin’ny fanaovana antsojay amin’ireo mpiasan’ny Mama niaro ny fahamarinana ny mpitatitra ary handray fepetra henjana raha mitranga izany.Vonjy A. L’article Raharaha mpitatitra sy filankevi-pitondrana: nahazo famindrana toeram-piasana ny mpiasa sasany an’ny Mama   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tetikasa “Roots&Shoots”: entanina hiaro ny tontolo ny ankizy

Nanapa-kevitra ny hiara-hiasa amin’ny Institut Jane Goodall ny orinasa eTech eto Madagasikara ka hanao ny tetikasa “Roots&Shoots”, toy ny efa hita any amin’ny firenena 130. Nampahafantarina, omaly, izany nandritra ny fihaonan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny eTech tamin’ny mpanao gazety, teny Alarobia.Tanjon’ny “Roots&Shoots” ny hirindran’ny fiainan’ny olombelona ao anatin’ny fiarovana ny biby sy ny harena voajanahary, ananan’i Madagasikara sy mampalaza azy. Kendrena hiasa mivantana hanatrarana izany tanjona izany ireo taranaka ao aoriana, ny ankizy 5 taona hatramin’ny tanora 25 taona. Entanina izy ireo hamolavola tetikasa manana io vina io. Ezahina mba ho azo tanterahina amin’ny alalan’ny eo am-pelatanana ny tetikasa. Raha hita kosa fa goavana izany, miara-miasa ny eTech sy ny Institut Jane Goodall amin’ny fitadiavana famatsiam-bola. Manome tohana hevitra sy teknika koa ireo mpiara-miombon’antoka.Mifantoka amin’ny fanentanana ny fiarahamonina hampirindra ny andavanandrom-piainany hiarovana ny tontolo iainana sy ny zavamananaina ny asan’ny fikambanana.Landy R.  L’article Tetikasa “Roots&Shoots”: entanina hiaro ny tontolo ny ankizy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanolanana zazakely 6 taona: jiolahy iray voaheloka dimy taona an-tranomaizina

Fanamelohana sazy mihatra dimy taona an-tranomaizina ny nomen’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava ao Toamasina ny jiolahy iray nandritra ny fotoam-pitsarana ady heloka bevava, afakomaly, momba ilay raharaha fanolanana miharo herisetra tamina zazakely vao 6 taona monja.Maivana loatra ilay sazy nomen’ny fitsarana! Raha hiverenana ity raharaha ity, naolan’i Zara Michel, 25 taona, i Velotody Jessica, zazakely enin-taona, ny 27 jona 2018 tao Vohilengo, Fenoarivo Atsinanana. Raha ny fanazavany nandritra ny fitsarana azy, nantsoiny nanaraka azy hiditra tao amina efitrano iray tsy misy olona ao Vohilengo ilay niharam-boina ka nentiny avy hatrany teny ambony fandriana nanaovany ny filàn-dratsiny. Nikiaka ilay tsy manan-tsiny ka nofatorany lamba ny vavany. Rehefa vita ny filany, norahonany tsy hiteny na amin’iza na amin’iza ilay niharam-boina fa hovonoiny raha miteny amin’olona, araka ny fanazavan’ilay voampanga hatrany. Tsikaritry ny renin’ilay zaza anefa ny fihetsik’ity zanany somary hafahafa ka nanontaniany ary nambaran’ity niharam-boina ny anaran’ilay jiolahy nahavanon-doza taminy. Tokony homena ny sazy faran’izay henjana itony mahavita fihetsika mamoafady amin’ny ankizy tsy ampy taona itony. Any ivelany, fanamelohana ho faty na figadrana mandra-pahafaty ny mahazo ny olona manao fihetsika mamoafady na manolana ankizy toy izao.Sajo sy Jean ClaudeL’article Fanolanana zazakely 6 taona: jiolahy iray voaheloka dimy taona an-tranomaizina a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fanomanana fanadinam-panjakana :: Malalaka ny safidy hamerina mpianatra any an-tsekoly

Nanome malalaka ireo talen-tsekoly amin’ny fiverenan’ny mpianatra manala fanadinana an-dakilasy hanao famerenana, ny avy ao amin’ ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Voafaritra avokoa ireo daty hanatanterahana ny fanadinam-panjakana Cepe sy Bepc, tamin’ ny fandaharana manokana nataon’ny Filoha, tamin’ny alahady lasa teo, tao amin’ny Fahitalavi-pirenena. Afaka herinandro mahery kely sisa dia hiatrika ny fanadinana ireo mpanala Cepe. Hanomboka amin’ity herinandro ity ny fizaràna ny taratasy fiantsoana ho an’ny eto amin’ny Cisco Antananarivo renivohitra. « Omena alalana ireo sekoly manerana an’i Madagasikara hamerina ny mpianatra ho any an-tsekoly. Roa andro fotsiny dia ampy hamerenan-desona ho an’ireo efa nahavita fandaharam-pianarana manontolo. Apetraka amin’ny fahendren’ny talentsekoly tsirairay avy ny fanaovana an’izany », hoy ny minisitra Dr  Sahondrarimalala Marie Michelle, tao amin’ny Fahitalavi-pirenena, omaly. Efa misy ireo sekoly tsy miankina no hamerina ny mpianatra kilasim-panadinana an-tsekoly manomboka anio, toy ny lisea Marie Manjaka Andohalo. Fahavononana Notsindriany fa efa vonona ny minisitera amin’ny fanatontosana ny fanadinana. Hovitaina amin’ity herinandro ity ny fandefasana ireo laza adina manerana ny Nosy. Amin’ny alakamisy sy zoma ho avy izao no hakan’ny mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana Cepe ny taratasy fiantsoana any amin’ny sekoly misy azy, ho an’ny Cisco Antananarivo renivohitra. Amin’ny alatsinainy 31 aogositra kosa vao afaka mijery ny efitranompanadinana. Efa manomboka ihany koa ny fanomanana ireo efitranom-panadinana, amin’izao fotoana izao. Voafaritra toy izao ireo daty hanatanterahana ny Cepe sy Bepc : amin’ny 1 septambra ny Cepe ho an’ny faritra enina (Diana, Sava, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra ary Bongolova); amin’ny 8 septambra 2020 no hiatrika ny Cepe ny mpiadina ao amin’ny faritra sivy (Sofia, Boeny, Melaky, Betsiboka, Matsiatra ambony, Ihorombe, Atsimo Atsinanana, Amoron’i Mania ary Vatovavy Fitovinany); amin’ny 15 septambra kosa no hanatanterahana ny Cepe ho an’ireo faritra fito ambiny (Atsimo Andrefana, Anosy, Androy, Menabe, Analanjirofo, Atsinanana ary Alaotra Mangoro). Hotanterahina amin’ny 21 hatramin’ny 24 septambra ny Bepc. L’article Fanomanana fanadinam-panjakana :: Malalaka ny safidy hamerina mpianatra any an-tsekoly est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

«LA MAIN DE L’OCEAN INDIEN»: namoaka ny boky angano i Masoandrontsoa.

Tsy ny tontolon’ny filalaovana tantara an’onjampeo ihany no nahafantarana an’i Rojo, amin’ilay feo feno angola mamy fa eo ihany koa ny tontolon’ny fanoratana amin’ny endriny maro, anisan’izany ny Angano…Tsy angano angano intsony, efa vita ny boky mirakitra ny angano “La main de l’océan indien” nosoratan’ i Ma­soandrontsoa. Boky angano ahitana takila 40, natao amin’ny teny frantsay izy ity. Natonta tsy ela akory tao anatin’ny fihibohana, tany Frantsa. Boky faharoa, taorian’ny «Ampelahasinoro», izay boky tantara foronina amin’ ny teny malagasy ranoiray. «Na­tao tamin’ny teny frantsay ilay boky satria io no teny iraisana sy hifankahazoana voalohany amin’ireo Nosy ao amin’ny Ra­no­masimbe Indianina. Ny boky rahateo mitantara ny hakan­ton’ireo Nosy ao amin’ny Ra­no­ma­simbe Indianina ireo ka An­dri­amatoa Foudi rouge (Foudia madagascariensis, na Fodilahy mena, hoy isika) no hitondra antsika hitety azy ireo ao anatin’ity boky “La main de l’océan indien” ity» hoy i Masoan­dron­tsoa, nanazava momba ny boky. Manandratra ny kolontsaina amin’ny alalan’ny tenyRanaivoarisoa Rojontsoa Tsi­hoarana na Rojo Ra­nai­vo­arisoa eo amin’ny tontolon’ny tan­tara an’onjampeo na Ma­soandrontsoa, anarana isalorana amin’ny maha mpanoratra. Ny taona 2003 no niditra teo amin’ ny tontolon’ny literatiora mala­gasy. Efa maro ny sehatra nanehoany ny maha izy azy, indrindra ny famelomana tantara an’ onjampeo, izay tena nahafantaran’ny maro azy. “ Ao an-tsaina hatrany ny hanandratana ny kolontsaina amin’ny alalan’ny teny, indrindra ny mahakasika an’i Madagasikara sy ny kanto mahafinaritra ao aminy, izany no tena ilofosako eo amin’ny ton­tolon’ny zavakanto malagasy” hoy i Masoandrontsoa, nilaza ny tanjony amin’ny literatiora malagasy. Anisan’ny ezaka amin’ny fanitarana ny tontolon’ny literatiora malagasy ho fantatra eran-tany ny fandikana sy fanoratana ny sanganasa amin’ ny teny vahiny amin’ny alalan’ ny fanahy malagasy ao anatiny.NarilalaL’article «LA MAIN DE L’OCEAN INDIEN»: namoaka ny boky angano i Masoandrontsoa. a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sakafia – Amboasary Atsimo: avotry ny miaramila ny ankizilahikely nataon’ny dahalo takalonaina

Nitrangana asan-dahalo mahery vaika tao amin’ny fokontany Sakafia, kaominina ambanivohitr’i Marotsiraka, distrikan’Amboasary Atsimo, afakomaly. Tsy vitan’izay fa mbola naka an-keriny zazalahikely iray 13 taona antsoina hoe Mahandry hatao takalonaina ireto malaso ireto. Nahazo antso ireo miaramila mpampandry tany “Zone rurale prioritaire de sécurité” Alpha 1 taorian’izay ka nanao avy hatrany ny fanarahan-dia. Nisy ny fiambenana ny kizo fieren’ireo dahalo ka nahitam-bokany satria azon’ny miaramila teo am-pelatanan’ireo dahalo ilay zazalahikely ary navelan’izy ireo tao amin’ny toerana antsoina hoe Ankira ny omby miisa 124.Fa omby miisa 37 hafa koa no azon’ireo miaramila mpampandry tany ihany tao amin’ny fokontany Agnalamaliniky, kaominina ambanivohitr’i Maromby, distrikan’Amboasary Atsimo, afakomaly. Taorian’ny fanarahan-dia nataon’ireo miaramila nampian’ny fokonolona no nahazoana ireto omby ireto taorian’ny fifandonana tamin’ny dahalo.Jean ClaudeL’article Sakafia – Amboasary Atsimo: avotry ny miaramila ny ankizilahikely nataon’ny dahalo takalonaina a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Mozika maneran-tany :: Hifaninana amin’ny « Afrimma » indray i Shyn
21/09/2020

Manana solontena amin’ilay fifaninanana maneran-tany momba ny mozika ankehitriny antsoina hoe « African Muzik Magazine Awards and Music Festival » na Afrimma 2020, amin’ny alalan’i Shyn indray, i Madagasikara. Hatao ny Dallas (Etazonia), amin’ny 15 novambra 2020, ny fanolorana  ny amboara amin’io hetsika io, aorian’ny fifidianana hatao ao amin’ny pejy Facebook « Afrimma ». Nivoaka, tamin’ny 11 septambra lasa teo, ny lisitr’ireo mpanakanto voafantina ka nahatafiditra an’i Shyn tao anatin’ny sokajy « Best Male Southern Africa » na ireo mpanakanto lehilahy mendrika avy aty atsimon’i Afrika. Eo amin’ilay fanambaràna  ao amin’ny pejy Facebook an’ny Afrimma, izay misy an’io sokajy io no hametrahana ny safidy amin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra. L’article Mozika maneran-tany :: Hifaninana amin’ny « Afrimma » indray i Shyn est apparu en premier sur AoRaha.

Raharaham-pitsarana any Fianarantsoa :: Hadihadiana lalina ny fanolanana tao amin’ny akany iray
17/09/2020

Mbola any am-ponja ny lehilahy iray voarohirohy tamin’ny raharaha fanolanana nihatra tamin’ny ankizy tao amin’ny toby fitaizana zaza kamboty iray any Fianarantsoa, volana vitsy lasa izay. Ao anatin’ny fanadihadiana lalina ny raharaha ny Fitsarana any an-toerana, amin’izao fotoana izao. Zaza efatra no fantatra fa niharan’ny fanolanana. Voampanga sy voarohirohy ho tompon’ antoka tamin’izany herisetra ara-pananahana izany ny lehilahy, vadin’ny mpanabe ao amin’ilay toby ihany. Ankizilahy iray, 17 taona, isan’ireo notezaina tao amin’ny akany no miaraka voampanga aminy. Natolotra ny Fitsarana izy ireo ary samy naiditra amponja vonjimaika. Arahin’ny mpanara-baovao maso akaiky ny fivoaran’ity tranga mampalahelo nihatra tamin’ny zaza ity. L’article Raharaham-pitsarana any Fianarantsoa :: Hadihadiana lalina ny fanolanana tao amin’ny akany iray est apparu en premier sur AoRaha.

Adihevitra… mampandroso      
21/09/2020

          Mafanafana ny tontolo politika amin’izao? Tsy inona fa ny adihevitra ny amin’ny maha ara-dalàna na tsia ny fanatanterahana ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra ho avy izao. Amin’izany, samy manana ny filazany, ohatra, na ny mpanao politika, na ny avy amin’ny firaisamonina sivily; eny, na ny samy mpahay lalàna aza.Mahavalalanina sy mahafanina ny olom-pirenena tsotra mpanara-maso ny raharaham-pirenena; tsy mpanara-maso fotsiny aza, fa mpandray anjara amin’izany: inona ny marina? Na ny ara-dalàna, ny tsy azo ialana, ny tokony hatao… Lalàna iray izao, ohatra, no hoe lazaina, nefa samy manana ny filazany be ihany itsy sy iroa.Arakaraka ny toerana misy ny tsirairay ny fanazavana? Na fanamaizinana sy fanakorontanana… Tsy mbola milamina tsinona ny adihevitra. Tafiditry ny politika na avadiky ny sasany ho izany ho azy ny raharaha ka tsy hita intsony izay marina hoe tena araka ny lalàna velona. Soa ihany, misy ny rafitra tompon’ny teny farany ny amin’izany.Na eo aza izany, ny tsy azo lavina sy tsy takona afenina: mibahan-toerana loatra ny politika amin’izay atao sy ny mitranga rehetra: paipaika sy kajikajy amin’izay misy ny tena. Arakaraka izay tadiavina sy arovana amin’izany no andikana ny lalàna? Hany ka na izay heverina ho tena marina izao aza, avadiky ny sasany ho politika hatrany.Rahoviana vao tena handeha ho azy amin’ny raharaham-pirenena ny tena fanajana sy fampiharana lalàna? Tokony handeha ho azy ho an’ny rehetra izay, hahasaro-piaro azy amin’izay mitranga sy atao rehetra: tsy vonjivonjena, tsy ifandroritana, tsy ifampiandrasana kendry tohina, tsy atao amin’izay mahametimety ny tena.Anisan’ny fototra sy fositra koa ny tsy fahazarana mijery lavitra amin’izay atao. Hany ka mampiady an-toerana zary fanakorontanana izay mety ho fanehoan-kevitra am-poto-moty, na adihevitra, na fanitsiana… Tena jerena amin-kitsim-po ve izay hahasoa ny firenena ho amin’ny fampandrosoana, na tsy mitovy aza ny fijery?Rafaly Nd.  L’article Adihevitra… mampandroso       a été récupéré chez Newsmada.

Hiatrika ny “Miss Monde”: hiady ho an’ireo zaza kambana any Mananjary i Nellie
23/09/2020

Nitodika manokana amin’ny hoavin’ireo zaza kambana avy any Manajary, fehezin’ny fomba ho tsy azo taizana miaraka, ny “Miss Madagasikara”. Vonona hanome tanana azy amin’izany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.Tsy hatsaran-tarehy sy bika ihany… Anisan’ireo hitsarana ireo tovovavy mifaninana amin’ny “Miss Monde” ihany koa ny fahaizana manohana hevitra, amina tranga iray mety hampisy sakana amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny. Hiatrika ny andiany faha-70 amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity i Anjaratiana Nellie, nisalotra ny anaram-boninahitra “Miss Madagasikara 2020”. Nisafidy ny hiady ho an’ny zon’ireo zaza kambana avy any Mananjary izy mandritra izany. “Hataoko amin’ny fo izay azoko atao momba ity ady ity. Tokony ho fantatr’izao tontolo izao ny zava-misy mahazo ireo zaza kambana any Mananjary, izay noho ny fomba amam-panao, tsy mahazo miara-monina. Fantatro fa sarotra izany, saingy te hitondra izay kely vitako amin’ny fanatsarana ny hoavin’ireo zaza ireo amin’ny fandraisako anjara amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity”, hoy ny nambaran’i Nellie, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nitsidika sy nihaona tamin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Andriatongarivo Lalatiana, mantsy ny “Miss Madagasikara”, omaly. “Mahafaly anay eto amin’ny minisitera ny miara-dalana amin’i Nellie sy manohana azy amin’izao dingana lehibe hatrehiny izao. Hitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara izy ka tena mila ny fanohanan’ny Malagasy rehetra”, hoy ny nambaran’ny minisitra. Raha tsiahivina, natao tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra ny dingana fifanintsanana tamin’ny fifaninanana, nisafidianana ny Miss Madagasikara tamin’ity taona ity. Ny 17 jolay kosa ny dingana famarana, tetsy amin’ny Arena Ivandry, ka nivoaka ho tompon’ny anaram-boninahitra i Nellie. “Raha ny tokony ho izy, tontosaina ny volana desambra isan-taona ny fifaninanana “Miss Monde”. Noho ny toe-draharaha iraisam-pirenena misy anefa, mbola tsy nanapaka daty ofisialy ny komity. Na izany aza, efa mivonona amin’ny fikarakarana rehetra izahay mba tsy hitsanga-menatra ny solontenantsika”, hoy ny nambaran’i Ginah Vidot, filohan’ny komitim-pirenena mikarakara ny “Miss Madagasikara”, na ny CNMM.Zo ny AinaL’article Hiatrika ny “Miss Monde”: hiady ho an’ireo zaza kambana any Mananjary i Nellie a été récupéré chez Newsmada.

Manombola izao: tsy mandoa intsony latsakemboka Fram ny ray aman-dreny
18/09/2020

Voavaly ny fanontaniana mampiroaroa saina sy mahatonga resabe eo amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’izao ankatoky ny fampidirana mpianatra izao. Mazava ny voalazan’ny tatitra ny Filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa ankoatra ny maha maimaimpoana ny fisoratana anarana eny amin’ny sekolim-panjakana rehetra manerana ny Nosy, tsy misy ary tsy mandoa latsakembola angatahin’ny Fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra (Fram) koa ny ray aman-dreny manomboka izao. Voalaza tao anatin’io tatitra ny filankevitry ny minisitra io fa mbola hisy ny lamina vaovao hitsinjovana ireo tokantrano sahirana sy ny ray aman-dreny tena misedra fahasahiranana tokoa amin’izao fotoana izao, araka ny toromariky ny filoham-pirenena.16, 133 miliara ArAnkoatra izay, nampahafantarina ihany koa fa misaraka tanteraka ny fitantanana ny volam-panjakana sy ny latsakemboka izay samy sahanin’ny Fefi eny amin’ny sekolim-panjakana. Izy ireo ihany koa no mitantana ny « caisse des écoles », efa mitsinjara mazava tsara. Mitentina 16,133 miliara Ar natokana ho an’ny EPP sy CEG ary ny 2 miliara Ar ny natokana ho an’ny lice, miainga ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana.Misy koa ny tetibola iaraha-mitantana amin’ny minisitera sy ireo mpamatsy vola amin’ny alalan’ny tetikasa Paeb izay mitentina 3 tapitrisa dolara natokana ho an’ny EPP sy CEG. Tatiana AL’article Manombola izao: tsy mandoa intsony latsakemboka Fram ny ray aman-dreny a été récupéré chez Newsmada.

Imbiki Herilaza : “Azo atao fa feno ny fepetra fifidianana loholona”
21/09/2020

“Tokony hojerena ny And. 81 sy ny manaraka izany ao amin’ny lalàmpanorenana, izay mamaritra ny mpifidy vaventy amin’ny fifidianana loholona. Feno ny fepetra takin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna hahazoana miroso amin’ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra.” hoy ny mpahay lalàna, Imbiki Herilaza. Tsara marihina koa fa nahavita fifidianana ny fitondram-panjakana tao anatin’ny herintaona sy tapany. Teo ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolatsain’ny Tanàna, natambatra.Iaraha-mahita koa fa tratran’ny fahamehana ara-pahasalamana noho ny fihanaky Covid-19 isika, nanomboka ny ny volana marsa ka hatramin’izao. Tsy misy azo natao.Tapitra fe-potoam-piasana ny loholonaNa tiana na tsia, tsy maintsy tapitra amin’ny voalohandohan’ny taona 2021 ny fe-potoam-piasan’ny loholona. Tsy azo ihodivirana izany ka irosoana ny fifidianana. Misy koa ny andininy mamaritra ao amin’ny lalàmpanorenana fa hatreo amin’ny 30 novambra no farany azo anaovana fifidianana fa miditra ao anatin’ny vanim-potoan’ny orana. Nefa raha antony tsy azo anoarana, azo atao ihany ny manatanteraka fifidianana.Tamin’ny taona 2015, toy izao ihany ny fifidianana loholona: ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna no nifidy, na mbola tsy feno aza ny rafitra voalazan’ny lalàmpanorenana. Mandroso tsikelikely ny fametrahana izany rafitra izany…Mamaritra ny fahazoana manatanteraka ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra izany. Na araka ny And. 81 sy ny manaraka azy ao amin’ny lalàmpanorenana, na ny voalazan’ny lalàna fehizoro momba ny Antenimierandoholona. Eo koa ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny lalàna rehetra mifandraika amin’izany ary ny didim-panjakana fihaikana mpifidy vaventy, araka ny fanazavany.R.Nd.L’article Imbiki Herilaza : “Azo atao fa feno ny fepetra fifidianana loholona” a été récupéré chez Newsmada.

DGSR: hanomboka ny fisavana ireo laharana WW
17/09/2020

Hisy ny hetsika manokana ataon’ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) miaraka amin’ny mpitandro filaminana, ny alatsinainy 21 septambra 2020 ho avy izao mahakasika ny fanaraha-maso ny fampanarahan-dalàna ireo mampiasa ny laharana “WW…” sy ny laharana vahiny. Manoloana izany indrindra, nitondra fanampim-panazavana ny teo anivon’ny DGSR. Ho an’ny fiaran’olon-tsotra dia hisy ny fisavana ny rosia nahavitana ny fandraisana ara-teknika teny amin’ny ivontoerana fandraisana ara-teknika eny Alasora, By-Pass ary eny amin’ny ivontoerana fitsarana fiarakodia ho an’ny any amin’ny renivohi-paritra. Ho an’ireo fiara vaovao novidina teny amin’ny orinasa mpanafatra sy mpivarotra fiara “concessionnaires”, hisy ny fisavana mandritra ny hetsika ny fitanana an-tsoratra nahavitana ny fandraisana ara-teknika. “Hamafisina fa ny fandraisana ara-teknika eny anivon’ny foibe fitsarana fiarakodia amin’ny alalan’ireo ivontoerana manerana ny Nosy no anisan’ny fepetra takina hahafahana mahazo laharana eny amin’ny mpamoaka izany, na ho an’ny fiara vaovao izany na ireo efa niasa”, hoy ny DGSR.Jean Claude L’article DGSR: hanomboka ny fisavana ireo laharana WW a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Lalàna vaovaon’ny Fifa: afaka miova firenena ny mpilalao iray
21/09/2020

Niteraka resabe teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra manerantany ny famoahan’ny Federasiona iraisam-pirenena baolina kitra (FIFA), ilay lalàna vaovao  momba ny fahazoan’ny mpilalao iray miova ekipam-pirenena. Manomboka izao, tsy ny zom-pirenena intsony no jerena ka hahafahan’ny mpilalao iray mifindra, manatevina ny ekipam-pirenena iray vaovao. Manan-jo, ny miala ao amin’ny firenena nisy azy izy ireo raha toa ka latsaky ny lalao telo no nataony sy nitondrany ny akanjon’ny ekipam-pireneny.Ankoatra izany, raha toa ka latsaky ny 21 taona ny niantsoana azy ka tsy voantso intsony nandritra ny telo taona manaraka ary tsy mbola nifaninanana tamin’ny fihaonana kaontinantaly, toy ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, na (Euro) na fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can), na (Copa America) sy ny hafa.Manoloana izany, tsy vitsy ireo naneho hevitra tao amin’ny tambajotran-tserasera fa famonoana sy fanimbana ny baolina kitra izao fanapahan-kevitra noraisin’ny Fifa, izao. Mbola fanontaniana mipetraka eo amin’ny mpitia baolina kitra ihany koa ny amin’ireo mizaka zom-pirenena roa. Ohatra amin’izany, raha toa ka Frantsay sy Alemà ve mbola afaka milalao any Arzantina na Brezila.Mbola hisy ny fanazavana misimisy entin’ireo tompon’andraikitry ny FIFA, momba ity lalàna vaovao, ity. TompondakaL’article Kitra – Lalàna vaovaon’ny Fifa: afaka miova firenena ny mpilalao iray a été récupéré chez Newsmada.

Saripika – Nagamy Jean Fabrice: “Ny fitiavana no mampitombo talenta”
23/09/2020

I Nagamy Jean Fabrice, dimy taona niseharana eo amin’ny tontolon’ny fakana sary na saripika. Vokatry ny fitiavana sy lovan-talenta ny nahatonga ny tovolahy nisehatra amin’izany satria mpaka sary ihany koa ny rainy. Teo ihany koa ny fifampikasohana tamina namana mpiara-nianatra teny Ankatso, manana traikefa amin’ny fakana sary, ka nampiroborobo ny talentany sy nahatongavany amin’izao dingana vitany izao.« Nanomboka teo aho dia lasa nanao fikarohana maro mahakasika ny sary sy ny momba ireo mpaka sary efa lasa lavitra na ny any ivelany na ny eto an-toerana. Tsapako fa maro ireo Malagasy manan-talenta ary tena tsy nampoiziko hahavita zavatra tena avo lenta sy kanto eo amin’ny tontolon’ny saripika”, hoy i Nagamy.Nohamafisiny fa, “… nanomboka teo ihany koa, tapa-kevitra fa hanangom-bola hividianana fitaovana. Nipoitra sy nitsidika ary nisokatra tsikelikely ny lalana sy ny hirika maromaro teo amin’ny sehatra ivelarana. Nazoto nizara ny zava-bita tamina tambajotran-tsosialy. Nihamaro ihany ireo matihanina nanorotoro sy nanitsy ahy rehefa misy zavatra tsy nety”. Tsy nandalo fianarana manokana ny tenany fa nanao fikarohana tamin’ny alalan’ny « internet » ary mazoto maka sary hatrany, manao fampiharana matetika. « Rehefa tsy ao anatinao ny fitiavana, tsy voatery amina sehatra fakana sary ihany fa na inona na inona sehatra, tsy ho lasa lavitra mihitsy ianao. Miantomboka amin’ny fitiavana sy ny finiavana aloha izay vao mamboly talenta », hoy hatrany i Nagamy J. Fabrice. Mba handeha lavitra sy hitety izao tontolo izao, hanandratra avo ny anaran’i Madagasikara amin’ny alan’ny saripika ny tanjony. Ankoatra io, maniry ny hanangana sekoly fianarana manokana momba ny saripika, indray andro any!Narilala L’article Saripika – Nagamy Jean Fabrice: “Ny fitiavana no mampitombo talenta” a été récupéré chez Newsmada.

Tsimokaretina hafa… mila iadiana     
23/09/2020

     Mandry ve ny tanàna? Saika nitaintain-dava ny maro tamin’ny fandalovan’ny valanaretina Covid-19… mandalo toy ny rivodoza. Mbola misy ny ramborambony any ho any: tsy hita maso, ilam-pitandremna. Sao, sanatria, mby amin’izay mahazo ny firenen-dehibe sasany amin’ny fiavy sy ny fihanaky ny valanaretina andiany faharoa amin’izao? Misy ny voatery miverina amin’ny fihibohana.Saingy, tsy ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 ihany amin’izao ny ilam-piambenana. Eo indrindra koa ny fandriampahalemana ifotony. Misy ny sisa navelan’ny aretina tamin’ny hala-boty na ny hala-botry afitsoky ny tontakely noho ny fahaverezana asa, ny tsy fisiana… Mbola misy tsy mahafa-bela ny tsy fandriampahalemana amin’ny endrika maro, mampikaikaika ny  any ifotony hatramin’izay.Anisan’izay toa efa zary mahazatra any amin’ny faritra sasany: ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ary misy manao andiany, ohatra, ny fakana ankeriny. Ao ny tena mampiraviravy tanana ny mponina sy ny vohitra manontolo: faritra lavitra fanjakana? Na tsy hita na tsy afa-manoatra firy ny mpitandro filaminana… Na ny fampiakarana fitarainana amin’izany aza, manahirana na tsy mampiraika na tsy heno.Eo koa ny ady tany tsy mampilamina be ihany amin’ny faritra sasany; eny, na eo aza, ohatra,  ny taranaka nifandimby nanajary ny tany. Mbola tsy afaka ny tarazo ratsin’ny fanjanahana amin’ny fibodoana tany? Na resy any amin’ny fitsarana aza ny sasany, manao ny ataony ihany. Eo ny ezaky ny fitondrana amin’ny fandaminana ny fananan-tany, saingy misy izay tena manahirana eny ifotony.Misy ny tsimatimanota mampiraviravy tanana: mahitahita, lehibe tsy meloka… Kolikoly avo lenta ny antony? Raha ny ezaky ny fitondrana, tsy efa tokony hihena ve ny hoe mampitaraina ny maro indrindra ny kolikoly eny amin’ny fitsarana talohaloha teo? Na ny amin’ny tsy fandriampahalemana, na ny ady tany, na ny tsimatimanota… Tsimokaretina mikiky ny firenena tena mila iadiana hatrany. Mby aiza?Rafaly Nd.L’article Tsimokaretina hafa… mila iadiana      a été récupéré chez Newsmada.

Firehetana teny Namontana :: Vehivavy lehibe, 86 taona, may tao an-tranony
23/09/2020

Soa fa voavonjy haingana teny amin’ny hopitaly HJRA ity vehivavy lehibe iray, 86 taona, niharan’ny fahamaizana vokatry ny firehetan’ny tranony, teny Namontana Anosibe, afak’omaly alina. Nahazo trano hafa teo akaikiny ny afo saingy nalaky tonga tamin’ny fifehezana ny loza ny sampana mpamonjy voina. Mipetra-drery ao amin’ny trano hazo iray eny Namontana ry Mama Rasendra, araka ny loharanom-baovao teny an-toerana. Tokony tamin’ny 6 ora hariva no tsikaritr’ireo teo amin’ny manodidina ny afo niredareda tao amin’ny tranony. Nanao ny asa famonjena voalohany ny fokonolona saingy nahery loatra ny firehetana satria trano hazo ity lasibatra. Voalazan’ny loharanom-baovao teny amin’ny hopitaly HJRA fa « tsy misy atahorana intsony ny ain’ilay vehivavy lehibe, 86 taona ». L’article Firehetana teny Namontana :: Vehivavy lehibe, 86 taona, may tao an-tranony est apparu en premier sur AoRaha.

CEPE-Toamasina: nisy mpiadina diso ivontoeram-panadinana
17/09/2020

Tao anatin’ny orana mikija no niatrehan’ ireo kilonga madinika, ny tapak’ andro voalohany teo amin’ny fanadinam-panjakana CEPE teto Toamasina tampon-tanàna, ny talata lasa teo. Ho an’ny etsy amin’ny CEG Ratsimilaho, izay nanaovan’ireo tomponandraiki-panjakana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-panadianana, nahatratra hatramin’ny 52 ny tsy tonga nanatrika ary mpiadina telo mianadahy kosa diso ivontoeram-panadinana. Nandray andrakitra avy hatrany nanatitra azy ireo teny amin’ny ivontoerana tokony hanaovany fanadinana ny mpikarakara. Miisa 7428 ny mpiadina voasoratra anarana anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I, araka ny  nambaran’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I, Ramarolahy Joseph. Tombanana havoaka mialoha ny tetiandron’ny fanadinam-panjakana faharoa BEPC ny voka-panadinana CEPE. Amin’ny ankapobeny, nizotra tamim-pilaminana ny fanadinana ary tomefy mpitandro filaminana rahateo ny manodidina ny sekoly nanaovoana ny CEPE. Teo amin’ny fenitra ara-pahasalamana, narahina ny fepetran’ny hamehana ara-pahasalamana mialoha ny hidiran’ny ankizy ny tokotanin-tsekoly.SajoL’article CEPE-Toamasina: nisy mpiadina diso ivontoeram-panadinana a été récupéré chez Newsmada.