Esther Randriamamonjy: «Vonona ny Tahala Rarihasina»

News - Esther Randriamamonjy: «Vonona ny Tahala Rarihasina»

News - Esther Randriamamonjy: «Vonona ny Tahala Rarihasina»

Miverina tsikelikely amin’ny
laoniny ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Iray amin’izany ny
fanatanterahana ireo karazan-tsehon-javakanto isan-karazany tahaka
ny rindran-kira, fampirantiana… Iray amin’ireo efitrano malalaka
hanehoan’ny mpanakanto ny talentany ny Ta­hala Rarihasina, etsy
Ana­la­kely. Nampahatsiahy sady na­nentana ireo mpanan-talenta
manerana ny Nosy Rtoa Esther Randriamamonjy, tale jeneralin’ny
Foibe momba ny teny an’ny Akademia Mala­gasy : « mba haneho ny
kantony sy hampita izany amin’ny ankizy sy ny tanora malagasy, raha
tsy izany, ho voafafan’ny zava-mandalo avy any ivelany ny
harentsaina sy ny kolontsaina mbamin’ny soatoavina malagasy».
Nohamafisiny tamin’izany fa «vonona mandrakariva handray ireo
havana mpanakanto manerana ny Nosy ny Tahala Rarihasina, etsy
Analakely».
Tombony ho an’ny tontolon’ny zavakanto (hira, dihy, hosodoko,
fitendrena zavamaneno, tantara sy velakevitra…), ny fisian’ny
Tahala Rari­hasina etsy Analakely, noho izy, miorina anivon’ny
Renivohitra. Mila hajaina ha­trany anefa ireo fepetra amin’ny
hamehana ara-pahasalamana.

HaRy
Razafindrakoto

Article tiré de Newsmada

L’article Esther Randriamamonjy: «Vonona ny Tahala Rarihasina» a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 17/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Karate-Afrika “kata en ligne”: mbola hiatrika fampiofanana ireo voatsonga hifaninana

Raha ny vinavinan’ny Union des fédérations africaines de karate-do”, hatao ny 13 hatramin’ny 30 novambra izao, ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika “kata en ligne”, sokajy latsaky 14 taona. Vita, omaly, ny fiofanana nomena ireo mpikatroka malagasy, nakana izay hisolo tena an’i Madagasikara, amin’ity fifaninanana ity. Fiofanana nandritra ny roa andro, nahitana ny talentan’ny karateka tsirairay, valo hatramin’ny 14 taona. Araka ny fantatra, miisa efatra isaky ny sokajy ny voatsonga ka mbola homena fiofanana manokana, mialoha ny hakana horonantsary azy ireo, hifaninanana amin’ny mpikatroka manerana an’i Afrika, amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra.Nambaran-dRazafindrakoto Miora, mpandrindra sady mpitsara, fa tafiditra anatin’ny tanjon’ny Ufak izao programa izao, ahafahana mampiseho ny talentan’ny mpikatroka, indrindra ny sokajin’ny ankizy. Hetsika maro ny hotontosaina ka isan’izany ity fiofanana ho an’ny ankizy ity sy ny fikarakaraka fifaninanana hampitain-davitra. Hisy ny fiofanana hampitain-davitra ho an’ny mpitsara, sahanin’ny komisionan’ny mpitsara sy ho an’ny mpanazatra, sahanin’ny komisiona teknika, raha ny fandaharam-potoana manaraka.Tsiahivina fa voatendry ho filohan’ny Union africaine de karate-do”, faritra Atsinanana, ny filohan’ny federasiona malagasy ny karate, Andrianaivomanana Solofonirina Barijaona, ny herinandro lasa teo. Mi.RazL’article Karate-Afrika “kata en ligne”: mbola hiatrika fampiofanana ireo voatsonga hifaninana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Toekarena mikatso : miantso ny fanjakana ny sendikan’ny mpiasa tsy miankina

Sahirana tanteraka, mijaly mihitsy aza ireo miasa tena sy ireo mpiasa any amin’ny sehatra tsy miankina maro. Ha­tramin’izay hamehana ara-pahasalamana izay, tsy misy ny fifampiresahana ataon’ny fanjakana amin’izy ireo, araka ny nambaran’ny mpitarika sendikà. Tsy vitsy amin’ireo mpiasa ny efa very asa, na zara raha mandray karama. “Tsy mihaino ny fitarainan’izy ireo ny fitondram-panjakana”, hoy ny ao amin’ny vondrona sendikaly (SSM). Ny sehatra tsy miankina amin’ny fihariana rehetra no mampidi-bola betsaka amin’ny fanjakana rehefa mandeha ny toekarena. Izao tsy fizahana ny tsy miankina izao, karazany mandrora mitsilany ihany ho an’ny fanjakana. Na io fitaterana tsy mandeha io aza, efa fatiantoka lehibe sy miantraika amin’ny zavatra maro, tsy amin’ny toekarena ihany fa hatrany amin’ny lafiny sosialy, ny foto-piveloman’ny olona maro mihitsy, mivantana na tsy mivantana. Koa mangataka ny hisian’ny fifampiresahana ny sendikà fa izay ihany ny vahaolana : fiaraha-midinika eo amin’ny fanjakana, ny mpampiasa, ary ny solontenan’ny mpiasa. Tombontsoa ho an’ny rehetra ny kendrena amin’izany. Mba hisian’ny fifampitokisana, angatahin’ireo sendikan’ny mpiasa handray azy ireo ny filoham-pirenena miaraka amin’ny minisitera mpiahy. Misy rahateo ny fifanarahana iraisam-pirenena eo amin’ny sendikà sy ny fanjakana nankatoavin’ny firenena malagasy. Fampandraisana andraikitra ny rehetra ireny fa tsy ny fanjakana ihany no atao hahita vahaolana.R.MathieuL’article Toekarena mikatso : miantso ny fanjakana ny sendikan’ny mpiasa tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Bianco sy Croix Rouge Malagasy: apetraka ny ady amin’ny kolikoly

Vita omaly ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly sy ny Croix Rouge Malagasy (CRM). Nanatanteraka izany fifanarahana haharitra roa taona izany  ireo birao vaovao eo amin’ny  Croix Rouge Malagasy.Tanjon’ny fifanarahana ny hanentana  sy hampianatra ny mpiasan’ny  CRM  hanana fitondran-tena manohitra ny kolikoly sy hanana toe-tsaina mandala  izany. Eo koa ny  hampianatra azy ireo  handà ny endrika kolikoly amin’ny sehatra rehetra  hiasany.Ankoatra izao,  hanangana ny rafitra sy ny antanantohatra maneho ny mangarahara tsy hampisy  ny tranga kolikoly amin’ny fintanana sy sehatra rehetra ao amin’ny CRM.Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politikan’ny Bianco sy ny fandaharanasan’ny CRM ho amin’ny fitantanana mangarahara  sy marina izao fiaraha-miasa natao sonia, omaly izao. Hitondra fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena ihany koa izany raha voahaja antsakany sy andavany.Hanampy ny CRM, araka izany ny Bianco amin’ny fanatanterahana ny drafitrasa apetraka momba ity ady  amin’ny kolikoly ity.Raha tsiahivina, nisy nofy ratsy teo amin’ny CRM teo aloha mikasika fanodinkodinam-bola ary nahatonga ny mpamatsy vola hampiato ny fanampiana.Tatiana AL’article Bianco sy Croix Rouge Malagasy: apetraka ny ady amin’ny kolikoly a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Shell Vivo energy: tsy mijaly solika intsony ny eny Mahitsy

Notokanana, omaly, ny toby fitsinjaran-tsolika vaovao an’ny Shell eny Mahitsy. Fivarotan-tsolika faha-72 eto amintsika, an’ny orinasa Vivo Energy, manaparitaka sy mivarotra ny vokatra Shell (solika sy ny vokatra samihafa mifandraika aminy) eto Madagasikara.Manamora ny fividianan’ny mpanjifa ny vokatra ilainy, hita ao amin’ity toby vaovao ity, ny fampiasana ny karatra “prépayée Shell Petro+”. Ho an’ny ben’ny Tanànan’i Mahitsy, Rakotovao Andriambololona, “tsy mijaly famatsiana solika intsony ny any Mahitsy satria mitombo ny toby mpaninjara, raha iray ihany no nisy tany amin’ny 10 taona lasa”.Nilaza ny tale jeneralin’ny Vivo Energy, i Mondher Bouhouche, fa endriky ny fandraisan’anjaran’ny orinasa tantaniny amin’ny fampiasam-bola eto Madagasikara ary mitondra fampandrosoana ny firenena izao fotodrafitrasa izao. Marihina fa efa nisokatra ho an’ny mpanjifa teo amin’ny iray volana eo ity toby vaovao ity.Njaka A.L’article Shell Vivo energy: tsy mijaly solika intsony ny eny Mahitsy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Airtel –FJKM: nitondra fanampiana ho an’ireo sahirana

Tafiditra anatin’ny andraikitry ny Airtel ny misahana ny asa sosialy, manamaivana ny fahasahiranan’ny mponina. Fantatra tamin’izany ny fizaran’ny Airtel sakafo sy PPN ho an’ny olona 4000  any ho any, avy amina fianakaviana sahirana, tsy manan-kialofana akory aza ny sasany eto an-dRenivohitra. Fanampiana nentina nandritra ny fety nataon’ny mpino FJKM izany, namalifaliana ireo olona ireo tao Antsahamanitra, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Nohararaotina io fotoana io nanaovana asa soa ho fankalazana ny faha-30 taona ny asa fanompoana vitan’ny pastora Poget Helivao.Ankoatra ny fotoam-pivavahana, nifampizara hafaliana ny lehibe sy ny kely, nanafana ny fon’ny tsirairay. Porofoin’ny Airtel hatrany ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny adidy  sosialy fanaon’ny orinasa. Manamafy ny fanohizana izany politika entina manampy ny sahirana izany ny Airtel Madagascar. R.MathieuL’article Airtel –FJKM: nitondra fanampiana ho an’ireo sahirana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ambatondrazaka: sahirana ireo kandidà

Hatreto aloha, hita ho sahiran-kevitra ireo mirotsa-kofidina hisolo vava ny vahoaka ato amin’ny distrikan’Ambatondrazaka .Tsy izay programa, rehefa lany soa aman-tsara, no takin’ireo mpifidy fa dabilio, vola hameloman-tena… Eo anatrehan’izany, misy ny kandidà mampanangana fikambanana ireo mpitaky. Iny fikambanana iny no omeny zana-kisoa iray, ohatra, hompian-dry zareo. “Ny loza, hoy ny mpilatsaka hofidina iray, ny kandidà niseho voalohany manome tolotra misanda iray alina Ar. Ny tonga manaraka, voatery manindry ambony hatrany.”  Mihaino sy manangona ny hetahetam-bahoaka ny ataon’ny kandidà. Fifaninanana moa ity izy ka nisy tokoa ny kandidà nahavita nanofa helikopitera sy nanome omby iray avy ireo fokontany folo ao Ambatondrazaka. Misy nametaka jiro entin’angovo masoandro manazava tanàna maro.Asa, na noho izay zava-misy rehetra izay, fa ny mihaino ireo hetahetam-bahoaka no ataon’ireto ho mpanao lalàna. Ny hikarakara ireo mpampianatra Fram, fampandrosoana fambolena, fitsinjovana zokiolona… ny ambentin-dresak’izy 19 mianadahy.  Hoy ny  mpanolotsaim-paritany taloha iray: “tokony hilaza ny kandidà raha anisan’ny handany ilay hevitra hanitsy ny lalàmpanorenana izy? Fa ity koa: vao manatsatoka angady eny an-tanety ngazana eny ianao, misy milaza fa tanindrazany io. Mila tolo-dalàna!“                                                                                                       Rarivo                                              L’article Ambatondrazaka: sahirana ireo kandidà a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mila malina na marina aza…  

          Lasa resabe ny amin’ny fanampian’ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany enti-miady amin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19. Ady hafa? Na ady anaty… Vola nividianana fitaovana sa fitaovana novidim-bola? Inona ny marina… tokana ihany?Na ahoana na ahoana, tsy maintsy mitady hirika hidirana amelezana izay lazaina ho tsy kely lalana. Amin’izany, na toy inona na toy inona: tsy itokiana koa izay manamarin-tena ho marina sy manana marina… efa ahiahina na ampangaina vao miaro tena?Tsy fifampitokisana no fototra sy fositra fa tsy inona: fifampiahiahiana ho azy lava, fifampiandrasana kendry tohina. Tsy misy resaka tsinona. Hany ka fifanaratsiana hatrany no vokany: tsy marina ny ataon’ny an-daniny, diso izay lazain’ny an-kilany.Mandra-pahoviana? Ny mamorona ny tsy misy aza ataon’ny sasany, vao mainka fa misy zavatra tsy mazava na tsy nohazavaina mialoha. Tsy mety ny fitompoana teny fantatra na marina toy inona aza, vao mainka fa ao anatin’ny fanahian’ny sasany.Mby amin’ny hoe: mandeha eo aloha ny tena, ahiahin’ny olona; mandeha ao aoriana, manahy olona. Tena ilaina ary takina ny fangaraharana hatrany amin’izay miseho sy atao? Na inona na inona izay, mila lazaina na hazavaina; eny, na tsy anontaniana aza.Mila sorohina mialoha ny fifampiahiahiana: tsy hisian’ny fiampangana tsy marina, na ny fanamarinan-tena lasa tsy inoana ho azy. Ny any alatrano, hono, mangarangarana; ny ao an-trano, mitatitra. Mila lazaina ary izay atao, ary atao izay lazaina.Ao anatin’ny ady izao… Fahavalo hoe tsy hita maso avy any ivelany izay manafika ny tena izao no iadiana. Fahavalo iombonana tokony hampiombona ho azy. Nefa izany ady izany indray izao no mampiady an-toerana: ny enti-miady, ny fomba fiady…Raha tsy mampiombona an-toerana ny fahavalo avy any ivelany, manome toerana ho azy ny hafa avy any ivelany; eny, na izay tsy fahavalo aza? Izay ny hoe mila malina na marina aza ny tena amin’izay lazaina sy atao: mitondra inona marina izany izao?Rafaly Nd.L’article Mila malina na marina aza…   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lalana «rocade» – RN 2, RN 3: 35 % izao ny fandrosoan’ny asa, vita ny dingana voalohany

Nampahafantarina, omaly, ny dingana vita momba ny fanamboaran-dalana « rocade Atsinanana sy Avaratra Atsinanana » mampifandray ny RN2, RN3, sy ny afovoan-tanàna. « Lavitrezaka ny famolavolana io tetikasa io, 10 taona any ho any, vao hanomboka ny asa fanatanterahana azy. Koa ela loatra raha hiandrasana 10 taona avokoa ny tetikasa ho an’ny fampandrosoana, ka tokony hojerena izay hanafainganana azy », hoy ny minisitry ny Asa vaventy, fanajariana ny tany sy trano fonenanana, Andrianainarivelo Hajo.Iaraha-mahita sy miaina ny eto an-dRenivohitra noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana, mampikatso ny toekarena, hatrany amin’ny fahasalamana, misy fiantraikany. Izay nampiteraka izao tetikasa izao mampifandray ireo lalam-pirenena ireo, misy zotra efatra (roa ankilany avy). 35 % ankehitriny ny fandrosoan’ny asa, heverina ho vita amin’ny fiandohan’ny taona 2021, raha natomboka tamin’ny mey 2018.Matoa tonga amin’izao dingana izao anefa, isaorana lehibe ny fokonolona voakasika tamin’izany, nanaiky ny hanaovana ny asa, nefa mbola tsy naharay onitra tamin’izay fananany  noravana, trano na tany … Mikasika indrindra momba izay onitra izay ny fihaonan’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny fanjakana sy ny fokonolona voakasika amin’ity tetikasa ity. Anjaran’ny fanjakana rahateo ny miantoka ny onitra, nanokanana tetibola 20 miliara Ar. Efa navoaka ny 55 % amin’izany vola izany, ka ny ampahany be indrindra nomena ireo rava trano, very asa fivelomana.Mbola betsaka ny tsy nahazo onitraAnjatony maro ireo antontan-taratasy mandalo ao amin’ny sampandraharaha misahana ny fananan-tany sy fanasintahana. Mbola betsaka ny tsy nahazo onitra. Nisy fotoana, 2017 -2018, natsahatra izay fandoavana onitra izay, niverenana nanaovana fanadihadiana izay vola tena  onerana. Tsy ilaozan’ny kolikoly sy fanaovana taratasy hosoka io fangatahana onitra io ; ao ny manitatra ny velaran-taniny ; ary misy aza tsy manana fa mamorona, iraisana tsikombakomba amina tompon’andraikitra sasany. Nandritra io fotoana io koa, nandraisana ny fitarainan’ireo mponina eny an-toerana momba ireo olana mbola tsy voavaha : rano tsy tafavoaka, lalan’ny mpandeha tongotra tapaka, faritra, sns. R.MathieuHalavan’ny lalana : 8,250 kmZotra : 4 ( 2 ankilany avy)Tetezana : 2Fiandrasana taxibe : 20Fotodrafitrasa ho an’ny fokonolona : 33Tetibidin’ny asa : 60 tapitrisa eurosMpamatsy vola : AFD, UE, BEI, Fanjakana malagasy L’article Lalana «rocade» – RN 2, RN 3: 35 % izao ny fandrosoan’ny asa, vita ny dingana voalohany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Nanehoan’ny Maorisianina ny fahaizany ny fanokafana

Nangotraka ary niavaka ny fampisehoana isan-karazany nandravahana ny lanonam-panokafana, taorian’ny fanambarana tamin’ny fomba ofisialy, amin’ny fisokafan’ny andiany faha-10 ny lalaon’ny Nosy, nataon’ny filoham-pirenena maorisiana, i Barleen Vyapoory. Natomboka tamin’ny fitondran’ireo firenena ny jiro sy ny fampitàna izany ary ny fanentanana maro isan-karazany. Nirefodrefotra ny afomanga taorian’izay, izay naharitra minitra vitsivitsy. « Hampitombo ny firahalahiana eo amin’ny Nosy rehetra manerana ny ranomasimbe Indiana, izao lalaon’ny Nosy tanterahina eto Maorisy izao”, io no hafatra matanjaka avy amin’ny kaomisiona mpikarakara ity andiany faha-10 ity, nandritra ny lanonam-panokafana, omaly. Tsy nanadino ny nisaotra sy naneho fankasitrahana ireo delegasiona rehetra tonga hifaninana, izy ireo ary nirary soa hahavitan’ny lalao hatramin’ny farany, amin’ny antsakany sy andavany.Mivonona ny handray ny JIOI 2023 i Madagasikara Hatolotra sy velabelarina anio, eto Maorisy, ny vinan’ireo firenena maniry ny handray ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy, tanterahina ny taona 2023. Anisan’ny hanolotra izany eo anatrehan’ny CIJ ( Comité International des Jeux) i Madagasikara. Efa nanambara moa ny filohan’ny CIJ, nandritra ny fitsidihana ny firenena malagasy, roa herinandro lasa izay fa tsy manana fahasarotana i Madagasikara amin’ny fandraisana ny JIOI 2023, saingy mila fanatsarana kely ny « site » tsirairay handraisana ireo lalao rehetra. Nangonin’i Miarintsoa.Raz (Iraka manokana aty Maurice) L’article Nanehoan’ny Maorisianina ny fahaizany ny fanokafana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Andron’ny ankizy: nantsoina ny sehatra tsy miankina

Mampanahy ny zava-misy iainan’ny zaza malagasy, amin’izao fotoana izao. Nikarakara fihaonana niaraka amin’ny sehatra tsy miankina ny Unicef, ny talata hariva teo, teny Antaninarenina , nanaovana antso handraisan’izy ireo anjara ho an’ny ankizy manokana. Maro amin’ireo zon’ny ankizy no tsy voahaja toy ny fidirana an-dakilasy, ny fahazoana kopia nahaterahana, ny fitsaboana noho ny fahasahiranana. Matetika,tsy misy mijery ny filan’ny ankizy fa manaraka izay fanapahan-kevitry ny olon-dehibe na ny ray aman-dreny mpiahy fotsiny. « Mila hovana ny zava-misy ary voakasika koa ny sehatra tsy miankina ka entanina izy ireo hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra mpiahy ny ankizy », hoy ny solontenan’ny Unicef eto Madagasikara, i Michel Saint-Lot, nandritra ny lahateniny. Namaly ny antso ny tanora mpandraharaha malagasy vonona hanampy ny ankizy hihoitra amin’ny fiainana. Anisan’izany Razafimahefa Matina, 20 taona mpitantana orinasa vao misandratra, maniry ny hanampy ny tanora malagasy avy amin’ny fianakaviana sahirana hifehy ny teknolojia vaovao ahafahany mahazo asa any aoriana. Betsaka ny mpiandraikitra orinasa nanoina ny antso teny Antaninarenina. Tanjon’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny ankizy ny hanangona vola entina manampy ny kilonga hiditra an-tsekoly, hahazo rano madio, hisitraka fitsaboana. Ankoatra ny sehatra tsy miankina, afaka mitondra ny anjara birikiny koa ny daholobe amin’ny fanaovana sonia ny antso ataon’ny Unicef ao anatin’ny tranonkalany ho an’ny mpitondra rehetra ho tombontsoan’ny ankizy. Vonjy A. L’article Andron’ny ankizy: nantsoina ny sehatra tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Haintrano :: Ankizy 4 taona maty irery tao antranon-draibeny
24/10/2020

Maty noho ny fahamaizana tao an-tranon’ny raibeny, tany Ankonabe-Analavory, ity ankizy lahy, 4 taona, afak’ omaly tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Tsy tao antranony itsy raibeny itsy fa nandeha namangy fahoriana tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Andranonatoho, tokony ho efatra kilaometatra miala an’Ankonabe tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Nanomboka tamin’ny 1 ora tolakandro teo ho eo ny firehetan’ny trano, araka ny fitantaran’ireo mponina teo amin’ny manodidina. Potika tanteraka ireo trano roa, izay vita amin’ny biriky ny iray. Samy mitafo bozaka avokoa izy ireo. Isan’ireo potika tamin’io firehetana io ny kahie fanisana omby an’ireo mponina ao anatin’ny fokontany. Lehiben’ny fokontany ao Ankonabe itsy lehilahy raiben’ny zaza namoy ny ainy itsy. L’article Haintrano :: Ankizy 4 taona maty irery tao antranon-draibeny est apparu en premier sur AoRaha.

“Rugby Tsinjaka Be”: Hidona ny Makis de Madagascar sy ny RC Toulon
31/10/2020

 Tsy maintsy ahemotra amin’ny taona 2021 ny “Rugby Tsinjaka Be”. “Goavana ny hetsika ka tsy azo atao kitoatoa ny fanomanana”, hoy Rakotomanalina Jean Olivier (Veve), tomponandraikitry ny SPC Press Evenement, mpikarakara.  Gazety Taratra (*): Tapitra ny fihibohana, hanao ahoana ny “Rugby Tsinjaka Be”?Rakotomanalaina Jean Olivier (Veve) (-): Ara-bakiteny ny fahataperany fa ny fepetra ara-pahasalamana, mbola mitoetra. Noho izany, miantso ny mpanao fanatanjahantena rehetra hanaja ireo fenitra napetraky ny fitondrana. Ho an’ny “Rugby Tsinjaka Be”, tsy maintsy nahemotra satria tsy ho tratra ny fikarakarana ny hetsika, izay ho goavana noho ny fankalazana ny fahadimy taon’ny SPC Press Evenement, mpikarakara.*Raha hihemotra, hotanterahina amin’ny fotoana mahazatra ihany ve?– Ezahinay mpikarakara hotanterahina amin’ny taona 2021 ity andiany fahadimy ity, ary hotazonina amin’ny fotoana efa mahazatra ireo mpankafy ny “Rugby Tsinjaka Be” izany, ny volana septambra na ny oktobra.* Hisy fiavahana amin’ireo andiany efa vita ve ity hatao amin’ny taona ho avy ity?– Tena hiavaka tokoa satria handray anjara ny Makis de Madagascar ka hifandona amin’ny RC Toulon, Frantsa. Fiaraha-miasa amin’ny Malagasy rugby io, izay angatahina fankatoavana ary isaorana manokana satria nanampy hatrany ny “Rugby Tsinjaka Be”. Efa tontosa tamin’ity ny fifanarahana, saingy tsy raikitra ny lalao noho ny Covid-19.*Hanao ahoana àry ny ho fisehon’ny hetsika amin’izany?– Fampiarahana ny baolina lavalava sy ny rindran-kira ny “Rugby Tsinjaka Be”. Amin’ity, hisy andian-javatra maro, mety handeha irery ny hirahira, toy izany koa ny fanatanjahantena, nefa mety hiara-dalana toy ny mahazatra. Hatao ao anaty toerana iray ireo rehetra ireo. Ankoatra izay, hisy taranja hafa handray anjara. Ho goavambe ny amboara fa tsy hijanona amin’ny lelavola sy omby mifaha, toy ny mahazatra fotsiny.*: Inona ny hafatra ho an’ny mpankafy?-: Manome toky anareo ny SPC Press Evenement fa hetsika tsara sy miavaka tsy mbola fahita hatramin’izay ny hatolotra amin’ny 2021. Tsy avelantsika handalo fotsiny io fahadimy taona io fa tena hatao misongadina. Mankahery ny rehetra hitandrina hatrany ary hanaraka ny fepetra ara-pahasalamana fa tsy mbola resy tanteraka akory ny Covid-19 hahazoantsika mifety tsara amin’ny taona ho avy.Dinika nangonin’i TorcelinL’article “Rugby Tsinjaka Be”: Hidona ny Makis de Madagascar sy ny RC Toulon a été récupéré chez Newsmada.

“Hanitr’i Eva”: poeta 5 vavy hamelona ny antsa
29/10/2020

 Andriambavilanitra 5, poetan’ny ankehitriny no hitondra ny “Hanitr’i Eva” etsy amin’ny sekoly Cendrillon Soavimasoandro, ny alahady 1 novambra, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Hitondra ny fijeriny mahakasika an’i Eva izy ireo amin’io fotoana io. “ Tsy i Eva ilay namadika an’i Adama akory ny vehivavy…  Manana ny hanitra ho azy ihany koa i Eva, ary havoitranay ao anatin’ny sanganasa izany”, hoy i Tsiaro ny Fitia. Lohahevitra maro no holalaovina amin’io andro io. Fitiavana misandrahaka amin’ny alahelo, ny ranomaso, ny tsiky, ny fahafatesana. Hovelomin-dry Tsiaro, Miritsoka, Antso fy Tia, Natiora ary i Larissa Ramanitriniaina izany.  Eo koa ny fanentanana sy ny fandravahana ny seho amin’ny alalan’ny dihy, iarahana amin-dRabefitia.   Raha ny 26 marsa 2020 teo no saika hanaovana ny seho “Hanitr’i Eva”… Nihantona izany noho ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fihibohana vokatry ny fidiran’ny valanaretina teto ary izao hotanterahina izao amin’izany.NarilalaL’article “Hanitr’i Eva”: poeta 5 vavy hamelona ny antsa a été récupéré chez Newsmada.

Mirongatra ny asa fampihorohoroana any Frantsa: olona telo maty voatsatoka antsy tany Nice
30/10/2020

 Olona telo namoy ny ainy, maty voatsatoka antsy, tao amin’ny fiangonana Basilique Notre-Dame de l’Assomption, any Nice, omaly tokony ho tamin’ny 9 ora maraina. Vehivavy ny roa ary lehilahy mpiambina ilay fiangonana ny fahatelo.Manodidina ny 70 taona any ho any ny iray amin’ireto vehivavy namoy ny ainy. Maty voarasa antsy, tahaka ny nahazo an’i Samuel Paty, ilay mpampianatra, tantara sy jeografia tao amin’ny kolejy Bois d’Aulne, Conflans-Sainte-Honorine (Yvelines), ny 16 oktobra teo. Mbola afaka nitsoaka kosa ilay vehivavy fahatelo, 30 taona eo ho eo, saingy nilofika ary namoy ny ainy, noho ny ratra mafy nahazo azy.Tovolahy, manodidina ny 25 taona, miendrika Afrikanina Tavaratra, mahay miteny frantsay tsara, ilay nahavanon-doza. Nandritra ny namonoany ireo olona telo ireo, tsy nitsahatra niantsoantso “Allah Akbar” izy. Azo an-tsaina amin’izany ny mety ho foto-pinoana arahiny. Voasambotra ihany izy io, saingy naratra mafy noho ny tifitra nataon’ny polisy azy, ary nentina notsaboina tany amin’ny hopitaly.Adiny roa taorian’io tranga io, nisy fikasana hamono olona tamin’ny alalan’ny tsatoka antsy ihany koa tany Avignon, saingy nandamoka. Maty voatifitry ny polisy frantsay mantsy ilay tompon’antoka, raha iny izy teo am-panambanana antsy olona iray iny indrindra.Araka izany, mihorohoro fatratra amin’ny asa fampihorohoroana izay tsapa fa mirongatra dia mirongatra tokoa ny vahoaka frantsay tato ho ato.M.R.L’article Mirongatra ny asa fampihorohoroana any Frantsa: olona telo maty voatsatoka antsy tany Nice a été récupéré chez Newsmada.

Fikoloana talentan’ny ankizy: dimy taona ny « School Art »
24/10/2020

Taona 2015… Taona 2020 ! Dimy taona nisiana ny School Art, naorin’i Nofy Ramiadason. Manofana ankizy ho tonga matihanina eo amin’ny tontolon’ny zavakanto amin’ny alalan’ny fampianarana omena azy ireo. Hanomezan-danja ny talentan’ny tsirairay eo amin’ny se­hatry ny zavakanto izany. Hi­derana an’Andriamanitra iha­ny koa, raha ny nambarany. Misy mpampianatra valo mianadahy ao amin’ny sekoly ankehitriny. Nanomboka ta­min’ny fampianarana sary, niitatra tamina zavakanto hafa maro, toy ny dihy, ny mozika, ny teatra …. “Tanjona ny hikolokoloana ny talenta hoentina hiderana an’Andriamanitra, hanomezana voninahitra ny anarany Masina eo amin’ny fiainana satria izy no mpanome ny talenta…”, hoy i Nofy Ra­mia­dason, nanazava ny an­tom-pisian’ny sekoly sy ny nanorenany azy. Azon’ny rehetra idirana ny sekoly fa tsy mifidy finoana na anaram-pivavahana, ho an’izay te hampitombo talenta sy hikolokolo izany. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra ihany koa izy ireo, amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera “facebook” pejy “School Art” sy ny kaonty facebook “Nofy Ram”. Etsy Anosisoa Ambohimanarina no misy ity toeram-pampianarana zavakanto marolafy ity. Ny tsy fahampian’ny ivontoerana na sekoly manofana na mamolavola ankizy no singa iray mamparefo ny kolontsaina, indrindra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto.NarilalaL’article Fikoloana talentan’ny ankizy: dimy taona ny « School Art » a été récupéré chez Newsmada.

Hentitra ny prefet sy ny governoran’Analamanga: “Hosazina avokoa ireo tsy manao arovava orona…”
26/10/2020

Tsy hisangy na hamela ny gaboraraka amin’izao ny fanjakana na efa foana aza ny hamehana ara-pahasalamana. Namoaka didy ny eo anivon’ny prefektioran’Antananarivo sy ny governoran’Analamanga fa hilatsaka ny sazy amin’ireo tsy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana.Nanterin’ny fanambarana  fa tsy maintsy hajaina sy harahina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana na ilay antsoina hoe: “gestes barrières” rehetra hisorohana ny fihanaky ny tsimokaretina Covid-19. «Didina ny tsy maintsy anaovana arovava orona. Hiteraka sazy amin’ny alalan’ny fanaovana asa iombonana ny tsy fanarahana izany fepetra izany ho an’ny eto Antananarivo sy ny faritra Analamanga manontolo », hoy ny fanambarana ny faran’ny herinandro teo. Nialohavan’ny fifampidihinana teo amin’ny roa tonta izany famohanana didy sy ny tsy maintsy mbola hanajana ny fepetra izany.Ho avy amin’ny angady sy ny harona ary ny kifafaMidika izany fa efa eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana izany toromarika avy amin’ny prefektiora sy ny fiadidiana ny faritra  izany ka ho avy amin’ny angady sy ny harona ary ny kifafa indray izy ireo, manomboka anio. Hanasazy ireo tsy manaraka fepetra na eny an-dalana na anaty fiara fitaterana…Efa mivaha tanteraka sy tsy voahaja intsony ireo fepetra taorian’ny nanambaran’ny filoham-pirenena fa foana ny hamehana ara-pahasalamana. Tsy ny eto an-dRenivohitra na ny manodidina ihany fa any amin’ireo faritra mbola ahina ny ho fihanaky ny valanaretina.Tokony samy handray fepetra koa ny any amin’ny faritraTokony samy ho hentitra handray fepetra, tahaka izany, koa ireo any amin’ireny distrika sy faritra ireny, araka ny efa nanambaran’ny filoha izany.Mazava ny teny famerimberin’ny tompon’andraikitra. « Aza ny sazy sy ny mpitandro filaminana no atahorana fa fiarovana ny tenanao sy ny hafa ». Tsy mbola fantatra rahateo ny fotoana tena haharesena tanteraka io valanaretina io.Synèse R. L’article Hentitra ny prefet sy ny governoran’Analamanga: “Hosazina avokoa ireo tsy manao arovava orona…” a été récupéré chez Newsmada.

Eran-tany
28/10/2020

Nampihena betsaka ny fampiasam-bola maneran-tany tamin’ity taona ity ny fisian’ny aretina Covid-19. Nihena -30 % izany hatramin’ny 40 %, araka ny fanamarinana navoakan’ny sampana ao amin’ny Firenena mikambana misahana ny varotra sy ny fampandrosoana, Cnuced (Conférence des Nations unies pour le commerce et le développement). Raha ny nambaran’ny Cnuced aza, latsaka – 49 % mihitsy tamin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity izany raha ampitahana tamin’ny taon-dasa. Voakasika daholo izay mety sehatra tokony nampiasam-bola.Nifanaraka i Japana sy Angletera hanatevina ny fifanakalozana ara-barotra aorian’izao Coronavirus izao. Mihevitra ny hampitombo izany fifanakalozana izany ho 50 % ny firenena roa tonta. Hifanakalozana amin’izany ny sehatry ny teknolojia vaovao, ny kojakojana fiarakodia, hatramin’ny fromazy. Mitovitovy amin’izany koa ny fifanarahana eo amin’i Japana sy ny Vondrona eoropeanina, fifanakalozana mitentina 16,8 miliara dolara. Mijery sy mamaritra lavitra i Japana, manao fifanarahana manokana amin’i Angleteera noho ny fisintahan’ity firenena ity amina Vondrona eoropeanina (Brexit).Loza mitatao amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny fiovan’ny toetr’andro, ka hivadika tsikelikely miova amin’ny fampiasana solika ny kandida Joe Biden, any Etazonia. Nanambara ny finiavany amin’izany ny kandida filoha amerikanina, izay toherin’ny mpifaninana aminy, Donald Trump, filoha ankehitriny. Mihevitra hanapotika ny indostria momba ny solika ny kandida Joe Biden. Tsy laviny ny fanovàna miandalana amin’ny indostria momba ny solika ,  izay mbola iankinan’ny toekarena betsaka ankehitriny.  Koa miteraka fatiantoka ho an’ny firenena maro ny fiovana miala amin’ny solika.L’article Eran-tany a été récupéré chez Newsmada.

Lany ny tahirin’ny mpivarotra: tafakatra 950 Ar ny kapoakan’ny vary any Androy
30/10/2020

  “Efa tafakatra 950 Ar kapoakan’ny vary any amin’ny faritra Androy amin’izao fotoana izao nefa vary tsy manana kalitao tsara akory, 500 Ar kosa ny katsaka iray kapoaka raha 120 Ar amin’ny andavanandro”, hoy ny tomponandraikitry ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena miasa ho an’ny fanjarian-tsakafo Hina any Androy, i Ndrohiza Odile. Anisan’ny mandray anjara amin’ny fanisana ireo tena marefo ny mpikambana amin’ny Vovonana amin’izao fotoana izao ka mitety trano. Ny zavatra tsapa, ny mpiasam-panjakana sy ireo miasa amin’ny tetikasa matanjaka ihany sisa tsy marefo fa miantraika amin’ny sarambabem-bahoaka ny fahasahiranana. Noho ny tsy fisian’ny orana tao anatin’ny herintaona, maty avokoa ny voly nantenaina hiakatra ka ifampitadiavana ny sakafo eny an-tsena. Vary sy katsaka avy any Taolagnaro ny mamatsy ny tsena ka lany ny tahirin’ny mpivarotra ankehitriny. Efa niditra an-tsehatra ny mpiray ombon’antoka toy ny Pam, ny Unicef sy ny Ofisim-paritra misahana ny fanjarian-tsakafo (ORN) nitondra sakafo ho an’ireo tena marefo. Raha tiana hivaha ny olana ka tsy hiverina isan-taona ny tsy fahampian-tsakafo any Androy, ny fahazoana rano hambolena sy hampiasaina isan’andro ary ny fanamboarana ny lalana mampifandray ny kaominina sy ny distrika rehetra no tokony himasoana, araka ny heviny. Misy ny soso-kevitra hitarihana ny reniranon’Ifaho ho an’ny Androy izay mety ho lafo sy haharitra an-taony vao ho tanteraka. Vahaolana akaiky ny fanaovana vovo isam-pokontany ahafahan’ny fikambanam-behivavy miasa sy mivelona milamina.Vonjy AL’article Lany ny tahirin’ny mpivarotra: tafakatra 950 Ar ny kapoakan’ny vary any Androy a été récupéré chez Newsmada.

Saron’ny polisy teny Sadabe, Talatavolonondry: mahavita hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo jiolahy
29/10/2020

   Voasambotry ny polisy ny talata teo, ary efa naiditra am-ponja avy hatrany ny lehilahy iray ao anatina fikambanan-jiolahy mpanao vola sandoka efa nokarohana hatramin’ny taona 2018.Araka ny tatitra nampitain’ny polisy avy ao amin’ny Brigade criminelle, sakelika fahefatra nandray an-tanana ity raharaha ity, efa kalaza amin’ny fanaovana vola sandoka tokoa ity lehilahy iray ity. Anisan’ny ao anatin’ny Fikambanan-jiolahy malaza mpanao vola sandoka, izay efa nokarohin’ny polisy hatrany amin’ny taona 2018 izy io, saingy izao vao sarona. Loharanom-baovao azon’ny BC 4 avy tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana ny toerana misy azy, eny Sadabe, Talatavolonondry. Nosokafana ny fanadihadiana sy famotorana ary nidina ifotony avy hatrany teny an-toerana ireto farany, ny talata 27 oktobra teo. Hita tokoa ilay trano voalaza fa misy ireo jiolahy mpanao vola sandoka, saingy tamin’io fotoana nahatongavan’ny polisy teny, efa tsy nisy olona intsony tao an-toerana.Milina avo lenta…Na izany aza, niroso tamin’ny sava hao ilay trano ny polisy ka nandritra izany no nahasaronana ireo fitaovana maro samihafa. Anisan’izany, ohatra, ny ordinatera, “imprimante” izay tena avo lenta tokoa, raha ny voalaza, ankoatra ny singa sy kojakoja hafa fampiasany. Fantatra tamin’izany, fa ahavitan-dry zalahy hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo fitaovana ireo, izay efa nahatratra enina gony be izao. Nogiazana avy hatrany ireo entana ary nentina eny amin’ny biraon’ny BC4 hatao porofo atolotra ny fitsarana. Ilay lehilahy iray, naman’ilay tompon-trano moa, araka ny voalaza ery ambony no voasambotra tamin’io fotoana io, ary efa naiditra any am-ponja taorian’ny nanolorana azy ny fampanoavana. Tsy mijanona hatreo, araka ny voalaza, ny fanadihadiana sy famotorana ataon’ny polisin’ny BC 4 mikasika ity raharaha ity fa mbola hitohy.M.RL’article Saron’ny polisy teny Sadabe, Talatavolonondry: mahavita hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo jiolahy a été récupéré chez Newsmada.

Volley-CAVB: lany ho filoha ramatoa Bouchra Hajjij
27/10/2020

Tontosa soa aman-tsara, omaly, ny fifidianana eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina ny volley ball. Lany ho filoha hitantana mandritra fe-potoana fitondrana manaraka ramatoa Bouchra Hajjij, filohan’ny federasiona maraokanina ny taranja volley ball. Isam-bato 42 no ho 12, nanoloana ny Dr Amr Elwani, filoha nitantana teo alohany, ny azon’i Bouchra Hajjij, nandritra ny fifidianana, natao tamin’ny alalan’ny “visio-conférence”. Marihina fa nanomboka ny 24 oktobra teo ny kongresin’ny CAVB ka federasiona avy amin’ny firenena miisa 51 eto Afrika ny niatrika izany tany am-panombohana. 53 kosa ireo filohana federasiona nanatanteraka ny fifidianana, omaly alatsinainy, ary isan’izany ny filohan’ny federasiona malagasy ny volley Ball, Andriamanantena Tahiana Nirina. Tsy nanadino ny niarahaba ity filoha vaovaon’ny CAVB ity ny filohan’ny FMVB, i Tahiana Nirina, ary nirary soa azy. Tsiahivina fa firenena telo ny tsy niatrika ny kongresy (i Djibouti, i Erithré ary i Ginea), saingy firenena iray ihany kosa ny tsy nanatanteraka ny fifidianana, omaly.Nialoha ny fifidianana, nisy ny tatitra nataon’ny mpitantana teo aloha, mahakasika ny zava-bita nandritra ny fotoam-piasan’ny Dr Amr Elwani sy ny mpikambana niaraka aminy. Ankoatra ny zava-bita, nisy koa ny tatitra vola, efa fanao rehefa tapitra toy izao ny fotoam-piasana. Samy miandrandra fampandrosoana ho an’ny taranja volley ball eto Afrika ireo federasiona, amin’izao nahazoana filoha mpitantana vaovao sady vehivavy izao.Mi.RazL’article Volley-CAVB: lany ho filoha ramatoa Bouchra Hajjij a été récupéré chez Newsmada.

Mahery vaika ny valanaretina: niverina nihiboka noho ny Covid-19 ny any Frantsa
30/10/2020

  Tratry ny tampody fohy. Tsy azo ialana noho ny fahamaroan’ireo tranga vaovao sy ny fiakaran’ny isan’ireo lavon’ny covid-19 ny fanapahan-kevitry ny mpitondra any Frantsa. Tsy maintsy niverina nihiboka indray ny any an-toerana, manomboka anio, araka ny fanambaran’ny filoha frantsay, i Emmanuel Macron, afakomaly alina. “Anisan’ny fomba iray hiadiana sy hisakanana ny fihanaky ny valanaretina izany”, hoy izy.Na izany aza anefa, mbola manohy ny fianarana any an-tsekoly ireo mpianatra. Azo atao koa ny mamangy ireo toerana na foibe itaizana ireo zokiolona. Nilatsaka koa ny didy fa voarara tanteraka ny fivorivoriana ankalamanjana sy ny ivelan’ny fianakaviana.Hihiboka iray volana izany ny any FrantsaTsy maintsy mitondra taratasy fanamarinana “attestation” amin’ny fivoahana na ny fivezivezena ivelan’ny trano fonenana ireo mponina. Mikatona ho an’ny firenena hafa, ankoatra ny ao Eoropa, ny any Frantsa. Ampahany amin’ireo fepetra samihafa noraisin’ny fitondrana frantsay izany, manoloana izao fiverenan’ny Covid-19 any an-toerana izao. Tsy mbola tafiditra ao anatin’izany fepetra izany kosa anefa ireo departemanta ivelan’i Frantsa.Tsiahivina fa hifarana ny 1 desambra, izany hoe haharitra iray volana, izao fihibohana any Frantsa izao.Tsy faly amin’i Frantsa ireo silamoEtsy andaniny, tsy faly amin’i Frantsa ireo firenena silamo noho ny ambaran’izy ireo fa fanimbazimbana ny finoan’izy ireo amin’ny alalan’ny nanaovana sariitatra ny mpaminany Mahomet. Resaka hafa koa izany, ankoatra ny covid-19…Synèse R.L’article Mahery vaika ny valanaretina: niverina nihiboka noho ny Covid-19 ny any Frantsa a été récupéré chez Newsmada.

Faritra Anosy sy Androy: nojeren’ny minisiteran’ny Indostria ny momba ny kere
27/10/2020

 Ny 23 sy ny 24 oktobra teo, nitarika atrikasa tany amin’ny faritra Anosy ny minisitry ny Indostria, ny varotra sy ny asa tanana (Mica), Rakotomalala Lantosoa. Atrikasa hiatrehana ny kere any atsimo, araka ny toromariky ny filohan’ny Repoblika, ny natao tamin’izany, niarahana amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana.Anisan’ny laharam-pahamehana ny famatsiana ireo zavatra ilaina andavanandro (PPN) any amin’ny faritra hamahana ny olana sy hanamorana ny fizarana izany any amin’ny faritra Anosy sy Androy, amin’ny vidiny rariny. Nandritra izany fotoana izany, nohararaotin’ny minisitra ny fandalovana amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala, nandraisana kaontenera 150, izay tsy ho tapaka isaky ny telo volana. Ny 75 % amin’ireo PPN ireo tonga tao amin’ny seranan-tsambo. Nitarika fivoriana niaraka amin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana ny minisitra. Hatao izay fomba rehetra hizarana izany ara-drariny ho an’ireo faritra roa ireo.Fepetra noraisina koa ny fiarovana ny mpanjifa, nizahana ireo entana any amin’ny mpamongady, ny fizahana natao tampoka. Hita ary nakatona tamin’izany ireo tranombarotra lehibe tsy manana antontan-taratasy, manamarina fa afaka mampisondrotra ny vidin-javatra. Nisy koa ny fihaonana amin’ireo mpanao asa tanana, nifanakalozan-kevitra hitadiavana lalam-barotra. Namaranana ny fitsidihan’ny minisitra Rakotomalala Lantosoa, nitsidika ny orinasa mpanodina vokatry ny fambolena, anisan’ny vahaolana amin’ny ady amin’ny faharatsian-tsakafo.R.MathieuL’article Faritra Anosy sy Androy: nojeren’ny minisiteran’ny Indostria ny momba ny kere a été récupéré chez Newsmada.