Escrime-Fiofanana: 14 mianadahy miofana ho mpanazatra “niveau 1”

News - Escrime-Fiofanana: 14 mianadahy miofana ho mpanazatra “niveau 1”

News - Escrime-Fiofanana: 14 mianadahy miofana ho mpanazatra “niveau 1”

Miofana ho mpanazatra “niveau 1”,
nanomboka ny asabotsy lasa teo, etsy amin’ny kianja
mitafon’Ankorondrano, ireo teknisianina eo anivon’ny taranja
escrime. Miisa 14 mianadahy izy ireo ny miatrika izany, mandritra
ny 10 andro, izany hoe, haharitra hatramin’ny 21 septambra izao ny
fiofanana. Fiaraha-miasa eo amin’ny Komity olympika malagasy sy
federasiona iraisam-pirenena ny taranja escrime ary ny federasiona
malagasy ny escrime ity fifampizarana ity. Mpampiofana manana
traikefa ny manome ny fiofanana, ahitana an-dRamanadraivonona
Elinjara Luc, sy ny maitre Faly, samy manampahaizana
iraisam-pirenena malagasy.

Ilaina ny fanomezana fampiofanana
toy izao eo amin’ity taranja ity satria efa manomboka mivoatra ny
escrime eto amintsika, raha ny nambaran’ireo mpiofana. Mbola vitsy
rahateo ny mpanazatra eto Madagasikara ho an’ity taranja ity kanefa
efa manomboka mitombo ireo atleta miangaly izany. Isan’izany i
Jolan izay efa niatrika fiadiana ny tompondaka an’i Afrika. Araka
ny fanazavana, mizara roa ny fampiofanana ka misy ny an-tsoratra
ary misy kosa ny fampiharana, hidinana mihitsy an-kianja.

 

Mi.Raz

Article tiré de Newsmada

L’article Escrime-Fiofanana: 14 mianadahy miofana ho mpanazatra “niveau 1” a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kitra ho an’ny zaza sahirana: nanjaka ny SOS Village d’enfant

Tontosa, ny asabotsy 13 jolay 2019, tao amin’ny kianja Grand séminaire Faliarivo Ambanidia, ireo lalao famaranana, baolina kitra, nifandrinan’ireo ankizy sahirana sy kamboty, sahanin’ireo fikambanana maro samihafa eto Antananarivo Renivohitra. Miisa 11 ny isan’ny fikambanana nandray anjara tamin’izany, nisy sokajy enina: ny «poussin», ny «benjamin», ny «minime», ny «cadet», ny «junior» ary ny «féminine». Tamin’ny ankapobeny, nanjakan’ny SOS Village d’enfant ny fihaonana satria lasan’izy ireo avokoa ny fandresena efatra tamin’ireo sokajy nifaninanany. Anisan’izany ny teo amin’ny «poussin», nanilihany ny Enda, tamin’ny fandakana ny «tirs au but», 3 no ho 2. Nibata amboara iray avy kosa ny Enfants du soleil sy ny Soafaniry.  Nambaran’ny filoha mpitantana ny fifaninanana fa isan’ireo fomba entina hanabeazana ny ankizy hahay hiditra any amin’ny fiarahamonina ny tanjon’ny fihaonana. Ankoatra ireo, entina hikoloana ny sain’ireo ankizy fa miankina amin’ny ezaky ny tsirairay sy ny fahaizana miaraka amin’ny besinimaro ny fahombiazana. TompondakaL’article Kitra ho an’ny zaza sahirana: nanjaka ny SOS Village d’enfant a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

KMF/Cnoe: “Alefaso aloha ny fifidianana”

“Ho anay, tsy ratsy ny fifampidinihana. Saingy tsy misy antony tokony hifampidinihana io, fa alefaso aloha ny fifidianana. Raha hifampidinika, aleo aloha vitaina ny fifidianana eny anivon’ny kaominina; avy eo, mifampidinika: ahoana amin’izay ny hitondrana ny fifidianana manomboka eo?” hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, Andriamalazaray Andoniaina. Raha ny tena izy, tokony ho tamin’ny 31 jolay no natao io fifidianana io. Satria tamin’ny 15 jolay 2015 ny fifidianana monisipaly sy kaominaly. Tamin’izany no efa fantatra fa efa-taona ny fe-potoam-piasana.Na inona na inona hatao eo, tsy misy fifidianana tonga lafatra izany. Araka ny fanambarana misesisesy efa nataon’ny KMF/Cnoe, hatrany amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika no efa niresahana an’izay: tsy misy ny hala-bato, fa ny hosoka no tena misy. Tsy misy afa-tsy ao amin’ny lisitry ny mpifidy ny fomba fanaovana hosoka tena mahomby indrindra.Mila fahazoan-dalana hikitika lisi-pifidianana ny CeniTsy afa-manao hosoka ireo te hanao izany, raha mandeha mifidy avokoa ny olom-pirenena tokony hifidy. “Ny olana: tsy miasa saina isika, fa rehefa vita ny fifidianana vao mimenomenona”, hoy izy. Vokany, afa-manao hosoka ny mpanao izany. Ny Ceni koa manao ny atao. Amin’izao, tsy misy lalàna mivoaka manome alalana azy hikitika lisi-pifidianana, nefa sahiny manao izany.Raha misy ny fifampidinihana, tokony homen’ny fitondram-panjakana alalana aloha ny Ceni hahazoany mikitika ny lisitry ny mpifidy. Satria tsy ara-dalàna ny fikitikitihana ny lisitry ny mpifidy ataony amin’izao.Nambarany koa fa misy ny tsy fahavononana hanao fifidianana, satria tsy manana kandidà ny sasany: matahotra sao tsy voafidy ny olony. “Raha hatao amin’ity taona ity ihany ny fifidianana, tokony ho amin’ny tapaky ny volana novambra”. hoy ihany izy. Tokony ho amin’ity tapaky ny volana ity izany ny fihaikana mpifidy.R.Nd. L’article KMF/Cnoe: “Alefaso aloha ny fifidianana” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Volley-ball: resy teo amin’ny famaranana avokoa ny lahy sy ny vavy

Tsy namokatra, ny ekipam-pirenena malagasy, teo amin’ny taranja volley-ball. Samy resy teo amin’ny famaranana avoko mantsy, ny lehilahy sy ny vehivavy, tamin’ity. Fihaonana, notanterahina, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja mitafon’i Pandit Sahadeo, ao Vacoas. Teo amin’ny vehivavy, resin’i Seychelles, tamin’ny seta 3 no ho 2 ny Malagasy. Efa nitarika tamin’ny seta 2 no ho 0, anefa ry Melissa, sy ny namany, tamin’ity.Nihevitra ny rehetra fa ho lasan’ny Malagasy ny fandresena. Nanohitra hatramin’ny farany anefa ny Seiseloazy, ka nosahalainy, ho 2 sy 2 ny seta. Voatery niditra teo amin’ny “tie-break”, ny roa tonta. Mbola niseho indray anefa ny traikefan’i Seychelles, ka lasany mihitsy ny fandresena farany.Nomontsanin’i Maorisy, tamin’ny seta, 3 no ho 0 kosa ny Malagasy, teo amin’ny sokajy lehilahy. (25/16 ; 25/22 ; 25/18), niafaran’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta. Tsy nampino ny rehetra, ny fizotran’ny lalao satria tsy afaka nanohitra mihitsy ry Manou sy ry Andry, niampy an-dry Mamizara sy i Fenozara. Teo amin’ny seta faharoa, no saika azon’ny Malagasy saingy, betsaka loatra ny fikoropahana, ka nahaverivery ny baolina. Nahazo ny medaly alimo, teo amin’ny vehivavy, i Maorisy raha Seychelles, teo amin’ny lehilahy. Tompondaka L’article Volley-ball: resy teo amin’ny famaranana avokoa ny lahy sy ny vavy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Fifidianana ho filohan’ny FMF: hanomboka anio ny fampielezan-kevitra

Araka ny tetiandro napetraky ny “comité de normalisation”, eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra, hanomboka amin’ity alakamisy 8 aogositra ity, ny fampielezan-kevitra, hataon’ireo kandidà dimy mirahalahy mianaka, hirotsaka hofidina ho filohan’ny federasiona (FMF). Hanoloran’izy ireo ny fandaharanasany, enti-mampandroso ny baolina kitra, ary handreseny lahatra ireo filohana ligy miisa 22, mpandatsa-bato.Manana anjara fitenenana 5 mn avy ao amin’ny onjam-peo sy ny fahitalavi-pirenena, izy ireo izay tsy handoavana vola,  Arakaraka ny filaharany ao anaty biletà tokana, izany fandraisam-pitenenana izany. Raha tsiahivina, laharana voalohany, Rabekoto Raoul Arizaka Romain, faharoa, i Mohamad Abdillah Abdou ary fahatelo, Andriamiasasoa Doda. Fahefatra, Rasoamaromaka Hery ary fahadimy, Rakotomamonjy Neypatraiky. Ankoatra izay, hisy ady hevitra mivantana “savaravina manokana”, hataon’ireo kandidà mpifaninana ireo, ny alahady 18 aogositra, ho avy izao, ao amin’ny RNM, izay hahafahan’ireo mpihaino miditra an-tariby, mametraka fanontaniana amin’izy ireo. Toy izany koa ny ao amin’ny fahitalavi-pirenena izay hisian’ny kianja manokana, ny alatsinainy 19 aogositra, ho avy izao. Marihina, fa hifarana ny 22 aogositra, izany fampielezan-kevitra, izany. TompondakaL’article Kitra – Fifidianana ho filohan’ny FMF: hanomboka anio ny fampielezan-kevitra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady amin’ny kolikoly: mitarazoka ny fanendrena ny tale  jeneralin’ny Bianco

Tsy mazava ny antony mampihisatra. Banga efa ho iray volana izao ny toeran’ny tale jeneralin’ny Bianco. Tapitra tamin’ny 24 jona teo ny fe-potoam-piasan’ny teo aloha, Andriamifidy Jean-Louis, nefa tsy mbola voatendry hatramin’izao ny hisolo ny toerany. Efa nahavita ny adidiny sy ny andraikitra nankinina aminy ny eo anivon’ny Komity miaro ny fahitsiana (CSI) nanao ny fikarakarana sy ny fijerena ny antontan-taratasy ho an’ireo nirotsaka hotendrena amin’izany. Anisan’ny anjara andraikitra nankinina taminy ny nanangana ny komity nifantina ireo ho amin’izany toerana izany. Hatreto, telo ireo hany voafantina farany tokony hotendrena ho tale jeneralin’ny Bianco ka ahitana mpitsara roa sy manamboninahitra ambony iray.Efa voatendry amin’ny andraikitra hafa any Afrika Tsiahivina fa anjaran’ny filoham-pirenena ny manendry izany ho tompon’andraikitra voalohany amin’ny ady amin’ny kolikoly izany. Tsy mbola voatendry anefa izany  hatramin’izao.Marihina fa efa voatendry amin’ny toerana hafa any ivelany, hisahana an’i Afrika momba ny ady amin’ny kolikoly, ny tale jeneraly teo aloha ny Bianco, Andriamifidy Jean-Louis.Synèse R.   L’article Ady amin’ny kolikoly: mitarazoka ny fanendrena ny tale  jeneralin’ny Bianco a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Nikasi-tanana vehivavy bevohoka: nesorina amin’ny andraikiny ilay zandary

Taorian’ny feo fanairana sy niparitaka tao amin’ny tambajotran-tserasera, afakomaly, mahakasika ilay zandary nikasi-tanana vehivavy bevohoka iray, nisokatra avy hatrany ny fanadihadiana sy ny famotorana. Vokany, voamarina ilay tranga niseho tao Ankarimbe, distrikan’Analalava, ny marain’ny alatsinainy teo. « Nosazina, araka izany, ilay zandary nandika fitsipika sy nanao herisetra na tsy nitory azy aza ilay voakasi-tanana », hoy ny fanazavan’ny Zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao. Fantatra fa zandary, lehiben’ny « poste fixe » ao Ankarimbe, izy ary nesorina aminy izany andraikiny izany.Tsiahivina fa nifanena tamina ramatoa iray tsy nanao arotava io zandary io. Nanevateva azy rehefa noteneniny mikasika izany ilay vehivavy. Tsy nahatanty izany anefa ilay lehiben’ny “poste fixe” ka namelaka ilay ramatoa. « Nangataka sazy hafa rehefa tsy nanaiky nanao “pompe” ilay vehivavy noho izy bevohoka. Fihetsika nahatezitra ilay zandary izany. Nofelahiny ilay vehivavy ka torana », hoy ny filazan’ny loaharanom-baovao iray hafa. Raha ny vaovao farany, hanao fanambarana mahakasika ny tranga ilay ramatoa niharam-boina io ao Ambanja.Nanome baiko hentitra sy fampitandremana ny zandary manerana ny Nosy, araka izany, ny Zandarimaria ary maneho koa fialan-tsiny feno amin’ilay renim-pianakviana. Manentana ny rehetra izy ireo hifandray amin’ny « service de traitement des doléances de la gendarmerie » amin’ny laharana 034 12 005 25 na ny 034 14 013 88 raha misy seho na tranga toy izao.Henintsoa HaniL’article Nikasi-tanana vehivavy bevohoka: nesorina amin’ny andraikiny ilay zandary a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

FAKAFAKA: ho fanatsarana ny literatiora malagasy

Ahitsy ny fiheverana fa ny literatiora dia tsy fialamboly fotsiny ihany na fanalana andro fa tena fiainana mihitsy. Ampirisihina ny ankizy hamaky boky, indrindra ny literatiora fahiny, ary ampidirina amin’ny fandaharam-pianarana ny fototra sy tantaran’ny literatiora malagasy. Hatsangana ny sekoly manokana ho an’ny zava-kanto malagasy … Miroborobo, saingy tsy mivoatra fa mihemotra ny literatiora ankehitriny.  Tsy ampy ny  ivontoerana na fampianarana manokana mikolokolo ny tanora amin’ny sehatry ny zavakanto.  Zary lasa mandeha amin’ny herin’ny tenany ny mpanoratra amin’izao ka tsy maharitra ela fa mandalo ihany ny hazavana entiny. Rahateo, efa nampianarina antsika tany amin’ny ambaratonga fototra fa ny “literatiora dia natao hanalana andro, fialamboly”.Andaniny, tsy ampy ny faribolan-tsehatra hifampizarana, indrindra ny takalo eo amin’ny zoky sy ny zandry.  Ny zandry aty aoriana , mieritreritra efa mahasongona sahady ireo zokiny, ny zokiny rahateo tsy manao dingana voalohany amin’ny zandriny «  araka ny lalàn’ny fiarahamonina tokoa izay » . Amin’izaovanimpotoana izao, mifamahofaho be ihany ny resaka mpanoratra, ny fanoratsoratana ainga aparitaka etsy sy eroa , indrindra amin’ny tambajotran-tserasera sy ny fanaovana hetsika tsy masaka tsara. Ny famoaham-boky tefy maika ve no mahafaritra ny antsoina hoe Mpanoratra na poeta ?  Tsy misy hifanomezan-tsiny … Tsy misy handrara tsy hanoratra velively … Aina ho an’ny firenena rahateo ny literatiora ary voninahitra ny fananana mpanoratra maro …. Fa mpanoratra manao ahoana tokoa ny hovolavolain’ity taom-polo ity?”Manana adidy ny tsirairay na ny fanjakana na ny olontsotra mpamaky boky, indrindra ny mpanoratra sy ny mpandalina literatiora. Anisan’ny vahaolana amin’izao aretin’ny literatiora izao, ny fanarenana ifotony. Ampahafantarina ny ankizy any amin’ny garabola sy ny fanabeazana fototra ny anjara asan’ny literatiora sy ny maha zava-dehibe azy eo anivon’ny firenena sy ny maha olona. Ampahany ihany ireo fa maro ny azo atao hanatsarana ny tontolon’ny literatiora.Narilala L’article FAKAFAKA: ho fanatsarana ny literatiora malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fifandonan’ny miaramila sy dahalo: dahalo roa lavo, omby 30 tafaverina

Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Andria, distrikan’i Maintirano, ny zoma maraina  faha 17 aprily lasa teo. Lasan’ireo dahalo 12 lahy tamin’izany ny omby manodidina ny 30 isa tamina tokantrano iray. Ny ampitson’io, roso nanao ny fanarahan-dia ireo miaramila miisa dimy niaraka tamin’ny tompon’omby, tokony ho tamin’ny 7 ora maraina. Teny an-dalana, nanao fanadihadiana ireo miaramila ka nametraka ny paikady rehetra. Fantatry ny miaramila fa tsy maintsy handalo teo amin’ny kizon’i Mangabe ireo dahalo ka efa niandry teo izy ireo. Io kizo io izay tafiditra ao amin’ny fokontanin’i Mangabe, hoy ny loharanom-baovao iray any an-toerana. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Lavo nandritra izany ny dahalo miisa roa raha tafatsoaka kosa ireo namany. Tafaverina tamin’ny tompony ireo omby rehetra.Henintsoa Hani L’article Fifandonan’ny miaramila sy dahalo: dahalo roa lavo, omby 30 tafaverina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jirama Toamasina: manohy ny asa fiambenany ny ProGsi

Tonga teto Toamasina ny iraky ny fitantanana foibe ny Jirama avy any Antananarivo, omaly talata, nihaona tamin’ny tompon’andraikitry ny orinasa ProGsi, miandraikitra ny fiambenana ny Jirama aty Toamasina. Voalaza fa antondian’izy ireo ny hanala ity orinasa ity, tsy hisahana izany fiambenana izany intsony. Nilaza ny tompon’andraikitry ny ProGsi, Rakotoniahy Josephat, fa “tsy olana amin’izy ireo ny hiala, saingy takiny ny taratasy ara-dalàna milaza izany fifanarahana arak’asa izany, saingy tsy nisy”. Nomarihiny fa “tsy mbola tapitra ny fe-potoana nifanarahany amin’ny Jirama, ary vao nohavaozina ihany koa. Tsy mbola voaloan’ny Jirama koa ny karaman’ny ProGsi, tao anatin’ny valo volana. Amin’ny maha mangarahara, tsy nisy koa ny antso tolobidy (appel d’offre) ho an’izay hiandraikitra ny fiambenana raha toa ka foanana ny fifanarahany”.Taorian’ny fihaonan’ny roa tonta, fantatra, afaka manohy ny asany ihany ny ProGsi.Hentitra amin’ny fiambenanaSarotiny ity orinasa ity amin’ny fanatanterahany ny asa. Hentitra ny fisavana ny olona mivezivezy ao anatain’ny Jirama. Maro ireo mpiasan’ny Jirama tratra nangalatra, amina tapitrisa ny tentimbidin’ny entana tratra, toy ny taribin-jiro, ny kaontera, fitaovana samihafa. Saron’ity orinasa tsy miankina ity koa ny fifanarahana hafahafa nataon’ny tompon’andraikitry ny Jirama sy ireo mpangalatra fitaovana tany Ambodilazana. Nahatratra 207 litatra ny gazoala tratran’ny mpiambina nangalarin’ny mpiasa, ny taona 2014.Sajo sy Njaka A.L’article Jirama Toamasina: manohy ny asa fiambenany ny ProGsi a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

PDS, Razafimanana Jean Christin: “Hametraka ny fanovana isika…”

“Hapetraka amin’ny toerany maha Renivohitra ara-toekarena azy ny kaominina Toamasina. Efa manomboka ny asa ka anisan’ny voalohany amin’izany ny  fanomezana karama tsy tapaka ny mpiasa ary  efa mampihatra karama farany ambany, 200  000 Ar,  nambaran’ny  filoham-pirenena ny kaominina izao.  Efa tsy misy fako mivangongo intsony eny rehetra eny.  Vita tototra arin-tany ireo faritra iva hisorohana ny fiangonan-drano eny rehetra eny“, hoy ny PDS mitantana  ny ao Toamasina,  Razafimanana Jean Christin, nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly. Nanteriny fa hanatratra ny veliranon’ny filoham-pirenena  Rajoelina ny antony nanendrena azy ho filohan’ny delegasiona manokana.  Nohamafisiny fa tsy maintsy hiezaka hanala ny gaboraraka nataon’ny teo aloha ny ekipa  amin’ izao fotoana izao. “Hametraka fanovana eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ny nifidianana ny filoham-pirenena ka hanatrarana ny veliranony eto Toamasina… », hoy ihany  izy.Nambarany koa fa hatao tsena filamatra, taorian’ny fahamaizan’ny etsy amin’ny Bazary kely ary ho rakofana takamoa ny andrin-jiro rehetra eto an-drenivohitr’i Toamasina.SajoL’article PDS, Razafimanana Jean Christin: “Hametraka ny fanovana isika…” a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Takalo dinika amorom-patana: omena lanja ny fomba amam-panao…
17/09/2020

 Mitohy hatrany fanandratana ny hasin’ny kolontsaina malagasy tanterahin’ny Foiben’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany. Ny alahady 20 septambra izao, amin’ny 4 ora tolakandro ka hatramin’ny 6 ora hariva (ora eto Madagasikara) no hiditra amin’ny andiany faharoa ny lohahevitra “ Ireo fombafomba amam-panao amin’ny kabary am-panambadiana sy ny tandindona fonosiny”. Anisan’ny hampiavaka ity Takalo dinika amorom-patana ity, ny handraisan’ireo faritany Fimpima ivelan’Antananarivo anjara. Hanan-karena ny dinika satria samy manana ny mampiavaka azy izy ireo raha eo amin’ny fomba amam-panao amin’ny kabary am-panambadiana. Hisoron’afo amin’izany i Romule Thomas, mpikajy ny fomban-drazana faritany Fimpima Antsiranana, i Totoroy François, talen’ny serasera sampana Fimpima Mbarakaly faritany Toamasina, i Vincent Merland, mpandalina ny fomban-drazana faritany Fimpima Toliara ary Rtoa Rakotondriaka Avotra, filohan-tsampana Fimpima Soavinandriana faritany Antananarivo.Ankoatra ny tambajotran-tserasera “Zoom” sy “facebook”, hampiasaina ihany koa ny “You Tube” amin’ny fanatanterahina ny Takalo dinika amorom-patana. Na izany aza, mila misoratra anarana mialoha ireo izay handray anjara mba hahafahana mandamina sy mandrindra ny takalo, raha ny fanazavan’ny mpikarakara.HaRy RazafindrakotoL’article Takalo dinika amorom-patana: omena lanja ny fomba amam-panao… a été récupéré chez Newsmada.

Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC
22/09/2020

Nanomboka omaly ary hitohy anio ny fiatrehan’ny mpiadina 327 455 ny fanadinana BEPC. Tsy nisy olana saro-bahana fa nizotra tsara ny andro voalohany.  26 485 ny isan’ny mpiadina nanatrika ny fanadinana BEPC ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra raha 27 699 no nisoratra anarana. 1214 ireo tsy tonga, omaly, tamin’ny andro voalohany, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ramananantony Lalaina, omaly. Nizotra tsy nisy olana saro-bahana ny fanombohana ny BEPC. Mpiadina iray avy any Ambatondrazaka no voatery niatrika ny fanadinana teto an-dRenivohitra ka rehefa voamarina fa voasoratra anaty ny lisitry ny mpiadina izy dia nomena ny taratasy fiantsoana ary nomena alalana hanaraka ny fanadinana. Nisy koa ireo diso foibem-panadinana, saingy tsy niteraka olana fa tonga teny amin’ny ivontoerana tokony niadinany ihany izy ireo.Nanamafy koa ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Razafimahefa Herman fa na nisokatra aza ny lalana hivoaka ny faritra rehetra, azo noraisina hanatanteraka ny BEPC ihany ireo mpiadina taraiky tany amin’ny faritra ary nohamoraina ny fahazoany miatrika izany. Nitsidika ny CEG Ambatolampy Tsimahafotsy ny tompon’andraikitry ny minisiteraho fanombohana tamin’ny fomba ofisialy sy ny fanokafana ny laza adina, omaly maraina. Manana tombony ny teto Madagasikara afaka nanao ny fanadinana roa ara-panjakana raha mitaha ny tany ivelany, izay nanambara fa taona fotsy ny taom-pianarana 2019-2020, indrindra taty Afrika. 272 ny mpiadina teny amin’ny foibem-panadinana CEG Ambatolampy Tsimahafotsy, Cisco Ambohidratrimo.Nohajaina avokoa ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus.Hiatrika ny taranja matematika sy ny français (LV1) ny mpiadina, anio tontolo andro.356 ny tsy tonga tao ToamasinaHo an’i Toamasina manokana, nitombo tsy toy ny fahita isan-taona ny isan’ireo mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana BEPC, ho an’ny omaly, izay mahatratra 356. Mitotaly 19 055 ireo mpiadina voasoratra anarana ao anatin’ny faritra Atsinanana, izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 56. 6 357 kosa ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina voalohany voazarazara amin’ny toeram-panadinana 14. Vonjy A. sy SajoL’article Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – “UEFA Club Football Awards 2020”: hifampitady i Neymar sy i Mbappé ary i Lewandowski
23/09/2020

Hotanterahina, ny alakamisy 1 oktobra ho avy izao, ny «UEFA Club Football Awards 2020», na ny fanolorana ny amboara ho an’ireo mpilalao mendrika, niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions 2020». Anisan’ny andrasan’ny rehetra izay ho lohalaharana handrombaka izany, amin’ity. Hiady ny ho lohany i Neymar sy i Mbappé, avy amin’ny Paris St Germain, ary i Lewandowski, ao amin’ny Bayern de Munich, tombanan’ny maro fa manana herijika hahazo izany noho izy nahazo ny ho tompondakan’i Eoropa. Somary nahagaga ny rehetra kosa ny tsy naha tao anaty lisitra an’i Gnabry, mpilalaon’ny Bayern Munchen. Ankoatra izay, hifaninana eo amin’ny mpiandry tsatoby tsara indrindra ihany koa i Manuel Neuer, Bayern de Munich, sy i Keylor Navas, PSG ary i Jan Oblak, Atletico de Madrid. Mbola hangotraka ihany koa ny an’ny vodilaharana satria adin’ny samy Bayern ny fifanandrinan’i David Alaba sy i Alphonso Davies ary i Joshua Kimmich. Hifampitana kosa eo amin’ny irakiraka i Thiago Alcántara, Bayern Munchen, sy i Kevin De Bruyne, Manchester City, ary i Thomas Muller, Bayern de Munich.Ho an’ireo niatrika ny “Ligue Europa” indray, hiady izay ho mendrika i Éver Banega, mpilalaon’ny FC Séville, saingy efa nifindra ao amin’ny Al-Shabab, ary i Bruno Fernandes, Manchester United, sy i Romelu Lukaku, Inter de Milan. Sambany kosa no hisy fisafidianana izay ho mpanazatra mendrika, amin’ity. Mahatratra 32 ireo mpanazatra hifidy ka tsy mahazo mandatsa-bato ho an’ny mpilalaony ireo mpanazatrany. Ankoatra izay, 55 ireo mpanao gazety haneho ny safidiny. Tompondaka L’article Kitra – “UEFA Club Football Awards 2020”: hifampitady i Neymar sy i Mbappé ary i Lewandowski a été récupéré chez Newsmada.

Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis
24/09/2020

Izay vao tena fantatra fa misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Ankoatra izay, tsy manantena vokatra loatra amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny tenany.Novakin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, ampahibemaso tao amin’ny tambanjotran-tserasera fa misy ny tsy fifankahazoana eo aminy sy ny mpikambana sasany ao amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Notsindriny mihitsy fa olona telo ihany amin’ireo folo mandrafitra ny mpikambana eo anivon’ny komity mpantanteraka no tena tsy mitovy fomba fijery aminy, amin’izany.Raha tsiahivina, tsy vao izao akory no nisy ity tsy fifankahazoana eo amin’i Nicolas Dupuis ity sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra fa efa hatry ny ela. Anisan’ny nampifanolana azy voalohany ny resaka vola azon’ny Barea, tamin’ny “Can 2019”. Teo ihany koa ny resaka fanamiana hanaovan’ny ekipam-pirenena Malagasy. Ary ny farany teo, ny lalao firahalahiana, hanomanana ny fihaonana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2022”. Misisika mafy ny hanaovana fihaonana firahalahiana amin’ny Swift Hesperange, ekipa D1 any Luxembourg, mantsy ingahy mpanazatra raha tsy manaiky izany kosa ireo mpikambana sasany ao amin’ny federasiona.Vokany, nilefitra ihany i Nicolas Dupuis ka nanaiky fa ny Etalons-n’i Borkina Faso no hihaonana amin’izay fanomanantena izay. Tsy nijanona teo ny olana fa vao mainka nampisy disadisa indray ny famoahana ny lisitr’ireo mpilalao mandrafitra ny Barea. Ny tale teknika nasionaly sy ireo mpikambana eo anivon’ny FMF mantsy no nampahafantatra izany tamin’ny mpanao gazety fa tsy i Nicolas Dupuis. Ankoatra izay, tsy manantena fandresena amin’ny Elefantan’i Cote d’Ivoire i Nicolas Dupuis fa miantehitra amin’ny lalao hikatrohana amin’i Etiopia ny hamaritana ny ho lalan’ny Barea.Mikasika ny lalao firahalahiana, eo am-panaovana fangatahana amin’i Maraoka ny federasiona ankehitriny amin’ny hamindrana ny fihaonana eo amin’ny Barea sy ny Etalons. Efa nofoanana ilay any Portugal noho ny fiakaran’ny tahan’ny valanaretina Covid-19. TompondakaL’article Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis a été récupéré chez Newsmada.

Samy manao izay mahametimety azy    
18/09/2020

Vita ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19? Mbola izay aloha ny resaka izao. Tsy mbola nofaranana ny fahamehana ara-pahasalamana, mitohy ny fanajana sy ny fampanajana ireo fepetra amin’izany. Nefa efa misy ny tsy tan-dalàna, na misy aza ny fanaraha-maso sy ny fanasaziana. Samy manao izay saim-pantany ny tsirairay amin’izao? Na manao izay mahametimety azy, na izay mahafalifaly azy.Tsy maharitra hatramin’ny farany ny Malagasy rehefa manao zavatra? Mafana fo am-boalohany. Rehefa ela ny ela, miverina ho azy amin’izay fanao tsy mahafa-bela teo aloha. Na mahatsiaro tena ho malalaka avy amin’izay fihibohana izay ka samy manao izay mahametimety sy mahafalifaly azy. Sanatria, tapa-kofehy? Na ny sehatra hafa aza, ahitana izay fanaovana izay saim-pantatra izay etsy sy eroa.Am-boalohany ihany no samy tena nanaja antsipiriany sy manontolo ny fepetra ara-pahasalamana, ohatra, ny sehatry ny fitaterana. Amin’izao, misy manao izay saim-pantany: tsy hita intsony izay tsiranoka fanasan-tanana, tsy voahaja ny isan’ny toerana ary miovaova ny saran-dalana fa misy mitondra mpandeha antsasa-dalana… Hanao ahoana ny antoka fa resy sy efa lasa ny valanaretina Covid-19?Na amin’ny fidiran’ny sekoly aza, tsy ilaozan’izay manao izay mahametimety azy avy. Misy, ohatra, mbola manohy taom-pianarana lasa izay tsy vita na tsy hita be ihany, mbola hanao fitsapana ny fari-pahaizan’ny mpianatra hampiakarana kilasy azy na tsia, vao hiditra amin’ny taom-pianarana vaovao. Ao ny efa misisika amin’ny fitakiana saram-pisoratana anarana ho amin’ny taom-pianarana vaovao.Inona na ahoana koa? Santionany ireo fa samy manana izay mahazo azy sy izay ataony avy ny isana-tsehatra: asa, fivavahana…Tsy takona afenina amin’izany fa nampitondra faisana ny fihanaky ny valanaretina: nampisara-bazana, mampiady irery, mahatonga ny samy maka ho azy… ? Na fahalalahana, na fifaninanana, na tsy fiankinan-doha… Mbola misy ny soa iombonana sy mampiombona tsara jerena sy ampitomboina ?Rafaly Nd.  L’article Samy manao izay mahametimety azy     a été récupéré chez Newsmada.

Fanatsarana ny tanàna: notebahin’ny CUA ireo manakorontana
19/09/2020

Mitohy ny fandaminana sy ny fanatsarana ary ny famerenana amin’ny laoniny ny hasin’ny Tanànan’Antananarivo. Tafiditra ao anatin’izany ny fandaminana ny tsena etsy Behoririka sy i Soarano. “… Mbola nisy ihany ireo mpivarotra ninia nivarotra teo amin’io toerana io. Teo koa ireo mpanararaotra nitarika korontana. Tsy maintsy niroso tamin’ny fandaminana ary nandray andraikitra manoloana izany ny avy eto anivon’ny kaominina”, hoy ny “chef de corps police municipal”, ny kaomisera Ostrom Whens, omaly. Nanteriny fa efa nisy ny toerana nofefen’ny CUA manoloana ny vavaha­din’i “Pochard”.Efa misy toerana ho an’ireo mpivarotra ara-dalàna Efa voadio tanteraka izany ary efa tsy nisy intsony ny mpivarotra afaka nivarotra tao anatin’ny faritra voafefy. “Hisy ny fotodrafitrasa kasain’ny kaominina hapetraka eo. Tsy nisy ny olana fa nanaiky ny fandaminana avokoa ireo mpivarotra. Efa manana toerana hametrahana ireo mpivarotra, manana taratasy ara-dalàna sy voasoratra ao anatin’ny lisitry ny mpivarotra, ny kaominina ary efa eo am-pandaminana ny momba izany ankehitriny”, hoy ihany izy. Notsiahiviny fa anisan’ny paikady ampiasain’ny CUA ny fampianarana sy ny fampahafantarana ny vahoaka mba hiara-hientana amin’ny fanajana ireo fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH).Samy tompon’andraikitra Tsy ny tsena ihany anefa no nasiana izany fandaminana, fanadiovana sy fanatsarana, izany, araka ny nambarany. “Tafiditra ao anatin’izany avokoa ireo sehatra rehetra, mety hanohintohina ny filaminana sy ny fitonian’ny vahoaka. Voakasik’izany koa ireo mpitantana ny tanàna, ireo tompon’andraikitra samihafa, toy mpampihatra lalàna ka hisy ny fampiofanana manokana ho azy ireo”, hoy izy. Nanentana ny rehetra ny tenany mba samy ho tony sy hanaraka ny toromarika apetraky ny mpitantana. “Tanàna iombonana Antananarivo ka sa­my tompon’andraikitra ny tsirairay amin’ny famerenana amin’ny laoniny izany”, hoy ny kaomisera Ostrom Whens.Synèse R.L’article Fanatsarana ny tanàna: notebahin’ny CUA ireo manakorontana a été récupéré chez Newsmada.

Fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana – CUA: sazy 50 000 Ar ny fandrorana sy ny famaniana eny an-dalana…
18/09/2020

Nivoaka ary nampahafantarina sy mbola hanentanana ny rehetra, omaly tetsy Analakely, ny “Fehezam-pitsipiky ny kaominina Antananarivo Renivohitra misahana ny fikoloam-pahasalamana” (CMH). Manomboka amin’ny 5 000 Ar hatramin’ny 5 tapitrisa Ar ny sazy ho an’ireo mandika sy mihoa-pefy amin’izany.Anisan’ny andoavana 50 000 Ar, ohatra, ireto manaraka ireto: ny fandrorana sy ny fandrehofana ary ny famaniana eny rehetra eny. Fanariana diky amin’ny toerana rehetra ivelan’ireo fotodrafitrasa natokana ho amin’izany.Tsy fahadiovan’ny trano fonenanaAnisan’ny andoavana sazy 50 000 Ar koa ny tsy fahadiovan’ny trano fonenana sy ny miankina aminy ary ny lalana manoloana azy. Ny fandefasana mafy loatra ny zavamaneno, ny fahitalavitra, ny fitaovana maneno ao an-tokantrano… Ny biby fiompy mirenireny sy ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola ivelan’ny toerana voatokana na ankalamanjana koa, mbola andoavana 50 000 Ar.Andoavana 300 000 Ar kosa ny tsy fanajana ny ora fisokafana amin’ny 6 ora maraina sy ny fikatonana amin’ny 9 ora alina ho an’ireo mpivarotra zava-pisotro misy alikaola. Ny fivarotana amoron-dalana amin’ny lalam-bahoaka na koa ny varotra amin’ny toeram-pisakafoana mifindrafindra tsy nahazoana alalana. Andoavana 300 000 Ar koa ny fametahana petadrindrina sy sorabaventy sy kisarisary na soratra tsy nahazoana alalana. Eo koa ny fampiasana ny fantsakam-bahoaka amin’ny fanasana lamba na fiara. Ny tsy fandraisana fepetra ialana amin’ny fihandronan’ny rano eo an-tokotany, toy ny fanotofana izany… Ny fampiasana ny lalam-bahoaka ho amin’ny tombontsoa manokana.Dimy tapitrisa ariary… karaokeAnkoatra izany, andoavana 1 000 000 Ar ny fanapoahana sy ny fivarotana tsipoapaoka, afomanga tsy nahazoana alalana amin’ny CUA. Tahaka izany koa ny tsy fandraisana fepetra ho fisorohana tsy hiparitahan’ny feo amin’ny trano. Ny famindrana razana matin’ny pesta mialoha ny fito taona. Ny tsy fandokoana ny trano manamorona ny “avenue” sy ny arabe migodana.Etsy andaniny, andoavana hatrany amin’ny 5 tapitrisa Ar ny tsy fanatanterahana ny fandrodanana trano mety hitera-doza. Ny fampiasana ny lalam-bahoaka amin’ny fanorenana vonjimaika, mihoatra ny 48 ora. Anisan’ny andoavana hatrany amin’ny 5 tapitrisa Ar koa ny tsy fanajana ny fahadiovana sy ny tsy fiparitahan’ny feo ary ny ora fikatonan’ny karaoke. Manampy ireo ny famatsiana zava-pisotro misy alikaola ireo mpivarotra tsy ara-dalàna.Sazy 5 000 ArSazy 5 000 Ar kosa ny tsy fanariana ny fako amin’ny ora voatondro, amin’ny 4 ora hariva hatramin’ny 8 ora alina. Ny fanaovana ny asa fangatahana rehetra, arahina zaza tsy ampy taona. Fangatahana eny an-dalana ka manelingelina sy mampitahotra ny mpandalo. Fanaovana ny toeram-bahoaka ho fonenana na fatoriana… Eo koa ny fanahazan-damba eny amin’ny lalam-bahoaka.Ampahany ihany amin’ireo fandikan-dalàna andoavana sazy vola, tafiditra amin’ny CMH, ireo.Synèse R.L’article Fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana – CUA: sazy 50 000 Ar ny fandrorana sy ny famaniana eny an-dalana… a été récupéré chez Newsmada.

Volley-FMVB: tapahina amin’ny fivoriana ny fifaninanana mbola azo atao
17/09/2020

Efa manomboka mamerina tsikelikely ny fampandehanan-draharaha avokoa, amin’izao fotoana izao, ireo federasiona isan-tsokajiny. Na dia mbola tsy afaka manatanteraka hetsika ara-panatanjahantena aza, efa samy manantena ny hiverenan’izany tsy ho ela ireo mpitantana sy atleta ary ny ekipa nasionaly. Ho an’ny taranja Volley ball, amin’ny fivoriana hatao ato ho ato, ny hanapahana izay fifaninanana mbola azo tanterahana sy ireo tsy maintsy hofoanana. Efa nisy anefa ny resaka nandeha fa mety tsy hisy fifaninanana ho vita intsony amin’ity taona ity fa hosoloina fiofanana izany. Mbola tsy fantatra, araka izany, izay hatao fa miandry izay fivoriana izay, raha ny nambaran’ny filoha lefitry ny federasiona malagasy ny Volley ball, Ranaivoson Mamy.Mahakasika ny fanazaran-tena indray, efa nahazo alalana hamerina ny fanomanan-tenan’ireo atleta sy ekipa nasionaly, avokoa, ny federasiona, ny ligy, ny seksiona ary ny klioba tsirairay, saingy mila hatao anatin’ny fanarahana ny fepetra hatrany izany rehetra izany. Ho an’ny taranja Volley ball, mbola matahotra sy mitandrina avokoa ny rehetra, na dia efa misy aza ekipa sy klioba efa manatanteraka izay fanazaran-tena izay. Tsy mbola misy lalao be atao fa ny ara-batana aloha no averina tsikelikely, taorian’izay ela tsy nihetsehana izay, raha ny nambaran’ny mpanazatra klioba. Mi.Raz L’article Volley-FMVB: tapahina amin’ny fivoriana ny fifaninanana mbola azo atao a été récupéré chez Newsmada.

Cité Ankatso II: nirehitra ny Bloc Amicale II, mpianatra 70 indray traboina
21/09/2020

Vao ny herinandro teo no nirehitra ny trano fonenan’ny mpianatra ao amin’ny Oniversite Maninday Toliara. Nirehitra koa afakomaly alina, tokony ho tamin’ny 11 ora sy 30 mn, ny toeram-ponenan’ny mpianatra ao amin’ny Bloc Amicale II, Cité Ankatso II…Fahavoazana iray lavaka ny an’ireo mpianatra niharam-boina nandritra ny haintrano mahatsiravina, teny amin’ny cité Ankatso II, afakomaly omaly alina. Ankoatra ny trano kila hotohoton’ny afo, lasa lavenona avokoa ny fitaovam-pianaran’ireo mpianatra, eny hatramin’ny diplaoma aza ho an’ireo mpianatra sasany. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny afo fa araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny sampana mpamonjy voina, fipoahana herinaratra no nitarika ny firehetana. Raha ny antontanisa voaray, miisa 70 eo ho eo  ireo mpianatra tsy manan-kialofana sy rava fananana vokatr’ity fahamaizana ity. Fotoana fohy, taorian’ny fahamaizana, tonga teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina nanao ny asam-pamonjena. Nanano sarotra ny famonoana ny afo noho ny tsy fahampian’ny rano nampiasain’ireo mpamono afo. Teo koa ny tsy fisian’ny vavam-pantson-drano fakana rano rehefa misy fahamaizana toy izao. Na teo aza izany, tsy nisy kosa ny naratra na aina nafoy nandritra ny firehetan’ny trano.Nirehitra koa ny sekolin-dry masera ao ManjakandrianaFa may tamin’ny ampahany koa ny sekolin’ny masera Notre – Dame de Lourdes ao Manjakandriana, ny asabotsy teo ihany. Ahina ho fipoahana herinaratra koa no nitarika ny firehetan’ny afo. Olana ho an’ny kaominin’i Manjakandriana ny tsy fananan’izy ireo mpamonjy voina ka nitarika ny fiitaran’ny afo. Ny fokonolona tao an-toerana niaraka tamin’ny mpitandro filaminana no nifanome tanana niaraka tamin-dry masera namono ny  afo ka mba tsy niitatra. Naharitra adiny telo mahery ny famonoana ny afo, voafehin’ny fokolona sy ny mpitandro filaminana ihany izany. Levon’ny afo tao anatin’ny fotoana fohy ny sekoly ka isan’ireo voa mafy tamin’izany ny tao amin’ny kilasy ambaratonga faharoa. Tsy voakasiky ny afo kosa ny tao amin’ny Lycée.Efa mandeha, araka izany, ny fanadihadiana rehetra momba ireto haintrano goavana ireto.J.CL’article Cité Ankatso II: nirehitra ny Bloc Amicale II, mpianatra 70 indray traboina a été récupéré chez Newsmada.

Rugby à sept, vehivavy: hanoman-tena any ivelany ny Makis de Madagascar
19/09/2020

Niverina namonjy ny kianja ny mpilalaon’ny Makis de Madagascar, sokajy vehivavy, rehefa nihiboka dimy volana. Hanoman-tena,amin’ny lalao famerenana, hiadian-toerana amin’ny “Lalao olympika” (JO 2021), izy ireo. Nanomboka amin’ny fomba ofisialy, omaly zoma teny amin’ny kianja Makis Andohatape­naka, ny fampivondronana voalohany sady fanomanantenan’ny Makis de Madagascar vehivavy, taranja rugby lalaovina olona fito, ho an’ny lalao famerenana “repêchage”, hiadian-toerana amin’ny “Lalao olympika” (JO 2021), ny volana marsa 2021. Ankoatra ny fanazarantena eto an-toerana, hisy fanomanantena roa, hatao any ivelany. Ny iray, hotanterahina atsy Afrika, ny volana oktobra na novambra, izay tsy mbola voafaritra ny daty sy ny firenena hanaovana azy. Na izany aza, hisy “tournoi à quatre”, handraisan’i Madagasikara sy i Afrika Atsimo ary i Tonizia sy i Kenya anjara, amin’izany. Tsiahivina fa ankoatra ny Makis, manomana ny lalao famerenena ihany koa i Tonizia. Any Japon ny faharoa, ny volana desambra na janoary 2021. Fiaraha-miasa amin’ny masoivohon’i Japon sy ny Malagasy rugby izany, ary tohin’ilay andiany voalohany notanterahina ny volana jona 2019. Tafiditra ao anatin’izao fiomanantenan’ny Makis izao ihany koa ny fifanintsanana hiadian-toerana, amin’ny am­boara eran-tany 2023, hatao any Frantsa, eo amin’ny rugby ho an’olona 15. 20 mirahavavy ny miatrika ity fanazarantena voalohany ity, rehefa avy nandalo fitiliana ny Covid-19, ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Natomboka tamin’ny famerenana ny tanjaka, tamin’ny alalan’ny fanabokonana hozatra, izany, haharitra eo amin’ny herinandro eo ho eo. Ao­rian’izay vao hiditra amin’ny fandraisana baolina. Marihina fa efa samy nanao fanazarantena mitokana tany aminy avy ireo mpilalao rehetra, nandritra ny fotoan’ny fihibohana. Ho an’ny Makis de Ma­dagascar, lehilahy, hisy fiaraha-miasa amin’ny mpilalao frantsay iray nandrafitra ny XV de France ka tafiditra amin’izany ny fanomanana ny “Circuits mondiaux 2021”.TompondakaL’article Rugby à sept, vehivavy: hanoman-tena any ivelany ny Makis de Madagascar a été récupéré chez Newsmada.

Escrime: mpanazatra 14 mianadahy nahazo mari-pankasitrahana
22/09/2020

Nifarana, omaly, tetsy amin’ny kianja mitafo Ankorondrano ny fiofanana ho mpanazatra “niveau 1”, taranja Escrime. Notolorana mari-pankasitrana izy 14 mianadahy, nandritra ny lanonam-pamaranana. Raha ny fanazavana, nisy ny fanadinana nampanaovina ireo mpiofana ka afaka avokoa izy 14 mianadahy. Tanjona tamin’ity fiofanana ity, raha ny nambaran’ny mpampiofana, Ramanandraivonona Elinjara Luc, ny fampahafantarana bebekokoa ny taranja Escrime. Eo ihany koa ny mba hahafahan’ny mpiofana manampy ny “Coach” any amin’ny toerana misy azy avy. Marihina, afaka mandray ekipa sy klioba amin’izay, manomboka izao ireto nahavita fiofanana ireto.  Tetsy an-kilany, nanome toky fa hampihatra ny fahalalana noraisina ireo mpiofana ary tsy handraraka ilo mby an-doha nampitaina rehetra. Tonga nanatrika ny lanonam-pamaranana ny Komity Olympika Malagasy sy ny Federasiona Malagasy ny Escrime, nahitana ny filoha lefitra sy ny mpikambana hafa. Mi.RazL’article Escrime: mpanazatra 14 mianadahy nahazo mari-pankasitrahana a été récupéré chez Newsmada.

BEPC: tombanana hivaly ny 5 oktobra farafahatarany
23/09/2020

Efa nanomboka, omaly, ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja roa natrehin’ny mpiadina amin’ny BEPC, omaly, ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Napetraka ny « grille de correction » niaraka amin’ny « commission d’entente » ary nisy ny fivoriana niarahana amin’ny mpitsara rehetra. Tombanana ho vita ny faran’ny herinandro ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja natrehina ka hampiditra ny naoty ao amin’ny ordinatera ny mpiasa ny alatsinainy ho avy izao. Mbola misy ny fanamarinana farany momba ny naoty avy eo. Herinandro aorian’izay, heverina fa hivoaka ny valim-panadinana farafahatarany ho an’ny eto an-dRenivohitra. Fito ny toerana fitsarana taratasim-panadinana. Ny taranja histogéo sy ny fizika simia no miandry ny mpiadina anio tontolo andro. Nanambara ny minisitry ny Fanabeazana fa haloa avy hatrany ny karaman’ireo mpiasa mikarakara ny fanadinana hatramin’ny fitsarana ka tsy hisy ny trosa amin’ity fanadinana 2020 ity.VonjyL’article BEPC: tombanana hivaly ny 5 oktobra farafahatarany a été récupéré chez Newsmada.