Escrime: efa manomboka manoman-tena ny ekipa nasionaly

News - Escrime: efa manomboka manoman-tena ny ekipa nasionaly

News - Escrime: efa manomboka manoman-tena ny ekipa nasionaly

Efa saika tazana midina an-kianja
manao fanazaran-tena avokoa, amin’izao, ireo atleta sy ekipa
nasionaly, toy ny volley ball sy ny escrime. Ho an’ny taranja
Escrime, efa tazana manoman-tena eny amin’ny kianja
Mitafon’Ankorondrano ireo atleta mandrafitra ny ekipam-pirenena
malagasy. Raha ny fanazavana, nandray fanapahan-kevitra ny hamerina
tsikelikely ny fanazaran-tena ny federasiona, taorian’ny
fanambarana nataon’ny filoham-pirenena amin’ny fahafahana manao
fanazaran-tena hamerenana tsikelikely ny lentan’ireo atleta. Eo
ihany koa ny fanomanana ny fifaninanana iraisam-pirenena, izay
hatrehina amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Raha ny
fandaharam-potoana, isan’andro, amin’ny 11 ora antoandro
hatramin’ny 2 ora sy sasany no manao fanazaran-tena, ireo atleta
ireo, eny amin’ny kianja Mitafon’Ankorondrano.

Mifanindry an-dalana amin’izany,
mitohy ary mizotra araka ny tokony ho izy ihany koa ny fiofanana ho
an’ny mpanazatra “niveau 1”, eny Ankorondrano. Miditra amin’ny
andro fahadimy, anio, izany ary hifarana amin’ny faha-21 septambra
ho avy izao.

 

Mi.Raz

 

Article tiré de Newsmada

L’article Escrime: efa manomboka manoman-tena ny ekipa nasionaly a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

  Tetikasa Hay Tao-Usaid: fiarovana ny ala honko

 Hita eto Madagasikara ny 2%-n’ny ala honko maneran-tany. Ahitana zavamaniry sy biby na hazandrano tsy fahita raha tsy eto amintsika. Toeram-ponenan’ny tantely sy ny landy dia ny zavamaniry, ary torak’izany koa ny hazandrano sady hanatodizany, toy ny drakaka, ny makamba, ny trondro, sns.Tsy manana paikady mazava sy maharitra hitantanana ny ala honko anefa i Madagasikara. Izay no nahatonga ny atrikasa nasionaly atao any Toliara, ny 23 hatramin’ny, anio, 25 jolay.Mirongatra ny fandripahanaTanjona ny hitantanana maharitra ho lovain-jafy ny ala honko, ao anatin’ny Fandaharanasa iarahana amin’ny Amerikanina, Usaid Hay Tao, sy ny fanjakana malagasy. Nahatratra 200 ny mpandray anjara avy amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara.Maro ny vokatsoa azo amin’ny ala honko eo amin’ny lafiny tontolo iainana, ny sosialy, ny fizahantany ary indrindra ny toekarena ankapobeny. Eo koa ireo mpanararaotra, mitrandraka tsy ara-dalàna sy mihoapampana, ka manafaingana ny fahapotehan’ity harena voajanahary ity, sady mampirongatra ny fihenan’ny ala eto Madagasikara.Fambolen- kazo 10 haDinihina mandritra ity atrikasa any Toliara ity ny hamoahana tondrozotra mazava hitantanana ny ala honko ary tonga dia hampiharina. Aorian’izay, hisy avy hatrany ny fambolena hazo honko amin’ny velaran-tany 10 ha, hatao any Ambondrolava, rahampitso 26 jolay, mifanandrify amin’ny Andro iraisam-pirenena fiarovana ny ala honko. Lohahevitra noraisina ny hoe “Hay tondra sy hay tanana hampaharitra ny ala honkontsika”. Maherin’ny 1.000 ny hanatanteraka izany fambolen-kazo izany.Njaka AndriantefiarinesyL’article   Tetikasa Hay Tao-Usaid: fiarovana ny ala honko a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Concert classique de midi: hiatrika ny andiany faha-103 ny Quatuor Majesty

Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-103 ny « Concert classique de midi » karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Hiaka-tsehatra, anio etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM), ny Quatuor Majesty. Tarika ivondronan’ireo andrarezina amin’ny fandidiana « violon » sy « violoncelle », ahitana an’i Joachim Rakotoniaina (violon solo), i Samuthiah Andrianarivelo (violon faharoa), i Benja Andriambololona (Alto) ary i Atolotro Ho Fiderana Ny Finoana (violoncelle).Raha ny ao anaty fandaharam-potoana, holalaovin’izy ireo eny an-tsehatra ny “Intermezzo sinfonico du Cavallerie rusticana”, sanganasan’i Pietro Mascagni (quatuor), ny « Quartet n°35 an’i J. Haydn op.64 n°5” sy ny « Divertimento in F KV138 an’i Mozart.Marihina fa i Joachim Rakotoniaina no hitarika sy handrindra ity seho tanterahin’ny Quatuor Majesty, anio manomboka amin’ny 1 ora, ity.HaRy RazafindrakotoL’article Concert classique de midi: hiatrika ny andiany faha-103 ny Quatuor Majesty a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Honoré Rasolonjatovo : « Aucune motion n’est mijotée à l’Assemblée nationale »

Le vice-président de l’Assemblée nationale estime que les ministres qui viennent d’être remerciés ont réussi avec succès leurs missions. Le président de la République a affirmé lors de son intervention sur les chaînes nationales, dimanche dernier, que « le pays est au bout du chemin qui mène à la victoire contre la pandémie ». Très vite, le chef de l’Etat est soutenu par ses partisans. « Le régime a réussi la lutte contre la propagation du Coronavirus dans le pays », a soutenu hier Honoré Rasolonjatovo, vice-président de l’Assemblée nationale. Les efforts déployés soutenus par une mobilisation méritée du personnel médical, des forces de sécurité, ainsi que le gouvernement, ont, selon ce dernier, porté leurs fruits pour endiguer le virus. En tout cas, le député de Faratsiho a défendu, devant la presse, que « le bilan de ces 19 premiers mois du régime est positif ». Et ce malgré les virulences des critiques qui fusent surtout de la part des opposants. Durant cette crise sanitaire, la société civile elle aussi, a épinglé à plusieurs reprises le régime. Au niveau du parlement, l’opposition, toujours aussi vigilante, scrute les moindres dérapages des tenants du pouvoir pour lancer des piques. Mais jusqu’à présent, la majorité reste en bloc derrière l’Exécutif. « Aucune motion n’est mijotée à l’Assemblée nationale », a soutenu ainsi son vice-président. L’exécutif peut ainsi compter sur un soutien infaillible de la Chambre basse. Cette dernière sera décisive dans le cadre de l’adoption du projet de loi 001-2020 relatif aux ratifications des ordonnances présidentielles sur les élections et référendums, le Sénat ainsi que le code minier. Rija R. L’article Honoré Rasolonjatovo : « Aucune motion n’est mijotée à l’Assemblée nationale » est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Honoré Rasolonjatovo : « Aucune motion n’est mijotée à l’Assemblée nationale » a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Ao Raha

Tena hiaraka hirona

Iantefan’ny vava tsy ambina sy fanakianana mavaivay ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasy, amin’ny baolina kitra na Barea, izay niatrika ny lalaom-bondrona farany any amin’ny Lalaon’ny Nosy, omaly antoandro. Misy ihany koa ireo mpankahery. Anjorony ihany izay resaka vokatra, na dia atao aza hoe tokony hahazo medaly volamena ny Barea, saingy hody aloha sahady. Tsy ny vokatra tamin’ity Lalaon’ny Nosy ity no inona, fa lesona kosa no tsoahina taorian’ny fahombiazana azon’ireo Barea, izay tody ampahefa-dalana tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika (CAN), tany Ejipta, farany teo. Ampy, angamba, izay ny fianteherana amin’ny fahagagana. Tokony ho efa manomboka mitelina traikefa ihany koa ny fitondram-panjakana raha manam-piniavana amin’ny fanaovana ho vaindohan-draharaha ny fanatanjahantena. Aleo havadika ho fanoitra amin’ny fanatsarana an’izay tsy nety ireny laza ratsy sasantsasany nahavoatonona ny anaran’ny delegasiona malagasy, tany Maorisy ireny. Tsy fahamatorana ihany no takiana, fa ny fametrahana mpitarika hentitra amin’ny fitondran- tena, ankoatra ny fampitoviana ny fikarakarana an’ireo atleta re- hetra. Raha nosokajiana ho ambanimbany lenta tsy tahaka ny akon’ny CAN kosa ilay Lalaon’ny Nosy, dia tsaratsara kokoa ny mijanona eto an-tanindrazana ihany amin’ny manaraka. Niharihary io mizana tsindrian’ila io teo amin’ny taranja baolina kitra. Tsy ailika any amin’ny fanjakana irery kosa ny rihitra fa samy sakaizan’ny mpandresy isika rehetra. Fotoana izao, sao afaka hapetraka amin’izay te hiara-hirona rehetra hoe tokana ihany ny Barea na inona na aiza no fifaninanana atrehany, na iza na avy aiza ireo mpilalao mandrafitra azy. Manomboka amin’ny vahoaka mpankafy sy mpanaraka ny Barea, miakatra amin’ireo rafitra isan’ambaratongany, mandalo amin’ireo mpanohana amin’ny lafiny samihafa, ary hatrany amin’ny faran-tampony. Azo eritreretina tsara ny manao fitaratra ny fitantanana ny Barea any amin’ireo taranja hafa, na tsy maninona raha ovaina ho Barea daholo aza ny iantsoana an’ireo ekipam-pirenena miaro ny voninahi-pirenena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Aza atao hoe hiandry vokatra vao hanao izay mety, fa tokony hohajaina ny fenitra amin’ny fanomanana, toy ny ekipa teknika, fampivondronana, fampiantranoana, sakafo sy ireo fampangatsiatsiahana, fanamiana, ody am-bavafo… Ny tambim-bokatra kosa dia aoka izay namono ny voay no hiravaka ny vanginy. L’article Tena hiaraka hirona est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona

Hatolotra ny fitsarana ao Arivonimamo, anio ireo jiolahy miisa dimy saika matin’ny fitsaram-bahoaka tao Arivonimamo, omaly. Araka ny fampitam-baovao voaray, nahazo antso avy amin’ny vahoaka ny polisy fa misy olona tratra nangarom-paosy ao an-tsenan’Arivonimamo. Efa saika nodoroan’ny vahoaka ilay jiolahy, soa ihany fa nalaky ny fahatongavan’ny polisy naka azy. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nanononany ireo jiolahy atidoha miray tsikombakomba aminy. Nosamborin’ny polisy ireo mpiray tsikombakomba aminy ka samy niaiky ny heloka vitany. Fantatra fa isan’ireo jiolahy nampitondra faisana ny mponina ao Arivonimamo ireo jiolahy tratra ireo.Jean ClaudeL’article Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Voile: mitaraina ireo mpilalao malagasy

Nanambara ireo mpilalao voile (kitesurf /windsurf) malagasy fa tratry ny kiantranoantrano, amin’ny fandefasana ireo solontena malagasy miatrika ny « Lalaon’ny Nosy », atsy Nosy Maorisy, izy ireo. Nambaran-dRazafindrasata Tsiry, filohan’ny fikambanana MKA (Madagascar Kiteboarding Association), fa araka ny vaovao voarain’izy ireo, zanak’olona ao anatin’ny federasiona malagasin’ny voile ny nalefa hisolo tena an’i Madagasikara any amin’izany fihaonambe iraisan’ny Nosy, aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, izany.Nomarihiny fa tsy nisy fifaninanana fifantenana nataon’ny federasiona nahalalana izay mendrika handeha amin’io « Lalaon’ny Nosy » io fa notendrena fotsiny avy hatrany ireo atleta lahy iray sy vavy iray nankany Maorisy, miampy mpanazatra iray.Misy anefa ireo Malagasy tena mpiangaly sy mahafehy tsara io taranja voile io izay mampanao fiofanana any Antsiranana, amin’izao fotoana izao, raha ny fanambaran’i Tsiry. Izy ireo izay tsy nisy nantsoin’ny federasiona na nampahafantarina mikasika ny « Lalaon’ny Nosy ».« Araka izany, naneho ny alahelony ireo mpiangaly taranja voile (kitesurf/windsurf), izay mahatsapa tena fa afaka misolo tena an’i Madagasikara tsara ary tsy matahotra ny hihaona amin’ireo Reonioney sy Maorisianina ny amin’ny handrombahana medaly, saingy izao tratry ny resaka akamakama izao », hoy ny fitarainan’izy ireo. TorcelinL’article Voile: mitaraina ireo mpilalao malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - Ao Raha

ARETI-MIFINDRA :: Tohanana ara-tsaina ireo mitondra ny tsimok’aretina VIH/Sida

Hanome tohana ara-kevitra manokana ireo olona mitondra ny tsimok’aretina VIH/Sida ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fikambanana « Madagascar Save ». Amin’ny alalan’ny boky ahitana ny antontan-kevitra mikasika ny VIH/Sida no hanatanterahana izany. Fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo olona mitondra ity tsimok’aretina ity izany, araka ny fantatra. « Ny zava-misy ankehitriny dia mitaky fomba maty paika sy voadinika tsara hoenti-miatrika ireo fanamby amin’ny ratra, henatra, fandavana sy fanavakavahana ary asa ratsy mifandray amin’ny VIH /Sida », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny fikambanana, omaly teny Antaninarenina. Ankoatra izany, manolotra boky ihany koa izy ireo mba hafafahan’ireo olona mitondra ity tsimok’aretina ity miaina am-pilaminana naa misy aza ireo tranga manavesatra azy ireo. « Tanjona ny hanome fahalalana bebe kokoa ho an’ireo mitondra ny tsimok’aretina tsirairay avy sy ny fikambanana misy azy mba hahafahany miatrika ireo tranga samihafa manodidina azy ireo sy hahafahany mitsinjo ny ho aviny », hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Tsiahivina fa efa misy ny fanafody hitsaboana ny aretina Sida hahafahan’ireo marary miaina miaraka amin’ny tsimok’aretina ao anatiny . Manodidina ny arivo sy telo alina ireo olona mitondra ity tsimok’aretina ity raha ny fanadihadiana natao tamin’ny taona 2017. Mbola misy ihany koa nefa ireo tsy fantatra noho fivezivezen’ireo olona marary tsy mitsabo tena. Eo ihany koa ireo tsy sahy miatrika ny fananany an’ity aretina ity . L’article ARETI-MIFINDRA :: Tohanana ara-tsaina ireo mitondra ny tsimok’aretina VIH/Sida est apparu en premier sur AoRaha.

News - Midi Madagasikara

Mosquée 67 ha : Niantsoana vadintany vao vita ny fifidianana “Amir”

Araka ny efa nampiahiahy ireo mpikambana ao amin’ny komity mpikarakara ny fifidianana “Amir” na izay ho filoha sy mpikambana ao anatin’ny rafitra hitantana indray ny Mosquée 67 ha, dia nitrangana olana tokoa ny fanatanteraha izany fifidianana izany, ny Alahady  teo. Tsy afaka niditra tao amin’ny tokotanin’io fiangonana io ireo mpino sy ireo komity mpanomana ny fifidianana, ny marainan’io Alahady noho ny fisian’andian’olona  efa niditra tao ary nanidy ny vavahady avy ao anatiny. Manoloana izany dia voatery niantso vadintany ireo tomponandraikitra rehefa nandinika ny tokony hatao noho izao fanelingelenana izao. Niantso io tompon’andraiki-panjaka io izy ireo, satria nihevitra fa matoa afaka nanidy io toerana io ireo izay nanao izany dia mety ho efa nahazo alàlana avy tamin’ny Fitsarana angamba. Soa ihany anefa fa rehefa tonga teo ity vadintany ity ka nanao ny fombafomba rehetra araka ny lalàna dia nandao ny toerana ireo andian’olona nanidy ilay Mosquée izay efa nitoby tao anaty fiangonana sy nandà ny hanatanterahana io fifidianana io. Tsy azo natomboka ity farany raha tsy efa tamin’ny 12 ora antoandro tany ho any. Voafidy ho filoha na “Amir “ tamin’ izany Atoa Achile Andriakoto Houssen. Ity farany izay manana sekretera jeneraly sy manana mpiara-miasa roa isaky ny faritany enina misy eto Madagsikara. Ireto farany izay nofidin’ny mpino isam-paritany mivavaka ao amin’io Mosquée io, mba ho mpifidy lehibe hifidy ny Filoha sy ny sekretera jeneraly. Manoloana izany, dia naneho ny hafaliany ireo mpino sy ny fankasitrahana noho ny nahatanteraka izao fifidianana izao ny komity mpikarakara izany ny Alatsinainy 17 jona teo, teny amin’ny 67 ha nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety. Fotoana izay nanamafisan’ny filohan’ny komity, Atoa Didier Alison BH sy Atoa Soalihy Moussa izay nitondra ny tenin’ireo mpino fa ireo voafidy ireo no tsy maintsy mitondra sy tompon’andraikitra voalohany amin’ity Mosquée izay heverina fa fototry ny finoana Silamo, na lazain’ny maro hoe Palestina eto Madagasikara. T.M.L’article Mosquée 67 ha : Niantsoana vadintany vao vita ny fifidianana “Amir” a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Ao Raha

Pilo Kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fantina sy fintina

Adidy mavesatra no sahanin’ny  solombavambahoaka, araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, tamin’ny vahoaka tao  Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania, nahavoafidy azy ho depiote, ny faran’ny herinandro teo. Eo ny fanaraha-mason’ny Antenimierampirenena ny asan’ny governementa, ny fandaniana lalàna, ny fijerena ny tombontsoam-bahoaka… Tsy maintsy miverina eo amin’ny vahoaka izy, maneho fankasitrahana azy. Izay ny tamberin’andraikitra.“Tsy hirotsaka ho ben’ny Tanàna Antananarivo Renivohitra aho”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana Andriantongarivo, tao anatin’ny hetsika ”Tagnamaro”, teny Soanierana, ny faran’ny herinandro teo. Tsy misy ambadika politika hoe akaiky ny fifidianana ny hetsika ”Tagnamaro” fa tena fanampiana tanteraka ny mponina hamalianay antson’izy ireo. Adidin’ny fitondram-panjakana ny mihaino ny fitarainan’ny vahoaka. Mbola tohizana amin’ny fotoana manaraka ny hetsika.  L’article Fantina sy fintina a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Fisorohana ny valanaretina: nisintaka tany ambanivohitra ny ankizy
24/09/2020

“Noho ny faharefoan’ny ankizy raisina an-tanana ao amin’ny akany, nisintaka mihitsy tany ambanivohitra ny zaza sy ny mpikarakara nandritra ny fihibohana hisorohana ny fahazoan’izy ireo ny tsimokaretina”, hoy ny mpitantana ny akany fandraisana. Nikatona tanteraka ny akany eny Mahamasina. Antso amin’ny finday fizarana vaovao sy fandefasana vola amin’ny finday ny tantsoroka natao ireo ray aman-dreny rehetra tohanan’ny ONG.Nisy nanala fanadinana CEPE ny ankizy tohanana ary afaka soa aman-tsara avokoa fa roa kosa no niala an-daharana noho ny fahasahiranana tao anatin’ny fihibohana. “Zavatra mampalahelo izany nefa izahay koa, niala teto amin’ny akany ka sarotra ny faharaha-maso ny ankizy », hoy ny fanazavany ihany. Ankehitriny, efa miverina tsikelikely amin’ny fiainany ny akany sy ireo asa rehetra nataon’ny ONG ho tantsoroka amin’ny fianakaviana. Hatramin’ny taona 1988 niorenan’ny akany, 180 mahery ny ankizy nobeazina sy noraisina an-tanana tao. Nivoatra tsikelikely ny toeram-pandraisana izay niandoha tamin’ny zaza roa voan’ny aretina raboka ka nalain’ny mpanorina notsaboina tao an-tokantranony. Avy amin’ny fianakaviana sahirana monina eny amin’ny faritra iva: Andavamamba, Anatihazo, Itaosy, Ambatomaro … ireo ankizy beazina ao. Betsaka ny antso azo nandritra ny fihibohana fa noho ny antony ara-pahasalamana, tsy afa-nanoatra ny mpitantana. Vonjy    L’article Fisorohana ny valanaretina: nisintaka tany ambanivohitra ny ankizy a été récupéré chez Newsmada.

Tetikasa Fihariana-IFC: miofana ny aorian’ny krizy Covid-19 ny orinasa
17/09/2020

Miisa 359 ny orinasa nahazo fampindramam-bola tamin’ny fandaharanasa Fihariana, ao anatin’ilay tolotra Miarina. Misehatra amin’ny tolotrasa na servisy ireo, misy koa amin’ny fizahantany, ny fitaterana, ny fambolena, sns. Kely ny zana-bola (7% isan-taona) raha oharina amin’ny mahazatra eny amin’ny banky. Antony, tosika omena ny orinasa hiatrehana ny fanarenana ny orinasa nisedra olana amin’izao krizy Covid-19 izao. Manampy izany, miara-miombon’antoka ny Fihariana sy ny Sampandraharaha ara-bola iraisam-pirenena ao amin’ny Banky iraisam-pirenena (IFC), hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo orinasa nisitraka ny tolotra Miarina avy amin’ny Fihariana. Mamolavola ny fiofanana ny IFC.Fototry ny toekarena ny PMENilaza ny sekretera mpanatanteraka ny Fihariana, Rtoa Zafindravaka Valérie, fa miompana amin’ny fitantanana orinasa ny fiofanana, fikarohana lalam-barotra, ny fanovana ny paikady manoloana ny krizy, sns.Nambaran-dRtoa Marcelle Ayo, solontenan’ny IFC eto Madagasikara, fa fototra mampihodina ny fihariana toekarena eto amin’ny firenena ny orinasa madinika sy salantsalany (PME). Ilaina tokoa ity fiofanana ity ahafahan’izy ireo miatrika ny krizy Covid-19 hanarenana ny firenena. Ao anatin’izany ny hanatsarana ny fahalalan’izy ireo ny lafiny famatsiam-bola sy ny fahaizana mampiasa ny teknolojia vaovao, ohatra.Njaka A.L’article Tetikasa Fihariana-IFC: miofana ny aorian’ny krizy Covid-19 ny orinasa a été récupéré chez Newsmada.

Fakana saripika, “video”, sarimihetsika: hanangana orinasa hitondra rivo-baovao i Toky
18/09/2020

Izay miezaka no tafita. Manamarina izany i Toky, raha eo amin’ny sehatry ny fakana sarimihetsika na tsia. Miroso amin’ny vina sy ny dingana manaraka izy ankehitriny…Niainga tamin’ny kely… Ny fitiavana sy ny filofosana amin’ny zavatra iray no mahalasa lavitra; porofo iray amin’izany ny fiainan-dRasolonjatovo Tokimilafatra Fanasina Idealy na i Toky, fantatry ny maro amin’ny hoe Tokimilafatra Photography… « Lava loatra anefa izany sady sarotsarotra tononina ka izay ny mahatonga ilay Toky ho lasa fiantsoana ahy koa », araka ny fanazavany. “Tena efa mihamaro ny sekoly manofana mpianatra hisehatra anatin’ny tontolon’ny sary. Betsaka koa ireo efa tafavoaka fa hafa ihany ilay nandalina tamim-pitiavana sy nanankina ny fiainany tanteraka eo amin’ilay tontolo. Ny asa rehetra amiko, mahavelona rehefa hajaina fa tsy manakana anefa izany amin’ny fanaovana vadin’asa”, araka ny nambaran’i Toky. Ny reniny no tena nanohana betsaka tamin’ny fanangonana fitaovana miampy ny vola azon’i Toky… Ary ny faniriany, hahatsangana mihitsy orinasa manokana ho azy, hiaraka hiasa amin’ireo mpisehatra anatin’ny tontolon’ny video sy mba hitondra rivo-baovao amin’ny sehatry ny sarimihetsika malagasy, araka ny nambarany.« Niainga tamin’ny saina tia kitikitika hatramin’ny mbola kely ny fitiavako sary sy horonantsary kirakiraina amin’ny solosaina. 15 taona aho dia efa nandray valin-kasasarana ary nisafidy ny handalina tanteraka izany. Enina taona izay no nisehatra tanteraka ao anaty tontolon’ny sary sy ny manodidina azy”, hoy i Toky. Anaty fakana sary amina vanim-potoana miavaka (événements) sy fanaovana “multiclonages” ny tena nanamarika azy hatramin’izay, indrindra eo amin’ny fampiasana ireo fitaovana avo lenta eo aminy… Maka saripika (photographe), maka horonantsary (vidéaste), mampiasa fitaovana fakana sary manidina (droniste), ary « infographiste » i Toky, ankehitriny.NarilalaL’article Fakana saripika, “video”, sarimihetsika: hanangana orinasa hitondra rivo-baovao i Toky a été récupéré chez Newsmada.

Bakalorea 2020: “Voahaja ny fe-potoana fanomanana”, hoy ny minisitra mpiahy
23/09/2020

Hotontosaina ny 19 ka hatramin’ny 29 oktobra ho avy izao ny andiany roa ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny teknika. Manoloana izany, nitoka-monina nanomboka ny alatsinainy lasa teo ireo olona rehetra mpizaika sy mikarakara ny laza adina hatrehin’ny mpiadina amin’ny bakalorea 2020, araka ny fanambaran’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, i Assoumacou Léa Béatrice. 40 andro ny faharetan’ny fitokanana ary tsy hivoaka any izy ireo raha tsy vita tanteraka ny bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny teknika. Tsy mahazo mifanerasera amin’ny aty ivelany ireo mpiasa mandritra izay fotoana izay ary miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana.Voahaja ny fe-potoana amin’ny fanomanana ny fanadinana sy ny fepetra ara-pahasalamana eo amin’ny olona sy ny fotodrafitrasa handraisana ny mpizaika. Efa norarahina fanafody ny toerana handrasaina azy ireo. « Vonona koa ny olona hikarakara ny fandriampahalemana mandra-pivoakan’ireo olona ao », hoy ny tomponandraikitra.Efa nifarana ny fandraisana ny fisoratana anarana ho an’ny bakalorea manerana ny Nosy.Vonjy A.L’article Bakalorea 2020: “Voahaja ny fe-potoana fanomanana”, hoy ny minisitra mpiahy a été récupéré chez Newsmada.

Raharaham-pitsarana any Fianarantsoa :: Hadihadiana lalina ny fanolanana tao amin’ny akany iray
17/09/2020

Mbola any am-ponja ny lehilahy iray voarohirohy tamin’ny raharaha fanolanana nihatra tamin’ny ankizy tao amin’ny toby fitaizana zaza kamboty iray any Fianarantsoa, volana vitsy lasa izay. Ao anatin’ny fanadihadiana lalina ny raharaha ny Fitsarana any an-toerana, amin’izao fotoana izao. Zaza efatra no fantatra fa niharan’ny fanolanana. Voampanga sy voarohirohy ho tompon’ antoka tamin’izany herisetra ara-pananahana izany ny lehilahy, vadin’ny mpanabe ao amin’ilay toby ihany. Ankizilahy iray, 17 taona, isan’ireo notezaina tao amin’ny akany no miaraka voampanga aminy. Natolotra ny Fitsarana izy ireo ary samy naiditra amponja vonjimaika. Arahin’ny mpanara-baovao maso akaiky ny fivoaran’ity tranga mampalahelo nihatra tamin’ny zaza ity. L’article Raharaham-pitsarana any Fianarantsoa :: Hadihadiana lalina ny fanolanana tao amin’ny akany iray est apparu en premier sur AoRaha.

Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC
22/09/2020

Nanomboka omaly ary hitohy anio ny fiatrehan’ny mpiadina 327 455 ny fanadinana BEPC. Tsy nisy olana saro-bahana fa nizotra tsara ny andro voalohany.  26 485 ny isan’ny mpiadina nanatrika ny fanadinana BEPC ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra raha 27 699 no nisoratra anarana. 1214 ireo tsy tonga, omaly, tamin’ny andro voalohany, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ramananantony Lalaina, omaly. Nizotra tsy nisy olana saro-bahana ny fanombohana ny BEPC. Mpiadina iray avy any Ambatondrazaka no voatery niatrika ny fanadinana teto an-dRenivohitra ka rehefa voamarina fa voasoratra anaty ny lisitry ny mpiadina izy dia nomena ny taratasy fiantsoana ary nomena alalana hanaraka ny fanadinana. Nisy koa ireo diso foibem-panadinana, saingy tsy niteraka olana fa tonga teny amin’ny ivontoerana tokony niadinany ihany izy ireo.Nanamafy koa ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Razafimahefa Herman fa na nisokatra aza ny lalana hivoaka ny faritra rehetra, azo noraisina hanatanteraka ny BEPC ihany ireo mpiadina taraiky tany amin’ny faritra ary nohamoraina ny fahazoany miatrika izany. Nitsidika ny CEG Ambatolampy Tsimahafotsy ny tompon’andraikitry ny minisiteraho fanombohana tamin’ny fomba ofisialy sy ny fanokafana ny laza adina, omaly maraina. Manana tombony ny teto Madagasikara afaka nanao ny fanadinana roa ara-panjakana raha mitaha ny tany ivelany, izay nanambara fa taona fotsy ny taom-pianarana 2019-2020, indrindra taty Afrika. 272 ny mpiadina teny amin’ny foibem-panadinana CEG Ambatolampy Tsimahafotsy, Cisco Ambohidratrimo.Nohajaina avokoa ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus.Hiatrika ny taranja matematika sy ny français (LV1) ny mpiadina, anio tontolo andro.356 ny tsy tonga tao ToamasinaHo an’i Toamasina manokana, nitombo tsy toy ny fahita isan-taona ny isan’ireo mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana BEPC, ho an’ny omaly, izay mahatratra 356. Mitotaly 19 055 ireo mpiadina voasoratra anarana ao anatin’ny faritra Atsinanana, izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 56. 6 357 kosa ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina voalohany voazarazara amin’ny toeram-panadinana 14. Vonjy A. sy SajoL’article Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Lalao firahalahiana: Barea 23 hidona amin’ny Etalons Borkina Faso
17/09/2020

   Izay vao tena raikitra ny lalao firahalahiana, ataon’ny Barea de Madagascar eo amin’ny fiomanana ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny Can 2021. Hidona amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso ry zalahy, amin’izany.Nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety, omaly maraina, teny amin’ny foibe toeran’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), teny Isoraka fa hotanterahina ny asabotsy 10 oktobra ho avy izao, any Lisbonne Portugal ny lalao firahalahiana hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Etalons-n’i Borkina Faso. Fihaonana, tafiditra ao anatin’ny fanomanantena mialoha ny hiatrehana ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny Can 2021.Mpilalao 23 mirahalahy no nantsoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika izany. Tsy misy fiovana firy ny firafitry ny Barea fa saika ireo efa nahalalana azy hatrizay, miampy ireo vao nantsoina toa an’i Hery Bastien, i Sylvio Ouassiero, i Alexandre Ramalingom ary i Hakim Abdallah. Tsy ao anaty lisitra intsony i Dax sy i Njiva. Tsy misy mpilalao avy eto an-toerana ity Barea hidona amin’i Borkina Faso, ity. Ankoatra izay, naverina i William Gros. Natao mpilalao fiandry (réserve), i Toavina Debakely sy i Bakary Mario. Hanomboka ny 5 oktobra izao ny fampivondronana ireo mpilalao rehetra ka hatao any Frantsa izany, araka ny vaovao voaray.Mety hijanona amin’ity lalao hikatrohana amin’i Borkina Faso ity ihany, araka izany, ny fihaonana firahalahiana ataon’ny Barea de Madagascar raha voafaritra fa ho roa tany am-boalohany. Tompondaka  Ireo mpilalao 23 nantsoina ho Barea de Madagascar-Mpiandry tsatoby : Melvin Adrien, Ibrahim Dabo-Vodilaharana : Jeremy Morel, Thomas Fontaine, Jerome Mombris, Bapasy, Romain Metanire, Sylvio Ouassiero, Bakary Mario-Irakiraka : Hery Bastien, Abel Anicet, Ilahimaharitra Marco, Raveloson Ryan, Ibrahim Amada, Zotsara, Toavina Debakely-Lohalaharana : Dimitri Caloin, Ramalingom Alexandre, Hakim Abdallah, Carolus, Voavy Paulin, Bôlida, William Gros L’article Kitra – Lalao firahalahiana: Barea 23 hidona amin’ny Etalons Borkina Faso a été récupéré chez Newsmada.

Fiaramanidina kely nidoboka tao Ambano Antsirabe II: naratra mafy ilay mpanamory sy mpianatra vehivavy iray
19/09/2020

Fotoana fohy taorian’ny niaingany tao amin’ny seranam-piaramanidina Antsirabe, nidoboka tamin’ny tranon’olona iray, ao Tsarafiraisana, Ambano Antsirabe II, omaly antoandro, ny fiaramanidina kely iray. Naratra mafy tamin’izany ilay mpanamory sy mpianatra ho mpanamory tao anatiny.Nitrangana lozam-piaramanidina tao Antanivao Tombon­tsoa, fokontany Tsarafiraisana, kaominina ambanivohitr’Ambano, distrikan’Antsirabe II, omaly tamin’ny 12 ora sy 10 mn. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny talem-paritry ny Polisim-pirenena ao Vakinankaratra, fiaramanidina kely iray mitondra ny laharana 5RMKX no nianjera teo an-tokotanin’olona eo amin’io toerana io raha nikasa hihazo ny seranam-piaramanidina Antananarivo Ivato. Niainga tao amin’ny seranam-piaramanidin’ Antsirabe ity fiaramanidina ity tamin’ny 11 ora sy 40 mn ka vehivavy mpianatra ho mpanamory sy ny mpanamory sady mpampianatra ny niaraka aminy. Ireto olona roa ireto irery no tao anatin’ity fiaramanidina ity, araka ny tatitra voaray avy any an-toerana. Vao niainga kelikely anefa ilay fiaramanidina ka tamin’ny 12 ora sy 5 mn, fantatra fa nisy olana teknika tao amin’ny moterany ka nitarika ny fianjerany tao amina tokotanin’olona iray. Vokany, potipotika tsy nisy noraisina ilay fiaramanidina kely, nilatsaka mihitsy ny moterany. Naratra mafy ilay vehivavy mpianatra ho mpanamory sy ilay mpanamory niaraka aminy.Nalefa any amin’ny hopitaly Loterana…Fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ny loza, tonga teny an-toerana nanao fizahana ny zava-nisy ny talen’ny fibaikoana ny Filaminam-bahoaka faritra Vakinankaratra sy ny lehiben’ny kaomisaria foibe Antsirabe, niaraka amin’ireo polisy miasa ao an-toerana. Nalefa any amin’ny hopitaly Loterana Andranomadio ireto olona roa naratra ireto, saingy tsy misy atahorana kosa ny ainy, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Naratra mafy teo amin’ny lohany izy ireo ary efa mahatsiaro tena. Nieren-doza ihany koa ireo olona tao amin’ny toerana nianjeran’ilay fiaramanidina. Ny elatra havian’ilay fiaramanidina no nahakasika ny trano ka nitarika ny fahasimbana. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana rehetra momba ity fianjerana fiaramanidina ity. Ahina ho tsy fahampian’ny tosika teo amin’ny motera teny am-piaingana no nitarika ny loza, saingy ny valin’ny fanadihadiana rehetra ny hamaritra ny marina rehetra momba ity raharaha ity.Jean ClaudeL’article Fiaramanidina kely nidoboka tao Ambano Antsirabe II: naratra mafy ilay mpanamory sy mpianatra vehivavy iray a été récupéré chez Newsmada.

Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra.
20/09/2020

Novaina ny fanamarihana tamin’ity taona ity, nafantoka manokana tamin’ny fanentanana ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika eny amin’ireo toeram-panangonana. Efa heritaona no nisian’ny toeram-panangonana tavoahangy plastika Kopakelatra manerana an’Antananarivo. Manantona ny vahoaka kokoa ireo baka fanangonana amin’ny alalan’ny « Caravane Clean Up Day Kopakelatra» ny andron’ny sabotsy 19 septambra amin’ny lalan’Ambohimanarina, 67 ha ary Ampefiloha. Ny tanjon’ny hetsika dia ny fanentanana ny olon-drehetra hanatitra ireo tavoahangy plastika efa niasa manodidina azy. Mahazo « bon d’achat » mitentina 100 000 ariary ireo izay mitondra tavoahangy betsaka indrindra amin’ireo toerana telo hijanonan’ny « Caravane ». Tratra ny tanjona tao aorian’ny hetsika satria dia 50 mahery ny isan’ireo nandray anjara ary 412 kilao kosa ireo tavoahangy plastika voaangona tamin’ireo toerana telo nandalovana. KOPAKELATRA. ‘Ndao hifandray tanana, hitandro ny fahadiovana. Miora Razafy Cet article Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra. est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra. a été récupéré chez Délire Madagascar.

Fifidianana loholona :: Voafantina ireo kandidà avy amin’ny antoko TGV
21/09/2020

Kandidà amin’ny fifidianana loholona avy amin’ny antoko Tanora malaGasy Vonona (TGV), naorin’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, no nofantenana tetsy amin’ny Arena Ivandry, efa ho andro vitsivitsy izao. Fantatra fa izy ireo no handrafitra ny lisitra hisalotra ny loko volomboasary amin’io latsa-bato hatao, amin’ny 11 desambra 2020 io, araka ny antso an-tariby nifanaovana tamin’ny depiote Rakotomanga Lanto, mpikambana eo anivon’ny birao politikan’ny antoko TGV, omaly. Voalaza fa ny Filoham-pirenena kosa no hanome fankatoavana farany momba an’izany lisitra izany. « Izay no tapaka sy nifanarahan’ireo mpikambana ao anatin’ny Vovonana miara-dia amin’ny Filoha Andry Rajoelina (MAPAR), hoy izy, ary efa vita tanteraka ny lisitr’ireo kandidà roa ambin’ny folo amin’ireo faritany enina manerana an’i Madagasikara, miampy kandidà loholona mpanampy telo isaky ny faritany ». Namaly ny mason-tsivana notakian’ny antoko ireo kandidà ireo, araka ny fanampim-panazavana. L’article Fifidianana loholona :: Voafantina ireo kandidà avy amin’ny antoko TGV est apparu en premier sur AoRaha.

Sombintsombim-baovao
18/09/2020

 Karate-Analamanga: efa saika misokatra avokoa ny Dojo fikotranana eto amin’ny ligin’Analamanga, ho an’ny taranja Karate. Efa fantatra tsara amin’ny fanajana sy fanarahana fitsipika ny mpiangaly ity taranja ity, raha ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotomalala Jean Paul, ka tsy ilaina fanentanana amin’ny fanajana ny fepetra. Isan’izany ny famerana ny isan’ny mpikotrana, tsy tokony hihoatra ny 100, ny fanasana tanàna ary ny fanajana ny elanelana. Judo-Analamanga: Miandry ny “coup d’envoi” avy amin’ny Ministera, ny fanatanterahana ny fifidianana eo anivon’ny Ligin’Analamanga Judo, raha ny nambaran’ny filoha amperin’asa, Raoelison Vola. Raha ny tokony ho izy, amin’ny volana oktobra ho avy io, ny tokony hanaovana ity fifidianana ity. Mahakasika ny famerenana ny fanazaran-tena kosa, tsy mbola isan’ireo taranja mamerina ny kotrana ny Judo. Nambaran’ny mpanazatra fa tsy maintsy miandry torolalana avy amin’ny filohan’ny FMJ, izany. Nangonon’i Mi.Raz L’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

Voina teny Ankatso II :: Hotohoton’ny afo ny tranon’ ny mpianatra
21/09/2020

Lasibatry ny afo ny trano fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II ao amin’ny Bloc Amical II, tamin’ny alin’ny sabotsy, tokony ho tamin’ny 11 ora sasany teo, araka ny vaovao voarain’ny avy ao amin’ny mini- siteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tsy fantatra mazava izay niandohan’ny afo. Nilaza ireo nanatri-maso fa mety ho ny fiakaran’ny herinaratra tampoka no nahatonga rianaratra na “court-circuit” nitarika tamin’izao fahamaizana izao. Fitopolo ny isan’ireo mpianatra tsy manankialofana sy rava fananana. Tonga teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina sy ny mpitandro filaminana, nefa mbola nanahirana ny famonoana afo noho ny tsy fahampian’ny tosiky ny rano sy ny fahasarotan’ny fahitana rano. Voatery nandeha naka rano teny Ambohipo ireo mpamono afo. Naharitra adiny telo teo ho eo vao voafehy tanteraka ny loza. Tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy. Tonga nankahery an’ireo mpianatra teny an-toerana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Assoumacou Elia Béatrice sy ny sekretera jeneralin’ny Mesupres ary ireo solontena avy ao amin’ny kabinetra. Nisy ny toerana namindrana vonjimaika an’ireo mpianatra tra-boina. Milaza ny hitady vahaolana ho an’ireo mpianatra very fitaovana sy raki-pahalalana ny minisitera, ankoatra ny vonjy voina natao tamin’ny alalan’ny fanomezana entana ilaina andavanandro, omaly, toy ny vary, voamaina, siramamy, sira, menaka, kojakojam-pidiovana ary fiarovana amin’ny valanaretina. L’article Voina teny Ankatso II :: Hotohoton’ny afo ny tranon’ ny mpianatra est apparu en premier sur AoRaha.