Eran-tany

News - Eran-tany

News - Eran-tany

Nametraka laminasa mazava ny
mpanjaka Mohamed VI any Maraoka, ho fanarenana ny toekarem-pirenena
sy ho fiarovana ny sosialy noho ny Coronavirus. Manodidina ny 13
miliara dolara ny hiatrehana izany: antoka sahanin’ny fanjakana sy
ny tahiry fampiasam-bola ho fampandrosoana fototra.
Laharam-pahamehana ny fanarenana ny indostria, ny fanajariana ny
sehatra tantanan’ny fanjakana, tahiry Mohamed VI ho fampiasam-bola.
Ny fahitan’ny mpanjaka Mohamed VI any an-toerana ny
fahasahiranan’ny mponina ny nahatonga azy nandray fepetra maro,
indrindra ho fanarenana ny toekarena.

Miara-tonga ny revolosiona
indostrialy sy ny Corona­virus, manova zavatra betsaka eo amin’ny
tontolon’ny asa, ny mpiasa sy ny mpampiasa. Manolo asa 85 tapitrisa
mialoha ny 2025 ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny. Ampolo
tapitrisa ny toeram-piasana voasolon’ny « robot ». Tsy araka ny
niheverana azy fa ho haingana ny fandrosoan’ny fampiasana ireo
fitaovana teknolojia samihafa noho ny fihanaky ny Covid-19, araka
ny fanadihadiana isan-taona ataon’ny The Future of Jobs. Mivoatra
haingana ankehitriny ny fampiasana milina any amin’ny
toeram-piasana samihafa.

Nihena 26,4 % ny fampiasam-bola
ataon’ny vahiny any Tonozia nandritra ny sivy volana voalohany
tamin’ ity taona ity, raha ampitahana ny tamin’ny 2019. Nihena
avokoa ny seha-pamokarana rehetra any amin’ity firenena ity, avy
amin’ny indostria vahiny sy ny tompon-tany. Anisan’ny tena
misongadina ireo orinasa vahiny mpanodim-bokatra, ny sehatry ny
fizahantany. Tojo fatiantoka avokoa ireo orinasa madinika sy
salantsalany (PME) ka eo am-pamolavolana ny laminasa hanarenana
izany izao ny governemanta tonizianina.

Tsara toerana ny toekarena
amerikanina maneran-tany ny taona 2012-2016, nitondran’ny filoha
Barack Obama; mifanohitra tanteraka amin’izany ny fahitan’ny filoha
Donald Trump azy. Koa nambaran’ny filoha ankehitriny ny mampiavaka
azy: ady ara-barotra amin’i Sina, ny fampidinana hetra amin’ny
ankapobeny, ny fanovana fomba fiasa amin’ny fiarovana ny tontolo
iainana… Talohan’ny Covid-19, efa nanomana politika entiny
mandritra ny fampielezan-kevitra i Donald Trump koa nomaniny ny
lafiny toekarena, nambarany fa
« tsara indrindra hatramin’izay ».

Article tiré de Newsmada

L’article Eran-tany a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 24/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

CEPE 2019: 17 ny mpiadina manana fahasembanana eto Antananarivo 

17 ny mpiadina manana fahasembanana ho an’ny fanadinana CEPE amin’ity taona ity.15 amin’izy ireo ny manana olana amin’ny fahahenoana ka miatrika ny fanadinana eny amin’ny  foibe Akama 67 ha izay ahitana ny fitaovana sy ny olona voaofana hisahana izany. 29 taona ny mpiadina zokiny indrindra raha 6 taona kosa ny kely taona indrindra hanala fanadinana. Nidina ny isan’ny mpiadina eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, lasa 28 648 raha 31 370 izy ireo ny taon-dasa. 24 845 ny manala CEPE sy ny fifaninanana hidirana kilasy T6, 153ny isan’ireo manala CEPE raha 3 650 ny hiatrika ny fanadinana CEPE fotsiny. 44 ny foibem-panadinana handray ny mpiadina eto an-dRenivohitra. 16 ny foibem-pitsarana ny kopia hotsinjaraina amin’ny CEG 15 sy ny foibe Akama 67 ha.Hotanterahina ny 27 aogositra ny CEPE, misantatra ny taranja ny opérations sy problèmes, manarana ny connaissances usuelles. Mamarana ny tapany maraina ny tantara sy ny fahaiza-miaina. Malagasy, français ary ny geographie ny miandry ny mpiadina ny tapak’andro hariva. “Manomboka amin’ny 7 ora sy sasany maraina ny fanadinana ary tapitra amin’ny 4 ora latsaka fahefany ny hariva”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra.Vonjy L’article CEPE 2019: 17 ny mpiadina manana fahasembanana eto Antananarivo  a été récupéré chez Newsmada.

Basket - News - Sport - News Mada

Basikety – “CCCOI”: manana isa 9 ny CosPN, hatreto

Mitohy ny fahombiazana! Fandresena efatra ny eo am-pelatanan’ny CosPN taorian’ny fihaonany tamin’ny ekipan’ny Mahebourg Flippers avy any Maorisy, omaly. Lavon’ny ekipa malagasy tamin’ny isa mavesatra, 89 no ho 47, ry zareo Maorisianina.Hatreto, manana isa 9 ny CosPN ary tafiditra ao anatin’ny ekipa roa voalohany manana isa ambony indrindra, miaraka amin’ny ekipan’ny Premium Cobras avy any Seychelles. Ity farany izay nandavo ny CosPN tamin’ny isa 67 no ho 66 nandritra ny lalao mandroso nifanandrinan’ny roa tonta ary mbola ekipa hiandry ny Malagasy ihany koa ho amin’ity anio ity. Lalao anio, karazana famaranana ho an’ny CosPN sy ny Cobras, ary hahafahana mamaritra ny ekipa mpandresy hiatrika ny fifaninanana “Afroligue Zone 7” amin’ny taona 2019.Mila mandresy, araka izany, ny CosPN amin’ity ady farany ity. Raha tsahivina, niady tokoa ny lalao teo aminy sy ny Cobras, ny zoma lasa teo. Nifandimby ny fampitomboana ny isa teny amin’ny solaitrabe ary hety dia hety hatrany izany. Lavon’ny ekipan’ny Seychelles tamin’ny tombon’isa 1 anefa ny ekipa malagasy tamin’ny ora farany. Na teo aza io faharesena io, mbola vonona ny hanohitra hatrany ny CosPN amin’ity lalao miverina ity ary miandrandra fandresena. Mi.RazL’article Basikety – “CCCOI”: manana isa 9 ny CosPN, hatreto a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Songadina an-tsary

Sary: Fanou sy Tiana RL’article Songadina an-tsary a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

FJKM Ambohidroa: fiderana lehibe amin’ny “Alahadin’ny mpitandrina”

Hanakoako ny fiderana an’Andriamanitra, eny amin’ny FJKM Ambohidroa Antehiroka, ny alahady izao, noho izany fotoana izany natokana ho “Alahadin’ny mpitandrina”. Hiavaka amin’ny fotoana rehetra tokoa io satria hanasana tarika roa mpanao hira filazantsara, samy fanta-daza: ny tarika Laurent Rakotomamonjy sy ny tarika Vonjy. Hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina ny fotoana, hosantarina amin’ny fotoam-pivavahana lehibe, ao amin’ny fiangonana FJKM Ambohidroa Antehiroka, amin’ny “Alahadin’ny mpitandrina”. Ny tolakandro, manomboka amin’ny 2 ora kosa, ny fampisehoana ara-pilazantsara iarahana amin’ny tarika Laurent Rakotomamonjy sy ny tarika Vonjy. Araka izany, samy hanao ny hira efa nahalalan’ny maro azy ireo hatramn’izay ny roa tonta amin’io. Nambaran’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny fiangonana  FJKM Ambohibao Antehiroka fa io ny andro iray lehibe hitrotroana am-bavaka ny mpitandrina sy ny ankohonany amin’ny adidy masina iantsorohany. Hanasana ny zanaka am-pielezana miparitaka manerana ny Nosy ity fotoan-dehibe ity. Landy R.L’article FJKM Ambohidroa: fiderana lehibe amin’ny “Alahadin’ny mpitandrina” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lalana RN-44: tena ratsy ny tapany avaratra

Efa nilaza ny filoha Rajoelina, nandritra ny fitsidihany taty an-toerana, volana vitsy lasa izay, fa tsy maintsy harenina araka ny tokony ho izy ny lalam-pirenena Moramanga –Ambatondrazaka (RN – 44). Nohamafisiny izany nandritra ny fitsidihany ny foara “Fier Mada” atao eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka.Efa manomboka ny fanajariana ny tapany atsimo, toy ny any Amboasary, ankehitriny. Hita efa misy mandrefirefy koa any amin’ny tetezan’i Ranofotsy. Tsy misy fanazavana amin’ny antsipiriany anefa ireo rehetra ireo, toy ny famatsiam-bola sy ny tentimbidin’ny asa hanaovana azy, ny faharetany, izany hoe, ny fiantombohany sy ny hifaranan’ny asa.Tsy nisy fikojakojana matotraTsy mazava koa raha aravona toy ny fahita hatramin’izay fotsiny ny lalan-tany, na tena hatao godirao manara-penitra.Ny zava-misy, azo ihafiana ny ampahany atsimon’ny RN-44, avy any Moramanga hatreo Amboasary, satria misy rarivato, fa tena ratsy ny tapany avaratra satria tsy nisy fikojakojana matotra. Tsy fantatra raha nampiasaina ny Tahirimbola hijojakojana ny lalana (Fer) na tsia. Mandritra ny fotoam-pahavatra, mitaky 50 000 Ar isaky ny fiara ny mpanosika.Rarivo sy Njaka A.L’article Lalana RN-44: tena ratsy ny tapany avaratra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Filohan’ny Antenimiera, Razanamahasoa C: « Tokony hisitraka ny sosialim-bahoaka ny faritra rehetra »

Nisokatra, omaly ary haharitra 12 andro, ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoana eo anivon’ny parlemanta roa tonta. Anisan’ny nivoitra tamin’ny lahatenin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, ny momba ny vola hiadiana amin’ny Covid-19. « Isaorana fa naneho ny mangarahara amin’ny vola ny mpanatanteraka ary nampiasaina tamin’ny sosialim-bahoaka izany. Tsy tokony ho eto Antananarivo ihany anefa ireny Vatsy tsinjo, ny Tosika fameno sy ny Tsinjo fameno ireny. Tokony hisitraka izany ny faritra rehetra », hoy izy teny amin’ny CCI Ivato. Nankasitrahiny koa ny minisiteran’ny Vola amin’ny hanomezana fitaovana ireo depiote, hanatanterahana ny asan’izy ireo. Noharabaina koa ireo minisitra vaovao miisa efatra. Na izany aza anefa, notakiny ny mbola hampidirana ho minisitra ny depiote sasany. « Miteraka fahamarinan-toerana izany ahafahana mampandroso ny firenena ka tokony ho hita taratra hatrany eo anivon’ny governemanta ny solombavambahoaka », hoy ihany izy.Tsiahivina fa anisan’ny antom-pivoriana ny hananganana ny vaomiera iraisan’ny Antenimiera roa tonta, handany ny didy hitsivolana momba fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny lalàna fehizoro ho an’ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny Antenimierandoholona, miaraka amin’ny fanendrena sy ny fifidianana ireo loholona. Manampy izany ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany.Synèse R.L’article Filohan’ny Antenimiera, Razanamahasoa C: « Tokony hisitraka ny sosialim-bahoaka ny faritra rehetra » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Noho ny ataon’ny olombelona: biby sy zavamaniry 1 tapitrisa ho ringana

Tontosa, ny 29 avrily hatramin’ny 4 mey teo, tany Paris, Frantsa, ny fivoriamben’ny IPBES na ny Vovonana iraisan’ny governemanta misahana ny siansa sy ny politika mikasika ny vondron-javamananaina sy ny fifampiankinan’ny zavamananaina. Zava-dehibe ny fihaonana, nampahafantarana ny valin’ny fanadihadiana mikasika ny tontolo iainana naharitra telo taona ary sambany nahakasika izao tontolo izao mihitsy.Tokony hanaitra ny fitondram-panjakana sy ny mpisehatra rehetra eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny valin’ity fanadihadiana ity, araka ny nambaran’ireo mpivory. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny hoe karazam-biby sy zavamaniry maherin’ny 1 tapitrisa no ahina ho ringana. Tsy ety ambonin’ny tany ihany ny voakasin’izany fa indrindra, ny any anaty rano sy ny ranomasina. Potika ny telo ampahefatry ny tontolo iainana an-tanety sy ny 66%-n’ny tontolo iainana any anaty ranomasina.Ny zavatra ataon’ny olombelona ihany ny antony voalohany mahatonga izao fahasimbana izao, araka ny tatitra hatrany. Nanomboka ny taona 1980, nitombo avo roa heny ny famoahana entona manimba na « gaz à effet de serre ». Vokany, niakatra 0,7°C ny hafanana ankapobeny, manerana izao tontolo izao. Tohin’izany, maina ny tany kanefa ny filàn’ny olombelona, mitombo hatrany, hany ka atontona amin’ny famokarana sy ny fiompiana avokoa ny ampahatelon’ny velaran-tany sy ny 75%-n’ny rano.Ankoatra izany, mihasimba hatrany ny nofon-tany ary mihazakazaka ny fitrandrahana ireo harena an-dranomasina, indrindra tamin’ny 2015. Lany avokoa mantsy ny 33%-n’ny tahirin-trondro an-dranomasina, tamin’io taona io. Misongadina be ihany koa, ao anatin’ity tatitra ity, ny fahafantarana fa nitombo avo folo heny ny fanariana ireny fako plastika ireny, nanomboka ny taona 1980. Fako mampidi-doza (vy, akora simika, akora misy poizina, fako avy amin’ny indostria, sns) milanja 300 hatramin’ny 400 tapitrisa taonina isan-taona no mivarina any anaty rano.Na izany aza, ambaran’ireo mpivory fa mbola misy ny fanantenana, raha samy mandray andraikitra ny rehetra ka manova ny fomba famokarana sy ny fomba fiainana. « Tokony hapetrak’izao tontolo izao ho vaindohan-draharaha ny fiarovana ny zavaboahary », hoy hatrany ny tatitra.Landy R.   L’article Noho ny ataon’ny olombelona: biby sy zavamaniry 1 tapitrisa ho ringana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lemaka Bas Mangoky: nomena hisafidy karazam-bary volena ny tantsaha

Ifantohana manokana miaraka amin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) ny fampiroboroboana ny fambolena ao amin’ny lemaka Bas Mangoky. Ankoatra ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, nentina any an-toerana ny vokatry ny fikarohana karazam-bary.Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Priaso (1) ny fikarohana karazam-bary mety any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Ny herinandro lasa teo, niarahana tamin’ny tantsaha mpamboly amin’ny lemaka Bas Mangoky, ny vokatry ny fikarohana. Nisy karazam-bary 18, ka 14 ny avy amin’ny Africarice ary efatra ny avy amin’ny Fofifa. Nomena sehatra malalaka hisafidy amin’izay mety aminy na PVS (2) ny tantsaha, hanatsara kokoa ny vokatra raha oharina amin’ny efa fanao tany aloha.Raha eo anivon’ny Africarice, firenena maro aty Afrika ny efa nitondrana izany nanomboka tamin’ny fanaovana andrana, misy maharitra telo taona, tonga amin’ny fambolena karazam-bary mifanaraka amin’ny toe-tany sy ny toetr’andro, hatramin’ny fomba amam-panaon’ny mpamboly. Toy izany koa ny atao any amin’ny lemaka Bas Mangoky.Tonga any an-toerana ny teknisianina avy ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena nampiofana sy nampahalala ireo tantsaha momba ireo karazam-bary ireo. Momba izay safidy izay indrindra, nampahalalana azy ireo ny dingana natao momba ny fikarohana mialoha izao fanaparihana azy izao.Atao izay hahamora ny fanapariahana sy ny handraisan’ny tantsaha azy, koa raha hita ny fahombiazana amin’ny taom-pambolena fampiharana azy, hatao izay hanatevenana azy hahazoana masomboly vaovao ho an’ny taom-pambolena manaraka. Hampahafantarana ny sampam-pikarohana ihany koa izay karazam-bary nahitana fahombiazana teo amin’ny vokatra.Tanjona ny hahazoam-bokatra 10 t/haTanjona ny hahazoam-bokatra 10 t/ha, efa vitan’ny tany Afrikanina sasany (Gabon, ohatra), any amin’ny lemaka Bas Mangoky, manomboka amin’ny fanajariana ireo fotodrafitrasa, tonga amin’izao teknika vaovao izao. Fianakaviana iray alina mahery ny mahita tombontsoa any an-toerana. Tohanan’ny Bad amin’ny famatsiam-bola ny lemaka Bas Mangoky nefa tsy any ihany ny faritra mpamboly vary eto amin’ny Nosy mila tosika amin’ny lafiny maro. Ny fanjakana koa moa, zatra miandry famatsiam-bola avy any ivelany. R.Mathieu Piaso (1) : Projet de réhabilitation des infrastructures agricoles de la région Sud-OuestPVS (2) : Sélection variétale participativeL’article Lemaka Bas Mangoky: nomena hisafidy karazam-bary volena ny tantsaha a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Seranam-piaramanidina – Sambava: ankizilahy saika voafaokan’ny fiaramanidina

Tandrevaka ! Ankizilahy roa 10 taona, avy nividy solika tamin’ny damiza tamina tobin-tsolika iray no niampita tampoka toy ny fanaon’izy ireo eo amin’ny seranam-piaramanidina ao Ambodisatrana Sambava, ny talata tamin’ny 4 ora tolakandro lasa teo. Tamin’izay indrindra anefa, nisy fiaramanidina hiainga hihazo aty Antananarivo nefa izy roa, nanivaka tampoka ny piste handehanan’ilay fiaramanidina. Vokany, tafita ny iray raha tavela teo amin’ny lalana handehanan’ilay fiaramanidina kosa ilay ankizilahy iray niaraka tamin’ilay damizana misy solika. Ilay fiaramanidina anefa tamin’io fotoana io, efa nikasa hanao ny sidina. Hatairana ny an’ny rehetra raha nahita izany satria saika zava-doza ny niseho. Ireo mpiasa misahana ny seranam-piaramanidina no niditra an-tsehatra nanala haingana ilay ankizilahy niaraka tamin’ny solika hisorohana ny loza. Azo lazaina fa somary goragora ihany ny lafiny fiarovana ity seranam-piaramanidina ao Sambava ity. Na ireo mponina eo amin’ny manodidina aza, manahy be ihany amin’izay lafiny izay satria misy tanàna manamorona ny seranam-piaramanidina. Tokony hojeren’ny tompon’andraikitra akaiky ny fepetra rehetra hisorohana ny loza toy izao, indrindra amin’ny fisiana tanàna manamorona ny seranam-piaramanidina toy izao. Ahina hisy fiantraikany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny toy izao raha tsy misy ny fandraisana andraikitra.Jean ClaudeL’article Seranam-piaramanidina – Sambava: ankizilahy saika voafaokan’ny fiaramanidina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ory hava-manana, manana havana ory…  

Misy fiarakodia vaovao na hiaka farany mandalo? Raha vazaha, hono, no mahita izay, hilaza hoe: “Rahoviana aho no hanana toy iny?” Raha Gasy na Malagasy kosa, mety hiloa-bava hoe: “Rahoviana no ho simba na hidofotra iny?”Fatra-pamisavisana ny ratsy ny Malagasy? Indraindray, tsy hiavian’ny soa… Ny manana, hono, tsy havan’ny ory; ny omby mahia, tsy lelafin’ny namany. Ohabolan-drazana efa hatry ny ela ireo: fahendrena? Na hadalana koa…Nahatonga ny hoe ny ory tsy havan’ny manana izay? Na azo itarafana izany koa… Tsy mifampilelaka ny omby mahia: samy maka ho azy, mifanaratsy an-toerana. Raha tsy izany, mionona sy miaritra fotsiny. Vokany, manana ihany ny manana.Mety hahatonga ny ory hava-manana koa ny tsy firaharahan’ny manana havana ory? Raha ho faty aho, matesa rahavana… Miteraka fihatakatahana na fankahalana ho azy ny tsy firaharahan’ny hafa ny tena?Vao mainka zava-doza izany raha fantatry ny ory fa fomba tsy mazava izay mety mahatonga ny havana ho manana, raha sanatria tsy rariny, ohatra, na asa ratsy… Mety ho natao tohatra fiakarana hampanana ny tena aza ny havana ory amin’izany.Inona no iresahana izany rehetra izany eto? Efa hatramin’ny ela ny hoe ady amin’ny fahantrana. Efa nisy filoham-pirenena aza nilaza ny hoe tsy hampahantra ny efa manana, fa hampanana ny tsy mbola manana…Tenenin-dava hoe fototry ny fampandrosona ny fihavanam-pirenena. Ahoana ny hampiara-dia ny ory hava-manana sy ny manana havana ory? Mbola misy ny mampiombona: ny tanindrazana, ny taranaka, ny fanantenana ny ho avy …Eny, na misy any ho any aza ny miseho ho tompony irery ka manjakazaka, na tsimatimanota, na lehibe tsy meloka… Eo koa ny mpikomy noho ny tsy rariny amin’izany, te hamoaka ny alahelony… Ahoana ny hampihavanana izany?Fa ny manana tsy havan’ny ory na manana havana ory aza, ary eo ny ory hava-manana. Mbola misy elanelana be izay. Toa vao mainka mihamitombo sy nihalalina aza talohaloha teo? Na mila totofana amin’ny fanovana, asa mivaingana…Rafaly Nd.    L’article Ory hava-manana, manana havana ory…   a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Tetibola 2021: hiakatra +4,5% ny fitomboan-karena
19/11/2020

Dinihina eny amin’ny Antenimiera roa tonta, anekhitriny, ny Tetibolam-panjakana LFI 2021. Raha atao indray mijery ny taona 2020, nikatso ny famokarana ankapobeny sy ny varotra maneran-tany, vokatry ny krizy Covid-19. Hisy fiantraikany amin’ny seha-pihariana sasany izany, toy ny sehatry ny fampiantranoana sy ny fisakafoana izay nihena -79,4% tamin’ity taona 2020 ity, ary -53,2% ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy. Vokany, tafidina -3,8% ny tahan’ny fitomboan-karena ho an’ny taona 2020 raha novinavinaina ho +0,8%. Tsy tena niantraika loatra any amin’ny seha-pihariana voalohany, ahitana ny fambolena sy ny fiompiana ary ny famokarana, anefa ny krizy, satria nahitana fitomboana +3,1% ny taona 2020 raha +3,5% ny vinavina.Nofaritana ao anatin’ny LFI 2021 fa hiakatra +4,5% ny tahan’ny fitomboan-karena amin’ny taona ho avy io. Hahatonga izany ny fitomboan’ny sehatra voalohany ho +3,6%, ho +10,6% ny sehatra faharoa (indostria sy fanodinam-bokatra, fanorenana BTP…) ary hiakatra +4,1% ny sehatra fahatelo (varotra sy ny servisy).Hihen-danja ny AriaryTombanan’ny LFI hiakatra +6,2% ny fidangan’ny vidim-piainana amin’ny taona 2021. Voalaza fa antony hahatonga izany ny mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, sy ny vinavina ny salanisan’ny fitomboan-karena maneran-tany ho +5,2% amin’ny taona 2021. Manampy ireo ny fihenan-danjan’ny sandambola malagasy Ariary miohatra amin’ny dolara, vola ampiasaina amin’ny fanafarana entana, indrindra ny hividianana solika. Vinavinaina hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny seha-pihariana manomboka amin’ny telo volana voalohany ny taona 2021.Manoloana ireo, hiezaka ny governemanta malagasy hanohana ny sehatry ny famokarana eto an-toerana, indrindra ny fahavitantena sakafo. Eo koa ny fananganana fotodrafitrasa (amin’ny fambolena, lalana,…), indrindra ny any amin’ny faritra sy ny distrika. Miavaka amin’ny LFI 2021 koa ny hampitomboana ny famatsiam-bola ny distrika sy ny kaominina.Njaka A.L’article Tetibola 2021: hiakatra +4,5% ny fitomboan-karena a été récupéré chez Newsmada.

Izay tsy mandroso, mihemotra… 
24/11/2020

 Mitohy hatrany ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19; eny, na toa somary mangingina ratsy aza izany na tsy mampiraika intsony ny maro. Misy hatrany, ohatra, ny tranga vaovao amin’ny fitondrana tsimokaretina Coronavirus, ny mamoy ny ainy, ny marary ao anatin’ny fahasarotana. Misy ihany koa ny marary sitrana ary tsy mamindra intsony.Efa samy difotry ny fiatrehana ny fiainana andavanandro ny maro amin’izao. Eo, ohatra, ny fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro, indrindra ny vary. Miara-dalana amin’izany ny fanahiana ny taom-pamokarana ny taona ho avy fa manahirana be ihany ny amin’ny fiavian’ny orana. Na ny fiatrehana ny maitsoahitra aza, sarotra sy mafy. Ho maitso ve ny ahitra raha tsy misy orana?Manampy trotraka izany rehetra izany, tsy maintsy atrehina ny tsy fahampian-tsakafo sy ny kere any atsimo. Himasoana sy hotanterahina amin’izay ny tena vahaolana mahomby, azo antoka, maharitra… Raharaha be koa ny amin’ny firongatry ny fanolanana sy ny fanaovana herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, izay fahalovana mikiky ny aim-pirenena.Mbola tsy mahafa-bela koa ny tsy fandriampahalemana mampikaikaika ny vahoaka amin’ny  faritra sasany, indrindra any amin’izay heverina ho lavitra fanjakana. Toa tsy misy afa-tsy olana na fahasahiranana no mavesa-danja, mibahan-toerana, talaky maso… Izany no mampiaka-peo ny mpanohitra sasany fa tsy misy inona mandeha eto na tsy misy inona hoe miova?Tsy miala amin’ny olombelona ny fahasahiranana sy ny olana. Raha tsy izany, tsy fiainana. Izay efa mety na tsara, itadiavana sy iadiana ny tsaratsara kokoa hatrany. Lozan’izay tsy mahita sy tsy mijery afa-tsy ny lafiratsin-javatra? Mitsikera, manaratsy, manakivy, mankahala, manakorontana aza. Na hoe manolo-kevitra aza, mety mamitaka fa mitady sy miady izay ho azy.Inona ny hatao? Misy ny mitady ho kivy nefa fomban’ny tsy afaka amin’izay kendreny sy ataony ny manakivy. Irosoana izay efa nanapa-kevitra, nifanarahana, natomboka. Ho hita eo tokoa… Na voa na mahavoa? Izay tsy mandroso, mihemotra.Rafaly Nd.L’article Izay tsy mandroso, mihemotra…  a été récupéré chez Newsmada.

Handball-Ligue Boeny : Un tournoi en hommage à maître Robert
20/11/2020

Pour la toute première fois après le décès de maître Robert, la ligue de Boeny de handball organisera un tournoi en son honneur. Il était un grand homme du handball dans la région. Cet hommage aura lieu au gymnase complexe sportif de Mahajanga en décembre. « C’était à travers ce grand sportif que le handball est devenu célèbre et promu dans la ligue. Il était un homme très dynamique et avait coaché le club AS Tsiky, le club de renom du Boeny. Ce tournoi sera dédié en son honneur, lui qui était à l’origine des bons résultats de ce club », a fait savoir le président de la ligue, Lianref Younous Aldin. Par ailleurs, ce tournoi entre aussi dans le cadre de la redynamisation du handball dans la ligue, après presque trois ans de break. En effet, la ligue commence à reprendre son souffle depuis qu’elle a eu son nouveau président en septembre. Ce dernier sera à la tête de la ligue pour un mandat de quatre ans. Les handballeurs viennent d’entamer la Coupe de la ligue de Boeny 2020, la semaine dernière. Ils se retrouvent à nouveau sur le terrain, puisque la dernière édition remonte à 2017. Chez les dames, les championnes de Madagascar en 2017, les joueuses de l’AS Tsiky, ont défait leurs camarades de l’AS Tsiky B sur le score de 16 à 9. En finale hommes, les joueurs de l’ASRB ont montré leur suprématie en s’imposant face à ceux du COSPN par 32 à 21. Manjato Razafy L’article Handball-Ligue Boeny : Un tournoi en hommage à maître Robert est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Handball-Ligue Boeny : Un tournoi en hommage à maître Robert a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Afro beat sy reggae: miroso hatrany i Jha’s
25/11/2020

Telo taona nilonana tao anaty mozika mafana i Jha’s. Tena ilonany sy ifotorany ankehitriny ny afro beat sy ny reggae. Amytach ny tena anarany fa nasalotra azy fahazaza kosa ny Jha’s ka notazoniny. Azo lazaina ho famaliana babena ny ray aman-dreny ny azy ny fanaovana mozika. “Anisan’ny fanirian’ny mamako, ny hahatonga ahy ho mpanao mozika ka izao tanteraka izao izany”, hoy izy. Efa maro ny sanganasan’i Jha’s ka anisan’izany ny «Tsy kivy», izay rindran-tsary novokarina sy notontosain’i Sylvanno Ratsimandresy. Miparitaka any anaty «You tube» sy ireo tambajotran-tserasera maro izany. Toy ireo mpanakanto rehetra, manana tanjona ny halaza izy. Anisan’ny fanambiny ny ho reharehan’ny zanak’i Nosy be, tanàna nipoirany. Mampiavaka azy ny fandrafetana tononkira manakaiky kokoa ny tanora ary mitarika azy ireo hanana fanantenana amin’ny fiainana. Misokatra amin’ny olon-drehetra i Jha’s, amin’ny fiaraha-miasa. “Tsy mila kivy isika rehetra na mafy aza ny fiainana”, hoy izy. Ho an’izay mitady ho kivy, henoy ilay hirany «Tsy kivy» fa mampisy fanantenana amin’ny fiainana izany, araka ny nambarany. “Mipetraka hatrany ny maha fialamboly ny mozika. Saingy fotoana izao hidirana tanteraka eo amin’ny sehatry ny mahamatihanina eo amin’ity zavakanto iray ity”, hoy i Jha’s.NarilalaL’article Afro beat sy reggae: miroso hatrany i Jha’s a été récupéré chez Newsmada.

Fiatrehana ny fifidianana : hampitombo ny vola ho an’ny eny ifotony ny loholona MMM
21/11/2020

Sarotiny amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Niton­dran’ny kandidan’ny antoko Malagasy miara-miainga va­ha­olana avy hatrany ny eny ifotony. “Hampitomboina ny tetibolan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana”, hoy ny loha lisitra, Rakoton­drai­ni­be Michel, tamin’ny fanombohana ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana loholona.Nisantaran’izy ireo iza­ny ny teo anivon’ny distrikan’ Am­bohidratrimo, notanterahina teny Talatamaty, afako­maly. Fampivoarana ny kaominina rehetra Naneho ny fahavononany ny kandida fa hanaja ny teny no­mena sy ny tamberin’andraikitra ho fanamafisana ny fitokisan’ny vahoaka sy ireo olom-boafidy. “Tafiditra ao an­a­tin’izany indrindra koa ha­mpivoarana ny kaominina rehetra ato amin’ny faritan’ An­tananarivo”, hoy ihany izy ireo. Nanterin’izy ireo koa ny fisokafany amin’ireo olom-bo­afidy rehetra tsy an-kanavaka, amin’izao fiatrehana ny fi­fi­dianana loholona, hatao ny 11 desambra izao.Synèse R.L’article Fiatrehana ny fifidianana : hampitombo ny vola ho an’ny eny ifotony ny loholona MMM a été récupéré chez Newsmada.

Insécurité dans le Sud : Le bataillon multi-missions de l’armée malgache sur tous les fronts
24/11/2020

Partie prenante dans la lutte contre le kere sévissant dans le Sud à l’heure actuelle, l’armée malgache fait de cette opération l’une de ses priorités. Cette détermination a été mise en exergue par le ministre de la Défense nationale, le général de corps d’armée Richard Rakotonirina, durant sa descente dans la localité en compagnie du Premier ministre Ntsay Christian et quelques membres du gouvernement ainsi que des représentants des bailleurs de fonds dans la région, la semaine dernière. Dans cette intervention, l’objectif principal consiste à aider des Malgaches victimes de ce type d’insécurité, à savoir la faim, les militaires s’engagent également à la lutte contre les actes de banditisme qui risquent de s’accroître dans la localité. Pour ce faire, l’armée malgache dispose déjà d’un corps spécial baptisé bataillon multi-missions (BMM) formé pour ces interventions. Vendredi dernier, le BMM vient d’envoyer 150 contingents pour renforcer les 479 déjà installés sur place depuis une cinquantaine de jours. Ces militaires sont mis à la disposition du Centre de coordination opérationnel régional qui est placé sous l’égide du ministre de la Défense nationale. Ils ont pour mission le social, comprenant des soins et distribution de nourritures, de ces populations vulnérables ainsi que leur sécurité en collaboration avec la police nationale et la gendarmerie nationale. Cette structure a été créée pour coordonner les actions à mener dans cette lutte. T.M. L’article Insécurité dans le Sud : Le bataillon multi-missions de l’armée malgache sur tous les fronts est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Insécurité dans le Sud : Le bataillon multi-missions de l’armée malgache sur tous les fronts a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Avortement non-sécurisé : Madagascar parmi les pays où l’on recense le plus de cas
24/11/2020

Atelier de concertation entre les acteurs de la santé de la reproduction à Antsirabe. (crédit photo : Anja) La situation est un peu plus complexe concernant l’avortement non-sécurisé à Madagascar. La raison à cela, une loi qui interdit l’avortement sécurisé pour diverses raisons qui peuvent être d’origine culturelle, sociale ou autre. Cela pousse les femmes à recourir à l’avortement clandestin en cas de grossesse non-désirée. A Madagascar, l’avortement non-sécurisé représente une grande majorité des avortements, ce qui peut sembler normal puisque l’interruption volontaire de la grossesse reste interdit par la loi. Mais encore, les personnes qui y ont recours le font sous de faux noms, parce que cela reste une pratique interdite.  Or, cela engendre chaque année des pertes importantes en vie humaine, surtout des mères. Les chiffres communiqués officiellement ne sont pas exacts car les données réelles ne sont pas précises sachant qu’il s’agit d’une pratique clandestine. Et pourtant, ce n’est pas faute d’interventions et de plaidoyers puisque des organisations de la société civile n’ont cessé de plaider cette cause sans obtenir l’aval de nos décideurs depuis plusieurs années. Protocole de Maputo. « Madagascar a signé le protocole de Maputo en 2005 qui permet l’avortement thérapeutique en cas d’agression sexuelle, de viol ou en cas d’atteinte à la vie de la mère ou de l’enfant. Malheureusement, ce protocole n’a pas été ratifié, ce qui rend illégal tout type d’avortement à Madagascar », a expliqué Hosea Rakotoarimanana de AFRYAN Madagascar. « Aussi, actuellement, nous n’avons d’autres recours que d’effectuer des plaidoyers pour essayer d’instaurer la loi sur l’avortement au pays », a-t-il ajouté concernant la stratégie à adopter. Pour lui, la stratégie d’approche qui consiste à approcher en premier les législateurs n’est pas la bonne, il faut d’abord conscientiser la population sur l’importance de l’avortement du point de vue social et économique. C’est ainsi que cette année, tous les acteurs dans le domaine de la santé de la reproduction souhaitent changer la donne. Aussi pour cette raison, ils ont décidé de mettre au point un réseautage en impliquant journalistes, sociétés civiles et décideurs politiques. Le constat jusqu’à maintenant est que les pays en voie de développement n’acceptent pas l’avortement sécurisé pour multiples raisons : religieuses, culturelles et bien d’autres encore. Or, hors contrôle, l’avortement représente un danger pour la santé de la mère et de l’enfant. La situation est donc à suivre de près dans les mois à venir. Anja RANDRIAMAHEFA L’article Avortement non-sécurisé : Madagascar parmi les pays où l’on recense le plus de cas est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Avortement non-sécurisé : Madagascar parmi les pays où l’on recense le plus de cas a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Raikitra ny «Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra»
19/11/2020

Hotanterahina, ny 26 hatramin’ny 28 novambra ho avy izao, manoloana ny lapan’ny Tanàna Analakely, ny « Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra, andiany I ». Mpikarakara izany ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny miaraka amin’ny minisiteran’ny Atitany ary handraisan’ireo minisitera maro samihafa anjara sy ny sehatra tsy miankina. « Anisan’ny modelin’ny fiaraha-miasa mifanaraka amin’ny vinan’ny filohan’ny Repoblika momba ny fampivoarana an’i Madagasikara ny diplaomasia toekarena », hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Tehindrazanarivelo Djacoba, tetsy Anosy ny alatsinainy teo.Fandraisana anjaran’ny « diaspora »Nanteriny fa manana adidy ny minisitera tarihiny amin’ny fandrindrana ny fifandraisana iraisam-pirenena. « Miara-miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka na ny eo anivon’ny fanjakana izany na ny eo amin’ny sehatra tsy miankina, amin’ny fampirisihana ny tsirairay handray hanjara amin’ity hetsika ity », hoy  izy. Tanjona ny ho fampiroboroboana ny toekarena anivon’ny isam-paritra ary hisintonana ny fandraisan’anjaran’ireo avy any ivelany (Diaspora). Fanombohana ny hetsika hatao ny eto amin’ny faritra Analamanga. Samy hanana ny mampiavaka azy ny andiany rehetra isaky ny faritra. “Fotoana koa io hifanakalozana hevitra momba ny fampandrosoana ny faritra Analamanga. Entanina ny rehetra ho amin’ny fiaraha-mientana hampandrosoana ary koa hahafahana mampitovy lanja ny faritra rehetra eo amin’ny lafim-piarahamonina rehetra”, hoy ny mpikarakara.Synèse R.L’article Raikitra ny «Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra» a été récupéré chez Newsmada.

Prix Africa 35.35 : Makwa Joma parmi les 35 lauréats 
23/11/2020

La slameuse- danseuse Makwa Joma au sommet de son art. Makwa Joma a été sélectionnée parmi les 35 jeunes africains les plus talentueux pour bénéficier des prix Africa 35.35 qui célèbrent l’excellence et le mérite de la jeunesse africaine et de l’Afro-diaspora. L’information a été donnée jeudi 12 novembre dernier. La jeune femme malgache a eu le mérite d’être choisie parmi plus de 500 candidats africains en Afrique et dans la diaspiora âgés de 16 à 35 ans. Les 35 jeunes sélectionnés sont porteurs de projets et de réalisations exceptionnels dans leurs communautés. L’objectif de ce prix est de reconnaître les mérites des jeunes africains d’au plus de 35 ans toutes les années. Institués en 2016, les prix 35.35 sont à leur cinquantième édition consécutive. Ils sont organisés toutes les années pour célébrer les meilleures innovations des jeunes africains. Les prix 35.35 sont une initiative d’une organisation panafricaine de jeunes professionnels présents dans 30 pays africains. L’année 2020, la plupart des artistes sont pris dans une situation de vulnérabilité à cause de la crise sanitaire due au Covid-19. Malgré les suspensions des évènements culturels à Madagascar, Makwa Joma n’a pas pris ce moment comme une récréation, au contraire, elle le prend comme un défi. Comme tous les autres artistes, elle a traversé des moments difficiles mais avec son courage et ses créativités durant le confinement, à travers des appels à candidature en ligne. Les mois de Juin elle est la lauréate du concours de projet « demain sera mien » organisé par le Fond de Dotation HY, mois d’août elle est lauréate de l’appel à projet SOFOCO organisé par Africa Culture Fund avec son projet « ose à oser » avant d’être parmi les artistes le plus inspirants du continent noir dont elle a gagné le prix 35.35. Ambitieuse, la jeune femme envisage de réaliser un autre projet pour promouvoir la culture malgache. Iss Heridiny L’article Prix Africa 35.35 : Makwa Joma parmi les 35 lauréats  est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Prix Africa 35.35 : Makwa Joma parmi les 35 lauréats  a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Basikety-Ekipa nasionaly: nahazo fanamiana avy amin’ny Telma
18/11/2020

Tsy ny taranja baolina kitra ihany fa eo koa ny basikety tohanan’ny Telma. Nahazo fanamiana avy amin’ity orinasa misehatra amin’ny serasera ity ny ekipam-pirenena hiatrika ny Afrobasket 2021 any Kigali Rwanda.Nanao tohivakana, nanomboka ny faran’ny herinandro teo, ny fanohanana ataon’ireo malala-tanana, ny ekipa nasionaly, taranja basikety, izay manoman-tena amin’ny fiatrehana ny lalao fifanintsanan’ny Afrobasket 2021. Ny fiandohan’ity herinandro ity, tonga nitsidika ireo mpilalao izay nanatanteraka fanazaran-tena teny Ankorondrano ny avy eo anivon’ny Telma. Nahazo fanamiana ity ekipa nasionaly ity nandritra izany. Tsiahivina fa hanainga afaka 4 hihazo an’i Kigali Rwanda ny delegasiona malagasy. Raha ny nambaran’ny mpanazatra ny ekipa nasionaly, 16 mirahalahy, hatreto, ny fantatra fa mandrafitra ny ekipa, saingy mety mbola hisy fiovana izany mialoha ny tena hiaingana. Etsy ankilany, mitohy ary mihamatotra hatrany ny fanomanan-tena ho an’ny ekipa nasionaly. Misy hatrany ny lalao ara-pirahalahiana ataon’izy ireo amin’ny ekipa goavana eto an-toerana ary manara-maso akaiky ny mpanazatra. Marihina, Tonizia, Centrafrique ary ny RD Congo ny miray vondrona amin’i Madagasikara, ary ny 25 hatramin’ny 29 novambra izao ny hanatanterahana ny fifaninanana ho an’ny “fenêtre 1”. Amin’ny volana febroary 2021 kosa ny hanaovana ny “fenêtre 2” ka hahafantarana izay hisolo tena ny vondrona misy ny Malagasy. Mi.RazL’article Basikety-Ekipa nasionaly: nahazo fanamiana avy amin’ny Telma a été récupéré chez Newsmada.

Soavina: navotsotr’ireo jiolahy ilay ankizikely nalaina an-keriny
19/11/2020

Notazonin’ireo mpaka an-keriny nandritra ny dimy andro ity ankizikely nalaina an-keriny ity tao Benobasy, fokontany Malaindromisotra, kaominina ambanivohitra Soavina, distrikan’Ambatofinandrahana. Araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, ny alin’ny 10 novambra lasa teo no nisy naka an-keriny tao an-trano ny ankizilahikely antsoina hoe Pierre. Ny faran’ny herinandro teo, navotsotr’ireo olon-dratsy izy. Tsy fantatra na nahazo vola takalonaina avy amin’ny fianakaviany ireo jiolahy ka namotsotra ity ankizilahikely satria mbola mandeha ny fanadihadiana ataon’ny zandary. Tsiahivina fa andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny nanafika sady naka an-keriny azy tamin’io fotoana io.Fa nitrangana fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika koa tao Andonabe Mananjary, ny alahady alina teo. Andian-jiolahy miisa fito no tompon’antoka amin’ny fanafihana. Nanapoaka basy ireo olon-dratsy nandritra ny fanafihana. Lasan’ireo mpanafika ny entana sarobidy tao an-trano niaraka amin’ny fahana telefaonina finday. Nitsoaka nihazo ny fokontany Androrangavola Andonabe ireo malaso taorian’izay. Mandeha ny fikarohana sy ny sakana ataon’ny zandary.J.C L’article Soavina: navotsotr’ireo jiolahy ilay ankizikely nalaina an-keriny a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Fifanintsanana Can 2022: tsy tokony hisy olona ivelan’ny Barea miditra an-tsehatra
20/11/2020

Mbola ambentin-dresaky ny olona hatrany aloha ny lalao nikatrohan’ny Barea de Madagascar, tamin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, ny talata 17 novambra lasa teo. Betsaka ny fanakianana, izay tokony handraisana fepetra hanatsaran-javatra.Tsy nisy tsy nahazo fanakianana na mpilalao na mpanazatra na ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), taorian’ny lalao nifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, farany teo iny. Rariny loatra izany satria manomboka milentika izany ny fahaizana sy ny zava-bitan’ny Barea de Madagascar. Efa ela ny mpijery sy ny mpankafy no mangetaheta fandresena. Raha tsiahivina, herintaona lasa izay no niaina izany farany ny mpanohana.Betsaka ny antony mahatonga izany ary samy manana ny fomba fijeriny ny tsirairay. Ny zavatra hita aloha, maro loatra ireo mijapy ny Barea sy ny baolina kitra malagasy. Mikorontana ny fandrindrana ankapobeny eo anivon’ny federasiona sy ny Barea. Mifanitsaka andraikitra ny tsirairay. Olona tsy ao anatin’ny tontolo mihitsy ary tsy mahalala akory ny antsipiriany amin’izay baolina kitra, nefa miseho etsy sy eroa. Vokany, misy fiantraikany betsaka any amin’ny lalaon’ny Barea ilay fisavoritahana madinidinika.Tokony handraisana fepetra haingana izany. Tsy tokony hisy olona ivelan’ny Barea, miditra an-tsehatra na eny amin’ny fanazarantena na mandritra ny lalao ataony. Mila mianatra ny lalàna mifehy ny baolina kitra ihany koa ny daholobe, mba tsy hilatsahan’ny sazy. Ohatra amin’izany, olona voasoratra ao anaty taratasin-dalao ihany ny afaka mipetraka  eny amin’ny “surface technique”. Iray ihany no mahazo mitsangana mandritra ny lalao, na ny mpanazatra na ny mpanampy azy.Tsara fantarina ihany koa ny atao hoe : “Match à huis clos”. Lalao tsy azo atrehina ary tsy tokony hisy tabataba na fanentanana ao anaty kianja. Tsy voahajan’ny Malagasy anefa ireo rehetra ireo, noho ny fitiavana tafahoatra ny Barea de Madagascar. Mila mifampitaiza sy mifanoro ny rehetra mba tsy hisian’ny fihemorana indray. TompondakaL’article Kitra – Fifanintsanana Can 2022: tsy tokony hisy olona ivelan’ny Barea miditra an-tsehatra a été récupéré chez Newsmada.