Eran-tany

News - Eran-tany

News - Eran-tany

600 000 ny orinasa
tena madinika, madinika sy salantsalany (TPE-PME) any
Frantsa iantohan’ny fanjakana frantsay ny findramam-bola
ataony any amin’ny banky. 0,25 % ny zanabola isan-taona, ho an’izay
orinasa sahirana amin’ny famerenana ny vola, afaka mangataka
fanalava-potoana iray hatramin’ny enin-taona, amina zanabola eo
anelanelan’ny 1 % sy 2,5 %. Voakasika amin’izany ireo trano
fisakafoana, ny mpivarotra, ny mpiompy, sns, tantanan’ny
fianakaviana na mampiasa olona 4, 6, 8. Nomarihin’ny minisitry ny
Toekarena frantsay, i Bruno Le Maire, fa tsy atao antoka amin’izany
akory ny fananana manokana an’ireo tompona orinasa, izay efa
iantohan’ny fanjakana. Nifampiraharaha ho tombontsoan’ireo orinasa
madinika ireo ny fitondram-panjakana sy ny banky.

 

Miadana, tsy araka
niheverana azy, ny fanarenana ny indostria any Alemaina
noho ny fiantraikan’ny valanaretina Covid-19. 1,2 % ihany izay
fivoaran’ny indostria izay ny volana jolay teo, raha 4,5 % ny
tombana nataon’ny fanjakana. Latsaka 11,4 % ny taham-pamokarana
raha oharina ny tamin’ny jolay 2019. Nahitana fisondrotana 6,9 %
kosa ny famokarana fiarakodia, andry iray lehibe mampatanjaka ny
toekarena alemà. Na izany aza, mbola tsy tratra ny vokatra tamin’ny
fiandohan’ny taona amin’ity sehatra ity. Nilaza ry zareo Alemà fa
tsy voadona firy tamin’ny Covid-19 fa mbola mandalo fotoan-tsarotra
mandritra ny dimy taona ny toekarena any aminy vao tafaverina
amin’ny heriny taloha.

Mampiomana ny rehetra ny
Banky foibe eoropeanina (BCE) fa mbola ho sarotra ny
fanarenana ny toekarena any Eoropa na efa misy 750 miliara euros ny
atokana ho amin’izany ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Vondrona
eoropeanina. Olana tsy maintsy atrehina: mitamberina indray ny
valanaretina Coronavirus, mihisatra ny famokarana maro. Mihanaka
amina sehatra maro ary mbola maharitra ny fiantraikan’ny
valanaretina. “Noho izany, mila tohana mafy ny fanarenana ny
toekarena”, hoy ny ao amin’ny BCE. Tsy mora ny hiatrehana izany
rehetra izany, noho ireo olana isan-karazany. Ny tena olana, hoy ny
mpahay toekarena iray ao amin’ny BNP Paribas, ny mbola fihanaky ny
aretina maneran-tany, mampikatso ny toekarena.

Article tiré de Newsmada

L’article Eran-tany a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 09/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

« Tagnamaro »: nanome an-tsitrapo ra ny mpiasan’ny fahasalamana

Niavaka ny fanehoan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny “Tagnamaro”, volana jolay. Nirohotra nanome ra teny amin’ny HJRA Anosy izy ireo ho an’ny eto an-dRenivohitra, ny asabotosy lasa teo. Nanao hetsika mitovy amin’izay avokoa ny fari-piadidiam-pahasalamana rehetra manerana ny faritra 22. ““Manome ra, manome aina” ny lohahevitra norasina ho an’ny hetsika ho fanohanana ny tahirin-dra, indrindra ho an’ireo sokajin-dra vitsy mpanana nefa mamonjy aina ao anatin’ny hamehana”, hoy ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana, ny dokotera Rakotoarivony Manitra. Afaka manome ra isaky ny telo volana ny ho an’ny lehilahy raha isaky ny efa-bolana kosa ho an’ny vehivavy ho an’ny olona 18- 60 taona salama vatana ary tsy manana aretina mitaiza. Mbola misy ny fanadihadiana mialoha ny handraisana olona hanome an-tsitrapo ra. Lafo ny kitapon-dra sy ireo “réactif” hitiliana ny areti-mifindra ao anatin’ny kitapo azo ka izay no tsy maintsy hanoloana ny ra nafindra amin’ny marary iray. Eto amintsika, ambany ny tahan’ny olona manome an-tsitrapo ra fa rehefa voatery noho ny aretina mahazo ny havany vao tonga manome ra izy ireo matetika.Entanina hatrany, noho izany, ny tsirairay hanome ra fa mamonjy aina izany.Vonjy A.               L’article « Tagnamaro »: nanome an-tsitrapo ra ny mpiasan’ny fahasalamana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitsirihana ny « logiciel »: fanambin’ny Ceni ny fahatokisan’ny besinimaro

Fitsirihana ny « logiciel »: fanambin’ny Ceni ny fahatokisan’ny besinimaro | NewsMada // window._wpemojiSettings = {"baseUrl":"https://s.w.org/images/core/emoji/2.2.1/72x72/","ext":".png","svgUrl":"https://s.w.org/images/core/emoji/2.2.1/svg/","svgExt":".svg","source":{"concatemoji":"http://www.newsmada.com/wp-includes/js/wp-emoji-release.min.js?ver=4.7.11"}}; !function(a,b,c){function d(a){var b,c,d,e,f=String.fromCharCode;if(!k||!k.fillText)return!1;switch(k.clearRect(0,0,j.width,j.height),k.textBaseline="top",k.font="600 32px Arial",a){case"flag":return k.fillText(f(55356,56826,55356,56819),0,0),!(j.toDataURL().length

News - News Mada

Ady amin’ny kolikoly: mitarazoka ny fanendrena ny tale  jeneralin’ny Bianco

Tsy mazava ny antony mampihisatra. Banga efa ho iray volana izao ny toeran’ny tale jeneralin’ny Bianco. Tapitra tamin’ny 24 jona teo ny fe-potoam-piasan’ny teo aloha, Andriamifidy Jean-Louis, nefa tsy mbola voatendry hatramin’izao ny hisolo ny toerany. Efa nahavita ny adidiny sy ny andraikitra nankinina aminy ny eo anivon’ny Komity miaro ny fahitsiana (CSI) nanao ny fikarakarana sy ny fijerena ny antontan-taratasy ho an’ireo nirotsaka hotendrena amin’izany. Anisan’ny anjara andraikitra nankinina taminy ny nanangana ny komity nifantina ireo ho amin’izany toerana izany. Hatreto, telo ireo hany voafantina farany tokony hotendrena ho tale jeneralin’ny Bianco ka ahitana mpitsara roa sy manamboninahitra ambony iray.Efa voatendry amin’ny andraikitra hafa any Afrika Tsiahivina fa anjaran’ny filoham-pirenena ny manendry izany ho tompon’andraikitra voalohany amin’ny ady amin’ny kolikoly izany. Tsy mbola voatendry anefa izany  hatramin’izao.Marihina fa efa voatendry amin’ny toerana hafa any ivelany, hisahana an’i Afrika momba ny ady amin’ny kolikoly, ny tale jeneraly teo aloha ny Bianco, Andriamifidy Jean-Louis.Synèse R.   L’article Ady amin’ny kolikoly: mitarazoka ny fanendrena ny tale  jeneralin’ny Bianco a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Atsinanan’ny Nosy: ahina ny firongatry ny aretina tazo

Misy fiantraikany amin’ny aretina na tsia ny fiovan’ny toetr’andro. Ho an’ny aretina tazomoka manokana, fepetra telo ny mampirongatra ny moka mpitondra ny tazo. Mihoatra ny 80 mm ny rotsak’orana, eo anelanelan’ny 18°C sy 32°C ny hafanana ary mihoatra ny 60% ny hamandoana. Rehefa feno ka mitambatra ireo fepetra ireo, mirongatra ny moka mpamindra ny aretina tazo, araka ny fanazavan’ny teknisianina ao amin’ny sampandrahaaha fahasalamana sy ny toetr’andro ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana, Razafindramavo Lalao Madeleine, tany Antsirabe. Tsapa amin’izao fotoana izao fa misy ny moka velona mpamindra tazo eto afovoan-tany satria feno ny fepetra raha tsy nahitana izany taona maromaro tany aloha.Misy ny filazam-baovao avoakan’ny sampandraharaha isaky ny telo volana, mampahafantatra ny aretina mety hiseho avy amin’ny tombana omen’ny singa mandrafitra ny toetry ny andro amin’ny toerana iray. Nambaran’ny filazam-baovao farany avy amin’ny sampandraharaha fa  nahina ny firongatry ny aretina tazo ho an’ny distrika maromaro tamin’ny herinandro voalohany : i Besalampy, i Mahajanga, i Mananjary. Ho an’ny herinandro faharoa, tafiditra ao Antananarivo Avaradrano, Antsirabe I-II… Ary hiseho ny aretina tazomoka any Antsiranana, any Ambilobe, any Ambanja… ho an’ny herinandro fahatelo.Ho an’ny volana mey kosa, ahina ny fisehoan’ny aretina tazomoka ho an’ny ilany atsinanana iray manontolo manomboka aty amin’ny distrikan’i Vohémar ka hatrany Taolagnaro. Mety hirongatra koa ny aretim-pivalanana ho an’ny tapany avaratra, nanomboka ny volana avrily ka hatramin’ny volana jona ho avy izao.Ho fisorohana ny firongatry ny aretina tazomoka, tokony hamafisina ny fanaraha-maso ny aretina samihafa sy ny ady atao amin’ny aretina tazo. Mila atao tsy tapaka koa ny fanadiovana ny lobolobo samihafa fanatodizan’ny moka mpamindra tazo.Vonjy A.          L’article Atsinanan’ny Nosy: ahina ny firongatry ny aretina tazo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Korea – Fihaonana an-tampony fiovan’ny toetry ny andro: nitanisa ny ezaka vitany ny minisiteran’ny Tontolo iainana

Anisan’ny mandray anjara amin’ny fihaonana an-tampony hiresahana momba ny Tahiry maitso ho an’ny toetry ny andro (FVC) any Songdo, Korea Atsimo, ny minisitra Alexandre Georget. Notanisainy tamin’izany ny ezaka efa vita momba ny tontolo iainana. Anisan’izany fampihenana ny  « les émissions de gaz à effet de serre » hatrany amin’ny 14% hatramin’ny taona 2030. « Eo koa ny  fambolen-kazo sy ny fiarovana ny ala na ny tontolo iainana. Ny ady atao amin’ny doro tanety. Manampy izany ny fampiroboroboana ny angovo nohavaozina sy ny fanodinana ny fako”, hoy ny izy raha nifampidinika amin’ireo minisitra maromaro avy amin’ny firenen-tsamihafa miatrika ny fihaonana. Anisan’izany ny avy any Kongo, ny avy any Kamerona, ny avy any Maraoka na koa ny avy any amin’ny faritr’i Sahel iny. Anisan’ireo firenena marefo amin’ny mety ho fiantraikan’ny fiovan’ny toetry ny andro rahateo i Madagasikara, araka ny nambarany. Na izany aza, nambarany fa ilaina ny tohana vola hiatrehana izany. Manampy ireo ny lafiny teknolojia… « Tokony hahazo fanohanana avy  amin’ny FVC i Madagasikara manoloana izany hamehana izany…”, hoy ihany ny minisitra.Tsiahivina fa nanomboka ny 19 ary hifarana ny 23 aogositra izao izany fivoriana an-tampony iresahana ny fiovan’ny toetry ny andro izany.Synèse R.   L’article Korea – Fihaonana an-tampony fiovan’ny toetry ny andro: nitanisa ny ezaka vitany ny minisiteran’ny Tontolo iainana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga

Misy anticyclone (tsioka atsimo) matanjaka mitondra rivotra mando ary mandrafitra ny toetry ny andro, mandritra ny faran’ny herinandro sy amin’ny fiandohan’ny herinandro vaovao.Hidina hatramin’ny 1°C any Vakinankaratra ary 4°C ho an’ny faritra Analamanga ny maripana farany ambany, manomboka rahampitso hatramin’ny alarobia ho avy izao, araka ny fanazavan’ny teknisianina, Randrianarison Rivo, eny Ampandrianomby, omaly. Hilatsaka 6 ka hatramin’ny 8°C amin’ny tokony ho izy, ao anatin’ny volana jolay tahaka izao ny maripana saika manerana ny Nosy. 14 ka hatramin’ny 16°C ny maripana ambony indrindra ho an’ny afovoan-tany. Ny taona 2013 no niseho farany ny fidinan’ny maripana tahaka izao satria hatrany amin’ny 2°C ny tany Vakinankaratra. Ny alakamisy ho avy izao vao hiakatra tsikelikely ny maripana ambany indrindra. Mila miomana amin’ny fepetra mifandraika amin’izany ny rehetra, indrindra ireo marefo ara-pahasalamana sy manana aretina mitaiza.Hahazo orana ny tapany atsimon’ny Nosy, rahampitso sy ny alatsinainy, nikisaka aty amintsika ilay front avy any Afrika Atsimo mitondra  hamandoana be. Ankoatra ny orana, mafimafy ny fitsokan’ny rivotra (55-65km isan’ora) saika amin’ny morontsiraka rehetra ka hampahery ny onjan-dranomasina. 3,5 ka hatramin’ny 6 metatra. Hanomboka anio hariva ary hitohy hatramin’ny talata ho avy izao izany tranga izany ka tokony ho mailo noho izany ny mpampiasa ranomasina rehetra, indrindra ireo sambo madinika. Tsy tokony hiandriaka intsony, araka ny toromariky ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly.Vonjy      L’article Hamely mafy ny hatsiaka: 1°C Vakinankaratra, 4° C eto Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hentitra ny filoha Rajoelina: « Hosazina sy horoahina ny mpitsara manao kolikoly »

Mba tsy ho resabe fotsiny. Nihaona tamin’ny eo anivon’ny Filankevitra ambony ny mpitsara (CSM) ny filoha Rajoelina, omaly teny Ambohitsorohitra. Hentitra ny tenany nanoloana azy ireo. “Tsy ekeko ny mpitsara mitanila. Tsy olom-bitsy no hampahory vahoaka ka tsy hampisy filaminana eto. Aoka izay ny namanamana. Ambany lalàna ny mpitsara. Hosazina ary horoahina ireo mpitsara manao kolikoly”, hoy ny filoha. Nambarany ho anton’ny fihaonana ny hanatsarana ny tontolon’ny fitsarana. Nanteriny fa ilaina ny fitsarana itokian’ny vahoaka ary lavitry ny kolikoly. “Betsaka ny fitarainana avy amin’ny vahoaka tonga aty amiko momba ny fitsarana. Miadana loatra ny asan’ny fitsarana. Marobe ireo naiditra vonjimaika am-ponja nefa tsy mbola  voatsara”, hoy ihany ny filoha. Nohitsiny fa maro ireo manana ny rariny nefa resy eny amin’ny fitsarana.Tsy matoky mpitsara ka manao fitsaram-bahoaka… Tsy matoky ny mpitsara ny olona ka lasa manao fitsaram-bahoaka. Tsy hilamina ny tany raha tsy mipetraka araka ny tokony ho izy ny fitsarana, araka  ny  fanamafisany. Manoloana izany, nambarany fa haverina ny hasin’ny CSM hanana ny tena asany, ny andraikiny. Hapetraka ny sivana ka tokony hitantana ny rafi-pitsarana rehetra ny mpitsara  mendrika. Nomeny toromarika koa ny  CSM mba hanaovana fanadihadiana ireo fitarainan’olon-tsotra fa tokony hisy tohiny  avokoa ireny. Nambaran’ny filoha fa hatao matetika ny fihaonana, tsy hitanila ny asa atao ary ilaina ny fitsarana marina eto amin’ny firenena.Synèse R.  L’article Hentitra ny filoha Rajoelina: « Hosazina sy horoahina ny mpitsara manao kolikoly » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Beyrouth-Liban: Malagasy roa naratra tamin’ilay fipoahana

Vehivavy teratany malagasy miisa roa, hatreto, ny nampahafantatra tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera « facebook » fa naratra noho ilay fipoahana mahery vaika indroa niantoana tao Beyrouth-Liban, ny talata lasa teo. Naratra nipitihan-javatra izy roa vavy ireo. « Tsy mbola misy kosa fampitam-baovao ofisialy avy eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny mikasika ireo teratany malagasy any Liban taorian’iny loza iny», hoy ny fanambaran’ny loharanom-baovao iray. Fantatra fa mbola maro ireo olona tadiavina ary mitohy ny famotorana ataon’ny masoivoho any an-toerana. Tsiahivina fa toerana fitahirizana nitrate d’ammonium milanja 2 000 taonina mahery ilay nipoaka tao anatin’ny minitra vitsy. Raha ny tatitra navoakan’ny Croix rouge, nahatratra 100 mahery ireo maty ary manodidina ny 5 000 ireo naratra. Tanàna an-kilaometatra maro koa ny nahitana fahasimbana taorian’ny tranga. Taorian’ny loza, firenena maro ny efa nanome tanana an’i Liban. Henintsoa HaniL’article Beyrouth-Liban: Malagasy roa naratra tamin’ilay fipoahana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Barea de Madagascar: tsy afaka hanao ny “Can 2019” i Zotsara

Vaovao ratsy ny nambaran’ny mpanazatran’ny Barea de Madagascar satria tsy afaka ny hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, hatao any Egypta, afaka iray volana mahery, Randriambololona Zotsara. Voadoana teo amin’ny lohaliny mantsy ny lehilahy, ny faran’ny herinandro lasa teo.Mafy ilay dona sy ny ratra nahazo azy ka tsy afaka ny hiakatra kianja mandritra ny enim-bolana izy. Raha tsiahivina, iraikiraka mpanafika eo anivon’ny FC Fleury 91, ekipa entin’i Nicolas Dupuis, i Zotsara. Sahiran-tsaina fatratra, araka izany, ny ekipa teknika eo anivon’ny Barea de Madagascar, ny amin’izay hahasolo azy.Marihina fa hanomboka ny faran’ity volana mey ity ny fampivondronana ireo mpilalao, hiatrika ny “Can 2019”. Fiomanana ihany koa amin’ireo lalao fitsapana, hikatrohana amin’i Luxembourg ny alahady 2 jona sy ny amin’i Kenya, ny zoma 7 jona ho avy izao. Aorian’io vao hitodi-doha eto Madagasikara ny Barea de Madagascar, hiatrika fanazarantena etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Tompondaka L’article Barea de Madagascar: tsy afaka hanao ny “Can 2019” i Zotsara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Raindahiny amin’ny fanendahana: jiolahy iray tratra teny amin’ny fasan-dRainiharo

Saron’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany (CSP1) Analakely, afakomaly ny jiolahy iray 33 taona, malaza ratsy amin’ny fanendahana eny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, niainga avy amin’ny fitoriana nataon’olona iray no nahafahana nisambotra ity jiolahy ity. Lehilahy iray no nisy nanendaka teo Isoraka, ny alarobia teo, raha nandeha niasa vao maraina. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny finday avolenta roa mitentina 9 tapitrisa Ar ka lasa nitsoaka nihazo ny lalana Tsaralalana ireo olon-dratsy. Lehilahy iray 50 taona koa no nendahin’ireto jiolahy ireto ihany koa teo Tsaralalana ihany. Afaka niantso vonjy ity raim-pianakaviana ity ka raikitra teo ny fifanenjehana. Tratra teo amin’ny fasan-dRainiharo ny jiolahy iray raha tafaporitsaka kosa ny namany iray. Hitan’ny polisy tany aminy nandritra ny fisavana azy ny antsy lavalela iray niaraka tamin’ny telefaonina finday sy vola. Samy nanizingizina ireo mpitory fa ity jiolahy ity no nanendaka azy ireo ary ilay mpitory faharoa aza nahatadidy azy nanindrona antsy ny tanany. Ny fanadihadian’ny polisy hatrano no nahafantarana fa jiolahy efa malaza ratsy eny Analakely ity jiolahy ity.Jean ClaudeL’article Raindahiny amin’ny fanendahana: jiolahy iray tratra teny amin’ny fasan-dRainiharo a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Praiminisitra Ntsay Christian – Fivorian’ny ONU: «Nakorontan’ny Covid-19 ny toekarena sy ny demokrasia…»
28/09/2020

Nisolo tena ny filoham-pirenena tamin’ny fivoriana an-tampon’ny Firenena mikambana (ONU), andiany faha-75, tanterahina any New York, ny Praiminisitra Ntsay Christian. Notanisainy tamin’izany ny olana natrehina sy ny fanamby manoloana ny Covid-19.Notanterahina, ny asabotsy alina teo, tamin’ny alalan’ny « visio-conférence », ny anjara lahatenin’ny lehiben’ny governemanta. « Nanamarika izao jobily izao ny fihanaky ny Covid-19, niraisan’ny rehetra. Vao mainka nihalalina ny hantsana momba ny toekarena sy ny tsy fitoviana sosialy na niezaka niady mafy aza ny ONU. Nahazo laka ny tsy filaminana sy ny tsy fandriampahalemana iaisam-pirenena. Nivily lalana ny fanajana ny zon’olombelona tamin’ny firenena maro. Tsy maintsy namehotra ny datim-pifidianana efa voatondro ary nikorontana hatramin’ny demokrasia. Nahenika izao tontolo izao ny krizy toekarena ary marefo tanteraka ny lafiny sosialy, mampanahy ny hoavin’ireo vahoaka antapitrisany maneran-tany », hoy izy.Ny famokarana ny tambavy CVO…Notsiahiviny avy eo fa anisan’ny niady mafy tamin’ny valanaretina i Madagasikara na teo aza izany rehetra izany. Noraisina ny fepetra rehetra miaraka amin’ny fahaiza-manao nanentanana ny rehetra manoloana ny Covid-19. Napetraka ny paikady niatrehana izany ka narahina akaiky ny fihanak’izany. Teo koa ny fanampiana ireo mponina marefo sy ny fiatrehana ny hanarenana ny toekarena.Notanisainy ny nametrahana ny CCO sy ny CRCO. Ny fanampiana ny sehatra tsy miankina hiarovana ny asa tsy ho very ka nohamaivanina ny hetra. Ny tohana ho an’ny mpiasa ary ny nanamboarana ny tambavy CVO, novokarin’ny Imra, iadiana amin’ny Covid-19.« Tsy niady irery anefa izahay fa teo ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ireo mpahay siantifika. Isaorana avokoa ireo mpiasan’ny fahasalamana, ireo niasa an-tsitrapo, ny mpitandro filaminana, ny sehatra tsy miankina sy ny mpiasa avy amin’ny fanjakana… », hoy ihany izy. Nanteriny fa 93% ny tahan’ny fahasitranana raha 1% kosa ny tahan’ny fahafatesana, ho an’i Madagasikara.Demokrasia, kolikoly, tany tan-dalàna…Natsidiky ny praiminisitra tamin’ny lahateniny koa fa hametra ho laharam-pahamehana ny sehatra rehetra ny fanjakana, manoloana ny tsy maintsy hanenjehana ny fampandrosoana noho ny fahatarana. Anisan’izany ny fanamafisana ny ady atao amin’ny kolikoly, indrindra ny anivon’ny asam-panjakana. Eo koa ny fanamby ho an’ny fanjakana tsara tantana ka tafiditra ao anatin’izany ny lafiny fandriampahalemana sy ny fitsarana. Ezahina ny fanajana ny tany tan-dalàna sy ny fampiroboroboana ny demokrasia. Anisan’izany ny hanatanterahana ny fifidianana loholona ny desambra izao. « Mbola laharam-pahamahena ny fanarenana ny toekarena sy ny sosialy…  Eo anilanay ny sehatra iraisam-pirenena sy ireo mpiara-miombona antoka hiaraka hanatratra aminay izany fanamby izany ary efa isaorana amin’ny efa nataon’izy ireo », hoy ny lehiben’ny governemanta.Synèse R.L’article Praiminisitra Ntsay Christian – Fivorian’ny ONU: «Nakorontan’ny Covid-19 ny toekarena sy ny demokrasia…» a été récupéré chez Newsmada.

Toetry ny andro: hafana eto afovoan-tany
28/09/2020

Hiakatra ny maripana eto afovoan-tany, indrindra ny eto Antananarivo, ho an’ny telo andro manaraka ary ho maina ihany koa ny andro, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, eny Ampandrianomby, omaly. Amin’ny maha fotoana mampisara-taona azy, mifandimby ny vanim-potoana ririnina sy ny fahavaratra mandritra ny tontolo andro indraindray ka izay no mahatonga ny volon’andro fahavaratra somary mibahan-toerana fa tsy mahatonga orana aloha, hatreto, izany na miakatra aza ny maripana. Ny faritra Vakinankaratra no hahazo orana sy ny tapany atsimo noho ny fandalovan’ny rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy izay handrafitra ny mety ho toetry ny andro. Tsy mbola ahina ny fiforonana rivodoza ho an’ny telo andro manaraka. Ny volana novambra ny fanombohan’ny fisehoan’ny rivodoza amin’ny ankapobeny. Handrivotra ny tendrony avaratry ny Nosy, ary hisy fidinana misongadina manomboka rahampitso ny maripana ambony any Sava sy any Analanjirofo.Anio maraina, hanorana ny any Miandrivazo sy ny ilany andrefan’i Bongolava sy i Vakinankaratra. Hisy zavon-tany vao maraina any Vatovavy Fitovinany, any Atsimo Atsinanana ary ny ilany atsinanan’afovoan-tany. Ny tapany hariva, hanorana mety harahin-kotroka any Bongolava, sy i Miandrivazo ary ny atitany ny faritra Melaky sy any Ambanja, ny ilany atsinanan’Atsimo Andrefana, Anosy, ny tapany avaratr’Anosy. Ho an’ny maripana, eto Antananarivo 14° sy 27°C ny maripana raha 11° sy 27 °C ny any Antsirabe.Vonjy A.L’article Toetry ny andro: hafana eto afovoan-tany a été récupéré chez Newsmada.

Sauvegarde environnementale et sociale : Le projet CASEF implique les maires et les chefs de district
28/09/2020

Les acteurs communaux participant à la session de formation organisée à Fénérive-Est. Six sessions de formation en matière de sauvegarde environnementale et sociale ont été organisées dernièrement par l’AT CASEF au profit des maires et des chefs de district dans les régions Analanjirofo et Atsinanana. L’AT CASEF constitue une assistance technique composée du bureau d’études INSUCO, du CIRAD et du Centre Technique Horticole de Tamatave, qui met en œuvre les activités du projet CASEF (Croissance Agricole et de Sécurisation Foncière) visant à développer des filières d’exportation sur la côte Est de Madagascar. Plus précisément, 46 personnes, dont une trentaine de maires, 7 chefs de district, des chefs de cantonnement forestier, des agents environnementaux des deux directions régionales de l’agriculture, élevage et pêche concernées, ont participé à ces sessions de formation. L’objectif global de cette formation consiste à sensibiliser les participants sur l’importance de la préservation de l’environnement et le respect des droits des personnes susceptibles d’être affectées par le projet CASEF. La formation vise également à présenter les effets négatifs potentiels des investissements du projet et les mesures d’atténuation prévues. Gestion des plaintes. Il faut savoir que de nombreux thèmes ont été abordés dans le cadre de ces sessions de formation. On peut citer entre autres, la législation malagasy et les politiques de la Banque Mondiale sur lesquelles sont basées les mesures de prévention et d’atténuation des risques et effets environnementaux et sociaux négatifs potentiels. Les actions à conduire pour éviter ou limiter les effets négatifs des activités du projet sur l’environnement, les populations et leurs biens ou pour bonifier les effets positifs, y ont été également soulevés. A titre d’illustration, la sécurisation foncière des sites de plantation, la réalisation de reboisements compensatoires, la collecte et l’enfouissement des sachets plastiques après mise en terre des plants, s’imposent. Le mécanisme de gestion des plaintes, n’est pas en reste. Ce qui donne la possibilité à chaque partie prenante du projet de faire des doléances ou de déposer des plaintes qui seront transmises, sans déformation de leur contenu, et examinées dans les meilleurs délais par les personnes ou structures habilitées. Synergie d’actions. Toujours dans le cadre de ces formations, des échanges fructueux ont eu lieu entre l’AT CASEF et les acteurs communaux. Ce qui permettra de renforcer la synergie d’actions entre les deux parties en ce qui concerne la préservation de l’environnement, la sécurisation foncière des plantations, la mise en œuvre du mécanisme de gestion des plaintes. Par ailleurs, c’était également une occasion de rappeler aux responsables des collectivités territoriales décentralisées les activités du projet CASEF sur les filières cannelle, curcuma, litchi et grenadelle touchant 29 organisations de producteurs réparties depuis le district de Mahanoro au sud jusqu’à celui de Soanierana au nord. Ses appuis se concentrent principalement sur la formation technique des producteurs, le renforcement institutionnel des organisations de producteurs et des coopératives, ainsi que sur la commercialisation de leurs produits. De leur côté, les participants ont salué l’initiative de l’AT CASEF tout en formulant des suggestions et des doléances, afin d’être mieux associés dans l’avenir aux activités du projet. Ils se sont engagés à veiller dans le cadre de leurs responsabilités, à l’application des mesures de sauvegarde environnementales et sociales dont ils sont maintenant bien imprégnés, afin d’assurer la durabilité des actions promues par le CASEF. Navalona R. L’article Sauvegarde environnementale et sociale : Le projet CASEF implique les maires et les chefs de district est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Sauvegarde environnementale et sociale : Le projet CASEF implique les maires et les chefs de district a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Famindrana ny fitantanana ireo CTC amin’ny Ministerany Fahasalamam-bahoaka
23/09/2020

Nohon’ny fahaiza-mitantan’ny fitondram-panjakana dia nahitana fihenana ny isan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus. Noho izany dia nakatona tamin’ny fomba ofisialy omaly 23 Septambra 2020 ny ivon-toerana fandraisana ireo mararin’ny coronavirus (Centre de Traitement Covid-19) ao Mahamasina, izay ivon-toerana farany nandray ireo marary.  Ireo hopitaly lehibe arak’izany no mandray an-tànana ny fitsaboana ireo marary. Azo lazaina fa mifanaraka tsara amin’ny toe-java-misy eto Madagasikara izao fanakatonana ity ivon-toerana ity izao noho ny fahavitsian’ireo mbola mila fitsaboana.  Araka ny nambaran’Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Rakotovao Hanitrala Jean Louis dia ny fanakatonana ity ivon-toerana ity tsy midika akory hoe tapitra ny ady fa mbola mila manaraka ireo fepetra rehetra mba hitazomana izany vokatra tsara izany. Manomboka izao dia ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka no handray an-tànana izay mahakasika ity valanaretina ity ary nanamafy ireo tomponandraikitra fa hanohy ny ady sy hametraka ny paikady mahomby rehetra amin’ny fifehezana ity valanaretina ity ary ahafahantsika mandresy ny coronavirus. L’article Famindrana ny fitantanana ireo CTC amin’ny Ministerany Fahasalamam-bahoaka a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Ivelan’ny ara-dalàna: mitombo isa hatrany ny mpivarotra
26/09/2020

Mitombo ihany ny asa ivelan’ny ara-dalàna, araka ny fanadihadiana natao, indrindra ny tsy fitoviana eo amin’ny fidiram-bolan’ny lahy sy ny vavy. Misongadina hatraiza hatraiza izany eto Madagasikara.Mibaribary ny tsy fitoviana eo amin’ny fitadiavana tantanin’ny lahy, manan-tombo kokoa no ho ny tantanin’ny vavy. Miainga any amin’ny fahasarotan’ny fahitan’ny vehivavy asa aloha izany ary mbola hita ihany koa ny elanelana eo amin’ny karama. Anisan’ireo antony ireo ny mampitombo ny « mpivarotra amoron-dalana ».Hita izany aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika sy eto Madagasikara. Na olona nahavita fianarana ambony aza ireo olona ireo, mbola sarotra ho azy ireo ny mahazo asa araka ny fepetra ara-dalàna. Raha ny fanadihadiana natao, maherin’ny 50 % ny manana Bac misafidy mivelona amina karazam-barotra fa tsy mamokatra. Sarotra ny mahazo famatsiam-bola. Porofo fa tena mahantra i Madagasikara.Amin’izay asa an-tselika izay, tsy mitovy ny tanjany: misy mivarotra fiara, ao ny mivarotra voanjo fa tena betsaka raha eto Antananarivo ny mivarotra sakafo masaka. Amin’io sokajy iray io, mbola hita ihany koa ny elanelana be loatra na amin’ny vidiny na amin’ny kalitaony.Hita amin‘ny sokajin’asa ivelan’ny ara-dalàna ny karazana asa sy ny olona manao azy. Araka izay ihany koa ny sokajin’ny mpanjifa, mifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny tsirairay. Tombanana 1500 miliara ariary isan-taona ny vola tsy miditra amin’ny fanjakana raha eto Antananarivo fotsiny : varotra sy fitaterana no tena betsaka. Fitaterana eto, tsy amin’ny fiara ihany fa hatramin’ny sarety sy posy. Matiantoka voalohany ny kaominina manodidina, na misy manao fanambarana izy ireo, tsy izy rehetra akory. R.MathieuL’article Ivelan’ny ara-dalàna: mitombo isa hatrany ny mpivarotra a été récupéré chez Newsmada.

Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona
24/09/2020

Mitohy ny lalana, ary miakatra hatrany ny laharan’ny ekipam-pirenena malagasy Robotika. Efa maro ireo fanamby notakina amin’izy ireo, ary tontosany soa aman-tsara avokoa nandritra izay fotoana lavalava nisian’ny fifaninanana “First Global Challenge 2020” izay. Hiatrika ny fanamby faha-25 sady farany ireto tanora manampahaizana ireto, ka naka aingam-panahy tamin’ny fitsidihana ozinina. Nandray azy ireo ny ekipan’ny Star, tany amin’ny ozinin’ny Eau Vive any Andranovelona, omaly. Nijery mivantana ireo milina miasa ao amin’ny ozinina, hananan’izy ireo hevitra amin’ny fanamby farany hatrehiny. “Mahafaly ny ekipan’ny Star ary reharehan’ny rehetra ny dingana vitan’ny ekipam-pirenena Robotika. Efa ao anatin’ny dimy voalohany maneran-tany, ary tohanantsika hatrany mba samy hanakatra ny kintana izy ireo”, hoy ny nambaran-dRandriambolamanana Seheno, tompon’andraikitra voalohan’ny serasera ao amin’ny Star. “Misaotra manokana ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izahay, izay nandray an-tanana anay nandritra ny fifaninanana ary nanohana hatrany. Misaotra ny Star koa noho ny fandraisan’izy ireo teto amin’ny ozinina fa misy azo entina miatrika ny dingana farany izany”, hoy ny nambaran’ny mpikambana iray ao amin’ny ekipa. Tsiahivina fa fifaninanana iraisam-pirenena mahakasika ny Robotika ny “First Global Challenge”. Ho an’ireo tanora mpianatra, 14 hatramin’ny 18 taona, izany ka manana fitiavana manokana amin’ny fikarohana. Tsy mena-mitaha amin’ireo ekipan’ny firenen-kafa ny ekipa malagasy hatramin’izay. Mbola mahavelombolo ihany koa ity ekipa amin’izao ity.Zo ny AinaL’article Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona a été récupéré chez Newsmada.

Faritra Analamanga: nampahafantatra ny fisitrahana rano ny OSCEAH
29/09/2020

Nisy ny atrikasa nandritra ny roa andro tetsy Antanimena, momba ny fahaiza-mandresy lahatra ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena eo amin’ny rano sy ny fahadiovana eto Analamanga (OSCEAH), tarihin’ny filohany, Ranaivoson José.Nanatrika izany ireo solontenan’ny fikambanam-behivavy sy ireo sokajin’olona marefo toy ireo manana fahasembanana avy eto amin’ny faritra Analamanga.Nampahafantarina azy ireo ny fanaovana sisi-kevitra hahazoana vokatra haingana eo amin’ny fisitrahana rano sy fahadiovana. Eo koa ny fampahafantarana azy ireo ny zo amin’izany rano sy fidiovana izany.Nahafahana nihaino ny hetahetan’ny olona eny ifotony sy hitadiavana vahaolana ny atrikasa. Tamin’izany no nahafantarana fa sarotra ny fahazoana rano madio amin’ny faritra avo eto Antananarivo.Voafetra kosa ny fahazoana rano madio fisotro eny amin’ny faritra iva kanefa anisan’ny toerana be olona sy tena mila ny rano madio sy fidiovana eny. Mbola maro kosa ireo toerana tsy manana toeram-pidiovana sy fotodrafitrasa ho amin’ny fahadiovana.Tetsy andaniny, nilaza ny filoha nasionalin’ny OSCEAH, Raveloson Arsène, fa mbola ambany ny fahazoana rano madio fisotro, indrindra ny any atsimon’ny Nosy. Sahirana ny olona ary miaina tanteraka anaty tsy fahampian-drano.Tatiana AL’article Faritra Analamanga: nampahafantatra ny fisitrahana rano ny OSCEAH a été récupéré chez Newsmada.

Misoko mangina ny isan’ireo maty: tafakatra 228 ireo lavon’ny covid-19
26/09/2020

Tsy re tsaika, efa hananika ny 230. Namono olona iray indray ny valanaretina coronavirus, omaly. Avy any amin’ny faritra Matsiatra Ambony izy io ary notsaboina tao amin’ny CHU Andrainjato. Tafakatra 228 izany izao ireo lavon’ny covid-19 hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.Etsy an-daniny, midina hatrany ny isan’ireo tranga vaovao. Miisa 30 ireo nifindran’ny valanaretina ka avy eto Analamanga ny 10 amin’izany. Fito avy ny any Alaotra Mangoro sy Diana. Efatra ny any Matsiatra Ambony raha iray avy ny any Atsimo Andrefana sy ny avy any Menabe.Nihena tahaka izany koa ireo anaty fahasarotana. Miisa 11 ireo “forme grave” izao raha 15 izany teo aloha. Miisa 34 ireo sitrana ka tafakatra 14 867 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa 16 221. Nidina ho 1 124 kosa ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.Synèse R. L’article Misoko mangina ny isan’ireo maty: tafakatra 228 ireo lavon’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Volley-Stefauto: efa nahita mpilalao hanatevin-daharana 
26/09/2020

Iray volana latsaka taorian’ny nitadiavan’ny mpanazatra mpilalao lava hanatevin-daharana ny ekipany, efa nahita ireo ankizy ireo ny klioban’ny Stefauto. Araka ny fanazavan’ny mpanazatra, mpilalao avy eto Antananarivo sy avy any Toliara ireo voafidy ireo, izay mbola tanora, saingy efa nilalao Volley avokoa. Tsiahivina fa  miisa telo izy ireo ary miandry fiantsoana, amin’izao fotoana izao. Alohan’ny 5 oktobra izao ity fiantsoana ity ary hanomboka amin’io ihany koa ny fanazaran-tena ho an’ny klioban’ny Stefauto. Marihina fa hanamafisana ny fanoherana sy ny fanafihana “contre” sy “attaque” ny tena nitadiavana azy telo vavy lava ireto. Azo lazaina ho mampiseho fahavononana tanteraka amin’ny fifaninanana ho avy, na ny nasionaly na ny iraisam-pirenena ny Stefauto ary taratra sahady izao fisian’ny mpilalao vaovao izao.Raha hiverenana ny tamin’ny taon-dasa, laharana faharoa ny Stefauto, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, faritra fahafito (CCCOI), rehefa nolavoin-dry zareo Renioney teo amin’ny lalao famaranana. Mpilalao mendrika teo amin’ny “Contre” i Armella ary mendrika teo amin’ny “reception” kosa i Emma. Mi.Raz L’article Volley-Stefauto: efa nahita mpilalao hanatevin-daharana  a été récupéré chez Newsmada.

Martin R. – Paibato: “Nopoizinin’ny vahiny ny asa tanana”
24/09/2020

Sokitra, paibato, paikafo, hosodoko… Mbola tena vitsy dia vitsy ny mivelona amin’ny fantanterahana asa tanana tahaka ireny, raha eto Madagasikara. Antony iray mahatonga izany ny tsy fananan’ny Malagasy ilay kolontsaina manome lanja azy io. “Matetika izahay mahare hoe: “io ve dia vidiako amin’izany?”, hoy i Martin R. mpanao paibato, eny Andriambato Antananarivo Atsimondrano. Nambarany fa “ny fanabeazana mihitsy no niteraka io tranga io. Tadidiko tsara, tsy nahay kajy aho tany amin’ny kilasy faha-5. Hoy ilay mpampianatra anay: “alefa manao teknika ianao raha izao no mitohy” ”.Raha ny fanazavan’ity raim-pianakaviana ity hatrany: “toa midika avy hatrany fa ny olona tsy afaka loatra any amin’ny fianarana no alefa manao teknika. Tsy ilana fampiasana saina ve izany ny teknika”? Nanao randra-mitarika io toe-tsaina io ka raha vao asa tanana, tahaka ny zava-maivana eo anoloan’ny Malagasy, raha ny fanazavany.Vokatr’io poizina nalentiky ny vahiny ao an-tsain’ny Malagasy io, ilay maha zavakanto ilay vokatra mihitsy no takona ka tsy tazan’ny Malagasy, raha ny nambarany hatrany. “Tena sarotra ny mampitaha na mampifandanja ny aingam-panahy sy ny vola. Saingy, ny an’ny Malagasy, raha vao asa tanana, tsy tokony hosandaina be loatra”, hoy i Martin Paibato.Tolo-kevitra natolony ny hisian’ny fanabeazana ny fiarahamonina hanome lanja sy hasina ny asa tanana. “Aza hadinoina fa avy amin’Andriamanitra ny talenta. Izy io anefa no milina lehibe ahavitana ny asa tanana. Raha tsy omena ny hasina sahaza azy ny talenta, mitovy amin’ny tsy manome lanja Ilay namorona sy nanome azy izany”!Nanangona: HaRy RazafindrakotoL’article Martin R. – Paibato: “Nopoizinin’ny vahiny ny asa tanana” a été récupéré chez Newsmada.

Craam – Madagaslam: hiverina ny hetsika slam eny amin’ny Oniversite
25/09/2020

Manomboka miverina tsikelikely ny hetsika ara-javakanto na mbola eo aza ny hamehana ara-pahasalamana mihatra eto Madagasikara. Hotanterahina etsy amin’ny Craam oniversiten’Antananarivo ny hetsika  «  Slam à l’U »,   handraisan’ny rehetra anjara. Hetsika anisan’ny fiaraha-miasan’ny fikambanana Madagaslam  sy ny Craam ity atao, anio, 25 septambra 2020, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ity. Seho ara-kolontsaina efa fanao teo aloha, saingy noho ny hamehana dia nisy fiatoana izany ka izao manomboka miverina izao indray.   Araka ny nambaran’ny mpikarakara dia tsy maintsy arahin’ny rehetra ny fitsipika ara-pahasalamana «  geste barrières » ho an’ny mpanatrika mba hisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara.NarilalaL’article Craam – Madagaslam: hiverina ny hetsika slam eny amin’ny Oniversite a été récupéré chez Newsmada.

Kitra: maratra i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea
28/09/2020

Manana olana ny Barea de Madagascar, amin’izao fotoana izao, satria tsy afaka ny hanatrika ny fampivondronana sy ny lalao firahalahiana, hatao any Luxembourg, i Abel Anicet, kapitenin’ny ekipa.Araka ny fampahafantarana hita tao amin’ny tambanjotran-tserasera, maratra i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea de Madagascar. Tratry ny faharovitana ny hoza-peny, nandritra ny fanazarantena niarahany tamin’ny Ludogoretz, ekipa misy azy, ny zoma lasa teo. Vokatr’izay, tsy afaka miakatra kianja mandritra ny telo herinandro i Abel Anicet.Vaovao ratsy ho an’ny ekipam-pirenena malagasy izany satria tsy ho anisan’ireo mpilalao hanatrika ny fiofanana sy ny fampivondronana ataon’ny Barea de Madagascar, any Luxembourg, izany izy. Mbola ao anatin’ny fialan-tsasatra ary manaraka fitsaboana tanteraka i Abel Anicet, amin’izao fotoana izao.Raha ny fanambaran’ny mpitsabo azy, any ho any amin’ny faha-19 oktobra i Abel Anicet vao afaka hiverina hiakatra kianja. Mialoha izany anefa, tsy maintsy mbola hamerina tsikelikely ny tanjany amin’ny fanazarantena mitokana, atrehin’ny mpanazatra, izy. Tsy ao anatin’ireo hiatrika ny lalao firahalahiana hifanandrinana amin’ny Swift Hesperange, ekipa D1-n’i Luxembourg, hatao ny 11 oktobra ho avy izao, ihany koa ny kapitenin’ny Barea de Madagascar.Raha tsiahivina, tafiditra ao anatin’ny fanomanantenan’ny Barea de Madagascar io lalao io, amin’ny fiatrehana ny lalao roa mandroso sy miverina hidonana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Can 2022”.Lalao mandroso hatao any Abidjan ny 9 novambra ary any Toamasina, ny 17 novambra 2020. Ny Ivoarianina izay manoman-tena fatratra ihany koa ity fihaonana ity ka raha ny fantatra,  hifanandrina amin’i Belzika, any Bruxelles, izy ireo ny 8 oktobra ary hifandona amin’i Japon ao amin’ny kianja Utrecht, Pays-Bas, ny 13 oktobra, mialoha ny handraisany an’ny Barea de Madagascar. TompondakaL’article Kitra: maratra i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.