EPP Antsahabe – Fizarana sosialim-bahoaka: maro ireo nitaraina, voailika amin’ny Vatsy tsinjo

News - EPP Antsahabe – Fizarana sosialim-bahoaka: maro ireo nitaraina, voailika amin’ny Vatsy tsinjo

News - EPP Antsahabe – Fizarana sosialim-bahoaka: maro ireo nitaraina, voailika amin’ny Vatsy tsinjo

Notanterahina, omaly talata, teo
amin’ny EPP Antsahabe ny fizarana ny sosialim-bahoaka ho an’ireo
olona sahirana vokatry ny valanaretina Covid-19. Fokontany maromaro
no indray nizarana izany, anisan’ireny ny teo Antsahabe sy
Ankorahotra ary Ambohitsiroa. Betsaka ireo olona tsy tafiditra tao
anaty lisitra ka nimenomenona. Nasain’ireo tompon’andraikitra eo
anivon’ny fokontany nisy azy, nanao fitarainana izy ireo. Nisy ireo
nanatanteraka izany fa tao kosa ireo nampionon-tena. Ankoatra izay,
maro ireo niteny fa tratran’ny fanavakavahana satria na ny fanisana
aza, tsy natao azy ireo akory. Tsy nandalovan’ireo mpanao
fanadihadiana akory ny tokantranon’izy ireo nefa dia sasa-niandry
tao ry zareo. Tsy tapaka olona mihitsy tao an-tranony satria
miandry ireo tompon’andraikitra hanao fanisana. Etsy ankilany,
tondroin’izy ireo ho misy fijerena tavan’olona sy akamaakama ilay
izy, satria saika havan’ireo olona miasa ao amin’ny fokontany ny
ankamaroan’ireo nahazo ilay sosialim-bahoaka. Nisy ihany koa ny
mbola fijerena lokon’antoko ka voadingana na tsipihina ao anaty
lisitra, raha vao mpanohitra, araka ny fitarainana nataon’izy ireo.
Nanaitra ny maro koa ny nahita ny namoahan’ny olona teo amin’ny
fokontany Antsahabe, ny sarin’ny fiara Mazda iray mameno vary sy
baoritra misy menaka sy ronono ary olona mitovy no mitaona izany.
Voalaza fa anisan’ireo nibata entana mivoaka avy ao amin’ny EPP
Antsahabe hatramin’ny mpamily ilay fiara. Manoloana izany, miantso
ny tompon’andraikitra mahefa ireo vahoaka eo amin’ireo fokontany
ireo, hanokatra fanadihadiana sy hanasazy faran’izay mafy izay
nanao ny tsy mety.

Randria

Article tiré de Newsmada

L’article EPP Antsahabe – Fizarana sosialim-bahoaka: maro ireo nitaraina, voailika amin’ny Vatsy tsinjo a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Tantara sy finoana: 150 taona ny FJKM Ambohimamory

Vohitra iray anisan’ny manan-tantara eto Imerina i Ambohimamory. Anisan’ny nanamarika vanim-potoana iray lehibe ny fijoroan’ny fiangonana FJKM, 150 taona lasa izay. Ireo no hiaraka ao anatina hetsika iray hotontosaina eny an-toerana ao anatin’ny andro efatra, ao amin’ny FJKM Ambohimamory Malala OrimbatoManomboka anio 3 aogositra, fampirantiana ny tantara. Rahampitso 4 aogositra, miditra amin’ny 7 ora sy amin’ny 10 ora maraina ny fiangonana. Mitohy hatrany ny fampirantiana aorian’izay. Ny 10 aogositra tontolo andro, fanohizana ny fampirantiana. Ny 11 aogositra, ivon’ny jobily faha-150 taon’ny fiangonana FJKM Ambohimamory Malala Orimbato. Miditra amin’ny 8 ora maraina ny fanompoam-pivavahana. Fijoroan’ny isan-taranaka (vokatra) hitondra fanilo miampita. Hisy ny sakafon-jobily.Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa misy ny antsoina hoe « komitin’ny faha-15 aogositra ». Isaky ny amin’io andro io no hihaonan’ny zanak ‘Ambohimamory hanehoana ny talentan’izy ireo. Raha ny voalazan’ny tantara, Ambohimitsinjorano ny anaran’ity vohitra ity fahiny. Nanjary Ambohimamory izy taty aoriana. Anisan’ireo toerana fihaonan’ny andriambaventy teto Imerina.HaRy Razafindrakoto L’article Tantara sy finoana: 150 taona ny FJKM Ambohimamory a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Raharaha Antanimena: hiakatra fitsarana anio ilay miaramila

Raharaha Antanimena: hiakatra fitsarana anio ilay miaramila | NewsMada // window._wpemojiSettings = {"baseUrl":"https://s.w.org/images/core/emoji/2.2.1/72x72/","ext":".png","svgUrl":"https://s.w.org/images/core/emoji/2.2.1/svg/","svgExt":".svg","source":{"concatemoji":"http://www.newsmada.com/wp-includes/js/wp-emoji-release.min.js?ver=4.7.11"}}; !function(a,b,c){function d(a){var b,c,d,e,f=String.fromCharCode;if(!k||!k.fillText)return!1;switch(k.clearRect(0,0,j.width,j.height),k.textBaseline="top",k.font="600 32px Arial",a){case"flag":return k.fillText(f(55356,56826,55356,56819),0,0),!(j.toDataURL().length

News - Ao Raha

Pilo kely #4509 aroson’i Mamy Be

L’article Pilo kely #4509 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

WWF – Fiovan’ny toetr’andro: loza miantraika amin’ny faritra arovana sy ny mponina

Zava-misy eto ambonin’ny tany izao ny fiovan’ny toetr’andro, miantraika mivantana sy tsy mivantana amin’ny faritra arovana eto Madagasikara. Betsaka ny loza aterak’izany, toy ny haintany, ny rivo-mahery, ny fihenan’ny rotsakorana.Loza mihatra ho an’ny faritra arovana ny fiovan’ny toetr’andro, miantraika any amin’ny biby, ny zavaboary sy ny zanak’olombelona. Nambaran’ny WWF fa mora andairan’ny fiovan’ny toetr’andro ny 72 amin’ireo faritra arovana 122 misy eto amin’ny Nosy. Miainga avy amin’ny fanadihadiana siantifika ny manamarina izany. Tsy mety amin’izany toetr’andro izany ny fiainan’ireo zavaboary ao anatin’ireny faritra ireny. 53 % tena mora andairan’ny loza, 47 % mora andairan’ny loza.Manova zavatra betsaka ao anaty ala ny rivodoza mateti-piavy na ny haintany, miteraka fahapotehan’ny ala, mitarika fahavoazan’ireo zavaboary ao. Manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, raha marefo ny faritra arovana, maivana toy izany koa ny soa ho an’ny mponina. Ny tontolo ao anatiny no fiavian’ny loharano, sakafo sy akora fototra maro samihafa. Any amin’ny mponina mivantana ny fiantraikan’izany raha foana ireo zavaboary ireo. Miankina betsaka amin’izany tontolo iainana izany ny fiainan’ny mponina, saingy izy ireo ihany ny mpitrandraka sy manapotika azy.Nofinofy raha ao anatin’ny fahantranaAo anatin’izany tatitra izany, ahitana tolokevitra sivy naroson’ny WWF hampifanaraka ny fiainan’ireo zavaboary sy ny mponina manodidina ny faritra arovana. Nasian-teny, ohatra, ny fanamafisana ny fitantanana sy ny fiarovana, fampihenana ny fandripahana ala. Ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny fizahantany maitso, hampidi-bola ho an’ireo  mpitantana sy mivelona aminy, hampihena ny fiankinan-doha. Ohatra, hampihena ny fitrandrahana ala hanaovana saribao. Tsy tratra ny tanjona raha tsy foana ny fandripahana ala. Ny ala salama  no vahaolana azo antoka mampihena ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro. Nofinofy fotsiny izany rehetra izany raha ao anatin’ny fahantrana ny maro. R.MathieuL’article WWF – Fiovan’ny toetr’andro: loza miantraika amin’ny faritra arovana sy ny mponina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Cnaps: fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa amin’ny masera

Anisan’ny mpiasa mpikarama ny sehatry ny fampianarana sy ny fiangonana. Tafiditra ao anatin’izany ny “Fikambanan’ny masera madinika eraky ny fitiavana”, miparitaka manerana ny Nosy. Sahanin’izy ireo ny manabe sy mitaiza ny zaza sahirana any ambanivohitra. Koa satria mampiasa olona ry masera, zon’ny mpiasa ny misitraka ny fiahiana sosialy. Natao teny Andrambato Itaosy, ny herinandro lasa teo, ny fiofanana mikasika ny fitantanana maha olona, toy ny fampidirana ao anatin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS), ny fanefana latsakemboka, ny fanampiana ny mpiasa sy ny ankohonany, ny fanampiana ny tra-doza na marary vokatry ny asa, ny fisotroan-dronono, sns. Nilaza ny mpanolotsain’ny toniam-pitantanan’ny CNaPS, Rakotomanana, fa tafiditra ao anatin’ny fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny fiangonana katolika ity fiofanana ity. Nampahafantarina koa ny dingana arahina amin’ny fangatahana fanampiana.Nambaran’ny masera Agnès sy Gabrielle, fa tena ilaina amin’ny asan’izy ireo ny fiahiana sosialy. Ankoatra ny asa fitoriana, afaka manentana any ambanivohitra koa izy ireo ary mangataka ny tohan’ny CNaPS, indrindra ny any lavitra.Njaka A.L’article Cnaps: fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa amin’ny masera a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fimpima Analamanga Mi.Kolo: hirakitra tantara, hira, dihy ny « Vakomanitra »

Tantara tsangana mitondra ny lohateny « Izay mivadika aloha kely ila ». Io no holalaovin’ny mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy sampana Analamanga Mi.Kolo (Miaro ny kolontsaina), anio manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Cemdlac Analakely. Nofehezin’izy ireo ao anatin’ny anarana « Vakomanitra » ity seho ity noho ny fisian’ny tantara sy hira ary dihy ao anatiny. Tantara tsangana nosoratan-dRazafindrafidy Maholy Ramarolahy na Ny Rian’ala, narindran-dRatsimba Ny Aina Zo na i Zou Bloom ho azo lalaovina an-tsehatra.« Izay mivadika aloha kely ila », tantara miresaka sedram-pitiavan’olon-droa, fitiavana ny tenindrazana sy ny tanindrazana. Izany hoe, fiverenana amin’ny fitiavana voalohany, tsy nolaroina na safiotra.Marihina fa ity ny hetsika voalohany hataon’izy ireo (Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy sampana Analamanga Mi.Kolo) eto Antananarivo Renivohitra, raha toa ka faharoa taorian’ny tany Ambatomena Mananara izay nanatanterahan’izy ireo asa soa.HaRy  Razafindrakoto L’article Fimpima Analamanga Mi.Kolo: hirakitra tantara, hira, dihy ny « Vakomanitra » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jly Rakotonirina Théophile: « Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika »

“Inona no nataontsika miaramila ka mety nahaosa ny Tafika Malagasy?”. Io no lohahevitra  nifantohan’ny fivoariambe narahina atrikasa nataon’ny teo anivon’ny Tafika Malagasy nandritra ny roa andro. Nilaza ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika (Cemgam), ny Jly Rakotonirina Théophile fa raha miombona isika dia mandresy ny Tafika.Nifarana  omaly ity fivoriambe nanaovan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy izay nandinihana manokana io lohahevitra io. Fivoriana nentina nanaovana tatitra mikasa ny asa sahanin’ny miaramila isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany, nijerena ireo olana sedrain’izy ireo amin’ny fanaovana ny asa sy ny andraikiny ary nijerena vahoalana. Nivoaka tao anatin’ity atrikasa ity ny famerenana ny fandriampahalemana sy ny fampanajana ny tany tan-dalàna ary navoitra tamin’izany ireo lesoka hatramin’izay ka nahaosa ny Tafika Malagasy. Nilaza ny Cemgam fa navadika ho asa avokoa izay rehetra nivoaka tao anatin’izay roa andro izay. “Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika. Ato amintsika ato ihany no misy olona mamotika ny ezaka tiantsika hatao”, araka ny nambarany hatrany, nandritra ny famaranana ity fivoriana ity. Notsipihiny fa isan’ny lesoka ny tsy fanarahan-dalana sy ny tsy fahampian’ny fiofanana ka maha ambany kalitao eo amin’ny sehatry ny asa. Nambarany fa mahatratra 403 ireo fandikan-dalàna nataon’ny Tafika.Jean ClaudeL’article Jly Rakotonirina Théophile: « Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Zava-bita tsara indrindra: 2 600 000 ny hazo voavoly

Tsy mbola  nisy tahaka izao. Tanjona napetraky ny filoha ny hamboly hazo amin’ny velarana 40 000 ha isan-taona hameranana ny Nosy ho maitso sy hanalefahana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetry ny andro. “38 500 ha hatramin’izao no vita, araka ny tatitra taorian’ny fivorian’ny talem-paritry ny minisiteran’ny Tontolo iainana”, hoy ny fanazavan’ny talen’ny fambolen-kazo ao anatin’ny minisitera, i Jaozandry Jean Jacques, tany Mahajanga. Heverina fa ho tratra izany hatramin’ny faran’ny taona. Anisan’ny hamaliana ny vina ny fambolena zanaka ala honko any Boanamary, ao amin’ny distrikan’i Mahajanga II, ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Tafiditra ao anatin’ny Andro maneran-tany ho an’ny ala honko rahateo ny hetsika. 1 tapitrisa ny hazo voavoly tao anatin’ny tontolo andro, notarihin’ny minisitry ny Tontolo iainana, i Alexandre Georget. Niampy iray tapitrisa tany Befotaka Morombe  sy ny tany Diana miisa 600  000 izany. Nampiasa ny fomba “Tangnamaro” ny mpamboly hazo ka nirindra ny asa nahavitana ny velarana 200 ha. “Ny fahavononana politika mihitsy no tsy ampy”, hoy ny minisitra.Vonjy A. L’article Zava-bita tsara indrindra: 2 600 000 ny hazo voavoly a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Atletisma – Fiadanantsoa Sidonie: fahombiazana avy hatrany ny fandraisana anjara voalohany

Sambany ho an’i Fiadanantsoa Sidonie ny fandraisana anjara amin’ny “Lalaon’ ny Nosy”, saingy izao nahazoany vokatra tsara izao sahady. Atleta vao misandratra manana hoavy mamiratra izy, araka izany, raha izao fivoarany izao. Tsahivina fa efa nifaninana tamin’ny “CJSOI” teo amin’ny sokajy « cadette”, ny taona 2016, i Sidonie ary nahazo medaly volamena. Isan’ireo atleta niatrika fiofanana tany Sina izy ka izao nioty vokatra tsara izao, tamin’ity andiany faha-10 ny “Lalaon’ny Nosy” ity. Efatra taona izay no nidiran’i Sidonie ao anatin’ny taranja atletisma. L’article Atletisma – Fiadanantsoa Sidonie: fahombiazana avy hatrany ny fandraisana anjara voalohany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – fifaninana afrikanina: nahemotra ny fisoratana anarana 

Noho ny zava-misy iainan’ny fanatanjahantena afrikanina, indrindra ny baolina kitra, nanapa-kevitra ny kaonfederasiona afrikanina (Caf) fa hahemotra ny farafisoratana anarana ho an’ireo fifaninanana ho an’ny klioba.Tokony ho omaly alahady 30 aogositra ny daty farany nandefasana ny anaran’ireo ekipa roa, isaky ny firenena avy, hiatrika ny fifaninanana afrikanina amin’ny baolina kitra, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny amboaran’i Afrika, ho an’ny taona 2020/2021. Nanapa-kevitra anefa ny kaonfederasiona afrikanina (Caf) fa ahemotra amin’ny volana oktobra izany satria maro ireo firenena misedra olana noho ny tsy fahavitan’ireo fifaninanam-pirenena, manoloana ny fisian’ny valanaretina Covid-19.Notapahina ihany koa fa raha tsy misy afaka ireo klioba, izay nandray anjara tamin’ny taon-dasa no afaka misolo tena indray ny fireneny. Etsy ankilany, raha toa ka tsy ampy ny hoenti-manana amin’izany dia tsy misy solontena izany. Miteny mialoha fotsiny amin’ny Caf izay tsy afaka ny handray anjara tsy hisian’ny sazy.Hatreto izany, mbola afaka miandrandra ny Malagasy fa hanana ekipa hiatrika ireo fihaonana roa ireo, amin’ity taona ity. Mbola hisy ny fivoriana iarahan’ny federasiona sy ny Club de football elite de Madagascar (CFEM) sy ireo ekipa rehetra ary ny mpiara-miombona antoka sy ny mpanohana, hotanterahina rahampitso talata. Eo ny hahalalana ny ho fanapahan-kevitra rehetra ny amin’izay ho solontenan’i Madagasikara. Tsiahivina fa efa nitsahatra tanteraka ny fifaninanam-pirenena malagasy ka tsy nisy ny ekipa voatondro ho tompondaka na tompon’ny amboara.Na izany na tsy izany, mila ny fanampiana avy amin’ny federasiona sy ny fitondrana izay ekipa hiatrika izany satria mety ho lalao tsy azon’ny rehetra jerena na “à huis clos” ny fihaonana ka tsy hisy izany ny vola miditra ho an’ny ekipa mifaninana. Tompondaka L’article Kitra – fifaninana afrikanina: nahemotra ny fisoratana anarana  a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Firehetana teny Namontana :: Vehivavy lehibe, 86 taona, may tao an-tranony
23/09/2020

Soa fa voavonjy haingana teny amin’ny hopitaly HJRA ity vehivavy lehibe iray, 86 taona, niharan’ny fahamaizana vokatry ny firehetan’ny tranony, teny Namontana Anosibe, afak’omaly alina. Nahazo trano hafa teo akaikiny ny afo saingy nalaky tonga tamin’ny fifehezana ny loza ny sampana mpamonjy voina. Mipetra-drery ao amin’ny trano hazo iray eny Namontana ry Mama Rasendra, araka ny loharanom-baovao teny an-toerana. Tokony tamin’ny 6 ora hariva no tsikaritr’ireo teo amin’ny manodidina ny afo niredareda tao amin’ny tranony. Nanao ny asa famonjena voalohany ny fokonolona saingy nahery loatra ny firehetana satria trano hazo ity lasibatra. Voalazan’ny loharanom-baovao teny amin’ny hopitaly HJRA fa « tsy misy atahorana intsony ny ain’ilay vehivavy lehibe, 86 taona ». L’article Firehetana teny Namontana :: Vehivavy lehibe, 86 taona, may tao an-tranony est apparu en premier sur AoRaha.

Fonjamby-Fiofanana: anio sy rahampitso ny fanadinana
25/09/2020

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fiofanana ho mpanazatra “niveau 2”, taranja fibatana fonjamby, tanterahina etsy amin’ny kianja mitafo Ankorondrano. Mialoha ny hanomezana Mari-pankasitrahana ireo mpiofana, hiatrika fanadinana izy ireo anio sy rahampitso. Adina an-tsoratra sy fampiharana moa no hataon’izy ireo amin’izany. Tsiahivina, 10 andro ny faharetan’ity fiofanana ity ary efa nanomboka ny herinandro lasa teo izany. Mpampiofana manana ny maha izy ny mizara traikefa, manam-pahaizana iraisam-pirenena malagasy, hahitana an’ i Harimalala Solomampionona Rakotoarisena. Miisa 20 mianadahy ny miofana ary avy amin’ny ligy 6, Analamanga, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Itasy, Boeny ary Vakinankaratra. Nambaran’ny mpampiofana fa nisy fitohizana satria ireo niatrika ny “niveau 1” ihany ireto manaraka ny fampianarana ho an’ny “niveau 2” ireto. Izany hoe, efa manomboka miditra lalindalina kokoa amin’ny “planification”, “périodisation”, “anatomie”ary ny “blessure”. Antenaina, araka izany fa hitondra fivoarana eo amin’ireto mpiofana ireto, raha ny nambaran’ny mpampiofana hatrany. Azo lazaina ho fohy rahateo ny fotoana kanefa mbola maro ny tiana hampitaina ka inoana fa any amin’ny fampiharana no hanatevina ny fahalalany ny mpiofana. Mi.RazL’article Fonjamby-Fiofanana: anio sy rahampitso ny fanadinana a été récupéré chez Newsmada.

  Mila fitandremana: be loatra ny tantara mampiahiahy
26/09/2020

 Amin’ny ankapobeny, saika ireo vahiny no nanoratra sy nahasoratra ny tantaran’i Madagasikara sy ny zava-nitranga teto fahiny. Tsy misy hamaivanina ireny, satria, mila manana fototra mazava ny firenena sy ny mponina ao aminy. Amin’izao vanim-potoana lalovan’ny firenena izao anefa, mitobaka etsy sy eroa ireny asa soratra ireny. Ny fitaovana ahafahana manapariaka izany rahateo efa maro, anisany ny facebook izay. Ho an’ny mpikaroka, “be loatra ny mampiahiahy amin’ireny voalaza ao anatin’ny facebook ireny, raha ny momba ny tantara nisy teto Madagasikara”. Tsy eo amin’ny tantaram-pirenena ihany fa tafiditra ao anatin’io na ny lafiny kolontsaina, ny toekarena, sns, raha ny fanazavan’ireto mpikaroka ireto.Na izany aza, anisan’ny mampanan-karena ny voka-pikarohana ny hamaroany. Maro ny azo sintonina sy halalinina. Ho an’ny avara-pianarana izay fa ho an’ny olona tsotra mamaky ny avoaka any anatin’ireny tambajotran-tserasera ireny, inona no mety ho vokany? “Tsy ho afaka ny hanakana ny fisiana sy ny fampiasana azy ireny isika fa ny azo atao, tezaina amin’ny fomba fampiasana ireny tenolojia ireny ny Malagasy. Atoro ny tsirairay ny hahafahany manovo soa avy amin’ireny”, hoy ny mpahay momba ny fiarahamonina. Iza anefa no ampianatra sy hampita izay fahalalana izay?HaRy RazafindrakotoL’article   Mila fitandremana: be loatra ny tantara mampiahiahy a été récupéré chez Newsmada.

Pilo kely #4513 aroson’i Mamy Be
28/09/2020

L’article Pilo kely #4513 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Paul Rabary : “Tsara foanana ny Antenimierandoholona sy ny CFM”
25/09/2020

Hevitra hafa koa. Nitondra ny fahitany ny raharaham-pirenena ny mpandinika ny fiarahamonina, Rabary Paul. Nambarany fa tsy ny Antenimierandoholona ihany no tokony foanana.“Ho an’ny firenena toa an’i Madagasikara, mavesatra be ny Antenimierandoholona. Satria efa misy ny solombavambahoaka voafidim-bahoaka eo anivon’ny Antenimierampirenena.  Etsy an-kilany, mbola misy ny loholona voafidin’ny mpifidy lehibe” hoy ny mpandinika fiarahamonina, i Paul Rabary, manoloana ny adihevitra ny amin’ny Antenimierandoholona.Raha te hahita vokatra amin’ny fampandrosoana isika, tokony hahena ny fampandehan-draharaha ary hampitomboana ny fampiasam-bola. Izay no azo atao raha ny fitantanan-draharaham-panjakana eo amin’ny fiezahana hitondra fampandrosoana.Tsy azo ahena na itarina ny fe-potoam-piasan’ny loholona, fa mila hajaina ny lalàna velona misy eto Madagasikara. Noho izany, tokony hirosoana ny fifidianana loholona hatao amin’ny 11 desambra.“Inona ny nataon’ny CFM, hatramin’izay ka hatramin’izao? Inona ny zava-mivaingana nataony? Nampihavana ve izy sa tsia? Inona ny asa fampihavanana nataony?”, hoy kosa izy momba ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM). Nisy fikarohana nataon’ny CFM ve momba izay fampihavanana izay: inona ny manakorontana, inona ny mampihavana? Raha handeha amina fety na mijoro etsy sy eroa, ohatra: aleo zava-mivaingana ?R.Nd. L’article Paul Rabary : “Tsara foanana ny Antenimierandoholona sy ny CFM” a été récupéré chez Newsmada.

Rabenandrasana Lalao – Boky: « Tsy mankasitraka ity nomerika ity aho »
24/09/2020

Tsy ny hira irery intsony fa hatramin’ny boky, anjakan’ny mpanao piraty! “Raha izaho manokana, tsy mankasitraka ity nomerika ity aho. Jereo tsara fa mitondra faisana mihitsy ny tontolon’ny boky manoloana ny PDF ataon’ny sasany. Boky amidy 10 000 Ar, amidin’ny mpanao piraty any anaty “facebook” 500 Ar”, hoy ity filohan’ny Federasion’ny mpikanto teny sy soratra ity.Tahaka izany ihany koa ny fampiasana ny tablety. “Tsy mahasolo ny boky na oviana na oviana iny. Rehefa tena mivoaka ny tanàn-dehibe, tena mbola vitsy dia vitsy ny tanana manana herinaratra. Dia ho azo antenaina ve fa hitondra vokatra tsara ho an’ny Malagasy ny fananana ny tablety kanefa ny herinaratra, tsy lasa lavitra akory? Ny eto an-dRenivohitra aza, tapa-dava!”, hoy hatrany Rabenandrasana Lalao.Nambarany fa mila paikady mazava ny tontolon’ny boky eto Madagasikara raha tiana ny hahazo vokatra tsara avy aminy.HaRy RazafindrakotoL’article Rabenandrasana Lalao – Boky: « Tsy mankasitraka ity nomerika ity aho » a été récupéré chez Newsmada.

COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020
24/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Bilan epidemiologique du 24 Septembre 2020 Ce 24 Septembre 2020, Madagascar enregistre 24 nouveaux cas sur 284 tests effectués. 8 des ces nouveaux cas sont localisés dans la région Diana, 5 nouveaux cas dans la région d’Analamanga, 5 nouveaux cas dans la région Alaotra Mangoro, 2 nouveaux cas dans la région Menabe, 1 nouveau cas dans la région Itasy, 1 nouveau cas dans la région Haute Matsiatra et 1 nouveau cas dans la région Anosy. Par contre, 14 883 personnes sont totalement guéries du Covid-19 car ce jour, 45 personnes rétablies sont recensées par le CCO-COVID-19. De ce fait, 1129 patients suivent encore des traitements dont 15 presentent des formes graves. Par ailleurs, une personne a succombé au coronavirus, portant à 227 le nombre total des personnes décédées du Covid-19. Rappelons nous que depuis le debut de la pandémie, Madagascar enregistre 16 191 personnes contaminées.L’article COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

« Masque oxygène à haute concentration » 500 isa avy amin’ny « Groupe FILATEX ».
28/09/2020

MITOHY NY ADY AMIN’NY « COVID-19 » : « Masque oxygène à haute concentration » 500 isa avy amin’ny « Groupe FILATEX ».   Androany maraina dia tonga nanolotra fanampiana hanatsaràna ny ady amin’ny « Covid-19 » ny avy eo anivon’ny « Groupe FILATEX ». « Masque oxygène à haute concentration » 500 isa no natolotr’izy ireo ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tsara ny manamarika fa mahatratra hatrany amin’ny 12 litatra ka hatramin’ny 15 litatra isa-minitra ny fatra-na « oxygène » azo amin’ny fampiasana ireo « masque » ireo izay manampy betsaka tokoa amin’ny fitsaboana sy fandraisana an-tanana ireo mararin’ny « COVID-19 » maneho fahaseporana na tranga misy fahasarotana. Andriamatoa Minisitra no nandray tamin’ny fomba ôfisialy ireo tolo-tanana ireo ary nisaotra sy nankasitraka ny « Groupe FILATEX » izy amin’izao ezaka lehibe fanampiana ny mpiray tanindrazana izao. Na dia hita ary fa mihatsara ny vokatra ho antsika eto Madagasikara, dia manentana antsika hatrany izy hitandro mandrakariva ireo fihetsika sy fepetra napetraka rehetra hanakanana ny fihanaky ny valanaretina. Mihezaka hatrany ny fitondram-panjakana sy ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ahafahana mandresy ity areti-mandoza nampitondra takaitra ny firenena maro manerana an’izao tontolo izao ity. Anisan’izany ny fiaraha-mientana amin’ireo orinasa sy sampan’asa tsy miankina eto amintsika na avy any ivelany. Nomarihany ihany koa misokatra amin’ny fiarahamiasa ankolafy rehetra ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’izao ady ataontsika handresena ny « Covid-19 » izao. Vonona ny mpiasan’ny Fahasalamana ary tsy andraraka ilo mby an-doha araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitra hatrany. Fanadihadiana : SCM/MSANP L’article « Masque oxygène à haute concentration » 500 isa avy amin’ny « Groupe FILATEX ». a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Radio Alliance 92 FM: hivahiny amin’ny « Ambarao » ny tale kabinetra lefitry ny CUA
23/09/2020

Ahoana ity Fehezam-pitsipika monisipaly momba ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ity amin’ny ankapobeny ? Manomboka rahoviana ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra ? Aiza ho aiza ny fanomanana ny hiatrehana ny fotoam-pahavatra ? Ahoana ny lafiny toetsaina ankapobeny ho an’ny mponina sy ny fanovana izany ? Ampahany amin’ireo fanontaniana hovalin’ny tale kabinetra lefitra eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàn’Antananarivo, i Solofoniaina Michkael, izany. Horenesintsika anio alarobia 23 septambra ao amin’ny onjampeo Alliance 92 FM, amin’ny 12 ora sy fahefany, ny amin’ny fiteny malagasy (VM) ary amin’ny 1 ora sy fahefany amin’ny fiteny frantsay (VF).TaratraL’article Radio Alliance 92 FM: hivahiny amin’ny « Ambarao » ny tale kabinetra lefitry ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

Fonjamby-Fiofanana: mpanazatra matihanina no tanjona
28/09/2020

Tontosa soa aman-tsara, ny asabotsy lasa teo, tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny lanonam-pamaranana ny fiofanana ho mpanazatra federaly voalohany sy faharoa, taranja fibatana fonjamby. Tanjona tamin’ny fampiofanana, hoy ny mpanazatra, Rakotoarisena Harimalala Solomampionona, ny haha matihanina ireo mpiofana. Tsy nitovy, hoy izy, ny lentan’ireo mpiofana satria nizara ho federaly voalohany sy faharoa izy ireo kanefa tsy nampanano sarotra ny fampianarana izany. Mahakasika ny kalitaon’ny fampiofanana indray, efa niditra lalindalina kokoa, tamin’ity, satria ny resaka “anatomie” ny tena noresahina.Nizara telo mazava tsara ny mari-pankasitrahana nozaraina tamin’io lanonam-pamaranana io. Voalohany, ho an’ireo afaka fanadinana mpanazatra federaly “niveau 1”, niisa 19 izy ireo ny nahazo izany. Faharoa, mari-pankasitrahana ho an’ny mpanazatra federaly “niveau 2” ka sivy mianadahy ny nisitraka izany. Farany, nanome mari-pankasitrahana ihany koa ny eo anivon’ny Solidarité Olympique, amin’ny mpikarakara ny fiofanana azy.Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy ny fibatana fonjamby, Randriamanarivo Harinelina Jean Alex, fa natao hampiakarana ny lentan’ny fanazarantena homena ny atleta ny fampiofanana, hahazoana vokatra tsara hatrany amin’ny fifaninanana goavana hatrehina. Isan’ny taranja mitondra avo ny voninahi-pirenena hatrany, hoy izy, ny taranja fibatana fonjamby. Mi.Raz L’article Fonjamby-Fiofanana: mpanazatra matihanina no tanjona a été récupéré chez Newsmada.

Pharmalagasy : Inauguration de l’usine et lancement du CVO Plus gélule le 2 octobre
28/09/2020

La semaine dernière, l’OMS a sorti un communiqué pour encourager les recherches sur les médecines naturelles contre le COVID-19. « Les résultats obtenus dénotent la maîtrise de l’expansion du COVID-19 à Madagascar puisque le taux de guérison des cas confirmés est de 93%, le nombre de létalité est de 1,2% ». C’est ce qu’a déclaré le Premier ministre Ntsay Christian lors de sa prise de parole à l’occasion de la 75è Assemblée générale des Nations Unies. « Madagascar s’est distingué avec le CVO », se félicite-t-il. En effet, le Chef du gouvernement a profité de cette occasion afin d’avancer un plaidoyer à l’international sur l’efficacité de ce remède traditionnel amélioré de l’Institut Malgache des Recherches Appliquées (IMRA). Joint au téléphone hier, Holijaona Raboana, Président du Conseil d’Administration de l’usine Pharmalagasy, l’usine mise en place par l’Etat Malagasy pour assurer la fabrication du CVO Plus gélule, confirme l’efficacité de ce médicament. Selon ses explications, les effets cliniques effectués à partir de cette version gélule du CVO ont été concluants et ont certifié l’efficacité de la formule préventive. Actuellement, les responsables entament la phase 3 des tests, nécessaires pour avoir la confirmation pour la solution curative. Il convient de noter que tout le processus des essais cliniques a été réalisé sous la supervision du Centre National d’Application des Recherches Pharmaceutiques (CNARP). Pas plus tard que la semaine dernière, l’Organisation Mondiale de la Santé (OMS) qui suit de près le processus de mise au point de ce remède malgache contre le coronavirus, a sorti un communiqué pour encourager la recherche sur les médecines naturelles en Afrique pour faire face au COVID-19. Une communication considérée par bon nombre d’observateurs, comme une reconnaissance à peine voilée au profit du Covid-Organics. Etiquetage. Quoiqu’il en soit, les autorités Malagasy persistent et signent en soutenant l’efficacité du Tambavy CVO et du CVO Plus gélule. Lors de sa visite dans l’hôpital de Besopaka à Sambava le 18 septembre dernier, le président Andry Rajoelina a lancé officiellement l’utilisation du CVO Plus gélule dans le protocole de traitement du COVID-19. Il faut reconnaître en effet que, depuis quelques semaines, le nombre des cas a considérablement diminué. Mais le gouvernement n’entend pas faire machine arrière. D’après les informations, la cérémonie d’inauguration de l’usine pharmaceutique Pharmalagasy aura lieu la semaine prochaine. Le 2 octobre pour être plus précis. Une cérémonie qui marquera également la sortie officielle du CVO Plus gélule. A entendre les explications de Holijaona Raboana, tous les matériels nécessaires à la mise à marche de l’usine sont déjà sur place. Des matériels modernes répondant aux normes internationales en termes de qualité et de quantité de production, selon ses dires. En revanche, la mise en paquets et l’étiquetage sont assurés par des entreprises spécialisées dans les domaines. « Made in Madagascar ». L’on peut donc espérer que Pharmalagasy pourrait lancer la mise sur le marché du CVO Plus gélule après ce lancement du 2 octobre. Reste à savoir si les pays européens qui vont incessamment entrer dans la période d’hiver et qui font face à une deuxième vague ravageuse du COVID-19, vont cette fois-ci accorder leur confiance à ce médicament « Made in Madagascar ». Force est aussi de noter qu’outre le CVO Plus gélule, l’usine Pharmalagasy produira aussi d’autres médicaments gélules à base de plantes endémiques de Madagascar, contre plusieurs maladies telles que le diabète, l’asthme et le paludisme. Selon les informations qui nous sont parvenues, cette usine pharmaceutique produira au total 13 médicaments. Davis R L’article Pharmalagasy : Inauguration de l’usine et lancement du CVO Plus gélule le 2 octobre est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Pharmalagasy : Inauguration de l’usine et lancement du CVO Plus gélule le 2 octobre a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Trafikam-biby :: Voasambotra ireo roa lahy mpihaza sokatra
29/09/2020

Saron’ny mpiasan’ny Madagascar National Park (MNP) sy ny zandary teo am-pihazana sokatra ireto lehilahy roa, tany Andranovao-Itampolo any Toliara I, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Nahitana sokatra am-polony maro tany amin’izy ireo. Nisy lehilahy iray hafa naman’izy ireo kosa no tafatsoaka. Noho ny fiverimberenan’ny varomaizina sokatra tany amin’ iny faritra Atsimon’ny Nosy iny no nanatanterahana hetsika manokana mba hahatrarana an’ireo mpihaza. Efa naverina tamin’ny MNP ireo biby, raha mitohy ny fikarohana ny naman’ iretsy roa lahy iretsy, taorian’ny famotorana nataon’ny tobimparitry ny Zandarimaria any Itampolo. L’article Trafikam-biby :: Voasambotra ireo roa lahy mpihaza sokatra est apparu en premier sur AoRaha.