ENTONA MANGEJA HAFANANA : Tompon’antoka ihany koa ny sehatry ny ala

News - ENTONA MANGEJA HAFANANA : Tompon’antoka ihany koa ny sehatry ny ala

News - ENTONA MANGEJA HAFANANA : Tompon’antoka ihany koa ny sehatry ny ala

Mamoaka entona mangeja hafanana (gaz à effet de serre) be indrindra eto Madagasikara ny sehatry ny ala. Anisany mahatonga izany ny doro tanety, ny fanapahana ny ala. Isan-taona dia manao tatitra momba ny fandrefesana ny entona mangeja hafanana ny firenena malagasy satria nankatoa ny  fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina amin’ny fandrefesana ity entona ity eo amin’ny sehatry ny ala dia manatanteraka atrik’asa fampiofanana ny birao nasionaly mpandrindra ny REDD+ (BNC REDD+), eo ambany fiahian’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ao anatin’ny telo andro. Nanomboka omaly 16 aprily ary hifarana rahampitso 18 aprily 2019 izany. « Hatramin’izay efa nanao tatitra momba ny entona mangeja hafanana i Madagasikara. Mbola nahitàna tsy fahatomombanana anefa izany ka izany indrindra no tanjon’ity atrik’asa ity mba hanatsarana ny tatitra atao », hoy ny mpandrindra nasionaly ny BNC REDD+, Rakotosoa Andrianina nandritra ny fanokafana ny atrik’asa.

Tohana avy amin’ny fanjakana amerikanina  amin’ny alalan’ny USAID sy ny USFS ity fampiofanana ity. Ao anatin’ny fiofanana ny fampiasana ny rindram-baiko vaovao ALU, fandrefesana etona mangeja.  Raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny BNC REDD+ hatrany dia ao anatin’ny fanatanterahana ny rohi-fiasa REDD+, miompana amin’ny fanalefahana ny fiovaovan’ny toetry ny andro amin’ny alalan’ny fanomezana tambiny ara-bola ireo ezaka fampihenana ny entona mangeja hafanana vokatry ny faharipahana sy ny fahasimban’ny ala ihany koa ity atrik’asa ity. Vokatry ny fiakaran’ny tahan’ny entona mangeja dia simba ny sosona ozonina ka izay no miteraka fiovaovan’ny toetry ny andro. Manoloana izany dia manana vina hampidina ny entona mangeja ho 14 isan-jato i Madagasikara.

Lynda A.

Cet article ENTONA MANGEJA HAFANANA : Tompon’antoka ihany koa ny sehatry ny ala est apparu en premier sur déliremadagascar.

Tontolo iainana

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fifindra-monina: hisy fandefasana horonantsary manokana

Manomboka manaitra izao tontolo izao ny resaka fifindra-monina misy sy miha mahazo vahana tato ho ato. Firenena miady, olona mijaly, fahantrana, sns, samy antom-pisiany avokoa ireo. Inona marina moa ny zava-misy mianjady amin’ireny mpifindra monina ireny? Hotanterahina eto amintsika, ny 10 desambra izao, ny “Festival du film sur la migration”, na hetsika iray natokana tanteraka ho an’ny karazana horonantsary mikasika ny fifindra-monina. Mikarakara izany ny sampan’ny Firenena mikambana misahana ny fifindra-monina na ny OIM. Eny amin’ny Mozea an’ny saripika, eny Andohalo no hanatanterahana ny fandefasana ireo horonantsary. Marihina fa samy hisy fandefasana sarimihetsika avokoa ireo efitra dimy ao amin’ity mozea ity, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro hatramin’ny 9 ora alina. Miisa 14 ireo horonantsary malagasy sy vahiny. Hetsika fanaon’ny OIM isan-taona ny “Festival international du film sur la migration” ka andiany fahatelo ny amin’ity taona ity. Natomboka tamim-pomba ofisialy, ny 28 novambra teo tany Genève Soisa, izany. Manerana ny firenena 100 ny hetsika, toy ny  eto Madagasikara, ka hibahan-toerana amin’izany ny fandefasana horonantsary momba ny fifindra-monina. Tanjon’ity “festival” ity ny hanentana ny olona tsy hanao tsinontsinona ireo mpifindra-monina tsy fidiny, miaina fahasarotana, indrindra amin’ny lafiny sosialy. Ampahafantarina mandritra ny hetsika ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) mikasika ny fifindra-monina. Tsy inona izany fa ny fanamorana ny fifindra-monina am-pilaminana, tsy mitera-doza ary tompon’andraikitra. Landy R. L’article Fifindra-monina: hisy fandefasana horonantsary manokana a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

BAREA (Bôlida sy Faneva): Tsy nisy nieritreritra ny hanala azy ireo

Manoloana ireo resaka izay miparitaka momba ireo mpilalao roalahy ireo dia nilaza ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny fédérasiona Malagasin’ny baolina kitra. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy misy izany fanesorana an’i Lalaina Nomenjanahary na Bôlida  sy Faneva Ima ao anatin’ny ekipam-pirenena malagasy izany mihitsy. Nohamafisin’ny DTN-FMF tamin’izany fa tsy ireo olana kely izay azo ifampiresahana akory no hanapotehina ny tanjona goavana ho an’ny baolina kitra Malagasy. Nambaran’ingahy Debon Jean François izay tale teknikan’ny federasiona nandritra ny nivahinianany tao amin’ny Televiziona Malagasy fa anjaran’ny mpanazatra  Nicolas Dupuis  irery ihany no misafidy malalaka izay mpilalao heveriny fa tokony handrafitra ny Barean’i Madagasikara. Ho an’ity mpanazatra teratany Frantsay ity dia ny fifantohana amin’ny fanomanana ny CAN 2019 no tokony himasoan’ny rehetra fa tsy tokony hamboly olana ho an’ireo mpilalao izay efa manao ny ainy tsy ho zavatra ka nahazoana izao vokatra izao. Bob Thierry Cet article BAREA (Bôlida sy Faneva): Tsy nisy nieritreritra ny hanala azy ireo est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - Ao Raha

Maso be tsy mahita, mpivadi-belirano

Mihevitra ny olom-pirenena ho kentrina sy dondrona mihitsy ireo mpanao politika. Ireo kandidà depiote, izay zatra mamadika palitao ankitsirano no tiana horesahana eto. Miharihary toy ny vay an-kandrina fa maro amin’izy ireo no miovaova loko toy ny tanalahy, kanefa dia mbola te ho tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena. Tsy mitaingina soavaly maty tokoa ny mpanao politika saingy mamoehatra loatra raha ny zava-misy ankehitriny. Misy amin’izy ireo no tsy very mandeha tao anatin’ireo fitondrana nifanesy noho ny fisolelahana sy ny tombontsoa manokana. Sahin’izy ireo mihitsy ny mitsipaka am-bavafo, rehefa hita fa ho lany ny paiso an-kady. Miharihary ihany koa izao ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana sahy nanongana loholona iray izay nivadika tamin’ny antoko politika nisy azy, ka lasa nanatevina ny antokon’ny fitondrana ankehitriny. Any amin’ny olom-pirenena mpifidy izany izao no baolina. Iaraha-mahalala ny zava-nitranga teto amin’ny firenena vokatry ny nataon’ireo olom-boafidy mpiovaova palitao ireo. Misy tamin’ireo kandidà depiote ireo aza no hitam-poko hitam-pirenena nandray volabe teny Ivato, nentina nandaniana ny lalàm-pifidianana, ka nampifarana hatreo ny tantaran’ny fitondrana HVM. Rehefa hitan’izy ireo anefa fa an-dohalika ny ranom-bary, dia sahy nivadi-belirano indray. Asa, lany olomanga koa angamba, ny fitondrana ankehitriny, matoa vonon-kanohana azy ireny, na mivantana na an-kolaka? Inona moa izany fa dia mody atao masobe tsy mahita tsotra izao ity raharaham-pirenena ity, ka na dia hita fa mpivadi-belirano izao aza dia ekena satria seza ihany koa tsy maintsy arovana e! Mahavariana fa velirano no dradradradraina nefa ireo mpivadi-belirano indray no lasa akamakama! L’article Maso be tsy mahita, mpivadi-belirano est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Tokony hisy tahiry manokana: tsy zakan’ny marary ny fanafodin’ny diabeta

Nanao antso ho an’ny tomponandraikitra malagasy sy vahiny ny mpiandraikitra Andia- Malagasy miady amin’ny diabeta (Amadia) fa tokony hisy tahiry manokana hikarakarana ny olona manana toe-batana diabetika eto amintsika, toy ny ady amin’ny VIH/Sida… 70 000 Ar ny vidin’ny fanafody atsindrona insuline indroa isam-bolana ho an’ny olona manana toe-tena diabetika. 1500 Ar ny vidin’ny fitaovam-panindronana manokana izay ilaina ho an’ny ankizy madinika vao amam-bolana nefa manaraka fitsaboana ao amin’ny Amadia. 154 izy ireo no raisina an-tanana, amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ny dokotera Ramamonjisoa Haja ao amin’ny Amadia. Mety hitarika amin’ny fahafatesana ny tsy fanaovana ny tsindrona aorian’ny 10 andro. Mahatratra 1 tapitrisa ny zaza tratran’ny diabeta sokajy 1 isan-taona maneran-tany. Mamono olona isaky ny 7 segaondra ny diabeta maneran-tany ary manapaka tongotra iray isaky ny 30 segaondra ny toe-tena diabeta. Olana ny tsy fahampian’ny fitiliana satria ny 50% amin’ny olona manana toe-tena diabetika tsy mahalala ny toe-pahasalamany. Nanohana hatrany ny Lions club Nanomboka tamin’ny fijoroan’ny Amadia ny taona 1983, nanohana hatrany ny fikambanana ny Lions club malagasy tamin‘ny fanafody sy ny fitaovana samihafa. Ny asabotsy lasa teo teny amin’ny HJRA, nikarakara hetsika fitiliana maimaimpoana ny olona hijery ny tahan’ny siramamy ao amin’ny vatany ny club 20 avy amin’ny zone efatra : 13, 31, 32 sy 33. Tonga maro ny vahoaka ary nandray an-tanana avy hatrany ny mpiandraikitra ao amin’ny Amadia sy ny Repdia. Nanohana koa ny Fondation Telma. Nisy tranoheva maromaro nanazava ny fifandraisan’ny toe-tena diabetika sy ny voka-dratsiny. Olona 2 500 no noheverina fa hotiliana nandritra ny tontolo andro, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Lions club Santatra, Rabemila Rafaralahisoa Irina. Nojerena koa ny olona manana olana amin’ny fahitana niaraka amin’ny LSFM. Vonjy A.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – «THB ligue des champions»: Jet Mada Itasy (2) – (2) Fosa Jr Boeny

Nitohy, ny asabotsy sy omaly alahady, ny andro faharoa, amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “THB ligue des champions”, taranja baolina kitra. Tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, ny Jet Mada Itasy sy ny Fosa Jr Boeny. Azo lazaina fa tratry ny tsy nampoizina ihany ny ekipan’Itasy izay efa nitarika tamin’ny isa, 2 no ho 0 teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Baolina matin’i Tsiry sy i Tsito, tamin’ny alalan’ny “pénalty”.Nosahalain’ny Fosa Jr izany teo amin’ny fidirana faharoa, tamin’ny alalan’ny “pénalty”, tafiditr’i Baggio. Tsy nijanona teo fa mbola nanampy ny isa ho azy indray ny ekipan’i Boeny, tamin’ny alalan’ny “coup francs” matin’i Santatra, nahavery an’i Joma, mpiandry tsatobin’ny Jet Mada Itasy.Ankoatra izay, tany Toliara, resin’ny AS Adema Analamanga, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny 3FB Atsimo Andrefana. Tany Fianarantsoa, nisaraka ady sahala 1 sy 1, ny  FC Zanakala sy ny Ajesaia. Teny Vontovorona kosa, nahiliky ny Cnaps sport tamin’ny isa 5 noho 1 ny FC Ilakaka. Tompondaka L’article Kitra – «THB ligue des champions»: Jet Mada Itasy (2) – (2) Fosa Jr Boeny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tselatra

Voasambotry ny zandary ireo olona tompon’antoka nanaparitaka sary tamin’ny “facebook” nanasoketa sy nanala baraka ny zandarimariam-pirenena ho manohana kandidà iray tany Mahajanga. Voalazan’ny zandary fa sendra nijanona teo amoron-dalana ny fiaran’ny zandary no nisy nametaka sarina kandidà iray avy nalaina sary sy naparitaka tamin’ny « facebook ». Niaiky ny heloka vitany izy izy reo nandritra ny famotoran’ny zandary.Nidina ifotony nijery ny fandriampahalemana momba ny fifidianana teny amin’ny birao fandatsaham-bato (BV) eto an-dRenivohitra ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, omaly. Isan’ireo notsidihiny ny teny amin’ny BV Vohibola, ny BV Nanisana ary ny BV Ambodifilao.Tratra ireo jiolahy roa nangalatra damizana mavo miisa 38 teny Manjakaray II D, ny zoma lasa teo. Noraisim-potsiny teo am-pitaterana ireo bidao ireo ry zalahy rehefa nifanehatra tamin’ny polisy. Nilaza izy ireo fa tsy vao izao no nangalatra bidao fa efa hatry ny ela. L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Basket - News - Sport - News Mada

Basikety – «Afrique 2018»: resin’ny KP Kenya ny MB2 All

Tsy mbola mety tafarina mihitsy ny ekipan’ny MB2 All, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipa tompondaka sokajy vehivavy. Fihaonana, tanterahina any Maputo, Renivohitr’i Mozambika. Resin’ny KP Kenya, tamin’ny isa 73 no ho 65, indray mantsy ry Hoby sy ry Monique ary ry Sydonie, omaly teo amin’ny andro fahadimy amin’ny fifanintsanana, ho an’ny vondrona “B”. Niady tanteraka ny lalao ary tena nanohitra hatramin’ny farany ny MB2 All. Porofon’izany, nifanakaiky hatrany ny isa teo amin’ireo tapa-potoana efatra nilalaovana. Lasan’ny Kenyanina, tamin’ny isa 20 no ho 16, ny 10 mn voalohany. Sahala 12 no ho 12 kosa ny tapa-potoana faharoa. Mbola nitarika, 23 no ho 16, indray ny KPA avy eo ary lasan’ny Malagasy ny tapa-potoana farany, niafara tamin’ny isa 21 no ho 18. Raha tsiahivina, faharesena intelo misesy ny azon’ny MB2 All, tamin’ity fifaninanana ity: ny nandavoan’ny First Bank Basket Club avy any Nizeria azy, tamin’ny isa 74 no ho 40, teo amin’ny andro voalohany ary ny niondrehany teo anatrehan’ny INSS RD Kongo, tamin’ny isa 71 no ho 51, teo amin’ny andro faharoa. Anio ny lalao farany ho an’ny MB2 All, hifandonany amin’ny Lakers avy any Zimbaboe.   Torcelin  L’article Basikety – «Afrique 2018»: resin’ny KP Kenya ny MB2 All a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Halatra akoho

Lasan’ireo mpanafika tany Ambano Antsirabe II, afak’omaly maraina, ny akoho fakàna nofo telopolo isa. Nitondra basy ireo olon-dratsy ary nanapoaka basy nampihorohoroana ny tompon-trano. Nieren-doza iretsy farany. L’article Halatra akoho est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Tsiaro ny 13 mey 72: tena nadio ny tolona natao 

“Tsy marina ny hoe i Etazonia no nanome vola anay. Ny tsipaipaika teo amin’ny kianjan’ny 13 mey ny vola mba azonay, tamin’ny fitifirana sy ny famonoana ireo mpianatra ireo. Tamin’ny sobika ny vola tamin’izay.”Io ny nambaran’ny mpitarika ny hetsiky ny mpianatra 1972, ny Me Razafinjatovo Willy, teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, anoloan’ny lapan’ny Tanàna, Analakely, omaly, taorian’ny fametrahana fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ireo mpianatra maty tamin’izany. Tafa tamin’ny mpanao gazety io fa tsy nisy kabary.Noforonina ny vola tamin’izany. Satria tsy nisy olona na mpianatra niomana avy any an-tranony hoe andeha ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ny 1972, hahazo voninahitra na volabe. Nitolona sy niady ho amin’ny fampianarana no nahafaty ireo mpianatra.Noho izany, tsy tokony hifangaro amin’ny tolona rehetra ny resaka vola sy ny voninahitra sy ny toerana. “Satria tsy nieritreritra hitondra fanjakana akory izahay tamin’izany”, hoy izy. Izay ny maha samy hafa azy satria tena nadio ny saina aman’eritreritra.Nisy fametrahana takela-bato teny an-toerana hoe 13 mey 1972, tamin’ny 2002. Nefa nesorina izany taty aoriana. Afo tsy mety maty ireny… Satria nametraka an’io 13 mey 1972 io, na iza na iza nitolona taty aoriana.Mitohy ny tolona“Mahatsiaro ny mpitolona izahay androany, mbola manantena sy matoky ary mino fa ho avy ny Fahafahana notakina tamin’izany. Mitohy ny tolona. Izay notohizan’ny teo aloha, tohizanay koa ankehitriny”, hoy kosa ny avy amin’ny Rodoben’ny Malagasy tia tanindrazana ho amin’ny fanorenana ifotony (RMTF), ny pasitera Tsarahame Edouard.Mbola tsy avotra i Madagasikara. Mbola feno fanjanahana eto amin ity firenena ity, itenenana mandraka ankehitriny hoe mitohy ny tolona nataon’ireo zoky raiamandreny hatramin’izao.“Mazava fa tolona ho an’ny fahafahana ho an’ity firenentsika ity ny tolona ataonay izay tao anatin’ny fanjanahana”, hoy izy. Tolona ho an’ny demokrasia, tolona ho an’ny fampihavanam-pirenena, tolona ho an’ny fampandrosoana, tolona amin’ny ady amin’ny kolikoly… Tsy maintsy miady amin’izany isika mba hahavotra ity firenena ity ho tan-dalàna.R.Nd.L’article Tsiaro ny 13 mey 72: tena nadio ny tolona natao  a été récupéré chez Newsmada.

Mode - News - Ao Raha

“MODUS MODE” ANDIANY FAHAROA :: Nomena vahana ireo sehatra asa manodidina ny lamaody

Manaraka ny fivoaran’ny teknôlôjia vaovao. Sehatra iray tsy very ary tsy afa-misaraka amin’ny tontolon’ny teknôlôjia vaovao ny lamaody. Nisokatra tamin’ny fomba ôfisialy, omaly tolakandro, tetsy amin’ny Alliance Française Andavamamba (AFT) ny hetsika “Modus mode”. Sehatra iray ahitana ny tontolon’ny lamaody sy ireo sehatra asa rehetra miara-dia aminy. Hetsika andiany faharoa, izay hiarahan’ny AFT sy ny TwentyTen Totem, ireo mpamorona lamaody samihafa, ireo trano mpanao taovolo efa sangany eto Mada- gasikara, ireo toerana mpanomana mpilatro, ireo mpaka sary matihanina, ary ireo manana sehatra asa manodidina ny lamaody. Hetsika hanasana ihany koa anefa ireo rehetra mpikirakira sy liana amin’ny tontolon’ ny lamaody. Maro ireo tolotra samihafa hita mandritra ny efatra andro haharetan’ ny hetsika. Ao anatin’ izany ireo fanoroana sy torolalana samihafa manodidina ny famoronana lamaody. Hitondra sy hizara ny traikefany amin’ izany ireo mpamorona samihafa toa an-dry Raleva, Thyrin Mitchell avy any Canada, Tafitia Création, Kala S… Toy izany koa anefa ireo sehatra asa manodidina ny lamaody. Anisan’izany ny fampianarana milatro hiarahana amin’ny Totem, ny fomba fakàna sary lamaody miaraka amin’i Faly… “Ho hita taratra amin’ ity andiany manaraka ity ireo dingana samihafa arahina amin’ny famoronana lamaody, manomboka amin’ny eritreritry ny mpamorona, ka hatramin’ ny fitondran’ny mpilatro azy. Toa izany koa ireo sehatra asa samihafa manodidina ny lamaody”, raha ny fanazavan’i Faly, avy amin’ny TwentyTen Totem. Anisan’ny ivon’ny “Modus Mode” andiany faharoa ny seho an-tsehatra hotanterahina ny zoma 30 novambra, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Amin’io takariva io dia hisy ny filatroana hoentina hanehoana ireo vokatry ny asa famoronan’ ireo mpamorona didin’ akanjo, izay horavahan’ ny mozika mifanaraka amin’izany. Mandritra izany, azon’ireo mpijery atao ny maka sary mivantana ny filatroana. L’article “MODUS MODE” ANDIANY FAHAROA :: Nomena vahana ireo sehatra asa manodidina ny lamaody est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Notsongaina

« Pentecôte Rock »: hanolotra seho miavaka ry Green, Iraimbilanja, Tselatra

Tsy vitsy ary azo isafidianana tsara ireo hetsika fialam-boly amin’ny Alatsinain’ny Pentekosta izao, eny amin’ireo toerana efa mahazatra ny maro. Hampiavaka ny amin’ity taona ity kosa ny fanomezan’ny mpikarakara, ny Best Pro, tombony ireo mpankafy mozika rock. Nampisalorana ny anarana « Pentecôte Rock » ny fampisehoana, izay hotanterahina etsy Antsahamanitra.Tsy vao sambany eo amin’ny fanandratana ity mozika mafana ity ny mpikarakara, izay efa nanolotra ny « Tana in Rock », tamin’ny taon-dasa. Na izany aza, hanana ny mampiavaka azy ny « Pentecôte Rock », satria tsy hifandimby hiaka-tsehatra fotsiny ireo tarika nasaina fa hampiaina tantara, amin’ny alalan’ireo hirany tsirairay avy, izay heverina fa hiraikitra ao am-pon’ny mpankafy.Tsy iza moa ireo tarika ireo fa ry Iraimbilanja, Green ary Tselatra, samy sangany eo amin’ny  rock malagasy. Araka ny fanazavana, hifandimby hanolotra hira dimy avy ny tarika ary toy izany hatrany. Hanamafy ny fampiainana ny tantara an-kira ny jiro maroloko sy ny hazavana isan-karazany.Landy R. L’article « Pentecôte Rock »: hanolotra seho miavaka ry Green, Iraimbilanja, Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Aza mampihorohoro mpanao gazety

Nisesisesy indray ny herisetra nihatra tamin’ny mpanao gazety tamin’iny herinandro lasa iny. Nisy ireo voaendaka, rehefa nody alina avy niasa. Vao omaly indray no nisy niharan’ ny herisetra sy ny fanamparam-pahefana ataon’ny polisy.. Angamba, mety ho fifandrifian-javatra fotsiny ihany ireny tranga ireny saingy tokony hampisaina ny manam-pahefana isan’ambaratongany, indrindra fa hoe mpitandro filaminana miady amin’ny mpanao gazety. Tsy vao sambany no nisian’io herisetra amin’ny mpanao gazety io teto Madagasikara. Misy ireo efa voafelaka teny am-panaovana ny asany; misy ireo hitongavan’ny mpitandro filaminana any an-tokantranony; misy ihany koa no efa voaambana basy sy ny sisa. Ampy kosa izay e! Aza ampihorohoroana intsony ny mpanao gazety! Hafa kosa anefa raha sanatrian’ny vava, ka misy mpanao gazety tafiditra amina asan-jiolahy sy mpisoloky na asa ratsy hafa. Efa betsaka ihany koa mantsy amin’izao ireo mampiasa karatra hosoka hoentina hanaovan-dratsy. Na izany na tsy izany, tsy manakana ny mpanao gazety tsy hanao ny asany akory ireny rehetra ireny. Ny zava-misy marina tsy maintsy havoaka ho fanta-bahoaka. Tsy asiana amboako na amboan’olona eo fa rehefa vandana dia kary! L’article Aza mampihorohoro mpanao gazety est apparu en premier sur AoRaha.

Tsy mbola vita eo, fa ho hita eo…

Vita iny ny latsa-bato, na ambany be aza ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Nizotra ihany… Eny, na teo aza ny fanahiana na fanahy iniana tetsy sy teroa: fahadisoana na tsy fahatombanana. “Indro kely”, mety ho “indro be” ho an’ny sasany fa nitera-pahavoazana na fatiantoka aza. Tanàna tsy ilaozan’adala, olombelona tsy ialam-pahadisoana.Tratra aoriana ny fanombohan’ny fandatsaham-bato tamin’ny biraom-pifidianana sasany; tsy nampifankahazo ny amin’ny delegen’ny kandidà, efatra farafahabeny no ao amin’ny biraom-pifidianana iray; nanahirana ny fitomboan’ny biraom-pifidianana fa noferana 700 ny isan’ny mpifidy, tsy nahitan’ny sasany izay tokony handatsahany vato…Nilamina ny fandatsaham-bato? Mbola ady fiady, ohatra, ny fiarovana ny safidin’ny tena: tsy vitan’ny fanaraha-maso ny fanisam-bato fa eo indrindra koa ny fitaterana ny vokatra. Ndrao miova, na kely aza ny fari-pifidianana ary vitsy ny mpifidy. Raha sanatria misy ny tsy ara-dalàna na mampanahy, mila fahasahiana hanaovana fampitahana, fitoriana…Mbola tsy vitan’izay, solontenan’ny vahoaka ireo nofidina: tena mitondra teny, manao tatitra, manao tolo-dalàna ho amin’ny tombontsoam-bahoaka, manara-maso ny mpanatanteraka…? Tsy latsak’izany ny fitakiana ny tamberin’andraikitra amin’ny fanatanterahana ireo asany ireo, indrindra izay nampanantenaina tamin’ny fampielezan-kevitra.Fifanarahana politika ary fifanekena sosialy ny latsa-bato ataon’ny olom-pirenena amin’izay fidiny: mila hajaina sy tanterahina, tsara arahi-maso sy ampahatsiahivina… Ndrao tsy araka izay nampanantenaina izay efaina? Misy tsinona ny mitady toerana fotsiny, na mitetika ny Antenimierampirenena ho fialokalofan’ny hoe tsimatimanota, sanatria.Tsy vitan’ny latsa-bato àry ny raharaha. Eo amin’ny fandraisan’ny solombavambahoaka ny asany vao tena manomboka: iza no tena manaja ny vahoaka nifidy azy, tsy mivadi-bolana, tsy mivadika antoko na vondrona politika… Ho hita eo! Fifidianana tomponandraikitra no natao fa tsy vitan’ny fandatsahana sy ny fanisam-bato fotsiny.Rafaly Nd.  L’article Tsy mbola vita eo, fa ho hita eo… a été récupéré chez Newsmada.

Vami: “Tsy mbola misy ny fampiharan-dalàna”

“Tsy mbola nisy fampiharan-dalàna ihany hatramin’izao nataon’ny Ceni”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Vahoaka miray (Vami), i Gaby Vakiniadiana, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, omaly, manoloana ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fampielezan-kevitra fifidianana solombavambahoaka.Andrasana, araka izany, ny fepetra horaisin’ny Ceni sy ny sazy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) manoloana izay tsy fanarahan-dalàna izay amin’izao fampielezan-kevitra izao. Mba tena hampiharina amin’ireo kandidà mihoa-pefy ny lalàna, araka ny nambarany.Taorin’ny fahataperan’ny fampitandreman’ny Ceni ny amin’ny fanalana ireo petadrindrina sy ny fanasaziana amin’izany, herinandro lasa izay, tsy mbola misy ihany ny fampiharan-dalàna hatramin’izao. Mbola miseholany hatrany ny tsy fanarahan-dalàna, raha tsy hiteny afa-tsy  fametahana petadrindrina tsy voafehy izay.Randria  L’article Vami: “Tsy mbola misy ny fampiharan-dalàna” a été récupéré chez Newsmada.

Fomba sy kolontsaina: an’ny vahiny ny « Fetin’ny ray »

… Na ny anarany aza, efa maneho an-karihary fa tsy an’ny Malagasy izy io. « Fetin’ny ray », tsy nanao « fety » izany ny Malagasy fa nanao lanonana. Samy hafa tanteraka ny atao (antony hanaovana azy, ny fomba fanatanterahana azy, ny zavatra ampiasaina…) ao anatin’ny « fety » sy ny lanonana. Amin’ny ankapobeny, ho an’ny Malagasy, manana ny lanjany kokoa ny ray, raha eo amin’ny adidy aman’andraikitra fiahiana ny ankohonany. Raha oharina amin’ny reny, somary lavidavitra kokoa ny fifandraisana na ny fifamatorana eo amin’ny zanaka sy ny ray noho izy tsy misahana mivantana loatra ny fitaizana sy ny fanabeazana ny zanany. Ankoatra ny fiahiana ny ankohonana, nifanao teny ierana hatrany ny reny sy ny ray rehefa misy ny fanapahan-kevitra heverina fa lehibe tsy maintsy hotanterahina.Tokana aman-tany ny ray, ho an’ny Malagasy. Fanaja sy fankatoa ihany koa. Ireo no anisan’ny nahatonga ny fampiasana ny anarana « ray » eo amin’ny tontolon’ny finoana (fivavahana) sasany nampidirin’ny vahiny eto. Fandikan-teny notakarina avy amin’ny fiheverana sy ny fahalalana efa mitoetra sy iainana ao amin’ilay firenena ampidirana ilay finoana na fivavahana.Misy ampahany amin’ny Malagasy ankehitriny mbola mitazona ny anarana hoe « ikaky » rehefa hilaza ny ray. Taty aoriana, ireo lehilahy efa voky taona no nantsoina amin’io anarana iombonana io.HaRy Razafindrakoto L’article Fomba sy kolontsaina: an’ny vahiny ny « Fetin’ny ray » a été récupéré chez Newsmada.

Asio don-tandroka

Mbola mifamolaka indray, hono, ny mpitondra fanjakana sy ireo mpitantana kaompanian-tsolika, mahakasika ny mety ho fampidinana ny vidin-tsolika eto amintsika. Efa sasa-miandry ny vahoaka, izay mihevitra fa toy ny tompony mangataka atiny ihany manoloana ity raharaha ity. Ananantsika anefa ny solika sy ny gazy eto Madagasikara. Nahoana no ampifilafilaina rehefa mba mikatsaka ny tombontsoany ny vahoaka ? Tsaroana tsara, taona maromaro lasa izay, fony mbola Ravalomanana Marc no nitondra ny amin’ny firenena, hainy ery ny nanao tsindrim-peo amin’ireo kaompanian-tsolika ireo. “Rehefa tsy hanaraka ny baiko ianareo dia hitady orinasa hafa aho hanao an’io fa aza ampijaliana ny vahoaka!”, hoy izy nahitsy sady hentitra. Nifori-drambo ry zareo mpandraharaha solika, ka nitady izay fomba rehetra nanomezana fahafaham-po an’ity Filoha ity ho fanasoavam-bahoaka. Lasa tsy fanadino izany, ary tantara nisy tsy azo kosehina.Koa maninona no tsy mba afaka manao don-tandroka tahaka izany koa ny fitondrana ankehitriny. Ny soa fianatra e! Ilaina ihany ny mba mandray fanapahan-kevitra hentitra sady matotra, indrindra fa amin’ny fikatsahana izay mahasoa ny vahoaka malagasy. Miahiahy ny olom-pirenena fa mety raha ao matoa tsy mety raikitra ny adivarotra. Etsy an-daniny, tokony hohazavaina sy atao mangarahara ny momba ny fitrandrahana solika mavesatra, eto amintsika, indrindra ny ao Tsimiroro. Efa misy ny vokatra azo raisina saingy tsy azo ampiasaina ho amin’ny tombontsoam-bahoaka ve izy ireny? Tsy ny solika ihany fa maro ireo harena ataon’ny vahiny tantely afa-drakotra, na any ambanin’ny tany na an-dranomasina, nefa jereo ireto isika, mangetaheta ambony lakana, manaiky ampifilafilain’ny vahiny isan’andro vaky izao. Mahakivy ambony ihany! L’article Asio don-tandroka est apparu en premier sur AoRaha.

Mifarana ny “Herinandron’ny Mpanazava”

Nanomboka ny 25 mey teo ary mifarana androany, 1 jona, ny “Herinandron’ny Mpanazava” ho an’ny eto amin’ny faritany Analamanga Avaratra. Niara-niombona, teny Ilafy, toerana nanatanterahana ny hetsika rehetra, ireo mpikambana maherin’ny 1 500, avy amin’ny fivondronana miisa 70, nandritra ny herinandro. “Mpanazava, mpitarika, mihavao araka ny sitrapon’Andriamanitra”. Io ny lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity.Nisantarana ny fotoana, tamin’ny andro voalohany, ny fanompoam-pivavahana, narahina karazan-dalao sy fialamboly maro samihafa. Tanjon’ny Mpanazava ny fitaizana sy ny fikolokoloana ny tovovavy mba hanana toetra, ahitana taratra ny maha vavolombelon’i Jesoa Kristy azy ireo. Eo koa ny famolavolana azy ireo ho olom-banona, afaka mampivelatra ny maha olona feno azy ireo.Noho izany, nisy ny hetsika manokana nataon’ny vondron-tsampana tsirairay, nanehoana ny hasina maha izy azy ny ankizivavy Mpanazava sy ny maha olom-pirenena tompon’andraikitra azy ireo, eo anivon’ny fiarahamonina misy azy ireo tsirairay avy. Araka ny fanazavan’ny filoham-paritany, Rajerisoa Tahina na i Kaepla Matsilo, nisy ny fijoroana vavolombelona sy ny resadresaka nampahafantarana ny fikambanana sy ny feo mandresy lahatra momba  ny tontolon’ny ankizivavy sy ny tovovavy. Nalefa eny anivon’ny  haino aman-jery sy ny tambajotran-tserasera moa izany.Landy R.L’article Mifarana ny “Herinandron’ny Mpanazava” a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – «ligue des champions d’europe»: norombahin’ny Liverpool fanineniny ny amboara

14 aty aoriana vao niverina teo amin’ny Liverpool indray ny ho tompondakan’i Eoropa “ligue des champions”, taranja baolina kitra. Tsy namelan-dry zalahy, raha tsy azony ny anarana maha tompondakan’i Eoropa, tamin’ity taorian’ny tsy fahombiazany, tamin’ny taon-dasa, ka nandresen’ny Real Madrid, azy ireo teo amin’ny famaranana.Lavon’ny The Red Liverpool, tamin’ny isa mazava, 2 no ho 0 ny Spurs Tottenham. Baolina tafiditr’i M Salah, teo amin’ny minitra faharoa, tamin’ny alalan’ny “pénalty” sy ny an’i Origi, teo amin’ny minitra faha-87.Fihaonana, notanterahina tao amin’ny kianja, Wanda Metropolitano tao Madrid, ny asabotsy 1 jona lasa teo. Adin’ny samy Anglisy ny lalao, izay ekipa diso mifankahalala tsara. Tamin’ny ankapobeny, nanindry ary nanantombo teo amin’ny fanafihana ny Spurs Tottenham, saingy tsy nety nahita ny masonaraton’ny Liverpool, mihitsy.Nanao izay ho afany ihany koa i Lucas Mura, teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, fa tsy nisy inoninona. Anisan’ny nanimba ny toe-tsain-dry zalahy, ilay “pénalty”, tonga aloha be. Nidona tamin’ny tanan’i Sissoko, tao anaty faritra tsy azo ivalozana, mantsy ny baolina nodakan’i Mané.Niezaka hatramin’ny farany ny Spurs, nitadiavana sahala fa voasakan’i Alisson, hatrany ny dakan-dry Son sy ry Kane. Anisan’ny herin’ny Liverpool, ny fahamafisan’ny fiarovantena, notarihin’i Joel Matip sy ry Virgil. Na izany aza, mpilalao nisongadina indrindra, ilay Senegaley, Sadio Mané.Rehefa nanafika tsy nahomby ny Spurs, nitsimbadika ho baolina maty ho an’ny Liverpool izany, tamin’ny alalan’i Origi, teo amin’ny minitra faha-87. Tsiahivina fa efa nandrombaka izany izy ireo, ny taona 1977, 1978, 1981, 1984, 2005. TompondakaL’article Kitra – «ligue des champions d’europe»: norombahin’ny Liverpool fanineniny ny amboara a été récupéré chez Newsmada.

Ambatondrazaka: MD ireo dahalo enina nanafika Japoney

Tonga nitsidika ny minisitry ny Filaminam-bahoaka teny amin’ny birao fiasany eny Anosy ny solontena maharitry ny Jica Madagascar, notarihin’i Umemoto Shinji, afakomaly. Nitondra fisaorana manokana sy nankasitraka feno ny polisy ity solontenan’ny Jica ity manoloana ny ezaka lehibe nataony nanenjehana ireo jiolahy nanafika teratany Japoney tany Ambatondrazaka, ny 4 mey 2019 lasa teo. Tsiahivina fa nisy fanafihan-jiolahy mitam-piadiana nitranga tao amina tranona japoney ao Avaradrova Ambatondrazaka, ny 4 mey 2019 lasa teo, ka nahaverezana vola sy entana maro ary naharatrana olona efatra. Nanao fanadihadiana sy fanarahan-dia avy hatrany ny polisy taorian’izay ka tamin’izany no nahatrarana ireo tambajotran-dahalo tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity sy ireo olona niray tsikombakomba rehetra. Nentina nanaovana famotorana ireto andian-dahalo izay nahitana vehivavy iray ireto. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Nidoboka vonjimaika am-ponja ireto dahalo enina nanafika Japoney ireto. Nanamafy kosa ny minisitry ny Filaminam-bahoaka fa tsy mikely soroka izy ireo amin’ny fiarovana ireo teratany vahiny miasa sy monina eto amintsika.Jean ClaudeL’article Ambatondrazaka: MD ireo dahalo enina nanafika Japoney a été récupéré chez Newsmada.

Karate – FIHEZAMA: azon’ny klioba Akka avokoa ny fandresena

Tontosa soa aman-tsara, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny asabotsy lasa teo, ny fifaninanana, taranja karate, sokajy “Cadets” sy “Juniors”, nokarakarain’ny Fihezama. Azon’ny klioban’ny Akka avokoa ny fandresena tamin’izany izay nahazoan’ireo mpikatroka eo anivon’ity klioba ity ny amboara miisa efatra sy ny medaly volafotsy miisa roa. Tsiahivina, ity fifaninanana ity no nisantarana ny fandaharam-potoana ho an’ny Fihezama, ho amin’ity taom-pilalaovana 2019 ity.Raha hiverenana ny vokatra, ny asabotsy teo, namiratra tanteraka ny mpikatroka avy amin’ny Akka. Ho an’ny sokajy “Cadets”, azon’i Fara (Akka Ankorondrano) ny fandresena, teo amin’ny sokajy vehivavy. I Christian Finoana (Akka Avaradrano) kosa no nandrombaka ny amboara teo amin’ny lehilahy. Ity farany izay nanilika an’i Aron, mpikatroka avy amin’ny klioban’ny Akka Mahitsy, teo amin’ny ady famaranana. Mbola ny klioban’ny Akka Avaradrano ihany koa no nisalotra ny anaram-boninahitra teo amin’ny sokajy “Juniors”. I Carine no nandresy teo amin’ny vehivavy “Junior” ary i Worlando kosa ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Isan’ny hahazoan’ny Akka vokatra tsara toy izao, ny fanabeazana ireo mpikatroka, dia ny hoe “être sérieux dans tout”.Marihina, amin’ny faha-7 jolay izao no hanaovana ny fifaninanana eo amin’ny sokajy “Seniors” sy “Poussin(e)s”, raha ny fanazavana nentin’ny mpikarakara. Mi.Raz  Ireo tompondaka “Fihezama Cadets sy Juniors”– Cadet(te): Fara (AKKA Ankorondrano) – Cadet: Christian Finoana (AKKA AVARADRANO) – Junior vehivavy: Carine (Akka Avaradrano)- Junior lehilahy:  Worlando (Akka Avaradrano) L’article Karate – FIHEZAMA: azon’ny klioba Akka avokoa ny fandresena a été récupéré chez Newsmada.

Vahiny nikasi-tanana

Efa nandefasan’ny polisy taratasy fampiantsoana ilay lehilahy frantsa nisy nitory ho nikasi-tanana vehivavy mpivarotra iray, tetsy Analakely, tamin’ny sabotsy. Hofotorana eny amin’ny Kaomisaria foibe, etsy Tsaralalàna izy. Voalaza fa mbola mana-raka fitsaboana ilay vehivavy niharan’ny herisetra. L’article Vahiny nikasi-tanana est apparu en premier sur AoRaha.

Lozam-pifamoivoizana

Nifandona tamina taksibe ny môtô « scooter » iray, tetsy Ankorondrano, omaly hariva ka naratra mafy teo amin’ny lohany ilay lehilahy mpandeha môtô. Tafasitrika tao ambany fiara ny kodiaran-droa. Tonga teny an-toerana naka ny mpamilin’ny taksibe ny polisy. L’article Lozam-pifamoivoizana est apparu en premier sur AoRaha.