Enina ireo lavo: 158 ny tranga vaovao

News - Enina ireo lavo: 158 ny tranga vaovao

News - Enina ireo lavo: 158 ny tranga vaovao

Misoko mangina tsy re tsaika. Miisa
enina ireo lavon’ny Covid-19, tao anatin’ny herinandro. Teo
anelanelan’ny 17 hatramin’ny 23 oktobra izany. Manodidina ny iray
isan’andro eo ho eo izany ireo matin’ity valanaretina ity eto
amintsika ary mananika ny 244 izao ireo nodimandry hatramin’ny 19
marsa no ho mankaty. Efa manakaiky ny 250 izany.

Etsy andaniny, miisa 158 ireo
tranga vaovao tao anatin’izany herinandro izao. Manodidina ny 26
isan’andro eo ho eo izany ny isan’ireo nifindran’ny valanaretina
eto amintsika. Miisa 86 kosa anefa ireo sitrana. Tafakatra
16 301 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny
fahasitranana amin’ireo 16 968 mitondra Covid-19 eto Madagasikara
hatramin’ny nisian’ny valanaretina. Izany hoe, misy 423 izany ireo
mbola manaraka fitsaboana.

Synèse R.

Article tiré de Newsmada

L’article Enina ireo lavo: 158 ny tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 26/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Lemaka Bas Mangoky: nomena hisafidy karazam-bary volena ny tantsaha

Ifantohana manokana miaraka amin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) ny fampiroboroboana ny fambolena ao amin’ny lemaka Bas Mangoky. Ankoatra ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, nentina any an-toerana ny vokatry ny fikarohana karazam-bary.Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Priaso (1) ny fikarohana karazam-bary mety any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Ny herinandro lasa teo, niarahana tamin’ny tantsaha mpamboly amin’ny lemaka Bas Mangoky, ny vokatry ny fikarohana. Nisy karazam-bary 18, ka 14 ny avy amin’ny Africarice ary efatra ny avy amin’ny Fofifa. Nomena sehatra malalaka hisafidy amin’izay mety aminy na PVS (2) ny tantsaha, hanatsara kokoa ny vokatra raha oharina amin’ny efa fanao tany aloha.Raha eo anivon’ny Africarice, firenena maro aty Afrika ny efa nitondrana izany nanomboka tamin’ny fanaovana andrana, misy maharitra telo taona, tonga amin’ny fambolena karazam-bary mifanaraka amin’ny toe-tany sy ny toetr’andro, hatramin’ny fomba amam-panaon’ny mpamboly. Toy izany koa ny atao any amin’ny lemaka Bas Mangoky.Tonga any an-toerana ny teknisianina avy ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena nampiofana sy nampahalala ireo tantsaha momba ireo karazam-bary ireo. Momba izay safidy izay indrindra, nampahalalana azy ireo ny dingana natao momba ny fikarohana mialoha izao fanaparihana azy izao.Atao izay hahamora ny fanapariahana sy ny handraisan’ny tantsaha azy, koa raha hita ny fahombiazana amin’ny taom-pambolena fampiharana azy, hatao izay hanatevenana azy hahazoana masomboly vaovao ho an’ny taom-pambolena manaraka. Hampahafantarana ny sampam-pikarohana ihany koa izay karazam-bary nahitana fahombiazana teo amin’ny vokatra.Tanjona ny hahazoam-bokatra 10 t/haTanjona ny hahazoam-bokatra 10 t/ha, efa vitan’ny tany Afrikanina sasany (Gabon, ohatra), any amin’ny lemaka Bas Mangoky, manomboka amin’ny fanajariana ireo fotodrafitrasa, tonga amin’izao teknika vaovao izao. Fianakaviana iray alina mahery ny mahita tombontsoa any an-toerana. Tohanan’ny Bad amin’ny famatsiam-bola ny lemaka Bas Mangoky nefa tsy any ihany ny faritra mpamboly vary eto amin’ny Nosy mila tosika amin’ny lafiny maro. Ny fanjakana koa moa, zatra miandry famatsiam-bola avy any ivelany. R.Mathieu Piaso (1) : Projet de réhabilitation des infrastructures agricoles de la région Sud-OuestPVS (2) : Sélection variétale participativeL’article Lemaka Bas Mangoky: nomena hisafidy karazam-bary volena ny tantsaha a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF): dimy ny kandidà hifaninanan ho filoha

Hifantohan’ny sain’ny rehetra, taorian’ny lalaon’ny “Can 2019”, natrehin’ny Barean’i Madagasikara, ny fifidianana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Dimy mirahalahy mianaka ny hiady izany toerana izany.Rabekoto Raoul Arizaka, filoha lefitra faharoan’ny federasiona teo aloha. Andriamiasasoa Doda, filohan’ny federasiona nandimby an’i Ahmad. Rakotomamonjy Neypatraiky, filoha lefitra voalohan’ny federasiona teo aloha. Rasoamaromaka Hery, mpitantana ny fanamboarana ny kianja synthètique ary i Mohamad Abdillah, mpitsara baolina kitra iraisam-pirenena. Ireo izy dimy mirahalahy mianaka hifaninana ho filoha hitantana ny federasiona malagasin’ny baolina kitra.Raha zohina, olona efa nilona naharitra ao anatin’ny tontolon’ny baolina kitra avokoa izy rehetra ireo ary samy nametraka tantara tsara ho an’izany taranja izany avokoa. Samy manana ny vina hampivoarana sy hampiroboroboana ity taranja ankamamian’ny vahoaka malagasy ity avokoa izy rehetra ireo. Efa samy nahazo ny fankatoavan’ireo ligim-paritra araka ny lalàna mifehy ny fifidianana ireo kandidà dimy ireo.Heverina fa tsy misy handiso fanantenana ny mpankafy izay ho lany hitantana izany. Na ireo tsy ho lany aza, tsy maintsy hanome tanana sy hanampy izay ho filoha vaovao eo satria ny baolina kitra no jerena sy iarahana mibanjina fa tsy sanatria fitiavan-tseza. Nisy ireo kandidà efa nitonona ny hirotsaka niala an-daharana ka nanohana kandidà, tamin’ity. Eo koa nefa ireo izay mihazakazaka mirotsaka ho komity mpanatanteraka.Kandidà iray ihany ny tsy afaka nirotsaka tamin’ity, Ramisamanana Lova, filohan’ny fikambanana Alefa Barea. Tsy nisy ligy nanome fankatoavana azy mantsy ka izao izy tsy afaka hilatsaka izao.Tsiahivina fa hotontosaina ny asabotsy 24 aogositra izao ny fifidianana ho filohan’ny federasiona ka handatsa-bato ireo ligim-paritra 22, hifidy ny ho filoha vaovao eo. Tompondaka L’article Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF): dimy ny kandidà hifaninanan ho filoha a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Lozam-pifamoivoizana :: Nivadika ny fiarakely nitondra olona valo mianaka

Tra-doza tany amin’ny lalam-pirenena fahefatra, tany Ankadimainty Mahitsy, afak’omaly maraina, ny fianakaviana iray nandeha fiara marika «Renault Laguna». Valo mianaka, izay nahitana ankizy telo sy vehivavy iray, ary olona efatra hafa no tao anatiny. Nivadika tany anaty hantsana ny fiara. Naratra tamin’izany ny mpamily sy ny vehivavy roa. «Nisongona kamiao iray teo aloha saingy tsy nahavita izany izahay ka nivarina teo an-tsisin-dalana. Voadonan’ io fiarabe io no tena nampi- vadika ny fiara nitondra anay», araka ny fitantaran’ ireto tra-doza. Nivadika intelo ny fiara vao tafajanona. Tafavoaka avy tao ny mpandeha rehetra. Naratra mafy tapa-tongotra ilay vehivavy mpanao gazety. Naratra ihany koa ny vadiny nitondra ny fiara. Tonga nanavotra azy ireo ny zandary avy any Mahitsy. Voalaza fa tsy nijanona teo ilay kamiao heverina ho nahatonga ny loza. Milaza ny hametraka fitoriana eny amin’ny zandarimaria ireo niharam-boina. L’article Lozam-pifamoivoizana :: Nivadika ny fiarakely nitondra olona valo mianaka est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Tetikasa goavana “Volobe II” – Toamasina: hamatsiana herinaratra ho an’i Toamasina sy Antananarivo

Efa nisy atrikasa fampahafantarana ny tompon’andraikitra ny tetikasa goavana momba ny herinaratra “Volobe II”, natao teo amin’ny lapan’ny faritra Atsinanana, ny 21 aogositra 2020.Nitarika izany ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama, Andriamanampisoa Solo, sy ny tale jeneralin’ny orinasa tsy miankina CGHV*, i Remy Hubert. Ny 29 oktobra teo indray, nampiofanina amin’ny fomba fikirakirana sy fampahafantarana momba ny tombontsoa azo avy amin’ity “Volobe II” ity ny mpanao gazety eto Toamasina, ary notolorana taratasim-pankasitrahana ireo niofana.Tetikasa lehibe indrindra ny « Volobe II”, famatsiana herinaratra avy amin’ny riandrano eto amin’ny firenena, miorina eto Toamasina, afaka hamatsy an’Antananarivo. Mamokatra  herinaratra manana tanjaka hatramin’ny 120 Mw izany. Haharitra hatramin’ny 35 taona ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’io orinasa tsy miankina io. Ny fanjakana no hivarotra amin’ny Jirama, ity farany kosa, mitsinjara any amin’ny mpanjifa. Ho foana ny halatra tariby sy ny delestazy Nandritra ny fanazavana nentin’ny teknisianina anivon’ny CGHV no nahalalana fa ho foana ny halatra tariby hisy tanjaka 220 000 V, mitondra herinaratra. Ho foana tahaka izany koa ny fahatapahan-jiro lavareny sy matetika. Raha ny tombana, mbola hisy ambiny azo tsinjaraina ny vokatra herinaratra azo avy amin’ny ity tetikasa “Volobe II” ity. Tafiditra amin’ny velirano faharoa ataon’ny filoham-pirenena: angovo ho an’ny rehetra, hampitombo ho roa avo heny ny olona hisitraka herinaratra sy rano madio fisotro, sy hampitombo ny tahan’ny angovo azo ampiasaina. Tsara ny manamarika fa efa naorina ny taona 1931 ny “Volobe I”, izay tsy maharaka intsony ny filàn’ny mpanjifa. SajoL’article Tetikasa goavana “Volobe II” – Toamasina: hamatsiana herinaratra ho an’i Toamasina sy Antananarivo a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Lôjika politika

Misy ny marina, misy ny ara-dalàna, dia misy ihany koa ny lôjika eo amin’ny tontolo politika. Mila mianatra mivoaka amin’ilay toe-tsaina be fanankianana lava na manohanohana fahatany arakarak’izay mpitondra eto amin’ny firenena isika. Tsy hoe rehefa olona notohanana no lany dia fotsy daholo izay miseho rehetra, na rehefa tsy ilay kandida antsika dia mainty avokoa ny sary mipoitra. Tsy tokony hiteraka resabe hatraiza izao fanapahan-kevitry ny fitondrana Rajoelina hiroso amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny fanitsiana an’ireo andininy sasantsasany amin’ny Lalàm-panorenana izao. Na ingahy Ravalomanana aza no lany teo, inoana fa tsy nandeha an-jambany tamin’io Lalàm-panorenana narafitra sy nolaniana tamin’ny tetezamita io izy. Mahagaga aza raha izao vao sahy niroso tamin’ny fanatanterahana fitsapan-kevi-bahoaka ny fitondrana. Angaha azo vitavitaina amin’izao izany fanafoanana ny Antenimierandoholona izany, na ny fanomezam-pahefana feno an’ireo mpitantana ny faritra, eny fa na ireo fepetra goavana hitondrana fanovàna eto amin’ ny firenena aza dia mila ny fanitsiana ny Lalàm-panorenana. Ohatra akaiky izay malaza ankehitriny ny finiavana hanenjika an’ireo mpitondra nandika lalàna teto amin’ny firenena nefa toa voaelingelin’ity fangatahana alalana amin’ny Antenimierampirenena ity mialoha ny handraisan’ny Fitsarana manokana HCJ ny adidy sy andraikiny. Na ilay andininy faha-54 nahabe savorovoro mandrak’ity ny androany aza dia mila amboarina mba hifanojo kokoa amin’ny vinam-pampandrosoana fa tsy hifantoka loatra amin’ny kajikajy politika. Santionany ihany ireo fa ny fehiny dia manaraka an’ilay fomba fiteny hoe: miova andriana miova sata. Fitsapan-kevi-bahoaka no hatao. Anjaran’ireo antoko politika no mandresy lahatra ny vahoaka ny amin’ny mety sy tsy mety ka hampandany na tsia an’izay volavolam-panitsiana ny Lalàm-panorenana ho avy eo. Samia miaro ny lôjika politikany nefa aoka hiaro mandrakariva ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena. L’article Lôjika politika est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fibatana fonjamby: nanome 8 tapitrisa ariary ny Minisitra mpiahy

Taorian’ny vokatra tsara nentin’ireo mpibata fonjamby malagasy avy any Maorisy, nandritra ny lalaon’ny Nosy, nanome fankasitrahana azy ireo, ireo Minisitra mpiahy, avy eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny Minisiteran’ny asa sy ny fampananan’asa ary ny lalana sosialy, omaly. Vola mitentina 10 tapitrisa ariary no natolotra azy ireo nandritra izany. Nanambara Andriamatoa Minisitra, fa ny taranja fibatana fonjamby no tena nitondra an’i Madagasikara ho eo amin’ny laharana faharoa, ka izany indrindra no anton’izao fihetsika feno fankasitrahana izao. Sady nanandratra avo ny fanevam-pirenena izy ireo no nahatanteraka ny voady nataony, talohan’ny nialana teto an-tanindrazana dia ny hitondra vokatra tsara. Mbola vonona hatrany moa ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka hanohana ny mpanao fanatanjahantena malagasy, indrindra ireo manao ny ainy tsy ho zavatra ho fiarovana sy fitondrana avo ny voninahi-pirenena. Mi.RazL’article Fibatana fonjamby: nanome 8 tapitrisa ariary ny Minisitra mpiahy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Réseau SEGA /COI: nifampizara traikefa ny mpikambana  

Hifarana anio ny fivoriana fanaon’ny « CTR » ao anatin’ny « réseau SEGA /COI » izay naharitra hateloana teny Antaninarenina. Fivoriana tanterahina isan-taona, izay andraisan’ireo teknisianina misahana ny fahasalamana eny amin’ny seranana sy ny sisintany eto amin’ny ranomasimbe Indiana anjara. Anisany ny avy eo amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny sampandraharaha misahana ny fanaraha-maso ny valanaretina (DVSSER) sy ny toeram-panofanana sy fikarohana momba ny fahasalamam-bahoaka (INSPC). Firenena dimy no mandrafitra ny « réseau Sega » : Madagasikara, La Réunion, Seychelles, Maorisy ary Kaomôro.Tanjona ny fifampizarana fahalalana sy traikefa hanamorana ny fiatrehana ny valanaretina. Noresahina manokana ny ady amin’ny valanaretina « Covid-19 » sy ireo paikady nentin’ny firenena tsirairay niatrika izany. Nisongadina ny fahombiazana azon’ny Malagasy vokatry ny paikady noraisin’ny fitondram-panjakana teo amin’ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny valanaretina sy teo amin’ny fandraisana an-tanana ireo tranga, araka ny nambaran’ny mpitarika ny DVSSER.Vonjy A. L’article Réseau SEGA /COI: nifampizara traikefa ny mpikambana   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fadintseranana : anetsiny ny zava-mahadomelina tratra

Ny 22 jona, 11 sy 19 aogositra 2020, nahatratra rongony ma­hery vaika (drogues dures) ny mpiasan’ny ladoany mpitsikilo zava-mahadomelina. 3,756 kg ny fitambaran’ireo karazana ron­gony mahery vaika ireo (hé­roïne sy métamphétamine) saika halefa any Douala sy any Sydney. Tazonina ao amin’ny Foi­ben’ny fadintseranana (DGD) ireo rongony mahery vaika ireo, hiandrasana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana miady amin’ny ko­likoly ny hanapotehana azy. Mitohy hatrany ny asan’ny fadintseranana misakana ireo karazana varo-maizina. Mampi­tom­bo avo roa heny ny fitiliana ataony ny sampandraharaha SSLC*, indrindra ny trafika rongony, izay eto Madagasikara ny fampandalovana izany. Hamafisina sy hamarinina ny vaovao azo avy amin’ny fom­ba fitsikilovana. Homanina izao ny vondrona mpanara-maso mi­sy alika mpitsongodia hiaraha-miasa amin’ny Organisation in­ter­nationale pour les migrations (OIM). Tsy ho ela ny fampiharana ny fanaraha-maso avy amin’ izany: vonona ny toerana hipehatran’ny alika, ary efa miandry izany ny ao amin’ny fadintseranana. Fiarovana lehibe ny faritra manontolo ny fisiany ho fanampiana ny sampandraharahan’ny fadintseranana rehetra. Na tsy misy aza izao ny fisokafan’ny zotra sidina samihafa, eo ihany ny varo-maizina, ka manamafy ny asany ny ladoany (DGD). Mi­antso ny olom-pirenena ny ao amin’ny DGD mamboraka izay hita rehetra misakana ny tombontsoam-pirenena, manapotika ny olom-pirenena, hatramin’ny ankizy. Eo ny laharana maitso 360, fandraisan’ny ladoany ny vaovao rehetra, araka ny tsiambaratelo.R.Mathieu SSLC * : Service de surveillance et de lutte contre la contrebandeL’article Fadintseranana : anetsiny ny zava-mahadomelina tratra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jirama : fampidiran-jiro 12 000 mialoha ny faran’ny taona

Efa tonga any Ambohimanambola ny kaonteran-jiro vaovao miisa 12 000, herinandro vitsy lasa izay. Nitsidika izany ny tale jeneraly (DG) ny Jirama, Andriamanga Vonjy, ny asabotsy 12 septambra teo. Misy karazany telo ireto kaontera vaovao ireto. Ny kaontera mandeha amin’ny fahana (prépayé), ny kaontera elektronika na toy ireo kaontera mahazatra, ary ny kaontera manokana ZTE (intelligent), afaka mifandray mivantana amin’ny Jirama.Nilaza ny DG-n’ny Jirama fa tanjona hahavitana fampidiran-jiro 12 000 hatramin’ny faran’ity taona ity. Efa manomboka ny fanatanterahana izany ka efa vita ny 40%-n’ny asa amin’izao fotoana izao.Fanamboarana andrin-jiro “béton”Miara-dalana amin’izao fahatongavan’ny kaontera izao ihany koa ny fanokafana indray ny ozinina fanamboarana andrin-jiro vita amin’ny simenitra milaro sy vy (béton) eny Mandroseza, raha toa ka orinasa tsy miankina ny nisahana izany teo aloha.Vinavinan’ity ozinina ity ny hahavita andrin-jiro 8 ka hatramin’ny 10 isan’andro.Njaka A.L’article Jirama : fampidiran-jiro 12 000 mialoha ny faran’ny taona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Indray mijery

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo, araka ny fampahafantarana nataon’ny Fiadidiana ny Repoblika fa omena enim-bolana ireo eo anivon’ny minisitera sy ireo mikirakira ny lamina ara-bola, hijery izay vahaolana matotra ahafahan’ireo mpiasam-panjakana miasa lavitra mandray ny tambin-karamany ara-potoana. Maro ireo mpiasam-panjakana miasa lavitra tsy mandray ara-potoana ny karamany na voatery mandeha an-tongotra alavitra vao afaka mandray ny tambinkaraman’izy ireo.Hahery be ny ranomasina vokatry ny fiavian’ny alon-drano avy any atsimo-andrefana hatramin’ny 12 Jona. Mety hahatratra 3 hatramin’ny 4,5m ny haavon’ny onja, indrindra ny amin’ny morontsiraka atsimon’ny Nosy. Hahazo hery ihany koa ny rivotra ary mety hahatratra 50 ka hatramin’ny 60km isan’ora izany manomboka ny alahady ho avy izao izay mifandray amin’ny anticyclone ao atsimon’i Madagasikara.L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Antsahatsiroa : Un quartier témoin de l’histoire 
23/11/2020

Le vernissage de l’exposition « Antsahatsiroa, mémoire d’un quartier » a eu lieu vendredi, au musée de la photographie en présence de l’Ambassadeur de France et du maire de la commune urbaine d’Antananarivo. L’exposition est accessible gratuitement dans le préau du musée du 20 novembre au 20 février 2021. Un quartier-musée. Antsahatsiroa, littéralement vallée sans égal, est perchée sur la colline d’Antananarivo, en contrebas de l’enceinte royale. Sept siècles séparent notre ère de  l’installation des premiers humains dans ce vieux quartier. Ce lieu, considéré sacré pendant l’époque vazimba et au temps du Royaume merina, cumule les fonctions politique, symbolique et cultuelle avant le XXe siècle. Antsahatsiroa est aussi le lieu de résidence de grands personnages qui ont pour la plupart tenu une place importante à la cour. Aujourd’hui, ce quartier est occupé par leurs descendants qui héritent d’un patrimoine immobilier. Dans une capitale où s’accélèrent les différents aménagements urbains avec le poids de la croissance démographique, Antsahatsiroa présente un intérêt particulier en tant que lieu à forte valeur historique. Le quartier est doté d’un caractère exceptionnel qui le rend singulier dans la ville d’Antananarivo. Sur la Haute Ville historique d’Antananarivo, Antsahatsiroa se classe comme un quartier-musée riche en monuments et édifices historiques. Antsahatsiroa Miatrika est une association des habitants et des riverains du quartier d’Antsahatsiroa. Elle regroupe une soixantaine de personnes presque toutes des descendants de personnages illustres de la cour qui ont habité ́ Antsahatsiroa. Tout autant attachés à leurs terres qu’à leurs ancêtres, les habitants d’Antsahatsiroa, en s’incarnant en association, expriment la volonté d’entretenir une vie commune harmonieuse. L’association a pour objectif d’embellir le quartier et d’améliorer le vécu quotidien de chacun, résidents comme usagers tout en promouvant l’aspect patrimonial du lieu. Sauvegarder le patrimoine architectural, paysager et culturel sont les maîtres-mots de cette association. Une initiative  Le Projet FSPI – PISCCA ou Projet Innovant des sociétés civiles et coalition d’acteur est établi par l’Ambassade de France à Madagascar pour financer des projets d’acteurs locaux visant à lutter contre la pauvreté et à renforcer l’accès aux droits fondamentaux des populations vulnérables. L’association AMI, dans son Projet de revalorisation du quartier d’Antsahatsiroa a pu bénéficier de ce financement et en même temps elle a obtenu le soutien technique de Paris Région Expertise Madagascar. Recueillis par Iss Heridiny  L’article Antsahatsiroa : Un quartier témoin de l’histoire  est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Antsahatsiroa : Un quartier témoin de l’histoire  a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Décès : Damy rejoint Jean Gabin Fanovona au firmament des immortels
18/11/2020

Damy, un des plus grands musiciens traditionnels de Madagascar. (crédits photos : Vaovy, la fondation) Damy, le violoniste traditionnel du légendaire groupe Vaovy, est décédé hier tôt le matin. Il laisse un vide immense dans le patrimoine musical malgache. Le paysage musical malgache est assombri par la disparition de Damy, joueur de « lokanga antandroy » – violon traditionnel spécifique du sud de Madagascar. Il a tiré sa révérence hier aux premières heures. Une perte immense, ce virtuose a joué dans le groupe Vaovy en tant que musicien attitré. Né dans les environs d’Amboasary Atsimo, dans un village entouré d’une nature hostile et sèche, d’où il n’était presque jamais sorti, il a été un jour touché par le destin. « Depuis là-bas, Gabin, le fondateur du groupe, l’a fait venir à Antananarivo vers les années 2000. Il est resté une semaine dans la capitale pour faire son passeport et ses papiers. Il part sans attendre en Europe pour une tournée et réaliser un disque chez Label Bleu », évoque Lova Hariniaina Andrianaivomanana, responsable de la communication du groupe Vaovy. Depuis un lointain chez lui, sans éclairage public, en proie à la sécheresse, damy s’est retrouvé dans un continent à des milliers de kilomètres où il y a presque tout. Il sillonne le monde avec son mentor. Il marque également de son empreinte la polyphonie du groupe. Avec des titres comme « Rodoringa », où le violon traditionnel est mis à rude épreuve. Le musicien de génie reste pourtant très discret. Des fois, au hasard des rencontres, on le voit en solitaire avec son instrument s’attarder dans les rues animées de la capitale. Comme s’il commençait vraiment à découvrir Antananarivo, après avoir vu Paris, Londres, Berlin, etc… Une fois Jean Gabin Fanovona décédé en 2010, sans son charismatique leader, le groupe Vaovy se disperse. Cependant, Damy multiplie les collaborations. Il se retrouve aux côtés de Rajery le valihiste, ou encore intègre Sairy. Vers 2015, il débarque à Sainte-Marie et devient musicien de Zaina. « Depuis que le fils de Vaovy, Desy, a décidé de remettre sur pied le groupe Vaovy, il a répondu à l’appel. Il était déjà faible par ailleurs à son arrivée. Et il est décédé à l’hôpital », regrette le responsable de Vaovy. Sa disparition est un coup dur pour le groupe qui était attendu par les mélomanes et amateurs de musique traditionnelle. Il ne reste qu’à espérer que cela motive encore plus l’envie de porter haut le nom de Jean Gabin Fanovona et de Damy. Pour l’instant, la famille et les proches n’ont pas encore communiqué les détails des funérailles. Sûrement, ceux-là viendront dans les jours à venir. Maminirina Rado L’article Décès : Damy rejoint Jean Gabin Fanovona au firmament des immortels est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Décès : Damy rejoint Jean Gabin Fanovona au firmament des immortels a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Dren Bongolava: vondrona miady amin’ny herisetra
18/11/2020

Manoloana ny herisetra sy ny fanolanana miseholany tato ho ato, nanapa-kevitra ny Dren Bongolava hanangana ny « club de lutte contre la violence » na ny vondrona miady amin’ny herisetra.Hatsangana eny anivon’ny sekoly tsirairay izany vondrona izany ka handrafitra azy ny solontenan’ny mpampianatra, ny mpianatra, ny ray aman-dreny sy ny solontena avy ao amin’ny Oolisim-pirenena.Vokatry ny dinika nifanaovan’ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka sy ny kaomisera tao Tsiroanomandidy izany, ho fametrahana paikady iombonana hiadiana amin’ny fanolanana sy ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy.Maro ireo paikady hapetraka amin’izany, toy ny ady atao amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fiparitahan’ny horonantsary mamoafady. Hisy ny fidinana ifotony hanaovana fanentanana ireo mpianatra tsy hidoroka sy hirona amin’izany fa kosa hanana fahasahiana raha misy tranga hita na mihatra.Entina hiarovana indrindra ireo tanora mpianatra tsy hidonana-poana ny vondrona natsangana. Hiarovana azy ireo amin’ny herisetra sy ny fanararaotana ary ny fanangolena amin’ny endriny samihafa ihany koa.Tatiana A L’article Dren Bongolava: vondrona miady amin’ny herisetra a été récupéré chez Newsmada.

BNI- Antanetibe Mahazaza: tamberin’andraikitra anjatony tapitrisa Ariary
18/11/2020

« Ny fahasalamana no voalohan-karena », koa rehefa salama, afaka miasa mamokatra, mahazo vola. Izany ny naharesy lahatra ny Fondation Axian, BNI Madagascar, avy amin’ny fandaharanasa Salama BNI, sy ny ONG Hilfe, miara-miasa amin’ny fanjakana, nanamboatra ny CSB II ao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo. Kaominina misy mponina 12 000, manana ny maha izy azy eo amin’ny fambolena sy ny fiompiana, manodidina ny kaominina Mahitsy.Tamberin’andraikitra amin’ny lafiny sosialy ataon’ny sehatra tsy miankina ny nataon’ny BNI. Nomarihin’ny solombavambahoakan’Ambohidratrimo, Rakotoarison Jhonny, fa « betsaka ny orinasa mahita tombontsoa eto amintsika nefa manadino izay tamberin’andraikitra izay ». Ny tetikasa Salama BNI, manao izany amina sehatra maro: ny fanebeazana sy ny fahasalamana, toy ny fananganana CSB II izao, nandaniana vola anjatony tapitrisa. Nisaotra ireo mpanohana sy mpiara-miombona antoka rehetra ny ben’ny Tanàna, ny dokotera Rakotonomenjanahary Louis Firmin, nampisy izao fotodrafitrasa fandraisana marary sy efitra fiterahana izao.Raha ny nambaran’ny mponina eny an-toerana, tsy nisy fiantraikany loatra amin’izy ireo any amin’io kaominina ambanivohitra io ny valanaretina Covid-19 satria ny ONG Hilfe, nanentana isan-tokantrano sy nitondra fidiovana ho fiarovana amin’ny aretina. Afaka niasa hatrany izy ireo amin’ny fiompiana fanaony, saingy nihena ny varotra, nisy fotoana tsy tonga ireo mpanangom-bokatra tamin’ireny fihibohana ireny.Mitohy ny ataon’ny Salama BNIManohy ny fanaovana tetikasa toy izao ny Fondation Axian, araka ny nambaran’ny tale mpanatanteraka, i Isabelle Salabert, ho fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny fahantrana ho fanatsarana fari-piainan’ny mponina. Ny mponina salama sy tsara fivelomana no mpanjifan’ireo orinasa mivondrona ao amin’ny Fondation Axian. Mbola hotohizan’ny Salama BNI ny tetikasa any amin’ny faritra hafa, ho fametrahana toeram-pitsaboana manakaiky vahoaka any ambanivohitra, antoka iray amin’ny fihariana trandrahin’izy ireo. R.MathieuL’article BNI- Antanetibe Mahazaza: tamberin’andraikitra anjatony tapitrisa Ariary a été récupéré chez Newsmada.

Herinaratra: 1,2 tapitrisa dolara avy amin’ny USAID
24/11/2020

5% monja amin’ny mponina any ambanivohitra eto Madagasikara izao ny mahazo herinaratra mivantana na eo aza ireo loharanon’angovo azo havaozina toy masoandro, ny rivotra sy ny rano.Orinasa telo eto Madagasikara nampian’ny governemanta amerikanina, amin’ny alàlan’ny USAID, sampandraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana, sy ny tetikasa Power Africa. Mitentina 1,2 tapitrisa dolara ny tetikasa, hamokarana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro. Tanjona ny hahazoan’ny tokantrano mihoatra ny 400 000 any ambanivohitra herinaratra amin’ny taona 2022. Voakasik’izany ny faritra telo: Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana, ary i Boeny.Orinasa 17 ny nanao fangatahana, telo ireo nahazo izany taorian’ny safidy: ny Autarsys Madagascar, ny Hydro Ingenierie Etudes et Realizations (HIER) ary ny Henri Fraise Fils & Cie.Tanjona ny 50 % hahazo herinaratra amin’ny 2023Ny volana mey 2020 no natomboky ny Power Africa ny tetikasa fampiroboroboana ny tambajotra madinika eto Madagasikara. Tetikasa tantanan’ny Power Africa’s Southern Africa Energy Program (SAEP) manampy ireo nahazo alalana avy amin’ny Ader, saingy sahirana amin’ny fitadiavana famatsiam-bola; misy koa ireo mpandraharaha manana tetibola afaka manampy tokantrano vaovao hafa. Manohana ny tanjon’ny fanjakana ny tetikasa, hahatratra 50% amin’ny fahazoana herinaratra manerana ny Nosy amin’ny taona 2023.Manampy amin’ny fanitarana ny fiharianaRehefa mitombo ny fampiasana izany, afaka mampiasa fitaovana sy milina maoderina ny orinasa, toy ny paompy fitarihan-drano sy ny vata fampangatsiahana. Manampy amin’ny fanitarana ny fihariana ireo, sy famoronana asa vaovao hampandroso ny orinasa sy ny faritra. Manampy amin’ny fanamafisana ny fifandraisana varotra sy ny toekarena, sy ny fampiroboroboana ny fizakantena maharitra ny fahazoana herinaratra eto Madagasikara. R.Mathieu L’article Herinaratra: 1,2 tapitrisa dolara avy amin’ny USAID a été récupéré chez Newsmada.

Tselatra
19/11/2020

Zazalahikely iray nisy nanary tao anaty lavapiringa ao Andranonahoatra Antsirabe, afakomaly tolakandro. Ankizy nilalao no naheno ilay zazamena nitomany ka niantso fokonolona. Novakiana ny lavaka ka avotra soa aman-tsara ilay zaza.Hampitondraina anarana “Caserne” avokoa ireo zandary maty. Isan’izany ireo mahery fon’ny firenena lavo teo am-perinasa. Hotanterahina avy hatrany izany raha vantany vao ankatoavin’ny fianakaviany ny fangatahan’ny Zandarimariam-pirenena.L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Ministère de la population : 7 personnes MD pour détournement, cadeaux illicites, blanchiment de capitaux…
19/11/2020

Une affaire à suivre de près au niveau du ministère de la Population. Il s’agit d’une affaire de marchés de prestation fictifs qui implique des hauts responsables au sein du ministère de la Population, de la protection sociale et de la promotion féminine. La vigilance de la direction générale du contrôle financier a porté ses fruits et démonte une affaire de malversations financières orchestrées au niveau du ministère de la Population, de la protection sociale et de la promotion féminine. Durant une activité de routine relative au contrôle a posteriori des exécutions budgétaires, la police des finances publiques a pu déceler un certain nombre de faits illégaux en matière de gouvernance financière dans ce département. Le rapport de cette direction générale a donc  révélé, notamment durant l’exercice 2018, des cas de faux et usage de faux en écriture publique, abus de fonction, détournement d’usage de biens publics, cadeaux illicites et blanchiment de capitaux à l’occasion des marchés de prestation fictifs. Directeur financier. Une fois les dossiers  constitués, la direction générale du contrôle financier a saisi, le 1er septembre 2020, la direction territoriale du bureau indépendant anti-corruption à Antananarivo pour mener une enquête qui a permis à mettre en lumière les dessous de l’orchestration. Plusieurs personnes sont impliquées, sait-on, dans cette affaire dont des hauts responsables du département de la population, en l’occurrence un directeur en charge des finances, qui, lui, a un homme de main pendant la manigance. Elle mouille également deux dépositaires comptables et deux personnes responsables de marchés publics ainsi qu’un autre gestionnaire d’activités du ministère. Nos sources révèlent également que plusieurs fournisseurs sont aussi cités dans l’affaire. Les têtes sont tombées après avoir été rattrapées par la justice. 15 personnes ont été déférées au pôle anti-corruption dont 7 personnes ont été placées sous mandat de dépôt le 17 novembre 2020. Les 8 autres, en revanche, bénéficient d’une liberté provisoire en attendant la suite du traitement de cette affaire. L’investigation menée par le bianco a donc permis de démonter un pan entier des pratiques bien ancrées dans ce département, en l’occurrence des malversations commises par un collectif d’auteurs et de complices assez rompus dans ce genre d’exercice, des falsifications des documents officiels, des certifications des prestations et livraisons fictives, au cours des années 2017 et 2018. Rija R. L’article Ministère de la population : 7 personnes MD pour détournement, cadeaux illicites, blanchiment de capitaux… est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Ministère de la population : 7 personnes MD pour détournement, cadeaux illicites, blanchiment de capitaux… a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Amin’ny maso sy mahasoa… tsy miangatra    
18/11/2020

Tena marina ny hoe tsy misy jamba toy izay minia mikimpy? Na marenina toy izay minia marenina… Inona, hono, ny zavatra miova eto amin’ny firenena amin’izao? Izay ny vavan’ny mpanohitra sasany. Tena tsy misy tokoa ve izay? Na minia mikimpy sy marenina na entin’ny fankahalana, hany ka maizina avokoa ny zava-drehetra.Aza gaga raha tofoka amin’ny afitsoky ny mpanao na ny mpilalao politika ny ankamaroan’ny olona. Toy ny hoe ny tena ihany no inona: manao zavatra, mahavita zavatra. Fony teo amin’ny fitondrana, ohatra, misy sahy miantsanantsana fa izay tsy natao tao anatin’ny 50 taona, vita iray volana na herintaona. Izany moa ny inona?Rehefa eo amin’ny fitondrana, toy ny hoe ny tena ihany no hany tia tanindrazana, mahalala sy mitsinjo vahoaka… Tsy vitan’izany, hany tokana an-tany manao sy mahavita zavatra hoe fampandrosoana. Manginy fotsiny, izay mahita na milaza zavatra ankoatra izany: soketaina ambony ihany ho fahavalom-pirenena, manakorontana, potehina…Rehefa tsy eo amin’ny fitondrana indray, tabatabaina fa famonoana vahoaka sy famotehana firenena izay rehetra ataon’ny mpitondra. Tena tsy misy na inona na inona miova tokoa ve eo amin’ny tany sy ny fanjakana? Na eo amin’ny fiainam-bahoaka… Aleo ny tsirairay no mitsara fa tsy izay lazaina sy hitan’ny tena no hany marina.Ny zava-doza: manakorontana rehefa tsy mahasarika sy mahazo vahoaka amin’izany. Tsy mety misy fiovana ny fomba fanaovana politika? Tsy firy ny mijery amin’ny maso tsy miangatra amin’izay tena mahasoa amin’ity hoe fitiavan-tanindrazana… hirahiraina lava. Na misy izay mety mahasoa ny vahoaka aza, toherina fotsiny izao.Aza gaga raha tsy miova koa ny fomba fanaovana politika, ny fijerin’ny maro ny mpanao politika sy ny fanaovana politika… Lazaina fa tsy misy inona miova eto noho ny tsy fijerena amin’ny maso tsy miangatra. Tsy ny tena mpitsikera befahatany noho ny fiheveran-tena diso ve no tsy misy fiovana voalohany amin’ny maso tsy miangatra?Rafaly Nd.  L’article Amin’ny maso sy mahasoa… tsy miangatra     a été récupéré chez Newsmada.

Sahiry: « Tsy tonga any ifotony ny fanampiana »
23/11/2020

Nivoaka amin’ny fanginany. “Tsy tonga eny anivon’ny fokontany ireo fanampiana ho an’ireo kere any atsimo. Hatreo anivon’ny kaominina ihany izany. Mihinana voamadilo sy ravina raketa hitazonana aina ny mponina”, hoy ny fikambanana Sahiry. Namory mpanao gazety tetsy Tsimbazaza izy ireo, ny asabotsy teo. Ahitana ireo mpanakanto avy any atsimon’ny Nosy. Na izany aza, nankasitrahin’izy ireo ny fanampiana, saingy tokony hazava ny fitantanana sy ny fitsinjarana izany. Hanao fampisehoana eny Ambohimanambola izy ireo ny 29 novambra izao, hotronin’ny mpanakanto maro. Hatolotra ny BNGRC ny vola azo amin’izany ka iantsoan’izy ireo ny rehetra, handray anjara sy hitondra ny tolo-tanana.Synèse R. L’article Sahiry: « Tsy tonga any ifotony ny fanampiana » a été récupéré chez Newsmada.

Akon’ny baolina kitra
23/11/2020

Frantsa: Hilalao ao amin’ny Lille i SederaAraka ny vaovao, hita tao amin’ny tambanjotran-tserasera, ny zoma lasa teo, hanatevina ny ekipan’ny Losc Lille, “Ligue 1” any Frantsa, i Evan Sedera izay vao 15 taona monja. Zanaka Malagasy i Sedera ary teraka teto Madagasikara, ny 18 mey 2005. Mandritra ny roa taona sy tapany ny hilalaovany ao amin’ny Lille, hifaninana ao amin’ny “Ligue 1”. Azo havaozina izany fifanarahana izany.Kere any atsimo: nanome sakafo i MetanireNoho ny fisian’ny kere mahazo ireo mpiray tanindrazana any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, nanolotra fanomezana milanja 2 taonina, ahitana sakafo sy fanafody ary rano fisotro, ho azy ireo i Romain Metanire, vodilaharan’ny Barea de Madagascar, milalao any Etazonia. Nialoha ny niaingany ny alarobia 18 novambra lasa teo ny nanolorany izany, amin’ireo tomponandraikitra malagasy.Côte d’Ivoire: nodimandry ny filohan’ny federasionaMisaona ny tontolon’ny baolina kitra any Côte d’Ivoire, amin’izao fotoana izao. Fantatra mantsy fa nindaosin’ny fahafatesana, ny asabotsy 21 novambra lasa teo, i Augustin Sidy Diallo, filohan’ny federasiona ivoarianina (FIF), taorian’ny valanaretina Covid-19 nahazo azy. 61 taona izy izao nodimandry izao. Nandefa taratasy fampiononana ho an’ny fianakaviany sy ny baolina kitra ivoarianina ny federasiona malagasy (FMF).Nangonin’i Tompondaka    L’article Akon’ny baolina kitra a été récupéré chez Newsmada.

Olona roa voasambotra, mbola misy hafa karohina: sarona ny gazoala halatra 80 litatra an’ny Jirama
21/11/2020

Anisan’ny mamotika ny orinasa Jirama ny halatra gazoala ataon’ny mpiasa ao aminy ihany. Tsy vao izao ny nahenoana toy ity tranga tany Ambanja ity, indrindra any amin’ny toby mandeha amin’ny solika.Ravan’ny zandary sy ny sampam-pitsikilovana ao amin’ny Jirama, ny alarobia teo, ny tambajotra mpangalatra gazoala tany Ambanja. Tratra tao amina tokantrano miisa telo izany, an’ny mpiasan’ny Jirama ny iray, gazoala mitotaly 80 litatra. Tao amin’ny tranon’ilay mpiasan’ny Jirama no nahitana ny 60 litatra, miampy daba plastika miisa 146, efa tsy nisy na inona na inona intsony. Hita tao amin’ny tokantrano iray faharoa ny daba miisa 12 efa foana ihany koa. Tao amin’ ny tokantrano fahatelo ny daba iray feno gazoala sy daba valo tsy nisy na inona na inona. Olona roa voasambotra, voarohirohy amin’ity raha­raha ity. Taorian’ny fanadihadiana natao azy ireo no nanononany ny mpiasan’ny Jirama iray hafa ho isan’ny mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Mbola karohina kosa ilay mpiasan’ny Jirama iray nahatrarana ireo gazoala 60 litatra. Mampihodina ny milina mamokatra ny herinaratra vokarin’ny Jirama ny solika. Maro ny faritra misedra olana, satria tsy ampy ny solika ampiasaina. Anisan’ny mahatonga izany koa ireo mpiasa “mpamosavy malemy”, manararaotra mangalatra, toy ity tany Ambanja ity.Njaka AndriantefiarinesyL’article Olona roa voasambotra, mbola misy hafa karohina: sarona ny gazoala halatra 80 litatra an’ny Jirama a été récupéré chez Newsmada.

Tiako i Madagasikara : Virulentes critiques contre Vy Vato Rakotovao
18/11/2020

L’hémorragie qui a frappé le parti Tiako i Madagasikara (TIM) est toujours douloureuse pour cet ancien parti majoritaire, plus de 10 ans après le départ du pouvoir de son fondateur. Convaincue sur le fait que Vy Vato Rakotovao n’y est pour rien dans l’interdiction d’accès de l’opposition aux locaux de Magro samedi dernier à Antsirabe, la députée Hanitra Razafimanantsoa, élue du parti TIM, s’en est prise violemment au gouverneur de la région Vakinankaratra, dans les rues de la Ville d’eaux. Les supposées interventions du gouverneur, dans le cadre de la tenue de la manifestation samedi dernier à Antsirabe, ont visiblement agacé la députée du parti Tiako i Madagasikara qui a formulé, sur la place publique, des propos virulents contre Vy Vato Rakotovao. Tracteurs. La colère de la députée témoigne du fait que le parti TIM est toujours remonté contre le gouverneur, lequel était membre du parti, avant la chute de Marc Ravalomanana. « On connaissait ce gouverneur lorsqu’il était encore ministre de l’Agriculture », a lancé Hanitra Razafimanantsoa. Elle a rappelé une histoire qui remonte à 2010, durant la période transitoire, lorsque Vy Vato Rakotovao était encore ministre de l’Agriculture. « Où est passé l’argent des 2.000 tracteurs ? », a ajouté la députée. « Le Bianco a déjà été saisi sur ce dossier. Nous comptons maintenant faire le suivi », poursuit alors l’avocate. Veto. Hanitra Razafimanantsoa a profité sa prise de parole pour s’en prendre publiquement à Vy Vato Rakotovao. La députée du parti TIM a donc attaqué le gouverneur de la région sur son supposé veto contre la manifestation de l’opposition samedi dernier dans la capitale du Vakinankaratra. Hanitra Razafimanantsoa parle même de « menaces et intimidations proférées », par le gouverneur. Elle s’est étalée dans une longue diatribe contre le gouverneur, qui a pris l’allure d’un règlement de comptes avec l’ancien membre du parti TIM. Gestion. Connue par son ton modéré, l’avocate Hanitra Razafimanantsoa s’est montrée ferme. « Nous n’avons pas de leçons à recevoir du gouverneur qui est un responsable nommé. Nous, nous sommes des élus », a soutenu Hanitra Razafimanantsoa. Dans ce sens, la députée a continué sur la gestion financière du gouvernorat : « Que le gouverneur fasse d’abord transparence sur les reliquats de la trésorerie laissée par l’ancien chef de région et les arriérés de salaire des agents de la commune urbaine d’Antsirabe », a lancé Hanitra Razafimanantsoa. Rija R. L’article Tiako i Madagasikara : Virulentes critiques contre Vy Vato Rakotovao est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Tiako i Madagasikara : Virulentes critiques contre Vy Vato Rakotovao a été récupéré chez Midi Madagasikara.